samedi 30 juin 2012

Sabotsy 30 Jona 2012 - 2 Kor 5 : 16 - 19

16 Ka hatramin'ny naha kristianina anay, dia tsy mihevitra na iza na iza araka ny fisainan'olombelona intsony izahay. Na dia nihevitra an'i Kristy araka ny fisainan'olombelona aza izahay fahiny, dia tsy manao toy izany intsony ankehitriny. 17 Raha misy olona tafaray amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra tranainy, ary efa mby eo ny zavatra vaovao. 18 Izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika aminy indray tamin'ny alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana hitaona ny hafa hihavana aminy. 19 Eny, Andriamanitra tsy nitana ny fahotan'ny olona fa nampihavana ny olona rehetra aminy indray tamin'ny alalan'i Kristy; ary efa napetrak'Andriamanitra taminay izany teny mitory fampihavanana izany.

vendredi 29 juin 2012

Zoma 29 Jona 2012 - Apo 21 : 1 - 5

1 Dia nahita habakabaka vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny habakabaka voalohany sy tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. 2 Ary hitako nidina avy any an-danitra ny tanana masina avy tamin'Andriamanitra, dia i Jerosalema vaovao, voaomana tahaka ny ampakarina voahaingo hihaona amin'ny vadiny. 3 Ary nisy feo mahery reko avy teo amin'ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: Indro ny fonenan'Andriamanitra tonga eny amin'ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr'izy ireo. 4 Hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny mason'ireo vahoakany; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo na fitarainana na fahoriana intsony, fa efa lasa ny zavatra taloha. 5 Dia hoy Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana hoe: Indro havaoziko ny zavatra rehetra! Avy eo Izy no niteny tamiko hoe: Soraty, satria azo antoka sy marim-pototra ireo teny ireo.

jeudi 28 juin 2012

Alakamisy 28 Jona 2012 - Mat 5 : 27 - 30

27 Efa renareo fa voalaza hoe: Aza maka vadin'olona! 28 Izaho kosa milaza aminareo hoe: izay lehilahy mijery vehivavy vadin'olona ka mitsiriritra azy dia efa naka azy sahady tao am-pony. 29 Koa raha mitarika anao amin'ny ratsy ny masonao ankavanana, dia esory ka ario lavitra anao; fa aleonao zavatra anankiray monja anisan'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no arian'Andriamanitra any amin'ny lohasahan'afo. 30 Ary raha mitarika anao amin'ny ratsy ny tananao ankavanana, dia tapaho ka ario lavitra anao; fa aleonao zavatra anankiray monja anisan'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no halefa any amin'ny lohasahan'afo.

mercredi 27 juin 2012

Alarobia 27 Jona 2012 - Eze 36 : 22 - 30

22. Koa ambarao amin'ny Israelita fa izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: Izay hataoko, ry Israelita, dia tsy noho ny aminareo no hanaovako azy, fa mba hanajana ny anarako masina izay nozimbazimbainareo tany amin'ny firenena izay nalehanareo. 23. Nefa na dia nanimbazimba Ahy teo imason'ireny aza ianareo, dia hasehoko azy kosa fa Andriamanitra lehibe sy masina Aho, ary ianareo no hampiasaiko hanehoako izany. Amin'izay dia hoeken'ireo fa Izaho no TOMPO; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany. 24. ''Fa halaiko avy any amin'ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo. 25. Ho fafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo. 26. Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Ho esorikoaminareo ny fo tsy miraika toy ny vatoka hosoloiko fo mora anarina. 27. Ny Fanahiko mihitsy no hapetrako ao anatinareo, ka hataoko manaraka ny lalanako ianareo, ary hitandrina sy hanatanteraka ny fitsipiko. 28. Dia honenanareo ny tany izay no meko ny razanareo; ka ho vahoakako ianareo ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo. 29. Ho vonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Tsy handefasako mosary intsony ianareo fa hampaniriako sady hataoko vokatra be ny varinareo. 30. Hataoko vokatra koa ny hazo fihinam-boa sy ny voly eny an-tsaha, ka tsy ho voalatsan'ny hafa firenena amin'ny mosary intsony ianareo.

