mercredi 30 avril 2014

Alarobia 30 Aprily 2014 - Apo 21 : 1 - 8

1Dia nahita habakabaka vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny habakabaka voalohany sy tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. 2Ary hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy tamin'Andriamanitra, dia i Jerosalema vaovao, voaomana tahaka ny ampakarina voahaingo hihaona amin'ny vadiny. 3Ary nisy feo mahery reko avy teo amin'ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: «Indro ny fonenan'Andriamanitra tonga eny amin'ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany*, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr'izy ireo. 4Hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny mason'ireo vahoakany; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo na fitarainana na fahoriana intsony, fa efa lasa ny zavatra taloha.»

5Dia hoy Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana hoe: «Indro havaoziko ny zavatra rehetra!» Avy eo Izy no niteny tamiko hoe:
–Soraty, satria azo antoka sy marim-pototra ireo teny ireo.

6Dia hoy indray Izy tamiko:
–Tanteraka ny zavatra rehetra! Izaho no Alfa sy Ômega, fiandohana sy fiafarana. Izay mangetaheta dia hampisotroiko maimaimpoana amin'ny loharano miboiboika ranovelona. 7Izay mandresy no hahazo izany lova izany; ka dia ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. 8Fa ny kanosa, ny tsy mpino, ny mpanimbazimba, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra, dia hanana ny anjarany any amin'ny farihy mirehitra afo aman-tsolifara: izany no fahafatesana faharoa.

mardi 29 avril 2014

Talata 29 Aprily 2014 - Isa 25 : 6 - 8

6Eto amin'ity tendrombohitra Tsiôna* ity,
ny TOMPOn'izao rehetra izao
dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra,
fanasana amin'ny hena matavy ombàn-divay niotrika ela,
dia hena matavy be sy feno tsoka
ary divay niotrika ela sady voadio tsara.
7Eto Izy no hanafoana ny voalim-pisaonana
izay nanarona ny vahoaka rehetra,
hanafoana ny lambam-pahoriana
izay nandrakotra ny firenena rehetra.
8Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.
Hofafan'ny Tompo ANDRIANANAHARY
ny ranomaso amin'ny tava rehetra,
ary hoesoriny ny fahafaham-baràka
nahazo ny vahoakany manerana ny tany.
Izany no nampanantenain'ny TOMPO.

lundi 28 avril 2014

Alatsinainy 28 Aprily 2014 - Jao 5 : 24 - 29

24Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mihaino ireo teniko sy mino Ilay naniraka Ahy no velona aina mandrakizay; ka tsy hohelohina izy, satria efa niala tamin'ny fahafatesana mba ho velona aina. 25Lazaiko marina dia marina aminareo fa avy ary efa tonga sahady aza ny fotoana handrenesan'ny maty ilay feon'ny Zanak'Andriamanitra*, ka izay mandre dia ho velona. 26Ny Ray dia manana fahefana hanome ny aina: toy izany koa no nanomezany fahefana ny Zanaka hanome ny aina. 27Ary nomen'ny Ray fahefana hitsara Izy, satria Zanak'olona*. 28Aza gaga amin'izany, fa avy ny fotoana handrenesan'ireo rehetra any am-pasana ilay feon'ny Zanak'Andriamanitra; 29ary hiala avy ao izy rehetra, ka izay manao ny tsara dia hitsangana mba ho velona aina, fa izay manao ny ratsy kosa dia hitsangana mba hohelohina.

dimanche 27 avril 2014

Alahady 27 Aprily 2014 - Lio 7 : 11 - 17

11Taorian'izany i Jesoa dia nankany amin'ny tanàna atao hoe Naîna ary notronin'ireo mpianany* sy vahoaka maro. 12Rehefa tonga teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, dia tojo olona handevina fatin-jazalahy anankiray; ramatoa reniny tsy nanana afa-tsy iny sady efa mpitondratena, koa olona marobe avy ao an-tanàna no niaraka taminy.

13Vao nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe:
–Aoka izay ny ranomasonao, ramatoa!

14Dia nanatona Izy ary nanendry ny tranovorona, ka nijanona ny mpilanja. Ary hoy i Jesoa hoe:
–Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mifohaza!

15Dia indro ny maty fa niarina sy nanomboka niteny ary natolotr'i Jesoa an-dreniny. 16Raiki-tahotra ny olona rehetra sady nanome voninahitra an'Andriamanitra hoe:
–Mpaminany* lehibe no efa najoron'Andriamanitra eto anivontsika!

Ary koa hoe:
–Efa namangy ny vahoakany Andriamanitra!
17Dia niely eran'i Jodea manontolo mbamin'ny faritany manodidina rehetra ny lazan'i Jesoa.

samedi 26 avril 2014

Sabotsy 26 Aprily 2014 - Kol 2 : 9 - 15

9satria ao amin'i Kristy, araka ny maha olombelona Azy, no mitoetra tanteraka ny hafenoan'ny fomban'Andriamanitra. 10Ka efa heni-tsoa tokoa ianareo satria tafaray amin'Ilay ambonin'ny fanapahana sy fahefana isan-tokony. 11Noho ny firaisana amin'i Kristy, dia voafora ianareo nefa tsy tamin'ny famorana* nataon-tanan'olona fa tamin'ny famorana nataon'i Kristy, izany hoe famorana manaisotra ny herin'ny maha olona mpanota; 12fa tamin'ny nanaovana batisa* anareo, dia niara-nilevina tamin'i Kristy ianareo ary niara-nitsangana taminy koa, satria nino ny herin'ilay Andriamanitra nanangana Azy ho velona avy tany amin'ny maty. 13Maty ara-panahy ianareo fahiny noho ny fahadisoanareo ary noho ianareo tsy voafora tamin'ny maha olona mpanota; ankehitriny kosa, dia novelomin'Andriamanitra niaraka amin'i Kristy ianareo, rehefa navelany avokoa ny fahadisoantsika. 14Novonoiny ny sora-tanana namely antsika, dia ilay nirakitra ny didy niampanga antsika; ary mova tsy nofantsihany teo amin'ny hazofijaliana izany sora-tanana izany ka nofoanany tsy hanan-kery intsony. 15Koa ny hazofijaliana no nandravan'i Kristy ny herin'ny fanapahana sy fahefana; dia nataony babo ireo ka nanjohy ny matsom-pandreseny ary nasehony miharihary ho fizàhan'ny olona.

vendredi 25 avril 2014

Zoma 25 Aprily 2014 - Jao 8 : 48 - 59

48Dia niteny tamin'i Jesoa ny Jiosy nanao hoe:
–Tsy marina ve ny filàzanay fa Samaritanina* Ianao sady ondranondranana?

49Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izaho tsy ondranondranana fa manome haja ny Raiko; fa ianareo kosa tsy manome haja Ahy. 50Saingy Izaho tsy mitady ny voninahitro, fa ao Ilay mitady izany ho Ahy sady mitsara ara-drariny. 51Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy ho faty na oviana na oviana izy.

52Dia hoy ny Jiosy taminy:
–Fantatray ankehitriny fa ondranondranana Ianao! Efa maty i Abrahama sy ireo mpaminani*n'Andriamanitra, fa Ianao kosa milaza hoe: «Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana izy na oviana na oviana.» 53Angaha Ianao lehibe noho ny rainay, dia i Abrahama izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty, manao Anao ho iza moa Ianao?

54Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Raha manome voninahitra ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; ny Raiko, Izay lazainareo fa Andriamanitrareo, no manome voninahitra Ahy! 55Saingy tsy nahafantatra Azy ianareo; fa Izaho no mahalala Azy, ary raha milaza ho mahalala Azy Aho, dia ho mpandainga tahaka anareo. Eny, mahalala Azy Aho sady mitandrina ny teniny. 56Heni-karavoana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.

57Dia hoy ny Jiosy taminy:
–Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao, ka dia hoe nahita Anao i Abrahama?

58Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy mbola ary i Abrahama, dia «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay»!

59Tamin'izay dia naka vato hitorahana Azy ny olona; fa i Jesoa kosa niery ka lasa nivoaka ny kianjan'ny tempoly*.

jeudi 24 avril 2014

Alakamisy 24 Aprily 2014 - Lio 24 : 1 - 12

1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin'ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazany ilay vatobe fa voakodia lavitry ny vavafasana; 3nefa nony niditra izy ireo, dia tsy nahita ny vatan'i Jesoa Tompo. 4Raha mbola very hevitra ny amin'izany teo ireto vehivavy, dia indreo nisy roa lahy nanao fitafiana manelatrelatra niseho taminy. 5Natahotra mafy ireto vehivavy ka nitanondrika, fa hoy izy roa lahy taminy:
–Nahoana no atỳ amin'ny toeran'ny maty no itadiavanareo ny velona? 6Tsy eto Izy, fa efa nitsangana velona. Tsarovy ny voalazany taminareo, fony Izy mbola tany Galilea, hoe: 7«Ny Zanak'olona* tsy maintsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazofijaliana; nefa hitsangana velona amin'ny andro fahatelo.»

8Izay ireto vehivavy vao nahatsiaro ny tenin'i Jesoa, 9ka niverina avy tany amin'ny fasana ary nitantara izany rehetra izany tamin'ny 11 lahy sy ny namany rehetra: 10ireo vehivavy ireo dia i Maria avy any Magdalà sy i Jôhanina ary koa i Maria renin'i Jakôba; ireo vehivavy niaraka tamin'izy telo vavy dia samy nilaza izany koa tamin'ny apôstôly*. 11Saingy noheverin'ny apôstôly ho arirarira foana ny tenin'izy rehetra ka tsy ninoany. 12Fa nitsangana kosa i Petera, nihazakazaka nankany amin'ny fasana, niondrika nijery ka tsy nahita afa-tsy ny tapa-damba namehezana ny vatan'i Jesoa, ary lasa nody sady sanganehana tokoa tamin'ny zava-nitranga.

mercredi 23 avril 2014

Alarobia 23 Aprily 2014 - II Kor 1 : 8 - 11

8Tianay, ry havako, ny hahalalanareo ny fahoriana nanjo anay tany amin'ny faritany Azia; nitambesatra loatra taminay izany ary tafahoatra ny zakanay, ka tsy nanantena intsony izay hoe mbola ho velona izahay. 9Tsapanay tao amin'ny tenanay fa voaheloka ho faty izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa hitokianay amin'Andriamanitra Izay manangana ho velona ny efa maty. 10Izy no nanafaka anay tamin'ny fahafatesana nananontanona anay, ary dia mbola hanafaka any hatrany; eny, Izy no antenainay fa hanafaka hatrany, 11satria ianareo koa hanampy anay amin'ny fivavahana ataonareo ho anay. Dia ho maro ny olona hisaotra an'Andriamanitra ny aminay satria maro no nangataka mba hahazoanay izany fitahiana izany.

mardi 22 avril 2014

Talata 22 Aprily 2014 - Hos 13 : 14 - 15

14Izaho TOMPO ve hanavotra ireo olona ireo
tsy ho voagejan'ny fahafatesana,
ka hanafaka azy amin'ny toeran'ny maty?
Rafahafatesana ô,
aiza ny aretina fandringananao?
Ry toeran'ny maty ô,
aiza ny loza fandripahanao?
Tsy hana-maso miantra Aho.
15Fa na dia miroborobo aza i Efraîma
eo anivon'ireo mpiray firenena aminy,
dia hiakatra avy any an-taniefitra
ny rivotra avy atsinanana;
ka ny TOMPO no handefa izany.
Dia ho ritra ny loharanony
ary ho tànkina ny fantsakàny.
Hobaboina ny tahiriny,
dia ny fanaka sarobidy rehetra.

lundi 21 avril 2014

Alatsinainy 21 Aprily 2014 - Jona 2 : 1 - 11

1Nandefa trondro lehibe hitelina an'i Jônà ny TOMPO. Koa nitoetra telo andro sy telo alina tao an-kibon'ilay trondro i Jônà.2Tao izy no nanandratra izao vavaka izao tamin'ny TOMPO Andriamaniny 3ka nanao hoe:

