lundi 31 décembre 2012

Alatsinainy 31 Desambra 2012 - I Pet 4 : 7 - 11


7 Antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre, mahonona tena mba ho afa-mivavaka. 8 Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, satria ny fitiavana no mikosoka ny fahotana maro niavosa. 9 Mifampiantranoa ka aza asiana monomonona. 10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, mova tsy mpitandrim-pananana mitantana tsara ny fanomezana maro samy hafa avy amin'Andriamanitra. 11 Izay mitoriteny, aoka ho toy ny milaza ireo hafatr'Andriamanitra; izay manompo, aoka ho araka ny hery ampombain'Andriamanitra azy; ka dia amin'ny zavatra rehetra no hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, fa an'Andriamanitra ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen.

dimanche 30 décembre 2012

Alahady 30 Desambra 2012 - Mat 2 : 13 - 15

13 Rehefa lasa nody ireo olon-kendry, dia nisehoan'anjelin'ny Tompo tamin'ny nofy i Josefa ka nilazany hoe: Mifohaza ianao, ka ento mandositra any Ejipta ny zazakely sy ny reniny; ary mitoera any ambara-pilazako aminao indray. Fa efa hotadiavin'i Heroda ny zazakely mba hamonoany azy. 14 Dia nifoha i Josefa ka nitondra ny zazakely sy ny reniny nankany Ejipta dieny mbola alina. 15 Ary nitoetra tany i Josefa telo mianaka ambara-pahafatin'i Heroda; koa tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe: Avy any Ejipta no niantsoako ny zanako!

samedi 29 décembre 2012

Sabotsy 29 Desambra 2012 - Sal 23 : 1 - 6


1. Salamo nataon'i Davida. Ny TOMPO no mpiandry ahy ka tsy ory na inona na inona aho. 2. Ampandriny eo amin'ny ahi-maitso aho ary entiny eo amin'ny rano mahafa-tsasatra, 3. velombelominy aina indray aho, ary tarihiny amin'ny lala-marina, satria mpiandry an'i Israely Izy. 4. Na mandeha mamaky lohasaha maizina izay tandindomin'ny fahafatesana aza aho, dia tsy misy loza atahorako fa Ianao no miaraka amiko. Tarihinao sy arovanao aho ka izany no mampatoky ahy. 5. Anomananao fanasana aho eo anoloan'ireo fahavaloko; hosoranao ilomanitra ny lohako sady fenoinao mitafotafo ny kaopiko. 6. Eny tokoa, mandritra ny andro iainako rehetra dia ny hatsarampo amam-pitiavanao no hiaraka amiko. TOMPO o, hitoetra lalandava ao an-tranonao aho.

vendredi 28 décembre 2012

Zoma 28 Desambra 2012 - Efe 2 : 8 - 16


8 Eny, fahasoavan'Andriamanitra no namonjena anareo, tamin'ny alalan'ny finoana! Ary tsy avy aminareo izany famonjena izany, fa fanomezan'Andriamanitra; 9 tsy vokatry ny ezaka vita, fandrao hisy hirehareha. 10 Fa asan'Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin'i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman'Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin'ny fiainantsika. 11 Ianareo izay hafa firenena, dia ianareo antsoin'ny Jiosy hoe tsy voafora, fa izy ireo miantso ny tenany hoe voafora (ilazana famantarana ataon'ny olona amin'ny nofony) , tsarovy izay nanjo anareo fahiny: 12 lavitra an'i Kristy ianareo tamin'izany andro izany; tsy mba navela ho anisan'ilay firenena Israely voafidin'Andriamanitra; tsy mba tao anatin'ireo fanekempihavanana izay niorina tamin'ny fampanantenan'Andriamanitra; velona teto amin'izao tontolo izao ianareo, kanefa sady tsy nanan-kantenaina no tsy nanana an'Andriamanitra. 13 Fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny dia efa tonga akaiky, noho ny ra nafoin'i Kristy. 14 Satria i Kristy mihitsy no nampihavana antsika roa tonta, ka nahatonga ny Jiosy sy ny hafa firenena ho iray; fa tamin'ny nanoloran'i Kristy ny tenany, dia narodany ny rindrina izay nampisaraka antsika sy nahatonga antsika hifankahala. 15 Nofoanan'i Kristy ny lalana jiosy mbamin'ny didy amam-pitsipiny mba hampiraisany antsika roa tonta amin'ny tenany ka hanaovany antsika ho olom-baovao tokana: toy izany no ahavitan'i Kristy fampihavanana. 16 Ny nahafatesany teo amin'ny hazofijaliana dia nanafoana ny fifankahalana, ka nanambatra antsika roa tonta ho tena iray ihany sady nampihavana antsika tamin'Andriamanitra.

jeudi 27 décembre 2012

Alakamisy 27 Desambra 2012 - Isa 7 : 10 - 16


10. Dia mbola nanafatra an'i Ahaza ny TOMPO ka nanao hoe:
11. -Angataho famantarana ny TOMPO Andriamanitrao mba ho antoka ho anao, na any amin'izay fanambanin'ny toeran'ny maty izany na eny an-danitra ambony eny. 12. Fa novalian'i Ahaza hoe:-Tsia, tsy hangataka na inona na inona aho fa tsy te haka fanahy ny TOMPO. 13. Dia hoy i Isaia taminy: -Mihainoa ahy ianao sy ny fianakavianao izay samy taranak'i Davida. Moa tsy ampy anareo ve ny manasatra ny olombelona no dia hanasatra an'Andriamanitra koa ianareo? 14. Noho izany ary, dia ny TOMPO mihitsy no hanome famantarana ho anareo: jereo fa hitoe-jaza ny vehivavy ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hataony hoe Himanoela, izany hoe ''Andriamanitra miaraka amintsika''. 15. Ronono mandry sy tantely no ho sakafony ambara-pahalalany manda ny ratsy sy mifidy ny tsara. 16. Fa raha tsy mbola mahalala handa ny ratsy sy hifidy ny tsara akory izany zaza izany, dia hilaozan'ny mponina ny tanin'ireo mpanjaka roa izay mampitahotra anao ireo.

mercredi 26 décembre 2012

Alarobia 26 Desambra 2012 - Lio 1 : 39 - 56


39 Niainga i Maria tamin'izany andro izany, ka nandeha faingana ho any amin'ny tanana anankiray anatin'ny faritra be havoana any Joda, 40 ary namantana tao an-tranon'i Zakaria ka niarahaba an'i Elizabeta. 41 Vantany vao henon'i Elizabeta niarahaba azy i Maria, dia injao nibita-karavoana ilay zaza tao an-kibon'i Elizabeta; ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta 42 ka nanandra-peo niantso mafy hoe: Nomban'Andriamanitra fitahiana amin'ny samy vehivavy ianao, ary nombany fitahiana koa Ilay haterakao! 43 Zinona moa aho no mba vangian'ny renin'ny Tompoko? 44 Fa indro vantany vao henoko niarahaba ahy ianao, dia nibitaky ny haravoana tokoa ny zaza tao an-kiboko. 45 Ary sambatra ianao nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminao! 46 Ary hoy i Maria: Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, 47 ary ny aiko miravo amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy, 48 noho Izy nitsinjo ahy mpanompovaviny tsinontsinona! Eny, hatramin'izao dia hambaran'ny taranaka rehetra hoe sambatra aho, 49 fa zava-dehibe no nataon'ilay Mahery tamiko. Masina ny anarany! 50 Ary hamindra fo hatramin'ny taranaka mifandimby ireo manaja Azy. 51  Nanatanterahany asa lehibe ny sandriny mahery; ka ny mpihevi-tena ho ambony nataony mihahaka. 52 Ny mpanjakazaka naongany hiala  amin'ny sezafiandrianany; ny tsinontsinona kosa nasandrany. 53 Ny noana novokisany zava-tsoa; ny mpanankarena kosa nalefany nody maina. 54 Niahy ny vahoaka Israely mpanompony Andriamanitra, satria nahatsiaro ny teniny tamin'ny razantsika; dia ny hamindra fo mandrakizay amin'i Abrahama sy ny taranany. 56 Nitoetra tokony ho telo volana tao amin-dry Elizabeta i Maria vao lasa nody.

mardi 25 décembre 2012

Talata 25 Desambra 2012 - Jao 1 : 14 - 18


14 Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin'ny Ray ho an'ny Zanaka lahitokana. 15 Vavolombelona manambara Azy i Johany ka niantso mafy hoe: Izy no Ilay voalazako hoe: Ilay tamy aoriako dia lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako. 16 Feno harem-pahasoavana ilay Teny ka nandraisantsika rehetra fahasoavana tovozin-tsy ritra: 17 satria ny lalana dia nomen'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy. 18 Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra sy miombona tanteraka amin'ny Ray, no efa nanambara Azy.

lundi 24 décembre 2012

Alatsinainy 24 Desambra 2012 - II Tan 1 : 7 - 13


7. Tamin'ny alina iny no nisehoan'Andriamanitra i Salomona ka nilazany hoe: -Angataho izay tianao homeko anao! 8. Dia hoy i Salomona tamin'Andriamanitra: -Efa nanehoanao fitiavana lehibe i Davida raiko; ary nampanjaka ahy handimby azy Ianao. 9. Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra o, aoka ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin'i Davida raiko, satria Ianao no efa nampanjaka ahy taminavahoaka marobe tahaka ny vovo-tany. 10. Koa omeo fahendrena sy fahaiza-manavaka aho hitondrako ny tenako manoloana ity vahoaka ity; fa raha tsy eo izany, dia iza indray no ho afaka hifehy izao vahoakanao betsaka izao? 11. Dia hoy Andriamanitra tamin'i Salomona: -Satria izany no tao am-ponao fa tsy nangataka vola aman-karena na voninahitra na ny hahafaty ireo fahavalonao ianao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa fahendrena sy fahaiza-manavaka hifehezana ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka; 12. koa dia omena anao ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. Ary homeko vola aman-karena koa ianao, mihoatra noho izay nananan'ireo mpanjaka hafa rehetra tany alohanao, ary tsy hisy hanana toy izany ny any aorianao. 13. Dia niverina tany Jerosalema i Salomona rehefa niala teo amin'ny toeram-pisoronana tao Gibehona, izay nisy ny Tranolay fihaonana; ary nanjaka tamin'i Israely izy.

dimanche 23 décembre 2012

Alahady 23 Desambra 2012 - I Kor 1 : 1 - 9


1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho voaantso ho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra. Mamangy anareo isan'ny Fiangonan'Andriamanitra aty Korinto aho, ary mamangy anareo koa i Sostena havantsika. Voatokana ho an'Andriamanitra sy voaantso ho anisan'ny vahoakany ianareo satria efa tafaray amin'i Kristy Jesoa. Eny, anisan'ny vahoakan'Andriamanitra ianareo miaraka amin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika, na aiza na aiza, fa sady Tompon'izy rehetra i Kristy no Tompontsika koa. 3 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo! 4 Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitro ny aminareo aho noho ny fahasoavana efa nomeny anareo izay tafaray amin'i Kristy Jesoa. 5 Eny, noho ianareo tafaray amin'i Kristy Jesoa no mampanankarena anareo amin'ny fanomezana rehetra, dia ny teny sy ny fahalalana rehetra. 6 Izay nijoroana ho vavolombelona momba an'i Kristy dia efa tafaorina mafy ao aminareo, 7 ka tsy misy fanomezam-pahasoavana tsy anananareo eo am-piandrasana ny hisehoan'i Jesoa Kristy Tompontsika. 8 Andriamanitra koa no hampiorina anareo hatramin'ny farany, ka tsy hanananareo tsiny amin'ny andro hiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika. 9 Mitana ny toky nomeny Andriamanitra Izay niantso anareo hiombona amin'ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

samedi 22 décembre 2012

Sabotsy 22 Desambra 2012 - Lio 1 : 26 - 38


26 Rehefa bevohoka enim-bolana i Elizabeta, dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any amin'ny tanana anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, 27 hankao amin'ny tovovavy fofombadin'ny lehilahy atao hoe Josefa. Io Josefa io dia taranak'i Davida mpanjaka; ary i Maria no anaran'ilay tovovavy. 28 Niditra tao an-tranon'i Maria ilay anjely ka nanao taminy hoe: Mifalia, ry nohasoavin'ny Tompo! Momba anao hatrany Izy! 29 Taitra tokoa i Maria noho izany teny izany, ka nieritreritra izay mety ho hevitr'ilay fiarahabana. 30 Ary hoy ny anjely taminy: Aoka izay ny tahotra, ry Maria, fa efa nahazo tombon-tsoa tamin'Andriamanitra ianao! 31 Hitoe-jaza ianao, ho tera-dahy, ary i Jesoa no hataonao anarany. 32 Ho lehibe Izy sady hantsoina hoe Zanaky ny Avo indrindra. Ny Tompo Andriamanitra hahatonga Azy ho mpanjaka handimby an'i Davida razambeny; 33 dia hanjaka mandrakizay amin'ny vahoaka Israely Izy ary tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany. 34 Fa hoy i Maria tamin'ny anjely: Hanao ahoana ary no hahatanterahan'izany, fa izaho manko virijiny? 35 Dia novalian'ny anjely hoe: Ho tonga eo aminao ny Fanahy Masina, ka ny herin'ny Avo indrindra hanarona anao. Noho izany ilay Masina haterakao dia hantsoina hoe Zanak'Andriamanitra. 36 Ary indro i Elizabeta havanao efa mitoe-jaza koa, na iny izy antitra iny aza, ary efa bevohoka enim-bolana izao ilay natao hoe momba. 37 Fa tsy misy zavatra tsy ho vitan'Andriamanitra! 38 Tamin'izay dia hoy i Maria: Inty aho mpanompovavin'ny Tompo, aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao! Dia nandao azy ilay anjely.

vendredi 21 décembre 2012

Zoma 21 Desambra 2012 - Rom 5 : 1 - 5


1 Noho ny finoana ary dia tonga olo-marina eo imason'Andriamanitra isika sady efa mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika. 2 Amin'ny alalan'i Jesoa ihany koa, rehefa mino isika, no ahazoantsika manatona ilay fahasoavana efa misy antsika ankehitriny; ary ny ireharehantsika dia ny fanantenana hanana anjara amin'ny voninahitr'Andriamanitra. 3 Tsy izany ihany, fa ireharehantsika koa ny fahoriana mahazo antsika: satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; 4 ny faharetana mahatonga toetra voasedra; ny toetra voasedra mahatonga fanantenana; 5 ary ny fanantenana tsy mba manodoka, fa efa voarotsaka ao am-pontsika ny fitiavan'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina Izay nomena antsika.

jeudi 20 décembre 2012

Alakamisy 20 Desambra 2012 - Kol 4 : 2 - 6


2 Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany omban'ny fisaorana an'Andriamanitra. 3 Mivavaha koa ho anay, mba hataon'Andriamanitra afaka malalaka mitory ny teniny izahay, ka hanambara ny tsiambaratelo momba an'i Kristy. Fa ny fitoriana izany tsiambaratelo izany indrindra no mahavoafonja ahy izao. 4 Mivavaha ary mba hanambarako izany mazava tsara, araka izay tokony hoteneniko. 5 Manana fitondrantena feno fahendrena eo anoloan'izay tsy kristianina, ka hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa. 6 Aoka ho mahatehotia sy mahasoa mandrakariva ny teny ataonareo, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay avy.

