jeudi 31 janvier 2013

Alakamisy 31 Janoary 2013 - Apo 21 : 1 - 5


1 Dia nahita habakabaka vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny habakabaka voalohany sy tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. 2 Ary hitako nidina avy any an-danitra ny tanana masina avy tamin'Andriamanitra, dia i Jerosalema vaovao, voaomana tahaka ny ampakarina voahaingo hihaona amin'ny vadiny. 3 Ary nisy feo mahery reko avy teo amin'ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: Indro ny fonenan'Andriamanitra tonga eny amin'ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr'izy ireo. 4 Hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny mason'ireo vahoakany; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo na fitarainana na fahoriana intsony, fa efa lasa ny zavatra taloha. 5 Dia hoy Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana hoe: Indro havaoziko ny zavatra rehetra! Avy eo Izy no niteny tamiko hoe: Soraty, satria azo antoka sy marim-pototra ireo teny ireo.

mercredi 30 janvier 2013

Alarobia 30 Janoary 2013 - Mar 1 : 40 - 45


40 Ary nanatona an'i Jesoa ity lehilahy marary hoditra ka nitalaho taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha sitrakao, dia hainao diovina aho. 41 Onena azy i Jesoa ka nanatsotra tanana nikasika azy sady niteny hoe: Sitrako, madiova ianao. 42 Avy hatrany dia nialan'ny aretin-koditra nahazo azy ralehilahy ka nadio. 43 Dia nasain'i Jesoa nandeha niaraka tamin'izay izy sady nofeperany mafy 44 nataony hoe: Tandremo mihitsy ny milaza izao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana miseho amin'ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin'i Mosesy mba ho vavolombelona amin'ny olona fa madio ianao. 45 Kanjo raha vao niala teo ralehilahy, dia nanao antso avo izay nitranga taminy ary nampiely izany. Koa tsy afa-niditra an-tanana tamin'ny fomba miharihary intsony i Jesoa; fa dia any amin'ny toerana mangina ivelan-tanana any foana Izy, kanefa mbola nohatonin'ny olona avy eny rehetra eny.

mardi 29 janvier 2013

Talata 29 Janoary 2013 - Fit 3 : 19 - 27


19 Poizi-mangidy ho ahy ny mahatsiaro ny fahoriako sy firenireneko 20 Tsaroako tokoa izany, eny, tsaroako ka trotraka aho tamin'ny nanjo ahy. 21 Izao anefa no hoeritreretiko am-po sady antony hanantenako: 22 Tsy ritra ny mari-pitiavan'ny TOMPO ary tsy mitsahatra ny famindrampony; 23 vaovao isa-maraina ireny. Fatratra ny toetranao mahatoky, Tompo o! 24 Hoy aho anakampo hoe: ny TOMPO no anjarako; noho izany, dia manantena Azy aho. 25 Tsara ny TOMPO amin'izay miandry Azy, dia amin'ny olona mitady Azy. 26 Tsara ny manantena mangina ny famonjen'ny TOMPO. 27 Tsara ho an'ny lehilahy ny mitondra zioga amin'ny fahatanorany.

lundi 28 janvier 2013

Alatsinainy 28 Janoary 2013 - Lio 18 : 1 - 8


1 Nanaovan'i Jesoa fanoharana avy eo ny mpianany hanehoana fa tsy maintsy mivavaka lalandava, ka tsy tokony ho kivy na oviana na oviana. 2 Hoy Izy hoe: Nisy mpitsara tsy nanan-tahotra an'Andriamanitra na hena-maso olona tao an-tanana anankiray izay.  3 Nisy koa tao amin'io tanana io vehivavy anankiray mpitondratena, niverimberina tao amin'ilay mpitsara nanao hoe: Omeo rariny amin'ilay miady amiko aho! 4 Elabe ilay mpitsara tsy niraika; nefa nony farany, dia nanao anakampo hoe: Marina tokoa fa raha izaho dia tsy manan-tahotra an'Andriamanitra na hena-maso olona. 5 Kanefa mandreraka ahy ny ataon-dravehivavy ity, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina foana hanorisory ahy! 6 Ary hoy ny Tompo: Henoy kely ny ambaran'ilay mpitsara ratsy fanahy! 7 Ka dia Andriamanitra indray ve no tsy hanome rariny ny olom-boafidiny mitaraina andro aman'alina aminy? Ary hampiandry lava azy ireo ve Izy? 8 Lazaiko aminareo fa hanome rariny azy faingana Andriamanitra. Kanefa rahatrizay tonga ny Zanak'olona, moa hahita finoana eto an-tany ve Izy?

