jeudi 31 mars 2016

Alakamisy 31 Martsa 2016 - Efe 5 : 1 - 12

1Koa manafaha an'Andriamanitra ianareo, satria zanaka lalainy. 2Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan'i Kristy* antsika sy nanolorany tena tamin'Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika misy stf sasany ahitana hoe nitiavan'i Kristy anareo. '>.

3Araka ny sahaza ny vahoakan'Andriamanitra*, dia aoka tsy ho voatonona eo aminareo akory aza rehefa fijangajangana sy fahalotoana isan-karazany ary fitiavan-karena. 4Fadio ny teny vetaveta sy resaka valavala na voso-dratsy izay samy tsy tokony hatao; fa aleo manao tonombavaka fisaorana an'Andriamanitra. 5Fantaro tsara izao: tsy hanana anjara lova amin'ny Fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga na ny maloto fitondrantena na ny mpitia harena (fa mpanompo sampy ny mpitia harena).

6Aza mety hofitahina amin'izay teny foana ianareo; fa ny zavatra toy izany indrindra no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra* hihatra amin'ireo olona tsy manaiky Azy. 7Koa aza mety ho mpiombona amin'ireny olona ireny ianareo. 8Tao amin'ny haizina ianareo fahiny, fa ao amin'ny fahazavana kosa ankehitriny, noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Koa manaova fitondrantena tahaka ny olona ao amin'ny fahazavana, 9satria ny fahazavana dia mamokatra ny soa sy ny rariny ary ny hitsiny isan-karazany. 10Miezaha mamantatra izay ankasitrahin'ny Tompo. 11Aza miombona amin'ny asa tsy mahavoka-tsoa ataon'ireo olona ao anatin'ny haizina, fa aleo aseho ny tena toetr'ireny asa ireny; 12(satria mahamenatra na dia ny hilaza izay ataon-dry zareo ao amin'ny miafina aza).

mercredi 30 mars 2016

Alarobia 30 Martsa 2016 - Lio 2 : 23 - 37

22Tonga ny fotoana tsy maintsy anatanterahana ny fombam-pivavahana fidiovana ho an'i Maria sy i Jesoa zazakely, araka ny lalànan*'i Mosesy. Dia nentin'i Maria sy i Jôsefa tany Jerosalema ny zazakely mba hatolotra ny Tompo, 23satria voasoratra ao amin'ny lalànan'ny Tompo hoe: «Hatokana ho an'ny Tompo ny lahimatoa rehetra.» 24Nitondra fanatitra araka ny voalaza ao amin'ny lalànan'ny Tompo ihany koa i Maria sy i Jôsefa, izany hoe fanatitra «domohina roa na voromahailala roa».

25Tao Jerosalema tamin'izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehôna; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an'Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nombàn'ny Fanahy Masina izy 26ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia* avy amin'ny Tompo. 27Nentin'ny Fanahy Masina hankao an-kianjan'ny tempoly* i Simehôna, raha niditra indrindra ny ray aman-drenin'i Jesoa zazakely mba hanatanteraka izay andidian'ny lalàna ny amin'ny zaza; 28dia nitrotro Azy i Simehôna sady velom-pisaorana an'Andriamanitra nanao hoe:
              29–Tompo ô, alefaso amim-piadanana amin'izay
                    ity mpanomponao, araka ny teninao!
                30Efa hitako maso manko ny famonjena avy aminao
                31izay nomaninao ho an'ny firenena rehetra:
               32dia fahazavana hampahalala Anao amin'ny hafa firenena
                   ary hanome voninahitra an'i Israely* vahoakanao.

33Gaga ny ray aman-drenin'i Jesoa noho izao tenin'i Simehôna momba ny zanany izao. 34Ary nitsodrano azy telo mianaka i Simehôna; avy eo izy dia niteny tamin'i Maria renin'i Jesoa hoe:
–Indro ity zaza ity fa voatendry mba hahatonga ny maro amin'i Israely* homelohin'Andriamanitra ary koa hahatonga ny maro amin'i Israely hankatoavin'Andriamanitra. Ho famantarana hifanoheran'ny olona ity zaza ity, 35mba hampiharihary ny fisainan'ny besinimaro. Ary ianao kosa, ramatoa, hotsatohan-tsabatra ny fanahinao!

36Nisy koa vehivavy mpaminany* natao hoe Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy amin'ny fokon'i Asera. Tena antitra izy. Fito taona ihany no nanambadiany taorian'ny nahatovovavy azy. 37Dia nipetraka ho mpitondratena izy ary feno 84 taona izao ny andro niainany. Tsy niala tao amin'ny tempoly mihitsy izy, fa nanompo an'Andriamanitra andro aman'alina, ka nifady hanina* sy nivavaka.

mardi 29 mars 2016

Talata 29 Martsa 2016 - Eks 14 : 23 - 31

23Nanenjika azy ny Ejiptianina; ny soavalin'ny farao rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingina azy dia samy nitsofoka nanaraka azy ireo tao afovoan'ny ranomasina avokoa. 24Ary nony efa nadiva haraina dia nijery ny tobin'ny Ejiptianina avy teo amin'ny andry afo sy rahona ny TOMPO, ka nanakorontana azy. 25Nohidiany ny kodiaran'ny kalesy ka nihisatra ny fitarihana azy. Dia hoy ny Ejiptianina hoe:
–Andao handositra ny Israelita isika, fa ny TOMPO no miady ho azy ireo amintsika!

26Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao mba hiverenan'ny rano eo amin'ny Ejiptianina sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.

27Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Niverina ho amin'ny toerany ny ranomasina rehefa ho maraina ny andro ka nifanehatra taminy ireo Ejiptianina nandositra, dia narian'ny TOMPO tao afovoan'ny ranomasina ny Ejiptianina.

28Nikatona ny ranomasina ka nandrakotra ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly; izay tafiky ny Farao manontolo nanenjika ny Israelita tao an-dranomasina dia tsy nisy afa-nitsoaka na iray aza. 29Fa ny Israelita kosa dia niampita ny ranomasina nandia tany maina, fa ny rano dia nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany. 30Namonjy ny Israelita teo an-tanan'ny Ejiptianina ny TOMPO tamin'izany andro izany, ka ny Israelita dia nahita ny fatin'ny Ejiptianina teny amoron-dranomasina. 31Hitan'ny Israelita ny hery lehibe izay nampiasain'ny TOMPO hamelezana ny Ejiptianina. Izany no nanajan'ny Israelita ny TOMPO, ka nitokiany AZY sy nitokiany an'i Mosesy mpanompony.

lundi 28 mars 2016

Alatsinainy 28 Martsa 2016 - Heb 10 : 35 - 39

35Koa aza manary ny fahatokianareo fa misy valisoa lehibe izany. 36Ilainareo tokoa ny faharetana mba hanaovanareo ny sitrapon'Andriamanitra ka hahazoanareo izay ampanantenainy. 37Fa hoy ny Soratra Masina*:
                «Kely foana sisa
                  dia ho tonga Ilay tsy maintsy ho avy,
                  fa tsy hitaredretra.
              38Ary ny olo-marina eo imasoko noho ny finoana dia ho velona;
                  fa raha mihemotra izy, dia tsy sitrako.»
39Isika kosa dia tsy mba naman'izay mihemotra ka ho very fa naman'izay mino ka ho voavonjy.

dimanche 27 mars 2016

Alahady 27 martsa 2016 - Mar 16 : 1 - 8

1Rehefa tapitra ny andro sabata*, dia lasa i Maria ilay avy any Magdalà sy i Salôme ary i Maria renin'i Jôsèta nividy zava-manitra, fa nikasa handeha hanosotra an'i Jesoa. 2Ka ny andro alahady vao maraina be, raha iny niposaka iny ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy telo vavy 3ary nifampilaza hoe:
–Iza no hasaintsika hanakodia ny vato avy eo amin'ny vavafasana?

4Kanjo nony nitraka izy telo vavy, dia tazany ny vato satria goavambe ary hitany efa voakodia. 5Dia niditra tao am-pasana izy telo vavy ka raiki-tahotra nahita tovolahy niakanjo fotsy nipetraka teo ankavanam-pasana. 6Fa hoy ilay tovolahy taminy:
–Aoka izay ny tahotra. Mitady an'i Jesoa avy any Nazareta, Ilay nohomboana tamin'ny hazofijaliana, ianareo; efa nitsangana velona Izy ka tsy eto intsony. Jereo fa teo ny toerana nametrahana Azy. 7Fa mandehana lazao amin'ny mpianany sy amin'i Petera hoe: «Mialoha lalana anareo any Galilea, hono, Izy; any no hahitanareo Azy, araka ny voalazany taminareo.»

8Dia nivoaka ny fasana izy telo vavy, ka lasa nandositra niala teo fa tora-kovitra sady talanjona; nefa tsy nilaza na inona na inona tamin'olona, satria natahotra.

samedi 26 mars 2016

Sabotsy 26 Martsa - I Pet 3 : 18 - 22

 18Fa i Kristy koa dia efa maty indray mandeha monja ho fanalana ny ota: ny Marina no efa maty hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra. Novonoina tao amin'ny nofo i Kristy, fa novelomina araka ny Fanahy Masina. 19Nombàn'ny Fanahy Masina Izy ka lasa nitoriteny tamin'ireo fanahy voagadra, 20dia ireo fanahin'ny olona tsy nanaiky an'Andriamanitra, fony Andriamanitra nampiseho ny fahari-pony tamin'ny andro nanamboaran'i Noà ny sambofiara. Olona vitsy ihany anefa, dia i Noà valo mianaka, no tafiditra tao anaty sambofiara ka voavonjy tamin'ny ranojereo Gen 6.1–7.24.'>. 21Io rano io no tandindon'ny batisa* izay amonjena anareo ankehitriny; ka tsy fanesorana lotom-batana ny batisa, fa toky omen'ny fieritreretana madio hitodika amin'Andriamanitradkt hafa fa angatahana fieritreretana madio amin'Andriamanitra. '>. Ny batisa no amonjena anareo amin'ny alalan'i Jesoa Kristy tafatsangana ho velona, 22dia Ilay efa lasa any an-danitra sy mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra, ka eken'ny anjely* sy ny fahefana ary ny hery.

vendredi 25 mars 2016

Zoma 25 Martsa 2016 - Mar 15 : 33 - 41

33Tamin'ny mitataovovonana, dia rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin'ny telo tolakandro izany. 34Ary tamin'ny telo tolakandro i Jesoa dia niantso tamin'ny feo mahery nanao hoe:
–Elôỳ, Elôỳ, lemà sabaktàny? (izany hoe raha adika: «Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nilaozanao Aho?»)

35Ny sasany tamin'ireo olona nijanona teo, raha nandre izany, dia niteny hoe:
–Indro fa niantso an'i Elià* ny anao!

36Tamin'izay dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatsoboka spaonjy tao anaty vinaingitra; dia notohiziny volotara ilay spaonjy ka natohony an'i Jesoa mba hotsentsefiny, sady hoy izy:
–Avelao hoe hojerentsika raha ho avy hampidina Azy tokoa i Elià!

