mercredi 31 janvier 2018

Alarobia 31 Janoary 2018 - Heb 1 : 1 - 4

1Efa imbetsaka ary tamin'ny fomba samihafa no nitenenan'Andriamanitra fahiny tamin'ny razantsika tamin'ny alalan'ireo mpaminany; 2fa amin'izao andro farany izao kosa dia tamin'ny alalan'ny Zanany no nitenenany tamintsika. Io Zanany io no naharian'Andriamanitra izao tontolo izao1.2 Ampit Jôh 1.3., ary notendreny koa ho mpandova ny zavatra rehetra. 3Taratra mamirapiratry ny voninahitr'Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban'Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin'ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin'ny avo indrindra eo ankavanan'ilay Andriamanitra lehibe1.3 Jereo Sal 110.1. –Ny eo ankavanana no lafy fanomezam-boninahitra..

4Tonga ambony lavitra noho ny anjely ny Zanaka, satria nandova anarana tsara noho ny an'ireo.

Ny halehiben'ny voninahitry ny Zanaka

Ny halehiben'ny voninahitr'i Kristy no tanisaina eto mba hahaizantsika midera Azv sy mametraka Azy amin'ny toerany:

1- Izv no voatendrinv ho Mpandova ny zavatra rehetra
Azy ny zavatra rehetra, ary afaka mizara izany amin'izay Azy Izy, Amin'izany dia tonga mpiray lova Aminy izay rehetra mino. (Rom.8, 17; Gal 4, 7)

2- Izy no nahariana izao tontolo izao
Tsy mba isan' ny voahary tahaka izay mpaminany fahiny, na tahaka ny anjely Izv. Efa tao amin'Andriamanitra hatrizay hatrizav Izv. Tamin'ny alalanv no nahariana nv zavaboary rehetra.(.Iao 1. 1 ; 3, 1 : 1 Kor 8. 6 ).

3- Izy no famirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra Andriamanitra
"tonga nofo, ka nonina tammtsika" Izv. Hita namirapiratra tamin'ny maha olona Azy ny voninahiny, araka ny voasoratra hoe: "...Ary hitanay ny voninahiny... " (Jao I, 14). Izy dia tonga hanambara ny Ray izay naniraka Azy.

4- Izy no nanao fanadiovana hahafaka amin'ny fahotana:
Tamin'ny nanaterany ny tenany indray mandeha no nanadiovany ny mpanota ho afaka amin'ny fahotana rehetra. Tsy misy fomba hafa ahazoantsika famonjena afa-tsy izay nataony ho antsika.

5- Izv dia nipetraka teo amin'nv tànana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo
Rehefa vitany ny asany dia naka ny toerana ambony nomena Azy Izy; Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, Mpisorona mandrakizay, Ilay mipetraka amin'ny seza fiandrianana avo indrindra. (Apo 5, 13)

Fanontaniana:
Ekenao eo amin'ny fiainanao ve fa Mpanjaka be voninahitra Izv?

mardi 30 janvier 2018

Talata 30 Janoary 2018 - Isa 47 : 1 - 5

1Midîna ambany ka mipetraha amin'ny vovoka,
ry vahoaka mponin'i Babilôna, hoy ny TOMPO;
mipetraha amin'ny tany, ry renivohitry ny Kaldeanina
fa tsy misy sezafiandrianana ho anao intsony,
satria ianao tsy hantsoina intsony hoe:
«Babilôna47.1 Babilôna: jereo 13.1 sy nta. tsara tarehy» na «Babilôna mirenty».
2Makà vato fikoseham-bary ka mitotoa koba.
Asehoy ny randranao, akaro ny morontongotr'akanjonao,
asehoy ny ranjonao, hahazoanao mita ny renirano.
3Aoka hiseho ny fitanjahanao
ary ho hita izay mahamenatra anao.
Hanao valifaty tokoa Aho
ka tsy misy mahasakana Ahy47.3 Ny asa hataon'ny Babilônianina sy ny fietrena hihatra aminy dia ny an'ireo mpanompo andevozina.,
4hoy Ilay Mpanavotra anay.
Ny TOMPOn'izao rehetra izao no anarany,
dia Ilay Masin'i Israely.

5Mipetraha mangina ianao
ary misitriha any amin'ny maizina,
ry renivohitry ny Kaldeanina,
satria ianao tsy hantsoina intsony hoe:
«tompovavin'ny fanjakana maro».

Andriamanitra no Tompon'ny fahefana rehetra

Nihambo hanana fahefana maharitra mandrakizay Babylona ka nihevitra fa tsy hisy afaka hanaisotra izany (Jereo and.7).

1- Afaka manaisotra nv fahefan'olombelona Izy
Nanao tsinontsinona an'i Jehovah Andriamanitr'Israely i Babylona tamin'ny nandravany ny tempoly tao Jerosalema. Noheveriny fa nv faharavan'i Jerosalema sy ny fahababoan'ny vahoakan'Israely dia fahafoanan'ny fahefan'i Jehovah sy ny heriny. Nitokianv fatratra ireo sampinv. Ambaran'ny mpaminany nv handravana ny fahefany sy ny hampitanjahana azy amin-kenatra lehibe (and.3. 5).Fahefana avv amin' Andriamanitra samirery ny mametraka sy manaisolra ny olona amin'ny toeran'ny mpitondra sy mpanapaka. Fampitandremana ho an'izay rehetra mihevitra azv ho manam-pahefana izanv mba hanaovany tsara ny asanv amin'ny fahatahorana an' Andriamanitra.

2- Izv no manafaka nv vahoakany
Jehovah no mpanavotra ny olonv. Mampahatezitra an'i Jehovah ny fampijaliana atao amin'ny vahoakany. ary izao dia hanao valifaty tokoa Izy. "Hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona"(and.3d). Tsy mahafoy ny olony izay mitaraina sv miverina Aminy Izv ka mamonjy azy amin'nv tanan'ny fahavalo. Tsy sitrak'Andriamanitra ny fanompoan-tsampy. Hofaiziny sy hesoriny amin'ny fahefany izay mirehareha sy mihevitra Azy ho tsy misy ka mampijaly ny vahoaka voafidiny.

Fanontaniana:
Inona no andraikitry ny Fiangonana manoloana ny fampahantrana sy fampijaliana mahazonv vahoaka?

lundi 29 janvier 2018

Alatsinainy 29 Janoary 2018 - Mat 8 : 1 - 4

1Raha nidina avy teo an-tendrombohitra i Jesoa, dia narahina vahoaka maro. 2Ary indro nisy lehilahy marary hoditra nanatona Azy, dia niankohoka teo anatrehany sady nanao hoe:
–Tompo ô, raha sitrakao, dia hainao diovina aho!

3Nanatsotra tanana i Jesoa dia nikasika azy sady niteny hoe:
–Sitrako, madiova ianao!

Avy hatrany dia nadio ny aretin-koditra nahazo an-dralehilahy. 4Ary hoy i Jesoa taminy:
–Tandremo ny milaza izao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana miseho amin'ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin'i Mosesy mba ho vavolombelona amin'ny olona fa madio8.4 Jereo Lev 14.2-32. ianao.

"Mety Aho; madio va hianao"

Tena sitrak'i Jesoa tokoa ny hahasitrana ny marary, ary manam-pahefana hahasitrana ny karazan'aretina izay heverin'ny olona fa tsy azo sitranina Izy. Inona kosa àry no tokony hataon'ny marary?

1 - Manatona Azy (and.2)
Na teo aza ireo vahoaka marobe nanaraka an'i Jesoa (and.l); mety nisy koa ny fanilikilihana sy ny fitsaran' olombeiona noho ilay aretin-koditra. Tsy nahasakana azy hanatona an'i Jesoa izany rehetra izany. Ny fanatonana an'i Jesoa ihany no vahaolana. Aza mijery olona: aza mijery olana; fa manatona Azy!

2 - Miankohofa eo anatrehany (and.2)
Fantatr'ilay marary fa afaka manasitrana azy ny Tompo raha sitrany izany, ka dia hoy izy: "Tompo o, raha sitrakao dia hainao diovina aho" (and.2b-DIEM). Ka dia sitraky ny Tompo ny hanasitrana azy. Mivavaha ka manompoa Azy, izany no fíankohofana eo anatrehany; maneke fa tsy mahavita na inona na inona, raiso Jesoa hanam-pahefana sy ho mpanapaka ny fiainanao.

3 - Mandehana miseho amin'nv mpisorona...(and.4)
Nirahin'i Jesoa ilay lehilahy mba hiseho any amin'ny mpisorona sy hitondra fanatitra. Manana andraikitra amin' izay rehetra nositranin'ny Tompo ny mpitondra fivavahana, ary izay nositranina kosa hivavaka sy hisaotra an'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Rehefa marary mafy ny olona vao mitady an'I Jesoa. Nahoana ?

dimanche 28 janvier 2018

Alahady 28 Janoary 2018 - Lev 14 : 1 - 9

1Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:

2«Ireto no fepetra momba ny marary hoditra, amin'ny andro fanadiovana azy. Hoentina any amin'ny mpisorona ilay marary hoditra14.2 Jereo Mt 8.4; Mk 1.44; Lk 5.14; 17-14., 3dia hivoaka ny toby kosa ny mpisorona mba hizaha azy. Raha hitany fa sitrana ny aretin'ilay marary hoditra, 4dia vorona anankiroa velona sady madio sy hazo sedera ary lamba jaky sy rantsana hisôpa no hasain'ny mpisorona halaina ho an'ilay hodiovina. 5Ny vorona anankiray dia hampamonoin'ny mpisorona eo ambony vilany tanimanga nasiana rano avy amina loharano; 6fa halainy kosa ny vorona faharoa, ka hatsobony miaraka amin'ny hazo sedera sy ny lamba jaky ary ny rantsana hisôpa ao anatin'ny ran'ilay vorona novonoina. 7Dia hofafazana impito amin'izany ra izany ilay diovina ho afaka amin'ny aretin-kodiny, ka hambaran'ny mpisorona hoe madio ilay olona; ary halefany hisidina any an-tsaha ilay vorona velona. 8Hanasa fitafiana ilay diovina, sy hanaratra ny volo rehetra eo amin'ny tenany ary handro amin'ny rano, dia hadio. Hiditra ao an-toby izy aorian'izany, kanefa hitoetra eo ivelan'ny tranolainy mandritra ny fito andro. 9Amin'ny andro fahafito, dia hoharatany avokoa ny volo eo amin'ny tenany, na volon-doha na somotra na manjamaso na volo hafa rehetra; ary hanasa fitafiana izy sady handro amin'ny rano, dia hadio.

