dimanche 31 août 2014

Alahady 31 Aogositra 2014 - Sal 121 : 1 - 8

1 Hira fiakarana.
Manopy maso any amin'ireo tendrombohitra aho.
Avy aiza moa ny famonjena ahy?
2–Ny famonjena ahy dia avy amin'ny TOMPO,

Mpanao ny lanitra sy ny tany!
3–Tsy havelany ho solafaka anie ny tongotrao;
tsy ho rendremana anie ny mpiambina anao!

4–Tsia, tsy rendremana na matory
ny mpiambina an'i Israely.

5Ny TOMPO no mpiambina anao amin'ny alina;
ny TOMPO eo anilanao no fialofanao;
6ka tsy hamely anao ny masoandro, raha antoandro;
tsy hamely anao ny volana, raha alina.

7Ny TOMPO hiambina anao amin'ny ratsy rehetra;
eny, hiambina ny ainao Izy,
8hiambina anao mandroso sy miverina
manomboka izao ka ho mandrakizay!

samedi 30 août 2014

Sabotsy 30 Aogositra 2014 - Isa 38 : 1 - 8

1Tamin'izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekià. Tonga nitsidika azy i Isaià mpaminany*, zanakalahin'i Amôtsa, ary nilaza taminy ny tenin'ny TOMPO hoe: «Ataovy ny fara hafatrao amin'ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.»

2Dia nitodika tany amin'ny rindrina i Hezekià ka nivavaka tamin'ny TOMPO, 3ary nanao hoe: «TOMPO ô, mba tsarovy fa nandeha tamim-pahamarinana sy tamin-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao!»

Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekià. 4Ary nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Isaià nandidy 5handeha hilaza amin'i Hezekià hoe: «Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao, ka hampiako 15 taona ny andro hiainanao. 6Ny tenanao sy i Jerosalema dia hafahako eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria; ary ity tanàna ity dia harovako noho ny amin'ny tenako sy i Davida mpanompoko.»

Ary nampaka ampempan'aviavy i Isaià mba hapetaka eo amin'ny vay ka hahasitrana ny mpanjaka. Dia hoy i Hezekià taminy: «Inona no famantarana fa afaka hiakatra ao an-tranon'ny TOMPO aho?»

7Dia novaliany hoe: «Izao no famantarana omen'ny TOMPO anao mba hahalalanao fa hotanterahiny tokoa izay nolazainy. 8Ny tohatr'i Ahaza, izay azon'ny masoandro anikeheo, dia efa nidinan'ny aloka; indro fa hampihemorin'ny TOMPO ambaratonga folo izany aloka izany.»

Dia azon'ny masoandro indray ny ambaratonga folo izay efa nidinan'ny aloka teo.

vendredi 29 août 2014

Zoma 29 Aogositra 2014 - Heb 11 : 5 - 6

5Finoana no nahatafafindra an'i Henôka ho eo akaikin'Andriamanitra, ka tsy mba niharan'ny fahafatesana izy; ary tsy nisy olona nahita an'i Henôka intsony, noho izy nafindran'Andriamanitra ho eo akaikiny. Ny Soratra Masina no mijoro ho vavolombelona fa efa sitrak'Andriamanitra i Henôka talohan'ny namindrany azy. 6Raha tsy misy finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin'Andriamanitra; koa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Andriamanitra sady mamaly soa izay mitady Azy.

jeudi 28 août 2014

Alakamisy 28 Aogositra 2014 - II Mpa 6 : 18 - 23

18Fa raha nidinan'ny miaramila sirianina i Elisà, dia nivavaka indray ka nanao hoe:
–Tompo ô, mba tampeno ny mason'ireo miaramila rehetra ireo.

Dia nohajambain'ny TOMPO araka ny tenin'i Elisà ny masony; 19ary hoy i Elisà tamin'ny miaramila:
–Tsy ity no lalana; ary tsy ity koa ny tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hoentiko any amin'ny olona tadiavinareo ianareo.

Kanjo nentin'i Elisà nankany Samaria ireo. 20Ary nony tonga tao Samaria avokoa izy, dia mbola nivavaka i Elisà hoe:
–TOMPO ô, sokafy re ny mason'ireto mba hahitany ankehitriny.

Koa rehefa nosokafan'ny TOMPO ny masony, dia hitany fa indreo izy teo afovoan'i Samaria. 21Nony nahita ireo miaramila rehetra ireo ny mpanjakan'i Israely, dia niteny tamin'i Elisà hoe:
–Ry ikaky, hasiako ho faty ve ireo?