dimanche 27 janvier 2013

Alahady 27 Janoary 2013 - II Tes 2 : 13 - 17


13 Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra izahay ny aminareo, ry havana notiavin'ny Tompo. Fa nofidin'Andriamanitra ho toy ny santa-bokatra hatolotra Azy ianareo, ka hahazo famonjena noho ianareo voatokan'ny Fanahy Masina mba ho an'Andriamanitra ary noho ianareo nino ny hafatra marim-pototra. 14 Izany no niantsoan'Andriamanitra anareo, tamin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly notorinay, mba hahazoanareo miombom-boninahitra amin'i Jesoa Kristy Tompontsika. 15 Koa mamahara tsara, ry havana, ary tano ny fampianarana natolotray anareo am-bava na an-taratasy. 16 Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika sy ilay Andriamanitra Raintsika Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara tamin'ny alalan'ny fahasoavany. 17 hampionona ny fonareo ary hampahery anareo hanao izay tsara rehetra na amin'ny asa na amin'ny teny.

samedi 26 janvier 2013

Sabotsy 26 Janoary 2013 - Sal 43 : 1 - 5


1. Omeo rariny aho, Andriamanitra o, iandanio hanohitra ny tsy mpivavaka, ataovy afaka amin'ny mpamitaka sy amin'ny mpanao ratsy. 2. Fa Andriamanitra mpiaro ahy Ianao, ka nahoana no dia mandao ahy? Nahoana aho no nampahorin'ny fahavaloko, ka manjary miaina mijoretra toy izao? 3. Ny hazavanao sy ny fahamarinanao alefaso hitarika sy hitantana ahy hatrany an-tendrombohitrao masina , hatrany amin'ny fonenanao. 4. Dia hankeo amin'ny alitaranao aho, Andriamanitra o, eo aminao Andriamanitra fototry ny hafaliako; ka hidera Anao amin-dokanga, ry Andriamanitra Andriamanitro! 5. Nahoana re aho no mitanondrika tsy mitoloko toy izao ato anatiko? Aoka Andriamanitra no hitokiako! Eny, mbola hoderaiko hatrany Izy, dia ilay Mpamonjiko sady Andriamanitro!

vendredi 25 janvier 2013

Zoma 25 Janoary 2013 - Jao 10 : 11 - 18


11 Izaho no Mpiandry tsara. Ny Mpiandry tsara no manolotra ny ainy hamonjena ny ondry. 12 Ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry sady tsy tompon'ny ondry, dia mandao ny ondry sy mandositra raha vao mahita ny amboadia tamy; ka ny amboadia no misambotra ny ondry sy mampihahaka azy. 13 Ny mpikarama no mandositra, dia satria mpikarama izy ka tsy raharahainy akory ny ondry. 14 Izaho no Mpiandry tsara: fantatro ny ondriko ary ny ondriko mahafantatra Ahy, 15 tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sady ahafantarako ny Ray; ary manolotra ny aiko Aho hamonjena ny ondry. 16 Manana ondry hafa izay tsy avy amin'ity vala ity aho; ireny koa dia tsy maintsy tarihiko, ka hihaino ny feoko ary ho tonga andiany tokana entin'ny mpiandry tokana. 17 Ny itiavan'ny Ray Ahy dia satria manolotra ny aiko Aho mba handraisako azy indray. 18 Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa Izaho ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra ny aiko Aho, ary manana fahefana handray azy indray: izany didy izany no azoko tamin'ny Raiko.

