dimanche 30 novembre 2014

Alahady 30 Novambra 2014 - Zak 9 : 9 - 11

9Mifalia dia mifalia, ry mponin'i Tsiôna*!
Manaova fihobiana, ry vahoakan'i Jerosalema!
Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo;
marina sady mandresy Izy,
feno halemem-panahy sady mitaingina boriky,
dia boriky tanora zana-borikivavy.
10Hofoanany tsy ho ao Efraîma intsony ny kalesy
ary tsy ho ao Jerosalema ny soavaly fitondra miady
Hopotehiny ny tsipîkan'ady
ary hilaza fiadanana amin'ny firenena Izy.
Ny fifehezany dia hatreo amin'ny ranomasina iray
ka hatrany amin'ny ranomasina iray hafa,
ary hatreo amin'ny onin'i Eofrata
ka hatrany am-paran'ny tany.

11Dia hoy ny Tompo hoe:
«Ny aminareo kosa, ry mponin'i Tsiôna,
noho ianareo nanaovako fanekempihavanana*
izay nohamafisina tamin'ny ran-tsorona*,
no efa namoahako ny mpigadranao
toy ny avy tao an-davaka tsisy rano.

samedi 29 novembre 2014

Sabotsy 29 Novambra 2014 - II Kor 13 : 5 - 14

 5Diniho ny tenanareo, ka izahao toetra raha velona amin'ny finoana tokoa ianareo na tsia. Fantatrareo tsara fa ao anatinareo i Jesoa Kristy, afa-tsy raha olona tsy voazaha toetra ianareo! 6Manantena kosa aho fa raha izahay, dia ho fantatrareo fa tsy mba olona tsy voazaha toetra. 7Mangataka am-bavaka amin'Andriamanitra izahay mba tsy hahavita ratsy mihitsy ianareo, tsy hoe mba hisehoanay ho olona voazaha toetra, fa mba hanaovanareo izay tsara, na dia hoheverina ho olona tsy voazaha toetra aza izahay. 8Fa tsy mba mahatohitra ny marina izahay fa ny mampandroso ny marina ihany. 9Eny, mahafaly anay raha malemy izahay fa ianareo kosa mahery; ka ny angatahinay am-bavaka, dia ny hahatanteraka anareo. 10Izany no anoratako ireo zavatra ireo aminareo, dieny mbola lavitra anareo aho; fandrao, rehefa mby eo aminareo aho, dia voatery hanao mafy loatra, araka ny fahefana nomen'ny Tompo ahy, dia fahefana natao hampandrosoana ny Fiangonanareo fa tsy handravana azy. 11Ary farany, ry havako, veloma finaritra ianareo! Miezaha ho tonga lafatra, mifampahereza, miraisa saina, mihavàna, dia homba anareo ilay Andriamanitra loharanon'ny fitiavana sy ny fiadanana. 12Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pihavanana. 13Manao veloma anareo avokoa ny vahoakan'Andriamanitra*. 14Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana avy amin'ny Fanahy Masina!

vendredi 28 novembre 2014

Zoma 28 Novambra 2014 - Mat 13 : 44 - 46

44–Ny Fanjakàn'ny lanitra* dia tahaka ny harena miafina ao anaty saha. Nisy olona nahita ilay harena ka nafeniny tao ihany aloha; ary noho ny hafaliany dia lasa izy nivarotra ny fananany rehetra, ka nividy izany saha izany. 45–Ary izao koa: ny Fanjakàn'ny lanitra dia tahaka ny amin'ny mpandranto mitady vatosoa. 46Rehefa nahita anankiray sarobidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra, ka nividy izany vatosoa izany.

jeudi 27 novembre 2014

Alakamisy 27 Novambra 2014 - Zak 2 : 12 - 15

12Fa ny TOMPOn'izao rehetra izao, Ilay naniraka ahy tamim-pahefana, dia miteny amin'ireo firenena izay namabo anareo hoe:

«Na zovy na zovy mikasika anareo,
dia mikasika ny anakandriamasoko.
13Eny, haninjirako tanana ireo firenena ireo
mba ho lasa babon'ireo nandevoziny.»

Amin'izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn'izao rehetra izao no naniraka ahy.

14Dia hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe:

«Mihobia sy mifalia, ry vahoakan'i Tsiôna,
fa indro avy honina ao afovoanareo Aho.
15Amin'izany andro izany,
firenena maro no hiraiki-po amiko
ka ho tonga vahoakako;
ary honina eo afovoanareo Aho.»

