mardi 28 février 2017

Talata 28 Febroary 2017 - Jao 7 : 37 - 39

37Tamin'ilay andro lehibe famaranana ny fankalazana, dia nijoro i Jesoa ka niantso mafy hoe:
–Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy; 38ary izay mino Ahy, aoka hisotro! Fa araka ny voalazan'ny Soratra Masina*, dia «hisy onin-dranovelona hiboiboika avy ao am-pony!»

39Ny Fanahy Masina efa horaisin'ireo nino an'i Jesoa no voalazany tamin'izany; tsy mbola nomena manko ny Fanahy Masina, satria tsy mbola nomem-boninahitra i Jesoa.

lundi 27 février 2017

Alatsinainy 27 Febroary 2017 - Jer 31 : 31 - 34

31«Indro avy ny andro, izay hanaovako fanekempihavanana* vaovao amin'ny vahoakan'i Israely sy ny vahoakan'i Joda. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. 32Kanefa tsy hitovy amin'ilay fanekempihavanana nataoko tamin'ireo razany fony Aho nandray an-tanana hamoaka azy avy tany Ejipta izany. Fa nivadihan'ireo iny, kanefa Izaho no tompony; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. 33Fa izao no fanekempihavanana hataoko amin'ny vahoakan'i Israely, aorian'izany andro izany: Hapetrako ao an'eritreriny ny lalànako ary hosoratako ao am-pony, ka ho Andriamaniny Aho ary izy ho vahoakako. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. 34Tsy mila hanatona ny namany na mpiray tampo aminy intsony izy mba hampianatra ireny hahalala Ahy TOMPO; fa hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra dia samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa havelako ny fahadisoany ary tsy hotsarovako intsony ny helony.»

dimanche 26 février 2017

Alahady 26 Febroary 2017 - Heb 10 : 11 - 18

11Ny mpisorona rehetra dia samy nijoro isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy manolotra matetika ny sorona fanaony, izay sorona tsy mahaisotra ny fahotana velively. 12Fa i Kristy kosa dia nanolotra sorona fanalana ny ota indray mandeha monja ho sorona manan-kery mandrakizay, ary efa mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra; 13ka dia eo Izy ankehitriny miandry ny hanaovan'Andriamanitra ny fahavalony ho fitoeran-tongony. 14Eny, i Kristy no nandavorary mandrakizay, tamin'ny fanatitra iray ihany, ireo olona efa nodioviny ho afaka amin'ny ota.

15Ary ambaran'ny Fanahy Masina amintsika koa izany, fa hoy Izy aloha hoe:

16«Izao no Fanekempihavanana hataoko
amin'ny vahoaka Israely*
rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo:
Hataoko ao an-tsainy ny lalànako,
ary hosoratako ao am-pony.»

17Ary hoy koa ny Fanahy Masina hoe:

«Tsy hotsarovako intsony ny fahotany sy ny helony.»

18Ka rehefa voavela ny fahotana sy ny heloka, dia tsy misy ilana fanatitra ho fanalana izany intsony.

samedi 25 février 2017

Sabotsy 25 Febroary 2017 - Eks 14 : 26 - 31

26Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao mba hiverenan'ny rano eo amin'ny Ejiptianina sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.

nahinjitr'i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Niverina ho amin'ny toerany ny ranomasina rehefa ho maraina ny andro ka nifanehatra taminy ireo Ejiptianina nandositra, dia narian'ny TOMPO tao afovoan'ny ranomasina ny Ejiptianina.

28Nikatona ny ranomasina ka nandrakotra ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly; izay tafiky ny Farao manontolo nanenjika ny Israelita tao an-dranomasina dia tsy nisy afa-nitsoaka na iray aza. 29Fa ny Israelita kosa dia niampita ny ranomasina nandia tany maina, fa ny rano dia nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany. 30Namonjy ny Israelita teo an-tanan'ny Ejiptianina ny TOMPO tamin'izany andro izany, ka ny Israelita dia nahita ny fatin'ny Ejiptianina teny amoron-dranomasina. 31Hitan'ny Israelita ny hery lehibe izay nampiasain'ny TOMPO hamelezana ny Ejiptianina. Izany no nanajan'ny Israelita ny TOMPO, ka nitokiany AZY sy nitokiany an'i Mosesy mpanompony.

vendredi 24 février 2017

Zoma 24 Febroary 2017 - Mat 22 : 34 - 40

34Vao ren'ny Farisianina* fa nataon'i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Tsadoseanina*, dia vory teo amin'io toerana io ry zareo. 35Ary mpahay lalàna* ny anankiray tamin'ireto Farisianina, ka mba hamandrihany an'i Jesoa no nanontaniany Azy hoe:
36–Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra ao amin'ny lalàna?

