mercredi 30 septembre 2015

Alarobia 30 Septambra 2015 - Kol 4 : 5 - 6

5Manàna fitondrantena feno fahendrena eo anoloan'izay tsy kristianina, ka hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa. 6Aoka ho mahatehotia sy mahasoa mandrakariva ny teny ataonareo, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay avy.

mardi 29 septembre 2015

Talata 29 Septambra 2015 - I Jao 4 : 20 - 21

20Raha misy manao hoe: «Manam-pitiavana an'Andriamanitra aho», nefa mankahala ny namana iray finoana, dia mpandainga izy; fa raha ny namana izay hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany? 21Ary izao no didy azontsika tamin'i Kristy: izay manam-pitiavana an'Andriamanitra dia tsy maintsy manam-pitiavana ny namana iray finoana koa.

lundi 28 septembre 2015

Alatsinainy 28 Septambra 2015 - Mat 25 : 31 - 46

31–Rehefa ho avy amin'ny voninahitra maha mpanjaka Azy ny Zanak'olona* sady hotronin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin'ny sezafiandrianany mamirapiratra. 32Ary hangonina eo anatrehan'ny Zanak'olona ny firenena rehetra. Dia hanavaka ny olona ho roa tonta ny Zanak'olona, tahaka ny mpiandry* manavaka ny ondry amin'ny osy; 33ka ny ondry no hataon'ny Zanak'olona eo ankavanany fa ny osy hataony eo ankaviany. 34Ary dia izao no holazain'ny Mpanjaka amin'izay eo ankavanany: «Avia ianareo nombàn'ny Raiko fitahiana; raiso ho lova ny Fanjakana* izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana an'izao tontolo izao. 35Fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho, dia nomenareo hosotroina; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; 36tsy nitafy Aho, dia notafînareo; narary Aho, dia nokarakarainareo; tany am-ponja Aho, dia novangianareo.» 37Ary dia hanontany Azy ny olo-marina ka hanao hoe: «Tompo ô, oviana Ianao no hitanay noana ka nomenay hanina; na nangetaheta ka nampisotroinay? 38Oviana Ianao no hitanay nivahiny ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafînay? 39Oviana Ianao no hitanay narary na tany am-ponja ka novangianay?» 40Dia hovalian'ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto havako madinika indrindra ireto no nataonareo tamiko.»

41Ary dia izao kosa no holazain'ny Mpanjaka amin'izay eo ankaviany: «Mialà amiko ianareo voaozona, mandehana any amin'ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny. 42Fa noana Aho, dia tsy nomenareo hanina; nangetaheta Aho, dia tsy nomenareo hosotroina; 43Nivahiny Aho, dia tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho, dia tsy notafînareo; narary sy tany am-ponja Aho, dia tsy nokarakarainareo.» 44Ary dia hanontany Azy kosa ireo ka hanao hoe: «Tompo ô, oviana Ianao no hitanay noana na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tany am-ponja ka tsy nampianay?» 45Dia hovalian'ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto havako madinika indrindra ireto no tsy nataonareo tamiko.» 46Dia hiroso ho any amin'ny fijaliana maharitra mandrakizay ireo fa ny olo-marina kosa ho any amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay.

dimanche 27 septembre 2015

Alahady 27 Septambra 2015 - Deo 10 : 12 - 19

12Ary ankehitriny, ry Israelita, inona moa no andrandrain'ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo, afa-tsy ny hanajanareo AZY sy ny hizoranareo amin'ny lalana rehetra soritany ary ny hitiavanareo sy hanompoanareo AZY amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo. 13Andrandrain'ny TOMPO aminareo ny hitandremanareo ny didy aman-dalàny, izay ampitaiko aminareo anio mba hahasambatra anareo. 14Indro fa an'ny TOMPO Andriamanitrareo ny lanitra midadasika ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. 15Kanefa ny razambenareo ihany no niraiketan'ny TOMPO hotiavina ka nifidianany anareo taranany mihoatra noho ny firenena hafa rehetra, araka izao hitanareo anio izao. 16Noho izany, aoka ny fonareo ho voatokana tanteraka ho an'ny TOMPO, fa aza mafy hatoka intsony ianareo. 17Ilay TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, tsy mba mizaha tavan'olona na mandray kolikoly; 18manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. 19Koa tiavo ny vahiny eo aminareo, fa efa mba vahiny tany Ejipta ianareo.

