mardi 31 janvier 2017

Talata 31 Janoary 2017 - Apo 2 : 8 - 11

–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Smirna:

8«Izao no lazain'ilay Voalohany sady Farany, Izay efa maty nefa velona indray: 9Fantatro ny fahorianao sy ny fahantrànao, kanefa manankarena ianao. Fantatro ianao fa endrikendrehin'ireo milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsiizy fa olona mivavaka amin'i Satàna*. 10Aza matahotra na inona na inona amin'izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly* efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.

11«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.
«Izay maharesy dia tsy hiharan-doza avy amin'ny fahafatesana faharoa.»

lundi 30 janvier 2017

Alatsinainy 30 Janoary 2017 - II Tes 3 : 1 - 5

1Farany, ry havana, mivavaha ho anay mba hiely faingana ny tenin'ny Tompo, ka hankatoavina araka ny voninahitra tandrify azy, toy ny teo aminareo. 2Mivavaha koa mba hanafahan'Andriamanitra anay amin'ny olona tsy valahara sy ratsy fanahy; satria tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.
3Fa mitana ny toky nomeny ny Tompo, ka hampahery anareo sady hiaro anareo tsy ho azon'ilay Ratsy*. 4Ary omen'ny Tompo fitokiana izahay ny momba anareo, ka azonay antoka fa ny zavatra ameperanay anareo dia efa ataonareo sady mbola hataonareo hatrany.
5Ny Tompo anie hitarika ny fonareo hahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra anareo sy hanam-paharetana miandry ny fiavian'i Kristy*!

dimanche 29 janvier 2017

Alahady 29 Janoary 2017 - II Tan 7 : 11 - 18

11Rehefa vitan'i Salômôna ny tranon'ny TOMPO sy ny lapan'andriamanjaka, sady samy nataony lavorary avokoa izay rehetra nokasainy hotontosaina tao an-tranon'ny TOMPO* sy tao an-dapany, 12dia nisehon'i TOMPO indray i Salômôna nony alina, ka nilazany hoe:

–Efa reko ny vavakao ary efa voafidiko ho trano fanateran-tsorona* ho Ahy ity toerana ity. 13Mety hampikatona ny lanitra Aho ka tsy hisy ranonorana latsaka, mety hibaiko ny valala handrava ny tany Aho, na mety handefa areti-mandringana hamely ny vahoakako; 14kanefa raha amin'izay no avy hanetry tena ny vahoakako izay iantsoana ny anarako, ka hivavaka sy hitady Ahy ary hiala amin'ny toe-dratsy fanaony, dia hihaino avy any an-danitra* Aho ka hamela ny fahotany ary hahasitrana ny taniny. 15Ankehitriny no ijeren'ny masoko ary ihainoan'ny sofiko ny vavaka izay atao eto amin'ity toerana ity. 16Eny, voafidiko sy natokako ity tempoly ity mba hitoeran'ny voninahitro mandrakizay; ka ho ao mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo. 17Ny aminao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran'i Davida rainao ianao, ka manao araka izay andidiako anao sy mitandrina ny didiko amam-dalànako, 18dia hampaharitra ny sezafiandrianam-panjakanao Aho, araka ny fanekempihavanana* nataoko tamin'i Davida rainao ka nilazako hoe: «Tsy ho diso taranaka handimby ianao mba hifehy an'i Israely.»

samedi 28 janvier 2017

Sabotsy 28 Janoary 2017 - Lio 11 : 5 - 13

5Ary hoy indray i Jesoa tamin'ireto mpianany:

–Aoka hataontsika hoe misy aminareo midodododo amin-kavana misasakalina ka mitaraina aminy hoe: «Rahavako ô, mba ampisambory mofo telo aho, 6fa misy havako mivahiny vao tonga ao amiko nefa tsy manan-karoso azy aho!» 7Hamaly kosa angamba ny ao an-trano hanao hoe: «Aza sahiranina aho, fa ny varavarana efa mihidy ary izaho sy ny vady aman-janako efa samy am-pandriana, ka tsy afaka hifoha hanome mofo anao aho.» 8Lazaiko aminareo fa na tsy hifoha hanome mofo azy noho ny fihavanana aza ilay ao an-trano, dia hifoha ihany hanome izay rehetra ilainy mba tsy ho voatabataba tsy misy farany. 9Ka hoy Aho aminareo: mangataha, dia homena; mitadiava, dia hahita; dondòny, dia hovohana. 10Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. 11Araka ny hevitrareo, iza no raim-pianakaviana hangatahan-janany trondro ka tsy hanome azy trondro fa bibilava? 12Na hangatahany atody ka hanome azy maingoka? 13Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo; tsy mainka ve ny Ray Izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina an'izay mangataka aminy?

