vendredi 30 juin 2017

Zoma 30 Jona 2017 - Gal 5 : 16 - 26

16Izao kosa no teniko: mandehana araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy hahatanteraka ny fanirian'ny maha olona mpanota. 17Fa ny maha olona mpanota dia manam-paniriana manohitra ny fanirian'ny Fanahy Masina; ary ny Fanahy Masina dia manam-paniriana manohitra ny maha olona mpanota: mifanohitra izy roroa, hany ka tsy izay zavatra sitrakareo no ataonareo#5.17 Ampit Rm 7.14-23.. 18Kanefa raha tarihin'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy fehezin'ny lalàna intsony. 19Fa miharihary ny asan'ny maha olona mpanota, dia ireto: fijangajangana, fahalotoana, fihetsika tsy maotina, 20fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana, adiady, fahatezerana, fiafonafonana, fifandrafiana, fisarahana, fitokotokoana, 21fialonana, fidorohana, fihinanam-be loatra, sy ny mitovy amin'izany. Ary lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao toy izany dia tsy hanana anjara amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*.

22Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky, 23fahalemem-panahy, fahononam-po: tsy misy lalàna manohitra ny toy izany. 24Ireo voatokana ho an'i Kristy Jesoa dia efa nanombo teo amin'ny hazofijaliana ilay maha olona mpanota azy ireo mbamin'ny filàndratsiny amam-paniriany. 25Raha ny Fanahy Masina tokoa no manome aina antsika, dia aoka hizotra araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina koa isika; 26fa aoka tsy ho be rehaka foana hifampihaika sy hifampialona.

jeudi 29 juin 2017

Alakamisy 29 Jona 2017 - II Kor 3 : 12 - 16

12Satria manana izany fanantenana izany izahay, dia be fahasahiana tokoa. 13Izahay dia tsy tahaka an'i Mosesy izay nisaron-tava mba tsy hahitan'ny vahoaka Israely ny fiafaran'ilay famirapiratany mihelina#3.13 Jereo Eks 34.3.. 14Fa nihadonto ny sain'ny vahoaka Israely; ary mandraka androany dia tsy nesorina ny zava-manarona ny sainy, fa mbola ao ihany raha mamaky ny boky mirakitra ny Fanekempihavanana Taloha#3.14 ny boky mirakitra ny Fampihavanana Taloha na mirakitra ny Testamenta Taloha.  izy ireo; satria ho an'ny olona tafaray amin'i Kristy no foana izany sarona izany. 15Mandraka androany, isaky ny vakîna ny bokin'i Mosesy, dia mbola misarona ihany ny fon'ny vahoaka Israely. 16Fa isaky ny miverina amin'ny Tompo kosa ny olona, dia miesotra izany sarona izany#3.16 isaky ny... izany sarona izany: dkt hafa isaky ny mitodika amin'ny Tompo izy (Mosesy), dia esoriny ny saron-tavany. Jereo Eks 34.34..

mercredi 28 juin 2017

Alarobia 28 Jona 2017 - Mik 3 : 5 - 8

5Izao no lazain'ny TOMPO ny amin'ireo mpaminany*
izay mpamitaka ny vahoakako:
«Raha misy mahafoy hokepohiny,
dia iantsoany ‹Fiadanana›.
Fa izay tsy manome zavatra hataony am-bava kosa
dia hananganany ady manokana.
6Noho izany, foana ny fisehoam-pahitana
fa ny alina no ho aminareo mpaminany mpamitaka.
Foana koa ny fanambaràna ny ho avy
fa ny haizina no hanarona anareo.
Hilentika aminareo ny masoandro,
ka ho maizina aminareo ny andro!»
7Dia ho menatra ny mpaminany isehoam-pahitana,
ary hangaihay ny mpanambara ny ho avy;
hisarom-bava#3.7 misarom-bava: fihetsika manambara fahalotoana eo anatrehan'Andriamanitra (jereo Lev 13.45). avokoa izy rehetra,
satria tsy namaly azy intsony Andriamanitra.
8Izaho kosa, noho ny Fanahin'ny TOMPO,
dia feno tanjaka sy rariny ary herim-po,
mba hanambara amin'ny taranak'i Jakôba ny helony,
eny, mba hanambara amin'ny vahoakan'i Israely ny fahotany.