Mihevitra manokana ny marary ny Tompo

Teo amin'ny Israely dia ninoan'ny ankamaroan'ny olona fa endrika isehoan'ny famaizan'Andriamanitra ny aretina, isan'izany ny habokana. Noheverina ho maloto ara- pivavahana ny olona voan'izany ka natokana sy tsy navela hifangaro amin'ny vahoaka. Mampalahelo fa voahilikilika sy natoka-monina ireny olona ireny. Mihevitra manokana azy ireny ny Tompo ka manome andraikitra:

1- Nv andraikitry ny mpisorona (and.2-7)
Na dia tsy dokotera aza ny mpisorona dia manana andraikitra amin'ny marary mba hizaha sy hamantatra ny karazan'aretina misy sy ny fivoaranv. Ankinin'ny Tompo amintsika Fiangonana ny fijerena manokana ireny marary izay tsy mba afaka mamonjy fotoam-bavaka ireny noho ny toetr'aretiny. llaina izanv mba hiarovana ny fiparitahan'ny aretina amin'ny manodidina. Tsarovy fa nitondra ny aretintsika tokoa Izy.(Isa 53. 4)

2- Nvy andraikitry ny marary (and.8,9)
Mila mikarakara tena koa ny marary (ilay hodiovina), "...ka hanasa nv fìtafiany sy hanaratra nv volon-dohany rehetra ary handro amin'ny rano ka hadio izy"(and.8,9). Tsy tokony. hihevitra ny tenany ho enta-mavesatra mandrakariva ny marary. Fa hanao izay azony atao kosa izy mba ho fifanampiana amin'ny mpitsabo sy ny mpikarakara. Ilaina ny fahadiovana sy ny fidiovana araka izay azony atao. fa tsy hiandry fotsiny.

Fanontaniana:
Inona no andraikitry ny Fiangonana manoloana ny VIH/SIDA?

samedi 27 janvier 2018

Sabotsy 27 Janoary 2017 - Isa 45 : 1 - 5

1Izao no lazain'ny TOMPO
amin'ilay nohosorany45.1 Ilay nohosorany na ilay Mesiany*: i Kirôsa mpanjakan'i Persia eto dia mandray anaram-boninahitra mitovy amin'ny mpanjakan'i Joda (Sal 2.2; 18.51); ampit 44.28a., dia i Kirôsa:
«Tohanako ianao mba handresy ny firenen-kafa
sy hanaisotra ny fahefàn'ny mpanjaka
ka hivoha eo anatrehanao
ireo vavahadin'ny tanàna nihidy.
2Izaho mihitsy no handeha eo anoloanao
mba handravona ny mikitoantoana
sy hanamontsana ny varavarana varahina
ary hanapatapaka ny hidy vy.
3Homeko anao ny raki-tsoany
napetrany tao amin'ny toerana maizina
sy ny harena nafeniny ao amin'ny mangingina,
mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO
Izay miantso anao amin'ny anaranao;
Izaho no Andriamanitr'i Israely.
4Noho ny fitiavako ny firenen'i Jakôba mpanompoko
sy ny vahoaka Israely voafidiko
no niantsoako anao tamin'ny anaranao;
ary nomeko izany laza izany ianao,
na dia tsy mahalala Ahy akory aza.
5Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa;
tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Nampisikiniko hery ianao hiasa
na dia tsy mahalala Ahy akory aza,

Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Andriamanitra no Mpamorona ny zavatra rehetra, Izy koa no Tompon'ny fahefana amin'ny firenena rehetra. Noho izany:

1- Izy no manome fahefana nv olona izay antsoinv
Kyrosy dia mpanjaka jentilisa, izay voalaza fa tsy nahalala an' i Jehovah akorv, nefa dia nofidin'Andriamanitra sy nirahiny. Mampiseho amintsika izany fa tsy miankina amin'ny izay mety ho fahalalan'ny olona na ny fankatoavan'ny olona an'Andriamanitra ny fiantsoana. "...Ary nomeko izany laza izany ianao na dia tsy nahafantatra Ahy aza."(and.4b). Fahefana avy Aminy ny mifidy sy manendry olona ho amin'ny andraikitra iray sy mampahomby azy amin'izay rehetra ataony. Amin'izany dia Izy mihitsy no mialoha làlana amin'ny fanatanterahana ny iraka ampanaoviny. "Tohanako ianao mba handresy firenen-kafa ... Izaho mihitsy no handeha anoloanao" (and.l, 2a) (DIEM)

2- Izy no manafaka nv olonv
Misy antony sy dikany avokoa izay rehetra ataon'ny Tompo. Nomeny fahefana i Kyrosy mpanjakan'i Persia ka tonga mpandresy. Io fandreseny io no miantoka ny fanafahana ny vahoakan'Israely. "Noho ny fitiavako ny firenen'i Jakoba mpanompoko sy ny vahoaka Israely voafidiko no niatsoako anao tamin 'ny anaranao... " (and.4-DIEM). Eo am-pelatanan'ny Tompontsika avokoa ny fahefana rehetra. Tsy misy mahasakana izay tiany hatao ho fanafahany sy fanavotany antsika.

Fanontaniana:
Nahoana no omen'ny Tompo fahefana ny mpitondra ratsy fanahy?


vendredi 26 janvier 2018

Zoma 26 Janoary 2018 - Lio 10 : 17 - 20

17Faly tokoa ny 72 lahy raha niverina sady nanao hoe:
–Tompo ô, nanaiky anay na dia ireo demony aza rehefa nodidianay tamin'ny anaranao10.17 72 lahy: misy stf sasany ahitana hoe fitopolo lahy (jereo and 1)!

18Fa hoy i Jesoa taminy:
–Hitako tokoa i Satàna nilatsaka tahaka ny tselatra avy any an-danitra. 19Indro ianareo efa nomeko fahefana hanitsaka bibilava sy maingoka sady hanamontsana ny hery rehetra ananan'ny fahavalo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory. 20Kanefa aza dia ianareo eken'ny fanahy ratsy no ifaliana; fa mifalia noho ianareo efa voasoratra anarana any an-danitra.

Manapaka amin'nv fahefany ny Tompo

Faly ery ireo mpianatry ny Tompo hanao tatitra fa mba nahavita ny iraka nampanaovina azy. Nambaran'ireo tamin'izany fa na dia ny demonia aza dia nanaiky azy ireo noho ny Anaran'i Jesoa. Antoky ny fahombiazana amin' ny fanatanterahana ny asan'Andriamanitra ny fandraisana fahefana avy Aminy:

1- Fahefana handresv ny herin'nv fahavalo (and.19')
Efa nampanantena ny Tompo fa izay nandray fahefana avy Aminy dia ho voaaro, ka tsy hanan-kery aminy ny ratsy. Tsy tokony hatahotra na hihemotra ny Fiangonana manoloana ny ady amin'ny tsy fahamarinana sy ny faharatsiana, na inona na inona mety ho fandrahonana sy fampitahorana, fa hoy ny Tompo: "Indro, efa nomeko fahefana... handresy ny hery rehetra ananan 'ny fahavalo hianareo... " Koa sahia mijoro ho vavolombelony. "...Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika ... " (2Tim 2. 7)

2- Fahefana hampiditra antsika any an-danitra(and.20)
 Izay tokony hahafaly indrindra ny mpianatra, dia tsy ny hanana fahefana sy hahavita fahagagana fotsiny ihany, fa ny hahatonga azy ireo ho ao amin'ny Tompo; ho fananan' ny Tompo voasoratra any an-danitra. Ny tena fahafaham-po sy fifaliana ho antsika dia tsy ny hanana fahefana sy hahavita fahagagana ihany akory, fa indrindra indrindra ny hahazoantsika antoka fa voavela heloka ka ho tonga tena zanak'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Azonao antoka ve fa efa voasoratra any an-danitra ny anaranao?

jeudi 25 janvier 2018

Alakamisy 25 Janoary 2018 - Deo 29 : 1 - 8

1Novorîn'i Mosesy29.1 Amin'ny dkt sasany, ny and 1-28 dia voalahatra ho 2-29 (jereo ny naoty etsy aloha). ny Israelita rehetra ka nilazany hoe:

–Tany Ejipta dia efa hitanareo izay rehetra nataon'ny TOMPO teo imasonareo tamin'ny Farao sy ny tandapany rehetra ary ny taniny manontolo. 2Efa hitanareo maso ny fitsapana mafy nianjady taminy, dia ireny famantarana sy zava-mahagaga goavana ireny. 3Nefa tsy nomen'ny TOMPO fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany29.3 Jereo Rm 11.8.. 4Efapolo taona no nitondrako anareo tany an-taniefitra; tsy nihatonta na ny fitafiana teny an-koditrareo na ny kapa teny an-tongotrareo. 5Tsy mofo mba nohaninareo ary tsy divay na toaka mba nosotroinareo29.5 Jereo Eks 16; 17.1-7.: niahy anareo ny TOMPO hahafantaranareo fa Izy no TOMPO Andriamanitrareo. 6Nony tonga teto amin'ity toerana ity ianareo, dia niainga hifanehatra sy hiady amintsika i Sihôna, mpanjakan'i Hesbôna, sy i Hôga mpanjakan'i Basàna; kanefa resintsika izy roa lahy29.6 Jereo Nom 21.21-35.. 7Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zaratanin'ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon'i Manase29.7 Jereo Nom 32.33.. 8Koa imasoy hotanterahina ny fepetra momba izao fanekempihavanana izao mba hambinina ianareo amin'izay rehetra hataonareo.

