lundi 30 avril 2018

Alatsinainy 30 Aprily 2018 - I Tim 2 : 1 - 7

1Hafatrafarako voalohany indrindra àry ny hanaovana fangatahana sy fivavahana ary fitalahoana sy fisaorana amin'Andriamanitra ho an'ny olona rehetra; 2mivavaha ho an'ireo filoham-pirenena sy ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika miadana sy mandry feizay ombàn'ny firaiketam-po tanteraka amin'Andriamanitra sy ny fitondrantena maotina. 3Izany no tsara sady sitrak'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, 4Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra2.4 Ampit Ezek 18.23. sy ny hahalalan'izy rehetra ny finoana marina. 5Satria iray Andriamanitra, iray koa ny mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia i Kristy Jesoa Izay olona 6nanolo-tena ho fanavotana ny olona rehetra2.6 Ampit Mt 20.28.: izany no porofo mby amin'ny fotoanandrony tokoa fa tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra Andriamanitra. 7Ary ny hitory izany no nanendrena ahy ho mpitoriteny sady apôstôly2.7 Ampit 2Tim 1.11., ho mpampianatra ny finoana tena izy amin'ny hafa firenena. Milaza ny marina aho fa tsy mandainga.

I Kristy Jesoa nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, no :

1- Ivon'nv fivavahana rehetra:
I Kristy Jesoa izay Olona no hany mpanalalana amin' Andriamanitra Tokana. Tonga olombelona Izy ka azon'ny olombelona rehetra ifandraisana. Efa nanolotra ny fiainany Izy ho famonjena antsika, koa izany no hiantsoana antsika rehetra hampitodika ny vavaka ataontsika ho Aminy. Ny Kristianina irery no mivavaka amin'ny anaran'i Jesoa, koa aoka hataontsika fahazarana amin'ny vavaka rehetra ataontsika izany. Ohatra, ny mamarana ny vavaka amin'ny hoe « ...amin 'nv anaran 'i Jesoa no hangatahinay izany». Amena.

2- Ivon'ny toriteny:
Anisan'ny fanambarana lehibe ato amin'ny Testamenta vaovao miantoka ny famonjena mandrakizay ity. Fototry ny finoana sy ny toriteny i Jesoa Kristy, indrindra Izy maty sy nitsangana tamin'ny maty. Ohatra fakan-tahaka ho antsika ankehitriny ny nataon'i Paoly (and 7), ka mizara sy mitory ny finoana sy fahamarinana ao amin'i Kristy. Antso ho antsika mpino izany, mba hiorenan'ny toritenintsika amin'i Jesoa Kristy voahombo teo amin'ny hazofijaliana, fa tsy amin'ny traikefam-piainana na ny fahazarana. Ataovy mifototra ao amin'i Kristy ny toriteny.

Fanontaniana :
Nahoana no toriteny hafa noho izay miompana amin'i Kristy no mahataona sy maharesy lahatra ny olona ankehitriny ?

dimanche 29 avril 2018

Alahady 29 Aprily 2018 - Mat 20 : 20 - 28

20Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa ny vadin'i Zebedeo mbamin'ireo zanany lahy. Sady niankohoka nanoloana Azy ravehivavy no nangata-javatra taminy. 21Ka hoy i Jesoa tamin-dravehivavy:
–Inona no irînao?

Dia novaliany hoe:
–Omeo teny ireto zanako roa lahy ireto fa hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, rehefa tonga mpanjaka Ianao.

22Fa hoy i Jesoa:
–Tsy fantatrareo mirahalahy izay angatahinareo; vitanareo ve ny hiaritra fijaliana tahaka ny hiaretako?

Dia novalian'izy mirahalahy hoe:
–Vitanay!

23Ary hoy i Jesoa tamin'izy roa lahy:
–Ny fijaliana hiaretako, dia hiaretanareo tokoa20.23 Novonoina martiora nalatsa-dra i Jakôba tamin'ny taona 44 eo ho eo tao Jerosalema (Asa 12.2); i Jôhany kosa dia tsy maty martiora nalatsa-dra, saingy nianjadian'ny fanenjehana isan-karazany.; fa izany hoe hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako izany kosa dia tsy miankina amiko, fa ho an'izay nanomanan'ny Raiko azy!

24Nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra tamin'i Jakôba sy i Jôhany. 25Fa nantsoin'i Jesoa izy rehetra ka nilazany hoe:
–Fantatrareo fa, eo amin'ny hafa firenena, ny filoha dia manjakazaka; ary ny lehibe dia manampatra fahefana. 26Tsy mba toy izany kosa eo aminareo; fa na iza na iza te ho lehibe eo aminareo dia ho mpanomponareo; 27ary na iza na iza te ho voalohany eo aminareo dia ho mpiasanareo. 28Dia tahaka ny Zanak'olona izany: tsy hotompoina manko no nahatongavany fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro20.28 Ampit 26.28; 1Tim 2.6.!

«Tsy fantatrareo izay angatahinareo» (and.22a)

Ny mifanohitra amin'ny fampianaran'ny Tompo

1- Nv fitiavan-tena (and.21)
Fahafaham-baraka tsy nisy toy izany no nahazo azy telo mianaka dia i Jakoba sy Jaona niaraka tamin- dreniny. Mba nangataka sy mba nanontanian'ny Tompo hoe « inona no irinao?» ihany, saingy zavatra mifanohitra amin'ny sitrapon'ny Tompo no nangatahiny. Fitiavan-tena tsotra izao no nokasain'izy ireo hiraisana tsikombakomba tamin'ny Tompo. Lavin'i Jesoa marindrano izany, satria natao ho an'ny rehetra ny fanjakan'Andriamanitra. Koa aoka isika handinika tsara sy hamantatra ny sitrapon' Andriamanitra vao mangataka zavatra amin'ny Tompo.

2 - Ny filam-boninahitra (and.26-28)
Nahitsin'i Jesoa niaraka ny mpianatra 12 lahy. na ireo izay nitady tombom-pitiavana manokana mihoatra noho ny hafa, na ireo izay tezitra sy be fialonana tamin'izany. Fomban'ny jentilisa no mitady voninahitra toy izany. Amin'ny fanompoana an' Andriamanitra dia tsy maintsy ny fìetrena no mialoha ny fisandratana ary izay mitady ny toerana ambony dia tsy maintsy maka ny toeran'ny mpanompo. «Ny Zanak'Olona tsy longa mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy». Ary izany fanetren- tena lalina izany no «nanandratan'Andriamanitra Avo indrindra» (Fil 2, 9)

Fanontaniana :
Manana izany fanahin'ny fanompoana izany ve ireo tomponandraikitra ao amin'ny Fiangonana?

samedi 28 avril 2018

Sabotsy 28 Aprily 2018 - Gen 2 : 4 - 9

4Izany no tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny naharian'Andriamanitra azy.

Fony nanao ny tany sy ny lanitra ny TOMPO Andriamanitra, 5dia tsy mbola nisy kirihitra ny tany, ary tsy nisy ahitra nitsimoka akory, satria tsy mbola nampilatsaka orana tamin'ny tany ny TOMPO Andriamanitra ary tsy mbola nisy olombelona hiasa ny tany. 6Fa loharano nifantsitsitra avy tao amin'ny tany ihany no nanondraka ny velaran-tany manontolo.

7Ary vovoka avy amin'ny tany no nalain'ny TOMPO Andriamanitra, ka nanamboarany olombelona anankiray. Nitsofany fofonaina mahavelona tao am-bavorony, dia tonga manana aina raolombelona. 8Avy eo dia novolen'ny TOMPO Andriamanitra zaridaina tao Hedena, tany atsinanana, mba hametrahany an-draolombelona izay namboariny. 9Nampaniry karazan-kazo tsara tarehy fihinam-boa teo amin'ny tany ny TOMPO Andriamanitra, ka nataony teo afovoan'ny zaridaina ny hazon'aina sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy2.9 hazon'aina: ampit Apôk 2.7; 22.2-14. –fahalalana ny tsara sy ny ratsy: dkt hafa ahalalana ny zavatra rehetra (tahaka izany koa ny and 17 sy ny 3.5-22).

1- Ny olombelona
«Ary vovon-tany no namoronan 'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy» (and.7). Nanomboka niditra eo amin'ny tantaran'izao tontolo izao ny olombelona. Notanterahin' Andriamanitra tao amin'ny olombelona ny fanambarany ny hamoronany endrik'Andriamanitra, tahaka ny endriny (1, 27). Andriamanitra manome ny fiainany ho an'ny olona hatrany am-boalohany Izy. Vovoka no namoronany ny olombelona, koa tsy ao amin'ny vatany no mitoetra ny maha-izy azy ny olombelona; fa ao amin'ny hatsaram-piainany avy amin'ny fanahiny. «Ny fanahy no maha-olona» hoy ny fitenenana.

2- Ny saha Edena
Tao amin'ny saha Edena no napetrak'Andriamanitra i «Adama voalohan-dahy» 1 Korl5.45a. Saha mahafinaritra ampy sy tanteraka nohariany ho an'ilay mitovy endrika Aminy io. Andriamanitra tia sy mikarakara Izy, ka tsy manao soa tapany. Nanana zo nisitraka izany ny olombelona, afa-tsy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy (and.16-17). Efa nomanin'Andriamanitra ho an'ny olona hatramin'ny voalohany ny fiainana mandrakizay, fa ny olona no nisafidy ny fahafatesana tamin'ny nanandramany ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Ampit.Deo 30.19.

Fanontaniana :
Ampy mizara ho an'ny olona rehetra ve ny harena eto an-tany? Nahoana?

vendredi 27 avril 2018

Zoma 27 Aprily 2018 - Gal 6 : 6 - 10

6Aoka izay ampianarina ny tenin'Andriamanitra mba hanome ampahany amin'ny fananany rehetra ho an'izay mampianatra azy.

7Aza mety hofitahina ianareo. Tsy azo vazivazîna Andriamanitra, fa izay afafin'ny olona ihany no hojinjainy6.7 Ampit Jôb 4.8; Ohab 22.8; Hôs 8.7.: 8eny, izay mamafy ny sitraky ny maha olona mpanota, dia hijinja fahaverezana avy amin'ny maha olona mpanota; fa izay mamafy ny sitraky ny Fanahy Masina, dia hijinja fiaina-maharitra mandrakizay avy amin'ny Fanahy Masina. 9Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika, satria hijinja amin'ny fotoanandro isika raha tsy kivy. 10Koa dieny mbola manana andro isika, dia aoka hanao soa amin'ny olona rehetra, fa indrindra amin'ny mpianakavin'ny finoana.

« Fa izay afafin 'ny olona no hojinjainy» and. 7

Ny mpino mandeha araka ny Fanahy

1- Mijinja fiainana mandrakizav
« Izay mamafy ho an 'ny fanahy dia hijinja fìainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy» and.8a. Tsy hoe fiainana maharitra mandritra ny vanim-potoana elabe fotsiny izany, fa indrindra fiainana be dia be feno ny haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina (Efel, 18). Valisoa sarobidy ho an'izay mahafehy tena ka tsy maningo-tena ny amin'ny fiainana araka ny nofo, araka izany, ny fiainana mandrakizay. Fijinjana ny vokatry ny zavatra tsara natao fotsiny ihany izany. Ny fìainan'Izy Andriamanitra mihitsy mantsy no natolony ho antsika, araka ny Jaona 10, 10.

