vendredi 31 mai 2013

Zoma 31 Mai 2013 - Jao 14 : 8 - 11

8I Filipo kosa nanao taminy hoe:

–Asehoy anay ny Ray, ry Tompo, dia ampy ho anay izay.

9Fa hoy i Jesoa taminy:

–Izay ela izay no niarahako taminareo ka tsy fantatrao ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanao hoe: «Asehoy anay ny Ray»? 10Tsy mino ve ianao fa Izaho dia ao anatin'ny Ray, ary ny Ray ato anatiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy ambarako avy amin'ny tenako: fa ny Ray Izay mitoetra ao anatiko no manao ny asany. 11Minoa Ahy fa Izaho dia ao anatin'ny Ray ary ny Ray ato anatiko; raha tsy mino ny teniko ianareo, dia minoa ahay noho ireny asa ireny.

jeudi 30 mai 2013

Alakamisy 30 Mai 2013 - Deo 31 : 1 - 8

1Dia avy indray i Mosesy nampita ireto teny ireto tamin'ny Israelita ka nanao taminy hoe:

2–Feno 120 taona androany aho ka tsy afa-misahana ny andraikitra fitarihana anareo intsony; sady ny TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Tsy hita io Jôrdàna io ianao!»

3Ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no hita eo alohanareo, Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanareo, mba hahazoanareo ny taniny; ary i Josoa mihitsy no hita eo alohanareo araka izay efa voalazan'ny TOMPO. 4Tahaka ny nataon'ny TOMPO tamin'i Sihôna sy i Hôga, mpanjaka amôrita*, izay naringany mbamin'ny taniny, no hataony amin'ireo firenena ireo koa. 5Hatolotry ny TOMPO eo anoloanareo ireo ka araka ny didy nampitaiko manontolo taminareo no hataonareo aminy. 6Mahereza sy matanjaha! Aza matahotra na manahy an'ireo firenena ireo, satria ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo ary tsy handao anareo na hahafoy anareo. 7Dia nantsoin'i Mosesy i Josoa ka nitenenany teo imason'ny Israelita rehetra hoe:

–Mahereza sy matanjaha, satria ianao sy ity vahoaka ity dia hiara-miditra ao amin'ny tany izay nianianan'ny TOMPO fa homena ny razambenareo; ary ianao no hizara izany tany izany ho fananan'ity vahoaka ity. 8Ny TOMPO mihitsy no handeha eo alohanao, Izy no hiaraka aminao ary tsy handao anao na hahafoy anao; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.

mercredi 29 mai 2013

Alarobia 29 May 2013 - I Kor 1 : 4 - 9

4Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitro ny aminareo aho noho ny fahasoavana efa nomeny anareo izay tafaray amin'i Kristy Jesoa. 5Eny, noho ianareo tafaray amin'i Kristy Jesoa no mampanankarena anareo amin'ny fanomezana rehetra, dia ny teny sy ny fahalalana rehetra. 6Izay nijoroana ho vavolombelona momba an'i Kristy dia efa tafaorina mafy ao aminareo, 7ka tsy misy fanomezam-pahasoavana tsy anananareo eo am-piandrasana ny hisehoan'i Jesoa Kristy Tompontsika. 8Andriamanitra koa no hampiorina anareo hatramin'ny farany, ka tsy hanananareo tsiny amin'ny andro hiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika. 9Mitana ny toky nomeny Andriamanitra Izay niantso anareo hiombona amin'ny Zanany*, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

mardi 28 mai 2013

Talata 28 May 2013 - Kol 1 : 9 - 14

9satria ao amin'i Kristy, araka ny maha olombelona Azy, no mitoetra tanteraka ny hafenoan'ny fomban'Andriamanitra. 10Ka efa heni-tsoa tokoa ianareo satria tafaray amin'Ilay ambonin'ny fanapahana sy fahefana isan-tokony. 11Noho ny firaisana amin'i Kristy, dia voafora ianareo nefa tsy tamin'ny famorana* nataon-tanan'olona fa tamin'ny famorana nataon'i Kristy, izany hoe famorana manaisotra ny herin'ny maha olona mpanota; 12fa tamin'ny nanaovana batisa* anareo, dia niara-nilevina tamin'i Kristy ianareo ary niara-nitsangana taminy koa, satria nino ny herin'ilay Andriamanitra nanangana Azy ho velona avy tany amin'ny maty. 13Maty ara-panahy ianareo fahiny noho ny fahadisoanareo ary noho ianareo tsy voafora tamin'ny maha olona mpanota; ankehitriny kosa, dia novelomin'Andriamanitra niaraka amin'i Kristy ianareo, rehefa navelany avokoa ny fahadisoantsika. 14Novonoiny ny sora-tanana namely antsika, dia ilay nirakitra ny didy niampanga antsika; ary mova tsy nofantsihany teo amin'ny hazofijaliana izany sora-tanana izany ka nofoanany tsy hanan-kery intsony.

lundi 27 mai 2013

Alatsinainy 27 May 2013 - Jer 16 : 19 - 21

19–TOMPO ô, Ianao no heriko sady mpiaro ahy, fialofako amin'ny androm-pahoriako. Hankany aminao ireo firenen-kafa avy any am-paran'ny tany sady ho loa-bolana hoe:

«Tena fitaka ny fivavahana izay nolovanay tamin'ny razanay, fa tsinontsinona sady tsy mahasoa. 20Ny olona ve dia mahay manao andriamanitra ho an'ny tenany? Tsia, tsy Andriamanitra ireny.»