Miara-dalana amintsika mandrakariva ny Tompo

Mosesy dia toy ny fitaovana ihany teo am-pelatanan'ny Tompo mba hanehoany ny fiarahany sy ny fitarihany ny Zanak'Israely amin'ny fahefany sy ny fanapahany. Amin'izao dia efa manakaiky ny fotoana hidirana amin'ny tanv nampanantenaina. Noho izany:

1- Tsarovy izay nataony ho antsika tamin'ny lasa
Ampahatsiahivin'i Mosesy izay efa nataon'ny Tompo, manomboka amin'ny tantaran'ny nanafahana ny Zanak' Israely tamin'ny fanandevozan'i Farao (and.1); ny lalan- tsarotra sy ny físedrana nolalovana tanv an'efitra (and.4,5); ny ady nifanandrinana amin'ireo firenen-kafa (and.6,7)... Ireny rehetra ireny no mampiseho fa niara- dalana tamin'nv vahoakany hatrany ny Tompo. Matetika isika no tsv mahatadidv izay efa nataon'nv Tompo tamintsika. Tsarovy àry, tia antsika Andriamanitra ka namonjy sy nanafaka antsika tamin'ny fanandevozan'ny fahotana tamin'ny alalan'ny hazo fíjalian'i Kristy. Ilaina ny mamerina sy mampahatsiahy izany mba hahatsapana nv fanatrehan'ny Tompo.

2- Miomàna hiatrika nv ho avy
Ny tantara dia mampiseho fa miankina betsaka amin'ny fankatoavana na tsia ny sitrapon'Andriamanitra ny fitahiana sy ny fanambinana ho an'ny olony. Vonona hanome fitahiana sy fanambinana ary hiantoka feno ny hoavintsika ny Tompo. Fa izay takiany kosa dia ny hanatanterahantsika ny fanekeny. "Dia tandremo ny tenin 'izao fanekena izao, ka araho. mha hambinina hianareo amin 'izay rehetra ataonareo. " (Deo 29, 8)

Fanontaniana:
Inona no mba tsaroanao tamin'izay niarahan'ny Tompo taminao?

mercredi 24 janvier 2018

Alarobia 24 Janoary 2018 - Sal 97 : 7 - 12

7Aoka ho menatra izay rehetra manompo sampy
sy mirehareha amin'ny zavatra tsinontsinona!
Aoka hiankohoka eo anoloan'ny Tompo
ianareo andriamanitra rehetra!
8Mandre izany i Tsiôna ka miravo;
ireo tanànan'i Joda mifaly
noho ny fifehezanao, TOMPO ô,
9satria IANAO no Ilay Avo Indrindra eran-tany
sady ambonin'ireo andriamanitra rehetra.
10Ianareo fatra-pitia ny TOMPO, mankahalà ny ratsy
fa miaro ny ain'ireo mpivavaka aminy Izy
ka manafaka azy tsy ho voatanan'ny olon-dratsy.
11Misy hazavana mamiratra ho an'ny olo-marina,
ka mitondra haravoana izany ho an'ny mahitsy fo.
12Mifalia ao amin'ny TOMPO,
ianareo olo-marina;
manaova fiderana Azy
ka tsarovy fa masina Izy.

Manana hafatra ho antsika ny Tompo mpanjaka

Eto amin'ity Salamo ity dia misongadina ny maha Mpanjaka an'Andriamanitra. Mitodika amin'ny sokajin' olona roa nv hafatra:

1- Ho an'ireo izav manompo sampy (and.7)
Aoka ho menatra izay rehetra manompo sampy (and.7- DIEM). Asehon'ny mpanoratra etoana fa tsy azo ampitahaina velively amin'Ilay Andriamanitra Avo indrindra ambonin'ny tany rehetra ny sampy sy ny andriamani tsy izv, izay tsinontsinona (and.9). Mampalahelo fa ankehitriny dia toa miha mahazo sy omena vahana ny fanompoan-tsampy. Ambaran'ny mpanao Salamo fa ny olona mbola manompo sampy dia olona mirehareha amin'ny zava-tsinontsinona. Voararan' ny Didy folo ny fanompoan-tsampy. Aoka ho menatra izay rehetra manompo sampy ka hiala amin' izany. Aoka kosa tsy ho menatra fa ho sahy. izay rehetra mijoro ho vavolombelon'ny Tompontsika!

2- Ho an'ireo izav tia an'i Jehovah (and.10) "Ianareo izay fatra-pitia ny Tompo, mankahalà ny ratsy (DIEM'). Anarina kosa ireo izay tia sy manompo an'i Jehovah mba tsy hanao ratsv. Na dia manenjika aza ny fahavalo sv izav ta-hanisy ratsy, ny olona manao nv marina eo anatrehan'Andriamanitra dia hamirapiratra mandrakariva ny fiainany. Ary izanv no mitarika azv hifaly sy hidera an'Andriamanitra. Miaro ny ain'ireo izay mivavaka Aminy nv Tompo, ka manafaka azy tsy ho azon'ny fahavalo sy izay ta-hanisv ratsy. Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananv.

Fanontaniana:
Kristiana, hono "izy" kanefa miafma manompo sampy. Nahoana?

mardi 23 janvier 2018

Talata 23 Janoary 2018 - Sal 145 : 8 - 14

HETA
8Miantra sy be indrafo ny TOMPO,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana145.8 Jereo Sal 86.15; 103.8.;

TETA
9tsara amin'ny olon-drehetra ny TOMPO,
be indrafo amin'ny asany rehetra.

JODA
10TOMPO ô, midera Anao ny asanao rehetra;
misaotra Anao ny mpivavaka aminao.

KAFA
11Resahiny ny fanjakanao be voninahitra
ary teneniny ny asanao mahery

LAMEDA
12mba ho fantatry ny olona ny asanao mahery
sy ny fanjakanao be voninahitra sy malaza.

MEMA
13Fanjakana maharitra mandrakizay ny fanjakanao;
amin'ny taona mifandimby ny fanapahanao.

NONA
Mahatoky amin'ny fampanantenàny rehetra ny TOMPO
ary be fitiavana amin'ny asany rehetra145.13 Ny andalany roa farany amin'ity and 13 ity dia tsy ao amin'ny RM kanefa voatahirin'ny stf hebreo anankiray sy hita ao amin'ireo dkt tranainy ary tao Komrano. Sady raha tsy eo ireo andalana ireo, dia tsy misy andalana manomboka litera Nona amin'ity salamo araka ny abidỳ ity..

SAMEKA
14Ny TOMPO no manohana izay rehetra ho lavo
sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.

Mendrika ho deraina ny Tompo

Mendrika ho deraina ny Tompo satria:

1- Mamindra fo sy miantra Izv (and. 8)
Ny hoe mamindra fo dia azo adika hoe: tsy mampihatra ny sazy sy fanamelohana ho an'izay tokony ho niharan' izany. Raha ny fahotantsika, dia tokony helohina ho faty eo anatrehan'ny fitsaran'Andriamanitra isika, saingy mbola miantra sy mamindra fo sy antsika Izy ka namela ny fahadisoantsika. Ny fahafatesan'i Kristy dia fahatanterahan'izany ho antsika.

2- Manisy soa izao rehetra izao Izv (and.9)
Na ny olombelona, na ny zavaboary dia samy heniky ny fahatsaram-pon'Andriamanitra. Izy no anton'ny hatsarana sy ny fitahiana rehetra izay iainana sy iveloman'ny olona isanandro. Izay rehetra mahatsapa ny asa soa sy ny fitahiana nataony dia hahay misaotra sy mankasitraka Azy.

3- Mpanjaka be voninahitra Izy (and. 11-13)
Miseho eny amin'ny zavaboariny ny toetra maha Andriamanitra Azy: ny voninahiny sy ny fanjakany, ny heriny sy ny fahefany (and.ll)...Raha izay lazaina ho manam-pahefana sy mpanapaka eto amin'izao tontolo izao aza omentsika voninahitra sy haja, dia aoka mba tsy ho latsa-danja noho izany ny fìderantsika ny Tompo. Izy no Mpanjaka mandrakizay sady Tompon'ny fahefana rehetra.

Fanontaniana:
Manjaka sy manapaka ao amin'ny Fiangonana tokoa ve Jesoa?

lundi 22 janvier 2018

Alatsinainy 22 Janoary 2018 - II Mpa 19 : 14 - 19

14Ary noraisin'i Hezekià ny taratasy nentin'ireo iraka asirianina ka novakiny; avy teo izy dia niakatra tao an-tranon'ny TOMPO ka namelatra izany taratasy izany teo anatrehan'ny TOMPO, 15ary nivavaka tamin'ny TOMPO nanao hoe: «Ry TOMPO Andriamanitr'i Israely ô, Ianao Izay mipetraka eo ambony kerôbima19.15 Jereo Eks 25.22., Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra eto an-tany, satria Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany. 16TOMPO ô, mba atongilano ny sofinao ka mihainoa; TOMPO ô, mba ahirato ny masonao ka mijere; ary aoka ho renao ny teny izay nampitondrain'i Saneheriba hanevatevana Anao Andriamanitra velona. 17TOMPO ô, marina fa ireo mpanjakan'i Asiria dia nandringana ny hafa firenena sy nandrava ny taniny; 18ary nodorany tamin'ny afo sy nosimbany aza ny andriamaniny satria tsy Andriamanitra ireny fa asan'ny tanan'olombelona, vato aman-kazo ihany. 19Fa ankehitriny kosa ry TOMPO Andriamanitray ô, vonjeo tsy ho azon'ny tanan'i Saneheriba izahay mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra etỳ an-tany fa Ianao irery ihany, TOMPO ô, no Andriamanitra.»

Andriamanitry ny fanjakana rehetra ny Tompo

Ny tantara ao amin'ny Soratra Masina dia mampiseho miharihary fa ny mpitondra izay nanankina ny asany sy ny fahatokiany tamin'Andriamanitra ihany no tena nahita fahombiazana amin'izay rehetra nataony. Iray tamin'ireny ny Mpanjaka Hezekia: ny vavaka izay nataony dia fampianarana tsara ho antsika:

1- Manetre tena eo anatrehanv
Niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra ny taratasy 'teo anatrehany sady nivavaka (and. 14). Na dia mpanjaka sy manam-pahefana aza Hezekia dia nanetry tena ka nivavaka hoe: "Hianao dia hianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin 'ny tany. "(and.15, 19). Avoka mba ho toy izany avokoa izay rehetra omen'Andriamanitra fitondrana sy fanapahana ka hahatsiaro fa Andriamanitra no tompon'ny hery sy fahefana rehetra. Izy no nanao ny lanitra sy ny tany. Izy irery no Andriamanitra, fa ny andriamanitry ny jentilisa dia tsinontsinona.

