samedi 30 novembre 2013

Sabotsy 30 Novambra 2013 - Isa 68 : 13 - 14

13Hoy koa ny TOMPO hoe:
«Raha atsahatrao ny fanosihosena ny sabata*,
ka tsy ny tombontsoanao no enjehinao
amin'ny andro voatokana ho Ahy,
raha ny sabata no lazainao hoe andro mahafinaritra,
raha ny andro voatokana ho Ahy no lazainao hoe mendrika hohajaina,
raha hajainao tokoa izany ka fadînao ny fanaonao
na ny manenjika ny tombontsoanao na ny miteniteny foana,
14dia ho tonga loharanom-pifaliana ho anao Aho.
Izaho TOMPO no hitondra anao ho mpandresy
eny an-tendron-kavoan'ilay tany
ka hampanaram-po anao amin'ny lovan'i Jakôba razanao.
Fa ny vavako no mampanantena izany.»

vendredi 29 novembre 2013

Zoma 29 Novambra 2013 - Jak 1 : 22 - 25

22Aoka ianareo ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, ka mamita-tena. 23Satria raha misy olona mpihaino ny teny, nefa tsy mpanatanteraka, dia tahaka ny mijery ny tarehiny ao anaty fitaratra: 24eny, mahita ny tena endriny izy, dia lasa ka hadinony miaraka amin'izay ny toe-tarehiny. 25Fa izay fatra-pandinika ny lalàna* lavorary, dia ny lalàna mitondra fahafahana, ka maharitra amin'izany ary tsy ho mpihaino manadino fa mpanatanteraka an'asa, dia ho sambatra izy amin'izay asa tanterahiny.

jeudi 28 novembre 2013

Alakamisy 28 Novambra 2013 - Sal 32 : 1 - 2

1 Tononkalo fananarana nataon'i Davida.
Sambatra ny olona afa-keloka
sy voavelan'Andriamanitra ny otany.
2Sambatra izay tsy heverin'ny TOMPO ho diso
sady tsy misy fitaka ny fanahiny.

mercredi 27 novembre 2013

Alarobia 27 Novambra 2013 - Lio 11 : 27 - 28

27Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nisy vehivavy anankiray teo afovoan'ny vahoaka nanandra-peo nanao taminy hoe:
–Sambatra izay reny nitondra Anao tao an-kibony sy nampinono Anao!

28Fa hoy i Jesoa:
–Vao mainka sambatra aza ireo mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina azy!

mardi 26 novembre 2013

Talata 26 Novambra 2013 - Isa 66 : 12 - 14

12Fa izao tokoa no lazain'ny TOMPO:
«Indro hotarihiko hankao Jerosalema
ny fiadanana ka hihanaka toy ny ony;
ny haren'ny firenen-kafa hotarihiko hankao
ka ho tondraka toy ny renirano.
Hikarakara fatratra anareo Aho
toy ny ataon-dreny mampinono ny zanany
ka mitondra azy eo an-trotroany
sy mandrotsirotsy azy eo am-pofoany.
13Eny, ho toy ny reny mampionona ny zanany
no hampiononako anareo koa;
ary ao Jerosalema no hampiononako anareo!
14Dia ho tsapanareo amin'izany
fa ho dibo-kafaliana ny fonareo,
ary ny taolanareo efa maina hahazo hery indray
tahaka ny ahitra mirobona.»

lundi 25 novembre 2013

Alatsinainy 25 Novambra 2013 - Sal 41 : 1 - 3

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Salamo nataon'i Davida.
2Sambatra izay miahy ny malahelo sy mahantra,
fa ny TOMPO hamonjy azy amin'ny andro mahory.
3Ny TOMPO no miaro azy tsy ho faty
ka mahatonga azy ho sambatra eto an-tany
sady tsy mahafoy azy ho voatanam-pahavalo.

dimanche 24 novembre 2013

Alahady 24 Novambra 2013 - Sal 146 : 5 - 10

5Sambatra izay manana an'Andriamanitra ho Mpitahy,
dia ilay Andriamanitr'i Jakôba;
sambatra izay mametraka ny fitokiany
ao amin'ny TOMPO Andriamaniny:
6dia Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany
ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao amin'ireny,
mitandro fahamarinana hatrany
7ka manome rariny ny ampahorîna
ary manome sakafo ny noana.
Ny TOMPO mamaha ny mpifatotra;
8ny TOMPO mampahiratra ny jamba;
ny TOMPO mampitraka ny mitanondrika;
9ny TOMPO miaro ny vahiny
sy manohana ny kamboty ama-mpitondratena;
ny TOMPO mitia ny olo-marina
fa mampibirioka kosa ny olon-dratsy.
10Hanjaka mandrakizay ny TOMPO,
dia ny Andriamanitrao, ry Tsiôna* ô,
amin'ny taona mifandimby.
Haleloià!