mardi 26 juin 2012

Talata 26 Jona 2012 - Lio 21 : 34 - 36

34 Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibana sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao; ka ho avy tampoka tsy ampoizinareo izany andro izany, 35 satria hiantonta tahaka ny fandrika harato amin'ny mponina rehetra manerana ny tany tontolo. 36 Koa miambena sady mivavaha lalandava mba ho afa-miala amin'izany loza rehetra efa ho avy izany sy ho marim-pijoro eo anatrehan'ny Zanak'olona.

lundi 25 juin 2012

Alatsinainy 25 Jona 2012 - Efe 2 : 14 - 18


14 Satria i Kristy mihitsy no nampihavana antsika roa tonta, ka nahatonga ny Jiosy sy ny hafa firenena ho iray; fa tamin'ny nanoloran'i Kristy ny tenany, dia narodany ny rindrina izay nampisaraka antsika sy nahatonga antsika hifankahala. 15 Nofoanan'i Kristy ny lalana jiosy mbamin'ny didy amam-pitsipiny mba hampiraisany antsika roa tonta amin'ny tenany ka hanaovany antsika ho olom-baovao tokana: toy izany no ahavitan'i Kristy fampihavanana. 16 Ny nahafatesany teo amin'ny hazofijaliana dia nanafoana ny fifankahalana, ka nanambatra antsika roa tonta ho tena iray ihany sady nampihavana antsika tamin'Andriamanitra. 17 Izany no nahatongavan'i Kristy nitory Vaovao Mahafaly fampihavanana taminareo hafa firenena izay lavitra an'Andriamanitra sy taminay Jiosy izay akaiky Azy. 18 Koa dia amin'ny alalan'i Kristy no ahazoantsika roa tonta manatona an'Andriamanitra Ray noho ny asan'ny Fanahy Masina iray ihany. 

dimanche 24 juin 2012

Alahady 24 Jona 2012 - Isa 61 : 4 - 9


4. Haorina indray ireo zavatra rava fahiny, hatsangana indray ny trano nirodana taloha; ho havaozina ny tanana rava, dia ireo efa simba hatry ny ela be. 5. Vahiny no hitsangana hiandry ny ondry aman'osinareo, olona avy any an-kafa no hiasa ny tany sy hamboly voaloboka ho anareo. 6. Ianareo kosa dia hantsoina hoe: '' Mpisorona ho an'ny TOMPO'', na holazaina koa hoe: ''Mpanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Andriamanitsika. ''Hanasoavana anareo ny fananan'ny firenen-kafa; ary ianareo no higalabona amin'ny voninahiny. 7. Efa nizaka henatra indroa heny ianareo sady afa-baraka sy nandroran'ny olona. Ka ho solon'izany, dia hoy IzahoTompo hoe: Handova anjara indroa heny eo amin'ny taniny ianareo ary hanana fifaliana maharitra mandrakizay. 8. Satria Izaho TOMPO dia tia rariny ka mankahala ny fandrobana an-kafetsena; homeko onitra ara-pahamarinana ianareo ary hanaovako fanekem-pihavanana mandrakizay. 9. Ho fantatra any amin'ny firenen-kafa ny taranakareo, ary eo anivon'ireo vahoaka ny solofonareo; izay rehetra mahita azy dia hiaiky fa taranaka tahin'ny TOMPO izy. 

samedi 23 juin 2012

Sabitsy 23 Jona 2012 - I Sam 10 : 5 - 7


5 Rehefa izany dia ho tonga ao Gibeha-Elohima misy andia-miaramila filistinina ianao. Rehefa tonga ao an-tanana ianao, dia hifanena amin'ny andiana mpaminany izay midina avy eny amin'ny Toeramasina, ka ialohavan'ny mpitendry lokanga sy valiha ny mpively amponga tapaka ary ny mpitsoka sodina. Efa tsindrian-daona haminany avokoa izy ireo. 6 Hilatsaka aminao ny Fanahin'ny TOMPO, ka haminany miaraka amin'izy ireo ianao ary ho tonga olom-baovao. 7 Rehefa tanteraka aminao ireo famantarana ireo, dia ho fantatrao fa Andriamanitra tokoa no momba anao koa ataovy izay fantatrao fa mety. 