21–Hoy kosa ny TOMPO hoe:

«Koa amin'ity indray mandeha ity, dia hampahafantariko azy ny fahefàko sy ny heriko ka ho fantany fa Izaho no TOMPO.»

dimanche 26 mai 2013

Alahady 26 May 2013 - Lio 10 : 17 - 24

17Faly tokoa ny 72 lahy raha niverina sady nanao hoe:

–Tompo ô, nanaiky anay na dia ireo demony* aza rehefa nodidianay tamin'ny anaranao!

18Fa hoy i Jesoa taminy:

–Hitako tokoa i Satàna* nilatsaka tahaka ny tselatra avy any an-danitra. 19Indro ianareo efa nomeko fahefana hanitsaka bibilava sy maingoka sady hanamontsana ny hery rehetra ananan'ny fahavalo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory. 20Kanefa aza dia ianareo eken'ny fanahy ratsy no ifaliana; fa mifalia noho ianareo efa voasoratra anarana any an-danitra.

21Tamin'izay fotoana izay indrindra, dia henika ny hafaliana tao amin'ny Fanahy Masina i Jesoa ka nanao hoe:

–Ray ô, Tompon'ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin'ny madinika. Eny, Ray ô, izany tokoa no sitrakao!
22Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin'izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy!

23Dia nitodika tamin'ny mpianany i Jesoa ka niteny taminy manokana hoe:

–Sambatra ianareo mahita maso izao hitanareo izao! 24Eny, lazaiko aminareo fa mpaminany* sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo nefa tsy nahita, ary hahare izay renareo nefa tsy nahare.

samedi 25 mai 2013

Sabotsy 25 May 2013 - Sal 89 : 20 - 22

20Indray andro dia niteny tamin-tsindrimandry Ianao ka nilaza tamin'ireo mpivavaka aminao hoe: «Nanaiky hanampy sy hanandratra olo-mahery fo iray aho, dia tovolahy anankiray avy tao amin'ny vahoakako. 21I Davida mpanompoko no efa hitako ka nohosorako ilo masina ho mpanjaka. 22Ny fiarovako no homba azy ary ny heriko no hampahatanjaka azy.

vendredi 24 mai 2013

Zoma 24 May 2013 - Jao 15 : 26 - 27

26Ho tonga ilay Mpampahery anareo, dia ilay Fanahy fahamarinana Izay mivoaka avy any amin'ny Ray: Izy no hirahiko ho etỳ aminareo avy any amin'ny Ray, ary Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. 27Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara Ahy, satria miaraka amiko hatramin'ny voalohany ianareo!

jeudi 23 mai 2013

Alakamisy 23 May 2013 - Sal 68 : 32 - 35


32Ho avy aminao ny andriandahin'i Ejipta; hananty tanana aminao ny Etiôpianina. 33Ianareo fanjakana eto an-tany, mihirà ho fanajana an'Andriamanitra; miredòna salamo ho an'ny Tompo,
Fiatoana
34Ilay toa mitaingina kalesy eo an-tampon'ny lanitra fahagola. Injao Izy mamoaka ny feony, dia feo midoboka mahery. 35Koa ekeo fa an'Andriamanitra ny hery: mifehy an'i Israely ny fiandrianany ary miery ao anaty rahona ny heriny.

mercredi 22 mai 2013

Alarobia 22 May 2013 - Mik 3 : 5 - 8


5Izao no lazain'ny TOMPO ny amin'ireo mpaminany* izay mpamitaka ny vahoakako: «Raha misy mahafoy hokepohiny, dia iantsoany ‹Fiadanana›. Fa izay tsy manome zavatra hataony am-bava kosa dia hananganany ady manokana. 6Noho izany, foana ny fisehoam-pahitana fa ny alina no ho aminareo mpaminany mpamitaka.
Foana koa ny fanambaràna ny ho avy fa ny haizina no hanarona anareo. Hilentika aminareo ny masoandro, ka ho maizina aminareo ny andro!» 7Dia ho menatra ny mpaminany isehoam-pahitana, ary hangaihay ny mpanambara ny ho avy; hisarom-bava avokoa izy rehetra, satria tsy namaly azy intsony Andriamanitra. 8Izaho kosa, noho ny Fanahin'ny TOMPO, dia feno tanjaka sy rariny ary herim-po, mba hanambara amin'ny taranak'i Jakôba ny helony, eny, mba hanambara amin'ny vahoakan'i Israely ny fahotany.