samedi 23 novembre 2013

Sabotsy 23 Novambra 2013 - Eze 17 : 22 - 24

22Izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Izaho mihitsy no haka rantsan-kazo tanora iray eny an-tendron'ny hazo sedera avo, ary hamboleko izany; eny amin'ny lohan'ny rantsany no hakako izany, ka hamboleko eny an-tendrombohitra avo be. 23Eny an-tendrombohitra avon'i Israely no hamboleko azy. Handrobona ny rantsany ka hamoa, dia hanjary sedera mahafinaritra izy. Hanao akany eny amin'ny rantsany sy hitoetra eo ambany alony ny vorona isan-karazany. 24Amin'izay dia ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho no TOMPO. Kapaiko ny hazo avo loatra ary ampaniriko ny kely indrindra. Hataoko maina ny hazo maitso milenodenoka, ka homeko aina indray ireo hazo efa maina. Izaho TOMPO no manambara sady manatanteraka izany.»

vendredi 22 novembre 2013

Zoma 22 Novambra 2013 - I Mpa 10 : 4 - 9

4Ary rehefa hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona rehetra sy ny trano izay nataony 5sy ny fihinany teo amin'ny latabany sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona terỳ izy. 6Ka hoy izy tamin'ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin'ny taniko ny amin'ny teninao sy ny fahendrenao. 7kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita, kanjo hay! na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko. 8Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao 9Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely; fa noho ny fitiavan'i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana.

mercredi 20 novembre 2013

Alarobia 20 Novambra 2013 - Job 21 : 21- 30

21Ahoan'ny meloka inona moa izay hanjo ny taranany,
rehefa tapitra hatreo ny androm-piainany?
22Andriamanitra va no hampianarina izany,
nefa na ny anjely* aza eo ambany fifehezany?

23Ny olona sasany dia tomady tsara
sady miadana no tsy manana ahiahy,
mandra-piavin'ny fahafatesany;
24mavesatry ny tavy ny kibony,
ary vonton-tsoka ny taolany.
25Fa ny olona sasany kosa maty
ao anatin'ny ngidim-piainana,
ka tsy mba nanandram-pahasambarana.
26Samy mandry eo amin'ny vovoka
ny tenan'izy roa tonta ireo,
ka samy rakotry ny olitra.
27Tandremo fa fantatro ny hevitrareo
sy izay eritreretinareo ny amiko,
28fony ianareo miteniteny hoe:
«Aiza izao ny tranon'ny mpampahory,
aiza ny lay fonenan'ny olon-dratsy?»

29Mba anontanio kosa ange ny mpitety tany,
ary mahaiza mamantatra ny zavatra ambarany hoe:
30Raha avy ny loza, afaka ihany ny olon-dratsy,
raha tonga ny fahatezerana, dia voaaro izy.

mardi 19 novembre 2013

Talata 19 Novambra 2013 - Lio 14 : 15 - 24

15Nandre izany ny anankiray tamin'ireo mpiara-misakafo teo ka niteny tamin'i Jesoa hoe:
–Sambatra izay handray anjara amin'ilay fanasambe any amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*!

16Dia hoy i Jesoa taminy:
–Nanao fanasambe ity olona anankiray ka maro no nasainy. 17Nony fotoana fisakafoana, dia nirahiny ny mpiasany hilaza amin'ireo nasaina hoe: «Tongava, tompoko, fa efa vonona ny sakafo.» 18Samy rafitra niala tsiny avokoa anefa izy rehetra. Ka hoy ny voalohany tamin'ilay mpiasa: «Misy saha vao novidiko izay, ka tsy maintsy handeha hijery azy aho; miangavy anao, aoka re mba tsy ho tsiniko!» 19Hoy kosa ny faharoa: «Misy omby folo vao novidiko izay, ka handeha hizaha azy aho; miangavy anao, aoka re mba tsy ho tsiniko!» 20Ary hoy indray ny fahatelo: «Vao avy nampaka-bady aho, ka noho izany tsy afaka mankany.» 21Dia niverina ilay mpiasa ka nanambara izany tamin'ny tompony. Nisafoaka ilay tompom-panasana ka nanao tamin'ilay mpiasa hoe: «Mandehana faingana ianao mankeny amin'ireo kianja sy araben'ny tanàna, ka ampandrosoy atỳ ny mahantra sy ny kilemaina mbamin'ny jamba sy ny mandringa.» 22Tsy ampy toy inona, dia hoy ilay mpiasa hoe: «Vita, tompoko, izay nodidianao hatao, kanefa mbola misy toerana ihany.» 23Ary hoy ny tompom-panasana tamin'ilay mpiasany: «Ny lalan-kely sy ny sisim-boly indray àry aleha, ka ataovy izay hidiran'ny olona atỳ mba ho feno ny tranoko!»

