jeudi 31 mai 2018

Alakamisy 31 May 2018 - Lio 11 : 9 - 13

 9Ka hoy Aho aminareo: mangataha, dia homena; mitadiava, dia hahita; dondòny, dia hovohana. 10Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. 11Araka ny hevitrareo, iza no raim-pianakaviana hangatahan-janany11.11 Aorian'ny hoe hangatahan-janany, misy stf sasany manampy hoe mofo ka hanome azy vato? na hangatahany... Jereo Mt 7.9. trondro ka tsy hanome azy trondro fa bibilava? 12Na hangatahany atody ka hanome azy maingoka? 13Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo; tsy mainka ve ny Ray Izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina an'izay mangataka aminy?

Ny fanomezana tsara indrindra

1- Ilam-pitandremana sao tsy ho voaraintsika
Misy teny telo andidian'ny Tompo ataontsika eto: "mangataha, mitadiava, dondòny". Fihetsika asain'nv Tompo ataontsika ireo, ary somary takona ao am-badika ny hoe, mangataha amin'ny Tompo, mitadiava ao Aminy, arv dony varavarana Izy. Olana lehibe ny fakam-panahy hiheverantsika fa isika efa ao an-tranon'ny Ray, tsy any ivelany, ka tsy ilaina mandondòna intsony; Ray mahalala ny homena antsika zanany Izy ka tsy ilaina akory ny mangataka Aminy; efa eo anatrehany isika, atobany ho amintsika ny zava-tsoa rehetra ka tsy ilaina intsony ny mitady zavatra ao Aminy. Fakam-panahy izany, ka tandremo ! Mazava ny tenin'i Jesoa, natao ho antsika ary mandidy antsika : " Mangataha, mitadiava, dondòny... "

2- Fanahy Masina izay angatahina amin'nv Ray
Ny and.13 no mampiseho amintsika ny fahambonian' Andriamanitra mihoatra lavitra noho ny Ray niteraka. Manaporofo izany ny hoe : « tsy mainka va ny Rav, izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina » Raintsika Izy, ary ny fangatahantsika Aminy no ahazoana antoka anomezany antsika ny Fanahy Masina. Na dia efa nirahin'ny Ray tamin'ny Anaran'i Jesoa aza ny Fanahy (Jao 14. 26) dia ampirisihina isika hangataka izany. lo no fanomezana tsara indrindra mba hitarika antsika hananantsika ny toetran'ny fahamasinana. hanantsika ny toetran'ny zanaka mba hahasahiantsika miantso Azy ho Ray (Rom 8, 16 ; Gal 4, 6). Angatahina ny Fanahy Masina, satria tena fakam-panahy koa ny hoe efa nomeny ka tsy ilaina angatahina intsony.

Fanontaniana:
Moa misy fanomezana tsara sy sarobidy hafa nomen'ny Tompo antsika koa ve ankoatra ny Fanahy Masina?

mercredi 30 mai 2018

Alarobia 30 May 2018 - Sal 51 : 6 - 12

6Ianao irery tokoa no nanotako,
ny ratsy eo imasonao no nataoko;
hany ka ara-drariny Ianao raha miteny,
ary tsy omen-tsiny raha manadidy51.6 Ity andalana ity dia tsiahivina ao amin'ny Rm 3.4..
7Jereo fa meloka aho no teraka,
mpanota raha notorontoronina;
8nefa ny hahitsy ao anaty no sitrakao,
koa ny fahendrena am-po no atoroy ahy.

9Ataovy afa-pahotana tokoa aho, dia hadio;
sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.
10Ataovy reko ny famelanao,
dia hifaly sy hiravo indray aho;
ary aoka hibitaka ny taolako
izay efa voamontsamontsanao.
11Hadinoy tanteraka ny fahotako
ary koseho avokoa ny heloka vitako.
12Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô,
fanahy mahatoky no aoreno ato anatiko.

« Aza manary ahy hìala eo anatrehanao, ary aza manaisotra ny Fanahìnao Masina amiko » (and. 11)

Ny asan'ny Fanahy Masina

Sarotra ka ilam-pitandremaiia ny mamaritra ny asan'ny Fanahy. Ny voalaza ao amin'ny Soratra Masina irery ihany no ahazoana mamantatra na asan'ny Fanahy, na tsia, ny tranga iray sy ny toetra, na fìhetsika, na fanambarana ataon'ny olona iray.

1- Mitaona ny mpino ho havaozina ny Fanahy
Aoka tsy ho hadinoina fa vavaka fifonana sy fiaiken-keloka ny Sal 51. na isika Fiangonana ankehitriny aza dia mampiasa an'io Salanio io ho toy izany koa. Amin'izany fifonana izany no ilazana hoe : « Aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko », satria ny vokatra sy asan'ny Fanahy no manavao nv olona, mba tsy handehanany araka ny filan'ny nofo intsony (Gal 6. 16). Tsy misy fihavaozana marina raha tsy manaiky hotarihin'ny Fanahy isika. Zary fifonana imolotra ihany ny fiaikentsika heloka sy ny fifonantsika raha tsy ekentsika ny hotarihin'ny Fanahy.

2- Mitaona ny olona hibebaka ny Fanahy
« Aza manary àhy hiala eo anatrehanao, ary aza manaisotra ny fanahinao Masina Amiko.» Raha adika tsotra io andalan- teny io dia hoe : Tanò mafy mba hitoetra eo anatrehanao mandrakariva aho ; aoka tsy ho lavitra, na hanalavitra Anao aho. Ny mpino miaiky heloka ka te hanatona sy hanakaiky, ary maniry hitoetra eo anatrehan'ny Tompo no atao hoe mibebaka. Tsy tanteraka izany raha tsy noho ny asan'ny Fanahy, koa izany no italahoany koa hoe : "Aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko". Mandresy lahatra ny olona hibebaka nv Fanahy.

Fanontaniana:
Nahoana no misy mpino mandray ny Fanahy fa tsy mihavao, na hita vokatra eo amin'ny fìainany ny fibebahany ?

mardi 29 mai 2018

Talata 29 May 2018 - II Kor 3 : 12 - 19

12Satria manana izany fanantenana izany izahay, dia be fahasahiana tokoa. 13Izahay dia tsy tahaka an'i Mosesy izay nisaron-tava mba tsy hahitan'ny vahoaka Israely ny fiafaran'ilay famirapiratany mihelina3.13 Jereo Eks 34.3.. 14Fa nihadonto ny sain'ny vahoaka Israely; ary mandraka androany dia tsy nesorina ny zava-manarona ny sainy, fa mbola ao ihany raha mamaky ny boky mirakitra ny Fanekempihavanana Taloha3.14 ny boky mirakitra ny Fampihavanana Taloha na mirakitra ny Testamenta Taloha.  izy ireo; satria ho an'ny olona tafaray amin'i Kristy no foana izany sarona izany. 15Mandraka androany, isaky ny vakîna ny bokin'i Mosesy, dia mbola misarona ihany ny fon'ny vahoaka Israely. 16Fa isaky ny miverina amin'ny Tompo kosa ny olona, dia miesotra izany sarona izany3.16 isaky ny... izany sarona izany: dkt hafa isaky ny mitodika amin'ny Tompo izy (Mosesy), dia esoriny ny saron-tavany. Jereo Eks 34.34.. 17Ka ny hoe Tompo eto dia ny Fanahy; fa ao amin'izay itoeran'ilay Fanahin'ny Tompo no misy fahafahana. 18Isika rehetra kosa dia tsy mba misaron-tava, fa toy ny fitaratra tarafin'ny voninahitry ny Tompo; ka dia miova endrika hanahaka ny Tompo isika, sady mitombo hatrany ny famirapiratantsika, araka ny asa tontosain'ilay Fanahin'ny Tompo.

Mitondra fiainana ho antsika ny Soratra Masina

1- Rehefa mitarika antsika ho ao amin'i Kristy
Ny and. 14 — 16 no amerimberenana, toy ny manamaly fa tsy hiala mihitsy ilay fisalobonanana, na voaly manarona ny tavan'ny olona manaikv sy mihaino ny lalàna, izay ny Testamenta Taloha, raha tsy i Kristy no manala izany. Amin'ny finoana an'i Jesoa ho Kristy ihany no ahazoana manala io voaly manarona io. Voasaron'io voaly io ny tavan'izay tsy mino Azy, ka tsy mahalala na inona na inona. Koa ivelan'i Kristy dia tsy misy heviny ny Testamenta Taloha, ary tsy hazava. Izany no ilazana mandrakariva fa ny Testamenta Taloha dia hazavain'ny Testamenta Vaovao ; nefa ny Vaovao dia miafina ao amin'ny Testamenta Taloha koa. Izy roa miaraka, na ny Soratra Masina manontolo no mitondra fiainana ho antsika kristiana ankehitriny, fa ny iray (Taloha) milaza an'i Kristy, ary ny faharoa manondro an'i Jesoa ho Kristy.

2- Rehefa manaiky ho tarihin'ny Fanahy isika
« Rehefa miverina ao amin 'ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana » (and. 16). Ny Fanahy Masina no ambara koa hoe Tompo, araka ny and.17. Ny fitarihan'ny Fanahy ihany no mampahazava ny Soratra Masina, ary hery manala ny voaly manakona ny masontsika tsy andraisantsika ny fiainana entin'ny Soratra Masina manontolo. Tsy masom- panahy araka ny fitenintsika mahazatra izany, fa ny fisainana, ny fihevitra, ny finoana sy ny maro hafa dia hibirioka amin'ny tsy izy, na dia mamaky Soratra Masina aza isika, raha tsy eo ny fitarihan'ny Fanahy. Koa angataho ny Fanahv ary maneke hotarihiny mandrakariva.

Fanontaniana:
Moa azonao tsara ve ny fotokevitra manao hoe : Ny Soratra Masina irery ihany, ary ny Soratra Masina manontolo ?

lundi 28 mai 2018

Alatsinainy 28 May 2018 - Gal 5 : 16 - 18

16Izao kosa no teniko: mandehana araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy hahatanteraka ny fanirian'ny maha olona mpanota. 17Fa ny maha olona mpanota dia manam-paniriana manohitra ny fanirian'ny Fanahy Masina; ary ny Fanahy Masina dia manam-paniriana manohitra ny maha olona mpanota: mifanohitra izy roroa, hany ka tsy izay zavatra sitrakareo no ataonareo5.17 Ampit Rm 7.14-23.. 18Kanefa raha tarihin'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy fehezin'ny lalàna intsony.

