vendredi 30 septembre 2016

Zoma 30 Septambra 2016 - I Kor 1 : 23 - 29

23izahay kosa dia i Kristy voahombo teo amin'ny hazofijaliana no torînay: fanafintohinana ho an'ny Jiosy izany ary fahadalana ho an'ny hafa firenena*.

24Kanefa ho an'izay voaantson'Andriamanitra, na Jiosy na hafa firenena, dia i Kristy no herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra; 25satria izay toa fahadalàn'Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren'olombelona, ary izay toa fahalemen'Andriamanitra dia mahery noho ny herin'olombelona.

26Mba mijere tena ange ianareo izay voaantson'Andriamanitra, ry havako: araka ny maha olombelona, dia tsy misy firy ianareo no olon-kendry, tsy misy firy no mahery, tsy misy firy no avo razana. 27Kanefa izay noheverin'izao tontolo izao ho adala no voafidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay noheverin'izao tontolo izao ho osa no voafidin'Andriamanitra hampahamenatra ny matanjaka; 28ary izay noheverin'izao tontolo izao ho ambany sy fanaratsy, dia izay ataony tsy ho zavatra, no voafidin'Andriamanitra hahatsinontsinona izay ataon'izao tontolo izao ho zavatra, 29mba tsy hisy mihitsy olombelona mahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra.

jeudi 29 septembre 2016

Alakamisy 29 Septambra 2016 - Isa 40 : 9 - 11

9Ry vahoakan'i Tsiôna*
nanankinana vaovao mahafaly ô,
miakara eny an-tendrombohitra avo;
ry vahoakan'i Jerosalema
nanankinana vaovao mahafaly ô,
ingao mafy ny feonao ka aza matahotra.
Lazao amin'ireo ao tanànan'i Joda hoe:
«Indro Andriamanitrareo.
10Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY tonga amin-kery
sady manana ny fahefana hanjaka.
Ny vahoaka, hoentiny miaraka aminy, no ho karamany
sady eo anoloany ho valin-kasasarany.
11Tahaka ny mpiandry* ondry
miandry ny andian'ondriny Izy
ka manangona ireny amin'ny baikon-tanany;
trotroiny eo an-tratrany ny zanak'ondry
ary roahiny miadana ny ampianahany.»

mercredi 28 septembre 2016

Alarobia 28 Septambra 2016 - Sal 145 : 1 - 7

              1 Fiderana nataon'i Davida.
ALEFA
                Andriamanitro ô, Ianao no mpanjakako
                ka dia hanandratra Anao aho
                sy hankalaza ny anaranao mandrakizay.
BETA
             2Hankalaza Anao isan'andro aho
               sy hidera ny anaranao mandrakizay.
GIMELA
             3Lehibe ny TOMPO ary mendri-piderana fatratra;
               tsy takatry ny saina ny halehibiazany.
DALETA
             4Ny taranaka rehetra samy hilaza
               amin'izay mandimby azy
               ny fiderana ny zava-bitanao
               sy hanambara ny asanao mahery.
HE
             5Ny fiandriananao malaza sy be voninahitra*
               mbamin'ny asanao mahagaga no hosaintsainiko;
VAO
             6hotenenin'ny olona anie ny herinao mahatahotra,
               fa hotanisaiko kosa ny halehibiazanao!
ZAINA
             7Aoka izy hiventy fahatsiarovana
               ireo asa soa lehibe nataonao
               ary hihoby ny fahamarinanao!

mardi 27 septembre 2016

Talata 27 Septambra 2016 - Jao 9 : 8 - 17

8Tamin'izay ireo mpiara-monina aminy sy ireo olona nahita fa mpangataka izy taloha, dia nanao hoe:
–Tsy ity ve ilay nipetraka nangataka?

Ka hoy ny sasany:
–Izy io!

9Fa hoy ny sasany:
–Tsia, fa olona mitovy aminy!

Ralehilahy kosa nilaza hoe:
–Izaho mihitsy ity!

10Dia hoy ny olona taminy:
–Fomba ahoana àry no nahiratan'ny masonao?
1
1Fa novaliany hoe:
–Ilay Lehilahy atao hoe Jesoa no nanao feta sy nanosotra ny masoko, dia nanao tamiko hoe: «Ndeha ianao mankany amin'ny dobo Silôà, dia misasà maso.» Koa lasa nankany aho, dia nisasa maso ary nahiratra.

12Dia hoy ny olona taminy:
–Aiza moa izany Lehilahy izay?

Fa novaliany hoe:
–Tsy fantatro!

