dimanche 30 juin 2013

Alahady 30 Jona 2013 - Mar 13 : 33 - 37

33Mitandrema sy miareta tory ary mivavaha fa tsy fantatrareo izay hahatongavan'izany fotoanandro izany. 34Ho tahaka ny amin'ity lehilahy handeha any an-tany hafa izany: nandao ny tranony ralehilahy ary nizara fahefana tamin'ireo mpiasany ka samy notolorany ny raharahany avy, dia nanafatrafatra ny mpiandry vavahady hiambina. 35Koa miambena àry fa tsy fantatrareo ny fotoana hiavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina. 36Tandremo sao tonga tampoka izy ka hitany matory ianareo. 37Ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena!

samedi 29 juin 2013

Sabotsy 29 Jona 2013 - Eks 12 : 1 - 12

1Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy sy Aharôna tany Ejipta hoe: 2«Ity volana ity aminareo no ho volana voalohany, ka izy no hataonareo fiandohan'ny taona. 3Ambarao amin'ny fiangonana israelita manontolo hoe: Amin'ny fahafolon'ity volana ity dia samia maka zanakondry iray avy isan-trano na isam-pianakaviana. 4Raha vitsy loatra ny iray trano tsy mahalany zanakondry iray, dia hiarahanareo maka amin'ny fianakaviana mifanakaiky aminareo izay araka ny isan'ny olona. Fidionareo ny biby araka izay mety ho lanin'ny tsirairay. 5Zanakondry lahy na zanakosy lahy tsy misy kilema, herintaona, no halainareo. 6Hotehiriziko hatramin'ny andro faha-14 amin'ity volana ity izany, ka ny harivan'io andro io dia samy hamono azy ny fiangonana israelita manontolo. 7Hanalanareo ny rany ka hanosoranareo ny tolam-baravarana roa sy ny tataom-baravarana isan-trano hihinanana azy. 8Atsatsiho amin'ny afo ny hena, ary hano amin'io alina io miaraka amin'ny mofo tsy misy leviora* sy ny anamafaitra. 9Aza haninareo manta na hahandroina ny hena, fa atsatsiho amin'ny afo manontolo miaraka amin'ny lohany sy ny tongony ary ny taovany. 10Aza asiana sisa ho tra-maraina; fa raha misy sisa tavela, dia dory amin'ny afo. 11Ary toy izao no hataonareo rehefa mihinana azy: asio sikina ny akanjonareo, anaovy ny kapanareo ary ataovy an-tanana ny tehinareo, dia hano faingana izany fa Paska* ho an'ny TOMPO. 12«Hamakivaky ao amin'ny tany Ejipta Aho amin'io alina io, ka hamono ny lahimatoa rehetra ao aminy manomboka amin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy. Hotanterahiko ny didim-pitsarana hamelezana ny andriamanitry ny Ejiptianina rehetra. Izaho no TOMPO.

vendredi 28 juin 2013

Zoma 28 Jona 2013 - Rom 13 : 1 - 5

1Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manampahefana ara-panjakana; fa tsy misy fahefana tsy avy amin'Andriamanitra, ary ny fahefana izay misy dia voatendrin'Andriamanitra avokoa. 2Koa izay manohitra ny fahefana dia mandà ny fandaharan'Andriamanitra; ary izay mandà dia mihantsy fanamelohana ho an'ny tenany. 3Fa ny mpitondra dia tsy natao hampitahorana izay manao ny tsara, fa izay manao ny ratsy. Satrinao ve ny tsy hatahotra ny manampahefana? Manaova ny tsara, fa dera no ho azonao avy amin'ny manampahefana. 4Satria mpanompon'Andriamanitra natao hahasoa anao izy. Raha ratsy kosa no ataonao, dia matahora azy; fa afaka mampihatra famaizana tokoa ny manampahefana, satria mpanompon'Andriamanitra natao haneho ny fahatezeran'Andriamanitra* izy amin'ny fanasaziana ny mpanao ratsy. 5Noho izany, dia ilaina ny manaiky, tsy dia noho ny fahatezeran'Andriamanitra fotsiny fa noho ny baikon'ny fieritreretana koa.

jeudi 27 juin 2013

Alakamisy 27 Jona 2013 - Mat 19 : 27 - 30

27Tamin'izay i Petera dia niteny tamin'i Jesoa hoe:

–Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary dia izao miaraka aminao izao; ka inona àry no ho azonay?

28Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:

–Lazaiko marina aminareo fa rehefa hohavaozina tanteraka izao tontolo izao ka hipetraka eo amin'ny sezafiandrianany be voninahitra ny Zanak'olona*, ianareo 12 lahy niaraka tamiko dia samy hipetraka amina sezafiandrianana mba hitsara ny foko 12 amin'i Israely. 29Ary izay rehetra mahafoy trano na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy dia hahazo injato henin'izany ary hanana anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay.


30Maro amin'ireo voalohany no ho farany, ary maro amin'ireo farany no ho voalohany.

mercredi 26 juin 2013

Alarobia 26 Jona 2013 - Gen 15 : 12 - 21

 12Nony efa hilentika ny masoandro, dia renoky ny torimaso lalina i Abrama, ka indro nisy haizina lehibe mampatahotra nanarona azy. 13Dia hoy ny TOMPO tamin'i Abrama:

–Aoka ho fantatrao tsara fa hivahiny any amin'ny tany izay tsy azy ireo taranakao, ka ho mpanompo any ary hampijalîna mandritra ny efajato taona. 14Avy eo kosa dia hofaiziko ny firenena izay notompoiny, ka hiainga mitondra fananam-be avy any ireo taranakao. 15Ianao kosa ho faty amim-piadanana ka halevina, rehefa tratra antitra tsara. 16Amin'ny taranakao fahefatra vao hiverina eto izy ireo, satria mandraka androany dia tsy mbola feno ny heloky ny Amôrita* handroahako azy.

