samedi 30 septembre 2017

Sabotsy 30 Septambra 2017 - Asa 12 : 11 - 17

11Izay vao nahatsiaro tena i Petera ka nanao hoe:
–Fantatro marina izao fa naniraka ny anjeliny tokoa ny Tompo, ka nanafaka ahy teo an-tanan'i Herôda sy tamin'ny ratsy rehetra notetehin'ny vahoaka jiosy.

12Nony nazava tsara tamin'i Petera ny toe-javatra, dia lasa izy nankany an-tranon'i Maria, renin'i Jôhany antsoina hoe Marka. Vory maromaro tao ny olona ary nivavaka. 13Nandondom-baravarana i Petera ka nisy ankizivavy atao hoe Rôda nanatona hihaino. 14Vao nahafantatra ny feon'i Petera izy, dia nentin-kafaliana, ka tsy namoha ny varavarana fa lasa nihazakazaka nilaza tamin'ny olona tao an-trano hoe ao am-baravarana ao i Petera.

15Dia hoy ny olona tamin-drazazavavy:
–Lasa adala ity ianao!

Nanizingizina i Rôda fa marina izay voalazany. Ka hoy indray ny olona hoe:
–Ambiroany izany!

16Fa naharitra nandondòna ihany i Petera. Nony namoha azy ny tao an-trano ka nahita azy vao talanjona. 17Nanofahofa tanana hampangina azy ireo kosa i Petera, ka nitantara ny namoahan'ny Tompo azy tao am-ponja. Ary hoy koa izy hoe:
–Ambarao amin'i Jakôba12.17 I Jakôba rahalahin'ny Tompo io. sy amin'ny havana iray finoana izany!

Dia lasa i Petera nankany an-toeran-kafa.

Mitantara nv nanalahan'Andriamanitra azy tao an-tranomaizina i Petera.

1- Mahav nv zavatra rehetra ny Toinpo
Raha dinihina ny Asa 12 dia hita taratra fa nataon'ny, fahavalío mafy tsara ny fiambenana an:i Petera. Nihevitra ny fahavalon'ny filazantsara fa afaka manao izay tiany atao amin'ny iraky nv Tompo. Tsy izany anefa no niseho. Tafavoaka ny fonja namatorana azy i Petera. Miavaka ny fomba nanafahan’Andriamanitra. Eny fa na dia i Petera aza rehefa tafavoaka ny fonja vao gaga sy nahatsapa fa naniraka anjely hanafaka azy ny Tompo. Miseho fa mahay ny zavatra rehetra ny Tompo. Tsy takatry ny saina ny lalam-pamonjena sokafany eo anoloan:ny mino Azy.

2- Tsv azo afenina nv asan’Andriamanitra
Rehefa afaka tao an-trano maizina i Petera dia indro tery am-panahy hiseho tamin'ireo mpianaíra namany. Hilaza. hitantara ny fomba nanafahan'Andriamanitra azy tamin:ny hetraketraky ny fahavalo. Fampaherezana ireo mpianatra namany izav efa kivy noho ny fanenjehana izanv sady fanehoana fa mamaly vavaka tokoa ny Tompo ho an’izay maharitra mitaraìna Aminy (and.5). Tsy ho mpihaino fotsiny anefa ireto mpíanalra ireto fa irahina índray hanambara izao fanafahan'ny 'l'ompo an:i Petera tamin'ny fomba mahagaga izao. Midika izanv fa izay rehetra mandre ny asa famonjen'Àndriamanitra dia tokony hanambara izany amin'ny hafa,

Fanontaniana :
Efa mba nitantara tamin'ny namanao ny asa nataon: Andriamanitra manokana teo amin'ny fiainanao ve ianao ?

vendredi 29 septembre 2017

Zoma 29 Septambra - Rom 10 : 5 - 15

5Izao no voasoratr'i Mosesy momba ny fahamarinana avy amin'ny lalàna: «Ny olona manatanteraka ny didy amam-pitsipika dia ho velona amin'izany10.5 Jereo Lev 18.5..» 6Fa izao kosa no voalaza momba ny fahamarinana avy amin'ny finoana: «Aza manao anakampo hoe: Iza no hiakatra any an-danitra?» (dia ny mba hampidina an'i Kristy* izany). 7Na hoe: «Iza no hidina any amin'ny hantsana?» (dia ny mba hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty). 8Fa inona no voalaza? Izao: «Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao10.8 and 6-8: jereo Deot 9.4; 30.12-14..» Izany no teny momba ny finoana, izay torînay. 9Satria raha manaiky ampahibemaso amin'ny vavanao ianao fa Tompo i Jesoa, ary mino ao am-ponao fa nanangana Azy ho velona avy tany amin'ny maty Andriamanitra, dia ho voavonjy. 10Mino ao am-po manko ny olona mba hoeken'Andriamanitra ho marina, ary manaiky ampahibemaso amin'ny vava, mba hahazoany famonjena. 11Fa hoy ny Soratra Masina* hoe: «Izay (rehetra) mino Azy tsy mba hangaihay10.11 Is 28.16, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..» 12Koa mitovy na Jiosy na hafa firenena*, fa ny Tompo iray ihany ny an'ny rehetra, Tompo malala-tanana amin'izay rehetra miantso Azy. 13Satria izao no tenin'ny Soratra Masina: «Izay rehetra hiantso ny Tompo, dia ho voavonjy10.13 Jl 3.5..»

14Hataon'ny olona ahoana àry no fiantso ny anaran'ny Tompo, raha tsy efa ninoany? Hataony ahoana no fino Azy, raha tsy efa reny? Hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitoriteny? 15Ary hatao ahoana no fitoriteny, raha tsy nirahina? Araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: «Endrey, tsara izany mahita ireo mpitondra Vaovao Mahafaly* tonga hanambara teny soa10.15 Is 52.7.!»

Ny vavolombelon’ny famonjen’i Jesoa Kristy

1- Mitana nv finoana
Ny Kristiana dia mino fa i Jesoa Kristy no irak' Andriamanitra namonjy ny zanak'olombelona
tamin'ny fatoran'ny fahafatesana. Ireo jiosv dia nanda mafy izany fa rehefa amin:ny fanarahana ny lalana no hanamarinan' Andriamanitra azy ireo. Manitsy ireo jiosy araka izany i Paoly apostoly fa ny lalana dia tsy manome fanamarinana ny olona. Diso mandrakariva ny olona satria tsy mahay manatanteraka izay voalazan’nv lalana. Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy no hanafaka ny olona amin’ny fatorana sy ny fanamelohan’ny lalana. Ny finoana an’i Jesoa Kristy no hanamarinana ny olona ho amin’ny famonjena.

2- Maneho amin’nv fanekena izav inoanv
Zava-dehibe eo amin’ny fíainan’ny mpino ny finoana an’i Jesoa Kristy. Tsy maintsy aseho amin'nv teny aloaky ny vava anefa izany. Rehefa resi-lahatry ny famonjena vitan'i .Tesoa Kristy ìsika. Mandray ao am-po ny fanambaran'ny tenin’Andriamanitra dia manao fanekena. Ambara ho ren'nv rehetra fa i Jesoa Kristy no ekeny ho Tompo sy Mpamonjy azy. Fijoroana vavolombelon'ilay inoana izany. Izany no mahatonga antsíka mpino hanao fanekena eo amin’ny seham-panompoana irosoantsika. Na aiza na aíza sehatra isehoanao dia ambarao amin’ny hafa fa efa nanaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ianao ;

Fanontaniana :
Ho anao mpandray ny Fanasan’ny Tompo, inona no akon’nv fanekena nataonao teo amin’ny fiainanao ?

jeudi 28 septembre 2017

Alakamisy 28 Septambra 2017 - Deo 13 : 7 - 12

7Mety misy aminareo hotaomin'ny mpiray tampo na zanaka na vady na sakaiza tsy foy, ka hataony hoe: «Andeha isika hanompo andriamani-kafa!» Tsy fantatrareo na ny razambenareo ireny andriamani-kafa ireny, 8dia ny andriamanitry ny firenena manodidina anareo, na ny akaiky na ny lavitra, manomboka amin'ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin'ny faravodilanitra andaniny. 9Koa aza manaiky na mihaino ny havana aman-tsakaiza toy ireny ianareo. Ary aza mba angorahana izy na amindrana fo na arovana, 10fa vonoy ho faty mihitsy; ny tanan'izay olona notaominy no hiainga voalohany hamely torabato azy, vao ny tanan'ny vahoaka rehetra. 11Torahy vato izy ho faty, satria efa nitady hitaona anareo hiala amin'ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay namoaka anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo. 12Ary handre izany ny Israelita rehetra, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony.

Miorena amin’ny finoana

1- Tohero ny fakam-panahv
Zava-doza ny fialana amin'Ándriamanitra. Na dia olona akaiky anao toy ny fianakaviana aza no mitaona anao handeha amin'ny lalana hafa handika ny sitrapon' Andriamanitra dia sahia ianao manao «tsia». Tohero hatrany fakam-panahy, fantaro mandrakariva izay sitrapon'Andríamanitra. Matetika tokoa isika kristiana no diso hevitra, mikajv ny fihavanana isika ka na dia zavatra tsy tokony atao aza fa mifanohitra amin’ny sitrapon' Andriamanitra no hitaoman'ny olona akaiky antsika dia manatanteraka isika. Tsy sahv mijoro ho vavolombelona isika ka manara-drenirano. Mazava nv toro-marika ho antsika eto tohero nv fakam-panahy.

