dimanche 30 septembre 2012

Alahady 30 Septambra 2012 - Rom 12 : 9 - 13

9 Aoka ny fitiavana tsy hisy fihatsarambelatsihy. Mankahala ny ratsy; mifikira amin'ny tsara. 10 Mifankatiava toy ny mpiray tampo; miezaha amin'ny fifanajana. 11 Mazotoa fa aza malaina. 12 Aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo. 13 Mifalia amin'ny fanantenana, mandraisa anjara amin'ny fanampiana ireo sahirana amin'ny samy vahoakan'Andriamanitra; mazotoa mandray vahiny.

samedi 29 septembre 2012

Sabotsy 29 Septambra 2012 - Oha 11 : 8 - 10

8. Ny olo-marina dia afahana amin'ny tebiteby; fa ny olon-dratsy kosa no hiditra hisolo azy ao. 9. Ny mpanda an'Andriamanitra dia manimba namana amin'ny teniny; fa ny fahalalana kosa no hanafahana ny olo-marina. 10. Mifaly amin'ny fahombiazan'ny olo-marina ny tanana, ary velom-pihobiana amin'ny fahafatesan'ny olon-dratsy.

vendredi 28 septembre 2012

Zoma 28 Septambra 2012 - Apo 3 : 7 - 11

7 Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain'ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin'i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha. 8 Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nanda Ahy. 9 Indro atolotro anao ny sasany avy amin'ireo olona mivavaka amin'i Satana: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao. 10 Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin'ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin'izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin'ny tany. 11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.

jeudi 27 septembre 2012

Alakamisy 27 Septambra 2012 - Gal 2 : 11 - 21


11 Kanefa nony tonga tany Antiokia i Petera, dia notoheriko ampahibemaso satria tsy mety ny nataony. 12 Fa talohan'ny nahatongavan'ireo olona vitsivitsy naman'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny mpino hafa firenena i Petera. Saingy nony tonga ireo, dia nihataka i Petera ka niala tamin'ny hafa firenena, noho izy natahotra ireo anisan'ny voafora. 13 Ary ireo Jiosy mpino sasany dia niara-nihatsaravelatsihy tamin'i Petera, ka i Barnaba avy aza no voataonan'ny fihatsarambelatsihin-dry zareo. 14 Kanefa nony hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny Vaovao Mahafaly marim-pototra izy ireo, dia hoy aho tamin'i Petera teo anatrehan'ny olona rehetra: Raha ianao Jiosy aza miaina araka ny fanaon'ny hafa firenena fa tsy araka ny fanaon'ny Jiosy, ahoana no anerenao ny hafa firenena hanaraka ny fanaon'ny Jiosy? 15 Ary hoy aho aminareo: Jiosy ara-pirazanana izahay, fa tsy mba mpanota avy amin'ny hafa firenena. 16 Saingy fantatray fa ny olombelona dia ankatoavin'Andriamanitra ho marina, tsy avy amin'ny fanatanterahana ny lalana fa noho ny finoana niainan'i Jesoa Kristy. Izany no nahatonga anay hino an'i Kristy Jesoa mba hankatoavan'Andriamanitra anay ho marina, noho ny finoana niainan'i Kristy fa tsy avy amin'ny fanatanterahana ny lalana. 17 Raha mitady hiray amin'i Kristy izahay mba hankatoavin'Andriamanitra ho marina, dia hita fa mpanota koa izahay, kanefa mpanompon'ny fahotana ve i Kristy? Sanatria! 18 Raha ny zavatra efa noravako manko no ajoroko indray, dia asehoko miharihary ny maha pandika lalana ahy. 19 Fa izaho, dia tamin'ny alalan'ny lalana no nahafatesako raha ny amin'ny lalana mba hahavelomako ho an'Andriamanitra. Niara-nohomboana tamin'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana aho; 20 ary tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko. Koa izao ahavelomako ankehitriny amin'ny fiaina-mandalo izao, dia ivelomako amin'ny finoana niainan'ilay Zanak'Andriamanitra, Ilay efa tia ahy sy nanolo-tena hamonjy ahy: 21 tsy ataoko very maina ny fahasoavan'Andriamanitra! Eny, raha ny lalana no mahatonga ho marina eo imason'Andriamanitra, dia maty tsy amin'antony i Kristy.

