vendredi 31 mars 2017

Zoma 31 Martsa 2017 - Mat 9 : 9 - 13

9Raha niala teo i Jesoa, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo amin'ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy:
–Avia hiaraka amiko.

Dia nitsangana i Matio ka nandeha niaraka taminy. 10Ary raha nisakafo tao an-tranon'i Matio9.10 Ny rijan-teny grika fototra dia milaza fotsiny hoe ny tranony; kanefa tokony ho ny tranon'i Matio fa tsy ny tranon'i Jesoa no ambara amin'izany. i Jesoa, dia maro ny mpamory hetra* sy ny mpanota no tonga niara-nihinana tamin'Izy sy ny mpianany*. 11Nahita izany ny Farisianina* ka nilaza tamin'ny mpianatr'i Jesoa hoe:
–Nahoana ny Mpampianatrareo no dia miara-misakafo amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota9.11

12Fa hoy i Jesoa raha nandre izany:
–Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary. 13Ndeha mba ianaro ny hevitr'ilay tenin'ny Soratra Masina hoe: «Ny hamindranareo fo amin'ny namana no sitrako, hoy Andriamanitra, fa tsy ny hanateranareo sorona9.13 Hôs 6.6..» Tsy hiantso ny olo-marina no nahatongavako fa hiantso ny mpanota.

jeudi 30 mars 2017

Alakamisy 30 Martsa 2017 - Deo 31 : 14 - 30

14Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Indro antomotra ny andro hahafatesanao; koa antsoy i Josoa, ary tongava eo anoloan'ny Tranolay fihaonana* ianareo mba hameperako azy.

Dia nandeha nankeo anoloan'ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Josoa 15ka nisehoan'ny TOMPO tamin'ny andry rahona31.15 Jereo Eks 13.21 sy nta.; ary nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay izany andry rahona izany. 16Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:

–Indro hodimandry any amin'ny razanao ianao; ary ity vahoaka ity kosa hiainga hanompo sampy ka hanaraka andriamani-kafa tompoina any amin'ny tany izay efa hidirany honenana. Hilaozany Aho ary hivadihany ny fanekempihavanana* izay nataoko taminy. 17Dia hirehetan'ny fahatezerako amin'izany andro izany ity vahoaka ity ka hilaozako ary hanafenako ny tavako; hataon'ny olona levona izy sady hianjadian'ny loza amam-pahoriana maro. Amin'izany andro izany no hitenenan'ny Israelita hoe: «Noho Andriamanitra tsy eto aminay no mahatonga anay hianjadian'izao fahoriana izao!» 18Eny, hafeniko aminy tokoa ny tavako amin'izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony tamin'ny niviliany hanaraka andriamani-kafa. 19Ary ankehitriny, aoka hisy hanoratra izao tononkira hampitaiko aminareo izao31.19 Jereo toko 32.; ka ianao, ry Mosesy, no mampianara azy amin'ny Israelita. Ary aoka tsy ho afaka am-bavan'ny Israelita izany tononkira izany mba ho vavolombelona hiampangako azy. 20Any amin'ny tany izay nampanantenaiko ny razambeny manko, dia ilay tany tondra-dronono sy tantely31.20 Jereo Eks 3.8 sy nta., no hitondrako ity vahoaka ity; ary hanan-kohanina izy ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa sy hanompo azy, ary hotsiratsirainy Aho ka hivadihany ny fanekempihavanana. 21Rehefa hianjadian'ny zava-dratsy amam-pahoriana maro ity vahoaka ity, dia ho vavolombelona hiampanga azy izao tononkira izao, satria tsy ho afaka eo am-bavan'ny taranany. Fantatro manko ny fisainany, na dia izao ankehitriny alohan'ny hitondrako azy any amin'ny tany izay nianianako homena azy izao aza.

22Dia nataon'i Mosesy an-tsoratra androtrizay ihany izany tononkira izany ka nampianariny ny Israelita.

23Avy eo dia nofeperan'ny TOMPO i Josoa, zanakalahin'i Nona, ka nilazany hoe:

–Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Israelita hiditra ao amin'ny tany izay nianianako taminy homena azy, Izaho mihitsy no hiaraka aminao31.23 Jereo Jos 1.6..
24Rehefa voasoratr'i Mosesy tao anaty boky avokoa ny teny raketin'ity Lalàna ity, 25dia nofeperany ny Levita, izay mpitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO ka nataony hoe:
26–Raiso ity bokin'ny Lalàna ity, ka apetraho ao anilan'ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO Andriamanitrareo; ka ho eo hatrany izany boky izany mba ho vavolombelona hiampanga ny Israelita. 27Fantatro fa maditra sy mafy hatoka ireo; izao ankehitriny mbola velona eto aminy izao aza aho, dia efa nikomy tamin'ny TOMPO ireo, ka mainka rehefa maty aho. 28Vorio eto amiko ny loholona* sy mpifehy rehetra isam-poko, mba hilazako mivantana izao teny izao; ary hantsoiko ny tany aman-danitra mba ho vavolombelona aminy. 29Fantatro fa rehefa maty aho, dia hihasimba tokoa ny Israelita ka hiala amin'ny sori-dalana izay nasaiko hizorany; dia ho tratry ny loza ireo, any am-parany any, satria hanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO ireo ka hampahatezitra Azy amin'ny asany.

30Avy eo dia nolazain'i Mosesy mivantana tamin'ny Israelita rehetra tafavondrona teo izao tononkira manontolo izao:

mercredi 29 mars 2017

Alarobia 29 Martsa 2017 - Lio 6 : 41 - 49

41–Nahoana moa ianao no mahita tapak'ahitra eo amin'ny mason-kavana, nefa ny vatan-kazo eo amin'ny masonao tsy tandrinao akory? 42Ahoana no hahafahanao milaza amin-kavana hoe: «Etsy, rahavako, hoesoriko ny tapak'ahitra amin'ny masonao», nefa ny vatan-kazo amin'ny masonao tsy hitanao akory? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo amin'ny masonao, izay ianao vao hahiratra tsara ka hanaisotra ny tapak'ahitra amin'ny mason-kavana.

43–Tsy mba hazo tsara no hamoa voa ratsy, na hazo ratsy indray no hamoa voa tsara. 44Eny, ny voany no ahafantarana ny hazo isan-karazany; fa foto-tsilo tsy ahazoana voanaviavy, ary foto-droy tsy iotazana voaloboka. 45Koa ny olona tsara fanahy dia mamoaka zavatra tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka zavatra ratsy avy amin'ny rakitra ratsin'ny fony. Fa izay mameno ny fon'ny olona no aloaky ny vavany.