vendredi 22 juin 2012

Zoma 22 Jona 2012 - Mat 18 : 1 - 5


1 Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa ny mpianatra ka nanontany Azy hoe; Iza moa no lehibe indrindra ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra? 2 Dia niantso zazakely i Jesoa napetrany teo afovoan'izy rehetra 3 ka hoy Izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra mihitsy ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra. 4 Koa izay hanetry tena tahaka ity zazakely ity no ho lehibe indrindra ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra. 5 Ary na iza na iza handray zazakely anankiray tahaka ity amin'ny anarako dia Izaho no raisiny. 

jeudi 21 juin 2012

Alakamisy 21 Jona 2012 - II Kor 4 : 16 - 18


16 Izany no tsy mahaketraka anay, fa na dia mihalevona aza ny maha olona eto ivelany, dia mihavao isan'andro kosa ny maha olona ao anaty: 17 satria ny fahoriana maivana sy mandalo mihatra aminay dia miasa manomana voninahitra lehibe mihoa-pampana sady maharitra mandrakizay, 18 raha tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita. Ny hita manko dia miserana ihany, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.

mercredi 20 juin 2012

Alarobia 20 Jona 2012 - Mpi 11 : 9 - 10


9 Dia hoy indray i Jifta taminy: Raha mampody ahy ianareo ankehitriny mba hiady amin'ny Hamonita, ka hatolotry ny TOMPO eo anoloako ireny, dia ho filohanareo aho. 10 Dia hoy ny valin-tenin'ny loholon'i Gilehada hoe: Ny TOMPO no ho vavolombelona amintsika fa araka izay efa nambaranao no hataonay! 

mardi 19 juin 2012

Talata 19 Jona 2012 - I Pet 1 : 24 - 2 : 3

24 Fa hoy ny Soratra Masina: Ny olombelona rehetra dia tahaka ny ahitra ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin'ny ahitra: malazo ny ahitra, dia mihintsana ny voniny. 25 Fa ny tenin'ny Tompo no maharitra mandrakizay. Ary izany teny izany dia ny Vaovao Mahafaly notorina taminareo. 1 Koa esory ny haratsiam-panahy rehetra sy ny fitaka rehetra mbamin'ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanosoram-potaka isan-karazany. 2 Tahaka ny zaza vao teraka ianareo ka irio fatratra ilay ronono madio, izany hoe ny tenin'Andriamanitra, mba hitomboanareo amin'izany ka hahazoanareo famonjena, 3 raha tahiny efa nandramanareo tokoa fa tsara fo ny Tompo.

lundi 18 juin 2012

Alatsinainy 18 Jona 2012 - Sal 51 : 1 - 12


1. Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida, 2. fony i Natana mpaminany nankao aminy, rehefa naka an'iBaty-Seba ity mpanjaka. 3. Andriamanitra o, iantrao aho satria fatra-pitia Ianao; koseho re ny hadisoako satria be indrafo Ianao. 4. Sasao tanteraka aho ho afa-keloka ary diovy mba ho afa-pahotana. 5. Eny, miaiky ny fahadisoako aho sady tsaroako lalandava ny fahotako. 6. Ianao irery tokoa no nanotako, ny ratsy eo imasonao no nataoko; hany ka ara-drariny Ianao raha miteny, ary tsy omen-tsiny raha manadidy. 7. Jereo fa meloka aho no teraka, mpanota raha notorontoronina; 8. nefa ny hahitsy ao anaty no sitrakao, koa ny fahendrena am-po no atoroy ahy. 9. Ataovy afa-pahotana tokoa aho, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka. 10. Ataovy reko ny famelanao, dia hifaly sy hiravo indray aho; ary aoka hibitaka ny taolako izay efa voamontsamontsanao. 11. Hadinoy tanteraka ny fahotako ary koseho avokoa ny heloka vitako. 12. Amorony fo madio aho, Andriamanitra o, fanahy mahatoky no aoreno ato anatiko.