vendredi 27 janvier 2017

Zoma 27 janoary 2017 - II Kor 1 : 17 - 20

17Moa nanao kitoatoa ve aho raha nikasa izany? Araka ny maha olombelona fotsiny ve no nikasako izany ka hahazoako hiroa teny, sady hanao «eny» no hanao «tsia»? 18Raha mahatoky koa Andriamanitra, dia tsy mandray roa ny teninay taminareo ka sady ho «eny» no ho «tsia». 19Satria i Jesoa Kristy*, ilay Zanak'Andriamanitra*, Izay notorînay sy i Silasy ary i Timôty teo aminareo, dia tsy hoe sady «eny» no «tsia»; fa i Jesoa Kristy dia «eny» hatrany hatrany: 20koa Izy no ilay «eny» mahatò ny fampanantenana rehetra nataon'Andriamanitra. Izany koa no anton'ny anononantsika ny «Amen*» amin'ny alalan'i Jesoa Kristy ho voninahitr'Andriamanitra.

jeudi 26 janvier 2017

Alakamisy 26 Janoary 2017 - I Sam 12 : 1 - 5

1Ary hoy i Samoela tamin'ny vahoaka israelita rehetra:
–Indro efa nekeko avokoa izay rehetra nangatahinareo tamiko: nanendry mpanjaka hanjaka eo aminareo aho. 2Ary ankehitriny dia ny mpanjaka no hitarika anareo fa efa antitra sy osa aho, ary indreo ny zanako fa efa lehibe toa anareo. Nitondra anareo efa hatramin'ny fahatanorako aho ka mandraka androany. 3Inty ny tenako, omeo tsiny eto anatrehan'ny TOMPO sy ny mpanjaka voahosony, raha toa ka nisy ombin'olona na borikiny nangalariko, na koa nisy olona nambakaiko sy nampahoriko, na nisy olona nandraisako tsolotra ho tapi-maso aminy; fa vonona ny hanonitra izany aho.

4Dia hoy ny navalin'ny Israelita:
–Tsy nanambaka na nampahory anay ianao. Tsy nandray tsolotra na tamin'iza na tamin'iza koa ianao.

5Hoy indray i Samoela tamin'izy ireo:
–Ny TOMPO sy ny mpanjaka no vavolombelona anio fa tsy nisy zavatra hitanareo tamiko hanomezan-tsiny ny tenako.

mercredi 25 janvier 2017

Alarobia 25 Janoary 2017 - I Jao 5 : 18 - 21

18Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota, satria arovan'ilay Zanak'Andriamanitra izy ka tsy voakasik'ilay Ratsy*.

19Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, fa izao tontolo izao* kosa eo ambany fahefàn'ilay Ratsy avokoa.

20Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an'ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin'izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin'ny alalan'i Jesoa Kristy* Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.

21Rey anaka, mitandrema tena fandrao manompo sampy ianareo.

mardi 24 janvier 2017

Talata 24 Janoary 2017 - Isa 46 : 3 - 7

3Mihainoa Ahy TOMPO, ry taranak'i Jakôba,
dia ianareo rehetra sisa velona
amin'ny taranak'i Israely,
ianareo izay nokarakaraiko hatrany am-bohoka
sy notrotroiko raha vao teraka.
4Tsy hiova Aho, na dia mandra-pahantitrareo aza;
hanohana anareo Aho mandra-pahafotsin'ny volonareo.
Izaho no nanao anareo sy nitrotro anareo hatrany;
eny, Izaho no hanohana anareo sy hamonjy anareo.

5Iza moa no ampitovinareo amiko
ary hanoharanareo Ahy?
Iza no hampifandanjanareo amiko
ka hahitana fifanahafana aminay?
6Misy olona mandanilany foana ny volany;
mandanja volamena sy volafotsy amin'ny mizana izy,
dia manarama olona mpanefy firavaka
mba hamboatra ireny ho andriamanitra
izay hivavahany sady hiankohofany tokoa.
7Izy ireo ihany no mibata ny andriamaniny
sy mitondra azy eny an-tsoroka
sady mametraka azy eo amin'ny toerany,
dia mijanona eo iny fa tsy mahahetsika.
Raha iantsoana vonjy izy, dia tsy mamaly
sady tsy mahavonjy amin'ny fahoriana.

lundi 23 janvier 2017

Alatsinainy 23 Janoary 2017 - Jao 5 : 19 - 23

Dia niteny indray i Jesoa nanao tamin'ny manampahefana jiosy hoe:

19–Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny Zanaka dia tsy mahavita na inona na inona avy amin'ny tenany: izay hitany ataon'ny Ray no ataony, satria na inona na inona ataon'ny Ray dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka. 20Ny Ray dia fatra-pitia ny Zanaka, ka ny zavatra rehetra ataon'Izy Ray dia asehony Azy; ary asa lehibe noho ireto aza no mbola hasehony Azy, mba higaganareo. 21Ny Ray dia mampitsangana ireo maty sy mamelona aina azy: toy izany koa, ny Zanaka dia mamelona aina ireo tiany hovelomina aina. 22Ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny Zanaka no efa nomeny fahefana feno hitsara, 23mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny anajan'ny olona rehetra ny Ray: izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray Izay naniraka Azy.

dimanche 22 janvier 2017

Alahady 22 Janoary 2017 - Hos 12 : 1 - 7

1Hodidinin'ny olon'i Efraîma lainga Aho
ary mamely fitaka manodidina Ahy
ny firenen'i Israely.
I Joda kosa mbola miaraka amin'Andriamanitra
sady mbola matoky an'Ilay Masina Indrindra.
2Mamatsy diloilo an'i Ejipta i Efraîma;
ka rivotra no ivokisany amin'izany.
Manao fifanekena amin'i Asiria izy
dia manenji-drivotra avy atsinanana.
Tontolo andro no ampitomboiny
ny lainga sy ny herisetra.