37Dia hoy i Jesoa taminy:
–«Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo, amin'ny fanahinao manontolo, ary amin'ny sainao manontolo.» 38Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. 39Ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany, dia izao: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.» 40Ireo didy anankiroa ireo no ifaharan'ny lalànan*'i Mosesy manontolo sy ny fampianaran'ny mpaminany.

jeudi 23 février 2017

Alakamisy 23 Febroary 2017 - Rom 10 : 11 - 18

11Fa hoy ny Soratra Masina* hoe: «Izay (rehetra) mino Azy tsy mba hangaihay.» 12Koa mitovy na Jiosy na hafa firenena*, fa ny Tompo iray ihany ny an'ny rehetra, Tompo malala-tanana amin'izay rehetra miantso Azy. 13Satria izao no tenin'ny Soratra Masina: «Izay rehetra hiantso ny Tompo, dia ho voavonjy.»

14Hataon'ny olona ahoana àry no fiantso ny anaran'ny Tompo, raha tsy efa ninoany? Hataony ahoana no fino Azy, raha tsy efa reny? Hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitoriteny? 15Ary hatao ahoana no fitoriteny, raha tsy nirahina? Araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: «Endrey, tsara izany mahita ireo mpitondra Vaovao Mahafaly* tonga hanambara teny soa!» 16Tsy àry nanaiky ny Vaovao Mahafaly avokoa anefa ny olona rehetra, fa hoy i Isaià hoe: «Tompo ô, iza no nino ny hafatra nambaranay?» 17Koa ny finoana dia vokatry ny hafatra ambara; ary ny hafatra ambara dia ny teny momba an'i Kristy.

18Kanefa manontany aho hoe: Sao tsy nandre ny hafatra ny olona? Nandre tokoa izy rehetra, fa izao no tenin'ny Soratra Masina:
             «Lasa nanerana ny tany tontolo ny feon'ireo mpitory,
               ary nipaka hatrany amin'ny faran'ny tany ny teniny!»

mercredi 22 février 2017

Alarobia 22 Febroary 2017 - I Tim 6 : 11 - 16

11Fa ianao kosa, ry lehilahin'Andriamanitra, halaviro ireo zava-dratsy ireo. Katsaho ny rariny, ny firaiketam-po amin'Andriamanitra, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana ary ny fahalemem-panahy. 12Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiaina-maharitra mandrakizay, fa ho any amin'izany fiainana izany no niantsoan'Andriamanitra anao fony ianao nanambara ilay fiekem-pinoana fatratra teo anatrehan'ny vavolombelona maro. 13Izao no anafatrafarako anao eo anatrehan'ilay Andriamanitra fototr'ain'ny zavatra rehetra sy eo anatrehan'i Kristy* Jesoa Izay nanambara fiekem-pinoana fatratra nanoloana an'i Pônty Pilato*: 14tandremo tsy hanan-tsiny amam-pondro izany baiko izany mandra-piavin'ilay andro hisehoan'ilay Jesoa Kristy Tompontsika. 15Fa ny hisehoan'i Kristy, amin'ny fotoana voatendry, dia hotanterahin'Andriamanitra, ilay Andriana tokana sady loharanom-pahasambarana, ilay Mpanjakan'ny mpanjaka sady Tompon'ny Tompo: 16Izy ihany no tsy mety maty, mitoetra ao amin'ny hazavana tsy hay akaikezina; tsy misy olombelona nahita maso Azy hatrizay hatrizay, ary tsy misy afaka hahita maso Azy; ho Azy anie ny haja sy ny fanjakana mandrakizay! Amen*.

