lundi 31 octobre 2016

Alatsinainy 31 Oktobra 2016 - Apo 2 : 8 - 11

8«Izao no lazain'ilay Voalohany sady Farany, Izay efa maty nefa velona indray: 9Fantatro ny fahorianao sy ny fahantrànao, kanefa manankarena ianao. Fantatro ianao fa endrikendrehin'ireo milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsiizy fa olona mivavaka amin'i Satàna*. 10Aza matahotra na inona na inona amin'izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly* efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.

11«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.
«Izay maharesy dia tsy hiharan-doza avy amin'ny fahafatesana faharoa.»

dimanche 30 octobre 2016

Alahady 30 Oktobra 2016 - I Sam 2 : 35 - 36

35Avy eo Aho dia hifidy mpisorona iray mahatoky ho Ahy, mpisorona izay hiasa araka ny sitrapoko; ary homeko taranaka izy mba ho mpisorona mifandimby tsy an-kijanona, eo anatrehan'ny mpanjaka voahosotro. 36Ary izay sisa amin'ny fianakavianao dia handohalika eo anatrehan'ny mpisorona mba hahazo vola kely sy tapa-mofo, ka hanao aminy hoe: ‹Mba miangavy re, tompoko, omeo izay asa azoko anampiana ny mpisorona aho, mba sitrany ahay mofokely hohaniko›.»

samedi 29 octobre 2016

Sabotsy 29 Oktobra 2016 - Lio 16 : 9 - 13

9Ka hoy Aho aminareo mpianatro: ampiasao ny haren'izao tontolo izao hananan-kavana handray anareo any amin'ny fonenana mandrakizay, rehefa tonga ilay andro hamoizana ireny harena ireny. 10Izay mahatoky amin'ny zava-madinika, dia mahatoky koa amin'ny zava-dehibe; ary izay tsy marina amin'ny zava-madinika, dia tsy marina koa amin'ny zava-dehibe. 11Raha tsy azo itokiana amin'ny haren'izao tontolo izao ianareo, iza no hametraka aminareo ny tena harena; 12ary raha tsy azo itokiana amin'izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo ny fananana tena anareo?
13Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa: satria na ny anankiray ho hàlany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an'Andriamanitra no manompo ny harena.

vendredi 28 octobre 2016

Zoma 20 Oktobra 2016 - Lio 17 : 7 - 10

7–Aoka hatao hoe misy aminareo manana mpanompo, mpiasa tany na mpiandry biby fiompy. Raha mody avy any an-tsaha ve ilay mpanompo, dia hilazana hoe: «Avia faingana hisakafo»? 8Tsia, fa izao no hatao aminy: «Anamboary sakafo aho; ary misikîna hampihinana ahy mandritra ny isakafoanako. Aorian'izany vao hisakafo ianao.» 9Ary ankasitrahina ve ilay mpanompo, rehefa vitany izay nasaina hataony? Tsia! 10Torak'izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nasain'Andriamanitra hatao, dia milazà hoe: «Mpanompo tsy mendrika sitraka izahay, fa izay nataonay dia adidinay rahateo!»

jeudi 27 octobre 2016

Alakamisy 27 Oktobra 2016 - II Tan 34 : 1 - 7

1Feno valo taona i Jôsià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 31 taona no nanjakany tao Jerosalema. 2Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Jôsià; ka narahiny ny toetran'i Davida razambeny, fa tsy mba nivily hiala tamin'izany izy.
3Tamin'ny taona fahavalo nanjakàny, fony i Jôsià mbola zatovolahy, no nanombohany nitady an'ilay Andriamanitr'i Davida razambeny; ary efatra taona taorian'izany kosa no nanombohany nanadio ny fanjakàn'i Joda sy ny tanànan'i Jerosalema mba tsy hisy toeram-panasinana* na tsatokazo fanajana an'i Aserà*, ary tsy hisy sarin-tsampy voasokitra na mivongana intsony. 4Noravana teo anatrehan'i Jôsià ny alitara*n'ireo andriamanitra Bahala*; nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra* teo amboniny; novakivakiny ny tsatokazo fanajana an'i Aserà mbamin'ireo sarin-tsampy voasokitra na mivongana; ary notorotoroiny ho lasan-ko vovoka izany rehetra izany ka nafafiny teny amin'ny fasan'ireo efa nanolotra sorona* tamin'ireny andriamani-tsiizy ireny. 5Nisy aza taolan'ny mpisorona* amin'ny sampy mihitsy no naroso hodorana teo amin'ny alitara fisoronany. Dia toy izany no nanadiovan*'i Jôsià ny fanjakàn'i Joda sy ny tanànan'i Jerosalema.

6Tany amin'ny tanàna manasita sy efraimita ary simehônita ka hatrany amin'ny tanàna naftalita mbamin'ny faritra manodidina azy avy 7dia noravan'i Jôsià koa ny alitara; nokapakapainy ny tsatokazo fanajana an'i Aserà ary ny sarin-tsampy voasokitra mba hotorotoroina ho lasan-ko vovoka. Nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra eran'ny tanin'i Israely manontolo; izay vao niverina ho any Jerosalema izy.

mercredi 26 octobre 2016

Alarobia 26 Oktobra 2016 - Sal 141 : 1 - 4

1 Salamo nataon'i Davida.
TOMPO ô, miantso Anao aho: faingàna ho eto amiko.
Mba henoy ny feoko amin'ny fiantsoako Anao.
2Ny fivavahako anie hisandratra eo anoloanao
toy ny eton'ny vovo-javamanitra*!
Ny fanandratako tanana anie
ho toy ny fanatitra hariva!

