jeudi 30 avril 2015

Alakamisy 30 Aprily 2015 - Jao 6 : 47 - 59

47Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia velona aina mandrakizay. 48Izaho no mofo manome ny aina. 49Ireo razanareo nihinana ny mana tany an-taniefitra, nefa maty ihany; 50ity kosa ny mofo midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy. 51Izaho no mofo antoky ny fiainana, dia ilay mofo nidina avy tany an-danitra: raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny tenako mba hahavelona aina an'izao tontolo izao!

52Tamin'izay ny Jiosy dia nifanditra hoe:
–Hataon'ilay io ahoana re no fanome antsika ny tenany hohanina?

53Ka hoy i Jesoa taminy:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny tenan'ny Zanak'olona* sy misotro ny rany ianareo, dia tsy velona aina ao anatinareo. 54Izay mihinana ny tenako sy misotro ny rako no velona aina mandrakizay; ary Izaho hanangana azy ho velona amin'ny andro farany. 55Fa ny tenako dia fihinana tokoa; ary ny rako dia fisotro tokoa! 56Izay mihinana ny tenako sy misotro ny rako, dia mitoetra ato anatiko, ary Izaho ao anatiny. 57Velona ny Ray naniraka Ahy, ary Izaho velomin'ny Ray: toy izany koa no hamelomako izay mihinana Ahy. 58Ity no mofo nidina avy tany an-danitra: tsy mba tahaka ilay nohanin'ny razanareo; maty ihany izy ireo, fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay.

59Izany teny izany no nataon'i Jesoa, fony Izy nampianatra tao amin'ny sinagôga tany Kafarnahòma.

mercredi 29 avril 2015

Alarobia 29 Aprily 2015 - Eze 20 : 39 - 44

39Ary ny aminareo Israelita kosa dia izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Samia miroso manompo ny sampiny avy ianareo! Nefa any aoriana any dia hankatò Ahy mihitsy ianareo, ary tsy hanimbazimba ny anarako masina intsony amin'ny fanolorana fanatitra ho an'ny sampinareo. 40Fa teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izao: ny Israelita rehetra eo amin'ny tany dia hanao fanompoam-pivavahana Amiko eo an-tendrombohitra voatokana ho Ahy, dia ilay tendrombohitra avo any Israely. Eo no handraisako tsara anareo sy hiangaviako hitondranareo izay rehetra voatokanareo ho Ahy, dia ny fanomezana sy fanatitra amin'izay tsara indrindra anananareo. 41Miaraka amin'ny sorona manetona hanitra ankasitrahiko no handraisako tsara anareo, rehefa havoakako avy eo anivon'ny firenen-kafa ianareo sy hovoriko avy any amin'ny tany izay nampielezako anareo. Ka ny hataoko aminareo no hanehoako ny maha Andriamanitra Masina Ahy eo imason'ny firenen-kafa. 42Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO, rehefa tafaveriko ao amin'ny tanin'i Israely izay nianianako homeko ny razanareo. 43Ao ianareo no hisaintsaina ny fitondrantenanareo tamin'ny lasa sy ireo asa nampahaloto anareo. Haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra efa nataonareo. 44Tsy araka ny toe-dratsinareo sy ny asa tsy mendrika nataonareo no havaliko anareo, ry Israelita, fa mba ho fitandroako ny lazako. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»

mardi 28 avril 2015

Talata 28 Aprily 2015 - Rom 8 : 14 - 17

14Eny, izay rehetra tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra*. 15Satria tsy fanahy maha mpanompo no voarainareo ka hahatonga anareo hatahotra indray; fa ny Fanahy Masina maha zanak'Andriamanitra no voarainareo, ka ahafahantsika miantso an'Andriamanitra hoe: «Raiko ô!» 16Ny Fanahy Masina mihitsy no manambara amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17Ary raha zanaka, dia mpandova koa; ka sady mpandova ny soa nampanantenain'Andriamanitra no mpiara-mandova izany amin'i Kristy: satria raha miara-mijaly amin'i Kristy isika, dia hiara-komem-boninahitra aminy koa.

lundi 27 avril 2015

Alatsinainy 27 Aprily 2015 - II Mpa 5 : 7 - 14

7Raha vao voavakin'ny mpanjakan'i Israely ilay taratasy, dia nandriatra ny fitafiany* izy sady niteny hoe:
–Andriamanitra angaha aho ka hahafaty na hahavelona, no andefasan'ilehiny olona hositranina amin'ny aretin-kodiny? Jereonareo tsara fa mila ady amiko mihitsy izy.

8Raha ren'i Elisà olon'Andriamanitra fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan'i Israely, dia naniraka hankany amin'ny mpanjaka izy nanao hoe:
–Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka hankatỳ amiko i Nahamàna mba hahafantarany fa misy mpaminany tokoa amin'i Israely.

9Dia tonga àry i Nahamàna niaraka tamin'ny kalesy aman-tsoavaliny ka niandry teo anoloan'ny varavaran'ny tranon'i Elisà. 10Ary i Elisà naniraka olona hankany aminy hilaza hoe:
–Mandehana mandro impito ao Jôrdàna, fa hiverina amin'ny toetrany taloha indray ny hoditrao, ka hadio* ianao.

11Fa tezitra i Nahamàna, dia lasa sady nanao hoe:
–Noheveriko fa mba hankatỳ amiko tokoa ilay mpaminany ka hivavaka amin'ny TOMPO Andriamaniny sy hanevaheva ny tanany eo amin'ny faritra marary ary hanasitrana ny aretin-koditro. 12Tsy tsara noho ny renirano rehetra amin'i Israely ve i Abanà sy i Farpara reniranon'i Damasy? Moa tsy azoko atao ve ny mandro ao amin'ireo mba hampahadio ahy?