mardi 21 février 2017

Talata 21 Febroary 2017 - II Sam 7 : 25 - 29

25Ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra ô, ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny taranako dia tano mandrakizay ary ataovy araka izay efa nampanantenainao. 26Halaza mandrakizay anie ny anaranao ka hatao hoe: «Ny TOMPOn'izao rehetra izao no Andriamanitr'i Israely». Ary ho mafy orina eo anatrehanao ny taranako. 27Satria Ianao, ry TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely, efa nanambara tamiko fa hanome taranaka ho ahy; koa izany no nahasahiako hivavaka aminao izao. 28Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, ianao mihitsy no Andriamanitra; azo antoka ny teninao, ary izaho mpanomponao no efa nampanantenainao izany zava-tsoa izany. 29Koa ho sitrakao anie ankehitriny ny hitahy* ireo taranako mba hitohy mandrakizay eo anatrehanao. Satria Ianao, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, no efa nampanantena, ka ny fitahianao no hitahianao mandrakizay ny taranako, fa mpanomponao aho.

lundi 20 février 2017

Alatsinainy 20 Febroary - Dan 3 : 28 - 30

 28Dia loa-bolana i Nebokadnetsara ka nanao hoe:
–Hisaorana anie Andriamanitr'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao; naniraka ny anjeliny* manko Izy mba hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy, ka nandika ny baiko nataoko. Fa naleon'ireo kosa nanolo-tena hampijalina toy izay hanompo sy hitsaoka andriamani-kafa ankoatra ilay Andriamaniny. 29Noho izany dia mamoaka izao didy izao ho an'ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra aho hoe: «Izay manao teny tsy voahevitra ny amin'ny Andriamanitr'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao dia hotetitetehina ary hatao fanariam-pako ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.»

30Dia nasandratry ny mpanjaka i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao ho amin'ny toerana ambony noho ny teo aloha tao amin'ny faritanin'i Babilôna.

dimanche 19 février 2017

Alahady 19 Febroary 2017 - Lev 25 : 40 - 45

40fa ataovy toy ny mpikarama na vahiny valovotaka; ary mandra-pahatongan'ny taona Jobily no hanompoany anareo. 41Amin'izay, dia ho afaka teo an-tananareo izy mbamin'ny zanany ka hody any amin'ny fianakaviany sy hizaka indray ny fananany. 42Fa mpanompoko ny Israelita izay navoakako hiala tany Ejipta, ka tsy tokony hamidy tahaka ny andevo. 43Aza itratrevatrevana sy ampahoriana izy, fa izany no hanehoanareo fanajana Ahy Andriamanitrareo.

44«Ny amin'izay ho andevolahinareo na andevovavinareo, dia amin'ny firenena manodidina anareo no hividiananareo azy. 45Azonareo ividianana koa amin'ny zanak'ireo vahiny valovotaka eo anivonareo sy amin'ny taranaka haterany eo amin'ny taninareo; ary dia ho fanananareo ireny.

samedi 18 février 2017

Sabotsy 18 Febroary 2017 - Deo 30 : 11 - 14

11Fa izao didy ampitaiko aminareo izao dia tsy saro-pantarina aminareo na ivelan'ny takatrareo. 12Tsy any an-danitra izany ka hanaovanareo hoe: «Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika sy hampahafantatra azy antsika mba hotanterahintsika?» 13Tsy any ampitan'ny ranomasina izany ka hanaovanareo hoe: «Iza no hiampita ny ranomasina haka azy ho antsika sy hampahafantatra azy antsika mba harahintsika?» 14Fa eo akaikinareo tokoa ny teny, dia eo am-bavanareo sy ao am-ponareo, mba harahinareo.

vendredi 17 février 2017

Zoma 17 Febroary 2017 - Lio 22 : 14 - 20

14Nony tonga ny fotoana, dia nipetraka nihinana i Jesoa mbamin'ny apôstôly*. 15Ary hoy i Jesoa taminy:
–Niriko dia niriko tokoa hiara-mihinana ity sakafo Paska* ity aminareo alohan'ny hijaliako.

16Lazaiko aminareo fa tsy hihinana ny Paska intsony Aho mandra-pahatanteraka azy any amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*.

17Dia nandray kalisy* natolotra Azy i Jesoa; ary nisaorany an'Andriamanitra izany ka nataony hoe:
–Raiso ity ka ifampizarao. 18Lazaiko aminareo fa tsy hisotro divay intsony Aho mandra-pahatongavan'ny Fanjakàn'Andriamanitra.

