mardi 31 juillet 2012

Talata 31 Jolay 2012 - Dan 6 : 2 - 6

2 Sitrak'i Dariosa ny hanendry solotenan'andriamanjaka 120 izay hanapaka manerana ny fanjakana. 3 Ary teo ambonin'ireo dia nisy telo lahy mpitantan-draharaha, ka i Daniela ny anankiray; izy telo lahy no hanaovan'ireo solotenan'andriamanjaka tatitra mba tsy hisy hanimba ny tombon-tsoan'ny mpanjaka. 4 Ary nihoaran'io Daniela io avokoa ireo mpitantan-draharaha anankiroa sy ireo solotenan'andriamanjaka tamin'ny fananany fanahy tena fatratra, koa nokasain'ny mpanjaka hatao lehibe eo amin'ny fanjakana manontolo izy. 5 Noho izany ireo mpitantan-draharaha ambony sy ireo solotenan'andriamanjaka dia nikaroka izay hiampangana an'i Daniela momba ny raharaham-panjakana; kanefa tsy nahita izay fahadisoany na tsininy akory ireo, satria nahatoky izy, fa tsy nisy mihitsy lesoka na tsiny teo aminy. 6 Tamin'izay dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika mihitsy izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy zavatra momba ny lalanan'ny Andriamaniny ihany.

lundi 30 juillet 2012

Alatsinainy 30 Jolay 2012 - I Kor 4 : 1 - 5

1 Aoka izahay hoheverina ho mpanompon'i Kristy sy ho mpitantana ireo tsiambaratelo momba an'Andriamanitra. 2 Ny hany takina amin'ny mpitantana dia ny ho hita fa olona mahatoky. 3 Raha izaho dia tsy mampaninona ahy velively na hotsarainareo, na handia fitsaran'olombelona; fa na ny mitsara ny tenako aza tsy ataoko. 4 Tsy manome tsiny ahy velively ny eritreritro, nefa tsy mahamarina ahy izany fa ny Tompo no mpitsara ahy. 5 Noho izany, aza mitsara olona alohan'ny fotoana, dia mandra-piavin'ny Tompo: Izy no hampiharihary ireo zavatra afenina anatin'ny maizina sy hampiseho ireo hevitry ny fon'ny olombelona. Ka amin'izay dia samy homen'Andriamanitra ny dera tandrify azy avy ny tsirairay.

dimanche 29 juillet 2012

Alahady 29 Jolay 2012 - Lio 12 : 41 - 18

41 Tamin'izay dia niteny i Petera nanao hoe: Izahay ihany ve no ilazanao izany fanoharana izany sa ny olona rehetra koa? 42 Ka hoy ny Tompo hoe: Iza moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren'ny tompony ho mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ireo ny anjara sakafony ara-potoana? 43 Sambatra io mpanompo io raha tonga ny tompony ka mahatratra azy manao raharaha toy izany. 44 Lazaiko marina aminareo fa hotendren'ny tompony hiadidy ny fananany rehetra izy. 45 Raha tahiny kosa io mpanompo io manao anakampo hoe: Mbola ho ela vao tafaverina ny tompoko, ka mihetraketraka amin'ny mpanompo hafa na lahy na vavy sady manaram-po mihinana sy misotro ary mimamo, 46 dia ho tonga ilay tompony amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany; hosaziny mafy tokoa io mpanompo io ary hataony miombona anjara amin'ny tsy mpino. 47 Fa ny mpanompo mahalala tsara ny sitrapon'ny tompony, nefa tsy mivonon-kanao ary tsy manatontosa, dia hahazo kapoka be. 48 Izay tsy mahalala kosa, nefa manao zavatra tokony hikapohana azy, dia hahazo kapoka kely. Izay nomena be no hitakiana be; ary izy nanankinana be no hadinina bebe kokoa.

samedi 28 juillet 2012

Sabotsy 28 Jolay - II Tim 2 : 8 - 13

8 Tsarovy i Jesoa Kristy, Izay nipoitra avy amin'ny taranak'i Davida sady efa nitsangana velona avy tany amin'ny maty, araka ny Vaovao Mahafaly toriko. 9 Noho ny fitoriako izany Vaovao Mahafaly izany no ijaliako, ary igadrako toy ny mpanao ratsy aza. Kanefa ny tenin'Andriamanitra tsy mba voagadra. 10 Izany no iaretako ny mafy rehetra ho fanasoavana ireo olomboafidin'Andriamanitra, mba hahazoan'ireo koa famonjena, dia ilay ao amin'i Kristy Jesoa, mbamin'ny voninahitra maharitra mandrakizay. 11 Azo antoka izao teny izao: Raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia hiara-belona aminy koa; 12 raha miaritra ny mafy isika, dia hiara-manjaka aminy koa; fa raha lavintsika Izy, dia mba holaviny koa isika; 13 raha mivadika aminy isika, Izy dia mahatoky hatrany satria tsy afa-manda ny tenany.