22Hoy kosa ny navalin'i Elisà:
–Tsia! Aza mamely azy. Fanaonao angaha ny mamono ho faty izay nobaboinao tamin'ny sabatra na tamin'ny tsipîka? Koa rosoy mofo sy rano ireo hohaniny sy hosotroiny; ary avelao izy hiverina any amin'ny tompony.
23Dia nanaovan'ny mpanjaka fanasam-be izy rehetra, ka rehefa avy nihinana sy nisotro, dia nasainy niverina any amin'ny tompony. Natsahatr'ireo Sirianina mpandroba kosa ny fitsofohana amin'ny tanin'i Israely.

mercredi 27 août 2014

Alarobia 27 Aogositra 2014 - Jer 17 : 14 - 18

14TOMPO ô, sitrano aho, dia ho sitrana;
vonjeo aho, dia ho voavonjy,
fa antony hiderako Anao izany.
15Indreo ny besinimaro milaza amiko hoe:
«Aiza ihany ity tenin'ny TOMPO?
Aoka ho tanteraka amin'izay izany!»
16Tsy izaho no nanery Anao
hanafaingana ny loza, Tompo ô,
na nirary hiavian'ny antambo.
Fantatrao tokoa izany,
satria niharihary teo anatrehanao
izay hafatra naloaky ny molotro.
17Aoka tsy ho fampitahorana ahy Ianao
fa Ianao no fialofako
amin'ny androm-pahoriana!
18Aoka ireo mpanenjika ahy no ho menatra
fa tsy ny tenako velively;
aoka ireo no ho trotraka, fa tsy izaho.
Ataovy tonga aminy ny andro mandoza,
ary potipoteho tanteraka izy.

mardi 26 août 2014

Talata 26 Aogositra 2014 - mat 10 : 40 - 42

40–Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy. 41Izay mandray mpaminanin*'Andriamanitra noho izy mpaminanin'Andriamanitra dia hahazo valisoana mpaminanin'Andriamanitra; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina dia hahazo valisoan'olo-marina; 42ary lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hanome rano mangatsiaka, na eran'ny kaopy ihany aza, hosotroin'ny anankiray amin'ireo mpianatro madinika ireo noho izy mpianatro, dia tsy ho diso valisoa.

lundi 25 août 2014

Alatsinainy 25 Aogositra 2014 - I Mpa 18 : 36 - 39

36Fa tamin'ny fotoan'ny sorona tolakandro dia nanatona i Elià mpaminany ka nanao hoe:
–Ry TOMPO Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ô, asehoy ankehitriny fa Ianao no Andriamanitra amin'i Israely; ary izaho dia mpanomponao ka baiko avy taminao no nanaovako izao zavatra rehetra izao. 37TOMPO ô, mihainoa ahy mba hahafantaran'ireto vahoaka ireto fa Ianao TOMPO no tena Andriamanitra, ary Ianao ihany no mampiverina indray ny fony ho aminao.

38Dia nalatsaky ny TOMPO ny afo, ka nandoro ny sorona dorana manontolo sy ny kitay ary ny vato sy ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin'ny hady. 39Raha nahita izany ny Israelita rehetra, dia niankohoka nitehi-tany ka nanao hoe: «Ny TOMPO no tena Andriamanitra. Ny TOMPO no tena Andriamanitra!»

dimanche 24 août 2014

Alahady 24 Aogositra 2014 - I Tes 5 : 4 - 11

4Fa ianareo, ry havana, tsy mba ao amin'ny maizina, ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. 5Satria ianareo rehetra dia an'ny mazava sy an'ny andro; tsy mba an'ny alina isika na an'ny maizina. 6Koa aza mba matory tahaka ny sasany, fa aoka hiambina sy hahonon-tena. 7Fa ny alina no atorian'ny olona ary ny alina no imamoany. 8Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy finoana sy fitiavana ho toy ny fiarovan-tratra, ary hitafy fanantenam-pamonjena ho toy ny fiarovan-doha. 9Fa tsy notendren'Andriamanitra hiharan'ny fahatezerany* isika, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika. 10Maty ho antsika i Kristy, mba hahatonga antsika hiara-miaina aminy, na mbola velona aina isika na efa maty, amin'ny andro hiaviany. 11Noho izany àry, mifampirisiha sy mifampahereza ianareo araka izay efa fanaonareo.

samedi 23 août 2014

Sabotsy 23 Aogositra 2014 - Mat 21 : 18 - 22

18Dia niverina maraina ho any an-tanàna i Jesoa ary nahatsiaro noana. 19Nahatazana aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia lasa nankeo; kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy afa-tsy raviny fotsiny. Dia hoy i Jesoa tamin'ilay aviavy:
–Tsy hamoa intsony ianao na oviana na oviana!

Ary vetivety foana dia maina ilay aviavy. 20Gaga ny mpianatra nahita izany ka vaky vava hoe:
–Ahoana re no nahamaina vetivety io aviavy io?

21Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Izao no lazaiko marina aminareo; raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia tsy izao nataoko tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hitenenanareo hoe: «Mialà eo ary mianjerà any an-dranomasina», dia ho tonga izany. 22Raha mino ianareo, na inona na inona hangatahinareo amin'ny fivavahana dia ho azonareo avokoa.

vendredi 22 août 2014

Zoma 22 Aogositra 2014 - Lio 7 : 1 - 10

1Rehefa avy nampandre ny vahoaka izany teniny rehetra izany i Jesoa, dia niverina tany Kafarnahòma. 2Nisy kosa kapitenin-tafika nanana mpiasa narary efa ho faty, mpiasa sarobidy aminy tokoa. 3Vao nahaheno ny amin'i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholona* jiosy hankany aminy hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay mpiasa.