13Dia nentin'ny olona tany amin'ny Farisianina* ilay jamba taloha. 14Andro sabata* no nanaovan'i Jesoa ny feta sy nampahiratany maso azy; 15koa ireo Farisianina indray no nanontany ilay jamba taloha ny amin'ny fomba nahiratany, ary izao no navaliny:
–Nasiany feta ny masoko, dia nisasa maso aho ka nahiratra!

16Tamin'izay ny sasany tamin'ireo Farisianina dia nanao hoe:
–Tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny fepetra momba ny sabata!

Ny sasany kosa nanao hoe:
–Fomba ahoana moa no ahafahan'olona mpanota manao famantarana* toy ireny?

Dia nisara-tsaina ry zareo. 17Ary hoy indray ireto Farisianina tamin'ilay jamba:
–Ianao kosa, ahoana no mba ilazanao Azy, raha nampahiratra ny masonao Izy?

Ka novaliany hoe:
–Mpaminany* Izy.

lundi 26 septembre 2016

Alatsinainy 26 Septambra 2016 - Mpi 16 : 28 - 31

 28Koa niantso ny TOMPO i Samsôna nanao hoe:
–Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mba tsarovy aho! Ka omeo hery aho, Andriamanitra ô, na dia amin'izao indray mandeha izao ihany aza mba hamaliako faty indray maka monja ireo Filistinina noho ny amin'ny voamasoko roa.

29Dia notsapatsapain'i Samsôna ireo andry roa afovoany izay nanohana ny tempoly; ka ny anankiray niankinan'ny tanany havanana, ary ny anankiray niankinan'ny tanany havia. 30Dia nihiaka i Samsôna hoe:
–Aoka aho ho faty miaraka amin'ny Filistinina!

Dia naronjiny mafy ny andry ka nianjeran'ny tempoly ireo mpanjaka sy izay rehetra tao. Koa betsaka lavitra ny olona matiny tamin'ny fahafatesany noho izay matiny tamin'ny androm-piainany.
31Ary nidina ireo rahalahin'i Samsôna sy ny fianakavian-drainy mba haka ny fatiny. Dia nentiny niakatra izy ka naleviny tao am-pasan'i Manôà rainy, teo anelanelan'i Tsôrehà sy i Estaôla.

I Samsôna no nitondra ny Israelita nandritra ny roapolo taona.

dimanche 25 septembre 2016

Alahady 25 Septambra 2016 - Efe 3 : 1 - 13

1Noho izany izaho Paoly, izay migadra noho ny amin'i Kristy* Jesoa hanasoavana anareo hafa firenena, dia mangataka amin'Andriamanitra ho anareo. 2Matoky aho fa efa renareo ny andraikitra tontosaiko aminareo, noho ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy. 3Fanambarana avy tamin'Andriamanitra no nahalalako ny tsiambaratelony. (Efa nisy voasoratro fohifohy ihany momba izany tetsy aloha, 4ka raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahalalàko ilay tsiambaratelo momba an'i Kristy.) 5Tsy mbola nampahafantarina ny olombelona izany tsiambaratelo izany tamin'ny andro lasa; fa ireo apôstôly* sy mpaminany* voatokana ho an'Andriamanitra kosa no nanambarana azy ankehitriny noho ny asan'ny Fanahy Masina. 6Izao àry izany tsiambaratelo izany: amin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly*, ny hafa firenena dia natao hitambatra amin'ny Jiosy ka hiara-mandova ny zava-tsoa natokan'Andriamanitra ho an'ny vahoakany*, sy ho tena iray ihany ary hiombona anjara amin'ny fampanantenàn'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesoa.

7Tonga mpanompon'ny Vaovao Mahafaly aho noho ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy maimaimpoana, araka ny fiàsan'ny heriny. 8Kely noho izay bitika indrindra amin'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra aho, kanefa nomen'Andriamanitra izany tombon-tsoa izany: dia ny hitory amin'ny hafa firenena ny Vaovao Mahafaly momba ny haren'i Kristy tsy hita lany, 9ary ny hampahazava amin'ny olona rehetra ny fomba hanatanterahan'Andriamanitra ny tsiambaratelony. Hatrizay hatrizay dia voaafina tao amin'Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra, izany tsiambaratelo izany; 10fa ankehitriny kosa naseho tamin'ny alalan'ny Fiangonana izany, ka tonga fantatr'ireo fanapahana sy ny fahefana eny ana habakabaka ny fahendren'Andriamanitra, dia fahendrena mahefa zavatra tsy tambo isaina. 11Izany rahateo no fandaharana hatrizay hatrizay ka notanterahin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Kristy Jesoa Tompontsika. 12Ary isika efa tafaray amin'i Kristy dia manana ny fahasahiana manatona an'Andriamanitra amim-pahatokiana, noho ny finoana niainan'i Kristy. 13Koa izany no angatahako anareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriana manjo ahy hanasoavana anareo, fa misy vokany be voninahitra ho anareo izany.

samedi 24 septembre 2016

Sabotsy 24 Septambra 2016 - Lio 19 : 5 - 10

5Nony tonga teo i Jesoa, dia nitraka ary niteny tamin'i Zakeo hoe:
–Ry Zakeo, midîna faingana fa any aminao Aho anio no tsy maintsy miantrano.

