dimanche 31 mai 2015

Alahady 31 May 2015 - Sal 143 : 7 - 12

7Valio faingana aho, TOMPO ô,
fa efa ambivitra ny aiko.
Aza manafin-tava amiko Ianao,
ndrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.
8Ataovy tsapako isa-maraina ny fitiavanao,
satria Ianao no itokiako;
ampahafantaro ahy ny lalan-kizorako,
satria Ianao no ifantohako.
9TOMPO ô, afaho amin'ny fahavalo aho
fa ao aminao no iereko.
10Ampianaro aho hanao ny sitrakao,
satria Andriamanitro Ianao.
Enga anie ny Fanahinao tsara
hitarika ahy amin'ny tany marina!
11Araka ny maha TOMPO Anao,
dia velomy indray aho;
noho ny fahamarinanao,
dia esory amin'ny fahoriana aho.
12Noho ny fitiavanao ahy,
dia fongory ny fahavaloko
ka aringano avokoa ny mpandrafy ahy,
satria mpanomponao aho.

samedi 30 mai 2015

Sabotsy 30 May 2015 - Gal 5 : 16 - 25

16Izao kosa no teniko: mandehana araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy hahatanteraka ny fanirian'ny maha olona mpanota. 17Fa ny maha olona mpanota dia manam-paniriana manohitra ny fanirian'ny Fanahy Masina; ary ny Fanahy Masina dia manam-paniriana manohitra ny maha olona mpanota: mifanohitra izy roroa, hany ka tsy izay zavatra sitrakareo no ataonareo. 18Kanefa raha tarihin'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy fehezin'ny lalàna intsony. 19Fa miharihary ny asan'ny maha olona mpanota, dia ireto: fijangajangana, fahalotoana, fihetsika tsy maotina, 20fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana, adiady, fahatezerana, fiafonafonana, fifandrafiana, fisarahana, fitokotokoana, 21fialonana, fidorohana, fihinanam-be loatra, sy ny mitovy amin'izany. Ary lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao toy izany dia tsy hanana anjara amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*.
22Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky, 23fahalemem-panahy, fahononam-po: tsy misy lalàna manohitra ny toy izany. 24Ireo voatokana ho an'i Kristy Jesoa dia efa nanombo teo amin'ny hazofijaliana ilay maha olona mpanota azy ireo mbamin'ny filàndratsiny amam-paniriany. 25Raha ny Fanahy Masina tokoa no manome aina antsika, dia aoka hizotra araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina koa isika; 26fa aoka tsy ho be rehaka foana hifampihaika sy hifampialona.

vendredi 29 mai 2015

Zoma 29 May 2015 - Lio 10 : 21 - 24

21Tamin'izay fotoana izay indrindra, dia henika ny hafaliana tao amin'ny Fanahy Masina i Jesoa ka nanao hoe:
–Ray ô, Tompon'ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin'ny madinika. Eny, Ray ô, izany tokoa no sitrakao!

22Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin'izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy!
23Dia nitodika tamin'ny mpianany i Jesoa ka niteny taminy manokana hoe:
–Sambatra ianareo mahita maso izao hitanareo izao! 24Eny, lazaiko aminareo fa mpaminany* sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo nefa tsy nahita, ary hahare izay renareo nefa tsy nahare.

jeudi 28 mai 2015

Alakamisy 28 May 2015 - I Kor 12 : 7 - 11

7Samy omena fanomezana maneho ny Fanahy Masina ny olona tsirairay ho fanasoavana ny daholobe. 8Ny anankiray dia omen'ny Fanahy teny feno fahendrena; ary ny anankiray omen'izany Fanahy izany teny feno fahalalana. 9Ny anankiray omen'izany Fanahy izany finoana; ary ny anankiray omen'izany Fanahy izany fanomezam-pahasoavana hanasitrana marary. 10Ny anankiray, hanao asa mahagaga; ny anankiray, hilaza hafatra avy amin'Andriamanitra; ny anankiray, hahay manavaka ny Fanahy Masina sy ny fanahy manodoka; ny anankiray, hiteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra; ary ny anankiray, hanazava ny fiteny tsy fantatra. 11Izany Fanahy iray izany ihany no loharano ipoiran'ireo fanomezana rehetra ireo, ka mizarazara azy, araka izay sitrapony, amin'ny olona tsirairay.

mercredi 27 mai 2015

Alarobia 27 May 2015 - Gal 4 : 1 - 7

1Izao anefa no teniko: raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny mpanompo izy na dia tompon'ny zavatra rehetra aza; 2fa fehezin'izay mpikarakara azy sy ny mpitandrim-pananany izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy. 3Dia tahaka izany koa isika; fony mbola zaza, dia nandevozin'ireo herin-javatr'izao tontolo izao* isika; 4fa rehefa tonga tokoa ny fotoanandro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany*: natera-behivavy io Zanany io ary niaina teo ambany fahefan'ny lalàna jiosy, 5mba hanavotra izay teo ambany fahefan'ny lalàna ary mba handraisantsika ny anjara maha zanak'Andriamanitra.

