samedi 31 décembre 2016

Sabotsy 31 Desambra 2016 - Efe 1 : 1 - 14

1Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin'i Kristy* Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra.
Mamangy anareo atỳ Efeso aho, dia ianareo vahoakan'Andriamanitra* sady mpino tafaray amin'i Kristy Jesoa. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy* Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin'ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin'i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra. 4Tsy mbola nahary ny tontolo Izy, dia efa nifidy antsika hiray amin'i Kristy; ka ho masina sady tsy hisy tsiny eo anatrehan'Andriamanitra isika. Noho ny fitiavany antsika, 5dia natokan'Andriamanitra isika mba ho Azy, mba ho tonga zanany amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, fa izany no safidin'ny sitrapony. 6Hiderantsika an'Andriamanitra anie ny fahasoavana mamirapiratra izay nomeny antsika maimaimpoana ao amin'ilay Zanany* malalany.

7Ny ra nafoin-Janany no nahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny hadisoantsika. Izany no nanehoan'Andriamanitra ny harem-pahasoavany, 8izay natosany be dia be tamintsika ka nahazoantsika fahendrena amam-pahalalana feno. 9Dia nampahafantarin'Andriamanitra antsika ilay tsiambaratelon'ny sitrapony, araka ny safidy noheveriny hotontosaina ao amin'ny Zanany. 10Eny, hotanterahiny mandra-pahatongan'ny fotoanandro farany izany tsiambaratelo izany: dia ny hampivondrona ny zavatra rehetra, ny any an-danitra sy ny eto an-tany, ao amin'i Kristy Filoha tokana.

11Tafaray amin'i Kristy izahay ka tonga anjara lovan'Andriamanitra; satria natokany rahateo izahay, fa izany no fandaharan'Ilay manao ny zavatra rehetra araka izay efa nokasain'ny sitrapony. 12Hideranay an'Andriamanitra be voninahitra anie izany, satria izahay no nanantena voalohany an'i Kristy.

13Tafaray amin'i Kristy koa ianareo, satria efa renareo ilay hafatra marim-pototra, izany hoe ny Vaovao Mahafaly* izay nitondra ny famonjena taminareo, ary efa ninoanareo i Kristy. Ka dia nasiana tombokase maha fananan'Andriamanitra ianareo, tamin'ny nanomezana anareo ny Fanahy Masina Izay nampanantenaina. 14Io Fanahy Masina io no antoka hahazoantsika ny lova natokan'Andriamanitra ho an'ny vahoakany*, mba hahatanteraka ny fanavotana ireo olona natao mba ho fananan'Andriamanitra, hiderantsika ny voninahitr'Andriamanitra izany!

vendredi 30 décembre 2016

Zoma 30 Desambra 2016 - Sal 148 : 13 - 14

13Aoka ianareo samy hidera ny Tompo,
satria ny anarany irery no avo indrindra:
ambonin'ny tany aman-danitra ny fiandrianany.
14Nataony mitraka sy mahery ny vahoakany;
ka midera ny TOMPO ireo mpivavaka aminy,
dia ireo Israelita vahoaka lalainy.
Haleloià!

jeudi 29 décembre 2016

Alakamisy 29 Desambra 2016 - Jao 12 : 23 - 16

23Dia hoy i Jesoa tamin'izy roa lahy:

–Tonga ny fotoanandro hanomezam-boninahitra ny Zanak'olona*. 24Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary latsaka ao amin'ny tany, dia mitoetra irery; raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. 25Izay mandala ny ainy no hahavery azy; fa izay tsy mandala ny ainy eto amin'izao tontolo izao no hitahiry azy ho aina maharitra mandrakizay. 26Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy; ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko. Raha misy olona manompo Ahy, dia homen'ny Raiko voninahitra izy.

mercredi 28 décembre 2016

Alarobia 28 Desambra 2016 - Isa 7 : 10 - 16

10Dia mbola nanafatra an'i Ahaza ny TOMPO ka nanao hoe:
11–Angataho famantarana ny TOMPO Andriamanitrao mba ho antoka ho anao, na any amin'izay fanambanin'ny toeran'ny maty izany na eny an-danitra ambony eny.

12Fa novalian'i Ahaza hoe:
–Tsia, tsy hangataka na inona na inona aho fa tsy te haka fanahy ny TOMPO.