19Avy eo nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an'Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny apôstôly ka nataony hoe:
–Ny tenako ity [izay omena ho anareo. Izany atao ho fahatsiarovana Ahy.

20Ary noraisin'i Jesoa toy izany koa ny kalisy* taorian'ny sakafo sady nataony hoe:
–Ity kalisy ity dia ilay fanekempihavanana* vaovao aorin'Andriamanitra amin'ny rako izay alatsaka ho anareo.]

jeudi 16 février 2017

Alakamisy 16 Febroary 2017 - Nom 10 : 31 - 36

31Dia hoy i Mosesy hoe:
–Aza ilaozanao izahay, fa ianao mahafantatra izay toerana azonay itobiana any an-taniefitra, koa dia ho mpitari-dalana anay ianao. 32Raha miaraka aminay ianao, dia homenay anjara amin'ny zava-tsoa hatolotry ny TOMPO anay. 33Niala tao an-tendrombohitry ny TOMPO ireo Israelita ka nandeha lalana telo andro. Nialoha azy ireo tamin'izany lalana telo andro izany ny Vatamasina* mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO mba hitady izay toerana hahafahan'ny vahoaka mitoby. 34Teo ambonin'ny Israelita mba hanaloka azy ny rahon'ny TOMPO nandritra ny andro, tamin'ny fotoana izay niaingany.

35Rehefa niainga ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: «Mitsangàna, TOMPO ô, aoka hihahaka ny fahavalonao, ary handositra anao ny mpankahala!» 36Rehefa nijanona kosa ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: «TOMPO ô, miverena eo anivon'ny fianakaviana anarivoarivon'i Israely».

mercredi 15 février 2017

Alarobia 15 Febroary 2017 - Sal 105 : 7 - 15

7Izy no TOMPO Andriamanitsika;
manerana ny tany tontolo ny fanapahany.
8Tsaroany hatrany ny fanekempihavanany,
dia ny fampanantenana izay napetrany
ho an'ny taranaka arivo mifandimby:
9 fanekempihavanana* nataony tamin'i Abrahama
sy fianianana nataony tamin'i Itsehàka.
10Naoriny ho zo raikitra ho an'i Jakôba izany
ka ho fanekempihavanana mandrakizay
ho an'ny taranak'i Israely,
11fony Andriamanitra nilaza hoe:
«Homeko anao ny tany Kanahàna
ho anjara lova ho anao sy ny taranakao.»

12Tamin'izay izy ireo mbola mora isaina,
mpifindra monina vitsy kely teo amin'ny tany.
13Nivezivezy nitety firenena maro izy,
ka niala tamin'ny fanjakana iray
hankany amin'ny vahoaka hafa.
14Nefa tsy nisy navelan'Andriamanitra hampahory azy
fa nampitandrina mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
15«Aza kasihina ireo voahosotro
ary aza asian-dratsy ireo mpitondra hafatro.»

mardi 14 février 2017

Talata 14 Febroary 2017 - Eks 19 : 3 - 6

3Ary niakatra ny tendrombohitra i Mosesy hihaona amin'Andriamanitra.

Dia niantso an'i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra ny TOMPO ka nanao taminy hoe:

–Izao no hambaranao amin'ny taranak'i Jakôba, dia ny Israelita. 4«Efa hitanareo izay nanaovako ny Ejiptianina, efa hitanareo koa ny nitondrako anareo atỳ ho eto anilako toy ny itondran'ny voromahery ny zanany eo amin'ny elany. 5Koa ankehitriny, raha mihaino tsara izay lazaiko ianareo ka manaja ny fanekempihavanako*, dia hanjary vahoaka sarobidy manokana ho Ahy eo amin'ny firenena rehetra. Fa Ahy manko ny tany manontolo, 6saingy ianareo kosa dia ho fanjaka-mpisorona ho Ahy, ho firenena voatokana hanompo Ahy.» Ireo no teny izay hambaranao amin'ny Israelita.