dimanche 17 juin 2012

Alahady 17 Jona 2012 - Mat 9 : 14 - 17


14 Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa ny mpianatr'i Johany Mpanao batisa ka nanontany Azy hoe: Ahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady? 15 Dia hoy i Jesoa taminy: Moa azon'ireo mpanotrona ny mpampaka-bady atao ve ny misaona raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra? Tsia. Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra eo aminy, ka amin'izay andro izay vao hifady hanina ireo mpanotrona. 16 Tsy misy olona manampina fitafiana tonta amin'ny tapa-damba vaovao; fa handrirotra ny fitafiana tonta ilay tapa-damba natampina, ary vao mainka hitatra ny rovitra. 17 Tsy mba siny hoditra tranainy no itahirizana divay vaovao; fa raha izany, dia ho rotika ny siny hoditra; ka ny divay ho raraka, ny siny hoditra hafoy. Fa siny hoditra vaovao no itahirizana divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.

samedi 16 juin 2012

Sabotsy 16 Jona 2012 - Eze 18 : 27 - 32


27. Raha misy kosa olon-dratsy miala amin'ny faharatsiana nataony, ka manao izay marina sy mahitsy, dia mamonjy ny ainy izy. 28. Ho velona tokoa izy fa tsy ho faty satria nahatsapa ny asa ratsiny ka niala tamin'izany. 29. Kanefa hoy ianareo Israelita hoe: "Tsy marina ny fitondran'ny TOMPO." Tsy ny fitondrako no tsy marina fa ny anareo! 30. Noho izany, IzahoTOMPO ANDRIANANAHARY dia hitsara anareo Israelita tsirairay avy araka ny fitondrantenany; teny hentitra avy amiko izany. Koa ovay ny toe-dratsy, ialao ny hadisoana rehetra fanaonareo, dia tsy hisy intsony zavatra hitarika anareo amin'ny heloka. 31. Esory ho afaka aminareo ny asa ratsy rehetra fanaonareo; ka mihavaoza fo amam-panahy ianareo. Ahoana no te ho faty ianareo, ry Israelita?
32. Fa tsy sitrako ny hahafaty ny olona. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany. Ovay ny toe-dratsy, dia ho velona ianareo."

vendredi 15 juin 2012

Zoma 15 Jona 2012 - Rom 12 : 1 - 2


1 Ry havana, satria efa nanehoan'Andriamanitra ny hatsaram-pony isika, dia manainga anareo aho, mba samy hanolotra ny tenanareo ho sorona velona, voatokana ho an'Andriamanitra sady ankasitrahany. Izany no fanompoam-pivavahana tokony hataonareo. 2 Aza miray lasitra amin'izao tontolo izao; fa meteza hovan'Andriamanitra ka hihavao saina tanteraka, mba hahaizanareo mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra: dia izay tsara sy ankasitrahiny ary lavorary.

jeudi 14 juin 2012

Alakamisy 14 Jona 2012 - Sal 103 : 1 - 10


1. Nataon'i Davida. Aoka hisaotra ny TOMPO aho, hisaotra eram-po ny anarany masina! 2. Eny, aoka hisaotra ny TOMPO aho, ka tsy hisy hohadinoiko ny soa nataony! 3. Fa Izy no mamela ny heloko rehetra ary manasitrana ny aretiko rehetra. 4. Avotany tsy ho any an-davaka ny aiko; rakofany fitiavana sy indrafo aho. 5. Fenoiny fahasambarana ny fiainako, ka tanora sy matanjaka toa voromahery aho. 6.Omen'ny TOMPO rariny sy hitsiny izay rehetra ampahorina. 7. Efa nampahafantatra ny fikasany tamin'i Mosesy Izy ary ny asany mahery tamin'ny vahoaka israelita. 8. Mpamindra fo sy mpiantra ny TOMPO, tsy mora tezitra ary be fitiavana. 9. Tsy mba mandevilevy lalandava Izy, tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay. 10. Tsy araka ny otantsika no anafaizany antsika, tsy araka ny helotsika no amaliany antsika.