2- Ankino Aminv nv adv rehetra
Sady mihantsv ady nv miaramilan'i Sankeriba no mampihorohoro fatratra. Nankininv tanteraka amin'ny Tompo izany ady izay hatrehiny izanv, Ary tsy nisy nafeniny teo anatrehany tamin'ny alalan'ny fitarainana am- bavaka. Amin'nv hasarotam-piainana sy ny ady atrehina amin'izao fíainana izao dia ny mametraka izany ho eo am-pelatanan'ny Tompo no tsara indrindra. Jesoa no efa nitondra nv adv sarotra rehetra izay tokony ho nentintsika. Aoka Izy no hiadv.. , fa hianao kosa hangina! (Eks.14,14)

Fanontaniana:
Inona no andraikitry ny mpitondra fivavahana amin'ny fírenena?

dimanche 21 janvier 2018

Alahady 21 Janoary 2018 - Jod 24 - 25

24Ho an'Andriamanitra tokana anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay miaro anareo tsy ho solafaka amin'ny fahotana, Izy no mahay mampijoro anareo tsy hanan-tsiny ka haheni-karavoana anareo eo anoloan'ny voninahiny; 25Izy no Mpamonjy antsika amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika. Eny, ho an'Andriamanitra tokana anie ny voninahitra sy ny laza ary ny fanjakana sy ny fahefana hatramy talohan'ny taona rehetra sy ankehitriny ary mandrakizay! Amen.

Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Ny epistily nosoratan'i Joda dia nokendrena indrindra mba hahaizan'ireo kristiana hijoro ho mahatoky amin'ny finoana izay tanany ary koa hanoherana ireo mpampianatra ratsy izay mitaona ny olona handà ny Tompo. Izao no hafatra amaranany izany:

1- Andriamanitra tokana nv Izy
Na dia mbola eto amin'izao tontolo izao aza no olony dia tsy mamela azy ho irerv ny Tompo fa eo anilany mandrakariva ary miaro ny tongony tsy ho tafintohina. ì'sv ho lavo izy na dia eo aza ny fandrika sy ny fingampingana rehetra. Tsy hahavoa azy izany satria ny Tompo mihitsy no miandany aminy sy miaro azy amin'ny ratsy (Jao 17, 15).

2- Miaro anareo tsv ho tafintohina Izv
Na diambola eto amin'izao tontolo izao aza no olony dia tsy mamela azy ho irerv ny Tompo fa eo anilany mandrakariva ary miaro ny tongony tsy ho tafintohina. Tsy ho lavo izy na dia eo aza ny fandrika sy ny fingampingana rehetra. Tsy hahavoa azy izany satria ny Tompo mihitsy no miandany aminy sy miaro azy amin'ny ratsy (Jao 17, 15).

3- Mametraka anareo tsv hanan-tsiny izv
Ho avv amin-boninahitra ny Zanak'olona, Arahin'ny anjely rehetra (Mat 25, 31). Amin'izay andro izay dia Izy mihitsy no hametraka ny olony tsy hanan-tsinv eo anoloan'ny voninahiny. Fahefany no hanamarina nv olom- boafidinv eo anoloan'nv fitsaran'Andriamanitra ka hampiditra azy ireo ho amin'ny fiainana mandrakizay.

Fanontaniana:
Ahoana ny fandraisanao ny tsodrano any am-piangonana

samedi 20 janvier 2018

Sabotsy 20 Janoary 2018 - Amo 5 : 21 - 17

21«Hàlako, maharikoriko Ahy ny fety fivahiniananareo;
ary tsy sitrako ny fivoriam-pivavahanareo.
22Na dia anateranareo sorona dorana manontolo
sy fanatitra hohanina aza Aho,
dia tsy hankasitrahiko izany;
ary tsy hojereko akory ny zanak'omby matavy
aterinareo ho sorom-pihavanana5.22 and 21-22: ampit Is 1.11-14..
23Halaviro Ahy ny finaonaonan'ny hiranareo;
tsy tiako hohenoina ny feon-dokanganareo.
24Aoka ny rariny hikoriana toy ny rano
ary ny fahamarinana ho tahaka ny renirano tsy mety ritra!
25Ry taranak'i Israely,
moa nanolotra sorona sy fanatitra ho Ahy ve ianareo
nandritra ny efapolo taona tany an-taniefitra?
26Ary nentinareo ve ny sarin'i Sikota, ilay sampy mpanjakanareo,
sy ny sarin'i Kiona5.26 Ary nentinareo ve...: misy mihevitra hoe Raha izany àry dia hoentinareo (any am-pahababoana)... –i Sakota sy i Kevàna: andriamanitry ny Asirianina; ny mpandika sora-tanana hebreo dia ninia nandiso ny fanonona ireo anarana roa ireo raha nanome azy ireo ny zana-tsoratry ny teny hoe siqqous (mahatsiravina); izany no niavian'ny dika soratra mahazatra Sikota sy Kiona. –Ny and 25-27 dia tanisaina ao amin'ny Asa 7.42-43 saingy araka ny dkt tranainy grika., ilay kintana andriamanitrareo,
izay samy sary nataonareo ho anareo? Tsia!
27Koa halefako ho babo any ambadika lavitr'i Damasy ianareo.
Izaho TOMPO no miteny izany;
ilay Andriamanitr'izao rehetra izao no anarako.»

Manaova fanoinpoam-pivavahana ankasitrahana

Teto dia tena nandroso ny fari-piainan'ny Israely, mandroso ny lafiny ara-toe-karena; miraondraona ery ny hira sy ny feon-dokanga raha mivavaka. eo koa ny fanaovana sorona sy fanatitra.Tsy nankasitrahan'ny Tompo anefa izanv. Ny lesona dia izao:

1- Aza mihatsaravelatsihy eo anatrehan'ny Tompo
 "Halako, maharikoriko Ahy ...ary tsy sitrako ny fìvoriam- pivavahanareo!"(and.21). Nahoana? Satria mifanohitra amin'izay hita taratra ety ivelany nv fíainana ara-panahy: nivangongo teo anatrehan'ny olom-bitsy ny harena, nanjaka ny kolikoly sy ny tsindrihazolena. voahosihosy ny mahantra sy ny malahelo, feno fihatsaram-belatsihy sy fahavetavetana ny fanompoam-pivavahana: ny fanompoan-tsampy tsy nafoy. Ilaina ny fanaovana fivahinianana masina. ny mamonjv fotoam-pivavahana rehetra, ny manao rakitra be dia be, voadv... sns...kanefa aoka tsy ho amin'ny fihatsarambelatsihy no anaovana izany. Mandiniha tena aloha!

2- Manaova nv rarinv sv ny marina
"Aoka ny rariny hikoriana tov ny rano, ary ny fahamarinana ho tahaka ny renirano tsy mety ritra ". (and. 24).Tokony ho hita taratra amin'ny fiainana andavanandro nv fivavahana izav atao. Manana adidy hanasoa ny mpiara-beiona amintsika isika; manana adidy hijoro ho vavolombelon'ny Tompontsika isika ka ho sahv hiady ho fampanjakana nv rariny sv ny fahamarinana. Izany no tsara sady ankasitrahana eo imason'ny Tompo.

Fanontaniana:
Azo antoka ve fa mankasitraka ny fanompoam-pivavahana ataontsika ny Tompo? Nahoana?

vendredi 19 janvier 2018

Zoma 19 Janoary 2018 - Jao 4 : 46 - 54

46Tamin'izay i Jesoa dia nankany Kanà tanànan'i Galilea indray, tany amin'ilay nanovany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray4.46 nanaovany ny rano ho divay: jereo 2.1-11. –tandapa: ny voambolana grika dia manondro manamboninahitra miasa ho an'ny mpanjaka Herôda Antipasy. nanan-janaka lahy narary tany Kafarnahòma. 47Rehefa reny fa hoe tonga ao Galilea avy tany Jodea i Jesoa, dia nanatona Azy ilay tandapa ary niangavy Azy mba hidina any Kafarnahòma hanasitrana ny zanany lahy efa ho faty. 48Ka hoy i Jesoa taminy:
–Raha tsy mahita famantarana sy zava-mahagaga ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy!

49Fa novalian'ilay tandapa hoe:
–Midîna re, Tompoko, dieny mbola tsy maty ny zanako!

50Ka hoy i Jesoa taminy:
–Ndeha mody, fa velona soa aman-tsara ny zanakao!

Nino ny teny voalazan'i Jesoa taminy ralehilahy, ka lasa nody. 51Efa teny an-dalana midina ho any Kafarnahòma izy no tamy nitsena azy ny mpanompony ka nilaza hoe:
–Velona soa aman-tsara ny zanakao!
5
2Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany ka hoy ireo taminy:
–Omaly tamin'ny iray tolakandro no nialan'ny tazo taminy.
5
3Koa fantatry ny rain-drazazalahy fa tamin'izany ora izany indrindra no nanaovan'i Jesoa taminy hoe: «Velona soa aman-tsara ny zanakao»; dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra4.53 Ampit Asa 11.14; 16.14-15,31..

54Izany no famantarana faharoa4.54 Ampit 2.11. nataon'i Jesoa, dia fony Izy tonga tao Galilea avy tany Jodea.

Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Nisy tandapa iray tao Kapernaomy, nanana zanaka narary. Nandeha nankany amin'i Jesoa izy ka niangavy Azy mba hidina ho any an-tranony hahasitrana ny zanany izay efa ho faty. Toa tsy mifanaraka amin'izay nangatahany anefa ny valin-tenin'i Jesoa raha nilaza Izy hoe:" raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo dia tsy mba hety hino mihitsy"(and.48).

1 - Tsv voafetran'nv elanenan-toerana ny fahefany
Ny Galiliana dia tsy mba nety nino afa-tsy izay hitan'ny masony. Ny hanala ilay tandapa amin'izay toe-tsaina izany no nokendren'i Jesoa eto raha nilaza izy hoe: "Andeha mody, velona ny zanakao"(and.50). Nino ny teny izay nolazain' Jesoa ilay lehilahy ka lasa nody. Na dia tsy nankany an-tranon'ilay tandapa aza Jesoa dia nahasitrana ilay marary kosa. 24 km eo ho eo ny elanelana. Mampiseho amintsika izany fa tsy voafetran'ny toerana na ny elanelan-tany ny fahefan'i Jesoa.