24Dia ireo nasaina tonga no nitenenan'ny tompom-panasana hoe: Eny, lazaiko aminareo fa tsy hisy hanandrana ny sakafoko ireo olona nasaina voalohany ireo na dia iray aza!

lundi 18 novembre 2013

Alatsinainy 18 Novambra 2013 - Sal 34 : 11 - 12

11Na dia ireo mpanankarena aza,
mety tsy ampy hanina ka ho noana;
fa izay mitady ny TOMPO
tsy mba ho orin-java-tsoa.

12Avia hihaino ahy ianareo, rey anaka,
fa hampianariko hanaja ny TOMPO.

dimanche 17 novembre 2013

Alahady 17 Novambra 2013 - Apo 19 : 6 - 10

6Ary nisy hoatra ny feon'olona maro, sy hoatra ny firohondrohon'ny ranobe, ary hoatra ny kotro-baratra mipoaka mafy, reko nanao hoe: «Haleloià*! Fa ny Tompo Andriamanitsika, ilay Tsitoha, dia efa nandray ny Fanjakàny*!7Aoka isika hifaly sy hiravo ary hanome voninahitra Azy, satria tonga ny fampakaram-badin'ilay Zanakondry; ary efa niomana ny vadiny, 8ka akanjo madio mangatsakatsaka, natao tamin'ny kiran-drongony madinika, no natolotra hiakanjoany.» (Fa izany akanjo rongony madinika izany dia tandindon'ny asa ara-drariny vitan'nyvahoakan'Andriamanitra*).

9Tamin'izay dia nisy anjely* nanao tamiko hoe:
–Soraty! Sambatra izay voaantso amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanakondry!
Ary hoy koa ny anjely tamiko:
–Teny marim-pototra avy amin'Andriamanitra ireo!
10Dia niankohoka teo an-tongony aho mba hitsaoka azy, satria nilazany hoe:
–Tandremo, aza manao izany! Fa mpanompo miaraka aminao aho sady miaraka amin'ireo namanao iray finoana, izay mitana ny hafatra nijoroan'i Jesoa ho vavolombelona. Andriamanitra no tsaohy!
Eny, ny Fanahy Masina Izay manentana hilaza hafatra avy amin'Andriamanitra dia ahariharin'ny fijoroana ho vavolombelon'i Jesoa

samedi 16 novembre 2013

Sabotsy 16 Novambra 2013 - Sal 89 : 14 - 19

14 Rariny sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao. 15 Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah , amin'ny fahazavan'ny tavanao no handehanany. 16 Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany. 17 Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin'ny fankasitrahanao no hisandratan'ny tandrokay. 18 Fa an'i Jehovah ny ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay*.

vendredi 15 novembre 2013

Zoma 15 Novambra 2013 - Rom 14 : 19 - 23

19Izay mampitombo ny fiadanana àry no aoka hokatsahintsika, mbamin'izay ifanampiantsika hiorina amin'ny finoana; 20fa aza izay sakafo no handravanao ny asan'Andriamanitra. Eny, madio* ka azo hanina avokoa ny zavatra rehetra, nefa kosa ratsy ny mihinan-javatra raha mahasolafaka namana amin'ny ratsy izany. 21Ny tsara dia ny tsy mihinan-kena na misotro divay na mikasika akory izay mahasolafaka ny namanao amin'ny ratsy. 22Tano ho anao eo anatrehan'Andriamanitra izay itokianao ho marina. Sambatra izay tsy melohin'ny eritreriny amin'ny zavatra ankatoaviny. 23Fa izay miahanahana dia melohin'Andriamanitra, raha mihinana, satria tsy vokatry ny finoana no ihinanany. Fa izay rehetra tsy vokatry ny finoana dia fahotana avokoa.

jeudi 14 novembre 2013

Alakamisy 14 Novambra 2013 - Jao 20 : 26 - 29

26Nony afaka herinandro, dia vory tao an-trano indray ny mpianatr'i Jesoa; ary tafaraka tamin'ireo koa i Tômà. Voahidy avokoa ny varavarana, kanefa dia tonga i Jesoa nijoro teo afovoan'ny mpianatra ary nanao hoe:
–Ho ao aminareo anie ny fiadanana!
 