mercredi 26 septembre 2012

Alarobia 26 Septambra 2012 - Lio 13 : 10 - 17

10 Nampianatra tao amin'izay sinagoga izay i Jesoa indray sabata. 11 Nisy vehivavy anankiray teo, azon'ny fanahy ratsy mahafarofy nandritra ny 18 taona ka nanjoko tsy nahatraka mihitsy. 12 Niantso azy i Jesoa nony nahita azy, ka nanao taminy hoe: Ramatoa, afaka amin'ny rofinao ianao! 13 Dia nametrahan'i Jesoa tanana ravehivavy ary nitraka niaraka tamin'izay ka nanome voninahitra an'Andriamanitra. 14 Tezitra ny lehiben'ny sinagoga satria andro sabata no nanaovan'i Jesoa fanasitranana. Nandray fitenenana ny lehiben'ny sinagoga ary nilaza tamin'ny vahoaka hoe: Andro enina no tokony hiasana; ka mandritra ireo andro ireo ianareo no tongava hositranina, fa tsy amin'ny andro sabata! 15 Fa hoy ny navalin'ny Tompo azy: Mpihatsaravelatsihy raha ianareo! Amin'ny andro sabata, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona avy ianareo ka mitondra azy hisotro rano? 16 Koa ity vehivavy taranak'i Abrahama ity, 18 taona ngarangidina no voafatotr'i Satana, moa tsy tokony ho amin'ny andro sabata indrindra ve no hamahàna fatorana azy? 17 Nangaihay izay rehetra mpanohitra an'i Jesoa noho izany valin-teniny izany, fa ny vahoaka manontolo kosa niravoravo noho ny zavatra malaza rehetra nataony.

mardi 25 septembre 2012

Talata 25 Septambra 2012 - Mat 15 : 1 - 9

1 Tamin'izay dia nisy Farisianina sy mpahay lalana avy tany Jerosalema, nanatona an'i Jesoa ary nanontany Azy hoe: 2 Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fomba amam-panao nampitain'ny razantsika? Tsy mba manasa tanana araka ny fomba ara-pivavahana manko ny mpianatrao raha hihinan-kanina! 3 Dia novalian'i Jesoa hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra mba hifikiranareo amin'ny fomba amam-panaonareo? 4 Fa hoy Andriamanitra hoe: Hajao ny rainao sy ny reninao, ary koa hoe: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia aoka hovonoin-ko faty. 5 Ianareo kosa manao hoe: Na iza na iza hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa nataoko fanatitra ho an'Andriamanitra ny zavatra tokony hanasoavako anao, 6 dia tsy mahazo manolotra mari-panajana ho an'ny rainy na ny reniny intsony. Koa ny fomba amam-panaonareo no nanafoananareo ny tenin'Andriamanitra. 7 Ry mpihatsaravelatsihy, marina tokoa ny naminanian'i Isaia anareo hoe: 8 Ity vahoaka ity, hoy Andriamanitra, tendro-molotra no anajany Ahy fa ny fony kosa lavitra Ahy mihitsy; 9 ka poaka aty ny fivavahana ataony amiko, satria didin'olombelona no ambarany ho fampianarako.

lundi 24 septembre 2012

Alatsinainy 24 Septambra 2012 - II Tim 1 : 1 - 5

1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra mba hitory ny fiainana nampanantenaina izay ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 2 Mamangy anao aho, ry Timoty zanako malala. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Tompontsika! 3 Velom-pisaorana an'Andriamanitra aho, dia Andriamanitra Izay tompoiko amin'ny fieritreretana mahitsy toy ny nataon'ireo razako. Velom-pisaorana Azy aho rehefa mahatsiaro anao tsy tapaka amin'ny fivavahana ataoko andro aman'alina. 4 Tsaroako ny ranomasonao, ka tsy andriko mihitsy ny hahitako anao mba ho safononoka ny hafaliako. 5 Tsahiviko ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, dia ilay finoana efa nananan'i Loisa renibenao sy i Eonika reninao talohanao. Azoko antoka fa anananao koa izany.