Tao an-katerena aho, TOMPO ô,
no velon-taraina taminao,
ka namaly ahy Ianao;
tao anatin'ny toeran'ny maty
no niantsoako vonjy taminao,
ka nihaino ahy Ianao.
4Natsipinao tao amin'ny lalina aho,
dia tao an-kibon'ny ranomasina.
Nanafotra ahy ny riaka;
natosakao tamiko avokoa
ny alon-dranonao aman'onjanao.
5Dia hoy aho anakampo hoe:
«Indro aho voaroaka tsy ho eo imasonao, Tompo ô,
kanefa mbola manatrika ny tempolinao* masina ihany.»
6Efa mby hatendako ny rano;
nanafotra ahy ny ranomasina,
ary ny ahidrano nisaringotra amin'ny lohako.
7Tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra
no nahatafalatsaka ahy,
ka nihidy tamiko mandrakizay
ny vavahadin'ny sehatry ny maty.
Nefa Ianao, ry TOMPO Andriamanitro ô,
nampiakatra ahy velona avy tao an-davaka.
8Raha iny efa ho faty iny aho,
dia nahatsiaro Anao, TOMPO ô,
ary ny vavaka nataoko taminao
dia tonga tao an-tempolinao masina.
9Fa izay mivavaka amin'ny andriamani-tsiizy
dia aoka hiala amin'ireny sampy ifikirany ireny.
10Fa izaho kosa amin-kira fiderana
no hanolorako sorona* aminao,
ary hanefako ny voady* izay nataoko.
Anao, TOMPO ô, ny famonjena!
11Ary notenenin'ny TOMPO ilay trondro mba hamoaka an'i Jônà, dia naloany ho eny amin'ny tany maina izy.

dimanche 20 avril 2014

Alahady 20 Aprily 2014 - I Kor 15 : 12 - 23

12Raha i Kristy* no torînay fa nitsangana velona avy tany amin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany aminareo fa tsy hitsangana velona ny maty? 13Fa raha tsy hitsangana velona ny maty, na dia i Kristy aza dia tsy ho nitsangana velona mihitsy; 14ary raha tsy nitsangana velona i Kristy, dia tsy misy fotony izay torînay, ary tsy misy fotony izay inoanareo? 15Ary dia hita fa vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria lainga no nanambaranay fa Andriamanitra dia nanangana an'i Kristy ho velona: na dia Andriamanitra aza tsy ho nanangana an'i Kristy ho velona, raha marina fa tsy mitsangana velona ny maty. 16Eny, raha marina fa tsy mitsangana velona ny maty, na dia i Kristy aza dia tsy ho nitsangana velona. 17Ary raha tsy nitsangana velona i Kristy, dia foana ny finoanareo ary mbola tavela ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo. 18Ary dia very koa izay efa nodimandry ka nino an'i Kristy. 19Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia faran'izay mahonena isika amin'ny olon-drehetra. 20Efa nitsangana velona avy tany amin'ny maty tokoa anefa i Kristy, santatra ho an'ireo nodimandry. 21Ary satria olona iray no niavin'ny fahafatesana, dia olona iray ihany koa no iavian'ny fitsanganan'ny maty*. 22Eny, toy ny ahafatesan'ny olona rehetra noho izy tafaray amin'i Adama, no ahaveloman'ny olona rehetra noho izy tafaray amin'i Kristy, 23saingy manaraka ny filaharany avy: i Kristy no santatra, vao ireo voatokana ho an'i Kristy amin'ny fotoana hiavian'i Kristy.

samedi 19 avril 2014

Sabotsy 19 Aprily 2014 - Heb 9 : 15 - 22

15Ary noho izany, dia mpanalalana amina Fanekempihavanana Vaovao i Kristy, mba hahazoan'ireo voaantson'Andriamanitra ny lova mandrakizay efa nampanantenainy ho an'ny vahoakany. Tanteraka izany rehefa niharan'ny fahafatesana i Kristy mba hanavotra ny olona amin'ny fahotana vitany tamin'ny andron'ilay Fanekempihavanana voalohany. 16Raha misy didim-pananana, dia ilaina hoporofoina fa maty tokoa ilay nanao izany didim-pananana izany. 17Satria tsy manan-kery ny didim-pananana raha mbola velona ilay nanao azy; fa manan-kery kosa izy, rehefa maty ilay nanao azy. 18Koa, na ilay Fanekempihavanana voalohany aza, dia tsy nosantarina raha tsy tamin'ny ra nafafy. 19Fa nolazain'i Mosesy tamin'ny vahoaka manontolo aloha ny didy rehetra araka ny lalàna*; avy eo dia nalainy ny ran-janakomby sy ny ran'osilahy nampiana rano, ka nafafiny tamin'ny bokin'ny lalàna sy tamin'ny vahoaka manontolo; ravina hisôpa sy volonondry mena no namafazany izany.

vendredi 18 avril 2014

Zoma 18 Aprily 2014 - Lio 23 : 26 - 46

26Ary raha nitondra an'i Jesoa hovonoina ireo miaramila, dia sendra an'i Simôna lehilahy sireneanina nody avy tany an-tsaha; notanany ralehilahy ka notereny hankeo aorian'i Jesoa, hanampy Azy hitondra ny hazofijaliana.
27Vahoaka betsaka no nanaraka an'i Jesoa ary anisan'izany vehivavy maro izay nandona tratra sady nitomany Azy. 28Nitodika azy ireto i Jesoa ka nanao hoe:
–Ry vehivavy eto Jerosalema, aoka izay ny fitomaniana Ahy, fa ny tenanareo sy ny zanakareo itomaniana! 29Eny, ho avy ny andro hilazana hoe: «Sambatra ny vehivavy momba, tsy niteraka sady tsy nampinono!» 30Amin'izay ny tendrombohitra hilazan'ny olona hoe: «Ianjerao izahay»; ary ny havoana hilazany hoe: «Saròny izahay31Fa raha izao no hatao amin'ny hazo maitso, inona no hihatra amin'ny hazo maina?
 
32Ary nisy koa olon-dratsy roa lahy nentina hiara-kovonoina amin'i Jesoa. 33Rehefa tonga tany amin'ny toerana atao hoe Ikarandoha, dia nohomboana tamin'ny hazofijaliana i Jesoa mbamin'ireo olon-dratsy, ka ny iray teo ankavanany, ny iray teo ankaviany. 34Ary i Jesoa namerimberina hoe:
–Ray ô, avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony!
 
Dia nifampizaràn'ireo miaramila ny fitafian'i Jesoa ka nanaovany loka. 35Ny vahoaka tamin'izany nijanona teo nijery. Ny manampahefana jiosy kosa nandatsa nanao hoe:
–Namonjy olon-kafa Izy, ka aoka hamonjy ny tenany, raha Izy tokoa no ilay Mesia avy amin'Andriamanitra!
 
36Ny miaramila koa naneso an'i Jesoa ka nanatona hanome vinaingitra Azy 37sady niteny hoe:
–Raha Ianao tokoa no Mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tenanao!
 