3Manana ady amin'i Joda ny TOMPO.
ka hanafay ny firenen'i Jakôba
noho ny fitondrantenany
ary hamaly azy araka ny ratsy nataony.
4Fony i Jakôba mbola tany an-kibon-dreniny
no efa nisongona ny rahalahiny;
ary rehefa lehilahy lehibe izy,
dia nitolona tamin'Andriamanitra.
5 Anjely* no nitolomany ka nandresy azy.
Nitomany i Jakôba sady nifona taminy.
Tao Betela no nahitany an'Andriamanitra
ka nitenenan'Andriamanitra taminy.
6Teo ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao,
ny TOMPO araka ny anarana ahatsiarovana Azy,
7no niteny tamin'i Jakôba hoe:
«Miverena amiko Andriamanitrao ianao!
Tandrovy ny fitiavana sy ny rariny;
ary Izaho Andriamanitrao no itokio hatrany.»

samedi 21 janvier 2017

Sabotsy 21 Janoary 2017 - Apo 1 : 4 - 8

4Avy amiko Jôhany ireto taratasy ireto, ary mamangy ny Fiangonana fito ao amin'ny faritany Azia aho.

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Ilay ankehitriny sy taloha ary avy; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'ny Fanahy Masina, ombàm-panomezana fito, Izay eo anoloan'ny sezafiandrianan'Andriamanitra; 5ary ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'i Jesoa Kristy*, ilay Vavolombelona mahatoky, ilay Zanaka lahimatoa sady voalohany natsangana ho velona avy tany amin'ny maty, ary ilay filohan'ny mpanjakan'ny tany!

Tia antsika i Jesoa Kristy ka efa namaha antsika tamin'ny fatoran'ny fahotantsika fony Izy nahafoy ny rany, 6ary efa nahatonga antsika ho fanjaka-mpisorona hanompo an'Andriamanitra Rainy. Ho an'i Jesoa Kristy anie ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay! Amen*.

7Indro i Jesoa Kristy, tamy eo amin'ny rahona, ka hahita maso Azy ny olona rehetra, na dia ireo nandefona Azy aza, ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, izany tokoa!

8«Izaho no Alfa sy Ômega», hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, ilay Tsitoha.

vendredi 20 janvier 2017

Zoma 20 Janoary 2017 - Mat 17 : 1 - 9

1Enina andro taorian'izay, dia nalain'i Jesoa niaraka taminy ry i Petera mbamin-dry i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray. 2Dia niova tarehy teo anatrehan'izy telo lahy i Jesoa: namirapiratra tahaka ny masoandro ny tavany ary tonga fotsy tahaka ny hazavana ny fitafiany. 3Ary indreo koa hitan'izy telo lahy i Mosesy sy i Elià* niresaka tamin'i Jesoa. 4Dia hoy i Petera tamin'i Jesoa:
–Tompo ô, tsara ho antsika ny mitoetra eto; koa raha sitrakao, dia hanao lay telo eto aho: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elià.

5Raha mbola niteny i Petera, dia nisy rahona mazava nanarona azy rehetra; ary injao nisy feo avy tao amin'io rahona io nanao hoe:
–Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Henoy Izy!

6Nony nandre izany ireto mpianatra telo lahy, dia natahotra mafy ka lavo niankohoka tamin'ny tany.

7Fa nanatona azy i Jesoa, dia nanohina azy sady niteny hoe:
–Miarena! Aoka izay ny tahotra!

8Dia niandrandra hijery izy telo lahy, ka tsy nahita olona afa-tsy i Jesoa irery ihany.

9Tamin'izy efa-mianaka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen'i Jesoa azy telo lahy:
–Aza lazaina na amin'iza na amin'iza iny fahitana iny, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona* ho velona avy any amin'ny maty.

jeudi 19 janvier 2017

Alakamisy 19 Janoary 2017 - I Sam 20 : 9 - 15

9Dia hoy i Jônatàna hoe:
–Sanatria aminao izany! Raha fantatro tokoa fa vonona hanisy ratsy anao ny raiko, dia mianiana aho fa hilaza izany aminao.

10Ka hoy i Davida tamin'i Jônatàna:
–Iza anefa no hilaza amiko, raha toa ka mamaly anao an-katezerana ny rainao?
1
1Fa hoy ny navalin'i Jônatàna azy:
–Andeha isika hankany an-tsaha!