6Nidina faingana i Zakeo ary nandray an'i Jesoa tamin-kafaliana. 7Nimonomonona ny olona rehetra nanatrika teo ka nanao hoe:
–Any amin'ny mpanota indray re no amantanany!

8Niato kosa i Zakeo ka niteny tamin'ny Tompo hoe:
–Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako afoiko ho an'ny mahantra; ary izay zavatr'olona azoko am-pitaka, dia honerako inefatra heny!

9Ary hoy i Jesoa taminy:
–Anio ny famonjena dia tafiditra amin'ity trano ity; noho izany ity lehilahy ity koa dia zanak'i Abrahama! 10Fa ny hitady sy hamonjy izay very no nahatongavan'ny Zanak'olona*!

vendredi 23 septembre 2016

Zoma 23 Septambra 2016 - Sal 77 : 10 - 15

10Hadinon'Andriamanitra ve ny miantra anay?
Nohidiany tanteraka ve ny fony, satria tezitra Izy?»
Fiatoana

11Dia hoy aho anakampoko hoe:
«Ny mampahararirary ahy dia izao:
Tsy manao asa mahery ho anay intsony
ilay Andriamanitra Avo Indrindra.»

12TOMPO ô, tsaroako izay efa nataonao
ary tadidiko ny zava-mahagaga vitanao fahiny.
13Mandinika ireo asanao rehetra aho
ary mieritreritra ireo zava-dehibe nataonao.
14Andriamanitra ô, fahamasinana no tanjon'ny lalanao
ka tsy misy Andriamanitra lehibe toa Anao.
15Ianao irery no manao zava-mahagaga;
ary nasehonao tamin'ny firenen-kafa ny fahefànao.

jeudi 22 septembre 2016

Alakamisy 22 Septambra 2016 - Sal 96 : 1 - 6

1Mihirà hira vao ho an'ny TOMPO.
Mihirà ho AZY, ry mponin'ny tany tontolo.
2Mihirà ho an'ny TOMPO, misaora ny anarany;
torio isan'andro isan'andro ny namonjeny antsika.
3Ambarao amin'ireo firenena ny voninahiny*,
lazao amin'ny vahoaka rehetra ny zava-mahagaga nataony.

4Fa lehibe ny TOMPO ka mendrika hoderaina fatratra
sady mahatahotra mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.
5Tsinontsinona avokoa ireo andriamanitry ny firenen-kafa,
fa ny TOMPO kosa no nanao ny lanitra.
6Fahalehibeazana sy famirapiratana no manodidina Azy
ary hery sy fiandrianana no mameno ny Toeramasiny*.

7Ianareo fianakaviamben'ny firenen-drehetra,
tolory haja ny TOMPO fa be voninahitra sy hery.
8Tolory haja ny TOMPO satria be voninahitra Izy.
Mitondrà fanatitra ka midira eo an-kianjan'ny tempoly;
9dia miankohofa eo anatrehan'ny TOMPO,
rehefa miseho ny fahamasinany.
Mangovita eo anoloany,
ry mponin'ny tany tontolo.

mercredi 21 septembre 2016

Alarobia 21 Septambra 2016 - Jao 5 : 10 - 16

10Koa izao no tenin'ireo manampahefana jiosy tamin-dralehilahy vao sitrana:
–Sabata ny andro, ka tsy azonao atao ny mitondra ny fandrianao.

11Fa novaliany hoe:
–Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: «Ento ny fandrianao ka mandehana!»

12Dia hoy ry zareo nanontany azy:
–Iza moa ilay olona nanao taminao hoe: «Ento ny fandrianao ka mandehana»?
13Tsy nahalala Azy anefa ilay vao sitrana, satria niala teo i Jesoa noho ny vahoaka vory tamin'io toerana io.

14Taorian'izany, dia hitan'i Jesoa teo an-kianjan'ny tempoly* ralehilahy ka nilazany hoe:
–Indro efa sitrana ianao; ka aza manota intsony, fandrao zavatra ratsy kokoa noho ny teo no hanjo anao!

15Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin'ireo manampahefana jiosy fa i Jesoa no nahasitrana azy. 16Noho i Jesoa nanao izany tamin'ny andro sabata, dia nanenjika Azy ny manampahefana jiosy.

mardi 20 septembre 2016

Talata 20 Septambra 2016 - Sal 64 : 1 - 10

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira.* Salamo nataon'i Davida.

