mercredi 31 décembre 2014

Alarobia 31 Desambra - Sal 14 : 12 - 17

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Salamo nataon'i Davida. Adala izay miteny anakampo hoe: «Tsy misy Andriamanitra!» Maneho toetra lo sy maharikoriko ireo sady tsy mba misy manao ny tsara. 2Avy eny an-danitra eny ny TOMPO no miondrika hijery ny olombelona, hizaha sao mba misy olon-kendry izay mitady Azy tokoa. 3Fa izy rehetra no mania ka samy tsy valahara avokoa; tsy mba misy manao ny tsara, na dia iray akory aza! 4Hoy kosa ny TOMPO hoe: «Tena tsy mahalala mihitsy ny mpanao ratsy rehetra fa fitsentsefana ny vahoakako no ataony foto-pivelomana, sady Izaho tsy antsoiny akory!» 5Indreo fa matahotra dia matahotra ireny, satria ny mpivavaka iandanian'Andriamanitra. 6«Nataonareo tsinontsinona ny fikasan'ny ory, kanefa ny TOMPO ange no fialofany.» 7Hivoaka avy ao Tsiôna* anie ny famonjena an'i Israely! Ka hifaly sy hiravo ny taranak'i Jakôba, dia ny vahoaka Israely tsivakivolo, rehefa hambinin'ny TOMPO indray izy.

mardi 30 décembre 2014

Talata 30 Desambra 2014 - Jer 31 : 15 - 20

15Izao no lazain'ny TOMPO: Nisy fitarainana heno tao Ramà, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy. I Rahely no mitomany ny zanany; ka tsy mety nampiononina izy satria tsy eo intsony ny zanany.» 16Kanefa izao no lazain'ny TOMPO azy: «Atsaharo ny fitarainanao ary fafao ny ranomasonao fa hovaliako soa ny fisasaranao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Satria ireny zanakao ireny dia hiverina avy any an-tanin'ny fahavalony. 17Koa misy fanantenana ho an'ny taranakao, hoy ny teny hentitra ambarako, hiverina ao an-tanindrazany ny zanakao. 18Reko tsara mihitsy ny olon'i Efraîma nitaraina hoe: ‹TOMPO ô, nofaizinao izahay ary dia manaiky hofaizinao tahaka ny ombilahy tanora tsy tena folaka. Nefa ampodio aminao izahay mba hiverenanay tokoa aminao, satria Ianao, TOMPO ô, no Andriamanitray. 19Eny, niodina taminao izahay nefa anenenanay kosa izany. Nampahafantarinao anay ny fahadisoanay, ka mandondon-tratra izahay ankehitriny. Menatra sady mangaihay ny tenanay; manala baràka anay ny fahatanoranay ka hozakainay ny vokany.› 20I Efraîma no zanakalahy mamiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, zanaka malalako indrindra izy. Isaky ny manameloka azy Aho, dia mahatsiaro azy hatrany ka manjary mangoraka azy ary dia mamindrafo aminy tokoa.

lundi 29 décembre 2014

Alatsinainy 29 Desambra 2014 - Mat 2 : 13 - 18

13Rehefa lasa nody ireo olon-kendry, dia nisehoan'anjelin*'ny Tompo tamin'ny nofy i Jôsefa ka nilazany hoe: –Mifohaza ianao, ka ento mandositra any Ejipta ny zazakely sy ny reniny; ary mitoera any ambara-pilazako aminao indray. Fa efa hotadiavin'i Herôda* ny zazakely mba hamonoany azy. 14Dia nifoha i Jôsefa ka nitondra ny zazakely sy ny reniny nankany Ejipta dieny mbola alina. 15Ary nitoetra tany i Jôsefa telo mianaka ambara-pahafatin'i Herôda; koa tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany* hoe:«Avy any Ejipta no niantsoako ny zanako!» 16Tamin'izay dia tsinjon'i Herôda* fa voafitak'ireo olon-kendry izy ka tena vinitra. Ary naniraka olona izy hamono tsy an-kanavaka ny zazalahikely tao Betlehema sy ny manodidina rehetra, hatramin'ny roa taona no ho midina, araka ilay fotoana nofotopotoriny tsara tamin'ireo olon-kendry. 17Tamin'izay no tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'i Jeremià mpaminany* hoe: 18«Injay nisy fitomaniana sy dradradradra tsy anerany heno tao Ramà: I Rahely no nitomany ny zanany, ka tsy nety nampiononina satria tsy eo intsony ireny!»