mercredi 19 décembre 2012

Alarobia 19 Desambra 2012 - I Mpa 17 : 1 - 16


1 Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elia izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Israely izay tompoiko, koa manizingizina aminao aho fa tsy hisy ando na orana hilatsaka eto amin'ireo taona ato ho ato ireo, raha tsy teny avy amiko ihany. 2 Dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elia nanao hoe: 3 Miala eto ianao ka mizora miantsinanana ary miere any akaikin'ny riakan'i Kerita, any atsinanan'i Jordana.
4 Io riaka io no hisotroanao rano any, ary Izaho hanome baiko ny goaika hitondra sakafo ho anao. 5 Dia notanterahin'i Elia izay nolazain'ny TOMPO taminy, ka lasa izy nipetraka tany akaikin'ny riakan'i Kerita. 6 Ary marain-tsy hariva dia nitondra mofo sy hena ho azy ny goaika, fa rano teo amin'ny riaka kosa no nisotroany. 7 Fa nony afaka kelikely dia ritra ilay riaka, satria tsy nisy orana nilatsaka tamin'ny tany. 8 Dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elia nanao hoe: 9 Miainga ka mankanesa any Tsarefata akaikin'i Tsidona ary mitoera any; fa misy vehivavy mpitondratena any, izay efa nomeko baiko mba hamatsy hanina anao. 10 Dia lasa nankany Tsarefata i Elia. Ary rehefa tonga teo am-bavahadin'ny tanana izy, dia nahita vehivavy mpitondratena mifako kitay. Nantsoin'i Elia io ka nataony hoe: Azafady mba itondray rano kely amin'ny zinganao aho hosotroiko. 11 Dia lasa naka ravehivavy, nefa mbola nantsoin'i Elia indray izy nataony hoe: Azafady, mba itondray mofo ihany koa aho. 12 Fa hoy ravehivavy namaly: Velona ny TOMPO Andriamanitrao, koa mianiana aho fa tsy manana mofo mihitsy; ny sisa ananako dia lafarinina eran'ny tanan'ila ao anaty tsatokaty sy menaka kely amin'ny tavoara. Koa rehefa avy maka kitay aho, dia hody hikarakara an'ireo mba ho ahy sy ho an'ny zanako lahy; dia hohaninay izany, ary hiandry ny hahafatesanay izahay. 13 Fa hoy i Elia taminy: Aza matahotra! Modia ary manaova araka izany voalazanao izany; nefa anaovy mofo kely aho aloha ka ento aty amiko, dia izay ianao vao manao ho anao sy ho an'ny zanakao lahy. 14 Fa izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Tsy ho lany ny lafarinina ao amin'ny tsatokaty, ary tsy ho ritra ny menaka ao amin'ny tavoara mandra-pigadon'ny andro handatsahan'ny TOMPO ranonorana amin'ny tany. 15 Dia lasa ravehivavy ka nanao araka izay nolazain'i Elia taminy; ary dia nanan-kohanina nandritra ny fotoana elaela izy telo mianaka, dia ravehivavy sy ny zanany ary ilay mpaminany. 16 Tsy lany anefa ny lafarinina tao amin'ny tsatokaty ary tsy ritra ihany koa ny menaka tao amin'ny tavoara, araka izay nolazain'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Elia.

mardi 18 décembre 2012

Talata 18 Desambra 2012 - II Kor 4 : 12 - 15


12 hany ka ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana no miasa ao aminareo. 13 Hoy ny Soratra Masina: Nino aho, ka izany no nitenenako. Noho izahay manana io finoana omen'ny Fanahy Masina io, dia mino koa izahay ka izany no itenenanay. 14 Fantatray fa Andriamanitra, Izay nanangana an'i Jesoa Tompo ho velona, dia hanangana anay koa ho velona miaraka amin'i Jesoa, ary hametraka anay mbaminareo ho eo akaikiny. 15 Eny, noho ny aminareo avokoa izany rehetra izany, ka dia mihamaro ny olona tratran'ny fahasoavana mba hitomboan'ny vavaka fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra.

lundi 17 décembre 2012

Alatsinainy 17 Desambra 2012 - Sal 84 : 11 - 12


11. Ny indray andro eo an-kianjan'ny tempolinao dia tsara kokoa noho ny arivo any an-toeran-kafa; koa eo am-baravaran'ny tranonao no aleoko ipetrahana, Andriamanitro o, toy izay hitoetra ao amin'ny fonenan'ny olon-dratsy. 12. Eny, ny TOMPO Andriamanitra no manda sy ampinga ho antsika. Fitiavana sy voninahitra no omen'ny TOMPO; tsy mba misy zava-tsoa laviny amin'izay madio fitondrantena.

dimanche 16 décembre 2012

Alahady 16 Desambra 2012 - II Kor 9 : 6 - 9


6 Izao no tsarovy: izay mamafy kely dia hijinja kely; izay mamafy be dia hijinja be. 7 Aoka samy hanome araka izay nokasain'ny fony avy, tsy amin'alahelo na an-terivozona, satria ny mpanome an-kafaliana no tian'Andriamanitra. 8 Ary hain'Andriamanitra omena mitafotafo anareo ny soa isan-karazany, ka hanana ny ampy mandrakariva amin'ny zavatra rehetra ianareo, sady hanana mitafotafo hoentinareo manao asa soa isan-karazany, 9 araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Malala-tanana izy nanome ny mahantra; maharitra mandrakizay ny asa fiantrany.

samedi 15 décembre 2012

Sabotsy 15 Desambra 2012 - Rom 4 : 13 - 18


13 Nampanantenain'Andriamanitra fa handova izao tontolo izao i Abrahama sy ny taranany. Tsy noho izy ireo nandala lalana, fa noho izy ireo nino ka neken'Andriamanitra ho marina no nahazoany izany fampanantenana izany. 14 Raha ny fanatanterahana ny lalana no nahatonga azy ireo ho mpandova, dia ho poaka aty ny finoana ary ho foana ny fampanantenana. 15 Fa mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra ny lalana; ka raha tsy misy ny lalana, dia tsy hisy koa ny fandikan-dalana. 16 Noho izany, dia avy amin'ny finoana no ahazoana ny fampanantenana, hany ka fanomezana azo antoka ho an'ny taranak'i Abrahama rehetra: tsy ho an'izay mandala ny lalana ihany, fa ho an'izay mino tahaka ny nataon'i Abrahama koa. Fa raintsika rehetra i Abrahama, 17 araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Nahatonga anao ho raim-pirenena maro Aho. Eny, raintsika rehetra izy eo anatrehan'ilay Andriamanitra ninoany, dia ilay Andriamanitra mamelona ny maty sy mampisy ny tsy misy. 18 Nanantena i Abrahama na dia tsy nisy hanantenany aza, ary dia nino fa ho tonga raim-pirenena maro, araka ny voalazan'Andriamanitra taminy hoe: Ho tahaka izany ny taranakao.

vendredi 14 décembre 2012

Zoma 14 Desambra 2012 - Asa 6 : 8 - 15


8 Feno fitahiana sy hery avy amin'Andriamanitra i Stefana ka nanao zava-mahagaga sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka. 9 Nisy anefa olona sasany nanohitra azy: dia olona avy amin'ny sinagogan'ny Libertina, sy ny sinagogan'ny Aleksandrianina mbamin'ny sinagogan'ireo terak'i Silisia sy ny faritany Azia. Niady hevitra tamin'i Stefana izy rehetra ireo, 10 kanefa tsy nahatohitra ny fahendrena avy amin'ny Fanahy Masina Izay nampiteny an'i Stefana. 11 Tamin'izay dia nanarama olona izy ireo hilaza hoe: Renay nanevateva an'i Mosesy ary nanevateva an'Andriamanitra iny Stefana iny. 12 Nomeny fo koa ny vahoaka sy ny loholona ary ny mpahay lalana. Dia nirohotan'ireo mpanohitra azy i Stefana, ka nosamboriny ary nentiny ho any amin'ny Fitsarana ambony 13 sady nananganany vavolombelona mandainga hiampanga azy hoe: Tsy mitsahatra miteny manohitra ity tempoly masina ity sy ny lalanan'i Mosesy io lehilahy io, 14 satria efa renay nilaza fa hoe i Jesoa avy any Nazareta dia handrodana ity tempoly ity ary hanova ny fanao natolotr'i Mosesy antsika. 15 Samy nibanjina an'i Stefana izay rehetra tao amin'ny Fitsarana ambony ka nahita ny tarehiny miendrika tarehin'anjely.

jeudi 13 décembre 2012

Alakamisy 13 Desambra 2012 - Heb 4 : 14 - 16


14 Aoka ary hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika, satria isika manana Mpisorombe tsy anoharana Izay lasa namakivaky ny lanitra, dia i Jesoa ilay Zanak'Andriamanitra. 15 Tsy mba Mpisorombe tsy afaka miara-mizaka ny fahalementsika no ananantsika, fa Mpisorombe efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika ihany, saingy tsy mba nanota. 16 Koa aoka isika hatoky hanatona ny sezafiandrianan'Andriamanitra, izay toeram-pahasoavana; eo no hahazoantsika famindrampo ary koa hahitantsika fahasoavana, ka hanampian'Andriamanitra antsika amin'ny fotoana ilantsika izany.

mercredi 12 décembre 2012

Alarobia 12 Desambra 2012 - Sal 128 : 1 - 6


1. Hira fiakarana. Sambatra izay rehetra manaja ny TOMPO sy manaraka ny sori-dalana nataony. 2. Ny vokatry ny asanao tokoa no hivelomanao ka sambatra sy ambinina ianao! 3. Ny vadinao eo an-tranonao dia toy ny voaloboka mahavokatra; ny zanakao manodidina ny latabatrao dia toy ny solofon'oliva. 4. Eny, toy izany no itahiana ny lehilahy manaja ny TOMPO! 5. Hitahy anao avy ao Tsiona anie ny TOMPO, ka amin'ny andro rehetra iainanao no hahitanao ny hasambaran'i Jerosalema 6. sy hahitanao ny zafikelinao! Ny fiadanana anie ho an'i Israely!

mardi 11 décembre 2012

Talata 11 Desambra 2012 - II Tim 1 : 1 - 6


1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra mba hitory ny fiainana nampanantenaina izay ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 2 Mamangy anao aho, ry Timoty zanako malala. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Tompontsika! 3 Velom-pisaorana an'Andriamanitra aho, dia Andriamanitra Izay tompoiko amin'ny fieritreretana mahitsy toy ny nataon'ireo razako. Velom-pisaorana Azy aho rehefa mahatsiaro anao tsy tapaka amin'ny fivavahana ataoko andro aman'alina. 4 Tsaroako ny ranomasonao, ka tsy andriko mihitsy ny hahitako anao mba ho safononoka ny hafaliako. 5 Tsahiviko ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, dia ilay finoana efa nananan'i Loisa renibenao sy i Eonika reninao talohanao. Azoko antoka fa anananao koa izany. 6 Izany no ampahatsiarovako ny hamelombelomanao indray ilay fanomezam-pahasoavana narotsak'Andriamanitra tao anatinao, fony aho nametra-tanana taminao.

lundi 10 décembre 2012

Alatsinainy 10 Desambra 2012 - Rom 12 : 6 - 8

6 Manana fanomezana samihafa isika, araka ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra antsika. Raha misy manana ny fanomezana hilaza hafatra avy amin'Andriamanitra, dia aoka hanao izany mifanaraka amin'ny finoana. 7 Raha misy manana ny fanomezana hanompo, dia aoka hanompo. Ny mpampianatra, aoka hampianatra. 8 Ny mpananatra, aoka hananatra. Ny mpizara, aoka hizara amim-pahatsoram-po. Ny mpahafoy harena, aoka hahafoy amin-jotom-po. Ny mpanao asa fiantrana, aoka hanao ny asany an-kafaliana.

dimanche 9 décembre 2012

Alahady 09 Desambra 2012 : Lio 2 : 39 - 52

39 Rehefa avy nanatontosa ny zavatra rehetra araka ny lalanan'ny Tompo ny ray aman-drenin'i Jesoa, dia niverina nankany Galilea izy telo mianaka ho ao Nazareta tananany. 40 Nitombo sy nihatanjaka ilay zaza sady feno fahendrena; ary tao aminy ny fahasoavan'Andriamanitra. 41 Mpankany Jerosalema isan-taona ny ray aman-drenin'i Jesoa amin'ny fankalazana ny Paska. 42 Nony feno 12 taona i Jesoa, dia lasa izy telo mianaka niara-niakatra araka ny fanao amin'izany fankalazana izany. 43 Nody i Maria sy i Josefa nony tapitra ny andro fankalazana, fa i Jesoa tovolahikely dia mbola nijanona tao Jerosalema, saingy tsy tsikaritr'ireo ray aman-dreniny izany. 44 Nihevitra moa izy roa fa tafaraka tamin'ny mpiara-dia ity zanany; ka efa lasa lalana indray andro, izay vao nitady Azy, nanontany ny havana sy olom-pantatra, 45 nefa tsy nahita Azy. Dia niverina ilalana izy roa nitady Azy tany Jerosalema. 46 Tamin'ny andro fahatelo vao hitany tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa mipetraka teo afovoan'ireo mpampianatra jiosy ka mihaino sady manontany an-dry zareo. 47 Talanjona daholo ny olona nandre ity tovolahikely fa saina matotra no nasehony isak'izay niteny Izy. 48 Gaga dia gaga ny ray aman-dreniny nahita Azy, ka hoy ny reniny taminy: Nahoana, anaka, no nanao toy izao taminay Ianao? Endrey izany tebitebinay sy ny rainao nitady Anao! 49 Dia hoy i Jesoa tamin'izy mivady: Nahoana kosa no mitady Ahy ianareo? Hay tsy mbola fantatrareo fa tsy maintsy ato amin'ny tranon'ny Raiko Aho? 50 Tsy azon'izy roa anefa izay nolazain-janany taminy. 51 Dia niara-nody taminy tany Nazareta i Jesoa ary nanoa azy. Ny reniny kosa nitadidy izany rehetra izany tao am-pony. 52 Ary nitombo fahendrena sy taona i Jesoa sady nandroso nahatehotia tamin'Andriamanitra sy ny olona.

samedi 8 décembre 2012

Sabotsy 08 Desambra 2012 - Rom 12 : 6 - 8

6 Manana fanomezana samihafa isika, araka ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra antsika. Raha misy manana ny fanomezana hilaza hafatra avy amin'Andriamanitra, dia aoka hanao izany mifanaraka amin'ny finoana. 7 Raha misy manana ny fanomezana hanompo, dia aoka hanompo. Ny mpampianatra, aoka hampianatra. 8 Ny mpananatra, aoka hananatra. Ny mpizara, aoka hizara amim-pahatsoram-po. Ny mpahafoy harena, aoka hahafoy amin-jotom-po. Ny mpanao asa fiantrana, aoka hanao ny asany an-kafaliana.

vendredi 7 décembre 2012

Zoma 07 Desambra 2012 - Asa 7 : 9 - 10


9 Nialona an'i Josefa ireo razambe rahalahiny ka nivarotra azy ary nahatonga azy ho andevo tany Ejipta. Kanefa nomban'Andriamanitra i Josefa, 10 ka nafahany tamin'ny fahoriana rehetra ary nataony mamy hoditra sy nomeny fahendrena teo anatrehan'ny Farao, mpanjakan'i Ejipta. Dia notendren'ny Farao ho mpifehy an'i Ejipta sy ny tao an-dapany rehetra i Josefa.