lundi 13 février 2017

Alatsinainy 13 Febroary 2017 - Rom 3 : 21 - 26

21Ankehitriny kosa dia efa nahariharin'Andriamanitra ny fomba anekeny antsika ho marina; ary tsy avy amin'ny lalàna* velively izany. Ny lalànan'i Mosesy mbamin'ireo bokin'ny mpaminany* rahateo dia efa mijoro ho vavolombelona manambara 22fa ny finoana niainan'i Jesoa Kristy* no haneken'Andriamanitra ny olombelona ho marina; ary mankamin'ny mpino rehetra izany, satria tsy misy fanavakavahana intsony. 23Eny, nanota ny olon-drehetra ka tsy eo afovoan'izy ireo intsony ilay Andriamanitra be voninahitra. 24Kanefa, noho ny fahasoavan'Andriamanitra, dia nekeny maimaimpoana ho marina izy ireo tamin'ny alalan'ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesoa. 25Fa notendren'Andriamanitra ho sorom-panonerana ho an'ireo manam-pinoana i Kristy Jesoa Izay nahafoy ny rany: izany no maneho ny fomba aneken'Andriamanitra ny olombelona ho marina! Ireo heloka vitan'ny olombelona fahiny dia noleferin'Andriamanitra 26ary tsy nosazîny, satria tiana haseho ankehitriny ny fomba aneken'Andriamanitra ny olombelona ho marina. Hita amin'izany fa marina tokoa Andriamanitra sady mahatonga ho marina izay entanin'ny finoana niainan'i Jesoa!

dimanche 12 février 2017

Alahady 12 Febroary 2017 - I Kor 1 : 23 - 26

21Fa ny fahendren'olombelona dia tsy nahalalan'izao tontolo izao an'Andriamanitra na dia teo amin'izay nihariharian'ny fahendren'Andriamanitra aza. Noho izany, dia sitrak'Andriamanitra ho tamin'ny alalan'ny hafatra miendrika fahadalana izay torînay no hamonjena ny olona izay mino. 22Eny, mitaky famantarana avy amin'Andriamanitra ny Jiosy, ary ny Grika mitady fahendrena; 23izahay kosa dia i Kristy voahombo teo amin'ny hazofijaliana no torînay: fanafintohinana ho an'ny Jiosy izany ary fahadalana ho an'ny hafa firenena*.

24Kanefa ho an'izay voaantson'Andriamanitra, na Jiosy na hafa firenena, dia i Kristy no herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra; 25satria izay toa fahadalàn'Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren'olombelona, ary izay toa fahalemen'Andriamanitra dia mahery noho ny herin'olombelona.
\
26Mba mijere tena ange ianareo izay voaantson'Andriamanitra, ry havako: araka ny maha olombelona, dia tsy misy firy ianareo no olon-kendry, tsy misy firy no mahery, tsy misy firy no avo razana.

samedi 11 février 2017

Sabotsy 11 Febroary 2017 - Gen 21 : 1 - 7

1Nitahy an'i Sarà ny TOMPO ka notanterahiny taminy tokoa izay nampanantenainy. 2Dia nitoe-jaza i Sarà na dia efa antitra aza i Abrahama, ary niteraka zazalahy izy tamin'ny fotoana izay efa nambaran'Andriamanitra taminy. 3Nataon'i Abrahama hoe Itsehàka ny anaran'ilay zazalahy naterak'i Sarà ho azy. 4Noforan*'i Abrahama i Itsehàka zanany lahy, rehefa feno valo andro araka izay efa nandidian'Andriamanitra azy. 5Ary efa feno zato taona i Abrahama tamin'ny nahaterahan'i Itsehàka zanany lahy.

6Dia nilaza i Sarà hoe:
–Nanao izay nampihomehy ahy Andriamanitra, ary izay rehetra mandre ny momba an'i Itsehàka dia hihomehy miaraka amiko.

7Ary hoy koa izy hoe:
–Iza moa no afaka hilaza amin'i Abrahama fa hampinono zaza i Sarà? Kanjo niteraka zazalahy ho azy tamin'ny fahanterany aho.