13Dia hoy i Isaià taminy:
–Mihainoa ahy ianao sy ny fianakavianao izay samy taranak'i Davida. Moa tsy ampy anareo ve ny manasatra ny olombelona no dia hanasatra an'Andriamanitra koa ianareo? 14Noho izany àry, dia ny Tompo mihitsy no hanome famantarana ho anareo: jereo fa hitoe-jaza ny vehivavy ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hataony hoe Himanoela, izany hoe «Andriamanitra miaraka amintsika.» 15Rononomandry sy tantely no ho sakafony ambara-pahalalàny mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara. 16Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara akory izany zaza izany, dia hilaozan'ny mponina ny tanin'ireo mpanjaka roa izay mampitahotra anao ireo.

mardi 27 décembre 2016

Talata 27 Desambra 2016 - Ezr 6 : 13 - 18

13Tamin'izay ry Tatenay governoran'ny faritra andrefan'ny ony Eofrata sy ry Setara-Bôzenay mbamin'ireo namany dia nankatò an-tsakany sy an-davany izany teny nalefan'i Dariôsa ho azy izany.

14Dia nanohy ny taotrano ireo loholona jiosy ka nambinina, araka ny hafatra nentin'ny mpaminany* Hagay sy ny mpaminany Zakarià zanakalahin'i Hidao. Nanorina ka nahavita ny tempoly* ry zareo, araka ny didin'Ilay Andriamanitr'i Israely sy araka ny baikon-dry i Kirôsa sy i Dariôsa ary i Artakserksesa, amperôran'i Persia. 15Tamin'ny andro fahatelon'ny volana Adara, nandritra ny taona fahenina nanjakan'ny amperôra Dariôsa, no nahavitan'ny tempoly. 16Ny Israelita nody avy any an-tsesitany, na mpisorona* na levita* na ny sarambabem-bahoaka, dia nitokana ny tranon'Andriamanitra tamim-pifaliana. 17Ny sorona* natolotra tamin'io fitokanana io dia ombilahy zato sy ondrilahy roanjato ary zanakondry efajato; ary ny ho sorona fanalana ny ota ho an'ny vahoaka Israely manontolo dia osilahy 12, izany hoe anankiray isam-poko. 18Dia nisy fanendrena ny mpisorona sy ny levita ho amin'ny antokony avy sy araka ny andraikiny avy, mba hanao ny fanompoana an'Ilay Andriamanitra Izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao anatin'ny bokin'i Mosesy.

lundi 26 décembre 2016

Alatsinainy 26 Desambra 2016 - I Tan 29 : 10 - 20

10Dia nankalaza ny TOMPO teo imason'ny olona rehetra tafangona teo i Davida ka nanao hoe:

–Hankalazaina anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr'i Israely razambenay; hankalazaina anie Ianao hatrizay ka ho mandrakizay! 11Anao, TOMPO ô, ny halehibiazana sy hery; Anao ny voninahitra sy hamirapiratana ary fiandrianana; satria Anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany! Ianao, TOMPO ô, no mpanjaka; Ianao no asandratra ho filohan'ny zavatra rehetra. 12Avy aminao ny harena sy ny voninahitra*; ary Ianao no mifehy izao rehetra izao. Eo an-tananao ny fahefana sy ny hery, ka Ianao no mahalehibe sy manamafy ny zavatra rehetra. 13Koa misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra. 14Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny mpiray firenena amiko, no hanan-kery hanolotra fanomezana an-tsitrapo toy izao? Eny, avy aminao ny zavatra rehetra; ary ny avy taminao ihany no nanomezanay Anao. 15Fa toy ny vahiny sy mpivahiny an-tanin'olona izahay eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra rahateo; miserana tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy azo ianteherana. 16Ry TOMPO Andriamanitray ô, ireo harena rehetra novononinay ireo, hanorenana tempoly* ho Anao mba hanajana Anao ilay Masina, dia avy taminao; ary Anao rahateo izy rehetra. 17Fantatro, ry Andriamanitro ô, fa mandinika ny ao am-pon'ny olona Ianao ary mankasitraka ny hitsim-po. Raha izaho, dia tamin-kitsim-po no nanolorako an-tsitrapo ireo fanomezana rehetra ireo; ary ankehitriny, dia amin-kafaliana no ahitako ny vahoakanao izay vory eto, nanolotra an-tsitrapo ny fanomezany ho Anao. 18Ry TOMPO Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razanay ô, tahirizo mandrakizay izany toe-tsaina sy toe-po ananan'ny vahoakanao izany ka ataovy mitodika aminao hatrany ny fony; 19ary omeo an'i Salômôna zanako ny fo vonona manontolo hitandrina ny didinao sy baikonao ka hanatanterahany azy rehetra sady hanorina ny tempoly lapanao izay efa nanomanako fitaovana.