37Fa i Jesoa kosa niantso tamin'ny feo mahery, dia niala aina.
38Ary nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin'ny Toeramasina*. 39Fa ilay kapiteny nijoro tandrifin'i Jesoa, raha nahita Azy niala aina toy izany, dia loa-bolana hoe:
–Tena Zanak'Andriamanitra tokoa io Lehilahy io!

40Nisy vehivavy maromaro koa nitazana avy eny lavidavitra teny ka anisan'ireo i Maria avy any Magdalà, sy i Salôme ary i Maria renin-dry i Jakôba kely sy i Jôsèta mirahalahy. 41Niaraka tamin'i Jesoa tany Galilea ireo vehivavy ireo, nanampy Azy tamin'izay nilainy; ary nisy vehivavy maro hafa koa izay niara-niakatra tamin'i Jesoa tany Jerosalema.

jeudi 24 mars 2016

Alakamisy 24 martsa 2016 - Isa 53 : 7 - 9

7Nampahorîna ny Mpanompon'ny Tompo,
nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava akory,
tahaka ny zanakondry entina hovonoina
sy tahaka ny ondrivavy
eo anatrehan'ny manety azy.
Eny, tsy niloa-bava akory izy.
8Nosamborina izy, dia nohelohina mafy ary novonoina;
ka, tamin'ireo mpiara-belona taminy,
iza moa no mba nieritreritra ny nanjo azy.
Fa nofongorana teo amin'ny tanin'ny velona izy;
ary ny heloky ny mpiray firenena aminy
no nikapohana azy ho faty'>?
9Nokasaina hiray fasana amin'ny olon-dratsy
izany Mpanompon'ny Tompo izany;
kanefa teo anivon'ny mpanankarena no nandevenana azy,
satria tsy nanao ratsy akory izy
ary tsy nisy fitaka teo am-bavany.

mercredi 23 mars 2016

Alarobia 23 Martsa 2016 - Sal 69 : 13 - 21

14Izaho kosa mivavaka aminao, TOMPO ô,
satria fotoam-panambinanao izao;
Andriamanitra ô, be fitiavana Ianao,
ka valio aho fa azo antoka ny famonjenao.
15Afaho aho mba tsy ho difotry ny fotaka
na hindaosin'ny tafio-drivotra sy ny rano lalina;
16aoka aho tsy ho safotry ny riaka
na koa ho voatelin'ny hantsana
na ho voahidin'ny fasana ao anatiny!
17TOMPO ô, valio aho fa soa ny fitiavanao;
todiho aho fa be fiantrana Ianao.
18Aza minia tsy hijery ahy mpanomponao;
azom-pahoriana aho, ka valio faingana.
19Tongava eto akaikiko Ianao hiandraikitra ahy,
ka afaho amin'ny fahavaloko aho.

20Latsa, henatra, fahafaham-baràka:
fantatrao fa mihatra amiko avokoa ireny;
tsy misy takona Anao ny mpandrafy ahy.
21Torotoron-datsa ny foko ka reraka aho:
niandry mpitsetra fa tsy nisy,
nitady mpampionona fa tsy nahita.

mardi 22 mars 2016

Talata 22 Martsa 2016 - Mar 11 : 1 - 11

1Ary nanakaiky an'i Jerosalema i Jesoa mbamin'ny mpianany* sy ny vahoaka tafaraka taminy, ka mby tao amin'ny faritr'i Betifage sy i Betania, teo akaikin'ny tendrombohitra atao hoe Analanôliva–I Betania dia tanàna kely hafa, mifanila amin'i Betifage. –Ny tendrombohitra Analanôliva dia havoana eo andafy atsinanan'i Jerosalema, ka ny lohasahan'i Kidrôna no hany manelanelana.'>.

Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany i Jesoa 2ka nanao taminy hoe:
–Mankanesa amin'itsy tanàna manoloana anareo itsy. Raha vao tafiditra ao ianareo, dia hahita zana-boriky mifatotra mbola tsy nitaingenan'olona; vahao izy dia ento atỳ. 3Ary raha misy olona manontany anareo hoe: «Ahoana no anaovanareo izao?», dia valio hoe: «Misy ilàn'ny Tompo azy, fa vetivety foana dia haveriny etoka avy hatrany dia havelan'ny tompony indray hoentina atỳ. '>.»

4Dia lasa izy roa lahy ka nahita zana-boriky mifatotra eo alatrano akaiky varavarana teo amoron-dalana, dia novahany.

5Fa ny sasany tamin'ny olona nijoro teo nanontany azy roa lahy hoe:
–Hataonareo inona no vahanareo ity zana-boriky?

6Dia novaliany araka ny nanafaran'i Jesoa azy, ka navelan'ny olona. 7Nentin'izy roa lahy nankeo amin'i Jesoa ilay zana-boriky, ka nametrahan'ny mpianatra rehetra ny lambany teo amboniny ary dia nitaingenan'i Jesoa. 8Maro ny olona namelatra ny lambany teny amin'ny lalana; ny an'ny sasany kosa rantsan-kazo tinapaka teny an-tsaha'>.

9Ary ireo olona nialoha an'i Jesoa na ireo nanaraka Azy dia samy niantsoantso hoe:
–Dera anie ho an'Andriamanitra! Hombam-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie Ilay avy! 10Hombam-pitahiana anie ity Fanjakana tonga, dia ny Fanjakan'i Davida raintsika! Dera anie ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra!

