vendredi 31 janvier 2014

Zoma 31 Janoary 2014 - Asa 9 : 32 - 35

32Raha nitety tany nitsidika ny vahoakan'Andriamanitra* rehetra i Petera, dia nankany amin'ireo nonina tany Lida koa. 33Tao no nahitany lehilahy malemy anankiray atao hoe Enea, efa valo taona nilamahana teo am-parafara. 34Ary hoy i Petera taminy:
–Ry Enea, manasitrana anao i Jesoa Kristy*! Mitsangàna ka amboary ny fandrianao!
 
Dia nitsangana niaraka tamin'izay i Enea. 35Nahita azy ny mponina rehetra tany Lida sy tany amin'ny lemak'i Sarôna ka niverina ho amin'ny Tompo.

jeudi 30 janvier 2014

Alakamisy 30 Janoary 2014 - Isa 45 : 14 - 17

14Izao, ry vahoaka Israely,
no lazain'ny TOMPO aminao:
Ny vokatry ny asan'ny Ejiptianina,
ny tombom-barotry ny Etiôpianina
sy ny an'ireo olona ranjanana avy any Seba
dia handalo ao aminao avokoa, ka ho lasanao.
Voafatotra ireny olona ireny no hanaraka anao
ary hiankohoka handady eo anatrehanao
sady hivavabavaka hifona aminao hoe:
«Ato aminao tokoa tokoa Andriamanitra;
ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy irery.»
15Kanefa marina fa Andriamanitra miafina Ianao,
ry Andriamanitr'i Israely sady mpamonjy ô!
16Indro ny mpanamboatra sarivongan-tsampy
fa ho indray menatra sy ho afa-baràka;
mandeha mitanondrika izy rehetra.
17Ianareo kosa, ry vahoaka Israely,
dia nandray famonjena mandrakizay avy amin'ny TOMPO.
Tsy ho menatra na ho afa-baràka
na oviana na oviana ianareo.

mercredi 29 janvier 2014

Alarobia 29 Janoary 2014 - Mat 8 : 1 - 4

1Raha nidina avy teo an-tendrombohitra i Jesoa, dia narahina vahoaka maro. 2Ary indro nisy lehilahy marary hoditra* nanatona Azy, dia niankohoka teo anatrehany sady nanao hoe:
–Tompo ô, raha sitrakao, dia hainao diovina aho!
 
3Nanatsotra tanana i Jesoa dia nikasika azy sady niteny hoe:
–Sitrako, madiova ianao!
 
Avy hatrany dia nadio ny aretin-koditra nahazo an-dralehilahy. 4Ary hoy i Jesoa taminy:
–Tandremo ny milaza izao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana miseho amin'ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin'i Mosesy mba ho vavolombelona amin'ny olona fa madio ianao.

mardi 28 janvier 2014

Talata 28 Janoary 2014 - Sal 46 : 1 - 3

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*.Hampiarahina amin'ny zava-maneno avo feo.
Tononkira nataon'ireo terak'i Kôra
.


2Andriamanitra ny anay no aro sy hery;
mpamonjy mora azo indrindra Izy amin'ny fahoriana.
3Koa tsy atahoranay na tany hihozona,
na tendrombohitra hianjera any anaty ranomasina,

lundi 27 janvier 2014

Alatsinainy 27 Janoary 2014 - Jon 3 : 1 - 10

1Ary nisy baikon'ny TOMPO fanindroany tamin'i Jônà nanao hoe:
2–Mitsangàna ka mankanesa any Ninive ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny hafatra izay nolazaiko anao.

3Dia nitsangana i Jônà ka niainga nankany Ninive, araka ny baikon'ny TOMPO. Tanàna lehibe tokoa i Ninive, fa telo andro no fitetezana azy. 4Dia nanomboka ny fitetezana tamin'ny andro voalohany i Jônà ka nitory hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Ninive.» 5Nino an'Andriamanitra ny mponin'i Ninive, ka nanapa-kevitra ny hifady hanina* ary nitafy gony hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely. 6Rehefa ren'ny mpanjakan'i Ninive ny vaovao, dia nidina avy teo amin'ny sezafiandrianany izy ka nanala ny akanjo maha mpanjaka azy, ary nitafy gony koa sady nipetraka teo amin'ny lavenona.

7Dia nasainy nambara nanerana ny tanàna izao didim-panjakana izao: «Araka ny didin'ny mpanjaka sy ny minisitra, dia rarana ny olona sy ny biby tsy hihinana na inona na inona na hisotro rano akory. 8Na olona na biby dia tsy maintsy misarona lamba fisaonana avokoa. Ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra ka hiala amin'ny toetra ratsiny sy ny herisetra nahazatra ny tanany. 9Iza no mahalala? Angamba hiova fanapahan-kevitra ihany Andriamanitra ka hiala amin'ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahafaty antsika.»