dimanche 28 décembre 2014

Alahady 28 Desambra 2014 - Rom 8 : 18 - 25

18Heveriko fa tsy mendrika hohàrina amin'ny voninahitra izay haseho ao amintsika ny fijaliana amin'izao andro izao. 19Fa tsindrian-daona erỳ ny zavaboaary miandry ny hanehoan'Andriamanitra an'ireo zanany*. 20Fa tonga nanaiky ho zavatra tsinontsinona ny zavaboaary, tsy araka ny nahiny anefa, fa noho ilay nampanaiky azy toy izany. Saingy eo ny fanantenana: 21Fa ny zavaboaary koa aza dia hoafahana tsy ho andevon'ny fahasimbana indray andro any ka handray anjara amin'ny fahafahana be voninahitra hananan'ireo zanak'Andriamanitra. 22Saingy fantatsika fa mandraka ankehitriny, ny zavaboaary manontolo dia miara-misento sy mijaly toy ny vehivavy mihetsi-jaza. 23Ary tsy ny zavaboaary ihany; fa isika koa, izay manana ny Fanahy Masina ho santatry ny fanomezan'Andriamanitra, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny hanaovan'Andriamanitra antsika ho zanany ka hanavotany tanteraka ny tenantsika. 24Eny, efa voavonjy isika saingy mbola amin'ny fanantenana; ny mahita izay nantenaina dia tsy manantena intsony; satria iza no mbola hanantena izay zavatra efa hitany? 25Fa raha manantena ny tsy hitantsika isika, dia miandry amim-paharetana.

samedi 27 décembre 2014

Sabotsy 27 Desambra 2014 - Sal 18 : 1 - 6

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Hira nataon'i Davida mpanompon'ny TOMPO. Notononiny hanomezam-boninahitra ny TOMPO ireto teny ireto fony izy nafahany tamin'ny fahavalony rehetra, indrindra tamin'i Saoly. 2TOMPO ô, tiako Ianao fa Ianao no heriko! 3Ny TOMPO no harambato fierena azo antoka ho ahy. Izy no Andriamanitro sy vatolampy ialofako, ampinga fiarovana sy mpamonjy mahery ho ahy. 4Hoderaina anie ny TOMPO! Fa niantso Azy aho, dia voavonjy ho afaka amin'ny fahavaloko. 5Toy ny fatotra mangeja ahy ny fahafatesana sady nampitahotra ahy toa riaka mandrava; 6toy ny fatotra ahodidina ahy ny fonenan'ny maty, toa harato amandrihana ahy ny fahafatesana.

vendredi 26 décembre 2014

Zoma 26 Desambra 2014 - Heb 1 : 1 - 6

1Efa imbetsaka ary tamin'ny fomba samihafa no nitenenan'Andriamanitra fahiny tamin'ny razantsika tamin'ny alalan'ireo mpaminany*; 2fa amin'izao andro farany izao kosa dia tamin'ny alalan'ny Zanany* no nitenenany tamintsika. Io Zanany io no naharian'Andriamanitra izao tontolo izao*, ary notendreny koa ho mpandova ny zavatra rehetra. 3Taratra mamirapiratry ny voninahitr'Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban'Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin'ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin'ny avo indrindra eo ankavanan'ilay Andriamanitra lehibe.

4Tonga ambony lavitra noho ny anjely ny Zanaka*, satria nandova anarana tsara noho ny an'ireo. 5Fa tsy nisy na oviana na oviana anjely nilazan'Andriamanitra hoe:
             «Zanako Ianao,
               Ray niteraka Anao Aho manomboka anio!»
Ary koa hoe:
             «Izaho ho Rainy,
               ary Izy ho Zanako!»
6Rehefa nampiditra ny Zanany lahimatoa ho eto amin'izao tontolo izao* Andriamanitra, dia niteny hoe:
            «Aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra
              hiankohoka eo anatrehany!»

jeudi 25 décembre 2014

Alakamisy 25 desambra 2014 - Isa 11 : 10 - 16

10Amin'izany andro izany ny solofon'i Jisay
dia hatsangana ho fanevan'ny firenena rehetra;
ka hitady azy ny firenen-kafa,
ary hanjary be voninahitra ny fonenany.