dimanche 23 septembre 2012

Alahady 23 Septambra 2012 - Isa 29 : 13 - 21

13. Ary hoy ny TOMPO hoe: ''Ity firenena ity manatona Ahy am-bava fotsiny sy manome voninahitra Ahy an-tendromolotra ihany fa ny fony kosa manalavitra Ahy; ka fomban'olombelona nianarana ihany ny fanajana asehony Ahy . 14. Noho izany, indro Aho mbola hanao zava-mahagaga ho an'ity firenena ity, dia zava-mahagaga sy mahazendana; fa ho foana ny fahendren'ny olon-kendriny ary ho takona ny fahaizan'ny manampahaizany . 15. Lozan'izay manao zavatra an-tsokosoko ka manafina ny paikany amin'ny TOMPO sy mamorona teti-dratsy ao amin'ny maizina. ''Iza no mahita antsika, hoy izy, ary iza no mahalala izay ataontsika? 16. Oadray ity hadalanareo e! Ny mpanefy ve ho heverinareo hitovy amin'ny tanimanga? Ny taozavatra ve hanao amin'ny mpanao azy hoe: ''Tsy ianao no nanao ahy''? na ny fanaka bakoly hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: ''Tsy misy zavatra hainao akory ''? 17. Moa tsy afaka fotoana kely monja dia hovana ho saha mahavokatra ny alan'i Libano, ary hovana ho ala ny saha mahavokatra? 18. Amin'izany andro izany ny marenina dia handre izay voalaza ao amin'ny boky; ary hiala ao amin'ny haizim-pito ny mason'ny jamba ka hahita. 19. Ny malahelo hiravoravo amin'ny TOMPO hatrany, ary ny mahantra ho dibo-kafaliana noho ny amin'Ilay Masin'i Israely. 20. Satria tapitra hatreo ny mpanjakazaka ary ho levona ireo mpaniratsira, haringana ireo rehetra mitady hanimba ny hafa, 21. ka miampanga lainga azy amin'ny teny sy mamandrika ny mpitsara mba hamarina ny tsy manan-tsiny any an-davaka.

samedi 22 septembre 2012

Sabotsy 22 Septambra 2012 - Isa 33 : 13 - 16


13. Ianareo lavitra, mihainoa izay nataoko; ianareo akaiky, fantaro ny heriko. 14. Raiki-tahotra ny mpanota ao Tsiona, mangovitra ireo mpihatsaravelatsihy: ''Iza amintsika, hoy izy, no hahajanona eo anilan'izao afo mandevona izao? Iza amintsika no hahatanty an'izao afo tsy misy farany izao? 15. -Izay mandeha araka ny rariny ka miteny tsy misy olakolaka, izay manda ny tombontsoa azo an-keriny sy manakifika ny tanany tsy handray tsolotra, izay manampin-tsofina tsy hihaino ny teny mampirisika hamono olona, izay manakimpy ny masony mba tsy hijery ny ratsy. 16. Izany olona izany no honina eny amin'ny toerana avo tsy hay anihina; ny harambato mafy no ho fialofany, homena hanina sahaza azy izy ary hiantohana rano hosotroiny.

vendredi 21 septembre 2012

Zoma 21 Septambra 2012 - I Tes 2 : 1 - 6


1 Ianareo, ry havana, dia mahalala fa tsy very maina velively ny nidiranay taty aminareo. 2 Fantatrareo koa fa taloha kelin'izay, dia nampijalina sy nalam-baraka tany Filipy izahay; kanefa dia nomen'ilay Andriamanitray fahasahiana hanambara taminareo ny Vaovao Mahafaly avy aminy, na dia be aza ny fanoherana. 3 Eny, ny antso nataonay dia tsy mifototra amin'ny fitaka na amin'ny fahalotoana na amin'ny fisolokiana; 4 fa Andriamanitra no efa nizaha toetra anay ka nanankina taminay ny Vaovao Mahafaly, ary dia araka izany no itenenanay: tsy mila sitraka amin'olombelona izahay, fa amin'Andriamanitra Izay mizaha toetra ny fonay. 5 Fantatrareo fa tsy nanao teny manasohaso olona izahay na nihatsaravelatsihy hanafina fitiavan-karena; Andriamanitra no vavolombelonay. 6 Tsy nitady voninahitra tamin'olombelona izahay, na taminareo na tamin'ny hafa,