46–Ahoana no iantsoanareo Ahy hoe: «Tompo ô! Tompo ô!» nefa tsy tanterahinareo akory izay lazaiko? 47Izay rehetra manatona Ahy ka mihaino ny teniko sady manatanteraka, dia hasehoko anareo ny mety hampitahana azy: 48tahaka ny olona manorin-trano ka nihady lalina ary nandatsaka ny fototra am-batolampy; nony tondraka ny rano, dia notonafan'ny riaka ilay trano nefa tsy nihontsona noho izy tsara orina. 49Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manatanteraka, dia tahaka ny olona manorin-trano amin'izao tsy misy fototra; raha vao notonafan'ny riaka ilay trano, dia nirodana avy hatrany ka rava tanteraka.

mardi 28 mars 2017

Talata 28 Martsa 2017 - Heb 12 : 1 - 6

1Voahodidina vavolombelona12.1 ny hoe vavolombelona etoana dia tsy mpitazana fotsiny fa olona niaina ny finoana araka ny toko 11 etsy aloha. marobe tokoa àry isika; noho izany, dia aoka hanaisotra ny zavatra rehetra manembantsembana ny hazakazaka ataontsika sy hanaisotra ny ota mora mangeja antsika, ary hiezaka amim-paharetana eo amin'izao fifaninanana hazakazaka naroso hataontsika izao. 2Aoka isika hifantoka tsara amin'i Jesoa, Izay loharanon'ny finoantsika hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany. Niaretan'i Jesoa ny namonoana Azy teo amin'ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan'ny sezafiandrianan'Andriamanitra12.2 satria tsinjony... azony: dkt hafa ka tsy nahoany ny fifaliana natao teo anoloany. –izao Izy efa mipetraka...: jereo Sal 110.1..

3Eritrereto tsara i Jesoa, Izay niaritra ny fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota taminy; ka aza kivy, aza ketraka ianareo. 4Fa tsy mbola nihatra taman'aina tsy akory ny ady nataonareo hanoherana ny fahotana. 5Ary efa hadinonareo ve ny teny fampaherezana milaza aminareo toy ny amin-janaka hoe:

«Anaka, aza atao tsirambina ny famaizana ampiharin'ny Tompo;
ary aza ketraka rehefa anariny.
6Fa ny zanaka tiany no faizin'ny Tompo
ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny12.6 Ohab 3.11-12, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta.»?

lundi 27 mars 2017

Alatsinainy 27 Martsa 2017 - Deo 29 : 13 - 28

13Tsy aminareo ihany no ataoko manankery izao fanekempihavanana arahim-pianianana izao; 14eny, tsy an'izay olona tafaraka etoana manatrika ny TOMPO Andriamanitsika ihany izao fanekempihavanana izao fa ho an'izay taranaka amam-para tsy mbola tafaraka amintsika anio koa.

15Fantatrareo izay nitoerantsika tany Ejipta sy izay nandehanantsika namakivaky ny tanin'ireo hafa firenena; 16ary efa hitanareo ny zava-maharikoriko misy eo aminy, dia ny sampy vita hazo na vato na volafotsy na volamena. 17Koa aoka tsy hisy aminareo, lahy na vavy, na fianakaviana na foko, hanana fo mivily anio ka hiala amin'ny TOMPO Andriamanitsika mba handeha hanompo ny andriamanitr'ireny firenena ireny; aoka tsy hisy aminareo ho tahaka ny fakan-javamaniry miteraka poizina mangidy29.17 Jereo Heb 12.15.. 18Raha olona mandre izao tenim-pianianana izao no mihevi-tena ho ambinina ka hanao hoe: «Hanam-piadanana ihany aho, na manaraka ny ditram-poko aza; sady tany dibo-drano, tsy mba mangetaheta intsony29.18 sady tany... intsony: tsy mazava ny RM ary tsy azo antoka ny dkt.!», 19dia tsy hety hamela heloka izany olona izany ny TOMPO; fa hanetroka aminy kosa ny fahatezeran'ny TOMPO sy ny fahasarota-piarony, ary hiafitra aminy avokoa ny ozona rehetra izay voasoratra amin'ity boky ity, ka hovonoin'ny TOMPO tsy ho eo amin'izao tontolo izao ny fahatsiarovana azy. 20Dia havahan'ny TOMPO tsy ho anisan'ny foko israelita rehetra intsony izy; ary ho loza ho azy izany, araka ny ozona rehetra izay raketin'ny fanekempihavanana voasoratra amin'ity bokin'ny Lalàna ity.

21Rehefa mahita ny voina sy loza hamelezan'ny TOMPO ity taninareo ity ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay handimby anareo sy ny vahiny avy any an-tany lavitra, dia ho loa-bolana hoe: 22«Main'ny solifara sy ny sira avokoa ity tany ity; tsy azo amafazana intsony, tsy hanirian-javatra intsony, ary tsy hisy ahitra hitrebona intsony ao. Ny mihatra aminy dia ny nanjo an'i Sôdôma sy i Gômôra ary i Admà sy i Tsebôima, izay tanàna noravan'ny TOMPO satria nirehetan'ny fahatezerany29.22 Jereo Gen 19.24-25.». 23Ny firenena hafa rehetra koa dia ho loa-bolana hoe: «Nahoana re ny TOMPO no dia nanao toy izany tamin'ity tany ity? Inona no hevitr'izao fahatezerany mirehitra mafy izao?» 24Dia hovalian'ny olona hoe: «Tonga izao satria nafoin'izany vahoaka izany ny fanekempihavanana* nataon'ny TOMPO, dia ilay Andriamanitry ny razambeny. Nanao fanekempihavanana taminy tokoa manko ny TOMPO fony nampiala azy tany Ejipta; 25kanjo nandeha nanompo andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehan'ireny andriamanitra tsy fantany sady tsy navela hotompoiny ireny. 26Dia nirehitra tamin'ity tany ity ny fahatezeran'ny TOMPO, ka nataony tonga taminy avokoa ny ozona rehetra izay voasoratra amin'ity boky ity; 27eny, fahatezerana mirehitra mafy tokoa no nandroahan'ny TOMPO azy sy nanilihany azy any an-tany hafa, tahaka ny misy azy ankehitriny izao.»

28Anjaran'ny TOMPO Andriamanitsika ny mahafantatra ny zava-miafina. Ny tenantsika sy ny taranatsika hatrany hatrany kosa no mahafantatra ny zavatra ambarany, mba hanatanterahantsika ny didy rehetra raketin'ity Lalàna ity.

dimanche 26 mars 2017

Alahady 26 Martsa 2017 - II Mpa 22 : 15 - 20

15dia nasainy miteny amin'ny mpaniraka hoe: 16«Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: ‹Indro Aho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy ny mponiny, dia araka izay rehetra voalaza ao anatin'ilay boky novakin'ny mpanjakan'i Joda. 17Efa nandao Ahy manko ny mponin'i Jerosalema sady efa nampanetona srona ho an'ny andriamani-kafa, ary nampahatezitra Ahy tamin'ny sampy rehetra nataon'ny tanany. Izany no nirehetan'ny fahatezerako tamin'ity tanàna ity, ka tsy mbola itoniany. 18Fa ny mpanjakan'i Joda, izay naniraka anareo hanatona Ahy TOMPO, dia anambarao fa Izaho TOMPO Andriamanitr'i Israely dia milaza izao: Ny amin'ny teny izay efa renao, 19dia nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehako, rehefa nihaino izay voalazako momba ny hanjo ity tanàna ity sy ny mponiny, dia ny hanaovana azy ho lao sy ho oha-panozonana; eny, nandriatra fitafiana ianao sady nitomany teo anatrehako, ka dia efa nihaino anao koa Aho; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. 20Indro hangoniko any amin'ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombàm-piadanana, ka tsy hahita maso ny loza rehetra hamelezako an'i Jerosalema.› »