jeudi 6 décembre 2012

Alakamisy 06 Desambra 2012 - Lio 12 : 22 - 31


22 Dia hoy indray i Jesoa tamin'ny mpianany: Izany indrindra no ilazako aminareo hoe: aza manahy ny amin'ny hanina izay ohan'ainareo, na ny amin'ny fitafiana izay ilain'ny vatanareo.
23 Fa ny aina mihoatra noho ny hanina; ary ny vatana mihoatra noho ny fitafiana. 24 Diniho ange ny goaika: tsy mamafy na mijinja izy ireny, tsy manana trano fitahirizana na sompitra, fa Andriamanitra no mamelona azy. Tsy sarobidy lavitra noho ny vorona ve ianareo? 25 Iza moa ianareo no mahay manalava kely ny andro iainany na dia feno fanahiana toy inona aza? 26 koa raha ny zavatra kely tsinontsinona aza tsy efanareo, ahoana no anahianareo ny sisa rehetra. 27 Diniho koa ange ny fanirin'ny voninkazo: tsy miasa na mamoly izy ireny; kanefa lazaiko aminareo fa na i Salomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza, dia tsy tsara fitafiana toy ny iray amin'izy ireny. 28 Tafin'Andriamanitra toy izany ny ahitra izay eny an-tsaha anio nefa atsipy any am-patana rahampitso, ka ianareo indray ve no tsy hampitafiny, ry kely finoana? 29 Koa aza ny fikatsahana ny hohanina sy hosotroina no hany ilofosana ary aza mitebiteby foana ianareo. 30 Ireo mpanompo sampy eo amin'izao tontolo izao dia fatra-pikatsaka ireny rehetra ireny; ianareo kosa, fantatry ny Rainareo fa ilainareo izany. 31 Katsaho ary ny Fanjakan'Andriamanitra, dia homena anareo ireny ho fanampiny!

mercredi 5 décembre 2012

Alarobia 05 Desambra 2012 - Rom 6 : 14 - 18


14 Tsy hanan-kery aminareo intsony ny fahotana, noho ianareo tsy eo ambany fahefan'ny lalana, fa eo ambany fahefan'ny fahasoavana.
15 Koa ahoana ary? Hanota ve isika satria tsy eo ambany ahefan'ny lalana fa eo ambany fahefan'ny fahasoavana? Sanatria izany! 16 Tsy fantatrareo ve fa raha manolo-tena mba ho mpanompo hanaiky tompo anankiray ianareo, dia manjary mpanompon'io tompo io: na ny fahotana izay mampirona amin'ny fahafatesana izany, na ny fanekena an'Andriamanitra izay mampirona hanao ny marina? 17 Isaorana Andriamanitra fa mpanompon'ny fahotana ianareo fahiny, ary ankehitriny kosa dia manaiky am-po tokoa ny fampianarana naroso taminareo. 18 Natao afaka tamin'ny fahotana ianareo, ary tonga mpanompon'ny fahamarinana.

mardi 4 décembre 2012

Talata 04 Desambra 2012 - II Kor 8 : 7 - 9


7 Manam-be tokoa ianareo amin'ny zavatra rehetra: dia amin'ny finoana, amin'ny teny, amin'ny fahalalana, amin'ny fahazotoana isan-karazany, ary amin'ilay fitiavana raisinareo avy aminay; araka izany koa no aoka hahafoizanareo be amin'izao asa soa izao. 8 Tsy milaza izany ho didy aho, fa ny fahazotoana asehon'ny sasany no hitsapako raha fitiavana mangarangarana ny anareo. 9 Satria fantatrareo ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika: fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny fahantrany.

lundi 3 décembre 2012

Alatsinainy 03 Desambra 2012 - Asa 4 : 32 - 37


32 Iray fo sy fanahy tokoa ireo mpino marobe ary tsy nisy nilaza ny fananany ho azy samirery, fa niara-nanana ny zavatra rehetra. 33 Tamin-kery lehibe no nijoroan'ny apostoly ho vavolombelona manambara fa nitsangana velona i Jesoa Tompo; ary fitahiam-be avy amin'Andriamanitra no teo amin'ny mpino rehetra. 34 Tsy nisy orin-javatra teo aminy; fa ireo nanana tany na trano dia nivarotra izany, ary nitondra ny vola vidin'ny zavatra lafo, 35 ka nanolotra izany teo anatrehan'ny apostoly, dia nozaraina araka izay nilain'ny tsirairay. 36 Ohatra i Josefa, levita teraka tany Sipra, izay nantsoin'ny apostoly hoe Barnaba (izany hoe olona havanana amin'ny fampaherezana): 37 i Josefa dia nanana saha izay namidiny, ka nanolotra ny vola vidiny teo anatrehan'ny apostoly.

dimanche 2 décembre 2012

Alahady 02 Desambra 2012 - Deo 28 : 1 - 14


1 Raha ekenareo tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiny rehetra izay ampitaiko aminareo anio, dia hasandrany ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo; 2 eny, raha ekenareo ny TOMPO Andriamanitrareo, dia ho tonga aminareo sy ho azonareo ireto fitahiana isan-karazany ireto: 3 Hotahina ianareo na ny ao an-tanan-dehibe na ny any ambanivohitra. 4 Ho maro anaka ianareo, hiavosa ny vokatry ny taninareo ary ho maro taranaka ny biby fiompinareo, dia ny omby sy ondry aman'osinareo. 5 Hotahina ianareo ka ho feno voankazo ny haronareo ary ho feno lafarinina ny vata fitahirizan-tsakafonareo. 6 Hotahina ianareo na miditra na mivoaka ny tranonareo. 7 Hatolotry ny TOMPO horesenareo ny fahavalo izay mitsangana hiady aminareo; ka raha lalana iray no handrosoany hiady aminareo, dia lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanareo. 8 Handidy ny fitahiany ho aminareo ny TOMPO Andriamanitrareo, ka hambenany ny sompitrareo ary hampanjariany avokoa izay rehetra ataon'ny tananareo; eny, hotahiny ianareo any amin'ny tany izay omeny anareo. 9 Raha tandremanareo ny didin'ny TOMPO Andriamanitrareo ka tanterahinareo ny sori-dalany, dia hasandrany ho firenena voatokana ho Azy ianareo araka izay efa nianianany taminareo; 10 dia hahita avokoa ny firenena fa ny anaran'ny TOMPO no antsoina aminareo, ka hatahotra anareo izy rehetra. 11 Hataon'ny TOMPO manana amby ampy ny soa hafafiny aminareo, any amin'ny tany izay nianianany tamin'ny razambenareo homena anareo: ho maro anaka ianareo, ho maro taranaka ny biby fiompinareo ary hiavosa ny vokatry ny taninareo. 12 Hovohan'ny TOMPO ho anareo ny lanitra izay itahirizany rano sarobidy, mba handatsahany orana ny taninareo amin'ny fotoanandrony ary hitahiany ny asa rehetra ataonareo. Ianareo tsy mba hisambotra vola mihitsy, fa firenena maro kosa no hampisamborinareo. 13 Hataon'ny TOMPO ho lohalaharana ianareo fa tsy ho farany, ary hiroso ho ambony hatrany fa tsy ho ambany, satria ekenareo sady imasoanareo harahina ny didin'ny TOMPO Andriamanitrareo, didy izay ampitaiko aminareo anio; 14 eny, ny didy rehetra izay ampitaiko aminareo anio dia aza ialana mihitsy mba hanarahana sy hanompoana andriamani-kafa.

samedi 1 décembre 2012

Sabotsy 01 Desambra 2012 - Rom 1 : 1 - 7


1 Avy amiko Paoly mpanompon'i Kristy Jesoa ity taratasy ity, dia izaho nantsoin'Andriamanitra ho apostoly, ary natokany mba hampahafantatra ny Vaovao Mahafaly avy aminy. 2 Ao amin'ny Soratra Masina no efa nampanantenain'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany io Vaovao Mahafaly io: 3 dia ny amin'ny Zanany, i Jesoa Kristy Tompontsika. Araka ny maha olombelona, dia avy amin'ny taranak'i Davida mpanjaka i Jesoa; 4 araka ny Fanahy Masina kosa, dia naharihary tamin-kery fa Zanak'Andriamanitra fony Izy tafatsangana velona avy tany amin'ny maty. 5 Tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy no nandraisanay tombon-tsoa maha apostoly ho voninahitr'i Kristy, mba hitarihanay ny firenen-drehetra hino sy hanaiky Azy. 6 Ary ianareo, voaantson'Andriamanitra mba hatokana ho an'i Kristy, dia isan'ireny olona notarihinay ireny koa. 7 Mamangy anareo aty Roma aho, dia ianareo rehetra malalan'Andriamanitra sy nantsoiny ho vahoakany. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

vendredi 30 novembre 2012

Zoma 30 Novambra 2012 - II Kor 7 : 1 - 4

1 Koa raha manana ireo fampanantenana ireo isika, ry hava-malala, dia aoka isika hitandrin-tena hadio sy ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra na ara-batana na ara-panahy, ka hiezaka ho masina tanteraka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. 2 Mba ataovy omby anay ny fonareo. Tsy nanisy ratsy olona izahay, na nanimba olona, na nanambaka olona. 3 Tsy ny hanameloka anareo no ilazako izany; fa efa voalazako rahateo fa lalainay ao am-ponay ianareo, ka ho tafaraka aminay hatrany na velona na maty. 4 Lehibe ny fahatokiako anareo, tena reharehako tokoa ianareo; ka feno fampaherezana aho sady tsy omby tratra ny hafaliako amin'ny fahoriana rehetra manjo anay.

jeudi 29 novembre 2012

Alakamisy 29 Novambra 2012 - I Pet 3 : 8 - 13

8 Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena. 9 Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa, satria ianareo efa nantsoin'Andriamanitra hanana anjara amin'ny soa nampanantenainy. 10 Fa izao no tenin'ny Soratra Masina: Izay te hankamamy fiainana sy te hahita andro soa, aoka izy hitsaha-miteny ratsy ary hitsaha-milaza fitaka; 11 aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa, aoka hitady fihavanana tsy an-kiato; 12 satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina sy mihaino ny fitarainany, fa tezitra kosa amin'ny mpanao ratsy. 13 Iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'ny tsara ianareo?

mercredi 28 novembre 2012

Alarobia 28 Novambra 2012 - Lio 3 : 7 - 14

7 Toy izao ary no tenin'i Johany tamin'ny vahoaka nidodododo hataony batisa: Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba tsy ho tratry ny fahatezeran'Andriamanitra izay efa antomotra? 8 Asehoy amin'ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. Ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho razambenay izahay! Satria lazaiko aminareo fa hain'Andriamanitra ny manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 9 Indro efa eo am-potokazo rahateo ny famaky: koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara, dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. 10 Ary hoy ny vahoaka nanontany an'i Johany hoe: Inona ary no tokony hataonay? 11 Dia novaliany hoe: Izay manana akanjo roa, aoka hizara amin'izay tsy manana; ary izay manan-kohanina, aoka hanao toy izany koa. 12 Mba nisy koa mpamory hetra tonga hatao batisa ka niteny tamin'i Johany hoe: Mpampianatra o, inona no tokony hataonay? 13 Dia novaliany hoe: Aza mitaky mihoatra noho izay voafetra halainareo. 14 Nisy ihany koa miaramila nanontany azy hoe: Mba inona kosa no tokony hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza maka zavatr'olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin'ny karamanareo.

mardi 27 novembre 2012

Talata 27 Novambra 2012 - Oha 12 : 17 - 20

17. Izay milaza ny marina no manambara ny rariny; fa fitaka kosa no ambaran'ny vavolombelona mandainga. 18. Izay mitsaontsaona dia mety handratra toy ny sabatra; fa ny tenin'ny hendry kosa dia fanasitranana. 19. Ny teny marina dia mitombina hatrany; fa ny lainga kosa dia indray mipi-maso ihany. 20. Fitaka no ao am-pon'izay miteti-dratsy;fa fifaliana kosa ho an'izay misaina fihavanana.

lundi 26 novembre 2012

Alatsinainy 26 Novambra 2012 - I Pet 2 : 1 - 5


1 Koa esory ny haratsiam-panahy rehetra sy ny fitaka rehetra mbamin'ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanosoram-potaka isan-karazany. 2 Tahaka ny zaza vao teraka ianareo ka irio fatratra ilay ronono madio, izany hoe ny tenin'Andriamanitra, mba hitomboanareo amin'izany ka hahazoanareo famonjena, 3 raha tahiny efa nandramanareo tokoa fa tsara fo ny Tompo. 4 Manatona ny Tompo ianareo, fa Izy no vato velona nolavin'ny olona, kanefa voafidy sady sarobidy eo anatrehan'Andriamanitra. 5 Manatona ny Tompo ianareo mba ho tahaka ny vato velona voarafitra ho trano onenan'ny Fanahy Masina, ka hiara-manao fisoronana amin'ny alalan'i Jesoa Kristy.

dimanche 25 novembre 2012

Alahady 25 Novambra 2012 - Amo 8 : 1 - 6


1 Ary izao indray no nasehon'ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin'ny fahitana: indro nisy voankazo masaka iray harona. 2 Dia nanontany ahy Izy hoe: Inona no hitanao, ry Hamosa? Ka novaliako hoe: Voankazo masaka iray harona! Dia hoy ny TOMPO tamiko: Tonga ny farany ho an'ny Israely vahoakako, tsy holeferiko intsony ny fahadisoany. 3 Amin'izany andro hiaviako izany, ireo vehivavy mpihira ao an-dapa dia hanao hiram-pisaonana. ho marobe ny faty ka fahanginana no hanjaka hatraiza hatraiza. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no manao izany teny hentitra izany. 4 Mihainoa izao ianareo te hitelina ny mahantra sy te hamongotra ny mpandefitra eto amin'ny tany, 5 ka velom-panontaniana anakampo hoe: Rahoviana no hifarana ny fetin'ny tsinam-bolana ka hivarotantsika vary? Rahoviana no hifarana ny sabata, mba hanokafantsika ny sompitra? Hohakelezintsika ny zinga famarana, hampitombointsika ny vato fandanjana, mizana mandainga no hampiasantsika, 6 ary hatramin'ny vary loha-kororoka no hamidintsika. Hovidintsika ho andevo ireo fadiranovana sy mahantra, noho izy tsy mahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.

samedi 24 novembre 2012

Sabotsy 24 Novambra 2012 - I Kor 6 : 1 - 8


1 Raha misy aminareo manana fifanolanana amin'ny havana kristianina, ahoana no dia ahasahiany mangataka fitsarana amin'ny olona tsy mpino fa tsy amin'ny vahoakan'Andriamanitra? 2 Sa tsy fantatrareo ve fa ny vahoakan'Andriamanitra no hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia tsy mendrika anareo ve ny fitsarana izay raharaha madinika indrindra. 3 Tsy fantatrareo ve fa hitsara anjely aza isika? Mainka fa izay raharaha momba izao fiainana izao! 4 Koa raha zavatra momba izao fiainana izao no ilanareo fitsarana, dia olona ivelan'ny Fiangonana ve no tendrenareo ho mpitsara? 5 Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay ve tsy misy olon-kendry na dia anankiray aza eo aminareo mba afaka handamina ny fifanolanan'ny samy kristianina? 6 Sady kristianina ve dia hanana ady amina kristianina ary izay indray tsaraina eo anatrehan'ny tsy mpino? 7 Efa tena mikorosy fahana ianareo matoa misy fifanolanana samy ianareo. Tsy aleonareo ve mizaka ny tsy rariny? Tsy aleonareo ve miaritra ny fanambakana? 8 Kanefa dia ianareo indray no manao ny tsy rariny sy manambaka, ary dia ny havanareo iray finoana ihany no anaovanareo izany.