10Rehefa hitan'Andriamanitra ny fihetsik'ireo Ninivita izay niala tamin'ny toetra ratsiny, dia niova fanapahan-kevitra Izy ka tsy nampihatra ny loza izay nolazainy hamelezany azy.

dimanche 26 janvier 2014

Alahady 26 Janoary 2014 - Hos 13 : 4 - 13

4Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao,
hatry ny fony ianao tany Ejipta;
ary ianao dia tsy mahafantatra
andriamani-kafa ankoatrako
sy mpamonjy afa-tsy Izaho.
5Izaho no mpiandry anao;
fony ianao tany an-taniefitra
tany amin'ny tany karankaina.
6Nony mby teo amin'ny ahi-maitso ianao
dia afa nivoky tokoa.
Eny, voky ianao, ka niavonavom-po;
izany no nanadinoanao Ahy.
7Koa tonga toy ny liona Aho
aminareo Israelita,
ary koa tahaka ny pantèra
mamitsaka amoron-dalana.
8Toy ny famelin'ny orsa very zanaka
no amelezako anareo,
ka rotehiko ny tratranareo.
Toy ny fandrapaky ny liom-bavy
no andrapahako anareo;
ny bibidia no hamiravira ny fatinareo.

9Ny maharingana anao, ry Israely,
dia noho ianao manohitra Ahy
Izay hany mahavonjy anao.
10Aiza àry izao ny mpanjakanao
izay tokony hamonjy anao?
Amin'ny tanànanao rehetra,
aiza koa ireo mpitondra anao?
Fa ianao ihany no nanao hoe:
«Omeo mpanjaka sy filoha aho».
11Koa tamim-pahatezerana
no nanomezako mpanjaka anao,
ary tamim-pahavinirana
no nanesorako ireny indray.

12Voatana an-tsoratra
ny helok'i Efraîma,
tsara tahiry ny fahotany.
13Tahaka ny an'ny vehivavy hiteraka
no fanaintainana mahazo azy.
Kanefa dia zaza adaladala:
tsy mety mivoaka avy ao an-kibo izy,
na dia efa tonga aza ny fotoany.

samedi 25 janvier 2014

Sabotsy 25 Janoary 2014 - Sal 95 : 1 - 5

1Avia! Aoka isika hihoby ny TOMPO,
hankalaza ilay Vatolampy Mpamonjy antsika!
2Aoka hankeo anatrehany amim-piderana,
hankalaza Azy amin'ny feon-java-maneno!
3Fa Andriamanitra lehibe ny TOMPO,
Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra.
4Eo ambany fifehezany ny atin'ny tany,
ary Azy koa ny tampon'ny tendrombohitra;
5Azy ny ranomasina fa nataony,
Azy koa ny tanety fa novolavolainy.

vendredi 24 janvier 2014

Zoma 24 Janoary 2014 - Jao 4 : 39 - 45

39Maro ny Samaritanina* tamin'izany tanàna izany no nino an'i Jesoa noho ny tenin-dravehivavy nanambara hoe: «Nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra.» 40Koa rehefa tonga teo amin'i Jesoa ny Samaritanina, dia niangavy Azy hitoetra tao aminy; ary dia nitoetra tao indroa andro i Jesoa. 41Vao mainka maro aza no nino Azy noho ny teny nataony; 42ka hoy ireo tamin-dravehivavy:
–Tsy noho ny filàzanao ihany no inoanay fa ny tenanay no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy an'izao tontolo izao*.

jeudi 23 janvier 2014

Alakamisy 23 Janoary 2014 - Efe 2 : 8 - 10

8Eny, fahasoavan'Andriamanitra no namonjena anareo, tamin'ny alalan'ny finoana! Ary tsy avy aminareo izany famonjena izany, fa fanomezan'Andriamanitra; 9tsy vokatry ny ezaka vita, fandrao hisy hirehareha. 10Fa asan'Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin'i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman'Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin'ny fiainantsika.

