vendredi 31 août 2012

Zoma 31 Aogositra 2012 - Asa 11 : 12 - 14


12 Dia nitenenan'ny Fanahy Masina aho mba tsy hisalasala ny hiaraka aminy. Tafaraka tamiko tany koa ireto havana mpino enina nentiko eto aminareo ireto, ary niditra tao an-tranon'i Kornely izahay. 13 Dia notantarain'i Kornely ny fomba nahitany tao an-trano anjely anankiray izay nanao taminy hoe: Maniraha lehilahy any Jopa haka an'i Simona, izay antsoina koa hoe Petera.
14 Hitondra teny hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra izy.

jeudi 30 août 2012

Alakamisy 30 Aogositra 2012 - Jao 21 : 1 - 14


1 Tamin'izany, dia niseho tamin'ny mpianany indray i Jesoa teo amoron'ny farihin'i Tiberiada, ary toy izao no nisehoany. 2 Tafaraka i Simona Petera, sy i Toma ilay atao hoe Ikambana, ary i Natanaela ilay avy any Kana any Galilea, mbamin'ireo zanakalahin'i Zebedeo sy mpianatra roa lahy hafa koa. 3 Fa hoy i Simona Petera tamin'izy enin-dahy: Ndeha hanarato aho! Ka hoy ireo taminy: Ndeha hiaraka aminao koa izahay. Dia niainga izy rehetra ka niditra tao an-tsambokely, saingy tamin'iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory. 4 Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nijoro teo amorom-parihy i Jesoa, kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy. 5 Dia hoy i Jesoa taminy: Manan-javatra hohanina ve ianareo, rey anaka? Ka novalian'ireo hoe: Tsia! 6 Ary hoy Izy taminy: Alatsaho ao ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, fa hahazo ianareo. Dia nalatsak'izy fito lahy ny harato, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny trondro. 7 Ary hoy ilay mpianatra tian'i Jesoa tamin'i Petera: Ny Tompo io! Vao ren'i Simona Petera fa hoy ny Tompo io, dia niakanjoany ny akanjo ivelany fa efa nesoriny, ka lasa izy nirotsaka tao anaty rano. 8 Fa ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno trondro; tsy lavitra ny tany manko izy ireo, fa tokony ho zato metatra eo ho eo. 9 Rehefa tafakatra teo an-tanety izy fito lahy, dia nahita afon'arina teo sy trondro teo amboniny ary mofo. 10 Ka hoy i Jesoa taminy: Itondray trondro amin'ireo vao azonareo teo. 11 Dia niakatra tao an-tsambokely i Simona Petera, ka nisarika ho eo an-tanety ny harato feno trondro vaventy 153; kanefa na dia betsaka tahaka izany aza ny trondro, dia tsy triatra ny harato. 12 Ary hoy i Jesoa tamin'izy fito lahy: Avia hisakafo! Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Ianao?, satria fantany ihany fa ny Tompo io. 13 Ary nanatona i Jesoa dia nandray ny mofo ka natolony azy ireo; ary nataony toy izany koa ny trondro. 14 Izany no fisehoan'i Jesoa fanintelony tamin'ny mpianany, fony Izy tafatsangana velona avy any amin'ny maty.

mercredi 29 août 2012

Alarobia 29 Aogositra 2012 - Gen 22 : 7 - 8


7 dia hoy i Itsehaka tamin'i Abrahama rainy: -Dada o! Ka novaliany hoe: -Mihaino anao aho, anaka. Ary hoy i Itsehaka hoe: -Indreo ny vainafo sy ny kitay, fa aiza kosa ny zanak'ondry hatao sorona dorana manontolo? 8 Fa namaly azy i Abrahama hoe: -Andriamanitra no hahita izay zanak'ondry hatao sorona dorana manontolo, anaka! Dia niara-nanohy ny diany izy mianaka.

mardi 28 août 2012

Talata 28 Aogositra 2012 - Rom 15 : 1 - 6


1 Adidintsika izay matanjaka ara-pinoana ny mizaka ny fahosan'ny malemy, fa tsy dia hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny. 2 Samia isika manao izay mahafaly ny namantsika amin'izay mahasoa ka mampiorina azy amin'ny finoana. 3 Satria i Kristy koa tsy nikatsaka izay hahafaly ny tenany, fa araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko. 4 Eny, izay rehetra hitantsika ao amin'ny Soratra Masina dia voasoratra ho fampianarana antsika mba hananantsika ny fanantenana no ho ny faharetana sy ny fampaherezana avy amin'ny Soratra Masina. 5 Ary Andriamanitra loharanon'ny faharetana sy ny fampaherezana anie hampiray hina anareo, hanaraka ny ohatra nomen'i Kristy Jesoa. 6 Ka mba hiray feo ianareo hiara-manome voninahitra an'Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika.