vendredi 23 novembre 2012

Zoma 23 Novambra 2012 - Eez 18 : 5 - 9


5. ''Aoka hatao hoe misy lehilahy marina iray ka manao izay marina sy mahitsy. 6. Tsy mihinana amin'ny sakafom-panompoan-tsampy eny an-tendrombohitra izy na manompo ireo sampin'ny Israelita, tsy mandoto ny vadin'ny namany na matory amin'ny vehivavy voan'ny fadimbolana. 7. Tsy mitsentsitra na mangalatra izy fa mamerina ny antoka amin'ny mpitrosa, ary manome hanina ho an'ny noana sy fitafiana ho an'ireo tsy manana. 8. Tsy mampindram-bola mba hahazoana zana-bola sy tombony izy , tsy miray tsikombakomba amin'ny tsy marina fa manao fitsarana tsy miangatra. 9. Manaraka ny lalanako sy mitandrina ny fitsipiko izy mba hanao izay mahitsy. Olo-marina io lehilahy io ka ho velona tokoa. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.

jeudi 22 novembre 2012

Alakamisy 22 Novambra 2012 - Efe 4 : 17 - 24


17 Koa dia izao no lazaiko sy ambarako noho izaho tafaray amin'ny Tompo: aza atao intsony ny fomba fiainan'ny mpanompo sampy, izay manaraka ny hevi-poanany 18 sady maizin-tsaina. Olon-ko azy amin'ny fiainam-baovao omen'Andriamanitra ireny, satria tena tsy mahalala sady mafy fo tokoa; 19 efa lany henatra mihitsy, ka mivarilavo amin'ny fihetsika tsy maotina sady revo manaram-po amin'ny fahalotoana isan-karazany. 20 Tsy mba toy izany kosa no nianaranareo an'i Kristy! 21 Fa efa nandre ny aminy tokoa ianareo ary efa norosoana ny fampianarana marina ao amin'i Jesoa, araka ny maha kristianina anareo. 22 Noho izany aoka hialanareo ny toetrareo taloha nifandraika tamin'ny fitondrantenanareo fahiny, dia ilay toetra mihasimba noho ny fitaky ny filandratsy. 23 Aoka hohavaozina tanteraka ny fanahinareo sy ny sainareo; 24 ary aoka ianareo hitafy ny toetra vaovao, dia ilay toetra noarina araka an'Andriamanitra, ka asehon'ny fiainana mandala rariny sy masina vokatry ny fampianarana marina.

mercredi 21 novembre 2012

Alarobia 21 Novambra 2012 - Mar 7 : 17 - 23


17 Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka i Jesoa ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy momba io fanoharana io ny mpianany; 18 ka hoy i Jesoa taminy: Hay ve ianareo koa mba tsy mahafantatra? Tsy takatrareo ve fa izay rehetra avy ety ivelany ka miditra ao amin'ny olona dia tsy mahaloto azy, 19 satria tsy miditra ao am-pony fa ao an-kibony ihany, ka alefa any amin'ny fanariana azy. (Izany no nentin'i Jesoa nanambara fa madio avokoa ny hanina rehetra). 20 Dia hoy koa i Jesoa: Ny zavatra mipoitra avy ao amin'ny olona, izany no mahaloto ny olona; 21 satria avy ao anaty, avy ao am-pon'ny olona no ipoiran'ny sain-dratsy mahatonga azy hijangajanga, hangalatra, hamono olona, 22 haka vadin'olona, ho tia harena, hasiaka, hanambaka, haloto fitondrantena, hialona, hanao vava ratsy, hiavonavona, ho adala toetra. 23 Ireo zava-dratsy rehetra ireo no mipoitra avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.

mardi 20 novembre 2012

Talata 20 Novambra 2012 - I Mpa 21 : 1 - 16


1 Taorian'izany dia izao no nitranga: nisy lehilahy natao hoe Nabota tao Jizrehela, izay nanana tanimboaloboka teo akaikin'ny lapan'i Ahaba mpanjakan'i Samaria. 2 Dia niteny tamin'i Nabota i Ahaba indray andro nanao hoe: Omeo ahy ny tanimboalobokao hataoko zaridaina fambolena anana, satria mba akaikin'ny lapako izy; homeko tanimboaloboka tsara kokoa noho io ianao ho takalony, na koa homeko izay vola tokom-bidiny raha izany no mety aminao. 3 Fa hoy i Nabota tamin'i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan'ny TOMPO raha izay hanome anao ny lova avy amin'ny razako! 4 Ary nalahelo sady tezitra i Ahaba no niverina tao an-tranony, satria nilazan'i Nabota avy ao Jizrehela hoe: Tsy homeko anao ny lova avy amin'ny razako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nitodika tany amin'ny rindrina ary tsy nety nihinan-kanina. 5 Fa nanatona azy i Jezebela vadiny ka nanao taminy hoe: Nahoana no manjonitra toy izao ianao ka tsy mety mihinan-kaninay 6 Dia hoy ny navaliny azy: Nitenenako i Nabota avy ao Jizrehela hoe: Omeo ahy ny tanimboalobokao hovidiko na koa hatakaloko tanimboaloboka hafa, raha izany no mety aminao; fa namaly izy hoe: Tsy homeko anao ny tanimboaloboko. 7 Dia hoy i Jezebela vadiny taminy: Ny tenanao no manjaka amin'i Israely; koa miarena, dia mihinana, ary aoka hifaly ny fonao, fa ny tenako mihitsy no hanome anao ny tanimboalobok'i Nabota ilay Jizrehelita. 8 Dia tamin'ny anaran'i Ahaba no nanoratan'i Jezebela taratasy, ka nasiany tombon-kasem-panjakana ireny ary nalefany ho an'ny loholona sy ny manampahefana tao an-tanana nonenan'i Nabota. 9 Izao no voasorany tao amin'ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina ka i Nabota no asaivo mitarika ny vahoaka amin'izany. 10 Mifanatrika aminy eo kosa dia asio roa lahy mba hiampanga lainga azy ho nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka. Ary ento any ivelan'ny tanana izy ka torahy vato ho faty. 11 Ary ny loholona sy ny manampahefana tao an-tananan'i Nabota dia nanao araka ny baikon'i Jezebela tamin'ny taratasy nalefany ho azy ireo. 12 Niantso andro fifadian-kanina izy ka i Nabota no nasainy nitarika ny vahoaka. 13 Dia niroso teo anoloan'i Nabota ireo tsivalahara roa lahy ka niampanga lainga azy teo anatrehan'ny olona hoe: Nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabota! Koa dia nentin'ny olona tany ivelan'ny tanana izy ary notorahany vato mandra-pahafatiny. 14 Ary naniraka olona hilaza amin'i Jezebela ny manampahefana tao an-tanana fa notoraham-bato i Nabota ka maty. 15 Rehefa ren'i Jezebela fa maty notoraham-bato i Nabota, dia hoy izy tamin'i Ahaba: Mitsangana ka alao ho anao ny tanimboaloboka izay tsy neken'i Nabota hamidy taminao, satria tsy isan'ny velona intsony izy fa efa maty. 16 Rehefa ren'i Ahaba fa maty i Nabota, dia lasa izy nankany amin'ny tanimboalobok'i Nabota ilay Jizrehelita mba haka izany.

lundi 19 novembre 2012

Alatsinainy 19 Novambra 2012 - I Tes : 2 : 1 - 6

1 Ianareo, ry havana, dia mahalala fa tsy very maina velively ny nidiranay taty aminareo. 2 Fantatrareo koa fa taloha kelin'izay, dia nampijalina sy nalam-baraka tany Filipy izahay; kanefa dia nomen'ilay Andriamanitray fahasahiana hanambara taminareo ny Vaovao Mahafaly avy aminy, na dia be aza ny fanoherana. 3 Eny, ny antso nataonay dia tsy mifototra amin'ny fitaka na amin'ny fahalotoana na amin'ny fisolokiana; 4 fa Andriamanitra no efa nizaha toetra anay ka nanankina taminay ny Vaovao Mahafaly, ary dia araka izany no itenenanay: tsy mila sitraka amin'olombelona izahay, fa amin'Andriamanitra Izay mizaha toetra ny fonay. 5 Fantatrareo fa tsy nanao teny manasohaso olona izahay na nihatsaravelatsihy hanafina fitiavan-karena; Andriamanitra no vavolombelonay. 6 Tsy nitady voninahitra tamin'olombelona izahay, na taminareo na tamin'ny hafa,

dimanche 18 novembre 2012

Alahady 18 Novambra 2012 - Jao 12 : 1 - 8

1 Enina andro talohan'ny Paska, dia tonga tao Betania ry i Jesoa, tao amin'izay nitoeran'i Lazara, ilay natsangany ho velona avy any amin'ny maty. 2 Nanaovan'ny tao fanasana Izy; ary i Marta no nandroso sakafo, fa i Lazara kosa isan'izay niara-nihinana tamin'i Jesoa. 3 Tamin'izay i Maria dia naka ilomanitra sarobidy, natao tamin'ny narda, lanjana ampahatelon-kilao. Nanosotra ny tongotr'i Jesoa izy, dia namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany ka heraka ny fofona mamerovero avy amin'ilay ilomanitra ny trano. 4 Fa hoy i Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianatr'i Jesoa, ilay efa hanolotra Azy: 5 Nahoana iny ilomanitra iny no tsy namidy denary telonjato homena ny mahantra? 6 Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nitenenany an'izany fa noho izy mpangalatra: mpitana ny kitapom-bola izy ary naka izay nalatsaka tao anatiny. 7 Fa hoy i Jesoa: Aoka re izy, ry Jodasy, fa ho fitsinjovana ny andro hamboarana Ahy halevina no anatontosany izany! 8 Ny mahantra moa eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba eto aminareo mandrakariva.

samedi 17 novembre 2012

Sabotsy 17 Novambra 2012 - Asa 7 : 17 - 22

17 Rehefa nanakaiky ny fotoana hanatanterahan'Andriamanitra ny fampanantenana nataony tamin'i Abrahama, dia nitombo ny firenentsika tany Ejipta ka tonga nihamaro be. 18 Avy eo nisy mpanjaka hafa nijoro tany Ejipta, dia mpanjaka tsy mba nahalala an'i Josefa. 19 Fetsy ratsy tamin'ny firenentsika io mpanjaka io ary tsy nifaditrovana tamin'ny razantsika ka nanery azy ireo hanary ny zazalahy vao teraka mba tsy hahavelona azy ireny. 20 Tamin'izany fotoana izany no nahaterahan'i Mosesy, zazalahy mahatehotia teo imason'Andriamanitra. Notezaina telo volana tao an-tranon-drainy izy; 21 fa nony voatery nariana, dia nalain'ny zanakavavin'ny Farao ka nobeaziny toy ny zanany. 22 Notezaina tamin'ny fahaizana isan-karazany nananan'ny Ejiptianina i Mosesy, ka tonga nahery tamin'ny teniny sy ny asany.

vendredi 16 novembre 2012

Zoma 16 Novambra 2012 - II Sam 12 : 1 - 15

1 Naniraka an'i Natana mpaminany ho any amin'i Davida ny TOMPO. Rehefa tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: Nisy lehilahy roa tao amin'ny tanana iray, ny anankiray mpanankarena ary ny anankiray mahantra. 2 Nanana ondry sy omby marobe ilay mpanankarena; 3 fa ilay mahantra kosa tsy nanana afa-tsy ondrivavikely iray izay novidiny. Nofahanany tsara izy io, ka niara-nitombo tamin'ireo zanany tao aminy. Ny sakafo fihinan'ilay mahantra no nihinanany; ny ronono fisotrony no nisotroany; ary teo akaikiny no nampatoriany. 4 Indray andro, nandray vahiny ilay manankarena. Tsy mba naka tamin'ireo omby aman'ondriny anefa izy hamahanany azy, fa ny ondrivavikelin'ilay mahantra no nalainy ka namboariny ho an'ilay vahiny. 5 Tezitra mafy tamin'izany lehilahy izany i Davida ka nilaza tamin'i Natana hoe: Velona ny TOMPO ka manizingizina aho fa mendrika ny ho faty izay olona nanao izany! 6 Ary ny ondrivavikely dia hosoloiny avo efatra heny, satria nanao izany tsy nisy antra izy. 7 Dia hoy i Natana tamin'i Davida: Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: Izaho no nanosotra anao ho mpanjakan'i Israely sady namonjy anao ho afaka tamin'ny famelezan'i Saoly. 8 Natolotro hofehezinao ny fianakavian'i Saoly ary nataoko tonga andefimandrinao ny vadiny; natolotro ho eo ambany fahefanao ny vahoakan'i Israely sy i Joda. Ary raha mbola tsy ampy anao izany, dia ho nomeko toy izany ianao. 9 Koa nahoana no tsy noraharahainao ny teniko tamin'ny nanaovanao izay ratsy eo imasokoy Nasianao tamin'ny sabatra i Oria ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny; eny, ianao no nahafaty azy tamin'ny sabatry ny Hamonita. 10 Noho izany, dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria tsy noraharahainao Aho fa nalainao ny vadin'i Oria ilay Hetita mba ho vadinao. 11 Izao no lazaiko aminao: Indro fa hahatonga loza amin'ny ankohonanao Aho. Halako eo imasonao ireo vadinao ka homeko olon-kafa izay hiray aminy antoandrobenanahary. 12 Ary ianao nanao izany tao amin'ny miafina, fa Izaho kosa haneho izany antoandrobenanahary eo imason'i Israely manontolo. 13 Dia hoy i Davida tamin'i Natana: Nanota tamin'ny TOMPO aho. Ary hoy kosa i Natana tamin'i Davida: Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao. 14 Nefa noho ianao nampiteny ratsy ny fahavalon'ny TOMPO tamin'izany nataonao izany, dia ny zanaka izay naterakao no ho faty. 15 Dia nody tany an-tranony i Natana. Namely aretina ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida ny TOMPO, ka dia narary mafy izy.

jeudi 15 novembre 2012

Alakamisy 15 Novambra 2012 - Eze 22 : 6 - 14

6. ''Ao aminao dia samy manampatra fahefana ny mpitondra ary mamono olona. 7. Ao aminao dia tsy hajaina ny ray sy reny, tsentsefina ny vahiny, ampahorina ny kamboty sy ny mpitondratena , 8. atao tsinontsinona ny toerana voatokana ho Ahy ary zimbazimbaina ny andro sabatako. 9. Ao aminao dia misy mpanaratsy mba handrisika amin'ny famonoana olona; ary ny mponinao dia misy mihinana sakafom-panompoan-tsampy eny an-tendrombohitra. Ao aminao dia fanaovam-pijangajangana : 10. misy mandry amin'ny vadin-drainy, misy manolana vehivavy voan'ny fadimbolana , 11. misy manao zava-maharikoriko amin'ny vadin'ny namany, misy nanery ny vinantovaviny hijangajanga ary misy manolana ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy. 12. Ao aminao misy manaiky ho tambazam-bola mba hamono olona, misy mampindram-bola hakana zanany tafahoatra sy mangoron-karena tamin'ny fandrobana ny namany, ka manadino Ahy mihitsy. Teny hentitra avy amikoTOMPO ANDRIANANAHARY izany. 13. ''Koa indro Aho hamely mafy anareo, ry mponin'i Jerosalema, noho ireo harena nangoninareo tsy an-drariny sy ireo vonoan'olona nataonareo. 14. Moa hanan-kery sy fahasahiana hahatohitra ve ianareo, amin'ny andro hamelezako anareo? Fa IzahoTOMPO dia milaza sady manatanteraka izany.