mardi 21 mai 2013

Talata 21 May 2013 - Lio 6 : 17 - 19

17 Dia niara-nidina tamin'ny 12 lahy i Jesoa ho eny an-tany lemaka. Mpianany* maro sy vahoaka betsaka avy any Jodea lafy valo sy Jerosalema ary ny morontsirak'i Tiro sy i Sidôna 18 no tonga teo mba hihaino Azy sy hositraniny amin'ny aretiny; ka izay nampahorîn'ny fanahy maloto* dia sitrana. 19 Ary notadiavin'ny vahoaka rehetra hokasihina i Jesoa satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.

lundi 20 mai 2013

Alatsinainy 20 May 2013 - Deo 7 : 17 - 26

17 Raha ianareo hiteny anakampo hoe: «Maro noho izahay ireo firenena ireo, ka hataonay ahoana no fandroaka azy?», 18 dia aza matahotra azy ianareo. Tsarovy tsara kosa izay nataon'ny TOMPO Andriamanitrareo tamin'ny Farao* sy tamin'i Ejipta manontolo. 19 Masonareo no nahita ny fampahoriana mafy nafitsony an-dry zareo, ny famantarana sy zava-mahagaga vitany ary ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina namoahany anareo tany Ejipta: toy izany koa no hataon'ny TOMPO Andriamanitrareo amin'ny firenena rehetra izay atahoranareo! 20 Na izay sisa tavela ka hiery tsy ho hitanareo aza, dia handefasan'ny TOMPO Andriamanitrareo fanenitra hamely azy mandra-paharingany. 21 Aza matahotra ireny firenena ireny ianareo, fa eo afovoanareo ilay TOMPO Andriamanitrareo, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra. 22 Horoahiny tsikelikely eo anoloanareo izy ireny; tsy ho azonareo fongorana vetivety manko ireny, fandrao hihamaro ny bibidia ka hamely anareo. 23 Hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ho eo ambany fahefànareo ireny firenena ireny, ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-paharingana ireny. 24 Dia hatolony eo an-tananareo koa ny mpanjakany ka ho foananareo tsy ho re laza intsony eto amin'izao tontolo izao; tsy hisy olona hahatohitra anareo mandra-paharinganareo azy. 25 Ny sarin-tsampy voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo; aza tsiriritinareo na alainareo ho anareo ny volafotsy na volamena izay eo amin'ireny sarin-tsampy ireny, fandrao ho fandrika hampanompo sampy anareo izany: eny, zava-mahatsiravina eo imason'ny TOMPO Andriamanitrareo ireny rehetra ireny. 26 Aza mampiditra sarin-tsampy ao an-tranonareo ianareo, fandrao ho mendrika haringana miaraka aminy; ho hàlanareo indrindra sy ho zava-mahatsiravina tokoa eo imasonareo izany, satria zavatra tsy maintsy haringana tanteraka.

dimanche 19 mai 2013

Alahady 19 May 2013 - Asa 2 : 14 - 21


14 Fa nitsangana i Petera, niaraka tamin'ny apôstôly* 11 lahy, ka nanandra-peo nandahatra tamin'ny vahoaka hoe:

–Ry Jiosy mbamy ianareo rehetra tafatoetra eto Jerosalema, izao no aoka ho fantatrareo, ka henoy tsara ny teniko. 15 Tsy mamo velively araka ny fieritreretanareo akory ireo olona ireo, satria vao amin'ny sivy maraina izao. 16 Fa izay mitranga eto izao dia fahatanterahan'ilay voalazan'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Joela mpaminany* hoe:

17 «Izao no ho tonga amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra: Handrotsahako ny Fanahiko ny olombelona rehetra; hilaza hafatra avy amiko ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy, hisehoam-pahitana ny tanoranareo, ary hahazo tsindrimandry ny zokiolonareo. 18 Eny, amin'izany andro izany, dia samy handrotsahako ny Fanahiko ireo mpanompoko na lahy na vavy ka hilaza hafatra avy amiko izy rehetra.
19 Hampisehoako zava-mahatalanjona eny amin'ny habakabaka ambony ary famantarana etỳ amin'ny tany ambany: hisy ra sy afo ary zavon-tsetroka, 20 hiova ho haizina ny masoandro ary ny volana ho tonga mena tahaka ny ra  alohan'ny higadonan'ny andro hiavian'ny Tompo, dia ilay andro lehibe sy mamirapiratra. 21 Ary izay rehetra hiantso ny anaran'ny Tompo dia ho voavonjy!»