2Andriamanitra ô, mitaraina aminao aho ka henoy.
Ny aiko mba arovy amin'ny fahavalo atahorako.
3Afeno aho tsy ho azon'ny olon-dratsy mioko
na ho voan'ny mpanao heloka miray tetika.

4Ranitiny ho toa sabatra ny lelany,
teny mandratra no zana-tsipîka alefany;
5miafina izy mikendry ny olo-mahitsy,
dia mitifitra tampoka, tsy miahotrahotra.
6Mifampirisika izy hanao ratsy
mifampidinika hamela-pandrika
ka manao hoe: «Zovy no hahita antsika?»
7Dia ampiadîny eo ny teti-dratsiny:
«Tomombana tsara ny paikantsika, hoy izy.
Tsy hay fantarina ny ao am-pon'olombelona!»

8Indreo kosa izy tifirin'Andriamanitra
ka voan'ny zana-tsipîka tampotampoka.
9Ny tenin'ireo ihany no mifotitra aminy;
izay rehetra mahita azy, dia mihifi-doha.
10Mitolagaga avokoa ny besinimaro
ka manambara ny asan'Andriamanitra
sady maka anatra avy amin'izany.

lundi 19 septembre 2016

Alatsinainy 19 Septambra 2016 - 3 Jao 5 - 14

5Asan'olona mahatoky, rahavako, no ataonao na inona na inona tontosainao amin'ny havana iray finoana, na dia vahiny mandalo aza izy. 6Ireo no nanambara teo anatrehan'ny Fiangonana izany fitiavanao izany. Dia ho soa no hataonao, raha manatitra sy mamatsy azy ireo amin'ny diany ianao, araka izay fomba mendrika an'Andriamanitra; 7fa ho voninahitr'i Kristy* no niaingan'ireo sady tsy anekeny handray na inona na inona avy amin'ny tsy kristianina. 8Koa isika no tokony hanohana ny olona toy ireny mba ho mpiara-miasa aminy hampiely ny hafatra marim-pototra.

9Efa nanoratra tamin'ny Fiangonana ihany aho; saingy i Diôtrèfa, izay te hanjakazaka olona, no tsy nankatò anay. 10Noho izany, rehefa tonga aho, dia hotsarovako ny asa ataony, amin'izy mibedibedy foana manaratsy anay; sady tsy afa-pon'izany, fa ny tenany tsy mety mandray ireo havana iray finoana, ary izay te handray ireo koa sakanany sy roahiny hiala amin'ny Fiangonana.

11Aza maka tahaka ny ratsy, rahavako, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; izay manao ny ratsy kosa tsy mba nahita an'Andriamanitra.

12Ny amin'i Demètry dia ny olona rehetra sy ny hafatra marim-pototra iainany no vavolombelon'ny mahatsara laza azy. Izahay koa dia vavolombelon'izany, ary fantatrao fa azo antoka ny fijoroanay ho vavolombelona.

13Manan-javatra maro hosoratana aminao aho, nefa tsy tiako hatao amin'ny ranomainty sy ny penina izany. 14Fa manantena hahita anao faingana aho, ka dia hiresaka hifanatrika isika.

dimanche 18 septembre 2016

Alahady 18 Septambra 2016 - Kol 1 : 24 - 29

24Ankehitriny aho dia mifaly amin'ny fijaliana iaretako noho ny aminareo, satria miferinaina ara-batana aho ka mameno izay tsy ampy tamin'ny fahorian'i Kristy* ho an'ny tenany, izany hoe ho an'ny Fiangonana. 25Tonga mpanompon'ny Fiangonana aho, araka ny andraikitra nomen'Andriamanitra hotontosaiko aminareo: dia ny manatanteraka ny fitoriana ilay tenin'Andriamanitra, 26izany hoe ilay tsiambaratelo nafenin'Andriamanitra tamin'ny taranak'olombelona hatramin'ny fahagola, fa ankehitriny kosa efa nasehony tamin'ny vahoakany*. 27Ny vahoakany tokoa no nirin'Andriamanitra hampahafantarina ny maha sarobidy sy maha be voninahitra izany tsiambaratelo anasoavana ny firenena rehetra izany, dia intỳ: ao anatinareo i Kristy, antoky ny voninahitra homena anareo. 28Koa dia mitory an'i Kristy amin'ny olona rehetra izahay. Samy anarinay sy ampianarinay amim-pahendrena tokoa ny olona, mba hahatonga azy rehetra ho tanteraka noho izy tafaray amin'i Kristy. 29Hahatontosako izany andraikitra izany, dia mikely aina sy miezaka mafy aho, araka ny hery tsy hay tohaina omen'i Kristy sady miasa fatratra ato anatiko.

samedi 17 septembre 2016

Sabotsy 17 Septambra 2016 - II Tim 1 : 6 - 9

6Izany no ampahatsiarovako ny hamelombelomanao indray ilay fanomezam-pahasoavana narotsak'Andriamanitra tao anatinao, fony aho nametra-tanana taminao. 7Tsy mba fanahy mahatonga ho kanosa no efa nomen'Andriamanitra antsika, fa ilay Fanahiny mahatonga antsika ho feno hery sy be fitiavana ary mahay mifehy tena.

8Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika; aza menatra ny amiko ihany koa, dia izaho voafonja noho ny aminy. Fa aoka hiaretanao fijaliana miaraka amiko ny Vaovao Mahafaly*, araka ny hery omen'Andriamanitra anao. 9Andriamanitra no namonjy antsika sy niantso antsika ho vahoakany*, tsy noho ny asa vitantsika fa noho ny fandaharan'ny tenany ihany ary noho ny fahasoavany. Efa nomeny antsika tao amin'i Kristy* Jesoa izany fahasoavana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao;

vendredi 16 septembre 2016

Zoma 16 Septambra 2016 - Isa 12 : 1 - 6

1Amin'izany andro izany,
ry olona voaavotra,
dia hiteny ianao ka hanao hoe:
«Midera Anao aho, TOMPO ô;
fa na tezitra tamiko aza Ianao,
dia afaka ny fahatezeranao
ka nampionona ahy Ianao.

2Indro Andriamanitra namonjy ahy,
matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony.
Ny TOMPO no heriko sy fidèrako,
fa Izy no mpamonjy ahy.»
3Amim-pifaliana no hantsakanareo
eo amin'ny loharanom-pamonjena.

4Amin'izany andro izany
dia hiteny ianareo ka hanao hoe:
«Miderà ny TOMPO, antsoy ny anarany,
ambarao amin'ny vahoaka rehetra ny asany,
ampahatsiarovy azy
fa tsy hay takarina ny anarany.
5Ankalazao an-kira ny TOMPO
fa asa lehibe no nataony;
ary aoka hampahafantarina eran-tany izany!»
6Mifalia sy miravoravoa,
ry mponina ao Tsiôna*,
fa lehibe Ilay eo anivonareo,
dia Ilay Masin'i Israely.

jeudi 15 septembre 2016

Alakamisy 15 Septambra 2016 - Sal 36 : 5 - 9

5Ao am-pandriany no isainany
ny heloka heveriny hatao;
mikiribiby amin'ny fanao tsy mety izy
ary tsy laviny akory ny ratsy.

6TOMPO ô, mahatakatra ny lanitra ny fitiavanao;
mipaka eny amin'ny rahona ny toetranao mahatoky.
7Avo toy ireo tendrombohitra ny fahamarinanao;
lalina toy ny ranomasina izany fitsarànao.
TOMPO ô, samy vonjenao
na olombelona na biby.
8Sarobidy loatra ny fitiavanao, Andriamanitra ô,
ka mitady fialofana eo ambany elatrao ny olona;
9Fenoinao harena avy ao an-tranonao izy,
ka diboka ny zava-tsoa mandriaka toy ny ony.

mercredi 14 septembre 2016

Alarobia 14 Septambra 2016 - Jao 4 : 39 - 46

39Maro ny Samaritanina* tamin'izany tanàna izany no nino an'i Jesoa noho ny tenin-dravehivavy nanambara hoe: «Nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra.» 40Koa rehefa tonga teo amin'i Jesoa ny Samaritanina, dia niangavy Azy hitoetra tao aminy; ary dia nitoetra tao indroa andro i Jesoa.

41Vao mainka maro aza no nino Azy noho ny teny nataony; 42ka hoy ireo tamin-dravehivavy:
–Tsy noho ny filàzanao ihany no inoanay fa ny tenanay no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy an'izao tontolo izao*.

43Nony afaka ny indro andro, dia niala teo amin'ny Samaritanina* i Jesoa mba hankany Galilea; 44ny tenan'i Jesoa manko no efa nanambara fa «tsy misy mpaminany* hajaina eo amin'ny tany nahabe Azy». 45Koa rehefa tonga tany Galilea Izy, dia noraisin'ny Galileanina; satria niakatra tany Jerosalema koa ry zareo tamin'ny fankalazana ny Paska*, hany ka nahita izay rehetra nataon'i Jesoa tany nandritra ny fankalazana.