17Nony efa nilentika ny masoandro, dia nisy haizim-be mikitroka; ary indro nisy fatana midona-tsetroka sy fanilo mirehitra namaky teo anivon'ireo biby voasasaka. 18Tamin'izay andro izay ny TOMPO dia nanao fanekempihavanana* tamin'i Abrama, ka niteny hoe:

–Omeko ny taranakao ity tany ity, manomboka eo amin'ny ranon-driakan'i Ejipta ka hatrany Eofrata ony lehibe 19izany hoe ny tany onenan'ireto foko ireto: ny Kenita sy ny Kenizita, ny Kadmônita 20sy ny Hetita, ny Perizita sy ny Refaita, 21ny Amôrita sy ny Kanahanita ary ny Girgasita sy ny Jebosita.

mardi 25 juin 2013

Talata 25 Jona 2013 - II Sam 7 : 8 - 16

8Koa lazao amin'i Davida mpanompoko fa Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no mampita hafatra hoe: ‹Izaho no naka anao teo am-piandrasana ondry tany an-kijàna mba ho filohan'i Israely vahoakako. 9Niaraka taminao Aho teo amin'izay nalehanao rehetra, ka nandripaka ny fahavalonao rehetra teo anoloanao, ary hataoko lehibe ny lazanao tahaka ny an'ireo olona ambony eto an-tany. 10Ary handraiketako toerana iray hampiorenako azy ny Israely vahoakako, ka dia honina tsy hanana ahiahy amin'izany izy. Fa tsy hisy firenen-dozabe hampahory azy intsony taloha, 11dia tamin'ny andro nanendreko mpitsara hifehy ny Israely vahoakako; ary hampiadana anao ho afaka amin'ny fahavalonao rehetra Aho. Ambarako aminao koa fa Izaho TOMPO mihitsy no hanome taranaka ho anao. 12Ary rehefa ho tapitra ny andronao ka hodimandry any amin'ireo razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ka haoriko mafy ny fanjakany. 13Izy no hanao trano ho an'ny anarako; ary haoriko mafy mandrakizay ny sezafiandrianam-panjakàny. 14Izaho ho rainy ary izy ho zanako. Raha manao ratsy izy, dia hofaiziko araka ny fomban'ny olona sy amin'ny loza mahavoa ny olombelona. 15Kanefa tsy hanesotra aminy na oviana na oviana ny fitiavako Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly izay nasoloako anao. 16Ho azo antoka hitohy mandrakizay any aorianao ny taranakao sy ny fanjakanao, ary ny sezafiandriananao tsy ho voahozongozona mandrakizay.› »

lundi 24 juin 2013

Alatsinainy 24 Jona 2013 - Jer 35 : 1 - 11

1Tamin'ny andron'i Jôiakima, zanakalahin'i Josià sady mpanjakan'i Joda, dia tonga ho an'i Jeremià avy amin'ny TOMPO izao teny izao: 2«Mandehana mankany amin'ny fokon'ny Rekabita ka reseo lahatra izy mba hankao amin'ny efitra iray ao an-tranoko, dia rosoy divay hosotroiny.» 3Dia nandeha aho, ka naka an'i Jazanià, zanakalahin'i Jirmeià sady zafikelin'i Habatsinià, mbamin'ny rahalahin'io Jazanià io sy ny zanakalahiny rehetra, dia ny fokon'ny Rekabita manontolo. 4Nampidiriko tao amin'ny efitra iray tao an-tranon'ny TOMPO izy, dia tao amin'ny efitra voatokana ho an'ny mpianatr'i Hanàna, izay lehilahy masina sady zanakalahin'i Jigdalià. Io efitra io dia teo akaikin'ilay efitranon'ireo lehibe ary teo ambonin'ny an'i Mahaseià, zanakalahin'i Salòma izay mpisorona miambina ny varavarana fidirana amin'ny tempoly. 5Dia narosoko teo anoloan'ireo Rekabita ireo ny siny feno divay sy ny tsatokaty, ary hoy aho taminy:

–Misotroa divay ianareo!

6Nefa namaly izy hoe:

–Tsy misotro divay izahay, satria i Jônadaba, zanakalahin'i Rekaba sady razanay, dia efa nandidy anay hoe:
«Aza misotro divay na oviana na oviana, na ianareo na ny taranakareo. 7Aza manao trano ianareo na mamboly ny tany na mamboly voaloboka, na manana tanimboaloboka; fa anaty trano lay ihany no hipetrahanareo mandritra ny androm-piainanareo rehetra, dia ho ela velona ianareo any amin'ny tany izay ivahinianareo any.»

8Koa nankatoavinay ny tenin'i Jônadaba zanakalahin'i Rekaba sady razanay, tamin'izay rehetra nanafarany anay. Dia tsy misotro divay na oviana na oviana ny tenanay na ny vadinay na ny zanakay lahy na ny zanakay vavy. 9Tsy manao trano hipetrahanay izahay na manana tanimboaloboka na saha voavoly, 10fa mipetraka an-day. Koa ankatoavinay sy arahinay izay rehetra nanafaran'i Jônadaba razanay anay. 11Fa nony niakatra teto amin'ny tany i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilôna, dia nanapa-kevitra hiditra ato Jerosalema izahay mba handositra ny tafika babilônianina sy sirianina. Koa izany no ipetrahanay eto Jerosalema izao.

dimanche 23 juin 2013

Alahady 23 Jona 2013 - Jao 19 : 6 - 11

6Nony mahita an'i Jesoa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpiandry raharaha, dia niantsoantso nanao hoe:

–Homboy amin'ny hazofijaliana io! Homboy amin'ny hazofijaliana io!

Fa hoy i Pilato taminy:

–Entonareo Izy, ka homboy amin'ny hazofijaliana; fa Izaho tsy mahita izay helony.

7Ny Jiosy kosa namaly azy hoe:

–Manana lalàna* izahay, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak'Andriamanitra*!

8Rehefa nandre izany teny izany i Pilato, dia vao mainka natahotra. 9Ary niditra tao an-trano indray izy ka nanao hoe tamin'i Jesoa hoe:

–Avy aiza moa Ianao?

Fa tsy namaly azy i Jesoa. 10Ka hoy i Pilato taminy:

–Izaho ve no tsy itenenanao? Tsy fantatrao angaha fa sady manana fahefana handefa Anao aho, no manana fahefana hampanombo Anao amin'ny hazofijaliana koa?