vendredi 27 juillet 2012

Zoma 27 Jolay 2012 - Oha 12 : 17 - 21

17. Izay milaza ny marina no manambara ny rariny; fa fitaka kosa no ambaran'ny vavolombelona mandainga. 18. Izay mitsaontsaona dia mety handratra toy ny sabatra; fa ny tenin'ny hendry kosa dia fanasitranana. 19. Ny teny marina dia mitombina hatrany; fa ny lainga kosa dia indray mipi-maso ihany. 20. Fitaka no ao am-pon'izay miteti-dratsy;fa fifaliana kosa ho an'izay misaina fihavanana. 21. Tsy misy ratsy manjo ny olo-marina; fa ny olon-dratsy kosa heniky ny loza.

jeudi 26 juillet 2012

Alakamisy 26 Jolay 2012 - Rom 15 : 14 - 21

14 Fa raha ny aminareo, ry havako, dia matoky koa aho fa feno hatsaram-po ianareo ary henika ny fahalalana rehetra sady mahay mifananatra koa. 15 Kanefa, mba ho toy ny hamohafohazana ny fahalalana efa ao aminareo no nanoratako taminareo tamin-kasahiana ihany ombieny ombieny, noho ilay tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy; 16 fa izaho dia natokan'Andriamanitra ho mpanompon'i Kristy Jesoa eo amin'ny hafa firenena. Manatontosa fanompoana toy ny mpisorona aho, amin'ny itoriako ny Vaovao mahafaly avy amin'Andriamanitra, mba ho zary fanatitra ankasitrahin'Andriamanitra ireo hafa firenena, rehefa voatokana ho azy noho ny asan'ny Fanahy Masina. 17 Koa satria tafaray amin'i Kristy Jesoa aho, dia afaka mirehareha ny amin'ny asa ataoko ho an'Andriamanitra. 18 Fa tsy misy sahiko lazaina, raha tsy izay notontosain'i Kristy tamin'ny alalako mba hitaomana ny hafa firenena hanaiky an'Andriamanitra: dia izay notontosain'i Kristy tamin'ny teny sy asa, 19 tamin'ny herin'ny famantarana sy zava-mahagaga ary tamin'ny herin'ny Fanahin'Andriamanitra. Hany ka feno tokoa ny fitoriako ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy, hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany amin'ny faritany Iliria. 20 Ary tamin'izany, dia nataoko ho voninahitra ny mitory ny Vaovao Mahafaly tamin'izay toerana tsy mbola nandrenesan'olona ny momba an'i Kristy; fa tsy tiako ny hanorina eo amin'ny fototra nataon'ny sasany, 21 araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Ireo tsy mbola nilazana Azy dia hahita; ary ireo tsy mbola nandre dia hahalala!

mercredi 25 juillet 2012

[Mofon'aina amin'ny teny malagasy] Alarobua 25 Jolay 2012 - Isa 32 : 16 - 20

16. Honina any amin'ny taniefitra ny rariny ary hanjaka ao amin'ny saha mahavokatra ny hitsiny. 17. Fiadanana no ho vokatry ny hitsiny; ary filaminana sy fandriampahalemana no haterany hatrany hatrany. 18. Ny vahoakako hitoetra ao amin'ny faritra miadana, ao amin'ny fonenana misy fandriampahalemana sy ao amin'ny fialan-tsasatra feno fitoniana. 19. Amin'izay kosa ho ripaka ny ala noho ny havandra ary harodana hilamaka tokoa ny tanana. 20. Kanefa ho sambatra ianareo afaka mamafy eny amoron-drano na aiza na aiza sady mamela ny omby sy ny boriky hiriaria!

--
Envoyé par Vaovao Mahafaly dans Mofon'aina amin'ny teny malagasy le 7/25/2012 12:00:00 AM

mardi 24 juillet 2012

[Mofon'aina amin'ny teny malagasy] Talata 24 Jolay 2012 - Mat 18 : 18 - 20

18 Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo ety an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra. 19 Lazaiko marina aminareo koa fa raha misy roa aminareo mifanaiky ety an-tany fa hangataka zavatra na inona na inona am-bavaka, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. 20 Satria na aiza na aiza iangonan'olona roa na telo amin'ny anarako, dia eo afovoany Aho.

