lundi 30 septembre 2013

Alatsinainy 30 Sept 2013 - I Tes 5 : 23 - 28

23Ilay Andriamanitra loharanon'ny fiadanana anie hahatonga anareo ho voatokana tanteraka ho Azy; ka harovany avokoa anie ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo mba tsy hanan-tsiny amin'ny andro hiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika! 24Mitana ny toky nomeny Andriamanitra Izay miantso anareo, ka hoefainy izany.
25Ry havana, mivavaha koa ho anay.
26Ataovy veloma amin'ny fanoroham-pihavanana daholo ny havana rehetra iray finoana.
27Iangaviako indrindra amin'ny anaran'ny Tompo ianareo: mba vakio amin'ny havana rehetra iray finoana ity taratasy ity.
28Homba anareo anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika!

dimanche 29 septembre 2013

Alahady 29 Septambra 2013 - Neh 8 : 7 - 12

7Dia nitsangana indray ny olona ka samy nijanona teo amin'ny toerany avy. Ary ny levita*, ry i Jesoa sy i Banỳ, i Serebià sy i Jamina, i Hakoba sy i Sabetahy, i Hôdià sy i Mahaseià, i Kelità sy i Hazarià, i Jôzabada sy i Hanàna ary i Pelaià, dia nampianatra ny vahoaka ny lalàna. 8Novakîn'ireo levita ireo mazava ny boky mirakitra ny lalànan'Andriamanitra sady novoasany koa ny heviny, ka azo tsara ny teny novakîna.
9Nitomany ny vahoaka rehetra teo, raha nandre ny tenin'ny lalàna. Noho izany i Nehemià governora sy i Hezrà mpisorona sady mpahay lalàna ary ny levita izay nampianatra ny olona dia niteny tamin'izy rehetra hoe:

–Voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany!

10Dia hoy indray i Hezrà tamin'ny vahoaka:

–Ndeha mody ka manaova sakafo tsara sy misotroa zava-pisotro mamy, ary mba anatero anjara izay tsy nahavoatra; satria voatokana ho an'ny Tompontsika ity andro ity. Koa aza malahelo, fa ny hafaliana avy amin'ny TOMPO no herinareo.

11Nampangina ny vahoaka rehetra koa ny levita ka nanao hoe:

–Mangina ianareo fa voatokana ho an'Andriamanitra ity andro ity!

12Dia nody izy rehetra mba hihinana sy hisotro ary hanatitra anjara ho an'ny sasany tsy manana ka nanao fifaliana lehibe. Azony tsara manko ny teny izay nampianarina azy.

samedi 28 septembre 2013

Sabotsy 28 Septambra 2013 - Jao 10 : 22 - 30

22Ririnina ny andro tamin'izay ary notontosaina tao Jerosalema ny fankalazana ny Fitokanana*. 23I Jesoa dia nitsangantsangana tao an-kianjan'ny tempoly*, teo amin'ny lala-mitafon*'i Salômôna. 24Koa nitangoronan'ny Jiosy Izy nanontaniany hoe:

–Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao tokoa no ilay Mesia*, mba lazao mazava aminay!

25Dia hoy i Jesoa taminy:

–Efa nilaza taminareo Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko dia mijoro ho vavolombelona manambara Ahy, 26nefa ianareo tsy mino satria tsy mba isan'ny ondriko*. 27Ireo ondriko mihaino ny feoko: Izaho mahafantatra ny ondriko, ary izy manaraka Ahy. 28Izaho no manome azy ny aina maharitra mandrakizay ka tsy ho very izy na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. 29Ny Raiko Izay nanolotra azy tamiko dia lehibe noho ny rehetra, ka tsy misy olona maharombaka azy eo an-tanan'ny Ray. 30Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

vendredi 27 septembre 2013

Zoma 27 Septambra 2013 - Apo 3 : 7 - 13

7–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Filadelfia:
«Izao no lazain'ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin'i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha. 8Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà Ahy. 9Indro atolotro anao ny sasany avy amin'ireo olona mivavaka amin'i Satàna*: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao. 10Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin'ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin'izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin'ny tany. 11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
12«Izay maharesy dia hataoko andry ao amin'ny tempoli*n'Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ilay tanànan'Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra; ary hosoratako eo aminy koa ilay anarako vaovao.
13«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

jeudi 26 septembre 2013

Alakamisy 26 Septambra 2013 - Sal 59 : 9 - 17

9Kanjo Ianao, TOMPO ô, homehy azy;
esoinao ny mpanompo sampy rehetra!
10Ry Heriko ô, Ianao no andrandraiko
satria Andriamanitra fiarovana avo ho ahy.
11Ilay Andriamanitra fatra-pitia ahy
dia ho avy tokoa hialoha ahy
ka hataony hitako ny fahavaloko resy.

12Andriamanitra ô, aza aringana avy hatrany ireo
fandrao hadinon'ny vahoakako ny fandresenao;
ahofokofohy amin'ny herinao ireo
ka azerao, ry Tompo ampinganay ô.
13Vao miteny izy, dia manota aminao;
koa ataovy voafandriky ny avonavony
sy tratry ny ozona aman-dainga tanisainy.
14Aringano an-katezerana izy,
aringano ka aza avela hisy hiangana;
dia ho fantatra hatrany am-paran'ny tany
fa Andriamanitra no mifehy
eo amin'ny taranak'i Jakôba.