11I Jesoa kosa namaly azy hoe:

–Tsy hanana fahefana amiko akory ianao, raha tsy nomen'Andriamanitra anao izany; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa!

samedi 22 juin 2013

Sabotsy 22 Jona 2013 - Heb 11 : 8 - 12

8Finoana no naneken'i Abrahama fony izy nantsoin'Andriamanitra hiainga ho any amin'ny tany izay horaisiny ho lova; ka nandao ny tany nahabe izy, nefa tsy fantany izay halehany. 9Finoana no nonenany toy ny mpiavy tao amin'ny tany nampanantenain'Andriamanitra ho azy. Tranolay no nitoerany, dia izy mbamin'i Itsehàka sy i Jakôba, izay samy nandray izany fampanantenana izany. 10Fa i Abrahama dia niandry ilay tanàna mafy orina, ka Andriamanitra no tompo-marika tamin'izany sady nanao azy. 11Finoana no nahazoan'i Abrahama hery hanana anaka, na dia efa antidahibe aza izy ary na dia vehivavy momba aza i Sarà vadiny; satria azon'i Abrahama antoka fa mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 12Olona efa naman'ny maty ihany i Abrahama, nefa dia avy amin'izany lehilahy anankiray izany no niavian'ny taranaka maro toy ny kintana eny amin'ny habakabaka sy toy ny fasika tsy tambo isaina eny amoron-dranomasina.

vendredi 21 juin 2013

Zoma 21 Jona 2013 - Eze 20 : 39 - 44

39Ary ny aminareo Israelita kosa dia izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Samia miroso manompo ny sampiny avy ianareo! Nefa any aoriana any dia hankatò Ahy mihitsy ianareo, ary tsy hanimbazimba ny anarako masina intsony amin'ny fanolorana fanatitra ho an'ny sampinareo. 40Fa teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izao: ny Israelita rehetra eo amin'ny tany dia hanao fanompoam-pivavahana Amiko eo an-tendrombohitra voatokana ho Ahy, dia ilay tendrombohitra avo any Israely. Eo no handraisako tsara anareo sy hiangaviako hitondranareo izay rehetra voatokanareo ho Ahy, dia ny fanomezana sy fanatitra amin'izay tsara indrindra anananareo. 41Miaraka amin'ny sorona manetona hanitra ankasitrahiko no handraisako tsara anareo, rehefa havoakako avy eo anivon'ny firenen-kafa ianareo sy hovoriko avy any amin'ny tany izay nampielezako anareo. Ka ny hataoko aminareo no hanehoako ny maha Andriamanitra Masina Ahy eo imason'ny firenen-kafa. 42Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO, rehefa tafaveriko ao amin'ny tanin'i Israely izay nianianako homeko ny razanareo. 43Ao ianareo no hisaintsaina ny fitondrantenanareo tamin'ny lasa sy ireo asa nampahaloto anareo. Haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra efa nataonareo. 44Tsy araka ny toe-dratsinareo sy ny asa tsy mendrika nataonareo no havaliko anareo, ry Israelita, fa mba ho fitandroako ny lazako. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»

jeudi 20 juin 2013

Alakamisy 20 Jona 2013 - Jao 20 - 21 - 23

21Dia hoy indray i Jesoa taminy:Ho ao aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo koa. 22Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka taminy ary nanao hoe:

–Raiso ny Fanahy Masina. 23Na iza na iza avelanareo heloka, dia voavela; ary na iza na iza tsy avelanareo heloka, dia tsy voavela.

mercredi 19 juin 2013

Alarobia 19 Jona 2013 - Tit 3 : 1 - 11

1Ampahatsiarovy ny mpino mba hanaiky ny mpitondra sy ny manampahefana, hanoa azy ka ho vonona hanatontosa izay rehetra mety ho asa soa. 2Aoka ny mpino tsy hanevateva olona, tsy ho fiadîna, fa handefitra, haneho halemem-panahy lalandava amin'ny olona rehetra. 3Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin'ny filàna sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin'ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain'olona no mankahala olona. 4Fa nony efa naneho ny hamoram-pony sy ny fitiavany olona ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika, 5dia novonjeny isika, tsy noho ny asa marina vitantsika, fa noho ny famindrampony tamintsika. Ny namonjeny antsika dia tamin'ny alalan'ny rano fampandroana izay nanomezan'ny Fanahy Masina antsika fahateraham-baovao sy fiainam-baovao. 6Fa nandrotsahan'Andriamanitra be dia be ny Fanahy Masina isika tamin'ny alalan'i Kristy* Jesoa Mpamonjy antsika, 7hahatonga antsika ho marina eo anatrehan'Andriamanitra noho ny fahasoavan'i Kristy sy hahatonga antsika hanana anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay efa antenaintsika. 8Teny azo antoka izany!Tiako hoantitranterinao ireo zavatra ireo mba himasoan'ny mpino an'Andriamanitra hiezaka manao asa tsara; izany no tsara sady mahasoa ny olona. 9Fa halaviro ny fanontaniana adaladala, ny tantaram-pirazanana, ny fifandirana sy ady momba ny lalàna jiosy; satria sady tsy mahasoa izany no zava-poana. 10Ny olona mpampisara-bazana dia anaro indray mandeha sy fanindroany; ka rehefa tsy laitra anarina, dia ialao. 11Fantatrao manko fa ny olona toy izany dia efa mivaona ka sady manota no manamelo-tena rahateo.

mardi 18 juin 2013

Talata 18 Jona 2013 - Mar 7 : 24 - 30

24Dia niala teo i Jesoa ary lasa nankany amin'ny faritany akaikin'ny tanàna atao hoe Tiro; ary niditra tao an-trano anankiray Izy fa tsy te ho fantatry ny olona, kanefa tsy afa-niafina. 25Dia nisy vehivavy anankiray izay, nanan-janaka vavy azon'ny fanahy maloto; vao nandre momba an'i Jesoa ravehivavy, dia lasa nankao aminy ka niankohoka teo an-tongony. 26Miteny grika ravehivavy sady Sirôfenisianina firazanana; ary niangavy an'i Jesoa izy handroaka ny demony* hiala tao amin-janany. 27Fa hoy i Jesoa taminy:

–Avelao aloha ho voky ny zanaka nateraka, fa tsy tsara raha ny mofon-janaka no alaina ka atsipy ho an'ny amboa kely.

28Dia namaly ravehivavy ka nanao hoe:

–Nefa, Tompoko, na ny amboakely ao ambany latabatra aza, dia mba mihinana ny sombintsombiny avy amin'ny mofon'ny ankizy ihany.

