vendredi 31 juillet 2015

Zoma 31 Jolay 2015 - Isa 55 : 1 - 5

1He! Ianareo rehetra izay mangetaheta,
mankanesa amin'ny rano omeko!
Na dia tsy manam-bola aza ianareo,
avia maka sakafo, dia mihinàna
fa tsy ialam-bola izany;
avia maka divay na ronono,
fa tsy vidina izany.
2Nahoana ianareo no mandany vola
amin'izay sakafo tsy tena mahavoky?
Nahoana ianareo no misahirana
amin'ny zavatra tsy mahafa-po?
Henoy tsara Aho, dia hihinan-javatra matsiro ianareo
ary ho finaritra amin'ny sakafo mafilotra.
3Mankanesa atỳ amiko ianareo, ka manongilàna sofina;

henoy Aho, dia ho velombelona indray ny tenanareo.

Hanaovako fanekempihavanana mandrakizay ianareo

ka homeko ny fitahiana nampanantenaiko an'i Davida:

4Indro izy fa nataoko vavolombelon'ny fahefàko
eo amin'ny foko isan-tokony
sady ho mpitarika sy mpibaiko ny hafa firenena.
5Ary ianao koa, ry Israely,
dia hiantso ny firenena hafa izay tsy fantatrao;
ary firenen-kafa tsy mahalala anao akory
no hirohotra hanatona anao,
satria ny TOMPO Andriamanitrao, Ilay Masin'i Israely,
no nanome anao izany voninahitra izany.

jeudi 30 juillet 2015

Alakamisy 30 Jolay 2015 - Fil 3 : 12 - 16

12Tsy mihambo ho efa tafita aho na ho efa tanteraka; fa miezaka hatrany aho hahazo ny amboaran'ny hazakazaka, satria izany no efa nahazoan'i Kristy* Jesoa ahy. 13Ry havana, tsy mihevi-tena ho efa nahazo ny amboara sahady aho; fa zavatra iray ihany no ataoko: manadino ny efa nodiaviko ka mikely aina fatratra ho tody amin'izay kendrena. 14Miezaka hahatratra ny tanjona aho mba hahazoako ny amboara, dia ny fiainana iraisana amin'i Kristy Jesoa ka iantsoan'Andriamanitra any ambony any.

15Aoka hisaina toy izany àry isika rehetra matotra ara-panahy. Kanefa raha misy aminareo misaina hafa noho izany, dia Andriamanitra no hampahazava izany aminareo. 16Saingy, na ahoana na ahoana, dia aoka isika hizotra amin'izay efa andehanantsika hatramin'izao.

mercredi 29 juillet 2015

Alarobia 29 Jolay 2015 - Efe 4 : 1 - 6

1Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay migadra noho ny amin'ny Tompo: manàna fitondrantena mendrika ny fiantsoan'Andriamanitra anareo. 2Manetre tena lalandava, aoka halemy fanahy sady hahari-po. Mifandefera amim-pitiavana. 3Aoka ny fihavanana no hifamatoranareo, dia hazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo. 4Iray ny tena ary iray ny Fanahy, toy ny maha iray ny fanantenana niantsoan'Andriamanitra anareo. 5Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa*; 6iray Andriamanitra sady Rain'ny kristianina rehetra, manjaka amin'izy rehetra, miasa amin'ny alalan'izy rehetra ary mitoetra ao amin'izy rehetra.

mardi 28 juillet 2015

Talata 28 Jolay 2015 - Mar 10 : 46 - 52

46Dia tonga tao Jerikao ry i Jesoa sy ny mpiara-dia taminy. Ary fony niala ny tanàna i Jesoa sy ny mpianany* mbamin'ny vahoaka be, dia efa nipetraka teo amoron-dalana i Bartimeo jamba mpangataka. 47Reny fa i Jesoa avy any Nazareta izay, ka nanomboka niantsoantso mafy izy hoe:
–Ry Jesoa Zanak'i Davida* ô, mamindrà fo amiko!

48Norahonan'ny olona maro izy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe:
–Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!

49Ary nijanona i Jesoa ka nilaza hoe:
–Antsoy izy!

Dia nantsoin'ny olona ilay jamba nataony hoe:
–Mahereza, antsoiny ianao ka mitsangàna!

50Natsipin'i Bartimeo ny lambany, ka niantsambotra nanatona an'i Jesoa izy. 51Dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe:
–Inona no tianao hataoko aminao?

Dia hoy ilay jamba taminy:
–Mpampianatra ô, ny hampahiratra ahy!

52Ka hoy i Jesoa:
–Mandehana, ny finoanao no nahasitrana anao!
Dia nahiratra niaraka tamin'izay ilay jamba, ka lasa nanaraka an'i Jesoa teny an-dalana.

lundi 27 juillet 2015

Alatsinainy 27 Jolay 2015 - Lio 5 : 1 - 11

1Indray andro i Jesoa, raha ilay nijanona teo amoron'ny farihin'i Genesareta iny, dia nitangoronan'ny vahoaka te hihaino ny tenin'Andriamanitra. 2Hitany fa nisy sambokely roa niantsona teo amoron-drano fa nidina nanasa harato ny mpanarato. 3Dia niakaran'i Jesoa ny sambokely anankiray izay an'i Simôna, ka niangavian'i Jesoa i Simôna hihataka kely amin'ny tany. Ary teo an-tsambokely Izy no nipetraka hampianatra ny vahoaka.

4Nony nitsaha-niteny i Jesoa, dia nanao tamin'i Simôna hoe:
–Mandrosoa eny amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana trondro.

5Fa novalian'i Simôna hoe:
–Mpampianatra ô, niasa mafy izahay halina tontolo, saingy tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny baikonao, dia halatsako ihany ny harato.