2- Mahery amin'ny fanaovan-tsoa
« Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika, ... aoka isika hanao soa amin 'ny olona rehetra,...» and. 9a, l0b. Ny hoe « andro hanaovana dia maneho vanim- potoana raikitra sy voafaritra fa tsy fotoana mandalo akory. Izany hoe ny fiainan'ny mpino manontolo mihitsy no fiainam-panaovantsoa hanompoana ny hafa ao amin'i Kristy. Ny fitiavantsika ny mpianakavin'ny finoana dia tena marika lehibe ahatarafana ny fitiavantsika an'Andriamanitra. Vokatra hita mason' ny fiainana ny Tenin'Andriamanitra ny fanaovantsoa.

Fanontaniana :
Iza no heverinao fà tompon'andraikitra amin'izay zavatra iainanao ankehitriny (na tsara na ratsy)?

jeudi 26 avril 2018

Alakamisy 26 Aprily 2018 - Deo 32 : 44 - 47

44I Mosesy dia niaraka tamin'i Josoa32.44 Ao amin'ny RM etoana, i Josoa dia atao hoe i Hôsea, jereo Nom 13.16 sy nta., zanakalahin'i Nona, no tonga nilaza manontolo ho ren'ny vahoaka izany tononkira izany.

45Nony tapitra voalazany avokoa tamin'ny Israelita rehetra ireo teny ireo, 46dia hoy i Mosesy taminy:

–Araiketo ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako hiampangana anareo anio; didio ny taranakareo mba himasoany hotanterahina ny teny rehetra raketin'ity Lalàna ity. 47Tsy zava-poana ho anareo izany fa fiainanareo; izany teny izany no hahamaro andro anareo any amin'ny tany izay efa halainareo ho fananana, rehefa tafita an'i Jôrdàna ianareo.

Ny lalàn'ny Tompo

1- Tandremana sy ankatoavina (and.46)
Didin'Andriamanitra ny hampianarana ny zanak' Israely ity fíhirana ity « Soraty ho anareo izao fìhirana izao, ka ampianaro ny Zanak Israely. ary aoka tsy ho afaka ao am-bavany izao fìhirana izao » (31.19). Teo no eo ihany i Mosesy dia nanao izay hampiharana izany (and.22-30). Efa tafiditra rahateo ao anatin'ny fanekem-pinoana isiraelita ny hampianatra tsara ny lalàna ny taranaka (Deo 6. 6 - 8). Hitohy hatramin'ny taranaka fara-mandimbv nv fítandremana sy fankatoavana ny lalàn'Andriamanitra, mba tsy hamitaka ny tena sy tsy hanotana amin' Andriamanitra.

2- Manome fiainana (and.47)
Loharanom-piainana sy fitsaharana ho an'izay mankato azy ny lalàn'Andriamanitra. Maty tany an'efitra ny maro tamin'ny Zanak'Isiraely noho ny tsy fankatoavana nv didin'Andriamanitra. Josoa sy kaleba kosa, noho ny fanarahany tsara ny didin'Andriamanitra dia nandova ny tany fampanantenana, dia ny tany Kanàna izany. Zary lasa fiainana ho an'ny mpino ny fanarahana ny Tenin' Andriamanitra. Io no mahavelona satria i Jesoa Ilay Teny no efa tonga Nofo ka monina amintsika.

Fanontaniana :
Ahoana no fomba fampianarantsika ny Tenin' Andriamanitra ny zanantsika ao an-trano?

mercredi 25 avril 2018

Alarobia 25 Aprily 2018 - Mar 10 : 28 - 31

28Dia hoy i Petera tamin'i Jesoa:
–Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ary dia izao miaraka aminao izao.
29Ka hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano na mpiray tampo na reny na ray na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly, 30ka tsy hahazo injato henin'izany ankehitriny amin'izao etỳ izao, dia trano sy mpiray tampo sy reny sy zanaka sy tany, ombam-panenjehana ihany koa, ary hahazo ny fiaina-maharitra mandrakizay amin'ny andro ho avy. 31Kanefa maro amin'ireo voalohany no ho farany, ary maro amin'ireo farany no ho voalohany.

Ny tombontsoan'ny fanoloran-tena ho an'ny Tompo sy ny Filazantsara

1- Tombontsoa amin'izao andro ankehitriny izao
Ambaran'ny and.29-30 fa fiombonam-piainana vaovao ao anatin'ny fiainam-piankohonana vaovao, mihoatra lavitra (avo zato heny) noho ny teo aloha, no raisin'ny mpino izay mahafoy noho ny amin'i Kristy sy ny Filazantsara. Tsy manam-panahiana fa tsy maintsy honeran' Andrianianitra izay rehetra nafoy. Manjary miaina fiainana tsara Iavitra sy ambony lavitra mihoatra ny teo aloha. Ambonin'izany aza, dia ambara fa mbola hisitraka fanenjehana, izay mariky ny fiainan'ny mpanara-dia an'i Kristy nv mpino.

2- Tombontsoa amin'ny andro ho avy
Misokatra midanadana ho an'izay nampandefitra ny fanjakana mety lo tety an-tany, noho ny amin'ny Tompo sy ny Filazantsara, ny varavaran'ny fìainana mandrakizay. Fiainana miavaka. tsy azo ampitahaina amin'ny haren'izao tontolo izao sy izay rehetra momba azy izany. Fiainana tsy misy nenina, tsy mahafaty antoka, fa tsara tantana sy ampy mizara ho an'ny mpino rehetra. araka ny fanoharan'i Jesoa ao amin'ny Matio 19, 30 - 20, 16. Kendreo mba hibanjina ny fiainana mandrakizay ny fahafoizan-tena ataontsika.

Fanontanìana :
Iadio hevitra ny hoe tombontsoan'ny mpino ny fanenjehana.

mardi 24 avril 2018

Talata 24 aprily 2018 - I Jao 5 : 1 - 12

1Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia ilay Andriamanitra niteraka, dia tia izay naterak'Andriamanitra koa. 2Ny ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny fanatontosàntsika ireo didiny. 3Eny, ny fitiavana an'Andriamanitra dia ny fitandremantsika ireo didiny5.3 Ampit Jôh 14.15.; sady tsy mavesatra ireo didiny ireo, 4satria izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao. Ary ny fitaovam-pandresena izay maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. 5Iza moa no maharesy izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no ilay Zanak'Andriamanitra?

6I Jesoa Kristy dia Ilay avy tamin'ny alalan'ny rano sy tamin'ny alalan'ny ra5.6 tamin'ny alalan'ny rano sy tamin'ny alalan'ny ra: dia fony Izy natao batisa sy fony Izy maty teo amin'ny hazofijaliana; kanefa misy mpandinika sasany mihevitra fa ny rano sy ny ra eto dia fampahatsiahivana izay voatantara ao amin'ny Jôh 19.34, fony i Jesoa nolefonin'ny miaramila.. Tsy tamin'ny rano ihany no nahatongavany, fa tamin'ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy Masina no vavolombelona manambara izany, satria ny Fanahy Masina no fahamarinana. 7Fa ankehitriny, telo no vavolombelona5.7 telo no vavolombelona: ampit Deot 19.15. manambara: 8dia ny Fanahy Masina sy ny rano ary ny ra5.8 Ny rano sy ra kosa eto dia manondro ny batisa sy ny fanasàn'ny Tompo ao amin'ny Fiangonana.; sady mifanaraka tsara izy telo. 9Raisintsika ny zavatra ambaran'ny olona; ary lehibe noho izany ny zavatra ambaran'Andriamanitra, satria ny zavatra ambaran'Andriamanitra dia izay efa nambarany momba ny Zanany. 10Koa izay mino ilay Zanak'Andriamanitra no manana izany zavatra ambara izany ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra kosa dia efa nampandainga an'Andriamanitra, satria tsy nino ny zavatra nambarany momba ilay Zanany. 11Ary ny zavatra nambara dia izao: fiaina-maharitra mandrakizay no efa nomen'Andriamanitra antsika ary ao amin'ilay Zanany izany fiainana izany. 12Izay manana ny Zanaka no velona aina; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy velona aina5.12 Ampit Jôh 3.36.

Ny finoana an'i Jesoa Kristy

1 - Miseho amin'ny fankatoavana ny didiny (and.1-5)
Ny finoana ny fitiavan'i Kristy sy ny fankatoavana ny didiny dia mifameno. Izay tia sy mino an'i Kristy dia tsy maintsy mitandrina ny didiny. Mety ho mora, na mety ho sarotra ny mankato sy manaraka ireo didin'Andriamanitra ireo amin'ny maha nofo aman-drà antsika. Saingy, ny finoana ny herin'Ilay Zanak' Andriamanitra miasa ao anatintsika no mampandresy ka ahatanterahana ilay hoe «fankatoavana ny didìny ».

2 - Antoka hananana nv fiainana mandrakizay rand.9-11)

  •  Ny rano amin'ny batisa dia midika ho fanadiovana sy manaisotra ny fahotana ary mamelona ny fiainana ao amin'i Kristy.
  • Ny rà indray kosa ilay manambara ilay fanatitra tokana sy tanteraka naterina teo ambony hazo fijaliana. Ambara fa raha tsy misy ra latsaka dia tsy misy famelan-keloka, noho izany: io no ahazoana famindram-po sy famonjena. Manambara ny fanasan'ny Tompo izany.
  • Ny Fanahy Masina Ilay Herin'Andriamanitra miasa ao amin' izay mino, dia Ilay nomena mba hampahery.

Ireo telo ireo no omena ny mpino maimaim-poana mba hahazoany antoka ny fahazoana mandova ny lanitra.

Fanontaniana :
Nahoana no tsy mahazo antoka ny amin'ny ahazoany fiainana mandrakizay ny mpino maro?


lundi 23 avril 2018

Alatsinainy 23 Aprily 2018 - Lev 4 : 13 - 21

13«Raha ny Fiangonan'ny Israelita tsivakivolo no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin'ny didin'ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy na tsy misy mahatsikaritra izany aza ny Fiangonany. 14Vao fantany kosa ny ota vitany, dia ombilahy no aoka hatolony ho fanalana izany ka hoentiny eo anoloan'ny Tranolay fihaonana. 15Ireo loholon'ny Fiangonana dia hametra-tanana amin'ny lohan'ilay ombilahy, eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO; ary loholona anankiray no hamono azy eo anoloan'ny Toeramasina. 16Hangalan'ny mpisorombe ny ran'ilay ombilahy ka hoentiny ho ao amin'ny Tranolay fihaonana; 17dia hatsobony ao amin'ny ra ny fanondrony, ka eo anoloan'ny Toeramasina Indrindra izy no hamafy ra impito ny lafin'ilay efitra lamba atrehiny. 18Hakany koa io ra io hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara eo anoloan'ny Toeramasina Indrindra, alitara izay ao anatin'ny Tranolay fihaonana. Ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-pototry ny alitara fanaovan-tsorona dorana, alitara izay eo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana. 19Halainy avokoa ny tavin-kenan'ilay ombilahy, ka hodorany hanetona eo ambonin'ny alitara. 20Toy ny nataon'izy mpisorombe tamin'ny ombilahy natolony ho fanalana ny otany no hataony ihany koa amin'ity ombilahy ity. Ary rehefa nataon'ny mpisorombe tamin'ireo Israelita ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany. 21Ny sisa amin'ilay ombilahy kosa hasain'ny mpisorombe hoentina any ivelan'ny toby, dia hodorana tahaka ny sisa tamin'ilay ombilahy natao sorona ho azy mpisorombe. Izany no sorona fanalana ny ota ho an'ny fiangonan'ny Israelita.

Ny fanaovana fanatitra noho ny ota no lalana ho an'ny mpisorona sy ho an'ny fiangonana rehetra nanao ota tsy nahy, hiverenana amin' Andriamanitra.