--
Envoyé par Vaovao Mahafaly dans Mofon'aina amin'ny teny malagasy le 7/24/2012 12:00:00 AM

lundi 23 juillet 2012

[Mofon'aina amin'ny teny malagasy] Alatsinainy 23 Jolay 2012 - Heb 11 : 11 - 12

11 Finoana no nahazoan'i Abrahama hery hanana anaka, na dia efa antidahibe aza izy ary na dia vehivavy momba aza i Sara vadiny; satria azon'i Abrahama antoka fa mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 12 Olona efa naman'ny maty ihany i Abrahama, nefa dia avy amin'izany lehilahy anankiray izany no niavian'ny taranaka maro toy ny kintana eny amin'ny habakabaka sy toy ny fasika tsy tambo isaina eny amoron-dranomasina.

--
Envoyé par Vaovao Mahafaly dans Mofon'aina amin'ny teny malagasy le 7/23/2012 12:00:00 AM

dimanche 22 juillet 2012

[Mofon'aina amin'ny teny malagasy] Alahady 22 Jolay 2012 - Sal 101 : 1 - 8

1. Salamo nataon'i Davida. TOMPO o, firaiketam-po aminao sy rariny ho an'ny vahoaka no zavatra tiako ho kaloina: izany no hankalazako Anao an-kira. 2. Hiezaka hiroso amin'ny fahitsiana aho, ka rahoviana no hankaty amiko Ianao? Amin-kitsim-po no hiainako ao amin'ny lapam-panjakako. 3. Tsy hahatanty zava-dratsy aho; halako ny mivadika finoana, tsy mba hahazo ahy izany. 4. Halaviriko ny haloto fo, tsisy antony amiko ny olon-dratsy. 5. Hofongorako ny mpanaratsy namana amin'ny takona fa tsy zakako ny mpiandranandrana miavona am-po. 6. Hojereko izay olo-mahatoky eto amin'ny tany sy ny fanjakana mba hametrahako azy eo anilako; izay mizotra amin'ny fahitsiana no ho tonga mpanampy ahy. 7. Tsy hitoetra ao amin'ny lapam-panjakako ny olona mpametsifetsy; ary tsy hijanona eo anilako ny mpanao teny mandrobo. 8. Hataoko fongotra isa-maraina ny olon-dratsy rehetra eto amin'ny tany sy ny fanjakana mba ho foana avokoa ny mpanao ratsy ao amin'ny tananan'ny TOMPO.

--
Envoyé par Vaovao Mahafaly dans Mofon'aina amin'ny teny malagasy le 7/22/2012 12:00:00 AM

samedi 21 juillet 2012

[Mofon'aina amin'ny teny malagasy] Sabotsy 21 Jolay 2012 - Jak 5 : 7 - 8

7 Koa mahareta tsara ary, ry havana, mandra-piavin'ny Tompo. Jereo ny mpamboly miandry amim-paharetana izay vokatra sarobidy havoakan'ny tany, ka maharitra mandra-pahazony ny oram-pararano sy ny oran-dohataona. 8 Mahareta koa ianareo; aoka ho feno herimpo, fa efa mby akaiky ny fiavian'ny Tompo.

--
Envoyé par Vaovao Mahafaly dans Mofon'aina amin'ny teny malagasy le 7/21/2012 12:00:00 AM

vendredi 20 juillet 2012

[Mofon'aina amin'ny teny malagasy] Zoma 20 Jolay 2012 - Deo 31 : 7 - 8

7 Dia nantsoin'i Mosesy i Josoa ka nitenenany teo imason'ny Israelita rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha, satria ianao sy ity vahoaka ity dia hiara-miditra ao amin'ny tany izay nianianan'ny TOMPO fa homena ny razambenareo; ary ianao no hizara izany tany izany ho fananan'ity vahoaka ity. 8 Ny TOMPO mihitsy no handeha eo alohanao, Izy no hiaraka aminao ary tsy handao anao na hahafoy anao; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.

--
Envoyé par Vaovao Mahafaly dans Mofon'aina amin'ny teny malagasy le 7/20/2012 12:00:00 AM