Fiatoana

15Nony hariva, dia mitampody ireo fahavaloko
ka toa andian'alika mivovò
mihaodihaody eran'ny tanàna
16sady miriorio mitady hanina;
ka raha tsy voky izy, dia maneronerona.
17Izaho kosa hihira ny herinao
sy hihoby vao maraina ny fitiavanao,
satria Ianao fiarovana avo ho ahy
sady fialofana amin'ny andro fahoriana.

mercredi 25 septembre 2013

Alarobia 25 Septambra 2013 - Lio 12 : 22 - 31

22Dia hoy indray i Jesoa tamin'ny mpianany*:

–Izany indrindra no ilazako aminareo hoe: aza manahy ny amin'ny hanina izay tohan'ainareo, na ny amin'ny fitafiana izay ilain'ny vatanareo. 23Fa ny aina mihoatra noho ny hanina; ary ny vatana mihoatra noho ny fitafiana. 24Diniho ange ny goaika: tsy mamafy na mijinja izy ireny, tsy manana trano fitahirizana na sompitra, fa Andriamanitra no mamelona azy. Tsy sarobidy lavitra noho ny vorona ve ianareo? 25Iza moa ianareo no mahay manalava kely ny andro iainany na dia feno fanahiana toy inona aza? 26koa raha ny zavatra kely tsinontsinona aza tsy efanareo, ahoana no anahianareo ny sisa rehetra. 27Diniho koa ange ny fanirin'ny voninkazo: tsy miasa na mamoly izy ireny; kanefa lazaiko aminareo fa na i Salômôna teo amin'ny voninahiny rehetra aza, dia tsy tsara fitafiana toy ny iray amin'izy ireny. 28Tafîn'Andriamanitra toy izany ny ahitra izay eny an-tsaha anio nefa atsipy any am-patana rahampitso, ka ianareo indray ve no tsy hampitafîny, ry kely finoana? 29Koa aza ny fikatsahana ny hohanina sy hosotroina no hany ilofosana ary aza mitebiteby foana ianareo. 30Ireo mpanompo sampy eo amin'izao tontolo izao dia fatra-pikatsaka ireny rehetra ireny; ianareo kosa, fantatry ny Rainareo fa ilainareo izany. 31Katsaho àry ny Fanjakàn'Andriamanitra*, dia homena anareo ireny ho fanampiny!

mardi 24 septembre 2013

Talata 24 Septambra 2013 - Isa 25 : 1 - 8

1TOMPO ô, Ianao no Andriamanitro.
Hanandratra Anao sy hankalaza ny anaranao aho,
satria notanterahinao ny zava-mahagaga
izay efa nokasainao hatry ny elabe
sady mafy orina sy azo itokiana.
2Nataonao lasa antontam-bato ny tanàna,
noravanao tokoa ny tanàna mimanda;
tsy vanon-ko tanàna intsony ny lapan'ny mpiavonavona
sady tsy hatsangana intsony na oviana na oviana.
3Noho izany, dia hisy firenena matanjaka
hanome voninahitra Anao;
ary ny tanànan'ireo firenena lozabe
dia haneho fanajana Anao.
4Fa Ianao tokoa no fiarovana mafy ho an'ny osa;
eny, fiarovana mafy ho an'ny malahelo Ianao
amin'ny andro mampahory azy ireny.
Fialofana amin'ny orana Ianao
sady alokaloka amin'ny hainandro,
satria ny fisafoaky ny mpanjakazaka
dia toy ny oram-batravatra hamely tamboho
5na toy ny hainandro mitarika tany karakaina.
Resenao ny tabataban'ny mpiavonavona;
eny, toy ny andrakofan-drahona ny hainandro
no ampanginana tsy ho re intsony
ny hiram-pandresen'ny mpanjakazaka.

6Eto amin'ity tendrombohitra Tsiôna* ity,
ny TOMPOn'izao rehetra izao
dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra,
fanasana amin'ny hena matavy ombàn-divay niotrika ela,
dia hena matavy be sy feno tsoka
ary divay niotrika ela sady voadio tsara.
7Eto Izy no hanafoana ny voalim-pisaonana
izay nanarona ny vahoaka rehetra,
hanafoana ny lambam-pahoriana
izay nandrakotra ny firenena rehetra.
8Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.
Hofafan'ny Tompo ANDRIANANAHARY
ny ranomaso amin'ny tava rehetra,
ary hoesoriny ny fahafaham-baràka
nahazo ny vahoakany manerana ny tany.
Izany no nampanantenain'ny TOMPO.

lundi 23 septembre 2013

Alatsinainy 23 Septambra 2013 - Sal 62 : 1 - 12

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'i Jedotòna filohan'antoko-mpihira.* Salamo nataon'i Davida.

2Andriamanitra irery no iadanako;
avy aminy ny famonjena ahy.
3Izy irery no Vatolampy ahazoako famonjena,
fiarovana avo ho ahy ka tsy hihontsona aho.

4–Ianareo kosa, mandra-pahoviana
no hifarimbona hamely olona
ka hiara-mioko handrodana azy
ho toa rindrina mirona sy fefy mikoa?
5Ny hany itadiavanareo hanongana azy
dia satria izy manana toerana ambony.
Fitaka no zavatra mba maminareo:
am-bava mirary soa*, fa am-po manozona.

Fiatoana*

6Andriamanitra irery no iadanako
satria Izy mihitsy no antenaiko.
7Izy irery no Vatolampy ahazoako famonjena,
fiarovana avo ho ahy ka tsy hihontsona aho.
8Miankina amin'Andriamanitra
ny famonjena ahy sy ny voninahitro;
Andriamanitra no Vatolampy
ianteherako mafy sy fialofako.
9–Matokia Azy lalandava, ry vahoakany,
atosahy eo anoloany ny fiahianareo
fa Izy Andriamanitra no fialofantsika.