Miantoka ny fandresentsika ny asan'ny Fanahy

1- Mampandresy antsika amin'ny filan'ny nofo izany
Amin'ny lafiny iray, ny hoe : "mandeha araka ny fanahy" (And.16) dia mizotra manaraka ny bitsiky ny Fanahy. Ny Fanahy Masina, araka ny nambaran'i Jesoa dia tsy hilaza. na hibitsika amintsika zavatra vaovao hafa. fa hampahatsiaro ihany izay efa nambarany (Jao 14, 26). Koa nv bitsiky ny Fanahy dia fampahatsiarovan'ny Fanahy Masina antsika ny tenin' Andriamanitra efa rentsika, efa notoriana sy nampianarina antsika. Tsy ho feo hafa voaraintsika tamin'ny nofy, na fahitana samihafa izany, fa araka ny tenin' Andriamanitra efa notorina tamintsika ihany. Henoy izany ka ankatoavy, dia handresy ny fitarihin'ny sitrapontsika adala isika. dia ilay sitrapontsika mandresy lahatra hanatanteraka ny filan'ny nofo.

2- Manafaka antsika amin'ny finoana hafa izany
Ny and. 18 no milaza fa raha mandeha araka ny Fanahy ny mpino dia tsy ambanin'ny lalàna. Andeha ho raisina ho finoana ny zioga sy gejan'ny lalàna. Finoana sy fivavahana jiosy izany. Miorina sy mifantoka amin'ny fanarahan-dalàna ny fivavahana jiosy. Maro ny finoana sy fivavahana mitaona sy mandresy lahatra antsika, te hanazioga sy hangeja ireny na dia finoana sy fivavahana aza. Koa henoy ary araho ny feon'ny Fanahy fa tsy hiteny amintsika afa tsy ny Tenin'Andriamanitra Izy, ary izany no hanafaka antsika amin'ny finoana tsy izy samihafa, mba tsy hitotototoantsika any amin'izay milaza azy ho Fiangonana nefa tsy izy fa fikambanana. Mitandrema fandrao ho voafitaka. Ny asan'ny Fanahy ihany no hanome fahazavan-tsaina antsika hananantsika ny fanahin'ny fahaiza-manavaka.

Fanontaniana:
Nahoana isika no tsy afaka manao izay tokony hatao eo amin'ny fitondran-tena kristiana, araka ny and. 17?

dimanche 27 mai 2018

Alahady 27 May 2018 - Isa 61 : 1 - 9

1Ny Fanahin'ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko,
satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy61.1 And 1-2: jereo Lk 4.18-19. –And 1: jereo Mt 11.5; Lk 7.22.
mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin'ny malahelo,
hanasitrana ny olona torotoro fo,
hanambara fanafahana ho an'ireo babo
sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,
2hanambara ny taona hanehoan'ny TOMPO fanambinana
sy ny andro hanafaizan'Andriamanitra ny fahavalony
ary hitondra fampaherezana ho an'ny misaona rehetra61.2 Ampit Mt 5.4..
3Manao fisaonana an'i Tsiôna ireo,
kanefa hirahina aho hanome azy ribà fehiloha
ho solon'ny lavenona amin'ny lohany,
hanome diloilo manitra ho solon'ny alahelo
sy fitafiana fitondra amin'ny fety
ho solon'ny toetra manjoretra.
Amin'izay no hiantsoana azy ireo hoe:
«Hazo vokatry ny fitahiana,
saha nambolen'ny TOMPO
mba hanehoany ny famirapiratany.»
4Haorina indray ireo zavatra rava fahiny,
hatsangana indray ny trano nirodana taloha;
hohavaozina ny tanàna rava,
dia ireo efa simba hatry ny ela be.

5Vahiny no hitsangana hiandry ny ondry aman'osinareo,
olona avy any an-kafa no hiasa ny tany
sy hamboly voaloboka ho anareo.
6Ianareo kosa dia hantsoina hoe:
«Mpisorona ho an'ny TOMPO»,
na holazaina koa hoe:
«Mpanao fanompoam-pivavahana
ho an'ny Andriamanitsika.»
Hanasoavana anareo ny fananan'ny firenen-kafa;
ary ianareo no higalabona amin'ny voninahiny.

7Efa nizaka henatra indroa heny ianareo
sady afa-baràka sy nandroran'ny olona.
Ka ho solon'izany, dia hoy Izaho Tompo hoe:
Handova anjara indroa heny eo amin'ny taniny ianareo
ary hanana fifaliana maharitra mandrakizay.
8Satria Izaho TOMPO dia tia rariny
ka mankahala ny fandrobana an-kafetsena;
homeko onitra ara-pahamarinana ianareo
ary hanaovako fanekempihavanana mandrakizay.»

9Ho fantatra any amin'ny firenen-kafa ny taranakareo,
ary eo anivon'ireo vahoaka ny solofonareo;
izay rehetra mahita azy dia hiaiky
fa taranaka tahîn'ny TOMPO izy.

Ny andraikitr'izay nomena ny Fanahy

1- Hampahery sy hampitraka ny mila vonjy
Ny and. 1 dia mampitodika antsika amin'ny teny nilazan'i Jesoa ny tenany ao amin'nv Lio 4, 14-21. Mpanompon'i Jehovah no anarana iantsoana ity olona nomena ny Fanahy ao anatiny ity : kanefa mety azo iantsoana antsika koa izany, noho isika nomena ny Fanahv Masina. Tsy mahazo mipetraka hianina amin'izay mety ho fahamasinany fotsiny ny olona nomena ny Fanahy, fa tsy maintsy mandray andraikitra. Hery manetsika antsika handray andraikitra hiantra sy hampahery ary hanampy ny mila vonjy ny Fanahy Masina. Jereo ary ny manodidina antsika, ka diniho izay andraikitra manandrify anao. Aza manao fìalana amin'ny hoe : Izaho koa mba tokony hovonjena, fa misy andraikitra manandrify antsika tsirairav avy, izay nomena ny Fanahy ao amin'nv fìaraha-monina sy amin'ny manodidina.

2- Hanambara sy hitory ary hitondra fanafahana
Zava-dehibe ny fahafahana sy ny fanafahana. Sady hitory sy hanambara ny fanafahana izay ataon'Andriamanitra amin'nv alalan'i Jesoa isika, no nasaina hiady amin'ny fomba samihafá, hamoahana izay voagadra sy voafatotra ary voageja (and.lb.2a). Tsy fanafahana ara-panahy ihany izany, ka aza variana fa ny tanintsika voageja sy voafatotry ny kolikoly sy ny tsy fahamarinana ary ny lainga, ny mpiara-belona voafatotry ny fahantrana sy voageja toa tsy mahita izay hatao. Nirahin'ny Tompo isika tsy hiteny f'otsiny fa tena handray andraikitra. amin'ny maha irak'i Kristy antsika. hanaporofo fa Mpanafaka i Jesoa izay toriantsika. Ny hanao izany no antony nanomezana antsika ny fanahy Masina, koa raiso ny andraikitrao.

Fanontaniana:
Inona ary ahoana tokoa no hanafahantsika ireo voageja ?

samedi 26 mai 2018

Sabotsy 26 May 2018 - Sal 104 : 24 - 30

24Endrey ity hamaroan'ny asanao, TOMPO ô!
Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra:
henika ny zava-boaarinao ny tany!
25Ny ranomasina, indro lehibe sy midadasika;
ao no miriaria tsy tambo isaina
na ny biby madinika na ny vaventy;
26ao no mivezivezy ny sambo; ao koa i Leviatàna,
ilay trozona namboarinao ho tsilalaonao.

27Izy rehetra ireny dia miankina aminao,
mba hanome hanina azy ara-potoana.
28Raha manome Ianao, dia mandray izy;
raha sokafanao ny tananao,
dia voky zava-tsoa izy.
29Raha lavinao ny hijery azy,
dia mitebiteby izy;
raha alainao ny ainy, dia maty izy
ka miverina ho vovoka indray.
30Alefanao ny Fanahinao, dia ary indray ireo
ka mihavao ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany.

"Maniraka ny Fanahìnao lanao dia ary izy, ary manavao ny tarehin 'ny tany íanao" (and.30)

Mamelona sy miahy ny asany Andriamanitra

1- Miahy sy mitsimbina antsika Izy
« Maniraka ny Fanahinao lanao dia àry izv » Tsy velona ary tsy mahalavorary ny asany ny voary rehetra raha tsy eo ny asan'ny Fanahy. Ny asa faharian'Andriamanitra dia tsy mitoetra fotsiny eo amin'ny fanamboarana, na famoronana ny zavatra mbola tsy nisy ho tonga misy, fa mihitatra mankany amin'ny famelomana sy fiahiana mba hikendrena ny fandavorarian'ny zava-boary rehetra ny asany. araka izay nikendren'Andriamanitra azy. Voariny ary asany isika ka miahy sy mitsimbina ary mamelona antsika Izy. Ny fanomezany ny Fanahiny no miantoka izany, sady ny Fanahiny no Andriamanitra miaraka amintsika ankehitriny. Omeny hitarika antsika ny Fanahy mba ho lavorary koa ny asa sy ny andraikitra ifidianan'ny Tompo sy anirahany antsika.

2- Manavao ny endriky ny tany Izy
« Ary manavao ny tarehin'ny tany íanao » Hatrany amin'ny Gen 1, 2 dia niasa tamin'ilay tany tsy nisy endrika sady foana ny Fanahy. Tanv foana sy tsy misy endrika ary tsy azo iainana, na tsy mahavelona no nisy raha tsy miasa ny Fanahin'ny Tompo. Potika ny tontolo iainana ankehitriny, koa tsy ny ezaka ataon'ny olona sy ny fikambanana mpanao asa soa ihany no tokony hianteherana, fa angataho indray ny Fanahy. ary isika mpino maneke hotarihin'ny Fanahy ho fiasana mpanavao ny tarehin'ny tany, ho fiainana ho an'ny mpiara-belona amintsika.

Fanontaniana:
Azo ampifandraisina amin'ny fanazavan-kevitra eto ve ny voalaza ao amin'nv Efe 2. 10?

vendredi 25 mai 2018

Zoma 25 May 2018 - I Sam 10 : 1 - 10

1Tao Ramà, tany amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, dia nisy lehilahy anankiray anisan'ny taranak'i Tsofo1.1 Ramà: tanàna tokony ho 40 km any avaratra andrefan'i Jerosalema.. Io lehilahy io dia natao hoe Elkanà, zanak'i Jerohama, zafikelin'i Elihò, zafiafin'i Tôhò ary zafindohalik'i Tsofo. 2Nanam-bady roa izy, dia i Hanà sy i Peninà. I Peninà dia nanan-janaka, fa i Hanà kosa tsy mba niteraka.