Dia nihodina i Nahamàna ka lasa tamim-pahatezerana. 13Fa nanatona azy ny mpanompony ka nanao taminy hoe:
–Ry ikaky ô, raha toa ka zavatra sarotra no nampanaovin'ny mpaminany anao, moa va tsy ho nataonao izany? Koa nahoana no tsy hataonao izay lazainy aminao hoe: «Mandroa, dia hadio ianao?»

14Dia nidina i Nahamàna ka nisitrika impito tao Jôrdàna araka ny tenin'ilay olon'Andriamanitra; ary ny hodiny dia tonga tahaka ny hodi-jazakely indray, ka nadio izy.

dimanche 26 avril 2015

Alahady 26 Aprily 2015 - Deo 30 : 15 - 20

15Ry Israelita, indro ataoko eo anoloanareo anio ny fiainana sy ny soa ankilany ary ny fahafatesana sy ny loza andaniny. 16Raha ankatoavinareo ny didin'ny TOMPO Andriamanitrareo, izay ampitaiko aminareo anio, ka hotiavinareo Izy sy hizoranareo ny sori-dalany ary hotandremanareo ny didy aman-dalàny mbamin'ny fitsipiny, dia ho velona ianareo ka hihamaro, ary hotahîn'ny TOMPO Andriamanitrareo any amin'ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. 17Fa raha mivily kosa ny fonareo, ka tsy mankatò ny TOMPO ianareo fa voataona hiankohoka eo anatrehan'ny andriamani-kafa sy hanompo azy, 18dia ambarako aminareo dieny izao fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin'ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana, rehefa tafita ny ony Jôrdàna ianareo. 19Miantso ny tany amana habakabaka aho anio ho vavolombelona aminareo fa ataoko eo anoloanareo ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana* sy ny ozona: koa fidio ny fiainana, mba ho velona ianareo sy ny taranakareo. 20Tiavo ny TOMPO Andriamanitrareo ka ekeo sy ifikiro, fa izany no hahavelona anareo sy hahamaro ny andro honenanareo any amin'ny tany izay nianianan'ny TOMPO tamin'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo fa homena azy.

samedi 25 avril 2015

Sabotsy 25 Aprily 2015 - Jao 3 : 31 - 36

31–Ilay avy any ambony dia ambonin'ny olona rehetra; fa izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny zavatra momba ny etỳ an-tany no lazainy. Ilay avy any an-danitra no ambonin'ny olona rehetra; 32ka izay efa hitany sy reny no ijoroany ho vavolombelona, saingy tsy misy olona mandray izany fijoroany ho vavolombelona izany. 33Izay mandray ny fijoroany ho vavolombelona dia manamarina fa azo antoka Andriamanitra. 34Ilay nirahin'Andriamanitra manko no milaza ny tenin'Andriamanitra, satria tsy misy fetrany no anomezan'Andriamanitra Azy ny Fanahy Masina. 35Ny Ray dia fatra-pitia ny Zanaka, ary efa nametraka ny zavatra rehetra eo am-pelatanany. 36Izay mino ny Zanaka no velona aina mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy ho velona aina, fa itoeran'ny hatezeran'Andriamanitra

vendredi 24 avril 2015

Zoma 24 Aprily 2015 - I Jao 5 : 10 - 12

10Koa izay mino ilay Zanak'Andriamanitra no manana izany zavatra ambara izany ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra kosa dia efa nampandainga an'Andriamanitra, satria tsy nino ny zavatra nambarany momba ilay Zanany. 11Ary ny zavatra nambara dia izao: fiaina-maharitra mandrakizay no efa nomen'Andriamanitra antsika ary ao amin'ilay Zanany izany fiainana izany. 12Izay manana ny Zanaka no velona aina; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy velona aina.

jeudi 23 avril 2015

Alakamisy 23 Aprily 2015 - Lio 9 : 10 - 17

10Nony tafaverina ny apôstôly*, dia notantarainy tamin'i Jesoa izay rehetra nataony; ary nentin'i Jesoa nitokana tany amin'ny toerana mangingina akaikin'ny tanàna atao hoe Betsaidà ny apôstôly. 11Vao nahare izany kosa ny vahoaka dia lasa nanaraka an'i Jesoa. Noraisin'i Jesoa tsara ny olona ka nilazalazany momba ny Fanjakàn'Andriamanitra ary nositraniny izay nila fanasitranana.

12Nony efa ho hariva ny andro, dia nohatonin'ny 12 lahy i Jesoa sady nataony hoe:
–Ravao ny vahoaka mba hamonjy ny tanàna kely sy trano an-tsaha eny manodidina, hitady hanina sy fandriana satria an-taniefitra isika izao.

13Dia hoy i Jesoa taminy:
–Ianareo ihany no aoka hanome hanina azy.

Fa ny mpianany kosa niteny hoe:
–Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy trondro anankiroa izahay, raha tsy hoe izahay angaha no tokony handeha hividy hanina ho an'ireo vahoaka be ireo.

14Fa dimy arivo teo ho eo ny vatan-dehilahy. Ary hoy indray i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Asaovy mipetraka mitsitokotoko ny olona, tokony ho dimampolo isany avy.

