mardi 30 avril 2013

Talata 30 Aprily 2013 - Jao 16 : 25 - 33

25–Fanoharana* no nilazako izany taminareo; fa ho avy ny vaninandro izay tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony fa hambarako tsotra aminareo ny momba ny Ray. 26Amin'izany andro izany dia hangataka noho ny anarako ianareo; ary Izaho tsy milaza hoe hangataka ho anareo amin'ny Ray, 27satria fatra-pitia anareo Izy. Eny, fatra-pitia anareo ny Ray, satria ianareo efa tia Ahy ary efa nino fa nivoaka avy any amin'ny Ray Aho. 28Nivoaka avy any amin'ny Ray Aho no tonga eto amin'izao tontolo izao*; ary hiala eto amin'izao tontolo izao indray Aho, ka hankany amin'ny Ray.
29Dia hoy ny mpianatr*'i Jesoa taminy:

–Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manana fanoharana akory. 30Fantatray izao fa mahalala ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy mila hanontanian'olona: izany no inoanay fa nivoaka avy any amin'Andriamanitra Ianao!

31I Jesoa kosa namaly azy hoe:

–Mino ve ianareo ankehitriny? 32Indro avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hielezanareo samy ho any amin'ny misy anareo avy, ary handaozanareo Ahy ho irery; kanefa tsy irery Aho, fa miaraka amiko ny Ray. 33Izany no voalazako taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amin'ny firaisana amiko. Eto amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa mahereza, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao!

lundi 29 avril 2013

Alatsinainy 29 Aprily 2013 - Rom 8 : 31 - 39


31Koa inona àry no mbola holazaintsika eo anoloan'izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? 32Izy Ilay tsy nandala ny tena Zanany*, ka nanolotra Azy ho famonjena antsika rehetra, moa ve Izy tsy hanome antsika maimaimpoana ny zavatra rehetra miaraka amin'ny Zanany koa? 33Iza no hiampanga ireo olom-boafidin'Andriamanitra? Tsy misy, satria Andriamanitra no efa nanaiky azy ireo ho marina! 34Iza no afa-manameloka? Tsy misy, satria i Kristy* Jesoa efa maty sady efa nitsangana velona rahateo koa, ary mitoetra eo ankavanan'Andriamanitra ka mivavaka ho antsika! 35Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana ve, sa fihafiana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fahantrana, sa loza, sa fahafatesana? 36Araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe:
«Noho ny aminao no anatrehanay fahafatesana tontolo andro; toy ny ondry hovonoina ny fihevitry ny olona anay!»
37Amin'izany rehetra izany anefa, dia tena mpandresy tanteraka isika, amin'ny alalan'Ilay efa tia antsika. 38Satria matoky aho fa tsy hisy hahasaraka antsika amin'ny fitiavana asehon'Andriamanitra antsika; eny, na ny fahafatesana, na fiainana, na anjely*, na ireo fanapahana na ireo hery eny ana habakabaka, na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy, 39na zavaboaary inona, dia tsy hisy hahasaraka antsika amin'ny fitiavana asehon'Andriamanitra antsika ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika.

dimanche 28 avril 2013

AIahady 28 Aprily 2013 - I Sam 17 : 38 - 51


38Nomen'i Saoly hanaovan'i Davida ny fitafiany fentiny miady dia ny satroka varahina aro loha izay napetrany teo an-dohan'i Davida, ary akanjo varahina aro tena. 39Mbola nafatotr'i Davida tamin'ny akanjony koa ny sabatr'i Saoly, ary dia nanandrana namindra izy, nefa tsy afaka, satria tsy mbola zatra nitondra ireny, ka dia hoy izy tamin'i Saoly: «Tsy mba afa-mamindra amin'ireto zavatra tsy nahazatra ahy ireto aho.» Ary nesorin'i Davida teny aminy avokoa ireny. 40Noraisiny ny tehiny, dia lasa izy nifantina vato kilonjy dimy terỳ amoron'ny ranon-driaka, ka nataony tao anaty kitapony fitondra miandry ondry. Nataony an-tanana ny antsamotadiny, dia roso izy hiatrika ilay Filistinina. 41i Gôliata etsy andaniny, ialohavan'ilay mpitondra ny ampingany, sady manatona tsikelikely an'i Davida. 42Dia nandinika an'i Davida ilay Filistinina ka naneso azy, satria hitany fa mbola tanora izy no mazava endrika ary tsara tarehy. 43Ary hoy i Gôliata tamin'i Davida:
–Alika angaha aho no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ho voaozona anie ialahy amin'ny alalan'ireo andriamanitray! 44Avia atỳ, fa homeko ny voro-manidina sy ny bibidia ny nofon'ialahy.
45Dia hoy ny navalin'i Davida azy:
–Manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy ianao, izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'ny TOMPOn'izao rehetra izao, Andriamanitry ny tafik'i Israely, Izay efa nohantsinao. 46Anio ihany no hanoloran'ny TOMPO anao ho eo am-pelatanako, hahafaty anao aho ka hanapaka ny lohanao. Anio koa dia homeko hohanin'ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatin'ny miaramila filistinina. Ary ho fantatry ny tany tontolo fa manana Andriamanitra tokoa i Israely. 47Dia ho fantatry ny Fiangonan'i Israely tsivakivolo koa fa tsy mba mila sabatra na lefona ny TOMPO hanomezam-pandresena. An'ny TOMPO ny ady, koa dia hatolony ho eo an-tananay ianareo. 48Raha vao nanomboka nihetsika hanatona an'i Davida ilay Filistinina, dia nihazakazaka mafy i Davida hitsena azy. 49Nandray vato tao anaty kitapony i Davida ary nandefa izany tamin'ny antsamotady ka nahavoa ilay Filistinina teo an-tampon-kandriny. Tafalentika teo ilay vato ka nidaraboka niankohoka tamin'ny tany izy. 50Toy izany no nandresen'i Davida an'i Gôliata ka namonoany azy tamin'ny antsamotady sy ny vato, fa tsy mba tamin'ny sabatra. 51Dia nihazakazaka nankeny amin'i Gôliata i Davida ka nanatsoaka ny sabatr'i ilay rapeto tamin'ny tranony ary nanapaka ny lohany. Koa rehefa hitan'ny Filistinina fa maty ilay maherifony, dia nitsoaka nandositra izy ireo.