samedi 26 septembre 2015

Sabotsy 26 Septambra 2015 - I Pet 4 : 10 - 11

10Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, mova tsy mpitandrim-pananana mitantana tsara ny fanomezana maro samy hafa avy amin'Andriamanitra. 11Izay mitoriteny, aoka ho toy ny milaza ireo hafatr'Andriamanitra; izay manompo, aoka ho araka ny hery ampombain'Andriamanitra azy; ka dia amin'ny zavatra rehetra no hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy*, fa an'Andriamanitra ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen*.

vendredi 25 septembre 2015

Zoma 25 Septambra 2015 - I Kor 16 : 1 - 4

1Momba ny famoriam-bola atao ho an'ny vahoakan'Andriamanitra any Jerosalema, dia izao: mba manaova koa ianareo, araka ireo fepetra nasaiko narahin'ny Fiangonana rehetra any Galatia. 2Isan'alahady dia samia mba manokana vola ao aminy avy arakaraka izay vola miditra ka hitahiry izany, mba tsy hilaina intsony ny hamoriam-bola amin'ny fahatongavako. 3Ary rehefa tonga aho, dia izay olona sitrakareo no hirahiko sy hampombaiko taratasy mba hitondra ny fanomezanareo hankany Jerosalema. 4Raha ilaina moa ny handehanako any, dia hiara-dia izahay.

jeudi 24 septembre 2015

Alakamisy 24 Septambra 2015 - Mat 5 : 43 - 48

43–Efa renareo fa voalaza hoe: «Tiavo ny namanao» ary ankahalao ny fahavalonao! 44Izaho kosa milaza aminareo hoe: tiavo ny fahavalonareo ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, 45mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mandatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina. 46Fa raha izay manam-pitiavana anareo ihany no tiavinareo, inona no valisoa manokana azonareo andrandraina avy amin'Andriamanitra? Na dia ny mpamory hetra* aza ve tsy manao toraka izany koa? 47Ary raha ny namana iray finoana ihany no arahabainareo, inona no tombony amin'ny ataonareo? Na dia ny hafa firenena aza ve tsy manao toraka izany koa? 48Tanteraka ny Rainareo Izay any an-danitra: noho izany àry, aoka ianareo ho tanteraka tahaka Azy koa.

mercredi 23 septembre 2015

Alarobia 23 Septambra 2015 - II Kor 8 : 16 - 22

16Hisaorana anie Andriamanitra Izay nahatonga an'i Tito ho mazoto miasa ho anareo tahaka ny ataonay koa! 17Nanaiky ny fiangavianay azy i Tito; nefa tena nazoto rahateo izy, ka dia nahim-pony no nankanesany tany aminareo. 18Nalefanay hiaraka aminy koa ilay rahalahy derain'ny Fiangonana rehetra amin'ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly*; 19ary tsy izany ihany, fa notendren'ireo Fiangonana mba hiara-dia aminay koa io rahalahy io amin'izao asa fanasoavana ilofosanay izao, ho voninahitr'Izy Tompo ary ho mariky ny risi-ponay hanasoa ny hafa.

20Tandremanay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin'izao famoriana vola be ilofosanay izao: 21satria mikendry hanao ny tsara izahay, tsy eo anatrehan'ny Tompo ihany, fa eo anatrehan'ny olona koa.

22Nalefanay hiaraka amin'izy ireo ilay rahalahinay izay efa nosedrainay matetika tamin-javatra maro ka hitanay fa mazoto; kanefa vao mainka mazoto kokoa izy ankehitriny, satria be ny fahatokiany anareo.

mardi 22 septembre 2015

Talata 22 Septambra 2015 - II Sam 9 : 1 - 13

1Hoy i Davida indray andro:
–Mbola misy olona sisa velona ve amin'ny fianakavian'i Saoly? Mba tiako ny hanisy soa azy noho ny amin'i Jônatàna.

2Fa nanana mpanompo iray nantsoina hoe Tsibà ny fianakavian'i Saoly; ary nampanantsoina hankeo amin'i Davida izy, ka nanontanian'ity mpanjaka hoe:
–Ianao va no Tsibà?

Ary hoy izy namaly:
–Izaho, tompoko, no izy.

3Dia nanontany indray ny mpanjaka hoe:
–Mbola misy olona sisa velona ve amin'ny fianakavian'i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon'Andriamanitra?