29Dia hoy i Jesoa taminy:

–Izany no teninao, ka dia modia fa efa niala tamin'ny zanakao ny demony.

30Ary rehefa niala teo ravehivavy ka tonga tany an-tranony, dia nahita ny zanany matory tsara eo am-pandriana, efa nialan'ny demony.

lundi 17 juin 2013

Alatsinainy 17 Jona 2013 - Eks 9 : 13 - 16

13Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:

–Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehàna miseho eo anatrehan'ny Farao* ka lazao aminy hoe: «Izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, aminao: ‹Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko. 14Fa amin'ity indray mandeha ity dia halefako hamely anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny loza rehetra mba ho fantatrao fa tsy misy tahaka ahy eto ambonin'ny tany. 15Ankehitriny, raha naninji-tanana namely anao sy ny vahoakanao tamin'ny areti-mandringana Aho, dia efa levona teto ambonin'ny tany ianareo. 16Saingy navelako ho velona ianao mba hahitanao ny heriko sy hitantarana ny lazako any amin'ny tany rehetra.

dimanche 16 juin 2013

Alahady 16 Jona 2013 - II Kor 1 - 10

1Izaho Paoly mihitsy no manainga anareo, dia izaho izay lazaina fa manetry tena rehefa manoloana anareo, nefa henjana aminareo rehefa lavitra anareo. Miangavy anareo amin'ny fahalemem-panahy sy hamoram-pon'i Kristy* aho: 2aoka re aho mba tsy ho voatery hanao teny henjana amin'ny hahatongavako atỳ aminareo; fa mikasa hihenjana amim-pahasahiana tokoa aho amin'ny olona sasany, izay mihevitra fa manao fitondrantena araka ny fisainan'olombelona izahay. 3Na dia ao anatin'ny fiainana maha olombelona aza izahay, dia tsy araka ny fisainan'olombelona no iadianay; 4satria tsy fitaovam-piadiana malemy, araka ny an'ny olombelona, no entinay miady; fa fitaovam-piadiana mahery, araka an'Andriamanitra, mba hoenti-mandrava mànda. Ravànay ny hevitra diso 5sy feno avonavona rehetra, izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra; ary babonay hanaiky an'i Kristy ny olona rehetra mahitsy fieritreretana. 6Vonona hanafay ny tsy mpanota rehetra izahay, rehefa mampiseho fanoavana tanteraka ianareo. 7Mijery zavatra araka ny fisehony ivelany ihany ianareo! Raha misy olona matoky tena fa an'i Kristy, dia izao indray no aoka hosaintsaininy: tahaka ny maha an'i Kristy azy no maha an'i Kristy anay koa. 8Ary tsy hahazo henatra aho na dia ireharehako somary tafahoatra aza ny fahefana nomen'ny Tompo anay, dia fahefana hampandrosoana ny Fiangonanareo fa tsy handravana azy. 9Tsy te hiseho ho toy ny hoe mampitahotra anareo aho amin'ireto taratasy soratako; fa misy manao hoe: 10«Mafonja sy mahery vaika ireo taratasin'i Paoly; nefa rehefa mby eto aminay izy tenany, dia olona osa ary ny teniny dia tsinontsinona.» 11Izao no aoka hosaintsainin'ilay miteny toy izany: sahala amin'izay soratanay an-taratasy raha lavitra izahay, no hataonay rehefa tonga izahay.

samedi 15 juin 2013

Sabotsy 15 Jona 2013 - Sal 46 : 8 - 11

8Ny TOMPOn'izao rehetra izao no momba anay; ilay Andriamanitr'i Jakôba no fialofanay!
Fiatoana
9Tongava hizaha ny asa vitan'ny TOMPO, dia ny zava-mampitolagaga nataony teto an-tany:  10ny ady ampitsahariny hatrany am-paran'ny tany, ny tsipîka sy ny lefona tapatapahiny, ary ny ampinga ataony kilan'ny afo. 11Hoy ny Tompo hoe: «Tapitra hatreo ny ady; ka ekeo fa Izaho no Andriamanitra, voasandratra hanerinerina amin'ireo firenena, voasandratra hanerinerina amin'ny tany.»

vendredi 14 juin 2013

Zoma 14 Jona 2013 - Kol 2 : 8 - 15

8Mitandrema fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny fahendren'olombelona sy ny famitahana foana: ny fampianarana ampitain'olombelona sy ny herin-javatr'izao tontolo izao* no iorenan'izany fa tsy i Kristy; 9satria ao amin'i Kristy, araka ny maha olombelona Azy, no mitoetra tanteraka ny hafenoan'ny fomban'Andriamanitra. 10Ka efa heni-tsoa tokoa ianareo satria tafaray amin'Ilay ambonin'ny fanapahana sy fahefana isan-tokony. 11Noho ny firaisana amin'i Kristy, dia voafora ianareo nefa tsy tamin'ny famorana* nataon-tanan'olona fa tamin'ny famorana nataon'i Kristy, izany hoe famorana manaisotra ny herin'ny maha olona mpanota; 12fa tamin'ny nanaovana batisa* anareo, dia niara-nilevina tamin'i Kristy ianareo ary niara-nitsangana taminy koa, satria nino ny herin'ilay Andriamanitra nanangana Azy ho velona avy tany amin'ny maty. 13Maty ara-panahy ianareo fahiny noho ny fahadisoanareo ary noho ianareo tsy voafora tamin'ny maha olona mpanota; ankehitriny kosa, dia novelomin'Andriamanitra niaraka amin'i Kristy ianareo, rehefa navelany avokoa ny fahadisoantsika. 14Novonoiny ny sora-tanana namely antsika, dia ilay nirakitra ny didy niampanga antsika; ary mova tsy nofantsihany teo amin'ny hazofijaliana izany sora-tanana izany ka nofoanany tsy hanan-kery intsony. 15Koa ny hazofijaliana no nandravan'i Kristy ny herin'ny fanapahana sy fahefana; dia nataony babo ireo ka nanjohy ny matsom-pandreseny ary nasehony miharihary ho fizàhan'ny olona.