Ny ahazoana famelan-keloka

1- Fanatitra alatsa-drà
Noho ny fahotana dia tapaka ny fifandraisana amin' Andriamnitia. Ny ran'ny vantotr'ombilahy no mila alatsaka hamerenana indray ìzany. Eo anoloan'ny tranolay fíhaonana, ao anatiny ary eo am-baravarany (and. 16-18) no atete izany. Izany hoe eo anelanelan'ny toerana masina indrindra misy an'Andriamanitra sy ny toerana masina fanompoan'ny mpisorona. Ny ran'i Jesoa Kristy latsaka teo ambony hazo fijaliana, dia ampy sy feno hisolo ny karazan'ny otan'ny zanak'olombelona rehetra. Fanatitra tokana sy tanteraka io, ka azo antoka indrindra.

2- Fanatitra mahafaka ota
Ny ambin'ny "vantotr'ombilahy rehetra, kosa dia havoakanv ho eny ivelan'ny toby ka hodorany"  (and.14). Manambara izany fa tsy manana toerana eo anivon'ny vahoakan'Andriamanitra intsony ny fahotana. Manamarina izany ny ambaran'i Paoly Apostoly hoe : « Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy » (2Kor 5.17). Azo antoka sy tonga lafatra ny famelan- keloka rehefa ao amin'i Jesoa Kristy. Anjarantsika mpino ny mamoaka ivelan'ny fiainantsika izay rehetra endrika pentimpetin'ota ka maharatsy na mahatapaka mihitsy ny fifandraisantsika amin' Andriamanitra.

Fanontaniana :
Inona no antoka ho anlsika hilazana fa voavela ny heloka?


dimanche 22 avril 2018

Alahady 22 Apily 2018 - Amo 5 : 4 - 7

4Izao no lazain'ny TOMPO
amin'ny vahoakan'i Israely:
«Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo.
5Fa aza mitady Ahy any Betela,
aza miditra ao Gilgala,
ary aza mankany Beera-Seba;
satria ho lasan-ko babo tokoa i Gilgala,
ary i Betela dia ho tonga tsinontsinona5.5 Betela: jereo 3.14 sy nta. –Gilgala: jereo 4.4 sy nta. –Beera-Seba: toeramasina hafa ao atsimon'ny faritanin'i Joda. –Aza miditra any Gilgala... tsinontsinona: ao amin'ny TM dia misy tsilalaon-teny momba ny anarana hoe Gilgala sy Betela mba hanehoana fa tsy maintsy ho avy ary tsy azo idifiana mihitsy ny loza..»
6Tadiavo ny TOMPO, dia ho velona ianareo.
Fa raha tsy mitady Azy ianareo, ry taranak'i Jôsefa5.6 ry taranak'i Jôsefa: raha ny tena heviny hentitra dia manondro ny fokon'i Manase sy i Efraîma izany, satria zanakalahin'i Jôsefa ny razany (jereo Gen 48.1). Kanefa raha itarina ny heviny, dia mahafaoka ny fanjakan'i Israely avaratra manontolo izay ny fokon'i Efraîma sy i Manase no lehibe indrindra ao aminy.,
dia hilatsaka aminareo tahaka ny afo Izy
ka handevona an'i Betela,
ary tsy hisy olona hahafaty ny afo.
7Ianareo no mamadika ny rariny
ho zava-mahafaty
ary mampitsingidina ny fahamarinana amin'ny tany.

Izay te hahazo fiainana sy fahavelomana

1- lalao nv fombafombam-pivavahana fotsiny
Mila averina amin'ny fahitsiana ny fanompoana hatao ao Betela sy Gilgala. renivohitry ny fivavahan'ireo zanak'Isiraely. Tsy sitrak'Andriamanitra mihitsy mantsy ny fivoriana masina haroaroana faharatsiana (and.21-22). Miankina tanteraka amin'ny fiverenana amin' Andriamanitra ny fanasitranana ny tany voafidin'Andriamanitra. Tsy miankina amin'ny toerana no maha-velona sy akaiky an'Andriamanitra. fa ny toe- po entina mitady Azy marina. Andriamanitra tsy voafaritry ny toerana mantsy Izy, fa Mpahary ambonin'izao rehetra izao

2- Katsaho ny rariny sy ny marina
Vanim-potoana nanjakan'ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana ny andron'i Amosa mpaminany. Nanjaka ny tsindry hazo lena, ny kely tsy mba mamindro ary ny tsindrio fa lavo sy izay toy izany (and.l 1,12). Antony lehibe nandringanan'Andriamnitra ny vahoaka izany. koa izany no iantsoana azy ireo hiala amin'izany. Andriamanitry ny fahamarinana ny Andriamanitry ny Baiboly koa miantso ny mpanara-dia azy hikatsaka izany ho fototry ny fahavelomana marina tokoa. Amin'izao fotoanan'ny tsy fahamarinana izao, dia miantso nv zanaky ny fiangonana manana andraikitra rehetra eto amin'ny fìrenena hampanjaka marina ny rariny sy ny hitsiny.

Fanontaniana :
Aiza no hitadiavantsika an' Andriamanitra?



samedi 21 avril 2018

Sabotsy 21 aprily 2018 - Jao 15 : 9 - 16

 9Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa; mitoera ao amin'izany fitiavako anareo izany. 10Raha mitandrina ireo didiko ianareo, dia hitoetra ao amin'izany fitiavako anareo izany, tahaka ny nitandremako ireo didin'ny Raiko sy itoerako ao amin'ny fitiavana Ahy.

11Izany no voalazako taminareo, dia mba ho ao aminareo ny hafaliako ary mba ho feno ny hafalianareo15.11 Ampit Is 9.2; 35.10.. 12Izao no didiko: mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo. 13Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany. 14Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo: 15tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa ataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nampahafantariko anareo. 16Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo sady nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan'ny vokatrareo; hany ka na inona na inona angatahinareo amin'ny Ray noho ny anarako, dia homeny anareo.

Ambetin-tenin'i Jaona hatrany ny fitiavana ao ainin'ny asa sorany, amin'ny maha-Apostolin'ny fítiavana azy. Fototra lehibe ho an'ny mpino ny :

Mitoetra amin'ny fítiavana

1- Ao amin'i Jesoa
Efa tia antsika Andriamanitra, ka nanolotra ny zavatra rehetra. Fitiavana voalohany sy fara-tampony ny Azy, ka tonga hatramin'ny fanolorany ny ainy mihitsy aza, "tsy misy manana fitiavana Iehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany"(and. 13). Notanterahin'i Jesoa izany, ka tonga fahafahana miezinezina, nanafaka antsika tamin'ny fanandevozan' ny ota sy ny fahafatesana. lo fitiavan'i Jesoa io no fenitra fara-tampon'ny azon'ny mino rehetra alaina tahaka.

2- Amin'nv didiny
Fiainana ny fifankatiavana no didiny. Tsy hoe fepetran'ny fitiavan'Andriamanitra antsika akory no hilazany hoe «Ianareo no sakaizako raha manao araka izay andidiako anareo» (and.14), fa tena tombom-pitia omen'Andriamanitra ny mpino. Efa tia Izy ary tia tsy misy fepetra, koa tiany isika hiaina amin'ny fítiavana tahaka Azy. Tsy fitiavana baikon'ny rafítra toy ny tompo sy mpanompo, fa izay iasan'ny fahasoavana toy ny mpisakaiza. Rehefa izany, dia ny fiainany manontolo mihitsy no atolony ho antsika.

Fanontaniana:
Afaka mibaiko antsika mihoatra noho ny vola, harena, voninahitra,seza, ... ve ny fitiavan'i Kristy'?

vendredi 20 avril 2018

Zoma 20 Aprily 2018 - Mat 7 : 7 - 14

7–Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny dia hovohàna ianareo. 8Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohàna. 9Araka ny hevitrareo, iza no olona hangatahan-janany mofo ka hanome vato azy? 10Na hangatahany trondro ka hanome bibilava azy? 11Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy!

12Noho izany àry, ataovy amin'ny olona izay rehetra tianareo hataon'ny olona aminareo; fa izany no vontoatin'ny lalànan'i Mosesy mbamin'ny fampianaran'ny mpaminany7.12 Ampit Rm 13.8-10..

13–Midira amin'ny vavahady èty ianareo! Fa lehibe ny vavahady mankany amin'ny fahaverezana ary malalaka ny lalana, ka maro no miditra any; 14tena èty kosa ny vavahady mankany amin'ny fiainana ary tena tery ny lalana, ka vitsy no mahita azy.

« Koa amin 'izany na inona na inona tianareo hataon' ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany ; fa izanv no lalàna sy mpaminany » and. 12

Ny fampiharana ny Tenin' Andriamanitra

1- Fiheverana ny hafa
Ny fiainantsika olombelona dia mifantoka amin'ny fikatsahana izay mahasoa sy izay ilaina andavanandro. Amin'izany dia izay ho an'ny tenantsika no tena mibahana ao an-tsaintsika. ka miteraka fanilihana ny hafa sy fitiavan-tena. Ny Tenin'Andriamanitra anefa mitaona antsika ho tia ny hafa. Mba hahatanterahantsika ny fitiavana no anton'ny teny hoe :« na inona na inona tianareo hataon 'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany ».

2- Fikatsahana ny fanjakan'ny lanitra (and.7-9/13-14)
Izay mangataka, mitady, mandondona dia hovaliana araka izany.Ny olana anefa dia izay mitondra ho any amin'ny fahaverezana no tena ihazakazahan'ny maro angatahana sy tadiavina ary dondoniny fatratra. Fa ny Tenin" Andriamanitra dia mitaona antsika hikatsaka ny lalana ety mankany amin'ny fiainana, izay vitsy ny mahita azy. Meteza ho isan'izay mandany andro mandinika sy miaina ny Tenin' Andriamanitra handovana fianana.

Fanontaniana :
Inona no ezaka efa nataonao hanehoana fa tena mitady, mandondona, mangataka ny fiainana mandrakizay ianao?

jeudi 19 avril 2018

Alakamisy 19 Aprily 2018 - Kol 3 : 1 - 11

1Natsangana ho velona niaraka tamin'i Kristy ianareo. Noho izany, katsaho ny zavatra any ambony, any amin'izay itoeran'i Kristy eo ankavanan'Andriamanitra3.1 Jereo Sal 110.1.. 2Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany. 3Fa efa maty ianareo, ka ny fiainanareo dia miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra. 4I Kristy no tena fiainanareo ka rahatrizay hiseho Izy, dia hiara-miseho aminy koa ianareo sady hiray voninahitra aminy.

5Vonoy ireo zavatra etỳ an-tany mangeja ny tenanareo: dia ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny filàndratsy, ny fitsiriritan-dratsy, ary ny fitiavan-karena (fa fanompoan-tsampy ny fitiavan-karena). 6Ireo zavatra ireo no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra hihatra amin'ny olona tsy manaiky an'Andriamanitra3.6 Misy stf sasany tsy ahitana ny hoe hihatra amin'ny olona tsy manaiky an'Andriamanitra. . 7Toy izany koa ny fitondrantenanareo fahiny, fony ianareo niaina tao anatin'ireo zavatra ireo.

8Fa ankehitriny kosa, esory avokoa ireto: fahatezerana, fisafoahana, faharatsiam-panahy, fanevatevana, teny maha menatra aloaky ny vavanareo. 9Aza mifandainga ianareo fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany, 10ary efa notafînareo ny toetra vaovao: dia ny toetry ny olona havaozin'Andriamanitra hatrany araka ny endrik'Izy Mpahary azy3.10 Ampit Gen 1.26., mba ho tonga amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra. 11Koa amin'izany, tsy misy ny hoe hafa firenena sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, olona tsy mivoatra na tratra aoriana3.11 olona tsy mivoatra na tratra aoriana: raha ara-bakiteny kokoa dia hoe baribarianina na Sitianina; ny Sitianina dia mponina tamin'ny morontsiraka avaratry ny Ranomasina Mainty, ka noheverina ho tratra aoriana indrindra tamin'ny fandrosoana fahizany., mpanompo sy tsy mpanompo; fa i Kristy no zavatra rehetra sady ao aminareo rehetra.