mercredi 22 janvier 2014

Alarobia 22 Janoary 2014 - Zef 3 : 14 - 20

14Mihobia, ry tanànan'i Tsiôna*!
Manaova firavoravoana, ry vahoakan'i Israely!
Mifalia sy mibitaha amin'ny fonareo manontolo,
ry mponin'i Jerosalema!
15Ny TOMPO efa nanaisotra ny fanamelohana
izay nitambesatra taminareo;
Izy efa nampandositra ny fahavalonareo.
Ny TOMPO, mpanjakan'i Israely, no momba anareo
ka tsy hisy loza hatahoranareo intsony.
16Io andro io no hilazana amin'i Jerosalema hoe:
«Aza matahotra, ry tanànan'i Tsiôna,
aza miraviravy tanana!
17Ny TOMPO Andriamanitrao no momba anao;
mahery Izy ka hampandresy anao.
Maneho ny hafaliany noho ny aminao Izy;
ny fitiavany no anavaozany anao;
noho ny aminao dia mientam-pihobiana Izy
18toy ny amin'ny andro fety.»
Hoy ny TOMPO hoe: «Hofoanako ny fahoriana,
hoesoriko ny henatra mitambesatra aminareo.
19Indro tonga ny fotoana hamelezako
izay rehetra nampahory anareo.
Hotsaboiko ny maratranareo,
hampodîko ny voasesitany;
eny, havadiko ho voninahitra sy laza
ny fanaovana tsinontsinona anareo
tany amin'ny tany rehetra.
20Amin'izany fotoana izany tokoa
no hampodiako sy hamoriako anareo.
Ho hitanareo fa hambiniko indray ianareo;
homeko voninahitra sy laza ianareo
any amin'ny firenena rehetra eto an-tany.»

mardi 21 janvier 2014

Talata 21 Janoary 2014 - Eks 14 : 9 - 14

9Ny tafika ejiptianina niaraka amin'ny soavaliny rehetra sy ny kalesiny rehetra ary ny mpitaingina azy dia nanenjika ny Israelita, ka nahatratra azy teo akaikin'i Pi-Hahirôta, mifanatrika amin'i Bahala-Tsefôna, izay nitobiany teo akaikin'ny ranomasina.
10Natopin'ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO 11sady niteny tamin'i Mosesy hoe:
–Moa tsy nisy fasana ve tany Ejipta no nentinao ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Izao ve no namoahanao anay hiala tany Ejipta? 12Moa tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe: «Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra».
 
13Fa namaly azy i Mosesy hoe:
–Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon'ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana. 14Ny TOMPO no hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina fotsiny.

lundi 20 janvier 2014

Alatsinainy 20 Janoary 2014 - Mpi 7 : 1 - 8

1Vao maraina be i Gidehôna, izay nantsoina koa hoe Jerobahala, no niainga niaraka tamin'ny tafiny manontolo ka nandeha nitoby teo akaikin'i Haîna-Harôda. Ny tobin'ny Midianita kosa dia terỳ avaratra, teo amin'ny lemaka anilan'ny havoana Môre.

2Dia hoy ny TOMPO tamin'i Gidehôna:
–Maro loatra ny tafika miaraka aminao ka tsy hatolotro eo an-tanany ny Midianita, fandrao hirehareha amiko ny Israelita ka hanao hoe: «Ny herinay ihany no namonjy anay». 3Koa izao ankehitriny izao dia ambarao eo anatrehan'ny io tafika io hoe: «Aoka izay rehetra mangovitra noho ny tahotra mba hody any an-tranony!»
 
Dia nanaovan'i Gidehôna fifantenana ny tafiny; ka andiany roapolo tamin'ireo no niverina nody fa andiany folo sisa nijanona.  
4Nefa hoy indray ny TOMPO tamin'i Gidehôna:
–Mbola marobe ihany io tafika io, koa ampidino ho eo amoron-drano izy fa eo no hifantenako ho anao. Holazaiko aminao tsirairay izay tokony handeha hiaraka aminao sy izay tsy tokony handeha.
 
5Dia nampidinin'i Gidehôna hankeo amoron-drano ny tafiny; ary hoy ny TOMPO taminy:
–Izay rehetra milelaka ny rano amin'ny lelany toy ny fanaon'ny alika, dia avaho amin'ireo rehetra mandohalika hisotro kosa.
 
6Dia nisy telonjato ny lehilahy nandraoka rano tamin'ny tanany ho amin'ny vavany ka nilelaka azy, fa ny sisa rehetra kosa nandohalika hisotro. 7Ary hoy ny TOMPO tamin'i Gidehôna:
–Ireo telonjato lahy izay nilelaka rano ireo no hamonjeko ny Israelita ka hanolorako ny Midianita eo an-tananao. Ary ny amin'ireo sisa kosa dia aoka samy hody any amin'ny fonenany avy izy!
 
8Koa telonjato lahy ihany no notazonin'i Gidehôna hiaraka aminy fa ny Israelita hafa rehetra nalefany hody any amin'ny fonenany avy; saingy notazonina kosa ny vatsy sy ny trompetran'ireo nandeha.
Ny tobin'ny Midianita dia terỳ ambany kokoa tao amin'ny lemaka.

dimanche 19 janvier 2014

Alahady 19 Janoary 2014 - I Tim 2 : 1 - 7

1Hafatrafarako voalohany indrindra àry ny hanaovana fangatahana sy fivavahana ary fitalahoana sy fisaorana amin'Andriamanitra ho an'ny olona rehetra; 2mivavaha ho an'ireo filoham-pirenena sy ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika miadana sy mandry feizay ombàn'ny firaiketam-po tanteraka amin'Andriamanitra sy ny fitondrantena maotina. 3Izany no tsara sady sitrak'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, 4Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahalalan'izy rehetra ny finoana marina. 5Satria iray Andriamanitra, iray koa ny mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia i Kristy Jesoa Izay olona 6nanolo-tena ho fanavotana ny olona rehetra: izany no porofo mby amin'ny fotoanandrony tokoa fa tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra Andriamanitra. 7Ary ny hitory izany no nanendrena ahy ho mpitoriteny sady apôstôly*, ho mpampianatra ny finoana tena izy amin'ny hafa firenena*. Milaza ny marina aho fa tsy mandainga.