jeudi 13 juin 2013

Alakamisy 13 Jona 2013 - Dan 7 : 23 - 28

23Izao no nambarany: «Ny biby fahefatra dia fanjakana fahefatra eto an-tany izay hafa noho ireo fanjakana rehetra, fa hihinana ny tany tontolo izy ka hanosihosy sady hanorotoro azy. 24Ary ny tandroka folo dia mampiseho mpanjaka folo izay hifandimby hifehy io fanjakana io; ary hisy mpanjaka iray hafa noho ireo teo alohany hitsangana manaraka an'ireo, rehefa avy handresy mpanjaka telo. 25Hilaza teny manohitra ny Avo Indrindra izy, hampahory ny vahoakan'ilay Avo Indrindra sady mihevitra hanova ny fankalazana sy ny lalàna; ary hatolotra eny an-tanany nandritra ny telo taona sy tapany io vahoakan'Andriamanitra io ireo. 26Avy eo dia ho avy ny fitsarana any an-koatra ka hesorina amin'io biby io ny fiandrianany izay horavana sy holevonina hatramin'ny farany. 27Ny fahefà-manjaka sy ny fiandrianana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana rehetra eny ambanin'ny lanitra dia homena ny vahoakan'ilay Andriamanitra Avo Indrindra; ka ny fahefà-manjakan'io vahoaka io dia haharitra mandrakizay ary ny fiandrianana rehetra dia hanompo sy hankato azy. 28«Mifarana eo ilay tantara. Fa ny amiko Daniela kosa dia nampitebiteby mafy ahy ny eritreritro ka nivaloarika ny tarehiko; nefa notehiriziko tao am-poko izany zavatra izany.»

mercredi 12 juin 2013

Alarobia 12 Jona 2013 - Mat 19 : 16 - 26

16Ary indro nisy tovolahy nanatona an'i Jesoa ka nanao taminy hoe:

–Mpampianatra ô, inona no tsara tokony hataoko hahavelona aina ahy mandrakizay?

17Dia hoy i Jesoa taminy:

–Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Tokana no tsara tapitra ohatra. Raha te hiroso amin'ny fiainana kosa ianao, dia tandremo ny didy!

18Fa hoy ilay zatovo taminy:

–Didy sahala amin'inona moa izany?

Ka izao no navalin'i Jesoa:

–Ny didy sahala amin'ny hoe: Aza mamono olona, aza maka vadin'olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina; 19hajao ny rainao sy ny reninao, ary tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao!

20Dia hoy ilay zatovo taminy:

–Izany rehetra izany dia efa voatandriko; ka inona no mbola tsy ampy amiko?

21Ary i Jesoa nanao taminy hoe:

–Raha te ho velona aina tanteraka ianao, ndeha amidio ny fanananao ka zarao amin'ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia avia hiaraka amiko!

22Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia lasa nandeha tamin'alahelo, satria nanan-karem-be. 23Tamin'izay i Jesoa dia niteny tamin'ny mpianany hoe:

–Lazaiko marina aminareo fa sarotra amin'ny mpanankarena ny hiditra ao amin'ny Fanjakàn'ny lanitra*.
24Ary hoy koa Aho aminareo: moramora kokoa ny hidiran'ny rameva ao amin'ny vodifanjaikely noho ny hidiran'ny mpanankarena ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra!

25Talanjona tokoa ny mpianatra raha nandre izany ka vaky vava hoe:

–Iza àry no mety ho voavonjy?

26Fa nojeren'i Jesoa tsara ireto mpianany sady nataony hoe:

–Raha amin'ny olombelona, dia zavatra tsy hainy izany; fa raha amin'Andriamanitra, dia hainy avokoa ny zavatra rehetra.

mardi 11 juin 2013

Talata 11 Jona 2013 - II Tan 19 : 1 - 7

1Dia niverina soa aman-tsara tao an-dapany, tao Jerosalema, i Jôsafata mpanjakan'i Joda. 2Niainga hitsena azy i Jehò mpaminany* zanakalahin'i Hananỳ, ka nanao taminy hoe:

–Moa ny olon-dratsy ve no tokony hampiana ary izay mpankahala ny TOMPO va no tokony hotiavinao? Noho izany, dia tezitra aminao ny TOMPO. 3Kanefa misy hatsaram-panahy hita ihany aminao, satria nofoananao tsy ho eo amin'ny taninao ny tsatokazo fanajana an'i Aserà* sady naronanao ny fonao hitady an'Andriamanitra.

4Nitoetra tao Jerosalema i Jôsafata; ary nandeha hitety vahoaka indray izy hatrany Beera-Seba ka hatrany amin'ny tendrombohitr'i Efraîma, ary nampiverina azy ho amin'ny TOMPO Andriamanitry ny razany. 5Nanendreny mpitsara tamin'ny isan-tanànamimanda eran'ny tanin'i Joda 6sady nohafatrafarany hoe:

–Tandremo izay hataonareo, satria tsy araka ny olona fa araka ny TOMPO no hitsaranareo; sady ny Tompo mihitsy no hiaraka aminareo rehefa mitsara ianareo. 7Koa ho ao aminareo anie ny fanajana ny TOMPO! Tandremo sy ataovy izany, fa tsy tia heloka na fizahan-tavan'olona na fandraisan-kolikoly ny TOMPO Andriamanitsika.

lundi 10 juin 2013

Alatsinainy 10 Jona 2013 - Mat 21 : 33 - 46

33–Mihainoa fanoharana* hafa koa: Nisy mpanan-tany nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana; dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa. 34Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin'ireo mpamboly ny mpiasany handray ny vokatra. 35Fa nosamborin'ireo mpamboly ny mpiasany ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny ary ny anankiray notorahany vato. 36Dia mpiasa hafa, maro noho ny teo indray, no nirahiny; kanefa nataon'ireo mpamboly toy izany koa. 37Tamin'ny farany dia ny zanany no nirahiny ho any amin'ireo mpamboly, fa hoy ilay tompon'ny tanimboaloboka: «Hananan'ireo hena-maso ny zanako!» 38Vao nahita ity zanany kosa ireo mpamboly, dia nifampiresaka hoe: «Ny mpandova ity, ka ndeha hovonoina dia ho lasantsika ny lovany.» 39Dia nosamborin'ireo mpamboly izy ka natosiny tany ivelan'ny tanimboaloboka ary novonoiny. 40Dia hoy i Jesoa nanontany hoe:

–Raha tonga àry ilay tompon'ny tanimboaloboka, inona moa no hataony amin'ireo mpamboly ireo?

