lundi 31 août 2015

Alatsinainy 31 Aogositra 2015 - Apo 7 : 13 - 17

13Dia niteny tamiko ny anankiray tamin'ny loholona nanao hoe:
–Iza moa ireo miakanjo fotsy lava ireo ary avy taiza no niaviany?

14Ka novaliako hoe:
–Ianao, tompoko, no mahalala!

Dia hoy izy tamiko:
–Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe ka nanasa sy namotsy ny akanjony tamin'ny ra nafoin'ilay Zanakondry. 15Noho izany, dia mitoetra eo anoloan'ny sezafiandrianan'Andriamanitra izy ireo ka manompo an'Andriamanitra andro aman'alina ao an-tempoliny*; ary Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana dia hiara-monina aminy ka hiaro azy. 16Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana. 17Fa ny Zanakondry Izay mipetraka eo afovoan'ny sezafiandrianana no ho Mpiandry* azy ka hitondra azy ho amin'ny loharano velona; ary hofafàn'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony.

dimanche 30 août 2015

Alahady 30 Aogositra 2015 - Dan 6 : 17 - 25

17Tamin'izay dia nanome baiko ny mpanjaka mba halaina i Daniela ka hatsipy ao an-davaky ny liona. Dia niteny kosa ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: «Andriamanitrao, Izay tompoinao fatratra, no hany hamonjy anao!»
18Dia nisy vato natampina ny vavan-davaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin'ny tombokaseny* sy tamin'ny an'ireo olo-manan-kajany mba tsy hisy hovana ny amin'i Daniela. 19Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nihinan-kanina nandritra ny alina sady tsy nampiditra vehivavy teo anatrehany, na dia tsy nahita tory aza.

20Fa raha vao nangiran-dratsy ny andro, dia nifoha ny mpanjaka ka nandeha faingana nankany amin'ny lavaky ny liona. 21Ary raha nanatona ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo hoe:
–Ry Daniela mpanompon'Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao fatratra va afaka namonjy anao tamin'ny liona?

22Dia niteny tamin'ny mpanjaka i Daniela hoe:
–Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka! 23Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny* hanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria hita tsy manan-tsiny teo anatrehany aho; ary tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka.

24Tamin'izay dia faly tokoa ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka i Daniela; rehefa tafakatra izy, dia tsy nahitana ratra akory satria natoky an'ilay Andriamaniny. 25Ary nanome baiko ny mpanjaka mba halaina ireo lehilahy izay niampanga an'i Daniela ka hatsipy ao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vady aman-janany. Fa raha tsy mbola nipaka tamin'ny vody lavaka akory izy mianakavy, dia nifandrombahan'ny liona ka nopotipotehiny ny taolany rehetra.

samedi 29 août 2015

Sabotsy 29 Aogositra 2015 - Jao 16 : 25 - 33

25–Fanoharana* no nilazako izany taminareo; fa ho avy ny vaninandro izay tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony fa hambarako tsotra aminareo ny momba ny Ray. 26Amin'izany andro izany dia hangataka noho ny anarako ianareo; ary Izaho tsy milaza hoe hangataka ho anareo amin'ny Ray, 27satria fatra-pitia anareo Izy. Eny, fatra-pitia anareo ny Ray, satria ianareo efa tia Ahy ary efa nino fa nivoaka avy any amin'ny Ray Aho. 28Nivoaka avy any amin'ny Ray Aho no tonga eto amin'izao tontolo izao*; ary hiala eto amin'izao tontolo izao indray Aho, ka hankany amin'ny Ray.

29Dia hoy ny mpianatr*'i Jesoa taminy:
–Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manana fanoharana akory. 30Fantatray izao fa mahalala ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy mila hanontanian'olona: izany no inoanay fa nivoaka avy any amin'Andriamanitra Ianao!

31I Jesoa kosa namaly azy hoe:
–Mino ve ianareo ankehitriny? 32Indro avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hielezanareo samy ho any amin'ny misy anareo avy, ary handaozanareo Ahy ho irery; kanefa tsy irery Aho, fa miaraka amiko ny Ray. 33Izany no voalazako taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amin'ny firaisana amiko. Eto amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa mahereza, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao!

vendredi 28 août 2015

Zoma 28 Aogositra 2015 - II Tim 3 : 10 - 13

10Fa ianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny foto-pisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, 11ny fanenjehana ahy ary ny fijaliana nanjo ahy. Fantatrao avokoa izay nihatra tamiko tany Antiôkia, tany Ikôniôma, tany Listra, mbamin'ireo fanenjehana nianjady tamiko; kanefa dia nafahan'ny Tompo tamin'izany rehetra izany aho. 12Eny, izay te hiaina araka ny maha mpivavaka tafaray amin'i Kristy* Jesoa dia hoenjehina. 13Fa ny olona ratsy fanahy sy mpanoloky dia vao mainka hiharatsy hatrany, sady mamitaka no voafitaka.

jeudi 27 août 2015

Alakamisy 27 Aogositra 2015 - Mat 10 : 26 - 36

26–Koa aza matahotra ny olombelona ianareo. Fa tsy misy afenina izay tsy haseho na takona izay tsy ho fantatra. 27Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina dia ambarao eny amin'ny mazava; ary izay ren'ny sofinareo dia antsoantsoy eny an-tampon-trano. 28Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an'Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin'ny lohasahan'afo*. 29Tsy ampaharoapolon'ny denàry monja ve no vidin'ny fody roa? Kanefa tsy hisy latsaka amin'ny tany izy ireny na iray aza, raha tsy lahatry ny Rainareo. 30Na ny volon-dohanareo aza dia fantatr'Andriamanitra ny isany. 31Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo!

32–Noho izany, na zovy na zovy manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, Izaho koa dia hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. 33Fa na zovy na zovy mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, Izaho koa dia handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.