3TOMPO ô, asio mpiambina ny vavako;
arovy ny varavaran'ny molotro.
4Aza avela hirona amin'ny zava-dratsy ny foko.
Aoka aho tsy hiaraka amin'ny mpanao heloka
na hivarilavo amin'ny fanao tsy mety
na hihinana ny hanim-pin'ireo koa!

mardi 25 octobre 2016

Talata 25 Oktobra 2016 - Tit 2 : 6 - 10

6Anaro toy izany koa ny lehilahy tanora mba hahafehy tena. 7Amin'ny zavatra rehetra dia aoka ny tenanao ho ohatra amin'ny asa tsara; aoka ny fampianaranao ho madio sy maotina: 8teny tsy misy tomika sady tsy azo kianina ampiasaina, mba ho menatra ny mpanohitra anao, noho izy tsy hanan-kitenenan-dratsy antsika.

9Anaro koa ny mpanompo mba hanaiky ny tompony, ka hanao izay sitraky ny tompony amin'ny zavatra rehetra: tsy hamalivaly azy, 10tsy hangalatra ny zavany, fa haneho toetra mahatoky tokoa, mba hahazo voninahitra amin'ny zavatra rehetra ny fampianarana momba ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika.

lundi 24 octobre 2016

Alatsinainy 24 Oktobra 2016 - Lio 12 : 41 - 48

41Tamin'izay dia niteny i Petera nanao hoe:
–Izahay ihany ve no ilazanao izany fanoharana* izany sa ny olona rehetra koa?

42Ka hoy ny Tompo hoe:
–Iza moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren'ny tompony ho mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ireo ny anjara sakafony ara-potoana? 43Sambatra io mpanompo io raha tonga ny tompony ka mahatratra azy manao raharaha toy izany. 44Lazaiko marina aminareo fa hotendren'ny tompony hiadidy ny fananany rehetra izy. 45Raha tàhiny kosa io mpanompo io manao anakampo hoe: «Mbola ho ela vao tafaverina ny tompoko», ka mihetraketraka amin'ny mpanompo hafa na lahy na vavy sady manaram-po mihinana sy misotro ary mimamo, 46dia ho tonga ilay tompony amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany; hosazîny mafy tokoa io mpanompo io ary hataony miombona anjara amin'ny tsy mpino.

47Fa ny mpanompo mahalala tsara ny sitrapon'ny tompony, nefa tsy mivonon-kanao ary tsy manatontosa, dia hahazo kapoka be. 48Izay tsy mahalala kosa, nefa manao zavatra tokony hikapohana azy, dia hahazo kapoka kely. Izay nomena be no hitakiana be; ary izy nanankinana be no hadinina bebe kokoa.

dimanche 23 octobre 2016

Alahady 23 Oktobra 2016 - Lio 7 : 1 - 10

1Rehefa avy nampandre ny vahoaka izany teniny rehetra izany i Jesoa, dia niverina tany Kafarnahòma. 2Nisy kosa kapitenin-tafika nanana mpiasa narary efa ho faty, mpiasa sarobidy aminy tokoa. 3Vao nahaheno ny amin'i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholona* jiosy hankany aminy hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay mpiasa. 4Rehefa tonga teo amin'i Jesoa ireto iraka, dia niangavy Azy mafy hoe:
–Mendrika hanaovana izany io kapiteny io fa tia ny firenentsika, 5ary izy mihitsy aza no nanorina ny sinagôgantsika.

6Dia niara-nandeha tamin'ireo loholona i Jesoa. Ary rehefa mby akaikin'ny trano Izy, dia nanirahan'ilay kapiteny olona mahatoky indray hilaza aminy hoe:
–Aza misahirana toy izao re, Tompoko, fa tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; 7ary izany no anton'ny tsy nisehoako vatana taminao; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana anie ny mpiasako. 8Izaho manko, na ambany fahefàn'olona aza, mba mifehy miaramila ihany: ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.

9Gaga tamin'ilay kapiteny i Jesoa raha nandre izany, ary dia nitodika tamin'ny vahoaka nanaraka Azy ka nanao hoe:
–Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana toy izany Aho, na dia tamin'i Israely* aza!
10Nony tafaverina tany an-tranon'ilay kapiteny ireto iraka, dia nahita ilay mpiasa salama soa aman-tsara.

samedi 22 octobre 2016

Sabotsy 22 Oktobra 2016 - II Kor 1 : 8 - 20

8Tianay, ry havako, ny hahalalanareo ny fahoriana nanjo anay tany amin'ny faritany Azia; nitambesatra loatra taminay izany ary tafahoatra ny zakanay, ka tsy nanantena intsony izay hoe mbola ho velona izahay. 9Tsapanay tao amin'ny tenanay fa voaheloka ho faty izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa hitokianay amin'Andriamanitra Izay manangana ho velona ny efa maty. 10Izy no nanafaka anay tamin'ny fahafatesana nananontanona anay, ary dia mbola hanafaka any hatrany; eny, Izy no antenainay fa hanafaka hatrany, 11satria ianareo koa hanampy anay amin'ny fivavahana ataonareo ho anay. Dia ho maro ny olona hisaotra an'Andriamanitra ny aminay satria maro no nangataka mba hahazoanay izany fitahiana izany.