20Dia hoy i Davida tamin'ny olona rehetra tafangona teo:
–Aoka ianareo hankalaza ny TOMPO Andriamanitrareo!
Dia nankalazain'izy rehetra ilay TOMPO Andriamanitry ny razany; sady niondrika izy ka niankohoka teo anatrehan'ny TOMPO sy teo anatrehan'ny mpanjaka.

dimanche 25 décembre 2016

Alahady 25 Desambra 2016 - Mat 2 : 1 - 12


1Rehefa teraka tao Betlehema tanànan'i Jodea i Jesoa tamin'ny andron'i Herôda* mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema, 2ka nanontany hoe:
–Aiza moa ilay Mpanjakan'ny Jiosy vao teraka? Efa hitanay niposaka tany atsinanana manko ny kintany, koa indreto izahay tonga hiankohoka eo anatrehany.

3Vao nandre izany i Herôda mpanjaka, dia nihorohoro izy mbamin'i Jerosalema iray vohitra. 4Novorîny avokoa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna* teo amin'ny vahoakany, ka nanontaniany hoe:
–Aiza moa no tokony hahaterahan'ny Mesia*?

5Dia hoy ireo taminy:
–Ao Betlehema, tanàna any Jodea, fa izao no voalazan'ny Soratra Masina tamin'ny alalan'ny mpaminany*:

6«Ary ianao, ry Betlehema, tanin'i Joda,
tsy ianao tsy akory no kely indrindra amin'ireo tanàna malazan'i Jodea;
fa avy aminao no hipoiran'ilay filoha
izay ho mpiandry an'i Israely vahoakako.»

7Tamin'izay dia nampiantsoin'i Herôda mangingina ireto olon-kendry ka nofotopotoriny tsara taminy ilay fotoana nisehoan'ny kintana; 8izay vao nalefany ho any Betlehema sady nataony hoe:
–Ndeha àry ka fotopotory tsara ny amin'ilay zaza; rehefa hitanareo dia ilazao aho, fa te hankany koa aho hiankohoka eo anatrehany.

9-10Nony avy nandre ny tenin'ny mpanjaka ireo olon-kendry, dia niainga. Ary indro tazany indray ilay kintana hitany fony niposaka, hany ka faly dia faly aoka izany ry zareo. Nialoha lalana azy ireo hatrany ilay kintana ary tsy nijanona raha tsy efa teo ambonin'ny toerana nisy ny zaza. 11Niditra tao an-trano ireo olon-kendry ka nahita ny zaza teny amin'i Maria reniny ary niankohoka teo anatrehan'ilay zaza ho fanajana azy. Rehefa izany, nanokatra ny vata fasiany rakitra ireto mpamangy ary nanolotra fanatitra ho azy: dia volamena sy ditin-kazo manitra* ary miora*. 12Ary notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin'i Herôda, ka dia lalan-kafa no nizorany hody any amin'ny tany fonenany.

samedi 24 décembre 2016

Sabotsy 24 Desambra 2016 - II Tes 1 : 11 - 12

11Izany no ivavahany lalandava ho anareo. Koa mangataka amin'Andriamanitsika izahay mba hataony mendrika ny fiainana niantsoany anareo ianareo. Mangataka izahay mba ho tanterahiny amin-kery avokoa ny fanirianareo hanao soa ary hataony lavorary koa ny asa ateraky ny finoanareo; 12dia homenareo voninahitra ny anaran'i Jesoa Tompontsika, sady ianareo koa homeny voninahitra. Izany no vokatr'ilay fahasoavana avy amin'ilay Andriamanitsika sy i Jesoa Kristy* Tompo.