6Ry ny maha zanaka anareo, dia ny nanirahan'Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany miantso hoe: «Raiko ô!» 7Hany ka tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka; ary raha zanaka ianao, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra.

mardi 26 mai 2015

Talata 26 May 2015 - Jao 14 : 25 - 26

25Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. 26Fa ilay Mpananatra, dia ny Fanahy Masina Izay hirahin'ny Ray noho ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.

lundi 25 mai 2015

Alatsinainy 25 May 2015 - Jod 17 - 20

17Ianareo kosa, ry hava-malala, tsarovy ny teny efa nolazain'ireo apôstôlin'i Jesoa Kristy* Tompontsika; 18satria izao no voalazany taminareo: «Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, hiaina araka ny filàn'ny haratsiam-panahiny.» 19Ireo mpampianatra sandoka ireo no mahatonga fisaratsarahana, satria entin'ny maha olombelona ihany fa tsy mba manana ny Fanahin'Andriamanitra. 20Ianareo kosa, ry hava-malala, ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoana masina indrindra efa anananareo, ka mivavaha ombàn'ny herin'ny Fanahy Masina;

dimanche 24 mai 2015

Alahady 24 May 2015 - Eze 36 : 22 - 30

22Koa ambarao amin'ny Israelita fa izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: Izay hataoko, ry Israelita, dia tsy noho ny aminareo no hanaovako azy, fa mba hanajana ny anarako masina izay nozimbazimbainareo tany amin'ny firenena izay nalehanareo. 23Nefa na dia nanimbazimba Ahy teo imason'ireny aza ianareo, dia hasehoko azy kosa fa Andriamanitra lehibe sy masina Aho, ary ianareo no hampiasaiko hanehoako izany. Amin'izay dia hoeken'ireo fa Izaho no TOMPO; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.

24«Fa halaiko avy any amin'ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo. 25Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo. 26Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Hoesoriko aminareo ny fo tsy miraika toy ny vato ka hosoloiko fo mora anarina. 27Ny Fanahiko mihitsy no hapetrako ao anatinareo, ka hataoko manaraka ny lalànako ianareo, ary hitandrina sy hanatanteraka ny fitsipiko. 28Dia honenanareo ny tany izay nomeko ny razanareo; ka ho vahoakako ianareo ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo. 29Hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Tsy handefasako mosary intsony ianareo fa hampaniriako sady hataoko vokatra be ny varinareo. 30Hataoko vokatra koa ny hazo fihinam-boa sy ny voly eny an-tsaha, ka tsy ho voalatsan'ny hafa firenena amin'ny mosary intsony ianareo.

samedi 23 mai 2015

Sabotsy 23 May 2015 - Asa 9 : 11 - 18

11Ary hoy ny Tompo tamin'i Hananià:
–Mankanesa izao dia izao any amin'ilay lalana atao hoe Imahitsy; ka anontanio ao an-tranon'i Joda fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsa. Mivavaka indrindra izy amin'izao fotoana izao.
( 12Tamin'izay i Saoly dia nisehoam-pahitana ary nahatazana lehilahy atao hoe Hananià, izay niditra tao aminy sy nametra-tanana taminy mba hahiratan'ny masony indray.)

13Izao kosa no navalin'i Hananià:
–Maro, Tompoko, ny olona niresaka tamiko momba io lehilahy io ka samy nilaza ny ratsy rehetra vitany tamin'ireo anisan'ny vahoakanao* tany Jerosalema. 14Ary nomen'ireo lohandoha-mpisorona fahefana izy no tonga eto, mba hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.

15Fa hoy ny Tompo taminy:
–Mandehana, fa io lehilahy io dia nofidiko sy hampiasaiko mba hampahafantatra Ahy amin'ireo hafa firenena* sy amin'ny mpanjaka ary amin'ny vahoaka Israely*. 16Hasehoko azy ny mafy rehetra tsy maintsy hiaretany ho voninahitro.