Ka novalian'i Tsibà hoe:
–Mbola misy zanakalahin'i Jônatàna iray izay, nefa malemy tongotra izy.

4Ary hoy ny mpanjaka taminy:
–Aiza izy?

Dia hoy i Tsibà namaly ny mpanjaka:
–Ao an-tranon'i Makira zanakalahin'i Hamiela ao Lô-Debàra izy.
5Ary naniraka olona haka azy any an-tranon'i Makira zanakalahin'i Hamiela ao Lô-Debàra i Davida mpanjaka. 6Rehefa tonga teo amin'i Davida i Mefibôseta zanakalahin'i Jônatàna sady zafikelin'i Saoly, dia niankohoka tamin'ny tany ho fanajana azy.

Ary hoy i Davida taminy:
–Mefibôseta!

Ka novaliany hoe:
–Inty aho, tompoko.

7Dia hoy indray i Davida taminy:
–Aza matahotra fa te hanisy soa anao noho ny amin'i Jônatàna rainao aho, ka hamerina aminao ny tany rehetra izay an'i Saoly raibenao; ary ianao dia hisakafo isan'andro eo amin'ny latabatro.

8Dia niankohoka izy sady namaly hoe:
–Zinona moa aho izay toa fatin'amboa ity no mba itodihanao, tompoko?

9Nantsoin'ny mpanjaka i Tsibà mpanompon'i Saoly, ka nilazany hoe:
–Nomeko an'i Mefibôseta, zafikelin'ny tomponao avokoa izay rehetra nananan'i Saoly sy ny fianakaviany. 10Koa ianao sy ireo zanakalahinao ary ireo mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra izay hiveloman'ny fianakaviany. Fa i Mefibôseta zafikelin'ny tomponao kosa dia hisakafo isan'andro eo amin'ny latabatro.

Nanana zanakalahy 15 sy mpanompo 20 i Tsibà, 11ka niteny tamin'ny mpanjaka hoe:
–Tompoko, araka izay rehetra nandidianao mpanjaka no hataoko. Kanefa i Mefibôseta dia hisakafo eo amin'ny latabatro toy ny anankiray amin'ireo zanakalahin'i Saoly mpanjaka.

12Nanan-janakalahy tanora nantsoina hoe Mikà i Mefibôseta, ary ny olona rehetra tao an-tranon'i Tsibà dia nanompo an'i Mefibôseta avokoa. 13Fa na dia nalemy aza ny tongony roa, dia nonina tany Jerosalema i Mefibôseta satria nisakafo isan'andro teo amin'ny latabatry ny mpanjaka izy.

lundi 21 septembre 2015

Alatsinainy 21 Septambra 2015 - Deo 22 : 1 - 4

1Raha hitanareo mania ny omby na osy na ondrin'ny mpiray firenena aminareo, dia tsy hialanareo fotsiny izany fa hoentinareo miverin-doha any amin'ny tompony mihitsy. 2Raha tsy akaiky anareo ilay tompony na tsy fantatrareo, dia hoentinareo mody eny aminareo ny biby nania ary hitoetra eo aminareo mandra-pitadin'ny tompony azy; ka amin'izay vao haverinareo aminy. 3Toy izany koa no hataonareo amin'ny boriky na fitafiana na zavatra hafa verin'ny mpiray firenena aminareo ka hitanareo; fa tsy hialanareo fotsiny izany.
4Raha hitanareo potraka eny an-dalana ny boriky na ombin'ny mpiray firenena aminareo, dia tsy hialanareo fotsiny izany fa hampianareo hanarina azy ny tompony.

dimanche 20 septembre 2015

Alahady 20 Septambra 2015 - I Pet 3 : 8 - 13

8Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena. 9Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa, satria ianareo efa nantsoin'Andriamanitra hanana anjara amin'ny soa nampanantenainy. 10Fa izao no tenin'ny Soratra Masina*:

                 «Izay te hankamamy fiainana
                   sy te hahita andro soa,
                   aoka izy hitsaha-miteny ratsy
                   ary hitsaha-milaza fitaka;
                   11aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa,
                   aoka hitady fihavanana tsy an-kiato;
                   12satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina
                   sy mihaino ny fitarainany,
                   fa tezitra kosa amin'ny mpanao ratsy.»