mardi 27 juin 2017

Talata 27 Jona 2017 - I Sam 10 : 9 - 13

9Raha vao nihodina i Saoly ka dify an'i Samoela, dia novan'Andriamanitra fo, ary tanteraka taminy androtrizay ihany ireo zavatra rehetra voalazan'i Samoela. 10Koa rehefa tonga tany Gibehà i Saoly sy ny mpanompony, dia indreo andiana mpaminany nifanena taminy; dia nilatsahan'ny Fanahin'Andriamanitra i Saoly, ary niara-naminany tamin'izy ireo. 11Ary izay rehetra efa nahalala azy hatramin'izay, raha nahita azy tsindrian-daona miaraka amin'ny mpaminany, dia nifampanontany hoe: «Fa inona no nanjò ity zanakalahin'i Kisy? Lasa mpaminany koa angaha i Saoly#10.11 Jereo 19.23-24.?» 12Dia hoy koa ny iray tamin'izy ireo: «Fa mba iza no rain'ireto mpaminany hafa ireto#10.12 Tsy mazava avy hatrany ny hevitr'ilay fanontaniana. Mety milaza hagagàna eo am-pahitana fa toa tsy misy filoha izany andiana-mpaminany izany na mety fisokajiana ireo ho ambany laharana satria tsy fantatra izay mpitarika azy. Kanefa dia gaga ny olona mahita an'i Saoly eo anivon'ireo mpaminany ireo.?» Izany no nahatonga ilay ohabolana hoe: «Mba tonga anisan'ny mpaminany koa ve i Saoly?»

13Rehefa tony tsy naminany intsony i Saoly, dia nankeo amin'ny toeram-panasinana.

lundi 26 juin 2017

Alatsinainy 26 Jona 2017 - Heb 2 : 1 - 4

1Izany no tokony hitandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao voatarika hiala amin'izany isika. 2Nanan-danja tokoa na dia ny hafatra nentin'anjely*#2.2 ...nentin'anjely: jereo Asa 7.53 sy nta. aza, ary izay rehetra nandika izany na tsy nanaiky izany dia nahazo sazy tandrify avy; 3ka hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy raharahaintsika ny famonjen-dehibe toy izany? Ny Tompo mihitsy no efa nitory voalohany izany famonjena izany, ary nohamafisin'ireo izay nandre mba ho fanasoavana antsika. 4Andriamanitra koa dia niara-nijoro ho vavolombelona tamin'ireo nandre ireo ka niantoka izany tamin'ny famantarana* sy zava-mahatalanjona ary ny asa mahagaga isan-karazany#2.4 Ampit Mk 16.17-18, 20; Asa 5.12., mbamin'ireo fanomezan'ny Fanahy Masina izay nozarazarain'Andriamanitra araka ny sitrapony.

dimanche 25 juin 2017

Alahady 25 Jona 2017 - Lio 21 : 35 - 36

35satria hiantonta tahaka ny fandrika harato amin'ny mponina rehetra#21.35 ho avy tampoka... mponina rehetra: dkt hafa ho avy tampoka aminareo toy ny fandrika harato izany andro izany, satria hihatra amin'ny mponina rehetra.  manerana ny tany tontolo. 36Koa miambena sady mivavaha lalandava mba ho afa-miala amin'izany loza rehetra efa ho avy izany sy ho marim-pijoro eo anatrehan'ny Zanak'olona.

samedi 24 juin 2017

Sabotsy 24 Jona 2017 - Mar 12 : 35 - 37

35Raha ilay nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly* iny i Jesoa, dia niteny hoe:

–Ahoana no ilazan'ny mpahay lalàna* fa hoe Zanak'i Davida* ny Mesia*? 36Kanefa tenan'i Davida, rehefa nohazavain'ny Fanahy Masina, no nanao hoe:

«Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra
tamin'ny Mpanjaka Tompoko hoe:
Mipetraha amin'ny sezafiandrianana eto ankavanako;
Izaho kosa hanao ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao#12.36 Sal 110.1..»

37Tenan'i Davida izany no manao ny Mesia hoe «Tompoko», ka ahoana no maha Zanak'i Davida Azy?
Ary faly ny vahoaka maro nihaino an'i Jesoa.

vendredi 23 juin 2017

Zoma 23 Jona 2017 - II Kor 3 : 1 - 6

1Koa izaho, ry havako, dia tsy afaka niteny taminareo toy ny amin'ny olona manana ny Fanahin'Andriamanitra; fa toy ny amin'ny olona mbola fehezin'ny maha olombelona no nitenenako taminareo, toy ny amin'ny olona zazavao amin'ny maha kristianina. 2Dia ronono no namahanako anareo fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola nozakanareo#3.2 Ampit Heb 5.12-13.. Na ankehitriny izao aza, dia tsy mbola zakanareo 3noho ianareo mbola fehezin'ny maha olombelona. Matoa fialonana sy adiady no mahazo laka eo aminareo, tsy miharihary ve fa fehezin'ny maha olombelona ianareo ka mitondra tena araka ny filamatr'olombelona? 4Raha hoy ny anankiray hoe: «Izaho an'i Paoly», ary hoy kosa ny anankiray hoe: «Izaho an'i Apôlao#3.4 Jereo 1.12.», moa tsy ny fanaon'olombelona ve no ataonareo?