vendredi 10 février 2017

Zoma 10 Febroary 2017 - Gal 3 : 15 - 18

15Ry havana, hiteny araka ny fanaon'ny besinimaro aho: na dia ny didim-pananana ataon'olona aza, rehefa vita ara-pomba, dia tsy azon'olona foanana na ampiana. 16Tamin'i Abrahama sy tamin'ilay taranany kosa no nilazan'Andriamanitra ny fampanantenana. Ary ny Soratra Masina* dia tsy manao hoe «tamin'ireo taranany», toy ny nanondro maro; fa hoe «tamin'ilay taranakao», toy ny manondro tokana: dia i Kristy* izany. 17Ary izao no lazaiko: Nisy fanekempihavanana* vita ara-pomba nataon'Andriamanitra mialoha; ary ny lalàna, niseho 430 taona tatỳ aoriana, dia tsy hahafoana io fanekempihavanana io ka hahatonga ny fampanantenana tsy hanan-kery. 18Fa raha avy amin'ny lalàna ny lova omen'Andriamanitra, dia tsy avy amin'ny fampanantenana intsony; kanefa, ho an'i Abrahama, dia tamin'ny alalan'ny fampanantenana no nanomezan'Andriamanitra izany maimaimpoana.

jeudi 9 février 2017

Alakamisy 09 Febroary 2017 - Jer 34 : 18 - 22

18-19«Ireo manampahefana eto Joda sy i Jerosalema, ireo mpiasam-panjakana ambony, ireo mpisorona ary ireo olona afaka rehetra teo amin'ny tany, dia nivadika ny fifanekena tamiko ka tsy nahatana ny tenin'ny fanekena nataony teo anatrehako fony nosasahana ny ombilahikely ka nandeha namaky teo anivony izy. 20Koa hatolotro ho eo an-tanan'ny fahavalo izay mitady hahafaty azy izy; ary ho sakafon'ny voromahery sy ny bibidia ny fatiny. 21I Tsedekià mpanjaka sy ireo mpiasam-panjakana ambony koa dia hatolotro ho eo an-tanan'ny fahavalo izay mitady hahafaty azy, dia ny tafiky ny mpanjakan'i Babilôna. Nisinda nihataka kely ankehitriny izany tafika izany; 22saingy hasaiko hiverina hanafika ity tanàna ity indray izy, ka hahafaka sy handoro azy. Ary ireo tanànan'i Joda dia hataoko lao tsy hisy mponina; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

mercredi 8 février 2017

Alarobia 08 Febroary 2017 - Lio 1 : 67 - 75

67Feno ny Fanahy Masina i Zakarià, rain'ny zazakely, ka nilaza faminaniana toy izao:

68–Hisaorana anie ny Tompo, Andriamanitr'i Israely*,
noho Izy namangy sy nanavotra ny vahoakany!
69Mpamonjy mahery ho antsika no najorony
avy amin'ny taranak'i Davida mpanompony,
70araka ny efa nambarany hatramin'ny fahagola
tamin'ny alalan'ireo mpaminany* masina:
71dia Mpamonjy hanafaka antsika amin'ny fahavalontsika
sy amin'ny tanan'ireo mpankahala rehetra.
72Namindra fo tamin'ny razantsika Andriamanitra
sady nahatsiaro ilay fanekempihavanana* masina
73mbamin'ilay fianianana izay nataony
tamin'i Abrahama razantsika:
74dia ny hanala antsika amin'ny tanan'ny fahavalontsika,
ary ny hamela antsika hanompo Azy tsy amin-tahotra,
75fa amin-toetra masina sy marina eo anatrehany
mandritra ny andro rehetra iainantsika.

mardi 7 février 2017

Talata 07 Febroary 2017 - Mar 14 : 43 - 52

43Ary niaraka tamin'izay, raha mbola miteny eo i Jesoa, dia tonga i Jodasy, anankiray amin'ny 12 lahy; ary andian'olona nirongo sabatra sy kibay, irak'ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalàna* ary loholona*, no tafaraka taminy. 44Ilay hanolotra an'i Jesoa dia efa nanome famantarana an-dry zareo hoe: «Izay horohako no Izy ka sambory, dia ento ka ambeno tsara.» 45Vao tonga i Jodasy, dia nanatona an'i Jesoa avy hatrany ka nanao taminy hoe:
–Mpampianatra ô!

Dia nanoroka Azy i Jodasy. 46Nohazonin'ireo iraka tamin'izay i Jesoa ary nosamboriny. 47Nanatsoaka sabatra kosa ny anankiray tamin'ny olona teo anilan'i Jesoa, dia namely an'ilay mpanompon'ny mpisorombe*, ka nahafaka ny sofiny.

 48Fa hoy i Jesoa tamin'ireo iraka:
–Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay hisambotra Ahy! 49Teo aminareo isan'andro aho ary nampianatra tao an-kianjan'ny tempoly*, kanefa tsy nosamborinareo. Eny àry, fa dia aoka ho tanteraka ny Soratra Masina*!