11Dia niditra tao Jerosalema i Jesoa ka namantana tao an-kianjan'ny tempoly*; ary nony avy nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro, dia lasa nankany Betania niaraka tamin'ny 12 lahy.

lundi 21 mars 2016

Alatsinainy 21 Martsa 2016 - Rom 13 : 8 - 14

8Aoka tsy hananan'olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalàna*. 9Satria ny hoe «aza maka vadin'olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra», mbamin'ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin'ilay teny manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.» 10Izay tia dia tsy manisy ratsy ny namana; koa izay tia no mahatanteraka ny lalàna.

11Fantatrareo rahateo indrindra koa ny andro diavintsika. Izao no fotoana tokony hifohazanareoamin'ny torimaso; satria ankehitriny antomotra antsika kokoa ny famonjena, fa tsy tahaka ny tamin'ny andro vao ninoantsika. 12Madiva ho lasa ny alina, ary mby akaiky ny andro. Ialao àry ny asa fanao amin'ny maizina, ka itafio ny fiadiana fampiasa amin'ny mazava. 13Aoka isika hahay hitondra tena tsara toy ny amin'ny antoandro, ka hifady ny fanaranam-po sy ny fidorohana, ny fijangajangana sy ny fihetsika tsy maotina, ny adiady sy ny fifampialonana. 14Fa itafio ny fiadian'i Jesoa Kristy* Tompo, ka aza mety hotarihin'ny maha olona mpanota ho amin'ny filàndratsy.

dimanche 20 mars 2016

Alahady 20 Martsa 2016 - Zef 3 : 14 - 20

14Mihobia, ry tanànan'i Tsiôna*!
Manaova firavoravoana, ry vahoakan'i Israely!
Mifalia sy mibitaha amin'ny fonareo manontolo,
ry mponin'i Jerosalema!

15Ny TOMPO efa nanaisotra ny fanamelohana
izay nitambesatra taminareo;
Izy efa nampandositra ny fahavalonareo.
Ny TOMPO, mpanjakan'i Israely, no momba anareo
ka tsy hisy loza hatahoranareo intsony.
16Io andro io no hilazana amin'i Jerosalema hoe:
«Aza matahotra, ry tanànan'i Tsiôna,
aza miraviravy tanana!

17Ny TOMPO Andriamanitrao no momba anao;
mahery Izy ka hampandresy anao.
Maneho ny hafaliany noho ny aminao Izy;
ny fitiavany no anavaozany anao;
noho ny aminao dia mientam-pihobiana Izy
18toy ny amin'ny andro fety.»

Hoy ny TOMPO hoe: «Hofoanako ny fahoriana,
hoesoriko ny henatra mitambesatra aminareo.
19Indro tonga ny fotoana hamelezako
izay rehetra nampahory anareo.
Hotsaboiko ny maratranareo,
hampodîko ny voasesitany;
eny, havadiko ho voninahitra sy laza
ny fanaovana tsinontsinona anareo
tany amin'ny tany rehetra.

20Amin'izany fotoana izany tokoa
no hampodiako sy hamoriako anareo.
Ho hitanareo fa hambiniko indray ianareo;
homeko voninahitra sy laza ianareo
any amin'ny firenena rehetra eto an-tany.»

samedi 19 mars 2016

Sabotsy 19 Martsa 2016 - II Pet 2 : 4 - 10

4Ireo anjely*, fony nanota, dia tsy namindran'Andriamanitra fo, fa noroahiny ho any amin'ny toeran'ny maty ka natolony ho ao an-davaka maizina mangitsokitsoka '> izay itanana azy ho amin'ny fitsarana. 5Izao tontolo izao* koa fahiny dia tsy namindran'Andriamanitra fo, satria henika olona ratsy fanahy, ka nataony tonga teo amin'izao tontolo izao ny safodrano; i Noà* valo mianaka ihany no narovan'Andriamanitra, noho i Noà mpitory ny fahamarinana soritan'Andriamanitra. 6Ny tanàna Sôdôma* sy Gômôra* dia nohelohin'Andriamanitra ka noravany nanjary lavenona ary nataony fananarana ho an'ireo tsy miraiki-po aminy momba izay loza mety hihatra. 7Nafahan'Andriamanitra kosa i Lôta, izay tia ny rariny ka ory dia ory noho ny fitondrantena ratsy nasehon'ny olona tsy miraharaha lalàna; 8satria io lehilahy tia ny rariny io, fony izy nitoetra teo anivon'ireo, dia nijaly mafy tokoa tao am-pony raha nahita sy nandre isan'andro vaky ny asa ratsy vitan'ireo. 9Araka izany, dia hain'ny Tompo ny manala ny mpiraiki-po aminy ho afaka amin'ny fitsapana manjo azy, sy ny mitahiry ny ratsy fanahy mba hosazîna amin'ny andro fitsarana, 10indrindra fa ireo nizotra nanaram-po tamin'ny filàndratsin'ny maha olona mpanota sy nanamavo ny maha Tompo an'i Kristy*.

Ireo mpampianatra sandoka ireo dia olona sahy zavatra sy mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hanevateva ireo atao hoe voninahitra'>

vendredi 18 mars 2016

Zoma 18 Martsa 2016 - Asa 16 : 25 - 34

25Tamin'ny mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra i Paoly sy i Silasy; ary nihaino azy roa lahy ny gadra hafa. 26Dia injay nisy horohorontany mafy tonga tampoka nanozongozona ny fonja hatrany amin'ny fanorenany. Nivoha nidanadana ho azy ny varavarana rehetra, ary samy nivaha ho azy ny fatoran'ireo gadra rehetra. 27Tamin'izay dia taitra ilay mpiambina; ary nony hitany fa nivoha avokoa ny varavaran'ny fonja, dia nanatsoaka ny sabany saika hamono tena izy satria nampoiziny ho efa nitsoaka nandositra avokoa ny gadra. 28Fa niantso mafy i Paoly nanao hoe:

–Aza mamono tena, fa indreto avokoa izahay!