5Fa inona moa i Apôlao, ary inona moa i Paoly? Mpanompon'Andriamanitra fotsiny izahay, ka nahatonga anareo ho mpino samy araka izay nomen'ny Tompo hataonay avy: 6izaho moa namboly, ary i Apôlao kosa nanondraka, fa Andriamanitra no nampitsimoka.

jeudi 22 juin 2017

Alakamisy 22 Jona 2017 - I Kor 2 : 12 - 16

12Raha izahay, dia tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao fa ny Fanahy avy amin'Andriamanitra, mba hahalalanay ny tombon-tsoa rehetra efa nomen'Andriamanitra anay. 13Ary tsy teny ampianarin'ny fahendren'olombelona no itenenanay momba izany, fa teny ampianarin'ny Fanahin'Andriamanitra; ka izay manana io Fanahin'Andriamanitra io#2.13 izay manana io fanahin'Andriamanitra io: dkt hafa teny avy amin'io Fanahin'Andriamanitra io.  no anazavanay ny zavatra ampitain'ny Fanahin'Andriamanitra.

14Fa ny olona tsy manana ny Fanahin'Andriamanitra dia tsy mahay mandray ny fanomezana ampitain'izany Fanahy izany; fa ataony ho fahadalana izany, sady tsy hainy fantarina velively, satria ny Fanahin'Andriamanitra ihany no ahafantarana izany. 15Afaka mitsara ny zavatra rehetra ny olona manana ny Fanahin'Andriamanitra kanefa tsy azon'olona tsaraina. 16Fa hoy ny Soratra Masina hoe:

«Iza moa no mahafantatra ny fisainan'ny Tompo,
ka ho afaka hanolo-tsaina Azy#2.16 Is 40.13, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta.?»
Fa izahay kosa dia manana ny fisainan'i Kristy!

mercredi 21 juin 2017

Alarobia 21 Jona 2017 - Zak 4 : 1 - 7

1Ary niverina ilay anjely* niresaka tamiko, ka namoha ahy toy ny famoha olona matory 2sady nanontany ahy hoe:
–Inona no hitanao?

Dia hoy aho namaly:
–Fitoeran-jiro volamena misy fitahirizan-diloilo eo an-tampony no hitako. Fanaovan-jiro fito no eo amin'izany fitoeran-jiro izany; ary lahin-jiro fito kosa no eo amin'ny fanaovan-jiro tsirairay avy.

3Misy hazo ôliva roa eo anilan'ilay fitahirizan-diloilo, ka ny anankiray eo an-kavanany, ary ny anankiray eo an-kaviany.

4Tamin'izay ilay anjely niresaka tamiko dia nanontaniako hoe:
–Inona moa no dikan'ireo, Tompoko?

5Ka hoy izy tamiko:
–Tsy fantatrao va ny dikan'ireo?

Fa novaliako hoe:
–Tsia, Tompoko.

6aDia nohazavainy tamiko àry#4.6 Ny and 6b-10a, momba an'i Zerobabela, dia manapaka ny valinteny lazaina ao amin'ny and 6a. Nafindra aorian'ny and 14 izany. 10bfa ireo jiro fito ireo no mason'ny TOMPO izay mahita ny zavatra rehetra ambonin'ny tany.