jeudi 19 juillet 2012

[Mofon'aina amin'ny teny malagasy] Alakamisy 19 Jolay 2012 - Mat 25 : 14 - 30

14 Ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny amin'ny lehilahy handeha any an-tany hafa, ka niantso ny mpanompony ary nametraka ny fananany taminy. 15 Koa ny anankiray dia nomeny denary 30 000, ny anankiray denary 12 000 ary ny anankiray denary 6 000, samy araka izay fahaizany avy. Dia lasa ralehilahy tompom-pananana nandeha any an-tany hafa. 16 Avy hatrany ilay nandray denary 30 000 dia nampiasa izany ka nahazo tombony denary 30 000. 17 Toy izany koa no nataon'ilay nandray ny denary 12 000 ka nahazo tombony denary 12 000. 18 Fa ilay nandray denary 6 000 kosa dia lasa nihady tany ka nandevina ny volan'ny tompony. 19 Nony ela, dia niverina ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampamoaka azy telo lahy ny amin'ny petra-bolany. 20 Dia nanatona ilay nandray denary 30 000 ka nanolotra denary 30 000 hafa koa sady nilaza hoe: Denary 30 000, tompoko, no napetrakao tamiko; indro fa nahazo denary 30 000 hafa tombony aho. 21 Dia hoy ny tompony taminy: Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky! Nahatoky tamin'ny zava-madinika ianao ka dia tendreko hiandraikitra zava-dehibe; avia hiombon-kafaliana amiko tomponao! 22 Dia nanatona koa ilay nandray denary 12 000 ary nilaza hoe: Denary 12 000, tompoko, no napetrakao tamiko; indro fa nahazo denary 12 000 hafa tombony aho. 23 Dia hoy ny tompony taminy: Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky! Nahatoky tamin'ny zava-madinika ianao, ka dia tendreko hiandraikitra zava-dehibe; avia hiombon-kafaliana amiko tomponao! 24 Dia nanatona kosa ilay nandray denary 6 000 ary nilaza hoe: Fantatro, tompoko, fa lehilahy mila voatsiary ianao, ka mijinja amin'izay tsy namafazanao ary manangona amin'izay tsy nanelezanao. 25 Dia natahotra aho ka lasa nandevina ny volanao tao anaty tany; koa indro fa averiko aminao ny fanananao. 26 Dia hoy ny tompony taminy: Mpanompo ratsy sady kamo raha ianao! Fantatrao fa mijinja amin'izay tsy namafazako aho ary manangona amin'izay tsy nanelezako. 27 Noho izany, tokony ho napetrakao tany amin'ny banky ny volako ary ho noraisiko mbamin'ny zana-bola ny fananako rehefa tafaverina aho. 28 Koa alao ny denary 6 000 eny aminy, dia omeo an'ilay manana denary 60 000. 29 Eny, izay rehetra manana no homena hatrany ary hanam-be; fa izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia halana aminy. 30 Ary io mpanompo tsy misy ilana azy io, roahy any amin'ny haizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.

--
Envoyé par Vaovao Mahafaly dans Mofon'aina amin'ny teny malagasy le 7/19/2012 12:00:00 AM

mercredi 18 juillet 2012

[Mofon'aina amin'ny teny malagasy] Alarobia 18 Jolay 2012 - Apo 19 : 11 - 16

11 Dia nahita ny lanitra voasokatra aho, ka indro nisy soavaly fotsy niseho. Ilay mitaingina azy dia atao hoe Imahatoky sy Imahitsy. Ara-drariny no itsarany sy iadiany. 12 Tahaka ny lelafo ny masony; ary satroboninahitra maro no teo an-dohany. Izy dia manana anarana anankiray voasoratra, izay tsy nisy nahalala afa-tsy ny tenany ihany. 13 Miakanjo akanjo voahosin-dra Izy; ary ny anarany dia natao hoe: ilay Tenin'Andriamanitra. 14 Nanaraka Azy ny tafiky ny lanitra, ka samy nitaingina soavaly fotsy sy nitafy lamba rongony madinika sady fotsy no madio. 15 Misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavan'Ilay mitaingina soavaly, mba hamelezany ny firenena. Dia hifehy ny firenena amin'ny tehim-by Izy, sady hanitsaka ny famiazan-divay, dia ny divay manambara ny firehetam-pahatezeran'Andriamanitra Tsitoha. 16 Ary izao no anarana voasoratra teo amin'ny akanjobe nanarona ny feny: Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo.

--
Envoyé par Vaovao Mahafaly dans Mofon'aina amin'ny teny malagasy le 7/18/2012 12:00:00 AM