3Isan-taona i Elkanà dia nandao an'i Ramà tanànany mba hivavaka sy hanao sorona amin'ny TOMPOn'izao rehetra izao tany Silao1.3 Silao: tanàna tokony ho 30 km any avaratr'i Jerosalema (jereo Jos 18.1-10).; mpisoron'ny TOMPO tao koa i Hôfnỳ sy i Pinehasa zanakalahin'i Helỳ. 4Fanaon'i Elkanà rehefa manao sorona ny manome anjara ho an'i Peninà sy ny zanany rehetra; 5fa i Hanà kosa dia notolorany anjara manokana, satria tiany aoka izany izy na dia nataon'ny TOMPO momba aza. 6Nitady hatrany izay hanorisorenana an'i Hanà anefa ny rafivaviny, ka nandrabiraby azy noho io nanaovan'ny TOMPO azy momba io. 7Ary isan-taona dia izany foana no zava-mitranga rehefa mba tonga ao an-tranon'ny TOMPO i Hanà; nanao izay hampalahelo azy foana i Peninà, ka nitomany sy tsy nety nihinan-kanina izy. 8Dia hoy i Elkanà vadiny taminy: «Hanà ô, nahoana ange ianao no mitomany sy tsy mety mihinan-kanina? Nahoana koa ianao no malahelo toa izao, moa tsy mihoatra noho ny zanaka folo ve ny tenako aminao?»

9Indray andro, tao Silao, rehefa tapi-nisakafo ny olona, dia nitsangana i Hanà fa i Helỳ mpisorona kosa nipetraka teo an-tokonam-baravaran'ny TOMPO. 10Nalahelo mafy i Hanà, ka sady nigogogogo nitomany no nanao tamin'ny Tompo izao vavaka

« Ary hilatsaka aminao ny Fanahin'i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao »

Ny asan'ny Fanahy eo amin'ny olona

1- Mampiombona
Ny nandraisan'i Saoly ny Fanahin'i Jehovah no niombonany tamin'ireo vondrona mpaminany, na " mpaminany iray dia " izay nantsoina hoe : zanaky ny mpaminany. Mampiombona ny Fanahy, ary mampiray sy mampikambana an'ireo izay samy efa nandray ny Fanahy. Tsy asan'ny Fanahy ny samy maka ho azy ao am-piangonana, ka lasa rafipifaninana miteraka fialonana, na dia mody amboarina amin'ny hoe : fifaninanana masina aza izany. Asehoy fa iray ny Fanahy, ka mampiray antsika.

2- Mampiteny nv sitrapon'Andriamanitra
« Hiara-maminany aminy ianao.. », hoy i Samoela tamin'i Saoly. Tsy naminany i Saoly raha tsy nandray ny Fanahin'i Jehovah. Ny olona maminany dia tsy ny milaza zavatra ho avy, fa ny miteny ny hafatra sy milaza ny sitrapon' Andriamanitra. Anisany ireo izay mitoriteny sy mitory Filazantsara. Tsy handray ireo andraikitra ireo isika raha tsy manaiky hotarihin'ny Fanahy. Tsy efan'ny sain'ny olona fotsiny ny fanambarana ny Tenin'Andriamanitra.

3- Manova ny olona ho vaovao
"Ho voaova ho olom-baovao (ianao)" Olona hafa, no heviny eto, na hoe : tsy ho toy ny teo aloha intsony. Tsy mitovy ny toetra sy fiainan'ny olona mbola tsy nandray ny Fanahy sy ny efa nomena ka nandray ny Fanahy. Matoa tsy mahatsiaro fiovana isika, dia mety ho nandray ny Fanahy ihany isika, nefa fa tsy manaiky hotarihin'ny Fanahy.

Fanontaniana:
Moa samihafa ny mandray ny Fanahy sy ny tarihin'ny Fanahy ?

jeudi 24 mai 2018

Alakamisy 24 May 2018 - II Pet 1 : 16 - 21

16Tsy angano tsara lahatra no narahinay, raha nampahafantatra anareo ny hery nampombana ny fiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika, fa tena nahita maso ny fiandrianany izahay. 17Eny, nahazo haja amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray i Jesoa, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin'Andriamanitra be voninahitra indrindra nanao hoe: «Ity no Zanako Malalako; Izy no sitrako.» 18Renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka tamin'i Jesoa tany an-tendrombohitra masina izahay1.18 and 17-18: jereo Mt 17.1; Mk 9.2-7; Lk 9.28-35..

19Ary mafy orina kokoa ho antsika ny tenin'ireo mpaminanin'Andriamanitra; ka tsara raha ifantohanareo izany toy ny ifantohanareo amin'ny jiro mamiratra anaty toerana maizimaizina, mandra-pahazàvan'ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro ao am-ponareo. 20Izao anefa voalohany indrindra no tsara ho fantatrareo: ny fivoaboasana ny teny faminaniana rehetra raketin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany1.20 ny fivoaboasana... fotsiny ihany: dkt hafa ny teny faminaniana rehetra raketin'ny Soratra Masina dia tsy misy avy amin'ny fisainan'ny mpaminany fotsiny ihany. ; 21satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona, fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona izay nentanin'ny Fanahy Masina.

Hamafiso orina ny finoana

1- Aoreno amin'ny Tenin'Andriamanitra
Marobe ny fampianarana feno hafitsifetsena notorin'ny sasany, tamin'ny andron'ny Apostoly, ka nanimba ny fiainan'ny fiangonana voalohany. Mitovy amin'ny ankehitriny ihany izany. Izany indrindra no ijoroan'i Petera ho vavolombelona, eo amin'ny and. 18, tamin'ny nandrenesany mivantana an'Andriamanitra niteny, nandritra ny fiovan-tarehy tao an-tendrombohitra (Mar 9. l). Izany no ilazany hoe : « manana teny mafy orina kokoa isika » (and. 19). Voarakitra ao amin'ny Soratra Masina izany ankehitriny. Ao no anovozy ny Tenin'Andriamanitra hanamafy orina fìnoana. Izany no mahatonga ny Protestanta hanamafy hoe : Ny Soratra Masina irery ihany. Ivelan'ny Soratra Masina dia anganongano foronina.

2- Aoreno amin'ny famoahan-kevitry ny Soratra Masina
Ny andininv roa, ny faha-20 sy 21 dia milaza ny famoahan- kevitry ny Soratra Masina. Misy anjaran'ny olona izany, eo an-daniny ary ny Fanahy Masina, an-kilany. Tsy fìsainan'ny olona fotsiny amin'ny fìanarana sy famakafakana ary fandalinana fa tsy maintsy eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina. Samy hadisoana ny filazana, na ny hoe : asan'ny Fanahy fotsiny ny famoahan-kevitry ny Soratra Masina, na ny hoe : vitan'ny asa sainan'olombelona izany. Ny tena finoana dia ny Tenin' Andriamanitra ampitainy avy amin'ny Soratra Masina, ka hazavain'ny olona araka izay itondran'ny Fanahy Masina azy (vakio ny and.21b). Izany no re ao am-piangonana, koa aoreno amin'izany ny finoantsika.

Fanontániana:
Ahoana ny hevitsika : momba ny filazana fa tsy ilaina nv mianatra sy mandalina fa asan'ny Fanahy irery izany ?

mercredi 23 mai 2018

Alarobia 23 May 2018 - Asa 4 : 27 - 31

27Marina tokoa fa i Herôda sy i Pônty Pilato, niaraka tamin'ny olona hafa firenena sy ny vahoaka israelita, dia nivondrona teto amin'ity tanàna ity mba hanohitra an'i Jesoa Mpanomponao masina, Izay natokanao ho Mesia4.27 Jereo Lk 23.7-11; Mt 27.1-2; Is 61.1.. 28Notanterahin'izy ireo izay efa notendrenao rahateo tamin'ny herinao sy ny fikasanao. 29Tompo ô, hitanao ankehitriny ny fandrahonany, koa omeo anay mpanomponao ny hery hitoriana ny teninao amim-pahasahiana tokoa; 30ahinjiro ny tananao hahasitrana ary hahatontosa famantarana sy zava-mahagaga amin'ny anaran'i Jesoa ilay Mpanomponao masina.

31Rehefa avy nivavaka ireo mpino, dia nihovitrovitra ny trano niangonany ary feno Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamim-pahasahiana.



Ento eo amin'ny Tompo ny olana sy ny manahirana

1- Lazao Azy ny fototry ny olana
Vavaka nataon'i Petera sy i Jaona ary ireo mpino namany izao Mofonaina izao. Tsy nihafahafa izy ireo eo amin'ny and.27 nilaza ny fototry ny olana sy ny sokajin'olona mpanohitra ny finoana, ka nahatonga ny olana rehetra. Isika koa. rehefa tojo zava-manahirana, dia aza misalasala milaza amin'ny Tompo ny fototrv ny olana. Tsy hoe manao tatitra, na mampahafantatra. fa mitaraina. Tsy ampahafantarinao ny zava-misy ny Tompo, satria efa fantany izany. Fa natao itarainana sy ilazana ny zava-manjo mbamin'ny fototry ny olana kosa Izy.

2- Angataho ny hidirany an-tsehatra
« Jereo ny fandrahonany» (and.29). Fangatahana ny hándraisan'ny Tompo an-tanana ny toe-draharaha izany, ary sady fitalahoana Aminy mba hiditra an-tsehatra. Tsara hataontsika izany, satria ny Tompo efa nampanantena antsika fa ho fahavalon 'ny fahavalontsika, ary ho rafn'ny rafìntsika (Eks 23, 22), sady momba sy hamonjy (Jer 1, 8.19 ; 15, 20). Ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra amin'ny trangan-javatra iray manjo antsika dia tsy maintsy mitondra famonjena.

3-Angataho ny hanomezany hery
Tsy nangataka ny hanafoanana ny olana sy ny fanenjehana ireo mpino mivavaka ireto. fa nangataka ny hanomezana hery sy fahasahiana aza. Notanterahin'ny Tompo ny fangatahin'izy ireo, ka izany no nanomezany ny Fanahy Masina (and.31). Tsy ny hanesorana ny olana matetika no vahaolana, fa ny hanomezana herin'ny Fanahy hiatrehana ny zava-misy.