2 - Tsv voafaritrv ny fahalalan'olombelona nv fahefany
Tonga nino an'i Jesoa ilay tandapa rehefa nihaona sady niresaka taminy. Ny ankohonany rehetra koa tonga nino Azy, na dia tsy nihaona taminy akory aza ,fa nijanona tany Kapernaomy. Ny aretina izay noheverina ho fahafatesana no fiafarany, no indro tonga fifaliana sy famonjena lehibe ho an'ny rehetra. Tsy takatry ny saina sy ny fahalalana amin'ny maha olombelona izany. Koa aza mamoifo, matokia Azy, na inona na inona mitranga fa tsy izay miseho ety ivelany no hamaritra ny fahefan'ny Tompontsika.

Fanontaniana:
Tsapanao ve fa misy mivavaka ho anao any ho any?

jeudi 18 janvier 2018

Alakamisy 18 Janoary 2018 - II Tan 20 : 5 - 9

5Voahodidin'ny mponin'i Joda sy i Jerosalema tafangona i Jôsafata no nijoro tao an-tranon'ny TOMPO, teo anoloan'ilay kianja vaovao, 6ka nivavaka nanao hoe:

–Ry TOMPO Andriamanitry ny razanay ô, Ianao tokoa no Andriamanitra any an-danitra. Ianao no mifehy ny fanjakana rehetra eo amin'ny firenena isan-tokony, ary eo an-tananao ny hery amam-pahefana ka tsy misy mahatohitra Anao. 7Ry Andriamanitray ô, Ianao no nandroaka ny mponina tamin'ity tany ity hiala teo anoloan'i Israely vahoakanao ka nanome mandrakizay an'izany ho an'ny taranak'i Abrahama sakaizanao20.7 Jereo Is 41.8; Jak 2.23.. 8Ary nonina teto izy ka nanorina Toeramasina ho an'ny anaranao sady niteny hoe: 9«Raha manjo anay ny loza, na ady na famaizana na areti-mandringana na mosary, ka hijoro manatrika ity tempoly ity izahay, fa ny anaranao no amin'ity trano ity, ary hiantso vonjy aminao noho ny fahorianay, dia hihaino Ianao ka hamonjy20.9 Jereo 6.28-31..»

Raha sendra ady sarotra ianao. dia makà lesona avy amin' ity vavaka nataon'i Josafata ity fa tena mahasoa tokoa:

1- Miantomboka amin'ny fiderana nv herin' Andriamanitra
"Tsy lanao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny Ianao no manapaka amin 'ny fanjakana jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana. ka tsv misy mahasakana Anao" Tena fiderana an' Andriamanitra noho ny herv sy ny fahefany tsy misy fetra no anombohany ny vavaka. Manana anjara toerana lehibe eo amin'ny vavaka mantsy ny fìderana an'Andriamanitra. Aoka hanokana fotoana ho amin'izany hatrany isika amin'ny vavaka rehetra izay asandratra. fa tsy nv fangatahana foana no hahamaika. Fantany izay tokony ho antsika, na dia mbola tsy miloa- bava akory aza isika. Mahaiza midera an' Andriamanitra!

2- Mampahatsiahv izav efa nataon'nv Tompo tainin'ny lasa
Miomana hanafika an'i Joda ny Moabita sy ny namany. Tora-kovitra nv mpanjakan'ny Joda raha nahare izany. Tsv nanaiky ho resin'ny tahotra anefa izy ka nitady an'i Jehovah. Ao anatin'nv vavaka no ampahatsiahivany ny asa fampanantenana sy fanavotana efa nataon'Andriamanitra tamin'ny lasa. dia ny nanomezany azv ireo tany honenana araka ny teny fikasana. Raha mandinika izay nataony tamin'nv lasa ny mpanjaka dia hahazo toky avy hatrany ny amin'ny famonjena izay hatolony (and.9). Tsarovy izay efa nataony ho antsika tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy ary izany no aoka hanantenantsika Azy amin'ny ho avy rehetra.

Fanontaniana:
Tena manome lanja ny fiderana ve ny vavaka ataontsika?

mercredi 17 janvier 2018

Alarobia 17 Janoary 2018 - Mar 9 : 19 - 27

19Dia hoy i Jesoa tamin'ny vahoaka:
–Karazan'olona tsy mino ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!

20Dia nentiny teo aminy izy. Raha vao nahita an'i Jesoa ilay fanahy, dia nataony mifanintontsintona ilay zaza ka nianjera tamin'ny tany ary niolanolana sy nandoa vory.

21Ary nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa hoe:
–Hatramin'ny oviana izao?

Dia hoy ny rainy:
–Hatramin'ny fahakeliny. 22Ary matetika izy no nazeran'io fanahy io tany anaty afo sy tany anaty rano hamonoana azy; koa raha misy efanao re, dia mamindrà fo aminay ka vonjeo izahay!

23Fa hoy ny navalin'i Jesoa azy:
–Raha misy efako hoe? Tsy misy tsy efan'izay mino!

24Avy hatrany ilay rain'ilay zaza dia niantsoantso mafy nanao hoe:
–Mino aho, nefa vonjeo fa tsy ampy finoana.

25Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe:
–Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin'io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!

26Dia ninananana ilay fanahy sady nampifanintontsintona mafy ny zaza no niala taminy. Nitsitra toy ny maty ilay zaza ka nataon'ny maro hoe maty. 27Fa noraisin'i Jesoa ny tanan'ilay zaza hanarenany azy; dia tafatsangana tokoa izy.

Manana fahefana hahasitrana nyaretina rehetra ny Tompo

Nisv olona nitondra nv zanany azom-panahy moana sy marenina teo amin'ny mpianatra mba hositranina, nefa dia nahagaga fa tsy nahasitrana azy ireo. Nambaran'ny rain'ilay marary tamin'i Jesoa izany toe-javatra izany. Ary dia nositranin'i Jesoa ny marary ka sitrana tokoa. Manapaka amin'ny fahelany ny Tompo ka afaka manasitrana na dia izay aretina tsy hain'ny olona sitranina aza :

1- Aretina ara-nofo
Zava-dehibe ho an'ny marary sy ny fianakavian'ny marary ny hahazoana fahasitranana. Ary izany no mahatonga antsika tsy hitandro vola aman-karena, mivezivezy mitety toeram-pitsaboana samy hafa: eny tonga hatrany amin'ny mpimasy sy ny mpisikidy aza nv mpivavaka sasany.... Tsotra ny Tenin'i Jesoa: "Ento ety amiko izy!"(and 19d). Ento ho eo amin'i Jesoa ny aretinao rehetra, ento ho eo Aminy ny marary. manana fahelana hahasitrana Izy.

2- Aretina ara-panahv
Ny aretin-janany no nahatonga an-dralehilahy hanatona an'i Jesoa. Kanefa rehefa tonga teo aminy Jesoa dia hita fa samy narary izv mianaka. ary ny aretin'ny rainy aza no ratsiratsy kokoa. Tsv inona izany fa ny tsy finoana. Izany indrindra no mahatonga an'i Jesoa hiteny hoe: "Ry taranaka tsy mino!"(and. 19): ny zavatra rehetra dia hain'ny mino" (and.23)". Nalahelo mafv noho nv tsy finoany ilav lehilahy ka nangataka tamin'i Jesoa nanao hoe: "Vonjeo aho ho afaka amin 'ny tsy finoako "(and.24). lanao koa. minoa an'i Jesoa, dia hovonjena ianao sv nv ankohonanao!

Fanontaniana:
Moa misy aretina tsy hain'ny Tompo sitranina ve?

mardi 16 janvier 2018

Talata 16 Janoary 2018 - Kol 2 : 8 - 15

8Mitandrema fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny fahendren'olombelona sy ny famitahana foana: ny fampianarana ampitain'olombelona sy ny herin-javatr'izao tontolo izao2.8 Jereo Gal 4.3 sy nta. no iorenan'izany fa tsy i Kristy; 9satria ao amin'i Kristy, araka ny maha olombelona Azy, no mitoetra tanteraka ny hafenoan'ny fomban'Andriamanitra. 10Ka efa heni-tsoa tokoa ianareo satria tafaray amin'Ilay ambonin'ny fanapahana sy fahefana isan-tokony.

11Noho ny firaisana amin'i Kristy, dia voafora ianareo nefa tsy tamin'ny famorana nataon-tanan'olona fa tamin'ny famorana nataon'i Kristy, izany hoe famorana manaisotra ny herin'ny maha olona mpanota; 12fa tamin'ny nanaovana batisa anareo, dia niara-nilevina tamin'i Kristy ianareo ary niara-nitsangana taminy koa, satria nino ny herin'ilay Andriamanitra nanangana Azy ho velona avy tany amin'ny maty2.12 Ampit Rm 6.4.. 13Maty ara-panahy ianareo fahiny noho ny fahadisoanareo ary noho ianareo tsy voafora tamin'ny maha olona mpanota; ankehitriny kosa, dia novelomin'Andriamanitra niaraka amin'i Kristy ianareo, rehefa navelany avokoa ny fahadisoantsika. 14Novonoiny ny sora-tanana namely antsika, dia ilay nirakitra ny didy niampanga antsika; ary mova tsy nofantsihany teo amin'ny hazofijaliana izany sora-tanana izany ka nofoanany tsy hanan-kery intsony. 15Koa ny hazofijaliana no nandravan'i Kristy ny herin'ny fanapahana sy fahefana2.15 fanapahana sy fahefana: jereo 1.16 sy nta. –Koa ny hazofijaliana... fahefana: dkt hafa Koa nanafaka ny tenany tamin'ny herin'ireo fanapahana sy fahefana ireo i Kristy: ampit 1Kôr 15.24.; dia nataony babo ireo ka nanjohy ny matsom-pandreseny ary nasehony miharihary ho fizàhan'ny olona.

1- Mitandrema amin'nv fampianaran-diso (and.8)
Nanoratra ity epistily ity ny apostoly Paoly ho fiarovana ny Fiangonana amin'ny fampianaran-diso izay niely tany Kolosy, fampianarana izay nampifangaro ny fìvavahana sy ny fomban-drazana. Maro no nankafy, na dia hita aza fa manohitra ny finoana kristiana tsotra izao. Izay tsv mitandrina dia nety ho babo ka hiala amin'ny amin'nv finoana marina. Mety hiovaova ny endrika isehoan'ny fampianaran-diso, izany dia arakaraka ny vanim-potoana sy ny toe-javatra iainain'ny olona. Fa izay kendreny kosa dia ny hampiala antsika amin'ny finoana ny Filazantsara. Aoka isika hiambina mba tsy ho babon'ny fampianarana mamitaka.