Eo anatrehan'ny fanenjehana
13Iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'ny tsara ianareo?

samedi 19 septembre 2015

Sabotsy 19 Septambra 2015 - I Tes 5 : 12 - 15

12Mangataka aminareo izahay, ry havana, mba hanaja izay mikely aina eo anivonareo, dia izay voatendrin'ny Tompo hitarika sy hananatra anareo. 13Fankatoavana be dia be ombàm-pitiavana no asehoy azy ireo, noho ny asa tontosainy. Mihavàna tsara ianareo samy ianareo.
14Miangavy anareo izahay, ry havana: anaro ny kamo, ampaherezo ny katahotra, ampio ny osa, ary aoka hahari-po amin'ny olona rehetra. 15Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy ny ratsy, fa miezaha mandrakariva hifanasoa ary hanasoa ny olona rehetra.

vendredi 18 septembre 2015

Zoma 18 Septambra 2015 - Mat 14 : 15 - 21

15Nony hariva ny andro, dia nanatona an'i Jesoa ny mpianany* ka nanao hoe:
–Taniefitra ity toerana ity ary ny andro efa hariva; koa ravao ny vahoaka mba hamonjy tanàna hividy sakafo.

16Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Tsy tokony handeha izy; ianareo no aoka hanome hanina azy.

17Dia hoy ny mpianatra taminy:
–Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy trondro anankiroa atỳ aminay.

18Ary hoy i Jesoa:
–Ento atỳ amiko izany.

19Dia nasain'i Jesoa nipetraka teny amin'ny ahitra ny vahoaka. Noraisin'i Jesoa tamin'izay ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra ka nisaotra an'Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianatra; ny mpianatra kosa nandroso izany tamin'ny vahoaka. 20Dia samy nihinana avokoa izy rehetra ka voky. Ary nentin'ireo mpianatra ny tapa-mofo aman-trondro ambiny ka nahafeno sobika 12. 21Nefa dia tokony ho dimy arivo ny vatan-dehilahy nihinana teo, afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

jeudi 17 septembre 2015

Alakamisy 17 Septambra 2015 - Oha 3 : 17 - 30

27Aza misalasala manao soa
amin'izay mila izany
raha azonao atao ihany.
28Aza manao amin'ny namanao hoe:
«Miverena fa rahampitso aho manome»,
raha manan-komena azy izao ianao.
29Aza mikendry hanisy ratsy namana
izay mitoetra amin-toky eo anilanao.
30Aza miady tsy amin'antony amin'olona,
raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.

mercredi 16 septembre 2015

Alarobia 16 Septambra 2015 - I Kor 9 : 19 - 23

19Olona tsy mpanompon'iza na iza tokoa aho, kanefa dia nilatsaka ho mpanompon'ny olona rehetra hahazoako maro araka izay tratra. 20Tamin'ireo Jiosy, dia nanao tahaka ny Jiosy aho hahazoako azy ireo; na dia olona tsy fehezin'ny lalànan'i Mosesy intsony aza aho, dia nanao tahaka ireo fehezin'ny lalàna hahazoako azy ireo. 21Tamin'ireo tsy mahalala ny lalànan'i Mosesy, dia nanao tahaka ireo tsy mahalala io lalàna io aho hahazoako azy ireo; tsy hoe tsy fehezin'ny lalànan'Andriamanitra aho, fa manoa ny lalànan'i Kristy. 22Tamin'ireo malemy finoana, dia nanao tahaka ny malemy aho hahazoako azy ireo. Amin'ny olona rehetra, dia efa tonga zavatra rehetra aho hamonjeko mihitsy ny sasany. 23Izany rehetra izany dia ataoko noho ny Vaovao Mahafaly mba hahatonga ahy ho mpiombona anjara amin'ny soa ampanantenainy.

mardi 15 septembre 2015

Talata 15 Septambra 2015 - Jak 2 : 8 - 13

8Tsara ny ataonareo raha tanterahinareo ilay lalàna* momba ny Fanjakàn'Andriamanitra*, araka ny Soratra Masina* manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao». 9Kanefa raha mijery tavan'olona ianareo, dia manota sady mpandika ny lalàna ka melohiny. 10Satria izay diso amin'ny lalàna anankiray monja, na dia mitandrina ny lalàna hafa rehetra aza, dia meloka amin'izy rehetra. 11Eny, ilay Andriamanitra nanao hoe: «Aza maka vadin'olona», no nanao koa hoe: «Aza mamono olona.» Ka raha tàhiny tsy maka vadin'olona ianao, nefa mamono olona, dia mpandika ny lalàna ianao. 12Aoka ianareo hiteny sy hiasa toy ny olona mbola hotsarain'ny lalàna mitondra fahafahana; 13satria fitsarana tsy misy indrafo no hataon'Andriamanitra amin'izay tsy namindra fo; ny famindrampo kosa afa-mirehareha tsy matahotra ny fitsarana.

