lundi 31 mars 2014

Alatsinainy 31 Martsa 2014 - Lio 7 : 36 - 50

36Nisy Farisianina* nanasa an'i Jesoa hiara-misakafo aminy, koa nandroso tao aminy Izy ary naka toerana. 37Nisy kosa vehivavy anankiray malaza ho mpanota tao an-tanàna. Vao nahalala ravehivavy fa hoe misakafo ao amin'ilay Farisianina i Jesoa, dia naka ilomanitra eran'ny tavoahangy alabasitra*; 38ka indro izy nankeo ivohon'i Jesoa ary nitomany dia nitomany teo an-tongony. Kotsan'ny ranomaso ny tongotr'i Jesoa ka nofaohin-dravehivavy tamin'ny volon-dohany, norokorohany tamim-pitiavana ary nohosorany an'ilay ilomanitra. 39Raha nahita izany ilay Farisianina nampiantrano an'i Jesoa, dia nanao anakampo hoe: «Raha mpaminany* tokoa ity, dia ho nahafantatra izay tena toetran'io vehivavy mikasikasika Azy io fa hoe mpanota.»  

40Ary i Jesoa niteny taminy hoe:
–Simôna ô, misy zavatra tiako holazaina aminao!
 
Dia hoy i Simôna hoe:
–Lazao àry hoe, ry Mpampianatra!
 
41Ka hoy i Jesoa taminy:
–Nisy, hono, olona roa nitrosa vola tamin'izay mpampisambo-bola izay; ny iray nitrosa denàry* dimanjato, ny iray denàry dimampolo. 42Samy tsy nanan-kandoavana anefa izy roa lahy ka dia nafoin'ny mpampisambotra ny trosa rehetra rehetra. Iza amin'izy roa lahy, hoy ianao, no ho tia azy kokoa?
 
43Dia novalian'i Simôna hoe:
–Ataoko fa ilay namoizany be.
 
Ka hoy i Jesoa taminy:
–Marina ny hevitrao!
 
44Dia nitodika nijery an-dravehivavy Izy sady nanao tamin'i Simôna hoe:
–Hitanao ve ity vehivavy ity? Niditra ny tranonao Aho: ianao tsy nanome rano Ahy hanasako tongotra; izy kosa ny ranomasony no nanondrahany ny tongotro ary ny volon-dohany no namaohany azy. 45Ianao tsy nanoroka Ahy; izy kosa, hatrizay nidirany, tsy nitsahatra nanorokoroka ny tongotro. 46Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako; izy kosa nanosotra ilomanitra ny tongotro. 47Koa izao no teniko aminao: Voavela ny heloka be nataony, noho izy be fitiavana; fa izay amelana kely no kely fitiavana.
 
48Hoy kosa i Jesoa tamin-dravehivavy:
–Voavela ny helokao!
 
49Ireo niara-nisakafo tamin'i Jesoa dia nanao anakampo hoe: «Iza moa ity no mamela heloka?» 50Fa hoy indray i Jesoa tamin-dravehivavy:
–Ny finoanao no nahavonjy anao! Ndeha àry ka veloma finaritra!

dimanche 30 mars 2014

Alahady 30 Martsa 2014 - II Mpa 22 : 11 - 20

11Nony ren'i Jôsià mpanjaka ny teny tao amin'ilay Bokin'ny Lalàna, dia nandriatra fitafiana* izy. 12Ary nomeny baiko i Hilkià mpisorombe sy i Ahikama zanakalahin'i Safàna mbamin'i Hakbôra zanakalahin'i Mikaià mbamin'i Safàna mpitantsoratra sy i Hasaià mpandraharahany ka nilazany hoe:
13–Ndeha anontanio ny TOMPO ho ahy sy ho an'ny vahoaka manerana an'i Joda manontolo ny amin'ny teny raketin'ity boky vao hita ity. Ireo razantsika manko tsy nihaino ny tenin'ity boky ity sady tsy nanao araka izay rehetra voasoratra ao anatiny, hany ka hirehitra mafy amintsika ny fahatezeran'ny TOMPO.
 
14Dia lasa nankany amin'i Holdà mpaminanivavy* i Hilkià mpisorona sy i Ahikama mbamin'i Hakbôra sy i Safàna ary i Hasaià. I Holdà, izay nonina tao Antanambaon'i Jerosalema, dia vadin'i Saloma zanakalahin'i Tikvà sy zafikelin'i Harahasa sady mpitahiry ny fanamiana masina tao an-tempoly. Koa rehefa niresaka tamin-dravehivavy ry i Hilkià, 15dia nasainy miteny amin'ny mpaniraka hoe: 16«Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: ‹Indro Aho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy ny mponiny, dia araka izay rehetra voalaza ao anatin'ilay boky novakin'ny mpanjakan'i Joda. 17Efa nandao Ahy manko ny mponin'i Jerosalema sady efa nampanetona srona ho an'ny andriamani-kafa, ary nampahatezitra Ahy tamin'ny sampy rehetra nataon'ny tanany. Izany no nirehetan'ny fahatezerako tamin'ity tanàna ity, ka tsy mbola itoniany. 18Fa ny mpanjakan'i Joda, izay naniraka anareo hanatona Ahy TOMPO, dia anambarao fa Izaho TOMPO Andriamanitr'i Israely dia milaza izao: Ny amin'ny teny izay efa renao, 19dia nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehako, rehefa nihaino izay voalazako momba ny hanjo ity tanàna ity sy ny mponiny, dia ny hanaovana azy ho lao sy ho oha-panozonana; eny, nandriatra fitafiana ianao sady nitomany teo anatrehako, ka dia efa nihaino anao koa Aho; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. 20Indro hangoniko any amin'ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombàm-piadanana, ka tsy hahita maso ny loza rehetra hamelezako an'i Jerosalema.› »

