mercredi 30 novembre 2016

Alarobia 30 Novambra 2016 - Isa 62 : 10 - 12

10Ry mponin'i Jerosalema, mivoaha tao an-tanàna,
mivoaha amin'ny vavahady,
anokafy lalana ny vahoaka mody,
ataovy mitovy tantana ny arabe
ka esory ny vato eo aminy
ary atsangano ny faneva hanaingana ireo firenena.
11Injay nisy baiko nampitain'ny TOMPO
hatrany amin'ny faran'ny tany!
Koa lazao amin'ny olona ao Tsiôna* hoe:
«Indro tonga ny Mpamonjinareo,
indro entiny miaraka aminy ny karama azony
ary eo anoloany ny valin-kasasarany.»
12Ny besinimaro, na ianareo na iretsy,
dia hantsoina hoe «ilay vahoaka masina»,
«ireo olona navotan'ny TOMPO»;
ary ianao, ry Jerosalema, dia hatao hoe:
«ilay irîna», «ilay tanàna tsy foy.»

mardi 29 novembre 2016

Talata 29 Novambra 2016 - Lio 19 : 11 - 28

11Raha mbola nihaino izany teo ny olona, dia nanaovan'i Jesoa fanoharana* indray. Akaiky an'i Jerosalema manko Izy tamin'izay ka noheverin'ny olona fa efa nadiva hiseho ny Fanjakàn'Andriamanitra*. 12Toy izao àry ny tenin'i Jesoa:

–Lasa tany an-tany lavitra ity andriandahy anankiray handray ny fahefana hanjaka, dia hiverina. 13Niantsoany folo lahy ny mpanompony talohan'ny hiaingany, ka samy nomeny denàry* zato avy sady nataony hoe: «Ampiasao ireny mandra-piveriko.» 14Hàlan'ny mpiray tanindrazana aminy kosa ilay andriandahy ka nandefasany iraka nanaraka azy hilaza hoe: «Tsy mila iny lehilahy iny ho mpanjaka izahay.»

15Rehefa nahazo ny fahefana hanjaka izy, dia nody an-tanindrazana ary nampiantso an'ireo nomeny vola mba hahalalany izay tombony azony avy. 16Niseho ilay voalohany ka nilaza hoe: «Nahazo denàry arivo, tompoko, ny denàry zato nomenao ahy!» 17Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara; nahatoky tamin'ny zava-madinika ianao, ka dia tendreko hiandraikitra tanàna folo.» 18Tonga ny faharoa ka nanao hoe: «Namokatra denàry dimanjato, tompoko, ny denàry zato nomenao ahy!» 19Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Ianao indray dia tendreko hiandraikitra tanàna dimy.» 20Tonga kosa ny anankiray hafa ka nanao hoe: «Intỳ, tompoko, ny denàry zato nomenao ahy, fa nataoko tsara tahiry tanaty mosara. 21Natahotra anao manko aho, satria lehilahy sarotiny ianao, ka maka izay tsy napetrakao ary mijinja izay tsy nafafinao.» 22Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Mpanompo ratsy fanahy raha ianao! Ny teninao no itsarako anao: fantatrao fa lehilahy sarotiny aho, maka izay tsy napetrako ary mijinja izay tsy nafafiko; 23koa nahoana àry no tsy napetrakao tany amin'ny banky ny volako, ka ho noraisiko mbamin'ny zana-bola rehefa tafaverina aho?» 24Ary hoy ny mpanjaka tamin'izay nanatrika teo: «Alao ny denàry zato eny aminy ka omeo an'ilay nahazo denàry arivo!» 25Dia hoy ireo tamin'ny mpanjaka: «Ka efa manana denàry arivo anie izy, tompoko!» 26Fa novaliany hoe: «Lazaiko aminareo fa izay rehetra manana no homena hatrany; ary izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia halana aminy. 27Fa iretsy fahavaloko tsy nanaiky hanjakako iretsy, dia ento atỳ ka vonoy eto anatrehako!»