samedi 27 avril 2013

Sabotsy 27 Aprily 2013 - II Kor 2 : 14 - 17

14Kanefa hisaorana anie Andriamanitra Izay mampiombona anay mandrakariva amin'ny fandresen'i Kristy. Ampiasain'Andriamanitra izahay hampiely amin'ny toerana rehetra ny fahalalana an'i Kristy, ho toy ny hanitra mamerovero hatraiza hatraiza. 15Fa tahaka ny zava-manitra ataon'i Kristy fanatitra ho an'Andriamanitra izahay, na amin'ny voavonjy na amin'ny very: 16fofona mahafaty tokoa izany ho an'ny very, fa fofona mahavelona tokoa ho an'ny voavonjy. Koa iza moa no antonona ho amin'izany asa izany? 17Izahay dia tsy toy ny sasany manao ny tenin'Andriamanitra ho filàm-bola, fa miteny toy ny olona irahin'Andriamanitra sady mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra, araka ny maha mpanompon'i Kristy anay.

vendredi 26 avril 2013

Zoma 26 Aprily 2013 - Eks 14 : 10 - 14


10 Natopin'ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO 11 sady niteny tamin'i Mosesy hoe:
–Moa tsy nisy fasana ve tany Ejipta no nentinao ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Izao ve no namoahanao anay hiala tany Ejipta? 12 Moa tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe: «Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra». 13 Fa namaly azy i Mosesy hoe: –Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon'ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana. 14 Ny TOMPO no hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina fotsiny.

jeudi 25 avril 2013

Alakamisy 25 Aprily 2013 - Lio 21 : 12 - 19

12 Kanefa alohan'izany rehetra izany, dia hosamborina sy hoenjehina ianareo, hatolotra hotsaraina any amin'ny sinagôga* ary hatao am-ponja, hoentina eo anatrehan'ireo mpanjaka sy mpifehy noho ianareo miandany amiko. 13 Ho tonga aminareo izany mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy. 14 Koa ataovy latsaka ao am-ponareo fa tsy tokony hihevitra mialoha izay hiarovanareo tena ianareo; 15 satria Izaho ihany no hampiteny anareo sy hanome fahendrena anareo, ka tsy hahatohitra sady tsy haharesy lahatra anareo izay rehetra miampanga anareo. 16 Hanolotra anareo na dia ny ray aman-dreny sy ny mpiray tampo ary ny havana aman-tsakaiza aza, ka hovonoin'olona ny sasany aminareo. 17 Ho halan'ny olon-drehetra ianareo satria miandany amiko, 18 nefa tsy hisy very na dia singam-bolo iray amin'ny lohanareo aza. 19 Aoka ho amim-paharetana no hahazoanareo famonjena ny ainareo.

mercredi 24 avril 2013

Alarobia 24 Aprily 2013 - Deo 33 : 26 - 29


26Dia hoy koa i Mosesy hoe: «Ry Jesoròna, tsy misy tahaka an'ilay Andriamanitrao! Heni-boninahitra sady mitaingina ny rahon'ny lanitra Izy mba ho tonga hamonjy anao. 27Andriamanitra, hatrizay hatrizay, no fialofana; ny heriny, hatrany hatrany, no miasa etỳ ambany etỳ. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy ary mandidy anao handringana an'ireo. 28Mandry feizay ny Israelita; monina milamina ny taranak'i Jakôba eo amin'ny tany be vary sy divay, tany izay ipariahan'ny andon'ny lanitra. 29Sambatra ianareo, ry Israelita! Iza no tahaka anareo, ry vahoaka voavonjin'ny TOMPO? Izy no ampinga miaro anareo sy sabatra ireharehanareo. Hikoy aminareo ny fahavalonareo, ka hohitsahinareo ny toerana avo fivavahany.»

mardi 23 avril 2013

Talata 23 Aprily 2013 - Mat 12 : 15 - 21


15Nony nahalala izany i Jesoa, dia niala teo amin'io toerana io; ary vahoaka maro no nanaraka Azy. Nositranin'i Jesoa avokoa ny marary rehetra, 16saingy noteneniny mafy hoe: «Aza manao izay hahafantarana Ahy.» 17Koa tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'i Isaià mpaminany* hoe: 18«Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, ilay Malalako Izay sitrako. Ny Fanahiko hapetrako eo aminy, ka hambaran'ny Mpanompoko amin'ireo firenena ny rariny. 19Tsy hifanditra aman'olona Izy na hihorakoraka, ary tsy handrenesana ny feony eny an-dalambe. 20Ny volotara folaka tsy hotapahiny, ny lahin-jiro manetona tsy hovonoiny, ambara-pahazoan'ny Mpanompoko fandresena ho an'ny rariny. 21Ary Izy no hitokian'ireo firenena.»