15Dia nataon'ny mpianatra izany ka nasainy nipetraka avokoa ny vahoaka. 16Noraisin'i Jesoa kosa ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra an'Andriamanitra noho ireo sakafo ireo, dia nanapaka sy nanome azy ny mpianany harosony amin'ny vahoaka. 17Dia samy nihinana avokoa izy rehetra ka voky. Ary nangonina ny tapa-mofo aman-trondro ambiny ka nisy 12 sobika.

mercredi 22 avril 2015

Alarobia 22 Aprily 2015 - Sal 133 : 1 - 3

1 Hira fiakarana. Nataon'i Davida.

Endrey, tsara sady mahafinaritra tokoa
izany firîndran'ny mpiray tampo miara-monina!
2Toy ny ilomanitra mby an-dohan'olona nasaina
ka mitsororoka hatreny amin'ny somotra.
Toy ny somotr'i Aharôna* mpisorombe
ka midina hatreny amin'ny vozon'akanjony.
3Toy ny ando avy any amin'ny tendrombohitra Hermôna
ka mirotsaka eo amin'ny tendrombohitra Tsiôna*;
satria eo Tsiôna no fanomezan'ny TOMPO fitahiana*,
dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.

mardi 21 avril 2015

Talata 21 Aprily 2015 - Asa 13 : 43 - 48

43Tamin'ny firavàn'ny mpiangona, dia maro ny Jiosy mbamin'ny hafa firenena mpanaja an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy i Barnabà; ary izy roa lahy kosa niteny taminy ka nampirisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 44Ary tamin'ny sabata herin'io, dia saika tafangona avokoa ny mponina rehetra ao an-tanàna mba hihaino ny tenin'Andriamanitra. 45Tonga feno fialonana ny Jiosy nony nahita ny vahoaka maro, ka sady nanohitra ny teny voalazan'i Paoly no nanevateva azy. 46Feno fahasahiana kosa i Paoly sy i Barnabà ka niteny taminy hoe:

–Ianareo aloha no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra. Nolavinareo anefa izany ary ohatra ny ataonareo ho tsy mendrika ny fiaina-maharitra mandrakizay ny tenanareo, koa indro hitodika hankany amin'ny hafa firenena izahay. 47Fa izao no nandidian'ny Tompo anay:

                         «Notendreko ho fanazavana ny hafa firenena ianao,
                           mba hitondranao ny famonjena hatrany am-paran'ny tany!»

48Nandre izany ny hafa firenena ka faly sady nanome voninahitra ny tenin'ny Tompo; ary izay rehetra voalahatra hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay dia tonga mpino.

lundi 20 avril 2015

Alatsinainy 20 Aprily 2015 - Lio 12 : 22 - 31

22Dia hoy indray i Jesoa tamin'ny mpianany*:

–Izany indrindra no ilazako aminareo hoe: aza manahy ny amin'ny hanina izay tohan'ainareo, na ny amin'ny fitafiana izay ilain'ny vatanareo. 23Fa ny aina mihoatra noho ny hanina; ary ny vatana mihoatra noho ny fitafiana. 24Diniho ange ny goaika: tsy mamafy na mijinja izy ireny, tsy manana trano fitahirizana na sompitra, fa Andriamanitra no mamelona azy. Tsy sarobidy lavitra noho ny vorona ve ianareo? 25Iza moa ianareo no mahay manalava kely ny andro iainany na dia feno fanahiana toy inona aza? 26koa raha ny zavatra kely tsinontsinona aza tsy efanareo, ahoana no anahianareo ny sisa rehetra. 27Diniho koa ange ny fanirin'ny voninkazo: tsy miasa na mamoly izy ireny; kanefa lazaiko aminareo fa na i Salômôna teo amin'ny voninahiny rehetra aza, dia tsy tsara fitafiana toy ny iray amin'izy ireny. 28Tafîn'Andriamanitra toy izany ny ahitra izay eny an-tsaha anio nefa atsipy any am-patana rahampitso, ka ianareo indray ve no tsy hampitafîny, ry kely finoana? 29Koa aza ny fikatsahana ny hohanina sy hosotroina no hany ilofosana ary aza mitebiteby foana ianareo. 30Ireo mpanompo sampy eo amin'izao tontolo izao dia fatra-pikatsaka ireny rehetra ireny; ianareo kosa, fantatry ny Rainareo fa ilainareo izany. 31Katsaho àry ny Fanjakàn'Andriamanitra*, dia homena anareo ireny ho fanampiny!

dimanche 19 avril 2015

Alahady 19 Aprily 2015 - I Tim 6 : 11 - 16

11Fa ianao kosa, ry lehilahin'Andriamanitra, halaviro ireo zava-dratsy ireo. Katsaho ny rariny, ny firaiketam-po amin'Andriamanitra, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana ary ny fahalemem-panahy. 12Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiaina-maharitra mandrakizay, fa ho any amin'izany fiainana izany no niantsoan'Andriamanitra anao fony ianao nanambara ilay fiekem-pinoana fatratra teo anatrehan'ny vavolombelona maro. 13Izao no anafatrafarako anao eo anatrehan'ilay Andriamanitra fototr'ain'ny zavatra rehetra sy eo anatrehan'i Kristy* Jesoa Izay nanambara fiekem-pinoana fatratra nanoloana an'i Pônty Pilato*: 14tandremo tsy hanan-tsiny amam-pondro izany baiko izany mandra-piavin'ilay andro hisehoan'ilay Jesoa Kristy Tompontsika. 15Fa ny hisehoan'i Kristy, amin'ny fotoana voatendry, dia hotanterahin'Andriamanitra, ilay Andriana tokana sady loharanom-pahasambarana, ilay Mpanjakan'ny mpanjaka sady Tompon'ny Tompo: 16Izy ihany no tsy mety maty, mitoetra ao amin'ny hazavana tsy hay akaikezina; tsy misy olombelona nahita maso Azy hatrizay hatrizay, ary tsy misy afaka hahita maso Azy; ho Azy anie ny haja sy ny fanjakana mandrakizay! Amen*.