mardi 20 juin 2017

Talata 20 Jona 2017 - I Tim 4 : 1 - 5

1Lazain'ny Fanahy Masina mazava tsara fa any am-parany any dia hisy olona sasany handao ny finoana; ny hahababo azy dia fanahy mamitaka sy fampianaran-demony#4.1 Ny demony dia noheverina ho fanahy ratsy irakiraky ny devoly na mpanompony. 2izay haelina mpihatsaravelatsihy sy mpilaza lainga. Maty toy ny efa nasiana vy mahamay#4.2 nasiana vy mahamay: ny marika, natao tamin'ny vy mahamay teo amin'ny tenan'olona, dia fanao manokana tamin'ireo olona nahavita heloka be vava sy ireo andevo nandositra. mihitsy ny eritreritr'ireto mpilaza lainga ireto; 3raran-dry zareo ny fanambadiana; ary asainy fadina ny hanina sasantsasany. Hanina noarîn'Andriamanitra anefa ireny; ka ho an'ireo mpino sady mpahafantatra ny hafatra marim-pototra dia amim-pisaorana an'Andriamanitra no ihinanana azy. 4Fa tsara avokoa izay noarîn'Andriamanitra#4.4 Ampit Gen 1.31., ka tsy misy tokony holavina fa horaisina amim-pisaorana an'Andriamanitra; 5satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny vavaka izany.

lundi 19 juin 2017

Alatsinainy 19 Jona 2017 - Jao 14 : 12 - 17

12Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia hanao ny asa ataoko ihany koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria mankany amin'ny Ray Aho. 13Ary na inona na inona angatahinareo noho ny anarako, dia hataoko izany, mba hahazoan'ny Ray voninahitra eo amin'ny Zanaka. 14Raha noho ny anarako no angatahanareo zavatra amiko#14.14 amiko: misy stf sasany tsy ahitana io teny io., dia hataoko izany.

15Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ireo didiko. 16Izaho koa hangataka amin'ny Ray, ary Izy no hanome anareo Mpampionona hafa mba homba anareo mandrakizay. 17Izany Mpampionona hafa izany dia ny Fanahy fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany sady tsy fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo anilanareo Izy sady ho ao anatinareo#14.17 Mpampionona: jereo ny FTS amin'ny voambolana hoe PARAKLETO. –mitoetra eo anilanareo Izy sady ho ao anatinareo: misy stf sasany ahitana hoe mitoetra eo anilanareo Izy sady ao anatinareo; ary misy koa ahitana hoe hitoetra eo anilanareo Izy ary ho ao anatinareo. .

dimanche 18 juin 2017

Alahady 18 Jona 2017 - Efe 1 : 7 - 14

7Ny ra nafoin-Janany no nahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny hadisoantsika#1.7 Ampit Kôl 1.14.. Izany no nanehoan'Andriamanitra ny harem-pahasoavany, 8izay natosany be dia be tamintsika ka nahazoantsika fahendrena amam-pahalalana feno. 9Dia nampahafantarin'Andriamanitra antsika ilay tsiambaratelon'ny sitrapony, araka ny safidy noheveriny hotontosaina ao amin'ny Zanany. 10Eny, hotanterahiny mandra-pahatongan'ny fotoanandro farany izany tsiambaratelo izany: dia ny hampivondrona ny zavatra rehetra, ny any an-danitra sy ny eto an-tany, ao amin'i Kristy Filoha tokana.

11Tafaray amin'i Kristy izahay ka tonga anjara lovan'Andriamanitra#1.11 izahay: izany hoe izahay Jiosy tonga kristianina; jereo koa 2.3. –tonga anjara lovan'Andriamanitra: dkt hafa nandray ny anjara lovanay (ahatsiarovana ny nizarazaran'ny vahoaka Israely ny tany nampanantenaina, izay samy nananany anjara avy, jereo Jos 13–19).; satria natokany rahateo izahay, fa izany no fandaharan'Ilay manao ny zavatra rehetra araka izay efa nokasain'ny sitrapony. 12Hideranay an'Andriamanitra be voninahitra anie izany, satria izahay no nanantena voalohany an'i Kristy.

13Tafaray amin'i Kristy koa ianareo, satria efa renareo ilay hafatra marim-pototra, izany hoe ny Vaovao Mahafaly* izay nitondra ny famonjena taminareo, ary efa ninoanareo i Kristy. Ka dia nasiana tombokase maha fananan'Andriamanitra ianareo, tamin'ny nanomezana anareo ny Fanahy Masina Izay nampanantenaina. 14Io Fanahy Masina io no antoka hahazoantsika ny lova natokan'Andriamanitra ho an'ny vahoakany*, mba hahatanteraka ny fanavotana ireo olona natao mba ho fananan'Andriamanitra, hiderantsika ny voninahitr'Andriamanitra izany!

samedi 17 juin 2017

Sabotsy 17 Jona 2017 - Sal 104 : 24 - 30

24Endrey ity hamaroan'ny asanao, TOMPO ô!
Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra:
henika ny zava-boaarinao ny tany!
25Ny ranomasina, indro lehibe sy midadasika;
ao no miriaria tsy tambo isaina
na ny biby madinika na ny vaventy;
26ao no mivezivezy ny sambo; ao koa i Leviatàna,
ilay trozona namboarinao ho tsilalaonao.