Ny fìtsanganan'i Kristy tamin'ny maty, dia :

1- Manangana antsika ho afaka hibanjina nv fiainan-danitra (and.1-4)
"Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ... Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany". Ny fitsanganan'i Kristy dia midika fahavelomana vaovao ho antsika, dia ilay fahavelomana mizotra any amin'ny fiainana mandrakizay. Midika izany fa efa misokatra midanadana ny varavarana hidirantsika any raha manaraka ny dian'i Jesoa Kristy isika. Izany hoe manaiky hiara-mitsangana Aminy ihany koa. Amin'ny zavatra rehetra atao na eo anivon'ny fanompoana, na amin'ny fiainana an- davanandro dia samia manao tanjona ny fiainana mandrakizay tsy hahafaty antoka antsika.

2- Manavao sy manafaka amin'nv toetra sy fiainan-dratsy rehetra teo aloha (and.5-H)
Ny faharatsiana rehetra dia tsy maintsy ahintsana avokoa (tahaka ny ravina maina efa ratsy sy malazo ka soloina vaovao), fa tsy mahazo miditra any amin'ny fiainana mandrakizay. Afaka isika, satria efa nomena ny Fanahin' ny fandresena izay ao amin'i Kristy, ka havaozin'ny fanahy Masina ho tonga olom-baovao. Mila ampifanarahana amin'ny tanjona te ho any an- danitra ny zavatra atao dia ny fomba sy fanao, ny fiteny ary ny fihetsika.

Fanontaniana :
Azo lazaina fa efa niara-natsangana tamin'i Kristy ve ianao sa mbola matin'ny fahotana ihany?

mercredi 18 avril 2018

Alarobia 18 Aprily 2018 - Deo 30 : 19 - 20

19Miantso ny tany amana habakabaka aho anio ho vavolombelona aminareo fa ataoko eo anoloanareo ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny ozona: koa fidio ny fiainana, mba ho velona ianareo sy ny taranakareo. 20Tiavo ny TOMPO Andriamanitrareo ka ekeo sy ifikiro, fa izany no hahavelona anareo sy hahamaro ny andro honenanareo any amin'ny tany izay nianianan'ny TOMPO tamin'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo fa homena azy30.20 fa izany... hahamaro: dkt hafa fa Izy no hahavelona anareo sy hahamaro. –i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba: jereo Gen 12.7; 26.3; 28.13..

Manao fanekena amin'ny vahoakany Andriamanitra

1- Manome safidy malalaka Izv
"Miantso ny lanitra sy ny tany Ahy anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana". Miharihary eto ny maha fitiavana an' Andriamanitra. Tsy manery fa manome malalaka ny olona hisafidy izay mahametimety azy Izy : na fiainana na fahafatesana. Tompon'andraikitra eo anoloan'ny safidinv ny tsirairav, satria efa nampahafantarina mialoha izay ho vokatry ny safidiny (Deo 1 1, 26-28). Efa hatramin'ny voalohany sy mandrak'ankehitriny dia Andriamanitra manaja ny safidin'ny olombelona Izy. koa mahaiza misafidy tsara ho amin'ny fiainana.

2- Manolo-kevitra Izy mba ahay misafidy
"Koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao". Adama, ilay olona voalohany nisafidy ny fahafatesana. Raha azon'Andriamanitra atao ny misafidy ho antsika, dia aleony isika misafdy fiainana. Satria tsy tiany ho very isika. Ekeo ary izany fitarihan' Andriamanitra izany fa tsy manolo-bato mafana Izy. Efa nisalìdv hanolotra ny Zanany lahitokana hanome fiainana ho an'izao tontolo izao Andriamanitra rahateo Izy. Rehefa izanv dia ho tia Azv ka ihaino nv feony sy hifikitra Aminy isika, fa izany no fiainana sy fitahiana.

Fanontaniana :
Inona no fototry ny olana mampivarina ny safìdin'ny olona maro ho any amin'ny ozona sy ny fahafatesana?

mardi 17 avril 2018

Talata 17 Aprily 2018 - Jao 10 : 11 - 18

11Izaho no Mpiandry10.11 Ampit Sal 23.1; Is 40.11; Ezek 34.15; 37.24. tsara. Ny Mpiandry tsara no manolotra ny ainy hamonjena ny ondry. 12Ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry sady tsy tompon'ny ondry, dia mandao ny ondry sy mandositra raha vao mahita ny amboadia tamy; ka ny amboadia no misambotra ny ondry sy mampihahaka azy. 13Ny mpikarama no mandositra, dia satria mpikarama izy ka tsy raharahainy akory ny ondry. 14Izaho no Mpiandry tsara: fantatro ny ondriko ary ny ondriko mahafantatra Ahy, 15tahaka ny ahafantaran'ny Ray10.15 Jereo Mt 11.27; Lk 10.22. Ahy sady ahafantarako ny Ray; ary manolotra ny aiko Aho hamonjena ny ondry. 16Manana ondry hafa izay tsy avy amin'ity vala ity aho; ireny koa dia tsy maintsy tarihiko, ka hihaino ny feoko ary ho tonga andiany tokana entin'ny mpiandry tokana10.16 ary ho tonga... mpiandry tokana: misy stf sasany ahitana hoe ary tsy hisy afa-tsy andiany tokana sy mpiandry tokana. . 17Ny itiavan'ny Ray Ahy dia satria manolotra ny aiko Aho mba handraisako azy indray. 18Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa Izaho ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra ny aiko Aho, ary manana fahefana handray azy indray: izany didy izany no azoko tamin'ny Raiko.

Ny mpiandry dia sary entina nilazana an'Andriamanitra mpitarika sy mpiaro ny vahoakany, na ny mpanjaka Mesianika, na ireo tompon'andriakitra teo amin'ny Tsraely. I Jesoa Ilay zanak'Andriamanitra no nahatanteraka izany hitondra ny olona ho any amin'ny fiainana mandrakizay.

I Jesoa Mpiandry tsara :

1- Manolotra ny ainy
Tsy azo ampitahaina na oviana na oviana amin'ny mpiandry mpikarama izay mandositra ny ondry amin'ny fotoan-tsarotra ny mpiandry tsara. Manana hadiry hatramin'ny fanolorana ny aina mantsy ny Mpiandry Tsara. Izany fanolorana ny aina izany dia vokatry ny nahim-po madiodion'ny Mpiandry tsara (and.18). Ampy ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka io fanoloran'i Jesoa ny ainy io, koa tsy azo soloina zavatra hafa intsony.

2- Mahafantatra ny ondriny
«Fantatro ny Ahy, sady fantany Aho ». Fahafantarana lalina tahaka ny misy eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka no hita eto. Fantany avokoa nv fiantsoana, ny toerana misy azy ary na ny hitondrana azy ireo aza. Mampiseho izany fa vonona handray an-tanana hatramin'izay an-tsipirihany kely indrindra eo amin'ny fiainan'ny mpanomponv Izv Andriamanitra. Afaka mifandray akaiky sy lalina kokoa amin'ny Tompo isika satria fantany tsara.

Fanontaniana:
Manaiky ihaino ny feon'Ilay Mpiandry Tsara ve ny ondriny?

lundi 16 avril 2018

Alatsinainy 16 Aprily 2018 - Rom 6 : 1 - 13

1Inona àry no holazaintsika? Hitoetra ao amin'ny fahotana ve isika mba hitomboan'ny fahasoavana6.1 Ampit 3.8.? 2Sanatria izany! Isika izay efa maty raha ny amin'ny fahotana, hataontsika ahoana no mbola ho velona ao amin'ny fahotana ihany? 3Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin'i Kristy Jesoa dia natao batisa mba hiombona amin'ny fahafatesany? 4Koa tamin'ny alalan'ny batisa dia niombona amin'ny fahafatesan'i Kristy Jesoa isika ary niara-nalevina taminy, mba ho tahaka ny nananganana an'i Jesoa ho velona avy tany amin'ny maty noho ny herin'Andriamanitra Ray be voninahitra no hizorantsika koa amin'ny fiainam-baovao.

5Koa raha6.5 raha: dkt hafa satria (toraka izany ao amin'ny and 8). fahafatesana mifanahaka amin'ny an'i Kristy no nampiraisana antsika aminy, dia fitsanganan-ko velona mifanahaka amin'ny Azy koa no hampiraisana antsika aminy. 6Fantatsika fa ny maha olona antsika taloha dia efa niara-novonoina tamin'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana, mba ho levona ny tenantsika gejain'ny fahotana ka tsy ho mpanompon'ny fahotana intsony isika; 7satria izay maty dia afaka amin'ny fangejàn'ny fahotana. 8Raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa: 9ary fantatsika fa tsy maty intsony i Kristy rehefa nitsangana velona avy tany amin'ny maty: tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. 10Satria maty Izy, dia indray mandeha monja, noho ny amin'ny fahotana; ary izao Izy velona izao kosa, dia velona ho an'Andriamanitra. 11Toy izany koa, aoka ianareo hihevitra ny tenanareo ho efa maty raha ny amin'ny fahotana fa velona ho an'Andriamanitra kosa ao amin'i Kristy Jesoa.

12Noho izany àry, dia aoka tsy havela hanjaka ao amin'ny tenanareo mety maty ny fahotana, ka tsy hanaraka ny filàny ianareo. 13Aoka ny zavatra anisan'ny tenanareo tsy hatolotrareo ny fahotana mba ho fiasana hoentiny hanao ny ratsy. Fa atolory an'Andriamanitra ny tenanareo toy ny olona efa maty no velona indray, ary atolory an'Andriamanitra ireo zavatra anisan'ny tenanareo mba ho fiasana hoentiny hanao ny marina.

... ka ny tenanareo dia alaovy ho efa maty ny amin 'ny ota fa velona ho an 'Andriamanitra ao amin 'i Kristy » (and. 11)

Ny fiasan'ny fahasoavan'i Kristy eo amin'ny mpino dia:

1- Mamono ny fahotana (and.6-7)
Raha ampiharina ara-bakiteny nyhoe : "fahafatesana no tambin 'ny ota", dia efa maty tokoa isika rehetra. Fa ny fahasoavana no manafaka antsika amin'ny herin'ny ota sy ny fahafatesana ka mbola velon'aina isika. Izany hoe: mahery noho ny herin'ny ota ny herin'ny fahasoavana, ka tsy maty avy hatrany isika fa ny ota ao anatintsika no vonoin'ny herin'ny fahasoavana. Tsy vitan'ny herin'ny tenantsika irery, araka izany, ny mamono ny fahotana, fa tsy maintsy manaiky iasan'i Kristy isika.

2- Mamelona ny fiainana ao amin'i Kristv (and 8-10)
Ny fahavelomantsika dia vidin'ny fahasoavan'i Kristy, ka ny segondra sy minitra ary ora iainantsika dia sandan'ny ain'i Jesoa Kristy maty teo amin'ny hazo fijaliana avokoa. Araka izany, dia ny ''ho velona ho an'Andriamanitra'' no tokony ho setriny havalintsika izany. Aza manaiky ho resin'ny ota intsony isika kristianina satria efa mino ny fahasoavana ao amin'i Kristy. Fiainana tsara sy vaovao no iainan'ny mpino miaraka amin'i Kristy.

Fanontaniana :
ladio hevitra : mamono sa mamelona antsika ny rano teo amin'ny batisa?

dimanche 15 avril 2018

Alahady 15 Aprily 2018 - Asa 11 : 1 - 18

1Ren'ny apôstôly sy ny havana iray finoana tany Jodea fa efa nandray ny tenin'Andriamanitra koa ny hafa firenena. 2Ka nony tafaverina tany Jerosalema i Petera, dia nifandiran'ireo mpino jiosy 3nataony hoe:
–Dia olona tsy voafora ve no niantranoanao sy niarahanao nisakafo?