46Tamin'izay i Jesoa dia nankany Kanà tanànan'i Galilea indray, tany amin'ilay nanovany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray nanan-janaka lahy narary tany Kafarnahòma.

mardi 13 septembre 2016

Talata 13 Septambra 2016 - Jer 51 : 6 - 10

6Mandosira hiala an'i Babilôna
ka samia manavo-tena ianareo,
fandrao hiara-devona aminy
noho ny sazim-pahotàny;
fa fotoana famalian'ny TOMPO azy izao
ka valiany araka ny sahaza azy izy.
7I Babilôna dia tsatokaty volamena
teo an-tanan'ny Tompo.
Nahamamo ny tany manontolo izy;
ny divainy efa nisotroan'ny firenena
no nahavery saina ireny.

8Kanjo tampoka no nianjeran'i Babilôna
sy nahamontsamontsana azy.
–Manaova hira fisaonana ho azy,
makà balsama hatao amin'ny feriny.
Angamba ho sitrana ihany izy?

9–Efa nitsabo an'i Babilôna izahay
saingy tsy nety sitrana izy.
Aoka hilaozantsika izy,
ka samia mody any an-tanintsika avy!
Satria goavana ny fanamelohana mihatra aminy
fa mahatakatra ny lanitra sy ny rahona.
10Naneho fanafahana antsika ny TOMPO.
Andao hotantaraintsika any Tsiôna*
izay nataon'ny TOMPO Andriamanitsika.

lundi 12 septembre 2016

Alatsinainy 12 Septambra 2016 - I Pet 5 : 6 - 12

6Koa manetre tena eo ambany tana-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoanandro voatendriny. 7Apetraho aminy avokoa ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.

8Mahonòna tena, ary miambena; fa ny devoly* fahavalonareo mandehandeha manodidina anareo tahaka ny liona mierona mitady izay harapany. 9Finoana mafy orina entina manohitra azy, satria fantatrareo fa fijaliana toraka izany koa no iaretan'ny havanareo mpino eran'izao tontolo izao*. 10Rehefa avy niaritra fijaliana vetivety kosa ianareo, dia ilay Andriamanitra loharanon'ny fahasoavana rehetra, Izay niantso anareo ho amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'ny Kristy Jesoa, no handavorary sy hankahery anareo ary hanamafy sy hampiorina anareo. 11Ho Azy Andriamanitra anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen*.

12Amin'ny alalan'i Silasy, rahalahy mahatoky, no nanoratako fohifohy taminareo; mananatra anareo aho sy manambara aminareo fa izany no tena fahasoavan'Andriamanitra, ka tomoera tsara amin'izany.

dimanche 11 septembre 2016

Alahady 11 Septambra 2016 - Asa 19 : 17 - 22

17Ren'ny mponina tao Efeso izany, na Jiosy na hafa firenena*, ka raiki-tahotra izy rehetra ary nankalaza ny anaran'i Jesoa Tompo. 18Tamin'ireo tonga mpino, dia maro no niaiky sy nanambara ampahibemaso izay nataony. 19Betsaka ny mpanao majîka no nitondra ny bokiny ka nandoro izany teo imason'ny olona rehetra. Rehefa natambatra ny tombam-bidin'ireo boky ireo, dia tafakatra 50.000 denàry*. 20Niely tsy azo tohaina toy izany ny tenin'ny Tompo ary nanaporofo ny heriny.

21Taorian'ny nitrangan'izany zavatra izany, dia tapa-kevitra i Paoly fa hamakivaky an'i Masedônia sy i Akaîa ary hankany Jerosalema, sady hoy izy:
–Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy ho hitako ihany koa i Rôma.

22Nirahin'i Paoly ho any Masedônia ny roa lahy tamin'ireo mpanampy azy, dia i Timôty sy i Erasta, fa ny tenany kosa dia mbola nisy fotoana nijanonany tany Azia.

samedi 10 septembre 2016

Sabotsy 10 Septambra 2016 - Lio 5 : 12 - 15

12Indray andro, raha tao amin'ny tanàna anankiray i Jesoa, dia indro nisy lehilahy voan'ny aretin-koditra ny tenany manontolo. Nahatazana an'i Jesoa ralehilahy ka niankohoka teo anatrehany sy nitalaho taminy hoe:
–Tompo ô, raha sitrakao, dia hainao diovina aho!

13Nanatsotra tanana i Jesoa dia nikasika azy sady niteny hoe:
–Eny, sitrako izany, madiova ianao!

Avy hatrany dia nialàn'ny aretin-koditra nahazo azy ralehilahy, 14kanefa noraran'i Jesoa tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza sady nataony hoe:
–Mandehana miseho amin'ny mpisorona ary ento ny fanatitra voalazan'i Mosesy, mba ho vavolombelona amin'ny olona fa madio ianao.

