dimanche 31 juillet 2016

Alahady 31 Jolay 2016 - Jao 21 : 15 - 19

15Rehefa avy nisakafo ireo mpianatra, dia hoy i Jesoa tamin'i Simôna Petera:
–Ry Simôna zanakalahin'i Jôhany, moa tia Ahy mihoatra noho ny itiavan'ireto Ahy ve ianao?

Ka novaliany hoe:
–Eny, ry Tompo, fantatrao fa tiako Ianao.

Dia hoy Izy taminy:
–Fahano ireo zanakondriko.

16Ary hoy indray i Jesoa tamin'i Petera fanindroany:
–Ry Simôna zanakalahin'i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao?

Ka novaliany hoe:
–Eny, ry Tompo, fantatrao fa tiako Ianao.

Dia hoy Izy taminy:
–Aoka ianao ho mpiandry* ireo ondriko*.

17Ary hoy indray i Jesoa tamin'i Petera fanintelony:
–Ry Simôna zanakalahin'i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao?

Dia nalahelo i Petera fa nataon'i Jesoa fanintelony hoe: «Moa tia Ahy ve ianao?», ka hoy ny navaliny Azy:
–Ianao, ry Tompo, no mahalala ny zavatra rehetra, ka fantatrao fa tiako Ianao.

Dia hoy Izy taminy:
–Fahano ireo ondriko. 18Lazaiko marina dia marina aminao fa fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena sy nandeha tamin'izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hatsotranao ny tananao, ka olon-kafa no hanikina anao sy hitondra anao amin'izay tsy tianao haleha.
19(Izany voalazan'i Jesoa izany, dia manambara ny karazam-pahafatesana hanomezan'i Petera voninahitra an'Andriamanitra).

Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe:
–Avia hiaraka amiko!

samedi 30 juillet 2016

Sabotsy 30 Jolay 2016 - Jer 1 : 4 - 10

4Nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

5–Mbola tsy noforoniko
tao an-kibon-dreninao akory ianao
dia efa fantatro,
ary mbola tsy teraka akory ianao
dia efa natokako hanompo Ahy
sy notendreko ho mpaminany
ho an'ny firenena maro.

6Ary namaly aho hoe:

–Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô,
mbola tanora loatra aho
ka tsy mahay mandahateny.

7Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe:

–Aza manao hoe «mbola tanora loatra aho»
fa tsy maintsy handeha
amin'izay rehetra hanirahako anao ianao
ka hilaza aminy
izay rehetra nandidiako anao.
8Aza matahotra azy
fa miaraka anao Aho mba hanafaka anao.

Izany no teny hentitry ny TOMPO tamiko.

9Avy eo IZY dia nandroso ny tanany
ka nanendry ny vavako
ary nilaza tamiko hoe:

–Ianao no hanambara ny teniko.
10Jereo fa omeko fahefana ianao anio
amin'ireo firenena sy fanjakana
mba hanongotra sy hanjera,
hanapotika sy handrava,
ary hanorina sy hamboly.

vendredi 29 juillet 2016

Zoma 29 Jolay 2016 - Mat 22 : 8 - 14

8Ary hoy izy tamin'ny mpiasany: «Efa voaomana ny fanasambe, saingy ireo nasaina no tsy mendrika. 9Koa mankanesa any amin'ny fihaonan-dalana, ary izay hitanareo dia asao avokoa ho atỳ amin'ny fanasambe.» 10Dia niely eran'ny arabe ireto mpiasa ka namory izay rehetra hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy; ary dia hipoka ny mpihinana ilay trano nanaovana ny fanasambe.

11Niditra kosa ny mpanjaka hizaha ny mpihinana; ary hitany teo ity lehilahy anankiray tsy nanao ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady 12ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, ahoana ianao no tafiditra eto, kanefa tsy manana ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady?» Fa tsy nahateny ilay olona. 13Dia hoy ny mpanjaka tamin'ireo mpanompony: «Afatory tongotra aman-tanana ilay io, dia ario any amin'ny maizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.»

14Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Eny, maro no voaantso, fa vitsy no voafidy!

jeudi 28 juillet 2016

Alakamisy 28 Jolay 2016 - Asa 19 : 8 - 12

8Dia nankao amin'ny sinagôga* i Paoly, ka niteny tamim-pahasahiana; nandritra ny telo volana izy dia nifanakalo hevitra sady niezaka handresy lahatra ny amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*. 9Maro anefa no nikiribiby tsy nety nino sady naniratsira teo imason'ny besinimaro ny lalana nosoritan'ny Tompo. Dia niala teo amin-dry zareo i Paoly ary nitondra mpianatra niaraka taminy, ka nitoriteny isan'andro tao amin'ny sekolin'i Tirano. 10Naharitra roa taona mahery izany, ka nandre ny tenin'ny Tompo avokoa ny mponina manerana ny faritany Azia, na Jiosy na hafa firenena*.