11Amin'izany andro izany ny Tompo
dia haninjitra ny tanany indray
mba hanavotra izay sisa velona amin'ny vahoakany,
dia izay sisa velona avy any Asiria,
avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia,
avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata
na avy amin'ireo tany amoron-dranomasina.
12Hanangana faneva ny Tompo
mba hahafantaran'ny hafa firenena
fa hamory ireo sesitany tamin'i Israely Izy
ary hanangona ireo niely patrana tamin'i Joda
avy any amin'ny vazan-tany efatra.
13Hitsahatra ny fialonan'i Efraîma
ary ho foana ny fankahalàn'i Joda:
i Efraîma tsy hialona an'i Joda intsony
ary i Joda tsy hankahala an'i Efraîma intsony.
14Dia hiara-kirohotra hiankandrefana
eny amin'ny havoan'ny Filistinina izy roa tonta
ary handeha hiantsinanana
handroba ny foko any an-taniefitra,
ka hanitatra ny fahefàny amin'i Edôma sy i Môaba
ary hametraka ny Hamônita ho eo ambany fifehezany.
15Handritra ny helo-dranomasin'i Ejipta ny TOMPO;
haninji-tanana handrahona ny ony Eofrata Izy,
ka ny rivo-mahery avy aminy no hizaràny azy
hisampantsampana ho sakeli-drano fito
izay ho azo diavin-tongotra tsy miala kapa.
16Hisy lalana ho an'ny sisa velona amin'ny vahoakany,
dia izay sisa velona avy any Asiria,
tahaka izay niseho fahiny tamin'i Israely
fony izy niakatra avy tany Ejipta.

mercredi 24 décembre 2014

Alarobia 24 Desambra 2014 - Lio 2 : 8 - 14

8Tany amin'izany faritany izany, dia nisy mpiandry* ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina. 9Nisy anjeli*n'ny Tompo niseho tampoka taminy; ary nohodidinin'ny voninahitry ny Tompo ireo mpiandry ondry ka raiki-tahotra izaitsizy. 10Fa hoy ilay anjely taminy:

–Aoka izay ny tahotra, fa vaovao mahafaly no entiko ho anareo, dia fifaliana lehibe ho an'ny vahoaka rehetra: 11Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia i Kristy Tompo. 12Izao no hahafantaranareo Azy: hahita zazakely anankiray voahodidina lamban-jaza sady mandry eo amina fihinanam-bilona ianareo.

13Ary nisy anjely alikisa avy any an-danitra niseho niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:

             14«Voninahitra any amin'ny avo indrindra
                   ho an'Andriamanitra;
                   ary fiadanana etỳ an-tany ho an'ny olombelona
                   fa nanehoany fitia!»

mardi 23 décembre 2014

Talata 23 Desambra 2014 - II Sam 7 : 18 - 24

18Ary nankeo anatrehan'ny TOMPO tao an-tranolay i Davida mpanjaka, ka nipetraka sady nivavaka hoe:

–Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mba iza moa aho ary mba inona ny fianakaviako, no tonganao amin'ny toerana misy ahy izao? 19Kanefa mbola kely izany eo imasonao, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, ka efa nanaovanao fampanantenana koa hatramin'ny taranako mbola any aoriana lavitra any. Araka ny fomban'olombelona ve izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô? 20Koa inona indray no mbola holazaiko aminao? Fa Ianao, ry Tompo ANDRIAMANITRA ô, mahalala ahy mpanomponao. 21Noho ny fampanantenànao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao hampahalalainao ahy. 22Lehibe Ianao amin'izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô: fa tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay. 23Moa misy eto an-tany firenena tahaka an'i Israely vahoakanao? Dia ilay firenena navotanao ho afaka tamin'ireo Ejiptianina sy ireo andriamaniny mba ho tonga vahoakanao ka nomenao laza tamin'ny nanatanterahanao izao asa lehibe izao ho azy ary zava-mahatahotra ho an'ny taninao. 24Nampiorina mafy an'i Israely ho vahoakanao mandrakizay Ianao, TOMPO ô, sady efa tonga Andriamaniny.

lundi 22 décembre 2014

Alatsinainy 22 Desambra 2014 - Lio 1 : 39 - 56

39Niainga i Maria tamin'izany andro izany, ka nandeha faingana ho any amin'ny tanàna anankiray anatin'ny faritra be havoana any Joda, 40ary namantana tao an-tranon'i Zakarià ka niarahaba an'i Elizabeta. 41Vantany vao henon'i Elizabeta niarahaba azy i Maria, dia injao nibita-karavoana ilay zaza tao an-kibon'i Elizabeta; ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta 42ka nanandra-peo niantso mafy hoe:

–Nombàn'Andriamanitra fitahiana amin'ny samy vehivavy ianao, ary nombàny fitahiana koa Ilay haterakao! 43Zinona moa aho no mba vangian'ny renin'ny Tompoko? 44Fa indro vantany vao henoko niarahaba ahy ianao, dia nibitaky ny haravoana tokoa ny zaza tao an-kiboko. 45Ary sambatra ianao nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminao!
Midera an'Andriamanitra i Maria

46Ary hoy i Maria:

–Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
47ary ny aiko miravo amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy,
48noho Izy nitsinjo ahy mpanompovaviny tsinontsinona!
Eny, hatramin'izao dia hambaran'ny taranaka rehetra
hoe sambatra aho,
49fa zava-dehibe no nataon'ilay Mahery tamiko.
Masina ny anarany!
50Ary hamindra fo hatramin'ny taranaka mifandimby ireo manaja Azy.
51Nanatanterahany asa lehibe ny sandriny mahery;
ka ny mpihevi-tena ho ambony nataony mihahaka.
52Ny mpanjakazaka naongany hiala tamin'ny
sezafiandrianany;
ny tsinontsinona kosa nasandrany.
53Ny noana novokisany zava-tsoa;
ny mpanankarena kosa nalefany nody maina.
54-55Niahy ny vahoaka Israely* mpanompony Andriamanitra,
satria nahatsiaro ny teniny tamin'ny razantsika;
dia ny hamindra fo mandrakizay
amin'i Abrahama sy ny taranany.