mardi 17 juillet 2012

[Mofon'aina amin'ny teny malagasy] Talata 17 Jolay 2012 - Oha 31 : 10 - 31


ALEFA 
10. Iza no mahita vehivavy mahavatra? Fa ny hasarobidiny dia mihoatra noho ny perla.
BETA
11. Matoky azy tanteraka ny vadiny, satria tsy mandanilany fananana izy.
GIMELA
12. Tsy manao ratsy aminy ravehivavy fa manao izay hahasambatra azy kosa mandritra ny andro rehetra iainany.
DALETA
13. Mitady volon'ondry sy kiran-drongony izy ary miasa araka ny fahakingan'ny tanany.
HE
14. Tahaka ny sambon'ny mpandranto izy ka mitondra ny haniny avy lavitra.
VAO
15. Mifoha mbola maizina izy, ka mikarakara ny sakafon'ny ankohonany sy mitsinjara ny asan'ny mpanompovaviny.
ZAINA
16. Mandinika tsara izy vao mividy saha ary mamboly voaloboka amin'ny tombontsoa azony.
HETA
17. Misikina herimpo izy fa tsy mba miraviravy tanana.
TETA
18. Tsapany ny fandrosoan'ny raharahany ka tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
JODA
19. Miasa mamoly volon'ondry ny tanany ary manenona lamba ny rantsan-tanany.
KAFA
20. Manatsotra ny tanany amin'ny ory izy ary malala-tanana amin'ny mahantra.
LAMEDA
21. Tsy ahiany amin'izay oram-panalany ankohonany, fa voatafy mafana avokoa ny ao an-tranony.
MEMA
22. Manao firakotra ho an'ny tenany izy; ny fitafiany dia rongony fotsy sy volomparasy.
NONA
23. Hajaina ny vadiny rehefa mivory eo am-bavahady ka miara-midinika amin'ireo loholon'ny tanana.
SAMEKA
24. Manao akanjo izy ka mivarotra izany; mandafo fehikibo amin'ny mpandranto koa izy.
HAINA
25. Hery sy haja no iravahany; ary tsy mahataitra azy ny ho avy.
PE
26. Miteny amim-pahendrena izy ary manoro hevitra amim-pitiavana.
TSADE
27. Manara-maso izay fizotry ny ankohonany izy ka tsy malaina manomana ny sakafo hohaniny.
KoFA
28. Ny zanany miara-miantso azy hoe sambatra, ary ny vadiny midera azy manao hoe:
RESA
29. ''Maro ny vehivavy miseho homahavatra, fa manoatra noho izy rehetra ianao.''
SINA
30. Mamitaka ny bika ary mandalo ny hatsaran-tarehy; fa ny vehivavy manaja ny TOMPO ihany no hoderaina.
TAO
31. Hanomezam-pankasitrahana azy anie ny tombontsoa azony ary hideran'ny besinimaro azy anie ny zava-bitany!



--
Envoyé par Vaovao Mahafaly dans Mofon'aina amin'ny teny malagasy le 7/17/2012 12:00:00 AM

lundi 16 juillet 2012

[Mofon'aina amin'ny teny malagasy] Alatsinainy 16 Jolay 2012 - Neh 13 : 10 - 14

10 Reko ihany koa fa tsy voaloa ny fiveloman'ny levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ireo levita, toy izay hanao ny raharaha fanompoany. Toy izany koa no nihatra tamin'ny mpihira. 11 Dia nifandahatra tamin'ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia navela hilaozana ny tranon'Andriamanitray Dia namory ny levita sy ny mpihira aho ka nametraka azy teo amin'ny anjara toerany avy; 12 ny Jiosy rehetra kosa nitondra ny ampahafolon'ny vary sy divay ary menaka ho ao an-trano fitehirizana. 13 Ary notendreko ho mpitandrina ny trano fitehirizana i Selemia mpisorona sy i Tsadoka mpitan-tsoratra ary i Pedaia levita; ary nataoko mpanampy azy telo lahy i Hanana zanakalahin'i Zakora sady zafin'i Matania. Hita toetra ho mahatoky manko ireo; ary ny hanao ny fizarana ho an'ireo namany no adidiny. 14 Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitra o! Ka aza kosehina ny soa vitako momba ny tranonao sy momba ny fanompoam-pivavahana.

--
Envoyé par Vaovao Mahafaly dans Mofon'aina amin'ny teny malagasy le 7/16/2012 12:00:00 AM