15Kanjo vao mainka niely ny lazany ka vahoaka marobe no nirohotra hihaino Azy sy hositraniny amin'ny aretiny.

vendredi 9 septembre 2016

Zoma 09 Septambra 2016 - I Tan 16 : 8 - 14

8Miderà ny TOMPO ianareo: ataovy antso avo ny lazany,
ampahafantaro ny firenen-kafa ny asany lehibe!
9Mihirà ho Azy ary mankalazà Azy amin-java-maneno;
tantarao ny asa mahagaga rehetra nataony.
10Ireharehao ny anarany masina;
aoka hifaly ny fon'ireo mitady ny TOMPO.
11Katsaho ny TOMPO mahery;
tadiavo lalandava ny fanatrehany.
12-13Ry taranak'i Israely mpanompony
sady terak'i Jakôba voafidiny,
tsarovy ny asa mahagaga nataony,
dia ny zava-mahatalanjona vitany
sy ny didim-pitsarana navoakany.
14Izy no TOMPO Andriamanitsika;
manerana ny tany tontolo ny fanapahany.

jeudi 8 septembre 2016

Alakamisy 08 Septambra 2016 - Sal 73 : 25 - 28

25Any an-danitra, iza moa no ahy afa-tsy Ianao?
Etỳ an-tany, inona indray no irîko
fa efa manana Anao aho?
26Mety hihareraka ny nofoko sy ny foko,
fa Ianao kosa, Andriamanitra ô,
no aroko sy anjarako mandrakizay.
27Indro very izay mihataka aminao
ary aringanao izay rehetra mandao Anao.
28Fa izaho kosa, ny mahasambatra ahy
dia ny ho eo akaikinao, Andriamanitra ô;
Ianao Tompo ANDRIANANAHARY no nataoko fialofana
hahazoako manambara ny asa rehetra vitanao.

mercredi 7 septembre 2016

Alarobia 07 Septambra 2016 - Lio 8 : 43 - 48

43Ary nisy vehivavy marary mitsi-dra hatramin'ny 12 taona, efa nandany ny fananany tamin'ny dokotera nefa tsy nisy nahasitrana azy na iray aza. 44Nanatona an'i Jesoa avy ao ivoho ravehivavy ka vao nikasika ny somotraviavin-dambany*, dia nijanona avy hatrany ny ra mitsika tao aminy.

45Ary hoy i Jesoa:
–Iza moa no nikasika Ahy teo?

Samy nandà avokoa izy rehetra, fa i Petera no niteny hoe:
–Mampianatra ô, vahoaka be anie no mifanety sy mifanizina aminao!

46Fa hoy indray i Jesoa:
–Nisy nikasika Ahy teo satria tsapako fa nisy hery niala avy amiko.

47Ravehivavy kosa, nony nahita fa tsy afa-niafina, dia nangovitra no nankeo amin'i Jesoa; ary niankohoka teo anatrehany sady nanambara teo imason'ny olona rehetra izay anton'ny nikasihany Azy sy izay nahasitranany teo no ho eo ihany.

48Ary hoy i Jesoa taminy:
–Ny finoanao, anaka, no nahasitrana anao. Ndeha àry ka veloma finaritra!

mardi 6 septembre 2016

Talata 06 Septambra 2016 - I Kor 15 : 10 - 15

10Saingy ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy, ary tsy very maina tao amiko ny fahasoavana nomena ahy; fa niasa mihoatra noho ny apôstôly rehetra aho, kanefa tsy izaho, fa ilay fahasoavan'Andriamanitra niaraka tamiko. 11koa izany àry no torînay, na izaho na ry zareo; ary izany no efa ninoanareo.

12Raha i Kristy* no torînay fa nitsangana velona avy tany amin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany aminareo fa tsy hitsangana velona ny maty? 13Fa raha tsy hitsangana velona ny maty, na dia i Kristy aza dia tsy ho nitsangana velona mihitsy; 14ary raha tsy nitsangana velona i Kristy, dia tsy misy fotony izay torînay, ary tsy misy fotony izay inoanareo? 15Ary dia hita fa vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria lainga no nanambaranay fa Andriamanitra dia nanangana an'i Kristy ho velona: na dia Andriamanitra aza tsy ho nanangana an'i Kristy ho velona, raha marina fa tsy mitsangana velona ny maty.

lundi 5 septembre 2016

Alatsinainy 05 Septambra 2016 - Sal 81 : 1 - 5

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Hampiarahina amin'ny jejilava. Salamo nataon'i Asafa.