17Dia niainga i Hananià ka niditra tao an-tranon'i Joda, ary nametra-tanana tamin'i Saoly sady nanao hoe: Ry Saoly rahalahiko, i Jesoa Tompo, Izay niseho taminao teny an-dalana, no naniraka ahy mba hahiratan'ny masonao indray ary mba hahatonga anao ho feno Fanahy Masina.
18Teo no ho eo ihany dia nisy zavatra toy ny kiran-kazandrano niala avy tamin'ny mason'i Saoly, ka nahiratra indray izy. Avy hatrany koa izy dia natao batisa*, 19ary dia nihinan-kanina ka nihatanjaka.

vendredi 22 mai 2015

Zoma 22 May 2015 - Heb 2 : 1 - 4

1Izany no tokony hitandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao voatarika hiala amin'izany isika. 2Nanan-danja tokoa na dia ny hafatra nentin'anjely* aza, ary izay rehetra nandika izany na tsy nanaiky izany dia nahazo sazy tandrify avy; 3ka hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy raharahaintsika ny famonjen-dehibe toy izany? Ny Tompo mihitsy no efa nitory voalohany izany famonjena izany, ary nohamafisin'ireo izay nandre mba ho fanasoavana antsika. 4Andriamanitra koa dia niara-nijoro ho vavolombelona tamin'ireo nandre ireo ka niantoka izany tamin'ny famantarana* sy zava-mahatalanjona ary ny asa mahagaga isan-karazany, mbamin'ireo fanomezan'ny Fanahy Masina izay nozarazarain'Andriamanitra araka ny sitrapony.

jeudi 21 mai 2015

Alakamisy 21 May 2015 - Sal 51 : 1 - 12

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Salamo nataon'i Davida, 2fony i Natàna mpaminany* nankao aminy, rehefa naka an'i Baty-Seba ity mpanjaka.

3Andriamanitra ô, iantrao aho
satria fatra-pitia Ianao;
koseho re ny hadisoako
satria be indrafo Ianao.

4Sasao tanteraka aho ho afa-keloka
ary diovy* mba ho afa-pahotana.
5Eny, miaiky ny fahadisoako aho
sady tsaroako lalandava ny fahotako.
6Ianao irery tokoa no nanotako,
ny ratsy eo imasonao no nataoko;
hany ka ara-drariny Ianao raha miteny,
ary tsy omen-tsiny raha manadidy.
7Jereo fa meloka aho no teraka,
mpanota raha notorontoronina;
8nefa ny hahitsy ao anaty no sitrakao,
koa ny fahendrena am-po no atoroy ahy.

9Ataovy afa-pahotana tokoa aho, dia hadio*;
sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.
10Ataovy reko ny famelanao,
dia hifaly sy hiravo indray aho;
ary aoka hibitaka ny taolako
izay efa voamontsamontsanao.
11Hadinoy tanteraka ny fahotako
ary koseho avokoa ny heloka vitako.
12Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô,
fanahy mahatoky no aoreno ato anatiko.

mercredi 20 mai 2015

Alarobia 20 May 2015 - Mpi 11 : 29 - 33

29Ary nirotsaka tao amin'i Jiftà ny Fanahin'ny TOMPO, dia nandeha nitety ny faritanin'i Gilehada sy i Manase izy, ary tonga tao Mitsepà any Gilehada mba hiampita ho any amin'ny faritanin'ny Hamônita. 30Ary nivoady tamin'ny TOMPO i Jiftà ka nanao hoe:
–Raha hatolotrao tokoa eo an-tanako ny Hamônita, 31dia hatokako ho ANAO sady hatolotro ho sorona* dorana manontolo ho Anao izay olona mivoaka voalohany ny varavaran'ny tranoko mba hitsena ahy rehefa miverina avy nandresy ny Hamônita aho.

32Dia nihoatra ny sisin-tanin'ny Hamônita i Jiftà mba hiady aminy; ary natolotry ny TOMPO teo an-tanany ireo. 33Nandresy azy i Jiftà, ka nahazo ny tanàna roapolo teo anelanelan'i Harôhera sy ny manodidina an'i Minita ary hatrany Abela-Keramima. Faharesena goavana ny an'ny Hamônita, ka dia nilefitra teo anoloan'ny Israelita izy.