34–Aza heverinareo fa tonga eto an-tany Aho hampihavana; tsy tonga hampihavana Aho, fa hampiady. 35Eny, tonga Aho hampisaraka ny zanaka lahy amin'ny rainy, sy ny zanaka vavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozambaviny; 36koa ny ankohonan'ny olona ihany no ho fahavalony.

mercredi 26 août 2015

Alarobia 26 Aogositra 2015 - Apo 2 : 8 - 11

8«Izao no lazain'ilay Voalohany sady Farany, Izay efa maty nefa velona indray: 9Fantatro ny fahorianao sy ny fahantrànao, kanefa manankarena ianao. Fantatro ianao fa endrikendrehin'ireo milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsiizy fa olona mivavaka amin'i Satàna*. 10Aza matahotra na inona na inona amin'izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly* efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.

11«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.
«Izay maharesy dia tsy hiharan-doza avy amin'ny fahafatesana faharoa.»

mardi 25 août 2015

Talata 25 Aogositra 2015 - Mat 5 : 10 - 12

10Sambatra izay enjehina noho izy manao ny marina
nosoritan'Andriamanitra,
fa azy ny Fanjakàn'ny lanitra!

11Sambatra ianareo raha tevatevain'ny olona sy enjehiny ary ampangaina lainga amin'ny ratsy isan-karazany noho ny maha mpianatro* anareo. 12Mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoa miandry anareo any an-danitra, satria toy izany no nanenjehany ireo mpaminani*n'Andriamanitra talohanareo!

lundi 24 août 2015

Alatsinainy 24 Aogositra 2015 - I Tes 3 : 1 - 10

1Koa satria tsy aritray intsony, dia naleonay nilaozana irery tany Atena; 2ka nalefanay nankatỳ aminareo i Timôty rahalahinay ara-pinoana sady mpiara-miasa aminay ho an'Andriamanitra amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Kristy*. Nalefanay i Timôty hampiorina sy hampahery anareo amin'ny finoanareo, 3mba tsy hisy hihontsina ianareo amin'izao fahoriana mahazo antsika izao; satria ny tenanareo mahalala fa voatendrin'Andriamanitra hodiavintsika izany. 4Fony mbola tatỳ aminareo izahay, dia efa nilaza fa tsy maintsy hampahorîna isika; ary dia nitranga izany, araka izay fantatrareo. 5Koa satria tsy aritro intsony, dia nalefako i Timôty hahalalako ny finoanareo. Nanahy aho fandrao voataonan'ilay mpaka fanahy ianareo ka ho very maina ny nikelezanay aina.
6Efa tafaverina atỳ aminay izao i Timôty avy tatỳ aminareo, ka nilaza vaovao tsara taminay momba ny finoanareo sy ny fitiavanareo. Nilazany koa izahay fa mahatsiaro tsara anay mandrakariva ianareo sady maniry mafy ny hahita anay, toy ny anirianay mafy hahita anareo. 7Noho izany, na dia tery sy ory fatratra aza izahay, dia nahazo hery noho ny aminareo; ny finoanareo no nampahery anay, 8fa velona izahay ankehitriny satria mamahatra tsara sy mifikitra mafy amin'ny Tompo ianareo. 9Inona re no saotra azonay avaly an'Andriamanitra noho ny aminareo, noho ny hafaliana be dia be omenareo anay sy tsapanay eo anatrehan'Andriamanitsika? 10Mangataka mafy aminy, andro aman'alina, izahay mba hifanatri-tava aminareo sy hameno izay tsy ampy amin'ny finoanareo.

dimanche 23 août 2015

Alahady 23 Aogositra 2015 - Eks 5 : 15 - 6 : 1

15Nankao amin'ny Farao ireo Israelita mpitandrin-draharaha ka nitaraina hoe:
–Nahoana no dia ataonao toy izao izahay mpanomponao? 16Tsy omena mololo izahay kanefa asaina manao biriky ihany. Ary jereo fa nokapohina izahay mpanomponao, ka heloky ny vahoakanao izao!

17Fa novalian'ny Farao hoe:
–Olona tena kamo mihitsy ianareo! Izany no antony nilazanareo hoe: «Handeha hanao sorona ho an'ny TOMPO izahay.» 18Koa ankehitriny, ndeha miasa fa tsy homena mololo intsony ianareo, nefa ny isam-biriky anjaranareo tsy maintsy homenareo ihany.

19Hitan'ireo mpitandrin-draharaha israelita fa tafalatsaka amin'ny kizo izy raha nilazana hoe: «Tsy hahenanareo ny isam-birikinareo, fa ny anjara fanao isan'andro ihany.» 20Koa vantany vao nivoaka avy tao amin'ny Farao ry zareo, dia nandeha nihaona tamin'i Mosesy sy i Aharôna izay efa niandry azy rahateo; 21ka hoy ireto mpitandrin-draharaha tamin'izy mirahalahy:
–Aoka ho hitan'ny TOMPO izao nataonareo izao ka hanamelohany anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra tamin'ny Farao sy ny tandapany izahay; eny, nasianareo sabatra eny an-tanan'ireo mba hamonoany anay!

22Dia niverina tany amin'ny TOMPO i Mosesy ka niteny hoe
–Tompo ô, nahoana no nampidi-doza an'ity vahoaka ity ianao? Ahoana àry no nanirahanao ahy atỳ? 23Fa hatramin'ny nankanesako tany amin'ny Farao niteny tamin'ny anaranao no nahatonga izao loza izao tamin'ny Israelita, ary ianao dia tsy mamonjy ny vahoakanao akory!

1Fa namaly an'i Mosesy ny TOMPO hoe:
–Ankehitriny vao ho hitanao izay hataoko amin'ny Farao, fa noho ny herin-tsandriko dia havelany handeha ny Israelita; eny, noho ny herin-tsandriko, dia horoahiny hiala amin'ny taniny izy ireo!

samedi 22 août 2015

Sabotsy 22 Aogositra 2015 - Mat 24 : 3 - 14

3Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Analanôliva i Jesoa; dia nanatona Azy manokana ireo mpianany* ka nanao hoe:
–Lazao aminay izay fotoana hahatongavan'izany ary izay hamantarana ny fiavianao sy ny fiafaran'izao tontolo izao.

4Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo.

vendredi 21 août 2015

Zoma 21 Aogositra 2015 - II Tan 32 : 9 - 23

9Taorian'izay dia nanao fahirano an'i Lakisy i Saneheriba mpanjakan'i Asiria ary koa ny tafiny manontolo. Avy ao i Saneheriba no naniraka manamboninahitra hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekià mpanjakan'i Joda sy ho any amin'ny Jodeanina rehetra nonina tao an-drenivohitra.

Ka hoy ny hafatra nampitain'ireto iraka hoe:
10–Izao no lazain'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria: «Mba inona izao itokianareo izao no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo? 11Tsy i Hezekià ihany va no manambosy anareo hanolo-tena ho faty mosary sy hetaheta ka milaza fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hamonjy anareo tsy hiharan'ny fahefàko? 12Kanefa io Hezekià io koa no nandrava ireo toeram-pisoronana* aman'alitarany*, ka nandidy ny mponin'i Joda sy i Jerosalema mba tsy hanao fanompoam-pivavahana afa-tsy eo anoloan'ny alitara tokana ary tsy handoro sorona* hanetona afa-tsy eo ihany? 13Tsy fantatrareo va izay nataon'ireo razako sy ny tenako tamin'ny firenena hafa rehetra eto an-tany? Moa nisy nahavonjy ny taniny tsy hiharan'ny fahefàko ve ireo andriamanitry ny firenen-kafa? 14Ny andriamanitr'ireo firenena efa naringan'ny razako ireo dia tsy nisy nahavonjy ny olony tsy hiharan'ny fahefàko, ka dia hahavonjy anareo tsy hiharan'ny fahefàko va ny Andriamanitrareo? 15Ankehitriny àry, aza mety hofitahin'i Hezekià na ho voasodokany tahaka izao ianareo; aza matoky azy ianareo. Tsy nisy manko andriamanitra, tany amin'ny firenena amam-panjakana isan-tokony, izay nahavonjy ny olony tsy hiharan'ny fahefàn'ireo razako na ny fahefàko; noho izany, ireo andriamanitrareo koa tsy hahavonjy anareo tsy hiharan'ny fahefàko.»

16Ary ny manamboninahitra nirahin'i Saneheriba dia nanohy niteny ratsy nanohitra ny TOMPO Andriamanitra sy nanohitra an'i Hezekià mpanompony.

17Dia nanoratra taratasy koa ity mpanjakan'i Asiria mba hihantsiana ny TOMPO Andriamanitr'i Israely sy hanarabiana Azy. Ka hoy izy hoe: «Tsy nahavonjy ny olony tsy hiharan'ny fahefàko ny andriamanitr'ireo firenena hafa teto an-tany; noho izany, ny Andriamanitr'i Hezekià dia tsy hahavonjy koa ny olony tsy hiharan'ny fahefàko.»
18Ankoatra izany, ireto irak'i Saneheriba ireto dia niantso tamin'ny feo mahery sady araka ny fiteny jodeanina teo anatrehan'ny mponin'i Jerosalema izay teny ambonin'ny manda; ny hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna no anton'izany. 19Ary ny fitenenany an'ilay Andriamanitr'i Jerosalema koa dia toy ny fitenenany an'ireny andriamanitry ny firenena any an-tany hafa ireny, izay sarivongana asan-tanan'olona ihany.

20Noho izany toe-javatra izany dia nivavaka i Hezekià mpanjaka sy i Isaià mpaminany* zanakalahin'i Amôtsa, ka niantso vonjy tamin'Andriamanitra. 21Ny TOMPO kosa naniraka anjely*, izay nandringana ny miaramila maherifo rehetra sy ny manamboninahitra ary ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asiria. Ka dia lasa nody tamin-kenatra i Saneheriba; ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia ireo zanany naterany ihany no namono nahafaty azy tao tamin'ny sabatra.

22Toy izany no namonjen'ny TOMPO an'i Hezekià sy ny mponin'i Jerosalema tsy ho azon'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria na ho azon'ny fahavalo hafa rehetra; ary nanomezany azy fiadanana tamin'ny sisin-tany manodidina. 23Olona maro no nitondra fanatitra ho an'ny TOMPO tao Jerosalema ary koa fanomezana ho an'i Hezekià mpanjakan'i Joda; ka nanomboka tamin'izay i Hezekià no nalaza teo imason'ny firenen-drehetra manodidina.

jeudi 20 août 2015

Alakamisy 20 Aogositra 2015 - I Kor 4 : 6 - 13

6Ry havako, nampihariko tamin'ny tenako sy tamin'i Apôlao izany zavatra izany, noho ny aminareo. Ka dia ny tenanay roa lahy no hianaranareo ny dikan'ilay ohabolana hoe: «Aza mihoatra ny faritra izay efa voasoratra.» Aoka ianareo tsy hirehareha miandany amin'olona anankiray ka hanabanty anankiray hafa. 7Iza moa no nanondrotra anao ho ambonin'ny sasany? Inona no anananao ka tsy noraisinao tamin'Andriamanitra? Ary raha nandray tamin'Andriamanitra ianao, nahoana no dia mirehareha hoatra ny tsy nandray?

8Efa tapi-java-nirina ianareo, efa manankarena, tonga mpanjaka, saingy toa tsy noho ny nataonay! Satriko ho tonga mpanjaka tokoa ianareo, mba hiarahanay manjaka aminareo. 9Noheveriko fa izahay apôstôly dia nasehon'Andriamanitra ho olona faraidiny mihitsy: mova tsy olona voaheloko ho faty ampahibemaso ka natao ho fizàhan'izao tontolo izao* na anjely* na olona. 10Izahay moa adala noho ny amin'i Kristy, fa ianareo kosa hendry satria tafaray amin'i Kristy; izahay osa, fa ianareo kosa matanjaka; izahay tsy misy hajany, fa ianareo kosa heni-boninahitra. 11Mandraka ankehitriny, dia mijalin'ny hanoanana sy hetaheta izahay; tsy manan-kitafy, velesina, tsy manana antom-ponenana. 12Miasa mafy izahay mba hahavita tena; raha ozonin'olona, dia mirary soa; raha enjehina, dia miaritra; 13raha endrikendrehina, dia mamaly teny malefaka. Mova tsy tonga fakofakon'izao tontolo izao sy faraidin'ny olona rehetra izahay, mandraka ankehitriny.

mercredi 19 août 2015

Alarobia 19 Aogositra 2015 - Neh 2 : 1 - 8

1Tamin'ny taona faha-roapolo nanjakàn'i Artakserksesa, volana Nisàna, raha ilay nisakafo iny indrindra ny amperôra, dia naka divay aho ka nandroso azy taminy. Vao izay aho no mba nalahelo teo anatrehan'ny amperôra 2ka hoy izy tamiko:
–Nahoana no malahelo tarehy ianao, kanefa tsy marary tsinona? Tsy zavatra hafa izao fa alahelom-po mihitsy.