samedi 25 mars 2017

Sabotsy 25 Martsa 2017 - Mar 4 : 1 - 9

1Dia nampianatra teo moron'ny farihin'i Galilea indray i Jesoa; ary vahoaka be no nitangorona teo akaikiny, ka voatery niondrana an-tsambokely Izy, dia nipetraka teo. Ary ny vahoaka rehetra kosa terỳ an-tanety amoron'ny farihy. 2Fanoharana* no nampianaran'i Jesoa zavatra maro azy; ary nandritra ny fampianarany no nitenenany taminy hoe:
3–Henoy ange: indro niainga ity mpamafy hamafy voa. 4Nony namafy izy, ny voa sasany latsaka teny amoron-dalana, ka tonga ny voro-manidina nitsindroka azy rehetra. 5Ny voa sasany latsaka tamin'ny toerana be vato sady manify nofon-tany, ka vetivety dia nitsimoka satria tsy lalina ny tany nilentehany; 6saingy nony nipoaka ny andro, dia nalazon'ny hafanana ireo tsimoka ireo ka maina satria tsy namaka lalina. 7Ny voa sasany indray latsaka tany anaty tsilo; ary nitombo ny tsilo ka nangeja ny tsimoka, dia tsy namoa izy. 8Ny voa sasany kosa latsaka tamin'ny tany lonaka, dia naniry sy nitombo ary namoa: ny iray namokatra telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny.

9Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!

vendredi 24 mars 2017

Zoma 24 Martsa 2017 - Deo 11 : 8 - 17

8Koa tandremo avokoa ny didy izay ampitaiko aminareo anio mba hahery ianareo ka haka ho fanananareo ilay tany izay hiampitanareo sy hidiranareo, 9ary mba ho maro andro ianareo any amin'io tany io izay nianianan'ny TOMPO tamin'ny razambenareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely11.9 Jereo Eks 3.8 sy nta..

10Ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana azy manko dia tsy mba tahaka an'i Ejipta izay nialanareo. Tany Ejipta, rehefa namafy voan-javatra ianareo, dia nampiasa ny tongotrareo hampidiran-drano hanondrahana azy tahaka ny fanao amin'ny voly anana. 11Fa ny tany, izay hiampitanareo mba halainareo ho fananana, dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady vonton'ny ranonoran-danitra, 12tany izay voakarakaran'ny TOMPO Andriamanitrareo sady tsinjovin'ny masony mandrakariva hatreo amin'ny fiandohan'ny taona ka hatrany amin'ny fiafaràny.

13Raha tena hankatoavinareo11.13 Jereo Nom 15.37 sy nta. ny didy izay ampitaiko aminareo anio, ka ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo no hitiavanareo sy hanompoanareo Ahy TOMPO Andriamanitrareo, 14dia halatsako11.14 halatsany: araka ny rijan-teny samaritanina ary ny dkt grika sy latinina tranainy; halatsako, araka ny RM izay toa mampiteny mivantana an'Andriamanitra, kanefa i Mosesy no miteny eto. Mifandraika amin'izany koa ny hoe hampanirîny toy izany hoe hampanirîko, eo amin'ny and manaraka. eo amin'ny taninareo ny ranonorana amin'ny fotoanandrony, izany hoe ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanareo vary sy divay ary menaka. 15Hampanirîko ahitra koa ny sahanareo ho an'ny biby fiompinareo; ary hihinan-kanina ianareo ka ho voky.

16Mitandrema ianareo fandrao ho voafitaka ny fonareo ka hivily hanompo andriamani-kafa ianareo sy hiankohoka eo anatrehany. 17Dia hirehetan'ny fahatezeran'ny TOMPO ianareo, ka hanampina ny lanitra Izy mba tsy hisy ranonorana; ary tsy hahavokatra intsony ny tany, dia ho lany ringana ianareo any amin'ny tany soa izay homen'ny TOMPO anareo

jeudi 23 mars 2017

Alakamisy 23 Martsa 2017 - Mar 13 : 28 - 37

28–Raiso ho anatra ity fanoharana* avy amin'ny aviavy ity: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky izay ny fahavaratra. 29Toy izany koa, raha vao hitanareo tonga izany rehetra izany, dia fantaro fa efa akaiky ny Zanak'olona*13.29 efa akaiky ny Zanak'olona... am-baravarana: dkt hafa efa akaiky ny farany ary mby eo am-baravarana (ny farany eto dia sady milaza ny hiafaran'i Jerosalema no milaza ny farandro hiavian'ny Zanak'olona amim-boninahitra). ary mby eo am-baravarana. 30Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy ho tapitra akory ity taranaka ity, dia ho tonga izany rehetra izany. 31Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona.

32–Fa ny amin'izay andro sy ora hahatongavan'izany, dia tsy misy mahalala na ny anjely* any an-danitra na ny Zanak'olona*, fa Izy Ray ihany. 33Mitandrema sy miareta tory ary mivavaha fa tsy fantatrareo izay hahatongavan'izany fotoanandro izany. 34Ho tahaka ny amin'ity lehilahy handeha any an-tany hafa izany: nandao ny tranony ralehilahy ary nizara fahefana tamin'ireo mpiasany ka samy notolorany ny raharahany avy, dia nanafatrafatra ny mpiandry vavahady hiambina. 35Koa miambena àry fa tsy fantatrareo ny fotoana hiavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina. 36Tandremo sao tonga tampoka izy ka hitany matory ianareo. 37Ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena!

mercredi 22 mars 2017

Alarobia 22 Martsa 2017 - I Pet 3 : 8 - 17

8Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena. 9Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa3.9 Ampit Mt 5.44., satria ianareo efa nantsoin'Andriamanitra hanana anjara amin'ny soa nampanantenainy. 10Fa izao no tenin'ny Soratra Masina*:
          «Izay te hankamamy fiainana
            sy te hahita andro soa,
            aoka izy hitsaha-miteny ratsy
            ary hitsaha-milaza fitaka;
         11aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa,
            aoka hitady fihavanana tsy an-kiato;
        12satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina
           sy mihaino ny fitarainany,
           fa tezitra kosa amin'ny mpanao ratsy

13Iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'ny tsara ianareo? 14Raha tàhiny manao ny marina aza ianareo no ampahorîna, dia sambatra. Aza matahotra izay fandrahonan'ny olona, ary aza mangorohoro amin'izany; 15fa i Kristy* no hajao ho Tompo ao am-ponareo3.15 Raha tàhiny... sambatra: (ampit Mt 5.10. –and 14-15: ampit Is 8.12-13).. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay rehetra manontany anareo ny amin'ny fanantenana ao anatinareo, 16saingy ataovy amin-kalemem-panahy sy amim-panajana izany. Manàna fieritreretana mahitsy; ka rehefa misy zavatra anendrikendrehana anareo, dia ho menatra izay mpanaratsy ny fitondrantena tsara anentanan'i Kristy anareo. 17Eny, raha izany no sitrapon'Andriamanitra, dia aleo mitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa toy izay amin'ny fanaovan-dratsy.

mardi 21 mars 2017

Talata 21 Martsa 2017 - Eze 33 : 7 - 9

7«Ry ilay taranak'olombelona, ianao no efa notendreko ho mpitily hanaitra ny vahoaka Israely. Hihaino ny teny aloaky ny vavako ianao ka hampita ny fampitandremako amin'ny Israelita. 8Andeha hataontsika hoe misy olon-dratsy iray tiako hilazana fa hahafaty azy tokoa ny afitsony: raha tsy mampitandrina azy ianao hialany amin'ny toe-dratsiny, dia ho fatin'ny heloka vitany tokoa izany olon-dratsy izany, nefa ianao no tazoniko ho tompon'andraikitra amin'ny fahafatesany. 9Raha ohatra kosa ka mampitandrina azy ianao mba hialany amin'ny toe-dratsiny saingy izy no tsy nety niova, dia ho fatin'ny heloka vitany tokoa izy, fa ianao kosa hahavonjy ny ainao.»