6Vao nandatsaka ny harato izy ireo, dia nahazo trondro be tokoa ary saika rovitra ny harato. 7Koa nohatsihin'izy iray tarika mba ho avy hanampy azy ny namany izay teny amin'ny sambokely hafa. Dia avy ireo, ka samy feno safomorona saika hilentika ny sambokely anankiroa. 8Raha nahita izany i Simôna Petera, dia niankohoka teo an-tongotr'i Jesoa nanao hoe:
–Tompo ô, halaviro aho fa mpanota!

9Taitra loatra manko izy mbamin'ireo niaraka taminy noho ny haben'ny trondro azony. 10Toa izany koa ry i Jakôba sy i Jôhany zanakalahin'i Zebedeo izay niombona asa tamin'i Simôna. Ary hoy i Jesoa tamin'i Simôna:
–Aoka izay ny tahotra; manomboka izao dia olona kosa no halainao!
11Ary rehefa nampiantsona ny sambokely teo an-tanety i Simôna sy ny namany, dia nandao ny zavatra rehetra ka lasa niaraka tamin'i Jesoa.

dimanche 26 juillet 2015

Alahady 26 Jolay 2015 - Isa 6 : 1 - 8

1Tamin'ny taona nahafatesan'i Hozià mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo amin'ny sezafiandrianana avo dia avo; ary nahafeno ny tempoly ny rebareban'akanjony. 2Nisy serafima nitsangana teo amboniny, izay samy manana elatra enina avy: ka ny roa nanakonany endrika, ny roa nanakonany vatana, ary ny roa nanidinany. 3Ary niantso mafy ireo ka nifamaly hoe:
           «Masina, masina, masina
             ny TOMPOn'izao rehetra izao!
             Feno ny voninahiny ny tany manontolo!»

4Nipararetra ny fanambanin'ny tokonana noho ny hamafin'ny feon'ireo serafima ireo, sady feno setroka ny trano.

5Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin'ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn'izao rehetra izao, no hitan'ny masoko!»

6Kinanjo nanidina nanatona ahy ny iray tamin'ireo serafima, nitondra vainafo teny an-tanany, dia vainafo avy nalainy tamin'ny tandra teo amin'ny alitara*. 7Natehiny tamin'ny vavako izany, ary hoy izy tamiko:
«Indro efa nitehika ny molotrao ity;
koa afaka ny helokao,
ary voavela ny fahotanao.»

8Dia reko ny feon'ny Tompo nanontany hoe:
–Iza no hirahiko, ary iza no ho mpitondrateninay?

Dia namaly aho hoe:
–Inty aho, iraho aho.

samedi 25 juillet 2015

Sabotsy 25 Jolay 2015 - Isa 41 : 8 - 13

8Ianao kosa, ry Israely mpanompoko,
firenen'i Jakôba izay nofidiko,
taranak'i Abrahama sakaizako,
9ianao izay nalaiko avy tany am-paran'ny tany
sady nantsoiko avy amin'ny faritra lavitra indrindra,
ianao no itenenako hoe: «Mpanompoko ianao;
Izaho no nifidy anao ka tsy manary anao.»
10Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho,
aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao.
Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa;
ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.
11Indro ho menatra sy ho afa-baràka
izay rehetra naneso anao.
Hanjary tsinontsinona sy ho levona
ny mpanohitra anao.
12Hotadiavinao ireo mpisetrasetra anao
fa tsy ho hitanao;
hanjary tsinontsinona sy zava-poana
ireo mpiady aminao.
13Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao,
Izay mitantana anao amin'ny tanan-kavananao
sady mamerimberina aminao hoe:
«Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.»

vendredi 24 juillet 2015

Zoma 24 Jolay 2015 - II Pet 3 : 11 - 18

11Koa raha ho levona toy izany àry izao rehetra izao, dia ho olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondrantena masina sy ny firaiketam-po amin'Andriamanitra? 12Sady andrasanareo no hafainganinareo ny fiavian'ilay andron'Andriamanitra, izay andro hahamay ny habakabaka sy hahalevona azy ary hanempoan'ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy! 13Kanefa isika, araka ny fampanantenàn'Andriamanitra, dia miandry ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay honenan'ny fahamarinana soritan'Andriamanitra.

14Koa eo am-piandrasana izany, ry hava-malala, dia miezaha mafy mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary hihavana tsara no hahitan'ny Tompo anareo. 15Hevero fa ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ho famonjena anareo, toy ny voasoratr'i Paoly hava-malalantsika taminareo araka ny fahendrena nomen'Andriamanitra azy. 16Toy izany koa no ataony ao amin'ny taratasiny rehetra izay itenenany momba izany zavatra izany; amin'ireny taratasiny ireny anefa dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, toy ny ataony rahateo amin'ny teny hafa raketin'ny Soratra Masina*, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.

17Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan'ny hevi-dison'ireo ratsy fanahy, ka hiala amin'izay iorenanareo. 18Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an'i Jesoa Kristy* Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen*.

jeudi 23 juillet 2015

Alakamisy 23 Jolay 2015 - Isa 1 : 18 - 20

18«Avia fa hifandahatra isika, hoy ny TOMPO.
Na dia mena midorehitra aza ny fahotanareo,
dia ho fotsy tahaka ny oram-panala,
na dia mangatrakatraka tahaka ny jaky aza ireny,
dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.
19Raha manaiky ianareo ka mankatò,
dia hihinana ny vokatra tsara avy amin'ny tany.
20Fa raha mandà kosa ianareo ka mikomy,
dia ny sabatra no handripaka anareo.»
Izany no nambaran'ny TOMPO.

mercredi 22 juillet 2015

Alarobia 22 Jolay 2015 - Jao 21 : 15 - 22

15Rehefa avy nisakafo ireo mpianatra, dia hoy i Jesoa tamin'i Simôna Petera:
–Ry Simôna zanakalahin'i Jôhany, moa tia Ahy mihoatra noho ny itiavan'ireto Ahy ve ianao?

Ka novaliany hoe:
–Eny, ry Tompo, fantatrao fa tiako Ianao.

Dia hoy Izy taminy:
–Fahano ireo zanakondriko.

16Ary hoy indray i Jesoa tamin'i Petera fanindroany:
–Ry Simôna zanakalahin'i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao?