50Dia nandao an'i Jesoa ny mpianatra* rehetra ka nandositra.

51Ary nisy zatovolahy iray nanaraka an'i Jesoa, tsy nanana afa-tsy akanjo manolo-koditra. Nosamborin'ny olona koa izy; 52fa nafoin'ilay zatovo ny akanjony ka lasa izy nandositra niboridana.

lundi 6 février 2017

Alatsinainy 06 Febroary 2017 - Eks 2 : 23 - 25

23Tatỳ aoriana ela dia maty ny mpanjakan'i Ejipta. Nitoloko ny Israelita noho ny fanompoany ka niantso vonjy; ary tafakatra hatrany amin'Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoana. 24Nandre ny fitarainan'ny Israelita Andriamanitra ka nahatsiaro ny fanekempihavanana* nataony tamin'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba. 25Nijery ny Israelita Andriamanitra ka nahafantatra ny nanjo azy.

dimanche 5 février 2017

Alahady 05 Febroary 2017 - Gen 17 : 1 - 8

1Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan'ny TOMPO ka nitenenany hoe:
–Izaho no Andriamanitra Tsitoha*; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny; 2fa hotolorako ny fanekempihavanako* ianao, ary hohamaroiko fatratra.

3Dia niankohoka i Abrama; ary hoy indray Andriamanitra taminy:

4–Amiko, dia izao no fanekempihavanako aminao: Hanjary razamben'ny firenena maro ianao. 5Tsy hatao hoe Abrama intsony ny anaranao fa hanjary Abrahama, satria hataoko razamben'ny firenena maro ianao. 6Hataoko maro taranaka fatratra ianao ka hanjary firenena maro, sady hisy mpanjaka hipoitra avy aminao. 7Hajoroko ny fanekempihavanako aminao mbamin'ny taranakao mandimby anao; ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay izany, ka dia ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho. 8Homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany Kanahàna manontolo, dia izao tany ivahinianao izao, ho fananany mandrakizay; ary ho Andriamanitr'izy ireo Aho.

samedi 4 février 2017

Sabotsy 04 Febroary 2017 - Isa 55 : 1 - 5

1He! Ianareo rehetra izay mangetaheta,
mankanesa amin'ny rano omeko!
Na dia tsy manam-bola aza ianareo,
avia maka sakafo, dia mihinàna
fa tsy ialam-bola izany;
avia maka divay na ronono,
fa tsy vidina izany.
2Nahoana ianareo no mandany vola
amin'izay sakafo tsy tena mahavoky?
Nahoana ianareo no misahirana
amin'ny zavatra tsy mahafa-po?
Henoy tsara Aho, dia hihinan-javatra matsiro ianareo
ary ho finaritra amin'ny sakafo mafilotra.
3Mankanesa atỳ amiko ianareo, ka manongilàna sofina;
henoy Aho, dia ho velombelona indray ny tenanareo.

Hanaovako fanekempihavanana mandrakizay ianareo
ka homeko ny fitahiana nampanantenaiko an'i Davida:
4Indro izy fa nataoko vavolombelon'ny fahefàko
eo amin'ny foko isan-tokony
sady ho mpitarika sy mpibaiko ny hafa firenena.
5Ary ianao koa, ry Israely,
dia hiantso ny firenena hafa izay tsy fantatrao;
ary firenen-kafa tsy mahalala anao akory
no hirohotra hanatona anao,
satria ny TOMPO Andriamanitrao, Ilay Masin'i Israely,
no nanome anao izany voninahitra izany.

vendredi 3 février 2017

Zoma 03 Febroary 2017 - Jer 1 : 4 - 10

4Nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:
5–Mbola tsy noforoniko
tao an-kibon-dreninao akory ianao
dia efa fantatro,
ary mbola tsy teraka akory ianao
dia efa natokako hanompo Ahy
sy notendreko ho mpaminany
ho an'ny firenena maro.

6Ary namaly aho hoe:
–Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô,
mbola tanora loatra aho
ka tsy mahay mandahateny.

7Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe:
–Aza manao hoe «mbola tanora loatra aho»
fa tsy maintsy handeha
amin'izay rehetra hanirahako anao ianao
ka hilaza aminy
izay rehetra nandidiako anao.