vendredi 23 décembre 2016

Zoma 23 Desambra 2016 - Jer 9 : 22 - 23

22Izao no lazain'ny TOMPO:
«Aoka ny hendry tsy hirehareha
amin'ny fahendreny,
aoka ny mahery tsy hirehareha
amin'ny heriny,
ary aoka ny mpanankarena tsy hirehareha
amin'ny hareny!
23Fa raha misy te hirehareha,
dia aoka izy hirehareha
ho afaka mahafantatra Ahy
sy mahalala fa Izaho TOMPO,
dia mampihatra ny hatsaram-po
ary ny rariny sy ny hitsiny eto an-tany.
Eny, ny olona toy ireny no sitrako;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»

jeudi 22 décembre 2016

Alakamisy 22 Desambra 2016 - I Pet 4 : 10 - 11

 10Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, mova tsy mpitandrim-pananana mitantana tsara ny fanomezana maro samy hafa avy amin'Andriamanitra. 11Izay mitoriteny, aoka ho toy ny milaza ireo hafatr'Andriamanitra; izay manompo, aoka ho araka ny hery ampombain'Andriamanitra azy; ka dia amin'ny zavatra rehetra no hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy*, fa an'Andriamanitra ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen*.

mercredi 21 décembre 2016

Alarobia 21 Desambra 2016 - Lio 1 : 67 - 80

67Feno ny Fanahy Masina i Zakarià, rain'ny zazakely, ka nilaza faminaniana toy izao:

68–Hisaorana anie ny Tompo, Andriamanitr'i Israely*,
noho Izy namangy sy nanavotra ny vahoakany!
69Mpamonjy mahery ho antsika no najorony
avy amin'ny taranak'i Davida mpanompony,
70araka ny efa nambarany hatramin'ny fahagola
 tamin'ny alalan'ireo mpaminany* masina:
71dia Mpamonjy hanafaka antsika amin'ny fahavalontsika
sy amin'ny tanan'ireo mpankahala rehetra.
72Namindra fo tamin'ny razantsika Andriamanitra
sady nahatsiaro ilay fanekempihavanana* masina
73mbamin'ilay fianianana izay nataony
tamin'i Abrahama razantsika:
74dia ny hanala antsika amin'ny tanan'ny fahavalontsika,
ary ny hamela antsika hanompo Azy tsy amin-tahotra,
75fa amin-toetra masina sy marina eo anatrehany
mandritra ny andro rehetra iainantsika.
76Ary ianao kosa, anaka,
dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo indrindra,
fa hialoha ny Tompo ianao
mba hamboatra ny lalany;
77ny vahoakany hampahalalainao ny famonjena,
ka hahafantatra fa voavela ny helony.
78Mangoraka sy mamindra fo ilay Andriamanitsika,
koa masoandro miposaka avy any ambony no hamangy antsika
79mba hanazava an'ireo mihitsoka amin'ny maizina
sy amin'ny aloky ny fahafatesana,
ary mba hitarika ny diantsika
hizotra mankany amin'ny fiadanana.

80Nitombo sy nihanahery ilay zaza, ary nitoetra tany an-taniefitra mandra-pisehony tamin'ny vahoaka Israely.

mardi 20 décembre 2016

Talata 20 Desambra 2016 - Oha 3 : 5 - 12

5Matokia ny TOMPO amin'ny fonao manontolo,
fa aza miantehitra amin'ny fahakingan-tsainao.
6Mieke Azy amin'izay rehetra alehanao,
dia hatorony anao ny soritra harahinao.
7Aza manao ny tenanao ho hendry,
fa hajao ny TOMPO ka ialao ny ratsy.
8Hanasitranana ny tenanao izany
ary hamelombelomana ny taolanao.
9Anomezo voninahitra ny TOMPO ireo fanananao
sy izay voaloham-bokatrao rehetra.
10Dia ho feno vary mitafotafo ny sompitrao;
ary hihoatra ny barika fanantazanao azy ny divay.

11Anaka, aza hamavoinao ny famaizan'ny TOMPO
ary aza tofoka amin'ny fananarany.
12Fa izay tian'ny TOMPO no anariny
toy ny ataon-dray amin'ny zanany malala.

lundi 19 décembre 2016

Alatsinainy 19 Desambra 2016 - I Kor 6 : 19 - 20

19Sa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Ilay ao anatinareo sady noraisinareo tamin'Andriamanitra? Tsy anareo ny tenanareo, 20fa novidîn'Andriamanitra lafo ho fananany ianareo. Noho izany, ampiasao hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ny tenanareo.