27Avy eo dia hoy Izy tamin'i Tômà:
–Arosoy eto ny rantsan-tananao ka jereo ny tanako roa; arosoy koa ny tananao ka atsofoy eto amin'ny foko; ary aza malain-kino, fa minoa!
 
28Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe:
–Tompoko sy Andriamanitro!
29Fa hoy i Jesoa taminy:
–Noho ianao nahita Ahy, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.

mercredi 13 novembre 2013

Alarobia 13 Novambra 2013 - Sal 84 : 4 - 12

4Na ny tsikirity aza, mahita fialofana,
ny sidintsidina koa mahita akany
mba hametrahany ny zanany,
eo anilan'ny alitaranao*,
ry TOMPOn'izao rehetra izao ô,
Mpanjakako sady Andriamanitro.
5Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao
ka afaka midera Anao hatrany!
 
 
6Sambatra ny olona mahazo hery avy aminao
ka manampo hanao fivahiniana any Tsiôna;
7Rehefa mandalo ny lohasahan'ny Balsama izy,
dia hasian'Andriamanitra loharano izany;
sady avy koa ny loha orana
hameno kamory azy.
8Mitombo hery hatrany izay arakaraka ny androsoany
mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ao Tsiôna*.
9Ry TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao ô,
mba henoy ny vavaka ataoko;
ry Andriamanitr'i Jakôba ô, mandrenesa.
 
 
10Andriamanitra ô, mba jereo ny mpanjaka
izay toy ny ampinga miaro anay;
tsinjovy ilay olona voahosotrao.
11Ny indray andro eo an-kianjan'ny tempolinao
dia tsara kokoa noho ny arivo any an-toeran-kafa;
koa eo am-baravaran'ny tranonao
no aleoko ipetrahana, Andriamanitro ô,
toy izay hitoetra ao amin'ny fonenan'ny olon-dratsy.
12Eny, ny TOMPO Andriamanitra
no manda sy ampinga ho antsika.
Fitiavana sy voninahitra* no omen'ny TOMPO;
tsy mba misy zava-tsoa laviny
amin'izay madio fitondrantena.

mardi 12 novembre 2013

Talata 12 Novambra 2013 - Rom 4 : 1 - 12

1Inona àry no holazaintsika ho efa notsapan'i Abrahama razambenay Jiosy? 2Raha ny asa vitan'i Abrahama no naneken'Andriamanitra azy ho marina, dia ho nahazo nirehareha i Abrahama. Tsy izany anefa no toe-javatra eo anatrehan'Andriamanitra. 3Fa inona tokoa moa no voalazan'ny Soratra Masina*? «Nino an'Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina izany4Tsy azo heverina ho fanomezana ny karaman'izay manao ny asa, fa heverina ho toy ny trosa. 5Izay tsy manao asa nefa mino an'ilay Andriamanitra mahatonga ireo ratsy fanahy ho marina, dia izany finoany izany no iheveran'Andriamanitra azy ho marina. 6Toy izany no ilazan'i Davida hoe sambatra ny olona, raha tsy ny asa vitany no iheveran'Andriamanitra azy ho marina:

   7«Sambatra ireo navelan'Andriamanitra fahotana
       sy nofoanany heloka.
       8Sambatra ny olona tsy itanan'ny Tompo heloka
 
9Ho an'iza moa izany fahasambarana izany? Ho an'ny voafora ve sa ho an'ny tsy voafora koa? Voatsiahiko teo ny tenin'ny Soratra Masina hoe: «Ny finoana no nankatoavan'Andriamanitra an'i Abrahama ho marina.» 10Ary ahoana izany? Tamin'i Abrahama efa voafora sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora; 11fa ny famorana* dia famantarana noraisin'i Abrahama tatỳ aoriana, ho toy ny tombokase manamarika fa neken'Andriamanitra ho marina izy satria nino, dia fony izy tsy mbola voafora. Koa tonga rain'izay rehetra tsy voafora i Abrahama: dia ireo tsy voafora nefa nino ka neken'Andriamanitra ho marina; 12sady tonga rainay voafora ihany koa: dia izahay sady voafora no manara-dia an'i Abrahama razanay izay efa nino fony tsy mbola voafora.