29Dia nangataka jiro ilay mpiambina ka niditra faingana nankao amin'ny fonja anatiny indrindra; ary tora-kovitra izy no niantoraka teo anoloan'i Paoly sy i Silasy. 30Dia navoakan'ilay mpiambina izy roa lahy sady nanontaniany hoe:
–Inona, tompoko, no tokony hataoko mba hovonjena aho?

31Dia novaliany hoe:
–Minoa an'i Jesoa Tompo, dia hovonjena ianao mbamin'ny ankohonanao!

32Dia nitorian'i Paoly sy i Silasy ny tenin'ny Tompo ilay mpiambina mbamin'izay rehetra tao an-tranony. 33Tamin'izany ora izany, iny alina iny ihany, dia nandray azy roa lahy ilay mpiambina ka nanasa ny feriny; ary natao batisa* niaraka tamin'izay izy sy ny ankohonany rehetra. 34Nentin'ilay mpiambina niakatra tao an-tranony i Paoly sy i Silasy ka norosoany sakafo. Ary niravoravo niaraka tamin'ny olona rehetra tao an-tranony ralehilahy, noho izy efa tonga mpino an'Andriamanitra.

jeudi 17 mars 2016

Alakamisy 17 Martsa 2016 - II Tim 2 : 8 - 13

8Tsarovy i Jesoa Kristy, Izay nipoitra avy amin'ny taranak'i Davida sady efa nitsangana velona avy tany amin'ny maty, araka ny Vaovao Mahafaly* torîko. 9Noho ny fitoriako izany Vaovao Mahafaly izany no ijaliako, ary igadrako toy ny mpanao ratsy aza. Kanefa ny tenin'Andriamanitra tsy mba voagadra. 10Izany no iaretako ny mafy rehetra ho fanasoavana ireo olomboafidin'Andriamanitra, mba hahazoan'ireo koa famonjena, dia ilay ao amin'i Kristy Jesoa, mbamin'ny voninahitra maharitra mandrakizay. 11Azo antoka izao teny izao:

                        «Raha niara-maty tamin'i Kristy isika,
                          dia hiara-belona aminy koa;
                      12raha miaritra ny mafy isika,
                          dia hiara-manjaka aminy koa;
                          fa raha lavintsika Izy,
                          dia mba holaviny koa isika;
                      13raha mivadika aminy isika,
                          Izy dia mahatoky hatrany
                          satria tsy afa-mandà ny tenany.»

mercredi 16 mars 2016

Alarobia 16 Martsa 2016 - Lio 6 : 6 - 11

6Indray sabata* hafa koa, dia niditra tao amin'ny sinagôga* i Jesoa ka nampianatra. Nisy lehilahy maty tanana ankavanana tao; 7ary nizaha taratra an'i Jesoa ireo mpahay lalàna* sy Farisianina* raha hanasitrana amin'ny andro sabata Izy mba hahitany antony hiampangana Azy.

8Fantatr'i Jesoa anefa ny eritreriny, ka hoy Izy tamin-dralehilahy maty tanana:
–Mitsangàna ka ndeha mijoro etsy afovoan'ny olona.

Dia nitsangana ilay marary ka nijoro. 9Ary niteny tamin'ny mpahay lalàna sy ny Farisianina i Jesoa hoe:
–Manontany anareo Aho: inona moa no azo atao amin'ny andro sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy? ny mamonjy ain'olona sa ny manala ain'olona?

10Dia nanopy maso manodidina nijery azy rehetra i Jesoa ka niteny tamin-dralehilahy hoe:
–Atsory ny tananao.

Dia natsotran'ilay marary ny tanany ka sitrana. 11Fa romotry ny hatezerana kosa ireo mpahay lalàna sy Farisianina ka niara-nioko ny amin'izay hanaovany an'i Jesoa.

mardi 15 mars 2016

Talata 15 Martsa 2016 - Heb 7 : 20 - 26

20Tao rahateo koa ilay fianianana nataon'Andriamanitra. Ireo mpisorona hafa dia tsy nombàm-pianianana no tonga mpisorona. 21Fa i Jesoa nombàm-pianianana no tonga Mpisorona, fony Andriamanitra nilaza taminy hoe:

            «Efa nianiana ny Tompo
              ka tsy hivadi-bolana:
            ‹Ianao no Mpisorona mandrakizay.› »

22Izany no mahatonga an'i Jesoa ho antoky ny Fanekempihavanana* tsara lavitra.
23Izao koa no fahasamihafana hita: marobe ireo mpisorona hafa, satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra; 24fa maharitra mandrakizay kosa i Jesoa ka tsy ifandimbiasana ny fisoronany. 25Noho izany, dia mahavonjy tanteraka ireo manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay mba hangataka amin'Andriamanitra ho azy ireo. 26Eny, Mpisorombe* natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin'ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.

lundi 14 mars 2016

Alatsinainy 14 Martsa 2016 - Fit 3 : 31 - 33

31Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo.
32Fa raha mampahory Izy, dia mamindrafo
araka ny halehiben'ny fitiavany.
33Fa tsy sitrany ny mampahory
na mampijaly ny olombelona.

