samedi 28 février 2015

Sabotsy 28 Febroary 2015 - Asa 10 : 44 - 48

44Raha mbola nilaza izany zavatra izany i Petera, dia nilatsahan'ny Fanahy Masina ny olona rehetra nihaino ny lahateniny. 45Talanjona ireo mpino jiosy tafaraka tamin'i Petera, satria narotsaka tamin'ny hafa firenena koa ny Fanahy Masina fanomezan'Andriamanitra; 46fa henony niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sady nankalaza an'Andriamanitra ny hafa firenena.

Tamin'izay dia hoy i Petera hoe:
47–Azo sakanana tsy hatao batisa* amin'ny rano ve ireto olona efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika ireto?

48Dia nasain'i Petera natao batisa amin'ny anaran'i Jesoa Kristy* izy rehetra. Ary nangatahin'izy ireo kosa i Petera mba hitoetra eo aminy andro vitsivitsy.

vendredi 27 février 2015

Zoma 27 Febroary 2015 - Jer 30 : 4 - 11

4-5Izao no hafatra nampitain'ny TOMPO tamin'i Jeremià ho an'i Israely ary koa ho an'i Joda; eny, izao no lazain'ny TOMPO:
              «Kiakiaka mahatsiravina no re,
             horohoro tsy misy mampitony.
             6Anontanio ka jereo
             raha misy lehilahy mihetsi-jaza.
             Ahoana àry Aho no mahita
             ny lehilahy rehetra mitan-kibo
             toy ny vehivavy mihetsi-jaza,
             ka hatsatra sy mivaloharika avokoa?
             7Loza ity! fa andro mampahatahotra,
             andro tsy misy toa azy;
             vanim-potoana mahory
             ho an'ny taranak'i Jakôba!
             Nefa ho afaka amin'izany ihany izy.»

8«Rehefa tonga izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn'izao rehetra izao, dia hopotehiko ny zioga* mitambesatra eny am-bozony ary hotapahiko ny fatorany. Tsy hanompo ny vahiny intsony izy, 9fa hanompo Ahy TOMPO Andriamaniny sy hanompo an'i Davida izay hatsangako ho mpanjakany indray.»

             10«Koa aza matahotra ianareo,
             ry taranak'i Jakôba mpanompoko,
             hoy ny teny hentitry ny TOMPO;
             aza kivy ianao, ry firenena Israely,
             fa indro Aho hamonjy anao
             avy any amin'ny faritany lavitra any;
             indro Aho hamonjy ireo taranakareo
             avy any amin'ny tany izay nahababo azy.
             Hiverina ianareo, ry taranak'i Jakôba,
             ka hiadana sy handry feizay
             fa tsy hisy hanaitaitra intsony.
             11Fa miaraka aminareo Aho,
             mba hamonjy anareo;
             teny hentitry avy amiko TOMPO izany.
             Hofongorako ny firenen-kafa rehetra
             izay nanelezako anareo;
             ianareo kosa tsy mba hofongorako,
             na dia tsy maintsy faiziko
             araka ny hitsiny ihany aza
             fa tsy havelako ho afa-maina.»

jeudi 26 février 2015

Alakamisy 26 Febroary 2015 - Asa 16 : 1 - 5

1Tonga tany Derba i Paoly, ary avy eo dia tany Listra. Nisy mpino anankiray natao hoe Timôty tao Listra, Jiosy niova ho kristianina ny reniny fa ny rainy kosa Grika. 2Tsara laza tamin'ireo havana iray finoana tany Listra sy tany Ikôniôma i Timôty 3ka nokasain'i Paoly ho mpiara-dia aminy. Dia nalain'i Paoly i Timôty ka noforany, mba tsy hanan-kolazaina ny Jiosy mponina amin'iny faritany iny, satria fantatry ny besinimaro fa Grika ny rainy. 4Tamin'ny tanàna rehetra notetezin'i Paoly sy ny namany dia notolorany an'ireo hevitra tapaky ny apôstôly* sy loholona* tany Jerosalema ny mpino, ary nasainy nitandrina izany. 5Koa nihamatotra ara-pinoana ny Fiangonana rehetra ary nitombo isa hatrany isan'andro vaky.

mercredi 25 février 2015

Alarobia 25 Febroary 2015 - Jer 23 : 25 - 32

25Izaho Tompo efa nandre izay nolazain'ireo mpaminany* mihambo miteny amin'ny anarako kanefa milaza lainga manao hoe: «Nanonofy aho, eny, nanonofy aho.» 26Mandra-pahoviana no ho toy izany? Fa inona no ao an-tsain'ireny mpaminany ireny, rehefa milaza lainga izy na milaza hevi-dravina ihany? 27Nony mifampitantara nofy izy, dia tsy mikendry afa-tsy ny hanadinoan'ny vahoakako Ahy, tahaka ny nanadinoan'ny razany Ahy ka nanompoany an'i Bahala*. 28Raha misy mpaminany manonofy, dia aoka izy hilaza ny nofiny! Fa raha mitondra hafatra avy amiko izy, dia aoka hanambara marina ny teniko!
                  Aoka tsy hafangaro ny mololo sy ny vary
                  hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
                 29ny teniko dia toy ny afo mandoro,
                 ary toy ny kanonta manorotoro vatolampy,
                 hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
30Noho izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia indro Aho hamely ireo mpaminany izay mifangalatra ny hafatro ireo. 31Eny, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, indro Aho hamely ny mpaminany izay nampifangaro ny teniny amin'ny teniko. 32Indro Aho hamely ny mpaminany mihambo ho mahita fahitana, hoy ny teny hentitra ambarako. Fa rehefa mitantara izany izy, dia mampivily ny vahoakako amin'ny lainga sy habobo ampitainy. Izaho anefa tsy naniraka azy na nanome baiko azy. Tsy mahasoa ny vahoakako akory izy, hoy ny teny hentitra ambarako.

mardi 24 février 2015

Talata 24 Janoary 2015 - Mat 4 : 1 - 11

1Ary dia notarihin'ny Fanahin'Andriamanitra hankany an-taniefitra i Jesoa, mba halain'ny devoly* fanahy. 2Rehefa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina i Jesoa, dia noana; 3ary nohatonin'ny mpaka fanahy Izy ka nataony hoe:
–Raha Zanak'Andriamanitra* tokoa Ianao, teneno ireo vato ireo hanjary mofo.

4Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izao no voalazan'ny Soratra Masina: «Tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.»

5Avy eo dia nentin'ny devoly ho any Jerosalema tanàna masina i Jesoa, ka najorony teo an-tendron'ny zoron'ny tempoly* 6sady nataony hoe:
–Raha Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao, mianjerà any ambany any, fa izao no voalazan'ny Soratra Masina:
«Homen'ny Tompo baiko ireo anjeliny noho ny aminao,
ka ny anjely* hitondra Anao eny an-tanany
mba tsy ho tafintohim-bato ny tongotrao.»

7Fa hoy i Jesoa taminy:
–Izao koa no voalazan'ny Soratra Masina: «Aza maka fanahy ny Tompo Andriamanitrao.»
8Ary nentin'ny devoly ho any amin'ny tendrombohitra avo dia avo indray i Jesoa, ka nasehony Azy ny fanjakana rehetra eo amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny 9sady nataony hoe:
–Homeko Anao avokoa ireo, raha miankohoka eto anoloako Ianao ho fanajana ahy!

10Tamin'izay dia hoy i Jesoa taminy:
–Mialà, ry Satàna, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina:
«Ny Tompo Andriamanitrao no hiankohofanao,
ary Izy irery no hivavahanao!»

11Izay vao nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy anjely* tonga teo amin'i Jesoa ka nanompo Azy.

lundi 23 février 2015

Alatsinainy 23 Febroary 2015 - Asa 8 : 8 - 38

 8Dia nisy hafaliana be tao amin'izany tanàna izany. 9Nisy lehilahy atao hoe Simôna efa tao amin'izany tanàna izany rahateo. Mpanao majika izy ka nahatalanjona ny mponina eran'i Samaria sady nanao ny tenany ho zavatra.

10Babony daholo ny olona, hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe, ka vaky vava hoe:
–Ity lehilahy ity no herin'Andriamanitra, dia ilay antsoina hoe «hery lehibe».

11Babon'i Simôna tokoa ny olona satria hatramin'ny ela no talanjona tamin'ny majîkany. 12Saingy rehefa nino ny Vaovao Mahafaly notorîn'i Filipo momba ny Fanjakàn'Andriamanitra* sy momba an'i Jesoa Kristy* izy ireo, dia niroso hatao batisa* avokoa na lahy na vavy. 13Ny tenan'i Simôna koa aza dia nino ka natao batisa; tsy nahasaraka an'i Filipo izy ary talanjona nahita ny famantarana sy ny asa lehibe mahagaga izay notontosaina. 14Ren'ny apôstôly* tany Jerosalema fa nandray ny tenin'Andriamanitra ny mponina tao Samaria, ka nirahiny hankany i Petera sy i Jôhany. 15Rehefa tonga tany Samaria izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny mpino mba handraisany ny Fanahy Masina; 16satria tsy mbola nisy nilatsahan'ny Fanahy Masina ireo mpino ireo na iray aza, fa vita batisa tamin'ny anaran'i Jesoa Tompo ihany. 17Dia nametrahan'i Petera sy Jôhany tanana izy rehetra ka nandray ny Fanahy Masina. 18Nony hitan'i Simôna fa ny fametrahan'ny apôstôly tanana* no nanomezana ny Fanahy Masina tamin'ireo mpino, dia notolorany vola i Petera sy i Jôhany 19sady nataony hoe:
–Omeo ahy koa re izany fahefana izany, dia mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana.

20Fa hoy i Petera taminy:
–Vereza miaraka amin'ny tenanao ny volanao satria nataonao fa azo vidîm-bola ny fanomezan'Andriamanitra. 21Tsy misy anjaranao na lovanao amin'ity raharaha ity satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra ianao. 22Koa ialao izao faharatsianao izao ary mangataha amin'ny Tompo mba hamelany izany fihevitry ny fonao izany, raha azo atao. 23Hitako manko fa mbola feno fialonana mangidy sy voafatotry ny fahotana ianao.

24Dia hoy i Simôna tamin'i Petera sy i Jôhany:
–Ianareo mihitsy no mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy hisy hihatra amiko akory izay voalazanareo.

25Rehefa avy nanao fijoroana vavolombelona sy nitory ny tenin'ny Tompo ry i Petera sy i Jôhany, dia nitodi-doha ho any Jerosalema, ka nanambara ny Vaovao Mahafaly teny amin'ny tanàna kely maro eran'i Samaria.

26Nisy anjelin*'ny Tompo nanao tamin'i Filipo hoe:
–Ndeha ianao mianatsimo ka mizora ny lalana midina avy eto Jerosalema mankany Gaza, dia ny lalana mamakivaky taniefitra.

27Dia nandeha avy hatrany i Filipo. Ary indro nisy lehilahy etiôpianina: izy io dia manamboninahitra tandapan'ny Kandasy (mpanjakavavin'i Etiôpia) sady mpitandrina ny fananany rehetra; nivahiny tany Jerosalema ralehilahy mba hivavaka, 28ary efa mby an-dalana hody tamin'izay. Nipetraka tao amin'ny kalesiny izy ary namaky ny bokin'i Isaià mpaminany*.