mercredi 14 novembre 2012

Alarobia 14 Novambra 2012 - Mat 21 : 12 - 17

12 Dia namantana tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo dia noroahiny avokoa, ny latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny sezan'ireo mpivaro-boromahailala nazerany; 13 ary hoy i Jesoa tamin'ireo olona ireo: Izao no voalazan'ny Soratra Masina: Ny tranoko dia hantsoina hoe trano fivavahana. Nefa he ity izy ataonareo zohy fieren'ny mpangalatra! 14 Ary nisy jamba sy mandringa nanatona an'i Jesoa tao an-kianjan'ny tempoly ka dia nositraniny. 15 Fa tezitra mafy kosa ireo lohandoha-mpisorona sy ireo mpahay lalana nony nahita ny zava-mahagaga nataony sy nahita ny ankizy madinika niantsoantso tao an-kianjan'ny tempoly hoe: Dera anie ho an'ny Zanak'i Davida! 16 Ka hoy ry zareo tamin'i Jesoa: Renao ve izay lazain'ireo? Dia novaliany hoe: Eny, reko tokoa! Sady tsy mbola novakinareo ve ny andinin'ny Soratra Masina hoe: Ny vavan'ny ankizy madinika aman-jaza minono avy no nataonao hahazoan-dera? 17 Dia nilaozan'i Jesoa ry zareo; ary niala tao an-tanana Izy hankany Betania, ka nandry tany.

mardi 13 novembre 2012

Talata 13 Novambra 2012 - Sal 34 : 11 - 15

KAFA
11. Na dia ireo mpanankarena aza, mety tsy ampy hanina ka ho noana; fa izay mitady ny TOMPO tsy mba ho orin-java-tsoa.
LAMEDA
12. Avia hihaino ahy ianareo, rey anaka, fa hampianariko hanaja ny TOMPO.
MEMA
13. Raha misy olona mankamamy fiainana ka te ho ela velona sy ho sambatra,
NONA
14. dia tsy maintsy mitandrina tsy hiteny ratsy ary koa mitandrina tsy hilaza fitaka,
SAMEKA
15. hiala amin'ny ratsy ka hanao ny tsara ary haharitra hikatsaka fiadanana.

lundi 12 novembre 2012

Alatsinainy 12 Novamba 2012 - Rom 13 : 8 - 10

8 Aoka tsy hananan'olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalana. 9 Satria ny hoe aza maka vadin'olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra, mbamin'ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin'ilay teny manao hoe: Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao. 10 Izay tia dia tsy manisy ratsy ny namana; koa izay tia no mahatanteraka ny lalana.

dimanche 11 novembre 2012

Alahady 11 Novambra 2012 - I Tes 4 : 1 - 8

1 Farany, ry havana, efa nianaranareo taminay ny fitondrantena ankasitrahin'Andriamanitra, ary efa manaraka izany rahateo ianareo. Kanefa dia izao no iangavianay sy ampirisihinay anareo amin'ny anaran'i Jesoa Tompo: manaova tsaratsara kokoa hatrany! 2 Fantatrareo rahateo ireo fepetra avy amin'i Jesoa Tompo nomenay anareo; 3 satria izao no sitrapon'Andriamanitra: mba ho masina ianareo, ka hifady ny fijangajangana. 4 Aoka samy hahay maka vady amin'ny fomba masina sy mihaja ianareo lehilahy, 5 fa tsy hobaikoin'ny filandratsy, toy ireo mpanompo sampy izay tsy mahalala an'Andriamanitra; 6 ka amin'izany raharaham-panambadiana izany, dia aoka tsy hisy olona hanao ny tsy rariny amin'ny namany na hifetsy azy. Araka ny efa voalazanay taminareo sy nameperanay mafy anareo, dia hofaizin'ny Tompo izay manao ireny karazan-javatra ireny. 7 Fa Andriamanitra tsy niantso antsika hiaina amin'ny fahalotoana fa hiaina amin'ny fahamasinana. 8 Koa izay manda izany fampianarana izany, dia tsy olona no laviny fa Andriamanitra Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.

samedi 10 novembre 2012

Sabotsy 10 Novambra 2012 - Tit 1 : 10 - 14

10 Fa maro tokoa, indrindra tamin'ireo Jiosy tonga kristianina, no mikomy sy manodoka ny olona amin'ny taria poaka aty. 11 Tsy maintsy tampenam-bava ireo fa mampisavorovoro fianakaviana maro, satria mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina mba hahazoan-karena amin'ny fomba maloto. 12 Kretoa anankiray izay heverin'izy samy Kretoa ho mpisolo vava an'Andriamanitra no efa nilaza hoe: Mpandainga mandrakariva ny Kretoa, biby masiaka, kamo be tenda! 13 Azo antoka izany zavatra ijoroany ho vavolombelona izany. Koa reseo lahatra ireo mba hanana finoana tsy misy tomika, 14 mba tsy hifikitra intsony amin'angano jiosy sy didy nataon'olona izay niala tamin'ny fampianarana marim-pototra.

vendredi 9 novembre 2012

Zoma 09 Novambra 2012 - Oha 12 : 1 - 7


1. Izay tia fananarana tia fahalalana; fa adaladala izay mankahala tsikera. 2. Ny tsara fanahy dia mahazo sitraka avy amin'ny TOMPO, fa izay manana sain-dratsy kosa helohiny. 3. Tsy haratsiam-panahy no mahatafaorina ny olona; fa ny marina kosa mamaka tsy misy mahozongozona. 4. Satroboninahitry ny vadiny ny vehivavy tsara fanahy, fa homamiadana mikiky azy kosa ny vehivavy tsy mendrika. 5. Ny olo-marina mihevitra ny rariny; fa ny olon-dratsy kosa misaina fitaka. 6. Ny tenin'ny olon-dratsy dia fandrika mahafaty; ny lazain'ny olo-marina kosa mamonjy ny hafa. 7. Raha miongana ny olon-dratsy, dia tsy misy tafajanona; fa ny ankohonan'ny olo-marina kosa maharitra hatrany.

jeudi 8 novembre 2012

Alakamisy 08 Novambra 2012 - Lev 19 : 11 -13


11 Aza mangalatra, aza mandainga, ary aza mifamitaka ianareo. 12 Aza mianiana amin'ny anarako mba hamitahana satria manala baraka ny anarako izany. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. 13 Aza mamoritra ny namanareo hahazoana ny fananany, aza manendaka azy; ary aza tananao miloaka alina ny karaman'ny mpikaramanareo.

mercredi 7 novembre 2012

Alarobia 07 Novambra 2012 - Mar 10 : 17 - 22


17 Ary nony niainga handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy nanatona Azy, ka nandohalika teo anoloany ary nanontany Azy hoe: Ry Mpampianatra tapitra ohatra o, inona no tokony hataoko hananako anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay? 18 Dia hoy i Jesoa taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tapitra ohatra? Tsy misy tapitra ohatra afa-tsy Andriamanitra irery ihany. 19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, aza maka vadin'olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina, aza manambaka, hajao ny rainao sy ny reninao. 20 Fa hoy ralehilahy taminy: Mpampianatra o, izany rehetra izany dia efa voatandriko hatramin'ny fahatanorako! 21 Dia nijery azy tsara i Jesoa ka velom-pitiavana azy ary niteny taminy hoe: Zavatra iray no tsy ampy aminao; ndeha amidio ny fanananao rehetra ka zarao amin'ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia hiaraka amiko. 22 Dia nanjombona endrika ralehilahy noho izany teny izany; ka lasa nandeha tamin'alahelo, satria nanan-karembe.

mardi 6 novembre 2012

Talata 06 Novambra 2012 - Jer 22 : 13 - 17


13. ''Lozanao, ry Joiakima , fa nanorina ny lapanao ianao nefa tsy araka ny hitsiny, ary nanampy rihana ianao nefa tsy araka ny rariny fa nampiasainao maina ny namanao ka tsy nomenao ny karamany. 14. Hoy ianao anakamponao hoe: ''Manorina lapa miezinezina ho ahy aho miaraka amin'ny rihana malalaka''. Dia loahanao hisy varavaran-kely izy sady petahanao valin-drihana sedera ary nasainao nolokoana mena ny rindriny. 15. Te haneho ny maha mpanjaka ve ianao ka nifidy ny hazo sedera mba hampaningana anao? Moa tsy nihinana sy nisotro tahaka ny besinimaro ve ny rainao sady nampihatra ny rariny sy ny hitsiny? Ary nahitany hasambarana izany. 16. Notsarainy ara-drariny tokoa ny mahantra sy ny malahelo; ary nahitany hasambarana izany. Moa tsy izay manao toy izany ve no tena mahalala marina Ahy TOMPO, hoy ny teny hentitra ambarako? 17. Fa ianao kosa tsy nijery afa-tsy ny tombontsoanao, ianao kosa tsy nieritreritra afa-tsy ny hamono ny tsy manan-tsiny ho faty ary ny hanao famoretana sy herisetra.''

lundi 5 novembre 2012

Alatsinainy 05 Novambra 2012 - Deo 24 : 10 -18


10 Rehefa ny namanareo no ampindraminareo zavatra na inona na inona, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy. 11 Mijanona ao alatrano, ary ny lehilahy izay nampindraminareo zavatra no hamoaka ny antoka ho aminareo ao alatrano. 12 Raha ohatra lehilahy mahantra no manome ny lambany ho antoka, dia aza tananareo miloaka alina io antoka io fa tsy maintsy haverinareo aminy mihitsy rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ka hisaorany anareo. Dia ho asa soa vitanareo izany eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo. 14 Aza ampahorinareo ny mpikarama izay mahantra sy ory, na anisan'ny mpiray firenena aminareo izy na anisan'ny vahiny eo amin'ny taninareo sy ao an-tanananareo. 15 Fa ny andro anaovany ihany no hanomezanareo ny karamany, ary aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany satria mahantra izy sady io karama io no andrandrain'ny fony. Aoka tsy hitaraina amin'ny TOMPO noho ny nafitsokareo izy, fa dia ho fahotana aminareo izany. 16 Ny ray aman-dreny tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny ray aman-dreniny; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny isam-batan'olona. 17 Aza manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty ary aza maka ny fitafian'ny mpitondratena ho antoka. 18 Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, ary ny TOMPO Andriamanitrareo no efa nanavotra anareo ho afaka tany; koa izany no andidiako anareo hanatanteraka izany zavatra izany.

dimanche 4 novembre 2012

Alahady 04 Novambra 2012 - Gen 25 : 29 - 34


29 Teo am-pandrahoana sakafo indrindra i Jakoba indray andro, no tonga avy any an-tsaha i Hesao sady reraka mafy, 30 ka nangataka taminy hoe: -Mba omeo kely amin'io sakafo efa menafify io aho fa reraka. (Izany no niantsoana azy tamin'ny anaram-bositra hoe Edoma na Ilaimena). 31 Dia namaly azy i Jakoba hoe: -Amidio amiko ary aloha ny fizokianao. 32 Dia hoy i Hesao hoe: -Inty hono aho ka ho faty, dia hataoko inona moa izay fizokiana? 33 Fa namaly indray i Jakoba hoe: -Mianiana amiko ary ianao izao anio izao. Dia nianiana taminy izy ka nivarotra tamin'i Jakoba ny fizokiany. 34 Ary nomen'i Jakoba mofo sy voanemba masaka i Hesao ka nihinana sy nisotro. Avy eo izy dia niainga ary lasa nandeha fa tsy niraharaha ny fizokiany.

samedi 3 novembre 2012

Sabotsy 03 Novambra 2012 - Sal 32 : 1 - 2


1. Tononkalo fananarana nataon'i Davida. Sambatra ny olona afa-keloka sy voavelan'Andriamanitra ny otany. 2. Sambatra izay tsy heverin'ny TOMPO ho diso sady tsy misy fitaka ny fanahiny.

vendredi 2 novembre 2012

Zoma 02 Novambra 2012 - lev 25 : 35 - 38


35 Raha misy mihamahantra ny mpiray firenena aminareo, na ny vahiny valovotaka aza, ka tsy afa-manefa ny trosanareo, dia ampio izy mba hahazoany mivelona eo anilanareo. 36 Aza maka zana-bola na tombony aminy; izany no hanehoanareo fanajana Ahy Andriamanitrareo sady hahazoany mivelona eo anilanareo. 37 Aza asiana zana-bola raha mampisambotra vola aza ianareo, ary aza maka tombony raha mampisambotra hanina azy ianareo. 38 Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay namoaka anareo hiala tany Ejipta mba hanome anareo ny tany Kanahana sady ho Andriamanitrareo.

jeudi 1 novembre 2012

Alakamisy 01 Novambra 2012 - Lio 19 : 1 - 10


1 Tafiditra tao Jerikao i Jesoa ary namakivaky ny tanana. 2 Ary indro nisy lehilahy atao hoe Zakeo, sady lehiben'ny mpamory hetra no mpanankarena. 3 Mba nitady hahita izany Jesoa izany izy, saingy fohy ka tsy afa-nanoatra satria nifanety ny vahoaka. 4 Dia nilomay nialoha izy ka nianika hazo amontana mba hitazana an'i Jesoa, fa akaikin'izany no efa handalovany. 5 Nony tonga teo i Jesoa, dia nitraka ary niteny tamin'i Zakeo hoe: Ry Zakeo, midina faingana fa any aminao Aho anio no tsy maintsy miantrano. 6 Nidina faingana i Zakeo ary nandray an'i Jesoa tamin-kafaliana. 7 Nimonomonona ny olona rehetra nanatrika teo ka nanao hoe: Any amin'ny mpanota indray re no amantanany! 8 Niato kosa i Zakeo ka niteny tamin'ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako afoiko ho an'ny mahantra; ary izay zavatr'olona azoko am-pitaka, dia honerako inefatra heny! 9 Ary hoy i Jesoa taminy: Anio ny famonjena dia tafiditra amin'ity trano ity; noho izany ity lehilahy ity koa dia zanak'i Abrahama! 10 Fa ny hitady sy hamonjy izay very no nahatongavan'ny Zanak'olona!

mercredi 31 octobre 2012

Alarobia 31 Oktobra 2012 - Mar 14 : 53 - 61


53 Nentina tao an-tranon'ny mpisorombe i Jesoa. Tonga tao avokoa ireo lohandoha-mpisorona sy loholona ary mpahay lalana. 54 Fa i Petera kosa nanaraka an'i Jesoa teny lavidavitra teny mandra-pahatonga tao an-tokotanin'ny tranon'ny mpisorombe, dia niara-nipetraka tamin'ireo mpiandry raharaha ka namindro teo anilan'ny afo. 55 Nokarohin'ireo lohandoha-mpisorona sy ireo rehetra anisan'ny Fitsarana ambony teo amin'ny Jiosy izay mety hiampangana an'i Jesoa hanamelohana Azy ho faty, saingy tsy nahita ry zareo. 56 Eny, maro ireo niampanga lainga an'i Jesoa, nefa tsy nifanaraka ny fiampangana nataony. 57 Dia nisy nitsangana niampanga lainga an'i Jesoa toy izao: 58 Renay ilay io nanao hoe: Horavako ity tempoly nataon-tanan'olombelona ity, ary ao anatin'ny telo andro, dia hanorina hafa tsy nataon-tanan'olombelona Aho. 59 Fa tsy nifanaraka akory ny filazan'ireo mpiampanga na dia tamin'izany aza. 60 Dia nitsangana nankeo afovoan'ny mpivory ny mpisorombe ary nanontany an'i Jesoa hoe: Tsy mamaly akory ve Ianao? Inona no iampangan'ireo Anao? 61 Fa nangina i Jesoa ary tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisorombe nanao hoe: Ianao ve no Kristy, Zanak'ilay Andriamanitra ankalazaintsika lalandava?