28Nony avy niteny izany i Jesoa, dia nitarika ny dia hiakatra ho any Jerosalema.

lundi 28 novembre 2016

Alatsinainy 28 Novambra 2016 - Asa 9 : 36 - 41

36Tany Jôpa dia nisy vehivavy mpianatra* atao hoe Tabità (na «Dôrkasy» amin'ny teny grika izany hoe gazela). Be tokoa ny asa soa amam-piantrana vitany. 37Ary tamin'izany andro izany dia narary izy ka maty. Rehefa avy nampandroina ny faty, dia napetraka tao amin'ny efitrano ambony rihana. 38Tanàna akaikin'i Jôpa moa i Lida; ka nony henon'ny mpianatra tao Jôpa fa hoe any Lida i Petera, dia nandefa iraka roa lahy ry zareo mba hiangavy azy hoe: «Tongava faingana atỳ aminay.» 39Teo no ho eo ihany i Petera dia niainga niaraka tamin'ireto iraka. Vao tonga tao Lida i Petera, dia nentin'ny mpianatra ho any amin'ilay efitrano ambony rihana. Nanatona an'i Petera avokoa ireo mpitondratena tao, izay sady nitomany no nampiseho ny akanjo sy fitafiana hafa nataon'i Dôrkasy ho azy ireo fony fahavelony.

40Namoaka ny olona rehetra ho any alatrano i Petera, dia nandohalika nivavaka. Avy eo izy dia nitodika nanatrika ny faty ka niteny hoe:
–Ry Tabità, mitsangàna!

Nahiratr'i Tabità ny masony, ary nahita an'i Petera izy dia niarina. 41Nanolo-tanana azy kosa i Petera ka nampitsangana azy. Rehefa nantsoin'i Petera ny vahoakan'Andriamanitra* tao Jôpa mbamin'ireo mpitondratena, dia Tabità velona soa aman-tsara no natolony azy ireo.

dimanche 27 novembre 2016

Alahady 27 Novambra 2016 - Kol 3 : 22 - 25

22Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo ara-nofo amin'ny zavatra rehetra. Aza eo imasony ihany no manao izany, toy ny mila sitraka amin'olona; fa maneke amim-pahatsoram-po noho ny fanajànareo an'i Jesoa Tompo. 23Na inona na inona ataonareo, dia tontosao amin'ny fo tokoa tahaka ny atao amin'i Jesoa Tompo fa tsy amin'olona. 24Eny, fantatrareo fa i Jesoa Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny anjara lova natokana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra*; satria ny tena Tompo Izay tompoinareo, dia i Kristy*. 25Fa izay manao ratsy dia hovaliana amin'izay ratsy nataony, fa tsy mba mizaha tavan'olona Andriamanitra.

samedi 26 novembre 2016

Sabotsy 26 Novambra 2016 - Mat 5 : 21 - 24

21–Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: «Aza mamono olona»; ary izay mamono olona dia mendrika hatolotra ny fitsarana! 22Izaho koa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin'ny namana iray finoana dia mendrika hatolotra ny fitsarana isan-tanàna; izay hanao ny namana iray finoana hoe: misy kely, dia mendrika hatolotra ny Fitsarana ambony*; izay hanao azy hoe: foka, dia mendrika havarina any amin'ny lohasahan'afo. 23Koa raha manolotra ny fanatitrao amin'Andriamanitra eo amin'ny alitara* ianao ary eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny namanao iray finoana, 24dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha mihavana amin'ilay namanao; izay vao miverina manolotra ny fanatitrao.

25Mihavàna faingana amin'izay manana ady aminao dieny samy mbola eny an-dalana ho any amin'ny fitsarana ianareo; fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara; ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny miaramila, ka hatao am-ponja ianao.

vendredi 25 novembre 2016

Zoma 25 Novambra 2016 - Job 42 : 7 - 10

7Rehefa voalazan'ny Tompo tamin'i Jôba ireo teny ireo, dia i Elifaza avy any Temàna no nataotaony hoe:
–Tezitra aminao sy ny namanao roa lahy Aho satria tsy mba marina tahaka izay nolazain'i Jôba mpanompoko ny filàzanareo Ahy. 8Koa ankehitriny makà ombilahy fito sy ondrilahy fito ianareo, dia mankanesa any amin'ny Jôba mpanompoko. Hatolotrareo ho sorona* dorana manontolo noho ny fahotanareo ireo biby ireo; ary hifona ho anareo i Jôba mpanompoko. Fa ho sitrako ny vavak'i Jôba, ka tsy hamaly anareo araka ny hadalànareo Aho na dia tsy marina tahaka izay nolazain'i Jôba mpanompoko aza ny filàzanareo Ahy.