2- Miorena ao amin’Andriamanitra
Mampitandrina eto ny Tompo fa fahafatesana no anjara miandry izay olona mitaona ny namany hiala amin'Andriamanitra. Kanefa koa fampitandremana ho an'ny olon'Andriamanitra izany. Raha manaiky ho resin'ny fakam-panahy hiala amin’Andríamanitra ny mpìno dia rava nv finoana. rava nv fanantenana. Eny fahafatesana ihany koa no anjarany satria voalaza fa «fahafatesana no tambin'ny ota». Manoloana ìzany taomina hatrany isika hiorina amin'ny fìnoana ka handray nv Tenin'Andriamanitra ho fitsipi-piainantsika.

Fanontaniana :
Inona no fanapahan-kevitra raisinao raha misy olona akaiky anao mitaona anao handika ny sitrapon' Andriamamtra ?

mercredi 27 septembre 2017

Alarobia 27 Septambra 2017 - Jos 24 : 14 - 24

14Dia hoy ihany i Josoa hoe:
–Koa ankehitriny manajà ny TOMPO ka manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana. Ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany ampitan'i Eofrata sy tany Ejipta, ka manompoa ny TOMPO. 15Nefa raha tàhiny tsy sitrakareo ny hanompo ny TOMPO, dia fidio anio izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany ampitan'i Eofrata na ny andriamanitry ny Amôrita izay mponina teto amin'ny tany onenananareo; fa izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny TOMPO izahay.

16Dia namaly ny vahoaka nanao hoe:
–Sanatria anay ny handao ny TOMPO mba hanompo andriamani-kafa! 17Satria ny TOMPO Andriamanitsika ihany no nampakatra ny razantsika niala tamin'ny toerana fanandevozana tany Ejipta; Izy no nanao ireny famantarana lehibe fantatsika tsara ireny; Izy no niaro ny razantsika24.17 ny razantsika: raha ara-bakiteny kokoa dia hoe antsika (manambara fiombonana eo amin'ny Israelita ankehitriny sy ireo razany). Jereo koa 24.5 ahitana hoe ny razanareo toy izay ianareo.  teny amin'ny lalana rehetra nalehany sy teny amin'ny firenena rehetra noteteziny. 18IZY no nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, indrindra ny Amôrita izay nonina teto amin'ity tany ity. Koa hanompo ny TOMPO ihany koa izahay fa Izy no Andriamanitray.

19Dia hoy i Josoa tamin'ny vahoaka:
–Tsy hainareo ny hanompo ny TOMPO; fa Andriamanitra masina Izy24.19 Jereo Eks 20.5., ka tsy hahazaka ny fahadisoanareo aman'otanareo. 20Raha mandao ny TOMPO ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hisapotina hampahory anareo Izy Tompo ka hahafongana anareo rehefa avy nasiany soa.

21Fa hoy ny vahoaka tamin'i Josoa:
–Tsia, fa ny TOMPO ihany no hotompoinay.

22Dia hoy indray i Josoa tamin'ny vahoaka:
–Ny tenanareo ihany no vavolombelona fa efa nifidy ny hanompo ny TOMPO ianareo.

Ka novalian'ny vahoaka hoe:
–Eny, vavolombelon'izany izahay!

23Dia nofaranan'i Josoa hoe:
–Ankehitriny àry, esory ny andriamani-kafa izay eo anivonareo ka atodiho amin'ny TOMPO Andriamanitr'Israely ny fonareo.

24Ka niteny tamin'i Josoa ny vahoaka hoe:
–Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hankatoavinay.

Izay andrasan’Andriamanitra amin’ny olony

1- Mandrav fanampahan-kevitra marina
Mitaona ny zanak’ Israely handray fanampahan-kevitra mazava sy marina ny amin’izay tokony hirosoan'izy ireo ho amin’ny fanompoana an'Andriamanitra i Josoa. Ambarany fa rehefa tapa-kevitra hanompo an’ Andriamanitra ny olona dia manary ny andriamanitra tsy izy, izay mety ho notompoin'ny fianakaviany taloha. Aharihariny i Josoa fa tsv azo ampiarahana ny fanompoana an'I Jehovah Andriamanitra sy ny andríamanitra tsy izy na ny sampy.Tsarovy ary fa namonjy sy nanafaka antsika tamin’ny Fatoran'ny fahotana i Jesoa Kristy. Tapaho ny hevitrao mba hanompo Azy.

2- Manatanteraka nv teny nomeny
Tsy mitana ny teny nomeny matetika ny zanak’Israely. Fantatr’i Josoa mazava tsara izany. Manoloana izany indrindra dia manambara amin'ny zanak'Israely izy fa Andriamanítra masina sady saro-piaro Izy. Tsy ankasitrahany ny famp ifangaroana ny fanompoana Azy amin’ny andriamani-kafa. Mampitandrina ny olona noho izany i Josoa fa raha mivadika amin’Andriamanitra nv olona dia ho avy ny fampahoriana sy ny fandrinanana azy ireo. Tarihina hatrany ísika mpino rnba hitana ny fanekena nataontsika tamin: Andriamanitra. Raha tsv manatanteraka nv tenv nataontsika taminy isika dia hanafay antsika Izv.

Fanontaniana :
Nahoana moa isika no tsy mitazona sy manatanteraka ny fanekena izay nataontsika ?

mardi 26 septembre 2017

Talata 26 Septambra 2017 - Asa 28 : 28 - 31

28Dia nofaranan'i Paoly:
–Aoka ho fantatrareo fa izany tenim-pamonjena avy amin'Andriamanitra izany dia efa nampitondraina ho any amin'ny hafa firenena*28.28 Ampit Sal 27.3; Lk 3.6. ka izy ireo dia hihaino.

[ 29Nony voalazan'i Paoly izany teny izany, dia lasa ny Jiosy ka niady hevitra fatratra.]

30Nitoetra roa taona ngarangidina tao an-trano nohofàny i Paoly, ka nandray izay rehetra tonga hihaona aminy. 31Nitory ny Fanjakàn'Andriamanitra izy ary nampianatra momba an'i Jesoa Kristy* Tompo tamim-pahasahiana tokoa sady tsy nisy fisakantsakanana.

Ny olom-boafìdin’Andriamanitra

1- Manambara fa ho an’ny olona rehetra nv famonjena
Na dia efa nifatotra noho ny amin'ny fitoriana ny íilazantsara aza i Paoly apostoly dia tsy nitsahatra nanatanteraka ny asa nifídian'Andriamanitra azy. Eto izy dia manao fanambarana lehibe fa manana anjara amín'ny famonjena notanterahin'Andriamanìtra tao amin'i Jesoa Kristy koa na dia nv jentílisa aza. Midika izany fa tsy manavaka Andriamanitra, ny olona rehetra no sitrak' Andriamanitra ho ao amin’nv famonjeny. handray ny fiainana omeny. Mampianatra antsika koa izany hilaza. hijoro vavolombelona amin'ny manodidina antsika fa tian'Andriamanitra handray ny famonjena ihany koa izy.

2- Mitory hatranv nv filazantsara
Niharan'ny fanenjehana maro samihafa i Paoly apostoly tamin’ny fotoana nanatanterahany ny asa fitoriana ny filazantsara. Miharihary eto fa tsy nahasakana azy hijoro hatrany ho vavolombelon’ilav efa niantso sy nifidy azy izany. Voalaza eto fa nanohy hatrany nitory ny fílazantsaran’ny fanjakan’A.ndriamanilra izv. nampianatra ny olona nv amin’i Jesoa Kristy sy ny famonjena notanterahiny. Zava-dehibe taminv ny fìtaomana ny olona rehetra hahalala ny fitíavan’Andriamanitra ka hanaiky an'i Jesoa Kristy ho Mpamonjy azy. Tsarovy fa ny olom-boafidin’Andriamanitra dia tsy mihemotra fa mandroso hatrany mijoro ho vavolombelon’ilay namonjy azy.

Fanontaniana :
Nahoana no tsy mihemotra ny mpitory ny fiíazantsara fa mandroso hatrany na dia rnisv manenjika aza ?

lundi 25 septembre 2017

Alatsinainy 25 Septambra 2017 - Jer 31 : 7 - 9

7Manaova horakora-pifaliana ho an'i Israely;
mihobia an'Ilay filohan'ireo firenena,
ataovy antso avo ny dera ka lazao hoe:
«Ny TOMPO mamonjy ny vahoakany,
dia ny sisa velona amin'i Israely!»
Satria izao no lazain'ny TOMPO:
8«Haveriko avy any an-tany avaratra izy
ary hangoniko avy any am-bazan-tany.
Ao avokoa mbamin'ny jamba sy ny mandringa,
ary ny bevohòka sy ny tera-bao.
Eny, vahoaka be no hiverina.
9Tonga am-pitomaniana izy
ka narahiko sady nampiononiko.
Any amin'ny lemaka misy rano no hitarihako azy
ary lala-mahitsy no hizorany
ka tsy ho tafintohina izy.
Ho Ray Aho amin'i Israely,
ary ho lahimatoako i Efraîma.»

llay Andriamanitra tia ny zanany

Maneho ny fitíavany ny zanak’Israely Andriamanitra ka manomana lalam-pamonjena ho azy ireo.