samedi 18 avril 2015

Sabotsy 18 Aprily 2015 - Deo 32 : 36 - 39

36Eny, homen'ny TOMPO rariny tokoa ny vahoakany
rehefa hitany fa lany hery;
hohasoaviny indray ireo manompo Azy
rehefa hitany fa tsy misy ianteherany intsony.
37Amin'izay i Israely hitenenan'ny Tompo hoe:
«Aiza ireo andriamani-kafa
nataonareo ho vatolampy fialofana?
38Ireo no nihinana ny sabora soronareo
sy nisotro ny divay fanatitrareo.
Aoka ireo hitsangana hamonjy anareo
ary ho fierena ho anareo!
39Fantaro ankehitriny fa Izaho ihany no Andriamanitra
ary tsy misy andriamani-kafa miolotra amiko:
Izaho no mahafaty sy mahavelona,
Izaho no maharatra sy mahasitrana,
ary tsy misy mahafaka olona eo am-pelatanako.

vendredi 17 avril 2015

Zoma 17 Aprily 2015 - II Kor 3 : 4 - 6

4Milaza izany izahay satria Andriamanitra no itokianay tokoa amin'ny alalan'i Kristy. 5Izahay dia tsy mihambo hanana fahaleovana hahahevitra asa toy izany avy amin'ny tenanay; fa avy amin'Andriamanitra ny fahaleovana ananany. 6Eny, Andriamanitra no anananay fahaleovana ho mpanompon'ny Fanekempihavanana Vaovao, dia ilay Fanekempihavanana tsy miankina amin'ny lalàna* voasoratra fa amin'ny Fanahy Masina. Mahafaty manko ny lalàna voasoratra fa ny Fanahy Masina no mahavelona.

jeudi 16 avril 2015

Alakamisy 16 Aprily 2014 - Jao 20 : 11 - 18

11I Maria kosa nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana. Ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika tao am-pasana, 12ka nahita anjely* roa niakanjo fotsy, nipetraka teo amin'izay nandrian'ny vatan'i Jesoa: ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra.

13Dia hoy ireo anjely tamin'i Maria:
–Nahoana ianao no mitomany?

Ka novaliany hoe:
–Nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.

14Dia nitodika i Maria nony avy nilaza izany, ka nahita an'i Jesoa nijoro teo, saingy tsy fantany hoe i Jesoa io.

15Dia hoy Jesoa taminy:
–Nahoana ianao, ramatoa, no mitomany? Iza no tadiavinao?

Noheverin'i Maria ho mpiandry saha io, ka nataony hoe:
–Raha Ianao re, Tompoko, no naka Azy, mba lazao amiko izay nametrahanao Azy, hangalako Azy!
1
6Fa hoy i Jesoa taminy:
–Ry Maria!

Dia nitodika ravehivavy ka niteny aramianina taminy hoe:
–Rabonỳ (izany hoe Mpampianatra)!

17Hoy kosa i Jesoa taminy:
–Aoka ianao tsy hitazona Ahy, satria tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho. Fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ilay Raiko sady Rainareo Aho, ary ho any amin'ilay Andriamanitro sady Andriamanitrareo.

18Dia lasa i Maria Magdalena ka nanambara tamin'ny mpianatra hoe:
–Efa nahita ny Tompo aho!
Ary nambarany koa ireo hafatra nambaran'i Jesoa taminy.

mercredi 15 avril 2015

Alarobia 15 Aprily 2015 - Eks 16 : 1 - 8

1Niala tao Elima ny vahoaka Israelita manontolo, ka tonga tao amin'ny taniefitra Sina, eo anelanelan'i Elima sy ny tendrombohitra Sinay, tamin'ny volana faharoa, andro faha-15 taorian'ny nialany tany Ejipta. 2Nimonomonona tamin'i Mosesy sy i Aharôna tany an-taniefitra ny fiangonana Israelita tsivakivolo, 3ka nanao taminy hoe:
–Inay anie izahay mba novonoin'ny Tompo ho faty tany Ejipta, fony izahay nanodidina ny vilanin-kena iny, ka nihinana araka izay lany! Fa izao dia nentinareo ho faty noana atỳ an-taniefitra atỳ izahay rehetra!

4Ary hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo Aho. Hivoaka hanangona izay sahaza azy isan'andro ny Israelita mba hizahako toetra anareo na handeha araka ny lalànako ianareo na tsia. 5Fa amin'ny andro fahenina rehefa hanomana izay hoentinareo ianareo, dia hahita indroa heny noho izay fanangonareo isan'andro.

6-8Ary i Mosesy sy i Aharôna dia niteny tamin'ny Israelita hoe:
–Anio hariva ny TOMPO dia hanome hena hohaninareo, satria henony tokoa ny fimonomononanareo taminy; izany no hahafantaranareo fa Izy TOMPO no namoaka anareo tany Ejipta. Ary rahampitso maraina dia hanome mofo hahavoky anareo Izy, ka izany no hahitanareo ny voninahiny*. Ny aminay kosa, inona moa izahay no imonomononanareo? Raha manao izany manko ianareo, dia tsy izahay no imonomononanareo fa ny TOMPO.