9Dia nandeha i Elifaza avy any Temàna sy i Bildada avy any Soha ary i Tsôfara avy any Nahama ka nanao izay nasain'ny TOMPO hataony; ary sitraky ny TOMPO ny vavak'i Jôba.
10Rehefa avy nivavaka ho an'ireo namany i Jôba, dia naverin'ny TOMPO hanan-karena indray ary nomeny indroan'izay rehetra nananany fahiny aza.

jeudi 24 novembre 2016

Alakamisy 24 Novambra 2016 - Mat 26 : 6 - 13

6Tany Betania i Jesoa tamin'izay ary tao an-tranon'i Simôna mpivaro-bakoly. 7Raha mbola teo am-pisakafoana i Jesoa, dia nisy vehivavy anankiray nitondra tavoahangy alabasitra* feno ilomanitra sarobidy; ary naidin-dravehivavy tamin'ny lohan'i Jesoa ny ilomanitra. 8Tezitra ireo mpianatra* nony nahita izany ka nanao hoe:
–Nahoana re iny no dia lanîna foana tahaka izao? 9Azo namidy lafo be iny ilomanitra iny ka omena ny mahantra ny vidiny.

10Tsikaritr'i Jesoa izany ka hoy Izy tamin'ny mpianany:
–Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo an-dravehivavy? Eny, asa soa iny nataony tamiko iny. 11Ny mahantra dia misy eto aminareo mandrakariva; fa Izaho kosa tsy mba eto aminareo mandrakariva. 12Naidin'ity vehivavy ity tamin'ny tenako iny ilomanitra iny, ary mba hamboarany Ahy halevina no nanaovany an'izany dieny mialoha. 13Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza eran'izao tontolo izao hanambaràna ity Vaovao Mahafaly* ity dia holazaina koa izao nataon'ity vehivavy ity izao mba ho fahatsiarovana azy.

mercredi 23 novembre 2016

Alarobia 23 Novambra 2016 - Mar 4 : 15 - 23

15Ao ny amafazana ny teny eo amoron-dalana: vao mahaheno izy, dia tonga i Satàna* manaisotra ny teny voafafy tao aminy. 16Ao koa ny amafazana an-tany be vato: vao mahaheno ny teny izy, dia mandray azy an-kafaliana, 17saingy tsy alatsany lalina ao aminy fa vetivety foana no itanany azy; ka raha vao mitranga ny fahoriana na fanenjehana noho ny tenin'Andriamanitra, dia very finoana izy. 18Ao indray ny amafazana anaty tsilo: mahaheno ny teny izy, 19saingy ny fiahiana ny fiainana etoana sy ny fanodokan'ny harena ary ny fitsiriritana hafa rehetra, samy miditra ao aminy, ka mangeja ny teny tsy ho afa-mamoa. 20Ao koa ny amafazana an-tany lonaka, dia ireo mahaheno ny teny sy mandray azy ka mamokatra: ny iray telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny.
Fanoharana momba ny jiro

21Hoy koa i Jesoa tamin'ireo mpomba Azy sy tamin'ny 12 lahy:
–Inona moa no angalana ny jiro, ny hametrahana azy ao ambany vata famarana na ao ambany farafara ve sa ny hametrahana azy eo ambony fitoeran-jiro? 22Satria tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy haharihary. 23Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!

mardi 22 novembre 2016

Talata 22 Novambra 2016 - Apo 2 : 18 - 28

18–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Tiatira:

«Izao no lazain'ilay Zanak'Andriamanitra*, dia Ilay manana maso mivaivay tahaka ny lelafo sady manana tongotra mangirangirana tahaka ny varahina manganohano: 19Fantatro ny asanao, ny fitiavanao, ny finoanao, ny fanompoanao, ary ny faharetanao; ary ny asanao farany izao dia be noho ny tany am-boalohany. 20Saingy izao no anomezako tsiny anao: leferinao ilay vehivavy Jezebela izay milaza ny tenany ho mpaminany*, ka dia mampianatra sy manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natao fanatitra tamin'ny sampy. 21Efa nomeko andro io vehivavy io hialany amin'ny toe-dratsiny, saingy tsy mety miala amin'ny fijangajangàny*. 22Indro hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay nanitsakitsa-bady taminy dia hozoim-pahoriana lehibe, raha toa tsy miala amin'ny asa nampianarin-dravehivavy azy. 23Hovonoiko ho faty ny zanany, ka ho fantatry ny Fiangonana rehetra fa Izaho no mahalala ny ao am-po tsy miloatra; ary hovaliako araka ny asanareo avy ianareo.

24«Fa ianareo sisa rehetra amin'ny Fiangonana any Tiatira dia tsy nanaraka izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe ‹hevi-dalin'i Satàna*›; ka izao no lazaiko aminareo: tsy hovesarako entana hafa ianareo; 25fa izay anananareo no tano mafy mandra-piaviko.