lundi 11 novembre 2013

Alatsinainy 11 Novambra 2013 - Jak 5 : 7 - 11

7Koa mahareta tsara àry, ry havana, mandra-piavin'ny Tompo. Jereo ny mpamboly miandry amim-paharetana izay vokatra sarobidy havoakan'ny tany, ka maharitra mandra-pahazony ny oram-pararano sy ny oran-dohataona. 8Mahareta koa ianareo; aoka ho feno herimpo, fa efa mby akaiky ny fiavian'ny Tompo. 9Aza mifampimonomonona ianareo, ry havana, mba tsy hanamelohan'Andriamanitra anareo. Indro ny mpitsara efa mijoro eo am-baravarana. 10Ry havana, aoka ireo mpaminany* izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no hataonareo filamatry ny fifandeferana sy faharetana. 11Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan'i Jôba, ary fantatrareo izay nataon'ny Tompo ho azy tamin'ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo.

dimanche 10 novembre 2013

Alahady 10 Novambra 2013 - Lio 12 : 35 - 40

35–Aoka ho vonona lalandava ka ny lambanareo sikino ary ny jironareo areheto. 36Manaova toy ny mpanompo miandry izay hiverenan'ny tompony avy any amin'ny fanasana; raha vao tonga sy mandondòna izy, dia vohain'ny mpanompony miaraka amin'izay. 37Sambatra ireo mpanompo hitan'ny tompony miari-tory raha tonga izy. Lazaiko marina aminareo fa hisikina lamba ny tompony ka hampipetraka azy hihinana ary handroso sakafo ho azy. 38Na misasakalina na maneno akoho no ahatongavan'ny tompony ka mahita ireo mpanompo miari-tory toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo! 39Izao no ataovy an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny ora iavian'ny mpangalatra, dia tsy havelany hotamîna ny tranony! 40Ianareo koa, aoka ho vonona hatrany, fa ho avy amin'ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak'olona*.

samedi 9 novembre 2013

Sabotsy 09 Novambra 2013 - Rom 8 : 1 - 13

1Koa ankehitriny dia tsy misy intsony fanamelohana ho an'izay tafaray amin'i Kristy* Jesoa. 2Fa ny fanapahan'ny Fanahy Masina, mpanome aina ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa, dia nanafaka ahy tsy ho voafehin'ny fanapahan'ny fahotana sy ny fahafatesana. 3Satria izay tsy vitan'ny lalànan*'i Mosesy, noho ny lalàna nolemen'ny maha olona mpanota, dia notontosain'Andriamanitra. Voahelok'Andriamanitra ny fahotana tao amin'ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny Zanany*, Izay naka ny endriky ny maha olombelona mba hanaisotra ny fahotana. 4Notontosain'Andriamanitra izany mba ho tanteraka ao amintsika ny zavatra rehetra takîn'ny lalàna amintsika, dia isika izay mizotra tsy araka ny maha olona mpanota intsony fa araka ny Fanahy Masina. 5Eny, izay miaina araka ny maha olona mpanota, dia mirona amin'ny zavatra ankafizin'ny maha olona mpanota; fa izay miaina araka ny Fanahy Masina, dia mirona amin'ny zavatra ankafizin'ny Fanahy Masina. 6Satria ny firònan'ny maha olona mpanota dia mitondra amin'ny fahafatesana; fa ny firònan'ny Fanahy Masina dia mitondra amin'ny fiainana sy ny fiadanana. 7Ny firònan'ny maha olona mpanota dia mifanohitra amin'Andriamanitra, ka tsy manoa sady tsy afa-manoa ny lalànan'Andriamanitra akory. 8Fa izay anjakan'ny maha olona mpanota dia tsy mety ho sitrak'Andriamanitra.
9Ianareo kosa, tsy anjakan'ny maha olona mpanota ianareo fa anjakan'ny Fanahy Masina, satria efa monina ao anatinareo ny Fanahin'Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy an'i Kristy. 10Fa raha ao anatinareo kosa i Kristy, na dia ho faty aza ny vatanareo noho ny fahotana, ny Fanahy Masina no fiainanareo satria efa neken'Andriamanitra ho marina ianareo. 11Ary raha monina ao anatinareo ny Fanahin'ilay Andriamanitra nanangana an'i Jesoa ho velona avy tany amin'ny maty, dia Izy nanangana an'i Jesoa ho velona avy tany amin'ny maty no hamelona koa ny vatanareo mety maty, amin'ny alalan'ilay Fanahiny monina ao anatinareo.
12Koa amin'izany, ry havana, misy adidy ananantsika, nefa tsy adidy amin'ny maha olona mpanota ka hivelomantsika araka ny maha olona mpanota. 13Satria raha velona araka ny maha olona mpanota ianareo, dia ho faty; fa raha ny Fanahy Masina no amonoanareo ny asan'ny maha olona mpanota, dia ho velona ianareo.