samedi 18 mai 2013

Sabotsy 18 May 2013 - Rom 16 : 25 - 27

25 Ho an'Andriamanitra anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay mampahery anareo araka ny Vaovao Mahafaly* ambarako, araka ny hafatra torîko momba an'i Jesoa Kristy*, araka ny fanehoana tamiko ny tsiambaratelo takona hatrizay tao amin'Izy Andriamanitra. 26 Ankehitriny kosa, izany tsiambaratelo izany dia naharihary tamin'ny alalan'ny soratr'ireo mpaminany*, araka ny didin'ilay Andriamanitra mandrakizay, ary nampahafantarina ny firenen-drehetra mba hitarihana azy ireo hino sy hanaiky an'i Kristy. 27 Eny, ho an'Andriamanitra hany manam-pahendrena anie ny voninahitra, amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, mandrakizay mandrakizay! Amen*.

vendredi 17 mai 2013

Zoma 17 May 2013 - Isa 12 : 1 - 6


1 Amin'izany andro izany, ry olona voaavotra, dia hiteny ianao ka hanao hoe:

«Midera Anao aho, TOMPO ô; fa na tezitra tamiko aza Ianao, dia afaka ny fahatezeranao ka nampionona ahy Ianao. 2Indro Andriamanitra namonjy ahy, matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony. Ny TOMPO no heriko sy fidèrako, fa Izy no mpamonjy ahy.»

3 Amim-pifaliana no hantsakanareo eo amin'ny loharanom-pamonjena. 4 Amin'izany andro izany dia hiteny ianareo ka hanao hoe:

 «Miderà ny TOMPO, antsoy ny anarany, ambarao amin'ny vahoaka rehetra ny asany, ampahatsiarovy azy fa tsy hay takarina ny anarany. 5 Ankalazao an-kira ny TOMPO fa asa lehibe no nataony; ary aoka hampahafantarina eran-tany izany!»

6 Mifalia sy miravoravoa, ry mponina ao Tsiôna*, fa lehibe Ilay eo anivonareo, dia Ilay Masin'i Israely.

jeudi 16 mai 2013

Alakamisy 16 May 2013 - Mar 8 : 1 - 9


1 Tamin'izany andro izany, dia vahoaka be indray no teo amin'i Jesoa ary tsy nanan-kohanina; ka nantsoin'i Jesoa ny mpianany* ary nilazany hoe:

2 –Mahonena Ahy ireto vahoaka, satria efa telo andro izao no teto amiko, ka tsy manan-kohanina intsony; 3 ary raha alefako mody tsy misakafo ireo, dia ho reraka eny an-dalana satria avy lavitra ny sasany.

4 Dia hoy ny navalin'ny mpianatra Azy:

–Aiza no hahitana mofo hahavoky an'ireo olona ireo atỳ an-taniefitra atỳ.

5 Dia nanontany i Jesoa hoe:

–Misy mofo firy any aminareo?

Ka hoy ireo mpianany hoe:

–Fito!

6 Dia nasain'i Jesoa nipetraka tamin'ny tany ireto vahoaka. Ary noraisin'i Jesoa ny mofo fito; ka rehefa avy nisaotra an'Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianany harosony; ary dia naroson'ireo tamin'ny vahoaka. 7 Nisy trondro vitsivitsy koa tao, ka rehefa avy nisaoran'i Jesoa an'Andriamanitra, dia nasainy naroso. 8 Dia nihinana ny olona ka voky; ary nangonina ny tapa-mofo aman-trondro ambiny, ka nisy fito harona. 9 Tokony ho efatra arivo anefa ny vatan-dehilahy teo. Dia nalefan'i Jesoa hody ny olona rehetra;

mercredi 15 mai 2013

Alarobia 15 May 2013 - Sal 118 : 13 - 16


13Natosik'ireo aho mba ho lavo, fa ny TOMPO no nanampy ahy.
14 Ny TOMPO no heriko sy reharehako, satria Izy no mampandresy ahy.
15 Feo fihobiana sy horakora-pandresena no ao an-dain'ny olona afaka: «Naneho hery ny tanan'ny TOMPO,
16 nanandratra anay ny tanan'ny TOMPO, naneho hery ny tanan'ny TOMPO.»

mardi 14 mai 2013

Talata 14 May 2013 - II Kor 12 : 7 - 10

7 Fa mba tsy hampieboebo ahy noho ireo fanambarana tsy manan-tsahala voaraiko, dia navelan'Andriamanitra hisy zava-mampijaly ahy tao amin'ny tenako; toy ny irak'i Satàna* mamely ahy izany ka misakana ahy tsy hieboebo. 8 Intelo aho no niangavy ny Tompo mba hialan'izany aretina izany amiko; 9 nefa hoy ny Tompo tamiko: «Ampy ho anao ny fahasoavako, satria ao amin'ny fahalemenao no isehoan'ny heriko tanteraka.» Koa vao mainka sitrako mihitsy ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hambomba ahy ny herin'i Kristy*. 10 Ka dia ifaliako ny fahalemena, ny fanevatevana, ny fahaterena, ny fanenjehana ary ny tebiteby, izay manjo ahy noho ny amin'i Kristy; fa rehefa malemy iny indrindra aho no mahery.