11Ary asa mahagaga misongadina no nataon'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Paoly. 12Hatramin'ny tapa-damba isan-karazany nakasika an'i Paoly no nentina teo amin'ny marary, ka nahafaka ny aretina ary nampiala ny fanahy ratsy taminy.

mercredi 27 juillet 2016

Alarobia 27 Jolay 2016 - Isa 54 : 11 - 17

11Ry ilay Jerosalema ory ô,
nasafotofoton'ny tafio-drivotra ianao
saingy tsy nisy olona nampahery!
Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO aminao:
«Indro Aho hanangana anao amin'ny vato miloko,
ary hamboatra ny fanorenanao amin'ny vato safira.
12Hataoko vato robisa ny tilikambo madinika
eny an-tampon'ny mandanao,
hataoko vato kristaly ny vavahadinao
ary hataoko vatosoa ny manda
izay manodidina anao manontolo.
13Izaho TOMPO no hahatonga
ny zanakao rehetra ho mpianatro*,
ka hiadam-pinaritra fatratra ireo.
14Hitombina mafy amin'ny fahamarinana ianao:
hampanalaviriko anao ny famoretana,
ka tsy hatahotra na inona na inona intsony ianao;
hampanalaviriko anao ny fampihorohoroana,
ka tsy hananontanona anao intsony.
15Na dia misy miara-mioko aza,
dia tsy avy amiko izany;
sady na iza na iza miara-mioko hamely anao,
dia ho lavo eo anoloanao izy.
16Jereo fa Izaho ihany no nahary ny mpanefy
izay mifofotra ny afon'arina
ka mahavita fitaovam-piadiana
hampiasaina amin'izay ilana azy;
nefa Izaho ihany koa no nahary ny mpandrava
izay hamotika izany fitaovam-piadiana izany.
17Ny fiadiana isan-karazany
tefena hamelezana anao
dia tsy hahomby mihitsy;
ary ny olona rehetra izay miampanga anao
eo anoloan'ny fitsarana
dia horesenao lahatra.
Izany no ho anjaran'ireo mpanompoko,
ary izany no rariny hananany avy amiko.»

mardi 26 juillet 2016

Talata 26 Jolay 2016 - Lio 10 : 1 - 12

1Taorian'izany, dia nifidy 72 lahy hafa indray ny Tompo, ka nirahiny tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny toerana rehetra mbola halehany. 2Ary hoy Izy taminy:

–Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Angataho àry ny Tompom-bokatra haniraka mpiasa hamory ny vokany. 3Mandehana! Indro irahiko ianareo, mova tsy zanak'ondry eo afovoan'amboadia. 4Aza mitondra kitapom-batsy na kapa, ary aza lany andro miarahaba olona eny an-dalana. 5Izay trano androsoanareo dia voalohany indrindra ilazao hoe: «Ho ato amin'ity trano ity anie ny fiadanana!» 6Raha misy olona tia fiadanana ao, dia hirotsaka aminy ny fiadanana rarînareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. 7Mitoera amin'izany trano izany, fa aza mifindrafindra trano; ary hano sy sotroy izay aroson'ny tompon-trano, fa ny mpiasa dia mendrika homena ny karamany. 8Raha misy tanàna idiranareo ka mandray anareo ny olona, dia hano izay aroso anareo; 9sitrano izay marary ao ary ny mponina ilazao hoe: «Efa tonga eto aminareo ny Fanjakàn'Andriamanitra*.» 10Fa raha misy kosa tanàna idiranareo nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja milaza hoe: 11«Na dia ny vovoky ny tanànanareo nanaraka ny tongotray aza, dia ahintsanay hiampanga anareo. Izao anefa no fantaro: efa tonga ny Fanjakàn'Andriamanitra.» 12Lazaiko aminareo fa amin'ny andro fitsarana, dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin'i Sôdôma* noho ny hihatra amin'izany tanàna izany.

lundi 25 juillet 2016

Alatsinainy 25 Jol 2016 - I Kor 3 : 1 - 9

1Koa izaho, ry havako, dia tsy afaka niteny taminareo toy ny amin'ny olona manana ny Fanahin'Andriamanitra; fa toy ny amin'ny olona mbola fehezin'ny maha olombelona no nitenenako taminareo, toy ny amin'ny olona zazavao amin'ny maha kristianina. 2Dia ronono no namahanako anareo fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola nozakanareo. Na ankehitriny izao aza, dia tsy mbola zakanareo 3noho ianareo mbola fehezin'ny maha olombelona. Matoa fialonana sy adiady no mahazo laka eo aminareo, tsy miharihary ve fa fehezin'ny maha olombelona ianareo ka mitondra tena araka ny filamatr'olombelona? 4Raha hoy ny anankiray hoe: «Izaho an'i Paoly», ary hoy kosa ny anankiray hoe: «Izaho an'i Apôlao», moa tsy ny fanaon'olombelona ve no ataonareo?