lundi 20 mars 2017

Alatsinainy 20 Martsa 2017 - I Pet 2 : 11 - 17

11Ry hava-malala, amin'ny maha vahiny sy mpivahiny anareo eto an-tany dia mampirisika anareo aho mba hifady ny filàndratsin'ny maha olona mpanota, fa miady manohitra ny fanahinareo ireny. 12Manàna fitondrantena tsara eo anivon'ny mpanompo sampy; fa na dia endrikendrehiny ho mpanao ratsy aza ianareo, dia ho hitany tokoa ny asa tsara ataonareo, ka hanomezany voninahitra an'Andriamanitra amin'ny andro hiavian'i Kristy*.

13Noho ny Tompo dia maneke ny fahefana rehetra misy eo amin'ny olombelona: na ny filoham-pirenena izany, satria mpitondra faratampony izy; 14na ireo mpifehy izany, satria nirahin'ny filoham-pirenena izy mba hanasazy ny mpanao asa ratsy ary mba hidera ny mpanao asa soa. 15Fa izao no sitrapon'Andriamanitra: ny hanampenanareo vava ny olona adala sy tsy mahalala amin'ny asa soa ataonareo. 16Maneke araka ny maha olona afaka anareo; nefa aoka ny fahafahanareo tsy hampiasaina hanaovan-dratsy, fa hiainana araka ny maha mpanompon'Andriamanitra. 17Hajao ny olona rehetra, tiavo ireo havana iray finoana; matahora an'Andriamanitra, manajà ny filoham-pirenena.

dimanche 19 mars 2017

Alahady 19 Martsa 2017 - I Kor 10 : 6 - 12

6Nitranga ireny zavatra ireny ho ohatra fananarana antsika, mba tsy hitsiriritantsika ny ratsy tahaka ny nahavoa an-dry zareo. 7Aoka ianareo tsy ho mpanompo sampy toy ny nataon'ny sasany tamin'ireny, araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe: «Nipetraka hihinana sy hisotro ny olona ary dia nitsangana hilalao.» 8Aoka isika tsy ho mpijangajanga toy ny nataon'ny sasany tamin'ireny, izay nahafatesana 23 000 indray andro monja. 9Aoka isika tsy haka fanahy ny Tompo toy ny nataon'ny sasany tamin'ireny, izay maty voakaikitry ny bibilava. 10Aoka ianareo tsy himonomonona toy ny nataon'ny sasany tamin'ireny, izay maty naripak'ilay anjely* mpandringana.

11Izany fahoriana rehetra izany dia nihatra tamin'izy ireny ho ohatra fananarana, ary natao an-tsoratra ho fampitandremana antsika izay mby eo an-katoky ny andro farany.

12Koa amin'izany, izay manao ny tenany ho mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina sao lavo. 13Tsy nisy fakampanahy nianjady taminareo afa-tsy izay mpahazo ny olombelona. Fa mitana ny toky nomeny Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakan'ny herinareo. Rehefa ianjadian'ny fakampanahy kosa ianareo, dia homeny hery hahazakanareo sy homeny lalana hahafahanareo.

samedi 18 mars 2017

Sabotsy 18 Martsa 2017 - Sal 2 : 10 - 12

10Koa misehoa ho hendry, ianareo mpanjaka;
ary minoa anatra, ry mpitsara ny tany.
11-12Tompoy amin-tahotra ny TOMPO
ary ekeo amin-kovitra ny fahefàny,
fandrao hirehitra tampoka ny hatezerany
ka ho fatin'ny fikasanareo ianareo.

Sambatra izay rehetra mialoka aminy.

vendredi 17 mars 2017

Zoma 17 Martsa 2017 - Eks 32 : 1 - 14

1Nony hitan'ny vahoaka israelita fa tara ny fidinan'i Mosesy avy any an-tendrombohitra, dia nivory teo amin'i Aharôna izy, ka nanao taminy hoe:
–Ndeha anaovy andriamanitra iray izahay handeha eo alohanay, satria tsy fantatray izay nanjo an'i Mosesy, ilay lehilahy namoaka anay hiala tany Ejipta.

2Fa novalian'i Aharôna hoe:
–Esory ny kavim-bolamena eny an-tsofin'ny vadinareo sy ny zanakalahinareo ary ny zanakavavinareo, ka ento atỳ amiko.

3Dia samy manaisotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny ny Israelita rehetra, ka nitondra ny azy tany amin'i Aharôna. 4Noraisin'i Aharôna ireny ka nempoiny ary nararany tamin'ny lasitra, dia nanaovany sarivongana ombilahikely iray. Dia nihoraka ny Israelita hoe:
–Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!

5Nony hitan'i Aharôna izany, dia namboatra alitara* iray teo anoloan'ny sarivongana izy, ary nanambara hoe:
–Hisy fety hanomezam-boninahitra ny TOMPO rahampitso!

6Nony ampitso dia nifoha maraina ny vahoaka israelita ka nanolotra sorona* dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo amin'io alitara io. Ary nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka, ary avy eo dia nitsangana mba hifalifaly.

7Dia nilaza tamin'i Mosesy ny TOMPO hoe:
–Andeha midina izao ianao, fa efa nanao heloka bevava ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta. 8Nalaky nivily hiala tamin'ny lalana izay nasaiko nalehany izy, fa nanamboatra sarivongana ombilahikely ho azy, sady niankohoka taminy ary nanao sorona ho azy. Nilaza aza izy hoe: «Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!» 9Ary hoy Izaho TOMPO taminao: «Hitako tsara io vahoaka io fa mafy hatoka. 10Koa ankehitriny, avelao hanaovako azy: haringako amin'ny fahatezerako izy, fa ianao kosa hataoko firenena lehibe.»

11Fa niangavy ny TOMPO Andriamaniny i Mosesy mba ho tony ka nanao hoe:
–TOMPO ô, nahoana no hanampatra ny fahatezeranao amin'ny vahoakanao Ianao, rehefa avy nampiasa hery lehibe sy fahefana tsy hay tohaina mba hamoaka azy hiala tany Ejipta? 12Raha izany no hataonao, dia hiteny ny Ejiptianina hoe: «Halozana no namoahan'ny Tompo ireo Israelita ireo hiala ny tanintsika, mba handringanany azy any an-tendrombohitra, ary hanafoanany azy tsy ho eto ambonin'ny tany intsony.» TOMPO ô, toneo ny hatezeranao, ary avelao ny loza saika hamelezanao ny vahoakanao. 13Tsarovy i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba mpanomponao izay nianiananao ka nilazanao hoe: «Hataoko marobe toy ny kintana eny amin'ny habakabaka ny taranakareo. Homeko azy ny tany rehetra izay nampanantenaiko, ka ho fananany raikitra izany.»