12Izao manko no ireharehanay: ny fieritreretanay dia vavolombelona manambara fa ny fomba nitondranay tena teto amin'izao tontolo izao, indrindra teo aminareo, dia tamin'ny fahatsorana sy hitsimpo nomen'Andriamanitra; satria ny fahasoavan'Andriamanitra no nitarika anay fa tsy ny fahendren'olombelona. 13-14Ka izay soratanay amin'ny taratasinay dia izay vakînareo sy azonareo tsara. Ary manantena aho fa araka ny efa fantapantatrareo ihany ankehitriny, dia ho fantatrareo tanteraka izao zavatra izao: amin'ny andro hiavian'i Jesoa Tompo, dia ho reharehanareo izahay toy ny maha reharehanay anareo.

15Natoky izany tokoa aho, ka dia nikasa ho atỳ aminareo tam-boalohany mba hahazoanareo soa indroa miantoana. 16Nokasaiko ny hihazo atỳ aminareo amin'ny diako hankany Masedônia, ary dia mbola hamangy anareo indray aho rehefa avy any; ka ho nanampy ahy koa ianareo hanohizako dia hankany Jodea. 17Moa nanao kitoatoa ve aho raha nikasa izany? Araka ny maha olombelona fotsiny ve no nikasako izany ka hahazoako hiroa teny, sady hanao «eny» no hanao «tsia»? 18Raha mahatoky koa Andriamanitra, dia tsy mandray roa ny teninay taminareo ka sady ho «eny» no ho «tsia». 19Satria i Jesoa Kristy*, ilay Zanak'Andriamanitra*, Izay notorînay sy i Silasy ary i Timôty teo aminareo, dia tsy hoe sady «eny» no «tsia»; fa i Jesoa Kristy dia «eny» hatrany hatrany: 20koa Izy no ilay «eny» mahatò ny fampanantenana rehetra nataon'Andriamanitra. Izany koa no anton'ny anononantsika ny «Amen*» amin'ny alalan'i Jesoa Kristy ho voninahitr'Andriamanitra.

vendredi 21 octobre 2016

Zoma 21 Oktobra 2016 - I Kor 4 : 14 - 20

14Tsy ny hanome henatra anareo no anoratako izany, fa ny hananatra anareo, araka ny maha zanaka malalako anareo. 15Na dia miisa iray alina aza ny mpanabe anareo amin'izao maha kristianina anareo izao, dia tsy maro ray tsy akory ianareo: izaho no rainareo ka nahatonga anareo ho tafaray amin'i Kristy Jesoa tamin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly*. 16Koa miangavy anareo aho: manahafa ahy. 17Noho izany, dia alefako atỳ aminareo i Timôty, zanaka malalako sady mahatoky amin'ny fanompoana ny Tompo. Izy no hampahatsiaro anareo ireo lalana nodiaviko nahatafaray ahy amin'i Kristy Jesoa, araka izay ampianariko amin'ny Fiangonana rehetra hatraiza hatraiza.

18Nisy manko taminareo nirehareha hoatra ny tsy ho tonga hitsidika anareo iny aho. 19Kanefa ho avy faingana hitsidika anareo aho, raha sitrapon'ny Tompo; ary tsy izay tenin'ireo mpirehareha no hofantariko fa izay zavatra vitany. 20Ny Fanjakàn'Andriamanitra* dia tsy teny foana fa hery mahavita zavatra. 21Ka asa izay tianareo: ho avy hitsidika anareo aho, ka tsorakazo ve no hoentiko sa fo feno fitiavana sy fahalemem-panahy?

jeudi 20 octobre 2016

Alakamisy 20 Oktobra 2016 - Lio 17 : 7 - 10

7–Aoka hatao hoe misy aminareo manana mpanompo, mpiasa tany na mpiandry biby fiompy. Raha mody avy any an-tsaha ve ilay mpanompo, dia hilazana hoe: «Avia faingana hisakafo»? 8Tsia, fa izao no hatao aminy: «Anamboary sakafo aho; ary misikîna hampihinana ahy mandritra ny isakafoanako. Aorian'izany vao hisakafo ianao.» 9Ary ankasitrahina ve ilay mpanompo, rehefa vitany izay nasaina hataony? Tsia! 10Torak'izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nasain'Andriamanitra hatao, dia milazà hoe: «Mpanompo tsy mendrika sitraka izahay, fa izay nataonay dia adidinay rahateo!»

mercredi 19 octobre 2016

Alarobia 19 Oktobra 2016 - II Tim 2 : 1 - 7

1Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny alalan'ny fahasoavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 2Ireo zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia ankino amin'ny olona mahatoky, izay afaka mampianatra ny sasany koa.