5Fa inona moa i Apôlao, ary inona moa i Paoly? Mpanompon'Andriamanitra fotsiny izahay, ka nahatonga anareo ho mpino samy araka izay nomen'ny Tompo hataonay avy: 6izaho moa namboly, ary i Apôlao kosa nanondraka, fa Andriamanitra no nampitsimoka. 7Tsy izay mamboly na izay manondraka no tena zavatra, fa Andriamanitra Izay mampitsimoka. 8Mitovy ihany izay mamboly sy izay manondraka; ary samy homen'Andriamanitra ny valisoa tandrify azy arakaraka ny fisasarany avy. 9Fa izahay dia mpiara-miasa amin'Andriamanitra ary ianareo no sahan'Andriamanitra.

dimanche 24 juillet 2016

Alahady 24 Jolay 2016 - Nom 16 : 23 - 34

23Dia namaly an'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
24–Lazao ny fiangonana mba hanalavitra ny fonenan'i Kôra sy i Datàna ary i Abirama.

samedi 23 juillet 2016

Sabotsy 23 Jolay 2016 - Apo 10 : 8 - 11

8Ary niteny tamiko indray ilay feo efa reko avy tany an-danitra, nanao hoe:
–Mandehana, raiso ny horonamboky kely mivelatra eny an-tanan'ilay anjely mijoro eo amin'ny ranomasina sy eo amin'ny tany.

9Dia nankeny amin'ilay anjely aho ka nanao taminy hoe:
–Mba omeo ahy iny horonamboky kely iny!

Ary hoy izy tamiko:
–Raiso izy ka atelemo avokoa; hangidy ao an-kibonao izy, nefa ao am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.

10Dia noraisiko ilay horonamboky kely teny an-tanan'ny anjely ka nateliko avokoa; ary mamy tahaka ny tantely izay tao am-bavako, nefa nony voateliko dia nangidy tao an-kiboko.

11Tamin'izay dia nisy nilaza tamiko hoe:
–Tsy maintsy mitondra ny hafatr'Andriamanitra indray ianao ny amin'ny vahoaka maro sy firenena maro sy olona maro samy hafa fiteny ary mpanjaka maro.

vendredi 22 juillet 2016

Zoma 22 Jolay 2016 - Jao 6 : 10 - 15

10Dia hoy i Jesoa hoe:
–Asaovy mipetraka ny olona!

Noho ny fisian'ny ahitra be teo amin'ilay toerana, dia nipetraka ny olona ka tokony ho dimy arivo no isan'ny vatan-dehilahy. 11Tamin'izay i Jesoa no nandray ireo mofo ka nony avy nisaotra an'Andriamanitra dia nizara azy ho an'izay nipetraka hihinana; ary nozarainy toy izany koa ny trondro arakaraka izay nilain'ny mpihinana.

12Rehefa voky ny olona, dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Angony ny tapa-mofo sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very!

13Dia nangonin'ireo mpianatra, ka nahafeno sobika 12 ny tapa-mofo avy amin'ny mofo ôrza dimy, dia izay sisa tsy lanin'ny nihinana.

14Rehefa nahita ny famantarana nataon'i Jesoa teo ny olona, dia vaky vava hoe:
–Ity tokoa ilay Mpaminany* voalaza fa tsy maintsy ho tonga amin'izao tontolo izao!
15Fantatr'i Jesoa fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hatao mpanjaka; noho izany, dia lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.

jeudi 21 juillet 2016

Alakamisy 21 Jolay 2016 - Neh 6 : 1 - 16

1Ren'i Sanebalato sy i Tôbià ary i Gesema ilay Arabo mbamin'ny namany fahavalonay fa tafatsangako indray ny manda ka tsy misy banga intsony. Kanefa tamin'io fotoana io dia tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady. 2Koa nandefa iraka hankatỳ amiko i Sanebalato sy i Gesema hilaza hoe:
–Tongava mba hihaona ao Kefirîma amin'ny tany lemak'i Onao isika!

Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy. 3Dia nandefa iraka hankany aminy kosa aho hanao hoe:
–Asa lehibe no ataoko ka tsy afa-midina aho; raha ilaozako midina any aminareo manko ny asa, dia hiato.

4Mbola nandefa iraka tamiko inefatra miantoana araka izany ihany izy roa lahy; saingy izany ihany koa no navaliko azy hatrany. 5Dia nirahin'i Sanebalato fanindiminy hankatỳ amiko ny mpanompony, nitondra taratasy nivelatra teny an-tanany 6ka izao no voasoratra tao: «Efa mahoraka any amin'ny firenena maro sady lazain'i Gesema koa fa hoe mikasa hikomy ianao sy ny Jiosy; ka izany no anangananao ny manda. Ary, araka izany siosio miely izany, dia maniry ho mpanjakanay ianao.

mercredi 20 juillet 2016

Alarobia 20 Jolay 2016 - Mat 14 : 15 - 21

15Nony hariva ny andro, dia nanatona an'i Jesoa ny mpianany* ka nanao hoe:
–Taniefitra ity toerana ity ary ny andro efa hariva; koa ravao ny vahoaka mba hamonjy tanàna hividy sakafo.

16Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Tsy tokony handeha izy; ianareo no aoka hanome hanina azy.

17Dia hoy ny mpianatra taminy:
–Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy trondro anankiroa atỳ aminay.

18Ary hoy i Jesoa:
–Ento atỳ amiko izany.

19Dia nasain'i Jesoa nipetraka teny amin'ny ahitra ny vahoaka. Noraisin'i Jesoa tamin'izay ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra ka nisaotra an'Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianatra; ny mpianatra kosa nandroso izany tamin'ny vahoaka. 20Dia samy nihinana avokoa izy rehetra ka voky. Ary nentin'ireo mpianatra ny tapa-mofo aman-trondroambiny ka nahafeno sobika 12. 21Nefa dia tokony ho dimy arivo ny vatan-dehilahy nihinana teo, afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

mardi 19 juillet 2016

Talata 19 Jolay 2016 - Jao 4 : 31 - 38

31Raha tsy mbola tonga ny olona, dia niangavian'ny mpianany hisakafo i Jesoa ka nataony hoe:
–Mpampianatra ô, hano re ny sakafo!

32Fa hoy i Jesoa taminy:
–Izaho dia manana sakafo izay tsy fantatrareo.

33Tamin'izay ny mpianany dia nifampilaza hoe:
–Nisy olona nitondra zavatra hohaniny angaha?

34Izao kosa no navalin'i Jesoa azy ireo:
–Ny sakafoko dia ny manao ny sitrapon'Ilay naniraka Ahy sy ny manatanteraka ny asa nampanaoviny Ahy. 35Tsy ianareo ve no milaza fa efa-bolana sisa dia ho tonga ny taom-pijinjana? Indro kosa Aho milaza aminareo hoe: atopazy ny masonareo ka jereo ny eny an-tsaha, fa masaka ny vary sady efa fijinja! 36Izay mijinja dia mandray karama sahady ary mamory vokatra ho an'ny fiaina-maharitra mandrakizay; hany ka hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. 37Amin'izany manko dia marina ilay ohabolana hoe: «Ny iray mamafy ary ny iray kosa mijinja.» 38Izaho no naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo: olon-kafa no nisasatra, ary ianareo kosa nanohy eo amin'izay nisasarany.

lundi 18 juillet 2016

Alatsinainy 18 Jolay 2016 - Jer 22 : 20 - 25

20Miakara any an-tampon'i Libano
ka manaova koka lava, ry Jerosalema;
ataovy re any Basàna* ny feonao
manaova koka lava
eny amin'ny havoanan'i Habarima
fa potika ny sakaizanao rehetra.
21Efa nampitandrina anao Aho
fony ianao nandry fahalemana
nefa novalianao hoe: «Tsy te hihaino aho.»
Fanaonao hatramin'ny fahazazana izany
ka tsy nety nihaino ny feoko mihitsy ianao.
22Indaosin'ny rivotra
ny mpitondra anao rehetra
ary lasan-ko babo ireo sakaizanao.
Ho menatra sy ho afa-baràka ianao
noho ny ratsy rehetra nataonao.
23Nilamina erỳ ianao
niteronterona teny Libano,
nanana akany tao anatin'ny sedera;
kanjo akory izato sentonao
fa nahazo anao tampoka ny fanaintainana
tahaka ny fahararin'ny vehivavy miteraka!

24Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Velona Aho ka mianiana fa na dia toy ny peratra fanombohan-kase eo an-tanako havanana aza ianao, ry Kônià zanakalahin'i Jôiakima sady mpanjakan'i Joda, dia hoesoriko hiala eo. 25Hatolotro ho eo an-tanan'ireo mitady hahafaty anao ianao, dia ireo olona atahoranao fatratra, izany hoe i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilôna* sy ny andian-tafiny.

dimanche 17 juillet 2016

Alahady 17 Jolay 2016 - I Kor 12 : 27 - 30

27Ianareo rehetra no tenan'i Kristy; ianareo tsirairay kosa dia anisan'io tenany io araka ny anjaranareo avy. 28Ary ao amin'ny Fiangonana dia izao no nandaharan'Andriamanitra ny olona: voalohany, ireo apôstôly*; faharoa, ireo mpilaza hafatra avy amin'Andriamanitra; fahatelo, ireo mpampianatra; manaraka izany, ireo mandray fanomezam-pahasoavana hanao asa mahagaga, hanasitrana marary, hanampy olona, hitondra olona ary hiteny fiteny samy hafa tsy fantatra. 29Izy rehetra tsy akory tsy hoe apôstôly avokoa na mpilaza hafatra avy amin'Andriamanitra, na mpampianatra. Izy rehetra tsy akory tsy hoe nandray fanomezam-pahasoavana hanao asa mahagaga avokoa, 30na hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra na hanazava izany. 31Kanefa ireo fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra no irio fatratra.

samedi 16 juillet 2016

Sabotsy 16 Jolay 2016 - Jao 21 : 20 - 23

20Dia nitodika i Petera ka hitany manaraka azy ireo ilay mpianatra* tian'i Jesoa, ilay mpianatra izay nirona teo amin'ny tratran'i Jesoa tamin'ny fisakafoana ka nanontany Azy hoe: «Tompo ô, iza moa ilay efa hanolotra Anao?»

21Rehefa nahita an'ilay mpianatra i Petera, dia niteny tamin'i Jesoa hoe:
–Ary izy io, ry Tompo, mba inona no ho anjarany?

22Dia hoy i Jesoa tamin'i Petera:
–Raha tiako haharitra mandra-piaviko izy, ahoanao izany? Fa ianao, avia hiaraka amiko!

23Noho izany teny izany, dia niely tamin'ireo havana mpino fa hoe tsy ho faty io mpianatra io; kanefa i Jesoa tsy niteny tamin'i Petera hoe: «Tsy ho faty izy», fa hoe «Raha tiako haharitra mandra-piaviko izy, ahoanao izany?»

vendredi 15 juillet 2016

Zoma 15 Jolay 2016 - Mat 26 : 40 - 46

40Dia niverina nankeo amin'ny mpianany telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin'i Petera:
–Hay tsy nahari-tory miaraka amiko adiny iray akory ianareo? 41Miareta tory ary mivavaha mba tsy ho azon'ny fakampanahy. Marisika ihany ny fanahin'ny olona, fa ny nofo no malemy!

42Dia nihataka fanindroany i Jesoa ary nivavaka hoe:
–Raiko ô, raha tsy azo esorina izao fijaliana izao fa tsy maintsy hiaretako, dia aoka ny sitraponao no hatao!

43Nony niverina nankeo amin'izy telo lahy indray i Jesoa, dia mbola nahita azy natory; fa efa navesatra ny masony. 44Dia nandao azy telo lahy i Jesoa ary nihataka indray; dia nivavaka fanintelony ka ny teniny teo ihany no nataony. 45Ary niverina Izy nankeo amin'ny mpianany telo lahy, ka nanao taminy hoe:
–Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Indro efa akaiky ny fotoanandro, ary efa hatolotra eo am-pelatanan'ny mpanota ny Zanak'olona! 46Mitsangàna, andao isika handeha! Indro efa akaiky ilay hanolotra Ahy!

jeudi 14 juillet 2016

Alakamisy 14 Jolay 2016 - I Tan 23 : 1 - 5

1Nony efa tratrantitra sy voky andro i Davida, dia i Salômôna zanany lahy no nataony mpanjaka tamin'i Israely. 2Novoriny koa ny lehibe rehetra tamin'i Israely mbamin'ny mpisorona* sy ny levita*.
3Natao fanisana tsirairay ireo vatan-dehilahy levita, hatramin'ny telopolo taona no ho miakatra, ka 38 000 no isany. 4Ary hoy i Davida hoe: ny 24 000 amin'ireo ho tonian'ny asa fanorenana ny tranon'ny TOMPO*; ny enina arivo ho mpitantsoratra sy ho mpitsara; 5ny efatra arivo ho mpiandry varavarana; ary ny efatra arivo ho mpidera ny TOMPO amin'ny zava-maneno namboariko hiderana Azy.

mercredi 13 juillet 2016

Alarobia 13 Jolay 2016 - I Sam 14 : 43 - 46

43Ary hoy i Saoly taminy:
–Tantarao amiko izay nataonao.