jeudi 20 septembre 2012

Alakamisy 20 Septambra 2012 - II Kor 6 : 1 - 10


1 Mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay, ka mananatra anareo mba tsy hamela ho very maina ny fahasoavana voarainareo taminy. 2 Fa hoy Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina: Tamin'ny fotoana mety, dia namaly ny antsonao Aho; ary tamin'ny androm-pamonjena, dia tonga namonjy anao Aho. Indro ankehitriny no fotoana mety amin'Andriamanitra; indro ankehitriny no androm-pamonjena. 3 Mba tsy hahazoan'ny olona manakiana ny fanompoana sahaninay, dia tsy avelanay hisy zavatra mahasolafaka ny olona, na amin'inona na amin'inona. 4 Fa ahariharinay kosa amin'ny zavatra rehetra fa mpanompon'Andriamanitra izahay, ka dia zakainay amim-pandeferana tokoa ny fahoriana sy ny fahaterena ary ny tebiteby: 5 nokapohina izahay, nahiboka am-ponja, nianjadian-korontana, nampanaovina asa mafy, niari-tory ary nifady hanina. 6 Ahariharinay fa mpanompon'Andriamanitra izahay amin'ny fahadiovan'ny toetranay, amin'ny fahalalanay, amin'ny faharetanay, amin'ny hamoram-ponay, amin'ny Fanahy Masina manentana anay, amin'ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy asehonay, 7 amin'ny fitorianay ny marina ary amin'ny hery omen'Andriamanitra anay. Izay rariny no fiadiana ampiasainay hanafihana sy hiarovan-tena, 8 na omem-boninahitra izahay na alam-baraka, na ratsy laza izahay na tsara laza. Atao ho mpamitaka izahay nefa mpanambara ny marina, 9 atao ho tsy fantatra nefa fantatra tsara, atao ho efa maty nefa dia izao velona izao. Faizina izahay, nefa tsy vonoina ho faty; 10 na dia ampalahelovina aza izahay, dia faly mandrakariva; toa mahantra izahay nefa mampanan-karena olona maro; toa tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.

mercredi 19 septembre 2012

Alarobia 19 Septambra 2012 - Job 31 : 24 - 30


24. Moa nametra-pitokiana tamin'ny volamena ve aho na nanao taminy hoe: ''Ianao no aroko? 25. Tsy nifaliako ny habetsahan'ny fananako sy ireo harena voaangon'ny tanako. 26. Raha nahita ny masoandro mamirapiratra aho na ny volana mizotra mangarangarana,
27. moa voababo mangingina hitsaoka azy ve ny foko, ary moa nanoroka tanana ve aho ho fanajana azy? 28. Ny fanaovako izany zavatra izany dia heloka melohin'ny mpitsara ihany koa, satria fandavako an'Andriamanitra Avo Indrindra. 29. Moa faly tamin'ny fahavoazan'ny fahavaloko ve aho na nibitabitaka raha nianjadiam-pahoriana izy? 30. Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako ka hanompa azy sy hanozona azy ho faty.

mardi 18 septembre 2012

Talata 18 Septambra 2012 - I Tim 1 : 5 - 11


5 Ny kendren'izany fandrarana izany dia ny mba hamohafoha ny fitiavana avy amin'ny fo mahitsy sy fieritreretana tsara ary finoana tsy mihatsaravelatsihy. 6 Misy sasantsasany efa nivaona tamin'izany, ka very lalana ary niafara any amin'ny taria poaka aty. 7 Te ho mpampianatra momba ny lalanan'Andriamanitra ry zareo kanefa tsy fantany velively ny zavatra lazainy sy itompoany.
8 Fantatsika fa tsara ny lalana, raha ampiasaina amin'izay antony marina. 9 Tokony hotsarovana fa ny lalana dia tsy natao ho an'ny manao ny marina, fa ho an'ny mpandika lalana sy ny maditra: dia ny olon-dratsy sy ny mpanota, ny olona mpaniratsira n'Andriamanitra sy mpanimbazimba fivavahana, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona, 10 ny mpijangajanga, ny mpifampila samy lehilahy, ny mpivarotra olona, ny mpandainga sy mpianian-tsy to, ary izay manao zavatra mifanohitra amin'ny fampianarana tsy misy tomika. 11 Izany fampianarana izany dia mifanaraka amin'ny Vaovao Mahafaly izay nankinina tamiko, Vaovao Mahafaly isehoan'ny voninahitr'ilay Andriamanitra loharanom-pahasambarana.