mercredi 13 juin 2012

Alarobia 13 Jona 2012 - I Kor 15 : 51 - 58


51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana avokoa isika rehetra. Satria haneno ny trompetra farany, dia hitsangana velona ireo maty ka tsy ho tratry ny fahalovana intsony; ary hovana isika. 53 Ka ity mety lo ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahalovana, ary ity mety maty ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahafatesana. 54 Fa rehefa mitafy ny tsy fahalovana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ilay tenin'ny Soratra Masina hoe: Noresena ny fahafatesana ka levona! 55 Azia ny fandresenao, ry fahafatesana? Aiza ny lefonao maranitra, ry fahafatesana? 56 Fa ny fahotana no lefona maranitra anindronan'ny fahafatesana, ary ny lalana no hery ahombiazan'ny fahotana. 57 Kanefa hisaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika! 58 Koa amin'izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy ho voahozongozona, hahefa bebe kokoa hatrany eo amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fisasaranareo amin'ny fanompoana ny Tompo.

mardi 12 juin 2012

Talata 12 Jona 2012 - Mar 1 : 21 - 28


21 Dia nankany an-tanana atao hoe Kafarnahoma i Jesoa mbamin'ireo mpianany efa-dahy; ary raha vao tonga ny sabata, dia niditra tao amin'ny sinagoga i Jesoa ka nampianatra tao. 22 Talanjona ny olona nihaino ny fampianarany, satria nampianatra azy tamin-pahefana i Jesoa, fa tsy tahaka ireo mpahay lalana. 23 Tamin'izay indrindra, tao amin'ny sinagogan-dry zareo, dia nisy lehilahy azon'ny fanahy maloto 24 ka niantsoantso mafy hoe: Fa hataonao inona izahay, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga handringana anay ve Ianao? Fantatro anie fa Ianao no ilay Masina avy amin'Andriamanitra e! 25 Notenenin'i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe: Mangina, ary miala amin-dralehilahy io. 26 Dia nampifanintontsintona an-dralehilahy ny fanahy maloto ary nikiakiaka sady niala taminy. 27 Raiki-tahotra ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Inona ity? Izany ka fampianarana vaovao ombam-pahefana! Na dia ny fanahy maloto aza, baikon'ity olona ity ka manaiky Azy! 28 Ary poatoizay dia niely eran'ny faritany Galilea manontolo ny lazan'i Jesoa.

lundi 11 juin 2012

Alatsinainay 11 Jona 2012 - Sal 1 : 1 - 6


1. Sambatra ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, na mijanona eo amin'ny lalan'ny mpanota, na miray toerana amin'ny mpaniratsira! 2. Fa ny fampianaran'ny TOMPO no sitrany, ka dia saintsaininy andro aman'alina. 3. Toy ny hazo nambolena eo amoron-drenirano izy, izay mamoa ara-potoana sady tsy malazo ravina , ka dia mahomby avokoa ny asa rehetra ataony. 4. Tsy mba toy izany ireo olon-dratsy, fa tahaka ny akofa aelin-drivotra. 5. Noho izany, dia ho voaheloka eo amin'ny fitsarana ireo; ary tsy hisy toerana ho azy akory eo amin'ny fivorian'ny olo-marina. 6 Tsimbinin'ny TOMPO tokoa ny fiainan'ny olo-marina, fa ny an'ny olon-dratsy kosa mankamin'ny fahaverezana.