lundi 22 avril 2013

Alatsinainy 22 Aprily 2013 - Zak 9 : 12 - 17


12 Miverena ao an-tanàna mimanda, ry mpigadra manam-panantenana!
Anio no anambaràko aminareo hoe: Fanambinana avo roa heny
no hanonerako ny fahorianareo. 13 Hampiasaiko toy ny tsipîkan'ady i Joda, ka i Efraîma no ho tahaka ny zana-tsipîkany. Ry Tsiôna*, hotairiko ny vatan-dehilahinao hiady amin'ireo vatan-dehilahy grika; toy ny sabatry ny mpiady mahery no hampiasako ireo vatan-dehilahinao.» 14 Ary ny Tompo hiseho eo ambonin'ny vahoakany; ka hipoitra toy ny tselatra ny zana-tsipîkany Hitsoka anjomara ny Tompo ANDRIANANAHARY ka ho tonga miaraka amin'ny tafio-drivotra atsimo. 15 Ny Tompon'izao rehetra izao hiaro ny vahoakany; ka havandra vaventy no halefany hamotika sy hanorotoro ny  fahavalony; dia hataony mikoriana ny ran'ireo ka hampiely ny ran'ny fahavalony mova tsy tahaka ny divay, na koa tahaka ny ram-biby atao sorona izay mameno ny tsangambava famafazana sy mandrakotra ny zoron'ny alitara*. 16 Amin'izany andro izany ny vahoakany dia hovonjen'ny Tompo Andriamaniny, ka toy ny mpiandry* mamonjy ny ondriny Izy; ary ho toy ny vaton-tsatroboninahitra
no hamirapiratany eo amin'ny taniny. 17 Akory ny fahasambarany!
Ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary sy divay vaovao no hampaharoroka finaritra ireo zatovolahy sy zatovovavy.

dimanche 21 avril 2013

Alahady 21 Aprily 2013 - I Jao 5 : 1 - 5

1 Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia ilay Andriamanitra niteraka, dia tia izay naterak'Andriamanitra koa. 2 Ny ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra* isika, dia ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny fanatontosàntsika ireo didiny. 3Eny, ny fitiavana an'Andriamanitra dia ny fitandremantsika ireo didiny; sady tsy mavesatra ireo didiny ireo, 4satria izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao. Ary ny fitaovam-pandresena izay maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. 5Iza moa no maharesy izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no ilay Zanak'Andriamanitra?

samedi 20 avril 2013

Sabotsy 20 Aprily 2013 - I Kor 15 : 54 - 58

54 Fa rehefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ilay tenin'ny Soratra Masina hoe:

«Noresena ny fahafatesana ka levona!»

55 «Aiza ny fandresenao, ry fahafatesana?

Aiza ny lefonao maranitra, ry fahafatesana?»

56 Fa ny fahotana no lefona maranitra anindronan'ny fahafatesana, ary ny lalàna* no hery ahombiazan'ny fahotana. 57 Kanefa hisaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika!58 Koa amin'izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy ho voahozongozona, hahefa bebe kokoa hatrany eo amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fisasaranareo amin'ny fanompoana ny Tompo.

vendredi 19 avril 2013

Zoma 19 Aprily 2013 - Jos 23 : 1 - 10


1 Ary rehefa ela, taorian'ny nanomezan'i Jehovah fitsaharana ho an'ny Isiraely ho afaka amin'ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, 2 dia nantsoin'i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana, 3 ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo. 4 Indreo, efa voazarako ho lovan'ny firenenareo tamin'ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin'ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe andrefana. 5 Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. 6 Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, 7 mba tsy hankanesanareo any amin'ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran'ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany; 8 fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany. 9 Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany. 10 Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo.

jeudi 18 avril 2013

Alakamisy 18 Aprily 2013 - Apo 12 : 7 - 12

7 Dia nisy ady nitranga tany an-danitra: i Mikaela sy ny anjeliny no niady tamin'ilay dragona; ary niady ilay dragona mbamin'ny anjeliny. 8 Kanefa resy ilay dragona, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony. 9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly na hoe Satana, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin'ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny. 10 Dia reko nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: Tonga izao ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakan'ilay Andriamanitsika, tonga izao ny fahefan'ilay Mesiany; satria nazera ilay mpiampanga an'ireo havantsika, dia ilay mpiampanga azy ireo andro aman'alina teo anatrehan'Andriamanitsika. 11 Ireo havantsika kosa dia naharesy ilay mpiampanga, ka ny ra nafoin'ny Zanakondry sy ny tenin'Andriamanitra nijoroan'izy ireo ho vavolombelona no nandreseny azy; ary tsy nankamamy ny ainy intsony ireo na dia ho faty aza. 12 Noho izany, mifalia, ry lanitra sy ianareo monina ao aminy. Mampalahelo ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa nidina any aminareo ny devoly sady misafoaka mafy, satria fantany fa kely sisa ny androny!