lundi 13 mai 2013

Alatsinainy 13 Mai 2013 - Jao 14 : 15 - 21

15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ireo didiko. 16 Izaho koa hangataka amin'ny Ray, ary Izy no hanome anareo Mpampionona hafa mba homba anareo mandrakizay. 17 Izany Mpampionona hafa izany dia ny Fanahy fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany sady tsy fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo anilanareo Izy sady ho ao anatinareo. 18 Tsy hamela anareo ho kamboty Aho, fa hiverina atỳ aminareo. 19 Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao*; fa ianareo no hahita Ahy satria velona Aho ary ho velona koa ianareo. 20 Amin'izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho dia ao anatin'ny Ray, ianareo ato anatiko ary Izaho ao anatinareo. 21 Izay manana ireo didiko sy mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy dia hotiavin'ny Raiko, ary Izaho koa ho tia azy ka hiseho aminy.

dimanche 12 mai 2013

Alahasy 12 May 2013 - Mpi 6 : 11 - 18


11 Ary tonga tao an-tanàna Hôfrà ilay anjeli*n'ny TOMPO ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta izay an'i Jôasy lehilahy anisan'ny tarik'i Abihezera. I Gidehôna zanakalahin'i Jôasy tamin'izay dia teo am-pivelezam-bary tao amin'ny famiazam-boaloboka mba tsy ho hitan'ny Midianita. 12 Ary nisehoan'ilay anjelin'ny TOMPO izy ka nilazany hoe:

–Ny TOMPO no momba anao, ry ilay mpiady mahery fo!

13Fa novalian'i Gidehôna hoe:

–Azafady, tompoko! Raha momba anay ny TOMPO, nahoana no iharan'izao loza rehetra izao izahay? Aiza avokoa ireo zava-mahagaga notantarain'ny razanay fa nataon'ny TOMPO fony Izy namoaka azy ireny avy tany Ejipta? Fa ankehitriny efa nanary anay ny TOMPO, ka nanolotra anay eo an-tanan'ny Midianita.

14 Dia nitodika nijery azy ny TOMPO ka niteny taminy hoe:

–Mandehàna amin'izao herinao izao, ka afaho teo am-pelatanan'ny Midianita ny Israelita, fa Izaho no naniraka anao.

15 Dia novalian'i Gidehôna hoe:

–Indrisy, Tompo ô, ahoana no ahazoako mamonjy an'i Israely? Kanefa ny fianakaviako no osa indrindra amin'ny fokon'i Manase ary izaho no tanora indrindra ao an-tranon'ny raiko.

16 Fa hoy kosa ny TOMPO taminy:

–Homba anao Aho, ka toy ny famelezana olona iray monja no hamelezanao ny Midianita.

17 Dia namaly Azy i Gidehôna hoe:

–Raha sitrakao àry, dia mba omeo famantarana aho fa Ianao tokoa no miteny amiko. 18 Aoka mba tsy hiala eto Ianao mandra-piveriko mitondra fanatitra izay tiako hatolotra eto anatrehanao.

Ka hoy ny TOMPO hoe:

–Hijanona eto Aho mandra-piverinao.

samedi 11 mai 2013

Sabotsy 11 May 2013 - Asa 1 : 1 - 11


1 Any ianao ry Teôfily,Ilay boky voalohany dia nanoratako ny zavatra rehetra nataon'i Jesoa sy nampianariny, hatrany am-panombohany 2 ka hatramin'ny andro nampiakarana Azy ho any an-danitra. Talohan'ny nampiakarana Azy, dia namelany baiko tamin'ny herin'ny Fanahy Masina ireo nofidiny ho apôstôly*. 3 Porofo maro no nentin'i Jesoa nanambara tena fa velona Izy taorian'ny nahafatesany: niseho tamin'ny apôstôly Izy nandritra ny efapolo andro sady nidinidinika taminy momba ny Fanjakàn'Andriamanitra*. 4 Ary indray andro i Jesoa dia niara-nisakafo taminy ka nanafatrafatra azy hoe:

–Aza miala eto Jerosalema, fa andraso ilay fanomezana nampanantenain'ny Ray, izay efa renareo tamiko. 5 I Jôhany dia nanao batisa* tamin'ny rano; fa ianareo kosa, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina.

Miakatra any an-danitra i Jesoa

6 Koa izay tafangona teo amin'i Jesoa dia nanontany Azy hoe:

–Tompo ô, izao ve no fotoana hanarenanao indray ny fanjakana ho an'i Israely?

7 Fa novalian'i Jesoa hoe:

–Tsy anjaranareo ny mahalala ny fotoana na ny vaninandro voatendrin'ny Ray araka ny fahefàny manokana.

