mardi 31 mars 2015

Talata 31 Martsa 2015 - Sal 66 : 8 - 12

8Rey vahoaka, isaory ilay Andriamanitray,
ataovy maredona ny fiderana Azy,
9satria Izy no mahavelona aina anay;
tsy navelany ho solafa-mamindra izahay.

10Nozahanao toetra izahay, Andriamanitra ô,
nosedrainao toa volafotsy anaty memy,
11nampidirinao am-pandrika
sy novesaranao fitsapana.
12Olon-dratsy no navelanao hanosihosy anay;
izahay dia voatery namaky afo sy rano,
kanjo nafahanao ihany
sy nampahazoinao aina.

lundi 30 mars 2015

Alatsinainy 30 Martsa 2015 - Rom 5 : 1 - 5

1Noho ny finoana àry dia tonga olo-marina eo imason'Andriamanitra isika sady efa mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika. 2Amin'ny alalan'i Jesoa ihany koa, rehefa mino isika, no ahazoantsika manatona ilay fahasoavana efa misy antsika ankehitriny; ary ny ireharehantsika dia ny fanantenana hanana anjara amin'ny voninahitr'Andriamanitra. 3Tsy izany ihany, fa ireharehantsika koa ny fahoriana mahazo antsika: satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; 4ny faharetana mahatonga toetra voasedra; ny toetra voasedra mahatonga fanantenana; 5ary ny fanantenana tsy mba manodoka, fa efa voarotsaka ao am-pontsika ny fitiavan'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina Izay nomena antsika.

dimanche 29 mars 2015

Alahady 29 Mars 2015 - Jao 12 : 12 - 19

12Ny ampitson'iny, dia ren'ny vahoaka maro izay tonga hankalaza ny Paska* fa ho avy ao Jerosalema i Jesoa.

13Dia naka sampan-drofia izy ireo, ka niainga hitsena Azy sady niantsoantso hoe:
–Dera anie ho an'Andriamanitra! Hombàm-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie Ilay avy, ilay Mpanjakan'i Israely!

14I Jesoa kosa nahita zana-boriky anankiray, ka nitaingina azy, araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe:
                   15«Aza matahotra, ry mponina ao Tsiôna*!
                        Indro fa tonga ny Mpanjakanareo
                        mitaingina zana-boriky!»

16Izany zavatra izany dia tsy azon'ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa nomen'Andriamanitra voninahitra i Jesoa, vao tsaroan'ny mpianany fa voalazan'ny Soratra Masina ny amin'i Jesoa izany sady nataon'ny olona taminy.

17Vavolombelona manambara an'i Jesoa ny vahoaka izay niaraka taminy fony Izy niantso an'i Lazara hiala tao am-pasana sy nanangana azy ho velona avy any amin'ny maty. 18Izany koa no nitsenan'ny vahoaka azy: efa ren'izy ireo manko ny nanaovan'i Jesoa izany famantarana izany.

19Tamin'izay ny Farisianina* dia nifampilaza hoe:
–Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona ianareo! Jereo fa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao*.

samedi 28 mars 2015

Sabotsy 28 Martsa 2015 - Mat 13 : 24 - 30

24Ary nanolotra fanoharana* hafa tamin'ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe:
–Ny Fanjakàn'ny lanitra* dia tahaka ny amin'ity lehilahy namafy voa tsara tamin'ny tanimbariny.

25Kanjo raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalon-dralehilahy tompon-tanimbary ka namafy voan-tsimparifary tamin'ny vary, dia lasa nandeha. 26Rehefa naniry ny vary ka niteraka dia nipoitra koa ny tsimparifary.

27Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nilaza taminy hoe: «Tompoko, tsy voa tsara ve no nafafinao tamin'ny tanimbarinao? Koa avy aiza kosa ny tsimparifary?»

28Dia novaliany hoe: «Fahavalo no nanao izany!»

Ary hoy ny mpanompony taminy: «Koa tianao ve ny handehananay hanaisotra ny tsimparifary?»

29Fa nataon'ny tompon-tanimbary hoe: «Tsia, fandrao hongotanareo mbamin'ny vary raha esorinareo ny tsimparifary!»

30Aoka ihany hiara-maniry izy roroa mandra-piavin'ny taom-pijinjana; ary amin'izay vao holazaiko amin'ny mpijinja hoe: «Esory aloha ny tsimparifary, ka fehezo ho amboarany mba hodorana; fa ny vary kosa, angony ho any an-tsompitro.»

vendredi 27 mars 2015

Zoma 27 martsa 2015 - Mar 7 : 24 - 30

24Dia niala teo i Jesoa ary lasa nankany amin'ny faritany akaikin'ny tanàna atao hoe Tiro; ary niditra tao an-trano anankiray Izy fa tsy te ho fantatry ny olona, kanefa tsy afa-niafina. 25Dia nisy vehivavy anankiray izay, nanan-janaka vavy azon'ny fanahy maloto; vao nandre momba an'i Jesoa ravehivavy, dia lasa nankao aminy ka niankohoka teo an-tongony. 26Miteny grika ravehivavy sady Sirôfenisianina firazanana; ary niangavy an'i Jesoa izy handroaka ny demony* hiala tao amin-janany.