vendredi 8 novembre 2013

Zoma 08 Novambra 2013 - I Pet 4 : 12 - 19

12Ry hava-malala, aza gaga amin'ny fanenjehana mivaivay miseho teo aminareo sady mihatra aminareo mba ho fizahan-toetra, ka hihevitra izany ho zava-tsy fahita midona aminareo. 13Fa mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy*, mba ho heni-kafaliana aman-karavoana koa ianareo amin'ny andro hisehoan'ny voninahiny. 14Sambatra ianareo raha haratsîna amin'ny maha mpianatr'i Kristy anareo; fa ny Fanahy Masina be voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, no mitoetra eo aminareo. 15Eny, aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin'ny raharahan'olona; 16fa raha amin'ny maha kristianina azy no ijaliany, dia aoka izy tsy ho menatra fa hanome voninahitra an'Andriamanitra noho izany anarana entiny izany.
17Tonga ny fotoanandro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan'Andriamanitra; ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy mety mino nyVaovao Mahafaly* avy amin'Andriamanitra? 18Fa hoy ny Soratra Masina*:
 
  «Raha saika tsy voavonjy ny marina,
  inona no hanjo ny tsy mpivavaka sy ny mpanota
 
19Koa izay miaritra fijaliana araka ny sitrapon'Andriamanitra, aoka hanao soa hatrany sy hanankin-tena amin'Ilay mitana ny toky nomeny, dia ny Mpahary azy.

jeudi 7 novembre 2013

Alakamisy 07 Novambra 2013 - Sal 34 : 1 - 10

1 Nataon'i Davida, fony izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka , dia noroahiny ka lasa nandeha.
  
ALEFA
    2Hisaotra ny TOMPO lalandava aho
   ary tsy hitsahatra hidera Azy ny vavako.
BETA
    3Ny TOMPO no reharehako;
   koa mifalia, ry mpandefitra,
   rehefa mandre ny fideràko Azy.
GIMELA
    4Mankalazà ny TOMPO miaraka amiko ianareo,
    ary aoka hiara-manandratra ny voninahiny isika. 
DALETA
   5Nitady ny TOMPO aho, dia novaliany vavaka;
   ka nafahany avokoa ny tahotro rehetra.
HE
   6Mijere Azy ianareo, dia aoka ho mirana;
VAO
   ny tavanareo tsy ho safo-kenatra intsony.
ZAINA
   7Niantso vonjy aho fa olo-mahantra
   ka nohenoin'ny TOMPO sy novonjeny
   tamin'izay fahoriako rehetra.
HETA
   8Ny anjelin*'ny TOMPO miambina
   manodidina ny mpanaja an'Andriamanitra
   ka manafaka azy amin'ny loza.
TETA
   9Andramo sy jereo fa tsara ny TOMPO.
   Sambatra ny olona mialoka aminy!
JODA
  10Mankatoava ny TOMPO, ianareo vahoakany:
  fa tsy misy mahory ny mpankatò Azy.

mercredi 6 novembre 2013

Alarobia 06 Novambra 2013 - Rom 1 : 1 - 12

1Avy amiko Paoly mpanompon'i Kristy* Jesoa ity taratasy ity, dia izaho nantsoin'Andriamanitra ho apôstôly*, ary natokany mba hampahafantatra ny Vaovao Mahafaly* avy aminy.
2Ao amin'ny Soratra Masina no efa nampanantenain'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany* io Vaovao Mahafaly io: 3dia ny amin'ny Zanany*, i Jesoa Kristy Tompontsika. Araka ny maha olombelona, dia avy amin'ny taranak'i Davida mpanjaka i Jesoa; 4araka ny Fanahy Masina kosa, dia naharihary tamin-kery fa Zanak'Andriamanitra fony Izy tafatsangana velona avy tany amin'ny maty. 5Tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy no nandraisanay tombon-tsoa maha apôstôly ho voninahitr'i Kristy, mba hitarihanay ny firenen-drehetra hino sy hanaiky Azy. 6Ary ianareo, voaantson'Andriamanitra mba hatokana ho an'i Kristy, dia isan'ireny olona notarihinay ireny koa.
7Mamangy anareo atỳ Rôma aho, dia ianareo rehetra malalan'Andriamanitra sy nantsoiny ho vahoakany*. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!
 