14Dia najanon'ny TOMPO tamin'izay ny loza nolazainy hamelezana ny vahoakany.

jeudi 16 mars 2017

Alakamisy 16 Martsa 2017 - Asa 11 : 16 - 29

16Tsaroako tamin'izay ilay tenin'ny Tompo hoe: «I Jôhany dia nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa dia hatao batisa* amin'ny Fanahy Masina.» 17Notoloran'Andriamanitra ny fanomezany isika rehefa nino an'i Jesoa Kristy* Tompo; koa raha notoloran'Andriamanitra fanomezana mitovy amin'ny antsika ireo hafa firenena, dia iza moa aho no ho afa-manohitra an'Andriamanitra?

18Nony nandre izany ireo mpino jiosy, dia nitony ary nanome voninahitra an'Andriamanitra ka nanao hoe:
–Marina fa nomen'Andriamanitra ny hafa firenena ihany koa ny hiala amin'ny toe-dratsy mba hahazoany fiainana.

19Niely patrana ny mpino noho ilay fanenjehana nitranga taorian'ny namonoana an'i Stefàna. Ny sasany dia tonga hatrany Fenisia sy hatrany Sipra ary hatrany Antiôkia, nefa tsy nitory ny tenin'Andriamanitra afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany. 20Nisy ihany mpino sasantsasany avy any Sipra sy avy any Sirena izay tonga tany Antiôkia ka niteny tamin'ireo Grika koa, ary nanambara ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Jesoa Tompo. 21Nombàn'ny herin'ny Tompo izy rehetra ka marobe ny olona nino sy nitodika tamin'ny Tompo.

22Nandre ny lazan'izany ny Fiangonana tany Jerosalema, ka naniraka an'i Barnabà hankany Antiôkia. 23Hafaliana ny azy nony tonga tany ka nahita ny vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra; ary nananatra azy rehetra i Barnabà mba tsy hiroa fo fa haharitra hiombona amin'ny Tompo. 24Lehilahy tsara fanahy i Barnabà, sady feno Fanahy Masina sy vontom-pinoana, ka vahoaka maro no niandany tamin'ny Tompo.

25Ary lasa i Barnabà naka an'i Saoly tany Tarsa. 26Rehefa hitany izy, dia nentiny nankany Antiôkia. Nandany herintaona ngarangidina tao amin'io Fiangonana io izy roa lahy ary nampianatra vahoaka maro. Tao Antiôkia no voalohany niantsoana ny mpianatra* hoe kristianina.

27Tamin'izany andro izany, dia nisy mpaminany* sasany avy tany Jerosalema nankany Antiôkia. 28Isan'ireo i Hagabo izay notsilovin'ny Fanahy Masina ka nijoro nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany tontolo. (Dia nitranga tokoa izany tamin'ny andron'i Klaody amperôra). 29Nanapa-kevitra ny mpianatra tao Antiôkia fa samy hanome araka izay nanambinana azy avy mba halefa hanampiana ireo havana iray finoana nonina tany Jodea.

mercredi 15 mars 2017

Alarobia 15 Martsa 2017 - Tit 2 : 11 - 15

11Fa Andriamanitra efa naneho ny fahasoavany, izay loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra. 12Izany fahasoavana izany dia mitaiza antsika handà ny toetra tsy miraharaha an'Andriamanitra sy handà ny filàn'izao tontolo izao*, fa ho velona mahafehy tena sy mandala ny rariny ary tia vavaka mandritra izao fiainana ankehitriny izao. 13Toy izany no tokony hiandrasantsika ny hasambarana antenaintsika sy ny andro hisehoan'ny voninahitr'i Jesoa Kristy*, ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika. 14I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.

15Izany lazaina sy ananarana ary andresena lahatra ombàn'ny fahefana rehetra anananao. Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao.

mardi 14 mars 2017

Talata 14 martsa 2017 - II Mpa 17 : 13 - 25

13Nampitandrina ny vahoakan'i Israely sy i Joda tamin'ny alalan'ny mpaminany* sy mpahita rehetra ny TOMPO nanao hoe:
–Ialao ny toe-dratsinareo ka tandremo ny didy sy baiko nataoko araka ny lalàna manontolo izay nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ireo mpaminany mpanompoko ho anareo.

14Nefa tsy nihaino izany izy roa tonta fa nanamafy hatoka tahaka ireo razany izay tsy nino ny TOMPO Andriamaniny. 15Nolaviny ny lalànan'Andriamanitra sy ny fanekempihavanana* izay nataony tamin'ny razany ary ny fampitandremana nananarany azy. Nanenjika zava-poana izy ka dia tonga zava-poana koa; ary nanaraka ny hafa firenena manodidina azy sady efa nandraran'ny TOMPO azy tsy hotahafina. 16Nafoiny avokoa ny didin'ny TOMPO Andriamaniny, ka nanao sarivongan'ombilahikely anankiroa izy sy nanangana tsatokazo fanajana an'i Aserà ary niankohoka teo anatrehan'ny planeta aman-kintana sady nanompo an'i Bahala*. 17Nanolotra ny zanany lahy sy vavy ho sorona dorana izy, sady nanao majika sy sikidy, ary nivarilavo nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO, ka nampahatezitra Azy. 18Dia vinitra tamin'ny Israelita ny TOMPO ka nanaisotra azy tsy ho hitan'ny masony. Ny fokon'i Joda ihany no sisa tafajanona.

19Na dia i Joda koa aza tsy nitandrina ny didin'ny TOMPO Andriamaniny, fa nanaraka ny fomba najoron'ny Israelita tavaratra. 20Izany no nandavan'ny TOMPO ny taranak'i Israely rehetra ka nampahoriny azy sy nanolorany azy ho eo an-tanan'ny mpandroba ary farany hanesorany azy ho lavitra ny fanatrehany.

21Rehefa nendahan'ny TOMPO tamin'ny fianakavian'i Davida i Israely, dia natsangany ho mpanjaka i Jerôbohama zanakalahin'i Nebata izay nampiala an'i Israely avaratra tamin'ny TOMPO sy nitarika azy tamin'ny fahotana lehibe. 22Ary nizoran'ny Israelita hatrany fa tsy nialany akory ny fahotana rehetra izay nataon'i Jerôbohama. 23Farany dia nesorin'ny TOMPO ho lavitra ny fanatrehany mihitsy ireo, araka ny nambarany tamin'ny alalan'ny mpaminany rehetra mpanompony; ka voababo lavitry ny taniny tokoa izy ho any Asiria izay mbola misy azy mandraka ankehitriny.

lundi 13 mars 2017

Alatsinainy 13 Martsa 2017 - I Jao 2 : 12 - 17

12Izao no soratako ho anareo rankizy: «Voavela ny fahotanareo noho ny anaran'i Kristy!» 13Izao no soratako ho anareo ray aman-dreny: «Efa nahalala Ilay nambara hatramin'ny voalohany ianareo!» Izao no soratako ho anareo zatovo: «Efa naharesy ilay Ratsy* ianareo!»

14Izao no voasoratro ho anareo ankizy: «Efa nahalala ny Ray ianareo!» Izao no voasoratro ho anareo ray aman-dreny: «Efa nahalala Ilay nambara hatramin'ny voalohany ianareo!» Izao no voasoratro ho anareo zatovo: «Mahery ianareo ary mitoetra ao anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay Ratsy ianareo!»