4Rehefa tonga teo amin'i Jesoa ireto iraka, dia niangavy Azy mafy hoe:
–Mendrika hanaovana izany io kapiteny io fa tia ny firenentsika, 5ary izy mihitsy aza no nanorina ny sinagôgantsika.

6Dia niara-nandeha tamin'ireo loholona i Jesoa. Ary rehefa mby akaikin'ny trano Izy, dia nanirahan'ilay kapiteny olona mahatoky indray hilaza aminy hoe:
–Aza misahirana toy izao re, Tompoko, fa tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; 7ary izany no anton'ny tsy nisehoako vatana taminao; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana anie ny mpiasako. 8Izaho manko, na ambany fahefàn'olona aza, mba mifehy miaramila ihany: ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.

9Gaga tamin'ilay kapiteny i Jesoa raha nandre izany, ary dia nitodika tamin'ny vahoaka nanaraka Azy ka nanao hoe:
–Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana toy izany Aho, na dia tamin'i Israely* aza!
10Nony tafaverina tany an-tranon'ilay kapiteny ireto iraka, dia nahita ilay mpiasa salama soa aman-tsara.

jeudi 21 août 2014

Alakamisy 21 Aogositra 2014 - I Sam 2 : 18 - 21

18Fa i Samoela kely kosa nisalotra efôda rongony ka nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana teo anatrehan'ny TOMPO.

19Isan-taona ny renin'i Samoela dia nanjaitra akanjo kely izay fentiny ho an-janany rehefa niaraka tamin'ny vadiny nankany Silao hanatitra ny sorona* fanao isan-taona izy.

20Nitsodrano* an'i Elkanà mivady i Helỳ, ka hoy izy tamin'ny lahy:
–Ny TOMPO anie hanome taranaka anao avy amin'ity vehivavy ity, ho solon'ilay efa nomeny AZY!
Dia lasa niverina nody izy mivady. 21Ary notahin'ny TOMPO i Hanà, dia nanan-janaka ary niteraka lahy telo sy vavy roa.Fa i Samoela kosa tamin'izay dia nitombo teo anatrehan'ny TOMPO.

mercredi 20 août 2014

Alarobia 20 Aogositra 2014 - Sal 119 : 105 - 113

105Fanilon'ny diako ny teninao
sy fanazavana ny làlan-kizorako.
106Hamafisiko ny velirano izay nataoko,
dia ny hitandrina ny fitsipikao ara-drariny.
107Mijaly tsy eran'ny aina aho, TOMPO ô:
mba velomy indray araka ny fampanantenànao.
108Mba raiso ny tonom-bavaka atolotro Anao:
TOMPO ô, ampianaro ahy ny fitsipikao.
109Hatenda lalandava izao ny aiko,
nefa tsy hadinoko ny lalànanao.
110Ny olon-dratsy mitady hamandrika ahy,
fa izaho tsy mihataka amin'ny fepetranao.
111Ny baikonao no fananako mandrakizay:
ireo no fifalifalian'ny foko.
112Aronako hanao ny lalànanao ny foko,
hatramin'ny antsipiriany ary mandrakizay.

113Hàlako ny olona miroa saina,
fa ny lalànanao kosa no tiako.

mardi 19 août 2014

Talata 19 Aogositra 2014 - Lio 17 : 11 - 19

11Raha nizotra ho any Jerosalema i Jesoa, dia namaky faritany miolotra amin'i Samaria sy i Galilea. 12Raha niditra tao amin'ny tanàna anankiray Izy, dia nisy marary hoditra* folo lahy nitsena Azy. Nijanona lavidavitra ihany izy folo lahy 13sady niantsoantso hoe:
–Ry Jesoa Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay!

14Nahita azy ireo i Jesoa ka nanao taminy hoe:
–Ndeha miseho amin'ny mpisorona ianareo!

Raha mbola teny an-dalana izy folo lahy, dia sitrana. 15Ny anankiray, raha vao nahita fa sitrana, dia niverina ka niantsoantso nanome voninahitra an'Andriamanitra, 16niankohoka teo an-tongotr'i Jesoa sady nisaotsaotra Azy; ary Samaritanina* ralehilahy.

17Dia niteny i Jesoa nanao hoe:
–Tsy folo lahy ve no sitrana? Ka aiza ny sivy? 18Tsy nisy nahalala niverina nanome voninahitra an'Andriamanitra ve afa-tsy ity olona hafa firenena ity?

19Ary dia hoy i Jesoa taminy:
–Mitsangàna ka modia, ny finoanao no nahasitrana anao!

lundi 18 août 2014

Alatsinainy 18 Aogositra 2014 - Asa 16 : 25 - 34

25Tamin'ny mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra i Paoly sy i Silasy; ary nihaino azy roa lahy ny gadra hafa. 26Dia injay nisy horohorontany mafy tonga tampoka nanozongozona ny fonja hatrany amin'ny fanorenany. Nivoha nidanadana ho azy ny varavarana rehetra, ary samy nivaha ho azy ny fatoran'ireo gadra rehetra. 27Tamin'izay dia taitra ilay mpiambina; ary nony hitany fa nivoha avokoa ny varavaran'ny fonja, dia nanatsoaka ny sabany saika hamono tena izy satria nampoiziny ho efa nitsoaka nandositra avokoa ny gadra.