dimanche 13 mars 2016

Alahady 13 Martsa 2016 - Deo 33 : 26 - 29

26Dia hoy koa i Mosesy hoe:
«Ry Jesoròna, tsy misy tahaka an'ilay Andriamanitrao!
Heni-boninahitra sady mitaingina ny rahon'ny lanitra Izy
mba ho tonga hamonjy anao.
27Andriamanitra, hatrizay hatrizay, no fialofana;
ny heriny, hatrany hatrany, no miasa etỳ ambany '> etỳ.
Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy
ary mandidy anao handringana an'ireo.
28Mandry feizay ny Israelita;
monina milamina ny taranak'i Jakôba
eo amin'ny tany be vary sy divay,
tany izay ipariahan'ny andon'ny lanitra.
29Sambatra ianareo, ry Israelita!
Iza no tahaka anareo, ry vahoaka voavonjin'ny TOMPO?
Izy no ampinga miaro anareo sy sabatra ireharehanareo.
Hikoy aminareo ny fahavalonareo,
ka hohitsahinareo ny toerana avo fivavahany.»
Malagasy Bible Society

samedi 12 mars 2016

Sabotsy 12 Martsa 2016 - Rom 1 : 16 - 17

16Fa tsy menatra ny Vaovao Mahafaly aho, satria io no herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena*. 17Eny, asehon'ny Vaovao Mahafaly fa ny aneken'Andriamanitra ny olona ho marina dia ny finoana, hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany, araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: «Ny olo-marina noho ny finoana dia ho velonana hoe ny andraisana ny fahamarinana omen'Andriamanitra dia ny finoana. –Ny olo-marina... velona (jereo Hab 2.4): dkt hafa «Ny olo-marina dia ho velona araka ny finoana» na hoe «Ny finoana no hahavelona ny olo-marina». '>.»

vendredi 11 mars 2016

Zoma 11 Martsa 2016 - Jao 3 : 16 - 21

16Eny, notiavin'Andriamanitra fatratra izao tontolo izao*, ka nomeny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa ho velona aina mandrakizay. 17Andriamanitra manko tsy naniraka ny Zanany ho eto amin'izao tontolo izao, mba hanameloka an'izao tontolo izao, fa mba hamonjy an'izao tontolo izao amin'ny alalany. 18Izay mino ny Zanaka dia tsy helohina; fa izay tsy mino koa dia efa voaheloka rahateo, noho izy tsy nino ny Zanaka lahitokan'Andriamanitra. 19Ary izao no anton'ny fanamelohana: efa tonga tamin'izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon'ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. 20Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny fahazavana sady tsy manatona ny fahazavana, fandrao hita miharihary ny asa ratsiny. 21Izay manao ny marina kosa dia manatona ny fahazavana, mba hiseho fa notontosaina araka an'Andriamanitra ny asany.

jeudi 10 mars 2016

Alakamisy 10 Martsa 2016 - Sal 46 : 1 - 3

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Hampiarahina amin'ny zava-maneno avo feo. Tononkira nataon'ireo terak'i Kôrajereo

2Andriamanitra ny anay no aro sy hery;
mpamonjy mora azo indrindra Izy amin'ny fahoriana.
3Koa tsy atahoranay na tany hihozona,
na tendrombohitra hianjera any anaty ranomasina,

mercredi 9 mars 2016

Alarobia 09 Martsa 2016 - Fil 3 : 12 - 18

12Tsy mihambo ho efa tafita aho na ho efa tanteraka; fa miezaka hatrany aho hahazo ny amboaran'ny hazakazaka, satria izany no efa nahazoan'i Kristy* Jesoa ahy. 13Ry havana, tsy mihevi-tena ho efa nahazo ny amboara sahady aho; fa zavatra iray ihany no ataoko: manadino ny efa nodiaviko ka mikely aina fatratra ho tody amin'izay kendrena. 14Miezaka hahatratra ny tanjona aho mba hahazoako ny amboara, dia ny fiainana iraisana amin'i Kristy Jesoa ka iantsoan'Andriamanitra any ambony any.

15Aoka hisaina toy izany àry isika rehetra matotra ara-panahy. Kanefa raha misy aminareo misaina hafa noho izany, dia Andriamanitra no hampahazava izany aminareo. 16Saingy, na ahoana na ahoana, dia aoka isika hizotra amin'izay efa andehanantsika hatramin'izao.

17Ry havana, aoka hanahaka ahy ianareo ary diniho hatrany ireo manao fitondrantena araka izay ohatra nomenay anareo. 18Efa voalazako imbetsaka taminareo, ary dia mbola lazaiko amin-dranomaso ankehitriny, fa maro no manao fitondrantena manohitra an'i Kristy maty teo amin'ny hazofijaliana.

mardi 8 mars 2016

Talata 08 Martsa 2016 - Matt 11 : 20 - 24

20Tamin'izay i Jesoa dia niteny mafy ireo tanàna nahavitana ny ankamaroan'ny asa mahagaga nataony, satria tsy niala tamin'ny toetra ratsiny ireo mponina ao aminy; ka hoy i Jesoa:

21–Mampalahelo ianao, ry Kôrazìna! Mampalahelo ianao, ry Betsaidà! Raha i Tiro sy i Sidôna no nahavitana ireo asa mahagaga natao teo aminareo, dia efa ela ireo no nitafy lamba fisaonana ary nihosin-davenona hanambaràny fa nialany ny toetra ratsiny. 22Ka hoy Aho aminareo hoe: amin'ny andro fitsarana, dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin'i Tiro sy i Sidôna noho ny hihatra amin'i Kôrazìna sy i Betsaidà! 23Ary ianao, ry Kafarnahòma, heverinao ve fa hasandratra hatrany an-danitra ianao? Tsia, haetry hatrany amin'ny toeran'ny maty ianao! Raha i Sôdôma* manko no nahavitana ireo asa mahagaga natao teo aminao, dia ho naharitra mandraka androany izany tanàna izany. 24Ka hoy Aho aminareo hoe: amin'ny andro fitsarana dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin'i Sôdôma* noho ny hihatra amin'i Kafarnahòma!