mardi 30 octobre 2012

Talata 30 Oktobra 2012 - Oha 6 : 16 - 19

16. -19. Misy zavatra enina izay halan'ny TOMPO ka tsy zakany mihitsy, dia ireto: ny fijery miavonavona, ny fiteny mandainga, ny tanana mahafaty olon-tsy manan-tsiny, ny fo mamorona teti-dratsy, ny tongotra dodon-kihazakazaka hanao ratsy, ny vavolombelona mandainga sy manendrikendrika. Fa misy koa zavatra fahafito, dia ny olona mpamafy ady amin'ny rahalahiny.

lundi 29 octobre 2012

Alatsinainy 29 Oktobra 2012 - Jao 20 : 24 - 29

24 Fa i Toma, ilay atao hoe Ikambana, anankiray tamin'ny 12 lahy, dia tsy mba tafaraka tamin'ireo mpianatra fony tonga i Jesoa. 25 Ka hoy ny mpianatra sasany tamin'i Toma: Efa nahita ny Tompo izahay! Fa hoy i Toma taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tanany roa ny loaky ny fantsika, ka atsofoko eo amin'ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atsofoko eo amin'ny fony ny tanako, dia tsy mba hino aho. 26 Nony afaka herinandro, dia vory tao an-trano indray ny mpianatr'i Jesoa; ary tafaraka tamin'ireo koa i Toma. Voahidy avokoa ny varavarana, kanefa dia tonga i Jesoa nijoro teo afovoan'ny mpianatra ary nanao hoe: Ho ao aminareo anie ny fiadanana! 27 Avy eo dia hoy Izy tamin'i Toma: Arosoy eto ny rantsan-tananao ka jereo ny tanako roa; arosoy koa ny tananao ka atsofoy eto amin'ny foko; ary aza malain-kino, fa minoa! 28 Dia namaly i Toma ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! 29 Fa hoy i Jesoa taminy: Noho ianao nahita Ahy, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.

dimanche 28 octobre 2012

Alahady 28 Oktobra 2012 - Gen 4 : 6 - 12


6 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Kaina: -Nahoana no tezitra sady manjombona tarehy ianao? Raha manao ny tsara ianao, moa tsy hahatraka? 7 Fa raha tsy izany, dia toy ny biby mamitsaka eo am-baravaranao ny ota. Te hanapaka anao izy, kanefa ianao no tokony hifehy azy. 8 Dia hoy i Kaina tamin'i Abela rahalahiny: -Andeha isika ho any an-tsaha. Nony mby tany an-tsaha izy ireo, dia niantoraka teny amin'i Abela rahalahiny i Kaina ka namono nahafaty azy. 9 Ary ny TOMPO nanontany an'i Kaina hoe: -Aiza moa i Abela rahalahinao? Dia hoy i Kaina hoe: -Tsy fantatro! Moa mpitandrina ny rahalahiko va aho? 10 Fa hoy kosa ny TOMPO hoe: -Inona ity nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy ao amin'ny tany. 11 Ankehitriny dia manozona anao ny tany izay misokatra hitelina ny ran'ny rahalahinao. 12 Raha hamboly ny tany ianao, dia tsy hanome vokatra ho anao intsony izy; ka dia ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin'ny tany ianao.

samedi 27 octobre 2012

Sabotsy 27 Oktobra 2012 - Mik 6 : 6 - 16


6 Inona ary no hoentiko, rehefa manatona aho hiankohoka eo anatrehan'ny TOMPO, Andriamanitra avo indrindra? Moa zanak'omby iray taona hatao sorona dorana manontolo ve no hoentiko rehefa manatona Azy aho? 7 Ho sitraky ny TOMPO ve ny ondrilahy an'arivony na ny menaka mikoriana toy ny renirano? Hatolotro Azy ve ny zazalahy voalohan-terako ho fanalana ny heloka amam-pahotako? 8 Tsia, ry olombelona, fa efa nampianarina anao ny fitondrantena tsara sy izay tadiavin'ny TOMPO aminao: dia ny hanao ny rariny sy handala ny fitiavana ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amim-panetrentena. 9 Fahendrena ny manaja ny TOMPO! Miantso ny ao an-drenivohitra Izy manao hoe: Mihainoa, ianareo ry fokon'i Joda sy ry loholona mivory eto an-drenivohitra! 10 Moa hohadinoiko ve ny harena maloto nangonin'ny ratsy fanahy ao an-tranony sy ny famarana tsy ampy? Zavatra mahatsiravina izany! 11 Moa heveriko ho madio izay mampiasa mizana mandainga sy mitondra an-kitapo ny vato tsy marina? 12 Mpanao herisetra ny mpanan-karena amin'ity renivohitra ity; ary mandainga sy mamitaka ny hafa ireo mponina ao aminy. 13 Izaho kosa nanomboka nikapoka anareo, mba handringanana anareo noho ny fahotanareo. 14 Hihinana ianareo nefa tsy ho voky, fa mbola eo aminareo ihany ny mosary, Hampirina ianareo nefa tsy hahatahiry; ary izay voatahirinareo aza dia holevoniko amin'ny ady. 15 Hamafy ianareo, nefa tsy hijinja; hanery oliva, nefa tsy hihosotra menaka; hanosihosy voaloboka, nefa tsy hisotro divay. 16 Fa tandremanareo fatratra ny ohatra ratsy nasehon'i Homry mpanjaka sy ny fihetsiky ry i Ahaba mianakavy, ka narahinareo ny fomba amam-panaony. Noho izany, dia hatolotro horavana ity renivohitrareo ity ary ho fihomehezana ianareo mponina ao aminy; ka ianareo no hitondra ny latsa mianjady amin'ny vahoakako.

vendredi 26 octobre 2012

Zoma 26 Oktobra 2012 - Apo 12 : 7 - 12

7 Dia nisy ady nitranga tany an-danitra: i Mikaela sy ny anjeliny no niady tamin'ilay dragona; ary niady ilay dragona mbamin'ny anjeliny. 8 Kanefa resy ilay dragona, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony. 9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly na hoe Satana, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin'ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny. 10 Dia reko nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: Tonga izao ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakan'ilay Andriamanitsika, tonga izao ny fahefan'ilay Mesiany; satria nazera ilay mpiampanga an'ireo havantsika, dia ilay mpiampanga azy ireo andro aman'alina teo anatrehan'Andriamanitsika. 11 Ireo havantsika kosa dia naharesy ilay mpiampanga, ka ny ra nafoin'ny Zanakondry sy ny tenin'Andriamanitra nijoroan'izy ireo ho vavolombelona no nandreseny azy; ary tsy nankamamy ny ainy intsony ireo na dia ho faty aza. 12 Noho izany, mifalia, ry lanitra sy ianareo monina ao aminy. Mampalahelo ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa nidina any aminareo ny devoly sady misafoaka mafy, satria fantany fa kely sisa ny androny!

jeudi 25 octobre 2012

Alakamisy 25 Oktobra 2012 - Jao 17 : 14 - 19


14 Efa nomeko ny teninao ireo, ka ankahalain'izao tontolo izao: satria tsy naman'izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman'izao tontolo izao Ahy. 15 Tsy ny hanesoranao azy amin'izao tontolo izao no ivavahako, fa ny hiarovanao azy amin'ilay Ratsy. 16 Tsy naman'izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman'izao tontolo izao Ahy. 17 Atokany ho Anao araka ny hafatra marim-pototra ireo: ny teninao no hafatra marim-pototra. 18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho eo amin'izao tontolo izao no nanirahako azy ho eo amin'izao tontolo izao koa. 19 Ho azy ireo no anokanako tena aminao, mba ho voatokana ho Anao araka ny hafatra marim-pototra koa ireo.

mercredi 24 octobre 2012

Alarobia 24 Oktobra 2012 - Eks 23 : 7 - 8

7 Aza mihaino ny lainga tsara lahatra. Aza manameloka ho faty ny tsy manan-tsiny sy ny olo-marina, satria Izaho Tompo dia tsy hihevitra ny olon-dratsy toy izany ho marina. 8 Aza mandray tsolotra fa ny tsolotra no mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny olo-marina.

mardi 23 octobre 2012

Talata 23 Oktobra 2012 - II Kor 1 : 17 - 20

17 Moa nanao kitoatoa ve aho raha nikasa izany? Araka ny maha olombelona fotsiny ve no nikasako izany ka hahazoako hiroa teny, sady hanao eny no hanao tsia? 18 Raha mahatoky koa Andriamanitra, dia tsy mandray roa ny teninay taminareo ka sady ho eny no ho tsia. 19 Satria i Jesoa Kristy, ilay Zanak'Andriamanitra, Izay notorinay sy i Silasy ary i Timoty teo aminareo, dia tsy hoe sady eny no tsia; fa i Jesoa Kristy dia eny hatrany hatrany: 20 koa Izy no ilay eny mahato ny fampanantenana rehetra nataon'Andriamanitra. Izany koa no anton'ny anononantsika ny Amen amin'ny alalan'i Jesoa Kristy ho voninahitr'Andriamanitra.

lundi 22 octobre 2012

Alatsinainy 22 oktobra 2012 - Efe 4 : 25 - 30


25 Noho izany, ialao ny lainga; aoka samy hilaza ny marina amin'ny namany avy, fa isika rehetra dia samy anisan'ny tena iray ihany ka mifampiankina. 26 Raha sendra tezitra ianareo, dia aza manota: aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. 27 Aza omen-toerana ny devoly. 28 Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony; fa aleo mikely aina manao zavatra tsara, mba hisy homeny izay sahirana. 29 Aoka tsy hisy teny maloto aloaky ny vavanareo; fa mba teny mahasoa atao, hampandrosoana ny olona amin'ny finoana araka izay sahaza azy, ka hitondra soa ho an'izay mandre. 30 Aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra ianareo fa ny Fanahy Masina no tombokase nahatonga anareo ho fananan'Andriamanitra, mba ho tody amin'ny andro hanavotana tanteraka anareo.

dimanche 21 octobre 2012

Alahady 21 Oktobra 2012 - II Tan 9 : 3 - 8


3. Ary rehefa samy hitan'ny mpanjakavavin'i Saba ny fahendren'i Salomona sy ny trano izay naoriny, 4. ny sakafo fihinana teo amin'ny latabany sy ny toeram-ponenan'ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian'ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran'i Salomona ho ao an-tranon'ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy 5. -6. ka nilaza tamin'ny mpanjaka hoe:-Marina avokoa izay resaka reko tany amin'ny taniko momba ny tenanao sy ny fahendrenao. Nefa tsy nino ny filazan'olona aho, raha tsy tonga aty, ka ny masoko no mahita. Hay na dia ny antsasaky ny fahendrena anananao aza tsy voambara tamiko akory;indro mihoatra noho ny laza efa reko ianao. 7. Sambatra ireo olonao sy ireo tandapanao,satria eo anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao! 8. Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin'ny seza fiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan'Andriamanitrao an'i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.

samedi 20 octobre 2012

Sabotsy 20 Oktobra 2012 - Dan 2 : 27 - 30


27 Dia namaly ny mpanjaka i Daniela ka nanao hoe: Tsy misy olon-kendry na mpisikidy na mpanao majika na ombiasy afaka hanambara aminao ny zava-miafina izay anontanianao, ry mpanjaka! 28 Fa misy Andriamanitra any an-danitra ambony any Izay mampiseho ny zava-miafina, ka Izy no nampahafantatra an'i Nebokadnetsara mpanjaka izay hiseho amin'ny hoavy. Koa izao ary ny nofinao sy ny fahitana tao an-tsainao teo am-pandriana. 29 Raha natory ianao, ry mpanjaka, dia lasan'eritreritra ny amin'izay hiseho rahatrizay; koa Ilay mampiseho ny zava-miafina dia nampahafantatra anao izay hiseho rahatrizay. 30 Ary raha naseho tamiko io zava-miafina io, dia tsy hoe manam-pahendrena mihoatra noho ny miaina rehetra aho akory, fa mba hahazoana mampahalala anao ny hevitry ny nofinao, ry mpanjaka, ka hahafantaranao izay eritreritry ny fonao.

vendredi 19 octobre 2012

Zoma 19 Oktobra 2012 - Lio 8 : 19 - 20


19 Tonga hamangy an'i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny, nefa tsy afa-nanatona Azy noho ny hamaroan'ny olona; 20 dia nilazana i Jesoa hoe: Ao alatrano ao ny reninao sy ny rahalahinao teo hihaona kely aminao!

jeudi 18 octobre 2012

Alakamisy 18 Oktobra 2012 - Sal 120 : 1 - 4


1. Hira fiakarana. Fony aho tao an-katerena, dia nantsoiko ny TOMPO ka namaly. 2. ''TOMPO o, mba afaho re aho amin'ny mpilaza lainga sy fitaka!'' 3. Inona sy inona moa, ry mpilaza fitaka, no sazy hampiharin'Andriamanitra aminareo ?  4. Ireo zana-tsipika maranitra fitondra miady, sady voarehitra tamin'ny vainafon'anjavidy!

mercredi 17 octobre 2012

Alarobia 17 Oktobra 2012 - Oha 19 : 1 - 9


1. Aleo mahantra mizotra ho olom-banona toy izay mpanankarena milaza lainga.  2. Tsy tsara ny finiavana tsy ombam-pahalalana; ary izay mirotoroto fandeha no ho tafintohina.  3. Rehefa simban'ny hadalany ny lalan'ny olona, dia ny TOMPO indray no itezeran'ny fony. 4. Ny mpanankarena dia manan-tsakaiza maro; fa ny mahantra kosa mety hilaozan'ilay hany sakaizany. 5. Tsy ho afa-maina ny vavolombelona mandainga; ary tsy ho dify famaizana ny mpamafy lainga. 6. Maro no mandokadoka ny olona ambony; ary ny besinimaro dia sakaizan'ny mpanome zavatra. 7. Ny ory tsy havan-drahalahy manana; koa mainka va tsy handao azy ny sakaizany? Fa na mbola miteny aminy aza ilay ory, dia efa tsy misy eo intsony ireo. 8. Izay mianatra misaina no tia ny tenany ary izay mitandro fahaiza-manavaka no hahita fahasambarana. 9. Tsy ho afa-maina ny vavolombelona mandainga, ary ho very ny mpamafy lainga.

mardi 16 octobre 2012

Talata 16 Oktobra 2012 - Gen 18 : 9 - 15


9 Ary nanontany izy telo lahy hoe: -Aiza i Sara vadinao? Ka hoy ny navaliny azy: -Indro ao an-day izy. 10 Dia nilaza ny iray tamin'ny vahiny hoe: -Hiverina eto aminao aho amin'ny herintaona toy izao, ka hitera-dahy i Sara vadinao. I Sara anefa tamin'izay dia nihaino teo am-baravaran'ny tranolay, tao an-damosin'i Abrahama. 11 Samy antitra i Abrahama sy i Sara fa samy nandroso taona; ary i Sara dia efa nitsahatra tamin'ny fadimbolana. 12 Koa nihomehy anakampo i Sara nanao hoe: Dia mbola hisy fahafinaretana ho ahy ve amin'izao fahanterako izao sady efa antitra koa ny vadiko? 13 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Abrahama: -Nahoana moa no mihomehy i Sara? Nahoana izy no manao anakampo hoe: Marina ve fa hiteraka tokoa ity izaho efa antitra ity? 14 Moa misy zavatra tsy hain'ny TOMPO tanterahina ve? Koa rehefa miverina eto aminao aho amin'ny herintaona toy izao, dia hanan-janaka lahy i Sara. 15 Fa nanda noho ny tahotra i Sara ka nanao hoe: -Tsy nihomehy aho. Hoy kosa ny TOMPO hoe: -Tsia, fa nihomehy ianao.