mardi 14 avril 2015

Talata 14 Aprily 2015 - Asa 2 : 22 - 31

22Ry vahoaka israelita*, henoy izao teniko izao: I Jesoa avy any Nazareta dia Lehilahy nankatoavin'Andriamanitra teo imasonareo, satria tamin'ny alalany no nanaovan'Andriamanitra asa mahagaga sy zava-mahatalanjona ary famantarana teo anivonareo, araka izay efa fantatrareo. 23Natolotra izany Lehilahy izany araka ny voatendrin'ny fikasan'Andriamanitra sy araka ny fandaharany hatrizay rahateo; ka ny namonoanareo Azy dia nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana tamin'ny alalan'ny ratsy fanahy; 24nefa natsangan'Andriamanitra ho velona sy nafahany tamin'ny fatoran'ny fahafatesana, fa sanatria raha hahatana Azy ny fahafatesana! 25Hoy manko i Davida ny aminy:
               «Nahita ny Tompo mandrakariva teo anatrehako aho;
                 noho Izy eo ankavanako dia tsy hangozohozo aho.
                 26Izany no nahaheni-kafaliana ny foko
                 ary nahaheni-karavoana ny teniko.
                 Eny, na ity nofoko ity aza
                 dia hitoetra amim-panantenana,
                 27satria tsy hafoinao ho any amin'ny toeran'ny maty aho
                 ary tsy havelanao ho tratry ny fahalòvana Ilay voatokana ho Anao.
                 28Natoronao ahy ny lalana mitondra any amin'ny fiainana,
                 hofenoinao hafaliana aho satria manatrika ahy Ianao.»
29Ry havako, azoko lazaina mazava tsara ny amin'i Davida razambentsika: efa maty izy ary nalevina sady mbola eto amintsika mandraka androany ny fasany. 30Mpaminany izy ary nahalala fa Andriamanitra dia nianiana taminy nampanantena fa hisy anankiray amin'ny taranany hitsangana ho mpanjaka handimby azy. 31Efa tsinjon'i Davida mialoha izay hitranga ka ilay Mesia* hitsangana ho velona no voalazany amin'ny hoe:
               «Tsy nafoy ho any amin'ny toeran'ny maty Izy
                 ary ny nofony tsy tratry ny fahalòvana!»

lundi 13 avril 2015

Alatsinainy 13 Aprily 2015 - Asa 3 : 17 - 21

17Fantatro kosa, ry havako, fa tsy fahalalana no nahatonga anareo hanao izay nataonareo tamin'i Jesoa ary toraka izany koa ny manampahefana teo aminareo. 18Notanterahin'Andriamanitra tamin'izany anefa izay voalazany tamin'ny alalan'ny mpaminany* rehetra fahiny hoe: tsy maintsy hijaly ilay Mesiany*. 19Noho izany, ialao ny toe-dratsy, ary miverena amin'Andriamanitra mba ho foana ny helokareo; 20dia ho tonga aminareo ny vaninandro famelombelomana avy amin'ny Tompo ary hirahiny ho anareo ilay Mesia efa voatendriny, dia i Jesoa. 21Kanefa tsy maintsy horaisin'ny lanitra aloha Izy mandra-piavin'ny fotoana hanavaozana izao rehetra izao, araka izay nambaran'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany masina hatramin'ny fahagola.

dimanche 12 avril 2015

Alahady 12 Aprily 2014 - Mpi 4 : 1 - 9

1Ary rehefa maty i Ehoda, dia nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO indray ny Israelita. 2Koa natolotry ny TOMPO izy ho eo ambany fifehezan'i Jabîna, mpanjaka kanahanita, izay nanjaka tao Hatsôra. I Siserà, izay nonina tao Harôseta-Gôima, no lehiben'ny tafiny. 3Nanana kalesy vy sivinjato i Jabîna ary nampahory fatratra ny Israelita nandritra ny roapolo taona; koa niantso vonjy tamin'ny TOMPO ireo. 4Tamin'izany fotoana izany dia i Debôrà, mpaminanivavy* vadin'i Lapidôta, no mpitsara nitondra an'i Israely. 5Ny sezam-pitsarana nipetrahan'i Debôrà dia teo ambany hazo rofia, izay nantsoina tatỳ aoriana hoe «Hazo Rofian'i Debôrà», teo anelanelan'i Ramà sy i Betela, any amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Niakatra tany ny Israelita rehefa hotsaraina.

6Indray andro i Debôrà dia nampiantso an'i Baràka zanakalahin'i Abinôhama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin'ny faritra naftalîta izy ka nilazany hoe:
–Izao no andidian'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin'ny fokon'i Naftalỳ sy i Zebolòna, ka tariho any an-tendrombohitra Tabôra. 7Fa hoentaniko i Siserà lehiben'ny tafik'i Jabîna ho tonga eo amoron'ny renirano Kisôna mba hanafika anao miaraka amin'ny kalesiny sy ny andian-tafiny; dia hatolotro eo an-tananao izy.

8Fa namaly an'i Debôrà i Baràka nanao hoe:
–Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho.

9Ka hoy i Debôrà taminy:
–Handeha hiaraka aminao aho, saingy tsy hisy voninahitra ho anao izao dia halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hanoloran'ny TOMPO an'i Siserà.

Dia nandeha ho any Kedesa niaraka tamin'i Baràka i Debôrà.

samedi 11 avril 2015

Sabotsy 11 Aprily 2014 - Gal 3 : 19 - 29

19Inona àry no anton'ny lalàna? Ny lalàna dia zavatra natovana mba hampiharihary ny fandikan-dalàna, mandra-piavin'ilay taranaka iantefan'ny fampanantenana. Fa ny lalàna dia natolotr'anjely* teo an-tanan'ny mpanalalana anankiray; 20kanefa ny mpanalalana dia tsy an'ny iray ihany, fa Andriamanitra kosa no iray ihany.