Fanontaniana:
Moa azo ampitahaina amin'ny an'i Jesoa tao Getsemana ve ny hevitra eto ? (Vakio hanampy antsika ny Lio 22, 39 — 46)

mardi 22 mai 2018

Talata 22 May 2018 - Gen 1 : 1 - 5

1Tamin'ny fiandohana, fony Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany1.1 Fomba fandikanteny roa no azo arahina eto: anankiray ny mijanona eo amin'ny tany, ka lasa karazana lohahevitra sy mahaleo tena ny and 1; nefa koa anankiray hafa ny manakambana ny and 1 sy ny and 2 araka izao endriny izao dia mitohy tsara ny fehezanteny. 2dia tsy nisy endriny sady foana ny tany fa ny haizina no nandrakotra ny lalina, ary ny Fanahin'Andriamanitra1.2 ny Fanahin'Andriamanitra: azo adika koa hoe ny fofonain'Andriamanitra, na ny rivotra mahery.  no nanomba tambonin'ny rano.

3Ary Andriamanitra niteny hoe: «Misia mazava.» Dia nisy mazava1.3 And 3: jereo 2Kôr 4.6.. 4Hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava, koa nosarahiny ny mazava sy ny haizina. 5Ny mazava nantsoin'Andriamanitra hoe andro, fa ny haizina kosa nantsoiny hoe alina. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro voalohany.

Ny asan'ny Fanahy amin'ny fahariana

Mbola mpahary ve Andriamanitra ankehitriny, sa efa vitany tany ampiandohana ny asa fahariana, ka sanatria efa mipetra-potsiny Izy? Fanontaniana tsy tokony haroso izany, nefa mampieritreritra, ka anairanany saintsika sy ny finoantsika.
Miharihary eto amin'ny Gen 1, fa fanahin'Andriamanitra no lohalaharana amin'ny fahariana. Efa nanatrika tao anatin'ny haizina sy mialohany nitenenan'Andriamanitra Izy. Miasa mitondra fahariana ny Fanahy. Ny farahiana doa tsy fampahariana ny tsy mbola nisy ho tonga misy ihany, na famoronana zavatra vaovao; fa fahariana koa ny famonjena sy ny fanavaozana ary ny fanomezana aina. Ny olona voavonjy sy nandray famelankeloka tao amin'I Kristy, sy tamin'ny anaran' I Jesoa Kristy koa dia voahary vaovao, ary izany no ilazana fa olomboavonjy izy (II Kor 5 : 7).
Anisan'ny asa fahariana koa nu fanaovana zavatra "tsara". Izany no antony ahitantsika ny teny miverimberina hoe : "Hitan'Andriamanitra fa tsara ...". Ny "tsara'' amin'ny fahariana dia tsy tarafina amin'ny endrika amambika ihany, fa tsaraina amin'ny fandavorariana  ny asany, araka izay nikendren'Andriamanitra azykoa. Izany no hevitra fototra tian'ny Soratra Masina havoitra.Tsy ho lavorary ny asany raha tsy eo ny asan'ny Fanahy Masina, asan'Andriamanitra koa isika, ary voahary vaovao sady olom-boavonjy, koa manekeny Fanahy masina mba hanao asa tsara (Efe 2 : 10). Tsy ny hakanton'ny asa ihany , fa ny fahalavorariany araka ny sitrapon'Andriamanitra. Fadio ny kitoatoa, kendreo ny tanjona amin'ny asanao mab hitondra soa sy fitahiana ho an'ny mpiara-belona. Ny fitarihan'ny Fanahy no miantoka izany.

Fanontaniana :
Ahoana ny fandraisanao ny Efe 2 : 10 araka izany?

lundi 21 mai 2018

Alatsiniany 21 May 2018 - Oha 13 : 1 - 6

1Ny zanaka hendry mihaino ny anatry ny rainy,
fa ny zanaka mpaniratsira kosa mandà fitsikerana.
2Ny olona tsara dia mijinja ny vokatry ny teniny,
fa ny mpanao ratsy kosa mivelona amin'ny herisetra.
3Izay mahafehy ny vavany maharo ny ainy;
fa izay basivava mandringan-tena.
4Ny kamo no mitsiriritra tsy mety afa-po;
fa ny mazoto kosa mahazo izay irîny.
5Ny olo-marina dia mankahala ny lainga;
fa ny olon-dratsy kosa manevateva sy manala baràka.
6Ny fahamarinana miaro izay mizotra tsy misy tsiny;
fa ny faharatsiana kosa mamery ny mpanota.

dimanche 20 mai 2018

Alahady 21 May 2018 - Jao 20 : 21 - 23

21Dia hoy indray i Jesoa taminy:
Ho ao aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo koa.

22Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka taminy ary nanao hoe:
–Raiso ny Fanahy Masina. 23Na iza na iza avelanareo heloka, dia voavela; ary na iza na iza tsy avelanareo heloka, dia tsy voavela20.23 Ampit Mt 16.19; 18.18..

Nirahina hitondra aina ny mpino

1- Satria nirahina tahaka an'i Jesoa iraky ny Ray
« Tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anìrahako anareo kosa ». hoy i Jesoa. Noho izany ilay nirahina ho any amin'izao tonlolo ízao tahaka an'i Jesoa ny mpino : nírahina hanakaikv ny olona mila vonjy
ny mpino. Ary nirahina hananan'ny olona fiainana sady hananany be dia be. Tahaka an'i Jesoa (Jao 10. 10) : nirahina hiantso ny mpanota mba hihebaka, sady hitady sy hamonjy izay very. Iraka sy adidv mitondra fiainana izany, arv tsy fiainana ho antsika izay irahina fa fiainana ho an'izay olona anirahana antsika. Koa aza mikatsaka fiainana ho antsika ka mionona sy mipetraka mandrimandry eritreritra rehefa mihevi-tena ho nahazo « aim-panahy>. Fa tahaka ny nanirahana ny Ray Ahy no anirahako anareo koa hoy i Jesoa. I jesoa izay nahafoy ny ainy hamonjeny ny mila vonjy nanirahana azy.

2- Satria nomena ny Fanahy mitondra aina mahavelona
« Ary rehefa nilaza izany izy dia nanisy fofonaina... » (and.22). Ny Ez 37 : 5 - 10 izay milaza ny nameloman'ny fofonaina ny taola-maina no hevitra fototra eto. Io fofonaina io dia ny Fanahy Masina. mamelona ny maty sy ny taola-maina : mitondra fanantenana ho an'ny mamoy fo sy ny miraviravy tanana. Nandray ny Fanahy Masina na ny fofonaina isika, sady hamelona antsika sy hanangana antsika izany (Rom 8. II), no hitarika antsika hizara fiainana sy fanantenana ary fahavelomana ho an'ny hafa koa. Koa raiso ny andraikitra. zarao ny fiainana sy ny aina ho an'ireo mitaraina ho efa « taola-maina » miara-belona amintsika. Fa nomena ny Fanahy isika.

Fanontaniana:
Afaka mitondra aina amin'ny lafiny rehetra ho an'ny mpiara-belona tokoa ve isika, sa anjaran'ny mpanao politika izany?

samedi 19 mai 2018

Sabotsy 19 May 2018 - I Jao 4 : 12 - 16

12Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana4.12 Ampit Jôh 1.18.; fa raha mifankatia isika, dia mitoetra ao anatintsika Andriamanitra, ary lavorary ao anatintsika ny fitiavana Azy.

13Ny ahafantarantsika fa mitoetra ao anatin'Andriamanitra isika ary Izy ao anatintsika, dia ny Fanahiny efa nomeny antsika. 14Ary izahay efa nahita ka dia vavolombelona manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an'izao tontolo izao4.14 Ampit Jôh 3.17; 4.42. ny Ray. 15Na iza na iza manaiky an'i Jesoa ho Zanak'Andriamanitra, dia mitoetra ao anatiny Andriamanitra ary izy ao anatin'Andriamanitra. 16Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika.

Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra ao amin'ny fitiavana no mitoetra ao anatin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao anatiny.

Mifandray amintsika ilay Andriamanitra miafina

Tena mahagaga ny fomban'Andriamanitra! Miafina izy, nefa mifandray sy mitoetra ao amintsika. Misy prorofo:

1- Amin'ny toetrantsika maneho fitia mifamaly
Ny and.12 amin'ily Mofonaina androany ity no milaza fa tsy hita ary miafina ny Tompo, nefa mitoetra ao amintsika. Tsy maintsy hita vokatra eo amin'nv toetrantsika izany dia ny fanehoantsika fitia mifamaly. na fifankatiavana. Izay itoeran' Andriamanitra dia misy fitiavana, satria Andriamanitra dia fitiavana. Ny fifankatiavana no manamarina sy manaporofo fa mitoetra ao amin'ny olona Andriamanitra.

2- Amin'ny fanekena hotarihin'ny Fanahy
Ny fifankatiavana no voalaza eo aloha fa porofon'ny fitoeran'Andriamanitra ato amintsika, fa ny Fanahy izay nirahina ho ao amin'ny mpino kosa no mitarika azy hitoetra ao Aminy, mba hanamafy orina ny fifandraisantsika amin' Andriamanitra. Ekeo hitarika antsika ny Fanahy dia ho mafy orina ny fiombonana sy ny fifandraisantsika amin' Andriamanitra. Amin'izay. dia Izy ho ato amintsika ary isika ho ao Aminy.

3- Amin'ny fanekena ny finoana an'i Jesoa
Amin'ny finoana an'i Jesoa koa no ifandraisantsika amin'llay Andriamanitra miafina Amin'ny fìnoana fa nirahin'ny Ray hamonjy ny izao tontolo izao izy (and.14). Tsy ampy ny hoe : mino an'Andriamanitra Ray, fa izav rehetra te hifandray Aminy dia tsy maintsy manaiky ampahihemaso ny finoany an'i Jesoa ho zanak' Andriamanitra. Na i Jesoa aza efa nilaza hoe : « Minoa an' Andriamanitra arv minoa Ahv koa » (Jao 14. 1).

Fanontaniana:
Marina amin'ny finoana kristiana ve ny tenim-pahendren'izao tontolo izao hoe : « Nohariana hotiavina ny olona » ?

vendredi 18 mai 2018

Zoma 18 May 2018 - Jao 4 : 19 - 24

19Dia hoy ravehivavy taminy:
–Hitako, Tompoko, fa mpaminany Ianao! 20Ireo razanay Samaritanina dia nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo Jiosy kosa milaza fa any Jerosalema4.20 Voailika tsy ho anisan'ny ankohonambe jiosy intsony ny Samaritanina ka nanorina tempoly teo amin'ny tendrombohitra Gerizîma, tendrombohitra akaikin'i Sekema renivohitra taloha. –any Jerosalema: ampit Sal 122.1-4. no tsy maintsy ivavahana.