28Fa niantso mafy i Paoly nanao hoe:
–Aza mamono tena, fa indreto avokoa izahay!

29Dia nangataka jiro ilay mpiambina ka niditra faingana nankao amin'ny fonja anatiny indrindra; ary tora-kovitra izy no niantoraka teo anoloan'i Paoly sy i Silasy.

30Dia navoakan'ilay mpiambina izy roa lahy sady nanontaniany hoe:
–Inona, tompoko, no tokony hataoko mba hovonjena aho?

31Dia novaliany hoe:
–Minoa an'i Jesoa Tompo, dia hovonjena ianao mbamin'ny ankohonanao!

32Dia nitorian'i Paoly sy i Silasy ny tenin'ny Tompo ilay mpiambina mbamin'izay rehetra tao an-tranony. 33Tamin'izany ora izany, iny alina iny ihany, dia nandray azy roa lahy ilay mpiambina ka nanasa ny feriny; ary natao batisa* niaraka tamin'izay izy sy ny ankohonany rehetra. 34Nentin'ilay mpiambina niakatra tao an-tranony i Paoly sy i Silasy ka norosoany sakafo. Ary niravoravo niaraka tamin'ny olona rehetra tao an-tranony ralehilahy, noho izy efa tonga mpino an'Andriamanitra.

dimanche 17 août 2014

Alahady 17 Aogositra 2014 - Mar 9 : 33 - 41

33Dia niditra tao Kafarnahòma i Jesoa sy ny mpianany*. Ary rehefa mby tao an-trano i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe:
–Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana teo iny?

34Tsy niteny tsy nivolana ireo, satria ny niadiany hevitra teny an-dalana dia ny hoe iza no lehibe indrindra amin'izy samy izy.
 35Dia nipetraka i Jesoa ary niantso ny 12 lahy ka nanao taminy hoe:
–Raha misy te ho voalohany, aoka izy ho farany amin'ny olona rehetra ary ho mpanompon'ny olona rehetra.

36Dia nandray zazakely i Jesoa, napetrany teo ampovoan'izy rehetra ary dia notrotroiny ka hoy Izy:
37–Na iza na iza mandray ny anankiray amin'itony zaza itony amin'ny anarako, dia Izaho no raisiny; ary na iza na iza mandray Ahy, dia tsy Izaho ihany no raisiny fa Ilay naniraka Ahy koa.
Izay tsy manohitra antsika dia momba antsika

38Fa hoy i Jôhany tamin'i Jesoa:
–Mpampianatra ô, nahita olona nandroaka demony* tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay satria tsy namantsika.

39Dia hoy i Jesoa taminy:
–Aza raràna; fa tsy misy olona hanao asa mahagaga amin'ny anarako, ka hahateny ratsy Ahy eo no ho eo. 40Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. 41Ary na iza na iza manome rano eran'ny kaopy hosotroinareo noho ny maha an'i Kristy anareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho diso valisoa.

samedi 16 août 2014

Sabotsy 16 Aogositra 2014 - Kol 2 : 1 - 8

1Eny, tiako ho fantatrareo fa miezaka mafy tokoa aho hanasoavana anareo sy izay any Laôdisia mbamin'izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako velively. 2Miezaka mafy aho mba ho tafaray tsara amin'ny fitiavana izy ireo ka hampaherezina ny fony ary mba hanan-toky be dia be vokatry ny fahazavan-tsaina omen'Andriamanitra; hany ka ho fantatr'izy ireo tsara ilay tsiambaratelon'Andriamanitra, dia i Kristy: 3fa miafina ao amin'i Kristy ny rakitra rehetra momba ny fahendrena sy ny fahalalana avy amin'Andriamanitra. 4Lazaiko aminareo izany mba tsy hahavoafitaka anareo amin'ny fandrebirebena tsara lahatra. 5Fa na dia lavitra anareo aza aho ara-batana, dia eo aminareo ihany am-panahy; ka faly aho mahita fa milamina tsara ianareo ary ijoroanareo mafy ny finoanareo an'i Kristy.

6Noho ianareo efa nandray an'i Kristy Jesoa ho Tompo, dia manaova fitondrantena toy ny olona tafaray aminy. 7Aoka hahazo vahatra sy hiorina ao amin'i Kristy ianareo; aoka hihamafy hatrany ny finoanareo araka izay efa nampianarina anareo, ary aoka ho feno fisaorana an'Andriamanitra ianareo. 8Mitandrema fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny fahendren'olombelona sy ny famitahana foana: ny fampianarana ampitain'olombelona sy ny herin-javatr'izao tontolo izao* no iorenan'izany fa tsy i Kristy;

vendredi 15 août 2014

Zoma 15 Aogositra 2014 - Gen 6 : 17 - 22

17Indro Aho hahatonga safo-drano lehibe mba hamongorana izay rehetra manana aina atỳ ambany lanitra, ka ho levona avokoa izay rehetra eny ambonin'ny tany. 18Fa hajoroko kosa ny fanekempihavanako aminao, ka hiditra ao amin'ny sambofiara ianao sy ny vadinao mbamin'ireo zanakao lahy sy ny vinantovavinao. 19Itondray tsiroaroa avy ny zava-mananaina rehetra isan-karazany, dia lahy sy vavy; ka ampidiro ao an-tsambofiara mba hovelomina miaraka aminao. 20Ny vorona isan-karazany ary ny biby hafa rehetra isan-karazany eto an-tany, na lehibe na kely, no hankeo aminao tsiroaroa mba hovelomina. 21Ianao kosa, maka amin'ny karazan-tsakafo rehetra mety ho fihinana, ka angony eo aminao mba ho sakafonao sy ho sakafon'izy ireo koa.» 22Dia notanterahin'i Noà izany; ka araka izay rehetra efa nandidian'Andriamanitra azy no nataony.