Ka novaliany hoe:
–Eny, ry Tompo, fantatrao fa tiako Ianao.

Dia hoy Izy taminy:
–Aoka ianao ho mpiandry* ireo ondriko*.

17Ary hoy indray i Jesoa tamin'i Petera fanintelony:
–Ry Simôna zanakalahin'i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao?

Dia nalahelo i Petera fa nataon'i Jesoa fanintelony hoe: «Moa tia Ahy ve ianao?», ka hoy ny navaliny Azy:
–Ianao, ry Tompo, no mahalala ny zavatra rehetra, ka fantatrao fa tiako Ianao.

Dia hoy Izy taminy:
–Fahano ireo ondriko. 18Lazaiko marina dia marina aminao fa fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena sy nandeha tamin'izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hatsotranao ny tananao, ka olon-kafa no hanikina anao sy hitondra anao amin'izay tsy tianao haleha.

19(Izany voalazan'i Jesoa izany, dia manambara ny karazam-pahafatesana hanomezan'i Petera voninahitra an'Andriamanitra). Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe:
–Avia hiaraka amiko!

20Dia nitodika i Petera ka hitany manaraka azy ireo ilay mpianatra* tian'i Jesoa, ilay mpianatra izay nirona teo amin'ny tratran'i Jesoa tamin'ny fisakafoana ka nanontany Azy hoe: «Tompo ô, iza moa ilay efa hanolotra Anao?»

21Rehefa nahita an'ilay mpianatra i Petera, dia niteny tamin'i Jesoa hoe:
–Ary izy io, ry Tompo, mba inona no ho anjarany?

22Dia hoy i Jesoa tamin'i Petera:
–Raha tiako haharitra mandra-piaviko izy, ahoanao izany? Fa ianao, avia hiaraka amiko!

mardi 21 juillet 2015

Talata 21 Jolay 2015 - Jon 3 : 1 - 10

1Ary nisy baikon'ny TOMPO fanindroany tamin'i Jônà nanao hoe:
2–Mitsangàna ka mankanesa any Ninive ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny hafatra izay nolazaiko anao.

3Dia nitsangana i Jônà ka niainga nankany Ninive, araka ny baikon'ny TOMPO. Tanàna lehibe tokoa i Ninive, fa telo andro no fitetezana azy. 4Dia nanomboka ny fitetezana tamin'ny andro voalohany i Jônà ka nitory hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Ninive.» 5Nino an'Andriamanitra ny mponin'i Ninive, ka nanapa-kevitra ny hifady hanina* ary nitafy gony hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely. 6Rehefa ren'ny mpanjakan'i Ninive ny vaovao, dia nidina avy teo amin'ny sezafiandrianany izy ka nanala ny akanjo maha mpanjaka azy, ary nitafy gony koa sady nipetraka teo amin'ny lavenona. 7Dia nasainy nambara nanerana ny tanàna izao didim-panjakana izao: «Araka ny didin'ny mpanjaka sy ny minisitra, dia rarana ny olona sy ny biby tsy hihinana na inona na inona na hisotro rano akory. 8Na olona na biby dia tsy maintsy misarona lamba fisaonana avokoa. Ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra ka hiala amin'ny toetra ratsiny sy ny herisetra nahazatra ny tanany. 9Iza no mahalala? Angamba hiova fanapahan-kevitra ihany Andriamanitra ka hiala amin'ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahafaty antsika.»

10Rehefa hitan'Andriamanitra ny fihetsik'ireo Ninivita izay niala tamin'ny toetra ratsiny, dia niova fanapahan-kevitra Izy ka tsy nampihatra ny loza izay nolazainy hamelezany azy.

lundi 20 juillet 2015

Alatsinainy 20 Jolay 2015 - Lio 5 : 27 - 32

27Taorian'izany, raha nandeha i Jesoa, dia nahita mpamory hetra* atao hoe Levỳ nipetraka tao amin'ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy:
–Avia hiaraka amiko!

28Dia nitsangana i Levỳ namoy ny zavatra rehetra ary nandeha niaraka taminy.
29Avy eo ry i Jesoa dia nanaovan'i Levỳ fanasambe tao an-tranony, ka betsaka ny mpamory hetra* sy ny olon-kafa no niara-nisakafo taminy sy ny mpianany*.

30Nimonomonona ny Farisianina* sy ireo mpahay lalàna* mpomba azy ka nilaza tamin'ny mpianatr'i Jesoa hoe:
–Ahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?

31Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary. 32Tsy hiantso ny olo-marina no nahatongavako fa hiantso ny mpanota mba hialany amin'ny toetra ratsiny.

dimanche 19 juillet 2015

Alahady 19 Jolay 2015 - Asa 2 : 36 - 42

36Noho izany, dia aoka ho fantatry ny vahoaka Israely* rehetra mazava tsara fa iny Jesoa nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana iny indrindra no efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Mesia.

37Raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tao am-pony ka nanontany an'i Petera sy ny apôstôly namany hoe:
–Ry havana, inona no tokony hataonay?

38Dia hoy i Petera taminy:
–Ialao ny toe-dratsy, ary aoka ianareo samy hatao batisa* amin'ny anaran'i Jesoa Kristy mba ho voavela heloka, dia handray ny Fanahy Masina fanomezan'Andriamanitra. 39Fa ny fanomezana nampanantenain'Andriamanitra dia ho anareo sy ny zanakareo, ary ho an'ireo rehetra any lavitra any, na iza na iza hantsoin'ny Tompo Andriamanitsika hanatona Azy.

40Mbola maro ny teny hafa nijoroan'i Petera ho vavolombelona ka nitaomany sy nananarany ny vahoaka hoe:
–Vonjeo ny tenanareo ka misaraha amin'ireto olona mpaniasia ireto!
41Koa izay nandray tsara ny tenin'i Petera dia natao batisa; ary olona tokony ho telo arivo no nanatevin-daharana ny mpino tamin'izany andro izany.