lundi 14 septembre 2015

Alatsinainy 14 Septambra - Asa 11 : 19 - 24

19Niely patrana ny mpino noho ilay fanenjehana nitranga taorian'ny namonoana an'i Stefàna. Ny sasany dia tonga hatrany Fenisia sy hatrany Sipra ary hatrany Antiôkia, nefa tsy nitory ny tenin'Andriamanitra afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany. 20Nisy ihany mpino sasantsasany avy any Sipra sy avy any Sirena izay tonga tany Antiôkia ka niteny tamin'ireo Grika koa, ary nanambara ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Jesoa Tompo. 21Nombàn'ny herin'ny Tompo izy rehetra ka marobe ny olona nino sy nitodika tamin'ny Tompo.

22Nandre ny lazan'izany ny Fiangonana tany Jerosalema, ka naniraka an'i Barnabà hankany Antiôkia. 23Hafaliana ny azy nony tonga tany ka nahita ny vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra; ary nananatra azy rehetra i Barnabà mba tsy hiroa fo fa haharitra hiombona amin'ny Tompo. 24Lehilahy tsara fanahy i Barnabà, sady feno Fanahy Masina sy vontom-pinoana, ka vahoaka maro no niandany tamin'ny Tompo.

dimanche 13 septembre 2015

Alahady 13 Septambra 2015 - Lio 5 : 17 - 26

17Indray andro, raha nampianatra i Jesoa, dia nisy Farisianina* sy mpahay lalàna* nipetraka teo akaikiny; avy amin'ny tanàna any Galilea sy Jodea ary avy any Jerosalema ry zareo ireo. Ary niasa ny herin'ny Tompo mba hanasitranan'i Jesoa ny marary. 18Dia indreo nisy lehilahy nilanja malemy anankiray tamin'ny fandriana ka nitady hampiditra azy ao an-trano sy hametraka azy eo anoloan'i Jesoa. 19Tsy hitan'ireo mpilanja izay fomba hampidirana azy noho ny habetsahan'ny olona ka niakarany ny tafon-trano, nanesorany ny tafo tanimanga ary nampidininy ombàm-pandriana ilay malemy ho eo afovoan'ny olona, eo anoloan'i Jesoa.

20Hitan'i Jesoa ny finoan'ireo olona ka hoy Izy tamin'ilay marary:
–Andriamatoa, voavela ny helokao!

21Ireo mpahay lalàna sy Farisianina kosa nieritreritra anakampo hoe: «Mba iza ity manevateva an'Andriamanitra ity? Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery ihany?»

22Takatr'i Jesoa ny eritreritry ny mpahay lalàna sy Farisianina ka notsenainy ry zareo nataony hoe:
–Inona izato eritreretinareo ao am-ponareo? 23Inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza hoe: «Voavela ny helokao», sa ny milaza hoe: «Mitsangàna ka mandehana»?

24Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak'olona* eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka.
Dia hoy i Jesoa tamin'ilay malemy:
–Mandidy anao Aho, mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao!
25Niaraka tamin'izay dia nitsangana teo imason'ny olona ralehilahy, nibata ny fandriany ary nody tany an-tranony sady nanome voninahitra an'Andriamanitra.