Amin'izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn'izao rehetra izao no naniraka ahy ho atỳ aminareo. 16Dia ho fananan'ny TOMPO indray i Joda ao amin'ny tany masina; ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray Izy. 17Aoka ny voaary rehetra hangina eo anatrehan'ny TOMPO satria avy ao amin'ny fonena-masiny Izy no hipoitra tampoka

mercredi 26 novembre 2014

Alarobia 26 Novambra 2014 - I Tes 2 : 17 - 20

17Ary izahay, ry havana, hatramin'ny nahatafasaraka anay vetivety taminareo izay lavitry ny masonay fa tsy lavitry ny fonay, dia maniry mafy mihitsy hahita anareo, ka manao izay azonay atao hahatanteraka izany. 18Indray mandeha na indroa izahay no te hiverina tatỳ aminareo, indrindra fa izaho Paoly, nefa dia voasakan'i Satàna*. 19Satria tsy iza fa ianareo ihany no fanantenanay sy hafalianay ary satroboninahi-pandresena hireharehanay eo anatrehan'i Jesoa Tompontsika, amin'ny andro hiaviany. 20Eny, voninahitray sy hafalianay tokoa ianareo!

mardi 25 novembre 2014

Talata 25 Novambra 2014 - Isa 25 : 9 - 12

9Amin'izany andro izany no hilazana hoe:

«Indro ny Andriamanitsika.
Nanantena Azy isika, hany ka novonjeny.
Eny, Izy no TOMPO nantenaintsika,
koa mifalia sy miravoa isika fa novonjeny!
10Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity
ny tanam-piarovan'ny TOMPO!»

Fa i Môaba kosa hohosihosena eo amin'ny toerany
toy ny fanosihosy mololo ao am-pahitra tondra-drano.

11Ao izy no hitsiparaka tanana
toy ny fanaon'ny mpilomano;
nefa hampietry ny avonavon'i Môaba ny TOMPO
na dia eo aza ny hamailaky ny tanany.

12Ary ny mandanao mafy sy sarotra iakarana, ry Môaba,
dia efa nazeran'ny TOMPO sy narodany
ka nilamaka an-tany hiafara am-bovoka.

lundi 24 novembre 2014

Alatsinainy 24 Novambra 2014 - Jao 3 : 25 - 30

25Tamin'izay dia nisy fifandiran'ny mpianatr'i Jôhany tamina Jiosy anankiray ny amin'ny fomba fidiovana; 26ary nankany amin'i Jôhany ireo mpianany ka nilaza taminy hoe:
–Mpampianatra ô, Ilay niaraka taminao teny andafy atsinanan'ny ony Jôrdàna sady nijoroanao ho vavolombelona iny anie ka manao batisa ary hatonin'ny olona rehetra.

27Fa izao kosa no navalin'i Jôhany:
–Tsy misy olona afaka mandray na inona na inona, raha tsy nomen'Andriamanitra azy izany. 28Ianareo mihitsy no vavolombeloko fony aho nilaza hoe: «Tsy izaho no ilay Mesia*, fa nirahina hialoha Azy aho.» 29Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan'ny mpampakatra dia mipetraka eo anilan'ny mpampakatra sy mihaino azy ary faly tokoa mandre ny feony. Izany hafaliana izany no efa tanteraka amiko ankehitriny. 30Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.

dimanche 23 novembre 2014

Alahady 23 Novambra 2014 - I Tim 6 : 17 - 19

17Anaro ireo mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona ary mba tsy hametraka ny fanantenany amin'ny harena tsy mateza, fa amin'Andriamanitra Izay manome antsika ny zavatra rehetra be dia be hifaliantsika. 18Anaro ireo mpanankarena mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, mba halala-tanana ary mba ho vonona hifampizara amin'ny hafa; 19dia hamory raki-tsoa ho an'ny tenany izy hanorenany tsara ny ho avy, ka hahazoany ny tena fiainana.

samedi 22 novembre 2014

Sabotsy 22 Novambra 2014 - Sal 96 : 11 - 13

11Aoka hifaly ny lanitra
ary hiravoravo ny tany,
aoka hirohondrohona ny ranomasina
mbamin'izay rehetra ao anatiny,
12aoka hibita-kafaliana ny saha
mbamin'izay rehetra ao aminy,
aoka ny hazo rehetra any an'ala hihoby
13mba hitsena ny TOMPO satria tamy Izy:
eny, tamy Izy mba hifehy ny tany;
dia hifehy ny tontolo araka ny rariny Izy
ary hifehy ny firenena araka ny hitsiny.

vendredi 21 novembre 2014

Zoma 21 Novambra 2014 - Asa 8 : 1 - 8

Avy nilaza izany izy, dia nodimandry. 1Ary i Saoly nankasitraka ny namonoana an'i Stefàna.