29Dia hoy ny Fanahy Masina tamin'i Filipo:
–Mandrosoa ka hatòny io kalesy io.

30Nilomay nanatona i Filipo ka nandre ilay Etiôpianina namaky ny bokin'i Isaià mpaminany, ary nanontany azy hoe:
–Azonao ve ny teny vakînao?

31Dia novalian-dralehilahy hoe:
–Ahoana moa no ho azoko, raha tsy mba misy manazava?
Niangavian'ilay tandapa i Filipo mba hitaingina ny kalesiny ary hipetraka eo anilany. 32Izao kosa no andalan'ny Soratra Masina* vinakin'ilay tandapa:

          «Toy ny ondry nentina hovonoina Izy,
            ary toy ny zanak'ondry moana manoloana ny mpanety azy:
            tsy niloa-bava akory!
           33Natao tsinontsinona Izy ary tsy nahazo rariny.
          Ary iza moa no hanan-kotantaraina ny amin'izay taranany?
          Satria fongotra teto an-tany ny fiainany.»

34Ka hoy ilay tandapa tamin'i Filipo:
–Azafady, tompoko, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany sa olon-kafa?
35Dia niteny i Filipo ary niainga avy amin'ireo andalan-tSoratra Masina ireo no nanambara ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Jesoa.

36Nizotra ny dian'izy roa lahy, ary mby teo amin'ny toerana anankiray misy rano, ka hoy ilay tandapa:
–Inty eto misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa*?
[ 37Dia novalian'i Filipo hoe:
–Raha amin'ny fonao manontolo no inoanao, dia azo atao batisa ianao.
Ary hoy ilay tandapa:
–Mino aho fa i Jesoa Kristy* no ilay Zanak'Andriamanitra*.]
38Nasain'ilay tandapa najanona ny kalesy, dia niara-nidina nankeo anaty rano izy mbamin'i Filipo, ary nataon'i Filipo batisa izy

dimanche 22 février 2015

Alahady 22 Febroary 2015 - Joe 2 : 12 - 17

12Hoy ny teny hentitry ny Tompo:
«Dieny ankehitriny,
miverena amiko amin'ny fonareo manontolo:
mifadia hanina*, mitomania
ary manaova fitalahoana.
13Aza ny fitafianareo ihany no triatriarina*
fa ny fonareo indrindra no ovay.»
Miverena amiko TOMPO Andriamanitrareo:
Fa miantra sy mamindrafo Izy
mahari-po sady be fitiavana
ary mamoy ny loza nandrahonany.
14Angamba mety hanenina Izy
ka hamela fitahiana ho anareo;
dia hisy fanatitra vokatry ny tany
sy fanatitra araraka azonareo atao
ho Azy TOMPO Andriamanitrareo.

15Tsofy ao Tsiôna* ny anjomara,
manokàna andro fifadian-kanina*,
ary miantsoa fivoriambe.
16Atobio miaraka ny vahoaka,
manokàna fotoana hiangonana.
Vorio ny antitra sy ny tanora
hatramin'ny zaza minono;
aoka handao ny efitranony ny mpivady vao.
17Aoka hitomany ao an-tempoly* ireo mpisorona*
izay mpanao fanompoam-pivavahana amin'ny TOMPO!
Eo anelanelan'ny lalantsara fidirana sy ny alitara*,
no aoka hanaovany izany ka hitenenany hoe:
«TOMPO ô, mba iantrao ny vahoakanao,
aza avela ho afa-baràka ny olonao
na holatsain'ny hafa firenena hoe:
‹Aiza izay Andriamanitrareo?› »

samedi 21 février 2015

Sabotsy 21 Febroary 2015 - I Mpa 17 : 17 - 24

17Fotoana vitsy taorian'izany, dia narary ny zanak'ilay vehivavy mpitondratena nampiantrano ny mpaminany. Mafy loatra anefa ny aretiny ka niafara tamin'ny fahafatesany izany.

18Dia hoy ravehivavy tamin'i Elià:
–Ry olon'Andriamanitra, nahoana no nanao izao tamiko ianao? Moa hampahatsiaro ny fahotako sy hahafaty ny zanako lahy ve no nahatongavanao tatỳ amiko?

19Hoy kosa i Elià namaly azy:
–Omeo ahy ny zanakao.

Dia nalainy teny an-tsandrin-dravehivavy izy ka nentiny tany an'efitra ambony izay nitoerany ary nampandriny teo am-parafarany.

20Dia nivavaka tamin'ny TOMPO izy ka nanao hoe:
–Ry TOMPO Andriamanitro ô, ity mpitondratena ity mba nampiantrano ahy, koa sitrakao ve ny hampahory azy amin'ny fahafatesan-janany?

21Dia niampatra intelo teo amin'ny zaza izy sady nitalaho mafy tamin'ny TOMPO hoe:
–Ry TOMPO Andriamanitro ô, mitalaho aminao aho mba hamelomanao indray ity zaza ity.
22Nohenoin'ny TOMPO ny vavak'i Elià, dia niverina taminy indray ny ain'ny zaza ka velona soa aman-tsara izy.

23Dia noraisin'i Elià ny zaza ka nentiny nidina ho ao amin'ny efitra ambany ary natolony an-dreniny sady nataony hoe:
–Indro fa velona ny zanakao!