jeudi 14 août 2014

Alakamisy 14 Aogositra 2014 - Efe 6 : 10 - 20

10Farany, noho ianareo tafaray amin'ny Tompo dia matanjaha ombàn'ny heriny tsy hay tohaina. 11Itafio avokoa ny fiadiana omen'Andriamanitra, mba hahazoanareo hamahatra tsara eo anatrehan'ireo tetika afitsoky ny devoly*. 12Tsy olombelona nofo aman-dra tsy akory no ifanandrinantsika, fa ireo fanahy ratsy eny ana habakabaka: dia ireo fanapahana, ireo fahefana, ireo hery mifehy ny sehatry ny haizina. 13Noho izany, raiso avokoa ny fiadiana omen'Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra ny fahavalo amin'ny andro ratsy; ka rehefa nandresy ny famelezana rehetra nafitsony ianareo, dia mbola hamahatra tsara ihany. 14Koa mamahara tsara hatrany ianareo: ny marina no ataovy toy ny etra fehikibonareo; ny rariny no tafio ho toy ny fiarovan-tratra; 15ny fahavononan-kitory ny Vaovao Mahafaly* mampihavana no ataovy toy ny kiraro eny an-tongotrareo; 16tano lalandava ny finoana ho toy ny ampinga hahazoanareo mamono ny zanatsipîka mirehitra rehetra alefan'ilay Ratsy*; 17raiso ny famonjena ho toy ny fiarovan-doha, ary raiso ny tenin'Andriamanitra ho toy ny sabatra omen'ny Fanahy Masina. 18Mivavaha hatrany ary mangataha ny fanampian'Andriamanitra amin'izany; eny, mivavaha mandrakariva araka izay anentanan'ny Fanahy Masina anareo. Miambena sy mazotoa hatrany mba hahatongavana amin'io tanjona io, ary dia mivavaha ho an'ny vahoakan'Andriamanitra* rehetra. 19Mivavaha ho ahy koa mba homen'Andriamanitra ny teny hotononiko rehefa hiloa-bava aho, ka dia ho sahy hampahafantatra ny tsiambaratelo raketin'ny Vaovao Mahafaly. 20Iraka mitondra izany Vaovao Mahafaly izany aho, na dia migadra aza ankehitriny; koa mivavaha ho ahy mba hilazako izany amim-pahasahiana, araka ny tokony hoteneniko.

mercredi 13 août 2014

Alarobia 13 Aogositra 2014 - II Mpa 4 : 1 - 7

1Indray andro dia nisy vehivavy vadina lehilahy anisan'ny andia-mpaminany*, tonga nitaraina tamin'i Elisà nanao hoe:
–Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao fa nanaja ny TOMPO izy. Tonga ao anefa ny tompon-trosa haka ny zanako roa lahy mba handevoziny.

2Dia hoy i Elisà taminy:
–Inona àry no hataoko ho anao? Lazao ahy izay anananao ao an-trano.

Fa hoy ny navalin'ilay vehivavy:
–Tsy manana na inona na inona aho afa-tsy ilomanitra indray mihosotra ihany.

3Ary hoy indray i Elisà:
–Mandehana mindrana tavoara foana amin'izay mpiara-monina aminao rehetra, kanefa aza atao vitsy. 4Rahefa izany, dia mihidia aman-trano miaraka amin'ireo zanakao; koa aidino amin'ireo tavoara rehetra ireo ny ilomanitra, ary atokano izay feno.

5Dia lasa ravehivavy nihidy aman-trano niaraka tamin'ny zanany; ary ireto zanany nanolotra ny tavoara, fa izy kosa nameno izany.
6Rehefa elaela, dia hoy ravehivavy tamin'ny zanany anankiray:
–Mbola itondray tavoara hafa koa aho.

Kanjo feno avokoa ireo tavoara teo, ka hoy izy hoe:
–Tsy misy intsony!

Dia tankina teo koa ny ilomanitra.
7Ary lasa ravehivavy nitantara ny zava-nitranga tamin'ilay olon'Andriamanitra, izay nilaza taminy hoe:
–Andeha amidio izany ilomanitra izany hanefanao ny trosan'olona; fa izay vola sisa kosa dia hivelomanao sy ireo zanakao.

mardi 12 août 2014

Talata 12 Aogositra 2014 - Jao 12 : 20 - 23

20Nisy Grika vitsivitsy anisan'izay niakatra tao Jerosalema hivavaka mandritra ny fankalazana. 21Nohatonin'ireo i Filipo, izay avy any Betsaidà tanànan'i Galilea, ka nanaovany fangatahana hoe:
–Mba te hahita an'i Jesoa izahay, tompoko!