Fiatoana

10Tsio-drivotra mandalo ihany
ny sarambabem-bahoaka;
rendrarendra foana koa
ireo olona manan-kaja;
raha indray atao amin'ny mizana izy roa tonta,
dia maivana noho ny tsio-drivotra mandalo.
11–Aza mitoky amin'ny fanaovana an-keriny,
aza miankina amin'ny fangalarana.
Raha mitombo fananana ianareo,
aza mba miraiki-po amin'izany.
12Izao no tenin'Andriamanitra
fandreko matetika: «Ahy ny hery!»

dimanche 22 septembre 2013

Alahady 22 Septambra 2013 - Jao 6 : 66 - 71

66Nanomboka tamin'io fotoana io dia maro tamin'ny mpianatr'i Jesoa no nihemotra, ka tsy niara-dia taminy intsony. 67Ka hoy i Jesoa tamin'ny 12 lahy:

–Ianareo koa ve mba te hiala?

68Dia novalian'i Simôna Petera hoe:

–Tompo ô, hankany amin'iza àry izahay? Ianao no manana ny teny manome ny aina maharitra mandrakizay; 69sady izahay efa mino sy mahalala fa Ianao no ilay Masina avy amin'Andriamanitra!

70Fa hoy i Jesoa tamin'ny 12 lahy:

–Tsy Izaho ve no nifidy anareo 12 lahy? Kanefa devoly* ny anankiray aminareo!

71Ny nolazainy dia i Jodasy, zanakalahin'i Simôna Iskariôta*; izy io manko, na dia anisan'ny 12 lahy aza, no ilay efa hanolotra an'i Jesoa.

samedi 21 septembre 2013

Sabotsy 21 Septambra 2013 - Mat 16 : 21 - 28

21Hatramin'io fotoana io i Jesoa dia nanomboka nilaza mazava tamin'ny mpianany* hoe:

–Tsy maintsy hankany Jerosalema Aho ka hataon'ny loholona* sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna* mijaly mafy tokoa, dia hovonoina ho faty; nefa hitsangana velona amin'ny andro fahatelo.

22Fa i Petera kosa nitondra an'i Jesoa hihataka kely sady niteny Azy mafy hoe:

–Sanatria aminao izany, ry Tompo! Tsy hihatra aminao velively izany!

23Dia nitodika i Jesoa ary nanao tamin'i Petera hoe:

–Mialà amiko, ry Satàna*! Ndeha atsy aoriako! Mitarika Ahy amin'ny ratsy ianao, satria tsy hevitr'Andriamanitra no ao an-tsainao fa hevitr'olombelona.

24Avy eo dia hoy i Jesoa tamin'ireo mpianany:

–Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.

25Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy noho ny fitiavany Ahy kosa no hahavonjy azy. 26Fa inona no soa azon'ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny ainy mitondra faisana? Ary inona no azon'ny olona omena ho takalon'ny ainy? 27Eny, rahatrizay ny Zanak'olona* ho avy ombàn'ny voninahitra homen'ny Rainy sady otronin'ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan'olona. 28Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin'izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak'olona tonga amin'ny maha mpanjaka Azy.

vendredi 20 septembre 2013

Zoma 20 Septambra 2013 - Sal 27 : 1 - 10

1 Nataon'i Davida.

Ny TOMPO no mpanazava sy mpamonjy ahy,
ka iza no hatahorako?
Ny TOMPO no toy ny manda miaro ny aiko,
ka iza no hangovitako?
2Raha manatona kosa ny olon-dratsy
toy ny biby masiaka hamely ahy,
dia ireo fahavalo mandrafy ahy ireo
no ho lavo hitsikasina amin'ny tany.
3Raha tafika no tonga hanao fahirano,
dia tsy hanan-tahotra akory aho;
ary na misy ady mihatra amiko aza,
dia handry fahalemana ihany aho.
4Zavatra tokana no angatahiko
sady irîko fatratra homen'ny TOMPO:
dia ny hitoetra ao an-tranony
mandritra ny androm-piainako rehetra,
mba hianoka amin'ny hatsarampony
sy hiandry ny torolalany ao an-tempoliny*.
5Koa raha tonga ny andro mahory,
dia hafeniny ao an'efitra fialofany aho
sy hampiereny tokoa ao an-dainy;
eny, hasandrany ambony vatolampy aho.
6Amin'izay aho dia ho voasandrany tokoa
ho ambonin'ireo fahavalo manodidina ahy;
ka hanolotra sorom*-pihobiana ao an-dainy
sady hihira salamo hankalazana ny TOMPO.

7TOMPO ô, mba henoy ny feoko
raha miantso vonjy aminao,
ary iantrao aho ka valio.
8«Ndeha ianao, hoy ny foko amiko,
ndeha ianao mitady ny TOMPO.»
Izany indrindra no itodihako aminao.
9Koa aza mihodina amiko Ianao,
aza mandroaka ahy an-katezerana,
fa Ianao no efa namonjy ahy.
Aza arianao aho ary aza ilaozanao,
fa Ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy.
10Raha nandao ahy ny ray aman-dreniko,
Ianao kosa, TOMPO ô, no nandray ahy.

jeudi 19 septembre 2013

Alakamisy 19 Septambra - Joe 4 : 14 - 21

14Vahoaka tsy hita isa no tonga
ao amin'ny lohasaha Fitsarana
fa efa antomotra ny androm-pahatezeran'ny TOMPO.
15Mihamaizina ny masoandro sy ny volana
ary tsy mamiratra intsony ny kintana.
16Avy ao Tsiôna* ny TOMPO no manerona,
ary avy ao Jerosalema Izy no manandra-peo.
Mihorohoro ny tany aman-danitra!
Fa ny TOMPO no fialofan'ny vahoakany
sy fiarovana ho an'ny Israelita.
17Ary hiaiky ianareo
fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo,
Ilay monina ao Tsiôna
tendrombohitro masina.
Dia ho tanàna masina i Jerosalema,
ka tsy hidiran'ny hafa firenena intsony.