42Nazoto izy ireo nihaino ny fampianaran'ny apôstôly sy niombom-piainana toy ny mpiray tampo ary niara-nanao ny fiaraha-misakafo sy namonjy ny fivavahana.

samedi 18 juillet 2015

Sabotsy 18 Jolay 2015 - Sal 40 : 1 - 10

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Salamo nataon'i Davida.

2Niandry ny Tompo am-paharetana aho
ka niondrehany ary nohenoiny taraina;
3nosintoniny avy tao an-davaka lalina aho,
nakariny avy tao amin'ny fota-mandrevo;
ny tongotro najorony tambony vatolampy
ka indro azo antoka sy matotra ny diako.
4Nasiany hira vaovao teo am-bavako,
dia hira fiderana an'Andriamanitsika!
Maro tokoa no hahita izany,
ka hanaja sy hatoky ny TOMPO.
5Sambatra ny olona manao ny TOMPO ho tokiny
ka tsy mba mirona velively amin'ny sampy
na miandany amin'ny mpanompo andriamani-tsiizy.

6TOMPO Andriamanitro ô, maro tokoa
ny zava-mahagaga izay nataonao;
ka tsy misy azo ampitahaina aminao!
Ary ny hevitra anasoavanao anay
dia maro loatra ka tsy tambo isaina,
tsy ary ho voatanisako na ho voalazako.
7Nampahafantarinao ahy tsara tokoa
fa tsy sitrakao ny sorona* amam-panatitra;
tsy ilainao ny sorona* dorana manontolo
sy ny sorona fanalana ny ota.
8Ka hoy aho hoe: «Inty aho tamy!
Ao amin'ny bokin'ny Lalàna no ahitako
fa voasoratra izay tokony hataoko.»
9Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitro ô,
eny, ny hanao ny sitraponao no sitrako;
ary ny lalànanao* dia ato anatin'ny foko.
10Ny vahoakanao tafangona maro no hilazako
vaovao mahafaly ny amin'ny fanafahanao.
Indro tsy hangina mihitsy aho,
ary fantatrao izany, ry TOMPO ô!

vendredi 17 juillet 2015

Zoma 17 Jolay 2015 - Jao 7 : 37 - 43

37Tamin'ilay andro lehibe famaranana ny fankalazana, dia nijoro i Jesoa ka niantso mafy hoe:
–Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy; 38ary izay mino Ahy, aoka hisotro! Fa araka ny voalazan'ny Soratra Masina*, dia «hisy onin-dranovelona hiboiboika avy ao am-pony!»

39Ny Fanahy Masina efa horaisin'ireo nino an'i Jesoa no voalazany tamin'izany; tsy mbola nomena manko ny Fanahy Masina, satria tsy mbola nomem-boninahitra i Jesoa.

40Ny sasany tamin'ny vahoaka, nony nandre ireo teny ireo, dia nanao hoe:
–Ity tokoa no ilay Mpaminany*!

41Ny sasany nanao hoe:
–Ity no ilay Mesia*!

Ny sasany kosa nanao hoe:
–Fa angaha avy any Galilea no iavian'ny Mesia? 42Tsy efa voalazan'ny Soratra Masina* ve fa avy amin'ny taranak'i Davida sady avy ao Betlehema tanàna nonenan'i Davida no iavian'ny Mesia?

43Koa nisara-tsaina ny amin'i Jesoa ny vahoaka; 44ny sasany tamin'izy ireo dia nitady hisambotra Azy, kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.


jeudi 16 juillet 2015

Alakamisy 16 Jolay 2015 - Mpit 6 : 1 - 18

1Ary nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO indray ny Israelita ka natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan'ny Midianita nandritra ny fito taona. 2Ary nahery vaika tamin'ny Israelita loatra ny famelezan'ny Midianita; koa noho ny tahony azy dia nanamboatra lalan-kizo sy zohy fierena ary toerana sarotra anihina tany an-tendrombohitra ny Israelita. 3Fa isaky ny avy nanao famafazam-boa ny sahany ny Israelita, dia tonga nanafika ny Midianita niaraka tamin'ny Hamalekita sy ireo mpifindrafindra lasy avy any atsinanana. 4Nitoby teo amin'ny sahan'ny Israelita ireny ka nanimba ny vokatry ny taniny hatrany Gazà, ary tsy nisy zavatra navelany hohanin'ny Israelita, tsy nisy navelany ho azy na ondry aman'osy na omby na boriky. 5Nifindrafindra niaraka tamin'ny biby fiompiny sy ny lainy ireny sady toy ny valala no fiaviny; fa maro izy mbamin'ny ramevany ka tsy hita isa. Niditra tamin'ny tany izy mba handrava azy; 6ary nahantra loatra ny Israelita noho ny nafitsoky ny Midianita, ka niantso vonjy tamin'ny TOMPO.

7Rehefa nitaraina tamin'ny TOMPO ny Israelita mba hanafaka azy amin'ny Midianita, 8dia nanirahany mpaminany* hiteny aminy hoe:
–Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: «Izaho no nitondra anareo niala tany Ejipta sy namoaka anareo tao amin'ny toerana nanandevozana anareo. 9Izaho no nanafaka anareo teo am-pelatanan'ny Ejiptianina sy izay rehetra nampahory anareo. Noroahiko ny fahavalonareo arakaraky ny nandrosoanareo ka nomeko anareo ny taniny. 10Ary nambarako taminareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Ka tsy tokony hatahoranareo ny andriamanitry ny Amôrita* eo amin'ny tany izay onenanareo nefa tsy nihaino Ahy ianareo.»

11Ary tonga tao an-tanàna Hôfrà ilay anjeli*n'ny TOMPO ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta izay an'i Jôasy lehilahy anisan'ny tarik'i Abihezera. I Gidehôna zanakalahin'i Jôasy tamin'izay dia teo am-pivelezam-bary tao amin'ny famiazam-boaloboka mba tsy ho hitan'ny Midianita.