lundi 27 août 2012

Alatsinainy 27 Aogositra 2012 - Jer 32 : 36 - 41

36. Ankehitriny anefa, na eo aza izany, IzahoTOMPO Andriamanitr'i Israely dia mbola manan-teny momba ity tanana ity izay voalazanao sy voalazan'ny hafa hoe natolotra teo an-tanan'i Nebokadnetsara tamin'ny alalan'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana . 37. Indro ny mponin'ity tanana ity fa hangoniko avy any amin'ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin'ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo. 38. Dia ho vahoakako indray izy, ary Izaho ho Andriamaniny. 39. Hataoko iray fo sy iray hevitra izy mba hanaja Ahy hatrany hatrany, hahasoa azy sy ny taranany mandimby azy. 40. Hanao fanekem-pihavanana mandrakizay aminy Aho ka tsy hampitsahatra ny fanasoavako azy, ary hataoko ao am-pony ny fanajana Ahy mba tsy hialany amiko intsony.
41. Hahafaly Ahy ny hanasoa azy, ka amin'ny foko sy fanahiko manontolo no hampiorenako azy tanteraka amin'ity tany ity.

dimanche 26 août 2012

Alahady 26 Aogositra 2012 - I Tan 12 : 38 - 40

38. Tamin'ireo teny ampita atsinanan'i Jordana, izany hoe tamin'ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon'i Manase, dia nisy 120000 ny lehilahy mirongo fiadiana isan-karazany. 39. Ireo miaramila rehetra vonon-kilahatra hiady ireo no tonga tao Hebrona tamin'ny fony manontolo mba hampanjaka an'i Davida amin'i Israely lafy valo; ary ny Israelita sisa rehetra koa niray fomba hampanjaka an'i Davida. 40. Dia nijanona telo andro tao Hebrona niaraka tamin'i Davida ireo miaramila ka nihinana sy nisotro izay efa nomanin'ireo havany ho azy.

samedi 25 août 2012

Sabotsy 25 Aogositra 2012 - I Kor 14 : 12 - 19

12 Dia toy izany koa ianareo: satria fatra-paniry ny fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo, dia ireo hampandroso ny fiangonana amin'ny finoana no aoka hotadiavinareo hananana be dia be. 13 Noho izany, izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia aoka hangataka amin'Andriamanitra mba ho afaka hanazava izany koa. 14 Raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra manko aho, dia ny fanahiko no hany mivavaka fa tsy mba mandray anjara ny saiko. 15 Ahoana ary no hataoko? Hivavaka amin'ny fanahiko aho no sady hivavaka amin'ny saiko ihany koa; hihira amin'ny fanahiko aho no sady hihira amin'ny saiko ihany koa. 16 Raha am-panahy fotsiny no isaoranao an'Andriamanitra, hataon'izay mpiangona sarambabe ahoana no famaly Amen ny vavaka fisaorana vitanao? Tsy fantany akory manko izay lazainao. 17 Raha ianao, dia vavaka fisaorana kanto no vitanao, fa ny hafa kosa tsy nampandrosoinao amin'ny finoana. 18 Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra. 19 Kanefa, ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy mazava amin'ny saiko mba hampianarako ny hafa toy izay teny arivoarivo amin'ny fiteny tsy fantatra.

vendredi 24 août 2012

Zoma 24 Aogositra 2012 - Asa 9 : 26 - 23


26 Vao tonga tany Jerosalema i Saoly, dia nitady hikambana tamin'ny mpianatra; saingy natahotra azy izy rehetra satria tsy afaka nino azy ho isan'ny mpianatra. 27 Nalain'i Barnaba kosa i Saoly ka nentiny teo amin'ny apostoly; dia teo anatrehan'ny apostoly no nitantaran'i Barnaba ny fomba nahitan'i Saoly ny Tompo teny an-dalana sy ny teny nataon'ny Tompo taminy ary koa ny fahasahian'i Saoly nitoriteny tamin'ny anaran'i Jesoa tany Damasy. 28 Izay vao afa-nifanerasera tamin'ny mpianatra tao Jerosalema i Saoly sady tena sahy nitoriteny tamin'ny anaran'ny Tompo. 29 Niresahan'i Saoly sy nifanakalozany hevitra koa ireo Jiosy miteny grika; kanjo notadiavin'ireo hovonoina izy. 30 Nony fantatr'ireo havana iray finoana izany, dia nateriny tany Kesaria i Saoly ary nampodiny nankany Tarsa. 31 Nandry feizay ny Fiangonana manerana an'i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo: nandroso tsara, nizotra tamin'ny fanoavana ny Tompo, ary nihamaro noho ny fampaherezan'ny Fanahy Masina.