26-28«Izay maharesy ka mitandrina ny hanao ny asako hatramin'ny farany, dia homeko fahefana toy izay efa noraisiko tamin'ny Raiko: homeko fahefana amin'ny firenena izy, ka hifehy azy amin'ny tehim-by ary hanorotoro azy toy ny vilany tany. Homeko an'izay maharesy koa ny kintana fitarikandro.

lundi 21 novembre 2016

Alatsinainy 21 Novambra 2016 - Isa 43 : 1 - 7

1Ankehitriny kosa izao no lazain'ny TOMPO
Izay nahary anao, ry firenen'i Jakôba
sy namorona anao, ry vahoaka Israely:
«Aza matahotra ianao, fa efa navotako;
ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao.
2Raha mamakivaky ny rano ianao,
dia homba anao Aho;
raha miampita ny ony ianao,
dia tsy hanafotra anao ireny;
raha mandeha eo anivon'ny afo ianao,
dia tsy ho may akory
fa tsy handoro anao ny lelafo.
3Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao,
ilay Masin'i Israely mpamonjy anao.
Nomeko hanavotana anao i Ejipta;
ary nataoko solonao i Etiôpia sy i Sebà.
4Satria sarobidy eo imasoko ianao,
manan-danja amiko sady tiako.
Koa nanome olona ho solonao Aho
sy firenena maro ho takalon'ny ainao.

5Aza matahotra fa momba anao Aho.
Avy any atsinanana no hamerenako ny taranakao,
avy any andrefana no hanangonako ireo olonao.
6Hoy Aho amin'ny avaratra: ‹Omeo Ahy ireo›,
ary amin'ny atsimo: ‹Aza hazonina izy!›
Avereno amiko ny zanako lahy avy any lavitra
sy ny zanako vavy avy any am-paran'ny tany,
7dia izay rehetra mitondra ny anarako
sady noarîko sy novolavolaiko
mba hanome voninahitra Ahy.

dimanche 20 novembre 2016

Alahady 20 Novambra 2016 - Fil 4 : 15 - 23

15Fantatrareo koa, ry Filipianina, fa nony niala tany Masedônia aho, tamin'ny fotoana niandohan'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly*, dia ianareo no hany Fiangonana nanampy ahy ka nanana kaontin'ny miditra sy mivoaka nifanaovana tamiko. 16Fony aho mbola tany Tesalônika, dia efa indray mandeha amana indroa no nandefasanareo izay nilaiko. 17Tsy hoe mitady fanomezana aho no milaza izany, fa mitady ny vokatra hiavosa ao amin'ny kaontin'ny miditra ho anareo. 18Eny, manana ny zavatra rehetra ilaiko aho izao sady manana amby ampy; efa voaraiko tamin'i Epafrôdito ny fanomezana avy aminareo, ka heni-tsoa mitafotafo aho. Izany fanomezanareo izany dia toy ny zava-manitra mamerovero atao sorona ka raisin'Andriamanitra sady ankasitrahiny. 19Fa Andriamanitro kosa hanome mitafotafo izay rehetra ilainareo araka ny harena heni-boninahitra atolony ao amin'i Kristy Jesoa. 20Ho an'ilay Andriamanitra sady Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen*.

21Veloma any amin'izay rehetra isan'ny vahoakan'Andriamanitra* ka tafaray amin'i Kristy* Jesoa. Manao veloma anareo ny havana iray finoana, izay tafaraka amiko; 22manao veloma anareo ny vahoakan'Andriamanitra rehetra eto, fa indrindra ry zareo ao an-dapan'ny amperôra.

23Homba anareo anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo!

samedi 19 novembre 2016

Sabotsy 19 Novambra 2016 - Lio 15 : 29 - 32

29Fa hoy izy tamin-drainy: «Jereo ange! Taona firifiry moa izay no nanompoako anao ary tsy mbola nandika ny didinao na oviana na oviana aho; kanefa dia nofy izany hoe mba nomenao zanak'osy iray hiarahako mihinana sy mifaly amin'ny sakaizako. 30Fa nony tonga kosa io zanakao io, izay nahafongana ny fanananao tamin'ny vehivavy mpivarotena, dia amonoanao ny zanak'omby nafahy.» 31Ary hoy ny rainy taminy: «Ianao anie, anaka, dia eto amiko mandrakariva ary anao avokoa izay rehetra ahy. 32Fa tsy maintsy atao ny fihinanam-be aman-korana, satria io rahalahinao io: efa maty no velona indray, ary efa very no hita indray.»