56Nitoetra tokony ho telo volana tao amin-dry Elizabeta i Maria vao lasa nody.

dimanche 21 décembre 2014

Alahady 21 Desambra 2014 - Tit 3 : 3 - 7

3Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin'ny filàna sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin'ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain'olona no mankahala olona. 4Fa nony efa naneho ny hamoram-pony sy ny fitiavany olona ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika, 5dia novonjeny isika, tsy noho ny asa marina vitantsika, fa noho ny famindrampony tamintsika. Ny namonjeny antsika dia tamin'ny alalan'ny rano fampandroana izay nanomezan'ny Fanahy Masina antsika fahateraham-baovao sy fiainam-baovao. 6Fa nandrotsahan'Andriamanitra be dia be ny Fanahy Masina isika tamin'ny alalan'i Kristy* Jesoa Mpamonjy antsika, 7hahatonga antsika ho marina eo anatrehan'Andriamanitra noho ny fahasoavan'i Kristy sy hahatonga antsika hanana anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay efa antenaintsika.

samedi 20 décembre 2014

Sabotsy 20 Desambra 2014 - Sal 54 : 4 - 7

4Andriamanitra ô, henoy ny fivavako;
mba mampandria sofina amin'ny teniko.

5Fa olona hafa firenena no mitsangan-kamely ahy,
olon-dozabe no mitady hahafaty ahy
tsy miraharaha Anao akory ireo.
Fiatoana*

6Indro kosa Andriamanitra manampy ahy,
ny Tompo no hany mpanohana ahy;

7Izy anie hamaly ny ratsy ataon'ny mpitsikilo ahy!
Aringano ireo satria mahatoky tokoa Ianao.

vendredi 19 décembre 2014

Zoma 19 Desambra 2014 - II Tes 2 : 13 - 17

13Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra izahay ny aminareo, ry havana notiavin'ny Tompo. Fa nofidin'Andriamanitra ho toy ny santa-bokatra hatolotra Azy ianareo, ka hahazo famonjena noho ianareo voatokan'ny Fanahy Masina mba ho an'Andriamanitra ary noho ianareo nino ny hafatra marim-pototra. 14Izany no niantsoan'Andriamanitra anareo, tamin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly* notorînay, mba hahazoanareo miombom-boninahitra amin'i Jesoa Kristy* Tompontsika. 15Koa mamahara tsara, ry havana, ary tano ny fampianarana natolotray anareo am-bava na an-taratasy. 16Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika sy ilay Andriamanitra Raintsika Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara tamin'ny alalan'ny fahasoavany 17hampionona ny fonareo ary hampahery anareo hanao izay tsara rehetra na amin'ny asa na amin'ny teny.

jeudi 18 décembre 2014

Alakamisu 18 Desambra 2014 - Sal 13

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Salamo nataon'i Davida.

2TOMPO ô, mandra-pahoviana
no mbola hanadinoanao ahy,
ary mandra-pahoviana koa
no tsy hanekenao hijery ahy?
3Mandra-pahoviana aho no hiferinaina
ka halahelo am-po isan'andro izao?
Mandra-pahoviana ny fahavaloko
no mbola hisandratra ho amboniko?

4TOMPO Andriamanitro ô,
mba jereo aho ka valio vavaka.
Avereno tanjaka sy hery aho,
fandrao dia ho renoka tokoa
ho amin-torimasom-pahafatesana,
5fandrao koa ny fahavaloko
no hihambo ho naharesy ahy;
ary dia hibitaka ireo mpanohitra
fa hoe nampilavo lefona ahy.

6Ny fitiavanao kosa no ianteherako,
ny famonjenao no hiravoako.
TOMPO ô, hihira ho voninahitrao aho
noho ny soa nataonao tamiko.

mercredi 17 décembre 2014

Alarobia 17 Desambra 2014 - Jao 10 : 22 - 30

22Ririnina ny andro tamin'izay ary notontosaina tao Jerosalema ny fankalazana ny Fitokanana*. 23I Jesoa dia nitsangantsangana tao an-kianjan'ny tempoly*, teo amin'ny lala-mitafon*'i Salômôna.