dimanche 18 décembre 2016

Alahady 18 Desambra 2016 - Mik 5 : 1 - 5

1Dia hoy ny Tompo hoe:
«Ianao, ry Betlehema Efratà,
isan'ireo tanàna kely indrindra ao Joda ianao!
Kanefa avy aminao no hamoahako
ilay ho Mpanjaka an'i Israely.
Efa hatramin'ny fahagola no niandohany,
dia hatramin'ny andro taloha elabe.»
2–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany
amin'ny fahavalo
mandra-piavin'ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray;
ka izay sisa velona, amin'ireo rahalahiny
voasesi-tany,
dia hiverina ho any amin'ireo Israelita namany.
3Ary hitsangana hitondra ny vahoaka
izany mpanapaka nampanantenaina izany,
hombàn'ny hery sy heniky ny famirapiratana
avy amin'ny TOMPO Andriamaniny.
Dia handry feizay ny vahoakany,
satria ho lehibe hatrany am-paran'ny tany
izany mpanapaka izany:
4izy no hitondra fiadanana!
–Raha tonga hanafika ny tanintsika ny Asirianina
ka hitsofoka hatraty an-dapantsika,
dia hanangana mpitari-tafika marobe hamelezana azy isika.
5Ary handresy amin'ny sabatra sy lefom-pohy
ireo mpitari-tafika ireo
ka hifehy an'i Asiria, tanin'i Nimrôda.
Izany mpanapaka izany mihitsy
no hanafaka antsika amin'ny Asirianina
izay hihoatra sisitany
ka ho tonga hanafika ny tanintsika.


vendredi 16 décembre 2016

Zoma 16 Desambra 2016 - Gal 1 : 18 - 24

18Telo taona taorian'izany vao niakatra tany Jerosalema aho mba hifankahita amin'i Petera ary dia nitoetra tapa-bolana niaraka taminy. 19Tsy nahita apôstôly hafa aho; fa ny hitako dia i Jakôba rahalahin'ny Tompo.

20Momba izao zavatra soratako aminareo izao, dia ijoroako eto anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho!

21Taorian'izany, dia lasa nankany amin'ny faritany Siria sy Silisia aho. 22Nandritra izany fotoana izany, dia tsy mbola nisy nahita tava ahy ireo anisan'ny Fiangonana kristianina tany Jodea. 23Fa nandre fotsiny izy ireo hoe: «Ilay mpanenjika antsika fahiny dia indro ankehitriny mitory ny finoana izay nilofosany horavana fahiny!» 24Ary dia nanome voninahitra an'Andriamanitra ry zareo noho ny amiko.

jeudi 15 décembre 2016

Alakamisy 15 Desambra 2016 - Apo 15 : 1 - 4

1Ary hitako nisy famantarana* anankiray hafa tany an-danitra, famantarana sady lehibe no mahagaga: dia anjely fito izay nanana ny loza fito farany, satria amin'ireo loza ireo no hiseho faran'izay mafy indrindra ny haviniran*'Andriamanitra.

2Ary hitako nisy toa ranomasina fitaratra miharo afo; ka izay olona naharesy an'ilay biby sy ny sariny ary ny isa mifandraika amin'ny anarany dia nijoro teo amoron'io ranomasina fitaratra io sady nitana ny lokanga nomen'Andriamanitra azy. 3Ary miventy ny hiran'i Mosesy mpanompon'Andriamanitra sy ny hiran'ny Zanakondry izy ireo manao hoe:

                «Lehibe sy mahagaga ny asanao,
                  ry Tompo Andriamanitra Tsitoha!
                  Ara-drariny sy mahitsy ny fandaharanao
                  ry Mpanjakan'ny firenena!
                4Iza no tsy hanaja Anao, ry Tompo?
                  Iza no tsy hanome voninahitra Anao?
                  Satria Ianao irery no masina,
                  ka ho avy ny firenena rehetra
                  hiankohoka eo anatrehanao,
                  fa efa naharihary ny fitsaranao ara-drariny.»

mercredi 14 décembre 2016

Alarobia 14 Desambra 2016 - Sal 8 : 1 - 9

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Hampiarahina amin'ny jejilava. Salamo nataon'i Davida.

2TOMPO Andriamanitray ô,
endrey ny halehiben'ny voninahitrao
manerana ny tany tontolo!

Nataonao manoatra ny lanitra ny fiandriananao.
3Kanefa ny feon'ny ankizy madinika,
eny, ny feon'ireo zaza mbola minono aza
no anoheranao ny mpandrafy Anao;
ary izany dia toy ny manda natsanganao
hampanginanao ireo fahavalonao
sy izay te hamaly ratsy.