21Manohitra ireo fampanantenana nataon'Andriamanitra àry ve ny lalàna? Sanatria! Raha lalàna afaka mamelona no nomena, dia ny lalàna mihitsy no hahatonga ny olona ho marina eo imason'Andriamanitra. 22Kanefa voalazan'ny Soratra Masina* fa voageja teo ambany fahefan'ny fahotana avokoa izao rehetra izao, hany ka ilay fanomezana nampanantenain'Andriamanitra dia hatolotra an'ireo mino, noho ny finoana niainan'i Jesoa Kristy*. 23Talohan'ny hahatongavan'izany finoana izany, dia voagadra sy voageja eo ambany fahefan'ny lalàna izahay Jiosy mba hiandrandranay ny finoana izay efa hambara atỳ aoriana. 24Koa ny lalàna dia nanjary mpitaiza anay mba hiandrandranay an'i Kristy, ka hahatonga anay ho marina eo imason'Andriamanitra noho ny finoana. 25Efa tonga kosa ankehitriny izany finoana izany, ka tsy fehezin'ny mpitaiza intsony izahay. 26Noho ny finoana manko dia zanak'Andriamanitra* avokoa ianareo, satria tafaray amin'i Kristy Jesoa. 27Eny, ianareo rehetra izay natao batisa* mba ho tafaray amin'i Kristy Jesoa dia henika ny fiainan'i Kristy. 28Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena*, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin'i Kristy Jesoa. 29Ary raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny fampanantenana nataon'Andriamanitra.

vendredi 10 avril 2015

Zoma 10 Aprily 2015 - Jao 17 : 1 - 5

1Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanandratra ny masony any an-danitra ka nanao hoe:

–Ray ô, tonga ny fotoanandro. Omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezan'ny Zanaka voninahitra Anao. 2Araka ny nanomezanao Azy fahefana amin'ny olombelona rehetra, dia omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezany aina maharitra mandrakizay an'izay rehetra nomenao Azy. 3Ary izao no aina maharitra mandrakizay: dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra tokana sady marina sy ny mahalala an'i Jesoa Kristy Ilay nirahinao. 4Efa nanome voninahitra Anao Aho tetỳ ambonin'ny tany; vitako ny asa nomenao hataoko. 5Ray ô, omeo voninahitra eo anilanao kosa Aho ankehitriny; eny, omeo Ahy ilay voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao*.

jeudi 9 avril 2015

Alakamisy 09 Aprily 2015 - Isa 38 : 15 - 20

15Inona àry no holazaiko
sy hoteneniko amin'ny TOMPO?
Eny, Izy no nanao an'izao.
Handeha mijoretra aho
amin'ny taonako sisa rehetra
fa mangidy amiko loatra izao.

16–TOMPO ô, fantatrao izay nanjo ahy
ka namelona ahy indray Ianao;
naverinao ny heriko
ary notahirizinao ny aiko.
17Indro niova ho fahasambarana
ilay fahoriako nangidy dia nangidy.
Fatra-pitia ahy Ianao ka tsy namela ahy ho faty;
fa narianao any ivohonao ny heloko rehetra.
18Any amin'ny fonenan'ny maty tokoa
dia tsy misy afaka midera Anao;
ireo nindaosin'ny fahafatesana
tsy mba afaka mankalaza Anao;
izay tafidina any am-pasana
tsy hanantena ny toetranao mahatoky.
19Ny velona ihany no afaka hidera Anao,
dia tahaka ahy izao anio izao
sy tahaka ireo ray aman-dreny
izay hampahalala ny zanany
fa tena mahatoky tokoa Ianao.
20TOMPO ô, efa namonjy ahy Ianao.
Koa hankalaza Anao izahay
miaraka amin'ny feon-dokanga
ao an-tranonao, TOMPO ô,
amin'ny androm-piainanay rehetra.

mercredi 8 avril 2015

Alarobia 08 Aprily - Rom 5 : 15 - 21

15Kanefa tsy azo ampitahaina ny hadisoana vitan'i Adama sy ny fanomezana atolotr'Andriamanitra maimaimpoana. Niharan'ny fahafatesana ny besinimaro, noho ny hadisoan'ny olona anankiray, dia i Adama; nitosaka be nihoatra lavitra noho izany kosa ilay fahasoavana avy amin'Andriamanitra, ilay fahasoavana nomena maimaimpoana ho an'ny besinimaro tao tamin'ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy. 16Ary tsy tahaka ny vokatry ny fahotana vitan'i Adama ny vokatry ny fanomezana atolotr'Andriamanitra: ny hadisoan'ny olona anankiray notsaraina dia nahatonga fanamelohana; fa ny fanomezana atolotr'Andriamanitra maimaimpoana kosa dia nahatonga ny hadisoana maro havela tanteraka. 17Eny, tamin'ny alalan'ny olona anankiray ary noho ny hadisoan'io olona iray io no nanjakan'ny fahafatesana; fa ireo mandray ny fahasoavana nitosaka be avy amin'Andriamanitra ary koa ny fahamarinana nomeny maimaimpoana dia vao mainka velomin'Andriamanitra sy ampanjakainy tamin'ny alalan'ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy. 18Koa ny hadisoana vitan'olona iray, dia i Adama, no nahavoaheloka ny olona rehetra; toy izany koa ny asa marina vitan'olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nahatonga ny olona rehetra hovotsorana tanteraka sy hahazo fiainana. 19Noho ny olona anankiray tsy nanaiky an'Andriamanitra, dia nanjary mpanota ny besinimaro; toy izany koa, noho ny olona anankiray nanaiky an'Andriamanitra, dia hanjary olo-marina eo imason'Andriamanitra ny besinimaro. 20Ny lalàna no tonga, dia ny mba hampitombo be ny hadisoana; nefa koa teo amin'izay nahabe ny fahotana no nihoa-pampana ny fahasoavana. 21Koa tahaka ny nanjakan'ny fahotana ka nahafaty antsika no hanjakan'ny fahasoavan'Andriamanitra hahatonga antsika ho marina ka hahavelona antsika mandrakizay amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika.

mardi 7 avril 2015

Talata 07 Aprily 2015 - Jao 12 : 20 - 26

20Nisy Grika vitsivitsy anisan'izay niakatra tao Jerosalema hivavaka mandritra ny fankalazana.

