mercredi 31 juillet 2013

Alarobia 31 Jolay 2013 - Oha 24 : 23 - 29

23Izao koa dia mbola avy amin'ny hendry:
Tsy tsara ny manao fitsarà-mitanila.
24Izay mpitsara manao amin'ny meloka hoe:
«Tsy manan-tsiny ianao»,
dia hozonin'ny vahoaka
ary hankahalain'ny firenena.
25Fa izay mpitsara manameloka ny diso kosa
dia ho finaritra sy hiantefan'ny laza tsara.
26Porofom-pihavanana tena izy
ny valinteny omena am-pahatsorana.
27Vitao aloha ny asanao any ivelany
ary ataovy vonon-kamokatra ny saha,
vao izay ianao no manangana ny tranonao.
28Aza mety ho vavolombelom-poana
hanameloka tsy amin'antony ny namanao;
sa ianao ve te hamitaka amin'ny teninao?
29Aza manao hoe: «Hataoko aminy izay nataony tamiko,
hovaliako araka ny asany ny olona tsirairay!»

mardi 30 juillet 2013

Talata 30 Jolay 2013 - Ràm 15 : 25 - 33

25Izao anefa aho dia hankany Jerosalema hitondra fanampiana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra* any. 26Fa sitraky ny any Masedônia sy Akaîa ny namory vola hanasoavana ireo mahantra amin'ny vahoakan'Andriamanitra any Jerosalema. 27Eny, sitrapony tokoa izany, sady adidiny amin'ireo mahantra ireo: satria ny kristianina jiosy tany Jerosalema dia nizara ny harena ara-panahy nananany tamin'ireo hafa firenena*; ka adidin'ny kristianina hafa firenena kosa ny manompo azy ireo amin'ny harena ara-nofo. 28Koa rehefa vitako io raharaha io ary voatolotro ny vokatr'izany famoriam-bola izany, dia hiainga ho any Espaina aho ka handalo atỳ aminareo. 29Ary fantatro fa rehefa mankatỳ aminareo aho, dia ho tonga miaraka amin'ny fitahian'i Kristy* feno dia feno. 30Noho ny amin'i Jesoa Kristy Tompontsika ary noho ny fitiavana avy amin'ny Fanahy Masina, dia izao, ry havana, no angatahiko aminareo: aoka hiara-miady amiko ianareo ka hivavaka amin'Andriamanitra ho ahy. 31Mivavaha mba hahafahako amin'ny tanan'ny tsy mpino any Jodea ary mba hankasitrahin'ny vahoakan'Andriamanitra ilay fanampiana hoentiko any Jerosalema. 32Ary dia ho faly tonga atỳ aminareo aho, raha sitrak'Andriamanitra izany, ka hiala sasatra eo afovoanareo. 33Homba anareo rehetra anie ilay Andriamanitra loharanon'ny fiadanana! Amen*.

lundi 29 juillet 2013

Alatsinainy 29 Jolay 2013 - Jao 6 : 25 - 33

25Rehefa nahita an'i Jesoa teny ampitan'ny farihy ny vahoaka, dia nanontany Azy hoe:

–Mpampianatra ô, oviana no tonga teto Ianao?

26Dia novalian'i Jesoa hoe:

–Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny itadiavanareo Ahy dia tsy noho ianareo nahita famantarana*, fa noho ianareo nihina-mofo ka voky. 27Aoka hiasa ianareo, tsy hoe hahazoana ny sakafo mety levona, fa hahazoana ny sakafo matàna ho aina maharitra mandrakizay, dia ilay homen'ny Zanak'olona* anareo; fa Izy no efa nasian'Andriamanitra ny mariky ny fahefana nomeny Azy.

28Dia hoy ireo tamin'i Jesoa:

–Inona àry no tokony hataonay mba hanatontosanay ireo asan'Andriamanitra?

29Fa novalian'i Jesoa hoe:

–Izao no asa imasoan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny!

30Fa hoy ireo taminy:

–Inona àry no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? 31Ireo razantsika dia nihinana ny mana* tany an-taniefitra, araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe: «Mofo avy tany an-danitra no efa nomen'ny Tompo azy ireo hohanina!»

32Tamin'izay i Jesoa dia niteny taminy hoe:

–Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ilay tena mofo avy any an-danitra; 33satria ny mofo omen'Andriamanitra dia ilay midina avy any an-danitra ka manome ny aina ho an'izao tontolo izao!

dimanche 28 juillet 2013

Alahady 28 Jolay 2013 - Eks 23 : 20 - 25

20«Haniraka anjely* iray hialoha anareo Aho, mba hiaro anareo eny an-dàlana; izy no hitarika anareo ho ao amin'ny tany izay efa nomaniko ho anareo. 21Mitandrema tsara eo anatrehany ka henoy izay lazainy, ary aza manohitra azy; fa tsy mahazaka fikomiana izy, satria mitondra ny anarako. 22Raha mankatò azy hatrany ianareo, ka manatanteraka an-tsipiriany izay rehetra nandidiako anareo, dia Izaho Tompo no ho fahavalon'izay fahavalonareo, ary handrafy izay mandrafy anareo. 23«Rehefa mandeha eo alohanareo ny anjeliko, ka mitarika anareo ho any amin'ny Amôrita* sy ny Hitita, ny Perizita sy ny Kanahanita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia hofongorako ireo firenena ireo. 24Koa aza miankohoka eo anoloan'ny andriamaniny, na manao fanompoam-pivavahana aminy na mianatra ny fanaony, fa ravao mihitsy ny sarivongan'ireo sampiny sady potipoteho ny tsangambatony. 25Izaho TOMPO Andriamanitrareo irery ihany no hivavahanareo; amin'izay Aho dia hitahy anareo ka hanome anareo sakafo sy fisotro, sady hampanalavitra ny aretina aminareo.