Dia lasa nankany an-tsaha izy roa lahy. 12Ary hoy i Jônatàna tamin'i Davida:
–Ny TOMPO Andriamanitr'i Israely no vavolombelona fa hitsapa izay hevitry ny raiko aho, rahampitso na rahafakampitso amin'ny ora toy izao. Koa raha ny hahasoa anao no ao an-tsainy, dia tsy hampandre anao na inona na inona aho. Fa raha mihevitra hanisy ratsy anao kosa ny raiko, 13dia enga anie hosazîn'ny TOMPO mafy tokoa aho raha tsy mampandre anao! Koa halefako ianao handeha tsy amin'ahiahy, ary dia homba anao tahaka ny nombàny ny raiko anie ny TOMPO! 14Raha mbola velona aho any aoriana any, dia araka ny fitiavan'ny TOMPO no ataovy amiko. Raha maty kosa aho, 15dia mbola hasehonao amin'ny taranako hatrany hatrany ny fitiavanao, na dia ho voaringan'ny TOMPO tsirairay tsy ho etỳ ambonin'ny tany aza ny fahavalonao.

mardi 17 janvier 2017

Alarobia 18 Janoary 2017 - Heb 13 : 7 - 16

7Tsarovy ireo mpitarika anareo ara-pivavahana, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero izay niafaran'ny fiainany ka alao tahaka ny finoany. 8I Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. 9Aza mety havilivilin'ny fampianarana samihafa tsy araka an'i Kristy ianareo; tsara manko raha ampaherezina amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ny fonareo, fa tsy amina fitsipika momba ny hanina izay tsy mahasoa ireo mahavatra azy.

10Ireo mpanaraka fanompoam-pivavahana ao amin'ny toeram-pivavahana jiosy dia tsy mahazo mihinana amin'izay sorona atao eo amin'ny alitarantsika*. 11Entin'ny mpisorombe* ao amin'ny Toeramasina Indrindra* ny ran'ny biby hatao sorona ho fanalana ny ota; fa ny fatin'ireo biby ireo kosa dia dorana any ivelan'ny toby. 12Izany koa no anton'ny nahafatesan'i Jesoa tany ivelan'ny tanàna, mba hanadio ny vahoaka amin'ny ra nafoiny. 13Aoka àry isika hivoaka ny toby hankeo amin'i Jesoa, ka hiara-mizaka aminy ny fandatsana nozakainy. 14Fa tsy manana tanàna maharitra eto an-tany isika; fa ilay tanàna ho avy no katsahintsika. 15Koa amin'ny alalan'i Jesoa aoka hatolotsika ho sorona ho an'Andriamanitra mandrakariva ny fideràntsika Azy, dia fiderana ventesin'ny molotr'ireo olona miaiky an'Andriamanitra ho Tompo. 16Aza hadinoina ny fanaovan-tsoa sy ny fifanampiana, fa sorona toy izany no sitrak'Andriamanitra.

Talata 17 Janoary 2017 - Isa 49 : 7 - 13

7Ny TOMPO Mpanavotra sady Masin'i Israely,
dia miteny aminao, ry voaeson'ny olona
sy ankahalain'ny firenen-kafa,
ary andevozin'ireo mpanjakazaka;
ka izao no lazainy aminao:
«Raha vao mahita anao ny mpanjaka
dia hitsangana hiala amin'ny sezafiandrianany;
ary hiankohoka ny manampahefana,
raha vao mahatazana anao.
Izany no hanajany Ahy TOMPO mahatoky,
dia Ilay Masin'i Israely efa nifidy anao.»
8Izao koa no lazain'ny TOMPO:
«Tamin'ny fotoana mety
dia namaly ny antsonao Aho,
ary tamin'ny androm-pamonjena
dia tonga namonjy anao Aho.
Nokolokoloiko ianao mba hataoko
ho antoky ny fanekempihavanako amin'ny olona
Noho izany, dia hanarina ny tany Aho
sy hizara indray ny lova efa rava;
9ka ny mpifatotra izay ao anaty haizina
dia hitenenako hoe:
‹Mivoaha tao ianareo, misehoa.›
Eny an-dalana eny izy dia hahazo sakafo,
ka ho tahaka ny andiam-biby fiompy
mirao-bilona amin'ny havoana rehetra.
10Tsy ho noana sady tsy hangetaheta ireo
ary tsy hampaninona azy akory
na ny rivo-mahamay na ny masoandro,
satria am-pitiavana no hitarihako azy
ary any amin'ny loharano miboiboika
no hitondrako azy hiala hetaheta
11Ny tendrombohitra rehetra hasiako lalana;
ary ny arabe kosa hataoko tsara voatra.
12Indreny izy fa tonga avy any lavitra,
ny sasany avy any avaratra,
ny sasany avy any andrefana, avy any an-dranomasina,
ny sasany avy any atsimo, avy any Ejipta.»

13Mifalia, ry lanitra, miravoravoa, ry tany;
manaova horakora-pifaliana, ry tendrombohitra,
fa ny TOMPO efa nampahery ny vahoakany
ary naneho indrafo tamin'ny mahantrany.

lundi 16 janvier 2017

Alatsinainy 16 Janoary 2017 - Mpi 11 : 5 - 11

 5Ary rehefa vaky ny ady teo amin'ny Hamônita sy ny Israelita, dia nandeha ireo loholon*'i Gilehada mba haka an'i Jiftà any amin'ny faritanin'i Tôba, 6ka nanao taminy hoe:
–Avia ho mpitarika ny tafikay ianao, mba hahafahanay miady amin'ny Hamônita.

7Fa novalian'i Jiftà hoe:
–Moa tsy nankahala ahy ve ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa nahoana no mankatỳ amiko ianareo ankehitriny, rehefa tra-pahoriana?

8Hoy kosa ny loholona tamin'i Jiftà:
–Mitodika aminao izahay ankehitriny mba handehananao hiaraka aminay ka hiadianao amin'ny Hamônita; dia ho filohanay sy ho filohan'ny mponina rehetra any Gilehada ianao.