Androtr'iny ihany dia nipoaka ny fanenjehana mahery vaika nihatra tamin'ny Fiangonana tao Jerosalema. Niely patrana eran'ny faritany Jodea sy Samaria ny mpino rehetra, afa-tsy ny apôstôly* ihany. 2Nisy kosa mpivavaka tsara nandevina an'i Stefàna sady nisaona azy fatratra. 3Tamin'izay i Saoly dia nilofo handringana ny Fiangonana. Noteteziny nidirana ny isan-trano, nataony sinto-mahery navoaka ny mpino na lahy na vavy ka nalefany tany am-ponja.

4Koa ireo naelin'ny fanenjehana dia nitety tany nitory ny Vaovao Mahafaly raketin'ny tenin'Andriamanitra. 5Nidina tao an-tanàna Samaria i Filipo ka nanambara ny Mesia* tamin'ny mponina tao. 6Indray babo avokoa ny vahoaka tamin'izay nolazain'i Filipo, raha nandre laza sy nahita maso ny famantarana* vitany. 7Fa maro ny olona nandroahana fanahy maloto* ary nikiakiaka ireny fanahy maloto ireny rehefa niala; maro koa ny malemy sy ny mandringa no sitrana. 8Dia nisy hafaliana be tao amin'izany tanàna izany.

jeudi 20 novembre 2014

Alakamisy 20 Novambra - II Sam 22 : 47 : 51

47Velona ny TOMPO! Isaorana ilay Vatolampiko.
Hasandratra anie Andriamanitra
vatolampy mampandresy ahy.
48Izy no manao ny famaliana ho ahy
ary mampanaiky firenena hofeheziko.
49TOMPO ô, afahanao amin'ny fahavaloko aho;
eny, ataonao resiko ireo mpamely ahy
ary tsy mahazo ahy ny mpanao an-keriny.
50Koa eo anivom-pirenena no hiderako Anao
sady hankalazako Anao amin-kira.
51Ny TOMPO manome fandresena lehibe
ho an'ilay mpanjaka voafidiny;
ary maneho fitia an'ilay voahosony,
dia i Davida sy ireo taranany
hatrany amin'ny mandrakizay.

mercredi 19 novembre 2014

Alarobia 19 Novambra 2014 - I Pet 4 : 12 - 16

12Ry hava-malala, aza gaga amin'ny fanenjehana mivaivay miseho teo aminareo sady mihatra aminareo mba ho fizahan-toetra, ka hihevitra izany ho zava-tsy fahita midona aminareo. 13Fa mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy*, mba ho heni-kafaliana aman-karavoana koa ianareo amin'ny andro hisehoan'ny voninahiny. 14Sambatra ianareo raha haratsîna amin'ny maha mpianatr'i Kristy anareo; fa ny Fanahy Masina be voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, no mitoetra eo aminareo. 15Eny, aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin'ny raharahan'olona; 16fa raha amin'ny maha kristianina azy no ijaliany, dia aoka izy tsy ho menatra fa hanome voninahitra an'Andriamanitra noho izany anarana entiny izany.

mardi 18 novembre 2014

Talata 18 Novambra 2014 - Lio 15 : 1 - 10

1Fatra-panatona an'i Jesoa avokoa ny mpamory hetra* sy ny mpanota mba hihaino Azy. 2Hany ka nimonomonona nyFarisianina* sy ny mpahay lalàna* nanao hoe:
–Rangahy io ny mpanota no ifandraisany sy iarahany misakafo!

3Koa ho azy Farisianina sy mpahay lalàna no nanaovan'i Jesoa ity fanoharana ity:
4–Lehilahy iza moa, araka ny hevitrareo, no manana ondry zato nahaverezana anankiray, ka tsy hamela eny an-kijàna ny 99 ary hiezaka hitady ilay tokana very mandra-pahitany azy? 5Ary rehefa hitany, dia entiny eo an-tsoroka an-kafaliana. 6Dia lasa izy mody any an-trano ary vorîny ireo sakaiza sy mpiara-monina ka ilazany hoe: «Miaraha mifaly amiko fa ilay ondriko very dia hitako indray!» 7Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana any an-danitra amin'ny mpanota anankiray monja miala amin'ny toe-dratsiny fa tsy amin'ny olo-marina 99 tsy mila fialana amin'ny toe-dratsy.