15Aza mankamamy an'izao tontolo izao*, na ny zavatra izay ao amin'izao tontolo izao. Raha misy olona mankamamy an'izao tontolo izao, dia tsy ao anatin'izany olona izany ny fitiavana ny Ray. 16Satria ny zavatra rehetra izay ao amin'izao tontolo izao, izany hoe ny filàndratsin'ny maha olona mpanota sy ny fitsiriritan-javatra hitan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao. 17Mandalo izao tontolo izao sy ny filàndratsy itaomany, fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

dimanche 12 mars 2017

Alahady 12 Martsa 2017 - Mat 7 : 24 - 29

24–Koa amin'izany, na zovy na zovy mihaino ireo teniko ireo ka manatanteraka azy dia ho tahaka ny lehilahy misaina, izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy: 25latsaka ny ranonorana, nitosaka ny riaka, nifofofofo ny rivotra ka samy namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria niorina teo ambony vatolampy. 26Fa izay rehetra mihaino ireo teniko ireo ka tsy manatanteraka azy dia ho tahaka ny lehilahy tsy misaina, izay nanorina ny tranony teo ambony fasika: 27latsaka ny ranonorana, nitosaka ny riaka, nifofofofo ny rivotra ka samy namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny faharavàny.

28Rehefa vitan'i Jesoa izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fomba fampianarany; 29nampianatra azy tamim-pahefana manko i Jesoa fa tsy mba tahaka ireo mpahay lalàna* jiosy.

samedi 11 mars 2017

Sabotsy 11 Martsa 2017 - Rom 2 : 1 - 11

1Noho izany, dia tsy afa-tsiny ianao, ry olona izay manameloka ny hafa, na iza na iza ianao. Eo am-panamelohana ny hafa no anamelohanao ny tenanao, satria izay ataon'ireo melohinao, ataon'ny tenanao koa. 2Fantatsika fa araka ny hitsiny tokoa ny didim-pitsarana navoakan'Andriamanitra ho an'ireo izay manao ny asa toy ireny. 3Sa ianao, ry olona izay manameloka ny manao toy ireny, mihevitra ho afa-mandositra ny didim-pitsarana navoakan'Andriamanitra nefa anie ianao koa mba manao? 4Sa be hamoram-po sy fandeferana ary faharetana Andriamanitra ka tsiratsirainao? Tsy fantatrao angaha fa ny hamoràm-pony dia tokony hitarika anao hiala amin'ny toe-dratsy? 5Maditra ianao ary tsy mety mamerina ny fonao aminy, ka dia fahatezeran'Andriamanitra* no avosanao ho an'ny tenanao. Fa ho avy ny andro hampisehoan'Andriamanitra ny fahatezerany sy hitsarany an-karihary ny olombelona ara-drariny, 6ka hamaliany ny tsirairay araka ny asany avy: 7homeny fiaina-maharitra mandrakizay ireo mitozo manao ny tsara ka mikatsaka ny voninahitra sy ny laza ary ny tsy fahafatesana; 8hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra sy havinirany* kosa ireo mpikomy tsy nanaiky hanao izay hitsiny fa nanaiky hanao ny tsy rariny. 9Eny, fahoriana sy tebiteby no hahazo ny olona rehetra fatra-panao ny ratsy, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena*. 10Voninahitra sy laza ary fiadanana kosa no ho anjaran'izay rehetra manao ny tsara, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena. 11Fa tsy mba mizaha tavan'olona Andriamanitra.

vendredi 10 mars 2017

Zoma 10 Martsa 2017 - Rom 2 : 1 - 11

1Noho izany, dia tsy afa-tsiny ianao, ry olona izay manameloka ny hafa, na iza na iza ianao. Eo am-panamelohana ny hafa no anamelohanao ny tenanao, satria izay ataon'ireo melohinao, ataon'ny tenanao koa. 2Fantatsika fa araka ny hitsiny tokoa ny didim-pitsarana navoakan'Andriamanitra ho an'ireo izay manao ny asa toy ireny. 3Sa ianao, ry olona izay manameloka ny manao toy ireny, mihevitra ho afa-mandositra ny didim-pitsarana navoakan'Andriamanitra nefa anie ianao koa mba manao? 4Sa be hamoram-po sy fandeferana ary faharetana Andriamanitra ka tsiratsirainao? Tsy fantatrao angaha fa ny hamoràm-pony dia tokony hitarika anao hiala amin'ny toe-dratsy? 5Maditra ianao ary tsy mety mamerina ny fonao aminy, ka dia fahatezeran'Andriamanitra* no avosanao ho an'ny tenanao. Fa ho avy ny andro hampisehoan'Andriamanitra ny fahatezerany sy hitsarany an-karihary ny olombelona ara-drariny, 6ka hamaliany ny tsirairay araka ny asany avy: 7homeny fiaina-maharitra mandrakizay ireo mitozo manao ny tsara ka mikatsaka ny voninahitra sy ny laza ary ny tsy fahafatesana; 8hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra sy havinirany* kosa ireo mpikomy tsy nanaiky hanao izay hitsiny fa nanaiky hanao ny tsy rariny. 9Eny, fahoriana sy tebiteby no hahazo ny olona rehetra fatra-panao ny ratsy, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena*. 10Voninahitra sy laza ary fiadanana kosa no ho anjaran'izay rehetra manao ny tsara, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena. 11Fa tsy mba mizaha tavan'olona Andriamanitra.

jeudi 9 mars 2017

Alakamisy 09 Martsa 2017 - Efe 4 : 17 - 32

17Koa dia izao no lazaiko sy ambarako noho izaho tafaray amin'ny Tompo: aza atao intsony ny fomba fiainan'ny mpanompo sampy, izay manaraka ny hevi-poanany 18sady maizin-tsaina. Olon-ko azy amin'ny fiainam-baovao omen'Andriamanitra ireny, satria tena tsy mahalala sady mafy fo tokoa; 19efa lany henatra mihitsy, ka mivarilavo amin'ny fihetsika tsy maotina sady revo manaram-po amin'ny fahalotoana isan-karazany.

20Tsy mba toy izany kosa no nianaranareo an'i Kristy*! 21Fa efa nandre ny aminy tokoa ianareo ary efa norosoana ny fampianarana marina ao amin'i Jesoa, araka ny maha kristianina anareo. 22Noho izany aoka hialanareo ny toetrareo taloha nifandraika tamin'ny fitondrantenanareo fahiny, dia ilay toetra mihasimba noho ny fitaky ny filàndratsy. 23Aoka hohavaozina tanteraka ny fanahinareo sy ny sainareo; 24ary aoka ianareo hitafy ny toetra vaovao, dia ilay toetra noarîna araka an'Andriamanitra, ka asehon'ny fiainana mandala rariny sy masina vokatry ny fampianarana marina.