22Dia lasa i Filipo nilaza tamin'i Andrea; ary i Andrea sy i Filipo no lasa nilaza tamin'i Jesoa.
23Dia hoy i Jesoa tamin'izy roa lahy:
–Tonga ny fotoanandro hanomezam-boninahitra ny Zanak'olona*.

lundi 11 août 2014

Alatsinainy 11 Aogositra 2014 - Job 42 : 7 - 10

7Rehefa voalazan'ny Tompo tamin'i Jôba ireo teny ireo, dia i Elifaza avy any Temàna no nataotaony hoe:
–Tezitra aminao sy ny namanao roa lahy Aho satria tsy mba marina tahaka izay nolazain'i Jôba mpanompoko ny filàzanareo Ahy. 8Koa ankehitriny makà ombilahy fito sy ondrilahy fito ianareo, dia mankanesa any amin'ny Jôba mpanompoko. Hatolotrareo ho sorona* dorana manontolo noho ny fahotanareo ireo biby ireo; ary hifona ho anareo i Jôba mpanompoko. Fa ho sitrako ny vavak'i Jôba, ka tsy hamaly anareo araka ny hadalànareo Aho na dia tsy marina tahaka izay nolazain'i Jôba mpanompoko aza ny filàzanareo Ahy.

9Dia nandeha i Elifaza avy any Temàna sy i Bildada avy any Soha ary i Tsôfara avy any Nahama ka nanao izay nasain'ny TOMPO hataony; ary sitraky ny TOMPO ny vavak'i Jôba. 10Rehefa avy nivavaka ho an'ireo namany i Jôba, dia naverin'ny TOMPO hanan-karena indray ary nomeny indroan'izay rehetra nananany fahiny aza.

dimanche 10 août 2014

Alahady 10 Aogositra 2014 - Isa 61 : 10 - 11

10Hifaly dia hifaly amin'ny TOMPO aho;
eny, hiravoravo amin'ny Andriamanitro
satria ny famonjena no toa akanjo nampiakanjoany ahy
ary ny fahamarinana no toa lamba nampitafiany ahy;
ka faly toy ny mpampakatra misatroka fehiloha aho
na toy ny ampakarina miraratra ny firavany.
11Fa tahaka ny tany mampitrebona ny tsimoka eo aminy
na tahaka ny zaridaina mampitsimoka ny voa nafafy
no hampitsimohan'ny Tompo ANDRIANANAHARY
ny fahamarinana sy ny fiderana
eo anatrehan'ny firenena rehetra.

samedi 9 août 2014

Sabotsy 09 Aogositra 2014 - Jao 9 : 35 - 41

35Ren'i Jesoa fa voaroaka hiala amin'ny sinagôga* ilay jamba taloha, ka nony hitany dia nilazany hoe:
–Mino ny Zanak'olona* ve ianao?

36Fa novaliany hoe:
–Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?

37Dia hoy i Jesoa taminy:
–Efa nahita Azy ianao, ary Ilay miresaka aminao izao no Izy!

38Ka hoy ralehilahy hoe:
–Mino aho, Tompoko!

Sady niankohoka teo anatrehany izy. 39Dia hoy i Jesoa:
–Ho fitsarana no nahatongavako eto amin'izao tontolo izao*, mba hahiratra izay tsy mahiratra ary ho tonga jamba izay mahiratra!

40Nandre izany ny Farisianina* sasany teo ka nanao taminy hoe:
–Izahay koa ve jamba?

41Dia hoy i Jesoa taminy:
–Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; fa noho ianareo ankehitriny manao hoe: «Mahiratra izahay», dia tsy afaka ny helokareo.

vendredi 8 août 2014

Zoma 08 Aogositra 2014 - I Kor 11 : 23 - 26

23Fa izao no hafatra noraisiko tamin'ny Tompo ary nampitaiko taminareo: I Jesoa Tompo tamin'ilay alina nanolorana Azy, dia nandray mofo; 24ary nisaorany an'Andriamanitra izany, dia notapatapahiny ka nataony hoe: «Ny tenako ity, izay ho anareo. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.» 25Taorian'ny sakafo, dia noraisiny toy izany koa ny kaopy* masina sady nataony hoe: «Ity kaopy ity dia ilay fanekempihavanana* vaovao, aorin'Andriamanitra amin'ny rako. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro amin'ny kaopy masina ianareo.» 26Koa mandra-piavin'ny Tompo, dia manambara ny fahafatesany ianareo, isaky ny mihinana izany mofo izany sy misotro izany fisotro izany.

jeudi 7 août 2014

Alakamisy 07 Aogositra 2014 - Mpi 6 : 13 - 16

13Fa novalian'i Gidehôna hoe:
–Azafady, tompoko! Raha momba anay ny TOMPO, nahoana no iharan'izao loza rehetra izao izahay? Aiza avokoa ireo zava-mahagaga notantarain'ny razanay fa nataon'ny TOMPO fony Izy namoaka azy ireny avy tany Ejipta? Fa ankehitriny efa nanary anay ny TOMPO, ka nanolotra anay eo an-tanan'ny Midianita.