samedi 29 mars 2014

Sabotsy 29 martsa 2014 - Apo 3 : 7 - 13

7–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Filadelfia:
«Izao no lazain'ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin'i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha. 8Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà Ahy. 9Indro atolotro anao ny sasany avy amin'ireo olona mivavaka amin'i Satàna*: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao. 10Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin'ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin'izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin'ny tany. 11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
12«Izay maharesy dia hataoko andry ao amin'ny tempoli*n'Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ilay tanànan'Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra; ary hosoratako eo aminy koa ilay anarako vaovao.
13«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

vendredi 28 mars 2014

Zoma 28 Martsa 2014 - I Tim 1 : 12 - 16

12Velom-pisaorana an'i Kristy* Jesoa Tompontsika aho, fa nomeny hery hahatontosako ny fanompoako. Velom-pisaorana Azy aho fa nataony mahatoky ka notendreny hanompo Azy, 13na dia nanevateva Azy aza taloha sady nanenjika sy nampahory Azy mafy. Kanefa namindran'Andriamanitra fo aho satria tsy mbola nanam-pinoana ka tsy nahalala izay nataoko. 14Naidin'ny Tompontsika be dia be tamiko ny fahasoavany, mbamin'ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 15Azo antoka izao teny izao ka mendrika hankatoavin'ny olona rehetra: Tonga tetỳ an-tany i Kristy Jesoa mba hamonjy ny mpanota; ary izaho no faraidiny amin'ireny. 16Kanefa izao no anton'ny namindran'Andriamanitra fo tamiko: tiany hasehon'i Kristy Jesoa ao amiko mpanota faraidiny ny fahari-pony rehetra mba ho ohatra ho an'izay hino Azy ka handray ny fiaina-maharitra mandrakizay.

jeudi 27 mars 2014

Alakamisy 27 Martsa 2014 - Fit 4 :21 - 22

21Mifalia sy miravoa ianareo,
ry mponin'i Edôma,
izay mitoetra ao amin'ny tanin'i Hotsy;
saingy handalo aminareo koa
ny tsangambavam-panamelohana
ka ho mamo sy hiboridana ianareo!
22Efa tapitra ny famaizana anao, ry Tsiôna,
ka tsy hoentina ho babo intsony ianao.
Fa ianao kosa, ry Edôma,
hovalian'ny Tompo ny fahadisoanao,
hovakiny bantsilana ny helokao.

mercredi 26 mars 2014

Alarobia 26 Martsa 2014 - Lio 15 : 11 - 24

11Dia hoy indray i Jesoa:
–Nanan-janaka mirahalahy ity lehilahy anankiray. 12Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: «Omeo ahy, ry dada, ny anjara fananana tandrify ahy.» Dia nozarainy tamin'izy mirahalahy ny fananany. 13Nony afaka andro vitsivitsy, dia nivarotra ny anjarany manontolo ilay zandriny, ary lasa nitondra ny vola azony nankany an-tany lavitra ka nandanilany foana ny fananany tamin'ny filibàna. 14Rehefa tapitra avokoa izay teo am-pelatanany, dia nisy mosary mafy tamin'izany tany izany, ary tsy nanan-koraisina intsony ny anao. 15Lasa izy niasa tamin'ny tompon-tany anankiray ka nalefan'ilay niasany hiandry kisoa tany an-tsahany. 16Satrin'ity zatovo hameno kibo amin'ny voan-javatra fihinan'ny kisoa, saingy tsy nisy nanome azy. 17Izay vao nody ny sainy ka hoy izy anakampo: «Ireo mpikaraman'i dada rehetra any izao manan-tsakafo be dia be daholo, fa izaho kosa ity maty mosary atỳ! 18Ndeha hody any amin'i dada aho ka hilaza aminy hoe: Dada ô, nanota tamin'Andriamanitra sy taminao aho, 19ka tsy mendrika intsony ny hatao hoe zanakao; fa mba ataovy toy ny anankiray amin'ny mpikaramanao aho!» 20Dia lasa tokoa izy nody any amin-drainy.
 
Raha mbola lavitra ny trano ilay zatovo, dia tazan-drainy. Onena azy tokoa irainy ka nihazakazaka nitsena, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. 21Dia hoy ity zanany taminy: «Dada ô, nanota tamin'Andriamanitra sy taminao aho, ka tsy mendrika intsony ny hatao hoe zanakao!» 22Fa hoy kosa irainy tamin'ireo mpiasa: «Ento atỳ faingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany ary asio kapa ny tongony. 23Alaovy ilay zanak'omby mifahy ka vonoy; ary aoka isika hanao fihinanam-be, 24satria ity zanako ity: efa maty no velona indray, ary efa very no hita indray!» Dia nanomboka ny fihinanam-be aman-korana izy rehetra.

mardi 25 mars 2014

Talata 25 Martsa 2014 - Isa 41 : 10 - 18

10Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho,
aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao.
Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa;
ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.
11Indro ho menatra sy ho afa-baràka
izay rehetra naneso anao.
Hanjary tsinontsinona sy ho levona
ny mpanohitra anao.
12Hotadiavinao ireo mpisetrasetra anao
fa tsy ho hitanao;
hanjary tsinontsinona sy zava-poana
ireo mpiady aminao.
13Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao,
Izay mitantana anao amin'ny tanan-kavananao
sady mamerimberina aminao hoe:
«Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.»
 
14Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
Aza matahotra ianao,
ry vahoaka Israely, firenen'i Jakôba,
lazaina hoe mora vonoina toa kankana.
Izaho TOMPO mihitsy no tonga hamonjy anao,
Izaho ilay Masin'i Israely no mpanavotra anao.
15Indro ianao hataoko toy ny hersa vaovao
izay misy nifiny maranitra;
ka hosamatsamahinao ny tendrombohitra
ary hataonao lasa akofa ny havoana.
16Hokororohinao hoentin'ny rivotra izy
sy haelin'ny tadio;
fa ianao kosa dia Izaho TOMPO no hifalianao
ary Izaho ilay Masin'i Israely no hireharehanao.
 
17Mitady rano ny mahantra sy ny malahelo
nefa tsy mahita mihitsy,
ka mainan'ny hetaheta ny lelany.
Izaho TOMPO kosa hihaino azy;
Izaho Andriamanitr'i Israely
tsy mba handao azy.
18Hampiboiboika renirano
eny amin'ny havoana mangadihady Aho
ary koa loharano eny an-dohasaha,
ka hanova ny taniefitra ho farihy
ary ny tany karakaina ho mpamoaka rano.

lundi 24 mars 2014

Alatsinainy 24 MArtsa 2014 - Jer 51 : 5 - 7

5Satria manenika an'i Babilônia
ny fahotany tamin'ilay Masin'i Israely*.
–Ilay Andriamanitra TOMPOn'izao rehetra izao kosa
tsy mba namela an'i Israely
sy i Joda ho mpitondratena.–
 
6Mandosira hiala an'i Babilôna
ka samia manavo-tena ianareo,
fandrao hiara-devona aminy
noho ny sazim-pahotàny;
fa fotoana famalian'ny TOMPO azy izao
ka valiany araka ny sahaza azy izy.
7I Babilôna dia tsatokaty volamena
teo an-tanan'ny Tompo.
Nahamamo ny tany manontolo izy;
ny divainy efa nisotroan'ny firenena
no nahavery saina ireny.

dimanche 23 mars 2014

Alahady 23 Martsa 2014 - II Sam 12 : 7 - 15

7Dia hoy i Natàna tamin'i Davida:
–Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: «Izaho no nanosotra anao ho mpanjakan'i Israely sady namonjy anao ho afaka tamin'ny famelezan'i Saoly. 8Natolotro hofehezinao ny fianakavian'i Saoly ary nataoko tonga andefimandrinao ny vadiny; natolotro ho eo ambany fahefànao ny vahoakan'i Israely sy i Joda. Ary raha mbola tsy ampy anao izany, dia ho nomeko toy izany ianao. 9Koa nahoana no tsy noraharahainao ny teniko tamin'ny nanaovanao izay ratsy eo imasoko? Nasianao tamin'ny sabatra i Orià ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny; eny, ianao no nahafaty azy tamin'ny sabatry ny Hamônita. 10Noho izany, dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria tsy noraharahainao Aho fa nalainao ny vadin'i Orià ilay Hetita mba ho vadinao. 11Izao no lazaiko aminao: Indro fa hahatonga loza amin'ny ankohonanao Aho. Halàko eo imasonao ireo vadinao ka homeko olon-kafa izay hiray aminy antoandrobenanahary. 12Ary ianao nanao izany tao amin'ny miafina, fa Izaho kosa haneho izany antoandrobenanahary eo imason'i Israely manontolo.»
 
13Dia hoy i Davida tamin'i Natàna:
–Nanota tamin'ny TOMPO aho.
 
Ary hoy kosa i Natàna tamin'i Davida:
–Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao. 14Nefa noho ianao nampiteny ratsy ny fahavalon'ny TOMPO tamin'izany nataonao izany, dia ny zanaka izay naterakao no ho faty.

15
Dia nody tany an-tranony i Natàna.

samedi 22 mars 2014

Sabotsy 22 Martsa 2014 - Rom 8 : 1 - 4

1Koa ankehitriny dia tsy misy intsony fanamelohana ho an'izay tafaray amin'i Kristy* Jesoa. 2Fa ny fanapahan'ny Fanahy Masina, mpanome aina ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa, dia nanafaka ahy tsy ho voafehin'ny fanapahan'ny fahotana sy ny fahafatesana. 3Satria izay tsy vitan'ny lalànan*'i Mosesy, noho ny lalàna nolemen'ny maha olona mpanota, dia notontosain'Andriamanitra. Voahelok'Andriamanitra ny fahotana tao amin'ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny Zanany*, Izay naka ny endriky ny maha olombelona mba hanaisotra ny fahotana. 4Notontosain'Andriamanitra izany mba ho tanteraka ao amintsika ny zavatra rehetra takîn'ny lalàna amintsika, dia isika izay mizotra tsy araka ny maha olona mpanota intsony fa araka ny Fanahy Masina.

vendredi 21 mars 2014

Zoma 21 Martsa 2014 - Zak 13 : 1 - 2

1«Amin'izany andro izany, dia hisy loharano mifantsitsitra hanasa ny loto amam-pahotan'ny taranak'i Davida sy ny mponin'i Jerosalema.»
 