samedi 27 juillet 2013

Sabotsy 27 Jolay 2013 - Sal 115 : 9 - 16

9Ry fokon'i Israely ô, matokia ny TOMPO.
–Heriny sy ampingany Izy!
10Ry taranak'i Aharôna* ô, matokia ny TOMPO.
–Heriny sy ampingany Izy!
11Ry mpanaja ny TOMPO ô, matokia ny TOMPO.
–Heriny sy ampingany Izy!
12Mahatsiaro antsika ny TOMPO ka mitahy:
–Hotahîny anie ny fokon'i Israely!
–Hotahîny anie ny taranak'i Aharôna!
13–Hotahîny anie ny mpanaja AZY!
–Hotahîny anie na ny kely na ny lehibe!
14Hohamaroin'ny TOMPO anie ny ankohonanareo,
dia ny anareo sy ny an'ny zanakareo!
15Hitahy anareo anie ny TOMPO,
Mpanao ny lanitra sy ny tany!
16Ny lanitra dia an'ny TOMPO;
ny tany kosa nomeny ny olombelona!
17Tsy ireo maty no hidera ny TOMPO
na ireo mitsitra any an-toera-mangina;
18fa isika velona no misaotra ny TOMPO
manomboka izao ka ho mandrakizay.
Haleloià*!

vendredi 26 juillet 2013

Zoma 26 Jolay 2013 - Lio 13 : 6 - 9

6Dia nanao ity fanoharana* ity i Jesoa:
–Nisy aviavy naniry tao amin'ny tanimboalobok'ity lehilahy anankiray. Tonga izy indray mandeha nitady voa tamin'ilay hazo fa tsy nahita. 7Ka hoy izy tamin'ny mpikarakara ny tanimboaloboka:

«Etsy ange! efa telo taona misesy izao no tonga nitady voa tamin'ity aviavy ity aho nefa tsy mahita. Kapao io, fa nahoana no mibahan-toerana foana eo?»

8Dia niteny ilay mpiasa nanao taminy hoe:

 «Avelao ihany re izy, tompoko, amin'ity taona ity, fa hohadiko ny manodidina azy ary hasiako zezika; 9angamba hamoa ihany izy amin'ny taona ho avy, fa hampikapainao raha tsy izany.»

jeudi 25 juillet 2013

Alakamisy 25 Jolay 2013 - Efe 1 : 3 - 14

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy* Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin'ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin'i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra. 4Tsy mbola nahary ny tontolo Izy, dia efa nifidy antsika hiray amin'i Kristy; ka ho masina sady tsy hisy tsiny eo anatrehan'Andriamanitra isika. Noho ny fitiavany antsika, 5dia natokan'Andriamanitra isika mba ho Azy, mba ho tonga zanany amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, fa izany no safidin'ny sitrapony. 6Hiderantsika an'Andriamanitra anie ny fahasoavana mamirapiratra izay nomeny antsika maimaimpoana ao amin'ilay Zanany* malalany. 7Ny ra nafoin-Janany no nahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny hadisoantsika. Izany no nanehoan'Andriamanitra ny harem-pahasoavany, 8izay natosany be dia be tamintsika ka nahazoantsika fahendrena amam-pahalalana feno. 9Dia nampahafantarin'Andriamanitra antsika ilay tsiambaratelon'ny sitrapony, araka ny safidy noheveriny hotontosaina ao amin'ny Zanany. 10Eny, hotanterahiny mandra-pahatongan'ny fotoanandro farany izany tsiambaratelo izany: dia ny hampivondrona ny zavatra rehetra, ny any an-danitra sy ny eto an-tany, ao amin'i Kristy Filoha tokana. 11Tafaray amin'i Kristy izahay ka tonga anjara lovan'Andriamanitra; satria natokany rahateo izahay, fa izany no fandaharan'Ilay manao ny zavatra rehetra araka izay efa nokasain'ny sitrapony. 12Hideranay an'Andriamanitra be voninahitra anie izany, satria izahay no nanantena voalohany an'i Kristy. 13Tafaray amin'i Kristy koa ianareo, satria efa renareo ilay hafatra marim-pototra, izany hoe ny Vaovao Mahafaly* izay nitondra ny famonjena taminareo, ary efa ninoanareo i Kristy. Ka dia nasiana tombokase maha fananan'Andriamanitra ianareo, tamin'ny nanomezana anareo ny Fanahy Masina Izay nampanantenaina. 14Io Fanahy Masina io no antoka hahazoantsika ny lova natokan'Andriamanitra ho an'ny vahoakany*, mba hahatanteraka ny fanavotana ireo olona natao mba ho fananan'Andriamanitra, hiderantsika ny voninahitr'Andriamanitra izany!

mercredi 24 juillet 2013

Alarobia 24 Jolay 2013 - Mat 3 : 7 - 12

 7Rehefa hitan'i Jôhany ny Farisianina* sy ny Tsadoseanina* maro nanatona azy mba hataony batisa*, dia nilazany hoe:

–Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba handositra tsy ho tratra amin'ny hatezeran'Andriamanitra izay efa antomotra. 8Asehoy amin'ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. 9Ary aza mihambo anakampo hoe: manana an'i Abrahama ho razambenay izahay! Satria lazaiko aminareo fa hain'Andriamanitra atao ny manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 10Indro efa eo am-poto-kazo ny famaky: ka ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ary hatsipy ao anaty afo.

11Hoy koa i Jôhany:

–Ny ahy, ao amin'ny rano no anaovako batisa* anareo ho mariky ny fialana amin'ny toetra ratsy. Fa Ilay tamy aoriako dia mahery noho izaho ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; ny Azy dia ao amin'ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo. 12Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin'ny afo tsy mitsaha-mirehitra.

mardi 23 juillet 2013

Talata 23 Jolay 2013 - Mar 8 : 1 - 9

1Tamin'izany andro izany, dia vahoaka be indray no teo amin'i Jesoa ary tsy nanan-kohanina; ka nantsoin'i Jesoa ny mpianany* ary nilazany hoe:

2–Mahonena Ahy ireto vahoaka, satria efa telo andro izao no teto amiko, ka tsy manan-kohanina intsony; 3ary raha alefako mody tsy misakafo ireo, dia ho reraka eny an-dalana satria avy lavitra ny sasany.