27Izy rehetra ireny dia miankina aminao,
mba hanome hanina azy ara-potoana.
28Raha manome Ianao, dia mandray izy;
raha sokafanao ny tananao,
dia voky zava-tsoa izy.
29Raha lavinao ny hijery azy,
dia mitebiteby izy;
raha alainao ny ainy, dia maty izy
ka miverina ho vovoka indray.
30Alefanao ny Fanahinao, dia ary indray ireo
ka mihavao ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany.

vendredi 16 juin 2017

Zoma 16 Jona 2017 - Nom 11 : 23 - 29

23Fa hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Ary ny heriko, moa mba misy fetrany va? Ho hitanao izao ankehitriny izao na ho tanteraka aminao ny teniko na tsia.

24Nisinda kely i Mosesy ka nilaza ny tenin'ny TOMPO tamin'ny vahoaka. Nangoniny avy eo ireo fitopolo lahy tamin'ny loholom-bahoaka*, dia napetrany nanodidina ny Tranolay fihaonana. 25Ary nidina teo amin'ny rahona ny TOMPO#11.25 Jereo Eks 13.21 sy nta. ka niresaka tamin'i Mosesy. Nangalany ny fanahy tamin'i Mosesy ka nanomezany ho an'ny loholona fitopolo lahy. Ary raha vao nipetraka tamin'izy ireo ny fanahy, dia nanomboka naminany* izy ireo, nefa tsy notohizany izany.

26Fa nisy olona anankiroa nijanona tao an-toby, i Eldada no anaran'ny iray ary i Medada kosa ny iray; anisan'ny loholona fitopolo lahy izy ireo, nefa tsy mba lasa nankany amin'ny Tranolay. Nahazo ny fanahy koa izy ireo ary dia naminany tao an-toby. 27Nihazakazaka nampandre an'i Mosesy ny tovolahy iray ka nanao hoe:
–Maminany ao an-toby i Eldada sy i Medada.

28Dia loa-bolana i Josoa, zanakalahin'i Nona sady mpanompon'i Mosesy hatramin'ny fahatanorany, ka nanao hoe:
–Ry Mosesy tompoko, mba rarao re izy roa lahy.

29Fa hoy i Mosesy taminy:
–Moa mialona azy noho ny amiko ve ianao? Enga anie homen'ny TOMPO ny Fanahiny avokoa ny vahoakany rehetra ka ho tonga mpaminany!

jeudi 15 juin 2017

Alakamisy 15 Jona 2017 - Jak 4 : 4 - 10

4Olona mivadika amin'Andriamanitra ianareo! Tsy fantatrareo ve fa izay misakaiza amin'izao tontolo izao dia fahavalon'Andriamanitra? Koa na iza na iza te ho sakaizan'izao tontolo izao, dia mampahatonga ny tenany ho fahavalon'Andriamanitra. 5Aza heverinareo fa tsy misy antony ny tenin'ny Soratra Masina* hoe: «Feno faniriana mirehidrehitra ny fanahy izay napetrak'Andriamanitra ao anatintsika#4.5 Feno... anatintsika: dkt hafa Ilay Fanahy Masina izay namponenin'Andriamanitra ao anatintsika dia tena saropiaro antsika na hoe Mahasaropiaro an'Andriamanitra tokoa ny fanahy napetrany ao anatintsika. Io rijan-teny io dia tsy hita na ao amin'ny Test. T. na ao amin'ny Test. V..» 6Manome antsika fahasoavana lehibe lavitra anefa Andriamanitra, satria hoy ny Soratra Masina: «Toherin'Andriamanitra ny mpiavonavona, fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena#4.6 Ohab 3.34, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..» 7Koa maneke an'Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly*, dia handositra lavitra anareo izy. 8Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy#4.8 Ampit Za 1.3; Mal 3.7.. Sasao ny tananareo, ry mpanota; ary diovy ny fonareo, ry mpiroa fo. 9Malahelova, mitomania ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo ary hody alahelo ny fifalianareo. 10Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.