jeudi 24 janvier 2013

Alakamisy 24 Janoary 2013 - Lio 9 : 37 - 43


37 Ny ampitson'iny, raha nidina avy any an-tendrombohitra izy efa-mianaka, dia notsenain'ny vahoaka maro i Jesoa. 38 Ary indro nisy lehilahy anankiray tamin'ny vahoaka nitaraina mafy hoe: Mpampianatra o, mihanta aminao aho, mba iantrao re ny zanako, fa lahitokana izy io! 39 Raha vao hetsehin'ny fanahy ratsy izy, dia ataony midradradradra tampoka sady mifanintontsintona sy mandoa vory: ary efa torovana ery ny zanako vao ialan'ny fanahy ratsy. 40 Efa nangatahiko ny mpianatrao handroaka fa tsy nahomby. 41 Dia novalian'i Jesoa hoe: Karazan'olona tsy mino sady be siasia ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo sy handeferako aminareo? Ento aty ny zanakao! 42 Iny nanatona iny ilay zaza, dia nazeran'ny demony ary nataony mifanintontsintona izaitsizy; fa notenenin'i Jesoa mafy ny fanahy maloto ka sitrana ilay zaza, ary natolony an-drainy. 43 Dia talanjona izy rehetra noho ny halehiben'ny fahefan'Andriamanitra. Raha mbola nigagan'ny besinimaro i Jesoa tamin'ny rehetra nataony, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:

mercredi 23 janvier 2013

Alarobia 23 Janoary 2013 - Apo 2 : 8 - 10


8 Izao no lazain'ilay Voalohany sady Farany, Izay efa maty nefa velona indray: 9 Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao, kanefa manankarena ianao. Fantatro ianao fa endrikendrehin'ireo milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsiizy fa olona mivavaka amin'i Satana.  10 Aza matahotra na inona na inona amin'izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra. 11 Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana. Izay maharesy dia tsy hiharan-doza avy amin'ny fahafatesana faharoa.

mardi 22 janvier 2013

Talata 22 Janoary 2013 - Isa 8 : 16 - 23


16. ''Fonosy izany hafatra izany, ry Isaia, ary asio tombokase ny fampianarana ho eo anivon'ireo mpianatro ihany.'' 17. Hiandry ny TOMPO aho satria manafin-tava amin'ny taranak'i Jakoba Izy izao, kanefa manantena Azy aho. 18. Ny tenako sy ny zaza izay nomen'ny TOMPO ahy dia natao famantarana sy fambara mialoha ho an'i Israely avy amin'ny TOMPOn'izao rehetra izao, dia Ilay monina ao an-tendrombohitraTsiona. 19. Misy milaza hoe: ''Anontanionareo ny avelon'ny maty izay mibitsibitsika sy misaosao eo am-pilazana ny ho avy. Ara-dalana raha manontany izay heveriny ho andriamanitra ny vahoaka iray; ara-dalana raha manontany ny maty izy mba ho fanasoavana ny velona.'' 20. Izao kosa no havalinareo izany: ''Ao amin'ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana.''Fa izay tsy miteny araka izany baiko izany dia tsy hiposahan'ny taratry ny maraina. 21. Handalo ao amin'io tany io ny olona, izay efa vizana sy noana. Noho ny hanoanana dia hisafoaka izy ka hanozona ny mpanjakany sy ilay Andriamaniny. Hiandrandra ny lanitra izy 22. ary hiondrika hijery ny tany, ka indro fahoriana sy haizina no hitany, haizim-pito mampitebiteby sy alina tsy misy mangirana. 23. Kanefa tsy hisy haizina intsony eo amin'ny toerana izay efa nozoim-pahoriana. Nataon'ny Tompo afa-baraka fahiny ny tanin'i Zebolona sy i Naftaly; fa aty aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana manamorona ny ranomasina,sy ny faritra eny am-pita atsinanan'i Jordana ary koa i Galilea onenan'ny hafa firenena.