Dia raiki-tahotra mafy aho 3ka niteny tamin'ny amperôra hoe:
–Ho velona mandrakizay anie ianao, ry andriamanjaka! Nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tanàna misy ny fasan-drazako sady levon'ny afo ny vavahadiny?

4Dia hoy ny amperôra tamiko:
–Inona àry no angatahinao?

Nivavaka tamin'Andriamanitry ny lanitra* aho aloha, 5vao niteny tamin'ny amperôra hoe:
–Raha sitrakao izany, ry andriamanjaka, ary raha misy fankatelemanao ahy mpanomponao, dia mba alefaso ho any Joda aho, ho any amin'ilay tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako azy.

6Ny amperôra, izay nanana ny vadibeny nipetraka teo anilany, dia mbola nanontany ahy hoe:
–Haharitra fotoana firy any anefa ianao ary rahoviana no hiverina?

Dia sitraky ny amperôra ny handefa ahy, koa nilaza fetr'andro taminy aho 7sady nanampy teny hoe:
–Raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka hisy taratasy homena ahy ho an'ireo governoran'ny faritra any andafy andrefan'ny ony Eofrata, mba hamelany ahy handeha hatrany Joda. 8Aoka hisy taratasy homena ahy koa ho an'i Asafa mpiandraikitra ny alam-panjakana mba hanomezany hazo ahy hatao amin'ny varavaran'ny trano fiarovana manolotra ny tempoly* sy amin'ny mandan'ny tanàna ary amin'ny trano hitoerako.

Dia nomen'ny amperôra ahy ireo taratasy ireo, araka ny fiarovana nanambinan'Andriamanitra ahy.

mardi 18 août 2015

Talata 18 Aogositra 2015 - Jer 26 : 7 - 16

7Ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra teo dia samy nahare an'i Jeremià nanambara ireo teny ireo tao an-tranon'ny TOMPO. 8Koa rehefa tapitra voalazan'i Jeremià ny teny rehetra izay nasain'ny TOMPO nambarany tamin'ny besinimaro teo, dia nosamborin'izy rehetra i Jeremià ka nataony hoe:
–Mendrika ho faty ianao. 9Ahoana no ahasahianao milaza amin'ny anaran'ny TOMPO fa horavana tahaka ny tao Silao ity trano ity, ary ho simba sady tsy hisy mponina ity tanàna ity?
Tamin'izay dia nitangorona hamely an'i Jeremià izay rehetra teo an-kianjan'ny tranon'ny TOMPO.

10Nony ren'ireo mpitondran'i Joda ny zava-nitranga, dia niakatra avy tao an-dapan'ny mpanjaka hankao an-tranon'ny TOMPO izy, ka nipetraka hitsara teo anoloan'ny vavahady vaovao amin'ny tranon'ny TOMPO. 11Dia hoy ireo mpisorona ama-mpaminany tamin'ny mpitondran'i Joda ary koa tamin'ny vahoaka rehetra teo:
–Mendrika ho faty io lehilahy io, satria naminany ny hamelezana ity tanàna ity izy, ary ny sofinareo mihitsy no efa nandre.

12Fa namaly ny mpitondra sy ny vahoaka rehetra teo i Jeremià ka nanao hoe:
–Ny TOMPO no naniraka ahy hanambara ny hamelezana ity trano ity sy ity tanàna ity araka izay efa renareo teo. 13Koa ankehitriny hatsarao ny fitondrantenanareo sy ny fomba fanaonareo; henoy izay lazain'ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy hampiharin'ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana anareo. 14Ary raha ny tenako dia indro eo am-pelatananareo; ka ataovy amiko izay heverinareo ho tsara sy mahitsy. 15Saingy izao, raha hamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro fa mamono ny tsy manan-tsiny ka hibaby ny vokatr'izany ianareo sy ny mponina rehetra amin'ity tanàna ity; satria ny TOMPO tokoa no naniraka ahy hankatỳ aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo mba ho renareo.

16Tamin'izay dia hoy ireo mpitondra sy ny vahoaka rehetra tamin'ny mpisorona sy ny mpaminany hoe:
–Tsy mendrika ho faty ity lehilahy ity fa tamin'ny anaran'ny TOMPO Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.

lundi 17 août 2015

Alatsinainy 17 Aogositra 2015 - II Tim 2 : 1 - 13

1Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny alalan'ny fahasoavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 2Ireo zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia ankino amin'ny olona mahatoky, izay afaka mampianatra ny sasany koa.

3Aoka hiaritra fijaliana miaraka amiko ianao, toy ny miaramila tsaran'i Kristy Jesoa. 4Ny miaramila miantafika dia tsy maningo-tena amin'ny raharaha fanaom-bahoaka, raha te hankasitrahin'izay mandatsaka azy hiantafika. 5Ny mpanao fanatanjahan-tena dia tsy mahazo satroboninahi-pandresena raha tsy manezaka araka ny fitsipika. 6Ny mpamboly izay misasatra no tokony ho voalohany mandray izay anjarany amin'ny vokatra. 7Saino izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina momba ny zavatra rehetra ianao.