lundi 17 septembre 2012

Alatsinainy 17 Septambra 2012 - Mar 12 : 13 - 17

13 Nisy iraka sasantsasany avy amin'ny Farisianina sy ny Herodianina nankeo amin'i Jesoa hamandrika Azy amin'ny fanontaniana; 14 ka nony tonga teo ry zareo, dia nanao taminy hoe: Mpampianatra o, fantatray fa milaza ny marina Ianao sady tsy mampaninona anao izay mety ho hevitry ny hafa, ary tsy mizaha tavan'olona Ianao fa mampianatra tsotra ny lalana soritan'Andriamanitra. Koa azonay atao ve ny mandoa hetra ho an'ny amperora romanina sa tsia? Tokony handoa izahay sa tsy handoa? 15 Fantatr'i Jesoa anefa ny fihatsarambelatsihin'ireo, ka hoy Izy taminy: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray vola denary anankiray Aho hojereko. 16 Dia nitondrany, ka hoy i Jesoa taminy: Sarin'iza io ary anaran'iza? Dia novalian'ireo hoe: An'ny amperora romanina! 17 Ka hoy i Jesoa taminy: Avereno amin'ny amperora romanina izay an'ny amperora romanina ary amin'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Dia gaga tamin'i Jesoa ireto iraka.

dimanche 16 septembre 2012

Alahady 16 Septambra 2012 - 0ha 26 : 20 - 28

20. Rehefa tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; ary rehefa tsy misy mpanendrikendrika intsony, dia mitsahatra ny fifandirana. 21. Ny arina mitaiza vainafo, ny kitay mitaiza afo ary ny olona liana ady mandrehitra fifandirana. 22. Toa hani-matsiro ny tenin'ny mpanendrikendrika, ka any anaty kibo no mikorotsaka. 23. Toy ny ankoso-bolafotsy amin'ny tanimanga ny teny mandodoka manafina fo ratsy. 24. Teny mihatsaravelatsihy no ataon'ny mpankahala, kanjo ny ao anatiny mikotrika fitaka; 25. koa na dia miteny amim-pitiavana aza izy, dia aza matoky azy fa feno rikoriko ny fony; 26. mahay manafim-pankahalana izy, nefa hiharihary ampahibemaso ny haratsiany. 27. Izay mihady lavaka no ho latsaka ao ary izay manakodia vato no hikodiavany. 28. Ny mampahory olona amin'ny lainga dia fankahalana azy; ary ny teny mandokadoka no ahitan-doza.

samedi 15 septembre 2012

Sabotsy 15 Septambra 2012 - Efe 4 : 17 - 24

17 Koa dia izao no lazaiko sy ambarako noho izaho tafaray amin'ny Tompo: aza atao intsony ny fomba fiainan'ny mpanompo sampy, izay manaraka ny hevi-poanany 18 sady maizin-tsaina. Olon-ko azy amin'ny fiainam-baovao omen'Andriamanitra ireny, satria tena tsy mahalala sady mafy fo tokoa; 19 efa lany henatra mihitsy, ka mivarilavo amin'ny fihetsika tsy maotina sady revo manaram-po amin'ny fahalotoana isan-karazany. 20 Tsy mba toy izany kosa no nianaranareo an'i Kristy! 21 Fa efa nandre ny aminy tokoa ianareo ary efa norosoana ny fampianarana marina ao amin'i Jesoa, araka ny maha kristianina anareo. 22 Noho izany aoka hialanareo ny toetrareo taloha nifandraika tamin'ny fitondrantenanareo fahiny, dia ilay toetra mihasimba noho ny fitaky ny filandratsy. 23 Aoka hohavaozina tanteraka ny fanahinareo sy ny sainareo; 24 ary aoka ianareo hitafy ny toetra vaovao, dia ilay toetra noarina araka an'Andriamanitra, ka asehon'ny fiainana mandala rariny sy masina vokatry ny fampianarana marina.

vendredi 14 septembre 2012

Zoma 14 Septambra 2012 - II Pet 3 : 14 - 18


14 Koa eo am-piandrasana izany, ry hava-malala, dia miezaha mafy mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary hihavana tsara no hahitan'ny Tompo anareo. 15 Hevero fa ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ho famonjena anareo, toy ny voasoratr'i Paoly hava-malalantsika taminareo araka ny fahendrena nomen'Andriamanitra azy. 16 Toy izany koa no ataony ao amin'ny taratasiny rehetra izay itenenany momba izany zavatra izany; amin'ireny taratasiny ireny anefa dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, toy ny ataony rahateo amin'ny teny hafa raketin'ny Soratra Masina, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. 17 Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan'ny hevi-dison'ireo ratsy fanahy, ka hiala amin'izay iorenanareo. 18 Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an'i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen.