jeudi 23 août 2012

Alakamisy 23 Aogositra 2012 - Alakamisy Fil 2 : 1 - 4


1 Mampahery anareo tokoa ny firaisana amin'i Kristy, mampirisika anareo ny fitiavany, ary miombona amin'ny Fanahy Masina ianareo ka mahay mangoraka sy be hatsarampo. 2 Noho izany, dia fenoy tanteraka ny hafaliako: aoka hifanaraka tsara ianareo ka hoentanin'ny fifankatiavana sy hiray fo ary hiray saina; 3 aza manao na inona na inona raha asesiky ny fifampiandaniana na ny filan-dera foana, fa samia manetry tena manoloana ny namana ary aoka samy hanao ny namana ho ambony noho ny tena. 4 Aza dia samy mihevitra ny soa ho an'ny tena ihany, fa ny ho an'ny namana koa.

mercredi 22 août 2012

Alarobia 22 Aogositra 2012 - Heb 10 : 19 - 25


19 Koa isika, ry havana, dia manana ny tena fahafahana hiditra ao amin'ny Toeramasina Indrindra, noho ny ra nafoin'i Jesoa. 20 Nanokafany lalana vaovao mitondra amin'ny fiainana isika: dia lalana mamaky eo amin'ny efitra lamba, izany hoe eo amin'ny tenan'i Jesoa. 21 Manana Mpisorona lehibe izay mifehy ny tranon'Andriamanitra isika; 22 koa aoka isika hanatona an'Andriamanitra amin'ny fo mahitsy sy amin'ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin'ny fieritreretana vesaran'ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin'ny rano madio ny tenantsika. 23 Aoka hohazonintsika mafy tsy azo hozongozonina ny fiekena ny zavatra antenaintsika, satria mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 24 Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. 25 Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany zatra tsy miangona; mifampirisiha kosa isika, mainka fa hitanareo mihantomotra ilay andro hiavian'ny Tompo.

mardi 21 août 2012

Talata 21 Aogositra 2012 - Sal 132 : 1 - 3


1. Hira fiakarana. TOMPO o, ny zavatra rehetra niaretan'i Davida dia mba tsarovy hanasoavanao azy. 2. Tsarovy fa taminao, TOMPO o, no nanaovany fianianana; taminao, ry ilay Maherin'i Jakoba, no nanaovany voady hoe: 3. ''Tsy hiditra ny tranolay fonenako aho na hiakatra ny farafara fandriako,

lundi 20 août 2012

Alatsinainy 20 Aogositra 2012 - Sal 34 : 1 - 3


1. Nataon'i Davida, fony izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka , dia noroahiny ka lasa nandeha. 
ALEFA
2. Hisaotra ny TOMPO lalandava aho ary tsy hitsahatra hidera Azy ny vavako.
BETA
3. Ny TOMPO no reharehako; koa mifalia, ry mpandefitra, rehefa mandre ny fiderako Azy.

dimanche 19 août 2012

Alahady 19 Aogositra 2012 - Jao 17 : 20 - 26


20 Tsy ho an'ireto ihany no ivavahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny. 21 Mivavaka Aho mba ho iray izy rehetra: Ray o, enga anie ho ao anatintsika izy rehetra tahaka Anao ato anatiko ary Izaho ao anatinao, mba hinoan'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy. 22 Efa nomeko azy ireo ny voninahitra nomenao Ahy mba ho iray izy tahaka ny maha iray antsika: 23 Izaho ao anatiny, Ianao ato anatiko, hany ka ho iray tanteraka izy, dia ho fantatr'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy sady Ianao efa tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy. 24 Ray o, tiako hiaraka amiko any amin'izay misy Ahy ireo nomenao Ahy mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy noho Ianao efa tia Ahy talohan'ny nahariana izao tontolo izao. 25 Ray o, mandala ny rariny Ianao, ka tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto efa nahalala fa Ianao no naniraka Ahy. 26 Efa nampahafantariko azy ireo ny anaranao sady mbola hampahafantariko hatrany, mba ho ao amin'ireo ny fitiavana izay nitiavanao Ahy ary mba ho ao anatiny koa Aho.