lundi 21 janvier 2013

Alatsinainy 21 Janoary 2013 - Gen 13 : 14 - 18


14 Dia nitenenan'ny TOMPO i Abrama, rehefa avy nisaraka tamin'i Lota izy, ka nataony hoe: -Mitazana, avy eo amin'izay misy anao, ka mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana; 15 fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay ny tany manontolo izay tazanao. 16 Hohamaroiko tahaka ny vovo-tany ny taranakao ka tsy ho hita isa, tahaka ny tsy ahazoan'ny olona manisa ny vovo-tany. 17 Miainga ka mandehana mamakivaky ny tany amin'ny sakany sy lavany, fa homeko anao izy. 18 Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin'ny hazo oakan'i Mamre, akaikin'i Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'ny TOMPO.

dimanche 20 janvier 2013

Alahady 20 Janoary 2013 - Efe 4 : 1 - 6


1 Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay migadra noho ny amin'ny Tompo: manana fitondrantena mendrika ny fiantsoan'Andriamanitra anareo. 2 Manetre tena lalandava, aoka halemy fanahy sady hahari-po. Mifandefera amim-pitiavana. 3 Aoka ny fihavanana no hifamatoranareo, dia hazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo. 4 Iray ny tena ary iray ny Fanahy, toy ny maha iray ny fanantenana niantsoan'Andriamanitra anareo. 5 Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa; 6 iray Andriamanitra sady Rain'ny kristianina rehetra, manjaka amin'izy rehetra, miasa amin'ny alalan'izy rehetra ary mitoetra ao amin'izy rehetra.

samedi 19 janvier 2013

Sabotsy 19 Janoary 2013 - Lio 18 : 28 - 30


28 Hoy kosa i Petera: Jereo ange! Izahay dia efa nahafoy izay mba anay ka niaraka taminao! 29 Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona nahafoy trano na vady na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka noho ny Fanjakan'Andriamanitra 30 ka tsy hahazo be lavitra amin'izao ety izao, ary ny fiaina-maharitra mandrakizay amin'ny andro ho avy.

vendredi 18 janvier 2013

Zoma 18 Janoary 2013 - Jer 17 : 9 - 13


9. ''Tsy misy zavatra mamitaka hoatra ny fon'olombelona.Tsy azo sitranina izy, ary tsy misy mahafantatra ny aminy. 10. ''Izaho Tompo kosa dia mahita ny ao am-po sy mamantatra ny ao an'eritreritra. Koa araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany avy no hamaliako ny olona. 11. Tahaka ny akoho mikotrika atodin-gana , toy izany izay manangon-karena tsy ara-drariny: eo antenatenan'androny izy no ilaozan'izany hareny izany, ka ho lasa adala no iafarany.'' 12. Seza fiandrianana be voninahitra sady miteronterona hatrany am-boalohany no tempoly masina ho antsika. 13. Ry TOMPO fanantenan'i Israely o, ho menatra izay rehetra mandao Anao. Voasoratra anarana eo am-bovoka izay nihataka taminao, noho izy efa nandao Anao, ry TOMPO loharano velona o.

jeudi 17 janvier 2013

Alakamisy 17 Janoary 2013 - Mar 5 : 35 - 43


35 Raha mbola niteny i Jesoa, dia nisy iraka tonga avy tany an-tranon'ity lehiben'ny sinagoga ka nanao tamin'i Jairo hoe: Efa maty ny zanakao vavy, ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany? 36 Fa tsy nahoan'i Jesoa izany teny izany, ka hoy Izy tamin'ilay lehiben'ny sinagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany! 37 Dia tsy nisy olona navelan'i Jesoa hiaraka aminy afa-tsy i Petera sy i Jakoba ary i Johany rahalahin'i Jakoba. 38 Nankao an-tranon'ilay lehiben'ny sinagoga izy efa-mianaka, ary hitan'i Jesoa ireto olona misomaritaka sy mitomany ary mikiakiaka. 39 Koa sady niditra tao an-trano i Jesoa no niteny tamin'ireo olona tao nanao hoe: Nahoana ianareo no misomaritaka sy mitomany tahaka izao? Tsy maty akory ny zaza, fa matory! 40 Dia nihomehezan'ny olona i Jesoa; nefa noroahiny any alatrano izy rehetra ka ny ray aman-drenin-jaza sy ireo mpianatra niaraka taminy no nentiny nankao amin'ny toerana nisy ny zaza. 41 Dia noraisin'i Jesoa ny tanan'ilay zaza ka hoy Izy taminy: Talita komy! (Izany hoe: Razazavavy, mandidy anao Aho, mifohaza!) 42 Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy, ka nandehandeha, fa efa feno 12 taona. Ary dia talanjona aoka izany ny olona teo; 43 fa i Jesoa kosa namepetra mafy mba tsy hisy hahalala izao zavatra izao; ary dia nasainy nomena sakafo razazavavy.