1- Manafaka nv olona amin’nv fahababoana
Zava-dehibe ny asam-pahafahana nataon’Andriamanitra tamin'ireo zanak!Israely. Tsy foin’Andriamanitra ny olona ka na dia teo aza ny fahababoana dia miasa ho fanafahana, famerenana azy íreo any amin’ny taniny indray Izy. Miseho eto tokoa fa Andriamanitra mahalala ny mahasoa ny zanany Izy. Mítondra ireo zanany ho any amin’ny toerana azo antoka. Na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainan'ny zanany dia tsy nisy navahany fa tiany hidítra ao amin'ny fiainam-panafahana avokoa.

2- Mitaona nv olona hifalv amin'nv famonjeny
Miteraka fifaliana ny famonjena tanterahin’Andriamanitra ho an’ny zananv. Aseho eto fa nisy ireo sokajin’olona niala tany Babylona nodv tany Jerosalema tamin’ny fìfonana, fiverenana amin’Andriamaniíra sy ranomasom-pifaliana. Manoloana ízany dia mianlso ireo nandray ny famonjena hidera sy hanome voninahitra Azy. Fiderana an'Andriamanitra noho ny asany mahery sv mahagaga, noho ny fitsimbinany ny vahoakany. Mampianatra antsika koa izany fa endriky ny fijoroana ho vavolombelona noho ny famonjena noraìsintsika tao amin’Andriamanitra nv fahaizantsika midera sy manome voninahitra Azy.

Fanontaniana :
Inona no havalinao an’Andriamanitra noho ny fitiavana nasehony ho famonjena anao ?

dimanche 24 septembre 2017

Alahady 24 Septambra 2017 - Jao 9 : 24 - 38

24Dia nantsoin'ireo Farisianina indray ilay jamba taloha, ka nilazany hoe:
–Lazao ny marina eo anatrehan'Andriamanitra! Izahay aloha dia tsy mahalala fa mpanota iny Lehilahy iny.

25Ka hoy ny navaliny azy:
–Tsy fantatro na mpanota Izy na tsia; zavatra iray ihany no fantatro: jamba aho taloha fa mahiratra ankehitriny.

26Dia hoy ireo taminy:
–Inona no nataony taminao? Fomba ahoana no nampahiratany ny masonao?

27Fa novaliany hoe:
–Efa voalazako taminareo, fa tsy nohenoinareo! Ka ahoana no itiavanareo mihaino izany indray? Te ho tonga mpianany* koa ve ianareo?

28Dia notevatevain'ireo Farisianina ralehilahy sady nataony hoe:
–Ianao no mpianany fa izahay mpianatr'i Mosesy. 29Fantatray fa i Mosesy dia nitenenan'Andriamanitra; ilay iny kosa tsy fantatray izay ipoirany.

30Dia niteny ralehilahy ka nanao taminy hoe:
–Izany tokoa no mahagaga: tsy fantatrareo izay ipoirany, nefa nampahiratra ny masoko Izy! 31Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay tia vavaka sy manao ny sitrapony no henoiny9.31 Jereo Is 1.15; Sal 34.16; 66.18; Ohab 15.29.. 32Hatrizay hatrizay dia tsy mbola nandrenesana fa hoe nisy nampahiratra mason'olona teraka jamba. 33Raha toa tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy hahefa na inona na inona.

34Namaly kosa ry zareo ka nanao taminy hoe:
–Tena teraka tanatin'ny ota ianao, ka ianao indray ve no mampianatra anay?
Dia noroahin'ny Farisianina hiala amin'ny sinagôga ilay jamba taloha.

35Ren'i Jesoa fa voaroaka hiala amin'ny sinagôga* ilay jamba taloha, ka nony hitany dia nilazany hoe:
–Mino ny Zanak'olona* ve ianao?

36Fa novaliany hoe:
–Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?

37Dia hoy i Jesoa taminy:
–Efa nahita Azy ianao, ary Ilay miresaka aminao izao no Izy!

38Ka hoy ralehilahy hoe:
–Mino aho, Tompoko!

Izay nandray ny fahasoavan’Andriamanitra
Ny fijoroana ho vavolombelona nataon'ilay lehilahy jamba nositranin'I .lesoa Kristy no hitantsika eto.

1- Manambara ny asany
Nadinina teo anatrehan'ireo fariseo ilay lehilahy jamba nositranin'i Jesoa Kristv. Noterana izy hanambara fa mpanota io nanasitrana azy io. Tsy nanaiky ìzany anefa ity lehilahy nositranin’i Jesoa ity fa nanambara ho ren’ny rehetra ny asa mahagaga nataon'i Jesoa ho fanasitranana azy. Zava-dehibe aminy ny fahasitranana azony.

2- Manamnbara nv fahefany
Nanevateva ity lehìlahy nositranin'i Jesoa Kristv ity ny fariseo. Nanamafy ireto fariseo ireto fa tsy mba avy amin’Andriamanitra ílay nanasitrana azy. Sahy nijoro vavolombeona hatrany anefa ilav lehiiahy jamba nahazo fanasitranana fa tena olona avy amin’Andriamanitra ì Jesoa matoa afaka nanasitrana ny masony. Hery sv fahefan’Andriamanìtra no nampiasain’i Jesoa Kristy ho fanasitranana azy. Nambarany ny fahefan’i Jesoa Kristv.

3~ Manamafy ny fiombonana Aminy
Na dia niezaka nanozongozona ny finoan’itv lehílahy nahazo fahasoavana tao amin’i Jesoa Kristy ity ny fariseo dia tsy nahomby izany. índro mihaona amin'i Jesoa Kristy ilay nanastitra azy izy ka manamafy ny fiombonana sy ny fífamatorana fiainana Aminy hoy izy : « Tompoko, mino aho » ( and.38 ). Nv olona afaka mijoro vavolombelona marina dia izay manamafy nv fiombonany amin’i Jesoa.

F'anontaniana :
Nahoana no misy olona nandray fahasoavana tamin’i Jesoa Kristy kanefa tsv sahy mìjoro ho vavolombelony ?

samedi 23 septembre 2017

Sabotsy 23 Septambra 2017 - I Pet 4 : 1 - 6

1Noho i Kristy* efa nijaly tao amin'ny nofo4.1 Noho i Kristy efa nijaly tao amin'ny nofo: misy stf sasany manampy hoe ho antsika, ary misy koa manampy hoe ho anareo. , dia raiso ho fiadianareo koa ny toe-tsaina nananany; satria izay olona nijaly tao amin'ny nofo dia nampitsaharina tamin'ny ota, 2ka tamin'ny androny sisa eto an-tany dia tsy araka ny filàndratsin'ny olombelona intsony no tokony hiainany fa araka ny sitrapon'Andriamanitra. 3Eny, fotoana maharitra ihany tamin'ny lasa no nanaovanareo ny zavatra fanaon'ny mpanompo sampy, ka nizoranareo tamin'ny fihetsika tsy maotina, ny fanirian-dratsy, ny fahamamoana, ny fihinanam-be loatra, ny fisotroana tafahoatra, ary ny fanompoan-tsampy izay tsy fanao. 4Amin'izany dia gaga ireo mpanompo sampy satria tsy dodona intsony ianareo ny hiaraka aminy mba hanarampo amin'ny filibàna, ka dia tevatevainy; 5nefa hampamoahin'Ilay vonona hitsara ny velona sy ny maty izy ireo. 6Fa izany no nitoriana ny Vaovao Mahafaly* tamin'izay maty aza: mba ho velona araka ny fomban'Andriamanitra izy ao amin'ny fanahy, rehefa notsaraina tao amin'ny nofo araka ny fomban'ny olona.

Mpino mahajoro ho vavolombelon’ny Tompo

Mamporisika ny kristiana hiharitra fahoriana noho ny amin'i Jesoa Kristy i Petera raha manoratra eto.

1- Mandray an’i Kristv ho fianarana
Ambaran’i Petera fa ny Kristiana dia tokony hanao an’i Jesoa Kristv ho fianarana eo amin’ny fiainana an'davan’androny. Ny fijaliana sy ny fahorian'i Jesoa Kristy no fianarana tokonv harahìna. Nampijaliana, nampahoriana ny Tompo. voahombo teo amin’ny hazo fijaliana ízy. Naharihariny anefa fa nandresv Izv. Koa izay manaiky hanaraka Azy, hianatra ny fiainany na dia mandalo fijaliana sy fahoriana aza dia tsy ho resy fa ho mpandresy hatrany. Mianara an’i Kristy dìa ho mpandresy mandrakariva ianao.

2- Mahatsiaro fa mbola ho tsaraina
Mitia sv manompo an'i Jesoa Krísty noho ny famonjena vitany ny mpino. Miomana ihany koa anefa hiatrika ny fítsarana. Izany indrindra no amporisihina antsika mba handeha mendrika ny maha kristiana, miaina arnin’ny sitrapon’Andriamanitra. Noho izanv tsy izav mahafalifaíy ny fontsika no atao fa izay mahafaly ilay Andriamanitra mbola hitsara ny ataontsika rehetra. Àza manaraka ny fiainan’izao tontolo izao noho izany fa mandehana araka nv sitrapon’Andriamanìtra. Hotsaraina araka ny ataontsika isika koa mijoro ho tena zanak' Andriamanitra.