27Fa hoy i Jesoa taminy:
–Avelao aloha ho voky ny zanaka nateraka, fa tsy tsara raha ny mofon-janaka no alaina ka atsipy ho an'ny amboa kely.

28Dia namaly ravehivavy ka nanao hoe:
–Nefa, Tompoko, na ny amboakely ao ambany latabatra aza, dia mba mihinana ny sombintsombiny avy amin'ny mofon'ny ankizy ihany.

29Dia hoy i Jesoa taminy:
–Izany no teninao, ka dia modia fa efa niala tamin'ny zanakao ny demony.

30Ary rehefa niala teo ravehivavy ka tonga tany an-tranony, dia nahita ny zanany matory tsara eo am-pandriana, efa nialan'ny demony.

jeudi 26 mars 2015

Alakamisy 26 Martsa 2015 - Sal 11 : 4 - 7

4–Ny TOMPO anefa dia ao amin'ny Tempoliny* masina
sady eo an-tsezafiandrianany any an-danitra.
Arahiny maso ny olombelona
ka indray mijery dia voatombany.
5Voatomban'ny TOMPO tokoa
ny olo-marina sy ny olon-dratsy
ka hàlany ireto mpankamamy herisetra.
6Aoka ho vainafo sy solifara
no halatsany toa ranonorana
eo an-dohan'ireo olon-dratsy!
Dia tafio-drivotra mahamay
no anjara homeny azy ireo.
7Eny, marina ny TOMPO ka tia fahamarinana;
ary ny mahitsy fo no hifanatri-tava aminy.

mercredi 25 mars 2015

Alarobia 25 Martsa 2015 - Isa 48 : 9 - 11

9Fa satria Andriamanitra Aho,
dia notoneko ny fahatezerako
ary ho fitandroako ny voninahitro,
dia nandà tsy handringana anareo Aho.
10Indro nosedraiko ianareo, nefa tsy tamin'ny afo
toy ny fanao amin'ny volafotsy;
fa tamin'ny memin'ny fahoriana
no nandiovako anareo.
11Noho ny amiko no nanaovako izany,
eny, noho ny amiko ihany,
satria tsy zakako velively
ny hanalam-baràka ny anarako;
ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.

mardi 24 mars 2015

Talata 24 Martsa 2015 - II Kor 13 : 5 - 10

5Diniho ny tenanareo, ka izahao toetra raha velona amin'ny finoana tokoa ianareo na tsia. Fantatrareo tsara fa ao anatinareo i Jesoa Kristy, afa-tsy raha olona tsy voazaha toetra ianareo! 6Manantena kosa aho fa raha izahay, dia ho fantatrareo fa tsy mba olona tsy voazaha toetra. 7Mangataka am-bavaka amin'Andriamanitra izahay mba tsy hahavita ratsy mihitsy ianareo, tsy hoe mba hisehoanay ho olona voazaha toetra, fa mba hanaovanareo izay tsara, na dia hoheverina ho olona tsy voazaha toetra aza izahay. 8Fa tsy mba mahatohitra ny marina izahay fa ny mampandroso ny marina ihany. 9Eny, mahafaly anay raha malemy izahay fa ianareo kosa mahery; ka ny angatahinay am-bavaka, dia ny hahatanteraka anareo. 10Izany no anoratako ireo zavatra ireo aminareo, dieny mbola lavitra anareo aho; fandrao, rehefa mby eo aminareo aho, dia voatery hanao mafy loatra, araka ny fahefana nomen'ny Tompo ahy, dia fahefana natao hampandrosoana ny Fiangonanareo fa tsy handravana azy.

lundi 23 mars 2015

Alatsinainy 23 Martsa 2015 - Mat 15 : 21 - 28

21Dia niala teo i Jesoa ary nankany amin'ny faritanin'i Tiro sy i Sidôna.

22Ary indro nisy vehivavy kanahanita, avy amin'izany faritany izany, tonga teo amin'i Jesoa sady niantsoantso mafy hoe:
–Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak'i Davida* ô; fa ampahorîn'ny demony mafy loatra ny zanako vavy!

23Tsy namaly teny azy i Jesoa, ka nohatonin'ny mpianany ary nangatahany hoe:
–Omeo an-dramatoa io izay tadiaviny, satria miantsoantso mafy manjohy antsika izy.

24Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Tsy nirahina Aho afa-tsy amin'ireo ondry* very, dia ny vahoaka Israely!

25Tonga niankohoka teo anatrehan'i Jesoa anefa ravehivavy ka nanao hoe:
–Tompo ô, ampio re aho!

26Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Tsy mety raha mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an'ny amboakely.

27Fa hoy kosa ravehivavy:
–Marina izany, Tompoko, kanefa na ny amboakely aza dia mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany.