2«Amin'izany andro izany, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompon'izao rehetra izao, dia hofoanako amin'ny firenena ny anaran-tsampy ka tsy hisy hahatsiaro izany intsony. Hoesoriko ihany koa ireo mihambo ho mpaminany* ary horavako ny fitiavanareo hanompo sampy.»

jeudi 20 mars 2014

Alakamisy 20 Martsa 2014 - I Pet 3 : 18 - 22

18Fa i Kristy koa dia efa maty indray mandeha monja ho fanalana ny ota: ny Marina no efa maty hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra. Novonoina tao amin'ny nofo i Kristy, fa novelomina araka ny Fanahy Masina. 19Nombàn'ny Fanahy Masina Izy ka lasa nitoriteny tamin'ireo fanahy voagadra, 20dia ireo fanahin'ny olona tsy nanaiky an'Andriamanitra, fony Andriamanitra nampiseho ny fahari-pony tamin'ny andro nanamboaran'i Noà ny sambofiara. Olona vitsy ihany anefa, dia i Noà valo mianaka, no tafiditra tao anaty sambofiara ka voavonjy tamin'ny rano. 21Io rano io no tandindon'ny batisa* izay amonjena anareo ankehitriny; ka tsy fanesorana lotom-batana ny batisa, fa toky omen'ny fieritreretana madio hitodika amin'Andriamanitra. Ny batisa no amonjena anareo amin'ny alalan'i Jesoa Kristy tafatsangana ho velona, 22dia Ilay efa lasa any an-danitra sy mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra, ka eken'ny anjely* sy ny fahefana ary ny hery.

mercredi 19 mars 2014

Alarobia 19 Martsa 2014 - Jao 8 : 2 - 11

2Ny ampitso maraina be, dia niverina tao an-kianjan'ny tempoly* Izy; ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra, ka nipetraka Izy nampianatra azy ireo. 3Nisy kosa vehivavy anankiray, azo nanitsakitsa-bady. Nentin'ny mpahay lalàna* sy ny Farisianina* ravehivavy, ka narosony teo anoloan'ny olona; 4dia hoy ry zareo tamin'i Jesoa;
–Mpampianatra ô, azo nanitsakitsa-bady ity vehivavy ity. 5Ary i Mosesy, ao amin'ny lalàna*, dia nandidy anay hitora-bato ny vehivavy toy izany; fa Ianao kosa mba ahoana?
 
6Nolazain'ireo izany hamandrihana Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika, dia nanoratsoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tanany. 7Ry zareo amin'izany mbola manontany Azy ihany; ka nitraka Izy ary niteny tamin'ireo hoe:
–Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany!
 
8Dia niondrika indray i Jesoa, ka nanoratsoratra teo amin'ny tany. 9Fa ry zareo kosa, nony nandre izany, dia niala teo tsirairay nanomboka hatramin'ny zokinjokiny; ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo anoloan'ny olona. 10Dia nitraka i Jesoa, ka nilaza tamin-dravehivavy hoe:
–Aiza ry zareo teo, ramatoa? Tsy nisy nanameloka anao angaha?
 
11Dia novaliany hoe:
–Tsy nisy, Tompoko!

mardi 18 mars 2014

Talata 18 Martsa 2014 - Rom 8 : 26 - 29

26Toy izany koa no anampian'ny Fanahy Masina antsika amin'ny halementsika. Satria izay vavaka, araka ny tokony hataontsika, dia tsy fantatsika akory; fa ny Fanahy Masina mihitsy no mivavaka ho antsika amin-tsento tsy hay ambara amin-teny. 27Ary Andriamanitra mahita ny ao am-po no mahalala izay firònan'ny Fanahy Masina, satria araka izay irîn'Andriamanitra no ivavahan'ny Fanahy Masina ho an'ny vahoakan'Andriamanitra*. 28Fantatsika fa Andriamanitra dia miasa hahatonga ny zavatra rehetra hahasoa ny olona tia Azy, dia ny olona nantsoiny araka ny fikasany rahateo. 29Satria izay nofidin'Andriamanitra mialoha dia voatendry rahateo koa hitovy endrika amin'ilay Zanany*, mba hahatonga ny Zanany ho lahimatoa manan-jandry maro.

lundi 17 mars 2014

Alatsinainy 17 martsa 2014 - Sal 118 : 5 - 9

5Tao an-katerena aho no niantso ny TOMPO,
ka novaliany aho, nomeny halalahana.
6Miandany amiko IZY ka tsy hatahotra aho;
hahavita inona amiko ny olombelona?
7Miandany amiko ny TOMPO ka manampy ahy;
ireo mpankahala ahy hitako fa resiny.
8Aleo mialoka amin'ny TOMPO
toy izay mialoka amin'ny olombelona;
9aleo mitoky amin'ny TOMPO
toy izay mitoky amin'ny mpifehy.

dimanche 16 mars 2014

Alahady 16 Martsa 20143 - Sal 86 : 1 - 10

1 Vavaka nataon'i Davida.

TOMPO ô, mba atongilano ny sofinao
ka valio aho fa ory sy mahantra.
2Arovy ny aiko fa mpivavaka aminao aho.
Mpanomponao aho ka matoky Anao,
vonjeo aho fa Ianao no Andriamanitro.
3Tompo ô, mba iantrao aho
fa miantso Anao tontolo andro.
4Ampifalio re aho mpanomponao
satria Ianao, Tompo ô, no ifantohako.
5Tompo ô, Ianao no tsara fo sady mpamela heloka,
be fitia amin'izay rehetra miantso Anao.
6Mba henoy, TOMPO ô, ny vavaka ataoko;
ka ho tandrinao anie ny fitarainako.
7Amin'ny androm-pahoriako,
Ianao no antsoiko satria mamaly ahy.
 