24Ary hoy ravehivavy tamin'i Elià:
–Fantatro izao fa olon'Andriamanitra tokoa ianao ary miteny amin'ny alalanao marina ny TOMPO.

vendredi 20 février 2015

Zoma 20 Febroary 2015 - Neh 8 : 1 - 8

1-2Dia nivory toy ny olona iray ihany; teo amin'ny kianja anoloan'ny Vavahadin'ny Rano no nivoriany tamin'ny andro voalohan'io volana io. Nasain'ny vahoaka nalain'i Hezrà mpahay Lalàna ny bokin'ny Lalàn'i Mosesy, izay nandidian'ny TOMPO an'ireo Israelita. Dia nentin'i Hezrà mpisorona izany ho eo anatrehan'ny Fiangonana izay nahitana ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza rehetra efa mahahaino. 3Nanomboka ny maraina ka mandra-pahatongan'ny mitataovovonana, dia teo amin'ny kianja anoloan'ny Vavahadin'ny Rano i Hezrà ka namaky ny boky; ary nampandry sofina hihaino izany avokoa ny olona. 4Teo ambony lampihazo vao narafitra ho an'io fotoana io no nitsanganan'i Hezrà mpahay lalàna. Ary nitsangana teo anilany ankavanana ry i Matitià sy i Sema, i Hanaià sy i Orià ary i Hilkià sy i Mahaseià; teo ankaviany kosa ry i Pedaià sy i Misaela, i Malkià sy i Hasoma, i Hasbadanà sy i Zakarià ary i Mesolama. 5Dia nanokatra ny boky teo imason'ny vahoaka rehetra i Hezrà, satria ambony toerana noho ny daholobe; ka rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny vahoaka rehetra. 6Nisaotra ny TOMPO Andriamanitra lehibe i Hezrà; ary nanandra-tanana ny vahoaka rehetra ka namaly hoe: «Amen*!» Avy eo izy ireo dia niondrika sady niankohoka nitehi-tany teo anatrehan'ny TOMPO. 7Dia nitsangana indray ny olona ka samy nijanona teo amin'ny toerany avy. Ary ny levita*, ry i Jesoa sy i Banỳ, i Serebià sy i Jamina, i Hakoba sy i Sabetahy, i Hôdià sy i Mahaseià, i Kelità sy i Hazarià, i Jôzabada sy i Hanàna ary i Pelaià, dia nampianatra ny vahoaka ny lalàna. 8Novakîn'ireo levita ireo mazava ny boky mirakitra ny lalànan'Andriamanitra sady novoasany koa ny heviny, ka azo tsara ny teny novakîna.

jeudi 19 février 2015

Alakamisy 19 Febroary 2015 - II Tim 3 : 14 - 17

14Ianao kosa, mahareta tsara amin'izay nianaranao sy nekenao tokoa; satria fantatrao ireo olona nampianatra anao izany. 15Hatramin'ny fahazazànao no efa nahalalanao ny Soratra Masina* izay manome fahendrena anao hahazoanao famonjena, noho ny finoanao an'i Kristy Jesoa. 16Ny Soratra Masina rehetra dia nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra sady mahasoa hampianarana ny marina, hendresen-dahatra, hanitsiana ny diso, hanabeazana ho tia rariny, 17mba hahatonga ny olon'Andriamanitra ho tsara ofana sy ary fitaovana hanao asa soa isan-karazany.

mercredi 18 février 2015

Alarobia 18 Febroary 2015 - I Mpa 17 : 1 - 6

1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe:
–Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Israely izay tompoiko, koa manizingizina aminao aho fa tsy hisy ando na orana hilatsaka eto amin'ireo taona ato ho ato ireo, raha tsy teny avy amiko ihany.

2Dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elià nanao hoe:
3–Mialà eto ianao ka mizora miantsinanana ary miere any akaikin'ny riakan'i Kerita, any atsinanan'i Jôrdàna. 4Io riaka io no hisotroanao rano any, ary Izaho hanome baiko ny goaika hitondra sakafo ho anao.

5Dia notanterahin'i Elià izay nolazain'ny TOMPO taminy, ka lasa izy nipetraka tany akaikin'ny riakan'i Kerita. 6Ary marain-tsy hariva dia nitondra mofo sy hena ho azy ny goaika, fa rano teo amin'ny riaka kosa no nisotroany.

mardi 17 février 2015

Talata 17 Febroary 2015 - Lio 10 : 38 - 42

38Raha mbola nandeha ry i Jesoa sy ny mpianany*, dia niditra tao amin'ny tanàna anankiray i Jesoa ka izay vehivavy atao hoe Marta izay no nampiantrano Azy. 39I Marta dia nanan-drahavavy antsoina hoe Maria. Naka toerana teo an-tongotry ny Tompo i Maria ka nihaino ny teniny.

40Fa i Marta kosa sahirana tamin'ny raharaha isan-karazany; dia niato izy ka nanao hoe:
–Moa tsy mampaninona Anao ve, ry Tompo, izao amelan'ny rahavaviko ahy hanao raharaha irery izao? Mba asaovy manampy ahy re izy!

41Fa novalian'ny Tompo hoe:
–Marta, Marta, maro ahina sy be herehina loatra ianao, 42nefa zavatra iray ihany no ilaina; ka i Maria no efa nifidy ny anjara soa indrindra, izay tsy halana aminy.

lundi 16 février 2015

Alatsinainy 16 Febroary 2015 - Eks 9 : 20 - 26

20Ny sasany tamin'ireo tandapan'ny Farao dia natahotra ny tenin'ny TOMPO ka nampialoka ny mpiasany sy ny biby fiompiny tany an-trano. 21Ny sasany kosa tsy niraharaha ny tenin'ny TOMPO, ka namela ny mpiasany sy ny biby fiompy teny an-tsaha ihany.

22Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Atsangano manondro lanitra ny tananao! Aoka ny havandra hirotsaka amin'ny tany Ejipta manontolo, amin'ny olona sy ny biby fiompy ary amin'ny voly rehetra any an-tsaha.