28Tamin'izay dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe:
–Lehibe ny finoanao, ramatoa; aoka ho tonga aminao araka izay irînao.
Ary nanomboka tamin'io ora io dia sitrana ilay zanany vavy.

dimanche 22 mars 2015

Alahady 22 Martsa 2015 - Zak 13 : 7 - 9

7Dia hoy ny teny hentitry ny Tompon'izao rehetra izao hoe:
             «Ry sabatra, mifohaza hamely
            ity mpiandry sady lehilahy namako ity
            Asio ny mpiandry*, dia hiparitaka ny ondry;
            ary hiverina hamely hatramin'ny madinika Aho.»
8Dia hoy indray ny teny hentitry ny Tompon'izao rehetra izao hoe: «Ho faty ny androatokon'ny mponina amin'ny firenena manontolo, fa ny ampahatelony ihany sisa no ho velona. 9Ary hotsapaiko io ampahatelony io ka hodioviko toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy amin'ny afo. Koa hivavaka amiko izy, ary hamaly azy Aho. Dia hilaza aminy Aho hoe: ‹Ry vahoakako› ary izy hanao hoe: ‹Ny Tompo no Andriamanitray›. »

samedi 21 mars 2015

Sabotsy 21 Martsa 2015 - Mat 10 : 16 - 20

16–Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo afovoan'ny amboadia. Noho izany, aoka ho malina tahaka ny bibilava ianareo, ary aoka ho tsotra tahaka ny voromahailala. 17Mitandrema, fa hatolotry ny olona amin'ny mpitsara isan-tanàna ianareo sady hokapohiny any amin'ny sinagôgany*; 18ary hoentina eo anoloan'ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehan'ny Jiosy sy ny hafa firenena. 19Fa raha atolotry ny olona ianareo, aza manahy izay fomba hitenenanareo na izay teny holazainareo, satria homena anareo eo no ho eo ihany izay teny holazainareo. 20Tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin'ny Fanahy Masina irahin'ilay Rainareo.

vendredi 20 mars 2015

Zoma 20 Martsa 2015 - Job 1 : 13 - 22

13Indray andro raha nihinana sy nisotro tao an-tranon-jokiny lahimatoa ireo zanak'i Jôba, 14dia nisy iraka tonga tany amin'i Jôba nilaza taminy hoe: «Raha teo am-piasàna iny indrindra ny omby ary raha nihinana teo akaikiny ny borikivavy, 15dia nidinan'ny Sabeanina tampoka ka norobainy; novonoiny ho faty tamin'ny sabatra ny mpanomponao, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.» 16Fa raha tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia nisy iray hafa koa tonga nilaza hoe: «Nilatsaham-potaka ny ondry aman'osy sy ny mpiandry azy ka levona, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.» 17Fa raha tsy mbola tapitra akory ny tenin'io? dia nisy iray hafa koa tonga ka nanao hoe: «Nasian'ny andian-jiolahy kaldeanina telo toko ny rameva ka norobainy; novonoiny ho faty tamin'ny sabatra ny mpanomponao. Izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.» 18Fa raha tsy mbola tapitra koa ny teniny, dia nisy iray hafa koa tonga ka nanao hoe: «Raha teo am-pihinanana sy teo am-pisotroana tao an-tranon-jokiny ireo zanakao, 19dia nifofofofo avy any an-taniefitra ny rambondanitra ka nipaoka ny zoron-trano efatra; maty nianjeran'ny trano tao avokoa ireo zatovo, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.» 20Dia nitsangana i Jôba ka nandriatra ny fitafiany* sy nanaratra ny lohany ary niampatra tamin'ny tany ka niankohoka 21sady nanao hoe:
             Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon'ineny,
            ary mitanjaka koa no hiverenako avy an-kibon'ny tany.
            Ny TOMPO no nanome, ny TOMPO no naka.
            Isaorana anie ny anaran'ny TOMPO.

jeudi 19 mars 2015

Alakamisy 19 Martsa 2015 - Jao 6 : 1 - 15

1Taorian'izany, dia lasa i Jesoa nankeny ampitan'ny farihin'i Galilea (na hoe farihin'i Tiberiada). 2Nisy vahoaka maro nanaraka Azy, noho ny nahitan'izy ireo ny famantarana* nataon'i Jesoa hanasoavana ny marary. 3Dia niakatra teo an-tendrombohitra ry i Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin'ny mpianany*. 4Tamin'izay dia efa akaiky ny Paska*, ilay fankalazana fanaon'ny Jiosy. 5Rehefa nanopy maso i Jesoa ka nahita fa nisy vahoaka maro nanatona Azy, dia nilaza tamin'i Filipo hoe:
–Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo?

6Fizahan-toetra an'i Filipo no nilazan'i Jesoa izany, satria Izy nahalala rahateo izay efa hataony. 7Dia hoy i Filipo taminy:
–Na dia mofo mitentina denàry* 200 aza, tsy ampy hahazoan'ny tsirairay sombiny kely akory!

8Ny anankiray tamin'ny mpianany koa, dia i Andrea rahalahin'i Simôna Petera, nilaza taminy hoe:
9–Misy zazalahy ao manana mofo ôrza dimy sy trondro madinika anankiroa; fa ho ampy inona izany amin'izao olona marobe izao?

10Dia hoy i Jesoa hoe:
–Asaovy mipetraka ny olona!
Noho ny fisian'ny ahitra be teo amin'ilay toerana, dia nipetraka ny olona ka tokony ho dimy arivo no isan'ny vatan-dehilahy. 11Tamin'izay i Jesoa no nandray ireo mofo ka nony avy nisaotra an'Andriamanitra dia nizara azy ho an'izay nipetraka hihinana; ary nozarainy toy izany koa ny trondro arakaraka izay nilain'ny mpihinana.