samedi 18 janvier 2014

Sabotsy 18 Janoary 2014 - Mat 9 : 9 - 13

9Raha niala teo i Jesoa, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo amin'ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy:
–Avia hiaraka amiko.
 
Dia nitsangana i Matio ka nandeha niaraka taminy. 10Ary raha nisakafo tao an-tranon'i Matio i Jesoa, dia maro ny mpamory hetra* sy ny mpanota no tonga niara-nihinana tamin'Izy sy ny mpianany*. 11Nahita izany ny Farisianina* ka nilaza tamin'ny mpianatr'i Jesoa hoe:
–Nahoana ny Mpampianatrareo no dia miara-misakafo amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?
 
12Fa hoy i Jesoa raha nandre izany:
–Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary. 13Ndeha mba ianaro ny hevitr'ilay tenin'ny Soratra Masina hoe: «Ny hamindranareo fo amin'ny namana no sitrako, hoy Andriamanitra, fa tsy ny hanateranareo sorona.» Tsy hiantso ny olo-marina no nahatongavako fa hiantso ny mpanota.

vendredi 17 janvier 2014

Zoma 17 Janoary 2014 - II sam 22 : 1 - 7

1Dia nanao izao tononkira izao ho an'ny TOMPO i Davida tamin'ny andro izay nanafahany azy tamin'ireo fahavalony rehetra, indrindra tamin'i Saoly. 2Ka hoy izy hoe:

Ny TOMPO no harambato
fierena azo antoka ho ahy.
3Izy no Andriamanitro
sy vatolampy ialofako,
ampinga fiarovana
sy herim-pandresena ho ahy.
Sady toeram-pamaharana fandosirako Izy,
no mpamonjy mahafaka ahy amin'ny fampahoriana.
4Hoderaina anie ny TOMPO! Fa niantso Azy aho,
dia voavonjy ho afaka amin'ny fahavaloko.
5Toy ny onja manototra ahy ny fahafatesana
sady nampitahotra ahy toa riaka mandrava;
6toy ny fatotra ahodidina ahy ny toeran'ny maty,
toa harato amandrihana ahy ny fahafatesana.
7Tao an-katerena aho no velon-taraina
sy niantso vonjy tamin'ny TOMPO Andriamanitro,
ka tany an-Tempoliny* Izy no nandre ny feoko
ary koa nihaino izany antsoantsoko.

jeudi 16 janvier 2014

Alakamisy 16 Janoary 2014 - Mat 9 : 35 - 38 ; 10 : 1

35Ary nitety tanàn-dehibe sy tanàna kely rehetra i Jesoa, ka nampianatra tany amin'ny sinagôga*n-dry zareo sy nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly* momba ny Fanjakàn'ny lanitra*ary nanasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra. 36Onena Izy nahita ny vahoaka, satria niferinaina ireo sady nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry*.

37Dia hoy Izy tamin'nympianany*:
–Be ny vokatra, fa ny mpiasa hamory no vitsy. 38Koa angataho ny Tompom-bokatra mba haniraka mpiasa hamory ny vokany.
1Dia nantsoin'i Jesoa ny mpianany 12 lahy ka nomeny fahefana handroaka fanahy maloto* sy hahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra. 

mercredi 15 janvier 2014

Alarobia 15 Janoary 2014 - Heb 2 : 10 - 18

10Eny, Andriamanitra, Izay nahary ny zavatra rehetra sady anton'ny nahariana ny zavatra rehetra, dia te hitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra; ka rariny raha nataon'Andriamanitra ho tanteraka tamin'ny alalan'ny fijaliana tokoa i Jesoa, ilay mpitari-dalana azy ireo ho amin'ny famonjena.

11Fa na i Jesoa nanadio ny olombelona ho afaka amin'ny fahotana, na ireo olombelona nodioviny, dia iray fiaviana avokoa. Noho izany, dia tsy menatra i Jesoa miantso azy ireo hoe zandriny,
12fa hoy Izy:
«Hanambara Anao amin'ireo zandriko Aho,
Andriamanitra ô;
eo afovoan'ny Fiangonana no hiderako Anao.»

13Izao koa no nataony hoe:
«Hatoky an'Andriamanitra Aho.»

Ary koa hoe:
«Indreto Aho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra Ahy.»