Fanontaniana:
Nahoana no mbola variana míaina amin’ny fiainan'izao tontolo izao ny olona ka tsy manaiky hiharilra fahoriana ?

vendredi 22 septembre 2017

Zoma 22 Septambra 2017 - Gal 2 : 11 - 21

11Kanefa nony tonga tany Antiôkia2.11 I Antiôkia, ilay any Siria izany: jereo Asa 11.19-26. i Petera, dia notoheriko ampahibemaso satria tsy mety ny nataony. 12Fa talohan'ny nahatongavan'ireo olona vitsivitsy naman'i Jakôba, dia niara-nihinana tamin'ny mpino hafa firenena* i Petera. Saingy nony tonga ireo, dia nihataka i Petera ka niala tamin'ny hafa firenena, noho izy natahotra ireo anisan'ny voafora. 13Ary ireo Jiosy mpino sasany dia niara-nihatsaravelatsihy tamin'i Petera, ka i Barnabà avy aza no voataonan'ny fihatsaràmbelatsihin-dry zareo. 14Kanefa nony hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny Vaovao Mahafaly* marim-pototra izy ireo, dia hoy aho tamin'i Petera teo anatrehan'ny olona rehetra: «Raha ianao Jiosy aza miaina araka ny fanaon'ny hafa firenena fa tsy araka ny fanaon'ny Jiosy, ahoana no anerenao ny hafa firenena hanaraka ny fanaon'ny Jiosy?»

15Ary hoy aho aminareo: «Jiosy ara-pirazanana izahay, fa tsy mba mpanota avy amin'ny hafa firenena. 16Saingy fantatray fa ny olombelona dia ankatoavin'Andriamanitra ho marina2.16 Ny olombelona dia ankatoavin'Andriamanitra ho marina: izany hoe Andriamanitra dia mahatonga ny olombelona hifandray aminy sy hihavana aminy araka tokony ho izy indray (jereo Rm 1.17). –Tsy misy olombelona ankatoavin'Andriamanitra ho marina: jereo Sal 143.2; Rm 3.20, 22., tsy avy amin'ny fanatanterahana ny lalàna* fa noho ny finoana niainan'i Jesoa Kristy*. Izany no nahatonga anay hino an'i Kristy Jesoa mba hankatoavan'Andriamanitra anay ho marina, noho ny finoana niainan'i Kristy fa tsy avy amin'ny fanatanterahana ny lalàna. 17Raha mitady hiray amin'i Kristy izahay mba hankatoavin'Andriamanitra ho marina, dia hita fa mpanota koa izahay, kanefa mpanompon'ny fahotana ve i Kristy? Sanatria! 18Raha ny zavatra efa noravako manko no ajoroko indray, dia asehoko miharihary ny maha pandika lalàna ahy. 19Fa izaho, dia tamin'ny alalan'ny lalàna no nahafatesako raha ny amin'ny lalàna mba hahavelomako ho an'Andriamanitra. Niara-nohomboana tamin'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana aho; 20ary tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko. Koa izao ahavelomako ankehitriny amin'ny fiaina-mandalo izao, dia ivelomako amin'ny finoana niainan'ilay Zanak'Andriamanitra*, Ilay efa tia ahy sy nanolo-tena hamonjy ahy: 21tsy ataoko very maina ny fahasoavan'Andriamanitra! Eny, raha ny lalàna no mahatonga ho marina eo imason'Andriamanitra, dia maty tsy amin'antony i Kristy.

Ny vavolombelon’i Jesoa Kristy

1- Manohitra nv fihatsarambelatsihv
Niaina tamin'ny fihatsaram-belatsihy i Petera. Nifandray tamin:ny jentilisa izy. Rehefa misy olona heverìna fa hatahorany hitsara azv anefa dia nasehonv indray fa tsy mifandray amin’ireo izy. Reseho ny fitsatsarambelatsihy iaino ny filazantsara noraisinao. Na aiza na aiza sehatra isehoanao dia hataovy ho zava-dehibe ny fitondran-tena maha-mendrika ny kristiana. indrindra ny fìfandraisana amin’ny hafa. Haneho fitiavana ny olona rehetra

2- Maneho nv fahamarínan’nv filazantsara
Tsy nisalasala i Paoly apostoiy naneho fa ny finoana an'I Jesoa Kristv irery ihany no lalana ahafahan'Àndriamanitrr manamarina ny olona ho ao amin’ny famonjena. Diso hevitra izay míady hevitra mahakasika ny lalana. Ny zava-dehibe dia ny fìtaomana ny olona hino sy handray an'i Jesoa Kristy eo amin'ny fiainany. Tsarovy, raha manana fotoana hifampiresahana amin'ny hafa ianao dia asehoy fa ny finoana an’i Jesoa Kristy ihany no mahavonjy.

3- Maneho nv fiainam-baovao
Mijoro vavolombdon'ny fiainam-baovao noraisiny noho ny finoana an'i Jesoa Kristy i Paoly apostoly. Niara-maty tamin’i Jesoa Kristy izy, i Jesoa Kristy voahombo teo amin’ny hazo fijaliana no nitondra ny fahotany. Nitsangana tamin'ny maty ny Tompo. nanangana azy sy nitondra azy ho amin'ny fiainam-baovao izany. Veíona ao amin’i Kristy izy ka azony antoka ny famonjena azy.

Fanontaniana :
Ahoana no handresena ny fihatsarambdatsihy ?

jeudi 21 septembre 2017

Alakamisy 21 Septambra 2017 - Nom 15 : 37 - 41

37Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO15.37 Ny and 37-41 ialohavan'ny Deot 6.4-9; 11.13-21 no mamorona ny Semà, fiekem-pinoana sy vavaka fanaon'ny mpino jiosy isan'andro. 38mba hamepetra ny Israelita hoe:

–Aoka ianareo sy ny taranakareo mifandimby hanisy somotraviavy ny sisin'akanjonareo15.38 Ampit Deot 22.12., ary koa kofehy volomparasy amin'ny somotraviavy. 39Hitondra akanjo misy somotraviavy ianareo; koa raha mijery izany ianareo, dia hahatsiaro ny didiko rehetra ary hanatanteraka izany, ka tsy hety havilin'ny fonareo sy ny masonareo amin'ny fanompoan-tsampy. 40Hahatsiaro sy hankatò ny didiko rehetra ianareo ka ho voatokana ho Ahy. 41Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay namoaka anareo niala tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo. Eny, Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Ny maha-vahoakan’Andriamanitra
1- Manaraka nv toro-marika omena azy
Mba hampiavaka ny zanak'i Israely amin’ìreo firenena hafa manodidina azy dia misy toro-marika manokana mahakasika ny fitafiana asain’Andriamanitra hotanterahina eto. Ny faneken’ny zanak’i Israely hanatanteraka izany dia maneho fa matoky sy mankatoa ny didin’Andriamanitra izy ireo sady afaka mijoro ho vavolombelon’ny fífidianan’Andriamanitra azy amin’ny fírenena hafa manodidina. Tsarovy fa raha manaiky hìtafy ny fítafiana mampiavaka ny zanak’Andriamanitra isika dia afaka hijoro ho vavolombelony eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika.

2- Manokantena ho an’Andriamanitra
Fitaíiana miavaka no asaina hanaovan’ny zanak’i Israely. Fanehoana ny maha vahoakan’Andriamanitra azy ireo izany nefa koa fanehoana fa manokana ny tenanv, ny fiaínany ho an'Andriamanilra izy ireo. Fanehoana fa « masina ho an 'Andriamanitra » ízy ireo. Tsarovy ary fa ny vahoakan’Andriamanitra dia tokony haneho eo amin’nv manodidina azy fa «masina» ho an’ Andriamanitra ka tsy hanao fítafíana mifanoitra amin'izany. Mitafy an’i Jesoa Kristy ka mifanaraka amm’izany ny fisehoany eo amin’izao tontolo izao.

Fanontaniana:
Manao aboana ny fitafianao maneho ny maha-zanak'Andriamanitra ve ? Afaka mamaritra ny endriky ny fitafiana maneho ny maha-zanak’Andriamanítra ve ianao ?

mercredi 20 septembre 2017

Alarobia 20 Septambra 2017 - Mar 15 : 37 - 40

37Fa i Jesoa kosa niantso tamin'ny feo mahery, dia niala aina.

38Ary nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin'ny Toeramasina*15.38 Jereo Eks 26.31-33.. 39Fa ilay kapiteny nijoro tandrifin'i Jesoa, raha nahita Azy niala aina toy izany15.39 niala aina toy izany: misy stf sasany manampy kely hoe niala aina niantso mafy toy izany. , dia loa-bolana hoe:
–Tena Zanak'Andriamanitra tokoa io Lehilahy io!

40Nisy vehivavy maromaro koa nitazana avy eny lavidavitra teny ka anisan'ireo i Maria avy any Magdalà, sy i Salôme ary i Maria renin-dry i Jakôba kely sy i Jôsèta mirahalahy. 41Niaraka tamin'i Jesoa tany Galilea ireo vehivavy ireo, nanampy Azy tamin'izay nilainy; ary nisy vehivavy maro hafa koa izay niara-niakatra tamin'i Jesoa tany Jerosalema.

Ny fahafatesan’i Jesoa Kristy

Mitantara ny fahafatesan’i Jesoa Kristy teo ambony hazo fijaliana ny mofonaina ho antsika amín'ity andro íty.

1- Mampihavana nv olona amin’Andriamanitra
Rehefa maty teo ambony hazo fijaiiana i Jesoa Kristy dia voalaza eto fa « ny efìtra lamba tao amin ’ny tempoly dia triatra nizara roa ». Io lamba io no nanasaraka ny toerana masina sy ny faritra sisa tao amin'ny tempoly. Maneho izany fa azon'ny olona tsirairay atao nv mifandray mivantana amin’Andriamanitra, tsy misy olona mpanelanelana intsony. Vitan’i Jesoa Kristy teo amín'ny hazo fijaliana ny fampihavanana ny olona tamin' Andriamanitra. Vita fihavanana amin’Andriamanitra ianao. taomy hihavana Aminy koa ny namanao.