38Ary teo ambonin'ny lohan'i Jesoa dia nasiana soratra hoe: «Ity no Mpanjakan'ny Jiosy!»
39Ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nihantona teo dia nanevateva Azy ka nanao hoe:
–Tsy Ianao tokoa ve no ilay Mesia*? Vonjeo ny tenanao ary vonjeo koa izahay.
 
40Fa niteny azy mafy kosa ilay faharoa nanao hoe:
–Tsy matahotra an'Andriamanitra mihitsy ve ianao, na dia voaheloka miaraka amin'ity olona ity aza? 41Ny antsika roa lahy dia rariny izao, satria valin'ny natao no raisina; fa ny Azy kosa, tsy mba nisy ratsy nataony na inona na inona.
42Dia izao no naverimberiny:
–Jesoa ô, mba tsarovy aho rahatrizay ho avy indray Ianao amin'ny maha Mpanjaka Anao.
 
43Ka hoy i Jesoa taminy:
–Lazaiko marina aminao fa anio ihany dia ho tafaraka amiko any am-paradisa ianao.
 
44-45Tamin'ny mitataovovonana teo ho eo, dia takona ny masoandro ka rakotra haizina ny faritany manontolo ary naharitra hatramin'ny telo tolakandro izany. Nitriatra nizara roa kosa ny efitra lamba tao amin'ny Toeramasina* tao an-tempoly*. 46Ary niantso tamin'ny feo mahery i Jesoa nanao hoe:
–Ray ô, apetrako eo am-pelatananao ny aiko!

Avy nilaza izany Izy, dia niala aina.

jeudi 17 avril 2014

Alakamisy 17 Aprily 2014 - Eks 12 : 21 - 28

21Niantso ny loholon*'i Israely rehetra i Mosesy ka nanao taminy hoe:
–Mandehana ianareo ka makà zanakondry na zanakosy ho an'ny fianakavianareo avy, dia vonoy ho sakafo Paska*. 22Makà rantsana hisôpa* iray fihina ka atsobohy ao amin'ny ran'ny zanakondry ao anaty koveta, dia hosory ra ny tolàm-baravarana roa sy ny tataom-baravaran'ny tranonareo; ary aoka tsy hisy olona hivoaka ny tranony intsony ambara-pahamarainan'ny andro. 23Fa handalo mba hanafay ny Ejiptianina ny TOMPO; koa raha mahita ny ra eo amin'ny tataom-baravarana sy ny tolam-baravarana roa ny TOMPO dia handalo ny varavaranareo fotsiny fa tsy hamela ny areti-mandringana hiditra ao an-tranonareo. 24Tandremo io zavatra io mba ho lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo hatrany hatrany. 25Koa rehefa tafiditra ao amin'ny tany izay efa nampanantenain'ny TOMPO homena anareo ianareo, dia tandremo io fanompoam-pivavahana io. 26Ary raha manontany anareo ny anton'izany ny zanakareo, 27dia hovalianareo hoe: «Sorona* atolotra ny TOMPO amin'ny andro Paska io. Fony mbola tany Ejipta manko ny Israelita, dia nanafay ny Ejiptianina ny TOMPO, fa nandalo fotsiny kosa teo anoloan'ny tranonay ka nanafaka ny fianakavianay.»
Dia niankohoka ny vahoaka israelita mba hivavaka amin'ny TOMPO. 28Avy eo dia lasa izy ireo ka nanatanteraka araka izay rehetra nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy sy i Aharôna.

mercredi 16 avril 2014

Alarobia 16 Aprily 2014 - Lio 22 : 47 - 53

47Raha mbola miteny eo i Jesoa, dia indro nisy andian'olona tamy; ka ilay atao hoe Jodasy, anankiray amin'ny 12 lahy no lohalalana. Ary nanatona an'i Jesoa i Jodasy mba hanoroka Azy. 48Fa hoy i Jesoa taminy:
–O! ry Jodasy, dia fanorohana ve no anoloranao ny Zanak'olona?
 
49Nahatsinjo ny zava-hitranga ireo mpianatra teo amin'i Jesoa, ka nanontany Azy hoe:
–Ahoana, Tompoko, raha mba hamely amin'ny sabatra izahay?
 
50Dia namely ny mpanompon'ny mpisorombe* tokoa ny anankiray tamin'ireto mpianatra, ka nahafaka ny sofiny havanana. 51Fa niteny i Jesoa nanao hoe:
–Aoka izay!
 
Dia nikasika ny sofin-dralehilahy Izy, ka nanasitrana azy. 52Ary izao no tenin'i Jesoa tamin'ny lohandoha-mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly* mbamin'ny loholona* tonga teo hisambotra Azy:
–Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay. 53Teo aminareo isan'andro Aho tao an-kianjan'ny tempoly* kanefa tsy nikasi-tanana Ahy ianareo; fa izao no ora voatendry ho anareo sy hanamparan'ny maizina ny fahefàny.

mardi 15 avril 2014

Talata 15 Aprily 2014 - Asa 9 : 36 - 43

36Tany Jôpa dia nisy vehivavy mpianatra* atao hoe Tabità (na «Dôrkasy» amin'ny teny grika izany hoe gazela). Be tokoa ny asa soa amam-piantrana vitany. 37Ary tamin'izany andro izany dia narary izy ka maty. Rehefa avy nampandroina ny faty, dia napetraka tao amin'ny efitrano ambony rihana. 38Tanàna akaikin'i Jôpa moa i Lida; ka nony henon'ny mpianatra tao Jôpa fa hoe any Lida i Petera, dia nandefa iraka roa lahy ry zareo mba hiangavy azy hoe: «Tongava faingana atỳ aminay.» 39Teo no ho eo ihany i Petera dia niainga niaraka tamin'ireto iraka. Vao tonga tao Lida i Petera, dia nentin'ny mpianatra ho any amin'ilay efitrano ambony rihana. Nanatona an'i Petera avokoa ireo mpitondratena tao, izay sady nitomany no nampiseho ny akanjo sy fitafiana hafa nataon'i Dôrkasy ho azy ireo fony fahavelony. 40Namoaka ny olona rehetra ho any alatrano i Petera, dia nandohalika nivavaka. Avy eo izy dia nitodika nanatrika ny faty ka niteny hoe:
–Ry Tabità, mitsangàna!
 