12Ary nisehoan'ilay anjelin'ny TOMPO izy ka nilazany hoe:
–Ny TOMPO no momba anao, ry ilay mpiady mahery fo!

13Fa novalian'i Gidehôna hoe:
–Azafady, tompoko! Raha momba anay ny TOMPO, nahoana no iharan'izao loza rehetra izao izahay? Aiza avokoa ireo zava-mahagaga notantarain'ny razanay fa nataon'ny TOMPO fony Izy namoaka azy ireny avy tany Ejipta? Fa ankehitriny efa nanary anay ny TOMPO, ka nanolotra anay eo an-tanan'ny Midianita.

14Dia nitodika nijery azy ny TOMPO ka niteny taminy hoe:
–Mandehàna amin'izao herinao izao, ka afaho teo am-pelatanan'ny Midianita ny Israelita, fa Izaho no naniraka anao.

15Dia novalian'i Gidehôna hoe:
–Indrisy, Tompo ô, ahoana no ahazoako mamonjy an'i Israely? Kanefa ny fianakaviako no osa indrindra amin'ny fokon'i Manase ary izaho no tanora indrindra ao an-tranon'ny raiko.

16Fa hoy kosa ny TOMPO taminy:
–Homba anao Aho, ka toy ny famelezana olona iray monja no hamelezanao ny Midianita.

17Dia namaly Azy i Gidehôna hoe:
–Raha sitrakao àry, dia mba omeo famantarana aho fa Ianao tokoa no miteny amiko. 18Aoka mba tsy hiala eto Ianao mandra-piveriko mitondra fanatitra izay tiako hatolotra eto anatrehanao.

Ka hoy ny TOMPO hoe:
–Hijanona eto Aho mandra-piverinao.

mercredi 15 juillet 2015

Alarobia 15 Jolay 2015 - Asa 9 : 1 - 19

1Tamin'izay i Saoly dia tsy nanampo afa-tsy ny handrahona sy ny handripaka ny mpianatry* ny Tompo. Nanatona ny mpisorombe izy, 2ary nangataka taratasy hahazoany miditra amin'ireo sinagôga any Damasy: ny nokendreny dia ny hamatotra sy hitondra mankatỳ Jerosalema izay olona tratrany manaraka ny lalana nosoritan'ny Tompo, na lahy na vavy.

3Ary raha mbola nizotra nankany Damasy ny diany, ka mby teo akaikin'ny tanàna, dia nisy hazavana avy tany an-danitra, nanelatrelatra tampoka nanodidina azy.

4Niankarapoka tamin'ny tany i Saoly sady nandre feo nanao taminy hoe:
–Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?

5Dia hoy i Saoly:
–Iza moa Ianao, Tompoko?

Ary ilay feo namaly hoe:
–Izaho no i Jesoa, Ilay enjehinao. 6Fa mitsangàna, mankanesa ao an-tanàna, dia holazaina aminao izay tokony hataonao.

7Tafatsatoka tsy nahateny tsy nahavolana ireo olona mpiara-dia amin'i Saoly; reny tokoa ny feo, nefa tsy nisy olona hitany. 8Dia nitsangana i Saoly, saingy tsy nahita na inona na inona, na dia nisokatra aza ny masony; hany ka olona no nitantana azy hankao Damasy. 9Tsy nahita izy nandritra ny telo andro sady tsy nihinana no tsy nisotro.

mardi 14 juillet 2015

Talata 14 Jolay 2015 - Lio 18 : 18 - 30

18Ary nisy manampahefana jiosy nanontany an'i Jesoa hoe:
–Ry Mpampianatra tapitra ohatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay?

19Dia hoy i Jesoa taminy:
–Nahoana Aho no ataonao hoe tapitra ohatra? Tsy misy tapitra ohatra afa-tsy Andriamanitra irery ihany. 20Fantatrao ny didy hoe: «Aza maka vadin'olona; aza mamono olona; aza mangalatra; aza manao vavolombelona tsy marina; hajao ny rainao sy ny reninao!»

21Dia hoy ilay manampahefana hoe:
–Izany rehetra izany dia efa voatandriko hatramin'ny fahatanorako!

22Nandre izany i Jesoa ka nanao taminy hoe:
–Zavatra iray no mbola tsy ampy aminao: amidio avokoa ny fanananao rehetra ka zarao amin'ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia avia hiaraka amiko!
23Vao nandre izany kosa ralehilahy, dia nanjary nalahelo erỳ, satria tena mpanankarena izy. 

24Ary nahita azy nalahelo toy izany i Jesoa ka nanao hoe:
–Sarotra mihitsy amin'ny mpanankarena ny miditra ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*. 25Eny, moramora kokoa ny idiran'ny rameva amin'ny vodifanjaikely noho ny idiran'ny mpanankarena ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra.
26Dia hoy ny olona nandre izany:
–Koa iza àry no mety ho voavonjy?
27Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Ny tsy vitan'olombelona, vitan'Andriamanitra.
28Hoy kosa i Petera:
–Jereo ange! Izahay dia efa nahafoy izay mba anay ka niaraka taminao!
29Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona nahafoy trano na vady na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka noho ny Fanjakàn'Andriamanitra 30ka tsy hahazo be lavitra amin'izao etỳ izao, ary ny fiaina-maharitra mandrakizay amin'ny andro ho avy.

lundi 13 juillet 2015

Alatsinainy 13 Jolay 2015 - Hos 1 : 2 - 9

2Fony nanomboka niteny tamin'ny alalan'i Hôsea ny TOMPO, dia nanao taminy hoe:
                «Mandehana maka vady mpivarotena tokoa
                  sy zanaka avy amin'ny fivarotan-tenany;
                  fa ny mivarotena miala amin'ny TOMPO
                  no ataon'ny mponina eto amin'ny tany.»