9Dia hoy indray i Jiftà taminy:
–Raha mampody ahy ianareo ankehitriny mba hiady amin'ny Hamônita, ka hatolotry ny TOMPO eo anoloako ireny, dia ho filohanareo aho.

10Dia hoy ny valin-tenin'ny loholon'i Gilehada hoe:
–Ny TOMPO no ho vavolombelona amintsika fa araka izay efa nambaranao no hataonay!
11Dia nandeha niaraka tamin'ireo loholon'i Gilehada i Jiftà ka noraisin'ny olona ho filoha sy ho mpitari-tafika. Ary tao Mitsepà, teo anatrehan'ny TOMPO, dia nohamafisin'i Jiftà ny teny rehetra efa nifanarahany tamin'ireo loholona.

dimanche 15 janvier 2017

Alahady 15 Janoary 2017 - I Jao 1 : 5 - 10

5Izao no hafatra renay tamin'i Jesoa Kristy*, ka mba ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy mba misy haizina akory ao aminy. 6Raha milaza ho manam-piombonana amin'Andriamanitra isika, nefa miaina ao amin'ny haizina, dia mandainga sady tsy manatanteraka ny hafatra marim-pototra. 7Andriamanitra dia ao amin'ny mazava: ka raha miaina ao amin'ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran'i Jesoa Zanany* no manadio antsika ho afaka amin'ny karazam-pahotana rehetra.

8Raha milaza ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny hafatra marim-pototra. 9Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mitana ny toky nomeny Andriamanitra sady miantra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin'ny ratsy isan-karazany. 10Raha milaza ho tsy nanota isika, dia mampandainga an'Andriamanitra sady tsy ao anatintsika ny teniny.

samedi 14 janvier 2017

Sabotsy 14 Janoary 2017 - Mal 2 : 10 - 16

10Tsy tokana va ny raintsika rehetra? Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika? Koa nahoana no mivadika amin'ny namantsika avy isika, ka manimbazimba ny fanekempihavanana* nifanaovan'Andriamanitra tamin'ireo razantsika? 11Efa nivadi-panekena ny vahoakan'i Joda. Zavatra maharikoriko no nataony tao Jerosalema sy tamin'ny tanin'i Israely manontolo; satria nozimbazimbainy ny toeramasina* izay mamin'ny TOMPO, ary dia nanambady vehivavy mpivavaka amin'ny andriamani-kafa izy. 12Hoesorin'ny TOMPO tsy ho anisan'ny taranak'i Jakôba anie izay lehilahy manao izany na iza izy na iza, eny, fa na dia izay manolotra fanatitra ho an'ny TOMPOn'izao rehetra izao aza!

13Ary izao koa no mbola ataonareo: ataonareo hotsa-dranomaso ny alitara*n'ny TOMPO; mitomany sy midradradradra ianareo, satria tsy miraika amin'izay fanatitrareo intsony Izy ary tsy manaiky intsony izay zavatra aterinareo aminy. 14Dia anontanianareo ny anton'ny tsy anekeny izany intsony. Ny antony dia satria efa nanaiky teo anatrehan'ny TOMPO ianareo fa ho mahatoky amin'ny vadin'ny fahatanoranareo. Vady vita fanekena taminareo izany, nefa dia nilaozanareo. 15Tsy efa nataon'ny TOMPO ho tena iray amin'ny vadinareo ve ianareo, ara-batana sy ara-panahy? Ary inona no tadiavin'izany tena iray izany? Moa va tsy ny hanan-taranaka araka an'Andriamanitra? Koa dia mitandrema tena ianareo, aza ilaozana ny vadin'ny fahatanoranareo. 16«Halako ny fisaoram-bady sy ny fihosenana amin'ny herisetra, hoy ny TOMPO Andriamanitr'i Israely sady Tompon'izao rehetra izao. Koa dia mitandrema tena ianareo ary aza mandao vady.»

vendredi 13 janvier 2017

Zoma 13 Janoary 2017 - Jer 42 : 1 - 12

1Tamin'izay ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila, indrindra i Jôhanàna zanakalahin'i Karea sy i Hazarià zanakalahin'i Hôsaià, ary koa ny vahoaka rehetra teo na kely na lehibe, 2dia nanatona an'i Jeremià mpaminany* ka niteny taminy hoe:
–Mba ekeo re ny fiangaviana ataonay eto anatrehanao, ka mivavaha amin'ny TOMPO Andriamanitrao ho anay rehetra sisa tavela ireto satria vitsy kely izahay araka izao hitanao maso izao. 3Mangataha amin'ny TOMPO Andriamanitrao mba hatorony anay ny lalana tokony hizoranay sy ny zavatra tokony hataonay.

4Dia hoy i Jeremià mpaminany taminy:
–Efa reko izany, koa handeha hivavaka amin'ny TOMPO Andriamanitsika aho araka izay efa nangatahanareo tamiko; avy eo dia hatoroko anareo ny valin-tenin'ny TOMPO fa tsy hisy hafeniko anareo.