24Koa nitangoronan'ny Jiosy Izy nanontaniany hoe:
–Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao tokoa no ilay Mesia*, mba lazao mazava aminay!

25Dia hoy i Jesoa taminy:
–Efa nilaza taminareo Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko dia mijoro ho vavolombelona manambara Ahy, 26nefa ianareo tsy mino satria tsy mba isan'ny ondriko*. 27Ireo ondriko mihaino ny feoko: Izaho mahafantatra ny ondriko, ary izy manaraka Ahy. 28Izaho no manome azy ny aina maharitra mandrakizay ka tsy ho very izy na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. 29Ny Raiko Izay nanolotra azy tamiko dia lehibe noho ny rehetra, ka tsy misy olona maharombaka azy eo an-tanan'ny Ray. 30Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

mardi 16 décembre 2014

Talata 16 Desambra 2014 - Jao 14 : 1 - 3

1Ary hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:

–Aoka tsy hangorohoro ny fonareo: minoa an'Andriamanitra ianareo, ary mino Ahy koa. 2Misy fonenana maro ao an-tranon'ny Raiko; raha tsy izany, dia ho nilaza taminareo ve Aho fa handeha hamboatra toerana ho anareo? 3Ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny toerana ho anareo, dia hiverina Aho haka anareo ho eo anilako; ka izay misy Ahy no hisy anareo koa.

lundi 15 décembre 2014

Alatsinainy 15 Desambra 2014 - Asa 4 : 8 - 12

8Feno Fanahy Masina i Petera tamin'izay ka nanao hoe:

–Ry mpifehy ny vahoaka sy ry loholona, 9raha adinina izahay anio satria nanasoa lehilahy kilemaina anankiray ary anontaniana ny fomba nahasitranany, 10dia izao no aoka ho fantatrareo rehetra mbamin'ny vahoaka Israely* manontolo: salama tsara io lehilahy manoloana anareo io noho ny anaran'i Jesoa Kristy* avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana kanefa natsangan'Andriamanitra ho velona avy any amin'ny maty.

11I Jesoa no Ilay voalazan'ny Soratra Masina* hoe:
     «Ny vato nolavinareo mpanao trano
       no nanjary vato fehizoro!»

12Ao aminy no hany ahazoam-pamonjena; eny, tsy misy eto ambanin'ny lanitra anarana hafa nomen'Andriamanitra ny olona, izay hahazoantsika famonjena!

dimanche 14 décembre 2014

Alahady 14 Desambra 2014 - Sal 62 : 1 - 8

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'i Jedotòna filohan'antoko-mpihira.* Salamo nataon'i Davida.

2Andriamanitra irery no iadanako;
avy aminy ny famonjena ahy.
3Izy irery no Vatolampy ahazoako famonjena,
fiarovana avo ho ahy ka tsy hihontsona aho.

4–Ianareo kosa, mandra-pahoviana
no hifarimbona hamely olona
ka hiara-mioko handrodana azy
ho toa rindrina mirona sy fefy mikoa?
5Ny hany itadiavanareo hanongana azy
dia satria izy manana toerana ambony.
Fitaka no zavatra mba maminareo:
am-bava mirary soa*, fa am-po manozona.

6Andriamanitra irery no iadanako
satria Izy mihitsy no antenaiko.
7Izy irery no Vatolampy ahazoako famonjena,
fiarovana avo ho ahy ka tsy hihontsona aho.
8Miankina amin'Andriamanitra
ny famonjena ahy sy ny voninahitro;
Andriamanitra no Vatolampy
ianteherako mafy sy fialofako.

samedi 13 décembre 2014

Sabotsy 13 Desambra 2014 - Lio 18 : 1 - 8

1Nanaovan'i Jesoa fanoharana* avy eo ny mpianany* hanehoana fa tsy maintsy mivavaka lalandava, ka tsy tokony ho kivy na oviana na oviana.

2Hoy Izy hoe:

–Nisy mpitsara tsy nanan-tahotra an'Andriamanitra na hena-maso olona tao an-tanàna anankiray izay. 3Nisy koa tao amin'io tanàna io vehivavy anankiray mpitondratena, niverimberina tao amin'ilay mpitsara nanao hoe: «Omeo rariny amin'ilay miady amiko aho!» 4Elabe ilay mpitsara tsy niraika; nefa nony farany, dia nanao anakampo hoe: «Marina tokoa fa raha izaho dia tsy manan-tahotra an'Andriamanitra na hena-maso olona. 5Kanefa mandreraka ahy ny ataon-dravehivavy ity, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina foana hanorisory ahy!»