mercredi 16 janvier 2013

Alarobia 16 Janoary 2013 - Hos 2 : 1 - 3


1 Kanefa, indray andro any, ny isan'ny Israelita dia ho marobe tsy tambo isaina toy ny fasika amin'ny ranomasina. Ary eo amin'ny toerana izay nilazana taminy hoe: Tsy vahoakako ianareo, no hanambarana aminy kosa hoe: Zanak'ilay Andriamanitra velona. 2 Dia hiray hina ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Israely ka hifidy filoha tokana ary hanenika ny taniny: fa ho lehibe ny andron'i Jizrehela. 3 Ny mpiray firenena aminareo raha lehilahy, dia ilazao hoe: Hamy ary raha vehivavy, dia ilazao hoe: Rohama.

mardi 15 janvier 2013

Talata 15 Janoary 2013 - I Tim 4 : 6 - 10


6 Raha izany torohevitra izany no arosonao ny havana iray finoana, dia ho mpanompo tsaran'i Kristy Jesoa ianao, ka hiharihary fa mivelona amin'ireo teny momba ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao ianao. 7 Aoka ianao tsy hiraharaha izay angano manazimba fivavahana sady tsy misy fotony. Manazara tena amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra. 8 Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra kosa dia mahasoa amin'ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin'ny ho avy. 9 Azo antoka izany teny izany, ka mendrika hankatoavina tanteraka. 10 Eny, izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria ny fanantenanay dia efa napetrakay amin'Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa ireo mino.

lundi 14 janvier 2013

Alatsinainy 14 Janoary 2013 - Sal 146 : 5 - 10


5. Sambatra izay manana an'Andriamanitra ho Mpitahy, dia ilay Andriamanitr'i Jakoba; sambatra izay mametraka ny fitokiany ao amin'ny TOMPO Andriamaniny: 6. dia Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao amin'ireny , mitandro fahamarinana hatrany 7. ka manome rariny ny ampahorina ary manome sakafo ny noana. Ny TOMPO mamaha ny mpifatotra; 8. ny TOMPO mampahiratra ny jamba; ny TOMPO mampitraka ny mitanondrika;
9. ny TOMPO miaro ny vahiny sy manohana ny kamboty amam-pitondratena; ny TOMPO mitia ny olo-marina fa mampibirioka kosa ny olon-dratsy. 10. Hanjaka mandrakizay ny TOMPO, dia ny Andriamanitrao, ry Tsiona o, amin'ny taona mifandimby. Haleloia!

dimanche 13 janvier 2013

Alahady 13 Desambra 2013 - Mat 7 : 7 - 12


7 Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondony dia hovohana ianareo. 8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita; ary izay mandondona no hovohana.
9 Araka ny hevitrareo, iza no olona hangatahan-janany mofo ka hanome vato azy? 10 Na hangatahany trondro ka hanome bibilava azy? 11 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy! 12 Noho izany ary, ataovy amin'ny olona izay rehetra tianareo hataon'ny olona aminareo; fa izany no vontoatin'ny lalanan'i Mosesy mbamin'ny fampianaran'ny mpaminany.