samedi 18 août 2012

Sabotsy 18 Aogositra 2012 - I Kor 12 : 23 - 26


23 ireo zavatra anisan'ny tena heverintsika ho kely voninahitra kokoa no omentsika voninahitra kokoa; ary ny tsy misy haja amin'ny zavatra anisan'ny tenantsika no hajaintsika kokoa; 24 fa ny misy haja amin'ny zavatra anisan'ny tenantsika dia tsy mila izany. Fa tamin'ny nanamboaran'Andriamanitra ny tenantsika, dia izay kely voninahitra kokoa amin'ny zavatra anisan'ny tena no efa nataony homem-boninahitra kokoa; 25 hany ka tsy misy fisaratsarahana eo amin'ny tena, fa mifampiahy avokoa ny zavatra rehetra anisan'ny tena. 26 Koa raha mijaly ny zavatra anankiray anisan'ny tena, dia miara-mijaly avokoa ny zavatra rehetra anisan'ny tena; fa raha omem-boninahitra ny zavatra anankiray anisan'ny tena, dia miara-mifaly avokoa ny zavatra rehetra anisan'ny tena.

vendredi 17 août 2012

Zoma 17 Aogositra 2012 - I Mpan 1 : 1 - 14


1 Efa antitra sy konka i Davida mpanjaka; ka na dia norakofan-damba aza izy, dia tsy nety nafana. 2 Hoy ny mpanompony taminy: Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny izay ho eo anatrehanao mandrakariva mba ho mpitaiza anao sy handry eo anilanao, ka dia hafana ianao. 3 Dia nitady izay tovovavy tsara tarehy teo amin'ny tanin'i Israely manontolo ireto mpanompon'i Davida; ary tao Sonema no nahitany an'i Abisaga izay nentiny tany amin'ny mpanjaka. 4 Tsara tarehy fatratra ilay tovovavy ka tonga mpitaiza sy mpanompon'ny mpanjaka; nefa tsy niray taminy akory ny mpanjaka. 5 Fa i Adonia zanakalahin'i Hagita kosa tamin'izay no nanandra-tena ho mpanjaka. Dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary lehilahy dimampolo ho mpihazakazaka eo anoloany izy.
6 Hatramin'izay niainany dia tsy mbola niteny mafy azy i Davida rainy na nanontany azy ny antony nanaovany izany. Izy moa dia lehilahy tsara tarehy tokoa, ary natera-dreniny nanarakaraka an'i Absaloma. 7 Dia niresaka tamin'i Joaba zanakalahin'i Tseroia sy tamin'i Abiatara mpisorona i Adonia, ka nahazo ny fanohanan'ireo. 8 Fa i Tsadoka mpisorona sy i Benaia zanakalahin'i Joiada sy i Natana mpaminany mbamin'i Simehy sy i Rehy ary ireo kalazan'i Davida kosa tsy mba niandany tamin'i Adonia. 9 Indray andro dia nikorana teo amin'ny vaton'i Zoheleta akaikin'i Haina-Rogela i Adonia ka namono ondry sy omby ary biby matavy. Nasainy avokoa ny rahalahiny rehetra zanaky ny mpanjaka ary ny lehilahy rehetra amin'i Joda izay mpanompon'ny mpanjaka. 10 Kanefa tsy mba nasainy i Natana mpaminany sy i Benaia sy ireo lehilahy kalaza ary i Salomona rahalahiny. 11 Niteny tamin'i Baty-Seba renin'i Salomona i Natana ka nanao hoe: Tsy efa renao va fa nanangan-tena ho mpanjaka i Adonia zanakalahin'i Hagita, nefa i Davida andriamanjaka tsy nahalala izany akory? 12 Koa etsy hotoroako hevitra ianao mba hamonjena aina ny tenanao sy i Salomona zanakao. 13 Mankanesa any amin'i Davida mpanjaka ka lazao aminy hoe: Moa tsy efa nianiana tamiko va ianao, ry andriamanjaka, fa i Salomona zanako lahy no hanjaka handimby anao ka hipetraka eo amin'ny sezafiandriananao. Koa nahoana no i Adonia indray no tonga mpanjakay 14 Dia hoy ihany i Natana: Ary raha ilay mbola eo am-piresahana amin'ny mpanjaka iny ianao, dia mba hiditra ao aminy koa aho hanamafy izay voalazanao.