2- Mitaona ho ainin’ny finoana
Fanambaram-pinoana lehihe sy miavaka ihany koa no nataon'ilay kapiteny nanaramaso akaiky ny toe-javatra nitranga teo amin'ny fiainan’i Jesoa Kristy. Rehefa nahita ny fanoloran’i Jesoa Kristy ny ainy ìzy dia indro resy lahatra fa tena Zanak’Andriamanitra io voahombo tamin’ny hazo fijaliana io. Afaka tamin’ny tsy finoana izy tonga amin’ny fahalalana nv lalam-pamonjena. Tsarovy manana anjara isika ankehitriny hijoro ho vavolombelona amin’ireo manodidina antsika fa i Jesoa Kristy tokoa ilay Zanak'Andriamanitra maty ho famonjena antsika.

Fanontaniana :
Efa nanambara tamin’ny namanao ve ianao fa i .Tesoa Krisíy no ilay Zanak'Andriamanitra ho famonjena azy ?

mardi 19 septembre 2017

Talata 19 Septambra 2017 - I Kor 4 : 14 - 21

14Tsy ny hanome henatra anareo no anoratako izany, fa ny hananatra anareo, araka ny maha zanaka malalako anareo. 15Na dia miisa iray alina aza ny mpanabe anareo amin'izao maha kristianina anareo izao, dia tsy maro ray tsy akory ianareo: izaho no rainareo ka nahatonga anareo ho tafaray amin'i Kristy Jesoa tamin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly*. 16Koa miangavy anareo aho: manahafa ahy. 17Noho izany, dia alefako atỳ aminareo i Timôty4.17 Timôty: jereo Asa 16.1., zanaka malalako sady mahatoky amin'ny fanompoana ny Tompo. Izy no hampahatsiaro anareo ireo lalana nodiaviko nahatafaray ahy amin'i Kristy Jesoa, araka izay ampianariko amin'ny Fiangonana rehetra hatraiza hatraiza.

18Nisy manko taminareo nirehareha hoatra ny tsy ho tonga hitsidika anareo iny aho. 19Kanefa ho avy faingana hitsidika anareo aho, raha sitrapon'ny Tompo; ary tsy izay tenin'ireo mpirehareha no hofantariko fa izay zavatra vitany. 20Ny Fanjakàn'Andriamanitra* dia tsy teny foana fa hery mahavita zavatra. 21Ka asa izay tianareo: ho avy hitsidika anareo aho, ka tsorakazo ve no hoentiko sa fo feno fitiavana sy fahalemem-panahy?

Ilay mpanompo alaina tahaka

Asehon’i PaoJy apostoly eto ny fìfandraisana manokana eo aminy sy ny kristiana tao Korinto mba ahafahany mananatra sy manitsy azy ireo.

1- Mitaona olona ho an’i Jesoa Kristy
Asa fanompoana miavaka no niantsoan'Andriamamtra an'i Paoly apostoly. Mitory ny filazanísara any amin’ny jentilisa. mitaona olona ho an’i Jesoa Kristy. Asehony eto fa mety ho maro ireo olona tonga nitorv ny filazantsara tamin’ireo kristiana tao Korinto fa miavaka kosa i Paoly. izy no nanambara voaJohany ny filazantsara ho azy ireo. Zava-dehibe tamin'i Paoly dia nv ahatonga azy ireo ho zanak'Andriamanitra, miaina amin’nv famonjen’i Kristy. Nv olona mítory'' marina ny íilazantsara dia tsy menatra milaza sy maneho ny asa fanompoana notanterahíny.

2- Maneho fitondrantena miavaka
Rehefa nandray ny fìJazantsara ny oJona dia lokony hiova mifanaraka amin’izany ny fìainany. Tsy araka ìzany anefa ny fiainan’ny kristiana sasan-tsasany tao Korinlo. Manoloana izany dia mìtaona ny kristiana tao korinto haka tahaka ny fitondrantena mendrika ny maha kristíana izay aseho i Paoly apostoly. Ny mpino rniaina ny filazantsara dia maneho tokoa fítondran-tena miavaka ho fianarana ho an'ny hafa. Mijoro vavoJombelon’ilay Mpamonjy azy amin’ny sehetra rehetra misy azy amin’ny fitondran-tena mampiavaka ny zanak'Andriamanìtra.

Fanontamana :
Fomba ahoana no entinao maneho amin’ny hafa fa zanak’Andriamanitra ìanay ?

lundi 18 septembre 2017

Alatsinainy 18 Septambra 2017 - I Kor 3 : 1 - 9

1Koa izaho, ry havako, dia tsy afaka niteny taminareo toy ny amin'ny olona manana ny Fanahin'Andriamanitra; fa toy ny amin'ny olona mbola fehezin'ny maha olombelona no nitenenako taminareo, toy ny amin'ny olona zazavao amin'ny maha kristianina. 2Dia ronono no namahanako anareo fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola nozakanareo3.2 Ampit Heb 5.12-13.. Na ankehitriny izao aza, dia tsy mbola zakanareo 3noho ianareo mbola fehezin'ny maha olombelona. Matoa fialonana sy adiady no mahazo laka eo aminareo, tsy miharihary ve fa fehezin'ny maha olombelona ianareo ka mitondra tena araka ny filamatr'olombelona? 4Raha hoy ny anankiray hoe: «Izaho an'i Paoly», ary hoy kosa ny anankiray hoe: «Izaho an'i Apôlao3.4 Jereo 1.12.», moa tsy ny fanaon'olombelona ve no ataonareo?

5Fa inona moa i Apôlao, ary inona moa i Paoly? Mpanompon'Andriamanitra fotsiny izahay, ka nahatonga anareo ho mpino samy araka izay nomen'ny Tompo hataonay avy: 6izaho moa namboly, ary i Apôlao kosa nanondraka, fa Andriamanitra no nampitsimoka. 7Tsy izay mamboly na izay manondraka no tena zavatra, fa Andriamanitra Izay mampitsimoka. 8Mitovy ihany izay mamboly sy izay manondraka; ary samy homen'Andriamanitra ny valisoa tandrify azy arakaraka ny fisasarany avy. 9Fa izahay dia mpiara-miasa amin'Andriamanitra ary ianareo no sahan'Andriamanitra.

Trano aorin'Andriamanitra koa ianareo.

Ny mpanompo mahatoky

1- Mananatra
Manana toetra tsy mifanaraka amin’ny fiainana maha-kristiana ny mpino sasany tao Korinto. Tsy niainan'izy ireo ny tenin’Anelriamanitra, tsv niorina tsara ny finoany. Ambaran’í Paoly apostoly aza fa mbola mandeha araka ny maha olona nofo ihany fa tsy mandeha araka ny Fanahy. Nanjaka tao amin'izy ireo noho izany ny fiainan'izae tontolo izao, tsy mirindra ny fiaínan'nv fíaraha-monina. Mananatra mafv i Paoly apostolv fa tsy mifanaraka amin’ny fiainana maha-kristiana izany ka tokony ialana. Ny tena mpanompon’Andriamanitra mahatoky dia tsy menatra rnanìtsy sy mananatra izav rehetra tsy mitoetra tsara amin'ny fmoana.

2- Mahav miara-miasa amin’nv hafa
Asehon’i Paoly apostoly fa na dia maka ankolafiny aza ny kristiana. Mitady hampizara na hampitsitokotoko ny mpitory ny filazantsara dia ambarany fa tena mpiara-miasa ireo nofídian’i Jesoa Kristy. Mifameno ny asa fanompoana tanterahin’ny mpitory ny filazantsara. Mpiara-miasa amin’Andriamaniíra ny mpitory ny filazantsara noho izany mahay miara-miasa ho fampandrosoana nv kristiana ho ao amin’ny famonjen’i .Jesoa Kristy. Mijoro vavolombelona ny mpanompo mahaloky fa tsy azon'ny olona zarazaina eo amin'ny asa fanompoana nanirahana azv.

Fanontaniana:
Inona no tokony hatao mba handresena ny ady sy ny fifampíadaniana eo amin'ny samy kristiana ?

dimanche 17 septembre 2017

Alahady 17 Septambra 2017 - I Sam 17 : 38 - 51

38Nomen'i Saoly hanaovan'i Davida ny fitafiany fentiny miady dia ny satroka varahina aro loha izay napetrany teo an-dohan'i Davida, ary akanjo varahina aro tena. 39Mbola nafatotr'i Davida tamin'ny akanjony koa ny sabatr'i Saoly, ary dia nanandrana namindra izy, nefa tsy afaka, satria tsy mbola zatra nitondra ireny, ka dia hoy izy tamin'i Saoly: «Tsy mba afa-mamindra amin'ireto zavatra tsy nahazatra ahy ireto aho.» Ary nesorin'i Davida teny aminy avokoa ireny. 40Noraisiny ny tehiny, dia lasa izy nifantina vato kilonjy dimy terỳ amoron'ny ranon-driaka, ka nataony tao anaty kitapony fitondra miandry ondry. Nataony an-tanana ny antsamotadiny, dia roso izy hiatrika ilay Filistinina. 41i Gôliata etsy andaniny, ialohavan'ilay mpitondra ny ampingany, sady manatona tsikelikely an'i Davida. 42Dia nandinika an'i Davida ilay Filistinina ka naneso azy, satria hitany fa mbola tanora izy no mazava endrika17.42 Jereo 16.12 sy nta. ary tsara tarehy. 43Ary hoy i Gôliata tamin'i Davida:
–Alika angaha aho no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ho voaozona anie ialahy amin'ny alalan'ireo andriamanitray! 44Avia atỳ, fa homeko ny voro-manidina sy ny bibidia ny nofon'ialahy.