lundi 15 octobre 2012

Alatsinainy 15 Oktobra 2012 - Job 1 : 6 - 8

6. Indray andro raha tonga nanao tatitra tamin'ny TOMPO ireo zanak'Andriamanitra, dia mba tafaraka taminy teo koa i Satana. 7. Dia hoy ny TOMPO tamin'i Satana: -Avy taiza moa ianao? Dia namaly ny TOMPO izy hoe: -Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody teny aho. 8. Ary hoy ny TOMPO taminy: -Efa nahita an'i Joba mpanompoko ve ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany: lehilahy tsy misy hokianina sady mahitsy ary manaja Ahy izy ka mifady ny ratsy.

dimanche 14 octobre 2012

Alahady 14 Oktobra 2012 - Mat 5 : 10 - 12


10 Sambatra izay enjehina noho izy manao ny marina nosoritan'Andriamanitra, fa azy ny Fanjakan'ny lanitra! 11 Sambatra ianareo raha tevatevain'ny olona sy enjehiny ary ampangaina lainga amin'ny ratsy isan-karazany noho ny maha mpianatro anareo. 12 Mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoa miandry anareo any an-danitra, satria toy izany no nanenjehany ireo mpaminanin'Andriamanitra talohanareo!

samedi 13 octobre 2012

Sabotsy 13 Oktobra 2012 - Asa 5 : 1 - 6


1 Nisy kosa lehilahy atao hoe Hanania nivarotra tany rehefa nifanaraka tamin'i Safira vadiny. 2 Niray tsikombakomba tamin'ny vadiny ralehilahy ary nitazona ampahany ho azy roa tamin'ny vola vidin'ny tany; fa ny sisa no nentiny hatolotra teo anatrehan'ireo apostoly. 3 Dia hoy i Petera taminy: Ry Hanania, nahoana no dia nameno ny fonao i Satana ka nampandainga anao tamin'ny Fanahy Masina ary nampitazona ampahany ho anao tamin'ny vola vidin'ny tany? 4 Anao ange ny tany fony mbola tsy namidy, sady rehefa namidy dia eo am-pelatananao ny vola vidiny! Ka ahoana no dia nampisy tao am-ponao izao zavatra vitanao izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra. 5 Nony nandre izany teny izany i Hanania, dia nidaboka ho azy ka niala aina. Ary raiki-tahotra mafy izay rehetra nandre izany. 6 Tonga ny tovolahy, dia nofonosiny ny faty ary nentiny nalevina.

vendredi 12 octobre 2012

Zoma 12 Oktobra 2012 - Isa 59 : 1 - 4

1. Tsia, tsy fohy ny tanan'ny TOMPO fa mahavonjy, tsy lalodalovana ny sofiny fa mahare. 2. Saingy ny helokareo no mampisy efitra manelanelana anareo amin'Andriamanitrareo ary ny fahotanareo no manery Azy hanafin-tava, ho lavitra anareo ka tsy maha hainoanareo. 3. Satria voaloto amin'ny ra ny felatananareo ary voaloto amin'ny heloka ny rantsan-tananareo; lainga sy fanaratsiana no afafin'ny teninareo. 4. Tsy ara-drariny no itorianareo olona, tsy araka ny toetra mahatoky no iadianareo am-pitsarana; porofo tsy azo antoka no ianteheranareo, zavatra tsy marim-pototra no teniteneninareo; torontoronina ny ratsy ianareo ka miteraka loza.

jeudi 11 octobre 2012

Alakamisy 11 Oktobra 2012 - Mat 12 : 33 - 37

33 Ataovy hoe tsara ny voany ka tsara koa ny hazo, na ataovy hoe ratsy ny voany ka ratsy koa ny hazo: satria ny voany no ahafantarana ny hazo. 34 Ry tarana-menarana, hataonareo ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara? Izay mameno ny fon'ny olona manko no aloaky ny vavany. 35 Ny olona tsara fanahy dia mamoaka zavatra tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny olona ratsy fanahy dia mamoaka zavatra ratsy avy amin'ny rakitra ratsin'ny fony. 36 Ary lazaiko aminareo fa ny olona, amin'ny andro fitsarana dia hampamoahina momba ny teny tsy misy antony rehetra nataony: 37 satria ny teninao no hanomezan-drariny anao ary ny teninao no hanamelohana anao.

mercredi 10 octobre 2012

Alarobia 10 Oktobra 2012 - II Mpan 5 : 25 - 27

25 Nony tafaverina teo anatrehan'ny tompony kosa i Gehazy, dia nanontanian'i Elisa hoe: Avy taiza ianao, ry Gehazy? Ka hoy ny navaliny: Tsy avy taiza tsy avy taiza aho, tompoko. 26 Fa hoy indray i Elisa: Moa ataonao tsy ho hitako am-panahy ve iny lehilahy izay niala tamin'ny kalesiny hitsena anao iny? Tsy fotoana fandraisam-bola na fitafiana, na tanin'oliva na tanimboaloboka, na ondry aman'osy, na omby, na mpanompolahy na mpanompovavy izao; 27 satria ny aretin-koditr'i Nahamana dia hiraikitra aminao sy ny taranakao hatrany hatrany. Rehefa niala teo anatrehan'i Elisa i Gehazy, dia indro fa niempaka fotsy toa oram-panala ny hodiny.

mardi 9 octobre 2012

Talata 09 Oktobra 2012 - I Mpa 3 : 5 - 10

5 Fa raha mbola tao Gibehona i Salomona, dia nisehoan'ny TOMPO Andriamanitra tamin'ny nofy, ka nilazany hoe: Angataho izay tianao homeko anao. 6 Dia hoy i Salomona: Efa nanehoanao fitia lehibe i Davida raiko sady mpanomponao, araka ny nizorany teo anatrehanao tamin'ny toetra mahatoky sy marina sady mahitsy fo; ary notehirizinao ho azy izany fitia lehibe izany, fa nomenao zanakalahy izay mipetraka eo amin'ny sezafiandrianany izy tahaka izao hita anio izao. 7 Ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitro o, efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an'i Davida raiko Ianao, kanefa izaho dia mbola tanora loatra ka tsy mahay mitondra akory. 8 Izaho mpanomponao no filohan'ny vahoaka izay nofidinao, dia vahoaka betsaka tsy tambo isaina noho ny hamaroany. 9 Koa omeo ahy mpanomponao ny saina mahiratra hifehezako ny vahoakanao sy hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa, raha tsy eo izany, iza moa no hahay mifehy izao vahoakanao marobe izao? 10 Sitraky ny Tompo Andriamanitra ny nangatahan'i Salomona izany zavatra izany;

lundi 8 octobre 2012

Alatsinainy 08 Oktobra 2012 - Oha 13 : 1 - 6


1. Ny zanaka hendry mihaino ny anatry ny rainy, fa ny zanaka mpaniratsira kosa manda fitsikerana. 2. Ny olona tsara dia mijinja ny vokatry ny teniny, fa ny mpanao ratsy kosa mivelona amin'ny herisetra. 3. Izay mahafehy ny vavany maharo ny ainy; fa izay basivava mandringan-tena. 4. Ny kamo no mitsiriritra tsy mety afa-po; fa ny mazoto kosa mahazo izay iriny. 5. Ny olo-marina dia mankahala ny lainga; fa ny olon-dratsy kosa manevateva sy manala baraka. 6. Ny fahamarinana miaro izay mizotra tsy misy tsiny; fa ny faharatsiana kosa mamery ny mpanota.

dimanche 7 octobre 2012

Alahady 07 Oktobra 2012 - Gen 3 : 1 - 8


1 Ary ny bibilava no fetsy indrindra, tamin'ny bibidia rehetra nataon'ny TOMPO Andriamanitra. Hoy izy tamin-dravehivavy: -Marina ve fa noraran'Andriamanitra tsy hihinana ny voan'ny hazo rehetra ao an-jaridaina ianareo? 2 Dia namaly ny bibilava ravehivavy hoe: -Azonay hanina ihany ireo voankazo ao an-jaridaina, 3 afa-tsy ny voan'ny hazo eo afovoan'ny zaridaina izay efa nandraran'Andriamanitra anay tsy hohanina na hokasihina akory, fandrao mahafaty anay. 4 Hoy kosa ny bibilava taminy: -Tsy ho faty tsy akory ianareo! 5 Saingy fantatr'Andriamanitra fa amin'ny andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ary ho tonga tahaka an'Andriamanitra ianareo ka hahalala ny tsara sy ny ratsy.  6 Ary hitan-dravehivavy fa maha te hihinana ny voan'ilay hazo sady mahasarika ny maso no mampitsiriritra hahazoana fahiratan-tsaina. Dia nitoazany ny voany ka nohaniny; ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy ka nihinana. 7 Dia nahiratra ny mason'izy mivady ka fantany fa mitanjaka izy. Ary nanjaitra ravin'aviavy izy roa ka nataony sikina ho azy. 8 Ary nony hariva, rehefa nitsoka ny rivotra, dia nandre ny feon'ny TOMPO Andriamanitra nitsangantsangana tao an-jaridaina ralehilahy sy ny vadiny ka niery ny tavany tao anaty hazo.

samedi 6 octobre 2012

Sabotsy 06 Oktobra 2012 - Jer 1 : 4 - 10


4. Nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe: 5. Mbola tsy noforoniko tao an-kibon-dreninao akory ianao dia efa fantatro, ary mbola tsy teraka akory ianao dia efa natokako hanompo Ahy sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena maro. 6. Ary namaly aho hoe:-Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY o, mbola tanora loatra aho ka tsy mahay mandaha teny. 7. Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe:-Aza manao hoe ''mbola tanora loatra aho ''fa tsy maintsy handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao ka hilaza aminy izay rehetra nandidiako anao. 8. Aza matahotra azy fa miaraka aminao Aho mba hanafaka anao. Izany no teny hentitry ny TOMPO tamiko. 9. Avy eo izy dia nandroso ny tanany ka nanendry ny vavako ary nilaza tamiko hoe:-Ianao no hanambara ny teniko. 10. Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin'ireo firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanorina sy hamboly indray .

vendredi 5 octobre 2012

Zoma 05 Oktobra 2012 - Gen 27 : 41 - 45

41 Ary nankahalain'i Hesao i Jakoba, satria nahazo ny tsodranon-drainy; ka hoy i Hesao anakampo hoe: Efa akaiky ny andro hisaonana an'i dada, ary amin'izay no hamonoako an'i Jakoba rahalahiko. 42 Rehefa nampandrenesina ny fikasan'i Hesao lahimatoany i Rebeka, dia nampiantso an'i Jakoba faralahiny ka nanao taminy hoe: -Tandremo fa te hamaly ny nataonao i Hesao rahalahinao ka hamono anao ho faty. 43 Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin'ny anadahiko any Harana. 44 Mitoera any aminy aloha mandritra ny fotoana vitsivitsy, mandra-pitony ny rahalahinao. 45 Rehefa afaka ny hatezeran'ny rahalahinao aminao ka hadinony izay nataonao taminy, dia haniraka haka anao any aho; fa nahoana moa aho no hamoy anareo roa lahy indray andro?

jeudi 4 octobre 2012

Alakamisy 04 Oktobra 2012 - I Jao 2 : 20 - 23


20 Ianareo kosa dia manana ny Fanahy Masina avy amin'i Kristy ary mahafantatra izany avokoa ianareo. 21 Tsy noho ianareo tsy mahafantatra ny hafatra marim-pototra no nanoratako taminareo, fa noho ianareo mahafantatra izany; ary fantatrareo koa fa tsy misy lainga avy amin'ilay hafatra marim-pototra. 22 Iza no mpandainga, raha tsy izay manda an'i Jesoa tsy ho Kristy? Izy no ilay antikristy, manda ny Ray sy ny Zanaka.   23 Izay rehetra manda ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.

mercredi 3 octobre 2012

Alarobia 03 Oktobra 2012 - Jak 3 : 1 - 6


1 Ry havako, aza dia maro loatra no te ho mpampianatra, satria fantatrareo fa hotsaraina mafy kokoa izahay mpampianatra. 2 Eny, diso amin'ny zavatra maro isika rehetra; fa raha misy olona tsy diso mihitsy amin'ny teny, dia tanteraka izy, ka mahafehy ny tenany manontolo koa. 3 Asiantsika lamboridy ny vavan-tsoavaly mba hanoavan'ny soavaly antsika; ary dia voataritsika ny tenany manontolo. 4 Jereo koa ny sambo: na lehibe aza ireny ka entin'ny rivotra mahery, dia voatariky ny fanamory kely hankany amin'izay itiavan'ny mpanamory hitondrana azy. 5 Dia toy izany koa ny lela: kely izy eo amin'ireo zavatra anisan'ny tena, nefa mirehaka ho mahefa zava-baventy. Saino fa pitik'afo tsy toy inona dia afa-mampirehitra alabe. 6 Tahaka ny afo ny lela: manjary fototry ny faharatsiana tsy hita lany izy eo anivon'ireo zavatra anisan'ny tenantsika; mandoto ny tenantsika manontolo izy, ka sady mandrehitra afo eo amin'ny fizotran'ny fiainantsika no arehitry ny afo avy amin'ny lohasahan'afo.

mardi 2 octobre 2012

Talata 02 Okobra 2012 - Rom 1 : 24 - 25

24 Izany no nanoloran'Andriamanitra ny olona ho andevozin'ny filan'ny fony, ka handotoany tena amin'ny tsy fanao mahavoafady. 25 Ny lainga no nasolony an'ilay Andriamanitra tena Izy, zavaboaary no nohajainy sy notompoiny ho solon'ny Mpahary Izay ankalazaina mandrakizay. Amen!

lundi 1 octobre 2012

Alatsinainy 01 Oktobra 2012 - Jao 8 : 42 - 47

42 I Jesoa kosa nanao taminy hoe: Raha Andriamanitra no tena Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako aty; tsy avy amin'ny tenako no nahatongavako, fa Izy no naniraka Ahy. 43 Ahoana no tsy ahazoanareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo. 44 Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filandratsin'ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin'ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain'ny mpandainga. 45 Fa Izaho kosa tsy inoanareo, satria ny marina no lazaiko. 46 Iza moa aminareo no afaka hanaporofo fa nanota Aho? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy 47 Izay avy amin'Andriamanitra no mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin'Andriamanitra ianareo!

dimanche 30 septembre 2012

Alahady 30 Septambra 2012 - Rom 12 : 9 - 13

9 Aoka ny fitiavana tsy hisy fihatsarambelatsihy. Mankahala ny ratsy; mifikira amin'ny tsara. 10 Mifankatiava toy ny mpiray tampo; miezaha amin'ny fifanajana. 11 Mazotoa fa aza malaina. 12 Aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo. 13 Mifalia amin'ny fanantenana, mandraisa anjara amin'ny fanampiana ireo sahirana amin'ny samy vahoakan'Andriamanitra; mazotoa mandray vahiny.

samedi 29 septembre 2012

Sabotsy 29 Septambra 2012 - Oha 11 : 8 - 10

8. Ny olo-marina dia afahana amin'ny tebiteby; fa ny olon-dratsy kosa no hiditra hisolo azy ao. 9. Ny mpanda an'Andriamanitra dia manimba namana amin'ny teniny; fa ny fahalalana kosa no hanafahana ny olo-marina. 10. Mifaly amin'ny fahombiazan'ny olo-marina ny tanana, ary velom-pihobiana amin'ny fahafatesan'ny olon-dratsy.