14Koa satria moa olombelona nofo aman-dra ireo zaza, dia tonga olombelona tahaka azy koa i Jesoa. Izany no nataony, dia ny mba handalovany amin'ny fahafatesana ka hahatonga ilay mitana ny herin'ny fahafatesana, izany hoe ny devoly*, tsy hahavita na inona na inona intsony 15ary koa ny mba hanafahany an'izay rehetra voagejan'ny tahotra ny fahafatesana ka nandevozina nandritra ny androm-piainany manontolo. 16Miharihary tokoa fa tsy anjely velively no vonjen'i Jesoa, fa ireo taranak'i Abrahama. 17Koa amin'ny zavatra rehetra dia tsy maintsy tahaka ireo zandriny Izy, ka ho tonga Mpisorombe* mamindra fo sy mahatoky eo amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra, mba hanonitra ny heloky ny vahoaka. 18Fa noho ny tenan'io Mpisorombe io niaritra fijaliana sy nalaim-panahy, dia mahavonjy izay rehetra alaim-panahy koa Izy.

mardi 14 janvier 2014

Talata 14 Janoary 2014 - Lio 8 : 22 - 15

22Indray andro, niondrana an-tsambokely i Jesoa mbamin'ny mpianany*, ka hoy Izy tamin'ireo:
–Andeha isika hankeny ampitan'ny farihy!

Dia niainga Izy mianakavy. 23Teny am-pandehanana, dia azon'ny torimaso i Jesoa. Ary nisy tafio-drivotra niantonta teo amin'ny farihy ka nila ho feno rano ny sambokely ary efa am-bava loza izy ireo. 24Dia nohatonin'ny mpianany i Jesoa ary nofohaziny sady nataony hoe:
–Mpampianatra ô, Mpampianatra ô, ho faty isika!

25Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano; dia nitsahatra ireo ary nanjary tony tsara ny andro.
Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Fa aiza ny finoanareo?

Izy ireo koa raiki-tahotra sy gaga sady nifampilaza hoe:
–Iza moa ity? Fa baikoiny hatramin'ny rivotra sy ny rano, dia manaiky Azy!

lundi 13 janvier 2014

Alatsinainy 13 Janoary 2014 - Sal 18 : 46 - 50

46Mikoy izy ireo ka mangovitra
no miala ny manda fiarovany.
47Velona ny TOMPO! Isaorana ny Vatolampiko.
Hasandratra anie Andriamanitra mpamonjiko!
48Izy no manao ny famaliana ho ahy
ary mampanaiky firenena hofeheziko.
49TOMPO ô, afahanao amin'ny fahavaloko aho;
eny, ataonao resiko ireo mpamely ahy
ary tsy mahazo ahy ny mpanao an-keriny.
50Koa eo anivom-pirenena no hiderako Anao
sady hankalazako ny anaranao amin-kira.

dimanche 12 janvier 2014

Alahady 12 Janoary 2014 - Jao 3 : 17 - 21

17Andriamanitra manko tsy naniraka ny Zanany ho eto amin'izao tontolo izao, mba hanameloka an'izao tontolo izao, fa mba hamonjy an'izao tontolo izao amin'ny alalany. 18Izay mino ny Zanaka dia tsy helohina; fa izay tsy mino koa dia efa voaheloka rahateo, noho izy tsy nino ny Zanaka lahitokan'Andriamanitra. 19Ary izao no anton'ny fanamelohana: efa tonga tamin'izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon'ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. 20Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny fahazavana sady tsy manatona ny fahazavana, fandrao hita miharihary ny asa ratsiny. 21Izay manao ny marina kosa dia manatona ny fahazavana, mba hiseho fa notontosaina araka an'Andriamanitra ny asany.

samedi 11 janvier 2014

Sabotsy 11 Janoary 2014 - II Tan 20 : 1 - 4

1Taorian'izay, dia avy hiady tamin'i Jôsafata ny Môabita sy ny Hamônita mbamin'ny Mehonita sasany. 2Ary nisy olona tonga nanambara tamin'i Jôsafata hoe:
–Indreo misy tafika goavana avy any atsinanan'ny Ranomasina Maty sy avy any amin'ny faritr'i Edôma ho tonga hiady aminao; ary indreo izy ao Hatsetsôna-Tamara, izany hoe Haîna-Gedỳ.
3Dia natahotra i Jôsafata ka nanapa-kevitra hanontany ny TOMPO sady niantso andro fifadian-kanina* manerana an'i Joda manontolo. 4Dia niangona ny Jodeanina rehetra hangata-bonjy amin'ny TOMPO; eny, avy tamin'ny tanànan'i Joda rehetra no niaingany hanao izany.