samedi 12 janvier 2013

Sabotsy 12 Janoary 2012 - Jer 31 : 15 - 20


15. Izao no lazain'ny TOMPO: "Nisy fitarainana heno tao Rama, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy. I RaHely no mitomany ny zanany; ka tsy mety nampiononina izy satria tsy eo intsony ny zanany". 16. Kanefa izao no lazain'ny TOMPO azy: ''Atsaharo ny fitarainanao ary fafao ny ranomasonao fa hovaliako soa ny fisasaranao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Satria ireny zanakao ireny dia hiverina avy any an-tanin'ny fahavalony. 17. Koa misy fanantenana ho an'ny taranakao, hoy ny teny hentitra ambarako, hiverina ao an-tanindrazany ny zanakao. 18. Reko tsara mihitsy ny olon'i Efraima nitaraina hoe: "TOMPO o, nofaizinao izahay ary dia manaiky ho faizinao tahaka ny ombilahy tanora tsy tena folaka. Nefa ampodio aminao izahay mba hiverenanay tokoa aminao, satria Ianao, TOMPO o, no Andriamanitray. 19. Eny, niodina taminao izahay nefa anenenanay kosa izany. Nampahafantarinao anay ny fahadisoanay, ka mandondon-tratra izahay ankehitriny. Menatra sady mangaihay ny tenanay; manala baraka anay ny fahatanoranay ka hozakainay ny vokany." 20. I Efraima no zanaka lahy mamiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, zanaka malalako indrindra izy. Isaky ny manameloka azy Aho, dia mahatsiaro azy hatrany ka manjary mangoraka azy ary dia mamindrafo aminy tokoa.''

vendredi 11 janvier 2013

Zom 11 Janoary 2013 - Rom 15 : 7 - 13


7 Koa mifandraisa tsara ianareo, tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra. 8 Fa izao no ambarako aminareo: Tonga mpanompon'ny Jiosy i Kristy mba hahatanteraka ny fampanantenana natao tamin'ny razan'izy ireo ka anehoana fa azo antoka Andriamanitra. 9 Ary izany koa dia mba hahazoan'ny hafa firenena manome voninahitra an'Andriamanitra noho ny famindrampony, araka izay voalazan'ny Soratra Masina hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny hafa firenena sy hihirako ho voninahitry ny anaranao. 10 Ary hoy indray ny Soratra Masina hoe: Miaraha miravo amin'ny vahoakan'ny Tompo, ry hafa firenena!
11 Ary koa hoe: Derao ny Tompo, ry firenena rehetra; ankalazao Izy, ry vahoaka rehetra! 12 Ary hoy indray i Isaia hoe: Ho avy ilay solofon'i Jisay, dia ilay hitsangana hifehy ny firenena: Izy no hitokian'ireo firenena! 13 Ilay Andriamanitra loharanon'ny fanantenana anie hameno fifaliana sy fiadanana tanteraka anareo noho ny finoanareo, mba hampitomboina be dia be ao aminareo ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina!

jeudi 10 janvier 2013

Alakamisy 10 Janoary 2013 - Mik 7 : 18 - 20


18 Tsy misy andriamanitra mitovy aminao, ry TOMPO mpanaisotra ny heloka. sy mpamela ny fahadisoana. Noho ireo sisa velona aminay vahoaka fanananao, dia tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay Ianao fa tia maneho fitiavana aminay. 19 Hamindranao fo indray izahay, hohitsakitsahinao ny helokay; ary any ambany ranomasina lalina any no hanarianao ny fahotanay rehetra. 20 Hasehonao aminay taranak'i Abrahama sy i Jakoba ny toetranao mahatoky sy ny fitiavanao, araka izay efa nianiananao tamin'ny razambenay hatramin'ny andro fahagola.

mercredi 9 janvier 2013

Alarobia 09 Janoary 2013 - Mat 3 : 13 - 17


13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda mafy i Johany ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Ianao indray ve no mankaty amiko? 15 Fa novalian'i Jesoa hoe: Ekeo ihany aloha, fa izany no tsy maintsy anatontosantsika ny zavatra rehetra voasoritr'Andriamanitra. Izay vao nanaiky i Johany. 16 Nony vita batisa i Jesoa, dia niala avy hatrany tao anaty rano. Ary indro nisokatra tamin'i Jesoa ny lanitra ka hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny. 17 Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako!