mardi 19 mai 2015

Talata 19 May 2015 - Rom 15 : 14 - 21

14Fa raha ny aminareo, ry havako, dia matoky koa aho fa feno hatsaram-po ianareo ary henika ny fahalalana rehetra sady mahay mifananatra koa. 15Kanefa, mba ho toy ny hamohafohazana ny fahalalana efa ao aminareo no nanoratako taminareo tamin-kasahiana ihany ombieny ombieny, noho ilay tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy; 16fa izaho dia natokan'Andriamanitra ho mpanompon'i Kristy* Jesoa eo amin'ny hafa firenena*. Manatontosa fanompoana toy ny mpisorona aho, amin'ny itoriako ny Vaovao mahafaly* avy amin'Andriamanitra, mba ho zary fanatitra ankasitrahin'Andriamanitra ireo hafa firenena, rehefa voatokana ho azy noho ny asan'ny Fanahy Masina. 17Koa satria tafaray amin'i Kristy Jesoa aho, dia afaka mirehareha ny amin'ny asa ataoko ho an'Andriamanitra. 18Fa tsy misy sahiko lazaina, raha tsy izay notontosain'i Kristy tamin'ny alalako mba hitaomana ny hafa firenena hanaiky an'Andriamanitra: dia izay notontosain'i Kristy tamin'ny teny sy asa, 19tamin'ny herin'ny famantarana* sy zava-mahagaga ary tamin'ny herin'ny Fanahin'Andriamanitra. Hany ka feno tokoa ny fitoriako ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy, hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany amin'ny faritany Iliria. 20Ary tamin'izany, dia nataoko ho voninahitra ny mitory ny Vaovao Mahafaly tamin'izay toerana tsy mbola nandrenesan'olona ny momba an'i Kristy; fa tsy tiako ny hanorina eo amin'ny fototra nataon'ny sasany, 21araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe:
                «Ireo tsy mbola nilazana Azy dia hahita;
                  ary ireo tsy mbola nandre dia hahalala!»

lundi 18 mai 2015

Alatsinainy 18 May 2015 - Neh 9 : 29 - 31

29Nanarinao mafy izy hiverina amin'ny lalànao;
nefa mbola niavonavona ihany,
ka tsy nihaino ny didinao fa nandika ny fitsipikao
izay mahavelona ny olona manatanteraka azy.
Naneho ditra sy nanamafy ny hatony izy,
ary tsy nety nihaino Anao.
30Nandefitra taona maro taminy Ianao,
ary ny mpaminaninao, nentanin'ny Fanahinao,
no nananaranao azy mafy;
fa tsy nety nihaino izy,
ka dia natolotrao ho eo an-tanan'ny hafa firenena.
31Be fiantra Ianao ka tsy nandringana ary tsy nahafoy azy,
satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Ianao

vendredi 15 mai 2015

Zoma 15 May 2015 - Efe 3 : 14 - 21

14Noho izany no andohalehako eo anatrehan'Andriamanitra Ray, 15Izay antom-pisian'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. 16Mangataka amin'Andriamanitra aho mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny hohatanjahina fatratra ao anatinareo amin'ny herin'ny Fanahiny, 17ka hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana; dia hamahatra tsara sy ho mafy orina amin'ny fitiavana ianareo. 18Mangataka amin'Andriamanitra aho ny hahaizanareo mbamin'ny vahoakan'Andriamanitra* rehetra mahafantatra tsara ny fitiavan'i Kristy, dia izay sakany sy lavany ary haavony sy halaliny. 19Enga anie ho fantatrareo tokoa ny fitiavan'i Kristy – na dia tsy mety ho fantatra tanteraka na oviana na oviana aza izany –, mba hamenoana anareo ka hidiranareo ao amin'ny hafenoana rehetra ananan'Andriamanitra. 20Ary ho an'Andriamanitra Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika, 21ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny Fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesoa, manerana ny taranaka rehetra mifandimby sy mandrakizay mandrakizay! Amen*.

jeudi 14 mai 2015

Alakamisy 14 may 2015 - Sal 93 : 1 - 5

1Mpanjaka ny TOMPO, mitafy fiandrianana;
eny, mitafy fiandrianana IZY ary misikina hery
ka voaorina tsara tsy hihontsona izao tontolo izao.

2Efa niorina hatry ny ela ny sezafiandriananao;
hatrizay hatrizay dia Andriamanitra Ianao.
3Fahiny dia nisamboaravoara ny riaka, TOMPO ô,
eny, nisamboaravoaran'ny hatezerana
ary mbola mety misamboaravoara ihany.
4Fa mahery noho ny feon'ny ranobe
sy ny fidoboky ny onja vaventy, TOMPO ô,
ny fanapahanao any ambony any.