8Tompo ô, tsy misy tahaka Anao
amin'ireo andriamanitra;
tsy misy mahavita ny vitanao.
9Ianao no namorona ny firenen-drehetra,
ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao izy
ary hanome voninahitra Anao, Tompo ô,
10fa lehibe Ianao sy manao zava-mahagaga;
Ianao ihany no tena Andriamanitra.

samedi 15 mars 2014

Sabotsy 15 Martsa 2014 - Lio 5 : 20 - 25

20Hitan'i Jesoa ny finoan'ireo olona ka hoy Izy tamin'ilay marary:
–Andriamatoa, voavela ny helokao!
 
21Ireo mpahay lalàna sy Farisianina kosa nieritreritra anakampo hoe: «Mba iza ity manevateva an'Andriamanitra ity? Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery ihany22Takatr'i Jesoa ny eritreritry ny mpahay lalàna sy Farisianina ka notsenainy ry zareo nataony hoe:
–Inona izato eritreretinareo ao am-ponareo? 23Inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza hoe: «Voavela ny helokao», sa ny milaza hoe: «Mitsangàna ka mandehana»? 24Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak'olona* eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka.
 
Dia hoy i Jesoa tamin'ilay malemy:
–Mandidy anao Aho, mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao!
25Niaraka tamin'izay dia nitsangana teo imason'ny olona ralehilahy, nibata ny fandriany ary nody tany an-tranony sady nanome voninahitra an'Andriamanitra.
 
26Talanjona avokoa izay rehetra teo ka nanome voninahitra an'Andriamanitra sady raiki-tahotra nanao hoe:
–Zava-mahagaga ity hitantsika androany itỳ?

vendredi 14 mars 2014

Zoma 14 Martsa 2014 - Rom 3 : 21 - 26

21Ankehitriny kosa dia efa nahariharin'Andriamanitra ny fomba anekeny antsika ho marina; ary tsy avy amin'ny lalàna* velively izany. Ny lalànan'i Mosesy mbamin'ireo bokin'ny mpaminany* rahateo dia efa mijoro ho vavolombelona manambara 22fa ny finoana niainan'i Jesoa Kristy* no haneken'Andriamanitra ny olombelona ho marina; ary mankamin'ny mpino rehetra izany, satria tsy misy fanavakavahana intsony. 23Eny, nanota ny olon-drehetra ka tsy eo afovoan'izy ireo intsony ilay Andriamanitra be voninahitra. 24Kanefa, noho ny fahasoavan'Andriamanitra, dia nekeny maimaimpoana ho marina izy ireo tamin'ny alalan'ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesoa. 25Fa notendren'Andriamanitra ho sorom-panonerana ho an'ireo manam-pinoana i Kristy Jesoa Izay nahafoy ny rany: izany no maneho ny fomba aneken'Andriamanitra ny olombelona ho marina! Ireo heloka vitan'ny olombelona fahiny dia noleferin'Andriamanitra 26ary tsy nosazîny, satria tiana haseho ankehitriny ny fomba aneken'Andriamanitra ny olombelona ho marina. Hita amin'izany fa marina tokoa Andriamanitra sady mahatonga ho marina izay entanin'ny finoana niainan'i Jesoa!

jeudi 13 mars 2014

Alakamisy 13 Martsa 2014 - II Kor 5 : 11 - 15

11Fantatray ny atao hoe fahatahorana ny Tompo, ka miezaka hampanaiky ny olona izahay. Tena mahalala anay Andriamanitra, ary antenaiko fa mahalala ahy ao amin'ny fieritreretanareo koa ianareo. 12Tsy hoe midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay hahazoanareo mirehareha ny aminay; ka dia mba hisy havalinareo ny olona mirehareha amin'ny zavatra eto ivelany fa tsy amin'ny zavatra ao am-po. 13Raha marina fa very saina izahay, dia ho an'Andriamanitra izany; raha mitombin-tsaina izahay, dia ho anareo izany. 14Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray; noho izany, nandalo fahafatesana koa izy rehetra. 15Maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony ireo velona, fa ho an'Ilay efa maty sy nitsangana velona hamonjy azy.

mercredi 12 mars 2014

Alarobia 12 Martsa 2014 - Isa 44 : 1 - 5

1Fa ankehitriny kosa mihainoa,
ry firenen'i Jakôba mpanompoko,
ry vahoaka Israely izay nofidiko.
2Izaho TOMPO izay mpanao anao,
ka namorona anao hatrany am-bohòka
sy manampy anao no indro milaza aminao hoe:
Aza matahotra, ry firenen'i Jakôba mpanompoko
ilay Jesoròna izay nofidiko.
3Fa hanosaka rano amin'izay mangetaheta Aho
sy hampandriaka renirano amin'ny tany mangentana.
Hatosako amin'ny zanakao ny Fanahiko
ary amin'ny taranakao ny fitahiako.
4Handrobona toy ny solofom-bolotara
na toy ny hazomalahelo eny amoron-drano izy.
5Ny anankiray hanao hoe: ‹An'ny TOMPO aho›;
ny iray hafa te hitondra ny anaran'i Jakôba.
Ny anankiray kosa dia eo amin'ny sandriny
no hanoratany hoe: ‹Fananan'ny TOMPO›
sady ny anaran'i Israely no hireharehany.»

mardi 11 mars 2014

Talata 11 Martsa 2014 - Lio 4 : 1 - 13

1Ary feno ny Fanahy Masina i Jesoa no niverina avy any Jôrdàna. Dia nentin'ny Fanahy Masina Izy honina any an-taniefitra 2efapolo andro sady nalain'ny devoly* fanahy, ary tsy nikasika hanina nandritra izany andro izany ka noana tamin'ny farany. 3Dia hoy ny devoly taminy:
–Raha Zanak'Andriamanitra* tokoa Ianao, teneno io vato io hanjary mofo.

4Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izao no voalazan'ny Soratra Masina*: «Tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona.»

5Dia nentin'ny devoly tany amin'ny toerana avo i Jesoa ka nasehony Azy indray mipy maso ny fanjakana rehetra eran-tany 6sady nataony hoe:
–Homeko Anao daholo ny hery amam-boninahitr'ireo fanjakana ireo, fa efa natolotra ahy ka omeko an'izay tiako homena azy. 7Koa raha miankohoka eto anoloako Ianao, dia ho Anao avokoa ireo.

8Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izao no voalazan'ny Soratra Masina: «Ny Tompo Andriamanitra no hiankohofanao ary Izy irery no hivavahanao.»

9Dia nentin'ny devoly tany Jerosalema i Jesoa ka najorony teo an-tendron'ny zoron'ny tempoly* sady nataony hoe:
–Raha Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao, mianjerà avy eto ho any ambany any; 10satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: «Homen'ny Tompo baiko ireo anjeliny* noho ny aminao mba hiaro Anao.» 11Ary izao koa: «Ny anjely hitondra Anao eny an-tanany mba tsy ho tafintohim-bato ny tongotrao.»

12Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izao no voalazan'ny Soratra Masina: «Aza maka fanahy ny Tompo Andriamanitrao.»
13Nony avy naka fanahy an'i Jesoa tamin'izao fomba isan-karazany izao ny devoly dia nandao Azy aloha mandra-piavin'ny fotoana hafa indray.

lundi 10 mars 2014

Alatsinainy 10 Martsa 2014 - Sal 97 : 10 - 12

10Ianareo fatra-pitia ny TOMPO, mankahalà ny ratsy
fa miaro ny ain'ireo mpivavaka aminy Izy
ka manafaka azy tsy ho voatanan'ny olon-dratsy.
11Misy hazavana mamiratra ho an'ny olo-marina,
ka mitondra haravoana izany ho an'ny mahitsy fo.
12Mifalia ao amin'ny TOMPO,
ianareo olo-marina;
manaova fiderana Azy
ka tsarovy fa masina Izy.

dimanche 9 mars 2014

Alahady 09 Martsa 2014 - Nom 14 : 11 - 19

11Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Mandra-pahoviana no hanamavoan'ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no handavany tsy hino Ahy, na dia teo aza ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy? 12Hamely azy amin'ny pesta Aho ka hamongotra azy; ianao kosa hataoko firenen-dehibe sy matanjaka noho izy.
 
13Fa hoy ny navalin'i Mosesy ny TOMPO:
–Fantatry ny Ejiptianina fa ny herinao no namoahanao ity vahoaka ity hiala teo aminy. 14Notantarainy tamin'ny mponin'ity tany anoloanay ity izany. Koa dia fantatr'izy ireo fa Ianao TOMPO no momba ny vahoakanao ary IANAO mifanatri-tava aminy; ny rahonao dia mijanona eo amboniny hialofany; mialoha azy amin'ny andry rahona Ianao nony andro ary amin'ny andry afo kosa nony alina. 15Ankehitriny, raha indray hofongoranao ny vahoakanao, dia hiteny ireo firenena efa nahafantatra ny lazanao ka hanao hoe: 16«Tsy afaka nitondra ny vahoakany ho any amin'ny tany izay efa nampanantenainy azy ny TOMPO, koa izany no nandringanany azy tany an-taniefitra.» 17Koa ankehitriny, Tompo ô, mitalaho aminao aho, asehoy ny herinao araka ny teninao hoe: 18«Izaho no TOMPO Izay tsy mora tezitra sady be fitiavana fa mahazaka ny heloka sy ny fikomiana. Kanefa tsy afa-maina ny meloka, fa ny heloky ny olona kosa dia valiako amin'ny taranany hatramin'ny zafindohalika19Tompo ô, araka ny halehiben'ny fitiavanao, dia mamelà ny fahotan'ny vahoakanao tahaka ny efa namelanao ny fahotany hatrany Ejipta ka hatraty.

samedi 8 mars 2014

Sabotsy 08 Martsa 2014 - Lio 7 : 44 - 50

44Dia nitodika nijery an-dravehivavy Izy sady nanao tamin'i Simôna hoe:
–Hitanao ve ity vehivavy ity? Niditra ny tranonao Aho: ianao tsy nanome rano Ahy hanasako tongotra; izy kosa ny ranomasony no nanondrahany ny tongotro ary ny volon-dohany no namaohany azy. 45Ianao tsy nanoroka Ahy; izy kosa, hatrizay nidirany, tsy nitsahatra nanorokoroka ny tongotro. 46Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako; izy kosa nanosotra ilomanitra ny tongotro. 47Koa izao no teniko aminao: Voavela ny heloka be nataony, noho izy be fitiavana; fa izay amelana kely no kely fitiavana.
 