vendredi 18 novembre 2016

Zoma 18 Novambra 2016 - Isa 58 : 6 - 12

6Tsia, fa ny fifadian-kanina tiako dia izao:
ny mamaha ny olona voafatotra tsy an-drariny,
ny manaisotra ny zioga mitambesatra aminy,
ny manafaka ireo ampahorîna
ka manapatapaka izay zioga rehetra mangeja azy.
7Ny hizarànao ny haninao ho an'ny noana
sy hampiantranoanao ireo mahantra mirenireny,
ny hampitafînao izay hitanao fa miboridana
ka tsy hampihirimbelona anao eo anatrehan'ny namanao.
8Amin'izay dia hiposaka toy ny maraina ny fahazavànao
ary ho tonga haingana ny fahasitrananao.
Ny fanafahana anao no hialoha lalana anao,
ary ny TOMPO mihitsy no ho vodilalanao.
9Rehefa miantso ianao, dia hamaly anao ny TOMPO;
rehefa mitady vonjy ianao, dia hovaliany hoe: «Inty Aho.»
Raha foananao eo aminao ny ziogam-pamoretana
mbamin'ny fanendrikendrehana sy ny fitenenan-dratsy,
10raha zarainao ho an'ny noana ny haninao
ka manome sakafo ireo sahirana ianao,
dia hamirapiratra ao amin'ny haizina ny fahazavànao
ary ho toy ny mitataovovonana ny haizim-pitonao.
11Hitari-dalana anao hatrany ny TOMPO;
na dia ao amin'ny tany karakaina aza ianao,
dia hovokisany hanina sy hampahatanjahiny.
Hanjary mahate hijery toy ny saha vonton-drano ianao
na toy ny loharano miboiboika tsy mety ritra.
12Noho ny ezakao, dia haorina indray
ireo zavatra rava fahiny
ary hatsangana indray ny fanorenana
izay efa nilaozana hatry ny elabe;
ary ianao dia hantsoina hoe:
«Vahoaka mpamboatra ny manda simba
sy mpamelona ny lalankely efa maty
mba ho tsara honenana ao an-tanàna.»

jeudi 17 novembre 2016

Alakamisy 17 Novambra 2016 - Job 4 : 7 - 10

7Tsarovy izao: efa nahita tsy manan-tsiny
na olo-marina maty nahantra ve ianao?
8Hitako tsara fa izay mamboly tsy fahamarinana
sy mamafy fahoriana no hijinja ny vokany.
9Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy;
ny fahatezerany no toa rivo-mahery mahalevona azy;
10na mierona toa liona izy na minaonaona toa tigra,
dia tapatapahiny nify ireo toa biby masiaka ireo.

mercredi 16 novembre 2016

Alarobia 16 Novambra 2016 - Lio 14 : 12 - 14

12Avy eo dia ilay nanasa Azy indray no nilazan'i Jesoa hoe:

–Raha manasa olona hisakafo antoandro na hisakafo hariva ianao, aza mba ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanankarena iray tanàna aminao no asaina, fandrao hasainy koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. 13Fa raha misy fanasana ataonao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa mbamin'ny jamba kosa asaina; 14dia ho sambatra ianao, satria tsy mba mahavaly ny vitanao ireo. Ary Andriamanitra hamaly soa anao rehefa mby amin'ny fitsanganan'ny olo-marina ho velona.

mardi 15 novembre 2016

Talata 15 Novambra 2016 - Mat 25 : 33 - 40

33ka ny ondry no hataon'ny Zanak'olona eo ankavanany fa ny osy hataony eo ankaviany. 34Ary dia izao no holazain'ny Mpanjaka amin'izay eo ankavanany: «Avia ianareo nombàn'ny Raiko fitahiana; raiso ho lova ny Fanjakana* izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana an'izao tontolo izao. 35Fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho, dia nomenareo hosotroina; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; 36tsy nitafy Aho, dia notafînareo; narary Aho, dia nokarakarainareo; tany am-ponja Aho, dia novangianareo.» 37Ary dia hanontany Azy ny olo-marina ka hanao hoe: «Tompo ô, oviana Ianao no hitanay noana ka nomenay hanina; na nangetaheta ka nampisotroinay? 38Oviana Ianao no hitanay nivahiny ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafînay? 39Oviana Ianao no hitanay narary na tany am-ponja ka novangianay?» 40Dia hovalian'ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto havako madinika indrindra ireto no nataonareo tamiko.»