jeudi 13 septembre 2012

Alakamisy 13 Septambra 2012 - Sal 1 : 1 - 3


1. Sambatra ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, na mijanona eo amin'ny lalan'ny mpanota, na miray toerana amin'ny mpaniratsira! 2. Fa ny fampianaran'ny TOMPO no sitrany, ka dia saintsaininy andro aman'alina. 3. Toy ny hazo nambolena eo amoron-drenirano izy, izay mamoa ara-potoana sady tsy malazo ravina , ka dia mahomby avokoa ny asa rehetra ataony.

mercredi 12 septembre 2012

Alarobia 13 Septambra 2012 - I Pet 2 : 1 - 5


1 Koa esory ny haratsiam-panahy rehetra sy ny fitaka rehetra mbamin'ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanosoram-potaka isan-karazany. 2 Tahaka ny zaza vao teraka ianareo ka irio fatratra ilay ronono madio, izany hoe ny tenin'Andriamanitra, mba hitomboanareo amin'izany ka hahazoanareo famonjena, 3 raha tahiny efa nandramanareo tokoa fa tsara fo ny Tompo. 4 Manatona ny Tompo ianareo, fa Izy no vato velona nolavin'ny olona, kanefa voafidy sady sarobidy eo anatrehan'Andriamanitra. 5 Manatona ny Tompo ianareo mba ho tahaka ny vato velona voarafitra ho trano onenan'ny Fanahy Masina, ka hiara-manao fisoronana amin'ny alalan'i Jesoa Kristy.

mardi 11 septembre 2012

Talata 11 Septambra 2012 - Job 8 : 11 - 15


11. ''Tsy maniry ivelan'ny heniheny ny zozoro, ary tsy mitombo tsy misy rano ny volotara. 12. Vao mamelana fotsiny izy, ary mbola tsy voatapaka; saingy rehefa tsy mahazo rano intsony izy, dia malazo alohan'ny ahitra hafa rehetra. 13. Izay rehetra manadino an'Andriamanitra dia toy izany no anjara miandry azy; ho levona ny fanantenan'ny tsy mpivavaka. 14. Fa ho maito ny fahatokian-tenany; ary ho marefo tahaka ny tranon-kala ny fianteherany. 15. Miankina amin'ny tranony izy, kanjo mihilangilana izany; mamikitra mafy hitazonana azy izy, nefa mirodana tsy voatana izany.

lundi 10 septembre 2012

Alatsinainy 10 Septambra 2012 - Isa 32 : 1 - 8

1. Indro hisy mpanjaka iray hanjaka araka ny rariny; ary ny mpanapaka hanapaka araka ny hitsiny. 2. Samy toy ny fierena amin'ny tafio-drivotra izy samy toy ny fialofana amin'ny oram-baratra, samy toy ny sakeli-drano amin'ny tany karankaina ary toy ny aloky ny harambato amin'ny tany ngazana. 3. Tsy hikimpy intsony ny mason'ny mahiratra ary hihaino tsara ny sofin'ny mandre. 4. Ny olona dodona dia handinika mba hahalala; ary ireo bada lela dia hiteny mazava sy mailamailaka. 5. Ny adala tsy hatao intsony hoe olona manan-toe-tsaina ambony; ary ny fangoloka tsy ho lazaina hoe olona malala-tanana. 6. Ny adala miteny hadalana hatrany, ary ny fony manomana heloka; dia manatanteraka izany tahaka ny tsy mpivavaka izy ary koa miteny ratsy ny TOMPO. Avelany hitofezaka ny noana ary tsy ampisotroiny rano ny mangetaheta. 7. Ny fangoloka kosa manana fitaovana ratsy, mamorona teti-dratsy hamelezana ny malahelo amin'ny filazana zavatra hosoka rehefa mitaky ny hitsiny ny mahantra. 8. Fa ny olona manan-toe-tsaina ambony no afaka hihevitra tanjona ambony sady tsy hirotsaka an-tsehatra afa-tsy ho an'ny tanjona ambony.