26Talanjona avokoa izay rehetra teo ka nanome voninahitra an'Andriamanitra sady raiki-tahotra nanao hoe:
–Zava-mahagaga ity hitantsika androany itỳ?

samedi 12 septembre 2015

Sabotsy 12 Septambra 2015 - Oha 31 : 8 - 9

8Sokafy ny vavanao hiaro izay tsy afa-miteny
sy hiady ho an'ny olona rehetra tsy mana-mpiahy.
9Sokafy ny vavanao mba hitsara araka ny marina
ary hiady ho an'ny ory sy ny mahantra».

vendredi 11 septembre 2015

Zoma 11 Septambra 2015 - Gal 6 : 6 - 10

6Aoka izay ampianarina ny tenin'Andriamanitra mba hanome ampahany amin'ny fananany rehetra ho an'izay mampianatra azy.
7Aza mety hofitahina ianareo. Tsy azo vazivazîna Andriamanitra, fa izay afafin'ny olona ihany no hojinjainy: 8eny, izay mamafy ny sitraky ny maha olona mpanota, dia hijinja fahaverezana avy amin'ny maha olona mpanota; fa izay mamafy ny sitraky ny Fanahy Masina, dia hijinja fiaina-maharitra mandrakizay avy amin'ny Fanahy Masina. 9Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika, satria hijinja amin'ny fotoanandro isika raha tsy kivy. 10Koa dieny mbola manana andro isika, dia aoka hanao soa amin'ny olona rehetra, fa indrindra amin'ny mpianakavin'ny finoana.

jeudi 10 septembre 2015

Alakamisy 10 Septambra 2015 - Rom 13 : 8 - 10

8Aoka tsy hananan'olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalàna*. 9Satria ny hoe «aza maka vadin'olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra», mbamin'ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin'ilay teny manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.» 10Izay tia dia tsy manisy ratsy ny namana; koa izay tia no mahatanteraka ny lalàna.

mercredi 9 septembre 2015

Alarobia 09 Septambra 2015 - II Mpa 4 : 42

42Nisy lehilahy tonga avy any Bahala-Salisà izay nitondra mofo ôrza roapolo sy varim-bazaha iray kitapo santa-bokatra ho an'ity olon'Andriamanitra*. Dia nilazan'i Elisà ny mpanompony mba hizara ireo hohanin'ny olona;

mardi 8 septembre 2015

Talata 08 Septambra 2015 - Lio 10 : 25 - 37

25Ary indro tamy ity mpahay lalàna* anankiray ka nanao fanontaniana fandrika tamin'i Jesoa hoe:
–Mpampianatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay?

26Fa hoy i Jesoa taminy:
–Inona no voalazan'ny Soratra Masina* ao amin'ny lalàna*? Ahoana no fandraisanao ny heviny raha vakînao?

27Dia novaliany hoe:
–«Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo, amin'ny fanahinao manontolo, amin'ny herinao manontolo ary amin'ny sainao manontolo.» Ary koa: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.»

28Dia hoy i Jesoa taminy:
–Tsara ny valin-teninao. Ataovy izany, dia ho velona ianao!

29Te hanamarin-tena anefa ilay mpahay lalàna ka nanontany an'i Jesoa hoe:
–Fa iza moa no namako?

30Ka novalian'i Jesoa hoe:
–Nisy lehilahy nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao, nasian'ny jiolahy ka nendahany fitafiana sy nodarofany kapoka; ary efa saika maty ralehilahy vao nilaozan'ireo jiolahy nandositra. 31Sendra nisy mpisorona nidina tamin'izany lalana izany; fa nony nahatazana an-dralehilahy izy, dia nidify lalana nandalo fotsiny. 32Toy izany koa no nataon'ity levita* anankiray; tonga teo amin'ilay toerana izy, nahatazana an-dralehilahy ary nidify lalana nandalo fotsiny. 33Nisy kosa Samaritanina* nivahiny tonga teo amin'ity tra-boina ary onena tokoa nahita azy. 34Nohatonin'ilay Samaritanina izy ka nofeheziny ny feriny sady nandrarahany diloilo sy divay; avy eo dia natainginy teo amin'ny ampondrany ralehilahy ary nentiny tany an-tranombahiny ka nokarakarainy tao. 35Ny ampitson'iny, notolorany vola denàry* anankiroa ny tompon-trano sady nataony hoe: «Karakarao ity olona ity; ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireto, dia honerako rehefa miverina aho.»

36Dia nanontanian'i Jesoa ity mpahay lalàna nataony hoe:
–Iza tamin'izy telo lahy ireo, araka ny hevitrao, no nanjary naman'ilay nasian'ny jiolahy?

37Dia novaliany hoe:
–Ilay niantra azy.