lundi 14 novembre 2016

Alatsinainy 14 Novambra 2017 - I Mpa 18 : 36 - 38

36Fa tamin'ny fotoan'ny sorona tolakandro dia nanatona i Elià mpaminany ka nanao hoe:
–Ry TOMPO Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ô, asehoy ankehitriny fa Ianao no Andriamanitra amin'i Israely; ary izaho dia mpanomponao ka baiko avy taminao no nanaovako izao zavatra rehetra izao. 37TOMPO ô, mihainoa ahy mba hahafantaran'ireto vahoaka ireto fa Ianao TOMPO no tena Andriamanitra, ary Ianao ihany no mampiverina indray ny fony ho aminao.

38Dia nalatsaky ny TOMPO ny afo, ka nandoro ny sorona dorana manontolo sy ny kitay ary ny vato sy ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin'ny hady.

dimanche 13 novembre 2016

Alahady 13 Novambra 2016 - I Tim 5 : 1 - 8

1Aza levilevena ny lehilahy efa zokiolona fa anaro toy ny rainao izy; ny zatovolahy, ento toy ny rahalahy; 2ny vehivavy efa zokiolona, ento toy ny reny; ary ny zatovovavy, ento toy ny anabavy, amin'ny fahadiovana tanteraka.

3Hajao ny vehivavy mpitondratena, dia ireo tena mpitondratena tokoa. 4Raha manana zanaka aman-jafy ilay vehivavy mpitondratena, dia aoka ireo aloha hianatra haneho ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fianakaviany ka hamaly babena ny ray aman-dreniny na ny raibe aman-drenibeny, fa izany no ankasitrahin'Andriamanitra. 5Ny vehivavy, tena mpitondratena tokoa sady tsy mana-mpiahy, dia efa nametraka ny fanantenany amin'Andriamanitra, ka mivavaka hatrany ary mangataka hampian'Andriamanitra andro aman'alina. 6Fa ny mpitondratena, manaram-po amin'ny fahafinaretana, dia efa maty fanahy mbola velona. 7Izany no anafatrafaro ny vehivavy mpitondratena sy ny fianakaviany, mba tsy hananany tsiny. 8Fa raha misy tsy mahakarakara ny havany, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy kokoa noho ny tsy mpino.

samedi 12 novembre 2016

Sabotsy 12 Novambra 2016 - Efe 6 : 5 - 9

5Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo ara-nofo amin-tahotra sy fanajana ary amin'ny fahatsorampo toy ny anekenareo an'i Kristy*. 6Tsy hoe raha eo imason'ny tomponareo ara-nofo ihany no manaiky, toy ny mila sitraka amin'ny olona; fa tontosao amin'ny fo tokoa ny sitrapon'Andriamanitra, toy ny ataon'ny mpanompon'i Kristy. 7Ataovy amin'ny fo mirana ny asa fanompoanareo, tahaka ny atao amin'ny Tompo fa tsy amin'ny olona; 8satria fantatrareo fa ny olona tsirairay, na mpanompo na tsy mpanompo, dia samy hovalian'ny Tompo, amin'izay soa nataony avy.
9Ary ianareo tompo, manaova toy izany koa amin'ny mpanomponareo, ka atsaharo ny fandrahonana; satria fantatrareo fa na ianareo, na ny mpanomponareo, dia samy an'ilay Tompo Izay monina ao an-danitra sady tsy mba mizaha tavan'olona.

vendredi 11 novembre 2016

Zoma 11 Novambra 2016 - Gen 4 : 1 - 5

1Niraisan'i Adama i Eva vadiny, ka nitoe-jaza. Dia niteraka an'i Kaina izy, ary nanao hoe: «Nahazo zazalahy noho ny amin'ny TOMPO aho.» 2Dia mbola niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. Ary i Abela dia mpiandry* ondry, fa i Kaina kosa mpamboly. 3Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nitondran'i Kaina fanatitra ho an'ny TOMPO ireo vokatry ny tany. 4I Abela koa nitondra ireo voalohan-teraky ny ondriny hatao sorona* ka nanolotra ny jaborany ho an'ny TOMPO. Ary ny Tompo nankasitraka an'i Abela sy ny fanatiny, 5fa tsy nankasitraka kosa an'i Kaina sy ny fanatiny; koa tezitra mafy i Kaina sady nanjombona tarehy.