3Dia nandeha naka an'i Gômera zanakavavin'i Diblaîma i Hôsea; ary nitoe-jaza taminy ravehivavy ka niteraka zazalahy. 4Dia hoy ny TOMPO tamin'i Hôsea:
               «Ataovy hoe Jizrehèla ny anarany,
                  satria tsy ho ela ny hanafaizako
                  ny taranak'i Jehò
                  noho ny ra latsaka tao Jizrehèla;
                  ary hofaranako
                  ny fanjakan'ny taranak'i Israely*.
               5Amin'izany andro izany dia homontsaniko
                 eo amin'ny lemak'i Jizrehèla
                 ny herin'i Israely ara-tafika.

6Nitoe-jaza indray i Gômera ka niteraka zazavavy; ary hoy ny TOMPO tamin'i Hôsea:
               «Ataovy hoe Lô-Rohamà ny anarany,
                 satria tsy haneho fitiavana intsony
                 amin'ny taranak'i Israely Aho;
                 eny, hotsoahiko aminy tanteraka ny fitiavako.

7Fa hotiaviko kosa ny taranak'i Joda ka hovonjeko. Izaho TOMPO Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin'ny tsipîka na amin'ny sabatra na amin'ny ady, na koa amin'ny soavaly na amin'ny mpitaingin-tsoavaly, fa amin'ny anarako.»

8Rehefa nisara-nono i Lô-Rohamà, dia nitoe-jaza indray i Gômera ka niteraka zazalahy. 9Dia hoy ny TOMPO tamin'i Hôsea:
               «Ataovy hoe Lô-Hamỳ ny anarany,
                satria tsy vahoakako ianareo,
                ary tsinontsinona Aho aminareo.»

dimanche 12 juillet 2015

Alahady 12 Jolay 2015 - Jao 1 : 43 - 51

43Ny ampitson'iny, dia niroso nankany amin'ny faritany Galilea i Jesoa; tafahaona tamin'i Filipo Izy ary nanao taminy hoe:
–Avia hiaraka amiko!

44I Filipo dia avy any Betsaidà, tanàna fiavian-dry i Andrea sy i Petera. 45Tafahaona tamin'i Natanaela kosa i Filipo ka niteny taminy hoe: «Efa hitanay Ilay voalazan'i Mosesy tao amin'ny bokin'ny Lalàna* sy voalazan'ireo mpaminany*, dia i Jesoa zanak'i Jôsefa, Ilay avy any Nazareta.»

46Ary hoy i Natanaela taminy:
–Moa mba mety hisy zava-tsoa ve avy any Nazareta?

Dia novalian'i Filipo hoe:
–Ndao ianao hizaha!

47Nahita an'i Natanaela tamy nanatona Azy i Jesoa ka izao no teniny momba an'i Natanaela:
–Izany ka tena Israelita* tsy misy fitaka!

48Dia hoy i Natanaela taminy:
–Ahoana no ahafantaranao ahy?

Ka novalian'i Jesoa hoe:
–Talohan'ny niantsoan'i Filipo anao, dia hitako teo ambany aviavy ianao!

49Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe:
–Mpampianatra ô, Ianao no Zanak'Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan'i Israely*!

50Ary novalian'i Jesoa hoe:
–Mino ve ianao satria nilazako fa hitako teo ambany aviavy? Zavatra lehibe noho izany no mbola ho hitanao!

51Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin'ny anjelin'Andriamanitra* miaka-midina eo ambonin'ny Zanak'olona*!

samedi 11 juillet 2015

Sabotsy 11 Jolay 2015 - Asa 16 : 6 - 15

6Noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny tenin'Andriamanitra tany Azia i Paoly sy ny namany ka nandeha namaky ny faritany Frijia sy Galatia. 7Nihazo ny faritany Mizia izy ireo ary nitady hankany Bitinia, kanjo tsy navelan'ny Fanahin'i Jesoa. 8Dia namaky an'i Mizia ry i Paoly ka nanitsy nankany Trôasy, tanàna seranana. 9Tamin'ny alina dia nisehoam-pahitana i Paoly: nisy lehilahy Masedônianina nijoro teo anatrehany, sady niangavy azy hoe: «Mità mankatỳ Masedônia, ka vonjeo izahay!» 10Tsy nangataka andro izahay taorian'izany fahitàn'i Paoly izany, fa nivonona hiainga ho any Masedônia, satria azonay antoka fa nantsoin'Andriamanitra hitondra ny Vaovao Mahafaly* amin'ny olona any izahay.

11Niondrana an-tsambo tao Trôasy izahay ka nizotra nivantana ho any amin'ny nosy Samôtrasy; ary tafapaka hatrany Neapôly, ny ampitson'iny. 12Avy eo izahay, dia nankany Filipy, tanànan'ny faritany voalohany ao Masedônia, sady zanatany rômanina. Nijanona andro maromaro tao amin'io tanàna io izahay. 13Tamin'ny andro sabata* dia lasa tany ivelan'ny vavahadin-tanàna izahay, ka nankeny amoron'ny ony satria noheverinay fa nisy toeram-pivavahana ho an'ny Jiosy teny. Nipetrapetraka izahay ka tafaresaka tamin'ny vehivavy tafavory teo. 14I Lidia no anaran'ny anankiray tamin'ireo vehivavy ireo; avy any an-tanànan'i Tiatira izy, mpivarotra lamba jaky mena sarobidy, ary mpanaja an'Andriamanitra*. Nihaino tsara anay ravehivavy io ary nosokafan'ny Tompo ny fony mba ho babon'ny teny nolazain'i Paoly.