Dia notantarain'i Jônatàna azy izany ka hoy izy:
–Nihinana tantely kely tamin'ny lohatehina teny amiko aho. Koa intỳ aho fa vonon-ko faty.

44Ary hoy i Saoly hoe:
–Enga anie hosazîn'Andriamanitra mafy tokoa aho, raha toa ka tsy hatao maty ianao, ry Jônatàna!

45Fa hoy ny miaramila tamin'i Saoly:
–Ho faty hoe i Jônatàna? Dia ilay nahatonga izao fandresena lehibe azon'i Israely izao! Sanatria azy izany! Fa velona ny TOMPO ka mianiana izahay fa tsy hisy singambolony na iray aza avelanay hilatsaka amin'ny tany, satria Andriamanitra mihitsy no nanampy azy tamin'izay nataony androany!
Izany no nanafahan'ny miaramila an'i Jônatàna, ka dia tsy maty izy. 46Ary natsahatr'i Saoly ny fanenjehana ny Filistinina, koa afaka nody tany amin'ny taniny izy ireny.

mardi 12 juillet 2016

Talata 12 Jolay 2016 - II Kor 5 : 20 - 6 : 2

20Koa dia iraka solotenan'i Kristy izahay, ka tahaka ny hoe Andriamanitra mihitsy no mananatra anareo amin'ny alalanay. Solotenan'i Kristy izahay no miangavy anareo hoe: meteza hampihavanina amin'Andriamanitra ianareo. 21Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain'Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen'Andriamanitra noho ny firaisana amin'i Kristy.

1Mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay, ka mananatra anareo mba tsy hamela ho very maina ny fahasoavana voarainareo taminy. 2Fa hoy Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina*:

                     «Tamin'ny fotoana mety,
                       dia namaly ny antsonao Aho;
                       ary tamin'ny androm-pamonjena,
                       dia tonga namonjy anao Aho.»

Indro ankehitriny no fotoana mety amin'Andriamanitra; indro ankehitriny no androm-pamonjena.

lundi 11 juillet 2016

Alatsinainy 11 Jolay 2016 - Eks 3 : 7 - 10

 7Ary hoy ny TOMPO hoe:

–Efa hitako tokoa ny fahorian'ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan'ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany. 8Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin'ny fahefàn'ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin'ny tany Ejipta mba ho any amin'ny tany tsara sy midadasika, any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita* sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita. 9Ankehitriny dia efa tonga eto amiko ny fitarainan'ny Israelita, ary efa hitako koa ny fahoriana izay ampijalian'ny Ejiptianina azy. 10Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin'ny Farao* ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.

dimanche 10 juillet 2016

Alahady 10 Jolay 2016 - Jao 14 : 12 - 14

12Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia hanao ny asa ataoko ihany koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria mankany amin'ny Ray Aho. 13Ary na inona na inona angatahinareo noho ny anarako, dia hataoko izany, mba hahazoan'ny Ray voninahitra eo amin'ny Zanaka. 14Raha noho ny anarako no angatahanareo zavatra amiko, dia hataoko izany.

samedi 9 juillet 2016

Sabotsy 09 Jolay 2016 - Joe 2 : 15 - 17

15Tsofy ao Tsiôna* ny anjomara,
manokàna andro fifadian-kanina*,
ary miantsoa fivoriambe.
16Atobio miaraka ny vahoaka,
manokàna fotoana hiangonana.
Vorio ny antitra sy ny tanora
hatramin'ny zaza minono;
aoka handao ny efitranony ny mpivady vao.
17Aoka hitomany ao an-tempoly* ireo mpisorona*
izay mpanao fanompoam-pivavahana amin'ny TOMPO!
Eo anelanelan'ny lalantsara fidirana sy ny alitara*,
no aoka hanaovany izany ka hitenenany hoe:
«TOMPO ô, mba iantrao ny vahoakanao,
aza avela ho afa-baràka ny olonao
na holatsain'ny hafa firenena hoe:
‹Aiza izay Andriamanitrareo?› »

vendredi 8 juillet 2016

Zoma 08 Jolay 2016 - Mar 1 : 16 - 20

16Ary nandalo teo amoron'ny farihin'i Galilea i Jesoa ka nahita an'i Simôna sy i Andrea mirahalahy; nanipy harato tao anaty farihy izy roa lahy fa mpanarato no raharahany. 17Dia hoy i Jesoa taminy:
–Andao hiaraka amiko fa hataoko mpanarato olona ianareo.