 8 Fa hahazo hery ianareo rehefa hilatsahan'ny Fanahy Masina, ka ho vavolombelona hanambara Ahy eto Jerosalema sy eran'i Jodea mbamin'i Samaria ary hatrany amin'ny faran'ny tany. 9 Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nakarina any an-danitra teo imason'izy ireo; ary nisy rahona nanakona an'i Jesoa ka tonga tsy hitan'izy ireo intsony Izy. 10 Raha mbola nibanjina ny lanitra niakaran'i Jesoa teo iny izy ireo, dia indreo nisy roa lahy nanao fitafiana fotsy tafajoro tampoka teo anilany 11ka nanao taminy hoe:

–Ry lehilahy galileanina, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesoa Izay nalaina teo aminareo hakarina any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy nankany an-danitra.

vendredi 10 mai 2013

Zoma 10 May 2013 - Gen 28 : 10 - 17


10 Dia nilaza ny iray tamin'ny vahiny hoe:

–Hiverina eto aminao aho amin'ny herintaona toy izao, ka hitera-dahy i Sarà vadinao.
I Sarà anefa tamin'izay dia nihaino teo am-baravaran'ny tranolay, tao an-damosin'i Abrahama. 11 Samy antitra i Abrahama sy i Sarà fa samy nandroso taona; ary i Sarà dia efa nitsahatra tamin'ny fadimbolana.

12 Koa nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe: «Dia mbola hisy fahafinaretana ho ahy ve amin'izao fahanterako izao sady efa antitra koa ny vadiko?»

13 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Abrahama:

–Nahoana moa no mihomehy i Sarà? Nahoana izy no manao anakampo hoe: «Marina ve fa hiteraka tokoa ity izaho efa antitra ity?» 14 Moa misy zavatra tsy hain'ny TOMPO tanterahina ve? Koa rehefa miverina eto aminao aho amin'ny herintaona toy izao, dia hanan-janaka lahy i Sarà.

15 Fa nandà noho ny tahotra i Sarà ka nanao hoe:

–Tsy nihomehy aho.

Hoy kosa ny TOMPO hoe:

–Tsia, fa nihomehy ianao.

16 Dia nitsangana niala teo ireo lehilahy vahiny ka nitazana an'i Sôdôma, ary i Abrahama niaraka taminy hanatitra azy. 17 Dia hoy ny TOMPO anakampo hoe: «Moa hafeniko an'i Abrahama ve izay hataoko?

jeudi 9 mai 2013

Alakamisy 09 May 2013 - Lio 24 : 44 - 53


44 Avy eo i Jesoa dia nilaza taminy hoe:

–Izao no efa nambarako taminareo fony Izaho mbola teo aminareo: tsy maintsy tanteraka izay rehetra voalazan'ny Soratra Masina* momba Ahy ao amin'ny lalànan*'i Mosesy sy ny bokin'ny mpaminany* ary ny salamo

45 Tamin'izay dia nosokafan'i Jesoa ny sain'ireo mpianatra mba hahafantatra ny Soratra Masina, 46 sady hoy Izy taminy:

–Izao no voalazan'ny Soratra Masina: tsy maintsy hijaly ny Mesia*, nefa tsy maintsy hitsangana velona avy any amin'ny maty, amin'ny andro fahatelo; 47 ary ny anarany no tsy maintsy hotorîna hatao antso avo amin'ny firenen-drehetra miantomboka eto Jerosalema, mba hanainga ny olona hiala amin'ny toetra ratsiny sy handray famelan-keloka.

48 Ianareo no vavolombelona hanambara izany! 49 Indro hirahiko ho eo aminareo Ilay nampanantenain'ny Raiko; ianareo kosa mitoera eto an-tanàna mandra-pahahenika anareo ny hery avy any ambony. 50 Dia nentin'i Jesoa ivelan'ny tanàna hatrany akaikin'i Betania ireo mpianany*, ary nasandrany ny tanany hitso-drano azy rehetra. 51 Raha mbola nitsodrano Izy, dia nisaraka taminy sy nakarina ho any an-danitra. 52 Ireto mpianany kosa, rehefa nitsaoka Azy, dia niverina tany Jerosalema tamin-kafaliana lehibe, 53 ary tsy tapaka nankalaza an' Andriamanitra tao an-kianjan'ny tempoly*.

mercredi 8 mai 2013

Alarobia 08 May 2013 - II Tim 2 : 1 - 7

1 Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny alalan'ny fahasoavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 2 Ireo zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia ankino amin'ny olona mahatoky, izay afaka mampianatra ny sasany koa. 3 Aoka hiaritra fijaliana miaraka amiko ianao, toy ny miaramila tsaran'i Kristy Jesoa. 4 Ny miaramila miantafika dia tsy maningo-tena amin'ny raharaha fanaom-bahoaka, raha te hankasitrahin'izay mandatsaka azy hiantafika. 5 Ny mpanao fanatanjahan-tena dia tsy mahazo satroboninahi-pandresena raha tsy manezaka araka ny fitsipika. 6 Ny mpamboly izay misasatra no tokony ho voalohany mandray izay anjarany amin'ny vokatra. 7 Saino izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina momba ny zavatra rehetra ianao.