41Dia hoy ry zareo taminy:

–Ireo olona tsy manana antra ireo dia haringany tsy hananany antra ary ny tanimboaloboka dia hahofany amina mpamboly hafa izay hanome azy ny vokatra isaky ny fotoam-pahavokarana.

42Ary izao no tenin'i Jesoa tamin'ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina:

–Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina* manao hoe:
«Ny vato nolavin'ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro; avy amin'ny Tompo izao, ary dia zava-mahagaga eto ambany masontsika!»

43Noho izany, dia lazaiko aminareo fa hoesorina aminareo ny Fanjakàn'Andriamanitra*, ka homena izay firenena hampahavokatra azy. [ 44Izay mianjera amin'izany vato izany dia ho torotoro; ary izay ianjerany kosa ho montsamontsana.] 45Nony nandre ireo fanoharana nataon'i Jesoa ireo ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina*, dia nahatsiaro tena ho lazainy amin'izany. 46Ary nitady hisambotra Azy ry zareo, saingy natahotra ny vahoaka izay nankatò an'i Jesoa ho mpaminanin'Andriamanitra*.

dimanche 9 juin 2013

Alahady 09 Jona 2013 - Apo 2 : 18 - 29

18–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Tiatira:«Izao no lazain'ilay Zanak'Andriamanitra*, dia Ilay manana maso mivaivay tahaka ny lelafo sady manana tongotra mangirangirana tahaka ny varahina manganohano: 19Fantatro ny asanao, ny fitiavanao, ny finoanao, ny fanompoanao, ary ny faharetanao; ary ny asanao farany izao dia be noho ny tany am-boalohany. 20Saingy izao no anomezako tsiny anao: leferinao ilay vehivavy Jezebela izay milaza ny tenany ho mpaminany*, ka dia mampianatra sy manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natao fanatitra tamin'ny sampy. 21Efa nomeko andro io vehivavy io hialany amin'ny toe-dratsiny, saingy tsy mety miala amin'ny fijangajangàny*. 22Indro hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay nanitsakitsa-bady taminy dia hozoim-pahoriana lehibe, raha toa tsy miala amin'ny asa nampianarin-dravehivavy azy. 23Hovonoiko ho faty ny zanany, ka ho fantatry ny Fiangonana rehetra fa Izaho no mahalala ny ao am-po tsy miloatra; ary hovaliako araka ny asanareo avy ianareo. 24«Fa ianareo sisa rehetra amin'ny Fiangonana any Tiatira dia tsy nanaraka izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe ‹hevi-dalin'i Satàna*›; ka izao no lazaiko aminareo: tsy hovesarako entana hafa ianareo; 25fa izay anananareo no tano mafy mandra-piaviko. 26-28«Izay maharesy ka mitandrina ny hanao ny asako hatramin'ny farany, dia homeko fahefana toy izay efa noraisiko tamin'ny Raiko: homeko fahefana amin'ny firenena izy, ka hifehy azy amin'ny tehim-by ary hanorotoro azy toy ny vilany tany. Homeko an'izay maharesy koa ny kintana fitarikandro. 29«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

samedi 8 juin 2013

Sabotsy 08 Jona 2013 - Lio 7 : 1 - 10

1Rehefa avy nampandre ny vahoaka izany teniny rehetra izany i Jesoa, dia niverina tany Kafarnahòma. 2Nisy kosa kapitenin-tafika nanana mpiasa narary efa ho faty, mpiasa sarobidy aminy tokoa. 3Vao nahaheno ny amin'i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholona* jiosy hankany aminy hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay mpiasa. 4Rehefa tonga teo amin'i Jesoa ireto iraka, dia niangavy Azy mafy hoe:

–Mendrika hanaovana izany io kapiteny io fa tia ny firenentsika, 5ary izy mihitsy aza no nanorina ny sinagôgantsika.

6Dia niara-nandeha tamin'ireo loholona i Jesoa. Ary rehefa mby akaikin'ny trano Izy, dia nanirahan'ilay kapiteny olona mahatoky indray hilaza aminy hoe:

–Aza misahirana toy izao re, Tompoko, fa tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; 7ary izany no anton'ny tsy nisehoako vatana taminao; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana anie ny mpiasako. 8Izaho manko, na ambany fahefàn'olona aza, mba mifehy miaramila ihany: ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy
.
9Gaga tamin'ilay kapiteny i Jesoa raha nandre izany, ary dia nitodika tamin'ny vahoaka nanaraka Azy ka nanao hoe:

–Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana toy izany Aho, na dia tamin'i Israely* aza!

10Nony tafaverina tany an-tranon'ilay kapiteny ireto iraka, dia nahita ilay mpiasa salama soa aman-tsara.

vendredi 7 juin 2013

Zoma 07 Jona 2013 - Mpi 13 : 1 - 7

1Ary mbola nanao ratsy eo imason'ny TOMPO indray ny Israelita, ka natolotry ny TOMPO teo an-tanan'ny Filistinina nandritra ny efapolo taona. 2Tao Tsôrehà dia nisy lehilahy nantsoina hoe Manôà, avy tamin'ny fokon'i Dana. Momba ny vadiny ka tsy niteraka. 3Indray andro dia niseho tamin-dravehivavy ny anjeli*n'ny TOMPO ka nanao taminy hoe:

–Fantatro fa momba ianao ka tsy niteraka; nefa hitoe-jaza ianao ka hitera-dahy. 4Koa manomboka izao dia tandremo mba tsy hisotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana sakafo maloto*, 5noho ianao efa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary io zanakao io dia tsy azo hetezana volon-doha, satria ho voatokana ho an'Andriamanitra hatrany an-kibo izy. Izy no hanomboka hanafaka ny Israelita amin'ny fangejàn'ny Filistinina.