18Amin'izany andro izany
dia hamokatra divay vao ny tendrombohitra,
handriaka ronono ny biby fiompy eny an-kavoana.
Hikoriana rano avokoa
ny sakeli-dranon'i Joda.
Ary hisy loharano hifantsitsitra
avy ao an-tranon'ny TOMPO*
ka hanondraka ny lohasahan'i Sitîma.
19Ho tonga tany lao i Ejipta
ary ho taniefitra foana i Edôma
noho ny herisetra nataony
tamin'ny taranak'i Joda,
dia ny nandatsahany
ran'ny tsy manan-tsiny
teo amin'izany tany izany.
20-21Eny, hambarako ho tsy manan-keloka izy.
Fa i Joda sy i Jerosalema
dia honenana mandrakizay
ary Izaho TOMPO kosa
dia honina ao Tsiôna*.

mercredi 18 septembre 2013

Alarobia 18 Septambra 2013 - Lio 12 : 8 - 12

8–Izao no lazaiko aminareo: na iza na iza manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, ny Zanak'olona* koa mba hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra*! 9Fa izay mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, ny Zanak'olona koa mba handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra.
10Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka.
11Raha entina hotsaraina eo amin'ny sinagôga* na eo anatrehan'ny mpitondra sy ny manampahefana ianareo, dia aza manahy ny amin'izay havalinareo na izay holazainareo; 12fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo eo no ho eo ihany izay tokony holazainareo.

mardi 17 septembre 2013

Talata 17 Septambra 2013 - Sal 18 : 1 - 6

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Hira nataon'i Davida mpanompon'ny TOMPO. Notononiny hanomezam-boninahitra ny TOMPO ireto teny ireto fony izy nafahany tamin'ny fahavalony rehetra, indrindra tamin'i Saoly.

  2 TOMPO ô, tiako Ianao
  fa Ianao no heriko!

  3 Ny TOMPO no harambato
  fierena azo antoka ho ahy.
  Izy no Andriamanitro
  sy vatolampy ialofako,
  ampinga fiarovana
  sy mpamonjy mahery ho ahy.
  4 Hoderaina anie ny TOMPO! Fa niantso Azy aho,
  dia voavonjy ho afaka amin'ny fahavaloko.
  5 Toy ny fatotra mangeja ahy ny fahafatesana
  sady nampitahotra ahy toa riaka mandrava;
  6 toy ny fatotra ahodidina ahy ny fonenan'ny maty,
  toa harato amandrihana ahy ny fahafatesana.

lundi 16 septembre 2013

Alatsinainy 16 Septambra 2013 - Asa 4 : 23 - 31

23Vantany vao afaka izy roa lahy, dia namonjy ireo namany ka nitantara izay rehetra voalazan'ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona*. 24Nony nandre izany ireo mpino, dia indray nientana nanandratra tonom-bavaka tamin'Andriamanitra hoe:

–Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra eo aminy; 25ary tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe:

    «Nahoana no mihotakotaka ny firenena?
    Nahoana no mioko foana ny vahoaka?
    26Nivonon-kiady ny mpanjakan'ny tany,
    ary nivondrona ny manampahefana
    mba hanohitra ny Tompo sy ilay Mesiany*.»

27Marina tokoa fa i Herôda* sy i Pônty Pilato*, niaraka tamin'ny olona hafa firenena* sy ny vahoaka israelita*, dia nivondrona teto amin'ity tanàna ity mba hanohitra an'i Jesoa Mpanomponao masina, Izay natokanao ho Mesia. 28Notanterahin'izy ireo izay efa notendrenao rahateo tamin'ny herinao sy ny fikasanao. 29Tompo ô, hitanao ankehitriny ny fandrahonany, koa omeo anay mpanomponao ny hery hitoriana ny teninao amim-pahasahiana tokoa; 30ahinjiro ny tananao hahasitrana ary hahatontosa famantarana* sy zava-mahagaga amin'ny anaran'i Jesoa ilay Mpanomponao masina.

31Rehefa avy nivavaka ireo mpino, dia nihovitrovitra ny trano niangonany ary feno Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamim-pahasahiana.

dimanche 15 septembre 2013

Alahady 15 Septambra 2013 - Rom 11 : 1 - 6

1Manontany àry aho hoe: Sao narian'Andriamanitra ny vahoakany? Sanatria izany! Fa izaho koa mba Israelita*, taranak'i Abrahama sady anisan'ny fokon'i Benjamîna! 2Tsia, Andriamanitra tsy nanary ny vahoakany, izay efa nofidiny rahateo. Ataoko fa fantatrareo izay lazain'ny Soratra Masina* ao amin'ny tantaran'i Elià*, fony i Elià nitaraina tamin'Andriamanitra ny amin'i Israely* nanao hoe: 3«Tompo ô, ireo mpaminaninao* novonoiny, ireo alitaranao* noravàny; ary izaho irery no sisa tavela, nefa dia fofoiny ho faty.» 4Inona kosa no avalin'Andriamanitra an'i Elià? «Efa nanokana fito arivo lahy ho Ahy Aho, dia ireo tsy nandohalika tamin'ny sampy Bahala*.» 5Toy izany koa àry amin'izao ankehitriny izao. Misy olom-bitsy sisa tavela, izay voafidy noho ny fahasoavan'Andriamanitra. 6Ary raha noho ny fahasoavana, dia tsy avy amin'ny asa vitan'ny olona; fa raha avy amin'ny asa vitan'ny olona, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.

samedi 14 septembre 2013

Sabotsy 14 Septambra 2013 - Sal 9 : 7 - 14

7Nifarana hatreo ny amin'ny fahavalonay,
satria rava tanteraka izy;
efa narodanao ireo tanànany,
ka tsy hotsarovana intsony.