2- Kristy irerv no nanavotra antsika (and 10-15)
Ny famonjena omen'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristv dia ampv tanteraka ho antsika ka tsy mila ampiana zavatra hafa intsony. Famoràna ara-panahy no efa notanterahin'i Kristy ho an' ny mpino tamin'nv alalan'ny fahafatesany teo amin'ny Hazo fijaliana. Ny batisa no famantarana izanv, ka izay rehetra natao batisa dia efa navotana ho afaka amin'nv fahotana. Izany no fanavotan' Andriamanitra antsika tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:
Ahoana no ahaizantsika mamantatra ny fampianaran- diso ?

lundi 15 janvier 2018

Alatsinainy 15 Janoary 2018 - Isa 40 : 27 - 31

27Ry vahoaka Israely, firenen'i Jakôba,
nahoana ianao no miteny sy manamafy hoe:
«Tsy hitan'ny Tompo akory izay mahazo ahy,
lalovan'Andriamanitra fotsiny ny zoko?»
28Tsy fantatrao sady tsy efa renao va
fa ny TOMPO dia Andriamanitra mandrakizay?
Izy no namorona ny tany manontolo.
Tsy mba reraka Izy na sasatra,
ary tsy misy fetra ny fahalalàny.
29Manome hery ny reraka Izy
ary manatanjaka ny malemy.
30Ny tanora aza dia mihareraka sy mety sasatra,
ny mahery tompon-daka aza dia mety ho solafaka.
31Fa izay matoky ny TOMPO kosa
dia hahazo hery vaovao hatrany,
ka hisidina ambony toy ny voromahery.
Hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra,
handeha izy nefa tsy ho reraka.

Andriamanitra mandrakizay Tompontsika

Toetran'Andriamanitra ny « mandrakizay » : Andriamanitra mandrakizay Jehovah (and.28). Andriamanitra tsy miova no dikan'izany. ary tsy voaovan'ny fotoana ny toetrany. Tsy miova Izy ka mahazo antoka izay mitoky Aminy.

1- Hanome fanantenana antsika Izv
« Izav miandry an'I Jehovah dia handroso hery kosa » (and.31). Nomena antsika matetika teto fa mitovy hevitra nv miandry sv manantena ao amin'nv Soratra Masina. Noho ny toetran'Andriamanitra tsv miova, Andriamanitra mandrakizay dia azo antenaina Izy. Koa raha nanao zavatra ho antsika Izy tamin'ny lasa dia hanao izany koa Izy amin' ny ho avv. Raha nanafaka ny vahoaka Izv tany Egypta dia hanafaka nv Fiangonana sy ny vahoaka gejaina sy ampahoriana koa Izy ankehitriny sy amin'ny ho avy. Izanyno fanantenantsika ka hiandry azy isika! Ny nanomezan'i Jesoa antsika fiainana. tamin'ny nandreseny ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita no tendron'izany fanantenantsika izany.

2- Hanome herv sy tanjaka ho antsika Izy
« Elatra no hiakareny tahaka ny an 'nv voromahery » (and.31b). Mitaona antsika haka sary an-tsaina ny fiainan'ny voromaherv ny teny eto. Mahintsam-bolo amin'ny fotoana sasanv ny voromahery ka tsy afa- manidina ary ísy afa-mihetsika. Tsy maintsy miandry fotoana hanirian'ny volon' elany vaovao indray izv, ka amin'izay dia hanan-kery sy tanjaka tsy hay fefena (and.3lb). Toy izanv ny fiainan'izay miandry sy manantena an'Ilay Andriamanitra mandrakizay, tsy miova. Tsy iza izany fa i Jesoa Kristy (Heb 13, 8).

Fanontaniana:
Moa ananana fanantenana ve izay manan-toetra miovaova ?

dimanche 14 janvier 2018

Alahady 14 Janoary 2018 - Mar 1 : 21 - 28

21Dia nankany an-tanàna atao hoe Kafarnahòma i Jesoa mbamin'ireo mpianany efa-dahy; ary raha vao tonga ny sabata, dia niditra tao amin'ny sinagôga i Jesoa ka nampianatra tao. 22Talanjona ny olona nihaino ny fampianarany, satria nampianatra azy tamin-pahefana i Jesoa, fa tsy tahaka ireo mpahay lalàna. 23Tamin'izay indrindra, tao amin'ny sinagôgan-dry zareo, dia nisy lehilahy azon'ny fanahy maloto 24ka niantsoantso mafy hoe:
–Fa hataonao inona izahay, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga handringana anay ve Ianao? Fantatro anie fa Ianao no ilay Masina avy amin'Andriamanitra e!

25Notenenin'i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe:
–Mangina, ary mialà amin-dralehilahy io.

26Dia nampifanintontsintona an-dralehilahy ny fanahy maloto ary nikiakiaka sady niala taminy.

27Raiki-tahotra ny olona rehetra ka nifanontany hoe:
–Inona ity? Izany ka fampianarana vaovao ombàm-pahefana! Na dia ny fanahy maloto aza, baikon'ity olona ity ka manaiky Azy!

28Ary poatoizay dia niely eran'ny faritany Galilea manontolo ny lazan'i Jesoa.

Mpampianatra manana fahefana i Jesoa

1- Miavaka noho nv an'nv hafa nv fampianaranv
Tokony ho tamin'ny andron'i Ezra no naorina ny Synagoga, hihainoana ny fanazavana ny Soratra Masina. Saika ny tanàna lehibebe misy fianakaviana mihoatra ny folo no nanorenana izany. Tsy nisy mpampianatra tamin'ny Synagoga sasany, ka izay mpampianatra sendra nandalo dia niangaviana mba hampianatra ao. Nandalo tao Kapemaomy i Jesoa indray Sabata. Niavaka ny fampianarany ka talanjona ny olona, satria fampianarana misy fahefana ! Ny mpanora- dalàna sasany rehefa nampianatra dia saiky mitanisa ny tenin'ireo Raby malaza fotsiny; Tenin'Andriamanitra marina misy fahefana kosa no nohazavain'i Jesoa. Raiso ho antsika izany, ka omeo lanja ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny fiangonana sy ny toriteny fa tsy ny tenin'olo- malaza na fahalalana tsara lahatra. Raiso sy ifotory ny Tenin' Andriamanitra, dia hiseho ny fahefan'i Kristy ao amin'ny fiangonany, ary ho hitantsika }» ho talanjona izay rehetra mihaino ny Fiangonana.

2- Miseho amin'ny asa nv fahefanv
Fampianarana nahatalanjona ny mpihaino, noho ny fahefana nananany no nataon i Jesoa (and. 22). Io hery sy fahefan'ny Teniny io dia nasehony tamin'ny asa, ka rehefa niteny mafy ny fanahy maloto Izv, dia nanaiky Azy izanv ary niala tamin- dralehilahy (and.25.26). Miseho amin'ny asa ny hery sy ny fahefan'ny Tenin'ny Tompo, ary fahefana mandresy ny ratsy. Hain'ny tenin'Andriamanitra resena ihany koa ny ratsy eo amintsika rehefa mandray ny manaiky ary mino izany isika.

Fanontaniana:
Ny vavaka ve sa ny Tenin'Andriamanitra no omen'ny mpino lanja sy mibahan-toerana kokoa eo amin'ny fiainany?

samedi 13 janvier 2018

Sabotsy 13 Janoary 2018 - Neh 1 : 4 - 11

4Rehefa nandre izany vaovao izany aho, dia nipetraka nitomany sy niferinaina andro maromaro sady nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra 5ka nanao hoe:

–Indrisy, ry TOMPO Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra! Mitandro ny fanekempihavanana sy famindrampo Ianao amin'izay mitia Anao sy mitandrina ny didinao; 6koa enga anie Ianao hihaino sy hijery ahy! Ekeo ny vavaka izay ataoko aminao ankehitriny fa mpanomponao aho. Andro aman'alina aho no mivavaka aminao ho anay Israelita mpanomponao; avelao heloka izahay fa miaiky ny fahotana nataonay taminao aho. Eny, izaho sy ny razako samy efa nanota avokoa; 7efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay, ka tsy nitandrina ny didy sy lalàna amam-pitsipika nampitainao tamin'i Mosesy mpanomponao. 8Tsarovy ilay teny nasainao nolazain'i Mosesy mpanomponao hoe: «Raha manao izay mahadiso ianareo, dia haeliko any amin'ny firenen-kafa1.8 Jereo Lev 26.33; Deot 4.27; 28.64; 9nefa raha miverina amiko ianareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiko, na dia hisy voasesy any am-paran'ny tany aza ianareo, dia hangoniko avy any sy hoentiko ho ao amin'ilay toerana voafidiko hiatrehanareo Ahy1.9 Tsy rijan-teny anankiray ao amin'ny Pentateoka no tsiahivina ara-bakiteny eto amin'ny and 8b-9; kanefa hevitra mitovy amin'izany no ambaran'ny Deot 30.1-5..» 10Tompo ô, mpanomponao sy vahoakanao izahay sady efa navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny fahefànao tsy hay tohaina. 11Koa mitalaho aminao aho, Tompo ô; aoka Ianao hihaino ny vavaka ataoko sy ataon'ireo mpanomponao rehetra izay faly manaja Anao. Hambininao anie aho ka hataonao mahazo famindrampo eo imason'ny amperôra!

Mpandroso divay ho an'ny amperôra aho tamin'izay.