4Dia hoy ny navalin'ny mpianatra Azy:

–Aiza no hahitana mofo hahavoky an'ireo olona ireo atỳ an-taniefitra atỳ.

5Dia nanontany i Jesoa hoe:

–Misy mofo firy any aminareo?

Ka hoy ireo mpianany hoe:

–Fito!

6Dia nasain'i Jesoa nipetraka tamin'ny tany ireto vahoaka. Ary noraisin'i Jesoa ny mofo fito; ka rehefa avy nisaotra an'Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianany harosony; ary dia naroson'ireo tamin'ny vahoaka. 7Nisy trondro vitsivitsy koa tao, ka rehefa avy nisaoran'i Jesoa an'Andriamanitra, dia nasainy naroso. 8Dia nihinana ny olona ka voky; ary nangonina ny tapa-mofo aman-trondro ambiny, ka nisy fito harona. 9Tokony ho efatra arivo anefa ny vatan-dehilahy teo. Dia nalefan'i Jesoa hody ny olona rehetra;

lundi 22 juillet 2013

Alatsinainy 22 Jolay 2013 - I Kor 10 : 14 - 23

14Noho izany, ry hava-malalako, andosiro ny fanompoan-tsampy. 15Olona manan-tsaina ianareo no itenenako, ka tsaraonareo izay lazaiko. 16Ny fisotro isaorantsika an'Andriamanitra, moa tsy mampiombona antsika amin'ny ran'i Kristy ve izany? Ary ny mofo izay ifanapahantsika, moa tsy mampiombona antsika amin'ny tenan'i Kristy ve izany? 17Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza, noho isika rehetra miombona anjara amin'ny mofo iray ihany. 18Jereo ny vahoaka Israely* ara-tantara: Ireo mihinana amin'ny fanatitra atao sorona dia miombona amin'Andriamanitra Izay nanokanana ny alitara* fisoronana. 19Inona àry no holazaiko? Moa tena zavatra ihany ve ny sampy na ny hena atao sorona ho an'ny sampy? 20Tsia, fa ny zavatra atao sorona amin'ny sampy dia aterina ho an'ny demony* fa tsy ho an'Andriamanitra; ka tsy tiako ho mpiombona amin'ny demony ianareo. 21Tsy azonareo atao ny hisotro ny fisotro aroson'ny Tompo no sady hisotro ny fisotro aroson'ny demony; tsy azonareo atao ny hiombona anjara amin'ny sakafo aroson'ny Tompo no sady hiombona anjara amin'ny sakafo aroson'ny demony. 22Sa te hampahasaro-piaro ny Tompo ve isika? Mihevitra ho mahery noho Izy Tompo ve isika?

Atao ho voninahitr'Andriamanitra ny zavatra rehetra

23«Azo atao ny zavatra rehetra», hoy aho, kanefa tsy ary mahasoa avokoa. «Azo atao ny zavatra rehetra», hoy aho, kanefa tsy ary mampandroso amin'ny finoana avokoa.

dimanche 21 juillet 2013

Alahady 21 Jolay 2013 - Heb 6 : 7 - 15

 7Izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka mahavokatra anana tsara ho an'ny olona iasana azy, dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra. 8Fa izay tany maniry tsilo sy songosongo kosa dia tsy misy antony sady efa hiharan'ny ozon'Andriamanitra; ary hodorana no hiafarany. 9Na izany aza no teninay, ry hava-malala, dia zavatra tsara kokoa sady miantoka ny famonjena anareo no antenainay, raha ny aminareo. 10Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin'ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo. 11Ary dia irînay haneho fahazotoana toy izany hatramin'ny farany ianareo tsirairay avy, mba ho tanteraka tokoa ny zavatra antenainareo. 12Tsy tianay ho ketraka ianareo fa mba hanahaka ireo mino sy maharitra ka manana anjara amin'ny soa nampanantenain'Andriamanitra.

Fampanantenana azo antoka ataon'Andriamanitra

13Ny fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama dia nombàm-pianianana. Ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany hianianan'Andriamanitra, dia nianiana tamin'ny tenany Izy 14ka nanao hoe: «Homba fitahiana anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro fara sy dimby anao.» 15Nanam-paharetana i Abrahama ka, araka izany, dia nahazo izay nampanantenain'Andriamanitra azy.

samedi 20 juillet 2013

Sabotsy 20 Jolay 2013 - II Kor 9 : 1 - 15

1Momba ny fanampiana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra* any Jodea, dia tsy misy tokony hanoratako aminareo. 2Fantatro manko ny risi-ponareo ka nataoko rehareha ny aminareo teo anoloan'ny Masedônianina; fa hoy aho taminy: «Efa vonona hatry ny taona itsỳ ry zareo any Akaîa!» Nanaitaitra ny maro ny zotomponareo. 3Kanefa dia nalefako ho any aminareo ihany ireto rahalahy ireto mba tsy ho foana ilay reharehanay ny aminareo momba izany; sàtriko ho vonona tokoa ianareo, araka izay voalazako. 4Fa raha tàhiny misy tafara-dia amiko ny avy atỳ Masedônia, ka mahita anareo tsy mbola vonona, dia hahamenatra anay izany fahatokianay anareo izany! Aoka tsy hoteneniko ny hoe hahamenatra anareo! 5Noheveriko àry fa tena ilaina ny niangaviako ireto rahalahy ireto handeha hialoha ho any aminareo mba hampanomana rahateo ny fanomezana be nampanantenainareo teo aloha; dia ho vonona izany, ka ho fanomezana be tokoa fa tsy ho fanomezana mahihitra. 6Izao no tsarovy: izay mamafy kely dia hijinja kely; izay mamafy be dia hijinja be. 7Aoka samy hanome araka izay nokasain'ny fony avy, tsy amin'alahelo na an-terivozona, satria ny mpanome an-kafaliana no tian'Andriamanitra. 8Ary hain'Andriamanitra omena mitafotafo anareo ny soa isan-karazany, ka hanana ny ampy mandrakariva amin'ny zavatra rehetra ianareo, sady hanana mitafotafo hoentinareo manao asa soa isan-karazany, 9araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe:

«Malala-tanana izy nanome ny mahantra; maharitra mandrakizay ny asa fiantrany.»