23Natsangan'i Mosesy nanondro lanitra ny tehiny, dia nampisy kotrokorana sy havandra ny TOMPO: nilatsaka ny varatra, ary nampirotsaka havandra tamin'ny tany Ejipta ny TOMPO. 24Dia nisy havandra niaraka amin'ny tafiotra sy ny varatra, ka tsy mbola nisy havandra be toy izany manerana Ejipta manontolo hatramin'izay nahafirenena azy. 25Nanerana an'i Ejipta manontolo ny havandra ka namely izay rehetra tany an-tsaha na olona na biby; nasiany koa ny voly rehetra ary nopotehiny ny hazo rehetra tany an-tsaha. 26Ny faritany Gôsena izay nonenan'ny Israelita ihany no tsy nisy havandra.

dimanche 15 février 2015

Alahady 15 Febroary 2015 - I Tes 2 : 13 - 16

13Izao koa no mahatonga anay ho velom-pisaorana tsy tapaka an'Andriamanitra: rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra notorînay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olombelona izany, fa noraisinareo ho tenin'Andriamanitra, araka ny tena izy, ary dia miasa ao aminareo izay mino. 14Ianareo, ry havana, dia efa tahaka ny kristianina ao amin'ireo Fiangonan'Andriamanitra any Jodea, izay tafaray amin'i Kristy Jesoa; izay nanjo anareo tamin'ny nafitsoky ny mpiray firenena aminareo no nanjo azy ireo koa tamin'ny nafitsoky ny Jiosy. 15Namono nahafaty an'i Jesoa Tompo sy ny mpaminany* ry zareo Jiosy sady nanenjika anay; ka tsy mahazo sitraka amin'Andriamanitra ireo sady fahavalon'ny olona rehetra. 16Sakanan-dry zareo izahay tsy hitory amin'ny hafa firenena* ilay hafatra mitondra famonjena, hany ka mihafeno hatrany ny fatran'ny fahotana vitan'ny Jiosy, kanjo, tamin'ny farany, dia niharan'ny fahatezeran'Andriamanitra* ireo.

samedi 14 février 2015

Sabotsy 14 Febroary 2015 - Lio 4 : 31 - 37

31Nidina tany Kafarnahòma tanàna any Galilea i Jesoa ka nampianatra ny olona isaky ny sabata*. 32Talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria feno fahefana ny teniny. 33Ary tao amin'ny sinagôga* dia nisy lehilahy azon'ny fanahin-demony* maloto, ka niantsoantso tamin'ny feo mahery hoe:
34–Aoka re fa hataonao inona izahay, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga handringana anay ve Ianao? Fantatro anie fa Ianao no ilay Masina avy amin'Andriamanitra e!

35Notenenin'i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe:
–Mangina, ary mialà amin-dralehilahy io!

Dia nandavo an-dralehilahy tamin'ny tany teo afovoan'ny vahoaka ny demony vao niala taminy, nefa tsy nandratra azy. 36Raiki-tahotra izy rehetra sady nifampiresaka hoe:
–Ahoana re izany teny izany? Fa baikon'ity olona ity amim-pahefana sy hery ny fanahy maloto, dia lasa!

37Ary niely teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazan'i Jesoa.

vendredi 13 février 2015

Zoma 13 Febroary 2015 - Sal 119 : 97 - 104

97Endrey ny fitiavako ny lalànanao;
tontolo andro dia izy no saintsainiko.
98Ny didinao, izay fananako mandrakizay,
dia mahatonga ahy ho hendry noho ny fahavaloko.
99Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho,
satria misaintsaina ny baikonao.
100Mahira-tsaina noho ny zokiolona aho,
satria ny fepetranao no arahiko.
101Tsy nisy nekeko ny sori-dalàn'ny faharatsiana
mba hitandremako ny teninao.
102Tsy mba miala amin'ny fitsipikao aho,
fa Ianao dia Ianao no mampianatra ahy.
103Mamy tokoa amiko ny hafatrao,
eny, manoatra noho ny tantely aza.
104Ny fepetranao mampahira-tsaina ahy;
koa hàlako rehefa mety ho soritra mamitaka.

jeudi 12 février 2015

Alakamisy 12 Febroary 2015 - Gen 15 : 1 - 6

1Taorian'ireo zavatra ireo, dia niseho tamin'i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe:
–Aza matahotra ianao, ry Abrama, fa Izaho no mpiaro anao; ary ny valisoanao dia ho lehibe tokoa.

2Fa namaly i Abrama hoe:
–Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, 3inona no homenao ahy? Izaho ity ho faty tsy manan-taranaka; ary i Elihezera, mpitandrina ny ato an-tranoko, no handova ahy, satria ianao tsy nanome ahy taranaka.

4Fa hoy ny TOMPO taminy:
–Tsy handova anao izy, fa ilay haterakao ihany no handova anao.

5Dia nentin'ny TOMPO nivoaka teny ivelan'ny tranolay izy ka nilazany hoe:
–Jereo ange ny lanitra ary isao ny kintana, raha afaka manisa azy ianao!

Dia mbola nampiany hoe:
–Ho toy izany ny taranakao!
6Ary i Abrama nino ny TOMPO; dia naneken'ny TOMPO azy ho marina izany.

mercredi 11 février 2015

Talata 11 Febroary 2015 - Asa 6 : 1 - 7

1Tamin'izany andro izany, dia nihamaro be ny mpianatra*, ka nifanditra tamin'ny Jiosy miteny hebreo ny Jiosy miteny grika satria natao tsirambina ny mpitondratena teo aminy tamin'ny fizaràna sakafo isan'andro. 2Dia novorîn'ny 12 lahy ny mpianatra rehetra ka nataony hoe:

–Tsy rariny raha ilaozanay mitantana sakafo ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra. 3Noho izany, ry havana, aoka hisy olona fito lahy hotsongaina avy eo afovoanareo, dia olona tsara laza sady feno Fanahy Masina ama-pahendrena, mba hampiandraiketanay izany raharaha izany. 4Izahay kosa dia hilofo amin'ny vavaka sy ny fitorian-teny.