dimanche 9 septembre 2012

Alahady 09 Septambra 2012 - Lio 12 : 1 - 3


1 Tamin'izay dia tafangona ny vahoaka alikisa nifanitsa-kitro. Kanefa ny mpianany aloha no nitenenan'i Jesoa hoe: Mitandrema tena ianareo amin'ny levioran'ny Farisianina dia ny fihatsarambelatsihy. 2 Fa tsy misy afenina izay tsy haseho na takona izay tsy ho fantatra. 3 Noho izany, izay rehetra nolazainareo tao amin'ny maizina dia ho re ao amin'ny mazava; ary izay nobitsihinareo tao an'efitra mangina dia hantsoantsoina eny an-tampon-trano.

samedi 8 septembre 2012

Sabotsy 08 Septambra 2012 - Dan 09 : 17 - 19


17 Ary ankehitriny, ry Andriamanitray o, henoy ny vavaka amam-pifonako; ka jereo amin-katsarampo ny Toeramasinao efa simba, satria Ianao no Tompo. 18 Ry Andriamanitro o, atongilano ny sofinao ka mihainoa, ary ahirato ny masonao ka jereo ny faharavan'ity tanananay, dia ilay tanana izay niantsoana ny anaranao hitahiana azy; fa tsy noho ny asa soa vitanay no anaovanay fifonana eto anatrehanao fa noho ny halehiben'ny famindramponao. 19 Tompo o, mihainoa; Tompo o, mamela heloka; Tompo o, mandrenesa ka miasa; noho ny aminao aza ela Ianao, ry Andriamanitro o, satria ny tanananao sy ny vahoakanao dia efa niantsoina ny anaranao hitahianao azy.

vendredi 7 septembre 2012

Zoma 07 Septambra 2012 - Sal 5 : 1 - 12


1. Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny sodina. Salamo nataon'i Davida. 2. TOMPO o, mba henoy re ny teniko; aoka ho tandrinao ny sentom-poko. 3. Ry Mpanjakako sy Andriamanitro o, mandrenesa ny feoko fa miantso Anao aho; Eny, Ianao no ivavahako vao maraina, 4. ka ho henoinao ny feoko, TOMPO o. Vao maraina aho dia efa miomana ny horaisinao, ary miandry ny valim-bavaka avy aminao. 5. Tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao; ka tsy hitoetra eo aminao ny olon-dratsy, 6. tsy zakanao ho eo anoloanao ny mpirehareha, halanao ny mpanao ratsy rehetra. 7. Haringanao ny mpandainga; ary maharikoriko Anao, TOMPO o, ny mpamitaka sy mpamono olona. 8. Izaho kosa hiditra ao an-tranonao, satria Ianao efa fatra-pitia ahy; dia hiankohoka amim-panajana manoloana ny Toeramasinao aho. 9. TOMPO o, tariho amin'ny fahamarinanao aho noho ny afitsok'ireo olona mitsikilo ahy; ataovy mahitsy eo anatrehako ny lalana asainao alehako. 10. Tsy misy azo ianteherana izay lazain'ireo, sady feno heloka ny ao am-pony; ny lelany toy ny lala-malama, ny tendany toy ny fasa-mitanatana. 11. Andriamanitra o, melohy izy; ny fikasany anie hampianjera azy! Roahy izy fa be ota loatra, satria efa nikomy taminao. 12. Izay rehetra mialoka aminao kosa, aoka hifaly; ireo arovanao, aoka hihoby mandrakizay; ireo tia Anao, aoka hiravoravo aminao!

jeudi 6 septembre 2012

Alakamisy 06 Septambra 2012 - I Tim 6 : 20 - 21


20 Tahirizo tsara, ry Timoty, ny raki-tsoa nankinina taminao; fadio ny taria poaka aty sady manazimba fivavahana; fadio ny fanoheran-kevitra avy amin'ilay antsoina foana hoe Fahalalana, kanjo tsy izy. 21 Nihambo hanana izany fahalalana izany ny sasany, ka nihataka tamin'ny finoana. Homba anareo anie ny fahasoavan'Andriamanitra!