25Noho izany, ialao ny lainga; aoka samy hilaza ny marina amin'ny namany avy, fa isika rehetra dia samy anisan'ny tena iray ihany ka mifampiankina. 26Raha sendra tezitra ianareo, dia aza manota: aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. 27Aza omen-toerana ny devoly*. 28Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony; fa aleo mikely aina manao zavatra tsara, mba hisy homeny izay sahirana. 29Aoka tsy hisy teny maloto aloaky ny vavanareo; fa mba teny mahasoa atao, hampandrosoana ny olona amin'ny finoana araka izay sahaza azy, ka hitondra soa ho an'izay mandre. 30Aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra ianareo fa ny Fanahy Masina no tombokase nahatonga anareo ho fananan'Andriamanitra, mba ho tody amin'ny andro hanavotana tanteraka anareo. 31Aoka ianareo tsy ho mpanao an-dolompo, tsy ho vinitra, tsy ho mora tezitra, tsy ho avo vava, tsy hanevateva: esory lavitra anareo avokoa izany, miaraka amin'ny haratsiam-panahy isan-karazany. 32Fa aoka samy ho mora fo sy antra amin'ny namany avy ianareo; mifamelà heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra heloka anareo noho ianareo miray amin'i Kristy.

mercredi 8 mars 2017

Alarobia 08 Martsa 2017 - Deo 8 : 1 - 6

1Ny didy izay ampitaiko aminareo anio dia imasoy avokoa ny hanatanteraka azy, mba ho velona ianareo sy hihamaro ary hiditra haka ho fanananareo ny tany izay tamim-pianianana no nampanantenan'ny TOMPO azy ny razambenareo. 2Tsarovy avokoa ny lalana izay nasain'ny TOMPO Andriamanitrareo halehanareo tatỳ an-taniefitra, nandritra izay efapolo taona izay, mba hampanetry tena anareo; nizaha toetra anareo Izy tamin'izany mba hahalalany izay ao am-ponareo na hitandrina ny didiny ianareo na tsia. 3Rehefa nampanetry tena sy namela anareo ho noana Izy, dia namahana anareo tamin'ny mana* izay hanina tsy fantatrareo na ny razanareo; tiany hampahalalaina anareo manko fa tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa izay teny rehetra aloaky ny vavan'ny TOMPO. 4Ny fitafianareo tsy rovitra, ny tongotrareo tsy mivonto, nandritra izay efapolo taona izay. 5Dia hoekenareo ao am-ponareo fa tahaka ny anabeazan'ny raim-pianakaviana ireo zanany no nanabeazan'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo; 6ka hotandremanareo ny didiny mba hizoranareo amin'ny lalany sy hanajanareo Azy.

mardi 7 mars 2017

Talata 07 Martsa 2017 - Lio 3 : 7 - 14

7Toy izao àry no tenin'i Jôhany tamin'ny vahoaka nidodododo hataony batisa*:
–Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba tsy ho tratry ny fahatezeran'Andriamanitra izay efa antomotra? 8Asehoy amin'ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. Ary aza manao anakampo hoe: «Manana an'i Abrahama ho razambenay izahay!» Satria lazaiko aminareo fa hain'Andriamanitra ny manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 9Indro efa eo am-poto-kazo rahateo ny famaky: koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara, dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.

10Ary hoy ny vahoaka nanontany an'i Jôhany hoe:
–Inona àry no tokony hataonay?

11Dia novaliany hoe:
–Izay manana akanjo roa, aoka hizara amin'izay tsy manana; ary izay manan-kohanina, aoka hanao toy izany koa.

12Mba nisy koa mpamory hetra* tonga hatao batisa ka niteny tamin'i Jôhany hoe:
–Mpampianatra ô, inona no tokony hataonay?

13Dia novaliany hoe:
–Aza mitaky mihoatra noho izay voafetra halainareo.

14Nisy ihany koa miaramila nanontany azy hoe:
–Mba inona kosa no tokony hataonay?

Dia hoy izy taminy:
–Aza maka zavatr'olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin'ny karamanareo.

lundi 6 mars 2017

Alatsinainy 06 Martsa 2017 - II Tan 24 : 17 - 20

17Rehefa maty i Jôiadà, dia avy ireo manampahefana tao Joda ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka ho fiangaviana azy. Dia nihaino azy ny mpanjaka, 18hany ka nilaozan'ireo Israelita ny tranon'ny TOMPO Andriamanitry ny razany mba hanompoany ny tsatokazo fanajana an'i Aserà* sy handalàny sampy hafa. Noho izany fahadisoana izany, dia niharan'ny fahatezeran'ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema. 19Ary nanirahany mpaminany* izy mba hampiverina azy aminy; kanefa, na dia nananatra mafy aza ireo, dia tsy nety nihaino izy. 20Ary notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra kosa tamin'izay i Zakarià mpisorona zanakalahin'i Jôiadà, ka nitsangana teo amin'ny toerana avoavo manoloana ny vahoaka izy ary nanao taminy hoe: «Izao no lazain'Andriamanitra aminareo: ‹Nahoana no mandika ny didiko ianareo? Tsy ahitanareo fanambinana izany. Noho Izaho TOMPO efa nilaozanareo, dia mba handao anareo koa Aho!› »

dimanche 5 mars 2017

Alahady 05 Martsa 2017 - Oha 4 : 1 - 9

1Henoy, rey anaka, ny anatry ny ray
ary milofosa hahalala ny fahaiza-manavaka.
2Fa torohevitra mahasoa no omeko anareo;
aza mahafoy ny fampianarako.
3Izaho koa mba zanaka mamin-draikoa
ary malalan-dreniko toy ny lahitokany.
4Nampianatra ahy i dada ka nanao tamiko hoe:
«Tano mafy ao am-ponao ny teniko;
tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
5Mahazoa fahendrena sy fahaiza-manavaka;
ka aza misy hadinoina na ialana
ireo teny aloaky ny vavako.
6Aza mahafoy ny fahendrena, dia harovany ianao;
tiavo izy, dia hiambina anao.
7Ny voalohan-tanjon'ny fahendrena dia izao:
mahazoa fahendrena;
koa izay rehetra anananao
no ahazoy fahaiza-manavaka.
8Fenjao ny fahendrena, dia hanandratra anao;
eny, ho voninahitrao izy raha fihininao.
9Hasiany diadema soa eo an-dohanao
ary homeny satroboninahitra marevaka ianao.

samedi 4 mars 2017

Sabotsy 04 Martsa 2017 - Efe 6 : 1 - 9

1Ianareo zanaka, mpanaraka ny Tompo ianareo ka maneke ny ray aman-dreninareo, fa rariny izany. 2«Hajao ny rainao sy ny reninao»; izany no didy voalohany miampy ny fampanantenana hoe: 3«mba hahita soa sy ho ela velona eto ambonin'ny tany ianao.»

4Ary ianareo, ray aman-dreny, aza manao izay hampahatezitra ny zanakareo. Fa tezao amin'ny fanabeazana sy fifehezana araka ny Tompo izy.

5Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo ara-nofo amin-tahotra sy fanajana ary amin'ny fahatsorampo toy ny anekenareo an'i Kristy*. 6Tsy hoe raha eo imason'ny tomponareo ara-nofo ihany no manaiky, toy ny mila sitraka amin'ny olona; fa tontosao amin'ny fo tokoa ny sitrapon'Andriamanitra, toy ny ataon'ny mpanompon'i Kristy. 7Ataovy amin'ny fo mirana ny asa fanompoanareo, tahaka ny atao amin'ny Tompo fa tsy amin'ny olona; 8satria fantatrareo fa ny olona tsirairay, na mpanompo na tsy mpanompo, dia samy hovalian'ny Tompo, amin'izay soa nataony avy.