mercredi 17 avril 2013

Alarobia 17 Aprily 2013 - Isa 45 : 1 - 8

1. Izao no lazain'ny TOMPO amin'ilay nohosorany , dia i Kirosa: ''Tohanako ianao mba handresy ny firenen-kafa sy hanaisotra ny fahefan'ny mpanjakaka hivoha eo anatrehanao ireo vavahadin'ny tanana nihidy. 2. Izaho mihitsy no handeha eo anoloanao mba handravona ny mikitoantoana sy hanamontsana ny varavarana halimo ary hanapatapaka ny hidy vy. 3. Homeko anao ny raki-tsoany napetrany tao amin'ny toerana maizina sy ny harena nafeniny tao amin'ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO Izay miantso anao amin'ny anaranao; Izaho no Andriamanitr'i Israely. 4. Noho ny fitiavako ny firenen'i Jakoba mpanompoko sy ny vahoaka Israely voafidiko no niantsoako anao tamin'ny anaranao; ary nomeko izany laza izany ianao, na dia tsy mahalala Ahy akory aza. 5. Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa; tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Nampisikiniko hery ianao hiasana dia tsy mahalala Ahy akory aza, 6. mba hahafantarana eran-tany hatrany atsinanana ka hatrany andrefana fa ankoatra ny tenako dia zava-poana. Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa. 7. Izaho no mamorona ny mazavas y mahary ny maizina. Izaho no manome fahasambarana sy mahary ny loza. Izaho TOMPO no manao izany rehetra izany. 8. Aoka ny lanitra handrotsaka ando avy any ambony ary aoka ny rahona handatsaka rariny! Aoka hisokatra ny tany hampivelatra ny famonjena sy hampitsimoka ny fahamarinana! Izaho TOMPO no nahary io lehilahy io.

mardi 16 avril 2013

Talata 16 Aprily 2013 - Deo 9 : 1 - 6

1 Mihainoa, ry vahoaka Israely ô! Efa hiampita an'i Jôrdàna ianareo izao, ary hiroso handroaka firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianareo, sady hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra. 2 Soritana manokana ny Hanakîta, firenena lehibe sady olona ranjanana, izay fantatrareo sy renareo laza hoe: «Iza no hahatohitra ny taranak'i Hanàka?» 3 Ho tsapanareo anio fa ny TOMPO Andriamanitrareo no efa hiampita eo alohanareo tahaka ny afo mandevona, ka Izy mihitsy no handringana ireny firenena ireny sy hampietry azy eo anoloanareo; dia handroaka azy ianareo ka hamongotra azy faingana, araka izay nampanantenain'ny TOMPO taminareo. 4 Rehefa voatosiky ny TOMPO Andriamanitrareo teo anoloanareo ireny firenena ireny, dia aoka ianareo tsy hanao anakampo hoe: «Ny fahamarinanay no nampidiran'ny TOMPO anay haka ity tany ity ho fanananay!» Tsy izany, fa ny haratsiam-panahin'ireo no nandroahan'ny TOMPO azy teo anoloanareo. 5 Tsy ny fahamarinanareo na ny hitsimponanareo no mahamendrika anareo hiditra haka ny taniny ho fanananareo; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no handroahan'ny TOMPO Andriamanitrareo azy eo anoloanareo, ary koa mba hahatò ny fampanantenana izay nianianan'ny TOMPO tamin'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo. 6 Koa aoka ho fantatrareo fa tsy ny fahamarinanareo no anomezan'ny TOMPO Andriamanitrareo izany tany soa izany ho fanananareo. Vahoaka mafy hatoka manko ianareo.

lundi 15 avril 2013

Alatsinainy 15 Aprily 2013 - Isa 31 : 4 - 9


4. Izao no nolazain'ny TOMPO tamiko: ''Rehefa ny liona na ny liona tanora no mierona hiambina ny remby azony eo anoloan'andiana mpiandry ondry izay tafangona hamely azy, dia tsy matahotra ny antsoantson'ireo izy na lasa mitsoaka noho ny tabatabany. Ho tahaka izany koa Aho, hoy ny TOMPOn'izao rehetra izao, rehefa midina hiady eo an-tendrombohitra Tsionana eo amin'ilay havoany.'' 5. Tahaka ny vorona mamelatra ny elany no hamelaran'ny TOMPOn'izao rehetra izao ny fiarovany amin'i Jerosalema; ka sady hiaro no hanafaka azy ny Tompo, eny, sady hitsimbina no hamonjy azy. 6. Ry Israelita o, miverena amin'Ilay efa niodinanareo lavitra. 7. Amin'izany andro izany, dia samy hanary ny sampy volafotsy sy volamena ianareo tsirairay avy, dia ireo sampy namboarin'ny tananareo feno heloka. 8. Tsy sabatra nataon'ny olona ilay sabatra handavo ny Asirianina; ary tsy sabatra an'olombelona ilay sabatra handringana azy. Handositra eo anoloan'io sabatra io ny Asirianina; ary ny miaramila voafantiny dia hampanaovina asa an-terivozona. 9. Ny mpanjakany handositra noho ny tahotra, ary ny manamboninahiny ho kivy ka hitsoaka hamela ny fanevany. Izany no teny hentitry ny TOMPO izay manana ny fatana fandoroany aoTsionasy ny lafaorony miredareda ao Jerosalema.