jeudi 16 août 2012

Alakamisy 16 Aogositra 2012 - Mat 5 : 43 - 48


43 Efa renareo fa voalaza hoe: Tiavo ny namanao ary ankahalao ny fahavalonao! 44 Izaho kosa milaza aminareo hoe: tiavo ny fahavalonareo ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, 45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mandatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina. 46 Fa raha izay manam-pitiavana anareo ihany no tiavinareo, inona no valisoa manokana azonareo andrandraina avy amin'Andriamanitra? Na dia ny mpamory hetra aza ve tsy manao toraka izany koa? 47 Ary raha ny namana iray finoana ihany no arahabainareo, inona no tombony amin'ny ataonareo? Na dia ny hafa firenena aza ve tsy manao toraka izany koa? 48 Tanteraka ny Rainareo Izay any an-danitra: noho izany ary, aoka ianareo ho tanteraka tahaka Azy koa.

mercredi 15 août 2012

Alarobia 15 Aogositra - Fil 4 : 1 - 3


1 Toy izany ary, ry hava-malala, no aoka hitomoeranareo tsara miray amin'ny Tompo. Fa tiako tokoa ianareo, ry havako, sady manina anareo fatratra aho; ianareo no fifaliako sy toy ny satroboninahi-pandresena ho ahy. 2 Ry i Eodia sy i Sintika, miangavy mafy anareo aho mba hifanaraka, noho ianareo mpirahavavy ao amin'ny Tompo. 3 Ary ianao koa, ry ilay mpiara-miasa akaiky tamiko, mangataka anao aho mba hanampy azy roa vavy, fa niara-nikatroka nanao izay hielezan'ny Vaovao Mahafaly izahay mbamin'i Klemanta koa sy ny hafa rehetra mpiara-miasa amiko izay samy voasoratra anarana ao amin'ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay.

mardi 14 août 2012

Talata 14 Aogositra 2012 - Zef 3 : 9 - 13


9 Amin'izany, dia hovako ny firenena isan-tokony ka hodioviko ny molony; dia hivavaka amiko TOMPO izy rehetra ary hiray hina hanompo Ahy. 10 Eny fa hatrany an-dafin'ny onin'i Etiopia ireo mpivavaka amiko izay naeliko no ho avy hitondra fanatitra ho Ahy.   11 Amin'izany andro izany, ry vahoakako, dia tsy ho menatra intsony ianao tamin'izay ratsy rehetra nataonao ka nanotanao tamiko. Hoesoriko tsy ho eo aminao ny mpirehareha rehetra ary tsy hiavonavona intsony ianao eo an-tendrombohitro masina. 12 Nefa hisy olona ory sy malahelo hataoko sisa tavela eo aminao, dia olona hitady fialofana amiko TOMPO. 13 Ny sisa velona amin'ny vahoaka Israely dia tsy hanao heloka na hilaza lainga intsony, ary tsy hanao teny mamitaka intsony. Fa hihinana sy handry feizay izy ka tsy hisy hampatahotra azy.

lundi 13 août 2012

Alatsinainy 13 Aogositra 2012 - I Tes 5 : 12 - 15


12 Mangataka aminareo izahay, ry havana, mba hanaja izay mikely aina eo anivonareo, dia izay voatendrin'ny Tompo hitarika sy hananatra anareo. 13 Fankatoavana be dia be ombam-pitiavana no asehoy azy ireo, noho ny asa tontosainy. Mihavana tsara ianareo samy ianareo. 14 Miangavy anareo izahay, ry havana: anaro ny kamo, ampaherezo ny katahotra, ampio ny osa, ary aoka hahari-po amin'ny olona rehetra. 15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy ny ratsy, fa miezaha mandrakariva hifanasoa ary hanasoa ny olona rehetra.

dimanche 12 août 2012

Alahady 12 Aogositra 2012 - I Pet 3 : 8 - 12


8 Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena. 9 Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa, satria ianareo efa nantsoin'Andriamanitra hanana anjara amin'ny soa nampanantenainy. 10 Fa izao no tenin'ny Soratra Masina: Izay te hankamamy fiainana sy te hahita andro soa, aoka izy hitsaha-miteny ratsy ary hitsaha-milaza fitaka; 11 aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa, aoka hitady fihavanana tsy an-kiato; 12 satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina sy mihaino ny fitarainany, fa tezitra kosa amin'ny mpanao ratsy.