9Ary ianareo tompo, manaova toy izany koa amin'ny mpanomponareo, ka atsaharo ny fandrahonana; satria fantatrareo fa na ianareo, na ny mpanomponareo, dia samy an'ilay Tompo Izay monina ao an-danitra sady tsy mba mizaha tavan'olona.

vendredi 3 mars 2017

Zoma 03 Martsa 2017 - Lio 12 : 1 - 12

1Tamin'izay dia tafangona ny vahoaka alikisa nifanitsa-kitro. Kanefa ny mpianany aloha no nitenenan'i Jesoa hoe:
–Mitandrema tena ianareo amin'ny leviora*n'ny Farisianina* dia ny fihatsarambelatsihy. 2Fa tsy misy afenina izay tsy haseho na takona izay tsy ho fantatra. 3Noho izany, izay rehetra nolazainareo tao amin'ny maizina dia ho re ao amin'ny mazava; ary izay nobitsihinareo tao an'efitra mangina dia hantsoantsoina eny an-tampon-trano.

4–Izao no lazaiko aminareo sakaizako: aza matahotra ireo mahafaty ny vatana, kanefa tsy afa-manao mihoatra an'izany. 5Fa hasehoko anareo izay tokony hatahoranareo: matahora an'Andriamanitra Izay manam-pahefana hamarina anareo any amin'ny lohasahan'afo* rehefa novonoiny ianareo; eny, hoy Aho aminareo, Izy ihany no atahory.

6Tsy ampahafolon'ny denàry* monja ve no vidin'ny fody dimy? Kanefa tsy misy hadinon'Andriamanitra izy ireny na iray aza. 7Na ny volon-dohanareo aza dia fantatr'Andriamanitra ny isany: koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo!

8–Izao no lazaiko aminareo: na iza na iza manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, ny Zanak'olona* koa mba hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra*! 9Fa izay mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, ny Zanak'olona koa mba handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra.

10Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka.

11Raha entina hotsaraina eo amin'ny sinagôga* na eo anatrehan'ny mpitondra sy ny manampahefana ianareo, dia aza manahy ny amin'izay havalinareo na izay holazainareo; 12fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo eo no ho eo ihany izay tokony holazainareo.

jeudi 2 mars 2017

Alakamisy 02 Martsa 2017 - Efe 5 : 8 - 21

8Tao amin'ny haizina ianareo fahiny, fa ao amin'ny fahazavana kosa ankehitriny, noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Koa manaova fitondrantena tahaka ny olona ao amin'ny fahazavana, 9satria ny fahazavana dia mamokatra ny soa sy ny rariny ary ny hitsiny isan-karazany. 10Miezaha mamantatra izay ankasitrahin'ny Tompo. 11Aza miombona amin'ny asa tsy mahavoka-tsoa ataon'ireo olona ao anatin'ny haizina, fa aleo aseho ny tena toetr'ireny asa ireny; 12(satria mahamenatra na dia ny hilaza izay ataon-dry zareo ao amin'ny miafina aza). 13Fa rehefa asehon'ny fahazavana kosa ny tena toetry ny zavatra rehetra, dia hiharihary avokoa; 14eny, izay rehetra miharihary dia tonga mazava. Izany no ilazana hoe:

«Mifohaza ianao izay matory,
ary mitsangàna ho velona avy any amin'ny maty,
dia hampahazava anao iKristy*.»

15Koa tandremo tsara ny fitondrantenanareo. Aza manao toy ny olona tsy misaina, fa aoka ho tahaka izay misaina. 16Hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao andro izao. 17Aza miadaladala, fa mba fantaro izay sitraky ny Tompo hataonareo.

18Aza mimamo divay ianareo, satria fanaranam-po amin'ny ratsy no vokatr'izany; fa aoka ho feno ny Fanahy Masina. 19Manaova salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina; antsa sy salamo no kaloy amin'ny fo tokoa ho an'ny Tompo. 20Misaora an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny olona rehetra amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika.

21Aoka hifanoa ianareo noho ny fanajanareo an'i Kristy.

mercredi 1 mars 2017

Alarobia 01 Martsa 2017 - Amo 8 : 1 - 14

1Ary izao indray no nasehon'ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin'ny fahitana: indro nisy voankazo masaka iray harona. 2Dia nanontany ahy Izy hoe:
–Inona no hitanao, ry Hamôsa?

Ka novaliako hoe:
–Voankazo masaka iray harona!

Dia hoy ny TOMPO tamiko:
–Tonga ny farany ho an'ny Israely vahoakako, tsy holeferiko intsony ny fahadisoany.

3Amin'izany andro hiaviako izany,
ireo vehivavy mpihira ao an-dapa
dia hanao hiram-pisaonana.
ho marobe ny faty
ka fahanginana no hanjaka hatraiza hatraiza.
Izaho Tompo ANDRIANANAHARY
no manao izany teny hentitra izany.

4Mihainoa izao ianareo te hitelina ny mahantra
sy te hamongotra ny mpandefitra eto amin'ny tany,
5ka velom-panontaniana anakampo hoe:
Rahoviana no hifarana ny fetin'ny tsinam-bolana
ka hivarotantsika vary?
Rahoviana no hifarana ny sabata*,
mba hanokafantsika ny sompitra?
Hohakelezintsika ny zinga famarana,
hampitombointsika ny vato fandanjana,
mizàna mandainga no hampiasantsika,
6ary hatramin'ny vary loha-kororoka
no hamidintsika.
Hovidintsika ho andevo ireo fadiranovana sy mahantra,
noho izy tsy mahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.
7Ny TOMPO, Izay reharehan'ny taranak'i Jakôba,
dia nanao fianianana hoe:
«Tsy hisy hohadinoiko mandrakizay
ny asa ratsy rehetra nataonareo!»
8Noho izany, dia hihorohoro ny tany
ary hisaona ny mponina rehetra ao aminy;
eny, hihorohoro tokoa ny tany tontolo,
ka hisondrotra sy hietry
tahaka an'i Neily onin'i Ejipta.
9Ny Tompo ANDRIANANAHARY
dia manao teny hentitra hoe:
«Izao no hiseho amin'izany andro izany:
halentiko mitatao vovonana ny masoandro
ary hohamaiziniko antoandro ny tany;
10havadiko ho fisaonana ny fetinareo
ary ho fitomaniana ny hiram-pifalianareo;
hosikinako lamba gony ianareo rehetra
sady hosolako loha
ka hataoko tahaka ny olona misaona
zanaka lahitokana;
ary ho tahaka ny androm-pahoriana mangidy
no fiafaran'izany.»
11Ny Tompo ANDRIANANAHARY
dia manao teny hentitra hoe:
«Indro avy ny andro
izay handefasako mosary amin'ny tany:
tsy hoe ho mosarena mofo ny olona
na hangetaheta rano
fa haniry mafy handre ny teniko.
12Dia hivezivezy avy any atsimo
ka hatrany andrefana
ary hitotototo avy any avaratra
ka hatrany atsinanana ny olona
mba hitady ny teniko, nefa tsy hahita.
13Amin'izany andro izany, dia ho torana azon'ny hetaheta
ireo tovovavy tsara tarehy mbamin'ny tovolahy.
14Ireo mpianiana amin'ny sampin'i Samaria
sy ireo mpiteny hoe: ‹Velona ny andriamanitrao, ry Dana!›
na hoe: ‹Velona ny andriamanitrao, ry Beera-Seba...!›
dia ho lavo ka tsy hiarina intsony.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12