dimanche 10 juin 2012

Alahady 10 Jona 2012 - Isa 40 : 27 - 31


27. Ry vahoaka Israely, firenen'i Jakoba, nahoana ianao no miteny sy manamafy hoe:''Tsy hitan'ny Tompo akory izay mahazo ahy, lalovan'Andriamanitra fotsiny ny zoko? 28. Tsy fantatrao sady tsy efa renao vafa ny TOMPO dia Andriamanitra mandrakizay? Izy no namorona ny tany manontolo. Tsy mba reraka Izy na sasatra, ary tsy misy fetra ny fahalalany. 29. Manome hery ny reraka Izy ary manatanjaka ny malemy. 30. Ny tanora aza dia mihareraka sy mety sasatra, ny mahery tompon-daka aza dia mety ho solafaka. 31. Fa izay matoky ny Tompo kosa dia hahazo hery vaovao hatrany, ka hisidina ambony toy ny voromahery. Hihazakazaka izy nefa tsy hosasatra, handeha izy nefa tsy ho reraka.

samedi 9 juin 2012

Sabotsy 09 Jona 2012 - Jao 13 : 31 - 35


31 Nony efa nivoaka ny trano i Jodasy, dia hoy i Jesoa: nkehitriny dia efa omem-boninahitra ny Zanak'olona, ary Andriamanitra no omem-boninahitra eo aminy. 32 Raha Andriamanitra no omem-boninahitra eo amin'ny Zanak'olona, dia Andriamanitra koa no hanome voninahitra Azy eo amin'ny tenany ary hanome voninahitra azy raha afaka kelikely. 33 Vetivety foana sisa hitoerako eto aminareo, rey anaka; hitady Ahy ianareo ary toy ny voalazako tamin'ny Jiosy hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha, no lazaiko aminareo koa ankehitriny. 34 Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa. 35 Ny hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, dia raha mifankatia ianareo.

vendredi 8 juin 2012

Zom 08 Jona 2012 - I Kor 5 : 6 - 13


6 Tsy mety ve ny fireharehanareo! Tsy fantatrareo ve ilay ohabolana hoe: Leviora kely foana dia mampibohaka ny koba manontolo? 7 Esory io leviora tranainy io, izany hoe ny fahotana, mba ho madio tokoa ianareo; dia ho tonga koba vaovao tsy misy leviora, satria izany rahateo ianareo. Eny, efa voavono i Kristy ilay Zanakondrin'ny Paska ho antsika: 8 ka dia aoka isika hankalaza ny Paska tsy amin'ny mofo misy leviora tranainy, dia ny leviora manambara fitondrantena tsy valahara sy toe-dratsy; fa amin'ny mofo tsy misy leviora, dia ny mofo manambara fitondrantena madio sy toetra mahitsy. 9 Tao amin'ilay taratasy nalefako taminareo, dia izao no voasoratro: aoka ianareo tsy hifanerasera amin'ny olona mpijangajanga. 10 Tsy hoe izay mpijangajanga, na mpitia harena, na mpanao an-keriny, na mpanompo sampy eto amin'izao tontolo izao amin'ny ankapobeny; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo. 11 Fa izao kosa no voasoratro: aoka ianareo tsy hifanerasera amin'olona mitonon-tena ho kristianina nefa mpijangajanga, na mpitia harena, na mpanompo sampy, na mpanendrikendrika, na mpidoroka, na mpanao an-keriny; aoka ianareo tsy hiara-misakafo amin'ny kristianina toy izany. 12 Tsy anjarako ny hanafay an'izay tsy kristianina, fa Andriamanitra no hanafay azy ireo. Tsy hofaizinareo kosa ve ny kristianina namanareo? Fa izao no tenin'ny Soratra Masina: Esory aminareo ilay olon-dratsy.