vendredi 10 janvier 2014

Zoma 10 Janoary 2014 - II Tim 1 : 6 - 12

6Izany no ampahatsiarovako ny hamelombelomanao indray ilay fanomezam-pahasoavana narotsak'Andriamanitra tao anatinao, fony aho nametra-tanana taminao. 7Tsy mba fanahy mahatonga ho kanosa no efa nomen'Andriamanitra antsika, fa ilay Fanahiny mahatonga antsika ho feno hery sy be fitiavana ary mahay mifehy tena.
8Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika; aza menatra ny amiko ihany koa, dia izaho voafonja noho ny aminy. Fa aoka hiaretanao fijaliana miaraka amiko ny Vaovao Mahafaly*, araka ny hery omen'Andriamanitra anao. 9Andriamanitra no namonjy antsika sy niantso antsika ho vahoakany*, tsy noho ny asa vitantsika fa noho ny fandaharan'ny tenany ihany ary noho ny fahasoavany. Efa nomeny antsika tao amin'i Kristy* Jesoa izany fahasoavana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao; 10kanefa naharihariny antsika ankehitriny tamin'ny nisehoan'ilay Mpamonjy antsika, dia i Kristy Jesoa Izay nanafoana ny herin'ny fahafatesana sy nanambara mazava ny fiainana sy ny tsy fahalòvana tamin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly.
11Ny hitory izany Vaovao Mahafaly izany no nanendren'Andriamanitra ahy ho apôstôly* sy ho mpampianatra; 12ary izany koa no antony iaretako izao fijaliana izao. Kanefa tsy mahakivy ahy izany, satria fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ary azoko antoka fa Izy dia mahatahiry ilay raki-tsoa nankininy tamiko mandra-piavin'ny andro fitsarana.

jeudi 9 janvier 2014

Alakamisy 09 Janoary 2014 - Gen 45 : 4 - 13

4Ka hoy indray i Jôsefa tamin'ireo rahalahiny:
–Avia manatòna ahy ianareo.

Dia nanatona ireo. Ary hoy koa i Jôsefa hoe:
–Izaho no Jôsefa rahalahinareo izay namidinareo mba hoentina aty Ejipta. 5Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra tamin'ny nivarotanareo ahy toy izao, fa Andriamanitra no nandefa ahy mialoha taty mba hamonjy aina. 6Efa roa taona izao no nisian'ny mosary teto amin'ny tany Ejipta, kanefa ato anatin'ny dimy taona dia tsy mbola hisy ny fiasan-tany na fijinjana. 7Andriamanitra no nandefa ahy nialoha anareo tamin'ity tany ity mba tsy hahalany taranaka anareo ary mba hamelomana ny ainareo; ka famonjena lehibe izany. 8Tsy ianareo no nandefa ahy taty fa Andriamanitra mihitsy, ary mbola Izy ihany no nametraka ahy ho mpandraharaha faratampon'ny Farao sy ho mpanapaka izay rehetra ao an-tranon'ny Farao ary ho mpitondra an'i Ejipta manontolo. 9Koa miakara haingana ho any amin'i dada ianareo, ka lazao aminy hoe: «Izao no lazain'i Jôsefa zanakao: Andriamanitra efa nametraka ahy ho tompon'i Ejipta manontolo, koa midina atỳ amiko fa aza mitaredretra. 10Hipetraka ao amin'ny faritr'i Gôsena ianao mbamin'ny zanakao sy ny zafikelinao ary koa ny ondry aman'osinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra; dia ho etỳ akaikiko ianao amin'izay. 11Izaho no hamatsy sakafo anao atỳ, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary fandrao ringana ianao sy ny ankohonanao ary ireo biby fiompinao.»

12Ary indro hitan'ny masonareo sy ny mason'i Benjamîna rahalahiko izao fa ny vavako mihitsy no manambara aminareo. 13Koa mandehana tantarao avokoa amin'i dada ny voninahitro eto Ejipta mbamin'ny zavatra rehetra efa hitanareo, ary ento faingana midina atỳ i dada.

mercredi 8 janvier 2014

Alarobia 08 janoary 2014 - Isa 49 : 8 - 13

8Izao koa no lazain'ny TOMPO:
«Tamin'ny fotoana mety
dia namaly ny antsonao Aho,
ary tamin'ny androm-pamonjena
dia tonga namonjy anao Aho.
Nokolokoloiko ianao mba hataoko
ho antoky ny fanekempihavanako amin'ny olona.
Noho izany, dia hanarina ny tany Aho
sy hizara indray ny lova efa rava;
9ka ny mpifatotra izay ao anaty haizina
dia hitenenako hoe:
‹Mivoaha tao ianareo, misehoa.›
Eny an-dalana eny izy dia hahazo sakafo,
ka ho tahaka ny andiam-biby fiompy
mirao-bilona amin'ny havoana rehetra.
10Tsy ho noana sady tsy hangetaheta ireo
ary tsy hampaninona azy akory
na ny rivo-mahamay na ny masoandro,
satria am-pitiavana no hitarihako azy
ary any amin'ny loharano miboiboika
no hitondrako azy hiala hetaheta.
11Ny tendrombohitra rehetra hasiako lalana;
ary ny arabe kosa hataoko tsara voatra.
12Indreny izy fa tonga avy any lavitra,
ny sasany avy any avaratra,
ny sasany avy any andrefana, avy any an-dranomasina,
ny sasany avy any atsimo, avy any Ejipta.»
13Mifalia, ry lanitra, miravoravoa, ry tany;
manaova horakora-pifaliana, ry tendrombohitra,
fa ny TOMPO efa nampahery ny vahoakany
ary naneho indrafo tamin'ny mahantrany.