21Nohatonin'ireo i Filipo, izay avy any Betsaidà tanànan'i Galilea, ka nanaovany fangatahana hoe:
–Mba te hahita an'i Jesoa izahay, tompoko!

22Dia lasa i Filipo nilaza tamin'i Andrea; ary i Andrea sy i Filipo no lasa nilaza tamin'i Jesoa.

23Dia hoy i Jesoa tamin'izy roa lahy:
–Tonga ny fotoanandro hanomezam-boninahitra ny Zanak'olona*. 24Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary latsaka ao amin'ny tany, dia mitoetra irery; raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. 25Izay mandala ny ainy no hahavery azy; fa izay tsy mandala ny ainy eto amin'izao tontolo izao no hitahiry azy ho aina maharitra mandrakizay. 26Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy; ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko. Raha misy olona manompo Ahy, dia homen'ny Raiko voninahitra izy.

lundi 6 avril 2015

Alatsinainy 06 Aprily 2015 - Dan 12 : 1 - 3

1«Hoy koa ilay anjely* tamiko: ‹Amin'izany fotoana izany dia hitsangana i Mikaela, ilay filoha lehibe, izay mijoro homba ny firenenao; ary hisy fotoana mampahory tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisiam-pirenena ka hatramin'io fotoana io. Ary amin'izany fotoana izany dia ho voavonjy ny olona rehetra anisan'ny firenenao, ka hita voasoratra ao amin'ny boky. 2Ary olona marobe izay matory ao amin'ny vovoka ao am-pasana no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny zava-mahatsiravina mandrakizay. 3Ary ireo hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay nampianatra ny maro ho marina dia hamirapiratra tahaka ny kintana mandrakizay mandrakizay.

dimanche 5 avril 2015

Alahady 05 Aprily 2015 - Jao 20 : 1 - 10

1Ny andro alahady, dia nandeha maraina be mbola maizimaizina i Maria Magdalena hankany amin'ny fasana, ka nahita ny vato efa voaesotra lavitry ny fasana.

2Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Simôna Petera sy ilay mpianatra* tian'i Jesoa, ka nanao tamin'ireo hoe:
–Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.

3Dia niainga i Petera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin'ny fasana. 4Niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nihazakazaka faingana kokoa noho i Petera ilay mpianatra anankiray, ka tonga taloha teo amin'ny fasana. 5Dia niondrika nitsirika izy, ka nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra. 6Tonga koa i Simôna Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana, ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo 7sy ny lambakely nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin'ny lambam-paty fa voavalona mitokana terỳ. 8Tamin'izay dia niditra koa ilay mpianatra tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino. 9Tsy mbola fantatr'ireo mpianatra manko ny Soratra Masina* manambara fa i Jesoa dia tsy maintsy hitsangana velona avy any amin'ny maty. 10Dia lasa izy roa lahy nody tany aminy.

samedi 4 avril 2015

Sabotsy 04 Aprily 2015 - Sal 22 : 1 - 11

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Hohiraina araka ny feon'ny hoe «Ny dieravavy, fony mazavatsinanana». Salamo nataon'i Davida.

2Andriamanitro ô, Andriamanitro ô
nahoana no dia nilaozanao aho?
Nahoana no mijanona eny lavitra eny Ianao
ka tsy mamonjy ahy na mihaino ny tarainako?
3Mandritra ny andro aho miantso Anao
saingy tsy valianao, Andriamanitro ô;
ary miantso koa aho amin'ny alina,
saingy tsy mahazo fiononana.

4Kanefa mipetraka an-tsezafiandrianana
Ianao, ry ilay Andriamanitra masina
Izay fidèran'i Israely vahoakanao.
5Nitoky taminao ireo razanay;
natoky Anao izy ka tsy diso fanantenana,
6niantso vonjy taminao ka nafahanao,
natoky Anao ka tsy diso fanantenana.

7Efa toy ny kankana aho fa tsy olona intsony,
ka sady voaompa no lavin'ny vahoaka;
8izay mahita ahy dia maneso avokoa,
manondro molotra, mihifikifi-doha.
9Ka hoy izy ireo ny amiko hoe:
«Ny TOMPO no itokiany ka aoka hanavotra;
eny tia azy Izy, ka aoka hanafaka!»
10Ianao, Tompo ô, no namoaka ahy
mba hiala avy tao an-kibon-dreniko
ka nampandry ahy teo an-trotroany.
11Vao teraka aho, dia nankinina taminao;
mbola tany am-bohoka aho, efa Andriamanitro Ianao.

vendredi 3 avril 2015

Zoma 03 Aprily 2015 - Jao 19 : 25 - 37

25Nijoro teo akaikin'ny hazofijalian'i Jesoa ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin'i Klôpà, ary i Maria Magdalena.

26Nony hitan'i Jesoa ny reniny ary teo anilan'io reniny io ilay mpianatra* tiany, dia hoy Izy tamin-dreniny:
–Ravehivavy, indro ny zanakao!

27Avy eo dia hoy Izy tamin'ilay mpianatra:
–Indro ny reninao!