5Nankasitrahan'ny besinimaro izany teny izany. Dia nofidin'ny mpianatra i Stefàna lehilahy vontom-pinoana sy feno Fanahy Masina, ary koa i Filipo sy i Prôkôro, i Nikanôra sy i Timôna, i Parmenà ary i Nikôlà; ka i Nikôlà dia hafa firenena* avy any Antiôkia, efa mpanaraka ny fivavahana jiosy. 6Naroso teo anatrehan'ny apôstôly izy fito lahy ka nanaovan'ny apôstôly vavaka sy nametrahany tanana. 7Niroborobo ny tenin'Andriamanitra, nitombo be dia be ny isan'ny mpianatra tao Jerosalema, ary nisy mpisorona maro nanaiky ny finoana.

mardi 10 février 2015

Talata 10 Febroary 2015 - Jer 29 : 8 - 15

8«Izao koa no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr'i Israely: ‹Aza manaiky hofitahin'ireo mpaminany izay eo anivonareo na ireo mpisikidy. Aza mihaino ireo mpilaza nofy izay manazava ny nofinareo. 9Fa mihambo ho maminany amin'ny anarako izy nefa lainga izany, fa tsy naniraka azy akory Aho, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.› 10«Izao koa no lazain'ny TOMPO: ‹Rehefa naharitra fitopolo taona ny fanjakan'i Babilôna, dia hirotsaka an-tsehatra Aho noho ny aminareo; ka hotanterahiko ny soa nampantenaiko anareo: haveriko eto Jerosalema ianareo. 11Izaho manko no mahalala ny hevitra omaniko ho anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hoavy azo antoka no homeko anareo. 12Amin'izay raha miantso Ahy ianareo ka mivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. 13-14Raha mikatsaka Ahy ianareo, dia hahita Ahy. Izaho TOMPO dia manao teny hentitra aminareo hoe: Raha tadiavinareo amin'ny fonareo manontolo Aho, dia hanaiky ho hitanareo. Hanova izay manjo anareo Aho, ka havoakako avy any amin'ny firenen-kafa ianareo. Hangoniko ianareo ka haveriko eto amin'ny toerana izay nandefasako anareo ho babo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›

lundi 9 février 2015

Alatsinainy 09 Febroary 2015 - II Pet 1 : 16 - 21

16Tsy angano tsara lahatra no narahinay, raha nampahafantatra anareo ny hery nampombana ny fiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika, fa tena nahita maso ny fiandrianany izahay. 17Eny, nahazo haja amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray i Jesoa, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin'Andriamanitra be voninahitra indrindra nanao hoe: «Ity no Zanako* Malalako; Izy no sitrako.» 18Renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka tamin'i Jesoa tany an-tendrombohitra masina izahay. 19Ary mafy orina kokoa ho antsika ny tenin'ireo mpaminanin*'Andriamanitra; ka tsara raha ifantohanareo izany toy ny ifantohanareo amin'ny jiro mamiratra anaty toerana maizimaizina, mandra-pahazàvan'ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro ao am-ponareo. 20Izao anefa voalohany indrindra no tsara ho fantatrareo: ny fivoaboasana ny teny faminaniana rehetra raketin'ny Soratra Masina* dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; 21satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona, fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona izay nentanin'ny Fanahy Masina.

dimanche 8 février 2015

Alahady 08 Febroary 2015 - Mar 4 : 10 - 20

10Rehefa nitokana lavitra ny vahoaka i Jesoa, dia nanontany Azy ny hevitry ny fanoharana* ireo mpomba Azy mbamin'ny 12 lahy, 11ka novaliany hoe:
–Ianareo no efa nomena ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn'Andriamanitra*; fa ho an'ireo any ivelany kosa dia manjary ankamantatra saro-pantarina ny zavatra rehetra, 12hany ka
«hijery dia hijery izy fa tsy hahita
ary hihaino dia hihaino fa tsy hahafantatra,
afa-tsy raha miverina amin'Andriamanitra izy ka ho voavela heloka.»

13Dia hoy i Jesoa tamin'ireo mpomba Azy sy tamin'ny 12 lahy:
–Tsy azonareo ve ilay fanoharana teo? Ka hataonareo ahoana no fahazo ny fanoharana hafa rehetra? 14Ny mpamafy dia mamafy ny tenin'Andriamanitra. 15Ao ny amafazana ny teny eo amoron-dalana: vao mahaheno izy, dia tonga i Satàna* manaisotra ny teny voafafy tao aminy. 16Ao koa ny amafazana an-tany be vato: vao mahaheno ny teny izy, dia mandray azy an-kafaliana, 17saingy tsy alatsany lalina ao aminy fa vetivety foana no itanany azy; ka raha vao mitranga ny fahoriana na fanenjehana noho ny tenin'Andriamanitra, dia very finoana izy. 18Ao indray ny amafazana anaty tsilo: mahaheno ny teny izy, 19saingy ny fiahiana ny fiainana etoana sy ny fanodokan'ny harena ary ny fitsiriritana hafa rehetra, samy miditra ao aminy, ka mangeja ny teny tsy ho afa-mamoa. 20Ao koa ny amafazana an-tany lonaka, dia ireo mahaheno ny teny sy mandray azy ka mamokatra: ny iray telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny.

samedi 7 février 2015

Sabotsy 07 Febroary 2015 - Lio 24 : 28 - 25

 28Nony injay izy telo mianaka efa akaiky ny tanàna halehan'ireto mpianatra roa lahy, dia mody nanohy ny diany hatrany i Jesoa, 29fa notazonin'ireo nataony hoe:
–Mijanòna re miaraka aminay, fa efa hariva izao ary efa mandrorona ny andro!
Dia niantrano Izy ka niara-nijanona taminy. 30Raha nipetraka hiara-misakafo iny izy telo mianaka, dia nandray ny mofo i Jesoa; ary nisaorany an'Andriamanitra izany ka nozarainy sy nomeny azy roa lahy. 31Izay vao nisokatra ny mason'ireto mpianatra, ka nahafantatra Azy; fa i Jesoa kosa nanjary tsy hitany intsony.