8Injay ny TOMPO Izay maharitra mandrakizay:
mametraka ny sezafiandrianana hitsarany Izy,
9ka hitsara izao tontolo izao araka ny rariny
sy hanapaka ny firenena araka ny hitsiny.

10Ny TOMPO no fialofana ho an'ny ampahorîna,
eny, fialofana amin'ny andro mahory.
11Aoka hiantehitra aminao
ireo mahalala tsara Anao,
satria Ianao tsy mba mandao
izay mitady Anao, TOMPO ô!

12Ankalazao amin'ny zava-maneno
ny TOMPO Izay monina ao Tsiôna*,
ary ambarao amin'ireo firenena
ny zava-mahatalanjona nataony;
13satria mikaroka ny mpamono olona Izy
sady mahatsiaro ireo voavono ho faty
sy ny fitarainan'ireo mahantra.

14Iantrao aho, TOMPO ô, ka jereo ny fahoriako,
noho ny afitsoky ny mpankahala ahy;
Ianao no misintona ahy ho afaka
amin'ny hasomparan'ny fahafatesana.

vendredi 13 septembre 2013

Zoma 13 Septambra 2013 - Asa 18 : 5 - 11

5Rehefa tonga avy any Masedônia i Silasy mbamin'i Timôty, dia ny toriteny no nimasoan'i Paoly, ary nambarany tamin'ny Jiosy fa i Jesoa no ilay Mesia*. 6Kanefa nanohitra sy nanevateva azy ry zareo; ka dia nanopakopa-damba i Paoly sady nanao taminy hoe:

–Anareo ny andraikitra raha toa ka manalavitra an'Andriamanitra ianareo, fa afaka adidy aminareo aho. Manomboka anio dia any amin'ny hafa firenena* no halehako.

7Dia niala teo i Paoly ka nankao amin'i Tisio Josta, mpanaja an'Andriamanitra*, izay nanan-trano nifanolotra tamin'ny sinagôga. 8Kanefa nino ny Tompo i Krispo, lehiben'ny sinagôga, mbamin'ny ankohonany manontolo; ary maro koa ny Kôrintianina nihaino an'i Paoly no tonga mpino ary natao batisa*.
9Indray alina dia nisehoam-pahitana i Paoly, ka nilazan'ny Tompo hoe:

–Aza matahotra, fa mitenena hatrany ary aza mangina. 10Fa momba anao Aho, ary tsy hisy olona afaka hihazona anao mba hampahorîna, satria vahoaka maro no voatokana ho Ahy amin'ity tanàna ity.

11Nitoetra herintaona sy tapany tao Kôrinto i Paoly, ka nampianatra ny tenin'Andriamanitra tamin'ny olona.

jeudi 12 septembre 2013

Alakamisy 12 Septambra 2013 - Isa 46 : 3 - 7

3Mihainoa Ahy TOMPO, ry taranak'i Jakôba,
dia ianareo rehetra sisa velona
amin'ny taranak'i Israely,
ianareo izay nokarakaraiko hatrany am-bohoka
sy notrotroiko raha vao teraka.
4Tsy hiova Aho, na dia mandra-pahantitrareo aza;
hanohana anareo Aho mandra-pahafotsin'ny volonareo.
Izaho no nanao anareo sy nitrotro anareo hatrany;
eny, Izaho no hanohana anareo sy hamonjy anareo.
5Iza moa no ampitovinareo amiko
ary hanoharanareo Ahy?
Iza no hampifandanjanareo amiko
ka hahitana fifanahafana aminay?
6Misy olona mandanilany foana ny volany;
mandanja volamena sy volafotsy amin'ny mizana izy,
dia manarama olona mpanefy firavaka
mba hamboatra ireny ho andriamanitra
izay hivavahany sady hiankohofany tokoa.
7Izy ireo ihany no mibata ny andriamaniny
sy mitondra azy eny an-tsoroka
sady mametraka azy eo amin'ny toerany,
dia mijanona eo iny fa tsy mahahetsika.
Raha iantsoana vonjy izy, dia tsy mamaly
sady tsy mahavonjy amin'ny fahoriana.

mercredi 11 septembre 2013

Alarobia 11 Septambra 2013 - Joda 24 - 25

24Ho an'Andriamanitra tokana anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay miaro anareo tsy ho solafaka amin'ny fahotana, Izy no mahay mampijoro anareo tsy hanan-tsiny ka haheni-karavoana anareo eo anoloan'ny voninahiny; 25Izy no Mpamonjy antsika amin'ny alalan'i Jesoa Kristy* Tompontsika. Eny, ho an'Andriamanitra tokana anie ny voninahitra sy ny laza ary ny fanjakana sy ny fahefana hatramy talohan'ny taona rehetra sy ankehitriny ary mandrakizay! Amen*.