Ary nanomboka hatramin'io fotoana io i Maria dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy.
Miala aina i Jesoa

28Taorian'izany, dia fantatr'i Jesoa fa efa vita ny zavatra rehetra; ka mba hahatanteraka ny Soratra Masina*, dia hoy Izy:
–Mangetaheta Aho.

29Ary nisy bakoly feno vinaingitra teo; ka spaonjy novontosana vinaingitra sy notohizana tamina zaran-defona no natohoky ny miaramila teo am-bavan'i Jesoa. 30Rehefa nanandrana ny vinaingitra

Izy dia nanao hoe:
–Vita ny zavatra rehetra!

Dia nanondri-doha Izy ka nanolotra ny fanahiny.

31Ary satria fiomanana* tamin'izay, dia nangatahin'ny manampahefana jiosy tamin'i Pilato* ny hanapahana ny ranjon'ireo voahombo sy hanesorana ny fatiny mba tsy hisy tavela eo amin'ny hazofijaliana ny andro sabata*, satria andro lehibe izany sabata izany. 32Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ilay anankiray hafa izay nohomboana tamin'ny hazofijaliana niaraka tamin'i Jesoa. 33Nony nankeo amin'i Jesoa ny miaramila, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony; 34fa nisy miaramila anankiray nandefona ny fon'i Jesoa, ary niaraka tamin'izay dia nisy ra sy rano nivoaka. 35Ilay nahita no vavolombelona manambara ary azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona, sady fantany fa milaza ny marina izy mba hinoanareo koa. 36Eny, tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina* hoe: «Tsy hisy hotapahina ny taolany.» 37Ary hoy indray koa ny Soratra Masina hoe: «Hijery ilay nolefonina izy ireo.»

jeudi 2 avril 2015

Alakamisy 02 Aprily 2015 - Jao 13 : 1 - 20

1Andro mialoha ny fankalazana ny Paska* tamin'izay. Fantatr'i Jesoa fa tonga ny fotoanandro hialany amin'izao tontolo izao* ho any amin'ny Ray. Efa notiavin'i Jesoa ireo Azy teo amin'izao tontolo izao ary dia notiaviny hatramin'ny farany. 2Teo am-pisakafoana hariva tamin'izay i Jesoa mbamin'ny mpianany*; ary efa nomen'ny devoly* hevitra i Jodasy, zanakalahin'i Simôna Iskariôta*, mba hanolotra an'i Jesoa. 3Fantatr'i Jesoa rahateo fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra, sady fantany fa Andriamanitra no niaviany ary Andriamanitra no hiverenany. 4Koa nitsangana niala teo am-pihinanana Izy, dia nametraka ny lambany, ary naka lamba famaohana ka nisikinany. 5Avy eo Izy dia nampidina rano tamina koveta, ary nanomboka nanasa ny tongotr'ireo mpianany sy namaoka izany tamin'ny lamba nisikinany.

6Dia tonga teo amin'i Simôna Petera Izy; fa hoy i Petera taminy:
–Ianao ve, ry Tompo, hanasa ny tongotro?

7Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Izay ataoko dia tsy azonao ankehitriny, fa ho azonao any aoriana.

8Fa hoy i Petera taminy:
–Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana Ianao!

I Jesoa kosa namaly azy hoe:
–Raha tsy hosasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko.

9Dia hoy i Simôna Petera taminy:
–Raha izany, ry Tompo, dia tsy ny tongotro fotsiny fa ny tanako sy ny lohako ihany koa.

10Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izay efa nandro tsy mila hosasana afa-tsy ny tongony ihany, fa efa madio ny tenany manontolo. Ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.

11(Fantatr'i Jesoa manko ilay efa hanolotra Azy; ka izany no nilazany hoe: «Tsy ianareo rehetra no madio.»)

12Rehefa voasasan'i Jesoa ny tongotr'ireo mpianany, dia nandray ny lambany Izy ary nipetraka indray; ka hoy Izy tamin'ny mpianany:
–Azonareo ve izay nataoko taminareo? 13Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filàzanareo fa izany tokoa Aho. 14Koa raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza no manasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia mba tokony hifanasa tongotra. 15Eny, nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo. 16Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony ary ny iraka tsy lehibe noho ilay naniraka azy. 17Raha azonareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.

18Tsy ho anareo rehetra no itenenako, satria fantatro izay nofidiko; kanefa aoka ho tanteraka ny tenin'ny Soratra Masina* hoe: «Ilay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.» 19Dieny izao Aho no milaza aminareo alohan'ny hahatongavan'izany, mba hinoanareo rehefa tonga izany fa «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay.» 20Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mandray ny hirahiko dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy.

mercredi 1 avril 2015

Alarobia 01 Aprily 2015 - Sal 65 : 9 - 13

9Noho ireo famantarana ataonao,
dia mitolagaga ny vahoaka
hatrany am-paran'ny tany;
na tatsinanana na tandrefana
dia entaninao hihorakoraka hihoby.
10Tompo ô, miahy ny tany Ianao,
manondraka azy amin'ora-mikija
ka mahatonga azy ho vokatra tokoa.
Ilay reniranonao, Andriamanitra ô,
dia tondraka midibadiba hatrany.
Vary ho an'ny olona no omaninao
ka toy izao no fikolokoloanao ny tany:
11ny soritr'asa ataonao ampo-drano
ny bainga motahinao sy aravonao;
oram-batravatra no amontosanao azy
ka ombànao fitahiana ny tsirim-bary.
12Dia zava-tsoa no toa fehiloha
izay asatrokao ny taona;
ka fahavokarana mitafotafo
no amin'izay andalovanao.
13Maitso mavana ny ahitra an-tanety,
ka feno fifaliana ny havoana;

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12