4Raha jereko ny lanitra asan-tananao
sy ny volana aman-kintana napetrakao eny,
5dia mba inona moa ny olombelona no tsarovanao,
sy izay zanak'olombelona no karakarainao?
6Fa nataonao latsaka kely noho ny anjely* izy,
ka nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana;
7nampanjakainao amin'ny asan-tananao:
nataonao ho eo an-tongony ny zava-drehetra,
8dia ny omby aman'ondry sy osy
mbamin'ny bibidia any an-tsaha,
9ny voro-manidina sy ny trondron-dranomasina
izay miriaria manaraka ny onjan-driaka.

mardi 13 décembre 2016

Talata 13 Desambra 2016 - I Tan 16 : 4 - 7

4Nisy levita* sasany notendren'i Davida ho amin'ny fanompoana teo anoloan'ny Vatamasin'ny TOMPO* mba hampahatsiaro sy hidera ary hanome voninahitra ny TOMPO Andriamanitr'i Israely. 5I Asafa no filohany, ary i Zakarià no lefitra. I Jahaziela sy i Semiramôta, i Jehiela sy i Matitià, i Eliaba sy i Benaià ary i Hôbeda-Edôma sy i Jehiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa i Asafa no nively ny kipantsona. 6I Benaià sy i Elihezera mpisorona* kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan'ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'Andriamanitra. 7Koa tamin'io andro io no voalohany nanendren'i Davida an'i Asafa sy ny namany hidera ny TOMPO.

lundi 12 décembre 2016

Alatsinainy 12 Desambra 2016 - Jao 15 : 1 - 8

1–Izaho no tena voaloboka; ary ny Raiko no mpamboly. 2Ny sampana rehetra izay tafaray amiko nefa tsy mamokatra dia esorin'ny Raiko; ary ny sampana rehetra izay mamokatra kosa, dioviny mba hamokatra bebe kokoa. 3Madio izao ianareo noho ny teny izay nolazaiko taminareo. 4Aoka hiray amiko hatrany ianareo toy ny iraisako aminareo. Ny sampana tsy afa-mamokatra ho azy raha tsy miray amin'ny voaloboka hatrany; dia toy izany koa ianareo: tsy afa-mamokatra, raha tsy miray amiko hatrany. 5Izaho no voaloboka; ianareo no sampana. Izay miray amiko hatrany, toy ny iraisako aminy, no mamokatra be; satria raha misaraka amiko ianareo, dia tsy afa-manao na inona na inona. 6Raha misy olona tsy miray amiko hatrany, dia ariana any ivelany tahaka ny sampana izy, ka mihamaina; ary angonina ireo sampana maina ka atsipy ao anaty afo, dia may. 7Raha miray amiko hatrany ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay zavatra tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. 8Ny ahazoan'ny Raiko voninahitra, dia ianareo mamokatra be sady tonga mpianatro*.

dimanche 11 décembre 2016

Alahady 11 Desambra 2016 - I Kor 10 : 31 ; 11 : 1

31Koa na mihinana na misotro ianareo, eny, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra ny zavatra rehetra. 32Aza manao izay hahasolafaka olona amin'ny ratsy, na Jiosy izy na hafa firenena* na ny Fiangonan'Andriamanitra. 33Mba manaova tahaka ahy, fa iezaho izay hahafaly ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra; ka tsy ny soa ho an'ny tenako no katsahiko, fa ny ho an'ny besinimaro, mba ho voavonjy izy rehetra.

1Manafahy ahy ianareo, tahaka ny anafahako an'i Kristy*!

samedi 10 décembre 2016

Sabotsy 10 Desambra 2016 - Isa 26 : 11 - 15

11TOMPO ô, manandra-tanana handrahona Ianao
kanefa tsy ahoan'ireo olon-dratsy akory.
Aoka ho menatra izy raha mahita
ny zotomponao hiaro ny vahoakanao;
eny, aoka handevona azy ny afo
izay natokanao ho an'ny fahavalonao!
12TOMPO ô, Ianao no manome anay ny fiadanana
ary Ianao koa no mahatomombana ho anay
ny asa rehetra nataonay.
13Ry TOMPO Andriamanitray ô,
tompo maro no efa notompoinay talohanao;
nefa ny anaranao ihany no satrinay hotsaroana.
14Ny maty tsy ho velona intsony
ary ny matoatoa tsy hitsangana koa;
fa efa nirotsaka handringana azy Ianao
ka nolevoninao mbamin'ny fahatsiarovana azy.
15TOMPO ô, nampitomboinao ny firenenay,
ary izany no nahazoanao voninahitra;
eny, nampitomboinao ny firenenay
ka nitarinao halalaka avokoa ny sisin-taniny.