dimanche 14 avril 2013

Alahady 14 Aprily 2013 - Jao 11 : 18 - 27


18 Ity Betania ity dia akaikin'i Jerosalema tokony ho telo kilaometatra, 19 ka maro tamin'ny Jiosy no tonga tao amin-dry i Marta sy i Maria hitsapa alahelo azy mirahavavy noho ny nahafatesan'ny anadahiny. 20 Vao ren'i Marta fa tamy i Jesoa, dia lasa izy nitsena Azy; fa i Maria no nipetraka tao an-trano. 21 Ary hoy i Marta tamin'i Jesoa: Raha teto Ianao, ry Tompo, dia tsy maty ny anadahiko. 22 Ary na dia izao ankehitriny izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin'Andriamanitra, dia homen'Andriamanitra Anao. 23 I Jesoa kosa niteny taminy hoe: Hitsangana velona ny anadahinao! 24 Fa hoy i Marta taminy: Fantatro fa hitsangana velona izy amin'ilay fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany! 25 Dia hoy i Jesoa taminy: Izaho no manangana ho velona sy manome aina. Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona; 26 ary izay rehetra mivelona amiko ka mino Ahy, dia tsy ho faty na oviana na oviana. Mino izany ve ianao? 27 Ka novalian'i Marta hoe: Eny, ry Tompo, mino aho fa Ianao no ilay Mesia, ilay Zanak'Andriamanitra, Ilay tonga eo amin'izao tontolo izao!

samedi 13 avril 2013

Sabotsy 13 Aprily 2013 - Deo 1 : 19 - 33

19 Dia niala tany Hôreba* isika, araka ny nandidian'ny TOMPO Andriamanitsika; ary nandeha isika namaky ilay taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay hitanareo teny an-dalana mankany amin'ny faritra havoana onenan'ny Amôrita*. Rehefa mby tao Kadesy-Barnea isika,20 dia hoy aho taminareo; «Efa tonga eto amin'ny faritra havoana onenan'ny Amôrita ianareo, faritra izay omen'ny TOMPO Andriamanitsika ho antsika. 21 Indro ataon'ny TOMPO Andriamanitrareo eo anoloanareo izany tany izany; iakaro izy ka alao ho fanananareo, araka izay nampanantenain'ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo. Aza matahotra na mivadi-po akory!» 22 Dia nohatoninareo rehetra aho ka nilazanareo hoe: «Aoka isika haniraka olona hialoha antsika mba hisafo ny tany; dia hanao tatitra ho antsika ireo ka hilaza ny lalana tokony hiakarantsika sy ny tanàna izay hivantanantsika.»23 Sitrako izany teny izany, ka dia nifidy 12 lahy teo aminareo aho, iray avy isam-poko. 24 Ary niainga ireo ka niakatra ny faritra havoana, dia tonga tao amin'ny hadilalana Eskôla ary nisafo azy. 25 Nangalany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina tamintsika; ary izao no tatitra nataony ho antsika: «Soa ny tany omen'ny TOMPO Andriamanitsika ho antsika.» 26 Kanefa tsy nety niakatra ianareo, fa nandà ny tenin'ny TOMPO Andriamanitrareo. 27 Nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: «Noho isika halan'ny TOMPO no nitondrany antsika hiala tany Ejipta. Te hanolotra antsika eo an-tanan'ny Amôrita Izy mba handringanana antsika. 28 Aiza ity hiakarantsika? Mpiray firenena amintsika no efa nanaketraka ny fontsika tamin'ny nanaovany hoe: Vaventy sy ranjanana noho isika ny olona monina ao; ny tanàna dia lehibe sady misy manda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay tao aza ny taranak'i Hanàka!» 29 Dia hoy aho taminareo: «Aza manahy, ary aza matahotra azy! 30 Ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay mandeha eo alohanareo, no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo teo imasonareo tany Ejipta 31 sy tatỳ an-taniefitra; efa hitanareo fa nentin'ny TOMPO Andriamanitrareo tahaka ny fitòndran'ny olona ny zanany ianareo, tany amin'ny lalana rehetra nalehanareo, mandra-pahatonganareo amin'ity toerana ity.» 32 Ary, tamin'izany toe-javatra izany, dia tsy ninoanareo ny TOMPO Andriamanitrareo. 33 Kanefa Izy no nandeha teo alohanareo teny an-dalana mba hitady toerana hitobianareo; ka ny afo nony alina ary ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo.

vendredi 12 avril 2013

Zoma 12 Aprily 2013 - I Tes 4 : 13 - 18


13 Ry havana, tianay ho fantatrareo ny marina momba ireo efa nodimandry mba tsy halahelovanareo toy ny olona sasany tsy manana fanantenana. 14 Inoantsika fa maty i Jesoa ary efa nitsangana ho velona indray; inoantsika toy izany koa fa hoentin'Andriamanitra miaraka amin'i Jesoa ireo olona nodimandry tafaray amin'i Jesoa. 15 Koa dia izao no lazainay aminareo araka ny voalazan'ny Tompo taminay: isika velona aina, sisa tavela amin'ny andro hiavian'ny Tompo, dia tsy hialoha an'ireo efa nodimandry tsy akory. 16 Hisy baiko hatao antso avo omban'ny feon'arkanjely sy ny feon-trompetran'Andriamanitra, ka ny Tompo mihitsy no hidina avy any an-danitra. Ireo olona maty tafaray amin'i Kristy no hitsangana ho velona voalohany; 17 avy eo, dia hakarina hiaraka amin'ireo ho eny amin'ny rahona koa isika velona aina sisa tavela, mba hitsena ny Tompo eny amin'ny habakabaka; ary dia hiaraka amin'ny Tompo mandrakizay isika. 18 Koa izany teny izany ary no aoka hifampiononanareo.