lundi 7 mars 2016

Alatsinainy 07 Martsa 2016 - Rom 10 : 1 - 4


1Ry havana, ny irîn'ny foko sy angatahiko amin'Andriamanitra ho an'ny Jiosy dia ny hahazoany famonjena. 2Vavolombelona ny aminy aho fa feno zotom-po ho an'Andriamanitra izy rehetra saingy zotom-po tsy ombàm-pahalalana. 3Tsy nahalala ny fahamarinana omen'Andriamanitra ry zareo, ka nitady fahamarinana avy amin'ny tenany fa tsy nanaiky ny fahamarinana omen'Andriamanitra. 4Eny, lany andro ny lalàna* nony tamy i Kristy* hahatonga ny mpino rehetra ho olo-marina eo anatrehan'Andriamanitra.

dimanche 6 mars 2016

Alahady 06 Martsa 2016 - II Tan 32 : 16 - 23

16Ary ny manamboninahitra nirahin'i Saneheriba dia nanohy niteny ratsy nanohitra ny TOMPO Andriamanitra sy nanohitra an'i Hezekià mpanompony.

17Dia nanoratra taratasy koa ity mpanjakan'i Asiria mba hihantsiana ny TOMPO Andriamanitr'i Israely sy hanarabiana Azy. Ka hoy izy hoe: «Tsy nahavonjy ny olony tsy hiharan'ny fahefàko ny andriamanitr'ireo firenena hafa teto an-tany; noho izany, ny Andriamanitr'i Hezekià dia tsy hahavonjy koa ny olony tsy hiharan'ny fahefàko.»
18Ankoatra izany, ireto irak'i Saneheriba ireto dia niantso tamin'ny feo mahery sady araka ny fiteny jodeanina teo anatrehan'ny mponin'i Jerosalema izay teny ambonin'ny manda; ny hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna no anton'izany. 19Ary ny fitenenany an'ilay Andriamanitr'i Jerosalema koa dia toy ny fitenenany an'ireny andriamanitry ny firenena any an-tany hafa ireny, izay sarivongana asan-tanan'olona ihany.

20Noho izany toe-javatra izany dia nivavaka i Hezekià mpanjaka sy i Isaià mpaminany* zanakalahin'i Amôtsa, ka niantso vonjy tamin'Andriamanitra. 21Ny TOMPO kosa naniraka anjely*, izay nandringana ny miaramila maherifo rehetra sy ny manamboninahitra ary ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asiria. Ka dia lasa nody tamin-kenatra i Saneheriba; ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia ireo zanany naterany ihany no namono nahafaty azy tao tamin'ny sabatra.

22Toy izany no namonjen'ny TOMPO an'i Hezekià sy ny mponin'i Jerosalema tsy ho azon'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria na ho azon'ny fahavalo hafa rehetra; ary nanomezany azy fiadanana tamin'ny sisin-tany manodidina. 23Olona maro no nitondra fanatitra ho an'ny TOMPO tao Jerosalema ary koa fanomezana ho an'i Hezekià mpanjakan'i Joda; ka nanomboka tamin'izay i Hezekià no nalaza teo imason'ny firenen-drehetra manodidina.

samedi 5 mars 2016

Sabotsy 05 Martsa 2016 - Mat 1 : 18 - 21

18Toy izao no nahaterahan'i Jesoa Kristy. Efa fofombadin'i Jôsefa i Maria renin'i Jesoa tamin'izay; raha mbola tsy niray trano anefa izy roa dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan'ny Fanahy Masina. 19Olo-marina i Jôsefa vadiny, ka tsy te hanala baràka azy, fa nikasa hametraka azy mangingina.

20Raha mbola nieritreritra izany izy, dia nisehoan'anjelin*'ny Tompo tamin'ny nofy ka nilazany hoe:
–Ry Jôsefa taranak'i Davida ô, aza matahotra ny hampakatra an'i Maria vadinao! Noho ny asan'ny Fanahy Masina tokoa no nampitoe-jaza azy. 21Ary ho tera-dahy izy ka i Jesoa no anarana hiantsoanao ny zaza: fa io zaza io no hamonjy ny vahoakany ho afaka amin'ny fahotanyJosoa ihany ka midika hoe: Ny Tompo no famonjena (na hoe ny Tompo no manome ny famonjena).'>.

vendredi 4 mars 2016

Zoma 04 Martsa 2016 - Tit 2 : 11 - 15

11Fa Andriamanitra efa naneho ny fahasoavany, izay loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra. 12Izany fahasoavana izany dia mitaiza antsika handà ny toetra tsy miraharaha an'Andriamanitra sy handà ny filàn'izao tontolo izao*, fa ho velona mahafehy tena sy mandala ny rariny ary tia vavaka mandritra izao fiainana ankehitriny izao. 13Toy izany no tokony hiandrasantsika ny hasambarana antenaintsika sy ny andro hisehoan'ny voninahitr'i Jesoa Kristy*, ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika '>. 14I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.