4Fa notantarain'i Petera tamin'ny antsipiriany hatrany am-boalohany izay nitranga, ka hoy izy tamin'ireo mpino jiosy:
5–Tao an-tanànan'i Jôpa aho, ary sendra nivavaka indrindra no nisehoam-pahitana mahavariana. Nisy zavatra nidina avy any an-danitra: toa lamba lehibe voatana amin'ny zorony efatra, nalatsaka avy any ary tonga teo akaikiko. 6Nijery tsara sy nandinika ny tao anatiny aho, ka nahita ny biby mandeha tongotra efatra, ny bibidia, ny biby mikisaka amin'ny tany ary ny voro-manidina. 7Dia nisy feo henoko nanao tamiko hoe: «Mitsangàna, ry Petera; mamonoa ka mihinàna!» 8Ary novaliako hoe: «Sanatria, Tompoko! Tsy mbola nisy mihitsy zavatra fady na maloto niditra ny vavako.» 9Dia mbola heno indray ilay feo avy any an-danitra nanao hoe: «Izay efa nambaran'Andriamanitra fa madio, dia aza ataonao ho fady.» 10Intelo niverina izany, dia nakarina manontolo tany an-danitra indray ilay zavatra. 11Tamin'izany fotoana izany indrindra dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao amin'ilay trano nitoerako11.11 nitoerako: misy stf sasany ahitana hoe nitoerany. : iraka avy any Kesaria hankatỳ amiko. 12Dia nitenenan'ny Fanahy Masina aho mba tsy hisalasala ny hiaraka aminy. Tafaraka tamiko tany koa ireto havana mpino enina nentiko eto aminareo ireto, ary niditra tao an-tranon'i Kôrnely izahay. 13Dia notantarain'i Kôrnely ny fomba nahitany tao an-trano anjely anankiray izay nanao taminy hoe: «Maniraha lehilahy any Jôpa haka an'i Simôna, izay antsoina koa hoe Petera. 14Hitondra teny hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra izy.» 15Vao nanomboka niteny aho, dia efa nilatsaka tamin'izy rehetra ny Fanahy Masina tahaka ny nilatsahany tamintsika tany am-boalohany koa. 16Tsaroako tamin'izay ilay tenin'ny Tompo hoe: «I Jôhany dia nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina11.16 Jereo 1.5..» 17Notoloran'Andriamanitra ny fanomezany isika rehefa nino an'i Jesoa Kristy Tompo; koa raha notoloran'Andriamanitra fanomezana mitovy amin'ny antsika ireo hafa firenena, dia iza moa aho no ho afa-manohitra an'Andriamanitra?

18Nony nandre izany ireo mpino jiosy, dia nitony ary nanome voninahitra an'Andriamanitra ka nanao hoe:
–Marina fa nomen'Andriamanitra ny hafa firenena ihany koa ny hiala amin'ny toe-dratsy mba hahazoany fiainana.

Manolotra ny fiainany ny Tompo

"Efa nomen'Andnamanìlva ny jentilisa koa ny Fibebahana ahazoany fìainana"(and 18a).

1- Ho an'ny olona rehetra
Tamin'ny fahitana no nanehoan'Andriamanitra tamin'i Petera fa tsy ho an'ny Jiosy irery ny famonjena notanterahiny tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy (and 1- 10). Nanaiky izany i Petera ka nandeha nitory tamin'ny Jentilisa na dia voararan'ny Lalàna jiosy aza izany. Tsy manavaka Andriamanitra. Ny olona rehetra no tiany hovonjena sy tolorana fíainana amin'ny alalan'i Jesoa Kristy. Niantomboka teo amin'ireo Jiosy nino Azy izany ary mipaka aty amintsika ihany koa (and 18).

2- Amin'ny alalan'ny fibebahana.
Ny fibebahana no andraisana ny fiainana atolotr'i Jesoa. Na iza na iza no tonga amin'ny fìbebahana marina dia mandray fìainana avy Aminy. Ny fanekena an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy no midika ho fibebahana ho an'ny Jentilisa. Ny fíverenana amin' Andriamanitra kosa no hevitr'izany ho an'ny efa mino kanefa zary nanalavitra Azy noho ny fahotana. Izay mino ny fanambaran'Andriamanitra ny amin'ny maha-mpamonjy an'i Jesoa ka mandray ny Fanahy Masina no handray fiainana mandrakizay avy Aminy (and 13-18).

Fanontaniana :
Nahoana no mbola misy fanavakavahana amin'ny endriny maro samihafa ihany eo anivon'ny Fiangonana?

samedi 14 avril 2018

Sabotsy 14 Aprily 2018 - Sal 145 : 15 - 21

HAINA
15Mifantoka aminao ny mason'izao rehetra izao
fa Ianao manome azy ny sakafony ara-potoana.
PE
16Manokatra ny tananao Ianao
ka mamoky zava-tsoa ny miaina rehetra145.16 And 15-16: jereo Sal 104.27-28..
TSADE
17Marina amin'ny lalany rehetra ny TOMPO
ary be fitiavana amin'ny asany rehetra.
KÔFA
18Ny TOMPO eo akaikin'izay rehetra miantso Azy,
dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
RESA
19Manao izay irîn'ny manaja Azy ny Tompo,
ary mihaino ny tarainany ka mamonjy azy.
SINA
20Ny TOMPO miambina izay rehetra tia Azy;
ny olon-dratsy kosa aringany avokoa.
TAO
21Aoka ny vavako hiteny fiderana ny TOMPO;
ny voaary rehetra anie hankalaza ny anarany masina
mandrakizay mandrakizay!

Mendrika ny hankalazaina ny Tonipo

Tononkira fiderana nataon'i Davida ho fanandratana sy fankalazana an'Andriamanitra ity Salamo 145 ity. Ny fitondran'Andriamanitra izao tontolo izao sy ny asany dia tena mahagaga tokoa. Mpanjaka lehibe manam-pahendrena sy manam-pitiavana ny olony sy ny voahariny manontolo Andriamanitra ka mendrika ny hankalazaina satria:

1 - Izy no antenain'izao rehetra izao (and 15a).
Tsy misy azo andrandraina hitondra famonjena ho an'izao tontolo izao afa-tsy Andriamanitra irery (Jao 3.16). Izy no mamelona ny manan'aina rehetra (and 15b-16). Toy ny Ray mamelona ny ankohonany Andriamanitra ka manolotra izay hanina mahavelona azy isan'andro sy ara-potoana. Fahatanterahan'ny vavaka nampianaran'ny Tompo izany.

2 - Mamindra fo amin'ny voahariny rehatra Izy (and 17).
Fitiavana lehibe ihany koa no azo ilazana izany famindram-pon'Andriamanitra izany (Jer 31,3). Akaikin'izay miantso Azy Izy (and 18). Tsy lavitra fa akaiky antsika mandrakariva ny Tompo ka mihaino ny fitarainan'izay matoky Azy Izy (and 19). Mamaly ny olona araka ny asany Izy (and 20). Mahazo fiarovana avy Aminy izay matahotra Azy. Fandringanana kosa no miandry ny ratsy Fanahy.

Fanontaniana :
Manana anton-javatra manokana iderana an' Andriamanitra ve ianao anio? Lazao.

vendredi 13 avril 2018

Zoma 13 Aprily 2018 - Rom 5 : 15 - 21

15Kanefa tsy azo ampitahaina ny hadisoana vitan'i Adama sy ny fanomezana atolotr'Andriamanitra maimaimpoana. Niharan'ny fahafatesana ny besinimaro, noho ny hadisoan'ny olona anankiray, dia i Adama; nitosaka be nihoatra lavitra noho izany kosa ilay fahasoavana avy amin'Andriamanitra, ilay fahasoavana nomena maimaimpoana ho an'ny besinimaro tao tamin'ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy. 16Ary tsy tahaka ny vokatry ny fahotana vitan'i Adama ny vokatry ny fanomezana atolotr'Andriamanitra: ny hadisoan'ny olona anankiray notsaraina dia nahatonga fanamelohana; fa ny fanomezana atolotr'Andriamanitra maimaimpoana kosa dia nahatonga ny hadisoana maro havela tanteraka. 17Eny, tamin'ny alalan'ny olona anankiray ary noho ny hadisoan'io olona iray io no nanjakan'ny fahafatesana; fa ireo mandray ny fahasoavana nitosaka be avy amin'Andriamanitra ary koa ny fahamarinana nomeny maimaimpoana dia vao mainka velomin'Andriamanitra sy ampanjakainy tamin'ny alalan'ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy.

18Koa ny hadisoana vitan'olona iray, dia i Adama, no nahavoaheloka ny olona rehetra; toy izany koa ny asa marina vitan'olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nahatonga ny olona rehetra hovotsorana tanteraka sy hahazo fiainana. 19Noho ny olona anankiray tsy nanaiky an'Andriamanitra, dia nanjary mpanota ny besinimaro; toy izany koa, noho ny olona anankiray nanaiky an'Andriamanitra, dia hanjary olo-marina eo imason'Andriamanitra ny besinimaro.

20Ny lalàna no tonga, dia ny mba hampitombo be ny hadisoana; nefa koa teo amin'izay nahabe ny fahotana no nihoa-pampana ny fahasoavana. 21Koa tahaka ny nanjakan'ny fahotana ka nahafaty antsika no hanjakan'ny fahasoavan'Andriamanitra hahatonga antsika ho marina ka hahavelona antsika mandrakizay amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika.

Kristy fiainana sy fahamarinana

Asehon'i Paoly Apostoly eto ny fífanoherana ratsy eo amin'izay nataon'i Adama sy i Jesoa. Adama no ilay voalohany tamin'ny olombelona koa rehefa nanota izy dia nahatratra ny olombelona rehetra tahaka azy ny fahafatesana tambin'ny ota. Ny tsy fankatoavana ny tenin'Andriamanitra no otan'i Adama izay tandindon'ny tsy fankatoavantsika ihany koa. Tsy mba toy izany i Jesoa izay tsy mba nanota fa nanaiky ho sorona noho ny fankatoavany ny sitrapon'ny Ray. I Adarna dia nitondra fitsarana sy fanamelohana ary fahafatesana. I Jesoa kosa dia nitondra fànamarinana sy fanafahana ary fiainana. Raha fahafatesana no nolovaintsika avy tamin'i Adama dia fíainana kosa no setrin'izany noho ny fanoloran'i Jesoa ny tenany ho antsika teo amin'ny hazofijaliana. Io ilay fahasoavan' Andriamanitra nomena antsika tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy (and 20).
Ny fahasoavana araka an'i Paoly dia ny nanamarina antsika maimaim-poana tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy miaraka amin'ny tombotsoa rehetra aterak'izany. Ny fahasoavan'Andriamanitra ary dia:

  • Ampy sy mahatratra ny maro (and 15). 
  • Hanamarinana ny mpanota (and 16. 18-19). 
  • Fanomezana fiainana avy amin'ny Tompo ho an'ny mpanota(and 17).


Fanontaniana :
Diniho avokoa ny fìarahabana apostolika rehetra. Inona no fanamarihana azonao atao?

jeudi 12 avril 2018

Alakamisy 12 Aprily 2018 - II Kor 4 : 12 - 18

12hany ka ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana no miasa ao aminareo.
13Hoy ny Soratra Masina: «Nino aho, ka izany no nitenenako4.13 Sal 116.10 araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..» Noho izahay manana io finoana omen'ny Fanahy Masina io, dia mino koa izahay ka izany no itenenanay. 14Fantatray fa Andriamanitra, Izay nanangana an'i Jesoa Tompo ho velona, dia hanangana anay koa ho velona miaraka amin'i Jesoa, ary hametraka anay mbaminareo ho eo akaikiny. 15Eny, noho ny aminareo avokoa izany rehetra izany, ka dia mihamaro ny olona tratran'ny fahasoavana mba hitomboan'ny vavaka fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra.