mardi 8 janvier 2013

Talata 08 Janoary 2013 - Jao 1 : 47 - 51


47 Nahita an'i Natanaela tamy nanatona Azy i Jesoa ka izao no teniny momba an'i Natanaela: Izany ka tena Israelita tsy misy fitaka! 48 Dia hoy i Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Ka novalian'i Jesoa hoe: Talohan'ny niantsoan'i Filipo anao, dia hitako teo ambany aviavy ianao! 49 Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe: Mpampianatra o, Ianao no Zanak'Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan'i Israely! 50 Ary novalian'i Jesoa hoe: Mino ve ianao satria nilazako fa hitako teo ambany aviavy? Zavatra lehibe noho izany no mbola ho hitanao! 51 Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela: Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin'ny anjelin'Andriamanitra miaka-midina eo ambonin'ny Zanak'olona!

lundi 7 janvier 2013

Alatsinainy 07 Janoary 2013 - Mar 1 : 29 - 34


29 Vantany vao nivoaka ny sinagoga i Jesoa, dia niantrano tao amin-dry i Simona sy i Andrea; niaraka taminy koa i Jakoba sy i Johany. 30 Ary nandry teo am-pandriana ny rafozambavin'i Simona fa voan'ny tazo, ka nampahafantarina an'i Jesoa avy hatrany. 31 Dia nanatona azy i Jesoa ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy. Nialan'ny tazo ravehivavy, ka nandroso sakafo ho an'ireo vahiny. 32 Nony hariva efa maty masoandro, dia nentin'ny olona teo amin'i Jesoa avokoa izay mety ho marary sy azon'ny demony. 33 Ka dia vory teo anoloan'ny varavarana ny vahoaka rehetra tao an-tanana. 34 Olona maro ianjadian'ny aretina isan-karazany no sitran'i Jesoa, ary demony maro no voaroakany; tsy navelany hiteniteny kosa ireo demony ireo, satria nahalala Azy.

dimanche 6 janvier 2013

Alahady 06 Janoary 2013 - Hab 3 : 17 - 19


17 Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy ary tsy manome voa ny voaloboka, na dia tsy mahavanona aza ny oliva ary tsy mahavokatra hanina ny saha, na dia voapaoka aza ny ondry ao am-pahitra ary tsy misy omby intsony ao am-bala, 18 dia mbola ho faly sy ravo ihany aho satria ny TOMPO Andriamanitra no Mpamonjy ahy. 19 Ny TOMPO Andriamanitra no heriko; mampalady ahy toy ny dieravavy Izy ka mampiriaria ahy eny an-kavoana. Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira: hohiraina miaraka amin'ny valiha.

samedi 5 janvier 2013

Sabotsy 05 Janoary 2013 - Mat 6 : 25 - 30


25 Noho izany indrindra no ilazako aminareo hoe: aza manahy ny amin'ny hanina sy fisotro izay tohan'ainareo, na ny amin'ny fitafiana izay ilain'ny tenanareo; moa tsy mihoatra ny hanina ve ny aina, ary tsy mihoatra ny fitafiana ve ny tena? 26 Jereo ange ny voro-manidina: tsy mamafy na mijinja na manangona an-tsompitra manko izy ireny, kanefa fahanan'ny Rainareo Izay any an-danitra. Moa tsy sarobidy lavitra noho ireny ve ianareo? 27 Fa iza aminareo, na dia be fanahiana toy inona aza, no mahay manalava kely monja ny andro iainany? 28 Ary ahoana no anahianareo ny amin'ny fitafiana? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo eny an-tsaha: 29 tsy misasatra na mamoly izy ireny, kanefa lazaiko aminareo fa na i Salomona, teo amin'ny voninahiny rehetra aza, dia tsy tsara fitafiana tahaka ny anankiray amin'izy ireny. 30 Tafin'Andriamanitra toy izany ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa atsipy any am-patana rahampitso; tsy mainka ve ianareo no hampitafiny, ry kely finoana?