6Dia nody tany an-tranony ravehivavy ka niteny tamin'ny vadiny hoe:

–Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tamiko. Toa anjelin'Andriamanitra no fijery azy satria nahatahotra mihitsy izy. Tsy nanontaniako izay niaviany ary tsy nambarany ahy ny anarany. 7Nilazany aho fa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary norarany aho tsy hisotro divay na toaka sady tsy hihinana sakafo maloto, satria io zaza io dia ho voatokana ho an'Andriamanitra hatrany an-kibo ka mandra-pahafatiny.

jeudi 6 juin 2013

Alakamisy 06 Jona 2013 - Asa 4 : 1 - 12

1Raha mbola niteny tamin'ny vahoaka teo i Petera sy i Jôhany, dia indreo tonga ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary koa ny Tsadoseanina*. 2Tsy zakan-dry zareo mihitsy ny ampianarin'izy roa lahy ny vahoaka sady itoriany fa tanteraka ao amin'ny tenan'i Jesoa ny fitsanganana velona avy any amin'ny maty. 3Nosamborin'izy ireo i Petera sy i Jôhany, ary satria efa hariva ny andro, dia nataony am-ponja mandra-paharainan'ny andro. 4Maro kosa tamin'izay nihaino ny tenin'Andriamanitra no nino, ka tafakatra ho dimy arivo ny isan'ny vatan-dehilahy mpino. 5Nony ampitson'iny vao nifamory tao Jerosalema ny manampahefana jiosy: dia ny loholona* sy ny mpahay lalàna* 6ary koa i Hanà mpisorombe* sy i Kaiàfa, i Jôhany sy i Aleksandra mbamin'izay rehetra havan'ny mpisorombe. 7Nampanatrehan-dry zareo i Petera sy i Jôhany sady nanontaniany hoe:

–Fahefana ahoana moa na amin'ny anaran'iza no nanaovanareo izany fanaratsiana izany?

8Feno Fanahy Masina i Petera tamin'izay ka nanao hoe:

–Ry mpifehy ny vahoaka sy ry loholona, 9raha adinina izahay anio satria nanasoa lehilahy kilemaina anankiray ary anontaniana ny fomba nahasitranany, 10dia izao no aoka ho fantatrareo rehetra mbamin'ny vahoaka Israely* manontolo: salama tsara io lehilahy manoloana anareo io noho ny anaran'i Jesoa Kristy* avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana kanefa natsangan'Andriamanitra ho velona avy any amin'ny maty.

11I Jesoa no Ilay voalazan'ny Soratra Masina* hoe:

«Ny vato nolavinareo mpanao trano no nanjary vato fehizoro!»

12Ao aminy no hany ahazoam-pamonjena; eny, tsy misy eto ambanin'ny lanitra anarana hafa nomen'Andriamanitra ny olona, izay hahazoantsika famonjena!

mercredi 5 juin 2013

Alarobia 05 Jona 2013 - Eze 34 : 20 - 31

20Koa izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY amin'ny andianondriny: ‹Izaho mihitsy no hitsara ny adinareo ondry matavy sy ondry mahia. 21Natositosikareo matanjaka tamin'ny sorokareo sy ny tehezanareo ireo ondry osaosa rehetra, ary nototoin'ny tandrokareo ambara-pandroakanareo azy ho any ivelan'ny tanim-bilona. 22Koa tonga Aho hamonjy azy mba tsy ho lasan'ny mpangalatra intsony, ary hotsaraiko ny adin'ny ondry samy ondry. 23Mpiandry* tokana no hatsangako hitarika azy, ka izy no hiandry azy, dia i Davida mpanompoko izany. Izy no hikarakara azy ary ho mpiandry azy tokoa. 24Izaho TOMPO no ho Andriamaniny ary i Davida mpanompoko no ho filoha eo anivony. Izaho TOMPO no miteny izany.› 25«Hanao fanekempihavanana amin'ny andianondriko Aho: Hofoanako tsy ho eo amin'ny tany ny biby masiaka ka honina am-pilaminana any an-taniefitra izy ary handry any an'ala aza. 26Avelako honina eny amin'ny manodidina ny tendrombohitra voatokana ho Ahy izy. Harotsako ara-potoana ny ranonorana ka hitondra fitahiambe izany. 27Hamoa ny hazo eny an-tsaha ary hahavokatra ny tany; ka ny vahoakako hilamina eo amin'ny taniny. Hotapahiko ny gadra izay mampahory ny vahoakako, ka hafahako eo an-tanan'ny mpanandevo azy izy. Amin'izay hoekeny fa Izaho no TOMPO. 28Tsy ho babon'ny hafa firenena na ho rembin'ny bibidia intsony izy, fa honina am-pilaminana, ka tsy hisy hampatahotra azy. 29Hampaniry ny voly hiadanany Aho, ka tsy hisy olona ho ripaky ny mosary intsony eo amin'ny tany; ary tsy hovesaran'ny latsan'ireo hafa firenena intsony izy. 30Amin'izay dia hoeken'ny hafa firenena fa Izaho TOMPO Andriamaniny no miaraka aminy ary izy Israelita no vahoakako; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. 31«Ianareo no olona, andian'ondry fiandriko, ary Izaho no Andriamanitrareo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.

mardi 4 juin 2013

Talata 04 Jona 2013 - Mar 6 : 7 - 13

7Dia nantsoiny hankeo aminy ny 12 lahy ary nirahiny tsiroaroa ka nomeny fahefana handroaka ny fanahy maloto*. 8Ary izao no hafatrafatra nataony taminy:
–Aza mitondra na inona na inona rehefa handeha, afa-tsy tehina; aza mitondra vatsy na kitapom-batsy na vola am-paosy; 9manaova kapa ary aza mitondra akanjo hisoloana.
10Dia hoy koa Izy taminy:
–Izay trano hampandrosoana anareo no itoero mandra-pialanareo ny tanàna. 11Ary izay toerana tsy handraisan'ny olona anareo na tsy hihainoany anareo, dia ialao; ka ahintsano eo ny vovoka avy amin'ny tongotrareo ho fiampangana azy.
12Dia lasa izy 12 lahy ary nitory tamin'ny olona fa hoe tokony hiala amin'ny toe-dratsy. 13Demony* maro no noroahiny ary marary maro no nohosorany diloilo ka nositraniny.