8Voalohany indrindra dia velom-pisaorana an'ilay Andriamanitro aho amin'ny alalan'i Jesoa Kristy* noho ny aminareo rehetra, satria re laza eran-tany ny finoanareo. 9Vavolombeloko Andriamanitra, dia Ilay tompoiko amin'ny foko tokoa amin'ny fanambarana ny Vaovao Mahafaly* momba ny Zanany*; eny, vavolombeloko Andriamanitra fa mahatsiaro anareo lalandava aho 10rehefa mivavaka, sady mitalaho tsy an-kijanona mba ho sitrak'Andriamanitra ny hamela ahy ho tody soa aman-tsara atỳ aminareo. 11Irîko dia irîko tokoa ny hahita tava anareo hahazoako mampita aminareo fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina, mba hankahery anareo 12na ho mba hiarahantsika mifampirisika eo anivonareo amin'ny finoana iombonantsika.

mardi 5 novembre 2013

Talata 05 Novambra 2013 - Lio 6 : 20 - 26

20Dia nanopy maso ny mpianany i Jesoa ka nanao hoe:

  –Sambatra ianareo mahantra,
  fa anareo ny Fanjakàn'Andriamanitra*!
   21Sambatra ianareo noana ankehitriny,
  fa hovokisan'Andriamanitra!
  Sambatra ianareo mitomany ankehitriny,
  fa hampifalîn'Andriamanitra!
22Sambatra ianareo raha halan'ny olona sy roahiny ary tevatevainy sy alàny baràka noho ianareo miandany amin'ny Zanak'olona*. 23Aoka hifaly ianareo amin'ny andro hisehoan'izany ary aoka hibita-karavoana, satria valisoa lehibe no miandry anareo any an-danitra. Fa toy izany indrindra no nataon'ny razan-dry zareo tamin'ny mpaminani*n'Andriamanitra.
   24–Mampalahelo kosa ianareo mpanana,
  fa efa azonareo ny fahafaham-po!
  Mampalahelo ianareo voky ankehitriny,
  fa mbola ho noana!
   25Mampalahelo ianareo mihomehy ankehitriny,
  fa mbola higogogogo hitomany!
   26Mampalahelo ianareo raha ataon'ny olona tsara laza. Fa toy izany indrindra no nataon'ny    razan-dry zareo tamin'ny mpaminany sandoka!

lundi 4 novembre 2013

Alatsinainy 04 Novambra 2013 - I Pet 3 : 8 - 17

8Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena. 9Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa, satria ianareo efa nantsoin'Andriamanitra hanana anjara amin'ny soa nampanantenainy. 10Fa izao no tenin'ny Soratra Masina*:

  «Izay te hankamamy fiainana
  sy te hahita andro soa,
  aoka izy hitsaha-miteny ratsy
  ary hitsaha-milaza fitaka;
  11aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa,
  aoka hitady fihavanana tsy an-kiato;
  12satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina
  sy mihaino ny fitarainany,
  fa tezitra kosa amin'ny mpanao ratsy.»
13Iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'ny tsara ianareo? 14Raha tàhiny manao ny marina aza ianareo no ampahorîna, dia sambatra. Aza matahotra izay fandrahonan'ny olona, ary aza mangorohoro amin'izany; 15fa i Kristy* no hajao ho Tompo ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay rehetra manontany anareo ny amin'ny fanantenana ao anatinareo, 16saingy ataovy amin-kalemem-panahy sy amim-panajana izany. Manàna fieritreretana mahitsy; ka rehefa misy zavatra anendrikendrehana anareo, dia ho menatra izay mpanaratsy ny fitondrantena tsara anentanan'i Kristy anareo. 17Eny, raha izany no sitrapon'Andriamanitra, dia aleo mitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa toy izay amin'ny fanaovan-dratsy.