18Dia nilaozany avy hatrany ny haratony, ka lasa izy roa lahy niaraka tamin'i Jesoa.

19Ary nony nandroso kelikely i Jesoa, dia nahita an'i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy, zanak'i Zebedeo. Nanamboatra ny haratony tao an-tsambokely izy roa lahy tamin'izay. 20Ary nantsoin'i Jesoa avy hatrany izy mirahalahy; dia nilaozany teo an-tsambokely i Zebedeo rainy mbamin'ireo mpikarama, fa lasa izy roa lahy niaraka tamin'i Jesoa.

jeudi 7 juillet 2016

Alakamisy 07 Jolay 2016 - Asa 13 : 1 - 5

1Nisy mpaminany* sy mpampianatra maro tao amin'ny Fiangonana tany Antiôkia: dia i Barnabà, i Simehôna (izay atao hoe Imainty), i Losio avy any Sirena, i Manahema (izay niolo-nono sy niara-nilalao tamin'i Herôda* mpanjaka) ary i Saoly. 2Indray andro raha nanao fanompoam-pivavahana tamin'ny Tompo sady nifady hanina* ny iray Fiangonana, dia hoy ny Fanahy Masina:
–Atokàny ho Ahy i Barnabà mbamin'i Saoly hanao ny asa izay niantsoako azy.

3Tamin'izay, rehefa nifady hanina sy nivavaka ny iray Fiangonana, dia nametra-tanana tamin'izy roa lahy ary nandefa azy.

4Nirahin'ny Fanahy Masina àry i Barnabà mbamin'i Saoly ka dia nankany Seleosia ary niondrana an-tsambo tao ho any amin'ny nosy Sipra. 5Tonga tao Salamîna izy roa lahy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra eran'ny sinagôga* fivavahan'ny Jiosy, ary nentiny koa i Jôhany Marka ho mpanampy.

mercredi 6 juillet 2016

Alarobia 06 Jolay 2016 - Apo 10 : 8 - 11

 8Ary niteny tamiko indray ilay feo efa reko avy tany an-danitra, nanao hoe:
–Mandehana, raiso ny horonamboky kely mivelatra eny an-tanan'ilay anjely mijoro eo amin'ny ranomasina sy eo amin'ny tany.

9Dia nankeny amin'ilay anjely aho ka nanao taminy hoe:
–Mba omeo ahy iny horonamboky kely iny!

Ary hoy izy tamiko:
–Raiso izy ka atelemo avokoa; hangidy ao an-kibonao izy, nefa ao am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.

10Dia noraisiko ilay horonamboky kely teny an-tanan'ny anjely ka nateliko avokoa; ary mamy tahaka ny tantely izay tao am-bavako, nefa nony voateliko dia nangidy tao an-kiboko.

11Tamin'izay dia nisy nilaza tamiko hoe:
–Tsy maintsy mitondra ny hafatr'Andriamanitra indray ianao ny amin'ny vahoaka maro sy firenena maro sy olona maro samy hafa fiteny ary mpanjaka maro.

mardi 5 juillet 2016

Talata 05 Jolay 2016 - Mat 10 : 1 - 10

1Dia nantsoin'i Jesoa ny mpianany 12 lahy ka nomeny fahefana handroaka fanahy maloto* sy hahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra. 2Ary izao avy no anaran'ny apôstôly* 12 lahy: voalohany i Simôna izay atao hoe Petera, dia i Andrea rahalahiny, i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy zanak'i Zebedeo, 3i Filipo, i Bartôlômeo, i Tôma, i Matio ilay mpamory hetra*, i Jakôba zanak'i Halfeo, i Tadeo, 4i Simôna Kananeanina* ary i Jodasy Iskariôta* ilay nanolotra an'i Jesoa.

5Izy 12 lahy ireo dia nirahin'i Jesoa sady nohafatrafarany hoe:
–Aza mandeha any amin'ny faritra onenan'ny hafa firenena ary aza miditra amin'ny tanànan'ny Samaritanina*; 6fa aleo manatona ny ondry very, dia ny vahoaka Israely*. 7Ary rehefa mandeha ianareo, dia manaova antso avo hoe: «Efa tonga ny Fanjakàn'ny lanitra*!» 8Sitrano ny marary, atsangano ho velona ny maty, diovy ny marary hoditra*, roahy ny demony*; nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. 9Aza mitady vola hatao am-paosy, na volamena izany na volafotsy na varahina; 10aza mitondra kitapom-batsy ho amin'ny dia, na akanjo hisoloana, na kapa, na tehina; fa ny mpiasa dia mendrika homena izay hivelomany.

lundi 4 juillet 2016

Alatsinainy 04 Jolay 2016 - Jao 12 : 4 - 11

 4Fa hoy i Jodasy Iskariôta*, anankiray tamin'ny mpianatr'i Jesoa, ilay efa hanolotra Azy:
5–Nahoana iny ilomanitra iny no tsy namidy denàry* telonjato homena ny mahantra?

6Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nitenenany an'izany fa noho izy mpangalatra: mpitana ny kitapom-bola izy ary naka izay nalatsaka tao anatiny.

7Fa hoy i Jesoa:
–Aoka re izy, ry Jodasy, fa ho fitsinjovana ny andro hamboarana Ahy halevina no anatontosany izany! 8Ny mahantra moa eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba eto aminareo mandrakariva.

9Vahoaka maro tamin'ny Jiosy no nahalala fa tao Betania i Jesoa. Dia tonga tao ireo, tsy noho i Jesoa ihany fa mba hahita koa an'i Lazara, ilay natsangany ho velona avy any amin'ny maty. 10Ny lohandoha-mpisorona kosa dia tapa-kevitra hamono an'i Lazara koa, 11satria noho izy dia maro ny Jiosy niala tamin-dry zareo ka nino an'i Jesoa.

dimanche 3 juillet 2016

Alahady 03 Jolay 2016 - Eks 7 : 3 - 14

3Izaho anefa hanamafy fo ny Farao; ka na dia maro aza ireo famantarana sy zava-mahagaga izay hataoko ao amin'ny taniny, 4dia tsy hihaino anareo izy. Koa hataoko tsapan'ny Ejiptianina ny heriko, ka famaizana lehibe no hamoahako am-pilaminana tsara ny Israelita vahoakako hiala amin'ny tany Ejipta. 5Ho fantatry ny Ejiptianina amin'izay fa Izaho no TOMPO, rehefa haninji-tanana hamely azy Aho ka hamoaka ny Israelita hiala eo anivony.

6Dia notanterahin'i Mosesy sy i Aharôna izany, ka araka izay nandidian'ny TOMPO azy no nataony. 7Feno valopolo taona i Mosesy ary telo amby valopolo taona i Aharòna fony nandeha niteny tamin'ny Farao izy mirahalahy.

8Ary hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy sy i Aharôna:
9–Raha mangataka anareo hanao zava-mahagaga ny Farao*, dia lazaonao i Aharôna, ry Mosesy, mba handray ny tehinao ka hanipy azy eo anatrehan'ny Farao, dia hanjary fanàny iny.

10Dia nankao amin'ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka nanatanteraka izay nandidian'ny TOMPO azy; natsipin'i Aharôna teo anatrehan'ny Farao sy ny mpanompony ny tehiny ka nanjary fanàny. 11Nantsoin'ny Farao ihany koa ireo olon-kendry sy mpanao majia tao Ejipta; ary ireo ombiasy ireo dia nanao toy izany koa tamin'ny fitokavany: 12Samy nanipy ny tehiny tamin'ny tany avy izy ka nanjary fanàny ireny. Saingy ny tehin'i Aharôna dia nitelina ny tehin'ireo. 13Kanefa nihamafy fo ny Farao ka tsy nihaino an'i Mosesy sy i Aharôna araka izay efa nolazain'ny TOMPO rahateo.

14Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Mafy fo ny Farao* ka tsy mety mandefa ny Israelita.

samedi 2 juillet 2016

Sabotsy 02 Jolay 2016 - Mar 5 : 18 - 20

18Raha ilay niondrana an-tsambokely iny i Jesoa, dia niangavy taminy kosa ilay azon'ny demony teo aloha nanao hoe:
–Avelao aho hiaraka aminao!

19Tsy nanaiky i Jesoa fa niteny taminy hoe:
–Andeha mody any an-tranonao, any amin'ireo havanao; ka lazao azy izay rehetra nataon'ny Tompo taminao noho ny famindrampony.

20Dia lasa ralehilahy nanao antso avo, eran'ny faritany atao hoe Dekapôly*, izay rehetra nataon'i Jesoa taminy; ka dia gaga avokoa ny olona.

vendredi 1 juillet 2016

Zoma 01 Jolay 2016 - Nom 4 : 1 - 3

1Niteny tamin'i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO ka nanao hoe:

2-3Eo amin'ny samy Levita*, dia ataovy lisitra isan-tarika sy isam-pianakaviana ny taranak'i Kehàta, feno telopolo taona ka hatramin'ny dimampolo taona, izany hoe ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin'ny Tranolay fihaonana*.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12