jeudi 7 juin 2012

Alakamisy 07 Jona 2012 - Rom 6 : 1 - 7


1 Inona ary no holazaintsika? Hitoetra ao amin'ny fahotana ve isika mba hitomboan'ny fahasoavana? 2 Sanatria izany! Isika izay efa maty raha ny amin'ny fahotana, hataontsika ahoana no mbola ho velona ao amin'ny fahotana ihany? 3 Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin'i Kristy Jesoa dia natao batisa mba hiombona amin'ny fahafatesany? 4 Koa tamin'ny alalan'ny batisa dia niombona amin'ny fahafatesan'i Kristy Jesoa isika ary niara-nalevina taminy, mba ho tahaka ny nananganana an'i Jesoa ho velona avy tany amin'ny maty noho ny herin'Andriamanitra Ray be voninahitra no hizorantsika koa amin'ny fiainam-baovao.
5 Koa raha fahafatesana mifanahaka amin'ny an'i Kristy no ampiraisana antsika aminy, dia fitsanganan-ko velona mifanahaka amin'ny Azy koa no hampiraisana antsika aminy. 6 Fantatsika fa ny maha olona antsika taloha dia efa niara-novonoina tamin'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana, mba ho levona ny tenantsika gejain'ny fahotana ka tsy ho mpanompon'ny fahotana intsony isika; 7 satria izay maty dia afaka amin'ny fangejan'ny fahotana.

mercredi 6 juin 2012

Alarobia 06 Jona 2012 - Eze 11 : 14 - 20


14. Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe: 15. ''Ry ilay taranak'olombelona, ny mpiray firenena aminao, ireo havanao israelita rehetra aty, dia ilazan'ny mponina eto Jerosalema izao torohevitra izao: "Mijanona lavitry ny TOMPO any ianareo, satria izahay no nomeny ity tany ity ho fanananay. '' 16. Noho izany, ambarao amin'ireo namanao babo fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: ''Na dia nalefako any an-tany lavitra sy naeliko any anivon'ny firenen-kafa aza ianareo, dia manatrika anareo Aho tahaka ny ao amin'ny Toeramasina ihany.'' 17. Ambarao aminy koa fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: ''Hangoniko avy any amin'ny firenena sy ny tany izay nanelezako anareo ianareo, ka homeko ny tanin'i Israely indray. 18. Rehefa tafaverina any ianareo, dia hanaisotra ny fanao mahatsiravina sy maharikoriko rehetra momba ny fanompoan-tsampy izay misy ao. 19. Homeko fo iray ihany ianareo rehetra, ary hametrahako fanahy vaovao ao anatinareo; hoesoriko aminareo ny fotsy miraika toy ny vato ka hosoloiko fo mora anarina. 20. Amin'izay dia hizotra araka ny lalanako rehetra ianareo ary hitandrina ny fitsipiko ka hampihatra azy, dia ho vahoakako ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo .

mardi 5 juin 2012

Talata 05 Jona 2012 - Jao 3 : 1 - 8


1 Nisy lehilahy anankiray atao hoe Nikodema, anisan'ny antokom-pivavahana Farisianina ary manampahefana teo amin'ny Jiosy. 2 Nanatona an'i Jesoa izy indray alina ary niteny taminy hoe: Mpampianatra o, fantatray fa Mpampianatra nirahin'Andriamanitra Ianao; satria tsy misy olona mahavita ireo famantarana ataonao ireo, raha tsy omban'Andriamanitra. 3 Fa novalian'i Jesoa hoe: Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy afa-mahita ny Fanjakan'Andriamanitra.

lundi 4 juin 2012

Alatsinainy 04 Jona 2012 - Isa 65 : 17 - 20


17. Fa indro Aho mahary habakabaka vaovao sy tany vaovao ka tsy ho tsarovana intsony ny habakabaka sy tany taloha na ho mby ao an-tsaina akory aza. 18. Fa mifalia sy miravoravoa hatrany ianareo ny amin'ny zavatra izay hoariko: dia i Jerosalema heni-karavoana ary ny vahoakany heni-kafaliana. 19. Izaho koa hiravo amin'i Jerosalema sy hifaly amin'ny vahoakako. Fa tsy ho re ao Jerosalema intsony na ny tomany na ny kiakiakam-pitarainana. 20. Tsy hisy ao intsony ny zaza minono izay ho faty anatin'ny andro vitsivitsy na ny antitra tsy hahatapitra ny androny; fa ho maty tanora izay maty zato taona, ary heverina ho olona voaozona izay tsy mahatratra zato taona.