mardi 7 janvier 2014

Talata 07 Janoary 2014 - Jao 2 : 1 - 12

1Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea; ary tao ny renin'i Jesoa. 2Nasaina ho amin'io fampakaram-bady io koa i Jesoa mbamin'ny mpianany*. 3Ary satria efa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesoa taminy:
–Tapitra ny divain-dry zareo!

4Ary hoy i Jesoa tamin'ny reniny:
–Ravehivavy, inona no tadiavinao amiko? Moa tsy efa tonga ve ny fotoanandroko?

5Dia hoy ny renin'i Jesoa tamin'ireo mpanompo:
–Na inona na inona lazainy aminareo dia ataovy!
6Ary nisy siny vato enina nipetraka teo, ho fidiovana araka ny fanaon'ny Jiosy. Samy nahalany zato litatra eo ho eo ny siny tsirairay avy.

7Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpanompo:
–Fenoy rano ireto siny ireto.

Dia nofenoiny hatramin'ny molony. 8Ary hoy i Jesoa tamin'ny mpanompo:
–Tovozy amin'izao ka ento any amin'ny mpandahatra ny fanasana.

Dia nentin'ireo mpanompo. 9Ary nanandrana ny rano nanjary divay ity mpandahatra ny fanasana, nefa tsy fantany izay niaviany (fa ireo mpanompo nanovo ny rano no nahafantatra). Dia niantso ny mpampakatra kosa ity mpandahatra ny fanasana 10ka nilaza taminy hoe:
–Ny an'ny olona rehetra dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa mamomamo ny nasaina, vao arosony izay ratsiratsy kokoa. Fa ianao kosa dia nitahiry ny divay tsara hatramin'izao!

11Izany nataon'i Jesoa tao Kanà any Galilea izany no santatr'ireo famantarana narosony. Ary nasehon'i Jesoa ny voninahiny, ka nino Azy ny mpianany.

12Taorian'izany, dia nidina nankany amin'ny tanàna Kafarnahòma i Jesoa mbamin'ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa andro vitsivitsy ihany no nitoeran'izy mianakavy tao.

lundi 6 janvier 2014

Alatsinainy 06 Janoary 2014 - Eks 2 : 23 - 25

23Tatỳ aoriana ela dia maty ny mpanjakan'i Ejipta. Nitoloko ny Israelita noho ny fanompoany ka niantso vonjy; ary tafakatra hatrany amin'Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoana. 24Nandre ny fitarainan'ny Israelita Andriamanitra ka nahatsiaro ny fanekempihavanana* nataony tamin'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba. 25Nijery ny Israelita Andriamanitra ka nahafantatra ny nanjo azy.

dimanche 5 janvier 2014

Alahady 05 Janoary 2014 - Isa 43 : 1 - 8

1Ankehitriny kosa izao no lazain'ny TOMPO
Izay nahary anao, ry firenen'i Jakôba
sy namorona anao, ry vahoaka Israely:
«Aza matahotra ianao, fa efa navotako;
ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao.
2Raha mamakivaky ny rano ianao,
dia homba anao Aho;
raha miampita ny ony ianao,
dia tsy hanafotra anao ireny;
raha mandeha eo anivon'ny afo ianao,
dia tsy ho may akory
fa tsy handoro anao ny lelafo.
3Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao,
ilay Masin'i Israely mpamonjy anao.
Nomeko hanavotana anao i Ejipta;
ary nataoko solonao i Etiôpia sy i Sebà.
4Satria sarobidy eo imasoko ianao,
manan-danja amiko sady tiako.
Koa nanome olona ho solonao Aho
sy firenena maro ho takalon'ny ainao.
5Aza matahotra fa momba anao Aho.
Avy any atsinanana no hamerenako ny taranakao,
avy any andrefana no hanangonako ireo olonao.
6Hoy Aho amin'ny avaratra: ‹Omeo Ahy ireo›,
ary amin'ny atsimo: ‹Aza hazonina izy!›
Avereno amiko ny zanako lahy avy any lavitra
sy ny zanako vavy avy any am-paran'ny tany,
7dia izay rehetra mitondra ny anarako
sady noarîko sy novolavolaiko
mba hanome voninahitra Ahy.