jeudi 10 novembre 2016

Alakamisy 10 Novambra 2016 - II Kor 5 : 6 - 15

6Koa feno toky mandrakariva isika, na dia fantatsika aza fa raha mbola mitoetra ao amin'ity vatana ity isika, dia lavitry ny fonenan'ny Tompo, 7(satria finoana no andehanantsika fa tsy hoe efa mahita sahady). 8Feno toky isika, koa aleontsika ny miala amin'ity vatana ity mba hitoetra eo anilan'ny Tompo. 9Fa ny hankasitrahin'ny Tompo no irîntsika voalohany indrindra, na mbola mitoetra ao amin'ity vatana ity isika na miala ao; 10satria tsy maintsy hiseho eo anatrehan'i Kristy* mba hotsarainy isika rehetra, ka handraisan'ny tsirairay avy ny tandrify azy araka izay nataony na tsara na ratsy fony mbola velona tao amin'ity vatana ity.

11Fantatray ny atao hoe fahatahorana ny Tompo, ka miezaka hampanaiky ny olona izahay. Tena mahalala anay Andriamanitra, ary antenaiko fa mahalala ahy ao amin'ny fieritreretanareo koa ianareo. 12Tsy hoe midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay hahazoanareo mirehareha ny aminay; ka dia mba hisy havalinareo ny olona mirehareha amin'ny zavatra eto ivelany fa tsy amin'ny zavatra ao am-po. 13Raha marina fa very saina izahay, dia ho an'Andriamanitra izany; raha mitombin-tsaina izahay, dia ho anareo izany. 14Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray; noho izany, nandalo fahafatesana koa izy rehetra. 15Maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony ireo velona, fa ho an'Ilay efa maty sy nitsangana velona hamonjy azy.

mercredi 9 novembre 2016

Alarobia 09 Novambra - Mat 10 : 40 - 42

40–Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy. 41Izay mandray mpaminanin*'Andriamanitra noho izy mpaminanin'Andriamanitra dia hahazo valisoana mpaminanin'Andriamanitra; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina dia hahazo valisoan'olo-marina; 42ary lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hanome rano mangatsiaka, na eran'ny kaopy ihany aza, hosotroin'ny anankiray amin'ireo mpianatro madinika ireo noho izy mpianatro, dia tsy ho diso valisoa.

mardi 8 novembre 2016

Talata 08 Novambra 2016 - Sal 133 : 1 - 3

1 Hira fiakarana. Nataon'i Davida.

Endrey, tsara sady mahafinaritra tokoa
izany firîndran'ny mpiray tampo miara-monina!
2Toy ny ilomanitra mby an-dohan'olona nasaina
ka mitsororoka hatreny amin'ny somotra.
Toy ny somotr'i Aharôna* mpisorombe
ka midina hatreny amin'ny vozon'akanjony.
3Toy ny ando avy any amin'ny tendrombohitra Hermôna
ka mirotsaka eo amin'ny tendrombohitra Tsiôna*;
satria eo Tsiôna no fanomezan'ny TOMPO fitahiana*,
dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.

lundi 7 novembre 2016

Alatsinainy 07 Novambra 2016 - Lio 10 : 33 - 37

33Nisy kosa Samaritanina* nivahiny tonga teo amin'ity tra-boina ary onena tokoa nahita azy. 34Nohatonin'ilay Samaritanina izy ka nofeheziny ny feriny sady nandrarahany diloilo sy divay; avy eo dia natainginy teo amin'ny ampondrany ralehilahy ary nentiny tany an-tranombahiny ka nokarakarainy tao. 35Ny ampitson'iny, notolorany vola denàry* anankiroa ny tompon-trano sady nataony hoe: «Karakarao ity olona ity; ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireto, dia honerako rehefa miverina aho.»

36Dia nanontanian'i Jesoa ity mpahay lalàna nataony hoe:
–Iza tamin'izy telo lahy ireo, araka ny hevitrao, no nanjary naman'ilay nasian'ny jiolahy?

37Dia novaliany hoe:
–Ilay niantra azy.