12Rehefa voky ny olona, dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Angony ny tapa-mofo sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very!

13Dia nangonin'ireo mpianatra, ka nahafeno sobika 12 ny tapa-mofo avy amin'ny mofo ôrza dimy, dia izay sisa tsy lanin'ny nihinana. 14Rehefa nahita ny famantarana nataon'i Jesoa teo ny olona, dia vaky vava hoe:
–Ity tokoa ilay Mpaminany* voalaza fa tsy maintsy ho tonga amin'izao tontolo izao!

15Fantatr'i Jesoa fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hatao mpanjaka; noho izany, dia lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.

mercredi 18 mars 2015

Alarobia 18 Martsa 2015 - Deo 8 : 10 - 20

10Ary rehefa hihinana ka ho voky ianareo, dia hisaotra ny TOMPO Andriamanitrareo noho ny tany soa nomeny anareo. 11Kanefa tandremo fandrao hadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo ka tsy tandremanareo ny didy sy ny fitsipika aman-dalàny, izay ampitaiko aminareo anio. 12Eny, hihinana sy ho voky ianareo, hanao trano tsara hitoeranareo, 13hihamaro omby sy ondry aman'osy, hitombo volafotsy sy volamena, ary hiavosa fananana isan-karazany; 14saingy tandremo fandrao hiavonavona ny fonareo ka hohadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay nampiala anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo. 15Izy no nitondra anareo hitety taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay ahitana menarana misy poizina sy maingoka; kanefa izany tany mangentana tsy misy rano izany no nampiboiboihany rano ho anareo, avy tamin'ny vatolampy mafy indrindra. 16Izy koa, tatỳ an-taniefitra, no namahana anareo tamin'ny mana*, izay hanina tsy fantatry ny razanareo; nampanetry tena anareo sy nizaha toetra anareo Izy mba hahasambatra anareo rahatrizay. 17Aoka ianareo tsy hanao anakampo hoe: «Ny tanjakay sy ny herinay no nahavorianay izao harena izao!»; 18tsarovy kosa fa ny TOMPO Andriamanitrareo no manome anareo ny hery hamoriana harena, ka mahatò tahaka ny amin'izao anio izao ny fanekempihavanana* izay nataony sady nianianany tamin'ny razambenareo. 19Fa raha hadinoinareo tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo ka andriamani-kafa no harahinareo sy hotompoinareo ary hiankohofanareo, dia milaza marimarina aminareo aho fa haringana mihitsy ianareo. 20Tahaka ny handringanan'ny TOMPO ireo firenen-tsamy hafa eo anoloanareo no handringanana anareo koa, satria tsy nohenoinareo ny feon'ilay TOMPO Andriamanitrareo.

mardi 17 mars 2015

Talata 17 Martsa 2015 - I Kor 2 : 6 - 11

6Fahendrena no torînay amin'ny kristianina efa matotra ara-panahy. Saingy tsy ilay fahendren'izao tontolo izao* na ny an'ireo mpifehy an'izao tontolo izao, izay olona voalahatra ho ringana. 7Fa ny torînay kosa dia fahendrena miafina ao amin'Andriamanitra: fahendrena izay takona amin'ny olombelona, kanefa voatendrin'Andriamanitra talohan'ny nisian'izao tontolo izao mba hahazoantsika voninahitra. 8Tsy nisy nahafantatra izany fahendrena izany ireo mpifehy an'izao tontolo izao; satria raha mba nahafantatra izany izy ireo, dia tsy ho nampanombo ny Tompo be voninahitra teo amin'ny hazofijaliana. 9Saingy izao no voalazan'ny Soratra Masina*:
            «Zavatra tsy mbola hitan'olona maso na ren'ny sofiny
              na tafiditra tao am-pony akory,
              no efa nomanin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy.»
10Izahay kosa no nanehoan'Andriamanitra izany tsiambaratelo izany tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina. Fa ny Fanahy Masina dia afaka mandinika ny zavatra rehetra, na dia izay lalina indrindra ao amin'Andriamanitra aza. 11Raha samy olombelona izao, dia ny fanahin'ny olona ao anatiny ao ihany no mahalala izao ao am-pon'ilay olona; ary toy izany koa, ny Fanahin'Andriamanitra ihany no mahafantatra izay ao am-pon'Andriamanitra.