14Dia nitodika nijery azy ny TOMPO ka niteny taminy hoe:
–Mandehàna amin'izao herinao izao, ka afaho teo am-pelatanan'ny Midianita ny Israelita, fa Izaho no naniraka anao.

15Dia novalian'i Gidehôna hoe:
–Indrisy, Tompo ô, ahoana no ahazoako mamonjy an'i Israely? Kanefa ny fianakaviako no osa indrindra amin'ny fokon'i Manase ary izaho no tanora indrindra ao an-tranon'ny raiko.

16Fa hoy kosa ny TOMPO taminy:
–Homba anao Aho, ka toy ny famelezana olona iray monja no hamelezanao ny Midianita.

mercredi 6 août 2014

Alarobia 06 Aogositra 2014 - Nom 21 : 4 - 9

4Niala tao an-tendrombohitra Hôra ny Israelita, ka nihazo tamin'ny lalan'ny Ranomasin'ny Volotara* hanodidina ny tanin'i Edôma. Teny an-dalana anefa dia very toky ny vahoaka.

5Koa nanomboka nanakiana an'Andriamanitra sy i Mosesy ny olona nanao hoe:
–Nahoana no nentinareo niala tany Ejipta mba ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Atỳ anefa tsy misy na mofo na rano, ary efa leon'itony mofomofo ratsy na hoe mana* itony izahay.

6Koa nandefasan'ny TOMPO bibilava misy poizina ny vahoaka; ary nokekerin'ireo bibilava ireo ny Israelita ka marobe no maty noho izany.

7Dia nankeo amin'i Mosesy ny vahoaka sisa ka nanao hoe:
–Efa nanota izahay fa nanome tsiny ny TOMPO sy ny tenanao. Koa ifony re ny TOMPO mba hanala ireo bibilava ireo aminay.

Dia nifona ho an'ny vahoaka i Mosesy. 8Ary hoy ny TOMPO taminy:
–Manaova bibilava varahina dia ahantony amin'ny hazo lava fa izay rehetra voakaikitra, ka mijery izany, dia ho velona sady afa-doza.

9Dia nanao bibilava varahina i Mosesy ka nahantony tamin'ny hazo lava. Ary nisy olona voakaikitry ny bibilava misy poizina ka mijery ilay bibilava varahina, dia velona.

mardi 5 août 2014

Talata 05 Aogositra 2014 - Mar 10 : 46 - 52

46Dia tonga tao Jerikao ry i Jesoa sy ny mpiara-dia taminy. Ary fony niala ny tanàna i Jesoa sy ny mpianany* mbamin'ny vahoaka be, dia efa nipetraka teo amoron-dalana i Bartimeo jamba mpangataka.

47Reny fa i Jesoa avy any Nazareta izay, ka nanomboka niantsoantso mafy izy hoe:
–Ry Jesoa Zanak'i Davida* ô, mamindrà fo amiko!

48Norahonan'ny olona maro izy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe:
–Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!

49Ary nijanona i Jesoa ka nilaza hoe:
–Antsoy izy!

Dia nantsoin'ny olona ilay jamba nataony hoe:
–Mahereza, antsoiny ianao ka mitsangàna!

50Natsipin'i Bartimeo ny lambany, ka niantsambotra nanatona an'i Jesoa izy. 51Dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe:
–Inona no tianao hataoko aminao?

Dia hoy ilay jamba taminy:
–Mpampianatra ô, ny hampahiratra ahy!

52Ka hoy i Jesoa:
–Mandehana, ny finoanao no nahasitrana anao!
Dia nahiratra niaraka tamin'izay ilay jamba, ka lasa nanaraka an'i Jesoa teny an-dalana.

lundi 4 août 2014

Alatsinainy 04 Aogositra 2014 - Lio 2 : 25 - 35

25Tao Jerosalema tamin'izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehôna; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an'Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nombàn'ny Fanahy Masina izy 26ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia* avy amin'ny Tompo. 27Nentin'ny Fanahy Masina hankao an-kianjan'ny tempoly* i Simehôna, raha niditra indrindra ny ray aman-drenin'i Jesoa zazakely mba hanatanteraka izay andidian'ny lalàna ny amin'ny zaza;

28dia nitrotro Azy i Simehôna sady velom-pisaorana an'Andriamanitra nanao hoe:
29–Tompo ô, alefaso amim-piadanana amin'izay
ity mpanomponao, araka ny teninao!
30Efa hitako maso manko ny famonjena avy aminao
31izay nomaninao ho an'ny firenena rehetra:
32dia fahazavana hampahalala Anao amin'ny hafa firenena
ary hanome voninahitra an'i Israely* vahoakanao.