8–Sa vehivavy iza moa no manana vola firavaka folo nahaverezana anankiray, ka tsy hampirehitra jiro sy hamafa trano ary hikaroka tsara mandra-pahitany azy? 9Ary rehefa hitany, dia vorîny ireo sakaiza sy mpiara-monina ka ilazany hoe: «Miaraha mifaly amiko fa ilay vola firavako very dia hitako indray!» 10Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana ho an'ny anjelin'Andriamanitra* amin'ny mpanota anankiray monja miala amin'ny toetra ratsiny.

lundi 17 novembre 2014

Alatsinainy 17 Novambra 2014 - Sal 51 : 6 - 12

6Ianao irery tokoa no nanotako,
ny ratsy eo imasonao no nataoko;
hany ka ara-drariny Ianao raha miteny,
ary tsy omen-tsiny raha manadidy.
7Jereo fa meloka aho no teraka,
mpanota raha notorontoronina;
8nefa ny hahitsy ao anaty no sitrakao,
koa ny fahendrena am-po no atoroy ahy.

9Ataovy afa-pahotana tokoa aho, dia hadio*;
sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.
10Ataovy reko ny famelanao,
dia hifaly sy hiravo indray aho;
ary aoka hibitaka ny taolako
izay efa voamontsamontsanao.
11Hadinoy tanteraka ny fahotako
ary koseho avokoa ny heloka vitako.
12Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô,
fanahy mahatoky no aoreno ato anatiko.

dimanche 16 novembre 2014

Alahady 16 Novambra 2014 - Mik 7 : 7 - 10

7Fa izaho kosa mitodika amin'ny TOMPO
ary manantena an'Andriamanitra mpamonjy ahy,
fa hihaino ahy ilay Andriamanitro.

8Aza mihomehy ny aminay ianareo fahavalonay!
fa na lavo aza izahay, dia mbola hiarina;
ary na mipetraka ao amin'ny maizina aza izahay,
dia ny TOMPO no fahazavana ho anay.
9Satria efa nanota tamin'ny TOMPO izahay,
dia hozakainay ny fahatezerany,
mandra-piarony ny adinay
ka hanomezany rariny anay.
Hamoaka anay ho eo amin'ny mazava Izy
ka ho finaritra izahay hahita ny soa nataony taminay.
10Hahita izany ny fahavalonay
ka ho rakotry ny henatra,
dia ireo niteny taminay hoe:
«Aiza ihany ny TOMPO Andriamanitrareo?»
Ho finaritra izahay hahita azy ireo,
fa amin'izay dia ho tonga fanosy
toy ny fotaka eny an-dàlana izy.

samedi 15 novembre 2014

Sabotsy15 Novambra 2014 - Asa 15 : 30 - 35

30Dia nalefa ireo iraka mbamin'i Barnabà sy i Paoly ka nidina nankany Antiôkia. Novorîn'izy efa-dahy ny mpino marobe tao an-tanàna ka notolorany an'ilay taratasy. 31Novakîna izany ka samy dibo-kafaliana izy rehetra noho ny fampaherezana nentin'ilay taratasy. 32I Joda sy i Silasy izay samy mpaminany*, dia niteny naharitra tamin'ny havana iray finoana ka nampirisika sy nampahery azy ireo. 33Ary rehefa nitoetra elaela tao Antiôkia izy roa lahy, dia nalefan'ireo hiverina soa aman-tsara any amin'ny naniraka azy. [ 34Kanefa sitrak'i Silasy ny hijanona tao.] 35Nitoetra tany Antiôkia kosa i Paoly sy i Barnabà; ary nampianatra sy nitory ny tenin'ny Tompo izy roa lahy mbamin'ny namany maro.

vendredi 14 novembre 2014

Zoma 14 Novambra 2014 - Sal 9 - 1 - 14

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Hohiraina araka ny feon'ny hoe «Ny fahafatesan-janaka.» Salamo nataon'i Davida.