Nahiratr'i Tabità ny masony, ary nahita an'i Petera izy dia niarina. 41Nanolo-tanana azy kosa i Petera ka nampitsangana azy. Rehefa nantsoin'i Petera ny vahoakan'Andriamanitra* tao Jôpa mbamin'ireo mpitondratena, dia Tabità velona soa aman-tsara no natolony azy ireo. 42Tonga fantatr'i Jôpa iray vohitra izany ka olona maro no nino ny Tompo. 43Nitoetra naharitraritra tao Jôpa i Petera, tao an-tranon'ny mpandon-koditra atao hoe Simôna.

lundi 14 avril 2014

Alatsinainy 14 Aprily 2014 - Sal 116 : 1 - 9

1Tiako ny TOMPO noho Izy mihaino ny feoko
fony aho mitalaho aminy.
2Manongilan-tsofina amiko Izy ka hantsoiko,
raha mbola velona koa aho.
 
3Ny fahafatesana toa efa nitana ahy am-patorana;
ny toeran'ny maty toa efa nangeja harato ahy,
tojo fahoriana sy tebiteby aho,
4ka niantso ny TOMPO nanao hoe:
«Miangavy aho, TOMPO ô,
mba vonjeo re aho!»
5Miantra sy marina ny TOMPO,
mamindrafo ny Andriamanitray.
6Miaro ny olon-tsotra ny TOMPO;
reraka aho ka novonjeny.
 
7«Milamîna indray, ry fanahiko,
fa ny TOMPO efa nanisy soa anao».
8Ianao tokoa, TOMPO ô,
no nanafaka ahy tsy ho faty;
ka ny masoko tsy hitomany,
ny tongotro tsy ho solafaka.
9Dia hiaina eo anatrehanao aho
eto amin'ity tany ivelomanay ity.

dimanche 13 avril 2014

Alahady 13 Aprily 2014 - Lio 19 : 29 - 44

29Rehefa nanakaiky an'i Betifage sy i Betania izay eo amin'ny tendrombohitra atao hoe Analanôliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany* 30ka nanao hoe:
–Mankanesa amin'itsy tanàna manoloana itsy. Rehefa tafiditra ny tanàna ianareo, dia hahita zana-boriky mifatotra mbola tsy nitaingenan'olona; vahao izy ka ento atỳ. 31Ary raha misy olona manontany anareo hoe: «Nahoana io no vahanareo?», dia valio hoe: «Misy ilàn'ny Tompo azy
 
32Nony lasa ireo nirahina, dia nahita araka izay voalazan'i Jesoa taminy. 33Raha namaha ny zana-boriky iny izy, dia hoy ny tompom-boriky hoe:
–Nahoana io no vahanareo?
 
34Dia novalian'izy roa lahy hoe:
–Misy ilàn'ny Tompo azy!
 
35Nentin'ireto iraka nankeo amin'i Jesoa ilay zana-boriky; ary ny lamban'izy roa lahy no napetrany teo amboniny, vao nasainy nitaingina i Jesoa. 36Nony nandroso i Jesoa, dia namelaran'ny olona lamba teny amin'ny lalan-kalehany. 37Rehefa nanakaiky an'i Jerosalema Izy ka handray ilay fidinana eo amin'ny tendrombohitra Analanôliva, dia nisy mpianatra marobe indray nientan-kafaliana sady nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery, noho ny asa mahagaga rehetra efa hitany; 38hoy ny antsoantsony hoe:
«Hombàm-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie
ny Mpanjaka izay avy!
Fiadanana anie any an-danitra,
ary voninahitra anie ho an'Andriamanitra
 
39Nisy kosa Farisianina* avy teo anivon'ny vahoaka niteny tamin'i Jesoa hoe:
–Mpampianatra ô, mba teneno ny mpianatrao hangina!
 
40Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso!
 
41Ary nanakaiky an'i Jerosalema hatrany i Jesoa ka nony nahatazana ny tanàna, dia nitomany azy 42sady nanao hoe:
–Raha mba fantatrao amin'ity andro ity manko izay hanananao fiadanana! Nefa indrisy, takona ny masonao izany! 43Fa ho avy aminao ny andro hananganan'ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, ka hanaovany fahirano anao sy hanereny anao hatraiza hatraiza. 44Hofongorana tanteraka ianao sy ny mponina ao anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, noho ianao tsy nahalala ny andro notendren'Andriamanitra hamangiana anao!

samedi 12 avril 2014

Sabotsy 12 Aprily 2014 - Rom 6 : 15 - 23

15Koa ahoana àry? Hanota ve isika satria tsy eo ambany fahefan'ny lalàna* fa eo ambany fahefan'ny fahasoavana? Sanatria izany! 16Tsy fantatrareo ve fa raha manolo-tena mba ho mpanompo hanaiky tompo anankiray ianareo, dia manjary mpanompon'io tompo io: na ny fahotana izay mampirona amin'ny fahafatesana izany, na ny fanekena an'Andriamanitra izay mampirona hanao ny marina? 17Isaorana Andriamanitra fa mpanompon'ny fahotana ianareo fahiny, ary ankehitriny kosa dia manaiky am-po tokoa ny fampianarana naroso taminareo. 18Natao afaka tamin'ny fahotana ianareo, ary tonga mpanompon'ny fahamarinana. 19Miteny araka ny fiheveran'ny besinimaro aho noho ny halemenareo ara-nofo. Taloha dia nanolotra ny zavatra anisan'ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsy fanarahan-dalàna ianareo, ka tonga olona ratsy fanahy; toy izany koa ankehitriny, aoka ianareo hanolotra ny zavatra anisan'ny tenanareo saingy ho mpanompon'ny fahamarinana mba hanananareo toetra masina.
20Fa fony mpanompon'ny fahotana ianareo, dia afaka tamin'ny fifehezan'ny fahamarinana. 21Inona àry no vokatra azonareo tamin'ireny zavatra nataonareo fahiny ireny? Mahamenatra anareo izany ankehitriny satria fahafatesana no iafarany. 22Ankehitriny anefa, natao afaka tamin'ny fahotana ianareo ary tonga mpanompon'Andriamanitra; ka ny vokatra azonareo dia ny anananareo toetra masina ary fiaina-maharitra mandrakizay amin'ny farany. 23Satria fahafatesana no tambin'ny fahotana, dia ny fanomezan'Andriamanitra maimaimpoana kosa dia fiaina-maharitra mandrakizay ho an'izay ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika.

vendredi 11 avril 2014

Zoma 11 Aprily 2014 - Sal 107 : 10 - 22

10Tao ireo nipetraka tao am-ponja maizim-pito,
voagejam-pahoriana sy voagadra vy,
11satria nikomy tamin'ny tenin'Andriamanitra
sady naniratsira ny anatr'ilay Avo Indrindra.
12Dia nofolahiny tamin'ny fahoriana ny fony;
potraka izy, nefa tsy nisy mpanarina.
13Dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO izy fa ory
ka nafahany tamin'ny fahatereny,
14navoakany tamin'ny haizim-pito
sady novahany fatorana.
15Aoka izy hidera ny TOMPO noho ny fitiavany
sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona,
16satria ny vavahady varahina novakîny
ary ny hidy vy notapatapahiny!
 