45Dia hoy ny navalin'i Davida azy:
–Manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy ianao, izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'ny TOMPOn'izao rehetra izao, Andriamanitry ny tafik'i Israely, Izay efa nohantsinao. 46Anio ihany no hanoloran'ny TOMPO anao ho eo am-pelatanako, hahafaty anao aho ka hanapaka ny lohanao. Anio koa dia homeko hohanin'ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatin'ny miaramila filistinina. Ary ho fantatry ny tany tontolo fa manana Andriamanitra tokoa i Israely. 47Dia ho fantatry ny Fiangonan'i Israely tsivakivolo koa fa tsy mba mila sabatra na lefona ny TOMPO hanomezam-pandresena. An'ny TOMPO ny ady, koa dia hatolony ho eo an-tananay ianareo.

48Raha vao nanomboka nihetsika hanatona an'i Davida ilay Filistinina, dia nihazakazaka mafy i Davida hitsena azy. 49Nandray vato tao anaty kitapony i Davida ary nandefa izany tamin'ny antsamotady ka nahavoa ilay Filistinina teo an-tampon-kandriny. Tafalentika teo ilay vato ka nidaraboka niankohoka tamin'ny tany izy.

50Toy izany no nandresen'i Davida an'i Gôliata ka namonoany azy tamin'ny antsamotady sy ny vato, fa tsy mba tamin'ny sabatra.

51Dia nihazakazaka nankeny amin'i Gôliata i Davida ka nanatsoaka ny sabatr'i ilay rapeto tamin'ny tranony ary nanapaka ny lohany. Koa rehefa hitan'ny Filistinina fa maty ilay maherifony, dia nitsoaka nandositra izy ireo.

Ny olona matoky an’Andrìamanitra

Mijoro vavolombelona ny amin’ny finoana sy ny fatokiany an'Andriamanitra i Davida.

1- Miankina ainin’nv herin’Andriainanitra
Ady sarotra no miandry an’i Davida. Na dia nanome fitaovam-piadiana entina miatrika izany aza i Saoly mpanjaka dia nesoriny izany. Toa asehony fa tsy ny fananana fitaovana ari-fomba entina miady no zava-dehibe fa ny fatokiana an’Andriamanitra. Ny fítaovana efa nananany, hainv mampiasa araka ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra azy no nampiasainy. Mampianatra antsika koa izany fa rehefa mampiasa ny amin’ny fmoana ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo antsika izanv dia mahita fahombiazana hatrany.

2- Miroso amin’nv finoana
Niroso naneho ny heriny i Goliata ny fahavalon’i Davida. Nirehareha, nanao tsínontsinona an’Andriamanitra izy. Tsv nampihemotra an’i Davida izany fa indro niroso izy vonona hiatrika ady. Feno fahasahiana nijoro vavolombelona fa mahery ìlay Andriamanitra itokiana. Nijoro ho mpanafika avy hatrany izy, nampiasa ny fanomezam-pahasoavana nornen’Andriamanitra azy. Resy noho izany nv fahavalonv. Rehefa manaiky handroso eo ambany fomban'Andriamanitra isika dia tsy ho resy fa ho mpandresy hatrany.

Fanontaniana :
Afaka mijoro ho vavolomhdona amin’izanv fanomezam-pahasoavana nomen’ny 'ì ompo anao ve ianao .

samedi 16 septembre 2017

Sabotsy 16 Septambra 2017 - I Tim 4 : 13 - 16

13Mandra-pahatongako, dia mahavara tsara mamaky ny Soratra Masina*4.13 Izany famakiana ny Soratra Masina ampahibemaso izany dia tahaka izay fanao tao amin'ny sinagôga (jereo Lk 4.16-21). sy mampirisika ary mampianatra. 14Aza atao tandrevaka ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, fanomezam-pahasoavana izay natolotra anao fony niteny taminao ny mpilaza hafatr'Andriamanitra ary nametra-tanana taminao ny loholona tafangona. 15Tontosay ireo adidy ireo ka imasoy tsara, mba hiharihary amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao. 16Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'ireo adidy ireo; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

Ny olom-boafidy

Paoly Àpostoly no manome toromarìka ho an'i Timoty mba ahafahany manatanteraka ny asa fanompoana.

1-Manatanteraka tsara nv andraikitra nifidianana azv
Asa fanompoana manokana no nifìdianan’ny Tompo an'i Timoty : ho mpanompon’ny Tenin’Àndriamanitra, hitory sy hampianatra ny Tenin'Andriamanitra. Ny fanatanterahany izany dia maneho fa mitoetra ho mahatoky amin'ny andraikitra nifidian'ny Tompo azy izy. Sarotra ny andraikitra apetraka aminy kanefa takiana mba hanana fandavan-tena, finiavana, faharetana izv. Mitaona antsika koa izany. aoka hataontsika tsara nv asa fanompoana amin’izay nifídianan' ny Tompo antsika.

2- Mizara famoniena ho an’ny hafa
Ampahatsiahivina eto fa rehefa manatanteraka tsara ny asa fanompoana nifídianana azv i Timotv dia tsapan’nv olona ny fandrosoany. Fandrosoana amin’ny finoana sy ny fítiavana an’i Jesoa Kristy ilav nifidy azy. Tsy mampianatra na mitorv ny Tenin’Àndriamanitra fotsiny mantsy izy fa mandray izany koa ho fitondrana ny fíainany. Mitoetra ao amin’ny famonjen’i Jesoa Kristv izy noho izany. Ireo izay mifanerasera aminy koa dia ho resy lahatra handray ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy. Araka izany, afaka mizara ny fatnonjena ao amin'i Jesoa Kristy amin’ny hafa ny mpino miaina marina amin’ny Tenin’Andriamanitra torianv sy ampianariny.

Fanontaniana:
tnona no sakana tsy ahafahanao miaina marina amin‘ny Tenin’Andriamanitra norenesinao ?

vendredi 15 septembre 2017

Zoma 15 Septambra 2017 - Dan 3 : 13 - 18

13Tezitra sy nisafoaka mafy i Nebokadnetsara ka nampanalainy i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Rehefa tonga teo anatrehan'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo, 14dia nanontany azy i Nebokadnetsara hoe:
–Marina ve ry i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao fa tsy mety manompo ireo andriamanitro ianareo ary tsy mivavaka amin'ny sarivongana volamena izay natsangako? 15Ankehitriny, mivonòna ianareo, fa amin'ny fotoana izay handrenesanareo ny feon'ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamin'ny valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany, dia hiankohoka sy hivavaka amin'ny sarivongana izay nataoko ianareo; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ao anaty lafaoro misy afo mivaivay; ary iza no andriamanitra hahafaka anareo amin'ny fahefàko?

16Dia namaly i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao ka nanao hoe:
–Ry Nebokadnetsara, tsy misy tokony hamalianay anao akory momba izany. 17Fantaro fa afaka mamonjy anay ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra izay tompoinay; eny, hanafaka anay amin'ny lafaoro misy afo mivaivay sy amin'ny fahefànao Izy, ry mpanjaka. 18Ary na tsy hataony aza izany, dia aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa ireo andriamanitrao dia tsy hotompoinay ary ny sarivongana volamena izay natsanganao dia tsy hivavahanay3.18 Dkt hafa azo aroso amin'ny and 17-18 Raha tàhiny ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra Izay tompoinay, afaka mamonjy anay, ry mpanjaka ô, dia hanafaka anay amin'ny lafaoro misy afo mivaivay sy ny fahefànao koa Izy. Ary na dia tsy afaka hanao izany aza Izy.

Manàna fahasahiana hijoro ho vavolombelona

1- Rehefa fantatrao nv herv sv fahefan’nv Tompo
Eo amín’ny and. 17 i Daniela sy ny namany roa lahy dia natoky fatratra fa ny Andriamanitra izay tompoiny dia mahavonjv sadv hamonjy. Famonjena ankehitrinv sv amin'ny hoavy izany. Tena fantatr’izy ireo ny herin’Ilay Andriamanitra tompoiny. Fantany izay inoany. fa íanao kosa mba ahoana ? Fantatrao tokoa ve i Jesoa Kristy sy ny heriny ? Sa, ataontsika tsianjery haíngom-pitenenana, na angolan-tenv ihany nv maha Mpamonjy Azy sy ny nanomezana Azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy eíy an-tany ? Manàna fahasahiana mijoro ho vavolombelomny Tompo rehefa fantatrao sv itokianao ny hery sy fahefany.