3Aoka hiaritra fijaliana miaraka amiko ianao, toy ny miaramila tsaran'i Kristy Jesoa. 4Ny miaramila miantafika dia tsy maningo-tena amin'ny raharaha fanaom-bahoaka, raha te hankasitrahin'izay mandatsaka azy hiantafika. 5Ny mpanao fanatanjahan-tena dia tsy mahazo satroboninahi-pandresena raha tsy manezaka araka ny fitsipika. 6Ny mpamboly izay misasatra no tokony ho voalohany mandray izay anjarany amin'ny vokatra. 7Saino izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina momba ny zavatra rehetra ianao.

mardi 18 octobre 2016

Talata 18 Oktobra 2016 - Eks 39 : 32 - 43

32Vita ny asa rehetra momba ny fonena-masina na Tranolay fihaonana*. Araka izay rehetra nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy no nanatanterahan'ny Israelita izany.
33Nentin'ny Israelita tany amin'i Mosesy avokoa ny zavatra momba ny fonena-masina, dia:
–ny tranolay sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy toy ny farango, ny hazo fisaka, ny barany, ny andry ary ny faladiany;
34–ny sarona vita amin'ny hoditr'ondry miloko mena, ny sarona vita amin'ny hoditra mafy sy ny efitra lamba fanasarahana;
35–ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana*, miaraka amin'ny baony sy ny sarony;
36–ny latabatra voatokana sy ny baony ary ny fitaovana rehetra miaraka aminy mbamin'ny mofo fanolotra ho an'Andriamanitra;
37–ny fitoeran-jiro miaraka amin'ireo jirony sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny solika fandrehitra;
38–ny alitara* volamena, ny ilomasina fanokanana, ny vovo-javamanitra hodorana;
–ny varavarana lamba eo amin'ny fidirana amin'ny tranolay;
39–ny alitara halimo sy ny makarakarany halimo, ny baony sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy;
–ny kovetabe fidiovana sy ny faladiany;
40–ny temitry ny kianja miaraka amin'ny andriny sy ny faladiany, ny varavarana lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja, miaraka amin'ny tadiny sy ny tsîmatra;
–ny fitaovana rehetra fampiasa amin'ny raharaha ao amin'ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana;
41–ny lamba fandrakofana ny fanaka ao amin'ny Toeramasina ary ny fanamiana voatokana hiakanjoan'i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany.

42Notanterahin'ny Israelita ny asa rehetra araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy. 43Koa rehefa hitan'i Mosesy fa vita araka izay nandidian'ny TOMPO avokoa ny zavatra rehetra, dia nitsodrano* ny Israelita izy.

lundi 17 octobre 2016

Alatsinainy 17 Oktobra 2016 - I Tim 1 : 12 - 17

12Velom-pisaorana an'i Kristy* Jesoa Tompontsika aho, fa nomeny hery hahatontosako ny fanompoako. Velom-pisaorana Azy aho fa nataony mahatoky ka notendreny hanompo Azy, 13na dia nanevateva Azy aza taloha sady nanenjika sy nampahory Azy mafy. Kanefa namindran'Andriamanitra fo aho satria tsy mbola nanam-pinoana ka tsy nahalala izay nataoko. 14Naidin'ny Tompontsika be dia be tamiko ny fahasoavany, mbamin'ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 15Azo antoka izao teny izao ka mendrika hankatoavin'ny olona rehetra: Tonga tetỳ an-tany i Kristy Jesoa mba hamonjy ny mpanota; ary izaho no faraidiny amin'ireny. 16Kanefa izao no anton'ny namindran'Andriamanitra fo tamiko: tiany hasehon'i Kristy Jesoa ao amiko mpanota faraidiny ny fahari-pony rehetra mba ho ohatra ho an'izay hino Azy ka handray ny fiaina-maharitra mandrakizay. 17Ho an'ilay Mpanjaka mandrakizay, dia Andriamanitra tokana, tsy mety maty sady tsy hita maso, ho Azy anie ny haja sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen*.

vendredi 14 octobre 2016

Zoma 14 Oktobra 2016 - I Kor 4 : 1 - 5

1Aoka izahay hoheverina ho mpanompon'i Kristy sy ho mpitantana ireo tsiambaratelo momba an'Andriamanitra. 2Ny hany takîna amin'ny mpitantana dia ny ho hita fa olona mahatoky. 3Raha izaho dia tsy mampaninona ahy velively na hotsarainareo, na handia fitsaran'olombelona; fa na ny mitsara ny tenako aza tsy ataoko. 4Tsy manome tsiny ahy velively ny eritreritro, nefa tsy mahamarina ahy izany fa ny Tompo no mpitsara ahy. 5Noho izany, aza mitsara olona alohan'ny fotoana, dia mandra-piavin'ny Tompo: Izy no hampiharihary ireo zavatra afenina anatin'ny maizina sy hampiseho ireo hevitry ny fon'ny olombelona. Ka amin'izay dia samy homen'Andriamanitra ny dera tandrify azy avy ny tsirairay.

jeudi 13 octobre 2016

Alakamisy 13 Oktobra 2016 - Mat 25 : 14 - 30

14Ny Fanjakàn'ny lanitra* dia tahaka ny amin'ny lehilahy handeha any an-tany hafa, ka niantso ny mpanompony ary nametraka ny fananany taminy. 15Koa ny anankiray dia nomeny denàry* 30 000, ny anankiray denàry 12 000 ary ny anankiray denàry 6 000, samy araka izay fahaizany avy. Dia lasa ralehilahy tompom-pananana nandeha any an-tany hafa. 16Avy hatrany ilay nandray denàry 30 000 dia nampiasa izany ka nahazo tombony denàry 30 000. 17Toy izany koa no nataon'ilay nandray ny denàry 12 000 ka nahazo tombony denàry 12 000. 18Fa ilay nandray denàry 6 000 kosa dia lasa nihady tany ka nandevina ny volan'ny tompony.