vendredi 9 décembre 2016

Zoma 09 Desambra 2016 - Neh 8 : 4 - 8

4Teo ambony lampihazo vao narafitra ho an'io fotoana io no nitsanganan'i Hezrà mpahay lalàna. Ary nitsangana teo anilany ankavanana ry i Matitià sy i Sema, i Hanaià sy i Orià ary i Hilkià sy i Mahaseià; teo ankaviany kosa ry i Pedaià sy i Misaela, i Malkià sy i Hasoma, i Hasbadanà sy i Zakarià ary i Mesolama. 5Dia nanokatra ny boky teo imason'ny vahoaka rehetra i Hezrà, satria ambony toerana noho ny daholobe; ka rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny vahoaka rehetra. 6Nisaotra ny TOMPO Andriamanitra lehibe i Hezrà; ary nanandra-tanana ny vahoaka rehetra ka namaly hoe: «Amen*!» Avy eo izy ireo dia niondrika sady niankohoka nitehi-tany teo anatrehan'ny TOMPO. 7Dia nitsangana indray ny olona ka samy nijanona teo amin'ny toerany avy. Ary ny levita*, ry i Jesoa sy i Banỳ, i Serebià sy i Jamina, i Hakoba sy i Sabetahy, i Hôdià sy i Mahaseià, i Kelità sy i Hazarià, i Jôzabada sy i Hanàna ary i Pelaià, dia nampianatra ny vahoaka ny lalàna. 8Novakîn'ireo levita ireo mazava ny boky mirakitra ny lalànan'Andriamanitra sady novoasany koa ny heviny, ka azo tsara ny teny novakîna.

jeudi 8 décembre 2016

Alakamisy 08 Desambra 2016 - II Sam 22 : 47 - 51

47Velona ny TOMPO! Isaorana ilay Vatolampiko.
Hasandratra anie Andriamanitra
vatolampy mampandresy ahy.
48Izy no manao ny famaliana ho ahy
ary mampanaiky firenena hofeheziko.
49TOMPO ô, afahanao amin'ny fahavaloko aho;
eny, ataonao resiko ireo mpamely ahy
ary tsy mahazo ahy ny mpanao an-keriny.
50Koa eo anivom-pirenena no hiderako Anao
sady hankalazako Anao amin-kira.
51Ny TOMPO manome fandresena lehibe
ho an'ilay mpanjaka voafidiny;
ary maneho fitia an'ilay voahosony,
dia i Davida sy ireo taranany
hatrany amin'ny mandrakizay.

mercredi 7 décembre 2016

Alarobia 07 Desambra 2016 - I Pet 2 : 11 - 12

11Ry hava-malala, amin'ny maha vahiny sy mpivahiny anareo eto an-tany dia mampirisika anareo aho mba hifady ny filàndratsin'ny maha olona mpanota, fa miady manohitra ny fanahinareo ireny. 12Manàna fitondrantena tsara eo anivon'ny mpanompo sampy; fa na dia endrikendrehiny ho mpanao ratsy aza ianareo, dia ho hitany tokoa ny asa tsara ataonareo, ka hanomezany voninahitra an'Andriamanitra amin'ny andro hiavian'i Kristy*.

mardi 6 décembre 2016

Talata 06 Desambra 2016 - Jao 11 : 1 - 5

1Nisy lehilahy anankiray narary, dia i Lazara izay nonina tao Betania, tanàna nisy an'i Maria sy i Marta rahavaviny. 2I Maria dia ilay vehivavy nanosotra ilomanitra ny tongotry ny Tompo sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany; ary i Lazara anadahiny no narary. 3Dia naniraka olona tany amin'i Jesoa izy mirahavavy hilaza hoe:
–Tompo ô, marary ilay sakaizanao!

4Rehefa nandre izany i Jesoa, dia nanao hoe:
–Aretina tsy miafara amin'ny fahafatesana izay fa aretina tonga mba hisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra ka hahazoan'ny Zanak'Andriamanitra* voninahitra!