8Tsarovy i Jesoa Kristy, Izay nipoitra avy amin'ny taranak'i Davida sady efa nitsangana velona avy tany amin'ny maty, araka ny Vaovao Mahafaly* torîko. 9Noho ny fitoriako izany Vaovao Mahafaly izany no ijaliako, ary igadrako toy ny mpanao ratsy aza. Kanefa ny tenin'Andriamanitra tsy mba voagadra. 10Izany no iaretako ny mafy rehetra ho fanasoavana ireo olomboafidin'Andriamanitra, mba hahazoan'ireo koa famonjena, dia ilay ao amin'i Kristy Jesoa, mbamin'ny voninahitra maharitra mandrakizay. 11Azo antoka izao teny izao:
                «Raha niara-maty tamin'i Kristy isika,
                  dia hiara-belona aminy koa;
                 12raha miaritra ny mafy isika,
                 dia hiara-manjaka aminy koa;
                 fa raha lavintsika Izy,
                 dia mba holaviny koa isika;
                 13raha mivadika aminy isika,
                 Izy dia mahatoky hatrany
                 satria tsy afa-mandà ny tenany.»

dimanche 16 août 2015

Alahady 16 Aogositra 2015 - Jao 11 : 32 - 46

32I Maria kosa, nony tonga teo amin'izay nitoeran'i Jesoa, ka nahita Azy, dia niankohoka teo an-tongony sady niteny taminy hoe:
–Raha teto Ianao, ry Tompo, dia tsy maty ny anadahiko!

33Nony hitan'i Jesoa fa nitomany i Maria ary nitomany koa ireo Jiosy niaraka taminy, dia niontana ny fony ka tora-kovitra Izy 34sady nanao hoe:
–Aiza no nandevenanareo azy?

Dia hoy ireo taminy:
–Avia Ianao hizaha, ry Tompo!

35Nitomany i Jesoa, 36ka hoy ny Jiosy:
–Akory ity haben'ny fitiavany an'i Lazara!

37Fa hoy kosa ny sasany tamin'izy ireo:
–Efa nampahiratra ny mason'ilay jamba Izy, ka tsy hainy natao ve ny tsy hahafaty an-dralehilahy ity?

38Dia niontana indray ny fon'i Jesoa ka nankeo amin'ny fasana Izy. Zohy notampenana vato izany fasana izany.

39Dia hoy i Jesoa:
–Esory ny vato!

Fa i Marta, ilay anabavin'ny maty, no namaly Azy hoe:
–Efa maimbo ny faty, ry Tompo, satria efatra andro izay no nandevenana azy.

40Ary hoy i Jesoa taminy:
–Tsy efa voalazako taminao ve fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr'Andriamanitra?

41Dia nesorin'ny olona ny vato. I Jesoa kosa nanandratra ny masony any ambony sady nanao hoe:
–Ray ô, misaotra Anao Aho, satria efa nihaino Ahy Ianao. 42Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao; fa noho ny vahoaka manodidina Ahy kosa no nilazako izany, mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy.

43Avy nilaza izany i Jesoa, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe:
–Mivoaha tao, ry Lazara!

44Dia niala tao ny maty, ny tongotra aman-tanana nisy fehim-paty, ary ny tava voasarona lamba. Fa hoy i Jesoa tamin'ny olona:
–Vahao izy, dia avelao handeha!

45Maro tamin'ny Jiosy izay tonga tao amin-dry i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i Jesoa no nino Azy. 46Ny sasany tamin'ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Farisianina* ka nilaza taminy ny zavatra nataon'i Jesoa

samedi 15 août 2015

Sabotsy 15 Aogositra 2015 - Rom 8 : 18 - 25

18Heveriko fa tsy mendrika hohàrina amin'ny voninahitra izay haseho ao amintsika ny fijaliana amin'izao andro izao. 19Fa tsindrian-daona erỳ ny zavaboaary miandry ny hanehoan'Andriamanitra an'ireo zanany*. 20Fa tonga nanaiky ho zavatra tsinontsinona ny zavaboaary, tsy araka ny nahiny anefa, fa noho ilay nampanaiky azy toy izany. Saingy eo ny fanantenana: 21Fa ny zavaboaary koa aza dia hoafahana tsy ho andevon'ny fahasimbana indray andro any ka handray anjara amin'ny fahafahana be voninahitra hananan'ireo zanak'Andriamanitra. 22Saingy fantatsika fa mandraka ankehitriny, ny zavaboaary manontolo dia miara-misento sy mijaly toy ny vehivavy mihetsi-jaza. 23Ary tsy ny zavaboaary ihany; fa isika koa, izay manana ny Fanahy Masina ho santatry ny fanomezan'Andriamanitra, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny hanaovan'Andriamanitra antsika ho zanany ka hanavotany tanteraka ny tenantsika. 24Eny, efa voavonjy isika saingy mbola amin'ny fanantenana; ny mahita izay nantenaina dia tsy manantena intsony; satria iza no mbola hanantena izay zavatra efa hitany? 25Fa raha manantena ny tsy hitantsika isika, dia miandry amim-paharetana.

vendredi 14 août 2015

Zoma 14 Aogositra 2015 - II Tan 24 : 17 - 22

17Rehefa maty i Jôiadà, dia avy ireo manampahefana tao Joda ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka ho fiangaviana azy. Dia nihaino azy ny mpanjaka, 18hany ka nilaozan'ireo Israelita ny tranon'ny TOMPO Andriamanitry ny razany mba hanompoany ny tsatokazo fanajana an'i Aserà* sy handalàny sampy hafa. Noho izany fahadisoana izany, dia niharan'ny fahatezeran'ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema. 19Ary nanirahany mpaminany* izy mba hampiverina azy aminy; kanefa, na dia nananatra mafy aza ireo, dia tsy nety nihaino izy. 20Ary notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra kosa tamin'izay i Zakarià mpisorona zanakalahin'i Jôiadà, ka nitsangana teo amin'ny toerana avoavo manoloana ny vahoaka izy ary nanao taminy hoe: «Izao no lazain'Andriamanitra aminareo: ‹Nahoana no mandika ny didiko ianareo? Tsy ahitanareo fanambinana izany. Noho Izaho TOMPO efa nilaozanareo, dia mba handao anareo koa Aho!› »