19Nony ela, dia niverina ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampamoaka azy telo lahy ny amin'ny petra-bolany. 20Dia nanatona ilay nandray denàry 30 000 ka nanolotra denàry 30 000 hafa koa sady nilaza hoe: «Denàry 30 000, tompoko, no napetrakao tamiko; indro fa nahazo denàry 30 000 hafa tombony aho.» 21Dia hoy ny tompony taminy: «Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky! Nahatoky tamin'ny zava-madinika ianao ka dia tendreko hiandraikitra zava-dehibe; avia hiombon-kafaliana amiko tomponao!» 22Dia nanatona koa ilay nandray denàry 12 000 ary nilaza hoe: «Denàry 12 000, tompoko, no napetrakao tamiko; indro fa nahazo denàry 12 000 hafa tombony aho.» 23Dia hoy ny tompony taminy: «Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky! Nahatoky tamin'ny zava-madinika ianao, ka dia tendreko hiandraikitra zava-dehibe; avia hiombon-kafaliana amiko tomponao!» 24Dia nanatona kosa ilay nandray denàry 6 000 ary nilaza hoe: «Fantatro, tompoko, fa lehilahy mila voatsiary ianao, ka mijinja amin'izay tsy namafazanao ary manangona amin'izay tsy nanelezanao. 25Dia natahotra aho ka lasa nandevina ny volanao tao anaty tany; koa indro fa averiko aminao ny fanananao.» 26Dia hoy ny tompony taminy: «Mpanompo ratsy sady kamo raha ianao! Fantatrao fa mijinja amin'izay tsy namafazako aho ary manangona amin'izay tsy nanelezako. 27Noho izany, tokony ho napetrakao tany amin'ny banky ny volako ary ho noraisiko mbamin'ny zana-bola ny fananako rehefa tafaverina aho. 28Koa alao ny denàry 6 000 eny aminy, dia omeo an'ilay manana denàry 60 000. 29Eny, izay rehetra manana no homena hatrany ary hanam-be; fa izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia halàna aminy. 30Ary io mpanompo tsy misy ilana azy io, roahy any amin'ny haizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.»

mercredi 12 octobre 2016

Alarobia 12 Oktobra 2016 - Efe 6 : 14 - 22

14Koa mamahara tsara hatrany ianareo: ny marina no ataovy toy ny etra fehikibonareo; ny rariny no tafio ho toy ny fiarovan-tratra; 15ny fahavononan-kitory ny Vaovao Mahafaly* mampihavana no ataovy toy ny kiraro eny an-tongotrareo; 16tano lalandava ny finoana ho toy ny ampinga hahazoanareo mamono ny zanatsipîka mirehitra rehetra alefan'ilay Ratsy*; 17raiso ny famonjena ho toy ny fiarovan-doha, ary raiso ny tenin'Andriamanitra ho toy ny sabatra omen'ny Fanahy Masina. 18Mivavaha hatrany ary mangataha ny fanampian'Andriamanitra amin'izany; eny, mivavaha mandrakariva araka izay anentanan'ny Fanahy Masina anareo. Miambena sy mazotoa hatrany mba hahatongavana amin'io tanjona io, ary dia mivavaha ho an'ny vahoakan'Andriamanitra* rehetra. 19Mivavaha ho ahy koa mba homen'Andriamanitra ny teny hotononiko rehefa hiloa-bava aho, ka dia ho sahy hampahafantatra ny tsiambaratelo raketin'ny Vaovao Mahafaly. 20Iraka mitondra izany Vaovao Mahafaly izany aho, na dia migadra aza ankehitriny; koa mivavaha ho ahy mba hilazako izany amim-pahasahiana, araka ny tokony hoteneniko.

21I Tisiko, hava-malalantsika sady mpanompo mahatoky eo amin'ny asan'ny Tompo, dia hampahafantatra anareo ny vaovao rehetra, mba hahalalanareo ny mahazo ahy sy izay ataoko. 22Izany indrindra no andefasako azy ho atỳ aminareo, mba hahafantaranareo ny momba anay sy hampahery fo anareo.