5Ary namaly an'i Jeremià ireo hoe:
–Aoka ny TOMPO no ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika! Mianiana izahay fa araka ny teny anirahan'ny TOMPO Andriamanitrao aminay tokoa no hataonay. 6Naniraka anao hanontany ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Koa hotanterahinay izay rehetra asainy hataonay, na tianay na tsy tianay; ary handeha tsara ho anay ny zavatra rehetra, satria mankatò ny feon'ny TOMPO Andriamanitsika izahay.

7Nony afaka folo andro, dia tonga tamin'i Jeremià ny valin-tenin'ny TOMPO. 8Koa nampiantso an'i Jôhanàna zanakalahin'i Karea sy ireo olon-kafa mpifehy ny andia-miaramila izay niaraka taminy mbamin'ny vahoaka rehetra na kely na lehibe i Jeremià, 9ary nanao taminy hoe:
–Naniraka ahy hitondra ny fangatahanareo tamin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely ianareo, ka izao no valin-teniny:

10«Raha hiverina hipetraka
ao amin'ity tany ity ianareo,
dia haoriko indray ny vahoakanareo
fa tsy horavako intsony;
hamboleko indray ianareo
fa tsy hongotako,
ary hanenenako ny loza
izay efa namelezako anareo.
11Koa aza matahotra ny mpanjakan'i Babilôna* intsony.
Eny, Izaho TOMPO no manao teny hentitra hoe:
Aza matahotra azy fa momba anareo Aho
hamonjy sy hanafaka anareo teo am-pelatanany.
12Homeko indrafo ianareo
ka hamindrafo anareo izy
ary hamela anareo hiverina any an-taninareo.»

jeudi 12 janvier 2017

Alakamisy 12 Janoary 2017 - Eze 37 : 26 - 28

26Hanao fanekempihavanana aminareo Aho, dia fanekempihavanana haharitra mandrakizay. Hataoko miorim-ponenana eo ianareo ka hampitomboiko ny mponina ao aminareo; ary hampitoeriko eo anivonareo mandrakizay ny tempoliko*. 27Hiara-monina aminareo Aho, ka Izaho ho Andriamanitrareo ary ianareo kosa ho vahoakako. 28Amin'izay dia hoeken'ireo hafa firenena fa Izaho no TOMPO, Izay manokana an'i Israely hanompo Ahy rehefa tafaorina eo anivonareo mandrakizay ny tempoliko.»

mercredi 11 janvier 2017

Alarobia 11 Janoary 2017 - I Kor 1 : 4 - 9

4Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitro ny aminareo aho noho ny fahasoavana efa nomeny anareo izay tafaray amin'i Kristy Jesoa. 5Eny, noho ianareo tafaray amin'i Kristy Jesoa no mampanankarena anareo amin'ny fanomezana rehetra, dia ny teny sy ny fahalalana rehetra. 6Izay nijoroana ho vavolombelona momba an'i Kristy dia efa tafaorina mafy ao aminareo, 7ka tsy misy fanomezam-pahasoavana tsy anananareo eo am-piandrasana ny hisehoan'i Jesoa Kristy Tompontsika. 8Andriamanitra koa no hampiorina anareo hatramin'ny farany, ka tsy hanananareo tsiny amin'ny andro hiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika. 9Mitana ny toky nomeny Andriamanitra Izay niantso anareo hiombona amin'ny Zanany*, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

mardi 10 janvier 2017

Talata 10 Janoary 2017 - Sal 33 : 4 - 11

4Fa mahitsy ny tenin'ny TOMPO
ka azo antoka avokoa izay ataony.
5Ny rariny sy ny hitsiny lalainy;
ny fitiavany manenika ny tany.
6Nandidy ny TOMPO, dia vita ny lanitra;
niteny Izy, dia ary ny planeta sy ny kintana.
7Angoniny sy fefeny ny rano an-dranomasina
ataony am-pitahirizana azy ny rano lalimbe.
8Hatahotra ny TOMPO anie ny tany tontolo;
hangovitra eo anatrehany anie
ny mponina rehetra ao aminy!
9Fa niteny Izy, dia tonga izay voalazany;
nandidy Izy, dia nisy avy hatrany ireny.
10Ny TOMPO maharava ny fikasan'ny firenena
ary mahasakana ny hevitry ny vahoaka;
11fa ny fikasan'ny TOMPO no maharitra mandrakizay,
ny hevitry ny fony manerana ny taranaka mifandimby.

lundi 9 janvier 2017

Alatsinainy 09 Janoary 2016 - Jer 32 : 36 - 41

36Ankehitriny anefa, na eo aza izany, Izaho TOMPO Andriamanitr'i Israely dia mbola manan-teny momba ity tanàna ity izay voalazanao sy voalazan'ny hafa hoe natolotra teo an-tanan'i Nebokadnetsara tamin'ny alalan'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana. 37Indro ny mponin'ity tanàna ity fa hangoniko avy any amin'ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin'ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo. 38Dia ho vahoakako indray izy, ary Izaho ho Andriamaniny. 39Hataoko iray fo sy iray hevitra izy mba hanaja Ahy hatrany hatrany, hahasoa azy sy ny taranany mandimby azy. 40Hanao fanekempihavanana* mandrakizay aminy Aho ka tsy hampitsahatra ny fanasoavako azy, ary hataoko ao am-pony ny fanajana Ahy mba tsy hialany amiko intsony. 41Hahafaly Ahy ny hanasoa azy, ka amin'ny foko sy fanahiko manontolo no hampiorenako azy tanteraka amin'ity tany ity.