2Manaova hobim-pifaliana
ho an'Andriamanitra herintsika,
ankalazao ny Andriamanitr'i Jakôba.
3Ingao ny hira, velezo ny amponga,
tendreo ny lokanga tsara feo mbamin'ny valiha.
4Amin'ny tsinam-bolana sy volam-penomanana,
tsofy ny trômpetra ho an'ny andro fetintsika,
5satria lalàna ho an'ny Israelita izany,
didin'ny Andriamanitr'i Jakôba,

dimanche 4 septembre 2016

Alahady 04 Septambra 2016 - Asa 12 : 11 - 17

11Izay vao nahatsiaro tena i Petera ka nanao hoe:
–Fantatro marina izao fa naniraka ny anjeliny tokoa ny Tompo, ka nanafaka ahy teo an-tanan'i Herôda sy tamin'ny ratsy rehetra notetehin'ny vahoaka jiosy.

12Nony nazava tsara tamin'i Petera ny toe-javatra, dia lasa izy nankany an-tranon'i Maria, renin'i Jôhany antsoina hoe Marka. Vory maromaro tao ny olona ary nivavaka. 13Nandondom-baravarana i Petera ka nisy ankizivavy atao hoe Rôda nanatona hihaino. 14Vao nahafantatra ny feon'i Petera izy, dia nentin-kafaliana, ka tsy namoha ny varavarana fa lasa nihazakazaka nilaza tamin'ny olona tao an-trano hoe ao am-baravarana ao i Petera. 15Dia hoy ny olona tamin-drazazavavy:
–Lasa adala ity ianao!

Nanizingizina i Rôda fa marina izay voalazany. Ka hoy indray ny olona hoe:
–Ambiroany izany!

16Fa naharitra nandondòna ihany i Petera. Nony namoha azy ny tao an-trano ka nahita azy vao talanjona. 17Nanofahofa tanana hampangina azy ireo kosa i Petera, ka nitantara ny namoahan'ny Tompo azy tao am-ponja. Ary hoy koa izy hoe:
–Ambarao amin'i Jakôba sy amin'ny havana iray finoana izany!

Dia lasa i Petera nankany an-toeran-kafa.

samedi 3 septembre 2016

Sabotsy 03 Septambra 2016 - Eze 24 : 24 - 27

24Koa i Ezekiela dia ho famantaram-panairana ho anareo. Tahaka izay rehetra nataony no hataonareo koa; ary rehefa tonga ireo zavatra voalaza ireo, dia hoekenareo fa Izaho no Tompo ANDRIANANAHARY.›

25«Ianao kosa, ry ilay taranak'olombelona, mihainoa: Indray andro any, dia hoesoriko tsy ho eo aminy ny toera-masina izay fiarovany sy fahafinaretan'ny voninahiny ary fifalian'ny masony sy hamamiam-piainany; hoesoriko aminy koa ny zanany lahy sy vavy. 26Amin'izany andro izany dia hisy olona iray handositra ka ho avy hampandre anao ny vaovao. 27Androtr'iny ihany dia hisoka-bava hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony, ka hiresaka amin'io olona io. Ho famantaram-panairana ianao ho an'ny vahoakako, ka amin'izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»

vendredi 2 septembre 2016

Zoma 02 Septambra 2016 - Asa 1 : 21 - 22

21Ao ireo lehilahy mpiara-dia taminay nandritra ny andro rehetra nifaneraseran'i Jesoa Tompo taminay, 22hatramin'ny andro nanaovan'i Jôhany batisa an'i Jesoa ka hatramin'ny andro nanalana Azy taminay sy nampiakarana Azy any an-danitra. Koa amin'ireo no tokony hisy anankiray ho namanay mba ho vavolombelona hanambara fa nitsangana velona i Jesoa Tompo.

jeudi 1 septembre 2016

Alakamisy 01 Septambra 2016 - Jao 1 : 6 - 15

6Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra: i Jôhany no anarany. 7Tonga hijoro ho vavolombelona i Jôhany, dia vavolombelona hanambara ilay fahazavana; ka ny hafatra nampitain'i Jôhany no hampino ny olona rehetra. 8Tsy hoe i Jôhany no fahazavana, fa izy no ho vavolombelona hanambara ny fahazavana.

9Ilay Teny no tena fahazavana tonga amin'izao tontolo izao* sady manazava ny olombelona rehetra. 10Teo amin'izao tontolo izao ilay Teny; ary Izy no nahariana an'izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao dia tsy nahalala Azy. 11Tonga teo amin'ny taniny Izy, fa tsy noraisin'ny mpiray firenena aminy. 12Kanefa izay rehetra nandray Azy ary nino Azy, dia nomeny fahefana ho tonga zanak'Andriamanitra*: 13izy ireo dia nateraka tsy araka ny fomban'olombelona miankina amin'ny sitrapon-dehilahy, fa araka ny fomban'Andriamanitra.

14Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin'ny Ray ho an'ny Zanaka lahitokana. 15Vavolombelona manambara Azy i Jôhany ka niantso mafy hoe:
–Izy no Ilay voalazako hoe: «Ilay tamy aoriako dia lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12