mercredi 5 septembre 2012

Alarobia 05 Septambra 2012 - Isa 58 : 6 - 8


6. Tsia, fa ny fifadian-kanina tiako dia izao: ny mamaha ny olona voafatotra tsy an-drariny, ny manaisotra ny zioga mitambesatra aminy, ny manafaka ireo ampahorina ka manapatapaka izay zioga rehetra mangeja azy. 7. Ny hizaranao ny haninao ho an'ny noana sy hampiantrano anao ireo mahantra mirenireny, ny hampitafinao izay hitanao fa miboridana ka tsy hampihirimbelona anao eo anatrehan'ny namanao. 8. Amin'izay dia hiposaka toy ny maraina ny fahazavanao ary ho tonga haingana ny fahasitrananao. Ny fanafahana anao no hialoha lalana anao, ary ny TOMPO mihitsy no ho vodilalanao .

mardi 4 septembre 2012

Talata 04 Septambra 2012 - Mat 6 : 16 - 17


16 Rehefa mifady hanina ianareo, aza mba manahaka ny mpihatsaravelatsihy ka malahelo endrika. Ataon-dry zareo manjonitra ny tarehiny mba hahitan'ny olona azy hoe mifady hanina. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany. 17 Fa ianao kosa, rehefa mifady hanina, dia sasao ny tavanao ary amboary tsara ny volonao,

lundi 3 septembre 2012

Alatsinainy 03 Septambra 2012 - Mat 6 : 1 - 6

1 Tandremo ny manao adidy ara-pivavahana eo imason'ny olona mba ho hitany, sao ianareo tsy mahazo valisoa avy amin'ny Rainareo Izay any an-danitra. 2 Koa rehefa manao fiantrana ianao, aza dia antsoantsoina ho ren'ny tany ama-monina, sahala amin'ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy any amin'ny sinagoga sy eny an-dalambe, mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany. 3 Fa ianao kosa, rehefa manao fiantrana, aoka na dia ny olona sakaizanao indrindra aza tsy hahalala izay ataonao, 4 hany ka miafina no anaovanao ny fiantranao; ary ny Rainao Izay mahita ao amin'ny miafina no hamaly soa anao. 5 Rehefa mivavaka ianareo, aza mba manahaka ny mpihatsaravelatsihy. Tian-dry zareo ny maka toerana ao amin'ny sinagoga sy eny amin'ny fihaonan-dalana raha mivavaka, mba hahitan'ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany. 6 Fa ianao kosa, rehefa mivavaka, midira ao amin'ny efitranonao, hidio ny varavarana, dia mivavaha amin'ny Rainao Izay ao amin'ny miafina; ary ny Rainao Izay mahita ao amin'ny miafina no hamaly soa anao.

dimanche 2 septembre 2012

Alahady 02 Septambra 2012 - Jak 3 : 13 - 18

13 Misy hendry sy manan-tsaina ve aminareo? Aoka hasehony amin'ny fitondrantena tsara fa ny halemem-panahy, vokatry ny fahendrena, no manenika ny asa ataony. 14 Raha misy fialonana mangidy sy fifampiandaniana ao am-ponareo, dia aza mirehareha ianareo ary aza mandainga manohitra ny marina. 15 Izany fahendrena izany dia tsy avy any ambony fa araka ny ety an-tany sy araka ny maha olombelona ary avy amin'ny demony; 16 satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin'ny asa ratsy isan-karazany. 17 Fa ny fahendrena avy any ambony dia voalohany indrindra madio, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora ifampiraharahana, be famindrampo sady mahavokatra asa soa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy. 18 Izay mampanjaka fihavanana dia mamafy amim-pihavanana, ary dia ny rariny no vokatra azony.

samedi 1 septembre 2012

Sabotsy 01 Septambra 2012 - Job 27 : 6 - 11


6. Hazoniko mafy ny fahamarinako ka tsy havelako hiala: Mandry ny eritreritro ka tsy misy hampahamenatra ahy akory na dia ny amin'ny androko iray monja aza. 7. Ny anjaran'ny ratsy fanahy anie no ho an'ny fahavaloko! Ary ny anjaran'ny olon-dratsy kosa no ho an'ny mpifanandrina amiko! 8. Fa hanantena inona ireo tsy mivavaka, raha esorin'Andriamanitra ny ainy? 9. Hihaino ny fitarainany ve Andriamanitra raha sendra zoim-pahoriana izy? 10. Raha mba nahita fahafinaretana teo anilan'ilay Tsitoha izy, dia ho niantso an'Andriamanitra mandrakariva. 11. Hampiseho anareo ny asan-tanan'Andriamanitra aho, ary tsy hanafina ihany koa ny hevitr'ilay Tsitoha.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12