21Fa izao no tenin'i Jesoa taminy:
–Minoa Ahy ianao, ramatoa! Avy ny andro izay tsy hivavahana amin'ny Ray eto amin'ity tendrombohitra ity na any Jerosalema intsony. 22Ianareo Samaritanina dia mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; fa izahay Jiosy kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria mipoitra avy amin'ny Jiosy ny famonjena4.22 Ampit Is 2.3; Rm 9.3-4.. 23Kanefa, ho an'ireo tena mpivavaka, dia avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hivavahany amin'ny Ray araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina; satria ny mpivavaka aminy araka izany no tadiavin'ny Ray. 24Andriamanitra dia Fanahy, ary ny mpivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina.

"Andriamanitra dia Fanahy, ary izay mivavaka Aminv dia tsy maintsy mivavaka amin 'ny Fanahv ..." (and.24)

Ny fivavahana amin'Andriamanitra

1- Fivavahana amin'ny toerana rehetra
Manerana ny toerana rehetra Andriamanitra. satria Fanahy Izy. Nandresy lahatra ilay vehivavy Samaritana momba izany i Jesoa. Nihevitra ny Samaritana fa tao amin'ny tendromhohitr'i Gerizima izay toeram-pivavahan-dry zareo ihany no tena ìzy, ary saro-piaro tamin'izany ny Samaritana. Namaly azy i Jesoa fa ho avy ny andro ka sady tsy eo amin'ilay tendrombohitra, no tsy any Jerosalema izany, satria hirahina ny fanahy, ary Andriamanitra dia Fanahy ka manerana ny toerana rehetra. Izany no tsy anaovantsika kristiana fivahiniana masina any Jerosalema, na dia nateraka ho Jiosv aza i Jesoa. Azo atao toeram-pivavahana ny toerana rehetra. satria "Andriamanitra dia Fanahy".

2-Fivavahana omban'nv fitarihan'ny Fanahy
" ...izay mivavaka Aminy dia tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy..." Ny hevitra iray fonosin'izany dia hoe : lzay mivavaka amin'Andriamanitra Fanahy dia mivavaka amin'ny fitarihan'ny Fanahy. Ny fivavahana sy vavaka tsy eo ambany fitarihan'ny Fanahy dia zary fivavahana ara-pomba ihany : vavaka isehoana sy am-pahazarana ka mety mivaona amin'ny tsy izy. na ho vavaka vonjy tavan'andro ka fidifidiana ho amin'ny foloana miavaka ihany no mandeha miangona : Batisan'ny fianakaviana. mariazy, Krismasy sy ny andro miavaka. Raha mbola izany no fanaontsika dia miovà, fa tsy maintsy mivavaka araka ny fitarihan'ny Fanahy isika.

Fanontaniana:
Moa takatrao ve ny atao hoe : mivavaka amin 'ny Fanahy ?

jeudi 17 mai 2018

Alakamisy 17 May 2018 - Efe 4 : 1 - 6

1Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay migadra noho ny amin'ny Tompo: manàna fitondrantena mendrika ny fiantsoan'Andriamanitra anareo. 2Manetre tena lalandava, aoka halemy fanahy sady hahari-po. Mifandefera amim-pitiavana. 3Aoka ny fihavanana no hifamatoranareo, dia hazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo. 4Iray ny tena ary iray ny Fanahy, toy ny maha iray ny fanantenana niantsoan'Andriamanitra anareo. 5Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa; 6iray Andriamanitra sady Rain'ny kristianina rehetra, manjaka amin'izy rehetra, miasa amin'ny alalan'izy rehetra ary mitoetra ao amin'izy rehetra.

Mampiray ny mpino ny Fanahy Masina

Malaza eo amintsika Protestanta ny fiteny hoe : firaisana sy fiombonana ao anatin'ny fahasamihafana. Tsy tanteraka izany raha tsy noho nv asan'ny Fanahv mampiray.

1- Taomina hitandrina izany ny mpino
Any am-pigadrana i Paoly Apostoly no manoratra ity taratasy ity ho an'ny Fiangonana. Mananatra sy mitaona ary miangavy nv mpino tao Efesosy izy mba hitandrina ka hanetry tena, halemy fanahy ary hifandefitra amin'ny fìtiavana. Izany no anehoana ny fiombonan'ny mpino sy ny maha iray antsika. Asan'ny Fanahy no miteraka izany. Tsy azontsika atao ny hiziriziry hampiseho ny « maha isika antsika ». Misakana ny asan'ny Fanahy Masina ny fitenintsika matetika hoe: « Izay no maha izaho ahy !» Tandremo ny toetrantsika mba tsy handrava ny fiombonana. na hampisy elanelana, na hanangana efitra manipisaraka fa tsy asan'ny Fanahy Masina izany.

2- Taomina hanana zotoim-po hitana ny firaisana ny mpino
Ny and.3 - 6 amin'ity Mofonaina ity dia teny fandresen- dahatra mba handrosoan'ny firaisana sy ny fiombonana eo amin'ny fiainan'ny mpino. Aoka isika tsy hionona amin'ny hoe: Tsy manohitra ny fiombonana ; fa mazotoa. aza kamokamo, na tsy harisika hiasa ho amin'ny firaisana. Atombohy ao am-piangonana izany, mba ho mafy orina entintsika mamintrana ny fihavanana sy ny firaisam-pirenena, efa mivahavaha ao amin'ny fiarahamonina. Mila ezaka sy asa avy amintsika izany, koa asehoy ny tenanao ho « mazoto mitana ny firaisana ».

Fanontaniana
Inona no tena maha iray antsika mpino. ary ahoana no ijoroanisika ho vavolombelon'nv firaisana ?

mercredi 16 mai 2018

Alarobia 16 May 2018 - Fit 5 : 19 - 22

19Ianao kosa, TOMPO ô, dia mipetraka mandrakizay
eo amin'ny sezafiandriananao;
ary ny fanjakanao no maharitra
amin'ny taonjato mifandimby.
20Koa ahoana no anadinoanao anay hatrany
sy andaozanao anay mandritra ny andro-piainanay?
21TOMPO ô, ampivereno aminao izahay
mba hiverenanay aminao tokoa;
havaozy ny fiainanay ho toy ny fahiny.
22Sa holavinao tanteraka ve izahay
na hiharan'ny hatezeranao mihoa-pampana?

Ny mpino manao vavaka fibebahana

Toloko sy fitarainan'ny vahoakan'Andriamanilra babo tany Babylona ny fitomaniana. Vavaka fitalahoana mamarana ny bokin'ny Fitomaniana ity Mofonaina anio ity ary vavaka fibebahana. ka ilay mpino rehefa mivavaka dia :

1 - Mahatsapa nv fahamarinan'ny Tompo
Eo amin'ny and.19 dia mazava ny filazan'ilay mpivavaka ny toetran'Andriamanitra . Tsy miova Izy fa Andriamanitra azo antoka. Marina sy tsy miova fitiavana ny Tompo, ka izany no ahasahiantsika manonona vavaka fifonana sy fibehahana eo anatrehany. Ny fahamarinana no manosika Azy hamindra fo sy hiantra (vakio Sal 145. 17). Marina ny Tompo ka tsy mitsahatra fa mikaro-kevitra hatrany hamonjena antsika. Izany no antony nanomezany antsika ny Zanany sy ny Fanahy Masina. Koa tsarovy io toetran' Andriamanitra io rehefa manao vavaka fitarainana noho ny fahoriana mianjady aminao ianao.

2 - Mampahatsiaro nv maha olom-boafidy azy
Eo amin'ny and.2o indray dia sahy mampiharihay ny maha olom-boafidy azy ilay mpvavaka. Ny voafidin'Andrianianitra mantsy tsy mba ariany satria mpanompony (Isa 41. 9). lzany no ahafahany manontany hoe : «Ahoana no dia hanadino anao manandrakizay ? » Toky sy fanantenana ho an'ny mpino izany satria olom-boafidy isika. Tsy manary antsika ny Tompo, ary izany no nanirahan'i Jesoa ny Fanahy Masina ho aty amintsika, mba tsy hahatonga anlsika ho toy ny kamboty (Jao 14. 18). Koa manána fahasahiana mba hanipahatsiaro an'Andriamanitra izany maha olom-boafìdy anao izanv.

Fanontaniana:
Inona no tokony holazaina ankoatra ireo, araka ny and 21-22 rehefa mivavaka ka mitaraina sy mitoloko ?

mardi 15 mai 2018

Talata 15 May 2018 - Lio 12 : 8 - 12

8–Izao no lazaiko aminareo: na iza na iza manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, ny Zanak'olona koa mba hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra! 9Fa izay mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona12.9 Ampit 2Tim 2.12., ny Zanak'olona koa mba handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra.

10Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka.

11Raha entina hotsaraina eo amin'ny sinagôga na eo anatrehan'ny mpitondra sy ny manampahefana ianareo, dia aza manahy ny amin'izay havalinareo na izay holazainareo; 12fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo eo no ho eo ihany izay tokony holazainareo.

Ny fanekena an'i Jesoa Kristy

1 - Ambarao eo anatrehan'ny olona
Ilaina ny fahasahiana hijoro sy hanambara ankarihary ny fanekena an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny tena. Voasoratra fa "Raha manaiky an'i Jesoa ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao. (Rom 10. 10). Zava- dehibe ny fanekena atao eo anatrehan'Andriamanitra sy ny fiangonana araka izany. Ilàna fahasahiana ny fijoroana vavolombelona. Tsy mifidy toerana. tsy mifidy fotoana. Na eo ìmason'ny fahavalo sy ny hafa finoana aza dia ilaina ny fijoroana amin'izay inoana. Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika. (2 Tim 1, 8)

2 - Aseho amin'ny alalan'nv fitondran-tena isanandro
 Na amin'ny teny, na amin'ny asa, fíhetsika, fikasana, ny lalan-kizorana dia samy anehoana ny fanekena an'i Jesoa Kristy : any ampiasana, any ampianarana, eny antanimboly. eny ampivarotana, eny anivon'ny fiaraha- monina amin'ny fíainana andavanandro dia samy ijoroana ho mpanompon'i Kristy. Araka ny voasoratra hoe : "aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondratena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana" (ITim 4, 12)

Fanontaniana:
Oviana ary taiza no nanekenao an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao?

lundi 14 mai 2018

Alatsinainy 14 May 2018 - Job 33 : 1 - 7

1Meteza ianao, ry Jôba, hihaino ny kabariko
ary mampandria sofina amin'ny teniko rehetra.
2Indro efa hanoka-bava aho
fa efa mby eo an-delako ny teny.
3An-kitsimpo tanteraka no hitenenako
ka dia hilaza ny tena marina aho.
4Fa Fanahin'Andriamanitra no nahariana ahy
ary fofonain'ilay Tsitoha no mamelona ahy.