16Izany no tsy mahaketraka anay, fa na dia mihalevona aza ny maha olona eto ivelany, dia mihavao isan'andro kosa ny maha olona ao anaty: 17satria ny fahoriana maivana sy mandalo mihatra aminay dia miasa manomana voninahitra lehibe mihoa-pampana sady maharitra mandrakizay, 18raha tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita. Ny hita manko dia miserana ihany, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.

Ny fiharetan'ny mpitory ny Filazantsara

Niharitra zavatra maro tokoa i Paoly tamin'ny maha-mpitory ny Filazantsara Azy satria ny fiharetan'ny mpitory ny Filazantsara tahaka azy dia:

1- Mitondra fiainana ho an'ny Fiangonana (and 12)
Raisin'i Paoly ho toy ny fahafatesana mihatra aminy isan'andro ireo endri-javatra maro samihafa tsy maintsy iharetana noho ny amin'ny Tompo sy ny Fiangonany. Tsy maintsy iaretana avokoa ireny mba ahafahan'ny Fiangonana miaina ny fahasoavan' Andriamanitra ao amin'i Kristy. Tahaka an'i Kristy nanaiky hiaritra fijaliana dia miharitra izany koa ny mpitory ny Filazantsara mba ahazoan'ny hafa fiainana ao amin'ny Tompo.

2- Mampitombo ny fisaorana an'Andriamanitra
Ny mpitory ny Filazantsara dia manao ny zavatra rehetra mba hitomboan'ny fahasoavan'Andriamanitra eo amin'ny fiainan'ny mino. Izany fitomboan'ny fahasoavan'Andriamanitra izany no manetsika ny fon'ny mpino hisaotra sy hanome voninahitra an' Andriamanitra mandrakariva eo amin'ny fiainany (and 15) ka mahatonga risi-po sy fahavitrihana ho an'ny mpitory ny Filazantsara na dia eo aza ireo fahoriana samihafa mianjady aminy. Andriamanitra no manavao isan'andro ny toe-po sy ny toe-panahiny (and 16-18).

Fanontaniana :
Tanisao ireo tsy maintsy iaretana noho ny amin'ny Tompo sy ny Fiangonany araka ny Rom 8, 35.

mercredi 11 avril 2018

Alarobia 11 Aprily 2018 - Jao 10 : 1 - 10

1–Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay tsy miditra amin'ny vavahady mankao amin'ny valan'ondry10.1 Mandritra ny alina dia apetraka anaty vala voafehy rindrim-bato ireo andiam-biby fiompy sady anaramàna mpiambina., fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy; 2fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ny ondry. 3Ny mpiandry no vohan'ny mpiambina vavahady; ary ny ondry mihaino ny feon'ny mpiandry izay miantso ny ondriny araka ny anarany avy sy mamoaka azy. 4Rehefa tafavoakany avokoa ny ondriny, dia lasa izy mialoha azy; ary manaraka azy ny ondriny, satria mahalala ny feony. 5Ny vahiny kosa tsy mba harahin'ny ondry fa handosirany, satria tsy fantany ny feon'ireo vahiny.

6Izany fanoharana izany dia nolazain'i Jesoa tamin'ireo Jiosy, kanefa tsy azon-dry zareo ny zavatra noresahiny taminy.


7Dia hoy indray i Jesoa:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no vavahadin'ny ondry. 8Mpangalatra sy jiolahy10.8 Jereo Jer 23.1-2; Ezek 34.2-3. avokoa izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry. 9Izaho no vavahady: raha amin'ny alalako no idiran'ny ondry, dia hovonjena izy ary ho afa-miditra sy mivoaka ny vala sady hahita tanim-bilona. 10Ny mpangalatra dia tsy tonga raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa no tonga dia ny hahavelona aina ny ondry ary hahavelona aina azy tsy misy fetra.

"Izaho avy mba hananany fiaìnana, sady hananany be dia be"(and 10)

1- Tonga hanoine fiainana ho antsika i Jesoa
Ny hitondra fiainana ho antsika no antom- pahatongavan'i Jesoa ho olona. Tandindomin'ny fahafatesana mandrakariva mantsy ny fiainantsika. Ny hanafaka antsika amin'izany aloky ny fahafatesana izany indrindra no nahatongavan'i Jesoa. Tahaka ny mpiandry tsara dia tonga Izy hitarika, hamelona, hiaro ny ondriny. Santionany amin'ny fiainana atolotry ny Tompo ho antsika ny famelan-keloka, fanasitranana, famonjena, fìahiana sy fiarovana ary ny hananganana antsika amin'ny maty (and 9 ampit Sal 23).

2- Manana fiajnana be dia be omena antsika i Jesoa
Manolotra fiainana feno amin'ny lafiny rehetra ho antsika ny Tompo. Ny fiainana be dia be atolotry ny Tompo voalaza eto mantsy dia tsy milaza habetsahana fotsiny ihany fa milaza hafenoana sy hatsarana ihany koa. Fiainana feno sy mitohy ary maharitra no atolotry ny Tompo ho antsika izay matoky Azy. Santarina sahady ety an-tany izany fiainana feno atolotry ny Tompo izany ho antsika izay mino ny famonjena vitany teo amin'ny hazo fijaliana.

Fanontaniana :
Ahoana no ahatsapanao fa manolotra fiainana be dia be ho anao tokoa i Jesoa?

mardi 10 avril 2018

Talata 10 Aprily 2018 - Oha 16 : 10 - 16

10Teny ombàm-pahefàn'Andriamanitra no ambaran'ny mpanjaka;
ka tsy mba diso ny didim-pitsarana avoakany.
11Araka ny TOMPO ny mizàna sy lela-mizàna marina;
ary asany avokoa ireo vato tsy mandainga ao an-kitapo.
12Halan'ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy,
satria fahamarinana no iorenan'ny sezafiandrianany.
13Filazana ny marina no sitraky ny mpanjaka,
ary izay miteny mahitsy no tiany.
14Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia iraka mahafaty;
fa ny hendry kosa no manao izay hitonian'izany.
15Raha miran-tava ny mpanjaka, dia mamelombelona aina;
ary ny hatsaram-pony dia toa rahona mitondra oram-pararano.

16Aleo mahazo fahendrena toy izay mahazo volamena,
ary aleo mahazo fahaiza-manavaka toy izay volafotsy16.16 Jereo 2.4 sy nta..

Ny mpanjaka manolotra fiainana

Iraka solon'Andriamanitra teo amin'ny vahoaka ny mpanjaka mba hitondra fìainana ho azy ireo. Tsy ny mpanjaka rehetra anefa no afaka hitondra izany fa ny mpanjaka:

1- Milaza ny marina ihany
Marina Andriamanitra amin'ny fítondrany ny vahoakany. Tsy maintsy mampiseho izany fahamarinan'Andriamanitra izany koa ny mpanjaka amin'ny maha solotenan'Andriamanitra azy ka milaza ny marina amin'ny vahoakany (and 10a). Manana adidy hilaza ny marina amin'ny vahoaka ny mpitondra sy ny manam-pahefana rehetra raha te-hanome fiainana ho azy ireo. I Jesoa no ilay Mpanjaka manolotra fiainana ho antsika satria ny marina rehetra no ambarany amintsika. Fiteniny mazàna ny hoe: "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa". Ao amin'izany teniny izany no misy fiainana ho antsika.

2- Mitsara marina ihanv
Andriamanitra no Mpitsara marina. Solotenan' Andriamanitra hampiseho izany eo amin'ny vahoaka ny mpanjaka koa tsy maintsy mitsara arakany fahamarinana izy mba hampisy fílaminana, Manameloka izay nanao fahadisoana fa mamalv fitia kosa ireo izay hita fa mendrika sy mandeha amin'ny fahitsiana (and 10a-15). I Jesoa koa no Mpitsara marina (2 Tim 4, 1).

Fanontaniana :
Inona avy no mety ho voka-dratsin'ny kobaka am-bava ataon'ny mpitondra?

lundi 9 avril 2018

Alatsinainy 09 Aprily 2018 - I Jao 3 : 11 - 15

11Izao manko no hafatra efa renareo hatramin'ny voalohany: aoka isika hifankatia3.11 Jereo Jôh 13.34.! 12Fa tsy hanao tahaka an'i Kaina izay avy amin'ilay Ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary inona no anton'ny namonoan'i Kaina azy? Dia satria ratsy ny asan'i Kaina, fa marina kosa ny an'ny rahalahiny3.12 Jereo Gen 4.1-8. –izay avy amin'ilay Ratsy: izany hoe eo ambany fahefan'ny devoly..
13Aza gaga, ry havana, raha ankahalain'izao tontolo izao ianareo3.13 Ampit Lk 6.22; Jôh 15.18; 17.14.. 14Fantatsika fa tafafindra avy tamin'ny fahafatesana mba hiditra ao amin'ny fiainana isika3.14 Ampit Jôh 5.24., satria tia ireo namana iray finoana. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin'ny fahafatesana ihany. 15Izay rehetra mankahala ny namany iray finoana dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana ny fiaina-maharitra mandrakizay mitoetra ao anatiny.

Ny fifankatiavana

Ao amin'ny Filazantsara sy ireo Epistily telo nosoratan'i Jaona. ny fifankatiavana dia:

1 - Didin'nv Tompo (and 11-12)
Fampitana ny hafatry ny Tompo tamin'ny nandidiny ny mpianatra mba hifankatia no ataon'ny Apostoly Jaona eto (Jao 15, 9-12). Eo amin'izay anjakan'ny fifankatiavana tokoa mantsy no misy fiainana sy fahavelomana koa didin'ny Tompo isika mba hifakatia. Eo amin'izay anjakan'ny fìalonana kosa no itoeran'ny fankahalana sy ny fahafatesana. Miafara amin'ny famonona mandrakariva ny fankahalana. Ohatra velona amin'izany ny fifandraisan'i Kaina tamin'i Abela rahalahiny.

2 -Fananana fiainana avy amin'nvy Tompo (and 13-15)
Izay tia no manana fiainana avy amin'ny Andriamanitra ka afaka mamindra aina amin'ny hafa. Izany fitiavana hanolotra fiainana ho antsika izany no naneken'ny Tompo ho faty teo amin'ny hazofijaliana mba hisolo heloka antsika.Tafafindra hiala amin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana ny olona manana fitiavana. Mitoetra ao amin'ny fahafatesana tambin'ny ota hatrany kosa ireo izay feno fankahalana satria mamono ny mpiara-belona aminy. Ota eo anatrehan' Andriamanitra anefa ny famononan'olona amin'ny endriny mivantana na ankolaka ka fahafatesana no tambin'izany (Mat 5. 21-22; Rorn 6, 23).

Fanontaniana:
Nahoana no feno fankahalana ny fon'ny olona?

dimanche 8 avril 2018

Alahady 08 Aprily 2018 - Oha 10 : 14 - 19

14Harem-pahalalana no voaangon'ny hendry;
fandringanana antomotra kosa no hateraky ny tenin'ny adala.
15Ny fananan'ny mpanankarena no toy ny manda miaro azy;
fa ny fahantran'ny ory kosa no hiteraka fandringanana azy.
16Ny karaman'ny olo-marina dia hivelomany;
fa ny vola azon'ny olon-dratsy kosa hahotany.
17Izay mitandro fifehezan-tena dia mizotra ho amin'ny fiainana;
fa izay mandà anatra kosa no haniasia.
18Mpihatsaravelatsihy izay manafina ny fankahalany;
fa adala izay mampiely endrikendrika.
19Ny teny maro tsy ilaozam-pahadisoana;
fa olo-misaina kosa ny mahatam-bava.