samedi 11 août 2012

Sabotsy 11 Aogositra 2012 - Eze 37 : 24 - 28


24. I Davida mpanompoko no ho mpanjakanareo ka izy irery ihany no ho mpiandry anareo rehetra. Dia hanaraka ny fitsipiko ianareo sady hitandrina ny lalanako sy hanatanteraka ireny. 25. Ary honenanareo ny tany izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko sady efa nonenan'ireo razanareo. Ao no honenanareo hatrany, dia ny tenanareo sy ny zanakareo mbamin'ny taranakareo; ary i Davida mpanompoko no ho printsy filohanareo mandrakizay. 26. Hanao fanekem-pihavanana aminareo Aho, dia fanekem-pihavanana haharitra mandrakizay. Hataoko miorim-ponenana eo ianareo ka hampitomboiko ny mponina ao aminareo; ary hampitoeriko eo anivonareo mandrakizay ny tempoliko. 27. Hiara-monina aminareo Aho, ka Izaho ho Andriamanitrareo ary ianareo kosa ho vahoakako. 28. Amin'izay dia hoeken'ireo hafa firenena fa Izaho no TOMPO, Izay manokana an'i Israely hanompo Ahy rehefa tafaorina eo anivonareo mandrakizay ny tempoliko.''

vendredi 10 août 2012

Zoma 10 Aogositra 2012 - Fil 4 : 1 - 3

1 Toy izany ary, ry hava-malala, no aoka hitomoeranareo tsara miray amin'ny Tompo. Fa tiako tokoa ianareo, ry havako, sady manina anareo fatratra aho; ianareo no fifaliako sy toy ny satroboninahi-pandresena ho ahy. 2 Ry i Eodia sy i Sintika, miangavy mafy anareo aho mba hifanaraka, noho ianareo mpirahavavy ao amin'ny Tompo. 3 Ary ianao koa, ry ilay mpiara-miasa akaiky tamiko, mangataka anao aho mba hanampy azy roa vavy, fa niara-nikatroka nanao izay hielezan'ny Vaovao Mahafaly izahay mbamin'i Klemanta koa sy ny hafa rehetra mpiara-miasa amiko izay samy voasoratra anarana ao amin'ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay.

jeudi 9 août 2012

Alakamisy 09 Aogositra 2012 - I Kor 1 : 10 - 17


10 Ry havako, izao no iangaviako anareo amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika: mifanaraha ianareo rehetra, ary aza mifanao an-kolafiny; aoka hiray saina sy hevitra ianareo ka hivondrona tsara. 11 Nisy avy tamin'ny ankohonan'i Kloa manko efa nitatitra tamiko ny aminareo, fa hoe misy adiady eo aminareo. 12 Izao no tiako holazaina: Samy miteny izay teneninareo ianareo, ka ny anankiray manao hoe: Izaho an'i Paoly; ary hoy kosa ny anankiray: Izaho an'i Apolao; misy kosa manao hoe: Izaho an'i Petera; ary hoy indray ny hafa: Izaho an'i Kristy. 13 Heverinareo ve fa voazarazara i Kristy? I Paoly ve no voahombo teo amin'ny hazofijaliana ho famonjena anareo? Sa tamin'ny anaran'i Paoly no nanaovana batisa anareo? 14 Isaorako Andriamanitra fa tsy nisy nataoko batisa ianareo, afa-tsy i Krispo sy i Gaio. 15 Ka tsy afaka milaza ianareo fa vita batisa tamin'ny anarako. 16 (Hay koa moa nataoko batisa ny ankohonan'i Stefanasy; afa-tsy ireo, dia tsy misy hafa tsaroako ho nataoko batisa.) 17 Izaho manko tsy nirahin'i Kristy hanao batisa fa hitory ny Vaovao Mahafaly; ary tsy tamin'ny fahendren'olombelona asehon'ny lahateny kanto no nitoriako mba tsy ho foana ny herin'i Kristy voahombo teo amin'ny hazofijaliana.

mercredi 8 août 2012

Alarobia 08 Aogositra 2012 - II Mpa 2 : 1 - 3

1 Rehefa hakarin'ny TOMPO any an-danitra ao anatin'ny tadio i Elia, dia niala tao Gilgala niaraka tamin'i Elisa. 2 Ary hoy i Elia tamin'i Elisa: Mijanona eto re ianao, fa irahin'ny TOMPO hankany Betela aho. Fa novalian'i Elisa hoe: Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao! Dia niaraka nankany Betela izy mianaka. 3 Fa niainga nankany amin'i Elisa ny andia-mpaminany tao Betela ka nanontany azy hoe: Fantatrao va fa anio no hanesoran'ny TOMPO ity mpampianatrao ho lavitry ny tenanao? Dia hoy ny navaliny azy: Eny, fantatro koa izany fa mangina ianareo!