  ALEFA
2Hidera Anao amin'ny foko manontolo aho, TOMPO ô,
ka hitantara ny zava-mahagaga rehetra nataonao.
3Ho faly sy ravo aminao aho, ry Avo Indrindra ô,
ary hankalaza ny anaranao amin'ny zava-maneno.
  BETA
4Miverina ilalana ireo fahavaloko;
lavo izy ka ringana teo anoloanao.
5Eo ambonin'ilay sezafiandriananao
no ipetrahanao ho Mpitsara marina;
ka niaro ny zoko Ianao
ary nanome rariny ahy.
  GIMELA
6Norahonanao ny hafa firenena
ary naringanao ny olon-dratsy;
nokosehinao ny fahatsiarovana azy
mba ho levona mandrakizay.
7Nifarana hatreo ny amin'ny fahavalonay,
satria rava tanteraka izy;
efa narodanao ireo tanànany,
ka tsy hotsarovana intsony.
  HE
8Injay ny TOMPO Izay maharitra mandrakizay:
mametraka ny sezafiandrianana hitsarany Izy,
9ka hitsara izao tontolo izao araka ny rariny
sy hanapaka ny firenena araka ny hitsiny.
  VAO
10Ny TOMPO no fialofana ho an'ny ampahorîna,
eny, fialofana amin'ny andro mahory.
11Aoka hiantehitra aminao
ireo mahalala tsara Anao,
satria Ianao tsy mba mandao
izay mitady Anao, TOMPO ô!
  ZAINA
12Ankalazao amin'ny zava-maneno
ny TOMPO Izay monina ao Tsiôna*,
ary ambarao amin'ireo firenena
ny zava-mahatalanjona nataony;
13satria mikaroka ny mpamono olona Izy
sady mahatsiaro ireo voavono ho faty
sy ny fitarainan'ireo mahantra.
  HETA
14Iantrao aho, TOMPO ô, ka jereo ny fahoriako,
noho ny afitsoky ny mpankahala ahy;
Ianao no misintona ahy ho afaka
amin'ny hasomparan'ny fahafatesana.
15Amin'izay dia hotanisaiko avokoa
ireo anton-javatra iderako Anao;
ao an-tanànan'i Tsiôna no hiravoako,
satria Mpamonjy ahy tokoa Ianao.

jeudi 13 novembre 2014

Alakamisy 13 Novambra 2014 - Fil 4 : 1 - 7

1Toy izany àry, ry hava-malala, no aoka hitomoeranareo tsara miray amin'ny Tompo. Fa tiako tokoa ianareo, ry havako, sady manina anareo fatratra aho; ianareo no fifaliako sy toy ny satroboninahi-pandresena ho ahy. 2Ry i Eodia sy i Sintîka, miangavy mafy anareo aho mba hifanaraka, noho ianareo mpirahavavy ao amin'ny Tompo. 3Ary ianao koa, ry ilay mpiara-miasa akaiky tamiko, mangataka anao aho mba hanampy azy roa vavy, fa niara-nikatroka nanao izay hielezan'ny Vaovao Mahafaly* izahay mbamin'i Klemanta koa sy ny hafa rehetra mpiara-miasa amiko izay samy voasoratra anarana ao amin'ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay. 4Mifalia mandrakariva noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Mbola antitranteriko indray: mifalia! Manehoa fandeferana amin'ny olona rehetra. 5Tsy ho ela, dia ho tonga ny Tompo! 6Aza manahy na inona na inona fa ambarao amin'Andriamanitra isaka izay mivavaka ny zavatra ilainareo, ary angataho amin'ny fo feno fankasitrahana. 7Ary ilay fiadanana avy amin'Andriamanitra sady mihoatra noho ny zavatra rehetra takatry ny fieritreretan'olombelona, dia hiaro ny fonareo sy ny sainareo, satria efa tafaray amin'i Kristy* Jesoa ianareo.