Torolalana ahazoam-piainana

Boky mirakitra anatra feno fahendrena izay mitondra ho amin'ny tena fiainana ny bokin'ny Ohabolana. Santionany izay ambara eto. Ny olona maniry fíainana milamina dia:

1- Miasa amim-pahamarinana (and 16)
Nodidin'Andriamanitra hiasa isika mba ho velona (Gen 2, 15). Avy amin'ny asa izay isasarana no ivelomana (Gen 3, 19). Ny asa rehetra dia mahavelona avokoa rehefa atao am-pahamarinana sy araka ny sitrapon' Andriamanitra. Ny vokatry ny asa atao am-pahamarinana no mitondra filamin-tsaina ka manome fíainana milamina sy araka ny sitrapon'Andriamanitra. Fahotana eo anatrehan' Andriamanitra kosa ny harena azo avy amin'ny tsy rariny sy ny fanambakana.

2- Mandray anatra avy amin'ny Tompo (and 17)
Toy ny fitondran'ny ray be fìtiavany ny zanany no hitondran'Andriamanitra antsika. Mikatsaka fiainana ho antsika mandrakariva Izy ka tsy lany rora mananatra antsika. Izay mandray anatra avy Aminy no mahazo fiainana avy Aminy. Ao amin'ny Teniny no andraisantsika ny toro-lalana sy ny anatra omen' Andriamanitra antsika mba ahazoantsika ny tena fiainana avy Aminy. Ny fandraisana ny fampianaran'i Jesoa no mitondra antsika ho amin'ny lalan'ny fiainana satria Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana ho antsika (Jao 14, 6).

Ftjnontaniana:
Inona no fandraisana andraikitra ataonao ho fiadiana amin'ny kolikoly sy ny tsy fahamarinana?

samedi 7 avril 2018

Sabotsy 07 Aprily 2018 - Oha 8 : 32 - 36

32«Ary ankehitriny henoinareo aho, rey anaka;
fa sambatra ianareo manaraka ny sori-dalako.
33Henoy ny anatro ary aza lavina
fa hampahendry anareo izany.
34Sambatra izay olona mihaino ahy
ka miandry isan'andro eo am-baravarako
sy miambina eo an-tokonako!
35Izay mahita ahy dia mahita ny fiainana
sady mahazo sitraka amin'ny TOMPO.
36Fa izay diso amiko dia handratra ny tenany,
ary izay mankahala ahy dia tia fahafatesana.»

Miantso Rafahendrena
Aseho ho toy ny olombelona ny fahendrena eto. Tanteraka tao amin'i Jesoa izany fahatongavany ho olona izany satria Izy no ilay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra (1 Kor 1, 24). Miantso Jesoa ilay Fahendrena koa:

1- Mihainoa mandrakariva Azy mba ho sambatra isika (and 32-34)
Mitaona antsika ho liana amin'ny fihainoana ny anatra sy ny fanarahan-dia Azy ny Tompo. Fiainana sy fahasambarana no aterak'izany fanarahana ny Tompo sy fihainoana ny teniny izany raha toa ka iainantsika sy ampiharintsika eo amin'ny fiainana andavan'andro.

2- Tadiavo Izy mba ahita fiainana isika (and 35)
Izay mitady no mahita hoy i Jesoa (Mat 7, 8). Izay mitady fiainana ka maniry ny hahita izany dia tsy maintsy manao izay hifankahitany amin'i Jesoa amin'ny alalan'ny Soratra Masina (Jao 5, 39-40). Fahasoavana roa sosona no ateraky izany: fiainana sy fankasitrahana.

3- Tiavo Izy mba ho velona isika (and 36)
Loza sy fahafatesana no ateraky ny fankahalana an'i Jesoa ilay hery sy fahendren'Andriamanitra (1 Kor 1, 18). Ny fitiavana an'i Jesoa izay mariky ny fìnoana Azy kosa no mitondra fìainana sy fahavelomana ho antsika. Mendrika ny ho tiavina Izy satria nanolotra ny ainy hamonjy antsika (Jao 15, 13).

Fanontaniana:
Inona amin'ireo no tsy maintsy hanaovanao ezaka?

vendredi 6 avril 2018

Zoma 06 Aprily 2018 - II Kor 2 : 14 - 17

14Kanefa hisaorana anie Andriamanitra Izay mampiombona anay mandrakariva amin'ny fandresen'i Kristy. Ampiasain'Andriamanitra izahay hampiely amin'ny toerana rehetra ny fahalalana an'i Kristy, ho toy ny hanitra mamerovero hatraiza hatraiza. 15Fa tahaka ny zava-manitra ataon'i Kristy fanatitra ho an'Andriamanitra izahay2.15 Fa tahaka ny zava-manitra ataon'i Kristy fanatitra ho an'Andriamanitra izahay: dkt hafa Ho fanompoana an'Andriamanitra dia hanitra ararak'i Kristy izahay. , na amin'ny voavonjy na amin'ny very: 16fofona mahafaty tokoa izany ho an'ny very, fa fofona mahavelona tokoa ho an'ny voavonjy. Koa iza moa no antonona ho amin'izany asa izany? 17Izahay dia tsy toy ny sasany manao ny tenin'Andriamanitra ho filàm-bola, fa miteny toy ny olona irahin'Andriamanitra sady mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra, araka ny maha mpanompon'i Kristy anay.

Nv Mpitory ny Filazantsara

Tsy tokony ho menatra ny amin'ny maha-mpitory ny Filazantsara isika satria:

1- Mpiombona fandresana amin'i Kristy (and 14)
Kristy no lohan'ny Fiangonana. Izy no mpitarika Azy. Ny fandresen'i Kristy ny fahafatesana sy ny herin'i Satana rehetra dia fandresen'ny Fiangonana ihany koa. Mpiombona fandresena amin'i Jesoa isika ka toy ny andian-tafika avy nandresy tamin'ny ady dia miombom-pifaliana sy miara-manamboninahitra amin' ny mpitari-tafika ny miaramilany rehetra.

2- Hanitr'i Kristy (and 14-16)
Toy ny zava-maniry mamoaka fofo-manitra sy mamerovero ny Filazantsara ka ny mpitory no mitondra izany eny tontolo eny. Sarotra afenina izany hanitry ny Filazantsara izany ka hitondra fameiombelomana ho an'izay mankasitraka Azy. Fahafatesana kosa ho an' izay tsy mahazaka ny fofony.

3- Mitory amin'ny fahitsiana (and 17)
Maro ny manao ny asa fitoriana ny Filazantsara ho fanangonan-karena ankehitriny ka manao izay hampifaly ny fon'ny maro fotsiny ihany. Ny tena mpitory ny Filazantsara dia manao izany amin'ny fahadiovam-po sy amin'ny fahitsiana ka tsy toy ny mila sitraka amin'ny olona .

Fanontaniana:
Nahoana no tsy sahy mitory ny Filazantsara ny olona sasany na dia efa nampianarina aza?

jeudi 5 avril 2018

Alakamisy 05 Aprily 2018 - Jao 6 : 47 - 58

 47Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia velona aina mandrakizay. 48Izaho no mofo manome ny aina. 49Ireo razanareo nihinana ny mana tany an-taniefitra, nefa maty ihany; 50ity kosa ny mofo midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy. 51Izaho no mofo antoky ny fiainana, dia ilay mofo nidina avy tany an-danitra: raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny tenako mba hahavelona aina an'izao tontolo izao!

52Tamin'izay ny Jiosy dia nifanditra hoe:
–Hataon'ilay io ahoana re no fanome antsika ny tenany hohanina?

53Ka hoy i Jesoa taminy:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny tenan'ny Zanak'olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy velona aina ao anatinareo. 54Izay mihinana ny tenako sy misotro ny rako no velona aina mandrakizay; ary Izaho hanangana azy ho velona amin'ny andro farany. 55Fa ny tenako dia fihinana tokoa; ary ny rako dia fisotro tokoa! 56Izay mihinana ny tenako sy misotro ny rako, dia mitoetra ato anatiko, ary Izaho ao anatiny. 57Velona ny Ray naniraka Ahy, ary Izaho velomin'ny Ray: toy izany koa no hamelomako izay mihinana Ahy. 58Ity no mofo nidina avy tany an-danitra: tsy mba tahaka ilay nohanin'ny razanareo; maty ihany izy ireo, fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay.

Ny fìainana atolotry ny Tompo

Tsy maintsy mihinana mba ho velona.Tsy izay rehetra ohanina anefa dia mahavelona avokoa. Jesoa no toy sakafo tena mahavelona satria:

1- Mitondra fahaveloinana maharitra Izv (and 51-56)
Sakafo fototra mitondra aina sy herim-batana ny mofo ka tsy maintsy hanina isan'andro. Ny ra koa dia milaza aina sy mitondra fahavelomana. Ny fampidirana an'i Jesoa hanjaka eo amin'ny fiainana sy ny fandraisana Azy ho Tompo sy Mpamonjy no mitondra aina sy fahavelomana maharitra ho antsika. Aseho ho hita maso sy azo tsapain-tanana amin'ny alalan'ny fandraisana ny Fanasan'ny Tompo izany.

2- Avv amin'Andriamanitra lzv (and 57-58)
Velona mandrakizay ny Tompo ka ho velona mandrakizay koa izay rehetra mino Azy. Tsy tahaka ireo izay nihinana ny mana tany an'efitra kanefa maty ihany satria voafetra ny fòtoana nisiany sy ny hamaroan'ny azo notehirizina (Eks 16). I Jesoa kosa dia toy ny mofo mitondra fahavelomana mitohy sy maharitra satria manatrika antsika mandrakariva ary velona mandrakizay ka azo atonina amin'ny fotoana sy amin'ny toerana rehetra. I Jesoa no ilay vahaolana avy amin'Andriamanitra mitondra fiainana sy fahavelomana ho an'izay mandray Azy.

Fanontaniana:
Inona no mampiavaka ny mofo sy ny divaim-pandraisana amin'ny mofo sy ny divay hafa rehetra?

mercredi 4 avril 2018

Alarobia 04 Aprily 2018 - Sal 34 : 11 - 22

KAFA
11Na dia ireo mpanankarena aza,
mety tsy ampy hanina ka ho noana;
fa izay mitady ny TOMPO
tsy mba ho orin-java-tsoa.
LAMEDA
12Avia hihaino ahy ianareo, rey anaka,
fa hampianariko hanaja ny TOMPO.
MEMA
13Raha misy olona mankamamy fiainana
ka te ho ela velona sy ho sambatra,
NONA
14dia tsy maintsy mitandrina tsy hiteny ratsy
ary koa mitandrina tsy hilaza fitaka,
SAMEKA
15hiala amin'ny ratsy ka hanao ny tsara
ary haharitra hikatsaka fiadanana.
HAINA
16Tsinjovin'ny TOMPO ireo olo-marina
ary henoiny hatrany ny antsony.
PE
17Toherin'ny TOMPO kosa ny mpanao ratsy34.17 Voatsiahy ao amin'ny 1Pt 3.10-12 ny and 13-17a.,
ka fongorany tsy eo amin'ny tany
ny fahatsiarovana azy ireny.
TSADE
18Vao miantso vonjy ny olo-marina,
dia henoin'ny TOMPO sy afahany
tamin'izay fahoriany rehetra.
KÔFA
19Fa akaikin'ny torotoro fo IZY
sady mamonjy ny rera-tsaina.
RESA
20Na maro fahoriana aza ny olo-marina,
dia afahan'ny TOMPO amin'izany rehetra izany.
SINA
21Arovan'ny Tompo avokoa ny rantsam-batany
ka tsy hisy tapaka na taolana iray aza34.21 Voatsiahy ao amin'ny Jôh 19.36 ny faran'ny and 21..
TAO
22Ho fatin'ny haratsiany kosa ny olon-dratsy
ary hohelohina ny mpankahala olo-marina.