mardi 7 août 2012

Talata 07 Aogositra 2012 - Mar 02 : 01 - 12


1 Tafaverina tao Kafarnahoma indray i Jesoa rehefa afaka andro vitsivitsy, ary ren'ny olona fa hoe tao an-trano Izy. 2 Dia vory marobe ny olona ka tsy nisy hitoerana intsony na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary i Jesoa nanambara ny tenin'Andriamanitra taminy. 3 Dia nisy olona tamy, nitondra lehilahy malemy nolanjain'olona efa-dahy hankeo amin'i Jesoa. 4 Tsy afaka nanatona an'i Jesoa ry zareo noho ny habetsahan'ny vahoaka. Ary dia ny tafon-trano, tandrifin'izay nitoeran'i Jesoa, no nanesorany; ka rehefa voasokatra, dia nampidinany ny fandriana niamparan'ilay malemy. 5 Hitan'i Jesoa ny finoan'ireto olona ka hoy Izy tamin'ilay malemy: Voavela ny helokao, anaka! 6 Fa nisy nipetraka teo kosa ireo mpahay lalana ka nieritreritra tao am-pony hoe: 7 Nahoana no miteny toy izany ilay ity? Manevateva an'Andriamanitra! Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery ihany? 8 Takatr'i Jesoa avy hatrany ny eritreritr'iretsy mpahay lalana ka hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany ao am-ponareo? 9 Inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza amin'ity malemy ity hoe: Voavela ny helokao, sa ny milaza aminy hoe: Mitsangana, ka batao ny fandrianao ary mandehana? 10 Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak'olona eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka! Dia hoy i Jesoa tamin'ilay malemy: 11 Mandidy anao aho, mitsangana, batao ny fandrianao ka modia any an-tranonao! 12 Dia nitsangana ilay malemy ka nibata ny fandriany avy hatrany ary lasa nandeha teo imason'ny olona rehetra. Dia talanjona avokoa izay rehetra teo ka nanome voninahitra an'Andriamanitra sady vaky vava hoe: Tsy mbola nahita zavatra toy izao na oviana na oviana isika!

lundi 6 août 2012

Alatsinainy 06 Aogositra 2012 - Rom 12 : 14 - 17

14 Miraria soa an'izay manenjika anareo; miraria soa fa aza manozona. 15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, miaraha mitomany amin'izay mitomany. 16 Miraisa hina; aza matimatim-boninahitra fa ny fanetren-tena ankamamiana. Aza manao ny tenanareo ho hendry.

dimanche 5 août 2012

Alahady 05 Aogositra 2012 - Neh 5 : 1 - 8


1 Indray andro dia nisy lehilahy sy vehivavy sarambabem-bahoaka nitaraina mafy noho ny ataon'ny Jiosy sasany mpiray firenena aminy. 2 Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin'ny zanakay lahy aman-janakay vavy; koa te hahazo vary izahay mba hohaninay sy hivelomanay. 3 Nisy koa nanao hoe: Ny sahanay sy ny tanimboalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka; koa te hahazo vary izahay mandritra ny mosary. 4 Nisy indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran'ny amperora; ary ny sahanay sy ny tanimboalobokay no nataonay antoka. 5 Kanefa mba tahaka ireo mpiray firenena aminay ihany ny tenanay, ary tahaka ny zanak'ireo ihany ny zanakay; saingy na izany aza, dia voatery manolotra ny zanakay lahy sy vavy ho mpanompo izahay, ary ny sasany amin'ny zanakay vavy efa mpanompo rahateo. Tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan'ny hafa ny sahanay sy ny tanimboalobokay. 6 Dia tezitra mafy aho rehefa nahare ny fitarainan'ny olona sy izany teny izany. 7 Koa nanapa-kevitra anakampoko aho fa ny loholona sy mpanapaka no hanariko noho izy samy nampanana zavatra tamin'ny mpiray firenena aminy. Dia nampanao fivoriam-be hitsarana azy aho 8 sady niteny taminy hoe: Izahay, araka izay tratry ny fanananay, dia efa nanavotra ny mpiray firenena aminay, izany hoe ireo Jiosy namidy tamin'ny hafa firenena; fa ianareo kosa mivarotra ny mpiray firenena aminareo, ka amintsika samy isika ihany no ivarotanareo azy. Dia sina ry zareo fa tsy nahita havaly.