5Azo antoka tanteraka ny fepetra nataonao, TOMPO ô;
ho masina lalandava koa ny tranonao*.

mercredi 13 mai 2015

Alarobia 13 May 2015 - Mar 13 : 9 - 13

9Tandremo ny amin'ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin'ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin'ny sinagôga*; ary hitsangana eo anoloan'ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany. 10Kanefa tsy maintsy hotorîna amin'ny firenena rehetra aloha ny Vaovao Mahafaly*. 11Rehefa hoentina hatolotra amin'ny mpitsara ianareo, dia aza manahy hoe inona no holazainareo; fa izay teny homena anareo amin'izay fotoana izay, lazaina; satria tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin'ny Fanahy Masina. 12Hisy olona hanolotra ny iray tampo aminy hovonoina; hisy ray hanolotra ny zanany hovonoina; ary hisy zanaka hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hampanameloka azy ho faty. 13Hankahalain'ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; kanefa izay maharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy.

mardi 12 mai 2015

Talata 12 May 2015 - Rom 8 : 26 - 27

26Toy izany koa no anampian'ny Fanahy Masina antsika amin'ny halementsika. Satria izay vavaka, araka ny tokony hataontsika, dia tsy fantatsika akory; fa ny Fanahy Masina mihitsy no mivavaka ho antsika amin-tsento tsy hay ambara amin-teny. 27Ary Andriamanitra mahita ny ao am-po no mahalala izay firònan'ny Fanahy Masina, satria araka izay irîn'Andriamanitra no ivavahan'ny Fanahy Masina ho an'ny vahoakan'Andriamanitra

lundi 11 mai 2015

Alatsinainy 11 May 2015 - Heb 10 : 11 - 18

11Ny mpisorona rehetra dia samy nijoro isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy manolotra matetika ny sorona fanaony, izay sorona tsy mahaisotra ny fahotana velively. 12Fa i Kristy kosa dia nanolotra sorona fanalana ny ota indray mandeha monja ho sorona manan-kery mandrakizay, ary efa mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra; 13ka dia eo Izy ankehitriny miandry ny hanaovan'Andriamanitra ny fahavalony ho fitoeran-tongony. 14Eny, i Kristy no nandavorary mandrakizay, tamin'ny fanatitra iray ihany, ireo olona efa nodioviny ho afaka amin'ny ota.

15Ary ambaran'ny Fanahy Masina amintsika koa izany, fa hoy Izy aloha hoe:
          16«Izao no Fanekempihavanana hataoko
                amin'ny vahoaka Israely*

rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo:
                Hataoko ao an-tsainy ny lalànako,
                ary hosoratako ao am-pony.»

17Ary hoy koa ny Fanahy Masina hoe:
              «Tsy hotsarovako intsony ny fahotany sy ny helony.»
                18Ka rehefa voavela ny fahotana sy ny heloka, dia tsy misy ilana fanatitra ho fanalana                         izany intsony.

dimanche 10 mai 2015

Alahady 10 May 2015 - Nom 11 : 16 - 25

16Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Anangòny fitopolo lahy amin'ny loholon'i Israely aho, dia izay fantatrao fa loholona* sy tompon'andraikitra amin'ny vahoaka. Ento miaraka aminao ao amin'ny Tranolay fihaonana* izy. 17Fa hidina eo Aho ka hiteny aminao; ary haka amin'ny fanahy izay nomeko anao Aho ka hametraka izany amin'izy ireo mba hiarahany mitondra aminao ity firenena ity; koa tsy ianao irery intsony no hitondra azy. 18Ny amin'ny vahoaka kosa dia izao no holazainao azy: «Diovy* ny tenanareo ho amin'ny rahampitso, fa hahazo hena hohanina ianareo, satria ny TOMPO efa nandre ny fitarainanareo hoe: ‹Iza no hanome hena hohaninay? Fa sambatra izahay tany Ejipta›. Homen'ny TOMPO hena ianareo, ka hihinana tokoa ianareo. 19Tsy andro iray na roa na koa andro dimy na folo na roapolo aza no hihinananareo izany, 20fa iray volana maninjitra manda-pahafeno hatreny am-bavoronareo ka hampaharikoriko anareo. Ho sazinareo izany noho ny nandavanareo ny TOMPO Izay eo aminareo sy ny nitomanianareo teo anatrehany hoe: ‹Nahoana re no niala tany Ejipta izahay?› »

21Dia hoy i Mosesy hoe:
–Ireo vahoaka manodidina ahy ireo dia ahitana miaramila mpandeha an-tongotra misy andiany eninjato, ka hoy Ianao hoe: «Homeko hena izy ka hihinana izany iray volana maninjitra!» 22Fa na dia ny ondry aman'osy ary ny ombiny rehetra aza no hovonoina ho azy ireo, dia tsy ho ampy azy izany. Na ny trondro rehetra any an-dranomasina aza no haratoina ho azy ireo, dia mbola tsy ho ampy azy koa.

23Fa hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Ary ny heriko, moa mba misy fetrany va? Ho hitanao izao ankehitriny izao na ho tanteraka aminao ny teniko na tsia.