48Hoy kosa i Jesoa tamin-dravehivavy:
–Voavela ny helokao!
 
49Ireo niara-nisakafo tamin'i Jesoa dia nanao anakampo hoe: «Iza moa ity no mamela heloka?» 50Fa hoy indray i Jesoa tamin-dravehivavy:
–Ny finoanao no nahavonjy anao! Ndeha àry ka veloma finaritra!

vendredi 7 mars 2014

Zoma 07 Martsa 2014 - Rom 5 : 6 - 16

6Mbola tsy nanan-kery isika no tonga ny fotoanandro voatendrin'Andriamanitra, ka maty hamonjy ny ratsy fanahy i Kristy. 7Saika tsy misy aza manaiky ho faty hamonjy olo-marina; ary angamba mety hisy ihany hanana herim-po ho faty hamonjy olona tsara fanahy. 8Fa i Kristy kosa maty hamonjy antsika, fony isika mbola mpanota: nahariharin'Andriamanitra tamin'izany ny fitiavany antsika. 9Koa, amin'izao isika efa tonga olo-marina eo imason'Andriamanitra noho ny ra nafoin'i Kristy izao, dia vao mainka hovonjena amin'ny alalan'i Kristy tsy hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra*. 10Eny, fony fahavalon'Andriamanitra aza isika, dia nampihavanina taminy noho ny fahafatesan'ny Zanany*; vao mainka izao isika efa nampihavanina tamin'Andriamanitra izao, dia tena hovonjena tokoa noho ny fahaveloman'ny Zanany. 11Tsy izany ihany, fa mirehareha ao amin'Andriamanitra koa isika amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika, Ilay nahazoantsika izao fihavanantsika amin'Andriamanitra izao.
 
12Noho ny nataon'ny olona anankiray, dia i Adama, no nidiran'ny fahotana teo amin'izao tontolo izao, sady nidiran'ny fahafatesana koa noho ny fahotana; ary dia nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy nanota izy rehetra. 13Talohan'ny lalànan*'i Mosesy dia efa nisy fahotana teo amin'izao tontolo izao; nefa ny fahotana dia tsy mbola natao hoe fandikana, raha tsy mbola nisy ny lalàna. 14Na izany aza anefa, hatramin'i Adama ka hatramin'i Mosesy dia efa nanjaka ny fahafatesana, na dia tamin'ireo tsy nanota toraka ny nataon'i Adama izay nandika ny didin'Andriamanitra aza.
Ary i Adama dia tandindon'Ilay ho avy. 15Kanefa tsy azo ampitahaina ny hadisoana vitan'i Adama sy ny fanomezana atolotr'Andriamanitra maimaimpoana. Niharan'ny fahafatesana ny besinimaro, noho ny hadisoan'ny olona anankiray, dia i Adama; nitosaka be nihoatra lavitra noho izany kosa ilay fahasoavana avy amin'Andriamanitra, ilay fahasoavana nomena maimaimpoana ho an'ny besinimaro tao tamin'ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy. 16Ary tsy tahaka ny vokatry ny fahotana vitan'i Adama ny vokatry ny fanomezana atolotr'Andriamanitra: ny hadisoan'ny olona anankiray notsaraina dia nahatonga fanamelohana; fa ny fanomezana atolotr'Andriamanitra maimaimpoana kosa dia nahatonga ny hadisoana maro havela tanteraka.

jeudi 6 mars 2014

Alakamisy 06 Martsa 2014 - I Kor 5 : 1 - 13

1Re laza hatraiza hatraiza ankehitriny fa misy fanambadiana mifotitra ao aminareo, dia fanambadiana mifotitra mahatsiravina izay tsy fahita na dia any amin'ny hafa firenena* akory aza: misy anankiray aminareo manambady renikely. 2Nefa ianareo mbola mirehareha ihany. Tsy tokony ho feno alahelo ve ianareo, ka ilay lehilahy namoafady nahavita izany dia ho nakifakareo tsy ho eo aminareo? 3-4Fa izaho, na dia lavitra anareo am-batana aza, dia akaikinareo am-panahy; ka tamin'ny anaran'i Jesoa Tompontsika no nitsarako sahady an'ilay namoa-tsampona. Raha hivory ianareo ka ho tafaraka aminareo am-panahy aho, dia homba antsika ny herin'i Jesoa Tompontsika: 5koa atolory an'i Satàna* izany lehilahy izany, mba horavana ny maha olona mpanota azy ka hovonjena ny fanahiny amin'ilay andro hiavian'ny Tompo.
6Tsy mety ve ny fireharehànareo! Tsy fantatrareo ve ilay ohabolana hoe: «Leviora* kely foana dia mampibohaka ny koba manontolo»? 7Esory io leviora tranainy io, izany hoe ny fahotana, mba ho madio tokoa ianareo; dia ho tonga koba vaovao tsy misy leviora, satria izany rahateo ianareo. Eny, efa voavono i Kristy* ilay Zanakondrin'ny Paska* ho antsika: 8ka dia aoka isika hankalaza ny Paska tsy amin'ny mofo misy leviora tranainy, dia ny leviora manambara fitondrantena tsy valahara sy toe-dratsy; fa amin'ny mofo tsy misy leviora, dia ny mofo manambara fitondrantena madio sy toetra mahitsy. 9Tao amin'ilay taratasy nalefako taminareo, dia izao no voasoratro: aoka ianareo tsy hifanerasera amin'ny olona mpijangajanga. 10Tsy hoe izay mpijangajanga, na mpitia harena, na mpanao an-keriny, na mpanompo sampy eto amin'izao tontolo izao amin'ny ankapobeny; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo. 11Fa izao kosa no voasoratro: aoka ianareo tsy hifanerasera amin'olona mitonon-tena ho kristianina nefa mpijangajanga, na mpitia harena, na mpanompo sampy, na mpanendrikendrika, na mpidoroka, na mpanao an-keriny; aoka ianareo tsy hiara-misakafo amin'ny kristianina toy izany.
12-13Tsy anjarako ny hanafay an'izay tsy kristianina, fa Andriamanitra no hanafay azy ireo. Tsy hofaizinareo kosa ve ny kristianina namanareo? Fa izao no tenin'ny Soratra Masina*: «Esory aminareo ilay olon-dratsy