Andriamanitra lehibe sy matahotra ny Tompo

1- Mihaino izav mivavaka Aminv lzv
Nalahelo mafy sy nitomany i Nehemia ka nivavaka sy nitady hanina (and.4 sy and.ll), raha nandre ny fahoriana sy fahavoazan'ny olona nody avy tamin'ny fahababoana. Tsy mba anisan'ireo nody mantsy izy, satria Mpiasa tao andapan'nv Mpanjaka persiana. Fantany fa Andriamanitra lehibe sy mahatahotra ny Tompo; nefa na eo aza ny fahalehibeazany dia Andriamanitra mihaino koa Izy. Io fihainoan'nv Tompo io no mampiavaka Azy amin'nv andriamanitra rehetra izay ivavahan'ny olona. Andriamanitra velona ny Tompontsika, sady miteny no mihaino. Izany no tsy isalasalantsika hitaraina sy hitalaho Aminy, raha tojo zava- mampalahelo tahaka izao atrehin'i Nehemia izao. Andeha mba hitaraina amin-dranomaso noho ny fahantrain'ny mpiara- belona amintsika sy ny manjo ny firenentsika isika. Fa na dia lehibe aza ny Tompontsika dia tena mihaino Izy. Nivavaka Taminv i Jesoa fony Izy tetv an-tanv sady nampianatra antsika hivavaka. Koa mivavaha sy mitalahoa Aminy.

2- Ampahatsiarovy ny teny nataony Izy
« Hotsarovao anie ilay teny... » (and.8). Tena ilaina hampahatsiarovina ny teny nataony ve ny Tompo ? Tsarovany mandrakizay tokoa ny fanekena sy ny teny nataony (Sal 111, 5), saingy ny vavaka atao amin'ny finoana dia izay angatahina sady mifandraika amin'ny efa nolazainy sy nampanantenainy. Izany no antso nataon'i Isaia : «Ianareo mparnpahatsiaro an 'i Jehovah, aza mangina !» (Isa 62, 6). Ampahatsiarovy ny teny efa nataony taminao ny Tompo fa hamaly anao Izy.

Fanontaniana:
Nahoana no mivavaka sy manantena valim-bavaka isika ?

vendredi 12 janvier 2018

Zoma 12 Janoary 2018 - Apo 19 : 11 - 16

11Dia nahita ny lanitra voasokatra aho, ka indro nisy soavaly fotsy niseho. Ilay mitaingina azy dia atao hoe Imahatoky sy Imahitsy. Ara-drariny no itsarany sy iadiany19.11 Ampit Ezek 1.1; Sal 96.13; Is 11.4.. 12Tahaka ny lelafo ny masony; ary satroboninahitra maro no teo an-dohany. Izy dia manana anarana anankiray voasoratra, izay tsy nisy nahalala afa-tsy ny tenany ihany. 13Miakanjo akanjo voahosin-dra Izy; ary ny anarany dia natao hoe: «ilay Tenin'Andriamanitra.» 14Nanaraka Azy ny tafiky ny lanitra, ka samy nitaingina soavaly fotsy sy nitafy lamba rongony madinika sady fotsy no madio. 15Misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavan'Ilay mitaingina soavaly, mba hamelezany ny firenena. Dia hifehy ny firenena amin'ny tehim-by Izy, sady hanitsaka ny famiazan-divay, dia ny divay manambara ny firehetam-pahatezeran'Andriamanitra Tsitoha19.15 Ampit Sal 2.9; Apôk 14.19-20 sy nta.. 16Ary izao no anarana voasoratra teo amin'ny akanjobe nanarona ny feny: «Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo.»

jeudi 11 janvier 2018

Alakamisy 11 janoary 2018 - Sal 95 : 1 - 5

1Avia! Aoka isika hihoby ny TOMPO,
hankalaza ilay Vatolampy Mpamonjy antsika!
2Aoka hankeo anatrehany amim-piderana,
hankalaza Azy amin'ny feon-java-maneno!
3Fa Andriamanitra lehibe ny TOMPO,
Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra.
4Eo ambany fifehezany ny atin'ny tany,
ary Azy koa ny tampon'ny tendrombohitra;
5Azy ny ranomasina fa nataony,
Azy koa ny tanety fa novolavolainy.

mercredi 10 janvier 2018

Alarobia 10 Janoary 2018 - Deo 10 : 12 - 22

12Ary ankehitriny, ry Israelita, inona moa no andrandrain'ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo, afa-tsy ny hanajanareo AZY sy ny hizoranareo amin'ny lalana rehetra soritany ary ny hitiavanareo sy hanompoanareo AZY amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo. 13Andrandrain'ny TOMPO aminareo ny hitandremanareo ny didy aman-dalàny, izay ampitaiko aminareo anio mba hahasambatra anareo. 14Indro fa an'ny TOMPO Andriamanitrareo ny lanitra midadasika ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. 15Kanefa ny razambenareo ihany no niraiketan'ny TOMPO hotiavina ka nifidianany anareo taranany mihoatra noho ny firenena hafa rehetra, araka izao hitanareo anio izao. 16Noho izany, aoka ny fonareo ho voatokana tanteraka ho an'ny TOMPO10.16 Ny RM dia manambara izany hevitra izany araka ny fomba fiteny hoe forao ny fonareo. Ny famorana manko ho famantarana fa voatokana ho an'ny Tompo, anisan'ny vahoakany tokoa ny olona anankiray., fa aza mafy hatoka intsony ianareo. 17Ilay TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, tsy mba mizaha tavan'olona10.17 Tompon'ny tompo: jereo 1Tim 6.15; Apôk 17.14; 19.16. –tsy mba mizaha tavan'olona: izany hoe tsy mba miangatra; jereo Asa 10.34; Rm 2.11; Ef 6.9. na mandray kolikoly; 18manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. 19Koa tiavo ny vahiny eo aminareo, fa efa mba vahiny tany Ejipta ianareo.

20Ilay TOMPO Andriamanitrareo no hohajainareo, Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo, ary ny anarany no hianiananareo. 21Izy no fidèranareo, Izy no Andriamanitrareo, dia Ilay nanao ho anareo ireny zavatra lehibe sy mahatahotra efa hitan'ny masonareo ireny10.21 Ny ambara eto dia ny zava-mahagaga nataon'ny Tompo tamin'ny nialan'ny vahoakany tany Ejipta, jereo Eks 7–12.. 22Olona fitopolo ny razambenareo no nidina tany Ejipta; ankehitriny kosa efa nataon'ny TOMPO Andriamanitrareo maro tahaka ny kintana eny ana habakabaka ianareo10.22 fitopolo: jereo Gen 46.27; Eks 1.5 sy nta; Asa 7.14. –maro tahaka... ianareo: 22.17; Heb 11.12..

mardi 9 janvier 2018

Talata 09 Janoary 2019 - Jao 1 : 29 - 34

29Nony ampitso, dia nahita an'i Jesoa avy nanatona azy i Jôhany ka hoy izy:
–Indro ny Zanakondrin'Andriamanitra, Ilay manala ny fahotan'izao tontolo izao1.29 Ampit Is 53.6-7.! 30Izy indrindra Ilay nolazaiko hoe: «Misy lehilahy tamy aoriako, Izay lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.» 31Ary izaho dia tsy nahalala Azy; fa mba hampisehoana Azy amin'ny vahoaka Israely no nahatongavako hanao batisa ao amin'ny rano.

32I Jôhany no vavolombelona nanambara hoe:
–Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromahailala, ka nitoetra teo amboniny1.32 Ampit Is 11.2; 61.1.. 33Ary izaho dia tsy nahalala Azy; fa Andriamanitra, Izay naniraka ahy hanao batisa ao amin'ny rano, no nilaza tamiko hoe: «Ilay ho hitanao idinan'ny Fanahy Masina sy itoerany eo amboniny, dia Izy no Mpanao batisa ao amin'ny Fanahy Masina.» 34Ary nahita aho, ka dia vavolombelona manambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra.

lundi 8 janvier 2018

Alatsinainy 08 Janoary 2018 - Asa 20 : 17 - 21

17Naniraka olona avy tao Mileto nankany Efeso i Paoly, hampaka ireo loholon'ny Fiangonana. 18Nony tonga teo aminy ry zareo, dia nataony hoe:
–Fantatrareo tsara ny fitondrantenako mandritra ny fotoana nahateto aminareo ahy, hatramin'ny andro voalohany nahatongavako tamin'ny faritany Azia. 19Nanompo ny Tompo tamim-panetrentena fatratra aho satria nianjadian'alahelo sy fitsapana noho ny fiokoan'ny Jiosy hamely ahy. 20Fantatrareo fa tsy mba nafeniko izay mahasoa anareo, fa notorîko sy nampianariko na vory vahoaka na isan-tokantrano. 21Ny Jiosy ary koa ny hafa firenena dia samy nijoroako ho vavolombelona ka notaomiko hiala tamin'ny toe-dratsy ka hitodika amin'Andriamanitra sady hino an'i Jesoa Tompontsika.

dimanche 7 janvier 2018

Alahady 07 Janoary 2017 - Isa 9 : 1 - 6

1Ny vahoaka mandeha ao anatin'ny haizina
dia hahita hazavana lehibe;
ary ny olona mipetraka ao amin'ny tany
izay tandindomin'ny fahafatesana
dia hiposahan'ny hazavana.
2Nohamaroinao ny fifaliany
ary nampitomboinao ny firavoravoany.
Miravoravo eo anatrehanao izy
tahaka ny iravoravoana amin'ny fararano
sy anaovana antsoantsom-pifaliana
rehefa injay mizara babo ny olona.