5Valio aho, raha azonao atao;
omany ny fotokevitrao, ka mifanatreha amiko.
6Fa mitovy isika eo anoloan'Andriamanitra:
tanimanga no samy namolavolana antsika.
7Ny tahotra ahy tsy mampihontsona anao,
ary ny fahefàko tsy mitambesatra aminao.

Sarobidy ny namana tarihin'ny Fanahy Masina

1- Manana fahendrena miavaka :
Teo anatrehan'ny voina nihatra tamin'i Joba dia niezaka nampahery azy i Bildada sy Elifaza ary Zofara. Nivoatra ho fifandresen-dahatra teo amin'izy telo lahy sy Joba izany. Hatreo amin'ny toko faha iraika ambin'ny telopolo dia izy efa-dahy no nifandahatra. Rehefa afa-po tamin'ny fitenenana ireo zokiolona ireo dia izay vao nanapa-kevitra hiteny kosa Eliho. Nanamarika izy fa tsy miankina amin'ny taona ny fahendrena fa miankina amin'ny fanekena ny fitarihan'ny Fanahy Masina. (32, 7 - 8). Voasoratra hoe : "ny fanahy izay ao anatin'ny zanak'olombelona sy ny fofonain'n'y Tsitoha no mahahendry azy " mivantana kokoa ny andininy faha sivy manao hoe : "tsy dia ny fahalehibeazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny".

2- Manitsy mananatra :
"Ny hitsim-poko no hiseho amin'ny teniko . ..holazaina tsy hasiana fìtaka" (And. 3). Nambaran'i Eliho fa tsy mety ny manome tsiny ain'Andriamanitra. (And. 13). Tsy misalasala izy nanambara ny fahambonian'ny Tompo. (And. 12). Ilaina ny miteny amin'ny hitsiny tsy misy Hataka, araka ny voasoralra hoe: "ao ny andro anginana ary ao ny andro itenenana" (Mpito 3, 7b). ilaina ny fahasahiana miteny sy mananatra amin'ny fotoana mety.

Fanontaniana:
Ahoana no ahafantarana ny tena namana?

dimanche 13 mai 2018

Alahady 13 May 2018 - I Kor 2 : 12 - 16

12Raha izahay, dia tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao fa ny Fanahy avy amin'Andriamanitra, mba hahalalanay ny tombon-tsoa rehetra efa nomen'Andriamanitra anay. 13Ary tsy teny ampianarin'ny fahendren'olombelona no itenenanay momba izany, fa teny ampianarin'ny Fanahin'Andriamanitra; ka izay manana io Fanahin'Andriamanitra io2.13 izay manana io fanahin'Andriamanitra io: dkt hafa teny avy amin'io Fanahin'Andriamanitra io.  no anazavanay ny zavatra ampitain'ny Fanahin'Andriamanitra.

14Fa ny olona tsy manana ny Fanahin'Andriamanitra dia tsy mahay mandray ny fanomezana ampitain'izany Fanahy izany; fa ataony ho fahadalana izany, sady tsy hainy fantarina velively, satria ny Fanahin'Andriamanitra ihany no ahafantarana izany. 15Afaka mitsara ny zavatra rehetra ny olona manana ny Fanahin'Andriamanitra kanefa tsy azon'olona tsaraina. 16Fa hoy ny Soratra Masina hoe:

«Iza moa no mahafantatra ny fisainan'ny Tompo,
ka ho afaka hanolo-tsaina Azy2.16 Is 40.13, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta.?»
Fa izahay kosa dia manana ny fisainan'i Kristy!

Ny Fanahy izay noraisintsika

1 - Mahatonga antsika hisaotra sy hankasitraka ny Tompo:
Voasoratra fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra dia mahatonga antsika ahafantatra izay zavatra nomen' Andriamanitra. Ny Tompo dia sady tsara no mpanao ny tsara. Miara-miasa ahasoa ireo fanomezany ho antsika. Na tsy takatry ny saintsika eo no ho eo aza ny haben'ny fitiavany, ny azo antoka dia mikatsaka izay ahasoa antsika mandrakariva Izy. Araka izany, ny fahaizana misaotra sy mankasitraka ny fanomezany dia singa iray mampiavaka ireo nandray Fanahy avy Aminy. Joba mpanompon' Andriamanitra dia nahay nankasitraka ny fitantanan' Andriamanitra ny fiainany na dia nandalo fotoan-tsarotra aza izy.

2 - Mahatonga antsika mahay misafidy :
Voasotra fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra" (And. 16). Tsy ary mampandroso daholo anefa ireo fa ao ny tsara, ao ny ratsy. Mampiavaka ny olona araka ny Fanahy ny fìzorany amin'ny safìdy tsara. Harena lehibe ho antsika ny fahaizantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny vary sy ny tsiparifary, ny marina sy ny diso; Andriamanitra dia mitaona antsika hanana safidy tsara eo amin'ny fiainana.

Fanontaniana
Tanisao izay fitondran-tena takiana ao an-tranon' Andriamanitra fantatrao. Samy hata amin'ny atao any ivelany ve izany?

samedi 12 mai 2018

Sabotsy 12 May 2018 - I Tim 3 : 14 - 16

14Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena fa hankatỳ aminao faingana aza aho. 15Fa raha tratra ela aho, ity taratasy ity dia misy hahafantaranao izay fitondrantena tokony hataonao ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra, izany hoe ny Fiangonan'ilay Andriamanitra velona, ny Fiangonana izay mampijoro sy manamafy orina ny hafatra marim-pototra. 16Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika:

Niharihary ho olombelona i Kristy,
nankatoavin'Andriamanitra tamin'ny herin'ny Fanahy masina
ary niseho tamin'ny iraka3.16 Ampit Rm 1.4. –ary... iraka (dia ny apôstôly): dkt hafa ary hitan'ireo anjely. ;
notorîna tany amin'ny firenena,
ka ninoana eran'izao tontolo izao;nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.

Ny fiangonan'Andriamanitra velona

1- Mitakv fitondran-tena miavaka :
"...fa raha tratra ela aho, dia ny ahafantaranao izay fitondrantena metý hatao ao an-tranon'Andriamanitra ..." (And. 15). Masina ny fiangonana ary takiana fahamasinana ny mpino eo anivony. Indrisy anefa fa misy fanaon'izao tontolo izao izay hita taratra ao amin'ny fìangonana indraindray, toy ny fitafiana tsy maontina, ny fihatsarambelatsihy, ny fahalovana. ny fijerena tavan'olona. ny fitabatabahana samihafa. Soa ihany fa misy ny mijoro amin'ny fahamarinana sy fahamasinana hatramin'ny farany. Mila manana fahasahiana hitaona ny mpianakavin'ny finoana hanana fitondran-tena miavaka ny mpitarika eo anivon'ny fiangonana.

2- Andry sv fiorenan'nv faliamarinana :
Jesoa Kristy llay lalana sy fahamarinana ary fiainana no nanorina ny fiangonana. Tsy azo leferina ny fanaovana ny fìangonana ho zohy hieren'ny jiolahy. Tsy maintsy mijoro ho fanasina sy ho fahazavana ny fiangonana. Fahamarinana ara-pitondran-tena, fahamarinana eo amin'ny fanambarana madio ny tenin' Andriamanitra. Tsy maintsy milaza ny marina ny fiangonana ary tsy mijery tavan'olona.

Fanontaniana:
Inona no tokony hatao mba ahatonga ny fihetsika sy ny fiteny hifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra?

vendredi 11 mai 2018

Zoma 11 May 2018 - Mat 12 : 31 - 37

31Noho izany, hoy Aho aminareo: havelan'Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan'ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an'Andriamanitra; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka. 32Na iza na iza manao teny manohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka na amin'izao fiainana izao na amin'ny fiainan-ko avy.

33–Ataovy hoe tsara ny voany ka tsara koa ny hazo, na ataovy hoe ratsy ny voany ka ratsy koa ny hazo: satria ny voany no ahafantarana ny hazo. 34Ry tarana-menarana, hataonareo ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara? Izay mameno ny fon'ny olona manko no aloaky ny vavany. 35Ny olona tsara fanahy dia mamoaka zavatra tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny olona ratsy fanahy dia mamoaka zavatra ratsy avy amin'ny rakitra ratsin'ny fony. 36Ary lazaiko aminareo fa ny olona, amin'ny andro fitsarana dia hampamoahina momba ny teny tsy misy antony rehetra nataony: 37satria ny teninao no hanomezan-drariny anao ary ny teninao no hanamelohana anao.

Ny mpino manaiky ho havaozin'ny Fanahy Masina

1- Hita taratra amin'izay ataony
"...Fa ny voany no ahafantarana ny hazo" (And. 33). Eo anatrehan'ireo anaram-boninahitra sy andraikitra samihafa eo amin'ny mpanara-dia ny Tompo. dia tsy mora ny manavaka ny vary sy ny tsiparifary. Mipoitra eny ihany anefa ny afenina rehefa ela ny ela. Tahaka ny Fariseo, izay sarotim-boninahitra, tsy ny fanasitranana vitan'i Jesoa Kristy no jereny, fa lany andro mamantatra zavatra hafa izay mivaona amin'ny zava- misy. Na dia miezaka mamilivily ny fahamarinana aza ireo dia ambaran'i Jesoa fa fantatra amin'ny voa eny ihany ny hazo. (And. 33). Izay milaza fa vahoakan'Andriamanitra nefa mandà an'i Jesoa Kristy dia mpandainga.

2- Hita taratra amin'izay teneniny
Misy indray fatratra raha ny fahitana azy aty ivelany: ny andraikitra misy azy, ny fombafomba ataony. dia toa olona tsy manan-tsiny. Rehefa ela ny ela dia hita taratra amin'ny teny avoakany eny ihany ny ao am- pony satria "Avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava". (And. 34). Ilaina ny fijoroana vavolombelona amin'ny alalan'ny fitenenana izay ifandraisantsika amin'ny hafa. Ilaina ny manambara ny fahatsaran'i Kristy amin'ny manodidina antsika.