dimanche 15 juillet 2012

[Mofon'aina amin'ny teny malagasy] Alahady 15 Jolay 2012 - II Kor 8 : 16 - 24

16 Hisaorana anie Andriamanitra Izay nahatonga an'i Tito ho mazoto miasa ho anareo tahaka ny ataonay koa! 17 Nanaiky ny fiangavianay azy i Tito; nefa tena nazoto rahateo izy, ka dia nahim-pony no nankanesany tany aminareo. 18 Nalefanay hiaraka aminy koa ilay rahalahy derain'ny Fiangonana rehetra amin'ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly; 19 ary tsy izany ihany, fa notendren'ireo Fiangonana mba hiara-dia aminay koa io rahalahy io amin'izao asa fanasoavana ilofosanay izao, ho voninahitr'Izy Tompo ary ho mariky ny risi-ponay hanasoa ny hafa. 20 Tandremanay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin'izao famoriana vola be ilofosanay izao: 21 satria mikendry hanao ny tsara izahay, tsy eo anatrehan'ny Tompo ihany, fa eo anatrehan'ny olona koa. 22 Nalefanay hiaraka amin'izy ireo ilay rahalahinay izay efa nosedrainay matetika tamin-javatra maro ka hitanay fa mazoto; kanefa vao mainka mazoto kokoa izy ankehitriny, satria be ny fahatokiany anareo. 23 Raha ny amin'i Tito, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho fanasoavana anareo; fa iretsy roa lahy rahalahinay kosa dia irak'ireo Fiangonana ary miasa ho voninahitr'i Kristy. 24 Koa asehoy azy telo lahy fa tia azy tokoa ianareo, mba ho fantatr'ireo Fiangonana fa rariny raha ataonay reharehanay ianareo.

--
Envoyé par Vaovao Mahafaly dans Mofon'aina amin'ny teny malagasy le 7/15/2012 12:00:00 AM

samedi 14 juillet 2012

[Mofon'aina amin'ny teny malagasy] Sabotsy 14 Jolay 2012 - Asa 18 : 9 - 11

9 Indray alina dia nisehoam-pahitana i Paoly, ka nilazan'ny Tompo hoe: Aza matahotra, fa mitenena hatrany ary aza mangina. 10 Fa momba anao Aho, ary tsy hisy olona afaka hihazona anao mba hampahorina, satria vahoaka maro no voatokana ho Ahy amin'ity tanana ity. 11 Nitoetra herintaona sy tapany tao Korinto i Paoly, ka nampianatra ny tenin'Andriamanitra tamin'ny olona.

--
Envoyé par Vaovao Mahafaly dans Mofon'aina amin'ny teny malagasy le 7/14/2012 12:00:00 AM

vendredi 13 juillet 2012

[Mofon'aina amin'ny teny malagasy] Zoma 13 Jolay 2012 - I Sam 2 : 35 - 36

35 Avy eo Aho dia hifidy mpisorona iray mahatoky ho Ahy, mpisorona izay hiasa araka ny sitrapoko; ary homeko taranaka izy mba ho mpisorona mifandimby tsy an-kijanona, eo anatrehan'ny mpanjaka voahosotro. 36 Ary izay sisa amin'ny fianakavianao dia handohalika eo anatrehan'ny mpisorona mba hahazo vola kely sy tapa-mofo, ka hanao aminy hoe: Mba miangavy re, tompoko, omeo izay asa azoko anampiana ny mpisorona aho, mba sitrany ahay mofokely hohaniko.

--
Envoyé par Vaovao Mahafaly dans Mofon'aina amin'ny teny malagasy le 7/13/2012 12:00:00 AM

jeudi 12 juillet 2012

Alakamisy 12 Jolay 2012 - 2 Tes 3 : 1 - 5

1 Farany, ry havana, mivavaha ho anay mba hiely faingana ny tenin'ny Tompo, ka hankatoavina araka ny voninahitra tandrify azy, toy ny teo aminareo. 2 Mivavaha koa mba hanafahan'Andriamanitra anay amin'ny olona tsy valahara sy ratsy fanahy; satria tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra. 3 Fa mitana ny toky nomeny ny Tompo, ka hampahery anareo sady hiaro anareo tsy ho azon'ilay Ratsy. 4 Ary omen'ny Tompo fitokiana izahay ny momba anareo, ka azonay antoka fa ny zavatra ameperanay anareo dia efa ataonareo sady mbola hataonareo hatrany. 5 Ny Tompo anie hitarika ny fonareo hahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra anareo sy hanam-paharetana miandry ny fiavian'i Kristy!

mercredi 11 juillet 2012

Alarobia 11 Jolay 2012 - I Jao 3 : 3 - 6

3 Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina amin'i Kristy izany dia mitandrin-tena hanana toetra madio mba hadio toetra tahaka Azy. 4 Izay rehetra manota dia mandika ny lalanan'Andriamanitra, fa ny ota no fandikana ny lalanan'Andriamanitra. 5 Fantatrareo kosa fa i Jesoa Kristy no niseho, dia mba hanala ny ota, ary tsy mba misy ota ao aminy. 6 Izay rehetra miray amin'i Kristy dia tsy manota; izay rehetra manota, dia tsy nahita Azy na nahalala Azy.