15Izany lazaina sy ananarana ary andresena lahatra ombàn'ny fahefana rehetra anananao. Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao.

jeudi 3 mars 2016

Alakamisy 03 Martsa 2016 - Mar 14 : 53 - 65

53Nentina tao an-tranon'ny mpisorombe* i Jesoa. Tonga tao avokoa ireo lohandoha-mpisorona sy loholona* ary mpahay lalàna*. 54Fa i Petera kosa nanaraka an'i Jesoa teny lavidavitra teny mandra-pahatonga tao an-tokotanin'ny tranon'ny mpisorombe, dia niara-nipetraka tamin'ireo mpiandry raharaha ka namindro teo anilan'ny afo.

55Nokarohin'ireo lohandoha-mpisorona sy ireo rehetra anisan'ny Fitsarana ambony* teo amin'ny Jiosy izay mety hiampangana an'i Jesoa hanamelohana Azy ho faty, saingy tsy nahita ry zareo. 56Eny, maro ireo niampanga lainga an'i Jesoa, nefa tsy nifanaraka ny fiampangana nataony. 57Dia nisy nitsangana niampanga lainga an'i Jesoa toy izao:

58–Renay ilay io nanao hoe: «Horavako ity tempoly* nataon-tanan'olombelona ity, ary ao anatin'ny telo andro, dia hanorina hafa tsy nataon-tanan'olombelona Aho.»

59Fa tsy nifanaraka akory ny filàzan'ireo mpiampanga na dia tamin'izany aza.
60Dia nitsangana nankeo afovoan'ny mpivory ny mpisorombe ary nanontany an'i Jesoa hoe:
–Tsy mamaly akory ve Ianao? Inona no iampangan'ireo Anao?

61Fa nangina i Jesoa ary tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisorombe nanao hoe:
–Ianao ve no Kristy*, Zanak'ilay Andriamanitra* ankalazaintsika lalandava?

62Ka novalian'i Jesoa hoe:
–Izaho no Izy, ary «ho hitanareo ny Zanak'olona* mipetraka eo ankavanan'ilay Andriamanitra mahery» ary koa «tamy eo amin'ny rahon'ny habakabaka.»

63Tamin'izay ny mpisorombe dia nandriatra ny fitafiany* sady niteny hoe:
–Inona indray no ilàntsika vavolombelona hiampanga? 64Renareo teo ny fanevatevàny an'Andriamanitra, ka ahoana ianareo amin'izany?

Dia samy nanameloka an'i Jesoa izy rehetra ka nilaza fa mendrika Azy ny ho faty.
65Tamin'ny olona teo dia nisy sasany nandrora an'i Jesoa, nanarona ny tavany, namely totohondry

Azy sady nanao taminy hoe:
–Vinanio hoe!

Dia nalain'ny mpiandry raharaha i Jesoa ary nasian'ireo tahamaina.

mercredi 2 mars 2016

Alarobia 02 Martsa 2016 - Sal 33 : 12 - 24

12Sambatra ny firenena
manana ny TOMPO ho Andriamanitra;
sambatra ny vahoaka
nofidiny mba ho Azy manokana.

13Avy eny an-danitra ny TOMPO no mitsinjo
sy mijery ny olombelona rehetra;
14Avy eo an-tsezafiandrianany no andinihany
ny mponina rehetra etỳ ambonin'ny tany.
15Mpamorona ny saina amam-piniavana Izy,
ka mahalala izay rehetra ataon'ny olona.

16Raha handresy amin'ny ady ny mpanjaka,
dia tsy noho ny hamaroan'ny miaramilany;
ary raha afa-doza ny mpiady,
dia tsy noho ny haben'ny heriny.
17Fa ny soavaly tsy azo itokiana
hahazoam-pandresena;
ary na matanjaka be aza izy,
dia tsy mahavonjy ny mpitaingina azy.
18Tsinjovin'ny TOMPO kosa ireo mpanaja Azy,
dia ireo olona miantehitra amin'ny fitiavany,
19mba hanafaka ny ainy amin'ny fahafatesana
sy hamelona azy na dia misy mosary aza.
20Miandry ny TOMPO tokoa isika:
famonjena sy fiarovana ho antsika Izy.
21Eny, Izy Tompo no ifalian'ny fontsika;
masina ny anarany ka itokiantsika.
22TOMPO ô, ho aminay anie ny fitiavanao
araka ny ianteheranay aminao!

mardi 1 mars 2016

Talata 01 Martsa 2016 - Rom 3 - 21 - 26

21Ankehitriny kosa dia efa nahariharin'Andriamanitra ny fomba anekeny antsika ho marina; ary tsy avy amin'ny lalàna* velively izany. Ny lalànan'i Mosesy mbamin'ireo bokin'ny mpaminany* rahateo dia efa mijoro ho vavolombelona manambara 22fa ny finoana niainan'i Jesoa Kristy* no haneken'Andriamanitra ny olombelona ho marina; ary mankamin'ny mpino rehetra izany, satria tsy misy fanavakavahana intsony. 23Eny, nanota ny olon-drehetra ka tsy eo afovoan'izy ireo intsony ilay Andriamanitra be voninahitra. 24Kanefa, noho ny fahasoavan'Andriamanitra, dia nekeny maimaimpoana ho marina izy ireo tamin'ny alalan'ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesoa. 25Fa notendren'Andriamanitra ho sorom-panonerana ho an'ireo manam-pinoana i Kristy Jesoa Izay nahafoy ny rany: izany no maneho ny fomba aneken'Andriamanitra ny olombelona ho marina! Ireo heloka vitan'ny olombelona fahiny dia noleferin'Andriamanitra 26ary tsy nosazîny, satria tiana haseho ankehitriny ny fomba aneken'Andriamanitra ny olombelona ho marina. Hita amin'izany fa marina tokoa Andriamanitra sady mahatonga ho marina izay entanin'ny finoana niainan'i Jesoa!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12