2- Rehefa hentitra sv mafv orina nv finoanao
Nolavin’izy telo mirahalahy ankitsírano, ny didin’ny mpanjaka Nebokadnezara, araka ny hita eo amin’ny and.18. Sahy nijoro hatramin’ny farany izy ireo. satría manana finoana mafy orina sy hentitra. Hainy ny mampítaha ny herin’Ilay tompoiny sy ny andriamani-tsy izy. Milanaretsaka sy mifanjevo ny fampianarana samihafa sv ny filazana ny herin’nv andriamanitra tompoin'ny isan-tokony ankehitriny. Ilaina ny finoana hentitra sy maíotra ! Ny finoana dia avy amin’ny teny toriíina, na teny henoina. «Finoana avy amin’ny fihainoana ». ary fihainoana nv tenin’ny Tompo. Aza atao latsa-danja ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra ary itokio ízany dia ho hentitra sy ho mafy orina ny finoanao.

Fanontaniana:
Mety ho sahy tahaka azy telo mirahalahy koa ve isika ?

jeudi 14 septembre 2017

Alakamisy 14 Septambra 2017 - Jao 15 : 26 - 27

26Ho tonga ilay Mpampahery anareo, dia ilay Fanahy fahamarinana Izay mivoaka avy any amin'ny Ray: Izy no hirahiko ho etỳ aminareo avy any amin'ny Ray, ary Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. 27Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara Ahy, satria miaraka amiko hatramin'ny voalohany ianareo!

Afaka mijoro ho vavolombelona isika !

1- Noho ny Mpanampy sy Mpiaro

Aza adinoina fa mil'ampitohy amin ny andininy milaza fanenjehana sy fankahalana eo alohany ity amin'ny and.26 ity Ahoana no hijoroana ho vavolombelon'ny Tompo eto anoloain'ny fankahalana 7 Na dia i Jesoa nankahalaina. mba hanao ahoana isíka Hahazaka izany ve ny mpino, ka ho sahy hijoro ho vavolomfaelona? mijoro ho vavolonibelona isika, nobo nv Fanahy Mas:r... na nv Mpananatra. Nv Mpananatra dia manana hev;;;. hoe : Mpiaro. sady tonga manampy sy manohana amin'-ady mafy sy fanenjehana. Izany no mahatonga antsíka :.. sahy na dia ankahataina aza. Tonga vavolombe..: . manam-pahasahiana isika noho herin'ny Fanahy ::: Mpanampy sy Mpiaro amin ny loza sy lanenjehana.

2- Noho nv FanahiiHnv fahamarínana

Ny Fanahin'ny faliamarinana, araka ny anaratm: :. . ahazoana manakatra ny asany sy ny lomba íiasa-; Mampahatsiaro ny teny fahamarinana nambarar.-Tompo Izy, ka íonga manamal'y orina ny iìnoaiia. Re; v .. maty orina ny finoana dia tsy matahotra sadv ts>' mer.:.v. ny hijoro ho vavoiombelon'ny Tompo ny mpanara-.., . Azy. na dia etsy an-kilany aza ny fanenjehana s> :; nfankahalami. Raiso nv Fanahy ary ekeo hitarika ams sv hiasa manan-kery eo amìntsika dia afaka mijore vavolombdon'ny Tompo mandrakariva isíka.

Fanontaniana:
Misv afaka mijoro ho vavolombelona fa tsy sahv. ary sahy fa tsy afaka. Hainao hazavaina ve izany ?

mercredi 13 septembre 2017

Alarobia 13 Septambra 2017 - Mar 8 : 34 - 38

34Dia nantsoin'i Jesoa niaraka tamin'ny mpianatra ny vahoaka hankeo aminy ka nilazany hoe:

–Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany, ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko. 35Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy, noho ny fitiavany Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly*, no hahavonjy azy. 36Fa inona no soa azon'ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny ainy mitondra faisana? 37Ary inona no azon'ny olona omena ho takalon'ny ainy? 38Mpivadika amin'Andriamanitra sy mpanota ny olona ankehitriny! Ka na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko eo afovoan'ireo, dia ho menatra azy koa ny Zanak'olona, rehefa ho avy otronin'ny anjely masina sady ombàn'ny voninahitra homen'ny Rainy.

mardi 12 septembre 2017

Talata 12 Septambra 2017 - Sal 92 : 1 - 4

1 Salamo. Tononkira fanao amin'ny andro sabata*.

2Tsara ny midera Anao, TOMPO ô,
sy ny mankalaza Anao an-kira,
ry ilay Andriamanitra Avo Indrindra,
3ka manambara ny fitiavanao raha vao maraina
ary ny fahamarinanao mandritra ny alina,
4amin'ny valiha torifolo
sy amin'ny feon-dokanga.

lundi 11 septembre 2017

Alatsinainy 11 Septambra 2017 - Asa 26 : 12 - 18

12Izany no nahatonga ahy hankany Damasy, ombàn'ny fahefana sy ny baiko azoko avy tamin'ny lohandoha-mpisorona. 13Teny an-dalana aho, ry mpanjaka, raha tamin'ny mitataovovonana ny andro, dia nahita hazavana avy tany an-danitra, mahery lavitra noho ny hazavan'ny masoandro ka nanjelanjelatra manodidina ahy mbamin'ny mpiara-dia tamiko. 14Samy niankarapoka tamin'ny tany izahay, ary izaho dia nandre feo niteny tamiko tamin'ny teny aramianina hoe: «Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao? Manimba tena ianao misetra lefona maranitra!» 15Izaho kosa nanontany hoe: «Iza moa Ianao, Tompoko?» Dia novalian'ny Tompo hoe: «Izaho no i Jesoa, Ilay enjehinao! 16Fa miarena ka mijoroa! Izao manko no nisehoako taminao: ny hanendry anao ho mpanompoko ary koa ho vavolombelona hanambara amin'ny hafa ny nahitanao Ahy androany26.16 ny nahitanao Ahy: misy stf sasany ahitana hoe ny zavatra hitanao.  sy ny zavatra mbola hasehoko anao. 17Izaho no hanafaka anao amin'ny vahoaka Israely* sy ny hafa firenena* izay anirahako anao. 18Hanirahako anao izy rehetra mba hampahiratinao maso, hahatonga azy hiala amin'ny haizina ho amin'ny mazava ary hiala amin'ny fahefàn'i Satàna ho amin'Andriamanitra, ka handraisany famelan-keloka noho ny finoana Ahy sy hahazoany anjara lova miaraka amin'ireo voatokana ho vahoakan'Andriamanitra*.»

dimanche 10 septembre 2017

Alahady 10 Septambra 2017 - II tim 1 : 6 - 12

6Izany no ampahatsiarovako ny hamelombelomanao indray ilay fanomezam-pahasoavana narotsak'Andriamanitra tao anatinao, fony aho nametra-tanana taminao. 7Tsy mba fanahy mahatonga ho kanosa no efa nomen'Andriamanitra antsika, fa ilay Fanahiny mahatonga antsika ho feno hery sy be fitiavana ary mahay mifehy tena.
8Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika; aza menatra ny amiko ihany koa, dia izaho voafonja noho ny aminy1.8 Voafonja tao Rôma i Paoly araka izay hita ao 1.17.
Fa aoka hiaretanao fijaliana miaraka amiko ny Vaovao Mahafaly*, araka ny hery omen'Andriamanitra anao. 9Andriamanitra no namonjy antsika sy niantso antsika ho vahoakany*, tsy noho ny asa vitantsika fa noho ny fandaharan'ny tenany ihany ary noho ny fahasoavany. Efa nomeny antsika tao amin'i Kristy* Jesoa izany fahasoavana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao; 10kanefa naharihariny antsika ankehitriny tamin'ny nisehoan'ilay Mpamonjy antsika, dia i Kristy Jesoa Izay nanafoana ny herin'ny fahafatesana sy nanambara mazava ny fiainana sy ny tsy fahalòvana tamin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly.

11Ny hitory izany Vaovao Mahafaly izany no nanendren'Andriamanitra ahy ho apôstôly* sy ho mpampianatra1.11 Ampit 1Tim 2.7.; 12ary izany koa no antony iaretako izao fijaliana izao. Kanefa tsy mahakivy ahy izany, satria fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ary azoko antoka fa Izy dia mahatahiry ilay raki-tsoa nankininy tamiko1.12 ilay raki-tsoa nankininy tamiko: ampit 1.14; 1Tim 6.20. mandra-piavin'ny andro fitsarana.

vendredi 8 septembre 2017

Zoma 08 Septambra 2017 - Sal 25 : 1 - 7

1 Salamo nataon'i Davida

TOMPO ô, Ianao no ifantohako;
2Andriamanitra ô, Ianao no itokiako
ka aza avela ho diso fanantenana aho
na ho resy hifalian'ny fahavaloko!
3Izay rehetra miantehitra aminao
dia tsy mba ho diso fanantenana;
fa ireo mivadika aminao no ho menatra,
ka enga anie hitondra tanam-polo mody!