mardi 7 mai 2013

Talata 07 May 2013 - Eze 3 : 4 - 11

4 Ary hoy indray Izy: «Ry ilay taranak'olombelona, mandehana mankany amin'ny Israelita ka ampitao aminy ny teniko. 5 Tsy maniraka anao any amin'ny vahoaka izay miteny fiteny vahiny sarotra takarina Aho, fa any amin'ny vahoakan'i Israely. 6 Raha maniraka anao hankany amin'ireo firenen-kafa izay miteny fiteny vahiny sarotra sy mety tsy ho takatrao Aho, dia tsy isalasalana fa hihaino anao izy. 7 Fa ny Israelita kosa tsy hanaiky hihaino anao satria tsy te hihaino Ahy izy, fa olona mafy loha sady be kirina izy rehetra. 8 Kanefa hataoko sahy mifanatri-tava aminy ianao, ary hataoko mafy loha tahaka azy. 9 Eny, hataoko mafy lalandava ny lohanao ary mafy lavitra noho ny vatolampy aza. Ka aza matahotra azy ianao, ary aza mivadi-po noho ny fihetsika ataon'io vahoaka maditra io. 10 Dia notohizany hoe: «Ry ilay taranak'olombelona, raiso ao am-ponao ary henoy tsara ny teny rehetra izay ambarako anao. 11 Avy eo dia mankanesa any amin'ireo babo izay isan'ny mpiray firenena aminao, ka mitenena aminy hoe: ‹Izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY.› Mitenena aminy na hihaino izy na tsy hihaino.»

lundi 6 mai 2013

Alatsinainy 06 May 2013 - Jao 1 : 9 - 13

 9Ilay Teny no tena fahazavana tonga amin'izao tontolo izao* sady manazava ny olombelona rehetra. 10Teo amin'izao tontolo izao ilay Teny; ary Izy no nahariana an'izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao dia tsy nahalala Azy. 11Tonga teo amin'ny taniny Izy, fa tsy noraisin'ny mpiray firenena aminy. 12Kanefa izay rehetra nandray Azy ary nino Azy, dia nomeny fahefana ho tonga zanak'Andriamanitra*: 13izy ireo dia nateraka tsy araka ny fomban'olombelona miankina amin'ny sitrapon-dehilahy, fa araka ny fomban'Andriamanitra.

dimanche 5 mai 2013

Alahady 05 May 2013 - Sal 46 : 1 - 7


1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Hampiarahina amin'ny zava-maneno avo feo. Tononkira nataon'ireo terak'i Kôra.

2Andriamanitra ny anay no aro sy hery; mpamonjy mora azo indrindra Izy amin'ny fahoriana.
3Koa tsy atahoranay na tany hihozona, na tendrombohitra hianjera any anaty ranomasina,
4na riaka hirohondrohona sy handroatra ka hibontsina hampikoa ny tendrombohitra. Ny TOMPOn'izao rehetra izao no momba anay; ilay Andriamanitr'i Jakôba no fialofanay!
Fiatoana*
5Misy renirano mampifaly ny tanànan'Andriamanitra, dia ilay fonena-masina tsy manan-tsahala amin'ireo fonenan'ny Avo Indrindra.
6Andriamanitra no eo anivony ka tsy hihontsona izy; Andriamanitra mamonjy azy raha ho avy ny maraina.
7Mitabataba ny firenena, mikorontana ny fanjakana; ny Tompo kosa namoaka feo toa kotro-baratra, dia nihovotra sy niempo ny tany.

samedi 4 mai 2013

Sabotsy 04 May 2013 - Lio 5 : 17 - 26


17Indray andro, raha nampianatra i Jesoa, dia nisy Farisianina* sy mpahay lalàna* nipetraka teo akaikiny; avy amin'ny tanàna any Galilea sy Jodea ary avy any Jerosalema ry zareo ireo. Ary niasa ny herin'ny Tompo mba hanasitranan'i Jesoa ny marary. 18Dia indreo nisy lehilahy nilanja malemy anankiray tamin'ny fandriana ka nitady hampiditra azy ao an-trano sy hametraka azy eo anoloan'i Jesoa. 19Tsy hitan'ireo mpilanja izay fomba hampidirana azy noho ny habetsahan'ny olona ka niakarany ny tafon-trano, nanesorany ny tafo tanimanga ary nampidininy ombàm-pandriana ilay malemy ho eo afovoan'ny olona, eo anoloan'i Jesoa. 20Hitan'i Jesoa ny finoan'ireo olona ka hoy Izy tamin'ilay marary:

–Andriamatoa, voavela ny helokao!