21Dia nanao teti-dratsy nanohitra an'i Zakarià ny vahoaka, ary nitora-bato azy tao an-kianjan'ny tranon'ny TOMPO, araka ny baikon'ny mpanjaka. 22Nohadinoin'i Jôasy mpanjaka tokoa ny soa nataon'i Jôiadà rain'i Zakarià, hany ka nampamono ho faty ity zanany lahy izy. Ary nony efa ho faty i Zakarià, dia niteny hoe: «Ny TOMPO anie hijery sy hamaly izao!»

jeudi 13 août 2015

Alakamisy 13 Aogositra 2015 - I Pet 5 : 10 - 11

10Rehefa avy niaritra fijaliana vetivety kosa ianareo, dia ilay Andriamanitra loharanon'ny fahasoavana rehetra, Izay niantso anareo ho amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'ny Kristy Jesoa, no handavorary sy hankahery anareo ary hanamafy sy hampiorina anareo. 11Ho Azy Andriamanitra anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen*.

mercredi 12 août 2015

Alarobia 12 Aogositra 2015 - Sal 12 : 5 - 8

5dia ireo izay manambara hoe:
«Ny filàzanay no handresenay lahatra;
hainay ny miteny, ka tsisy atahoranay!»

6Hoy kosa ny TOMPO hoe:
«Hirotsaka an-tsehatra Aho izao
noho ireo mahantra ampahorîna
sy ireo malahelo mitaraina;
hovonjeko ireo voavingavinga.»

7 Madio* ny tenin'ny TOMPO:
toa volafotsy voarendrika
tamin'ny memy anaty tany
ka voadio impito miantoana.
8TOMPO ô, mitana ny teninao Ianao
ka hiambina anay mandrakariva
tsy ho azon'ny karazan'olona toy izany,

mardi 11 août 2015

Talata 11 Aogositra 2015 - Mat 23 : 34 - 39

34Noho izany, indro Aho maniraka mpaminany* sy olon-kendry ary mpahay lalàna ho atỳ aminareo; ka ny sasany amin'ireny hovonoinareo sy hohomboanareo amin'ny hazofijaliana, ary ny sasany hokapohinareo any amin'ny sinagôganareo* sy hoenjehinareo isan-tanàna. 35Koa hitambesatra aminareo ny ratsy natao tamin'ny olo-marina rehetra nalatsa-dra teto amin'ity tany ity, nanomboka tamin'i Abela olo-marina ka niafara tamin'i Zakarià zanakalahin'i Barakià, ilay novonoinareo teo anelanelan'ny Toeramasina* sy ny alitara* fisoronana. 36Lazaiko marina aminareo fa hitambesatra amin'ny olona ankehitriny avokoa izany rehetra izany.

37–Ry Jerosalema, ry Jerosalema! Ianao izay mpamono ny mpaminany* sy mpitora-bato ireo irahin'Andriamanitra aminao. Efa impiry moa Aho no nikasa hanangona ny mponina ao aminao, tahaka ny reniakoho manomba ny zanany, kanefa tsy nety ianareo. 38Indro ny tempolinareo fa havela aminareo ho trano lao. 39Ary lazaiko aminareo fa tsy ho hitanareo intsony Aho mandra-pilazanareo hoe: «Hombàm-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie Ilay avy!»

lundi 10 août 2015

Alatsinainy 10 Aogositra 2015 - I Sam 30 : 1 - 8

1Ny afakampitso, rehefa tonga tany Tsiklaga i Davida sy ny olony, dia notafihin'ny Hamalekita ny atsimon'i Joda sy i Tsiklaga, noravan'izy ireo sy nodorany ny tanàna. 2Nobaboin'izy ireo ny vehivavy mbamin'izay rehetra tao an-tanàna na kely na lehibe, nefa tsy nisy novonoiny na iray aza, fa nentiny avokoa ary dia notohiziny ny diany. 3Rehefa tonga i Davida sy ny olony, dia nahita fa nisy nandoro ny tanàna, ary nisy nitondra ireo vadiny mbamin'ny zanany lahy sy ny zanany vavy. 4Dia nanala ny fony nitomany i Davida sy ireo mpanaraka azy mandra-pahatankin'ny ranomasony. 5Voasambotra koa ireo vadin'i Davida roa, dia Ahinôhama avy any Jizrehèla sy i Abigaîla vadin'i Nabala avy any Karmela.

6Mafy ny fahoriam-panahy nahazo an'i Davida, fa niara-nioko hitora-bato azy ny olona satria samy nalahelo mafy izy ireo nieritreritra ny zanany lahy sy ny zanany vavy avy. Na izany aza dia nankahery tena i Davida, noho ny amin'ny TOMPO Andriamaniny.

7Ka hoy i Davida tamin'i Abiatara mpisorona sady zanakalahin'i Ahimeleka:
–Ento atỳ amiko ny efôda fanontaniana ny Tompo, azafady.

Dia nentin'i Abiatara teo amin'i Davida ny efôda. 8Ary nanontany tamin'ny TOMPO i Davida hoe:
–Raha henjehiko ve ireny tontakely ireny, dia mety ho azoko?

Ka hoy ny navalin'ny TOMPO azy:
–Enjeho izy ireo fa ho azonao, ary dia hoafahanao ireo babo.

dimanche 9 août 2015

Alahady 09 Aogositra 2015 - Asa 7 : 51 - 8 :1a

51Olona mafy hatoka, mpikomy sady mpanetsin-tadîny ianareo! Toherinareo lalandava ny Fanahy Masina; dia ny razanareo navela mihitsy ianareo. 52Iza moa no mpaminany tsy nenjehin'ny razanareo? Novonoiny hatramin'ireo mpanambara ny hahatongavan'ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina. 53Nandray ny lalànan*'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny anjely ianareo, kanefa tsy nitandrina azy.

54Nony nandre izany teny izany ry zareo tao amin'ny Fitsarana ambony*, dia nisafoaka mafy ary nihidy vazana tamin'i Stefàna. 55Feno Fanahy Masina kosa i Stefàna ka nibanjina ny lanitra, nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy i Jesoa teo ankavanan'Andriamanitra, 56ary niteny hoe:
–Indro hitako izao ny lanitra misokatra sy ilay Zanak'olona* mijoro eo ankavanan'Andriamanitra.