dimanche 8 janvier 2017

Alahady 08 Janoary 2017 - Jao 12 : 44 - 53

44I Jesoa kosa niantso mafy hoe:

–Izay mino Ahy, dia tsy Izaho ihany no inoany fa Ilay naniraka Ahy; 45ary izay mahita Ahy, dia mahita Ilay naniraka Ahy. 46Izaho, ilay fahazavana, dia tonga amin'izao tontolo izao, mba tsy hitoetra ao anatin'ny haizina izay rehetra mino Ahy. 47Raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina ireny, dia tsy manameloka azy Aho; satria tsy hanameloka an'izao tontolo izao no nahatongavako, fa hamonjy an'izao tontolo izao*. 48Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay manameloka azy: ny teny izay nambarako ihany no hanameloka azy amin'ny andro farany; 49satria tsy avy amin'ny tenako no nanaovako fanambaràna, fa ny Ray Izay naniraka Ahy no nandidy izay holazaiko sy hambarako. 50Fantatro fa ny didin'ny Ray no mitondra fiaina-maharitra mandrakizay. Koa ireo zavatra nambarako dia nambarako araka ny voalazan'ny Ray tamiko.

samedi 7 janvier 2017

Sabotsy 07 Janoary 2017 - Sal 89 : 33 - 37

33dia hofaiziko tsorakazo ny fikomiany
ary hosazîko kapoka ny heloka vitany;
34kanefa tsy hofoanako ny fitiavako azy
ary tsy hivadihako ny toetrako mahatoky.
35Tsy hotsoahako ny fanekempihavanako
ary tsy hovako izay nampanantenaiko.
36Efa nanao izao fianianana izao Aho fahiny;
tamin'ny fahamasinako no nanaovako izany
fa tsy hamitaka velively an'i Davida Aho:
37Hisy hatrany hatrany ny taranany;
ary tahaka ny aharetan'ny masoandro
no haharetan'ny sezafiandrianany eo anatrehako;

vendredi 6 janvier 2017

Zoma 06 janoary 2017 - Heb 7 : 10 - 18

 10Fa na dia tsy mbola nateraka akory aza i Levỳ tamin'izay, dia efa tao amin'io razambeny io ihany raha nitsena an'i Abrahama i Melkitsedeka.

11Foto-javatra tamin'ny lalàna nomena ny vahoaka Israely ny fisoronan'i Levỳ. Koa raha nahatratra ny fanaperana tokoa ny fisoronan'i Levỳ, dia ho tsy nilaina intsony ny hisehoana Mpisorona anankiray hafa indray, dia Mpisorona araka ny fomban'i Melkitsedeka fa tsy tendrena araka ny fomban'i Aharôna*; 12satria raha ovàna ny fisoronana, dia tsy maintsy misy koa fiovàn-dalàna. 13Ka ny Tompontsika, Izay iantefan'izany teny izany, dia hafa foko; ary tsy misy avy tamin'ny fokony mba nanao raharaha teo amin'ny alitara* fisoronana. 14Eny, fantatra mazava tsara fa avy amin'ny fokon'i Joda no nipoiran'ny Tompontsika; ary izany foko izany, rehefa niteny momba ny mpisorona i Mosesy, dia tsy mba voatonony velively.

15Ary izao indray no vao mainka mampazava kokoa izany fiovàn-javatra izany: nisy Mpisorona hafa niseho, izay mitovy amin'i Melkitsedeka. 16Tsy lalàna* amam-pitsipika araka ny fomban'olombelona no nahatonga Azy ho Mpisorona, fa herim-piainana tsy manam-pahataperana; 17satria izy no ijoroana ho vavolombelona hoe:

«Ianao no Mpisorona mandrakizay
araka ny fomban'i Melkitsedeka.»

18Koa izany no nahafoana ny didy taloha, noho izy nalemy sady tsy nahasoa.

jeudi 5 janvier 2017

Alakamisy 05 Janoary 2017 - Deo 32 : 1 - 4

1Mihainoa, ry lanitra fa hiteny aho;
ny tany mandrenesa ny lazain'ny vavako.
2Ny anatro anie hitosaka toy ny orana,
dia toy ny oram-batravatra amin'ny vilona;
ny teniko anie hirotsaka toy ny ando,
dia toy ny erikerika amin'ny ahi-maitso.
3Miantso ny anaran'ny Tompo aho;
ry Israelita, ekeo fa lehibe ny Andriamanitsika!
4Ny TOMPO no Vatolampy: lavorary ny asany;
ny sori-dàlany rehetra rariny avokoa.
Andriamanitra mahatoky Izy, tsy misy ratsy eo aminy:
marina sy mahitsy Izy.

mercredi 4 janvier 2017

Alarobia 04 Janoary 2017 - Mar 1 : 9 - 15

9Tamin'izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanàna any Galilea i Jesoa ary nataon'i Jôhany batisa* tao Jôrdàna. 10Vantany vao niakatra avy ao anaty rano i Jesoa, dia nahita ny lanitra nitriatra sy ny Fanahy Masina nidina teo aminy tahaka ny voromahailala. 11Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:
–Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako.