samedi 4 août 2012

Sabotsy 04 Aogositra 2012 - Lio 11 : 23 - 28


23 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia mampihahaka. 24 Rehefa miala amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mivezika etsy mivezika eroa any an-tany karakaina, mitady toerana hialana sasatra kanefa tsy mahita! Amin'izany dia hoy izy hoe: Hody any amin'ilay trano izay nialako ihany aho. 25 Ary iny tokoa izy miverina ka mahita ilay tranony teo aloha voafafa sy voalamina tsara. 26 Dia lasa indray izy maka fanahy fito ratsy kokoa noho ny tenany ary miara-miditra ao izy rehetra ka miorim-ponenana. Ary ny toetra hiafaran'izany olona izany dia hahatsiravina kokoa noho ny toetrany voalohany. 27 Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nisy vehivavy anankiray teo afovoan'ny vahoaka nanandra-peo nanao taminy hoe: Sambatra izay reny nitondra Anao tao an-kibony sy nampinono Anao! 28 Fa hoy i Jesoa: Vao mainka sambatra aza ireo mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina azy!

vendredi 3 août 2012

Zoma 03 Aogositra 2012 - Jos 8 : 10 - 17

10 Nony ampitso dia nifoha vao maraina be i Josoa ka nisafo ny tafika; avy eo dia nitarika azy hiakatra hamely an'i Hay izy sy ny loholon'i Israely. 11 Ny miaramila rehetra izay niaraka tamin'i Josoa dia niakatra ka tonga teo amin'ny tandrifin'ny tanana; ary nitoby teo avaratr'i Hay ireo ka lohasaha no nanelanelana azy amin'ny tanana. 12 Efa nifantina tokony ho dimy arivo lahy moa i Josoa ka nametraka azy hamitsaka teo andrefan'ny tanana, teo anelanelan'i Betela sy i Hay. 13 Ny tafika ankapobeny dia nitoby tao avaratry ny tanana ary ny andiany sasany kosa tao andrefana, fa i Josoa nandany ny alina tao an-dohasaha. 14 Raha nahita izany ny mpanjakan'i Hay, dia nampamoha vao maraina ny lehilahy tao an-tanana; ary nivoaka faingana hifanehatra amin'ny Israelita izy mbamin'ny miaramilany rehetra, ka niroso nankany amin'ny toerana efa nifamotoanany teo aloha, any amin'ny lohasahan'i Jordana; nefa tsy fantatry ny mpanjaka fa misy miaramila namitsaka hamely azy tao ivohon'ny tanana. 15 Nody resy teo anatrehany kosa i Josoa sy ny Israelita rehetra ka nandositra tamin'ny lalana mankany an-taniefitra. 16 Dia nifampiantso hanenjika azy ny lehilahy rehetra tao an-tanana, ary nanenjika an-dry i Josoa ka voatarika ho lasa lavitry ny tanana. 17 Tsy nisy lehilahy tavela intsony tao Hay fa samy nivoaka hanenjika ny Israelita avokoa, ary namela ny tanana hidanadana teo.

jeudi 2 août 2012

Alakamisy 02 Aogositra 2012 - Mat 26 : 36 - 39

36 Tamin'izay i Jesoa mbamin'ireo mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemane; ka hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: Mipetraha eto ianareo, fa mbola hankeroa hivavaka Aho! 37 Nentin'i Jesoa niaraka taminy kosa i Petera mbamin'izy roa lahy zanak'i Zebedeo. Dia nanomboka nozoim-pahoriana sy feno tebiteby fatratra i Jesoa, 38 ary dia niteny tamin'izy telo lahy hoe: Ory dia ory ny fanahiko, ka hila hahafaty Ahy. Mijanona eto ianareo ary miaraha miari-tory amiko! 39 Dia nandroso kely i Jesoa, ary niankohoka tamin'ny tany ka nivavaka hoe: Raiko o, raha azo atao, esory lavitra Ahy izao fijaliana izao; kanefa tsy hoe araka izay sitrapoko, fa araka izay sitraponao!

mercredi 1 août 2012

Alarobia 01 Aogositra 2012 - Efe 4 : 1 - 6

1 Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay migadra noho ny amin'ny Tompo: manana fitondrantena mendrika ny fiantsoan'Andriamanitra anareo. 2 Manetre tena lalandava, aoka halemy fanahy sady hahari-po. Mifandefera amim-pitiavana. 3 Aoka ny fihavanana no hifamatoranareo, dia hazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo. 4 Iray ny tena ary iray ny Fanahy, toy ny maha iray ny fanantenana niantsoan'Andriamanitra anareo. 5 Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa; 6 iray Andriamanitra sady Rain'ny kristianina rehetra, manjaka amin'izy rehetra, miasa amin'ny alalan'izy rehetra ary mitoetra ao amin'izy rehetra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12