6Ary hoy ny Tompo:

–Henoy kely ny ambaran'ilay mpitsara ratsy fanahy! 7Ka dia Andriamanitra indray ve no tsy hanome rariny ny olom-boafidiny mitaraina andro aman'alina aminy? Ary hampiandry lava azy ireo ve Izy? 8Lazaiko aminareo fa hanome rariny azy faingana Andriamanitra. Kanefa rahatrizay tonga ny Zanak'olona*, moa hahita finoana eto an-tany ve Izy?

vendredi 12 décembre 2014

Zoma 12 Desambra 2014 - Isa 12 : 1 - 6

1Amin'izany andro izany,
ry olona voaavotra,
dia hiteny ianao ka hanao hoe:
«Midera Anao aho, TOMPO ô;
fa na tezitra tamiko aza Ianao,
dia afaka ny fahatezeranao
ka nampionona ahy Ianao.

2Indro Andriamanitra namonjy ahy,
matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony.
Ny TOMPO no heriko sy fidèrako,
fa Izy no mpamonjy ahy.»
3Amim-pifaliana no hantsakanareo
eo amin'ny loharanom-pamonjena.

4Amin'izany andro izany
dia hiteny ianareo ka hanao hoe:
«Miderà ny TOMPO, antsoy ny anarany,
ambarao amin'ny vahoaka rehetra ny asany,
ampahatsiarovy azy
fa tsy hay takarina ny anarany.
5Ankalazao an-kira ny TOMPO
fa asa lehibe no nataony;
ary aoka hampahafantarina eran-tany izany!»
6Mifalia sy miravoravoa,
ry mponina ao Tsiôna*,
fa lehibe Ilay eo anivonareo,
dia Ilay Masin'i Israely.

jeudi 11 décembre 2014

Alakamisy 11 Desambra 2014 - Apo 12 : 7 - 12

 7Dia nisy ady nitranga tany an-danitra: i Mikaela sy ny anjeliny* no niady tamin'ilay dràgona; ary niady ilay dràgona mbamin'ny anjeliny. 8Kanefa resy ilay dràgona, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony. 9Ary nazera ilay dràgona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly* na hoe Satàna*, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin'ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny. 10Dia reko nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Tonga izao ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakàn'ilay Andriamanitsika, tonga izao ny fahefàn'ilay Mesiany*; satria nazera ilay mpiampanga an'ireo havantsika, dia ilay mpiampanga azy ireo andro aman'alina teo anatrehan'Andriamanitsika. 11Ireo havantsika kosa dia naharesy ilay mpiampanga, ka ny ra nafoin'ny Zanakondry sy ny tenin'Andriamanitra nijoroan'izy ireo ho vavolombelona no nandreseny azy; ary tsy nankamamy ny ainy intsony ireo na dia ho faty aza. 12Noho izany, mifalia, ry lanitra sy ianareo monina ao aminy. Mampalahelo ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa nidina any aminareo ny devoly sady misafoaka mafy, satria fantany fa kely sisa ny androny!»

mercredi 10 décembre 2014

Alarobia 10 Desambra 2014 - Jao 6 : 34 - 40

34Ka hoy ny vahoaka tamin'i Jesoa:
–Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany!

35Ary hoy i Jesoa taminy:
–Izaho no mofo manome ny aina! Izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony; 36saingy voalazako taminareo fa efa mahita Ahy ianareo, nefa tsy mino. 37Izay rehetra omen'ny Ray Ahy no hanatona Ahy; ary izay hanatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany, 38satria nidina avy tany an-danitra Aho tsy hoe hanao ny sitrapoko fa hanao ny sitrapon'Ilay naniraka Ahy. 39Izao no sitrapon'Ilay naniraka Ahy: dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa ny hananganako azy ho velona amin'ny andro farany. 40Eny, izao no sitrapon'ny Raiko: dia ny hahavelona aina mandrakizay ny olona rehetra mibanjina sy mino ny Zanaka; ary Izaho dia hanangana azy ho velona amin'ny andro farany.

mardi 9 décembre 2014

Talata 09 Desambra 2014 - I Tim 4 : 6 - 10

6Raha izany torohevitra izany no arosonao ny havana iray finoana, dia ho mpanompo tsaran'i Kristy Jesoa ianao, ka hiharihary fa mivelona amin'ireo teny momba ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao ianao. 7Aoka ianao tsy hiraharaha izay angano manazimba fivavahana sady tsy misy fotony. Manazara tena amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra. 8Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra kosa dia mahasoa amin'ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin'ny ho avy. 9Azo antoka izany teny izany, ka mendrika hankatoavina tanteraka. 10Eny, izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria ny fanantenanay dia efa napetrakay amin'Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa ireo mino.