17Tao ireo adala toetra nijaly tokoa
noho ny hadisoana sy ny heloka vitany,
18ka nomonamonainan'ny sakafo rehetra
ary efa teo ambavahaonan'ny fahafatesana.
19Dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO izy fa ory
ka nafahany tamin'ny fahatereny,
20nandefasany ny teniny, dia sitrana
ary notsoahany tao anaty lavaka.
21Aoka izy hidera ny TOMPO noho ny fitiavany
sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona!
22Aoka izy hanolotra sorom*-piderana
sy hihoby mitanisa ny asan'Andriamanitra!

jeudi 10 avril 2014

Alakamisy 10 Aprily 2014 - Rom 6 : 1 - 7

1Inona àry no holazaintsika? Hitoetra ao amin'ny fahotana ve isika mba hitomboan'ny fahasoavana? 2Sanatria izany! Isika izay efa maty raha ny amin'ny fahotana, hataontsika ahoana no mbola ho velona ao amin'ny fahotana ihany? 3Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa* mba ho tafaray amin'i Kristy Jesoa dia natao batisa mba hiombona amin'ny fahafatesany? 4Koa tamin'ny alalan'ny batisa dia niombona amin'ny fahafatesan'i Kristy Jesoa isika ary niara-nalevina taminy, mba ho tahaka ny nananganana an'i Jesoa ho velona avy tany amin'ny maty noho ny herin'Andriamanitra Ray be voninahitra no hizorantsika koa amin'ny fiainam-baovao.




5Koa raha fahafatesana mifanahaka amin'ny an'i Kristy no nampiraisana antsika aminy, dia fitsanganan-ko velona mifanahaka amin'ny Azy koa no hampiraisana antsika aminy. 6Fantatsika fa ny maha olona antsika taloha dia efa niara-novonoina tamin'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana, mba ho levona ny tenantsika gejain'ny fahotana ka tsy ho mpanompon'ny fahotana intsony isika; 7satria izay maty dia afaka amin'ny fangejàn'ny fahotana.

mercredi 9 avril 2014

Alarobia 09 Aprily 2014 - Eze 37 : 7 - 14

7Dia nilaza ny hafatra araka izay nandidian'ny Tompo ahy aho. Fa raha mbola nampita ilay hafatra aho, dia nisy feon-javatra nifanaretsaka: nihetsiketsika sady nifanatonkatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. 8Ary hitako naniry hozatra sy nofo sady nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. 9Dia hoy ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak'olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin'ny fofonaina, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka mitenena aminy hoe: ‹Ry fofonaina, mandidy anao ny Tompo ANDRIANANAHARY mba ho tonga avy amin'ny vazan-tany efatra ianao ka hitsoka amin'ireo faty ireo mba ho velona indray izy.› 10Dia nilaza ilay hafatra araka izay nandidian'ny Tompo ahy aho. Koa nidiran'ny fofonaina ireo faty ireo, dia velona indray. Nitsangana tamin'ny tongony izy ary nanjary tafika iray lehibe dia lehibe.
 
11Ary hoy indray ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak'olombelona, ireo taola-maina ireo dia sarin'ny vahoaka israelita rehetra. Fa hoy ny Israelita hoe: ‹Tahaka ny taola-maina izahay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay.› 12Noho izany, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ambarao aminy fa izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hosokafako ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy any ianareo, ary haveriko ao Israely tanindrazanareo. 13Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO, rehefa voasokatro ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy ao ianareo; 14ary hapetrako ao anatinareo ny Fanahiko dia ho velona ianareo ka hamponeniko indray ao an-tanindrazanareo. Eny, amin'izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no nampanantena sady nahatanteraka izany; teny hentitra avy amiko TOMPO izany›. »

mardi 8 avril 2014

Talata 08 Aprily 2014 - Mar 5 : 35 - 43

35Raha mbola niteny i Jesoa, dia nisy iraka tonga avy tany an-tranon'ity lehiben'ny sinagôga ka nanao tamin'i Jaîro hoe:
–Efa maty ny zanakao vavy, ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?
 
36Fa tsy nahoan'i Jesoa izany teny izany, ka hoy Izy tamin'ilay lehiben'ny sinagôga:
–Aza matahotra, minoa fotsiny ihany!
 
37Dia tsy nisy olona navelan'i Jesoa hiaraka aminy afa-tsy i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany rahalahin'i Jakôba. 38Nankao an-tranon'ilay lehiben'ny sinagôga izy efa-mianaka, ary hitan'i Jesoa ireto olona misomaritaka sy mitomany ary mikiakiaka. 39Koa sady niditra tao an-trano i Jesoa no niteny tamin'ireo olona tao nanao hoe:
–Nahoana ianareo no misomaritaka sy mitomany tahaka izao? Tsy maty akory ny zaza, fa matory!
 
40Dia nihomehezan'ny olona i Jesoa; nefa noroahiny any alatrano izy rehetra ka ny ray aman-drenin-jaza sy ireo mpianatra niaraka taminy no nentiny nankao amin'ny toerana nisy ny zaza. 41Dia noraisin'i Jesoa ny tanan'ilay zaza ka hoy Izy taminy:
–Talità komỳ! (Izany hoe: «Razazavavy, mandidy anao Aho, mifohaza!»)
 
42Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy, ka nandehandeha, fa efa feno 12 taona. Ary dia talanjona aoka izany ny olona teo; 43fa i Jesoa kosa namepetra mafy mba tsy hisy hahalala izao zavatra izao; ary dia nasainy nomena sakafo razazavavy.

lundi 7 avril 2014

Alatsinainy 07 Aprily 2014 - Amo 5 : 4 - 9

4Izao no lazain'ny TOMPO
amin'ny vahoakan'i Israely:
«Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo.
5Fa aza mitady Ahy any Betela,
aza miditra ao Gilgala,
ary aza mankany Beera-Seba;
satria ho lasan-ko babo tokoa i Gilgala,
ary i Betela dia ho tonga tsinontsinona
6Tadiavo ny TOMPO, dia ho velona ianareo.
Fa raha tsy mitady Azy ianareo, ry taranak'i Jôsefa,
dia hilatsaka aminareo tahaka ny afo Izy
ka handevona an'i Betela,
ary tsy hisy olona hahafaty ny afo.
7Ianareo no mamadika ny rariny
ho zava-mahafaty
ary mampitsingidina ny fahamarinana amin'ny tany.
8Fa ilay nanao ny kintana Kotokelimiadilaona
sy ny kintana Telonohorefy,
manova ny haizim-pito ho maraina
sy manamaizina ny andro ho alina,
miantso ny rano any an-dranomasina
sy manapariaka azy eny ambonin'ny tany,
dia ny TOMPO no anarany.
9Izy no mampipoaka ny fandravana hamelezana ny mahery,
ka iharan'ny fandravana tokoa ny tanàna mimanda.

dimanche 6 avril 2014

Alahady 06 Aprily 2014 - Eze 18 : 23 - 32

23Moa sitrako ve ny hahita ny olon-dratsy ho faty? Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manao teny hentitra fa ny hiovany fitondrantena mba hahavelomany no sitrako. 24Kanefa raha misy olo-marina miala amin'ny fahamarinany ka manao heloka araka ny zavatra rehetra maharikoriko izay fanaon'ny olon-dratsy, dia heverinareo ho velona ve izy? Tsia. Hohadinoina ireo asa tsara rehetra nataony, ka ho faty izy noho ny hadisoana amam-pahotana vitany. 25Hoy ianareo hoe: ‹Tsy marina ny fitòndran'ny Tompo!› Henoy tsara Aho, ry Israelita: Ny fitòndrako ve no tsy marina? Tsy ny fitondranareo ve no tsy marina? 26Raha misy olo-marina miala amin'ny fahamarinany, ka manao heloka ary maty amin'izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy. 27Raha misy kosa olon-dratsy miala amin'ny faharatsiana nataony, ka manao izay marina sy mahitsy, dia mamonjy ny ainy izy. 28Ho velona tokoa izy fa tsy ho faty satria nahatsapa ny asa ratsiny ka niala tamin'izany. 29Kanefa hoy ianareo Israelita hoe: ‹Tsy marina ny fitòndran'ny Tompo.› Tsy ny fitòndrako no tsy marina fa ny anareo! 30Noho izany, Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia hitsara anareo Israelita tsirairay avy araka ny fitondrantenany; teny hentitra avy amiko izany. Koa ovay ny toe-dratsy, ialao ny hadisoana rehetra fanaonareo, dia tsy hisy intsony zavatra hitarika anareo amin'ny heloka. 31Esory ho afaka aminareo ny asa ratsy rehetra fanaonareo; ka mihavaoza fo amam-panahy ianareo. Ahoana no te ho faty ianareo, ry Israelita? 32Fa tsy sitrako ny hahafaty ny olona. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. Ovay ny toe-dratsy, dia ho velona ianareo.›

samedi 5 avril 2014

Sabotsy 05 Aprily 2014 - Sal 118 : 1 - 18

1Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy:
–eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
2Aoka ny Israelita hilaza hoe:
–eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
3Aoka ny taranak'i Aharôna* hilaza hoe:
–eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
4Aoka ireo mpanaja ny TOMPO hilaza hoe:
–eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
 
5Tao an-katerena aho no niantso ny TOMPO,
ka novaliany aho, nomeny halalahana.
6Miandany amiko IZY ka tsy hatahotra aho;
hahavita inona amiko ny olombelona?
7Miandany amiko ny TOMPO ka manampy ahy;
ireo mpankahala ahy hitako fa resiny.
8Aleo mialoka amin'ny TOMPO
toy izay mialoka amin'ny olombelona;
9aleo mitoky amin'ny TOMPO
toy izay mitoky amin'ny mpifehy.
 
10Nanodidina ahy avokoa ireo hafa firenena,
fa ny anaran'ny TOMPO no nandringanako azy.
11Nitangorona tamiko ireo, indray nanarona ahy,
fa ny anaran'ny TOMPO no nandringanako azy.
12Nanodidina ahy toa renitantely ireo,
kanjo nalaky maty toy ny afo-mololo,
fa ny anaran'ny TOMPO no nandringanako azy.
 
13Natosik'ireo aho mba ho lavo,
fa ny TOMPO no nanampy ahy.
14Ny TOMPO no heriko sy reharehako,
satria Izy no mampandresy ahy.
 
15Feo fihobiana sy horakora-pandresena
no ao an-dain'ny olona afaka:
«Naneho hery ny tanan'ny TOMPO,
16nanandratra anay ny tanan'ny TOMPO,
naneho hery ny tanan'ny TOMPO.»
 
17Tsy ho faty aho fa ho velona
mba hitanisa ny asan'ny TOMPO.
18Nofaizin'ny TOMPO tokoa aho,
kanefa tsy nafoiny ho faty.

vendredi 4 avril 2014

Zoma 04 Aprily 2014 - Job 12 : 13 - 25

13Saingy Andriamanitra kosa
no tompon'ny fahendrena sy ny fahefana;
Azy koa ny tolo-kevitra sy ny fahalalana.

14Tsy misy mahatsangana izay ravan'Andriamanitra,
ary tsy misy mahafaka izay voagadrany.
15Raha mitana ny orana Izy,
dia tonga ny hain-tany;
fa raha mandefa ny rano kosa Izy,
dia tondraka ny tany.
16Ao aminy ny hery sy ny fahakingana;
samy Azy na ny voafitaka na ny mpamitaka.
17Ampirediredeny ireo mpanolotsaim-panjakana,
ary ataony very saina ny mpitsara.
18Foanany ny fanamparam-pahefàn'ny mpanjaka,
ka tady mahazaka no solom-pehikibony.
19Ampirediredeny koa ny mpisorona,
ary aongany izay manam-pahefana.
20Ampangininy ny mpikabary mahay
ary esoriny ny fahiratan-tsain'ny anti-panahy.
21Fatrarany henatra ireo olona ambony
ary ketrahiny ny herin'ny matanjaka.
22Ahanjahanjany ny zava-miafina tanatin'ny haizina;
ary izay tao amin'ny aloky ny fahafatesana
dia avoakany ho eo amin'ny mazava.
23Ampitomboiny ny firenena, nefa aringany avy eo;
Avelany hitatra izy, kanjo ataony sesitany indray.
24Vereziny ny sain'ireo mpifehin'ny tany,
ka ampirenireneny any an-taniefitra tsy misy lalana;
25any no itsapatsapany anaty haizina mikitroka
sy ampivembenan'Andriamanitra azy tahaka ny mamo.

jeudi 3 avril 2014

Alakamisy 03 Aprily 2014 - Job 5 : 17 - 27

17Fa sambatra ny olona izay anarin'Andriamanitra!
Koa aza hamaivanina, ry Jôba, ny famaizan'ilay Tsitoha.