8Aza matahotra azy
fa miaraka anao Aho mba hanafaka anao.

Izany no teny hentitry ny TOMPO tamiko.
9Avy eo IZY dia nandroso ny tanany
ka nanendry ny vavako
ary nilaza tamiko hoe:
–Ianao no hanambara ny teniko.
10Jereo fa omeko fahefana ianao anio
amin'ireo firenena sy fanjakana
mba hanongotra sy hanjera,
hanapotika sy handrava,
ary hanorina sy hamboly.

jeudi 2 février 2017

Alakamisy 02 Febroary 2017 - Lio 24 : 44 - 53

44Avy eo i Jesoa dia nilaza taminy hoe:
–Izao no efa nambarako taminareo fony Izaho mbola teo aminareo: tsy maintsy tanteraka izay rehetra voalazan'ny Soratra Masina* momba Ahy ao amin'ny lalànan*'i Mosesy sy ny bokin'ny mpaminany* ary ny salamo.

45Tamin'izay dia nosokafan'i Jesoa ny sain'ireo mpianatra mba hahafantatra ny Soratra Masina, 46sady hoy Izy taminy:
–Izao no voalazan'ny Soratra Masina: tsy maintsy hijaly ny Mesia*, nefa tsy maintsy hitsangana velona avy any amin'ny maty, amin'ny andro fahatelo; 47ary ny anarany no tsy maintsy hotorîna hatao antso avo amin'ny firenen-drehetra miantomboka eto Jerosalema, mba hanainga ny olona hiala amin'ny toetra ratsiny sy handray famelan-keloka.

48Ianareo no vavolombelona hanambara izany! 49Indro hirahiko ho eo aminareo Ilay nampanantenain'ny Raiko; ianareo kosa mitoera eto an-tanàna mandra-pahahenika anareo ny hery avy any ambony.

50Dia nentin'i Jesoa ivelan'ny tanàna hatrany akaikin'i Betania ireo mpianany*, ary nasandrany ny tanany hitso-drano azy rehetra. 51Raha mbola nitsodrano Izy, dia nisaraka taminy sy nakarina ho any an-danitra. 52Ireto mpianany kosa, rehefa nitsaoka Azy, dia niverina tany Jerosalema tamin-kafaliana lehibe, 53ary tsy tapaka nankalaza an'Andriamanitra tao an-kianjan'ny tempoly*.

mercredi 1 février 2017

Alarobia 01 Febroary 2017 - Gen 9 : 8 - 17

8Ary hoy koa Andriamanitra tamin'i Noà sy ireo zanany lahy niaraka taminy: 9«Indro Aho hanorina ny fanekempihavanako aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo, 10ary amin'ny zava-mananaina rehetra eo aminareo na ny vorona, na ny biby fiompy na ny bibidia, dia izay rehetra nivoaka tamin'ny sambofiara niaraka taminareo. 11Izao no fanekempihavanana haoriko aminareo: tsy hisy rano avy amin'ny safo-drano intsony handripaka ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony mandrakizay.» 12Dia mbola nampian'Andriamanitra hoe: «Izao no ataoko mariky ny fanekempihavanantsika ho Ahy sy ho anareo ary ho an'ny zava-mananaina rehetra miaraka aminareo hatramin'ny taranaka fara mandimby. 13Apetrako eny amin'ny rahona ny avako ho mariky ny fanekempihavanana eo amiko sy amin'ny tany. 14Ka isaky ny mampivondrona rahona eny ambonin'ny tany Aho ka miseho ny avana, 15dia hotsarovako ny fanekempihavanako taminareo sy tamin'ny zava-mananaina rehetra, izany hoe ny voaary rehetra; ka tsy hisy intsony rano hanjary safo-drano handringana ny voaary rehetra. 16Ho eny amin'ny rahona ny avana ary hojereko mba hampahatsiaro Ahy ny fanekempihavanana mandrakizay eo amiko sy eo amin'ny zava-mananaina rehetra ary eo amin'ny voaary rehetra izay eny ambonin'ny tany.» 17Dia mbola naverin'Andriamanitra tamin'i Noà hoe: «Izany no famantarana momba ny fanekempihavanana izay naoriko ho amiko sy ho amin'ny voaary rehetra izay eny ambonin'ny tany.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12