mardi 11 octobre 2016

Talata 11 Oktobra 2016 - Oha 31 : 10 - 31

ALEFA
                10Iza no mahita vehivavy mahavatra?
                Fa ny hasarobidiny dia mihoatra noho ny perla.
BETA
                11Matoky azy tanteraka ny vadiny,
                satria tsy mandanilany fananana izy.
GIMELA
                12Tsy manao ratsy aminy ravehivavy
                fa manao izay hahasambatra azy kosa
                mandritra ny andro rehetra iainany.
DALETA
                13Mitady volon'ondry sy kiran-drongony izy
                ary miasa araka ny fahakingan'ny tanany.
HE
                14Tahaka ny sambon'ny mpandranto izy
                ka mitondra ny haniny avy lavitra.
VAO
                15Mifoha mbola maizina izy,
                ka mikarakara ny sakafon'ny ankohonany
                sy mitsinjara ny asan'ny mpanompovaviny.
ZAINA
                16Mandinika tsara izy vao mividy saha
                ary mamboly voaloboka amin'ny tombontsoa azony.
PETA
                17Misikina herimpo izy
                fa tsy mba miraviravy tanana.
TETA
                18Tsapany ny fandrosoan'ny raharahany
                ka tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
JODA
                19Miasa mamoly volon'ondry ny tanany
                ary manenona lamba ny rantsan-tanany.
KAFA
                20Manatsotra ny tanany amin'ny ory izy
                ary malala-tanana amin'ny mahantra.
LAMEDA
                21Tsy ahiany amin'izay oram-panala ny ankohonany,
                fa voatafy mafana avokoa ny ao an-tranony.
MEMA
                22Manao firakotra ho an'ny tenany izy;
                ny fitafiany dia rongony fotsy sy volomparasy.
NONA
                23Hajaina ny vadiny rehefa mivory eo am-bavahady
                ka miara-midinika amin'ireo loholon'ny tanàna.
SAMEKA
                24Manao akanjo izy ka mivarotra izany;
                mandafo fehikibo amin'ny mpandranto koa izy.
HAINA
                25Hery sy haja no iravahany;
                ary tsy mahataitra azy ny hoavy.
PE
                26Miteny amim-pahendrena izy
                ary manoro hevitra amim-pitiavana.
TSADE
                27Manara-maso izay fizotry ny ankohonany izy
                ka tsy malaina manomana ny sakafo hohaniny.
KÔFA
                28Ny zanany miara-miantso azy hoe sambatra,
                ary ny vadiny midera azy manao hoe:
RESA
                29«Maro ny vehivavy miseho ho mahavatra,
                fa manoatra noho izy rehetra ianao.»
SINA
                30Mamitaka ny bika ary mandalo ny hatsaran-tarehy;
                fa ny vehivavy manaja ny TOMPO ihany no hoderaina.
TAO
                31Hanomezam-pankasitrahana azy anie ny tombontsoa azony
                ary hideran'ny besinimaro azy anie ny zava-bitany!

lundi 10 octobre 2016

Alatsinainy 10 Oktobra 2016 - Rom 2 : 1 - 11

1Noho izany, dia tsy afa-tsiny ianao, ry olona izay manameloka ny hafa, na iza na iza ianao. Eo am-panamelohana ny hafa no anamelohanao ny tenanao, satria izay ataon'ireo melohinao, ataon'ny tenanao koa. 2Fantatsika fa araka ny hitsiny tokoa ny didim-pitsarana navoakan'Andriamanitra ho an'ireo izay manao ny asa toy ireny. 3Sa ianao, ry olona izay manameloka ny manao toy ireny, mihevitra ho afa-mandositra ny didim-pitsarana navoakan'Andriamanitra nefa anie ianao koa mba manao? 4Sa be hamoram-po sy fandeferana ary faharetana Andriamanitra ka tsiratsirainao? Tsy fantatrao angaha fa ny hamoràm-pony dia tokony hitarika anao hiala amin'ny toe-dratsy? 5Maditra ianao ary tsy mety mamerina ny fonao aminy, ka dia fahatezeran'Andriamanitra* no avosanao ho an'ny tenanao. Fa ho avy ny andro hampisehoan'Andriamanitra ny fahatezerany sy hitsarany an-karihary ny olombelona ara-drariny, 6ka hamaliany ny tsirairay araka ny asany avy: 7homeny fiaina-maharitra mandrakizay ireo mitozo manao ny tsara ka mikatsaka ny voninahitra sy ny laza ary ny tsy fahafatesana; 8hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra sy havinirany* kosa ireo mpikomy tsy nanaiky hanao izay hitsiny fa nanaiky hanao ny tsy rariny. 9Eny, fahoriana sy tebiteby no hahazo ny olona rehetra fatra-panao ny ratsy, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena*. 10Voninahitra sy laza ary fiadanana kosa no ho anjaran'izay rehetra manao ny tsara, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena. 11Fa tsy mba mizaha tavan'olona Andriamanitra.

dimanche 9 octobre 2016

Alahady 09 Oktobra 2016 - Mat 24 : 45 - 51

45–Iza moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren'ny tompony ho mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ny anjara sakafony ara-potoana? 46Sambatra io mpanompo io raha tonga ny tompony ka mahita azy manao raharaha toy izany. 47Lazaiko marina aminareo fa hotendren'ny tompony hiadidy ny fananany rehetra izy. 48Raha ho ratsy fanahy kosa io mpanompo io ka hanao anakampo hoe: «Mbola haharitra ela ny tompoko», 49ary hihetraketraka amin'ireo mpanompo namany sady hanaram-po hihinana sy hisotro miaraka amin'ny mpimamo, 50dia ho tonga ilay tompony amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany. 51Hosazîny mafy tokoa io mpanompo io ary hataony miombona anjara amin'ny mpihatsaravelatsihy; any izy no hitomany sy hikitro-nify.

samedi 8 octobre 2016

Sabotsy 08 Oktobra 2016 - II Sam 22 : 47 - 51

47Velona ny TOMPO! Isaorana ilay Vatolampiko.
Hasandratra anie Andriamanitra
vatolampy mampandresy ahy.
48Izy no manao ny famaliana ho ahy
ary mampanaiky firenena hofeheziko.
49TOMPO ô, afahanao amin'ny fahavaloko aho;
eny, ataonao resiko ireo mpamely ahy
ary tsy mahazo ahy ny mpanao an-keriny.
50Koa eo anivom-pirenena no hiderako Anao
sady hankalazako Anao amin-kira.
51Ny TOMPO manome fandresena lehibe
ho an'ilay mpanjaka voafidiny;
ary maneho fitia an'ilay voahosony,
dia i Davida sy ireo taranany
hatrany amin'ny mandrakizay.