vendredi 28 septembre 2012

Zoma 28 Septambra 2012 - Apo 3 : 7 - 11

7 Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain'ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin'i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha. 8 Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nanda Ahy. 9 Indro atolotro anao ny sasany avy amin'ireo olona mivavaka amin'i Satana: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao. 10 Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin'ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin'izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin'ny tany. 11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.

jeudi 27 septembre 2012

Alakamisy 27 Septambra 2012 - Gal 2 : 11 - 21


11 Kanefa nony tonga tany Antiokia i Petera, dia notoheriko ampahibemaso satria tsy mety ny nataony. 12 Fa talohan'ny nahatongavan'ireo olona vitsivitsy naman'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny mpino hafa firenena i Petera. Saingy nony tonga ireo, dia nihataka i Petera ka niala tamin'ny hafa firenena, noho izy natahotra ireo anisan'ny voafora. 13 Ary ireo Jiosy mpino sasany dia niara-nihatsaravelatsihy tamin'i Petera, ka i Barnaba avy aza no voataonan'ny fihatsarambelatsihin-dry zareo. 14 Kanefa nony hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny Vaovao Mahafaly marim-pototra izy ireo, dia hoy aho tamin'i Petera teo anatrehan'ny olona rehetra: Raha ianao Jiosy aza miaina araka ny fanaon'ny hafa firenena fa tsy araka ny fanaon'ny Jiosy, ahoana no anerenao ny hafa firenena hanaraka ny fanaon'ny Jiosy? 15 Ary hoy aho aminareo: Jiosy ara-pirazanana izahay, fa tsy mba mpanota avy amin'ny hafa firenena. 16 Saingy fantatray fa ny olombelona dia ankatoavin'Andriamanitra ho marina, tsy avy amin'ny fanatanterahana ny lalana fa noho ny finoana niainan'i Jesoa Kristy. Izany no nahatonga anay hino an'i Kristy Jesoa mba hankatoavan'Andriamanitra anay ho marina, noho ny finoana niainan'i Kristy fa tsy avy amin'ny fanatanterahana ny lalana. 17 Raha mitady hiray amin'i Kristy izahay mba hankatoavin'Andriamanitra ho marina, dia hita fa mpanota koa izahay, kanefa mpanompon'ny fahotana ve i Kristy? Sanatria! 18 Raha ny zavatra efa noravako manko no ajoroko indray, dia asehoko miharihary ny maha pandika lalana ahy. 19 Fa izaho, dia tamin'ny alalan'ny lalana no nahafatesako raha ny amin'ny lalana mba hahavelomako ho an'Andriamanitra. Niara-nohomboana tamin'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana aho; 20 ary tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko. Koa izao ahavelomako ankehitriny amin'ny fiaina-mandalo izao, dia ivelomako amin'ny finoana niainan'ilay Zanak'Andriamanitra, Ilay efa tia ahy sy nanolo-tena hamonjy ahy: 21 tsy ataoko very maina ny fahasoavan'Andriamanitra! Eny, raha ny lalana no mahatonga ho marina eo imason'Andriamanitra, dia maty tsy amin'antony i Kristy.

mercredi 26 septembre 2012

Alarobia 26 Septambra 2012 - Lio 13 : 10 - 17

10 Nampianatra tao amin'izay sinagoga izay i Jesoa indray sabata. 11 Nisy vehivavy anankiray teo, azon'ny fanahy ratsy mahafarofy nandritra ny 18 taona ka nanjoko tsy nahatraka mihitsy. 12 Niantso azy i Jesoa nony nahita azy, ka nanao taminy hoe: Ramatoa, afaka amin'ny rofinao ianao! 13 Dia nametrahan'i Jesoa tanana ravehivavy ary nitraka niaraka tamin'izay ka nanome voninahitra an'Andriamanitra. 14 Tezitra ny lehiben'ny sinagoga satria andro sabata no nanaovan'i Jesoa fanasitranana. Nandray fitenenana ny lehiben'ny sinagoga ary nilaza tamin'ny vahoaka hoe: Andro enina no tokony hiasana; ka mandritra ireo andro ireo ianareo no tongava hositranina, fa tsy amin'ny andro sabata! 15 Fa hoy ny navalin'ny Tompo azy: Mpihatsaravelatsihy raha ianareo! Amin'ny andro sabata, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona avy ianareo ka mitondra azy hisotro rano? 16 Koa ity vehivavy taranak'i Abrahama ity, 18 taona ngarangidina no voafatotr'i Satana, moa tsy tokony ho amin'ny andro sabata indrindra ve no hamahàna fatorana azy? 17 Nangaihay izay rehetra mpanohitra an'i Jesoa noho izany valin-teniny izany, fa ny vahoaka manontolo kosa niravoravo noho ny zavatra malaza rehetra nataony.

mardi 25 septembre 2012

Talata 25 Septambra 2012 - Mat 15 : 1 - 9

1 Tamin'izay dia nisy Farisianina sy mpahay lalana avy tany Jerosalema, nanatona an'i Jesoa ary nanontany Azy hoe: 2 Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fomba amam-panao nampitain'ny razantsika? Tsy mba manasa tanana araka ny fomba ara-pivavahana manko ny mpianatrao raha hihinan-kanina! 3 Dia novalian'i Jesoa hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra mba hifikiranareo amin'ny fomba amam-panaonareo? 4 Fa hoy Andriamanitra hoe: Hajao ny rainao sy ny reninao, ary koa hoe: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia aoka hovonoin-ko faty. 5 Ianareo kosa manao hoe: Na iza na iza hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa nataoko fanatitra ho an'Andriamanitra ny zavatra tokony hanasoavako anao, 6 dia tsy mahazo manolotra mari-panajana ho an'ny rainy na ny reniny intsony. Koa ny fomba amam-panaonareo no nanafoananareo ny tenin'Andriamanitra. 7 Ry mpihatsaravelatsihy, marina tokoa ny naminanian'i Isaia anareo hoe: 8 Ity vahoaka ity, hoy Andriamanitra, tendro-molotra no anajany Ahy fa ny fony kosa lavitra Ahy mihitsy; 9 ka poaka aty ny fivavahana ataony amiko, satria didin'olombelona no ambarany ho fampianarako.

lundi 24 septembre 2012

Alatsinainy 24 Septambra 2012 - II Tim 1 : 1 - 5

1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra mba hitory ny fiainana nampanantenaina izay ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 2 Mamangy anao aho, ry Timoty zanako malala. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Tompontsika! 3 Velom-pisaorana an'Andriamanitra aho, dia Andriamanitra Izay tompoiko amin'ny fieritreretana mahitsy toy ny nataon'ireo razako. Velom-pisaorana Azy aho rehefa mahatsiaro anao tsy tapaka amin'ny fivavahana ataoko andro aman'alina. 4 Tsaroako ny ranomasonao, ka tsy andriko mihitsy ny hahitako anao mba ho safononoka ny hafaliako. 5 Tsahiviko ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, dia ilay finoana efa nananan'i Loisa renibenao sy i Eonika reninao talohanao. Azoko antoka fa anananao koa izany.

dimanche 23 septembre 2012

Alahady 23 Septambra 2012 - Isa 29 : 13 - 21

13. Ary hoy ny TOMPO hoe: ''Ity firenena ity manatona Ahy am-bava fotsiny sy manome voninahitra Ahy an-tendromolotra ihany fa ny fony kosa manalavitra Ahy; ka fomban'olombelona nianarana ihany ny fanajana asehony Ahy . 14. Noho izany, indro Aho mbola hanao zava-mahagaga ho an'ity firenena ity, dia zava-mahagaga sy mahazendana; fa ho foana ny fahendren'ny olon-kendriny ary ho takona ny fahaizan'ny manampahaizany . 15. Lozan'izay manao zavatra an-tsokosoko ka manafina ny paikany amin'ny TOMPO sy mamorona teti-dratsy ao amin'ny maizina. ''Iza no mahita antsika, hoy izy, ary iza no mahalala izay ataontsika? 16. Oadray ity hadalanareo e! Ny mpanefy ve ho heverinareo hitovy amin'ny tanimanga? Ny taozavatra ve hanao amin'ny mpanao azy hoe: ''Tsy ianao no nanao ahy''? na ny fanaka bakoly hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: ''Tsy misy zavatra hainao akory ''? 17. Moa tsy afaka fotoana kely monja dia hovana ho saha mahavokatra ny alan'i Libano, ary hovana ho ala ny saha mahavokatra? 18. Amin'izany andro izany ny marenina dia handre izay voalaza ao amin'ny boky; ary hiala ao amin'ny haizim-pito ny mason'ny jamba ka hahita. 19. Ny malahelo hiravoravo amin'ny TOMPO hatrany, ary ny mahantra ho dibo-kafaliana noho ny amin'Ilay Masin'i Israely. 20. Satria tapitra hatreo ny mpanjakazaka ary ho levona ireo mpaniratsira, haringana ireo rehetra mitady hanimba ny hafa, 21. ka miampanga lainga azy amin'ny teny sy mamandrika ny mpitsara mba hamarina ny tsy manan-tsiny any an-davaka.

samedi 22 septembre 2012

Sabotsy 22 Septambra 2012 - Isa 33 : 13 - 16


13. Ianareo lavitra, mihainoa izay nataoko; ianareo akaiky, fantaro ny heriko. 14. Raiki-tahotra ny mpanota ao Tsiona, mangovitra ireo mpihatsaravelatsihy: ''Iza amintsika, hoy izy, no hahajanona eo anilan'izao afo mandevona izao? Iza amintsika no hahatanty an'izao afo tsy misy farany izao? 15. -Izay mandeha araka ny rariny ka miteny tsy misy olakolaka, izay manda ny tombontsoa azo an-keriny sy manakifika ny tanany tsy handray tsolotra, izay manampin-tsofina tsy hihaino ny teny mampirisika hamono olona, izay manakimpy ny masony mba tsy hijery ny ratsy. 16. Izany olona izany no honina eny amin'ny toerana avo tsy hay anihina; ny harambato mafy no ho fialofany, homena hanina sahaza azy izy ary hiantohana rano hosotroiny.

vendredi 21 septembre 2012

Zoma 21 Septambra 2012 - I Tes 2 : 1 - 6


1 Ianareo, ry havana, dia mahalala fa tsy very maina velively ny nidiranay taty aminareo. 2 Fantatrareo koa fa taloha kelin'izay, dia nampijalina sy nalam-baraka tany Filipy izahay; kanefa dia nomen'ilay Andriamanitray fahasahiana hanambara taminareo ny Vaovao Mahafaly avy aminy, na dia be aza ny fanoherana. 3 Eny, ny antso nataonay dia tsy mifototra amin'ny fitaka na amin'ny fahalotoana na amin'ny fisolokiana; 4 fa Andriamanitra no efa nizaha toetra anay ka nanankina taminay ny Vaovao Mahafaly, ary dia araka izany no itenenanay: tsy mila sitraka amin'olombelona izahay, fa amin'Andriamanitra Izay mizaha toetra ny fonay. 5 Fantatrareo fa tsy nanao teny manasohaso olona izahay na nihatsaravelatsihy hanafina fitiavan-karena; Andriamanitra no vavolombelonay. 6 Tsy nitady voninahitra tamin'olombelona izahay, na taminareo na tamin'ny hafa,

jeudi 20 septembre 2012

Alakamisy 20 Septambra 2012 - II Kor 6 : 1 - 10


1 Mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay, ka mananatra anareo mba tsy hamela ho very maina ny fahasoavana voarainareo taminy. 2 Fa hoy Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina: Tamin'ny fotoana mety, dia namaly ny antsonao Aho; ary tamin'ny androm-pamonjena, dia tonga namonjy anao Aho. Indro ankehitriny no fotoana mety amin'Andriamanitra; indro ankehitriny no androm-pamonjena. 3 Mba tsy hahazoan'ny olona manakiana ny fanompoana sahaninay, dia tsy avelanay hisy zavatra mahasolafaka ny olona, na amin'inona na amin'inona. 4 Fa ahariharinay kosa amin'ny zavatra rehetra fa mpanompon'Andriamanitra izahay, ka dia zakainay amim-pandeferana tokoa ny fahoriana sy ny fahaterena ary ny tebiteby: 5 nokapohina izahay, nahiboka am-ponja, nianjadian-korontana, nampanaovina asa mafy, niari-tory ary nifady hanina. 6 Ahariharinay fa mpanompon'Andriamanitra izahay amin'ny fahadiovan'ny toetranay, amin'ny fahalalanay, amin'ny faharetanay, amin'ny hamoram-ponay, amin'ny Fanahy Masina manentana anay, amin'ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy asehonay, 7 amin'ny fitorianay ny marina ary amin'ny hery omen'Andriamanitra anay. Izay rariny no fiadiana ampiasainay hanafihana sy hiarovan-tena, 8 na omem-boninahitra izahay na alam-baraka, na ratsy laza izahay na tsara laza. Atao ho mpamitaka izahay nefa mpanambara ny marina, 9 atao ho tsy fantatra nefa fantatra tsara, atao ho efa maty nefa dia izao velona izao. Faizina izahay, nefa tsy vonoina ho faty; 10 na dia ampalahelovina aza izahay, dia faly mandrakariva; toa mahantra izahay nefa mampanan-karena olona maro; toa tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.

mercredi 19 septembre 2012

Alarobia 19 Septambra 2012 - Job 31 : 24 - 30


24. Moa nametra-pitokiana tamin'ny volamena ve aho na nanao taminy hoe: ''Ianao no aroko? 25. Tsy nifaliako ny habetsahan'ny fananako sy ireo harena voaangon'ny tanako. 26. Raha nahita ny masoandro mamirapiratra aho na ny volana mizotra mangarangarana,
27. moa voababo mangingina hitsaoka azy ve ny foko, ary moa nanoroka tanana ve aho ho fanajana azy? 28. Ny fanaovako izany zavatra izany dia heloka melohin'ny mpitsara ihany koa, satria fandavako an'Andriamanitra Avo Indrindra. 29. Moa faly tamin'ny fahavoazan'ny fahavaloko ve aho na nibitabitaka raha nianjadiam-pahoriana izy? 30. Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako ka hanompa azy sy hanozona azy ho faty.

mardi 18 septembre 2012

Talata 18 Septambra 2012 - I Tim 1 : 5 - 11


5 Ny kendren'izany fandrarana izany dia ny mba hamohafoha ny fitiavana avy amin'ny fo mahitsy sy fieritreretana tsara ary finoana tsy mihatsaravelatsihy. 6 Misy sasantsasany efa nivaona tamin'izany, ka very lalana ary niafara any amin'ny taria poaka aty. 7 Te ho mpampianatra momba ny lalanan'Andriamanitra ry zareo kanefa tsy fantany velively ny zavatra lazainy sy itompoany.
8 Fantatsika fa tsara ny lalana, raha ampiasaina amin'izay antony marina. 9 Tokony hotsarovana fa ny lalana dia tsy natao ho an'ny manao ny marina, fa ho an'ny mpandika lalana sy ny maditra: dia ny olon-dratsy sy ny mpanota, ny olona mpaniratsira n'Andriamanitra sy mpanimbazimba fivavahana, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona, 10 ny mpijangajanga, ny mpifampila samy lehilahy, ny mpivarotra olona, ny mpandainga sy mpianian-tsy to, ary izay manao zavatra mifanohitra amin'ny fampianarana tsy misy tomika. 11 Izany fampianarana izany dia mifanaraka amin'ny Vaovao Mahafaly izay nankinina tamiko, Vaovao Mahafaly isehoan'ny voninahitr'ilay Andriamanitra loharanom-pahasambarana.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12