8Avoahy ny olona mana-maso nefa jamba,
ary manan-tsofina nefa marenina.

samedi 4 janvier 2014

Sabotsy 04 Janoary 2014 - Sal 44 : 1 - 8

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*; tononkalo fananarana nataon'ireo terak'i Kôra.

2Andriamanitra ô, ny sofinay no nandre
ny razanay no nitantara taminay
ireo zava-bitanao fahiny
tamin'ny andro fahavelony.
3Norobainao ireo firenen-kafa
mba hamponenana ny firenenay;
nampahorînao ireo vahoakany
mba hanomezan-toerana ny vahoakanao.
4Ny nahazoan'ny razanay ity tany ity
dia tsy ny sabatra nananany;
ny nahazoany fandresena
dia tsy ny heriny velively,
fa ny herinao nirotsaka an-tsehatra
sy ny fanatrehanao azy amim-pitiavana.
5Ianao tokoa, ry Andriamanitra Mpanjakako,
no manome fandresena an'i Jakôba vahoakanao.
6Ianao no anosehanay ny fahavalonay;
ny anaranao no anitsakitsahanay ny mpamely anay.
7Tsy ny tsipîkako no itokiako,
tsy ny sabatro no andreseko;
8fa Ianao no mamonjy anay amin'ny fahavalonay
sy manafo-kenatra ny mpankahala anay.

vendredi 3 janvier 2014

Zoma 03 Janoary 2014 - II Sam 22 : 15 - 20

15nalefany ny tselatra ka nipariaka
toy ny zana-tsipîka nifanaretsaka.
16Noho ny fandrahonan'ny TOMPO
mbamin'ny fifofofofon'ny hatezerany,
dia niseho ny fanambanin'ny ranomasimbe,
niharihary ny fanorenan'izao tontolo izao.

17Avy eny an-danitra ambony Izy
no naninji-tanana handray ahy
sy nisintona ahy hiala tamin-dranobe;
18ka afaka aho tamin'ny fahavaloko matanjaka,
dia tamin'ireo mpandrafy mahery noho izaho.
19Tamin'ny androm-pahoriako no nanafika ahy ireo
nefa tonga ny TOMPO ka nanohana ahy;
20navoakany ho eo an-kalalahana aho
ary nafahany satria tena tiany.

jeudi 2 janvier 2014

Alakamisy 02 Janoary 2014 - Lio 1 : 46 - 56

46Ary hoy i Maria:
–Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
47ary ny aiko miravo amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy,
48noho Izy nitsinjo ahy mpanompovaviny tsinontsinona!
Eny, hatramin'izao dia hambaran'ny taranaka rehetra
hoe sambatra aho,
49fa zava-dehibe no nataon'ilay Mahery tamiko.
Masina ny anarany!
50Ary hamindra fo hatramin'ny taranaka mifandimby ireo manaja Azy.
51Nanatanterahany asa lehibe ny sandriny mahery;
ka ny mpihevi-tena ho ambony nataony mihahaka.
52Ny mpanjakazaka naongany hiala tamin'ny
sezafiandrianany;
ny tsinontsinona kosa nasandrany.
53Ny noana novokisany zava-tsoa;
ny mpanankarena kosa nalefany nody maina.
54-55Niahy ny vahoaka Israely* mpanompony Andriamanitra,
satria nahatsiaro ny teniny tamin'ny razantsika;
dia ny hamindra fo mandrakizay
amin'i Abrahama sy ny taranany.
56Nitoetra tokony ho telo volana tao amin-dry Elizabeta i Maria vao lasa nody.

mercredi 1 janvier 2014

Alarobia 01 Janoary 2014 - Isa 43 : 16 - 21

16Izao no lazain'ny TOMPO,
ilay nanokatra lalana tany an-dranomasina
sy nitari-dalana teo anivon'ny rano manonja,
17Ilay nampamoaka ny kalesy sy ny soavaly
ary ny miaramila sy ny andian-tafika mahery,
dia indray lavo ireo ka tsy tafarina intsony,
sempotra ka maty toy ny lahin-jiro milofika;
eny, izao no lazain'ny TOMPO ankehitriny:
18«Aza tsaroanareo intsony
ny zava-niseho voalohany,
aza itodihana intsony ny lasa.
19Fa hanao zavatra vaovao Aho;
ary ankehitriny efa mipoitra sahady izany,
ka ho hainareo fantarina tokoa.
Eny, hisava lalana any an-taniefitra Aho
sady hampandriaka ony an-tany karakaina.
20Dia hanome voninahitra Ahy ny bibidia
mbamin'ny amboahaolo sy ny vorombe,
satria manisy rano any an-taniefitra Aho
sy nampandriaka ony an-tany karakaina
mba hampisotroako ny vahoaka nofidiko,
21dia ilay vahoaka noforoniko ho Ahy
ka hitantara ny antony hiderany Ahy.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12