mercredi 12 novembre 2014

Alarobia 12 Novambra 2014 - I Pet 1 : 1 - 12

1Avy amiko Petera ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin'i Jesoa Kristy*.
Mamangy anareo olom-boafidin'Andriamanitra aho, dia ianareo mpivahiny miely patrana any amin'ny faritany Pônto, Galatia, Kapadôsia, Azia sy Bitinia. 2Voafidy araka ny efa voatendrin'Andriamanitra Ray ianareo ary voatokana ho Azy noho ny asan'ny Fanahy Masina, mba hanaiky an'i Jesoa Kristy sy hanana anjara amin'ny famafazana ny rany.Hampitomboina ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy* Tompontsika! Be famindrampo tokoa Andriamanitra, ka niteraka antsika indray tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy Izay natsangany ho velona avy any amin'ny maty. Izany no ananantsika fanantenana mivaivay 4fa hahazo ny lova tsy mety simba sady tsy azon-doto no tsy mety levona. Voatahiry any an-danitra io lova io mba ho anareo, 5dia ianareo izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana mba handray ny famonjena efa vonona haseho amin'ny andro farany. 6Izany koa no iravoravoanareo na dia mbola tsy maintsy hampahorîna vetivety amin'ny fitsapana samy hafa aza ianareo. 7Ny volamena dia sedraina amin'ny alalan'ny afo na dia zavatra mety simba aza; ary ny finoanareo, izay sarobidy lavitra noho ny volamena, dia sedraina amin'ny alalan'ireny fitsapana ireny ka ho hita fa hahazoan'Andriamanitra dera sy voninahitra ary haja izany, amin'ny andro hisehoan'i Jesoa Kristy. 8Manam-pitiavana an'i Jesoa Kristy ianareo, na dia tsy nahita Azy aza; mino Azy ianareo, na dia tsy mahita Azy aza ankehitriny: izany no iravoravoanareo amin'ny hafaliana tsy hay lazaina sady be voninahitra, 9satria azonareo ilay zava-kendren'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo. 10Ny amin'izany famonjena izany dia nanaovan'ireo mpaminany* famotopotorana sy fikarohana fatratra, satria ireo no efa nilaza mialoha ny fahasoavana voatendrin'Andriamanitra ho anareo. 11Nokarohin'ny mpaminany tokoa izay vaninandro sy toe-javatra notondroin'ny Fanahin'i Kristy; fa tao anatin'izy ireo ny Fanahin'i Kristy ka nanambara mialoha ny fijaliana hanjo an'i Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany. 12Nasehon'Andriamanitra tamin'ireo mpaminany fa ny zavatra nomena horaharahainy dia tsy natao ho azy ireo fa natao ho anareo; ary izany zavatra izany dia nampandrenesina anareo ankehitriny, tamin'ny alalan'ireo olona izay nombàn'ny Fanahy Masina nirahina avy tany an-danitra ka nitory ny Vaovao Mahafaly* taminareo. Eny, izany zavatra izany aza dia irîn'ireo anjely* hodinihina.

mardi 11 novembre 2014

Talata 11 Novambra 2014 - Neh 8 : 9 - 12

9Nitomany ny vahoaka rehetra teo, raha nandre ny tenin'ny lalàna.
Noho izany i Nehemià governora sy i Hezrà mpisorona sady mpahay lalàna ary ny levita izay nampianatra ny olona dia niteny tamin'izy rehetra hoe:
–Voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany!

10Dia hoy indray i Hezrà tamin'ny vahoaka:
–Ndeha mody ka manaova sakafo tsara sy misotroa zava-pisotro mamy, ary mba anatero anjara izay tsy nahavoatra; satria voatokana ho an'ny Tompontsika ity andro ity. Koa aza malahelo, fa ny hafaliana avy amin'ny TOMPO no herinareo.

11Nampangina ny vahoaka rehetra koa ny levita ka nanao hoe:
–Mangina ianareo fa voatokana ho an'Andriamanitra ity andro ity!

12Dia nody izy rehetra mba hihinana sy hisotro ary hanatitra anjara ho an'ny sasany tsy manana ka nanao fifaliana lehibe. Azony tsara manko ny teny izay nampianarina azy.

lundi 10 novembre 2014

Alatsinainy 10 Novambra 2014 - Asa 2 : 43 - 47

43Dia raiki-tahotra avokoa ny olona noho ny zava-mahagaga sy famantarana* maro vitan'ny apôstôly*. 44Niray toerana ny mpino rehetra ary niombom-pananana; 45namidiny ny taniny sy ny fananany ka ny vola azo dia nifampizaràny araka izay nilain'ny tsirairay. 46Nazoto nihaona isan'andro izy rehetra: nivory tao an-kianjan'ny tempoly*, niara-nisakafo tany an-tranony avy, nihinan-kanina tamin-karavoana sy fahatsoram-po, 47ary nidera an'Andriamanitra, hany ka mamy hoditra tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olona izay notarihin'ny Tompo ho amin'ny famonjena dia nataony nanatevin-daharana an-dry zareo isan'andro vaky.

dimanche 9 novembre 2014

Alahady 09 Novambra 2014 - Lio 10 : 17 - 20

17Faly tokoa ny 72 lahy raha niverina sady nanao hoe:
–Tompo ô, nanaiky anay na dia ireo demony* aza rehefa nodidianay tamin'ny anaranao!