mercredi 14 juin 2017

Alarobia 14 Jona 2017 - I Jao 4 : 1 - 3

1Ry hava-malala, aza mino izay rehetra milaza hoe manana ny Fanahy Masina, fa zahao toetra ireo hahafantarana raha toa ny Fanahy Masina avy amin'Andriamanitra no manentana azy#4.1 Ampit Gen 13.2-6.; satria maro ny mpaminany sandoka eran'izao tontolo izao*. 2Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: ny olona rehetra manaiky fa efa tonga olombelona tokoa i Jesoa Kristy*, dia manana ny Fanahy avy amin'Andriamanitra; 3ny olona rehetra tsy manaiky an'i Jesoa araka izany, dia tsy manana ny Fanahy avy amin'Andriamanitra: ny fanahy ananany dia ny fanahin'ilay antikristy, izay renareo fa ho avy ary efa eo amin'izao tontolo izao sahady aza ankehitriny.

mardi 13 juin 2017

Talata 13 jona 2017 - I Kor 2 : 1 - 5

1Ry havako, fony tonga tany aminareo aho mba hitory ny tsiambaratelo momba amin'Andriamanitra#2.1 ny tsiambaratelo momba an'Andriamanitra: misy stf sasany ahitana hoe ny fanambarana momba an'Andriamanitra. , dia tsy nampiasa lahateny marevaka na fahendrena mampitolagaga. 2Teo aminareo aho dia ninia tsy nahafantatra na inona na inona afa-tsy i Jesoa Kristy, indrindra fa Izy voahombo teo amin'ny hazofijaliana. 3Izany no nahatonga ahy ho osa sy natahotra ary nangovitra teo anoloanareo#2.3 Ampit Asa 18.9.; 4ny fampianarako sy ny toriteniko dia tsy tamin'ny lahateny mampiaiky volana araka ny fahendren'olombelona, fa tamin'ny fandresen-dahatra araka ny herin'ny Fanahy Masina. 5Ka dia tsy fahendren'olombelona fa herin'Andriamanitra no iorenan'ny finoanareo.

lundi 12 juin 2017

Alatsinainy 12 Jona 2017 - Joe 3 : 1 - 2

1Dia hoy ny TOMPO hoe#3.1 Amin'ny dkt sasany ny and 1-5 dia voalahatra ho 2.28-32.:
«Rehefa afaka izany
dia handatsaka ny Fanahiko
amin'ny olombelona rehetra Aho,
ka haminany* ny zanakalahinareo
mbamin'ny zanakavavinareo,
hanonofy ny lahiantitrareo
ary hisehoam-pahitana ny tanoranareo.
2Na dia ny mpanompolahy
sy ny mpanompovavy aza
dia handatsahako ny Fanahiko
amin'izany andro izany.

dimanche 11 juin 2017

Alahady 11 Jona 2017 - Jao 16 : 12 - 15

12Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. 13Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra: satria tsy hiteny avy amin'ny tenany Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. 14Ny Fanahy fahamarinana no hanome voninahitra Ahy, satria handray avy amin'izay ananako Izy ary hanambara izany aminareo. 15Izay rehetra ananan'ny Raiko dia Ahy avokoa, ka izany no nilazako hoe: Handray avy amin'izay ananako ny Fanahy fahamarinana, ary hanambara izany aminareo.

samedi 10 juin 2017

Sabotsy 10 Jona 2017 - Isa 44 : 1 - 5

1Fa ankehitriny kosa mihainoa,
ry firenen'i Jakôba mpanompoko,
ry vahoaka Israely izay nofidiko.
2Izaho TOMPO izay mpanao anao,
ka namorona anao hatrany am-bohòka
sy manampy anao no indro milaza aminao hoe:
Aza matahotra, ry firenen'i Jakôba mpanompoko
ilay Jesoròna#(44.2 Jesoròna; anaram-bositra iantsoana an'i Israely ao amin'ny Deot 32.15; 33.5,26. Angamba ny dikany dia hoe olo-mahitsy, ka mifanohitra amin'ny hoe Jakôba (fangoloka). izay nofidiko).
3Fa hanosaka rano amin'izay mangetaheta Aho
sy hampandriaka renirano amin'ny tany mangentana.
Hatosako amin'ny zanakao ny Fanahiko
ary amin'ny taranakao ny fitahiako.
4Handrobona toy ny solofom-bolotara
na toy ny hazomalahelo eny amoron-drano izy.
5Ny anankiray hanao hoe: ‹An'ny TOMPO aho›;
ny iray hafa te hitondra ny anaran'i Jakôba.
Ny anankiray kosa dia eo amin'ny sandriny
no hanoratany hoe: ‹Fananan'ny TOMPO›
sady ny anaran'i Israely no hireharehany.»