10Andriamanitra, Izay miantoka masomboly ho an'ny mpamafy sy hanin-kohanina, no hiantoka masomboly ho anareo sy hampitombo azy, ka hampamokatra be dia be ny asa fiantrana ataonareo. 11Hataon'Andriamanitra hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo mba hahafoy be amin'ny fanasoavana isan-karazany; ka hahatonga ny olona hisaotra an'Andriamanitra noho ny fanomezanareo entinay ho azy ireo. 12Satria ny fanaovana izao asa famoriam-bola izao dia tsy hoe mahafa-pahasahiranana ny vahoakan'Andriamanitra any Jodea fotsiny, fa mahabe ny fisaoran'ny maro an'Andriamanitra koa. 13Misy vidiny tokoa izao asa fanasoavana izao, ka maro no hanome voninahitra an'Andriamanitra noho ny fanoavana anehoanareo fa inoanareo ny Vaovao Mahafaly* nentin'i Kristy*; maro koa no hanome voninahitra an'Andriamanitra noho ianareo nahafoy be nizara harena tamin-dry zareo any Jodea sy tamin'ny olona rehetra. 14Hivavaka ho anareo izy rehetra, fa ankamamiany tokoa ianareo satria nihoa-pampana ny fahasoavana nomen'Andriamanitra anareo. 15Hisaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy hay visavisaina!

vendredi 19 juillet 2013

Zoma 19 Jolay 2013 - Gal 3 : 10 - 14

10Fa izay rehetra miantehitra amin'ny fanatanterahana ny lalàna dia ianjadian'ny ozona, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: «Voaozona izay rehetra tsy maharitra manatanteraka ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna.» 11Miharihary koa fa, raha amin'ny lalàna, dia tsy misy olona eken'Andriamanitra ho marina, satria hoy ny Soratra Masina hoe: «Ny olo-marina noho ny finoana dia ho velona!» 12Ny lalàna kosa dia tsy miantehitra amin'ny finoana fa izao no tenin'ny Soratra Masina: «Izay manatanteraka ny didy amam-pitsipika dia ho velona amin'izany.» 13I Kristy dia nanavotra anay Jiosy ho afaka amin'ny ozona tanisain'ny lalàna; fa nanjary niharan'ny ozona Izy ho famonjena anay satria hoy ny Soratra Masina hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo!» 14Izany no nihatra tamin'i Kristy dia mba hahatafita amin'ireo hafa firenena* tafaray amin'i Kristy Jesoa ny fitahiana efa nampombain'Andriamanitra an'i Abrahama ary koa mba handraisantsika roa tonta, amin'ny alalan'ny finoana, ilay Fanahy Masina nampanantenain'Andriamanitra antsika!

jeudi 18 juillet 2013

Alakamisy 18 Jolay 2013 - Heb 4 : 14 - 16

14Aoka àry hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika, satria isika manana Mpisorombe tsy anoharana Izay lasa namakivaky ny lanitra, dia i Jesoa ilay Zanak'Andriamanitra*. 15Tsy mba Mpisorombe tsy afaka miara-mizaka ny fahalementsika no ananantsika, fa Mpisorombe efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika ihany, saingy tsy mba nanota. 16Koa aoka isika hatoky hanatona ny sezafiandrianan'Andriamanitra, izay toeram-pahasoavana; eo no hahazoantsika famindrampo ary koa hahitantsika fahasoavana, ka hanampian'Andriamanitra antsika amin'ny fotoana ilantsika izany.

mercredi 17 juillet 2013

Alarobia 17 Jolay 2013 - Gen 49 : 22 - 26

22I Jôsefa dia toy ny zava-maniry mahavokatra
izay mirobona eo akaikin-doharano
ka manan-drantsana tafahoatra ny fefy.
23Nampahory azy imbetsaka ireo mpitifitra tsipîka,
ka nandefa zana-tsipîka hamelivelezana azy.
24Kanjo nateza mafy ny tsipîkan'i Jôsefa,
ary kinga hatrany ny sandry aman-tanany.
Noho ny fiarovan'ilay Andriamanitra maherin'i Jakôba,
noho ny anaran'ilay Mpiandry*
izay vatolampy iankinan'i Israely,
25amin'ny alalan'ilay Andriamanitry ny rainao
izay mamonjy anao,
amin'ny alalan'ilay Andriamanitra Tsitoha*
izay mitahy* anao,
raiso ny fitahiana avy amin'ny orana
izay mirotsaka avy any an-danitra,
raiso ny fitahiana avy amin'ny rano
izay mihanaka ao amin'ny fanambanin'ny tany
ary raiso ny fitahiana izay hahamaro anaka
ny vehivavy sy ny biby fiompy.
26Ny tsodrano omen'ny rainao dia mihoatra
noho ny zava-tsoan'ireo tendrombohitra fahagola
sy ny zava-tsoan'ireo havoana tranainy.
Hirotsaka eo an-dohan'i Jôsefa anie izany tsodrano izany,
dia eo an-dohan'ilay voafidy teo anivon'ny rahalahiny!