18Fa hoy i Jesoa taminy:
–Hitako tokoa i Satàna* nilatsaka tahaka ny tselatra avy any an-danitra. 19Indro ianareo efa nomeko fahefana hanitsaka bibilava sy maingoka sady hanamontsana ny hery rehetra ananan'ny fahavalo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory. 20Kanefa aza dia ianareo eken'ny fanahy ratsy no ifaliana; fa mifalia noho ianareo efa voasoratra anarana any an-danitra.

samedi 8 novembre 2014

Sabotsy 08 Novambra 2014 - Ezr 3 : 10 - 13

10Nony nandatsaka ny fototr'ilay tempolin'ny TOMPO ireo mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trômpetra ary koa ny levita terak'i Asafa nitondra kipantsona, mba hidera ny TOMPO araka ny nandidian'i Davida mpanjakan'i Israely. 11Dia nidera sy nisaotra ny TOMPO ireto terak'i Asafa ka nanao hira nifamalivaly hoe: «Tsara ny Tompo, ary maharitra mandrakizay ny fitiavany an'i Israely!» Nihoby mafy koa ny vahoaka rehetra raha nidera ny TOMPO, satria vita ny fototry ny tranon'ny TOMPO. 12Maro ny mpisorona sy ny levita ary ny loham-pianakaviana, dia ireo antitra efa nahita ilay trano taloha, no nitomany mafy dia mafy nony nalatsaka teo imasony ny fototr'izany trano vaovao izany; nefa maro koa no nanandra-peo nihoby sy nifaly. 13Ka dia tsy hay navahany ny hobin-kafalian'ny andaniny sy ny feo fitomanian'ny ankilany, satria samy nanao horakoraka mafy sy re lavitra tokoa ny olona.

vendredi 7 novembre 2014

Zoma 07 Novambra 2014 - Jao 16 : 19 - 24

19Fantatr'i Jesoa fa te hanontany Azy ny mpianany, ka hoy Izy taminy:

–Mifanontany ve ianareo ny amin'ny teniko hoe: «Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo»? 20Lazaiko marina dia marina aminareo fa hitomany sy hisaona ianareo, ary izao tontolo izao* kosa hifaly; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo. 21Ory ny vehivavy, rehefa hiteraka, satria tonga ny fotoam-panaintainany; saingy rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony izay fahoriany, noho izy faly fa hoe misy olona teraka eo amin'izao tontolo izao. 22Ianareo koa dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanaisotra ny hafalianareo.

23Amin'izany andro izany, dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo noho ny anarako izany. 24Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona noho ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho feno ny hafalianareo.

jeudi 6 novembre 2014

Alakamisy 06 Novambra 2014 - Lio 13 : 14 - 17

14Tezitra ny lehiben'ny sinagôga satria andro sabata no nanaovan'i Jesoa fanasitranana. Nandray fitenenana ny lehiben'ny sinagôga ary nilaza tamin'ny vahoaka hoe:
–Andro enina no tokony hiasana; ka mandritra ireo andro ireo ianareo no tongava hositranina, fa tsy amin'ny andro sabata!

15Fa hoy ny navalin'ny Tompo azy:
–Mpihatsaravelatsihy raha ianareo! Amin'ny andro sabata, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona avy ianareo ka mitondra azy hisotro rano? 16Koa ity vehivavy taranak'i Abrahama ity, 18 taona ngarangidina no voafatotr'i Satàna*, moa tsy tokony ho amin'ny andro sabata indrindra ve no hamahàna fatorana azy?

17Nangaihay izay rehetra mpanohitra an'i Jesoa noho izany valin-teniny izany, fa ny vahoaka manontolo kosa niravoravo noho ny zavatra malaza rehetra nataony.

mercredi 5 novembre 2014

Alarobia 05 Novambra 2014 - I Sam 2 : 1 - 3

1Ary i Hanà nanao tonom-bavaka toy izao:
Feno hafaliana ny foko noho ny amin'ny TOMPO;
mitraka koa ny lohako noho ny aminy.
ary ihomehezako ny fahavaloko.
Faly aho satria novonjen'ny TOMPO;
2tsy misy masina tahaka AZY,
ary tsy misy vatolampy
tahaka an'Andriamanitsika.
Eny, Izy irery ihany no TOMPO.
3Atsaharo ny teny an'avona
sy ny vava tsy ambina rehetra,
fa Andriamanitra mahalala
ny zava-drehetra ny TOMPO;
Izy no mitsara ny ataon'ny olona.

mardi 4 novembre 2014

Talata 04 Novambra 2014 - Sal 81 : 1 - 10

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Hampiarahina amin'ny jejilava. Salamo nataon'i Asafa.