vendredi 4 janvier 2013

Zoma 04 Janoary 2013 - Ez 37 : 9 - 14


9. Dia hoy ny TOMPO tamiko: ''Ry ilay taranak'olombelona , ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin'ny fofonaina, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka mitenena aminy hoe: "Ry fofonaina, mandidy anao ny TOMPO ANDRIANANAHARY mba ho tonga avy amin'ny vazan-tany efatra ianao ka hitsoka amin'ireo faty ireo mba ho velona indray izy. 10. Dia nilaza ilay hafatra araka izay nandidian'ny TOMPO ahy aho. Koa nidiran'ny fofonaina ireo faty ireo, dia velona indray. Nitsangana tamin'ny tongony izy ary nanjary tafika iray lehibe dia lehibe. 11. Ary hoy indray ny TOMPO tamiko: ''Ry ilay taranak'olombelona, ireo taola-maina ireo dia sarin'ny vahoaka israelita rehetra. Fa hoy ny Israelita hoe: "Tahaka ny taola-maina izahay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay." 12. Noho izany, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Ho sokafako ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy any ianareo, ary haveriko ao Israely tanindrazanareo. 13. Amin'izay dia ho ekenareo fa Izaho no TOMPO, rehefa voasokatro ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy ao ianareo; 14. ary hapetrako ao anatinareo ny Fanahiko dia ho velona ianareo ka hamponeniko indray ao an-tanindrazanareo. Eny, amin'izay dia ho ekenareo fa IzahoTOMPO no nampanantena sady nahatanteraka izany; teny hentitra avy amiko TOMPO izany".

jeudi 3 janvier 2013

Alakamisy 03 Janoary 2013 - Heb 10 : 19 - 25


19 Koa isika, ry havana, dia manana ny tena fahafahana hiditra ao amin'ny Toeramasina Indrindra, noho ny ra nafoin'i Jesoa. 20 Nanokafany lalana vaovao mitondra amin'ny fiainana isika: dia lalana mamaky eo amin'ny efitra lamba, izany hoe eo amin'ny tenan'i Jesoa. 21 Manana Mpisorona lehibe izay mifehy ny tranon'Andriamanitra isika; 22 koa aoka isika hanatona an'Andriamanitra amin'ny fo mahitsy sy amin'ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin'ny fieritreretana vesaran'ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin'ny rano madio ny tenantsika. 23 Aoka hohazonintsika mafy tsy azo hozongozonina ny fiekena ny zavatra antenaintsika, satria mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 24 Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. 25 Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany zatra tsy miangona; mifampirisiha kosa isika, mainka fa hitanareo mihantomotra ilay andro hiavian'ny Tompo.

mercredi 2 janvier 2013

Alarobia 02 Janoary 2013 - Mat 8 : 23 - 27


23 Ary niondrana an-tsambokely i Jesoa, ka niarahan'ireo mpianany. 24 Ary nisy tafio-drivotra mahery tonga tampoka teo amin'ny farihin'i Galilea, hany ka efa nila ho safotry ny alon-drano ny sambokely; i Jesoa anefa natory. 25 Dia nohatonin'ireto mpianany Izy, ka nofohaziny sady nataony hoe: Tompo o, vonjeo fa ho faty isika! 26 Ary hoy i Jesoa taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Izay vao niarina i Jesoa, dia niteny mafy ny rivotra sy ny farihy, ary nanjary tony dia tony ny andro. 27 Gaga ny olona ka vaky vava hoe: Avy aiza ary io Lehilahy io no manaiky Azy hatramin'ny rivotra sy ny farihy?

mardi 1 janvier 2013

Talata 01 Janoary 2013 - Gen 1 : 1 - 5


1 Tamin'ny fiandohana, fony Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2 dia tsy nisy endriny sady foana ny tany fa ny haizina no nandrakotra ny lalina, ary ny Fanahin'Andriamanitra no nanomba tambonin'ny rano. 3 Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia mazava. Dia nisy mazava. 4 Hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava, koa nosarahiny ny mazava sy ny haizina. 5 Ny mazava nantsoin'Andriamanitra hoe andro, fa ny haizina kosa nantsoiny hoe alina. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro voalohany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12