vendredi 9 juin 2017

Zoma 09 Jona 2017 - Mar 13 : 9 - 11

9Tandremo ny amin'ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin'ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin'ny sinagôga*; ary hitsangana eo anoloan'ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany. 10Kanefa tsy maintsy hotorîna amin'ny firenena rehetra aloha ny Vaovao Mahafaly*. 11Rehefa hoentina hatolotra amin'ny mpitsara ianareo, dia aza manahy hoe inona no holazainareo; fa izay teny homena anareo amin'izay fotoana izay, lazaina; satria tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin'ny Fanahy Masina.

jeudi 8 juin 2017

Alakamisy 08 Jona 2017 - Asa 2 : 1 - 4

1Nony tonga ny andro Pentekôsta*#2.1 Jereo Lev 23.15-21; Deot 16.9-11., dia tafangona teo amin'io efitrano io ihany ny mpino rehetra. 2Ary nisy feo avy tany an-danitra tonga tampoka tahaka ny rivo-mahery mifofofofo ka nanenika ny trano nitoerany. 3Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho tamin'ny mpivory ka nizarazara nipetraka teny ambonin'ny tsirairay avy. 4Dia feno Fanahy Masina avokoa izy rehetra ary niteny fiteny samihafa araka izay nampitenenan'ny Fanahy azy avy.

mercredi 7 juin 2017

Alarobia 07 Jona 2017 - Jao 16 : 5 - 11

5ankehitriny kosa, mankany amin'Ilay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy intsony aminareo manontany Ahy hoe: «Hankaiza Ianao?» 6Saingy noho Izaho nilaza izany taminareo, dia vonton'alahelo ny fonareo! 7Kanefa ny marina no lazaiko aminareo: mahasoa anareo ny fialàko; fa raha tsy miala Aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo ilay Mpanolotsaina anareo; fa raha mandeha Aho, dia haniraka Azy ho atỳ aminareo. 8Ary rehefa tonga ilay Mpanolotsaina anareo, dia ny fahotan'izao tontolo izao, sy ny fahamarinako, ary ny fanamelohan'Andriamanitra#16.8 Mpanolotsaina: jereo ny FTS amin'ny voambolana hoe PARAKLETO. –Ampit Asa 24.25. no hampiaikeny an'izao tontolo izao: 9ny fahotan'izao tontolo izao, satria tsy mino Ahy izao tontolo izao#16.9 Jereo 8.21-24; 9.41; 15.22-24.; 10ny fahamarinako, satria mankany amin'ny Ray Aho ka tsy ho hitanareo intsony; 11ary ny fanamelohan'Andriamanitra, satria voaheloka rahateo ilay filohan'izao tontolo izao.

mardi 6 juin 2017

Talata 06 Jona 2017 - Mat 10 : 16 - 20

16–Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo afovoan'ny amboadia. Noho izany, aoka ho malina tahaka ny bibilava ianareo, ary aoka ho tsotra tahaka ny voromahailala. 17Mitandrema, fa hatolotry ny olona amin'ny mpitsara isan-tanàna ianareo sady hokapohiny any amin'ny sinagôgany*; 18ary hoentina eo anoloan'ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehan'ny Jiosy sy ny hafa firenena. 19Fa raha atolotry ny olona ianareo, aza manahy izay fomba hitenenanareo na izay teny holazainareo, satria homena anareo eo no ho eo ihany izay teny holazainareo. 20Tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin'ny Fanahy Masina irahin'ilay Rainareo.

lundi 5 juin 2017

Alatsinainy 05 Jona 2017 - I Kor 2 : 6 - 11

6Fahendrena no torînay amin'ny kristianina efa matotra ara-panahy. Saingy tsy ilay fahendren'izao tontolo izao* na ny an'ireo mpifehy an'izao tontolo izao, izay olona voalahatra ho ringana. 7Fa ny torînay kosa dia fahendrena miafina ao amin'Andriamanitra: fahendrena izay takona amin'ny olombelona, kanefa voatendrin'Andriamanitra talohan'ny nisian'izao tontolo izao mba hahazoantsika voninahitra. 8Tsy nisy nahafantatra izany fahendrena izany ireo mpifehy an'izao tontolo izao; satria raha mba nahafantatra izany izy ireo, dia tsy ho nampanombo ny Tompo be voninahitra teo amin'ny hazofijaliana. 9Saingy izao no voalazan'ny Soratra Masina*:

«Zavatra tsy mbola hitan'olona maso na ren'ny sofiny
na tafiditra tao am-pony akory,
no efa nomanin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy#2.9 Jereo Is 64.3; 52.15..»