18Fa Andriamanitra dia mety mampijaly, raha mitsabo fery;
ary ny tànany dia mety mandratra, raha manasitrana.
19Hamonjy anao amin'ny fahoriana matetika Izy;
ka amin'ny farany tsy hahavoa anao intsony ny loza.
20Tsy hamela anao ho faty Izy, raha avy ny mosary;
harovany tsy ho voan'ny sabatra ianao, raha avy ny ady.
21Ho voaaro amin'ny endrikendrika ianao,
ka tsy hatahotra raha tonga ny antambo.
22Hihomehezanao fotsiny ny mosary aman'antambo,
ary tsy hatahoranao izay bibidia.
23Ho vita fanekempihavanana mirindra ianao
amin'ny vato eny an-tsaha sy amin'ny bibidia,
24hiadam-pinaritra ao amin'ny fonenanao,
ary hahita ny ondrinao tsy misy very
rehefa tonga hisafo azy any an-kijàna.
25Ho hitanao hihamaro koa ny zanakao;
ary ny taranakao dia hihabetsaka
tahaka ny ahitra eny an-tsaha.
26Ho tratra antitra nefa havitrika ianao
ambara-piditrao any am-pasana,
dia ho tahaka ny amboaram-bary
izay akarina ho antontany
amin'ny fotoam-pararano.
 
27Izany no izy rehefa nodinihinay, ry Jôba,
koa ankatoavy sy ekeo hahasoa anao.

mercredi 2 avril 2014

Alarobia 02 Aprily 2014 - II Mpa 4 : 38 - 44

38Niverina nankany Gilgala i Elisà. Nanjakan'ny mosary ny tany tamin'izay ka novoriny teo anatrehany ny andia-mpaminany; sady hoy izy tamin'ny mpanompony:
–Ataingeno eo ambony fatana ny vilany lehibe ary manaova lasopy ho an'ny andia-mpaminany*.
39Dia lasa hitsongo anana tany an-tsaha ny mpaminany iray, ka nahita zava-maniry mandadina niotazany voatangom-bazaha; dia nahangona iray trotroana tamin'izany izy. Ary nony tafaverina izy, dia notetehiny madinika ireo ka narotsany am-bilany fa tsy nisy nahafantatra. 
 
 40Rehefa naroso anefa izany lasopy izany, ka samy nanandrana ny olona, dia nitaraina hoe:
–Voapoizina ny lasopy, ry olon'Andriamanitra ô!
 
Ary tsy azo nohanina tokoa izany. 41Fa niangavian'i Elisà kosa ny hitondrana lafarinina. Dia nandrotsaka izany tao am-bilany izy, vao niteny hoe:
–Andoary amin'izay ny olona ary aoka izy hihinana!
Koa nanjary fihinana indray ny tao am-bilany.
 
42Nisy lehilahy tonga avy any Bahala-Salisà izay nitondra mofo ôrza roapolo sy varim-bazaha iray kitapo santa-bokatra ho an'ity olon'Andriamanitra*.
 
 Dia nilazan'i Elisà ny mpanompony mba hizara ireo hohanin'ny olona; 43fa hoy kosa ilay mpanompony:
–Fomba ahoana no hamahanako olona zato amin'ireo?
 
Ary hoy indray i Elisà:
–Zarao amin'ny olona rehetra ireo hohaniny, satria izao no lazain'ny TOMPO: «Hihinana sahaza ny olona ary mbola hisy aza sisa tsy lany.»
44Dia notsinjarain'ilay mpanompo tamin'ny olona ny mofo ka samy nihinana avokoa ny tsirairay ary mbola nisy aza sisa tsy lany araka ny voalazan'ny TOMPO.

mardi 1 avril 2014

Talata 01 Aprily 2014 - II Mpa 2 : 15 - 22

Mba nikapoka ny rano koa i Elisà, dia nisaraka roa izany ary niampita izy. 15Raha nahita izay nataon'i Elisà avy teny lavidavitra teny ny andia-mpaminanin'i Jerikao, dia nanao hoe: «Efa mipetraka amin'i Elisà ny fanahin'i Elià.» Ary lasa nitsena an'i Elisà ireo ka niankohoka nitehi-tany teo anatrehany, 
 16ary nanao taminy hoe:
–Manana lehilahy maherifo dimampolo izahay mpanomponao; koa aoka ireo handeha hitady ity mpampianatrao, fandrao naingain'ny Fanahin'ny TOMPO izy, ka nazerany any an-tendrombohitra na any an-dohasaha any.
 
Fa notenenin'i Elisà ny andia-mpaminany mba tsy haniraka. 17Nefa mbola nikiry mafy izy, ka farany dia nanaiky ihany i Elisà. Dia naniraka ireto maherifo dimampolo lahy izy mba hitady an'i Elià nandritra ny telo andro nefa tsy nahita azy. 
 
 18Mbola tao Jerikao ihany i Elisà no tafaverina ireo ka nitenenany hoe:
–Tsy efa nilazako ve ianareo mba tsy handeha hitady azy?
 
19Ary hoy ny mponin'i Jerikao tamin'i Elisà:
–Araka izao ahitanao azy izao, tompoko, dia tsara toerana ity tanàna ity; saingy ratsy ny rano ary tsy mahavokatra ny tany.
 
20Dia hoy i Elisà hoe:
–Itondray sira amin'ny lovia vaovao aho.
 
Dia nitondrana izany izy. 21Ary niainga nankany amin'ilay loharano i Elisà, dia nanipy sira tao sady niteny hoe:
–Izao no lazain'ny TOMPO: «Efa nodioviko ity rano ity, ka tsy hahatonga fahafatesana na tsy fahavokarana intsony izy.»
 
22Koa dia nitoetra ho madio mandraka ankehitriny ny rano araka ny nambaran'i Elisà.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12