mardi 16 juillet 2013

Talata 16 Jolay 2013 - II Kor 8 : 1 - 15

1Tianay hampahafantarina anareo, ry havana, ny fahasoavana nomen'Andriamanitra tao amin'ireo Fiangonana any Masedônia. 2Voasedra mafy tamin'ny fahoriana nahazo azy ny mpino, kanefa lehibe tokoa ny hafaliany ary nahafoy mihitsy izy ireo tamin'ny famoriam-bola, na dia tena mahantra aza. 3Vavolombelona nahita aho fa nanome araka izay zakany ry zareo, eny mihoatra noho izay zakany aza; nahim-pony 4no niangaviany mafy taminay mba hahazo tombon-tsoa handray anjara amin'ny fanasoavana ny vahoakan'Andriamanitra* any Jodea. 5Nanao mihoatra noho izay nantenainay izy ireo, fa nanolo-tena ho an'ny Tompo aloha, ary ho anay koa noho ny sitrapon'Andriamanitra. 6Ka dia niangavianay i Tito hankatỳ aminareo hahatomombana izany asa fanasoavana izany, araka ny efa nanombohany azy teo aloha. 7Manam-be tokoa ianareo amin'ny zavatra rehetra: dia amin'ny finoana, amin'ny teny, amin'ny fahalalana, amin'ny fahazotoana isan-karazany, ary amin'ilay fitiavana raisinareo avy aminay; araka izany koa no aoka hahafoizanareo be amin'izao asa soa izao. 8Tsy milaza izany ho didy aho, fa ny fahazotoana asehon'ny sasany no hitsapako raha fitiavana mangarangarana ny anareo. 9Satria fantatrareo ny fahasoavan'i Jesoa Kristy* Tompontsika: fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny fahantrany. 10Ambarako aminareo izay hevitro ny amin'izany raharaha izany: mahasoa anareo izany, satria lohalaharana ianareo tsy tamin'ny firotsahana hanao azy fotsiny fa tamin'ny fanapahan-kevitra hanao azy koa. 11Ankehitriny kosa dia tontosay ny fanaovana azy. Nanana risi-po ianareo raha nanapa-kevitra hanao azy, ka dia aoka hanana risi-po tahaka izany koa hanatontosa azy araka izay anananareo. 12Fa raha misy ny risi-po hanome, dia ny manome araka izay ananana ihany no ankasitrahin'Andriamanitra, fa tsy hoe ny manome araka izay tsy ananana. 13Izany no atao, tsy sanatria ny hahaory anareo ka hiadanan'ny sasany, fa ny mba hisian'ny fitoviana. 14Amin'izao ankehitriny izao, dia manam-be ianareo mba hanafa-pahasahiranana azy ireo. Any kosa andro hahatonga azy ireo hanam-be mba hanafa-pahasahiranana anareo. Amin'izany no hisian'ny fitoviana, 15araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe:

«Izay nanangona be tsy nanana amby,
ary izay nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy.»

lundi 15 juillet 2013

Alatsinainy 15 Jolay 2013 - Sal 65 : 9 - 13

9Noho ireo famantarana ataonao,
dia mitolagaga ny vahoaka
hatrany am-paran'ny tany;
na tatsinanana na tandrefana
dia entaninao hihorakoraka hihoby.
10Tompo ô, miahy ny tany Ianao,
manondraka azy amin'ora-mikija
ka mahatonga azy ho vokatra tokoa.
Ilay reniranonao, Andriamanitra ô,
dia tondraka midibadiba hatrany.
Vary ho an'ny olona no omaninao
ka toy izao no fikolokoloanao ny tany:
11ny soritr'asa ataonao ampo-drano
ny bainga motahinao sy aravonao;
oram-batravatra no amontosanao azy
ka ombànao fitahiana ny tsirim-bary.
12Dia zava-tsoa no toa fehiloha
izay asatrokao ny taona;
ka fahavokarana mitafotafo
no amin'izay andalovanao.
13Maitso mavana ny ahitra an-tanety,
ka feno fifaliana ny havoana;

dimanche 14 juillet 2013

Alahady 14 Jolay 2013 - Mar 10 : 46 - 52

46Dia tonga tao Jerikao ry i Jesoa sy ny mpiara-dia taminy. Ary fony niala ny tanàna i Jesoa sy ny mpianany* mbamin'ny vahoaka be, dia efa nipetraka teo amoron-dalana i Bartimeo jamba mpangataka. 47Reny fa i Jesoa avy any Nazareta izay, ka nanomboka niantsoantso mafy izy hoe:

–Ry Jesoa Zanak'i Davida* ô, mamindrà fo amiko!

48Norahonan'ny olona maro izy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe:

–Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!

49Ary nijanona i Jesoa ka nilaza hoe:

–Antsoy izy!

Dia nantsoin'ny olona ilay jamba nataony hoe:

–Mahereza, antsoiny ianao ka mitsangàna!

50Natsipin'i Bartimeo ny lambany, ka niantsambotra nanatona an'i Jesoa izy. 51Dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe:

–Inona no tianao hataoko aminao?

Dia hoy ilay jamba taminy:

–Mpampianatra ô, ny hampahiratra ahy!

52Ka hoy i Jesoa:

–Mandehana, ny finoanao no nahasitrana anao!

Dia nahiratra niaraka tamin'izay ilay jamba, ka lasa nanaraka an'i Jesoa teny an-dalana.

samedi 13 juillet 2013

Sabotsy 13 Jolay 2013 - Asa 3 : 22 - 26

22Fa hoy i Mosesy: «Hisy mpaminany tahaka ahy hajoron'ny Tompo Andriamanitrareo ho anareo, dia mpaminany avy aminareo samy ianareo; aoka hohenoinareo izay rehetra holazainy aminareo. 23Izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra intsony.» 24Ary ny mpaminany rehetra izay niteny, hatramin'ny andron'i Samoela no mankatỳ, dia samy nitory izao andro izao. 25Ho anareo ny fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany, ary iombonanareo anjara ilay fanekempihavanana* nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo fony Izy niteny tamin'i Abrahama hoe: «Ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.» 26Ho anareo aloha no nampijoroan'Andriamanitra ny Mpanompony sady nanirahany Azy mba hitahy anareo, dia ny hampiala anareo tsirairay avy amin'ny asa ratsinareo.

vendredi 12 juillet 2013

Zoma 12 Jolay 2013 - Sal 37 : 1 - 8

1 Nataon'i Davida.
ALEFA

  Aza tezitra amin'ny mpanao ratsy
  ary aza mialona ireo mpanao heloka;
  2fa toy ny ahitra ireny ka malaky malazo,
  toy ny vilo-maitso ka mbola hihamaina.