33Gaga ny ray aman-drenin'i Jesoa noho izao tenin'i Simehôna momba ny zanany izao. 34Ary nitsodrano azy telo mianaka i Simehôna; avy eo izy dia niteny tamin'i Maria renin'i Jesoa hoe:
–Indro ity zaza ity fa voatendry mba hahatonga ny maro amin'i Israely* homelohin'Andriamanitra ary koa hahatonga ny maro amin'i Israely hankatoavin'Andriamanitra. Ho famantarana hifanoheran'ny olona ity zaza ity, 35mba hampiharihary ny fisainan'ny besinimaro. Ary ianao kosa, ramatoa, hotsatohan-tsabatra ny fanahinao!

dimanche 3 août 2014

Alahady 03 Aogositra 2014 - Sal 116 : 12 - 19

12Inona no havaliko ny TOMPO
noho ny soa rehetra nataony tamiko?
13Hitondra fanatitra divay aho
ka hanao antso avo ny lazan'ny TOMPO.
14Hanefa ny voadiko amin'ny TOMPO aho
eo anatrehan'ny vahoakany tafangona.

15Tsy sitraky ny TOMPO velively
ny hahafatesan'ny mpivavaka aminy.
16TOMPO ô, mpanomponao aho;
eny, mpanomponao tokoa aho
sady zanaky ny mpanompovavinao,
ka novahanao ny fatorako.

17Hanolotra sorom*-piderana aho
ary hanao antso avo ny lazan'ny TOMPO.
18Hanefa ny voadiko amin'ny TOMPO aho
eo anatrehan'ny vahoakany tafangona,
19dia eo an-kianjan'ny tranon'ny TOMPO*,
eo afovoanao, ry Jerosalema.
Haleloià*!

samedi 2 août 2014

Sabotsy 02 Aogositra 2014 - Rom 10 : 1 - 13

1Ry havana, ny irîn'ny foko sy angatahiko amin'Andriamanitra ho an'ny Jiosy dia ny hahazoany famonjena. 2Vavolombelona ny aminy aho fa feno zotom-po ho an'Andriamanitra izy rehetra saingy zotom-po tsy ombàm-pahalalana. 3Tsy nahalala ny fahamarinana omen'Andriamanitra ry zareo, ka nitady fahamarinana avy amin'ny tenany fa tsy nanaiky ny fahamarinana omen'Andriamanitra. 4Eny, lany andro ny lalàna* nony tamy i Kristy* hahatonga ny mpino rehetra ho olo-marina eo anatrehan'Andriamanitra.

5Izao no voasoratr'i Mosesy momba ny fahamarinana avy amin'ny lalàna: «Ny olona manatanteraka ny didy amam-pitsipika dia ho velona amin'izany.» 6Fa izao kosa no voalaza momba ny fahamarinana avy amin'ny finoana: «Aza manao anakampo hoe: Iza no hiakatra any an-danitra?» (dia ny mba hampidina an'i Kristy* izany). 7Na hoe: «Iza no hidina any amin'ny hantsana?» (dia ny mba hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty). 8Fa inona no voalaza? Izao: «Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao.» Izany no teny momba ny finoana, izay torînay. 9Satria raha manaiky ampahibemaso amin'ny vavanao ianao fa Tompo i Jesoa, ary mino ao am-ponao fa nanangana Azy ho velona avy tany amin'ny maty Andriamanitra, dia ho voavonjy. 10Mino ao am-po manko ny olona mba hoeken'Andriamanitra ho marina, ary manaiky ampahibemaso amin'ny vava, mba hahazoany famonjena. 11Fa hoy ny Soratra Masina* hoe: «Izay (rehetra) mino Azy tsy mba hangaihay.» 12Koa mitovy na Jiosy na hafa firenena*, fa ny Tompo iray ihany ny an'ny rehetra, Tompo malala-tanana amin'izay rehetra miantso Azy. 13Satria izao no tenin'ny Soratra Masina: «Izay rehetra hiantso ny Tompo, dia ho voavonjy.»

vendredi 1 août 2014

Zoma 01 Aogositra 2014 - Mar 7 : 24 - 30

24Dia niala teo i Jesoa ary lasa nankany amin'ny faritany akaikin'ny tanàna atao hoe Tiro; ary niditra tao an-trano anankiray Izy fa tsy te ho fantatry ny olona, kanefa tsy afa-niafina. 25Dia nisy vehivavy anankiray izay, nanan-janaka vavy azon'ny fanahy maloto; vao nandre momba an'i Jesoa ravehivavy, dia lasa nankao aminy ka niankohoka teo an-tongony. 26Miteny grika ravehivavy sady Sirôfenisianina firazanana; ary niangavy an'i Jesoa izy handroaka ny demony* hiala tao amin-janany.

 27Fa hoy i Jesoa taminy:
–Avelao aloha ho voky ny zanaka nateraka, fa tsy tsara raha ny mofon-janaka no alaina ka atsipy ho an'ny amboa kely.

28Dia namaly ravehivavy ka nanao hoe:
–Nefa, Tompoko, na ny amboakely ao ambany latabatra aza, dia mba mihinana ny sombintsombiny avy amin'ny mofon'ny ankizy ihany.

29Dia hoy i Jesoa taminy:
–Izany no teninao, ka dia modia fa efa niala tamin'ny zanakao ny demony.

30Ary rehefa niala teo ravehivavy ka tonga tany an-tranony, dia nahita ny zanany matory tsara eo am-pandriana, efa nialan'ny demony.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12