lundi 16 mars 2015

Alatsinainy 16 Martsa 2015 - Deo 13 : 2 - 6

2Mety hisy mpaminany* na mpahita mipoitra eo anivonareo ka hilaza famantarana na zava-mahagaga aminareo. 3Na dia tanteraka aza ny famantarana na zava-mahagaga nolazainy taminareo, kanefa avy eo izy manainga anareo hanaraka sy hanompo andriamani-kafa saingy andriamanitra tsy fantatrareo, 4dia aza henoinareo ny tenin'izany mpaminany na mpanonofy izany. Mizaha toetra anareo manko ny TOMPO Andriamanitrareo hahalalany raha tia Azy TOMPO Andriamanitra amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ianareo. 5Ilay TOMPO Andriamanitrareo no harahinareo sy hohajainareo; ny didiny no hotandremanareo, ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo. 6Izany mpaminany na mpahita izany kosa ataovy maty, satria efa nanao teny mampikomy anareo amin'ny TOMPO Andriamanitrareo. Izy TOMPO no efa nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nanavotra anareo tamin'ny toera-nanandevozana anareo. Ataovy maty izany olona izany satria mitaona anareo hiala amin'ny sori-dàlana izay nasain'ny TOMPO Andriamanitrareo hizoranareo. Dia izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo.

dimanche 15 mars 2015

Alahady 15 Martsa 2015 - II Tim 2 : 14 - 21

14Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'Andriamanitra izy mba tsy hiady teny; satria tsy mahasoa izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza. 15Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason'Andriamanitra, ka ho mpiasa tsy mahazo henatra amin'ny asany, mamoaka tsara ny teny momba ny fampianarana marim-pototra. 16Halaviro ny taria poaka àty sady manazimba fivavahana; fa ny mpanao ireny dia vao mainka handroso amin'ny haratsiam-panahy. 17Ary ny fampianaran-dry zareo dia toy ny vay homamiadana mandany ny nofo. Isan'ireny ry i Himeneo sy i Fileto: 18efa nivaona niala tamin'ny fampianarana marim-pototra izy roa lahy sady manimba ny finoan'ny sasany, raha milaza fa zavatra efa tanteraka sahady ny fitsanganantsika ho velona. 19Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady voasokitra eo ny teny hoe: «Fantatry ny Tompo ireo Azy», sy ny hoe «Aoka hiala amin'ny ratsy avokoa ny olona rehetra mitonona ho mpanaja ny Tompo!» 20Tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao anaty lapa soa anankiray fa misy fanaka hazo sy tanimanga koa; iretsy voalohany dia fanaka mihaja fa ireto faharoa kosa dia fanaka tsotsotra. 21Izay olona miezaka hadio fo ka miala amin'ireo haratsiana ireo dia ho tahaka ny fanaka mihaja, satria voatokana ho an'ny Tompo izy sady misy ampiasany azy ary voavoatra hanao asa soa isan-karazany.

samedi 14 mars 2015

Sabotsy 14 Martsa 2015 - Jak 1 : 1 - 4

1Avy amiko Jakôba ity taratasy ity, dia izaho mpanompon'Andriamanitra sady mpanompon'i Jesoa Kristy* Tompo. Miarahaba anareo vahoakan'Andriamanitra* rehetra miely patrana eran-tany aho.

2Ry havako, ataovy ho tretrika tokoa ny tenanareo raha ifandafaran'ny fitsapana samihafa; 3satria fantatrareo fa ny fisedrana ny finoanareo dia mahatonga faharetana. 4Ary aoka ny faharetanareo homban'asa tanteraka mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy ho orin-javatra na amin'inona na amin'inona.

vendredi 13 mars 2015

Zoma 13 Martsa 2015 - Apo 3 : 7 - 13

7–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Filadelfia:«Izao no lazain'ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin'i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha. 8Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà Ahy. 9Indro atolotro anao ny sasany avy amin'ireo olona mivavaka amin'i Satàna*: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao. 10Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin'ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin'izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin'ny tany. 11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao. 12«Izay maharesy dia hataoko andry ao amin'ny tempoli*n'Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ilay tanànan'Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra; ary hosoratako eo aminy koa ilay anarako vaovao. 13«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

jeudi 12 mars 2015

Alakamisy 12 Martsa 2015 - Mat 8 : 23 - 27

23Ary niondrana an-tsambokely i Jesoa, ka niarahan'ireo mpianany*. 24Ary nisy tafio-drivotra mahery tonga tampoka teo amin'ny farihin'i Galilea, hany ka efa nila ho safotry ny alon-drano ny sambokely; i Jesoa anefa natory.

25Dia nohatonin'ireto mpianany Izy, ka nofohaziny sady nataony hoe:
–Tompo ô, vonjeo fa ho faty isika!

26Ary hoy i Jesoa taminy:
–Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?

Izay vao niarina i Jesoa, dia niteny mafy ny rivotra sy ny farihy, ary nanjary tony dia tony ny andro.

27Gaga ny olona ka vaky vava hoe:
–Avy aiza àry io Lehilahy io no manaiky Azy hatramin'ny rivotra sy ny farihy

mercredi 11 mars 2015

Alarobia 11 Martsa 2015 - Eks 20 : 20 - 26

20Namaly azy ireo i Mosesy hoe:
–Aza matahotra! Raha nanatona anareo Andriamanitra, dia ny mba hizaha toetra anareo; tiany hisy eo aminareo ny fanajana Azy mba tsy hanotanareo.

21Dia nijanona teny lavitra teny ny Israelita, fa i Mosesy kosa nanatona ny rahona matevina izay nisy an'Andriamanitra.

22Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Izao no holazainao amin'ny Israelita: «Ianareo mihitsy no nahita fa avy any an-danitra Aho no niteny taminareo. 23Koa aza ataonareo ho toy ny andriamani-bolafotsy na volamena Aho, ary aza manamboatra ireny ho anareo. 24Alitara* tany no hataonareo ho Ahy, ary eo amboniny no hanoloranareo ho Ahy ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo ho sorona* dorana manontolo sy ho sorom-pihavanana. Ary Izaho dia ho tonga hitahy* anareo amin'ny toerana rehetra izay anehoako ny fanatrehako. 25Fa raha hanao alitara vato ho Ahy ianareo, dia aza atao amin'ny vato voapaika; satria raha mipaika azy amin'ny fandraka ianareo, dia handoto azy. 26Aza asiana tohatohatra hiakaranareo ho eo amin'ny alitarako mba tsy hiseho ny fitanjahanareo.»

mardi 10 mars 2015

Talata 10 Martsa 2014 - Lio 10 : 1 - 12

1Taorian'izany, dia nifidy 72 lahy hafa indray ny Tompo, ka nirahiny tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny toerana rehetra mbola halehany.

2Ary hoy Izy taminy:

–Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Angataho àry ny Tompom-bokatra haniraka mpiasa hamory ny vokany. 3Mandehana! Indro irahiko ianareo, mova tsy zanak'ondry eo afovoan'amboadia. 4Aza mitondra kitapom-batsy na kapa, ary aza lany andro miarahaba olona eny an-dalana. 5Izay trano androsoanareo dia voalohany indrindra ilazao hoe: «Ho ato amin'ity trano ity anie ny fiadanana!» 6Raha misy olona tia fiadanana ao, dia hirotsaka aminy ny fiadanana rarînareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. 7Mitoera amin'izany trano izany, fa aza mifindrafindra trano; ary hano sy sotroy izay aroson'ny tompon-trano, fa ny mpiasa dia mendrika homena ny karamany. 8Raha misy tanàna idiranareo ka mandray anareo ny olona, dia hano izay aroso anareo; 9sitrano izay marary ao ary ny mponina ilazao hoe: «Efa tonga eto aminareo ny Fanjakàn'Andriamanitra*.» 10Fa raha misy kosa tanàna idiranareo nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja milaza hoe: 11«Na dia ny vovoky ny tanànanareo nanaraka ny tongotray aza, dia ahintsanay hiampanga anareo. Izao anefa no fantaro: efa tonga ny Fanjakàn'Andriamanitra.» 12Lazaiko aminareo fa amin'ny andro fitsarana, dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin'i Sôdôma* noho ny hihatra amin'izany tanàna izany.

lundi 9 mars 2015

Alatsinainy 09 Martsa 2015 - Sal 7 : 7 - 10

7TOMPO ô, mirotsaha an-tsehatra Ianao.
Aoka hirehitra tokoa ny fahatezeranao!
Tohero ireo fahavaloko misafoaka;
mijoroa re Ianao mba hanampy ahy,
amin'ny fitsarana marina avoakanao.
8Aoka ireo firenena hivory hanotrona Anao;
ary makà toerana hanerinerina azy Ianao
eo amin'ilay sezafiandriananao.
9TOMPO ô, Ianao no mpitsara ireo firenena;
koa tsarao aho, ry TOMPO Avo Indrindra,
fa tia rariny aho ary tsy manan-tsiny.
10Ampitsaharo ny haratsian'ireo olon-dratsy,
ampioreno mafy kosa izay tia rariny;
fa Andriamanitra marina Ianao
no mahalala ny ao am-po tsy miloaka.

dimanche 8 mars 2015

Alahady 08 Martsa 2015 - Lio 22 : 54 - 62

54Dia nosamborin-dry zareo i Jesoa ary nentiny ka nampidiriny tao amin'ny tranon'ny mpisorombe*. I Petera izany nanjohy lavidavitra teny ihany. 55Namelona afo teo afovoan-tokotany ny mpiasa ary namindro; dia mba namindro niaraka taminy teo koa i Petera.

56Teo amin'ny mazavazava izy no nitoetra, hany ka tsikaritry ny vehivavy mpiasa anankiray sy nodinidinihiny ary nataony hoe:
–Ity rangahy ity koa niaraka taminy!

57Fa nandà i Petera nanao hoe:
–Tsy mahalala Azy aho, ramatoa!

58Nony afaka kelikely, dia nisy lehilahy indray nahatsikaritra azy ka nanao hoe:
–Ianao koa anisan'ireny!

Fa hoy i Petera:
–Tsy anisany aho, andriamatoa!

59Ary tokony ho adiny iray taoriana, nisy lehilahy hafa koa nanizingizina hoe:
–Tena niaraka tamin'io mihitsy ity rangahy ity sady Galileanina rahateo.