jeudi 11 avril 2013

Alakamisy 11 Aprily 2013 - Mar 16 : 14 - 18


14 Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan'i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona. 15 Dia hoy koa i Jesoa taminy: Mandehana eran'izao tontolo izao, torio amin'ny olombelona rehetra ny Vaovao Mahafaly. 16 Izay hino ka hatao batisa, dia ho voavonjy; fa izay tsy hino, dia hohelohina. 17 Ary ireto no famantarana homba izay mino: handroaka demony amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny vaovao; 18 handray menarana sy hisotro poizina mahafaty, nefa tsy haninon-tsy haninona; ary hametra-tanana amin'ny marary, dia ho sitrana ireny.

mercredi 10 avril 2013

Alarobia 10 Aprily 2013 - Mat 28 : 11 - 20


11 Raha mbola teny an-dalana ireto vehivavy, dia indreny tafaverina tao an-tananan'i Jerosalema ny sasany tamin'ireo mpiambina ny fasana ka nitantara ny zava-nitranga rehetra tamin'ny lohandoha-mpisorona. 12 Dia nivory niaraka tamin'ireo loholona ny lohandoha-mpisorona; ka rehefa nikaon-doha, dia nanome vola be ny miaramila ry zareo 13 sady nanao taminy hoe: Lazao fa tonga alina ny mpianatr'i Jesoa nangalatra ny fatiny, raha sendra natory ianareo. 14 Ary raha ren'ny governora izany, dia izahay no handresy lahatra azy sady hanao izay tsy hampaninona anareo. 15 Dia nandray ny vola ny miaramila ka nanao araka ny teny nomen-dry zareo azy. Ary izany tantara izany no niely tamin'ireo Jiosy mandraka androany. 16 Ary ny mpianatra 11 lahy dia nankany Galilea, any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesoa halehany. 17 Nony nahita an'i Jesoa ny mpianatra, dia nitsaoka Azy; kanefa mbola nisalasala ihany ny sasany. 18 Dia nanatona azy rehetra i Jesoa ka nanao taminy hoe: Efa nomena Ahy avokoa ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany; 19 koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra; ka ataovy batisa ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, 20 sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan'andro vaky mandra-pahatongan'ny fiafaran'izao tontolo izao.

mardi 9 avril 2013

Talata 09 Aprily 2013 - Deo 20 : 1 - 11


1 Raha miainga hanafika fahavalo ianareo, ka mahita soavaly sy kalesy ary tafika maro noho ny anareo, dia aza matahotra azy; satria ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay nampiakatra anareo avy tany Ejipta, no momba anareo. 2 Iny vonon-kanafika iny ianareo, dia hohatonin'ny mpisorona ka hilazany hoe: 3 Mihainoa, ry miaramila israelita! Efa hanafika fahavalo ianareo izao, koa aza rera-po na matahotra na mikoropaka foana na mangorohoro eo anatrehany. 4 Fa ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hampandresy anareo. 5 Avy eo dia hiteny amin'ny miaramila ireo manamboninahitra mpamory azy ka hanao hoe: Iza aminareo no nahavita trano vaovao nefa mbola tsy nitokanany? Aoka hiverina any an-tranony izy fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony. 6 Ary iza aminareo no efa namboly voaloboka nefa tsy mbola nioty vokatra taminy? Aoka hiverina any an-tranony izy fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hioty ny vokatra. 7 Ary iza aminareo no manana fofombady nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny. 8 Dia mbola hiteny amin'ny miaramila ireo manamboninahitra mpamory azy ka hanao hoe: Iza aminareo no matahotra ka rera-po? Aoka hiverina any an-tranony izy, fandrao ho rera-po tahaka azy koa ny namany. 9 Rehefa tapi-niteny tamin'ny miaramila ireo manamboninahitra ireo, dia hanendry mpifehy hitarika antoko miaramila. 10 Rehefa mby akaikin'ny tanana hiadiana ianareo, dia taomy hanao raharaham-pihavanana ny mponina. 11 Raha manaiky ireo ka mampandroso anareo, dia ho mpandoa hetra ho anareo sy ho mpanomponareo ny olona rehetra ao.