15Nony avy natao batisa* izy mbamin'ny ankohonany, dia nanasa anay i Lidia nanao hoe:
–Satria noheverinareo fa mino ny Tompo tokoa aho, dia mandrosoa ianareo hiantrano any amiko.
Ary notereny mihitsy izahay.

vendredi 10 juillet 2015

Zoma 10 Jolay 2015 - Heb 11 : 8 - 10

8Finoana no naneken'i Abrahama fony izy nantsoin'Andriamanitra hiainga ho any amin'ny tany izay horaisiny ho lova; ka nandao ny tany nahabe izy, nefa tsy fantany izay halehany. 9Finoana no nonenany toy ny mpiavy tao amin'ny tany nampanantenain'Andriamanitra ho azy. Tranolay no nitoerany, dia izy mbamin'i Itsehàka sy i Jakôba, izay samy nandray izany fampanantenana izany. 10Fa i Abrahama dia niandry ilay tanàna mafy orina, ka Andriamanitra no tompo-marika tamin'izany sady nanao azy.

jeudi 9 juillet 2015

Alakamisy 09 Jolay 2015 - Deo 20 : 1 - 4

1Raha miainga hanafika fahavalo ianareo, ka mahita soavaly sy kalesy ary tafika maro noho ny anareo, dia aza matahotra azy; satria ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay nampiakatra anareo avy tany Ejipta, no momba anareo. 2Iny vonon-kanafika iny ianareo, dia hohatonin'ny mpisorona ka hilazany hoe: 3«Mihainoa, ry miaramila israelita! Efa hanafika fahavalo ianareo izao, koa aza rera-po na matahotra na mikoropaka foana na mangorohoro eo anatrehany. 4Fa ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hampandresy anareo.»

mercredi 8 juillet 2015

Alarobia 08 Jolay 2015 - Asa 12 : 1 - 10

1Tamin'izany fotoana izany, dia nasain'i Herôda* mpanjaka nosamborina ny olona sasantsasany anisan'ny Fiangonana mba hampahorîna. 2Novonoiny tamin'ny sabatra i Jakôba rahalahin'i Jôhany; 3ka nony hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nosamboriny koa i Petera. (Andro fankalazana ny Azima* indrindra tamin'izay.) 4Rehefa voasambotr'i Herôda i Petera, dia nataony am-ponja; andia-miaramila efatra, misy miaramila efatra avy, no nasain'ity mpanjaka niandraikitra ny fiambenana azy. Nokasain'i Herôda hotsaraina imasom-bahoaka manko izy aorian'ny Paska*. 5Voatana tao am-ponja àry i Petera, fa ny Fiangonana kosa nivavaka mafy tamin'Andriamanitra ho azy.

6Ny alina mialoha ny hitsaran'i Herôda* azy ampahibemaso, dia natory teo anelanelana miaramila roa lahy i Petera. Voafatotra gadra vy anankiroa izy, ary teo am-baravaran'ny fonja dia efa nasiana mpiambina. 7Dia indro nisy anjelin*'ny Tompo tonga teo, ary namirapiratry ny hazavana tao amin'ilay efitry ny fonja.

Notohinin'ilay anjely teo amin'ny tehezany i Petera, dia nofohaziny ka nataony hoe:
–Mitsangàna faingana!

Nilatsaka ho azy ny gadra tamin'ny tanan'i Petera. 8Dia hoy ilay anjely taminy:
–Misikîna ary anaovy ny kapa.

Dia nataon'i Petera izany. Ary hoy koa ilay anjely taminy:
–Tafio ny lambanao ary manaraha ahy.

9Dia niala tao am-ponja nanaraka an'ilay anjely i Petera. Saingy tsy fantany ho zavatra tena marina izay nataon'ny anjely fa noheveriny ho fahitana fotsiny. 10Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy ireo, dia tonga teo amin'ny vavahady vy mahazo ny lalana ho any an-tanàna. Nivoha nidanadana ho azy ilay vavahady ka dia tafavoaka soa aman-tsara izy ireo. Nizotra tamin'izay lalana anankiray izay izy ireo, ary dia nilaozan'ny anjely tampoka i Petera.

mardi 7 juillet 2015

Talata 07 Jolay 2015 - Mat 4 : 18 - 22

18Nitsangantsangana teny amoron'ny farihin'i Galilea i Jesoa ka nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Petera sy i Andrea rahalahiny; nanipy harato tao anaty farihy izy roa lahy fa mpanarato no raharahany.

19Dia hoy i Jesoa taminy:
–Andao hiaraka amiko fa hataoko mpanarato olona ianareo!

20Dia nilaozany avy hatrany ny haratony ka lasa izy roa lahy niaraka tamin'i Jesoa.
21Ary nandroso ihany i Jesoa ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba sy i Jôhany zanak'i Zebedeo; tafaraka tamin'i Zebedeo rainy teo an-tsambokely izy roa lahy ary nanamboatra harato. 22Nantsoin'i Jesoa izy mirahalahy; ary nilaozany avy hatrany ny sambokely sy ny rainy fa lasa izy roa lahy niaraka tamin'i Jesoa.

lundi 6 juillet 2015

Alatsinainy06 Jolay 2015 - Asa 10 : 19 - 26

19Mbola revo nieritreritra izay tokony ho hevitr'ilay fahitana i Petera no nitenenan'ny Fanahy Masina hoe:
–Indreo misy olona telo lahy mitady anao. 20Mitsangàna, dia midîna ary aza misalasala fa mandehana miaraka aminy; satria Izaho no naniraka azy ireo.

21Dia nidina i Petera ary nanatona azy telo lahy ka nanao hoe:
–Izaho no ilay tadiavinareo. Inona no anton-dianareo?

22Dia hoy izy telo lahy:
–Iraky ny kapiteny Kôrnely izahay. Izy dia lehilahy tia rariny sady mpanaja an'Andriamanitra no tsara laza amin'ny Jiosy rehetra. Notoroan'ny anjely masina hevitra izy mba hampaka anao ho any an-tranony ary hihaino izay zavatra hambaranao aminy.

23Nampiantranoin'i Petera izy telo lahy ka nandry tao ny alin'iny. Ny ampitso kosa dia lasa i Petera niara-dia tamin'ireto iraka. Tafaraka tamin'i Petera koa ny havana sasany mpino avy ao Jôpa. 24Ny afakampitso dia tonga tany Kesaria ry i Petera. Efa niandry azy ireo i Kôrnely sy ny havany aman-tsakaizany izay nasainy. 25Iny vao hiditra iny i Petera, dia nitsena azy i Kôrnely ary niantoraka teo an-tongony ho mari-panajana azy.