Dia hoy i Jesoa taminy:
–Ndeha àry, ka mba manaova torak'izany koa!

dimanche 6 novembre 2016

Alahady 06 Novambra 2016 - Heb 6 : 9 - 12

9Na izany aza no teninay, ry hava-malala, dia zavatra tsara kokoa sady miantoka ny famonjena anareo no antenainay, raha ny aminareo. 10Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin'ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo. 11Ary dia irînay haneho fahazotoana toy izany hatramin'ny farany ianareo tsirairay avy, mba ho tanteraka tokoa ny zavatra antenainareo. 12Tsy tianay ho ketraka ianareo fa mba hanahaka ireo mino sy maharitra ka manana anjara amin'ny soa nampanantenain'Andriamanitra.

samedi 5 novembre 2016

Sabotsy 05 Novambra 2016 - I Tim 4 : 13 - 16

13Mandra-pahatongako, dia mahavara tsara mamaky ny Soratra Masina* sy mampirisika ary mampianatra. 14Aza atao tandrevaka ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, fanomezam-pahasoavana izay natolotra anao fony niteny taminao ny mpilaza hafatr'Andriamanitra ary nametra-tanana taminao ny loholona tafangona. 15Tontosay ireo adidy ireo ka imasoy tsara, mba hiharihary amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao. 16Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'ireo adidy ireo; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

vendredi 4 novembre 2016

Zoma 04 Novambra 2016 - Mal 3 : 7 - 12

 7Fa hatramin'ireo razana talohanareo no efa nialanareo tamin'ny didiko ka tsy nitandremanareo izany. Miverena amiko, dia hiverina aminareo koa ny tenako, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao. Nefa dia hoy ianareo hoe: ‹Ahoana no iverenanay aminao?› 8Dia hamaly anareo Aho hoe: ‹Azon'ny olona fitahina ve Andriamanitra no mamitaka Ahy ianareo?› Dia manontany indray ianareo hoe: ‹Amin'inona no amitahanay Anao?› Amin'ny fandrotsahana ny ampahafolon-karena sy amin'ny fanaovanareo fanatitra. 9Hiharan'ny ozona ianareo satria Izaho no fitahinareo, dia ianareo rehetra mpiray firenena. 10Ento manontolo àry ny ampahafolon-karena ho ao an-trano fitahirizana azy, mba tsy ho tapaka sakafo ao an-tempoliko*. Ary zahao toetra amin'izany ny tenako, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao, dia ho hitanareo fa hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon'ny lanitra hampidinako fitahiam-be miavosa aminareo. 11Tsy havelako hanimba ny volinareo ny bibikely ka hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao. 12Ary hataon'ny firenen-drehetra hoe sambatra ianareo, satria hahafinaritra hivelomana ny taninareo, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao.»

jeudi 3 novembre 2016

Alakamisy 03 Novambra 2016 - Sal 128 : 1 - 6

1 Hira fiakarana.

Sambatra izay rehetra manaja ny TOMPO
sy manaraka ny sori-dàlana nataony.
2Ny vokatry ny asanao tokoa no hivelomanao
ka sambatra sy ambinina ianao!
3Ny vadinao eo an-tranonao
dia toy ny voaloboka mahavokatra;
ny zanakao manodidina ny latabatrao
dia toy ny solofon'ôliva.
4Eny, toy izany no itahiana*
ny lehilahy manaja ny TOMPO!
5Hitahy anao avy ao Tsiôna* anie ny TOMPO,
ka amin'ny andro rehetra iainanao
no hahitanao ny hasambaran'i Jerosalema
6sy hahitanao ny zafikelinao!
Ny fiadanana anie
ho an'i Israely!

mercredi 2 novembre 2016

Alarobia 02 Novambra 2016 - Apo 14 : 12 - 13

12Amin'izany no ilana ny faharetana eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra*, dia eo amin'izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny finoana niainan'i Jesoa.

13Ary reko nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:
–Soraty izao: «Sambatra ireo maty, izay maty amin'ny fanompoana ny Tompo manomboka izao! Eny, hoy ny Fanahy Masina, aoka izy ireo hahazo fitoniana amin'ny fisasarany, fa ny asany manaraka azy.»

mardi 1 novembre 2016

Talata 01 Novambra 2016 - Sal 90 : 13 - 19

13TOMPO ô, mandra-pahoviana no mbola hitezeranao anay?
Mba itodiho izahay mpanomponao ka amindrao fo.
14Fenoy ny fitiavanao izahay raha vao maraina,
dia hihoby sy hifaly amin'ny andro sisa iainanay.
15Aoka hampifalînao izahay
araka ny andro nampahorînao anay
sy araka ny taona nahitanay loza!
16Ny ataonao aminay anie ho hitanay maso
ary ny voninahitrao ho tsapan'ny taranakay!
17Ry Tompo Andriamanitray ô,
aoka ho aminay ny fahamoram-panahinao
ka ampahombiazo ny asan'ny tananay;
eny, ampahombiazo ny asan'ny tananay.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12