lundi 8 décembre 2014

Alatsinainy 08 Desambra 2014 - Jer 29 : 8 - 15

8«Izao koa no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr'i Israely: ‹Aza manaiky hofitahin'ireo mpaminany izay eo anivonareo na ireo mpisikidy. Aza mihaino ireo mpilaza nofy izay manazava ny nofinareo. 9Fa mihambo ho maminany amin'ny anarako izy nefa lainga izany, fa tsy naniraka azy akory Aho, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.› 10«Izao koa no lazain'ny TOMPO: ‹Rehefa naharitra fitopolo taona ny fanjakan'i Babilôna, dia hirotsaka an-tsehatra Aho noho ny aminareo; ka hotanterahiko ny soa nampantenaiko anareo: haveriko eto Jerosalema ianareo. 11Izaho manko no mahalala ny hevitra omaniko ho anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hoavy azo antoka no homeko anareo. 12Amin'izay raha miantso Ahy ianareo ka mivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. 13-14Raha mikatsaka Ahy ianareo, dia hahita Ahy. Izaho TOMPO dia manao teny hentitra aminareo hoe: Raha tadiavinareo amin'ny fonareo manontolo Aho, dia hanaiky ho hitanareo. Hanova izay manjo anareo Aho, ka havoakako avy any amin'ny firenen-kafa ianareo. Hangoniko ianareo ka haveriko eto amin'ny toerana izay nandefasako anareo ho babo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.››

dimanche 7 décembre 2014

Alahady 07 Desambra 2014 - I Jao 5 : 10 - 15

10Koa izay mino ilay Zanak'Andriamanitra no manana izany zavatra ambara izany ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra kosa dia efa nampandainga an'Andriamanitra, satria tsy nino ny zavatra nambarany momba ilay Zanany. 11Ary ny zavatra nambara dia izao: fiaina-maharitra mandrakizay no efa nomen'Andriamanitra antsika ary ao amin'ilay Zanany izany fiainana izany. 12Izay manana ny Zanaka no velona aina; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy velona aina.

13Izany no voasoratro ho anareo izay mino ny anaran'ilay Zanak'Andriamanitra*, mba hahafantaranareo fa velona aina mandrakizay ianareo. 14Ary izao no toky ananantsika eo anatrehan'Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; 15ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy na inona na inona angatahintsika, dia fantatsika koa fa azontsika izay angatahintsika aminy.

samedi 6 décembre 2014

Sabotsy 06 Desambra 2014 - Dan 3 : 13 - 18

13Tezitra sy nisafoaka mafy i Nebokadnetsara ka nampanalainy i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Rehefa tonga teo anatrehan'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo,

14dia nanontany azy i Nebokadnetsara hoe:

–Marina ve ry i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao fa tsy mety manompo ireo andriamanitro ianareo ary tsy mivavaka amin'ny sarivongana volamena izay natsangako? 15Ankehitriny, mivonòna ianareo, fa amin'ny fotoana izay handrenesanareo ny feon'ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamin'ny valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany, dia hiankohoka sy hivavaka amin'ny sarivongana izay nataoko ianareo; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ao anaty lafaoro misy afo mivaivay; ary iza no andriamanitra hahafaka anareo amin'ny fahefàko?

16Dia namaly i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao ka nanao hoe:

–Ry Nebokadnetsara, tsy misy tokony hamalianay anao akory momba izany. 17Fantaro fa afaka mamonjy anay ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra izay tompoinay; eny, hanafaka anay amin'ny lafaoro misy afo mivaivay sy amin'ny fahefànao Izy, ry mpanjaka. 18Ary na tsy hataony aza izany, dia aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa ireo andriamanitrao dia tsy hotompoinay ary ny sarivongana volamena izay natsanganao dia tsy hivavahanay.

vendredi 5 décembre 2014

Zoma 05 Desambra 2014 - Heb 10 : 32 - 39

32Tsarovy ny nanjo anareo tamin'ny andro fahiny. Fa rehefa nohazavain'Andriamanitra ianareo, dia niharam-pijaliana sy niaritra ady mafy tokoa: 33novetavetaina sy nampahorîna teo imasom-bahoaka ianareo indraindray, na niara-nizaka izay nanjo an'ireo natao toy izany koa indraindray; 34niarahanareo niaritra ny fijalian'izay voafonja; ary nony norobaina ny fanananareo, dia nekenareo tamin-kafaliana izany satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sady maharitra ianareo. 35Koa aza manary ny fahatokianareo fa misy valisoa lehibe izany. 36Ilainareo tokoa ny faharetana mba hanaovanareo ny sitrapon'Andriamanitra ka hahazoanareo izay ampanantenainy. 37Fa hoy ny Soratra Masina*:
            «Kely foana sisa
              dia ho tonga Ilay tsy maintsy ho avy,
              fa tsy hitaredretra.
              38Ary ny olo-marina eo imasoko noho ny finoana dia ho velona;
              fa raha mihemotra izy, dia tsy sitrako.»
39Isika kosa dia tsy mba naman'izay mihemotra ka ho very fa naman'izay mino ka ho voavonjy.