57Dia nihoraka ireo tao amin'ny Fitsarana ambony sady vao mainka nanentsin-tadîny. Ary indray niantoraka teny amin'i Stefàna izy rehetra, 58ka nitarika azy tany ivelan'ny tanàna sy nitora-bato azy. Ary ny vavolombelona dia nametra-damba teo an-tongotr'izay tovolahy antsoina hoe Saoly izay.

59Raha nitora-bato azy ny olona, i Stefàna kosa niantso ny Tompo nanao hoe:
–Ry Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko!

60Dia nandohalika izy ka niteny mafy hoe:
–Tompo ô, aza tananao hahadiso azy ireo izao heloka izao!

Avy nilaza izany izy, dia nodimandry.
1Ary i Saoly nankasitraka ny namonoana an'i Stefàna.

samedi 8 août 2015

Sabotsy 08 Aogositra 2015 - Jer 17 : 14 - 18

14TOMPO ô, sitrano aho, dia ho sitrana;
vonjeo aho, dia ho voavonjy,
fa antony hiderako Anao izany.
15Indreo ny besinimaro milaza amiko hoe:
«Aiza ihany ity tenin'ny TOMPO?
Aoka ho tanteraka amin'izay izany!»
16Tsy izaho no nanery Anao
hanafaingana ny loza, Tompo ô,
na nirary hiavian'ny antambo.
Fantatrao tokoa izany,
satria niharihary teo anatrehanao
izay hafatra naloaky ny molotro.
17Aoka tsy ho fampitahorana ahy Ianao
fa Ianao no fialofako
amin'ny androm-pahoriana!
18Aoka ireo mpanenjika ahy no ho menatra
fa tsy ny tenako velively;
aoka ireo no ho trotraka, fa tsy izaho.
Ataovy tonga aminy ny andro mandoza,
ary potipoteho tanteraka izy.

vendredi 7 août 2015

Zoma 07 Aogositra 2015 - I Pet 3 : 14 - 17

14Raha tàhiny manao ny marina aza ianareo no ampahorîna, dia sambatra. Aza matahotra izay fandrahonan'ny olona, ary aza mangorohoro amin'izany; 15fa i Kristy* no hajao ho Tompo ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay rehetra manontany anareo ny amin'ny fanantenana ao anatinareo, 16saingy ataovy amin-kalemem-panahy sy amim-panajana izany. Manàna fieritreretana mahitsy; ka rehefa misy zavatra anendrikendrehana anareo, dia ho menatra izay mpanaratsy ny fitondrantena tsara anentanan'i Kristy anareo. 17Eny, raha izany no sitrapon'Andriamanitra, dia aleo mitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa toy izay amin'ny fanaovan-dratsy.

jeudi 6 août 2015

Alakamisy 06 Aogositra 2015 - Sal 40 : 11 - 17

11Tsy mba afeniko ato am-poko ny fanafahanao,
ambarako fa Mpamonjy mahatoky Ianao;
ny vahoakanao tafangona amborahako
ilay fitiavanao tsy miova ho anay.
12TOMPO ô, tsy hitsahatra hamindrafo amiko Ianao;
ilay fitiavanao tsy miova no hiaro ahy lalandava.
13Manemitra ahy ny loza tsy hita isa;
mizaka ny vokatry ny heloko aho
sady tsy mahajery azy intsony
noho izy ireny maro noho ny volon-dohako;
ka ketraka dia ketraka ny foko.
14TOMPO ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy!
TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy!
15Ho menatra sy mangaihay avokoa anie
izay olona mitady hahafaty ahy!
Hihemotra sy ho afa-baràka anie
izay olona maniry loza ho ahy!
16Aoka ho ankona safotry ny henatra
ireo mpanakora ahy hoe: «Akorinao izay!»
17Izay rehetra mitady Anao kosa anie
hifaly sy hiravoravo amin'ny nataonao;
ary izay olona mpitia Anao Mpamonjy anie
hivolan-dava hoe: «Lehibe tokoa ny TOMPO!»

mercredi 5 août 2015

Alarobia 05 Aogositra 2015 - Mar 13 : 5 - 8

5Ka hoy i Jesoa taminy:

–Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo. 6Maro no ho avy hisandoka ny anarako ary hiteny hoe: «Izaho no ilay Mesia*»; ary maro ny olona ho voafitany. 7Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra fa tsy maintsy ho tonga izany, kanefa tsy mbola izany no ho farany. 8Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana; hisy horohorontany amin'ny toerana samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana.

mardi 4 août 2015

Talata 04 Aogositra 2015 - Asa 20 : 17 - 24

17Naniraka olona avy tao Mileto nankany Efeso i Paoly, hampaka ireo loholon'ny Fiangonana.

18Nony tonga teo aminy ry zareo, dia nataony hoe:
–Fantatrareo tsara ny fitondrantenako mandritra ny fotoana nahateto aminareo ahy, hatramin'ny andro voalohany nahatongavako tamin'ny faritany Azia. 19Nanompo ny Tompo tamim-panetrentena fatratra aho satria nianjadian'alahelo sy fitsapana noho ny fiokoan'ny Jiosy hamely ahy. 20Fantatrareo fa tsy mba nafeniko izay mahasoa anareo, fa notorîko sy nampianariko na vory vahoaka na isan-tokantrano. 21Ny Jiosy ary koa ny hafa firenena* dia samy nijoroako ho vavolombelona ka notaomiko hiala tamin'ny toe-dratsy ka hitodika amin'Andriamanitra sady hino an'i Jesoa Tompontsika. 22Ary ankehitriny, indro aho teren'ny Fanahy Masina hankany Jerosalema, saingy tsy fantatro izay hanjo ahy any. 23Izao no hany fantatro: isan-tanàna alehako, dia ambaran'ny Fanahy Masina amiko fa fonja amam-pahoriana no miandry ahy. 24Kanefa tsy ataoko ho zavatra ny aiko mba hahatontosako hatramin'ny farany ilay hazakazaka imasoako sy hahatomombana ilay fanompoana nankinin'i Jesoa Tompo tamiko, dia ny ho vavolombelona hanambara ny Vaovao Mahafaly* momba ny fahasoavan'Andriamanitra.