dimanche 3 novembre 2013

Alahady 03 Novambra 2013 - Oha 16 : 19 - 24

19Aleo manetry tena miaraka amin'ny olona mahantra
toy izay mizara babo miaraka amin'ny mpiavonavona.
20Izay mahay mandini-draharaha no hahita soa;
ary izay matoky ny TOMPO no ho sambatra.
21Izay hendry fanomban-javatra no atao hoe manan-tsaina;
ary ny teny mamy no maharesy lahatra kokoa.
22Loharanom-piainana ho an'izay manana azy ny fahaizana;
fa ny hadalàny ihany no manafay ny adala.
23Ny hendry mieritreritra aloha vao miteny,
ka mahatonga ny teniny haharesy lahatra kokoa.
24Ny teny mamy dia toy ny toho-tantely,
ka sady hafinaretam-panahy no fahasalamam-batana.

samedi 2 novembre 2013

Sabotsy 02 Novambra 2013 - Lio 1 : 39 - 56

39Niainga i Maria tamin'izany andro izany, ka nandeha faingana ho any amin'ny tanàna anankiray anatin'ny faritra be havoana any Joda, 40ary namantana tao an-tranon'i Zakarià ka niarahaba an'i Elizabeta. 41Vantany vao henon'i Elizabeta niarahaba azy i Maria, dia injao nibita-karavoana ilay zaza tao an-kibon'i Elizabeta; ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta42ka nanandra-peo niantso mafy hoe:

–Nombàn'Andriamanitra fitahiana amin'ny samy vehivavy ianao, ary nombàny fitahiana koa Ilay haterakao! 
43Zinona moa aho no mba vangian'ny renin'ny Tompoko? 44Fa indro vantany vao henoko niarahaba ahy ianao, dia nibitaky ny haravoana tokoa ny zaza tao an-kiboko. 45Ary sambatra ianao nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminao!

46Ary hoy i Maria:

–Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
47ary ny aiko miravo amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy,
48noho Izy nitsinjo ahy mpanompovaviny tsinontsinona!
Eny, hatramin'izao dia hambaran'ny taranaka rehetra
hoe sambatra aho,
49fa zava-dehibe no nataon'ilay Mahery tamiko.
Masina ny anarany!
50Ary hamindra fo hatramin'ny taranaka mifandimby ireo manaja Azy.
51Nanatanterahany asa lehibe ny sandriny mahery;
ka ny mpihevi-tena ho ambony nataony mihahaka.
52Ny mpanjakazaka naongany hiala tamin'ny
sezafiandrianany;
ny tsinontsinona kosa nasandrany.
53Ny noana novokisany zava-tsoa;
ny mpanankarena kosa nalefany nody maina.
54-55Niahy ny vahoaka Israely* mpanompony Andriamanitra,
satria nahatsiaro ny teniny tamin'ny razantsika;
dia ny hamindra fo mandrakizay
amin'i Abrahama sy ny taranany.

56Nitoetra tokony ho telo volana tao amin-dry Elizabeta i Maria vao lasa nody.

vendredi 1 novembre 2013

Zoma 01 Novambra 2013 - Apo 22 : 1 - 7

1Dia nasehon'ny anjely tamiko ity onin-dranovelona manganohano toy ny vato kristaly, nivoaka avy teo amin'ilay sezafiandrianana ipetrahan'Andriamanitra sady ipetrahan'ny Zanakondry. 2Teo anelanelan'ny lalamben'ny tanàna etsy an-kilany ary ny ony etsy an-daniny, dia nisy hazo anankiray manome fiainana: io hazo io dia mamoa voa in-12 isan-taona, izany hoe indray mandeha isam-bolana; ary ny raviny dia hanasitranana ny firenena. 3Ka tsy hisy zavatra hiharan'ny loza nambaran'Andriamanitra intsony.
Ilay sezafiandrianana, ipetrahan'Andriamanitra sady ipetrahan'ny Zanakondry, no ho ao an-tanàna; ka dia hanompo an'Andriamanitra ireo mpanompony 4sy hahita ny tavany ary hanana ny anaran'Andriamanitra voasoratra eo amin'ny handriny. 5Tsy hisy alina intsony ary tsy mba mila fahazavàn'ny jiro na fahazavàn'ny masoandro ireo mpanompon'Andriamanitra, satria hohazavain'ny Tompo Andriamanitra izy rehetra sady hanjaka mandrakizay mandrakizay.
 
6Dia hoy ilay anjely* tamiko:

–Azo antoka sy marim-pototra ireo teny ireo! Ary ny Tompo Andriamanitra, Izay manentana ireo mpaminany, no efa naniraka ny anjeliny haneho amin'ireo mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.

7«Indro avy faingana Aho, hoy i Jesoa. Sambatra izay mitandrina ny teny faminaniana raketin'ity boky ity!»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12