32Dia nifampilaza izy roa lahy hoe:
–Tsy nirehidrehitra ve ny fontsika tamin'Izy niresaka tamintsika teny an-dalana sy nivaofy ny Soratra Masina?

33Teo no ho eo ihany, dia niainga niverina nankany Jerosalema izy roa lahy ka nahita ny 11 lahy sy ny namany tafavory 34nilaza hoe:
–Efa nitsangana velona tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin'i Simôna!
35Izy roa lahy koa mba nitantara ny zava-niseho teny an-dalana sy ny nahafantarany an'i Jesoa fony Izy nizara ny mofo.

vendredi 6 février 2015

Zoma 06 Febroary 2015 - Lio 24 : 17 - 27

17Dia hoy i Jesoa taminy:
–Inona izao iadianareo hevitra etỳ an-dalana izao?
Dia niato kely izy roa lahy sady maloka endrika erỳ.

18Ary namaly Azy ny anankiray atao hoe Kleôpasy ka nanao hoe:
–Ianao irery ve no vahiny mandalo eto Jerosalema tsy mahalala ny zava-nitranga tao, tato ho ato?

19Dia hoy i Jesoa taminy:
–Zavatra inona moa izany?

Ka novalian'izy roa lahy hoe:
–Ny amin'i Jesoa avy any Nazareta, Izay mpaminany* mahery tamin'ny asany sy tamin'ny teniny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka manontolo; 20kanjo natolotry ny lohandoha-mpisorona sy ny manampahefana eto amintsika mba hohelohina ho faty ary nasainy nohomboana tamin'ny hazofijaliana. 21Nanantena izahay fa Izy no Ilay hanavotra an'i Israely*, ary tsy izany ihany fa androany izao no andro fahatelo hatramin'ny nitrangan'izany. 22Nisy ihany anefa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra: tany amin'ny fasana vao maraina be ry zareo, 23saingy tsy nahita ny vatan'i Jesoa, ary niverina nitantara taminay fa nisehoan'ny anjely* anankiroa, ka ireo anjely, hono, nilaza fa velona Izy. 24Dia nisy tamin'ny lehilahy namanay mba nankany amin'ny fasana ka nahita araka ny filazan'ireo vehivavy, fa Izy tsy hitany.

25Dia hoy i Jesoa tamin'izy roa lahy:
–Olona votsa saina ianareo ary ela vao mino izay rehetra voalazan'ny mpaminany*! 26Moa tsy tokony ho niaritra izany ve ny Mesia*, alohan'ny hidirany any amin'ny voninahiny?
27Dia nohazavain'i Jesoa tamin'ireto mpianatra ny momba Azy ao amin'ny Soratra Masina* manontolo, nanomboka tamin'ny bokin'i Mosesy ka nitohy tamin'ny bokin'ny mpaminany rehetra.

jeudi 5 février 2015

Alakamisy 05 Febroary 2015 - Rom 10 : 16 - 21

 16Tsy àry nanaiky ny Vaovao Mahafaly avokoa anefa ny olona rehetra, fa hoy i Isaià hoe: «Tompo ô, iza no nino ny hafatra nambaranay?» 17Koa ny finoana dia vokatry ny hafatra ambara; ary ny hafatra ambara dia ny teny momba an'i Kristy. 18Kanefa manontany aho hoe: Sao tsy nandre ny hafatra ny olona? Nandre tokoa izy rehetra, fa izao no tenin'ny Soratra Masina:
                    «Lasa nanerana ny tany tontolo ny feon'ireo mpitory,
                      ary nipaka hatrany amin'ny faran'ny tany ny teniny!»
19Dia mbola nanontany aho hoe: Sao tsy azon'ny vahoaka Israely* ny filazana? Valin'izany, dia i Mosesy aloha no milaza hoe:
                    «Hataoko velom-pialonana an'izay tsy firenena ianareo,
                      hoy Andriamanitra;
ary hataoko mirehi-pahatezerana amin'izay firenena tsy manan-tsaina!»
20Fa i Isaià aza dia sahy milaza hoe:
                    «Nanaiky ho hitan'izay tsy nitady Ahy Aho,
                      hoy Andriamanitra,
ary niseho niharihary tamin'izay tsy nanontany Ahy.»
21Ny amin'i Israely kosa dia hoy i Isaià hoe:
                    «Tontolo andro no nanolorako tanana
                      izay vahoaka sady tsy manaiky no mikomy.»