BETA

  3Matokia ny TOMPO, manaova ny tsara,
  dia honina amin'ny tany nomeny ianao
  ka hiaina amim-pilaminana azo antoka.
  4Aoka ny TOMPO no hiravoanao,
  dia homeny anao izay irîn'ny fonao!

GIMELA

  5Ankino amin'ny TOMPO ny fiainanao,
  ka itokio Izy fa hanao izay mahasoa.
  6Ny rariny anananao hasehony
  ho toy ny mazavatsinanana;
  ny zo tandrify anao haharihariny
  ho tahaka ny mitataovovonana.

DALETA

  7Aoka hitombina tsara eo anatrehan'ny TOMPO
  ka hiandry Azy amim-paharetana ianao!
  Aza tezitra amin'izay mahomby,
  dia amin'ny olona manao fetsifetsy.

HE

  8Ialao ny hatezerana, avelao ny havinirana;
  aza misafoaka fa loza no hiafaran'izany.
  9Satria hofongorana ireo mpanao ratsy,
  fa izay matoky ny TOMPO no handova ny tany.

jeudi 11 juillet 2013

Alakamisy 11 Jolay 2013 - Rom 5 : 15 - 21

15Kanefa tsy azo ampitahaina ny hadisoana vitan'i Adama sy ny fanomezana atolotr'Andriamanitra maimaimpoana. Niharan'ny fahafatesana ny besinimaro, noho ny hadisoan'ny olona anankiray, dia i Adama; nitosaka be nihoatra lavitra noho izany kosa ilay fahasoavana avy amin'Andriamanitra, ilay fahasoavana nomena maimaimpoana ho an'ny besinimaro tao tamin'ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy. 16Ary tsy tahaka ny vokatry ny fahotana vitan'i Adama ny vokatry ny fanomezana atolotr'Andriamanitra: ny hadisoan'ny olona anankiray notsaraina dia nahatonga fanamelohana; fa ny fanomezana atolotr'Andriamanitra maimaimpoana kosa dia nahatonga ny hadisoana maro havela tanteraka. 17Eny, tamin'ny alalan'ny olona anankiray ary noho ny hadisoan'io olona iray io no nanjakan'ny fahafatesana; fa ireo mandray ny fahasoavana nitosaka be avy amin'Andriamanitra ary koa ny fahamarinana nomeny maimaimpoana dia vao mainka velomin'Andriamanitra sy ampanjakainy tamin'ny alalan'ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy. 18Koa ny hadisoana vitan'olona iray, dia i Adama, no nahavoaheloka ny olona rehetra; toy izany koa ny asa marina vitan'olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nahatonga ny olona rehetra hovotsorana tanteraka sy hahazo fiainana. 19Noho ny olona anankiray tsy nanaiky an'Andriamanitra, dia nanjary mpanota ny besinimaro; toy izany koa, noho ny olona anankiray nanaiky an'Andriamanitra, dia hanjary olo-marina eo imason'Andriamanitra ny besinimaro. 20Ny lalàna no tonga, dia ny mba hampitombo be ny hadisoana; nefa koa teo amin'izay nahabe ny fahotana no nihoa-pampana ny fahasoavana. 21Koa tahaka ny nanjakan'ny fahotana ka nahafaty antsika no hanjakan'ny fahasoavan'Andriamanitra hahatonga antsika ho marina ka hahavelona antsika mandrakizay amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika.

mercredi 10 juillet 2013

Alarobia 19 Jolay 2013 - Mat 19 : 27 - 30

27Tamin'izay i Petera dia niteny tamin'i Jesoa hoe:

–Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary dia izao miaraka aminao izao; ka inona àry no ho azonay?

28Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:

–Lazaiko marina aminareo fa rehefa hohavaozina tanteraka izao tontolo izao ka hipetraka eo amin'ny sezafiandrianany be voninahitra ny Zanak'olona*, ianareo 12 lahy niaraka tamiko dia samy hipetraka amina sezafiandrianana mba hitsara ny foko 12 amin'i Israely. 29Ary izay rehetra mahafoy trano na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy dia hahazo injato henin'izany ary hanana anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay.

Fanoharana momba ny mpiasa tanimboaloboka

30Maro amin'ireo voalohany no ho farany, ary maro amin'ireo farany no ho voalohany.

mardi 9 juillet 2013

Talata 09 Jolay 2013 - Isa 42 : 1 - 9

1Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko
mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an'ny firenena. 2Tsy hiantsoantso izy na hampiaka-peo sady tsy hanao kabary eny an-dalambe. 3Tsy hotapahiny ny volotara folaka, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona
fa hamoaka ny lamina ara-drariny tokoa izy. 4Tsy ho reraka na ho kivy izy mandra-panoriny ny lamina ara-drariny amin'ny tany fa hiandry dia hiandry ny lalànany ireo mponina any amin'ny nosy.

 Fahazavana ho an'ny firenena rehetra

 5Izao no tenin'ny TOMPO Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy hidadasika, Izay namelatra ny tany mbamin'ny zava-maniry vokariny, Izay manome fofonaina ho an'ny olona eo aminy sy fanahy ho an'ny mponina miriaria ao; eny, izao no tenin'ny TOMPO Andriamanitra amin'ilay mpanompo voafidiny: 6«Izaho TOMPO no niantso anao araka ny fahamarinana ka nitantana anao. Izaho no niaro anao ka nanendry anao ho antoky ny fanekempihavanako amin'ny olona ary koa ho fahazavan'ireo firenena. 7Dia hampahiratra ny mason'ny jamba ianao, hamoaka ny gadra avy ao am-ponja, eny, hamoaka ireo mipetraka anaty haizina hialany amin'ny trano nihazonana azy.» 8Izaho no TOMPO, izany no anarako ka ny voninahitro* tsy homeko ny hafa ary ny fiderana Ahy tsy avelako ho an'ny sampy. 9Indro efa lasa iny ny zava-niseho voalohany; koa zava-baovao indray no ambarako aminareo. Ary hampahafantariko anareo izany, na dia mbola tsy miseho aza.