lundi 3 août 2015

Alatsinainy 03 Aogositra 2015 - II Kor 1 : 1 - 11

1Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin'i Kristy* Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra.
Mamangy anareo isan'ny Fiangonan'Andriamanitra atỳ Kôrinto mbaminareo vahoakan'Andriamanitra* rehetra manerana an'i Akaîa aho. Mamangy anareo koa i Timôty havantsika. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy* Tompontsika, ilay Ray feno hatsaram-po sady Andriamanitra loharanon'ny fampaherezana rehetra. 4Mampahery anay amin'ny fahoriana isan-karazany manjo anay Andriamanitra, ka ny fampaherezana azonay taminy no entinay mampahery ny olona ianjadian'ny fahoriana isan-karazany. 5Miara-mijaly be dia be amin'i Kristy izahay; ary betsaka araka izany koa ny fampaherezana azonay amin'ny alalan'i Kristy. 6Raha ampahorîna izahay, dia ho fampaherezana anareo sy ho famonjena anareo izany; raha ampaherezina izahay, dia ho fampaherezana anareo koa izany, ka miasa hiaretanareo fijaliana mitovy indrindra amin'izay entinay. 7Ary miorina mafy ny fanantenany ny aminareo, satria fantatray fa toy ny iombonanareo fijaliana aminay no iombonanareo fampaherezana aminay koa.
8Tianay, ry havako, ny hahalalanareo ny fahoriana nanjo anay tany amin'ny faritany Azia; nitambesatra loatra taminay izany ary tafahoatra ny zakanay, ka tsy nanantena intsony izay hoe mbola ho velona izahay. 9Tsapanay tao amin'ny tenanay fa voaheloka ho faty izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa hitokianay amin'Andriamanitra Izay manangana ho velona ny efa maty. 10Izy no nanafaka anay tamin'ny fahafatesana nananontanona anay, ary dia mbola hanafaka any hatrany; eny, Izy no antenainay fa hanafaka hatrany, 11satria ianareo koa hanampy anay amin'ny fivavahana ataonareo ho anay. Dia ho maro ny olona hisaotra an'Andriamanitra ny aminay satria maro no nangataka mba hahazoanay izany fitahiana izany.

dimanche 2 août 2015

Alahady 02 Aogositra 2015 - Job 2 : 1 - 10

1Indray andro raha tonga nanao tatitra tamin'ny TOMPO ireo zanak'Andriamanitra, dia mba tafaraka taminy teo koa i Satàna. 2Dia hoy ny Tompo tamin'i Satàna:
–Avy taiza moa ianao?

Dia namaly ny Tompo izy hoe:
–Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody tany aho.

3Hoy indray ny Tompo taminy:
–Efa nahita an'i Jôba mpanompoko ve ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany: lehilahy tsy misy hokianina sady mahitsy ary manaja Ahy izy ka mifady ny ratsy. Ary na dia nandrisika Ahy hamely azy tsy amin'antony aza ianao, dia mbola mahatoky ihany izy.

4Fa mbola namaly ny Tompo i Satàna ka nanao hoe:
–Hoditra solon'ny hoditra. Izay ananan'ny olona dia homeny hiarovany ny ainy. 5Fa ahinjiro aminy ange ny tananao ka kasiho ny taolany sy ny nofony e, raha tsy an-kitsirano izao no haniratsirany Anao!

6Dia hoy ny Tompo tamin'i Satàna:
–Indro eo am-pelatananao izy, ny ainy tokana ihany tsimbinina.
7Dia niala teo anatrehan'ny TOMPO i Satàna ka namely aretin-koditra mahatsiravina an'i Jôba hatreo am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany. 8Dia nitombina teo an-davenona i Jôba ary naka vakim-bilany tany hihaorany.

9Ary hoy ny vadiny taminy:
–Mbola mikiry amin'ny fahamarinanao foana ve ianao? Lavy Andriamanitra, dia matesa any ianao!

10Dia hoy i Jôba namaly azy:
–Miteniteny foana tahaka ny vehivavy adala ianao. Raha ekentsika fa avy amin'Andriamanitra ny zavatra tsara, nahoana no tsy ekentsika ny zavatra ratsy ho avy aminy?
Tamin'izany fitsapana azy izany, dia tsy mba nanota tamin'ny molony i Jôba na dia kely aza.

samedi 1 août 2015

Sabotsy 01 Aogositra 2015 - Mar 10 : 23 - 31

23Fa i Jesoa kosa nijerijery manodidina azy ka niteny tamin'ny mpianany hoe:
–Sarotra mihitsy amin'ny mpanankarena ny hiditra ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*!

24Gaga ny mpianatra noho izany teniny izany, kanefa dia mbola namerina ny teniny indray i Jesoa ka nanao taminy hoe:
–Sarotra mihitsy, anaka, ny miditra ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra. 25Moramora kokoa ny idiran'ny rameva ao amin'ny vodifanjaikely noho ny idiran'ny mpanankarena ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra.

26Vao mainka talanjona ireo mpianatra ka nifanontany hoe:
–Ka iza àry no mety ho voavonjy?

27Fa nojeren'i Jesoa tsara ireto mpianany sady nataony hoe:
–Raha amin'ny olombelona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba toy izany amin'Andriamanitra.

Raha amin'Andriamanitra manko, dia hainy avokoa ny zava-drehetra.

28Dia hoy i Petera tamin'i Jesoa:
–Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ary dia izao miaraka aminao izao.

29Ka hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano na mpiray tampo na reny na ray na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly*, 30ka tsy hahazo injato henin'izany ankehitriny amin'izao etỳ izao, dia trano sy mpiray tampo sy reny sy zanaka sy tany, ombam-panenjehana ihany koa, ary hahazo ny fiaina-maharitra mandrakizay amin'ny andro ho avy.
31Kanefa maro amin'ireo voalohany no ho farany, ary maro amin'ireo farany no ho voalohany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12