Mandraisa fananarana avy amin'ny Tompo

Toy ny ray be fitiavana mananatra ny zanany Andriamanitra ka manoro lalana antsika mba hahazoantsika miaina finaritra.

1- Fehezo ny vava (and 13)
Halan'Andriamanitra ny lela miteny ratsy ny namany sy ny molotra miteny fitaka (Mat 5, 22). Mahaiza mandanjalanja ny teny rehetra aloaky ny vava mba tsy hitondra fanafitohinana ho an'ny hafa (Kol 4, 6).

2- Mitadiava fihavanana (and 14)
Ny fanaovan-tsoa amin'ny mpiara-belona no mahatsara fihavanana. Alaviro mandrakariva izay hanisy ratsy ny mpiara-belona fa aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy. Raha azo atao dia ataovy izay ihavanana amin'ny olona rehetra, indrindra fa ny mpianakavin'ny finoana (Rom 12, 18).

3- Manaova ny marina
Ny olona mitandrina sy mankatoa ny tenin'Andriamanitra no ambara ho olo-marina araka ny Soratra Masina. Maro ny tombotsoa aterak'izany voatanisa eto: tsinjovin' Andriamanitra izy. henon'Andriamanitra ny fitarainany, mamonjy azy amin'ny fahoriany Izy, mahazo fiarovana avy amin' Andriamanitra izy ka tsy mba ho helohina.

Fanontaniana:
Inona no vato misakana anao tsy aíàhanao mihavana amin'ny olona rehetra

mardi 3 avril 2018

Talata 03 Aprily 2018 - I Kor 15 : 12 - 21

12Raha i Kristy no torînay fa nitsangana velona avy tany amin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany aminareo fa tsy hitsangana velona ny maty? 13Fa raha tsy hitsangana velona ny maty, na dia i Kristy aza dia tsy ho nitsangana velona mihitsy; 14ary raha tsy nitsangana velona i Kristy, dia tsy misy fotony izay torînay, ary tsy misy fotony izay inoanareo? 15Ary dia hita fa vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria lainga no nanambaranay fa Andriamanitra dia nanangana an'i Kristy ho velona: na dia Andriamanitra aza tsy ho nanangana an'i Kristy ho velona, raha marina fa tsy mitsangana velona ny maty. 16Eny, raha marina fa tsy mitsangana velona ny maty, na dia i Kristy aza dia tsy ho nitsangana velona. 17Ary raha tsy nitsangana velona i Kristy, dia foana ny finoanareo ary mbola tavela ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo. 18Ary dia very koa izay efa nodimandry ka nino an'i Kristy. 19Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy15.19 Raha amin'izao... an'i Kristy: dkt hafa raha manantena an'i Kristy no hany ataontsika amin'izao fiainana izao. , dia faran'izay mahonena isika amin'ny olon-drehetra.
20Efa nitsangana velona avy tany amin'ny maty tokoa anefa i Kristy, santatra ho an'ireo nodimandry. 21Ary satria olona iray no niavin'ny fahafatesana, dia olona iray ihany koa no iavian'ny fitsanganan'ny maty.

Ny fìtsanganan'i Jesoa

Ady hevitra mbola tsy mifarana mandraka ankehitriny ny momba ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty. Ny fitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty no:

1- Manaporofo ny hitsanganantsika koa
I Kristy no santatr'izay efa nodimandry ka natsangan' Andriamanitra ho velona mandrakizay (and 15). Hatsangana toa Azy koa izay rehetra nodimandry ka nino ny Tompo fony fahavelony (Jao 11, 25 - 26). Ny fahaveloman'ny Tompo no miantoka ny fahavelomantsika indray ao ambadiky ny fahafatesana.

2- Vontoatin'ny toriteny kristiana
Ny hitory sy hanambara ny vaovao mahafalin'ny fitsanganany tamin'ny maty no nanirahan'i Jesoa ny mpianany voalohany taorian'ny nitsanganany (Mar 16, 6- 7). Manohy izany ny Fiangonana ka manao ho zava- dehibe ny fanasinkasinana izany amin'ny toriteny ataony.

3- Fototry nv finoana kristiana
Ny foto-pinoana no isan'izay maha izy azy sy mampiavaka ny Fiangonana iray amin'ny antokom- pivavahana hafa. Maha izy azy ny Fiangonana kristiana ny finoana ny fisian'ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty noho ny finoana ny nananganana an'i Jesoa tamin'ny maty (and 16-21).

Fanontaniana:
Nahoana isika no mino ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty?

lundi 2 avril 2018

Alatsinainy 02 Aprily 2018 - Job 19 : 21 - 29

21Iantrao dia iantrao aho, ry sakaizako isany,
fa ny tanan'Andriamanitra no namely ahy.
22Nahoana no manenjika ahy
tahaka an'Andriamanitra koa ianareo
ka tsy sasatry ny mampijaly ahy?
23Tiako raha mba voasoratra ny teniko,
ka ho voasokitra any ho any.
24Enga anie ka ho voasokitra amin'ny fandrabỳ izany
sady harahina loko firaka isaky ny litera
ka haharitra mandrakizay eo amin'ny vatolampy.

25Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy;
ka hitsangana farany eo amin'ny tany Izy.
26Rehefa mihintsana izao hoditro izao
ka ho afaka amin'ny nofoko aho,
dia hahita an'Andriamanitra.
27Eny, izaho mihitsy no hijery Azy,
ka ny masoko no hahita fa tsy ny hafa.
Efa sasa-miandry izany ny foko ato anaty.
28Hoy ianareo hoe: «Ahoana no fanenjika azy,
hahitana izay anton-javatra hitsarana azy?»
29Koa matahora ny sabatra ianareo,
fa hovalian-tsabatra ny di-dohanareo;
ary ho fantatrareo fa misy fitsarana.

Aza menatra! Ambarao ny fínoanao

Natoky an'Andriamanitra hatrany i Joba ka sahy nanambara ny finoany tamin'ireo namany. Aza menatra manambara ny finoantsika ka ambarao:

1- Fa Andriamanitra velona Izy
Fanambaram-pinoana mihezinezina no nambaran'i Joba eto (and 25). Ny fahatokiana fa velona Andriamanitra dia mamelonaf'anantenana lehibe ao anatintsika. Velona ny Tompo ka afaka ny hitondra fahavelomana sy hanolotra fiainana ho antsika koa Izy (Jao 14, 19).

2- Nv maha-Mpanavotra Azv
Mpanavotra no niantsoana nv havana izay manam- pitiavana lehibe ka afaka ny hiaro. na hisolo vava na hanampy amin'ny ady. na hanafaka amin'ny fanandevozana (Lev 25, 25; Deo 25. 5-10: Rota 1-4). Jesoa no Mpanavotra azo antoka indrindra. Ny rany latsaka teo amin'nv hazofijaliana no nanavotany antsika (1 Pet I. 18-19).

3- Ny tsy maintsy hifanatrehan-tava Aminy
Efa nino ny fisian'ny fítsanganan'ny tena amin'ny maty ireo zokintsika amin'ny Finoana toa an'i Joba. Ny fifanatrehan-tava amin'Andriamanitra aorian'ny fahafatesana indrindra no tiana ambara eto (and 26-27). Tsy misv mihitsy fotoana mampisaraka ny mino amin' Andriamanitra (Rom 8, 38 - 39).

Fanontaniana:
Ampitahao amin'ny fanekem-pinoantsika izay voalaza eto.

dimanche 1 avril 2018

Alahady 01 Aprily 2018 - Mar 16 : 1 - 11

1Rehefa tapitra ny andro sabata, dia lasa i Maria ilay avy any Magdalà sy i Salôme ary i Maria renin'i Jôsèta nividy zava-manitra, fa nikasa handeha hanosotra an'i Jesoa. 2Ka ny andro alahady vao maraina be, raha iny niposaka iny ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy telo vavy 3ary nifampilaza hoe:
–Iza no hasaintsika hanakodia ny vato avy eo amin'ny vavafasana?

4Kanjo nony nitraka izy telo vavy, dia tazany ny vato satria goavambe ary hitany efa voakodia. 5Dia niditra tao am-pasana izy telo vavy ka raiki-tahotra nahita tovolahy niakanjo fotsy nipetraka teo ankavanam-pasana. 6Fa hoy ilay tovolahy taminy:
–Aoka izay ny tahotra. Mitady an'i Jesoa avy any Nazareta, Ilay nohomboana tamin'ny hazofijaliana, ianareo; efa nitsangana velona Izy ka tsy eto intsony. Jereo fa teo ny toerana nametrahana Azy. 7Fa mandehana lazao amin'ny mpianany sy amin'i Petera hoe: «Mialoha lalana anareo any Galilea, hono, Izy; any no hahitanareo Azy, araka ny voalazany taminareo16.7 Jereo 14.28..»

8Dia nivoaka ny fasana izy telo vavy, ka lasa nandositra niala teo fa tora-kovitra sady talanjona; nefa tsy nilaza na inona na inona tamin'olona, satria natahotra.

[ 9Rehefa nitsangana velona i Jesoa ny alahady vao maraina be, dia tamin'i Maria avy any Magdalà, ilay nandroahany demony fito, no nisehoany voalohany16.9 Tsy ahitana ny and 9-20 ny stf tranainy maromaro; araka ireo stf ireo, dia mifarana eo amin'ny 16.8 ny Vaovao Mahafaly araka an'i Marka; kanefa betsaka ihany ireo stf ahitana ny and 9-20 na hoe «famaranana lava».. 10Io indray lasa nitantara tamin'ireo mpomba an'i Jesoa, izay mbola nisaona sy nitomany. 11Ireo anefa, nony nandre ny voalazan-dravehivavy fa hoe velona i Jesoa ary hitany, dia tsy nino.
Isehoan'i Jesoa ireo mpianatra roa lahy

Velona Jesoa

1- Nivoha ny fasana
Efa nisokatra ny fasana raha tonga teo izy telo mirahavavy mba hanatanteraka ireo fombafomba tsy vita nialoha ny nandevenana an'i Jesoa (and 1-4). Tsy vaky fasana sy halatra faty no hita teto fa velona ny Tompo. Tsy voatanan'ny fasana Izy satria manana ny fanalahidin'ny fiainantsy hita sy ny fahafatesana (Apo l, 18). Tsy toerana natao hampitahotra intsony ny fasana fa efa resin'ny Tompo ny heriny rehetra.

2- Efa nitsangana Izy
"Efa nitsangana Izy; tsy ato Izy". Velona ny Tompo ka any amin'ny tontolon'ny velona no ahitana Azy fa tsy ao amin'ny tontolon'ny maty intsony(and 6). Te hanolotra fiainana ho antsika Izy ka mialoha lalana antsika mandrakariva (and 7). Efa nambaran'i Jesoa mialoha rahateo ny tsy maintsy hitsanganany amin'ny maty kanefa nisy tamin'ny mpianatra no tsy nino (Lio 24. 7. 46). Mampitonantonana ny tsy finoana izany ka any amin'ny maty no itadiavana ny velona. Aelezo ny nandresen'i Jesoa ny fasana sy ny fitsanganany tarnin' ny maty fa izany no Vaovao Mahafaly lehibe indrindra.

Fanontaniana:
Nahoana no raiki-tahotra izy telo mirahavavy rehefa niala teo amin'ny fasana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12