24Nisinda kely i Mosesy ka nilaza ny tenin'ny TOMPO tamin'ny vahoaka. Nangoniny avy eo ireo fitopolo lahy tamin'ny loholom-bahoaka*, dia napetrany nanodidina ny Tranolay fihaonana. 25Ary nidina teo amin'ny rahona ny TOMPO ka niresaka tamin'i Mosesy. Nangalany ny fanahy tamin'i Mosesy ka nanomezany ho an'ny loholona fitopolo lahy. Ary raha vao nipetraka tamin'izy ireo ny fanahy, dia nanomboka naminany* izy ireo, nefa tsy notohizany izany.

samedi 9 mai 2015

Sabotsy 09 May 2015 - Neh 9 : 16 - 21

16Kanjo niavonavona ireo razanay ireo,
dia nanamafy ny hatony izy
ka tsy nihaino ny didinao
17ary nandà tsy nety nanaraka izany
sady tsy nahatsiaro ny zava-mahagaga nataonao hanasoavana azy;
eny, nanamafy ny hatony izy
ka nanao di-doha hiverina
amin'ny fanandevozana azy tany Ejipta.
Fa Andriamanitra mpamela heloka Ianao,
Andriamanitra miantra sy mamindra fo,
ary mahari-po sady be hatsarampo,
ka dia tsy nafoinao ny razanay.

18Tamin'ny nanaovany ombilahikely anidina sy nilazany hoe:

«Io no andriamanitrao
izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta!»,
dia notevatevainy tokoa Ianao;
19kanefa noho Ianao be famindrampo,
dia tsy nafoinao tany an-taniefitra izy:
Ny andry rahona, izay nitari-dalana azy raha antoandro,
dia tsy niala teo akaikiny
na ny andry afo nony alina
mba hanazava ny lalan-kalehany,
20Nomenao azy koa ilay Fanahinao tsara
mba hahatonga hahay manavaka.
Ianao nandefa hatrany ny mana* ho sakafony
sy namorona rano hanala hetaheta azy.
21Eny, efapolo taona no namelomanao azy tany an-taniefitra
ka tsy nanan-java-mahory akory izy;
tsy nihatonta ny fitafiany
ary tsy nivonto ny tongony.

vendredi 8 mai 2015

Zoma 08 May 2015 - Lio 2 : 25 - 32

25Tao Jerosalema tamin'izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehôna; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an'Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nombàn'ny Fanahy Masina izy 26ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia* avy amin'ny Tompo. 27Nentin'ny Fanahy Masina hankao an-kianjan'ny tempoly* i Simehôna, raha niditra indrindra ny ray aman-drenin'i Jesoa zazakely mba hanatanteraka izay andidian'ny lalàna ny amin'ny zaza; 28dia nitrotro Azy i Simehôna sady velom-pisaorana an'Andriamanitra nanao hoe:

                29–Tompo ô, alefaso amim-piadanana amin'izay
                      ity mpanomponao, araka ny teninao!

30Efa hitako maso manko ny famonjena avy aminao
31izay nomaninao ho an'ny firenena rehetra:
32dia fahazavana hampahalala Anao amin'ny hafa firenena
ary hanome voninahitra an'i Israely* vahoakanao.

jeudi 7 mai 2015

Alakamisy 07 May 2015 - I Sam 10 : 6 - 13

6Hilatsaka aminao ny Fanahin'ny TOMPO, ka haminany miaraka amin'izy ireo ianao ary ho tonga olom-baovao. 7Rehefa tanteraka aminao ireo famantarana ireo, dia ho fantatrao fa Andriamanitra tokoa no momba anao koa ataovy izay fantatrao fa mety. 8Tsy maintsy midina mialoha ahy any Gilgàla anefa ianao, ka ho tratrako tsy ho ela, any ny hanatrarako mba hanolotra sorona* dorana manontolo sy sorom-pihavanana. Fito andro no hiandrasanao ahy ao; ka rehefa tonga aho, dia hambarako anao izay tokony hataonao.