jeudi 4 décembre 2014

Alakamisy 04 Novambra 2014 - Sal 27 : 1 - 3

1 Nataon'i Davida.

Ny TOMPO no mpanazava sy mpamonjy ahy,
ka iza no hatahorako?
Ny TOMPO no toy ny manda miaro ny aiko,
ka iza no hangovitako?
2Raha manatona kosa ny olon-dratsy
toy ny biby masiaka hamely ahy,
dia ireo fahavalo mandrafy ahy ireo
no ho lavo hitsikasina amin'ny tany.
3Raha tafika no tonga hanao fahirano,
dia tsy hanan-tahotra akory aho;
ary na misy ady mihatra amiko aza,
dia handry fahalemana ihany aho.

mercredi 3 décembre 2014

Alarobia 03 Desambra 2014 - Lio 12 : 32 - 34

32–Aza matahotra, ry andian'ondry vitsy, fa efa sitraky ny Ray homena anareo ny Fanjakany*! 33Amidio ny fanananareo ka ny vola azo, anaovy asa fiantrana. Kitapom-bola tsy mety tontan'ny ela atao ho anareo, dia harena tsy mety lany any an-danitra; any tsy mba misy mpangalatra mihaodihaody na kadradraka manimba. 34Fa izay misy ny harenareo no hisy ny fonareo koa!

mardi 2 décembre 2014

Talata 02 Desambra 2014 - I Pet 2 : 1 - 10

1Koa esory ny haratsiam-panahy rehetra sy ny fitaka rehetra mbamin'ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanosoram-potaka isan-karazany. 2Tahaka ny zaza vao teraka ianareo ka irio fatratra ilay ronono madio, izany hoe ny tenin'Andriamanitra, mba hitomboanareo amin'izany ka hahazoanareo famonjena, 3raha tàhiny efa nandramanareo tokoa fa tsara fo ny Tompo.

4Manatòna ny Tompo ianareo, fa Izy no vato velona nolavin'ny olona, kanefa voafidy sady sarobidy eo anatrehan'Andriamanitra. 5Manatòna ny Tompo ianareo mba ho tahaka ny vato velona voarafitra ho trano onenan'ny Fanahy Masina, ka hiara-manao fisoronana amin'ny alalan'i Jesoa Kristy*. 6Fa izao no voalaza ao amin'ny Soratra Masina*:

«Indro Aho mametraka vatofehizoro ao Tsiôna*,
dia vato voafidy sady sarobidy;
ary izay mino Azy tsy mba hangaihay.»

7Ny maha vato sarobidy Azy dia ho anareo izay mino, ka
«ny vato nolavin'ny mpanao trano
no nanjary vato fehizoro»;
ho an'izay tsy mino kosa, 8dia
«vato mahasolafaka
sy vato mampianjera» izany.

Solafaka tamin'io vato io izy ireo satria tsy manaiky ny tenin'Andriamanitra, sady ny ho solafaka rahateo no nanendrena azy ireo.
9Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, vahoaka natao ho fananan'Andriamanitra, mba hitory ireo asa lehibe vitan'Andriamanitra Izay niantso anareo hiala tamin'ny haizina ho any amin'ny fahazavana mahagaga. 10Tsy vahoakan'Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa vahoakany; tsy nahazo ny famindrampon'Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa nahazo ny famindrampony

lundi 1 décembre 2014

Alatsinainy 01 Desambra 2014 - Mik 7 : 7 - 10

7Fa izaho kosa mitodika amin'ny TOMPO
ary manantena an'Andriamanitra mpamonjy ahy,
fa hihaino ahy ilay Andriamanitro.

8Aza mihomehy ny aminay ianareo fahavalonay!
fa na lavo aza izahay, dia mbola hiarina;
ary na mipetraka ao amin'ny maizina aza izahay,
dia ny TOMPO no fahazavana ho anay.
9Satria efa nanota tamin'ny TOMPO izahay,
dia hozakainay ny fahatezerany,
mandra-piarony ny adinay
ka hanomezany rariny anay.
Hamoaka anay ho eo amin'ny mazava Izy
ka ho finaritra izahay hahita ny soa nataony taminay.
10Hahita izany ny fahavalonay
ka ho rakotry ny henatra,
dia ireo niteny taminay hoe:
«Aiza ihany ny TOMPO Andriamanitrareo?»
Ho finaritra izahay hahita azy ireo,
fa amin'izay dia ho tonga fanosy
toy ny fotaka eny an-dàlana izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12