5I Jesoa dia fatra-pitia an'i Marta sy ny rahavaviny ary i Lazara.

lundi 5 décembre 2016

Alatsinainy 05 Desambra 2016 - Deo 26 : 16 - 19

16Anio no andidian'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo hanatanteraka ireo lalàna amam-pitsipika ireo; koa himasoanareo hotanterahina amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ireo. 17Efa nampiteneninareo ny TOMPO androany fa ho Andriamanitrareo Izy, ary ianareo hanaraka ny sori-dàlany ka hitandrina ny lalànany sy didy amam-pitsipiny ary hihaino ny feony. 18Efa nampitenenin'ny TOMPO kosa ianareo androany fa ho vahoaka fananany sarobidy indrindra ianareo, araka izay nampanantenainy taminareo, sady hitandrina ny didiny rehetra. 19Eny, tiany hasandratra ho ambonin'ny firenena rehetra izay nataony ianareo na amin'ny voninahitra na amin'ny laza na amin'ny famirapiratana; dia ho vahoaka voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, araka izay nampanantenainy.

dimanche 4 décembre 2016

Alahady 04 Desambra 2016 - Mat 5 : 13 - 16

13–Ianareo no sira hanasoa ny tany; fa raha ny sira no tonga matsatso, hatao ahoana indray no fanome hasina azy? Tsy misy antony intsony izy fa dia ariam-potsiny any ivelany hohitsakitsahin'ny olona. 14Ianareo no fahazavana ho an'izao tontolo izao; tsy azo afenina ny tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. 15Ary tsy misy mampirehitra jiro ka hametraka azy ao ambany vata famarana; fa eo ambony fitoeran-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. 16Aoka hamiratra eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo Izay any an-danitra.

samedi 3 décembre 2016

Sabotsy 03 Desambra 2016 - Sal 44 : 4 - 8

4Ny nahazoan'ny razanay ity tany ity
dia tsy ny sabatra nananany;
ny nahazoany fandresena
dia tsy ny heriny velively,
fa ny herinao nirotsaka an-tsehatra
sy ny fanatrehanao azy amim-pitiavana.

5Ianao tokoa, ry Andriamanitra Mpanjakako,
no manome fandresena an'i Jakôba vahoakanao.
6Ianao no anosehanay ny fahavalonay;
ny anaranao no anitsakitsahanay ny mpamely anay.
7Tsy ny tsipîkako no itokiako,
tsy ny sabatro no andreseko;
8fa Ianao no mamonjy anay amin'ny fahavalonay
sy manafo-kenatra ny mpankahala anay.

vendredi 2 décembre 2016

Zoma 02 Novambra 2016 - Fil 1 : 9 - 11

9Ary izao no tonombavaka ataoko ho anareo: hitombo bebe kokoa hatrany anie ny fitiavanareo ka hombàn'ny fahalalana marina sy ny tena fahatakaran-javatra 10mba hahaizanareo mifidy izay tsara; dia hadio sady tsy hanan-tsiny amin'ny andro hiavian'i Kristy ianareo, 11ary ho heniky ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, mba hanomezam-boninahitra sy hiderana an'Andriamanitra.

jeudi 1 décembre 2016

Alakamisy 01 Desambra 2016 - Eks 35 : 29 - 35

29Ny Israelita malala-tanana rehetra, na lahy na vavy, dia nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an'ny TOMPO mba ho enti-manao ireo asa izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

30Hoy i Mosesy tamin'ny Israelita:
–Jereonareo fa nofidin'ny TOMPO i Betsalela, zanakalahin'i Orỳ sady zafikelin'i Hora, avy amin'ny fokon'i Joda, 31ary nofenoiny ny Fanahiny mba ho tena kinga sy marani-tsaina, ka mahalala ny haitao isan-karazany: 32hainy ny manao vinavinan'asa, ny miasa volamena sy volafotsy ary halimo, 33ny mandidy ny vatosoa sy mandrafitra azy, ny manao sokitra ny hazo, izany hoe hainy atao ny asa kanto samihafa. 34Nomen'ny TOMPO azy ny fahaiza-mampianatra, tahaka izay nomeny an'i Ôhôliaba, zanakalahin'i Ahisamàka, avy amin'ny fokon'i Dana. 35Nomeny azy roa lahy ny talenta hanao asa isan-karazany: ny mandidy vatosoa, ny manao sary, ny manao peta-kofehy amin'ny volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ny manao peta-kofehy amin'ny kiran-drongony madinika, ny manenona ary ny manatontosa asa samihafa na mamorona zava-kanto.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12