Dia hoy i Jesoa taminy:
–Ndeha àry, ka mba manaova torak'izany koa!

lundi 7 septembre 2015

Alatsinainy 07 Septambra 2015 - Gen 40 : 5 - 11

5Indray alina dia samy nanonofy tao an-tranomaizina izy roa lahy, dia ny lehiben'ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny mpanao mofon'ny mpanjakan'i Ejipta; ary samy nanana ny heviny avy ny nofiny. 6Nony maraina, rehefa tonga hijery azy ireo i Jôsefa, dia nahita azy nanjoretra, 7ka nanontany azy hoe:
–Nahoana no malahelo tarehy ianareo androany?

8Dia novalian'izy roa lahy hoe:
–Samy nanonofy izahay, nefa tsy misy olona mahalaza ny heviny.

Hoy kosa i Jôsefa hoe:
–Andriamanitra ihany no afaka manome ny heviny, fa mba tantarao amiko aloha ny nofinareo.

9Dia nitantara ny nofiny tamin'i Jôsefa ilay lehiben'ny mpandroso zava-pisotron'ny mpanjaka, ka nanao hoe:
–Nofiko fa nisy, hono foto-boaloboka iray teo anoloako. 10Nisampana telo ilay foto-boaloboka, ka raha vao nitsimoka izy, dia namelana ary nisy voaloboka masaka an-tangozany. 11Teny an-tanako ny tsangambavan'ny Farao* ary notazako ny voaloboka, ka nofiazako tao; dia natolotro teo an-tanan'ny Farao ilay tsangambava.

dimanche 6 septembre 2015

Alahady 06 Septambra 2015 - Lev 19 : 9 - 18

9«Rehefa mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina ny salohim-bary natao hotsimponin'ny hafa amin'ny vokatrareo. 10Aza otazana koa ny sampaho tavela amin'ny voalobokareo, ary aza tsimponina ny voany latsaka amin'ny tany; fa avelao izany ho an'ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
11«Aza mangalatra, aza mandainga, ary aza mifamitaka ianareo. 12Aza mianiana amin'ny anarako mba hamitahana satria manala baràka ny anarako izany. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
13«Aza mamoritra ny namanareo hahazoana ny fananany, aza manendaka azy; ary aza tananao miloaka alina ny karaman'ny mpikaramanareo. 14Aza miteny ratsy ny marenina, ary aza manisy sakana hampianjera eo alohan'ny jamba; izany no hanehoanareo fanajana Ahy Andriamanitrareo. Izaho no TOMPO.
15«Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana: ny mahantra, aza ananana tombom-pitia; ny lehibe, aza ananana hena-maso; fa ara-drariny no aoka hitsaranareo ny mpiray firenena aminareo. 16Aza manely fanendrikendrehana olona eo amin'ny mpiray firenena aminareo. Aza mitsangan-ko vavolombelona mandainga mba hanamelohana ny namanareo ho faty. Izaho no TOMPO.
17«Aza mankahala ao am-ponareo ny mpiray firenena aminareo fa anaro tsara izy mba tsy hahazoanareo heloka noho ny aminy. 18Aza mamaly ratsy na manao lolom-po amin'ny mpiray firenena aminao fa tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao. Izaho no TOMPO.

samedi 5 septembre 2015

Sabotsy 05 Septambra 2015 - I Tim 1 : 12 - 16

12Velom-pisaorana an'i Kristy* Jesoa Tompontsika aho, fa nomeny hery hahatontosako ny fanompoako. Velom-pisaorana Azy aho fa nataony mahatoky ka notendreny hanompo Azy, 13na dia nanevateva Azy aza taloha sady nanenjika sy nampahory Azy mafy. Kanefa namindran'Andriamanitra fo aho satria tsy mbola nanam-pinoana ka tsy nahalala izay nataoko. 14Naidin'ny Tompontsika be dia be tamiko ny fahasoavany, mbamin'ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 15Azo antoka izao teny izao ka mendrika hankatoavin'ny olona rehetra: Tonga tetỳ an-tany i Kristy Jesoa mba hamonjy ny mpanota; ary izaho no faraidiny amin'ireny. 16Kanefa izao no anton'ny namindran'Andriamanitra fo tamiko: tiany hasehon'i Kristy Jesoa ao amiko mpanota faraidiny ny fahari-pony rehetra mba ho ohatra ho an'izay hino Azy ka handray ny fiaina-maharitra mandrakizay.

vendredi 4 septembre 2015

Zoma 04 Septambra 2015 - Gen 18 : 1 - 8

1Niseho tamin'i Abrahama tao amin'ny hazo ôakan'i Mamre ny TOMPO, raha nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy fa nafana ny andro. 2Nanopy maso i Abrahama ka nahita lehilahy telo nijoro nanandrify azy. Raha nahita ireo izy, dia nihazakazaka avy teo an-dainy mba hitsena azy sady niankohoka teo anatrehany.