lundi 8 avril 2013

Alatsinainy 08 Aprily 2013 - II Kor 6 : 1 - 11


1 Mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay, ka mananatra anareo mba tsy hamela ho very maina ny fahasoavana voarainareo taminy. 2 Fa hoy Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina: Tamin'ny fotoana mety, dia namaly ny antsonao Aho; ary tamin'ny androm-pamonjena, dia tonga namonjy anao Aho. Indro ankehitriny no fotoana mety amin'Andriamanitra; indro ankehitriny no androm-pamonjena. 3 Mba tsy hahazoan'ny olona manakiana ny fanompoana sahaninay, dia tsy avelanay hisy zavatra mahasolafaka ny olona, na amin'inona na amin'inona. 4 Fa ahariharinay kosa amin'ny zavatra rehetra fa mpanompon'Andriamanitra izahay, ka dia zakainay amim-pandeferana tokoa ny fahoriana sy ny fahaterena ary ny tebiteby: 5 nokapohina izahay, nahiboka am-ponja, nianjadian-korontana, nampanaovina asa mafy, niari-tory ary nifady hanina. 6 Ahariharinay fa mpanompon'Andriamanitra izahay amin'ny fahadiovan'ny toetranay, amin'ny fahalalanay, amin'ny faharetanay, amin'ny hamoram-ponay, amin'ny Fanahy Masina manentana anay, amin'ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy asehonay, 7 amin'ny fitorianay ny marina ary amin'ny hery omen'Andriamanitra anay. Izay rariny no fiadiana ampiasainay hanafihana sy hiarovan-tena, 8 na omem-boninahitra izahay na alam-baraka, na ratsy laza izahay na tsara laza. Atao ho mpamitaka izahay nefa mpanambara ny marina, 9 atao ho tsy fantatra nefa fantatra tsara, atao ho efa maty nefa dia izao velona izao. Faizina izahay, nefa tsy vonoina ho faty; 10 na dia ampalahelovina aza izahay, dia faly mandrakariva; toa mahantra izahay nefa mampanan-karena olona maro; toa tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra. 11 Niteny tsotra taminareo Korintianina izahay; nosokafanay malalaka taminareo ny fonay.

dimanche 7 avril 2013

Alahady 07 Aprily 2013 - Jer 1 : 17 - 19


17. Fa ianao kosa, ry Jeremia, misikina, mitsangana ka ambarao azy izay rehetra nandidiako anao. Aza matahotra azy ianao fandrao hataoko raiki-tahotra eo anatrehany. 18. Manomboka izao dia hataoko mafy toy ny tanana mimanda ianao sy toy ny andry vy ary toy ny manda halimo raha mifanandrina amin'ny mponina rehetra eto amin'ny tany, dia amin'ny mpanjakan'i Joda sy ireo mpitondra sy ny mpisorona ary ny sarambabem-bahoaka ao amin'ny tany. 19. Hiady aminao izy nefa tsy haharesy anao, fa miaraka aminao Aho mba hanafaka anao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

samedi 6 avril 2013

Sabotsy 06 Aprily 2013 - Isa 29 : 1 - 8


1. ''Indrisy, ry Ariela ! Ry Ariela, tananan'i Jerosalema, nataon'i Davida fahirano fahiny! Na hiverina isan-taona isan-taona aza ny fitsingeringerenan'ny andro fety, 2. dia hampahoriko ianao, hoy ny TOMPO, ka alahelo sy fahoriana lalina no hanjo anao, ary ho tonga ''ariela''-n'ny alitara ianao amiko. 3. Hanao fahirano anao tahaka ny nataon'i Davida Aho ary hanisy miaramila hanemitra anao sy hanangana tovon-tany hamelezana anao. 4. Haetry ianao ka hiteny avy ao an-kibon'ny tany ao. Hibitsibitsika ny feonao mamakivaky ny vovoka; mova tsy feon'ny matoatoa miala avy amin'ny tany sy misamoina avy ao amin'ny vovoka ny teninao. 5. Toy ny vovoka mitora-jofo ny habetsaky ny fahavalonao, toy ny akofa misavoana ny olon-dozabe mamely anao. ''Fa ho tampoka dia tampoka kosa 6. no hiavian'ny famaliana hamonjena anao avy amin'ny TOMPOn'izao rehetra izao, Izay homban'ny kotro-baratra sy ny horohoron-tany ary firohondrohona mafy, homban'ny tadio sy ny tafio-drivotra ary ny lelafo mandevona. 7. Toy ny nofy na fahitana mihelina amin'ny alina no hanjavonan'ireo firenena maro be mamely anao, ry Ariela, dia ireo rehetra miady aminao ka manangana tovon-tany hampahoriana anao. 8. Ho tahaka ny olona mosarena manonofy mihinana, kanjo nony taitra dia noana ihany ny kibony; ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy misotro, kanjo nony taitra dia trotraka fa mbola maina ihany ny tendany; ho tahaka izany ireo firenena marobe izay miady amin'ny tendrombohitraTsiona.

vendredi 5 avril 2013

Zoma 05 Aprily 2013 - Isa 43 : 1 - 8


1. Ankehitriny kosa izao no lazain'ny TOMPO Izay nahary anao, ry firenen'i Jakoba sy namorona anao, ry vahoaka Israely: ''Aza matahotra ianao, fa efa navotako; ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao. 2. Raha mamakivaky ny rano ianao, dia homba anao Aho; raha miampita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao ireny; raha mandeha eo anivon'ny afo ianao, dia tsy ho may akory fa tsy handoro anao ny lelafo. 3. Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao, ilay Masin'i Israely no mpamonjy anao. Nomeko hanavotana anao i Ejipta; ary nataoko solonao i Etiopia sy iSeba.  4. Satria sarobidy eo imasoko ianao, manan-danja amiko sady tiako. Koa nanome olona ho solonao Aho sy firenena maro ho takalon'ny ainao. 5. Aza matahotra fa momba anao Aho. Avy any atsinanana no hamerenako ny taranakao,avy any andrefana no hanangonako ireo olonao. 6. Hoy Aho amin'ny avaratra: "Omeo Ahy ireo", ary amin'ny atsimo: "Aza hazonina izy!" Avereno amiko ny zanako lahy avy any lavitra sy ny zanako vavy avy any am-paran'ny tany, 7. dia izay rehetra mitondra ny anarako sady noariko sy ovolavolaiko mba hanome voninahitra Ahy. 8. Avoahy ny olona mana-maso nefa jamba, ary manan-tsofina nefa marenina.