mardi 10 septembre 2013

Talata 10 Septambra 2013 - II Sam 22 : 29 - 46

29TOMPO ô, jiro mirehitra ho ahy Ianao;
eny, TOMPO ô, Ianao no manazava izany haiziko.
30Noho Ianao Andriamanitro,
na hady aza itsambikinako,
na manda aza ihoarako.
31Lavorary ny sori-dalan'Andriamanitra,
azo antoka ny torohevitry ny TOMPO;
toy ny ampinga fiarovana Izy
ho an'izay rehetra mialoka aminy.
32Fa iza moa no Andriamanitra
afa-tsy ny TOMPO ihany?
Ary iza no vatolampy ho anay
afa-tsy ilay Andriamanitray?
33Izy no mpiaro mahery ho ahy
sy mampizotra ahy lalana lavorary;
34Ataony kinga toy ny gazela aho
ary ajorony amin'ny toerana avo;
35Izy no manofana ahy ho amin'ny ady
ka ahaizako manenjana tsipîka varahina.
36Ny ampingam-pandresenao
no atolotrao ahy, Tompo ô;
mamaly ny antsoko Ianao
ary koa manandratra ahy.
37Ataonao faingam-pandeha kokoa aho,
nefa ny hato-tongotro tsy hangozohozo.
38Manenji-pahavalo aho ka mandripaka azy,
ary tsy miverina raha tsy efa ringako izy.
39Ringaniko sy montsaniko ireo
ka tsy hiarina intsony
ary dia mitsitra ambany tongotro.
40Omenao hery hoenti-miady manko aho,
ka adabokao ho ambaniko ny mpamely ahy.
41Ataonao mandositra ahy ny fahavaloko
ary aringako ireo mpankahala ahy.
42Miherikerika mitady vonjy izy,
kanefa tsy misy mamonjy;
ny TOMPO no antsoiny fa tsy mamaly azy.
43Kosehiko toa vovoka entin-drivotra ireny;
hoseko toy ny fotaka eny an-dalam-be.
44Afahanao amin'ny vahoaka mpikomy aho
ary arovanao ho filohan'ireo firenena;
ka olona tsy fantatro akory
no indro manjary manompo ahy.
45Vahiny no tonga mila sitraka amiko;
teny kely no ataoko, dia ekeny aho.
46Mikoy ry zareo ka mangovitra
no miala ny manda fiarovany.

lundi 9 septembre 2013

Alatsinainy 09 Septambra 2013 - Efe 6 : 10 - 20

10Farany, noho ianareo tafaray amin'ny Tompo dia matanjaha ombàn'ny heriny tsy hay tohaina. 11Itafio avokoa ny fiadiana omen'Andriamanitra, mba hahazoanareo hamahatra tsara eo anatrehan'ireo tetika afitsoky ny devoly*. 12Tsy olombelona nofo aman-dra tsy akory no ifanandrinantsika, fa ireo fanahy ratsy eny ana habakabaka: dia ireo fanapahana, ireo fahefana, ireo hery mifehy ny sehatry ny haizina. 13Noho izany, raiso avokoa ny fiadiana omen'Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra ny fahavalo amin'ny andro ratsy; ka rehefa nandresy ny famelezana rehetra nafitsony ianareo, dia mbola hamahatra tsara ihany.
14Koa mamahara tsara hatrany ianareo: ny marina no ataovy toy ny etra fehikibonareo; ny rariny no tafio ho toy ny fiarovan-tratra; 15ny fahavononan-kitory ny Vaovao Mahafaly* mampihavana no ataovy toy ny kiraro eny an-tongotrareo; 16tano lalandava ny finoana ho toy ny ampinga hahazoanareo mamono ny zanatsipîka mirehitra rehetra alefan'ilay Ratsy*; 17raiso ny famonjena ho toy ny fiarovan-doha, ary raiso ny tenin'Andriamanitra ho toy ny sabatra omen'ny Fanahy Masina. 18Mivavaha hatrany ary mangataha ny fanampian'Andriamanitra amin'izany; eny, mivavaha mandrakariva araka izay anentanan'ny Fanahy Masina anareo. Miambena sy mazotoa hatrany mba hahatongavana amin'io tanjona io, ary dia mivavaha ho an'ny vahoakan'Andriamanitra* rehetra. 19Mivavaha ho ahy koa mba homen'Andriamanitra ny teny hotononiko rehefa hiloa-bava aho, ka dia ho sahy hampahafantatra ny tsiambaratelo raketin'ny Vaovao Mahafaly. 20Iraka mitondra izany Vaovao Mahafaly izany aho, na dia migadra aza ankehitriny; koa mivavaha ho ahy mba hilazako izany amim-pahasahiana, araka ny tokony hoteneniko.

dimanche 8 septembre 2013

Alahady 08 Septambra 2013 - Mat 10 : 16 - 20

16–Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo afovoan'ny amboadia. Noho izany, aoka ho malina tahaka ny bibilava ianareo, ary aoka ho tsotra tahaka ny voromahailala. 17Mitandrema, fa hatolotry ny olona amin'ny mpitsara isan-tanàna ianareo sady hokapohiny any amin'ny sinagôgany*; 18ary hoentina eo anoloan'ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehan'ny Jiosy sy ny hafa firenena. 19Fa raha atolotry ny olona ianareo, aza manahy izay fomba hitenenanareo na izay teny holazainareo, satria homena anareo eo no ho eo ihany izay teny holazainareo. 20Tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin'ny Fanahy Masina irahin'ilay Rainareo.

samedi 7 septembre 2013

Sabotsy 07 Septambra 2013 - II Sam 22 : 1 - 7

1Dia nanao izao tononkira izao ho an'ny TOMPO i Davida tamin'ny andro izay nanafahany azy tamin'ireo fahavalony rehetra, indrindra tamin'i Saoly. 2Ka hoy izy hoe:

Ny TOMPO no harambato
fierena azo antoka ho ahy.
3Izy no Andriamanitro
sy vatolampy ialofako,
ampinga fiarovana
sy herim-pandresena ho ahy.
Sady toeram-pamaharana fandosirako Izy,
no mpamonjy mahafaka ahy amin'ny fampahoriana.
4Hoderaina anie ny TOMPO! Fa niantso Azy aho,
dia voavonjy ho afaka amin'ny fahavaloko.
5Toy ny onja manototra ahy ny fahafatesana
sady nampitahotra ahy toa riaka mandrava;
6toy ny fatotra ahodidina ahy ny toeran'ny maty,
toa harato amandrihana ahy ny fahafatesana.
7Tao an-katerena aho no velon-taraina
sy niantso vonjy tamin'ny TOMPO Andriamanitro,
ka tany an-Tempoliny* Izy no nandre ny feoko
ary koa nihaino izany antsoantsoko.

vendredi 6 septembre 2013

Zoma 06 Septambra 2013 - Mar 6 : 47 - 56

47Efa maizina ny andro no teo ampovoan'ny farihy ny sambokely, ary i Jesoa irery sisa teny an-tanety; 48hitany fa sahirana mafy ny mpianatra nivoy ny sambokely, satria notohain'ny rivotra ry zareo. Ary tokony ho tamin'ny maraina efa naneno akoho, dia lasa nanatona ny mpianany i Jesoa, nandeha teny ambony farihy ka efa hihoatra azy. 49Nahatazana an'i Jesoa nandeha teny ambony rano ireo mpianatra ary nihevitra Azy ho matoatoa, ka niantsoantso mafy. 50Samy nahatazana an'i Jesoa izy rehetra ka raiki-tahotra. Avy hatrany dia niteny taminy anefa i Jesoa ka nanao hoe:

–Matokia, fa Izaho ity. Aoka izay ny tahotra!

51Niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nijanona ny rivotra; ka talanjona fatratra ny mpianatra, 52satria tsy azony an-tsaina ilay nampitomboana ny mofo, noho ny hamafin'ny fony.

53Ary nony tafita ny rano i Jesoa mbamin'ny mpianany*, dia tonga tao amin'ny faritanin'i Genesareta*, ka niantsona teo. 54Rehefa niala tao an-tsambokely ry zareo, dia nahafantatra an'i Jesoa avy hatrany ny olona, 55ka lasa nitety haingana ny faritany manontolo ary nitondra ny marary tamin'ny filanjana hankany amin'izay reny fa nisy Azy. 56Ary tany amin'ny toerana rehetra nalehan'i Jesoa, na tanàna kely na tanàn-dehibe na ambanivohitra, dia teny amin'ny kianja no nametrahana ny marary; ary dia niangavian'ny olona i Jesoa mba hamela ny marary hikasika na dia ny somotraviavin-dambany* fotsiny ihany aza; ary izay rehetra nikasika Azy dia sitrana avokoa.

jeudi 5 septembre 2013

Alakamisy 05 Septambra 2013 - II Kor 4 : 12 - 18

12hany ka ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana no miasa ao aminareo.
13Hoy ny Soratra Masina*: «Nino aho, ka izany no nitenenako.» Noho izahay manana io finoana omen'ny Fanahy Masina io, dia mino koa izahay ka izany no itenenanay. 14Fantatray fa Andriamanitra, Izay nanangana an'i Jesoa Tompo ho velona, dia hanangana anay koa ho velona miaraka amin'i Jesoa, ary hametraka anay mbaminareo ho eo akaikiny. 15Eny, noho ny aminareo avokoa izany rehetra izany, ka dia mihamaro ny olona tratran'ny fahasoavana mba hitomboan'ny vavaka fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra.

16Izany no tsy mahaketraka anay, fa na dia mihalevona aza ny maha olona eto ivelany, dia mihavao isan'andro kosa ny maha olona ao anaty: 17satria ny fahoriana maivana sy mandalo mihatra aminay dia miasa manomana voninahitra lehibe mihoa-pampana sady maharitra mandrakizay, 18raha tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita. Ny hita manko dia miserana ihany, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.

mercredi 4 septembre 2013

Alarobia 04 Septambra 2013 - Nah 1 : 1 - 8

1Izao no hafatra faminaniana momba ny tanànan'i Ninive, mitantara izay nasehon'Andriamanitra tamin'i Nahoma avy any Elkôsy.

2Andriamanitra sarotiny sy mpanafay ny TOMPO.
Manafay tokoa ny TOMPO
ary mahatsiravina ny fahatezerany;
eny, manafay izay manohitra Azy ny TOMPO,
ary mirehi-kavinirana amin'ny fahavalony.
3Tsy mora tezitra ny TOMPO, nefa lehibe ny heriny,
ary tsy avelany ho afa-maina ny meloka.
Tafio-drivotra mahery no amin'izay alehan'ny TOMPO;
ny rahona no toy ny vovoka apariaky ny dian-tongony.
4Teneniny mafy ny ranomasina dia tankina;
ataony ritra avokoa ny ony rehetra.
Tonga maina ny ahitr'i Basàna* sy i Karmela,
ary manjary malazo ny voninkazon'i Libàno.
5Mihovitrovitra eo anoloany ny tendrombohitra,
ary mihotsaka koa ny havoana;
mihorohoro eo anatrehany ny tany,
izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy.
6Iza no mahajanona eo anoloan'ny fahavinirany?
Ary zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany?
Fa mihanaka toy ny afo ny fahatezerany;
na dia ny vatolampy aza mitresaka eo anatrehany.
7Fa tsara ny TOMPO,
fialofana amin'ny andro mahory Izy.
Izy no miahy izay mialoka aminy,
8na dia tonga hanafotra aza ny loza.
Fa potehiny kosa ny fahavalony
ary alefany any amin'ny haizim-pahafatesana.