dimanche 3 juin 2012

Alahady 03 May 2012 - Kol 3 : 5 - 11


5 Vonoy ireo zavatra ety an-tany mangeja ny tenanareo: dia ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny filandratsy, ny fitsiriritan-dratsy, ary ny fitiavan-karena (fa fanompoan-tsampy ny fitiavan-karena). 6 Ireo zavatra ireo no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra hihatra amin'ny olona tsy manaiky an'Andriamanitra. 7 Toy izany koa ny fitondrantenanareo fahiny, fony ianareo niaina tao anatin'ireo zavatra ireo. 8 Fa ankehitriny kosa, esory avokoa ireto: fahatezerana, fisafoahana, faharatsiam-panahy, fanevatevana, teny maha menatra aloaky ny vavanareo. 9 Aza mifandainga ianareo fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany, 10 ary efa notafinareo ny toetra vaovao: dia ny toetry ny olona havaozin'Andriamanitra hatrany araka ny endrik'Izy Mpahary azy, mba ho tonga amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra. 11 Koa amin'izany, tsy misy ny hoe hafa firenena sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, olona tsy mivoatra na tratra aoriana, mpanompo sy tsy mpanompo; fa i Kristy no zavatra rehetra sady ao aminareo rehetra.

samedi 2 juin 2012

Sabotsy 02 Jona 2012 - Lio 5 : 36 - 39


36 Mbola nilazan'i Jesoa fanoharana koa ireo olona ireo nataony hoe: Tsy misy olona mandrovitra tapa-damba amin'ny fitafiana vaovao hanampenana fitafiana tonta; fa raha izany, ny vaovao moa ho rovitra ary ny tonta tsy hifanendrika amin'ny tapa-damba vaovao. 37 Toy izany koa, tsy misy olona mitahiry divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tranainy; fa raha izany, dia ho rotiky ny divay vaovao ny siny hoditra: ka ny divay ho raraka, ny siny hoditra hafoy. 38 Fa siny hoditra vaovao no tsy maintsy itahirizana ny divay vaovao. 39 Ary tsy misy olona avy nisotro divay ela niotrehana ka hitady divay vaovao. Fa fiteny ny hoe: ny ela niotrehana no tsara.

vendredi 1 juin 2012

Zoma 01 Jona 2012 - Amo 9 : 11 - 15


11 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Ilay tananan'i Davida izao dia toy ny tranobongo efa nianjera. Fa ho avy ny andro izay hananganako indray izany tanana izany, ka hofefeko ireo banga amin'ny mandany hatsangako ny rava tao aminy, ary haoriko indray ny tanana ho tahaka ny taloha. 12 Amin'izay no hakan'i Israely ny tany sisa amin'i Edoma sy amin'ny firenena hafa rehetra izay nomarihina ny anarako hananako azy. Izaho Tompo no hahatanteraka izany. 13 Hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Indro avy ny andro izay hahavokatra ny vary ka efa hasaina ny tany vao vita ny fijinjana, sy hahavokatra ny voaloboka ka efa hafafy ny voambary vao vita ny fihosemboaloboka. Divay no hiboiboika eny an-tendrombohitra sy hikoriana eny an-tampon-kavoana rehetra. 14 Haveriko avy amin'ny fahababoana ny Israely vahoakako, ka ireo tanana efa rava hatsangany sy honenany indray. Hamboly voaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy, ary hanao zaridaina ka hihinana ny vokatra avy aminy. 15 Hamboleko eo amin'ny tany izany nomeko azy izy, ka tsy hongotana hiala eo intsony. Izaho TOMPO Andriamanitrao no efa niteny.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12