26Fa nampitsangana azy i Petera ka nanao hoe:
–Mitsangàna ianao, fa izaho koa dia olombelona ihany!

vendredi 3 juillet 2015

Zoma 03 Jolay 2015 - Eks 3 : 1 - 12

1Niandry ny ondrin'i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Hôreba* tendrombohitr'Andriamanitra. 2Tao izy no nisehoan'ny anjeli*n'ny TOMPO tanaty lelafo teo afovoan'ny roimemy anankiray. Hitan'i Mosesy fa mirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nisy nahalevonana. 3Dia tapa-kevitra hanatona i Mosesy mba hizaha io fisehoana mahagaga io hahalalany izay antony tsy ahalevonan'ny roimemy.

4Rehefa hitan'ny TOMPO fa nanatona mba hizaha i Mosesy, dia tao afovoan'ny roimemy Izy no niantso azy nanao hoe:
–Ry Mosesy! Ry Mosesy!

Ka hoy ny navaliny Azy:
–Inty aho.

5Dia hoy ny TOMPO hoe:
–Aza manatona ny roimemy! Esory ny kapa amin'ny tongotrao fa tany masina ny toerana ijoroanao. 6Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.
Dia nisaron-tava i Mosesy fa natahotra ny hijery an'Andriamanitra.

7Ary hoy ny TOMPO hoe:
–Efa hitako tokoa ny fahorian'ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan'ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany. 8Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin'ny fahefàn'ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin'ny tany Ejipta mba ho any amin'ny tany tsara sy midadasika, any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita* sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita. 9Ankehitriny dia efa tonga eto amiko ny fitarainan'ny Israelita, ary efa hitako koa ny fahoriana izay ampijalian'ny Ejiptianina azy. 10Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin'ny Farao* ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.

11Fa hoy i Mosesy tamin'Andriamanitra:
–Zinona moa aho no hankany amin'ny Farao* ka hamoaka ny Israelita hiala avy any Ejipta?

12Ary hoy Andriamanitra hoe:
–Homba anao tokoa Aho; ary izao no porofo fa Izaho no naniraka anao: rehefa avy namoaka ny vahoaka israelita avy tany Ejipta ianao, dia hanao fanompoam-pivavahana amiko eto amin'ity tendrombohitra ity ianareo.

jeudi 2 juillet 2015

Alakamisy 02 Jolay 2015 - I Sam 3 : 8 - 14

8Niantso fanintelony an'i Samoela ny TOMPO, koa dia nitsangana indray izy nankany amin'i Helỳ ka nanao taminy hoe:
–Niantso ahy ianao, koa intỳ aho!

Izay vao fantatr'i Helỳ fa ny TOMPO no niantso ny zaza.

9Ary hoy izy taminy:
–'Ndeha miverina matory; fa raha toa mbola misy miantso anao, dia valio hoe: «Mitenena, TOMPO ô, fa mihaino ny mpanomponao!»

Dia lasa natory teo amin'ny fatoriany indray i Samoela.
10Ary avy ny TOMPO, dia nitsangana teo, ka niantso toy ny fanaony hoe: «Ry Samoela, ry Samoela!»

Dia hoy izy namaly:
–Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.

11Ary hoy ny TOMPO tamin'i Samoela:
–Indro hanao zavatra amin'i Israely Aho, dia zavatra hampangirintsina ny sofin'izay rehetra mandre azy. 12Hampihariko amin'i Helỳ sy ny taranany amin'izany andro izany ny loza rehetra, efa nambarako hamelezana azy; eny, hampihariko hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany izany. 13Efa nampitandrina azy Aho manko fa hohelohiko mandrakizay ny fianakaviany noho ny fahotan-janany izay fantany tsara nefa tsy mba nosakanany. 14Koa izany no nianianako tamin'ny fianakavian'i Helỳ fa tsy misy sorona* na fanatitra hahafa-pahotana azy.

mercredi 1 juillet 2015

Alarobia 01 Jolay 2015 - Jer 33 : 1 - 9

1Fa raha mbola voatana teo an-kianjan'ny trano fiambenana i Jeremià, dia nisy indray tenin'ny TOMPO fanindroany taminy nanao hoe:
2«Izao no lazain'ny TOMPO, Ilay manao ny zava-mitranga ka mamolavola azy mba hitantanany azy, dia Ilay antsoina hoe TOMPO: 3Antsoy Aho, dia hamaly anao sady hampianatra anao zava-dehibe izay tsy takatry ny saina sady tsy mbola fantatrao. 4-5Izaho TOMPO Andriamanitr'i Israely dia milaza ny amin'ireo trano eto an-tanàna sy ny lapan'ny mpanjakan'i Joda fa rava avokoa ireo. Ny amin'ny tovon-tany fanafihana sy ny ady kosa dia izao: Tsy ilaina ny hanoherana ny Babilônianina fa hahafeno faty eto an-tanàna izany noho ny olona naripaky ny fahatezerako amam-pahavinirako. Fa ny haratsiana rehetra nataon'ny mponin'i Jerosalema no nahatonga Ahy tsy niraharaha ny tanànany.

6«Kanefa indro Aho hitsabo an'i Jerosalema ka hahasitrana azy tanteraka; ary hasehoko mitafotafo amin'ny mponina indray ny fiadanana sy ny filaminana. 7Haveriko amin'ny laoniny indray i Joda sy i Israely ka hareniko ho tahaka ny fahiny. 8Hodioviko ho afaka amin'ny heloka rehetra izay nataony tamiko izy; eny, havelako ny heloka rehetra izay nikomiany tamiko. 9Ary hahafaly Ahy ny hanonona ny anaran'i Jerosalema, ka ho voninahitro sy haingoko eo imason'ny firenen-kafa rehetra ambonin'ny tany izy. Ary rehefa handre ny soa rehetra izay hataoko amin'i Jerosalema, ireo firenena ireo, dia hangovitry ny tahotra manoloana ny soa rehetra sy ny fiadanam-be izay hataoko aminy.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12