mardi 10 juillet 2012

Talata 10 Jolay 2012 - Neh 7 : 1 - 3

1 Nony vita ny manda ka voalatsako ny lela-vavahady, dia napetraka tamin'ny fandraharahany avy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny levita. 2 Notendreko hitantana an'i Jerosalema i Hanany rahalahiko sy i Hanania, lehiben'ny tranomimanda, izay lehilahy mahatoky sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro. 3 Ka hoy aho tamin'ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary ny hariva, dieny mbola eo ny mpiambina no aoka hanidiana ny vavahady sy hametrahana ny barany. Aoka hanendrena mpiambina avy amin'ny mponina eto Jerosalema ka samy hatao amin'ny anjara toerany sy tandrifin'ny tranony avy.

lundi 9 juillet 2012

Alatsinainy 09 Jolay 2012 - Oha 11 : 10 -13

10. Mifaly amin'ny fahombiazan'ny olo-marina ny tanana, ary velom-pihobiana amin'ny fahafatesan'ny olon-dratsy. 11. Ny tsodranon'ireo olo-mahitsy no isandratan'ny tanana; fa ny tenin'ireo olon-dratsy kosa no aharavany. 12. Izay manambany ny namany no bado; fa aleon'ny manan-tsaina mangina. 13. Ny mpanely fanaratsiana no manambara tsiambaratelo; fa ny olo-mahatoky kosa mahay manafin-javatra.

dimanche 8 juillet 2012

Alahady 08 Jolay 2012 - Lio 16 : 9 - 13

9 Ka hoy Aho aminareo mpianatro: ampiasao ny haren'izao tontolo izao hananan-kavana handray anareo any amin'ny fonenana mandrakizay, rehefa tonga ilay andro hamoizana ireny harena ireny. 10 Izay mahatoky amin'ny zava-madinika, dia mahatoky koa amin'ny zava-dehibe; ary izay tsy marina amin'ny zava-madinika, dia tsy marina koa amin'ny zava-dehibe. 11 Raha tsy azo itokiana amin'ny haren'izao tontolo izao ianareo, iza no hametraka aminareo ny tena harena; 12 ary raha tsy azo itokiana amin'izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo ny fananana tena anareo?   13 Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa: satria na ny anankiray ho halany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an'Andriamanitra no manompo ny harena.

samedi 7 juillet 2012

Sabotsy 07 Jona 2012 - Asa 27 : 33 - 38

33 Rehefa hadiva haraina ny andro, dia niangavian'i Paoly izy rehetra mba hihinan-kanina ka nataony hoe: Faha-14 andro niandrasanareo anio ary niaritra hanoanana tsy nihinan-kanina mihitsy ianareo. 34 Koa miangavy anareo aho hihinan-kanina, fa isan'ny hamonjena anareo izany. Tsy ho very na dia singam-bolo ao an-dohany aza aminareo. 35 Nony avy nilaza izany teny izany i Paoly, dia nandray mofo sy nisaotra an'Andriamanitra ary nanapaka ny mofo teo anatrehan'izy rehetra ka nihinana. 36 Dia nahazo toky indray izy rehetra ka nihinana. 37 Niisa 276 izahay rehetra tao an-tsambo. 38 Ary nony samy voky izy rehetra, dia navarina tany an-dranomasina avokoa ny vary mba hahamaivana ny sambo.

vendredi 6 juillet 2012

Zoma 06 Jolay 2012 - I Sam 20 : 16 - 23

16 Dia nanao dinam-pisakaizana tamin'i Davida sy ny taranany i Jonatana hoe: ...ary ny TOMPO anie hamalifaty ny fahavalon'i Davida! 17 Ary nampianiana an'i Davida koa i Jonatana amin'ny anaran'ny fitiavany azy, satria tia azy tahaka ny itiavany ny tenany i Jonatana. 18 Ary hoy indray i Jonatana tamin'i Davida: Rahampitso ny fetin'ny tsinam-bolana, ka ho hitan'ny olona ny tsy fahatongavanao, satria ho banga ny toeranao. 19 Rahafakampitso dia hidina hatrany amin'ilay toerana nierenao tamin'ny indray andro iny ianao ka hitoetra eo akaikin'ny vato Ezela. 20 Izaho kosa, handefa zana-tsipika telo mankany, toy ny mikendry lasibatra; 21 dia haniraka ny zatovolahy aho hanangona ireny. Koa raha hoy aho amin'ilay zatovolahy hoe: Jereo fa tsy lasa nihoatra anao ny zana-tsipika, koa angony; midika izany fa milamina ny raharaha, ka afaka miverina ianao. Velona ny TOMPO ka sahiko lazaina fa tsy hisy loza hanjo anao akory. 22 Fa raha hoy kosa aho amin'ilay zatovolahy hoe: Lasa nihoatra anao ny zana-tsipika, dia mandehana ianao, ry Davida fa sitraky ny TOMPO ny handehananao. 23 Ary momba ny dinam-pisakaizana nataontsika, dia ny TOMPO no hanelanelana antsika mandrakizay.