3Ka ny anankiray tamin'ireo no nilazany hoe:
–Tompoko, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, dia aza lalovana fotsiny. 4Fa aoka hakana rano kely hanasanareo tongotra, ka hiala sasatra eto am-pototr'ity hazo ity ianareo. 5Izaho kosa handroso sakafo hohaninareo mba hampody hery anareo; avy eo vao hanohy ny dianareo ianareo, satria efa nandalo teto amiko tokoa.

Dia namaly izy telo lahy hoe:
–Tanteraho araka izay nambaranao àry.

6Koa niverina faingana ho any an-day i Abrahama hilaza amin'i Sarà hoe:
–Haingàna maka lafarinina tsara indrindra intelon'ny famarana ka manendasa mofo.
7Avy teo i Abrahama dia nihazakazaka nankany amin'ny andian'ombiny ary naka zanak'omby matavy tsara ka nomeny ny mpanompony mba hamboariny haingana. 8Dia nalainy ny dibera sy ronono ary ny zanak'omby efa voavoatra ka narosony tamin'ireo vahiny. Dia nihinana ireo fa i Abrahama kosa nitsangana teo akaikiny teo am-pototry ny hazo.

jeudi 3 septembre 2015

Alakamisy 03 Septambra 2015 - Rom 15 : 25 - 29

25Izao anefa aho dia hankany Jerosalema hitondra fanampiana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra* any. 26Fa sitraky ny any Masedônia sy Akaîa ny namory vola hanasoavana ireo mahantra amin'ny vahoakan'Andriamanitra any Jerosalema. 27Eny, sitrapony tokoa izany, sady adidiny amin'ireo mahantra ireo: satria ny kristianina jiosy tany Jerosalema dia nizara ny harena ara-panahy nananany tamin'ireo hafa firenena*; ka adidin'ny kristianina hafa firenena kosa ny manompo azy ireo amin'ny harena ara-nofo. 28Koa rehefa vitako io raharaha io ary voatolotro ny vokatr'izany famoriam-bola izany, dia hiainga ho any Espaina aho ka handalo atỳ aminareo. 29Ary fantatro fa rehefa mankatỳ aminareo aho, dia ho tonga miaraka amin'ny fitahian'i Kristy* feno dia feno.

mercredi 2 septembre 2015

Alarobia 02 Septambra 2015 - Deo 15 : 9 - 11

9Tandremo fandrao mitsiry ao am-ponareo ny hevi-dratsy manao hoe: «Antomotra ity ny taona fahafito, dia ny taona famoizan-trosa.» Aoka ianareo tsy ho ratsy fijery an'ilay mahantra mpiray firenena aminareo, ka tsy hanome azy na inona na inona; fa hitaraina amin'ny TOMPO hiampanga anareo izy, ka dia ho fahotanareo izany. 10Omeo tokoa izy ary aoka tsy halahelo ny fonareo raha manome azy, satria izany fahalalahan-tananareo izany no hitahian*'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin'ny asa aman-draharaha rehetra ataonareo. 11Koa satria hisy mandrakariva ny mahantra eo amin'ny taninareo, dia izany no andidiako anareo hoe: Sokafy tsara amin'ny mpiray firenena aminareo ny tananareo, dia amin'ny ory sy mahantra eo amin'ny taninareo.

mardi 1 septembre 2015

Talata 01 Septambra 2015 - Mat 5 : 38 - 42

38–Efa renareo fa voalaza hoe: «Maso efai-maso, nify efai-nify!» 39Izaho kosa milaza aminareo hoe: aza mamaly ratsy izay manisy ratsy anao; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny ilany! 40Raha misy mila ady aminao any amin'ny fitsarana mba hahazoany ny akanjonao, avelao ho azy koa ny lambanao. 41Raha misy manery anao hitondra entana mandritra ny lalana iray kilaometatra, miaraha aminy mandritra ny lalana roa kilaometatra. 42Omeo izay mangataka aminao ary aza andosirana izay te hisambotra aminao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12