vendredi 7 octobre 2016

Zoma 07 Oktobra 2016 - Kol 4 : 7 - 18

7I Tisiko hava-malalantsika, mpandraharaha mahatoky sady namana mpiray fanompoana amiko eo amin'ny asan'ny Tompo, dia hampahafantatra anareo ny vaovao rehetra momba ahy. 8Izany indrindra no nandefasako azy atỳ aminareo, mba hahafantaranareo ny momba anay sy hampahery fo anareo. 9Miaraka aminy koa i Ônesimo, ilay hava-malala sy mahatoky avy atỳ aminareo; ka dia izy roa lahy no hampahafantatra anareo ny toe-javatra rehetra atỳ aminay.

10Manao veloma anareo i Aristarka izay miara-voafonja amiko. Manao veloma anareo i Marka (zanak'olo-mpiray tampo izy sy i Barnabà); efa nahazo hafatrafatra momba an'i Marka ianareo, ka raiso tsara izy raha tonga atỳ aminareo. 11Manao veloma anareo koa i Jesoa, ilay atao hoe Josta. Izy telo lahy ireo no Jiosy tonga kristianina izay miara-miasa amiko hampandroso ny Fanjakàn'Andriamanitra*, ka nanjary fampaherezana ho ahy tokoa.

12Manao veloma anareo i Epafrà, izay avy atỳ aminareo; io mpanompon'i Kristy* Jesoa io dia mikely aina mandrakariva mivavaka ho anareo, mba hijoroanareo ho olona matotra ary vonona tanteraka hanao izay rehetra sitrak'Andriamanitra. 13Vavolombelona aho ny aminy fa misahirana fatratra izy ho anareo sy ho an-dry zareo any Laôdisia ary ho an-dry zareo any Hierapôly. 14Manao veloma anareo i Lioka, ilay dokotera hava-malalantsika, sy i Demasy.

15Veloma any amin'ireo havana any Laôdisia; ary veloma any amin'i Nimfà sy ny Fiangonana mivory ao an-tranony. 16Rehefa voavaky eto aminareo ity taratasy ity, dia ataovy izay hamakiana azy koa any amin'ny Fiangonan'i Laôdisia; ary dia mba vakionareo kosa ilay taratasy avy any Laôdisia. 17Lazao amin'i Arkipo fa tsy maintsy hotontosainy tsara ny fandraharahana noraisiny ho fanompoana ny Tompo. 18Soratanako ireto teny ireto: veloma, hoy i Paoly. Tsarovy fa voafonja aho.

Homba anareo anie ny fahasoavan'Andriamanitra!

jeudi 6 octobre 2016

Alakamisy 06 Oktobra 2016 - 3 Jao : 1 - 4

1Avy amiko loholona ity taratasy ity. Mamangy anao aho, ry Gaio, hava-malala izay tiako marina tokoa.

2Mangataka amin'Andriamanitra aho, rahavako, mba hambinina amin'ny zavatra rehetra ianao ary mba ho salama tsara, tahaka izay anambinana anao ara-panahy. 3Faly tokoa aho, fony nisy havana iray finoana tonga ka nijoro ho vavolombelona nanambara tamiko fa mifikitra amin'ny hafatra marim-pototra ianao, araka ny efa iainanao an'izany. 4Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny andrenesako fa miaina ny hafatra marim-pototra ireo zanako.

mercredi 5 octobre 2016

Alarobia 05 Oktobra 2016 - Neh 3 : 1 - 3

1Dia nanomboka asa i Eliasiba mpisorombe mbamin'ireo mpisorona namany, ka niara-namboatra ny vavahadin'ny Ondry; dia nanamasina izany ry zareo, vao nandatsaka ny lela-vavahadiny. Ary nohamasininy koa ny manda hatrany amin'ny tilikambon'ny Zatolahy sy ny tilikambo Hananela. 2Teo an-kilan'ireo, ny mponin'i Jerikao no namboatra ny manda, ary nanarakaraka ireto indray i Zakora zanakalahin'i Imry. 3Ny vavahadin'ny Trondro dia namboarin'ny terak'i Senaà: napetany ny sakamandimby, ary nalatsany ny lela-vavahady mbamin'ny hidiny sy barany.

mardi 4 octobre 2016

Talata 04 Oktobra 2016 - Lio 12 : 35 - 40

35–Aoka ho vonona lalandava ka ny lambanareo sikino ary ny jironareo areheto. 36Manaova toy ny mpanompo miandry izay hiverenan'ny tompony avy any amin'ny fanasana; raha vao tonga sy mandondòna izy, dia vohain'ny mpanompony miaraka amin'izay. 37Sambatra ireo mpanompo hitan'ny tompony miari-tory raha tonga izy. Lazaiko marina aminareo fa hisikina lamba ny tompony ka hampipetraka azy hihinana ary handroso sakafo ho azy. 38Na misasakalina na maneno akoho no ahatongavan'ny tompony ka mahita ireo mpanompo miari-tory toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo! 39Izao no ataovy an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny ora iavian'ny mpangalatra, dia tsy havelany hotamîna ny tranony! 40Ianareo koa, aoka ho vonona hatrany, fa ho avy amin'ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak'olona*.

lundi 3 octobre 2016

Alatsinainy 03 Oktobra 2016 - Kol 1 : 1 - 8

1Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin'i Kristy* Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra.
Mamangy anareo atỳ Kôlôsy aho, dia ianareo vahoakan'Andriamanitra* sady havana mpino tafaray amin'i Kristy. Mamangy anareo koa i Timôty havantsika. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika!

3Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy* Tompontsika izahay, rehefa mivavaka ho anareo. 4Eny, velom-pisaorana an'Andriamanitra izahay satria renay laza ny finoanareo an'i Kristy Jesoa sy ny fitiavanareo ny vahoakan'Andriamanitra* rehetra. 5Mby teo aminareo ny Vaovao Mahafaly*, ary ny hafatra marina raketiny no nandrenesanareo ny zavatra antenaina izay voatahiry ho anareo any an-danitra. Ka ny finoanareo sy ny fitiavanareo dia vokatr'izany fanantenana izany. 6Ny Vaovao Mahafaly dia mitondra vokatra sy mitombo eran'izao tontolo izao koa, tahaka ny teo aminareo hatramin'ny andro nandrenesanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina. 7I Epafrà, hava-malala mpiray fanompoana aminay, no nampianatra anareo momba izany; mpanompo mahatokin'i Kristy izy ho fanasoavana anareo, 8ary dia nampahafantatra anay ny fitiavana izay nomen'ny Fanahy Masina anareo.

dimanche 2 octobre 2016

Alahady 02 Oktobra 2016 - Sal 1 : 1 - 6

1Sambatra ny olona
tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
na mijanona eo amin'ny lalan'ny mpanota,
na miray toerana amin'ny mpaniratsira!
2Fa ny fampianaran'ny TOMPO no sitrany,
ka dia saintsaininy andro aman'alina.
3Toy ny hazo nambolena eo amoron-drenirano izy,
izay mamoa ara-potoana sady tsy malazo ravina,
ka dia mahomby avokoa
ny asa rehetra ataony.
4Tsy mba toy izany ireo olon-dratsy,
fa tahaka ny akofa aelin-drivotra.
5Noho izany, dia ho voaheloka
eo amin'ny fitsarana ireo;
ary tsy hisy toerana ho azy akory
eo amin'ny fivorian'ny olo-marina.
6Tsimbinin'ny TOMPO tokoa ny fiainan'ny olo-marina,
fa ny an'ny olon-dratsy kosa mankamin'ny fahaverezana.

samedi 1 octobre 2016

Sabotsy 01 Oktobra 2016 - I Sam 22 : 9 - 27

9Dia hoy i Dôega, ilay Edômita izay nijoro teo akaikin'ireo mpanompon'i Saoly, hoe:
–Izaho nahita ny zanakalahin'i Jisay tonga tany Nôba tao amin'i Ahimelèka zanakalahin'i Ahitoba. 10Ary i Ahimelèka nanontany ny TOMPO ho azy, sady namatsy azy no nanome azy ilay sabatr'i Gôliata Filistinina.

11Koa nampiantsoan'ny mpanjaka i Ahimelèka mpisorona sady zanakalahin'i Ahitoba, mbamin'ny mpisorona rehetra tao amin'ny fianakaviany izay nipetraka tao Nôba; ary tonga niseho teo anatrehan'ny mpanjaka avokoa izy rehetra. 12Dia hoy i Saoly tamin'i Ahimelèka:
–Henoy àry, ry zanakalahin'i Ahitoba.

Ka novaliany hoe:
–Inty aho, tompoko.

13Dia hoy i Saoly taminy:
–Nahoana no nioko hanohitra ahy ianao sy ny zanakalahin'i Jisay. Nomenao mofo sy sabatra izy; ary nanontany ny Tompo ho azy koa ianao, mba hijoroany hanohitra sy hamandrika ahy tahaka izao anio izao.

14Hoy kosa no navalin'i Ahimelèka azy:
–Iza amin'ny mpanomponao rehetra ireo no mba mahatoky indrindra tahaka an'i Davida vinanton'ny mpanjaka, mpiambina ny tenanao ary nohajaina fatratra tao an-dapa? 15Ary moa sambany androany no nanontaniako ho azy tamin'Andriamanitra? Koa sanatriaviko ny hikomy aminao, ry mpanjaka! Aza ahiahînao aho mpanomponao na ny fianakaviako fa tsy mahalala na inona na inona momba izany rehetra izany aho.

16Fa hoy ny mpanjaka hoe:
–Ry Ahimelèka, tsy maintsy matiko ianao sy ny fianakavian-drainao manontolo.

17Avy eo dia hoy ny mpanjaka tamin'ny miaramila mpanotrona azy teo akaikiny:
–Ndeha vonoy ho faty ny mpisoron'ny TOMPO, fa niray tsikombakomba tamin'i Davida izy ireo, satria nahafantatra ny fandosiran'i Davida izy, kanefa tsy nampandre ahy.
Fa ny mpanompon'ny mpanjaka kosa tsy sahy nikasi-tanàna ny mpisoron'ny TOMPO.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12