jeudi 5 juillet 2012

Alakamisy 05 Jolay 2012 - Apok 2 : 8 - 11

8 Izao no lazain'ilay Voalohany sady Farany, Izay efa maty nefa velona indray: 9 Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao, kanefa manankarena ianao. Fantatro ianao fa endrikendrehin'ireo milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsiizy fa olona mivavaka amin'i Satana.  
10 Aza matahotra na inona na inona amin'izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra. 11 Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana. Izay maharesy dia tsy hiharan-doza avy amin'ny fahafatesana faharoa.

mercredi 4 juillet 2012

Alarobia 04 Jolay 2012 - Rot 1 : 15 - 17

15 Dia hoy i Nahomy tamin'i Rota: Indro ny rahavavinao nody any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny, modia koa ianao miaraka aminy. 16 Fa novalian'i Rota hoe: Aza terena handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao aho; fa any amin'izay halehanao no halehako, ao amin'izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro, 17 ao amin'izay hahafatesanao no hahafatesako sady ao no hilevenako. Hataon'ny TOMPO amiko anie ny famaizana mafy indrindra raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka ahy aminao!

mardi 3 juillet 2012

Talata 03 Jolay 2012 - Mat 24 : 45 - 51

45 Iza moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren'ny tompony ho mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ny anjara sakafony ara-potoana? 46 Sambatra io mpanompo io raha tonga ny tompony ka mahita azy manao raharaha toy izany. 47 Lazaiko marina aminareo fa hotendren'ny tompony hiadidy ny fananany rehetra izy. 48 Raha ho ratsy fanahy kosa io mpanompo io ka hanao anakampo hoe: Mbola haharitra ela ny tompoko, 49 ary hihetraketraka amin'ireo mpanompo namany sady hanaram-po hihinana sy hisotro miaraka amin'ny mpimamo, 50 dia ho tonga ilay tompony amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany. 51 Hosaziny mafy tokoa io mpanompo io ary hataony miombona anjara amin'ny mpihatsaravelatsihy; any izy no hitomany sy hikitro-nify.

lundi 2 juillet 2012

Alatsinainay 02 Jolay 2012 - Asa 28 : 11 - 15

11 Nony afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin'ilay sambo anankiray nijanona tao amin'izany nosy izany nandritra ny ririnina. Sambo avy any Aleksandria izy io ary nantsoina hoe Dioskory. 12 Tody tao Sirakoza izahay ary nitoetra telo andro tao. 13 Avy eo izahay, dia nanara-morona ka tafapaka hatrany Rezioma. Nifofofofo ny rivotra avy any atsimo ny ampitson'iny, ka dia tratranay indroa andro ny seranan'i Potioly. 14 Tao amin'io tanana io dia nahitanay havana iray finoana izay niangavy anay hitoetra ao aminy mandritra ny fito andro. Dia toy izany no nandrosoanay nankany Roma. 15 Efa nahazo vaovao momba anay ny havana iray finoana tao Roma, ka tamy nitsena anay hatreny an-Tsenan'i Apio sy hatreny Antranotelombahiny. Nony nahita azy rehetra i Paoly, dia velom-pisaorana an'Andriamanitra sady nahazo toky.

dimanche 1 juillet 2012

Alahady 01 Jolay 2012 - gen 39 : 1 - 6

1 Tafidina tany Ejipta i Josefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Potifara, tandapan'ny Farao sady lehiben'ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Jismahelita. 2 Ary ny TOMPO nomba an'i Josefa izay nanjary lehilahy nambinina. Nitoetra tao an-tranon'ilay Ejiptianina tompony izy; 3 ary hitan'ity tompony fa nomban'ny TOMPO i Josefa ka nampahombiaziny avokoa izay rehetra nataony. 4 Ary nahafaly fatratra ny tompony i Josefa ka nataony mpiasa manokana; dia nomeny hiandraiketany ny tao an-tranony sy izay nananany rehetra. 5 Nanomboka hatreo, noho ny amin'i Josefa, dia notahin'ny TOMPO ny tao an-tranon'ilay Ejiptianina sy izay rehetra nananany. Io fitahian'ny TOMPO io dia nanenika ny fananany rehetra na an-tsaha na an-tanana. 6 Noho izany dia navelany teo am-pelatanan'i Josefa avokoa ny fananany rehetra; ka tsy nihevitra na inona na inona intsony i Potifara, afa-tsy izay sakafo hohanin'ny tenany ihany. Tovolahy tsara tarehy sady bikana i Josefa.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12