60Fa hoy i Petera:
–Tsy fantatro izay lazainao, andriamatoa!
Niaraka tamin'izay, raha mbola niteny i Petera, dia nisy akoho naneno. 61Ary nitodika nijery an'i Petera ny Tompo ka tsaroan'i Petera ny tenin'ny Tompo fony Izy nilaza taminy hoe: «Alohan'ny maneno akoho anio, dia handà Ahy intelo ianao.» 62Dia lasa nankany ivelany i Petera ka nitomany fatratra.

samedi 7 mars 2015

Sabotsy 07 Martsa 2015 - Job 10 : 8 - 15

8Ny tananao izay nanao sy namolavola ahy
no indro fa mitady hanimba ankehitriny.
9Tadidio fa notefenao toy ny fanaka tanimanga aho
ary haverinao ho amin'ny vovoka indray.
10Ianao no namorona ahy tao an-kibon'i neny
toy ny famela ronono handry ao anaty tavoara.
11Koa notafinao hoditra sy nofo aho
ary norarinao taolana sy hozatra.
12Nomenao aina ombàm-pitiavana aho,
ka ny fiahianao no niaro ny aiko.
13Saingy nisy tsiambaratelo nafeninao ahy,
dia izao zavatra fantatro fa tao an-tsainao izao:
14raha vantany vao nanota aho,
dia hahatratra ahy ambodiomby Ianao
ka tsy hamela mihitsy ny hadisoako.
15Koa lozako raha tàhiny ka meloka aho;
fa na dia tsy manan-tsiny aza aho,
dia tsy ho sahy hiandrandra akory,
satria safo-kenatra sady fadiranovana.

vendredi 6 mars 2015

Zoma 06 Martsa 2015 - Heb 11 : 17 - 19

17Finoana no nanoloran'i Abrahama an'i Itsehàka ho sorona, fony i Abrahama nozahan'Andriamanitra toetra. Kanefa nivonon-kanao sorona ny zanany lahitokana i Abrahama, dia izy nanaovan'Andriamanitra teny fampanantenana 18sy nilazany hoe: «Avy amin'i Itsehàka no hiantsoana taranaka ho anao.» 19Noheverin'i Abrahama fa Andriamanitra dia mahay manangana an'i Itsehàka avy any amin'ny maty; ka dia noraisin'i Abrahama indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany.

jeudi 5 mars 2015

Alakamisy 05 Martsa 2015 - Jer 20 : 10 - 13

10Reko ny besinimaro miteny ratsy ahy
ka manome anaram-bosotra hoe:
«Fihorohoroana hatraiza hatraiza.»
«Torio izy», hoy ny sasany;
«Eny, hotorintsika izy», hoy ny hafa.
Ireo sakaiza tiako indrindra aza
dia miandry kendry tohina hahavoa ahy:
«Izay angamba no hahavoafitaka azy
sy haharesentsika azy, hoy ireo,
ka hisamborantsika azy hanaovana valifaty
11Kanefa Ianao, TOMPO ô,
dia miaraka amiko hatrany
toy ny mpiady ikoizana.
Koa ireo mpanenjika ahy no ho lavo
fa tsy haharesy ahy.
Ho menatra izy satria tsy hahomby;
fahafaham-baràka mandrakizay
tsy hohadinoina izany.
12Ry TOMPOn'izao rehetra izao ô,
Ianao no mamantatra ny olo-marina
sy mahita ny ao an'eritreriny sy ao am-pony.
Ho hitako ny famalinao ireo mpanenjika ahy,
satria efa nankiniko taminao ny adiko.
13Mihirà ho an'ny TOMPO;
eny, ankalazao ny TOMPO,
satria Izy no nanafaka ny malahelo
teo an-tanan'ny olon-dratsy.

mercredi 4 mars 2015

Alarobia 04 Martsa 2015 - Heb 4 : 8 - 13

8Raha tàhiny efa vitan'i Josoa ny fanomezana fitsaharana ny vahoaka, dia tsy ho nilaza andro hafa indray Andriamanitra tatỳ aoriana. 9Koa dia mbola misy fitsaharana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra*, amin'ny andro fahafito. 10Fa izay tafiditra ao amin'ny fitsaharana voaoman'Andriamanitra, dia mitsahatra amin'ny asany tahaka ny nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny Azy. 11Koa aoka isika hazoto hiditra ao amin'izany fitsaharana izany, mba tsy hisy amintsika ho voan'ny tsy fanekena tahaka an-dry zareo tany an-taniefitra fahiny. 12Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra, sady maranitra noho ny sabatra roa lela ka maninteraka hatrany amin'ny fihaonan'ny aina sy ny fanahy ary hatrany amin'ny fihaonan'ny famavàny sy ny tsoka; hainy tsaraina ny eritreritra amam-pisainan'ny fon'ny olona. 13Tsy misy zavaboaary miafina amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imasony, ary Izy no hampamoaka antsika ny amin'izay ataontsika.

mardi 3 mars 2015

Talata 03 Martsa 2015 - Jao 4 : 46 - 54

46Tamin'izay i Jesoa dia nankany Kanà tanànan'i Galilea indray, tany amin'ilay nanovany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray nanan-janaka lahy narary tany Kafarnahòma. 47Rehefa reny fa hoe tonga ao Galilea avy tany Jodea i Jesoa, dia nanatona Azy ilay tandapa ary niangavy Azy mba hidina any Kafarnahòma hanasitrana ny zanany lahy efa ho faty. 4

8Ka hoy i Jesoa taminy:
–Raha tsy mahita famantarana sy zava-mahagaga ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy!