jeudi 4 avril 2013

Alakamisy 04 Aprily 2013 - Apo 3 : 1 - 6


1 Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Sardy: Izao no lazain'Ilay manana ny Fanahy Masina ombam-panomezana fito avy amin'Andriamanitra sy mitana ny kintana fito: Fantatro ny asanao; fantatro fa malaza hoe velona ianao, kanjo maty. 2 Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa efa mila ho faty, satria tsy nisy nahitako lavorary eo anatrehan'Andriamanitro ny asanao. 3 Koa tsarovy izay fomba nandraisanao sy nihainoanao ny tenin'Andriamanitra ary dia tano izany ka ialao ny toe-dratsinao. Raha tsy miambina ianao, dia ho avy toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao. 4 Kanefa eto Sardy ianao dia manana olona vitsivitsy izay tsy nandoto ny akanjony; ary miakanjo fotsy no hiara-mandeha amiko ireo, satria mendrika. 5 Izay maharesy dia hampiakanjoina akanjo fotsy toy izany koa; tsy hamono ny anarany ao amin'ny horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay Aho; ary hanaiky azy ho mpomba Ahy eo anatrehan'ny Raiko sy ny anjeliny. 6 Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.

mercredi 3 avril 2013

Alarobia 03 Aprily 2013 - Oha 21 : 30 - 31


30. Ny fahendren'olombelona sy ny fahaizana amam-pisainany dia maivana eo anatrehan'ny TOMPO. 31. Voaomana hiatrika ady ny soavaly, fa ny Tompo kosa no manome ny fandresena.

mardi 2 avril 2013

Talata 02 Aprily 2013 - Jao 17 : 6 - 19


6 Ny anaranao dia nampahafantariko ireo olona navahanao tamin'izao tontolo izao sy nomenao Ahy; Anao ireo ka nomenao Ahy, ary ny teninao efa notandremany. 7 Fantany ankehitriny fa avy taminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy, 8 satria ny teny izay nomenao Ahy dia efa nomeko azy ireo ary noraisiny; ka fantany marina fa nivoaka avy any aminao Aho, ary ninoany fa Ianao no naniraka Ahy. 9 Ho azy ireo no ivavahako; tsy ho an'izao tontolo izao no ivavahako, fa ho an'ireo nomenao Ahy: satria Anao ireo,
10 fa izay rehetra Ahy dia Anao ary izay rehetra Anao dia Ahy, sady efa nahazo voninahitra teo aminy Aho. 11 Tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony Aho; ireo no ho eto amin'izao tontolo izao, fa Izaho kosa mankany aminao. Ray o, masina Ianao, ka ilay anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no itahirizo azy ireo, mba ho iray izy tahaka ny maha iray antsika. 12 Fony mbola teo aminy Aho, dia ny anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no nitahirizako azy; ary narovako ireo, ka tsy nisy very na dia iray aza, afa-tsy ilay nirona amin'ny fahaverezana, mba hahatanteraka ny Soratra Masina. 13 Ankehitriny mankany aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto amin'izao tontolo izao Aho, mba hananan'ireo ny hafaliako tanteraka ao aminy. 14 Efa nomeko ny teninao ireo, ka ankahalain'izao tontolo izao: satria tsy naman'izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman'izao tontolo izao Ahy. 15 Tsy ny hanesoranao azy amin'izao tontolo izao no ivavahako, fa ny hiarovanao azy amin'ilay Ratsy. 16 Tsy naman'izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman'izao tontolo izao Ahy. 17 Atokany ho Anao araka ny hafatra marim-pototra ireo: ny teninao no hafatra marim-pototra. 18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho eo amin'izao tontolo izao no nanirahako azy ho eo amin'izao tontolo izao koa. 19 Ho azy ireo no anokanako tena aminao, mba ho voatokana ho Anao araka ny hafatra marim-pototra koa ireo.

lundi 1 avril 2013

Alatsinainy 01 Aprily 2013 - Deo 12 : 29 - 31


29 Rahatrizay ny TOMPO Andriamanitrareo dia handringana eo anoloanareo ireny firenena natao horesenareo any amin'ny tany izay hidiranareo ireny; handresy azy ianareo ary honina eo amin'ny taniny. 30 Rehefa voaringana eo anoloanareo ireny, dia mitandrema fandrao ho voafandrika hanaraka ny fanaony ianareo; mitandrema fandrao hamotopototra ny amin'ny andriamaniny ianareo sy hanontany izay fomba nanompoany azy mba hanaovanareo toy izany koa. 31 Aza anaovanareo fomba toy izany ilay TOMPO Andriamanitrareo, satria zavatra mahatsiravina sy halan'ny TOMPO no nataon-dry zareo tamin'ny andriamaniny fa hatramin'ny zanany lahy sy vavy aza dia nodorany forehitra tao anaty afo hanajana ny andriamaniny!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12