4TOMPO ô, ampahafantaro ny lalanao aho
ary ampianaro hiaina araka ny sitrakao.
5Tariho amin'ny fahamarinanao aho ka ampianaro,
satria Ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy
sady hany ianteherako isan'andro.
6Tsarovy, TOMPO ô, fa hatrizay hatrizay
dia be indrafo sy be fitiavana Ianao.
7Koa hadinoy ny fahotako, fony aho tanora;
eny, hadinoy re izay hadisoana vitako;
nefa mba tsarovy kosa aho, TOMPO ô,
satria be fitiavana sy tsara fo Ianao.

jeudi 7 septembre 2017

Alakamisy 07 Septambra 2017 - Eks 25 : 1 - 9

1Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:

2–Ilazao ny Israelita mba hanomana fanomezana ho Ahy, ka avy amin'ny olona rehetra manolotra an-tsitrapo no anangony azy. 3Ireto avy no fanatitra izay hangoninareo: volamena, volafotsy, halimo, 4volon'ondry miloko volomparasy na mena na jaky, rongony madinika, volon'osy, 5hoditr'ondry miloko mena, hoditra mafy, hazo mimôza, 6solika hampiasaina amin'ny fitoeran-jiro, ilomanitra hafangaro amin'ny ilomasina fanokanana sy amin'ny vovo-javamanitra hodorana, 7vato berila sy vatosoa hafa ho an'ny efôda sy ny saron-tratran'ny mpisorombe25.7 efôda: fanamiana aron'akanjo voatokana ho an'ny mpisorombe ary voavisavisa eo amin'ny 28.6-14; saron-tratra: karazana paosy lamba napetraka teo ambony tratran'ny mpisorombe, jereo 28.15-29.. 8Hanamboatra tranolay masina ho Ahy ny Israelita mba hitoerako eo aminy. 9Araka ny planina sy ny môdely izay hasehoko anao no handrafetanareo io fonena-masina io sy ny fanaka rehetra momba azy.

mercredi 6 septembre 2017

Alarobia 06 Septambra 2017 - I Pet 4 : 12 - 19

12Ry hava-malala, aza gaga amin'ny fanenjehana mivaivay miseho teo aminareo sady mihatra aminareo mba ho fizahan-toetra, ka hihevitra izany ho zava-tsy fahita midona aminareo. 13Fa mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy*, mba ho heni-kafaliana aman-karavoana koa ianareo amin'ny andro hisehoan'ny voninahiny. 14Sambatra ianareo raha haratsîna amin'ny maha mpianatr'i Kristy anareo; fa ny Fanahy Masina be voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, no mitoetra eo aminareo. 15Eny, aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin'ny raharahan'olona; 16fa raha amin'ny maha kristianina azy no ijaliany, dia aoka izy tsy ho menatra fa hanome voninahitra an'Andriamanitra noho izany anarana entiny izany.

17Tonga ny fotoanandro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan'Andriamanitra; ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy mety mino nyVaovao Mahafaly* avy amin'Andriamanitra? 18Fa hoy ny Soratra Masina*:

«Raha saika tsy voavonjy ny marina,
inona no hanjo ny tsy mpivavaka sy ny mpanota4.18 Ohab 11.31, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta.?»
19Koa izay miaritra fijaliana araka ny sitrapon'Andriamanitra, aoka hanao soa hatrany sy hanankin-tena amin'Ilay mitana ny toky nomeny, dia ny Mpahary azy.

mardi 5 septembre 2017

Talata 05 Septambra 2017 - Isa 48 : 20 - 22

20Mivoaha avy ao Babilôna*48.20 Jereo Apôk 18.4., mandosira avy ao Kaldea!
Amin'ny horakora-pifaliana no anambarao
izao vaovao mahafaly izao,
hatrany amin'ny faran'ny tany;
torio ary aelezo izany, ka lazao hoe:
«Ny TOMPO no nanavotra ny firenen'i Jakôba mpanompony!»
21Tsy nangetaheta ireo olony
tamin'ny nitondrany azy tany an-taniefitra.
Nampiboiboika rano ho azy avy tamin'ny vatolampy Izy:
eny, novakîny ny vatolampy ka nandriaka ny rano.

22Tsy misy fiadanana ho an'ny olon-dratsy, hoy ny TOMPO48.22 Jereo 57.21.

lundi 4 septembre 2017

Alatsinainy 04 Septambra 2017 - II Kor 8 : 16 - 24

16Hisaorana anie Andriamanitra Izay nahatonga an'i Tito ho mazoto miasa ho anareo tahaka ny ataonay koa! 17Nanaiky ny fiangavianay azy i Tito; nefa tena nazoto rahateo izy, ka dia nahim-pony no nankanesany tany aminareo. 18Nalefanay hiaraka aminy koa ilay rahalahy derain'ny Fiangonana rehetra amin'ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly*; 19ary tsy izany ihany, fa notendren'ireo Fiangonana mba hiara-dia aminay koa io rahalahy io amin'izao asa fanasoavana ilofosanay izao, ho voninahitr'Izy Tompo ary ho mariky ny risi-ponay hanasoa ny hafa.

20Tandremanay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin'izao famoriana vola be ilofosanay izao: 21satria mikendry hanao ny tsara izahay, tsy eo anatrehan'ny Tompo ihany, fa eo anatrehan'ny olona koa8.21 Ampit Ohab 3.4 (amin'ny heviny araka ny dkt grika tranainy Septoazinta); Rm 12.17..

22Nalefanay hiaraka amin'izy ireo ilay rahalahinay8.22 ilay rahalahinay: olon-kafa fa tsy voatonona anarana ao amin'ny and 18: ampit ny and 23 (iretsy roa lahy rahalahinay). Jereo 2.13 sy nta. izay efa nosedrainay matetika tamin-javatra maro ka hitanay fa mazoto; kanefa vao mainka mazoto kokoa izy ankehitriny, satria be ny fahatokiany anareo. 23Raha ny amin'i Tito, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho fanasoavana anareo; fa iretsy roa lahy rahalahinay kosa dia irak'ireo Fiangonana ary miasa ho voninahitr'i Kristy*. 24Koa asehoy azy telo lahy fa tia azy tokoa ianareo, mba ho fantatr'ireo Fiangonana fa rariny raha ataonay reharehanay ianareo.

dimanche 3 septembre 2017

Alahady 03 Septambra 2017 - Mat 27 : 57 - 61

57Nony hariva ny andro, dia tonga ity lehilahy mpanankarena avy any amin'ny tanàna atao hoe Harimatia27.57 Harimatia: tanàna tokony ho 35 km avaratra andrefan'i Jerosalema.; i Jôsefa no anarany ary mpianatr'i Jesoa ihany koa izy. 58Nanatona an'i Pilato* izy nangataka ny vatan'i Jesoa; ary dia nasain'i Pilato nomena azy izany. 59Nalain'i Jôsefa ny vatan'i Jesoa, dia nofonosiny lamba sarobidy madio 60ary napetrany tao amin'ny fasana vaovao izay nampandavahany ho an'ny tenany tamin'ny vatolampy. Rehefa avy nanakodia vato makadiry teo amin'ny vavafasana i Jôsefa, dia lasa nandeha. 61Ary teo i Maria avy any Magdalà sy ilay Maria anankiray hafa ka nipetraka tandrifin'ny fasana.

samedi 2 septembre 2017

Sabotsy 02 Septambra 2017 - Amo 7 : 10 - 17

10Ary i Amatsià, mpisorona tao Betela, dia naniraka hilaza amin'i Jerôbohama mpanjakan'i Israely* hoe: «I Hamôsa efa nikotrika fikomiana taminao teo anivon'ny vahoakan'i Israely; tsy zakan'ny tany intsony ireo kabariny rehetra. 11Fa izao manko no voalazan'i Hamôsa: Ho fatin'ny sabatra i Jerôbohama ary ny vahoakan'i Israely dia ho entina ho babo lavitra ny taniny.»

12Dia hoy i Amatsià tamin'i Hamôsa: «Ry mpahazo fahitana, mandehana mandositra any amin'ny tanin'i Joda ianao, ka any no ijoroy ny maha-mpaminany* anao; dia ry zareo no hanome anao ny mofo hohaninao. 13Fa aza maminany eto Betela intsony, fa toeram-pivavahana najoron'ny mpanjaka sady lapan'andriamanjaka no eto.»

14Dia namaly an'i Amatsià i Hamôsa nanao hoe:
–Tsy mba mpaminany na anisan'ny tarika mpaminany aho taloha fa mpiandry biby fiompy sady mpanindrona voan'aviavy7.14 voan'aviavy: ny aviavy dia hazo maniry eny amin'ny toerana ivaiva any Palestinina; ny voany dia natao sakafon'ny biby fiompy. Somary tsindronina kely ny voany mba hahamasaka azy faingana.. 15Saingy nalain'ny TOMPO teo am-piandrasana biby fiompy aho ka nitenenany hoe: «Mandehana ianao ka mijoroa ho mpaminany amin'ny Israely vahoakako.» 16Koa ankehitriny, henoy ny tenin'ny TOMPO. Ianao manao amiko hoe: «Aza maminany ny hamelezana an'i Israely ary aza manambara ny hamelezana ny taranak'i Itsehàka»; 17noho izany, ry Amatsià, dia izao no lazain'ny TOMPO:

Hijangajanga ao an-tanàna ny vadinao;
ireo zanakao lahy sy vavy
dia haringana amin'ny sabatra;
ny taninao dia hozarazaraina amin'ny tady
sy homena olon-kafa;
ianao dia ho faty any amin'ny tany fanompoan-tsampy
ary ny taranak'i Israely dia ho lasan-ko babo
lavitry ny taniny7.17 Momba ny and 10-17: ampit Jer 20.1-6..»

vendredi 1 septembre 2017

Zoma 01 Septambra 2017 - Jao 1 : 6 - 8

6Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra: i Jôhany1.6 I Jôhany Mpanao batisa izany: jereo 1.19-36. no anarany. 7Tonga hijoro ho vavolombelona i Jôhany, dia vavolombelona hanambara ilay fahazavana; ka ny hafatra nampitain'i Jôhany no hampino ny olona rehetra. 8Tsy hoe i Jôhany no fahazavana, fa izy no ho vavolombelona hanambara ny fahazavana.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12