Fanontaniana :
Inona no tokony hatao mba ahatonga ny fihetsika sy ny fiteny hifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra?

jeudi 10 mai 2018

Alakamisy 10 May 2018 - Sal 57 : 7 - 11

7Ireo fahavaloko efa namelatra
fandrika harato tamin'ny lalako
mba hampitanondrika ahy;
nihadiany longoa teo anoloako,
kanjo izy ihany no latsaka tao.

8Andriamanitra ô, mitombina dia mitombina ny foko57.8 Ampit Sal 108.2.
ka hihira sy hankalaza Anao amin-tsalamo aho.
9Mifohaza, ry fanahiko; mifohaza, ry valiha sy lokanga,
fa tiako hofohazina ny mazavatsinanana.
10Tompo ô, vory vahoaka no hiderako Anao
ary eo anivom-pirenena no hankalazako Anao amin-tsalamo,
11satria lehibe tafapaka amin'ny lanitra ny fitiavanao
ary avo tafapaka amin'ny rahona ny fahamarinanao.

Mandresy ny sarotra ny mpino

1- Feno fatiatokiana:
Raha ny toe-javatra natrehan'i Davida, dia noheverina fa ny tahotra, ny tebiteby. ny fanahiana no mibahana eo aminy. Ny mifanohitra amin'izany anefa no nitranga teto. Manoloana ny fanenjehana. fifofoana izay nataon'i Saoly, dia niatrika izany ampahatokiana tanteraka I Davida. Hoy izy hoe "tafatoetra ny foko Andriamanitra ò. eny tafatoetra ny foko'" (And; 7). izany dia midika hoe mitombona tsara, tsy misy ahiahy, tsy misy tebiteby, mahitsy, entitra, tsy miroa saina, satria miaraka amin'ilay Mpiandry Tsara. Jesoa Kristy dia feno fahatokiana na dia nisedra zava-tsarotra aza. Sahia mijoro manoloana ny lalan-tsarotra.

2- Manandratra avo nv anaran'ny Tompo :
Hafa mihitsy ny fomba fiatrehan'i Davida olana: fiderana. fankalazana. fanandratana, fanomezam- boninahitra ny Tompo. Efa tsinjony sahady ny valim-bavaka. Fantany llay inoany. Mampianatra antsika izao fijoroain'i Davida izao mba hananantsika fanantenana eo ampiatrehana ny fotoan-tsarotra. Tsy vahaolana ny fimonomononana sy ny fifanomezan- tsiny. Azo atao ny miatrika am-pifaliana amin'ny alalan'ny fiderana tahaka ny nataon'i Paoly sy Silasy tao an-trano maizina (Asa 16. 25).

Fanontaniana:
Nahoana no mbola mahavita misaotra sy midera ny Tompo ireo mpiara-manompo amintsika na dia misedra zava-tsarotra aza?

mercredi 9 mai 2018

Alarobia 09 May 2018 - I Tes 1 : 1 - 10

1Avy amiko Paoly ity taratasy ity.
Mamangy anareo isan'ny Fiangonana atỳ Tesalônika1.1 Silasy: jereo Asa 15.22. –Timôty: jereo Asa 16.1. –Tesalônika: i Salônika no anaran'io tanàna io ankehitriny; any amin'ny faritra avaratr'i Gresy no misy azy (jereo koa 2Kôr 1.16 sy nta). Momba ny nitoeran'i Paoly tao voalohany, jereo Asa 17.1-9; 1Tes 2.1-2., izay tafaray amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo, aho. Mamangy anareo koa i Silasy sy i Timôty. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!

2Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra izahay ny aminareo rehetra, rehefa mahatsiaro amin'ny vavaka ataonay. 3Tsaroanay tsy tapaka eo anatrehan'ilay Andriamanitsika sady Raintsika ny asa ateraky ny finoanareo, ny fikelezana aina asesiky ny fitiavanareo, ary ny faharetana vokatry ny fanantenanareo an'i Jesoa Kristy Tompontsika1.3 finoana... fitiavana... fanantenana: ampit 1Kôr 13.13.. 4Fantatray, ry havana, fa efa notiavin'Andriamanitra ianareo ary efa nofidiny mba ho Azy. 5Eny, ny Vaovao Mahafaly torînay dia tonganay tatỳ aminareo, tsy tamin'ny teny fotsiny ihany fa tamin'ny hery aman'asan'ny Fanahy Masina mbamin'ny fankatoavanay tanteraka ny Vaovao Mahafaly. Fantatrareo koa ny fiaimpiainanay fony izahay tatỳ aminareo ho fanasoavana anareo. 6Sady nanahaka anay sy ny Tompo ianareo; fa na dia be aza ny fahoriana nanjo anareo, dia nandray ny tenin'Andriamanitra tamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo1.6 Jereo Asa 17.5-9.. 7Koa dia tonga ohatra ho an'ny mpino rehetra eran'i Masedônia sy i Akaîa ianareo1.7 Masedônia: jereo 2Kôr 1.16 sy nta. –Akaîa: jereo 2Kôr 1.1 sy nta.. 8Nanako avy teo aminareo ny tenin'ny Tompo, ka tsy hoe nanerana an'i Masedônia sy i Akaîa ihany, fa niely hatraiza hatraiza koa ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra; hany ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona. 9Fa izy rehetra dia milaza ny momba anay ka mitantara ny nidiranay tatỳ aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampinareo ka nitodihanareo tamin'Andriamanitra, mba hanompoanareo ilay Andriamanitra velona sady marina. 10Andrasanareo koa ny hahatongavan'ny Zanany avy any an-danitra, dia i Jesoa Izay efa natsangany ho velona avy tany amin'ny maty sady mpanafaka antsika amin'ilay fahatezeran'Andriamanitra ho avy.

Mandrosoa ho any amiirny lalina
Lohateny azo omena ity Mofonainantsika androany ity izany, mba hahazoana mitaratra ny fomba fiasa sy ny endriky ny fiaraha-miasa amin'ny fanompoana an' Andriamanitra.

1 - Miasà amin'ny finoana:
Azo atao ny mahita vokatra sy fahombiazana rehefa atao amim-pinoana izay atao.

2- Mikeleza aina amin-pitiavana:
Hafa mihitsy ny fahavitrihana rehefa atao ampitiavana ny fanompoana. tsy mitandro hasasarana.

3- Mahareta amin'ny fanantenana:
Manana lazon'ady ny olona raha sady manana faharetana izy no efa manantena sahady ny vokatra andrasany.

4- Fantaro fa sarobidy ny fifidianana anareo:
Izany indrindra no hanafaran'ny Tompo hoe: "Tano mafy izay ananao mba tsy hisy haka nv satro-boninahitrao" (Apo3, 11)

5- Aoka ho tonga fianarana hoan'ny mino ianao
Amin'ny fiteny. amin'ny fìtondran-tena . amin'ny fitiavana. amin'ny finoana. amin'ny fahadiovana. (I Tim. 4: 12). Ankoatry ny finoana azo avy amin'ny toriteny, dia ny fijoroana ho fanasina sy fahazavana amin'nv fiainana andavanandro no mitondra vokatra.

Fanontaniana :
Lazao ireo dingana vitan'ny mpiara-manompo aminao ka mampisaotra ny Tompo sady nampahery anao
Ahoana no tokony hatao mba hanovàna ireo zatra nianakiana sy mitsikera ny hafa fotsiny?

mardi 8 mai 2018

Talata 08 May 2018 - Apo 11 : 11 - 13

11Taorian'ny telo andro sy tapany, dia nisy fofonaina avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo faty ireo, ary nampijoro azy tamin'ny tongony11.11 Ampit Ezek 37.5, 10.; ka raiki-tahotra mafy izay olona nahita azy. 12Dia nahare feo mahery avy tany an-danitra ireo mpaminany roa ireo, nanao taminy hoe: «Miakara atỳ!» Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin'ny rahona11.12 Ampit 2 Mp 2.11. ireo, ary nahatazana azy ny fahavalony. 13Tamin'izay fotoana izay dia nisy horohorontany mafy ka nirodana ny ampahafolon'ilay tanàna ary olona fito arivo no matin'io horohorontany io. Raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an'ilay Andriamanitra monina ao an-danitra.

Ny Fanahy nomen'ny Tompo antsika

1- Fanahy mahavelona
"... dia nisy fanahin'aina avy tamin'Andriamanilra niditra tao anatin'ireo". Matetika dia misy fomba fijerintsika olombelona mitsara ny zava-misy izay mitranga. Refesin'ny olona araka ny hafoin'ny fisainany ny fiasan'ny Tompo. Mazava ny voalaza ao amin'ny Gen. 18, 14 manao hoe: "Fa moa misy zava- mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Araka izany dia hain'ny Tompo no manangana amin'ny maty. Hain'ny Tompo ny manova ny toe-javatra izay heverina hoe tsy misy fanantenana intsony. Vitany ny mamerina amin' ny laoniny ny fahasimbana sv faharavana. Raha mino ianao dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra.

2- Fanahy Mampijoro
"... ary nijoro tamin'ny tongony izy". Mahay manarina ny lavo ny Tompo. Mahay mampitraka ny mitanondrika. Mahay mampahery ny kivy. Hoy Izy hoe: "Ampaherezo ny tànana miraviravy. ary hatanjaho ny lohalika malemy. (Isa 35. 3). Na eo aza ny rivotra mifofofo na maro aza ireo mikasa handavo sy hamingana dia tsy maintsy mijoro hatramin'ny farany isika. Fa hoy ny Tompo: "miorena tsara aza miova". Ny fampaherezana avy amin'nv Fanahy Masina no mampijoro sy mampahery antsika.

Fanontaniana:
Milazá fanarenana sy fanavaozana nataon'nv Tompo teo amin'ny fiainanao.

lundi 7 mai 2018

Alatsinainy 07 May 2018 - Mar 16 : 14 - 20

14Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan'i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona. 15Dia hoy koa i Jesoa taminy:
–Mandehana eran'izao tontolo izao, torio amin'ny olombelona rehetra ny Vaovao Mahafaly16.15 Ampit Asa 1.8.. 16Izay hino ka hatao batisa, dia ho voavonjy; fa izay tsy hino, dia hohelohina. 17Ary ireto no famantarana homba izay mino: handroaka demony amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny vaovao; 18handray menarana sy hisotro poizina mahafaty, nefa tsy haninon-tsy haninona; ary hametra-tanana amin'ny marary, dia ho sitrana ireny.

19Ary i Jesoa Tompo, rehefa avy niteny tamin'ny 11 lahy toy izany, dia nakarina any an-danitra ary mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra16.19 Ampit Asa 1.9-11.. 20Ireo mpianany kosa lasa nitory ny Vaovao Mahafaly hatraiza haraiza; ary ny Tompo dia niara-niasa taminy sy nanome hery ny teny notorîny tamin'ny alalan'ny famantarana nampombany azy.