lundi 8 juillet 2013

Alatsinainy 08 Jolay 2013 - II Kor 1 : 3 - 11

1Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin'i Kristy* Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra.Mamangy anareo isan'ny Fiangonan'Andriamanitra atỳ Kôrinto mbaminareo vahoakan'Andriamanitra* rehetra manerana an'i Akaîa aho. Mamangy anareo koa i Timôty havantsika. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy* Tompontsika, ilay Ray feno hatsaram-po sady Andriamanitra loharanon'ny fampaherezana rehetra. 4Mampahery anay amin'ny fahoriana isan-karazany manjo anay Andriamanitra, ka ny fampaherezana azonay taminy no entinay mampahery ny olona ianjadian'ny fahoriana isan-karazany. 5Miara-mijaly be dia be amin'i Kristy izahay; ary betsaka araka izany koa ny fampaherezana azonay amin'ny alalan'i Kristy. 6Raha ampahorîna izahay, dia ho fampaherezana anareo sy ho famonjena anareo izany; raha ampaherezina izahay, dia ho fampaherezana anareo koa izany, ka miasa hiaretanareo fijaliana mitovy indrindra amin'izay entinay. 7Ary miorina mafy ny fanantenany ny aminareo, satria fantatray fa toy ny iombonanareo fijaliana aminay no iombonanareo fampaherezana aminay koa. 8Tianay, ry havako, ny hahalalanareo ny fahoriana nanjo anay tany amin'ny faritany Azia; nitambesatra loatra taminay izany ary tafahoatra ny zakanay, ka tsy nanantena intsony izay hoe mbola ho velona izahay. 9Tsapanay tao amin'ny tenanay fa voaheloka ho faty izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa hitokianay amin'Andriamanitra Izay manangana ho velona ny efa maty. 10Izy no nanafaka anay tamin'ny fahafatesana nananontanona anay, ary dia mbola hanafaka any hatrany; eny, Izy no antenainay fa hanafaka hatrany, 11satria ianareo koa hanampy anay amin'ny fivavahana ataonareo ho anay. Dia ho maro ny olona hisaotra an'Andriamanitra ny aminay satria maro no nangataka mba hahazoanay izany fitahiana izany.

dimanche 7 juillet 2013

Alahady 07 JOlay 2013 - II Sam 7 : 25 - 29

 25Ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra ô, ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny taranako dia tano mandrakizay ary ataovy araka izay efa nampanantenainao. 26Halaza mandrakizay anie ny anaranao ka hatao hoe: «Ny TOMPOn'izao rehetra izao no Andriamanitr'i Israely». Ary ho mafy orina eo anatrehanao ny taranako. 27Satria Ianao, ry TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely, efa nanambara tamiko fa hanome taranaka ho ahy; koa izany no nahasahiako hivavaka aminao izao. 28Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, ianao mihitsy no Andriamanitra; azo antoka ny teninao, ary izaho mpanomponao no efa nampanantenainao izany zava-tsoa izany. 29Koa ho sitrakao anie ankehitriny ny hitahy* ireo taranako mba hitohy mandrakizay eo anatrehanao. Satria Ianao, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, no efa nampanantena, ka ny fitahianao no hitahianao mandrakizay ny taranako, fa mpanomponao aho.

samedi 6 juillet 2013

Sabotsy 06 Jolay 2013 - Mat 6 : 1 - 8

1–Tandremo ny manao adidy ara-pivavahana eo imason'ny olona mba ho hitany, sao ianareo tsy mahazo valisoa avy amin'ny Rainareo Izay any an-danitra. 2Koa rehefa manao fiantrana ianao, aza dia antsoantsoina ho ren'ny tany ama-monina, sahala amin'ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy any amin'ny sinagôga* sy eny an-dalambe, mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany. 3Fa ianao kosa, rehefa manao fiantrana, aoka na dia ny olona sakaizanao indrindra aza tsy hahalala izay ataonao, 4hany ka miafina no anaovanao ny fiantrànao; ary ny Rainao Izay mahita ao amin'ny miafina no hamaly soa anao.

5–Rehefa mivavaka ianareo, aza mba manahaka ny mpihatsaravelatsihy. Tian-dry zareo ny maka toerana ao amin'ny sinagôga sy eny amin'ny fihaonan-dalana raha mivavaka, mba hahitan'ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany. 6Fa ianao kosa, rehefa mivavaka, midira ao amin'ny efitranonao, hidio ny varavarana, dia mivavaha amin'ny Rainao Izay ao amin'ny miafina; ary ny Rainao Izay mahita ao amin'ny miafina no hamaly soa anao. 7Rehefa mivavaka ianareo, aza mba maro teny tahaka ny mpanompo sampy. Heverin'izy ireny fa rehefa maro teny izy, vao henon'Andriamanitra. 8Koa aza mba manahaka azy ianareo, satria fantatry ny Rainareo rahateo ny zavatra ilainareo, alohan'ny hangatahanareo izany aminy.

vendredi 5 juillet 2013

Zoma 05 Jolay 2013 - Sal 128

1 Hira fiakarana.

Sambatra izay rehetra manaja ny TOMPO sy manaraka ny sori-dàlana nataony.
2Ny vokatry ny asanao tokoa no hivelomanao ka sambatra sy ambinina ianao!
3Ny vadinao eo an-tranonao dia toy ny voaloboka mahavokatra; ny zanakao manodidina ny latabatrao
dia toy ny solofon'ôliva.
4Eny, toy izany no itahiana* ny lehilahy manaja ny TOMPO!
5Hitahy anao avy ao Tsiôna* anie ny TOMPO, ka amin'ny andro rehetra iainanao no hahitanao ny hasambaran'i Jerosalema
6sy hahitanao ny zafikelinao! Ny fiadanana anie ho an'i Israely!