10Izahay kosa no nanehoan'Andriamanitra izany tsiambaratelo izany tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina. Fa ny Fanahy Masina dia afaka mandinika ny zavatra rehetra, na dia izay lalina indrindra ao amin'Andriamanitra aza#2.10 kosa: misy stf sasany ahitana hoe manko. . 11Raha samy olombelona izao, dia ny fanahin'ny olona ao anatiny ao ihany no mahalala izao ao am-pon'ilay olona; ary toy izany koa, ny Fanahin'Andriamanitra ihany no mahafantatra izay ao am-pon'Andriamanitra.

dimanche 4 juin 2017

Alahady 04 Jona 2017 - Asa 10 : 44 - 48

44Raha mbola nilaza izany zavatra izany i Petera, dia nilatsahan'ny Fanahy Masina ny olona rehetra nihaino ny lahateniny. 45Talanjona ireo mpino jiosy tafaraka tamin'i Petera, satria narotsaka tamin'ny hafa firenena koa ny Fanahy Masina fanomezan'Andriamanitra; 46fa henony niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sady nankalaza an'Andriamanitra ny hafa firenena. Tamin'izay dia hoy i Petera hoe:

47–Azo sakanana tsy hatao batisa* amin'ny rano ve ireto olona efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika ireto?

48Dia nasain'i Petera natao batisa amin'ny anaran'i Jesoa Kristy* izy rehetra. Ary nangatahin'izy ireo kosa i Petera mba hitoetra eo aminy andro vitsivitsy.

samedi 3 juin 2017

Sabotsy 03 Jona 2017 - Mar 8 : 14 - 20

14Ary hadinon'ny mpianatra* ny nitondra mofo, ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo aminy tao an-tsambokely. 15Dia namepetra azy ireo i Jesoa nanao hoe:
–Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan'ny levioran'ny Farisianina* sy ny levioran'i Herôda*.

16Fa iretsy mpianany kosa niady hevitra nifampilaza hoe:
–Noho isika tsy nitondra mofo angaha izany!

17Tsikaritr'i Jesoa izany ka hoy Izy taminy:
–Nahoana ianareo no miady hevitra ny amin'ny tsy nitondranareo mofo? Mbola tsy takatrareo ary tsy fantatrareo foana ve? Fa dia mafy fo ve ianareo? 18Mana-maso ianareo ka no tsy mahita, ary manan-tsofina ka no tsy mandre#8.18 Ampit Jer 5.21; Ezek 12.2.? Tsy tsaroanareo angaha? 19Fony Aho nanapaka ireo mofo dimy haroso amin'ny vatan-dehilahy dimy arivo, sobika firy no voaangonareo feno ny tapa-mofo ambiny?

Hoy ny navalin'ireo hoe:
–Sobika 12#8.19 Jereo 6.35-44..

20Dia hoy i Jesoa taminy:
–Ary fony Aho nanapaka ireo mofo fito haroso amin'ny vatan-dehilahy efatra arivo, harona firy no voaangonareo feno ny tapa-mofo ambiny?

Hoy ny navalin'ireo hoe:
–Harona fito#8.20 Jereo 8.1-9.!

vendredi 2 juin 2017

Zoma 02 Jona 2017 - Jao 14 : 23 - 26

23Dia novaliany hoe:
–Raha misy olona tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ho tia azy ny Raiko, ary Izaho sy ny Raiko dia hankao aminy ka honina ao. 24Izay tsy tia Ahy, dia tsy mitandrina ireo teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy avy amiko fa avy amin'ny Ray Izay naniraka Ahy.

25Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. 26Fa ilay Mpananatra, dia ny Fanahy Masina Izay hirahin'ny Ray noho ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.

jeudi 1 juin 2017

Alakamisy 01 Jona 2017 - Mat 3 : 13 - 17

13Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Jôhany teo amoron'i Jôrdàna mba hataony batisa*.
14Nandà mafy i Jôhany ka nanao hoe:
–Izaho no tokony hataonao batisa, ka Ianao indray ve no mankatỳ amiko?

15Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Ekeo ihany aloha, fa izany no tsy maintsy anatontosantsika ny zavatra rehetra voasoritr'Andriamanitra.

Izay vao nanaiky i Jôhany. 16Nony vita batisa i Jesoa, dia niala avy hatrany tao anaty rano. Ary indro nisokatra tamin'i Jesoa ny lanitra ka hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny.

17Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:
–Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako#3.17 Ampit Sal 2.7; Is 42.1.!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12