mercredi 4 février 2015

Alarobia 04 Febroary 2015 - Deo 18 : 15 - 22

15Mpaminany* anankiray tahaka ahy izao, mpaminany hipoitra avy amin'ny mpiray firenena aminareo, no hatsangan'ny TOMPO Andriamanitrareo ho anareo; izy no hohenoinareo. 16Izany indrindra no nangatahinareo tamin'ny TOMPO Andriamanitrareo fony ianareo tafavondrona tany Hôreba* ka nitenenanareo hoe: «Aoka tsy ny feon'ny TOMPO Andriamanitray intsony no ho henonay, ary aoka tsy ho hitanay intsony izany afo lehibe izany, fandrao maty izahay». 17Dia hoy ny TOMPO tamiko: «Tsara ny nilazany an'izany. 18Mpaminany anankiray tahaka anao izao, mpaminany hipoitra avy amin'ny mpiray firenena aminy, no hatsangako ho azy; hataoko eo am-bavan'io mpaminany io ny teniko, ka izay rehetra hasaiko hambarany no holazainy amin'ireo mpiray firenena aminy. 19Izay rehetra tsy mihaino ny teny izay holazain'io mpaminany io amin'ny anarako, dia Izaho no hampamoaka azy ny amin'izany. 20Fa ny mpaminany izay sahy hilaza amin'ny anarako zavatra tsy nasaiko nambarany, na izay miteny amin'ny anaran'andriamani-kafa, dia hatao maty izany mpaminany izany.» 21Ianareo angamba hanao anakampo hoe: «Ahoana no hahafantaranay ny teny tsy nolazain'ny TOMPO!» 22Raha hoe miteny amin'ny anaran'ny TOMPO ilay mpaminany, kanefa tsy mitranga na tsy tanteraka ny zavatra nolazainy, dia teny tsy nolazain'ny TOMPO izany: fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany ka aoka tsy hampihontsina anareo izy.

mardi 3 février 2015

Talata 03 Febroary 2015 - Jao 20 : 30 - 31

30Maro koa ny famantarana* hafa nataon'i Jesoa teo imason'ny mpianany* no tsy voasoratra amin'ity boky ity. 31Fa voasoratra ireo famantarana ireo mba hinoanareo fa i Jesoa no ilay Mesia*, ilay Zanak'Andriamanitra*, ary mba hahavelona aina anareo amin'ny alalany, raha mino Azy ianareo.

lundi 2 février 2015

Alatsinainy 02 Febroary 2015 - I Kor 15 : 1 - 11

1Tiako hampahatsiahivina anareo, ry havako, ilay Vaovao Mahafaly* izay notorîko taminareo ka noraisinareo sady ifikiranareo. 2Izany Vaovao Mahafaly izany no amonjena anareo koa, raha tananareo araka ny nitoriako azy; raha tsy izany kosa dia ninonino foana ianareo. 3Izao no fampianarana isan'ny voalohany indrindra voaraiko ary nampitaiko taminareo: i Kristy dia maty ho fanalana ny fahotantsika araka ny voalazan'ny Soratra Masina*, 4nalevina, nitsangana velona tamin'ny andro fahatelo araka ny voalazan'ny Soratra Masina, 5ary niseho tamin'i Petera, vao tamin'ny 12 lahy. 6Manaraka izany, dia mpianany* mihoatra ny 500 no indray nisehoany: mbola velona mandraka androany ny ankamaroany amin'ireo, fa ny sasany ihany no efa nodimandry. 7Taorian'izay, dia nisehoany koa i Jakôba, vao ny apôstôly* rehetra. 8Ary faran'izy rehetra, mba nisehoany koa aho, izay toy ny zaza tsy tonga volana. 9Raha izaho manko dia faraidiny amin'ny samy apôstôly, ka tsy mendrika hantsoina hoe apôstôly satria efa nanenjika ny Fiangonan'Andriamanitra. 10Saingy ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy, ary tsy very maina tao amiko ny fahasoavana nomena ahy; fa niasa mihoatra noho ny apôstôly rehetra aho, kanefa tsy izaho, fa ilay fahasoavan'Andriamanitra niaraka tamiko. 11koa izany àry no torînay, na izaho na ry zareo; ary izany no efa ninoanareo.

dimanche 1 février 2015

Alahady 01 Febroary 2015 - Jos 1 : 1 - 9

1Taorian'ny nahafatesan'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO, dia nitenenan'ny TOMPO i Josoa zanakalahin'i Nona sady mpanampy an'i Mosesy nataony hoe:

2–Efa maty i Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna ankehitriny ianao sy ireto vahoaka rehetra ireto ka mità ity renirano Jôrdàna ity mba hiditra ao amin'ny tany izay omeko ny Israelita. 3Araka izay efa nampanantenaiko an'i Mosesy, dia omeko anareo ny toerana rehetra hodiavin'ny tongotrareo. 4Ny taninareo dia manomboka eo amin'ny taniefitra any atsimo ka mipaka hatrany amin'ny tendrombohitr'i Libano any avaratra; ary manomboka eo amin'ny ony Eofrata any atsinanana, dia mamakivaky ny tanin'ny Hetita, ka mipaka hatrany amin'ny Ranomasina Mediteranea any andrefana. 5Ry Josoa, tsy misy olona hahatohitra anao mandritra ny androm-piainanao rehetra, fa homba anao Aho tahaka izay efa nombako an'i Mosesy. Tsy hanary anao Aho na handao anao na oviana na oviana. 6Aoka ho sahy sy hahery ianao, fa ianao no hitarika ireto vahoaka ireto handova ny tany izay nianianako tamin'ny razambeny fa homeko azy. 7Eny, aoka ho sahy sy hahery tokoa ianao mba himasoanao ny hanao araka ny lalàna manontolo izay nampitain'i Mosesy mpanompoko taminao. Aza misy anaovana tsirambina mihitsy izany na kely aza, dia hahomby ianao amin'izay rehetra ataonao. 8Aoka ianao hahavatra mamaky ity bokin'ny lalàna ity ary handinika azy andro aman'alina mba himasoanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra anatiny. Amin'izay dia ho tontosanao tsara ny fikasanao rehetra ary hahomby ianao. 9Moa tsy efa nandidy anao ve Aho mba ho sahy sy hahery? Koa aza matahotra na mivadi-po fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no homba anao amin'izay rehetra alehanao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12