mercredi 5 mars 2014

Alarobia 05 Martsa 2014 - Mar 14 : 22 - 25

22Raha mbola teo am-pisakafoana iny i Jesoa mbamin'ny mpianany*, dia nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an'Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny mpianany ka nataony hoe:
–Raiso fa ny tenako ity!
23Avy eo nandray kalisy i Jesoa, ary nisaorany an'Andriamanitra izany ka nomeny ny mpianany sy nisotroan'izy rehetra; 24dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Ny rako ity, dia ilay ra anorenan'Andriamanitra ny fanekempihavanany sady alatsaka ho an'ny besinimaro. 25Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro divay intsony Aho mandra-pahatongan'ilay andro hisotroako ny divay vaovao any amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*.

mardi 4 mars 2014

Talata 04 Martsa 2014 - Mat 10 : 32 - 39

32–Noho izany, na zovy na zovy manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, Izaho koa dia hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. 33Fa na zovy na zovy mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, Izaho koa dia handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.
 
34–Aza heverinareo fa tonga eto an-tany Aho hampihavana; tsy tonga hampihavana Aho, fa hampiady. 35Eny, tonga Aho hampisaraka ny zanaka lahy amin'ny rainy, sy ny zanaka vavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozambaviny; 36koa ny ankohonan'ny olona ihany no ho fahavalony.
37Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy. 38Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy miaraka amiko dia tsy mendrika Ahy. 39Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay mahafoy ny ainy noho ny fitiavana Ahy no hahavonjy azy.

lundi 3 mars 2014

Alatsinainy 03 Martsa 2014 - Sal 37 : 37 - 40

SINA
37Diniho ny olom-banona, jereo ny olo-mahitsy,
dia ho tsapanao tokoa fa ny hasambarana
no valiny omena ny olona toy izany.
38Ny olo-meloka kosa dia haringana avokoa:
ny famongorana no valiny omena ny olon-dratsy.
 
TAO
39Mamonjy ny olo-marina ny TOMPO
sy miaro mafy azy amin'ny andro mahory.
40Manampy sy manafaka azy ny TOMPO,
manafaka azy amin'ny olon-dratsy
ka mamonjy azy noho ireo mialoka aminy.

dimanche 2 mars 2014

Alahady 02 Martsa 2014 - Isa 1 : 18 - 20

18«Avia fa hifandahatra isika, hoy ny TOMPO.
Na dia mena midorehitra aza ny fahotanareo,
dia ho fotsy tahaka ny oram-panala,
na dia mangatrakatraka tahaka ny jaky aza ireny,
dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.
19Raha manaiky ianareo ka mankatò,
dia hihinana ny vokatra tsara avy amin'ny tany.
20Fa raha mandà kosa ianareo ka mikomy,
dia ny sabatra no handripaka anareo.»
Izany no nambaran'ny TOMPO.

samedi 1 mars 2014

Sabotsy 01 Martsa 2014 - Mar 9 : 1 - 8

1Dia hoy koa i Jesoa taminy:
–Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin'izay manatrika eto dia tsy ho faty, raha tsy efa mahita ny Fanjakàn'Andriamanitra* tonga amin-kery mahagaga.
 
2Enina andro taorian'izay, dia nalain'i Jesoa niaraka taminy ry i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo. Dia niova tarehy teo anatrehan'izy telo lahy i Jesoa: 3ny fitafiany niova namirapiratra sady fotsy nangatsakatsaka, ary tsy misy mpanasa lamba mahadio sy mahafotsy lamba toy izany etỳ ambonin'ny tany. 4Hitan'ireto mpianatra* koa i Elià* sy i Mosesy; ary niresaka tamin'i Jesoa izy roa lahy. 5Dia hoy i Petera tamin'i Jesoa:
–Mpampianatra ô, tsara ho antsika ny mitoetra eto; koa hanao lay telo izahay; ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy ary ny anankiray ho an'i Elià.
 
6Fa tsy hitan'i Petera izay holazaina satria samy raiki-tahotra ireto mpianatra telo lahy.  
7Tamin'izay dia nisy rahona nanarona azy rehetra, ary nisy feo avy tao amin'io rahona io nanao hoe:
–Ity no Zanako, ilay Malalako; henoy Izy!
8Ary niaraka tamin'izay ireo mpianatra telo lahy dia nanopy maso manodidina, ka tsy nahita olona intsony teo aminy afa-tsy i Jesoa irery ihany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12