lundi 3 juin 2013

Alatsinainy 03 Jona 2013 - Apo 20 : 1 - 6

1Ary hitako nisy anjely* anankiray nidina avy tany an-danitra, izay nanana ny fanalahidin'ny hantsambe* sy rojo vy lehibe teny an-tanany. 2Nosamborin'io anjely io ny dràgona, dia ilay bibilava fahizay (izany hoe ny devoly* na i Satàna*), ka nafatony arivo taona 3sy natsipiny tao amin'ny hantsambe. Dia nohidian'ilay anjely ny hantsambe ary nasiany tombokase teo amboniny, mba tsy hahazoan'ny dràgona mamitaka ireo firenena intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa tsy maintsy hovahana mandritra ny fotoana fohifohy izy aorian'izany. 4Dia hitako nisy sezafiandrianana maro, izay nipetrahan'olona nomem-pahefana hitsara. Ary hitako ny fanahin'ireo notapahin-doha satria nitana ny hafatra nijoroan'i Jesoa ho vavolombelona sy nitory ny tenin'Andriamanitra: tsy mba nivavaka tamin'ny biby na tamin'ny sarin'ny biby ireo, sady tsy mba nandray ny marik'ilay biby teo amin'ny handriny na teo amin'ny tanany; efa velona ireo ka niara-nanjaka tamin'i Kristy* arivo taona. 5(Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona, raha tsy efa tapitra ny arivo taona.) Izany no fitsanganana voalohany avy any amin'ny maty. 6Sambatra sy masina* izay manana anjara amin'izany fitsanganana voalohany izany; tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana ireo, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy ho mpisoron'i Kristy, ka hiara-manjaka amin'i Kristy arivo taona.

dimanche 2 juin 2013

Alahady 02 Jona 2013 - Eks 14 : 15 - 31

15Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:

–Nahoana no miantso vonjy amiko ianao? Ilazao ny Israelita mba handroso. 16Ingao ny tehinao, ka ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao. Ary saraho ny rano, dia hamaky eo afovoan'ny rano eo amin'ny tany maina ny Israelita. 17Fa Izaho hanamafy fo ny Ejiptianina ka hitsofoka hanenjika anareo izy. Dia hasehoko ny voninahitro* amin'ny hanapotehako ny Farao* sy ny andian-tafiny rehetra, ny kalesiny sy ny mpitaingina azy. 18Ho fantatry ny Ejiptianina amin'izay fa Izaho no TOMPO rehefa asehoko azy araka izany ny voninahitro.

19Ny anjeli*n'Andriamanitra izay nialoha ny Israelita hatrizay dia nandeha nifindra teo aorian'ny toby. Toy izany koa, ny andry rahona izay teo alohan'izy ireo dia lasa any aoriany. 20Nifindra teo anelanelan'ny tobin'ny Ejiptianina sy ny tobin'ny Israelita teo anelanelan'ny tobin'ny Ejiptianina sy ny tobin'ny Israelita ny andry rahona. Io andry rahona io dia maizina tany andaniny fa nanazava ny alina kosa taty ankilany. Koa tsy afaka nifanatona izy roa tonta nandritra ny alina. 21Nahinjitr'i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Ary ny TOMPO nampitsoka rivo-mahery avy any atsinanana nandritra ny alina manontolo ka nanosika ny ranomasina hanamaina azy. Nisaraka ny ranomasina, 22ary nita teo am-povoany nandia tany maina ny Israelita, fa nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany ny rano. 23Nanenjika azy ny Ejiptianina; ny soavalin'ny farao rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingina azy dia samy nitsofoka nanaraka azy ireo tao afovoan'ny ranomasina avokoa. 24Ary nony efa nadiva haraina dia nijery ny tobin'ny Ejiptianina avy teo amin'ny andry afo sy rahona ny TOMPO, ka nanakorontana azy. 25Nohidiany ny kodiaran'ny kalesy ka nihisatra ny fitarihana azy. Dia hoy ny Ejiptianina hoe:

–Andao handositra ny Israelita isika, fa ny TOMPO no miady ho azy ireo amintsika!

26Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:

–Ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao mba hiverenan'ny rano eo amin'ny Ejiptianina sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.

27Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Niverina ho amin'ny toerany ny ranomasina rehefa ho maraina ny andro ka nifanehatra taminy ireo Ejiptianina nandositra, dia narian'ny TOMPO tao afovoan'ny ranomasina ny Ejiptianina. 28Nikatona ny ranomasina ka nandrakotra ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly; izay tafiky ny Farao manontolo nanenjika ny Israelita tao an-dranomasina dia tsy nisy afa-nitsoaka na iray aza. 29Fa ny Israelita kosa dia niampita ny ranomasina nandia tany maina, fa ny rano dia nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany. 30Namonjy ny Israelita teo an-tanan'ny Ejiptianina ny TOMPO tamin'izany andro izany, ka ny Israelita dia nahita ny fatin'ny Ejiptianina teny amoron-dranomasina. 31Hitan'ny Israelita ny hery lehibe izay nampiasain'ny TOMPO hamelezana ny Ejiptianina. Izany no nanajan'ny Israelita ny TOMPO, ka nitokiany AZY sy nitokiany an'i Mosesy mpanompony.

samedi 1 juin 2013

Sabotsy 01 Jona 2013 - Isa 41 : 14 - 20

14Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Aza matahotra ianao, ry vahoaka Israely, firenen'i Jakôba, lazaina hoe mora vonoina toa kankana. Izaho TOMPO mihitsy no tonga hamonjy anao, Izaho ilay Masin'i Israely no mpanavotra anao. 15Indro ianao hataoko toy ny hersa vaovao izay misy nifiny maranitra; ka hosamatsamahinao ny tendrombohitra ary hataonao lasa akofa ny havoana. 16Hokororohinao hoentin'ny rivotra izy sy haelin'ny tadio; fa ianao kosa dia Izaho TOMPO no hifalianao ary Izaho ilay Masin'i Israely no hireharehanao. 17Mitady rano ny mahantra sy ny malahelo nefa tsy mahita mihitsy, ka mainan'ny hetaheta ny lelany. Izaho TOMPO kosa hihaino azy; Izaho Andriamanitr'i Israely tsy mba handao azy. 18Hampiboiboika renirano eny amin'ny havoana mangadihady Aho ary koa loharano eny an-dohasaha, ka hanova ny taniefitra ho farihy ary ny tany karakaina ho mpamoaka rano. 19Hataoko mitsiry hazo sedera sy mimôzà ary rotra sy ôliva any an-taniefitra; hasiako kipreso sy hazo kesika ary kirihitr'ala any an-tany hay. 20Amin'izay dia ho hitan'ny olona sy ho fantany, ary ho tsapany sy ho takany fa Izaho TOMPO, ilay Masin'i Israely,
no namboatra sy nahary izany fanovana izany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12