12Ary niaraka tamin'izay dia nasesiky ny Fanahy Masina hankany an-taniefitra i Jesoa 13ka nijanona efapolo andro tany, nalain'i Satàna* fanahy, niara-nonina tamin'ny bibidia, ary notompoin'ny anjely*.

14Ary naiditra am-ponja i Jôhany. Taorian'izay, dia nankany Galilea i Jesoa, nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly* avy amin'Andriamanitra 15ka nilaza hoe:
–Tonga ny fotoanandro; efa akaiky ny Fanjakàn'Andriamanitra*, ialao ny toe-dratsy ary minoa ny Vaovao Mahafaly.

mardi 3 janvier 2017

Talata 03 Janoary 2016 - I Tes 2 : 1 - 12

1Ianareo, ry havana, dia mahalala fa tsy very maina velively ny nidiranay tatỳ aminareo. 2Fantatrareo koa fa taloha kelin'izay, dia nampijalîna sy nalam-baràka tany Filipy izahay; kanefa dia nomen'ilay Andriamanitray fahasahiana hanambara taminareo ny Vaovao Mahafaly* avy aminy, na dia be aza ny fanoherana. 3Eny, ny antso nataonay dia tsy mifototra amin'ny fitaka na amin'ny fahalotoana na amin'ny fisolokiana; 4fa Andriamanitra no efa nizaha toetra anay ka nanankina taminay ny Vaovao Mahafaly, ary dia araka izany no itenenanay: tsy mila sitraka amin'olombelona izahay, fa amin'Andriamanitra Izay mizaha toetra ny fonay. 5Fantatrareo fa tsy nanao teny manasohaso olona izahay na nihatsaravelatsihy hanafina fitiavan-karena; Andriamanitra no vavolombelonay. 6Tsy nitady voninahitra tamin'olombelona izahay, na taminareo na tamin'ny hafa, 7na dia azonay natao aza ny nanampatra fahefana araka ny maha apôstôlin'i Kristy* anay; fa teo anivonareo, dia nalemy fanahy izahay, mova tsy reny mikolokolo ny zanany naterany. 8Noho ny fankamamianay anareo, dia tsy ny Vaovao Mahafaly avy amin'Andriamanitra ihany no sitrakay hampitaina aminareo, fa vonona koa izahay hahafoy na dia ny ainay aza, satria efa tonga malalanay ianareo. 9Tsaroanareo, ry havana, ny nikelezanay aina sy nisasaranay mafy; niasa andro aman'alina izahay mba tsy hanahirana na dia olona iray taminareo aza, fony izahay nitory taminareo ny Vaovao Mahafaly avy amin'Andriamanitra. 10Samy vavolombelonay, na ianareo na Andriamanitra, fa madio sy marina ary tsy manan-tsiny ny fitondrantenanay teo anoloanareo mpino. 11Fantatrareo fa toy ny fitondran'ny ray ny zanany naterany no nitondranay anareo tsirairay avy: 12nampirisika anareo izahay sy nampahery anareo ary nananatra anareo mba hanao fitondrantena mendrika an'Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra Izay miantso anareo hiditra ao amin'ny Fanjakàny* sy ny voninahiny.

lundi 2 janvier 2017

Alatsinainy 02 Janoary 2017 - Apo 3 - 14 - 22

14–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Laôdisia:

«Izao no lazain'ny Amen*, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'ny zavaboaarin'Andriamanitra: 15Fantatro ny asanao; fantatro fa tsy mangatsiaka tsy mafana ianao; satriko ianao mangatsiaka na mafana. 16Saingy noho ianao matimaty ka tsy mafana tsy mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao! 17Hoy ianao hoe: manan-karena sy efa nihary fananam-be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mampalahelo, mahantra sy jamba ary mitanjaka. 18Koa manoro hevitra anao Aho: hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao; hividy amiko akanjo fotsy hiakanjoanao, mba tsy hisehoan'ny fitanjahanao mahamenatra; ary hividy amiko fanafody maso hahosotra ny masonao, mba hahiratra ianao. 19Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka ialao ny toe-dratsinao. 20Indro mijoro eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy olona mihaino ny feoko sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao an-tranony Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiara-misakafo amiko.

21«Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambony sezafiandrianako; dia tahaka ny nandreseko ihany koa sy niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambony sezafiandrianany.

22«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

dimanche 1 janvier 2017

Alahady 01 Janoary 2017 - Deo 7 : 9 - 16

9Aoka ho fantatrareo fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hany Andriamanitra tena Izy. Mitandro ny fanekempihavanany* sy ny fitiavany hatramin'ny taranaka faharivo Izy amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny; 10fa an-karihary sady tsy an-kitaredretra kosa no amaliany sy andringanany an'izay mankahala Azy. 11Koa tandremo ny didy sy lalàna amam-pitsipika izay andidiako anareo anio mba hotanterahinareo.

12Raha ireo fitsipika ireo no henoinareo ka imasoanareo hotanterahina, dia hotandrovin'ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo ny fanekempihavanana sy ny fitiavana izay nianianany tamin'ny razambenareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12