3Fa ny ziogam-pamoretana nanindry ny vahoakanao
ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,
ny kibay namelezan'ny mpampiasa azy
dia samy hopotehinao avokoa
toy ny tamin'ny andro nampandosiranao ny Midianita9.3 Fahatsiahivana ny fandresen'i Gidehôna (Mpits 6–7) izany..
4Fa ny kiraro rehetra entim-pahavalo
ka mikatrokatroka mampihozongozon-tany
ary ny fitafiana rehetra voahorona mihosin-dra
dia samy hodorana avokoa ho levon'ny afo.
5Satria misy zaza teraka ho antsika,
zazalahy no omena antsika;
eny an-tsorony ny mari-piandrianany,
ary ny anaram-boninahiny dia hatao hoe:
Mpitondra mahay, Andriamanitra mahery,
Ray mandrakizay, Andriana mitondra ny fiadanana.
6Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy
ary hampisy fiadanana tsy misy fetra.
Ny sezafiandrianan'i Davida no hipetrahany
ary ny fanjakany no hofeheziny
ka haoriny sy hohamafisiny
amin'ny rariny sy ny hitsiny,
hatramin'izao ka ho mandrakizay9.6 And 6: jereo Lk 1.32-33..
Izany no hotanterahin'ny TOMPOn'izao rehetra izao,
vokatry ny firedaredam-pitiavany
Toa totohondry voavonkina ny fandrahonan'ny Tompo
(Jereo 5.25)

samedi 6 janvier 2018

Sabotsy 06 Janoary 2018 - Rom 1 : 18 - 25

18Efa anehoan'Andriamanitra ny fahatezerany avy any an-danitra ny olona, satria tsy manaja an'Andriamanitra ary manao ny tsy rariny amin'ny namana; ka noho ny asa ratsin'ny olona, dia voasarona ilay Andriamanitra tena Izy. 19Fa miharihary amin'ny olona ny tokony ho fantany momba an'Andriamanitra taminy. 20Eny, tsy hita maso Andriamanitra. Nefa hatramin'ny nahariany an'izao rehetra izao, dia eo ny asany mampahafantatra Azy, mampibaribary fa mahery hatrizay hatrizay Izy ary Andriamanitra tokoa. Hany ka tsy afa-tsiny eo anatrehan'Andriamanitra ny olona. 21Nahalala an'Andriamanitra tokoa izy ireo, saingy tsy nanolotra ny voninahitra sy ny saotra tandrify Azy. Fa zavatra diso no nanjary nosaintsaininy, ary tonga maizina ny fony donto. 22Nilaza ho hendry ny olona, nefa tonga adala. 23Ilay Andriamanitra be voninahitra sy tsy mety levona nosoloany sarin-javatra mety levona, dia sary mampiseho olona, vorona, biby mandeha tongotra efatra na biby mikisaka1.23 Ampit Deot 4.16-18..

24Izany no nanoloran'Andriamanitra ny olona ho andevozin'ny filàn'ny fony, ka handotoany tena amin'ny tsy fanao mahavoafady. 25Ny lainga no nasolony an'ilay Andriamanitra tena Izy, zavaboaary no nohajainy sy notompoiny ho solon'ny Mpahary Izay ankalazaina mandrakizay. Amen!

vendredi 5 janvier 2018

Zoma 05 Janoary 2018 - Efe 1 : 15 - 23

15Noho izany, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesoa Tompo sy ny fitiavanareo ny vahoakan'Andriamanitra rehetra aho, 16dia tsy mitsahatra misaotra an'Andriamanitra noho ny aminareo. Mahatsiaro anareo aho amin'ny fivavahako 17ka mangataka amin'ilay Andriamanitr'i Jesoa Kristy Tompontsika, dia amin'ilay Ray be voninahitra, mba hanomezany anareo ny Fanahy Masina Izay mampahendry anareo sy manambara an'Andriamanitra aminareo ka hahalalanareo Azy tokoa. 18Mangataka aho ny hanokafan'Andriamanitra ny sainareo handray ny fahazavàny: mba hahafantaranareo ny fanantenana niantsoan'Andriamanitra anareo; sy hahafantaranareo ny haren'ny voninahiny ary ny lova izay natokany ho an'ny vahoakany; 19ary hahafantaranareo ny hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa izay anasoavany antsika mpino, araka ny fiàsany tsy hay tohaina sy mahery vaika. 20Izany hery izany dia nampiasain'Andriamanitra tamin'ny nananganany an'i Kristy ho velona avy tany amin'ny maty ary tamin'ny nampipetrahany Azy eo ankavanany any an-danitra1.20 Jereo Sal 110.1.. 21Any i Kristy dia ambony lavitra noho ny fanapahana sy fahefana ary hery sy fanjakana rehetra eny ana habakabaka1.21 Jereo Kôl 1.16 sy nta.; any Izy ambony lavitra noho ny anaram-boninahitra rehetra azo tononina tsy amin'izao fiainana izao ihany fa amin'ny ho avy koa. 22Fa napetrak'Andriamanitra eo ambany tongotr'i Kristy ny zavatra rehetra1.22 Jereo Sal 8.7.; ary i Kristy dia nomen'Andriamanitra ny Fiangonana ho Filoha faratampony. 23Ny Fiangonana no tenan'i Kristy sady heniky ny hafenoana omen'i Kristy Izay manerana ny zavatra rehetra hatraiza hatraiza1.23 Izay manerana ny zavatra rehetra hatraiza hatraiza: dkt hafa Izay henika an'Andriamanitra tanteraka (ampit Kôl 1.19) na Izay mameno ny zavatra rehetra ao amin'ny olona rehetra. .

jeudi 4 janvier 2018

Alakamisy 04 Janoary 2018 - Sal 24 : 1 - 10

1 Salamo nataon'i Davida
An'ny TOMPO izao tontolo izao sy izay eo aminy.
Azy koa ny tany sy ny mponina ao aminy24.1 And voatsiahy ao amin'ny 1Kôr 10.26.:
2Izy no nanorina azy teo ambony ranomasina
ka mampaharitra azy eo ambonin'ny onja.

3–Iza àry no hiakatra ny tendrombohitry ny TOMPO24.3 Jereo Sal 2.6.?
Zovy no hahajoro ao amin'ny Toeramasiny?
4–Izay madio tanana sy mahitsy fo24.4 mahitsy fo: jereo Mt 5.8; Eks 20.7.,
izay tsy nirona tamin'ny lainga
na nianiana hoenti-mamitaka.
5Ireo no handray ny fitahian'ny Tompo,
sy hoeken'Andriamanitra Mpamonjy ho marina.
6Izany no karazan'olona mitady an'Andriamanitra,
te hiatrika an'ilay Andriamanitr'i Jakôba!

7Akaro ny tataonareo, ry vavahady;
misandrata, ry varavarana fahagola,
mba hidiran'ny mpanjaka be voninahitra!
8–Iza moa izany mpanjaka be voninahitra izany?
–Ilay TOMPO mahefa sy mahery,
ilay TOMPO mahery an'ady!
9Akaro ny tataonareo, ry vavahady;
misandrata, ry varavarana fahagola,
mba hidiran'ny mpanjaka be voninahitra!
10–Iza moa izany mpanjaka be voninahitra izany?
–Ilay TOMPOn'izao rehetra izao,
Izy no mpanjaka be voninahitra!

mercredi 3 janvier 2018

Alarobia 03 Janoary 2018 - Apo 11 : 15 - 19

15Dia nitsoka trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Efa lasan'ny Tompontsika sy ilay Mesiany ny fanjakana amin'izao tontolo izao, ka ho fanjakana maharitra mandrakizay izany11.15 Ampit Eks 15.18; Dan 2.44; 7.14, 27.!» 16Ary ny loholona 24 izay samy mipetraka eo ambony sezafiandrianany eo anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka nitsaoka an'Andriamanitra 17sady nanao hoe:

«Misaotra Anao izahay, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha,
Ilay ankehitriny sy taloha,
noho Ianao naneho ny herinao lehibe
ary noho Ianao efa manjaka.
18Tezitra ireo firenena,
kanefa tonga ny fahatezeranao
sy ny fotoana hitsaranao ny maty;
tonga ny fotoana hanomezanao valisoa
ny mpaminany mpanomponao
sy ny vahoakanao
mbamin'ireo manaja Anao, na kely na lehibe;
tonga ny fotoana hanimbanao izay olona manimba ny tany11.18 Ampit Sal 2.1, 5; 115.12-13..»

19Dia novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka niseho teo anatin'ny tempolin'Andriamanitra ilay vata mirakitra ny fanekempihavanana nataony; ary nisy tselatra sy kotrokorana ary kotro-baratra sy horohorontany mbamin'ny havandra vaventy.

mardi 2 janvier 2018

Talata 02 Janoary 2018 - Mar 4 : 35 - 42

35Ny harivan'iny andro iny ihany dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Andeha isika hankerỳ ampita!

36Ary rehefa avy nandefa ny vahoaka ny mpianatra, dia nitondra an'i Jesoa tamin'ilay sambokely efa nisy Azy rahateo. Nisy sambokely maro hafa koa tafaraka taminy. 37Ary indro nisy tafio-drivotra mahery ka tafiditry ny alon-drano hatrany anaty sambokely, ary efa nila ho feno rano ny sambokely.

38I Jesoa anefa natory teo amin'ny zoron-tsambo terỳ aoriana fa nisy ondana niondanany teo; ary nofohazin'ny mpianany Izy ka nilazany hoe:
–Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao ve na ho faty aza isika?

39Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra ary nanao tamin'ny farihy hoe:
–Mangîna! Mitonia!

Dia nitsahatra ny rivotra ary nanjary tony dia tony ny andro. 40Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana angaha ianareo?

41Ary natahotra dia natahotra tokoa iretsy mpianany, ka nifampilaza hoe:
–Fa iza àry io no manaiky Azy hatramin'ny rivotra sy ny farihy4.41 Ampit Sal 65.8; 89.10; 107.23-32.?

lundi 1 janvier 2018

Alatsinainy 01 Janoary 2018 - Gen 28 : 10 - 17

10Niala tao Beera-Seba i Jakôba ka nankany Haràna. 11Ary tratry ny masoandro milentika teo amin'ny toerana iray izy ka nandry teo. Dia naka vato tamin'izany toerana izany izy nataony ondana, ka natory teo. 12Nanonofy izy ka indro nisy tohatra natsangana avy amin'ny tany ary nahatakatra ny lanitra ny tendrony; dia indreo nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy28.12 Ampit Jôh 1.51..

13Ary niseho teo anoloan'i Jakôba ny TOMPO Andriamanitra ka nanao hoe:
–Izaho no TOMPO, Andriamanitr'i Abrahama raibenao sy Andriamanitr'i Itsehàka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao28.13 teo anoloan'i Jakôba: dkt hafa teo an-tampon'ilay tohatra. –Ny tany nampanantenaina: jereo Gen 13.14-15.. 14Ho maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin'ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany28.14 Amin'ny alalanao...: jereo Gen 12.3. sy nta.. 15Hiaraka aminao Aho ary hiaro anao amin'izay rehetra alehanao ka hitondra anao miverina amin'ity tany ity. Tsy handao anao aho ary hotanterahiko izay rehetra nampanantenaiko anao.

16Taitra tamin'ny torimasony i Jakôba ka nanao hoe:
–Tena eto amin'ity toerana ity tokoa ny TOMPO, fa izaho no tsy nahalala.

17Ary natahotra izy ka nanao hoe:
–Tena mahatahotra ity toerana ity, izay tsy hafa fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12