49Fa novalian'ilay tandapa hoe:
–Midîna re, Tompoko, dieny mbola tsy maty ny zanako!

50Ka hoy i Jesoa taminy:
–Ndeha mody, fa velona soa aman-tsara ny zanakao!

Nino ny teny voalazan'i Jesoa taminy ralehilahy, ka lasa nody. 51Efa teny an-dalana midina ho any Kafarnahòma izy no tamy nitsena azy ny mpanompony ka nilaza hoe:
–Velona soa aman-tsara ny zanakao!

52Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany ka hoy ireo taminy:
–Omaly tamin'ny iray tolakandro no nialan'ny tazo taminy.

53Koa fantatry ny rain-drazazalahy fa tamin'izany ora izany indrindra no nanaovan'i Jesoa taminy hoe: «Velona soa aman-tsara ny zanakao»; dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra. 54Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesoa, dia fony Izy tonga tao Galilea avy tany Jodea.

lundi 2 mars 2015

Alatsinainy 02 Martsa 2015 - Mpi 3 : 1 - 4

1Ireo firenen-kafa ireo moa no navelan'ny TOMPO haharitra teo amin'ny tany dia mba hizahany toetra ny Israelita rehetra izay tsy mbola nandray anjara tamin'ny ady nahazoana an'i Kanahàna; 2tian'ny Tompo mba hianatra hiady manko ny taranaka vaovao izay tsy mbola nahalala ady. 3Koa ireto avy àry ireo firenen-kafa ireo: ny mponina tamin'ny fanjakana dimin'ny Filistinina, ny Kanahanita rehetra, ny Tsidônianina, ary ny Hivita izay nipetraka tany amin'ny tendrombohitra Libano, manomboka hatreo an-tendrombohitra Bahala-Hermôna ka hatrany Lebô-Hamata. 4Ireo no nizahan'ny TOMPO toetra ny Israelita mba hahafantarany na hankatò ny didy izay nomeny ny razany tamin'ny alalan'i Mosesy izy na tsia.

dimanche 1 mars 2015

Alahady 01 Martsa 2015 - Gen 22 : 1 - 14

1Taorian'izany toe-javatra izany, dia nizaha toetra an'i Abrahama Andriamanitra ka niantso azy hoe:
–Ry Abrahama!

Dia namaly i Abrahama hoe:
–Inty aho.

2Dia hoy Andriamanitra hoe:
–Ento i Itsehàka zanakao lahitokana izay tianao; dia mandehana any amin'ny tany Môrià eo ambonin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko anao, ka atolory ho sorona* dorana eo izy.
3Dia nifoha vao maraina be i Abrahama nony ampitso. Namaky kitay hanaovana sorona izy, dia nanisy lasely ny borikiny ary niainga ho any amin'ny toerana izay voatondron'Andriamanitra. Nentiny niaraka taminy koa ny zatovony roa lahy sy i Itsehàka zanany lahy. 4Nony afaka ampitso maraina dia tazan'i Abrahama tery lavitra tery ny tendrombohitra izay halehany.

5Koa hoy izy tamin'ireo zatovony roa lahy:
–Mijanòna eto ianareo miaraka amin'ny boriky, fa izaho sy ny zazalahy handeha hatreny an-tendrombohitra mba hivavaka amin'Andriamanitra, dia hiverina aty aminareo indray.
6Dia nalain'i Abrahama ny kitay hanaovana sorona ka natataony an'i Itsehàka zanany; fa izy kosa nitondra ny vainafo sy ny antsy.

Ary raha mbola niara-nandeha izy mianaka, 7dia hoy i Itsehàka tamin'i Abrahama rainy:
–Dada ô!

Ka novaliany hoe:
–Mihaino anao aho, anaka.

Ary hoy i Itsehàka hoe:
–Indreo ny vainafo sy ny kitay, fa aiza kosa ny zanak'ondry hatao sorona dorana manontolo?

8Fa namaly azy i Abrahama hoe:
–Andriamanitra no hahita izay zanak'ondry hatao sorona dorana manontolo, anaka!
Dia niara-nanohy ny diany izy mianaka. 9Rehefa tonga teo amin'ny toerana izay voatondron'Andriamanitra izy ireo, dia nanorina alitara* teo i Abrahama sady nandahatra ny kitay. Dia namatotra an'i Itsehàka zanany izy, ka nametraka azy teo amin'ny alitara, teo ambony kitay. 10Ary naninji-tanana handray ny antsy i Abrahama mba hamonoana ny zanany.

11Fa niantso azy avy any an-danitra ny anjeli*n'ny TOMPO ka nanao hoe:
–Abrahama ô! Abrahama ô!

Hoy kosa ny navalin'i Abrahama azy:
–Inty aho.

12Dia hoy indray ilay anjely:
–Aza maninji-tanana amin'io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.

13Dia nanopy maso i Abrahama ka nahatazana ondrilahy iray voasarangotry ny kirihitr'ala ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondrilahy, ka nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho solon'ny zanany lahy. 14Dia nataon'i Abrahama hoe «Ny TOMPO no hahita» ny anaran'izany toerana izany ary mbola fiteny ankehitriny ny hoe: «Any an-tendrombohitra ny TOMPO no hahita.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12