mardi 3 septembre 2013

Talata 03 Septambra 2013 - I Tes 5 : 4 - 11

4Fa ianareo, ry havana, tsy mba ao amin'ny maizina, ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. 5Satria ianareo rehetra dia an'ny mazava sy an'ny andro; tsy mba an'ny alina isika na an'ny maizina. 6Koa aza mba matory tahaka ny sasany, fa aoka hiambina sy hahonon-tena. 7Fa ny alina no atorian'ny olona ary ny alina no imamoany. 8Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy finoana sy fitiavana ho toy ny fiarovan-tratra, ary hitafy fanantenam-pamonjena ho toy ny fiarovan-doha. 9Fa tsy notendren'Andriamanitra hiharan'ny fahatezerany* isika, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika. 10Maty ho antsika i Kristy, mba hahatonga antsika hiara-miaina aminy, na mbola velona aina isika na efa maty, amin'ny andro hiaviany. 11Noho izany àry, mifampirisiha sy mifampahereza ianareo araka izay efa fanaonareo.

lundi 2 septembre 2013

Alatsinainy 02 Septambra 2013 - Jao 17 : 6 - 19

6Ny anaranao dia nampahafantariko ireo olona navahanao tamin'izao tontolo izao sy nomenao Ahy; Anao ireo ka nomenao Ahy, ary ny teninao efa notandremany. 7Fantany ankehitriny fa avy taminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy, 8satria ny teny izay nomenao Ahy dia efa nomeko azy ireo ary noraisiny; ka fantany marina fa nivoaka avy any aminao Aho, ary ninoany fa Ianao no naniraka Ahy.
9Ho azy ireo no ivavahako; tsy ho an'izao tontolo izao no ivavahako, fa ho an'ireo nomenao Ahy: satria Anao ireo, 10fa izay rehetra Ahy dia Anao ary izay rehetra Anao dia Ahy, sady efa nahazo voninahitra teo aminy Aho. 11Tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony Aho; ireo no ho eto amin'izao tontolo izao, fa Izaho kosa mankany aminao. Ray ô, masina Ianao, ka ilay anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no itahirizo azy ireo, mba ho iray izy tahaka ny maha iray antsika. 12Fony mbola teo aminy Aho, dia ny anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no nitahirizako azy; ary narovako ireo, ka tsy nisy very na dia iray aza, afa-tsy ilay nirona amin'ny fahaverezana, mba hahatanteraka ny Soratra Masina*. 13Ankehitriny mankany aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto amin'izao tontolo izao Aho, mba hananan'ireo ny hafaliako tanteraka ao aminy. 14Efa nomeko ny teninao ireo, ka ankahalain'izao tontolo izao: satria tsy naman'izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman'izao tontolo izao Ahy. 15Tsy ny hanesoranao azy amin'izao tontolo izao no ivavahako, fa ny hiarovanao azy amin'ilay Ratsy*. 16Tsy naman'izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman'izao tontolo izao Ahy. 17Atokàny ho Anao araka ny hafatra marim-pototra ireo: ny teninao no hafatra marim-pototra. 18Tahaka ny nanirahanao Ahy ho eo amin'izao tontolo izao no nanirahako azy ho eo amin'izao tontolo izao koa. 19Ho azy ireo no anokanako tena aminao, mba ho voatokana ho Anao araka ny hafatra marim-pototra koa ireo.

dimanche 1 septembre 2013

Alahady 01 Septambra 2013 - Sal 71 : 1 - 13

1TOMPO ô, Ianao no fialofako
ka tsy ho diso fanantenana
na oviana na oviana aho!
2Noho ny fahamarinanao
dia afaho sy ambeno aho,
anongilano sofina ka vonjeo.
3Aoka Ianao ho vatolampy miaro ahy
sy ho manda ahitako famonjena!
Ianao tokoa no harambato
sady toera-mafy ho ahy.
4Andriamanitro ô, ambeno re aho
mba tsy ho azon'ireo olon-dratsy
na ho voatanan'ny olo-meloka
mbamin'ny mpanao an-keriny.
5Fa Ianao no fanantenàko,
ry Tompo ANDRIANANAHARY ô;
Ianao no itokiako
hatry ny fahakeliko.
6Vao teraka aho, dia niantehitra taminao;
mbola tany am-bohòka aho, efa mpiaro ahy Ianao.
Ianao lalandava no fidèrako.
7Toa zava-mahagaga ho an'ny maro aho,
kanefa Ianao no fialofa-mafy ho ahy.
8Ho feno fiderana Anao anie ny vavako
ary ho feno fankalazana Anao isan'andro.
9Aza arianao aho, nony antitra;
aza afoy, rehefa lany hery.
10Fa miresaka ahy ny fahavaloko,
miara-mioko mikendry ny hahafaty ahy.
11Hoy ireo hoe: «Nafoin'Andriamanitra io
ka enjeho; sambory fa tsy misy mpanafaka.»
12Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy;
Andriamanitra ô, faingàna re hamonjy.
13Ho menatra sy ho afa-baràka anie
ireo olona mpiampanga ahy;
ho voatevateva sy ho very haja anie
ireo olona mitady hanisy ratsy ahy!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12