2Manaova hobim-pifaliana
ho an'Andriamanitra herintsika,
ankalazao ny Andriamanitr'i Jakôba.
3Ingao ny hira, velezo ny amponga,
tendreo ny lokanga tsara feo mbamin'ny valiha.
4Amin'ny tsinam-bolana sy volam-penomanana,
tsofy ny trômpetra ho an'ny andro fetintsika,
5satria lalàna ho an'ny Israelita izany,
didin'ny Andriamanitr'i Jakôba,
6fitsipika nataony ho an'ny taranak'i Jôsefa
fony Izy namely an'i Ejipta.

–Feo tsy fantatro no reko nanao hoe:

7«Nesoriko teo an-tsorokareo ny entana;
ny tananareo afa-namela ny sobika mavesatra.
8Fony noporetina ianareo,
dia niantso Ahy ka nafahako;
novaliako tao anaty kotrokorana ianareo
ary nozahako toetra teo amin'ny ranon'i Meribà.
Fiatoana*
9Ry vahoakako, mihainoa fa mampitandrina Aho;
satriko hihaino Ahy ianareo, ry Israelita:
10Aoka tsy hisy andriamani-kafa eo aminareo,
aoka ny andriamanitra vahiny tsy hivavahanareo,

lundi 3 novembre 2014

Alatsinainy 03 Novambra 2014 - I Sam 18 : 5 - 7

5Fa isaky ny misy fanafihana ampanaovin'i Saoly azy, dia fahombiazana hatrany no azon'i Davida, koa dia izy no nataon'i Saoly ho kômandin'ny miaramila mpanafika; ary nahafaly tokoa ny tafika manontolo sy ny manamboninahitry ny mpanjaka izany.

6Tamin'ny fiverenan-dry Davida avy nahafaty an'ilay Filistinina, dia nivoaka hitsena an'i Saoly mpanjaka ny vehivavy avy tamin'ny tanàna israelita rehetra; nihira sy nandihy tamin'ny feon'ampongatapaka sy ny zava-maneno hafa izy ireo, ary velona hobim-pifaliana. 7Dia nibitaka ireo vehivavy sady nifamaly niredona hoe:
           «I Saoly nahafaty an'arivoarivo.
             fa i Davida kosa nahafaty an'alinalina.»

dimanche 2 novembre 2014

Alahady 02 Novambra 2014 - Fil 1 : 12 - 18

12Ry havana, tiako ny hahafantaranareo fa izay nihatra tamiko dia vao mainka nanjary fampandrosoana ny Vaovao Mahafaly*; 13ka ny ato an-dapa manontolo sy ny olon-kafa rehetra dia samy mahalala fa voafonja noho ny amin'i Kristy aho. 14Nony nahita ahy voafonja ny ankamaroan'ireo havana iray finoana, dia vao mainka nataon'ny Tompo feno fahatokiana ka mihasahisahy kokoa mitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin-tahotra. 15Eny, fialonana ahy sy fitia te hifanditra no itorian'ny sasany an'i Kristy, fa hitsim-po kosa no manentana ny sasany. 16Ireto dia asesiky ny fitiavana, satria fantany fa voatendrin'Andriamanitra hampandresy lahatra ny Vaovao Mahafaly aho; 17irerỳ kosa asesiky ny fifampiandaniana, ka tsy manambara an'i Kristy amin-kitsim-po, fa mihevitra hanampy trotraka ny fijaliako amin'izao maha voafonja ahy izao. 18Kanefa mampaninona moa izany? Amin'ny atao rehetra, na asesiky ny fihatsarambelatsihy na asesiky ny hevitra mahitsy, dia i Kristy no torîna, ka ifaliako izany; eny, hifaliako hatrany izany

samedi 1 novembre 2014

Sabotsy 01 Novambra 2014 - Hab 3 : 17 - 19

17Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy
ary tsy manome voa ny voaloboka,
na dia tsy mahavanona aza ny ôliva
ary tsy mahavokatra hanina ny saha,
na dia voapaoka aza ny ondry ao am-pahitra
ary tsy misy omby intsony ao am-bala,
18dia mbola ho faly sy ravo ihany aho
satria ny TOMPO Andriamanitra no Mpamonjy ahy.
19Ny TOMPO Andriamanitra no heriko;
mampalady ahy toy ny dieravavy Izy
ka mampiriaria ahy eny an-kavoana.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12