9Raha vao nihodina i Saoly ka dify an'i Samoela, dia novan'Andriamanitra fo, ary tanteraka taminy androtrizay ihany ireo zavatra rehetra voalazan'i Samoela. 10Koa rehefa tonga tany Gibehà i Saoly sy ny mpanompony, dia indreo andiana mpaminany nifanena taminy; dia nilatsahan'ny Fanahin'Andriamanitra i Saoly, ary niara-naminany tamin'izy ireo. 11Ary izay rehetra efa nahalala azy hatramin'izay, raha nahita azy tsindrian-daona miaraka amin'ny mpaminany, dia nifampanontany hoe: «Fa inona no nanjò ity zanakalahin'i Kisy? Lasa mpaminany koa angaha i Saoly?» 12Dia hoy koa ny iray tamin'izy ireo: «Fa mba iza no rain'ireto mpaminany hafa ireto?» Izany no nahatonga ilay ohabolana hoe: «Mba tonga anisan'ny mpaminany koa ve i Saoly?» 13Rehefa tony tsy naminany intsony i Saoly, dia nankeo amin'ny toeram-panasinana.

mercredi 6 mai 2015

Alarobia 06 May 2015 - Jao 3 : 1 - 8

1Nisy lehilahy anankiray atao hoe Nikôdema, anisan'ny antokom-pivavahana Farisianina* ary manampahefana teo amin'ny Jiosy.

2Nanatona an'i Jesoa izy indray alina ary niteny taminy hoe:
–Mpampianatra ô, fantatray fa Mpampianatra nirahin'Andriamanitra Ianao; satria tsy misy olona mahavita ireo famantarana ataonao ireo, raha tsy ombàn'Andriamanitra.

3Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy afa-mahita ny Fanjakàn'Andriamanitra*.

4Dia hoy i Nikôdema taminy:
–Hataon'ny olona ahoana no hateraka indray rehefa antitra? Moa afa-miverina any an-kibon-dreniny ve izy ka hateraka fanindroany?

5Ka novalian'i Jesoa hoe:
–Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy Masina ny olona, dia tsy afa-miditra ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra. 6Izay ateraky ny olombelona, dia olombelona; izay ateraky ny Fanahy Masina, dia fanahy. 7Aza gaga ianao raha nilazako hoe: «Tsy maintsy ateraka indray ianareo.» 8Ny rivotra dia mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany: tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy Masina.

mardi 5 mai 2015

Talata 05 May 2015 - Mat 12 : 14 - 21

 14Fa lasa nivoaka ny sinagôga kosa ny Farisianina* ary niara-nioko ny amin'izay hamonoana an'i Jesoa.

15Nony nahalala izany i Jesoa, dia niala teo amin'io toerana io; ary vahoaka maro no nanaraka Azy. Nositranin'i Jesoa avokoa ny marary rehetra, 16saingy noteneniny mafy hoe:

                       «Aza manao izay hahafantarana Ahy.»

17Koa tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'i Isaià mpaminany* hoe:

                   18«Indro ny Mpanompoko izay nofidiko,
                       ilay Malalako Izay sitrako.
                       Ny Fanahiko hapetrako eo aminy,
                       ka hambaran'ny Mpanompoko
                       amin'ireo firenena ny rariny.
                       19Tsy hifanditra aman'olona Izy na hihorakoraka,
                       ary tsy handrenesana ny feony eny an-dalambe.
                       20Ny volotara folaka tsy hotapahiny,
                       ny lahin-jiro manetona tsy hovonoiny,
                       ambara-pahazoan'ny Mpanompoko
                       fandresena ho an'ny rariny.
                       21Ary Izy no hitokian'ireo firenena.»

lundi 4 mai 2015

Alatsinainy 04 May 2015 - Gal 3 : 1 - 5

1Tsy misaina ianareo, ry Galatianina! Iza moa no nanodoka anareo? Kanefa dia i Jesoa Kristy* voahombo tamin'ny hazofijaliana no naseho mazava teo imasonareo. 2Izaho ihany no tiako ho fantatra avy aminareo: noho ianareo nanatanteraka ny lalàna ve nandraisanareo ny Fanahy Masina sa noho ianareo nihaino sy nino ny Vaovao Mahafaly*? 3Tsy misaina mihitsy ve ianareo no dia nanomboka tamin'ny herin'ny Fanahy Masina kanefa ankehitriny miafara amin'ny maha olombelona osa sy malemy? 4Dia ho very maina foana ve ny nahatsapanareo zava-dehibe toy ireny, raha ohatra ka ho very maina foana tokoa izany? 5Rehefa manome anareo ny Fanahy Masina sy manefa asa mahery eo anivonareo àry Andriamanitra, moa ve noho ianareo manatanteraka ny lalàna no mahatonga izany sa noho ianareo mihaino sy mino ny Vaovao Mahafaly?

dimanche 3 mai 2015

Alahady 03 May 2015 - I Tes 1 : 1 - 10

1Avy amiko Paoly ity taratasy ity.Mamangy anareo isan'ny Fiangonana atỳ Tesalônika, izay tafaray amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy* Tompo, aho. Mamangy anareo koa i Silasy sy i Timôty. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!

2Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra izahay ny aminareo rehetra, rehefa mahatsiaro amin'ny vavaka ataonay. 3Tsaroanay tsy tapaka eo anatrehan'ilay Andriamanitsika sady Raintsika ny asa ateraky ny finoanareo, ny fikelezana aina asesiky ny fitiavanareo, ary ny faharetana vokatry ny fanantenanareo an'i Jesoa Kristy* Tompontsika. 4Fantatray, ry havana, fa efa notiavin'Andriamanitra ianareo ary efa nofidiny mba ho Azy. 5Eny, ny Vaovao Mahafaly* torînay dia tonganay tatỳ aminareo, tsy tamin'ny teny fotsiny ihany fa tamin'ny hery aman'asan'ny Fanahy Masina mbamin'ny fankatoavanay tanteraka ny Vaovao Mahafaly. Fantatrareo koa ny fiaimpiainanay fony izahay tatỳ aminareo ho fanasoavana anareo. 6Sady nanahaka anay sy ny Tompo ianareo; fa na dia be aza ny fahoriana nanjo anareo, dia nandray ny tenin'Andriamanitra tamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo. 7Koa dia tonga ohatra ho an'ny mpino rehetra eran'i Masedônia sy i Akaîa ianareo. 8Nanako avy teo aminareo ny tenin'ny Tompo, ka tsy hoe nanerana an'i Masedônia sy i Akaîa ihany, fa niely hatraiza hatraiza koa ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra; hany ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona. 9Fa izy rehetra dia milaza ny momba anay ka mitantara ny nidiranay tatỳ aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampinareo ka nitodihanareo tamin'Andriamanitra, mba hanompoanareo ilay Andriamanitra velona sady marina. 10Andrasanareo koa ny hahatongavan'ny Zanany* avy any an-danitra, dia i Jesoa Izay efa natsangany ho velona avy tany amin'ny maty sady mpanafaka antsika amin'ilay fahatezeran'Andriamanitra* ho avy.

samedi 2 mai 2015

Sabotsy 02 May 2015 - Kol 1 : 21 - 23

21Ianareo koa dia lavitra an'Andriamanitra fahiny sady fahavalony, noho ny ratsy nosaininareo sy nataonareo. 22Fa ankehitriny kosa, noho i Kristy niharan'ny fahafatesana tao amin'ny vatany mety maty, dia namitram-pihavanana taminareo Andriamanitra mba hahatonga anareo ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany. 23Kanefa tsy maintsy maharitra amin'ny finoana ianareo, ka miorina sy mitombina tsara, ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana vokatry ny Vaovao Mahafaly* efa renareo. Izaho Paoly dia efa tonga mpanompon'izany Vaovao Mahafaly izany, dia ilay notorîna tamin'ny olona rehetra eto ambanin'ny lanitra.

vendredi 1 mai 2015

Zoma 01 May 2015 - II Sam 23 : 1 - 7

1Izao no fanambaràna farany nataon'i Davida:
Teny hentitr'i Davida, zanakalahin'i Jisay,
dia teny hentitry ny lehilahy
izay voafidin'ilay Andriamanitr'i Jakôba
mba ho voasandratra ho mpanjaka
sady voahasohason'ireo hiran'i Israely:
2Ny Fanahin'ny TOMPO no mampiteny ahy
sy mametraka ao am-bavako ny teniny.
3Ny Andriamanitr'i Israely sady mpiaro azy
no efa niteny ka nanao tamiko hoe:

«Ny mpanjaka izay mifehy ny olona amim-pahamarinana
sy mitondra azy amim-panajana an'Andriamanitra
4dia toy ny fahazavan'ny maraina
raha miposaka ny masoandro
amin'iny maraina tsy misy rahona iny.
Ny tarany mafana mandimby ny orana
no mampaniry ny ahitra amin'ny tany.»
5Toy izany indrindra ny fianakaviako
eo anoloan'Andriamanitra;
fa fanekempihavanana maharitra mandrakizay
no nataon'Andriamanitra tamiko,
dia fanekempihavanana mirindra
sy voatandro amin'ny lafiny rehetra.
Ny fandresena sy ny zava-tsoa azoko
dia Izy no ipoiran'ireny rehetra ireny.
6Fa ny olom-poana rehetra kosa
dia tahaka ny tsilo fanary
ka tsy mba fandrain-tanana.
7Izay te hikasika azy
dia tsy maintsy mirongo
faraingo vy na zaran-defona;
ary ireny tsilo ireny dia dorana amin'ny afo
eo amin'ny toerana itobiany eo ihany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12