21Ireo mpahay lalàna sy Farisianina kosa nieritreritra anakampo hoe: «Mba iza ity manevateva an'Andriamanitra ity? Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery ihany?» 22Takatr'i Jesoa ny eritreritry ny mpahay lalàna sy Farisianina ka notsenainy ry zareo nataony hoe:

–Inona izato eritreretinareo ao am-ponareo? 23Inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza hoe: «Voavela ny helokao», sa ny milaza hoe: «Mitsangàna ka mandehana»? 24Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak'olona* eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka.

Dia hoy i Jesoa tamin'ilay malemy:

–Mandidy anao Aho, mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao!

25Niaraka tamin'izay dia nitsangana teo imason'ny olona ralehilahy, nibata ny fandriany ary nody tany an-tranony sady nanome voninahitra an'Andriamanitra. 26Talanjona avokoa izay rehetra teo ka nanome voninahitra an'Andriamanitra sady raiki-tahotra nanao hoe:

–Zava-mahagaga ity hitantsika androany itỳ?

vendredi 3 mai 2013

Zoma 03 May 2013 - II Sam 22 : 29 - 37

29TOMPO ô, jiro mirehitra ho ahy Ianao; eny, TOMPO ô, Ianao no manazava izany haiziko.
30Noho Ianao Andriamanitro, na hady aza itsambikinako, na manda aza ihoarako.
31Lavorary ny sori-dalan'Andriamanitra, azo antoka ny torohevitry ny TOMPO; toy ny ampinga fiarovana Izy
ho an'izay rehetra mialoka aminy. 32Fa iza moa no Andriamanitra afa-tsy ny TOMPO ihany?
Ary iza no vatolampy ho anay afa-tsy ilay Andriamanitray? 33Izy no mpiaro mahery ho ahy sy mampizotra ahy lalana lavorary;
34Ataony kinga toy ny gazela aho ary ajorony amin'ny toerana avo;
35Izy no manofana ahy ho amin'ny ady ka ahaizako manenjana tsipîka varahina.
36Ny ampingam-pandresenao no atolotrao ahy, Tompo ô; mamaly ny antsoko Ianao ary koa manandratra ahy.
37Ataonao faingam-pandeha kokoa aho, nefa ny hato-tongotro tsy hangozohozo.
38Manenji-pahavalo aho ka mandripaka azy, ary tsy miverina raha tsy efa ringako izy.

jeudi 2 mai 2013

Alakamisy 02 May 2013 - Nom : 14 : 1 - 9


1Nandritra ny alina manontolo dia nikiakiaka sy nitomany avokoa ny vahoaka tafangona teo.2 Nimonomonona tamin'i Mosesy sy I Aharôna ny Israelita rehetra ka nanao hoe: –Tsara kokoa ho antsika ny maty tany Ejipta na koa maty tatỳ an-taniefitra. 3Fa nahoana isika no nentin'ny TOMPO ho lavon-tsabatra amin'ny tany toy izany? Ho lasan-ko babo avokoa ny vady aman-janatsika; koa tsy aleontsika ve miverina indray any Ejipta? 4Dia nifampilaza izy ireo nanao hoe:

–Aoka isika hanendry mpitarika, dia hiverina any Ejipta!

5Niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny fiangonan'ny Israelita rehetra vory teo i Mosesy sy Aharôna. 6I Josa zanakalahin'i Nona sy i Kaleba zanakalahin'i Jefonè izay samy anisan'ny nisafo tany kosa dia nandriatra ny fitafiany* 7ary niteny tamin'ny fiangonana israelita tsivakivolo hoe:

–Ny tany izay nosafoinay dia tany tena tsara tokoa.

8Raha ambinin'ny TOMPO isika, dia hoentiny any amin'io tany tondra-dronono sy tantely io ka homeny antsika izany. 9Koa aza mikomy amin'ny Tompo ianareo; ary aza matahotra ny mponin'io tany io, fa tsy misy hataontsika indraim-bava akory ireo. Efa niala taminy ireo andriamanitra fiarovany, fa ny Tompo kosa momba antsika; koa aza matahotra azy ireny ianareo.

mercredi 1 mai 2013

Alarobia 1 May 2013 - Job 33 : 1 - 7


1Meteza ianao, ry Jôba, hihaino ny kabariko ary mampandria sofina amin'ny teniko rehetra. 2Indro efa hanoka-bava aho fa efa mby eo an-delako ny teny. 3An-kitsimpo tanteraka no hitenenako ka dia hilaza ny tena marina aho. 4Fa Fanahin'Andriamanitra no nahariana ahy ary fofonain'ilay Tsitoha no mamelona ahy.
5Valio aho, raha azonao atao; omany ny fotokevitrao, ka mifanatreha amiko. 6Fa mitovy isika eo anoloan'Andriamanitra: tanimanga no samy namolavolana antsika. 7Ny tahotra ahy tsy mampihontsona anao,
ary ny fahefàko tsy mitambesatra aminao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12