jeudi 4 juillet 2013

Alakamisy 04 Jolay 2013 - Apo 21 : 24 - 25

24Handeha amin'ny fahazavàn'ilay tanàna ny firenena rehetra: ary ny mpanjakan'ny tany dia hitondra ny voninahiny ho ao anatiny. 25Hisokatra tontolo andro ny vavahadin'ny tanàna, (satria tsy mba hisy alina ao aminy).

mercredi 3 juillet 2013

Alarobia 03 Jolay 2013 - Isa 37 : 30 - 55

30Izao kosa no famantarana ho anao, ry Hezekià: Amin'ity taona ity dia hihinana izay vary maniry ho azy ny olona; ary amin'ny taona manaraka dia mbola ho toy izany koa. Fa amin'ny taona fahatelo kosa dia hamafy vary sy hijinja ianareo ary hamboly voaloboka sy hihinana ny vokatra avy aminy. 31Ary izay sisa velona amin'ny taranak'i Joda dia ho toy ny hazo hamaka lalina indray ary ho feno voa ny rantsany; 32satria ao Jerosalema no hipoiran'ny sisa tavela, ary ao an-tendrombohitra Tsiôna* no hiarenan'ny sisa velona.»Dia hoy ihany i Isaià hoe: «Izany no hataon'ny TOMPOn'izao rehetra izao noho ny fitia miredareda manesika Azy. 33Izao kosa no lazain'ny TOMPO ny amin'ny mpanjakan'i Asiria: ‹Tsy hiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipîka hamelezana azy na hiady aminy ombàn'ny ampinga na hanangana tovon-tany hanafihana azy. 34Ny lalana izay niaviany ihany no hiverenany, fa tsy hiditra amin'ity tanàna ity izy. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO. 35Harovako i Jerosalema ary hovonjeko noho ny amin'ny tenako sy i Davida mpanompoko.› »

mardi 2 juillet 2013

Talata 02 Jolay 2013 - Rom 4 : 13 - 25

13Nampanantenain'Andriamanitra fa handova izao tontolo izao i Abrahama sy ny taranany. Tsy noho izy ireo nandala lalàna*, fa noho izy ireo nino ka neken'Andriamanitra ho marina no nahazoany izany fampanantenana izany. 14Raha ny fanatanterahana ny lalàna no nahatonga azy ireo ho mpandova, dia ho poaka àty ny finoana ary ho foana ny fampanantenana. 15Fa mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra* ny lalàna; ka raha tsy misy ny lalàna, dia tsy hisy koa ny fandikan-dalàna. 16Noho izany, dia avy amin'ny finoana no ahazoana ny fampanantenana, hany ka fanomezana azo antoka ho an'ny taranak'i Abrahama rehetra: tsy ho an'izay mandala ny lalàna ihany, fa ho an'izay mino tahaka ny nataon'i Abrahama koa. Fa raintsika rehetra i Abrahama, 17araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe: «Nahatonga anao ho raim-pirenena maro Aho.» Eny, raintsika rehetra izy eo anatrehan'ilay Andriamanitra ninoany, dia ilay Andriamanitra mamelona ny maty sy mampisy ny tsy misy. 18Nanantena i Abrahama na dia tsy nisy hanantenany aza, ary dia nino fa ho tonga «raim-pirenena» maro, araka ny voalazan'Andriamanitra taminy hoe: «Ho tahaka izany ny taranakao.» 19Tsy nalemy finoana i Abrahama raha nandinika ny tenany izay naman'ny maty, fa efa tokony ho zato taona izy tamin'izay, ary koa raha nandinika an'i Sarà vadiny, izay tsy afa-niteraka intsony. 20Tsy very finoana ny amin'ny fampanantenana izay nataon'Andriamanitra i Abrahama, fa vao mainka aza nankahery azy ny finoany; ka dia nanome voninahitra an'Andriamanitra izy, 21sady natoky mihitsy fa izay nampanantenain'Andriamanitra dia hain'Andriamanitra tanterahina. 22Izany no «nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina.» 23Tsy ho an'i Abrahama ihany anefa ilay voasoratra hoe «nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina», 24fa ho antsika koa, dia isika mino Ilay nanangana an'i Jesoa Tompontsika ho velona avy tany amin'ny maty. 25Fa natolotra ho faty noho ny fahotantsika i Jesoa ary natsangana ho velona mba hahatonga antsika ho olo-marina eo imason'Andriamanitra.

lundi 1 juillet 2013

Alatsinainy 01 Jolay 2013 - Deo 11 : 26 - 32

 26Indro aho Mosesy mametraka fitahiana* sy ozona hisafidiananareo anio. 27Hotahîna ianareo raha mankatò ireo didin'ny TOMPO Andriamanitrareo, izay ampitaiko aminareo anio; 28ho voaozona kosa ianareo raha tsy mankatò ireo didin'ny TOMPO Andriamanitrareo fa mivily hiala ny lalana izay soritako ho anareo ka hanaraka andriamani-kafa tsy fantatrareo. 29Rahatrizay ny TOMPO Andriamanitrareo hahatafiditra anareo any amin'ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana, dia ny fitahiana no tonony eo an-tendrombohitra Gerizima, ary ny ozona kosa tonony ao an-tendrombohitra Hebala. 30(I Gerizima sy i Hebala dia tendrombohitra roa any an-dafy andrefan'ny ony Jôrdàna, any amparan'ny lalana miankandrefana, eo amin'ny tanin'ireo Kanahanîta monina ao amin'ny faritr'i Harabà; ireo tendrombohitra roa ireo dia eo akaikin'ny ôakan'i Môrà, tandrifin'i Gilgala). 31Efa hiampita an'i Jôrdàna ianareo ka hiditra haka ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo; ary hahazo azy ho fanananareo ianareo ka honina eo. 32Koa imasoy hotanterahina avokoa ny lalàna amam-pitsipika izay apetrako eo anoloanareo anio.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12