Ny baikon'ny Tompo amin'ny mpanompony
1 - "Mandehana" :
"...mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo ..." Mitaky hetsika izany. Misy toerana hiaingàna ary misy toerana aleha: Any amin'izao tontolo izao. Tsy mandeha irery ny iraka aniin'izany fa momba azy ireo ny Tompo. (Matio 28, 20)

2 - "Mitoria nv filazantsara" :
Mazava ny antondia eto dia ny fìtoriana ny filazantsara. Jesoa Kristy no mpaniraka ary Izy no votoatin'ny hafatra ampitaina. Fanoloran-tena, fahafoizana fotoana, fanekena ho mpianatra amin'ny alalan'ny fiofanana sy fíomanana no takiana amin'izany fa tsy fizahan-tany na tanjona hafa.

3 - "Sitrano nv mararv" :
Maro ireo aretina izay mahazo ny olona ankehitriny. Ny mpitory filazantsara dia fitaovana eo ampelatan'ny Tompo hitondra fanafahana, fanasitranana araka ny baikon'ny Tompo hoe: tsaboy izy (Lio. 10, 35) Mariho fa miara-dalana ny finoana sy ny fanasitranana. Araka izany dia ilaina ny mitondra anjara biriky ho fikolokoloina ny fahasalaman'ny olona itoriana filazantsara. Finoana arahan'asa no takiana amin'izany.

Fanontaniana:
lnona no lesoka mampitarazoka ny fitoriana filazantsara amin'ny ankapobeny

dimanche 6 mai 2018

Alahady 06 May 2018 - Eze 36 : 22 - 30

 22Koa ambarao amin'ny Israelita fa izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: Izay hataoko, ry Israelita, dia tsy noho ny aminareo no hanaovako azy, fa mba hanajana ny anarako masina izay nozimbazimbainareo tany amin'ny firenena izay nalehanareo. 23Nefa na dia nanimbazimba Ahy teo imason'ireny aza ianareo, dia hasehoko azy kosa fa Andriamanitra lehibe sy masina Aho, ary ianareo no hampiasaiko hanehoako izany. Amin'izay dia hoeken'ireo fa Izaho no TOMPO; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
24«Fa halaiko avy any amin'ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo. 25Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo. 26Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Hoesoriko aminareo ny fo tsy miraika toy ny vato ka hosoloiko fo mora anarina. 27Ny Fanahiko mihitsy no hapetrako ao anatinareo, ka hataoko manaraka ny lalànako ianareo, ary hitandrina sy hanatanteraka ny fitsipiko. 28Dia honenanareo ny tany izay nomeko ny razanareo; ka ho vahoakako ianareo ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo. 29Hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Tsy handefasako mosary intsony ianareo fa hampaniriako sady hataoko vokatra be ny varinareo. 30Hataoko vokatra koa ny hazo fihinam-boa sy ny voly eny an-tsaha, ka tsy ho voalatsan'ny hafa firenena amin'ny mosary intsony ianareo.

Ny fanavaozan'ny Fanahy Masina

1 - Mitondra fanadiovana :
"... dia hofafazako rano madio hianareo, ka hadio. ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra..." (And. 25) Mampalahelo fa ny vahoakan'Andriamanilra ihany no nandolo ny anaran'ny Tompo tany amin'ny Jentilisa. Mandrora mitsilany izy ireo ka mahavoa tena, ary dia tonga maloto eo anatrehan'ny Tompo. Soa ihany fa eo ny famindram-pon'ny Tsitoha. Manadio sy. mamela heloka Izy. Manadio ny loton'ny fahotana Izy. Ny fanavotana teo amin'ny hazo fijaliana no mahantanteraka izany.

2- Mitondra fitahiana sy fiainam-baovao:
Fo vaovao, fanahy vaovao, fahavokarana. taona zina. fandresena ny mosary, ireo no santionan'ny vokatry ny fanavaozan'ny Fanahy Masina. Mora ho an'nv olona manaikv havaozina ny manaraka fandaminana. Manaja fìtsipika mitandrina ny didin'Andríamanitra. Misy fiantraikany amin'ny fiainan'ny olona amin'ny ankapobeny ny fitarihan'ny Fanahy Masina: ara-panahy. ara-nofo. ara-tsaina satria manana mpanolontsaina hendry izy. Araka ny Deotoronomia 28, 1 - 2 dia mifamatotra amin'ny fitandremana ny didin'Andriamanitra sy fihainona ny feon'ny Tompo no mitondra ho amin'ny fitahiana. Taratry ny fiasan'ny fanahy izany.

Fanontaniana:
Inona avy ireo mampiavaka ny olom-baovao ao amin'ny Kristy?

samedi 5 mai 2018

Sabotsy 05 May 2018 - Rom 8 : 1 - 8

1Koa ankehitriny dia tsy misy intsony fanamelohana ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa. 2Fa ny fanapahan'ny Fanahy Masina, mpanome aina ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa, dia nanafaka ahy8.2 nanafaka antsika: misy stf sasany ahitana hoe nanafaka anao ary misy ahitana hoe nanafaka antsika.  tsy ho voafehin'ny fanapahan'ny fahotana sy ny fahafatesana. 3Satria izay tsy vitan'ny lalànan'i Mosesy, noho ny lalàna nolemen'ny maha olona mpanota, dia notontosain'Andriamanitra. Voahelok'Andriamanitra ny fahotana tao amin'ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny Zanany, Izay naka ny endriky ny maha olombelona mba hanaisotra ny fahotana. 4Notontosain'Andriamanitra izany mba ho tanteraka ao amintsika ny zavatra rehetra takîn'ny lalàna amintsika, dia isika izay mizotra tsy araka ny maha olona mpanota intsony fa araka ny Fanahy Masina. 5Eny, izay miaina araka ny maha olona mpanota, dia mirona amin'ny zavatra ankafizin'ny maha olona mpanota; fa izay miaina araka ny Fanahy Masina, dia mirona amin'ny zavatra ankafizin'ny Fanahy Masina. 6Satria ny firònan'ny maha olona mpanota dia mitondra amin'ny fahafatesana; fa ny firònan'ny Fanahy Masina dia mitondra amin'ny fiainana sy ny fiadanana. 7Ny firònan'ny maha olona mpanota dia mifanohitra amin'Andriamanitra, ka tsy manoa sady tsy afa-manoa ny lalànan'Andriamanitra akory. 8Fa izay anjakan'ny maha olona mpanota dia tsy mety ho sitrak'Andriamanitra.

Ny mampiavaka ny fihevitry ny Fanahy sy ny fìhevitry ny nofo

1- Nv fihevitry ny nofo dia fahafatesana ( And. 6a)
Mitanisa sy manazava izany manomboka eo amin'ny andidiny fahafito; "Fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo". Hafa niihitsy ny mahamaika sy mahadodona ny nofo: fahafinaretana, filan'ny maso, fìlan'ny sofina, ny rehak'izao fiainana izao. Ny mpino Kristiana dia tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra hanajanona tanteraka ny fanaon'izao tontolo izao. Mitondra ho amin'ny fahafatesana ny fihevitry ny nofo satria misarika amin'ny fahotana izany ary fahafatesana no tambin'ny ota. Tsy maintsy mahafehy tena eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina ny mpino mba handresena ny asan'ny nofo.

2- Ny fihevitrv ny Fanahy dia fiainana sy fiadanana. (And. 6b)
Hafa mihitsy ny fianan'ny olona mizotra eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina. Afaka amin'ireo geja sy fatotra maro samihafa: Ny fihevitrv nv Fanahy dia manafaka amin'ny fanamelohana ho avy, manafaka amin'ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy. Manafaka amin'ny vokatry ny fahotana dia ny fahafatesana. Olona afaka amin'ny fanaon'izao tontolo izao.

Fanontaniana
Ampitahao ny Galatiana 5: 19 - 23 sy ny Romana 8: 6. Inona no azo tsoahina avy amin'izany?

vendredi 4 mai 2018

Zoma 04 May 2018 - Jao 16 : 12 - 14

12Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. 13Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra: satria tsy hiteny avy amin'ny tenany Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. 14Ny Fanahy fahamarinana no hanome voninahitra Ahy, satria handray avy amin'izay ananako Izy ary hanambara izany aminareo.

Ny Fanahy Masina

1- Mpitari-dalana
"Fa raha tonga ny fanahin'ny fahamarinana. dia Izy no hitari-dàlana anareo ..." (And; 13, a.b). Mananjara ny nipanonipon'Andriamanitia fa manana mpitarika miavaka. Sady tsy diso lalana. no tsy diso safidy, ny olona manana ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana.

2- Mitari-dalana amin'nv marina. (And. 13)
Tsy izay rehetra manana mpitari-dalana akory dia mizotra amin'ny lalana marina. Misy ireo miantefa amin'ny mpitarika diso lalana. Asan'ny Fanahy Masina ny mitarika antsika ao amin'i Jesoa Kristy.,ilay lalàna sy fahamarinana ary fiainana. Lalana mizotra amin'ny fiainana mandrakizay izay omanin'ny Tompo ho antsika.

3- Manambara sy mankalaza an'i Jesoa Kristy (And. 13 sy 14)
"... izay ho reny dia lazainy avokoa. ... Izy hankalaza Ahy ..." Tsapan'ny olona ny tenin'Andriamanitra, ary tafita any amin'ny mpihaino ny fankalazana an'i Jesoa Kristy rehefa eo ny fìtarihan'ny Fanahy Masina. Ny antokom-pinoana mandà an'i Jesoa Kristv dia tsy mahagaga raha tsy mahalala ny hasarohidin'ny fiasan'ny Fanahy Masina.

Fanontaniana:
Tanisao ireo voka-tsoa noho ny fitarihan'ny Fanahy Masina.

jeudi 3 mai 2018

Alakamisy 03 May 2018 - Nom 11 : 23 - 29

23Fa hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Ary ny heriko, moa mba misy fetrany va? Ho hitanao izao ankehitriny izao na ho tanteraka aminao ny teniko na tsia.

24Nisinda kely i Mosesy ka nilaza ny tenin'ny TOMPO tamin'ny vahoaka. Nangoniny avy eo ireo fitopolo lahy tamin'ny loholom-bahoaka, dia napetrany nanodidina ny Tranolay fihaonana. 25Ary nidina teo amin'ny rahona ny TOMPO11.25 Jereo Eks 13.21 sy nta. ka niresaka tamin'i Mosesy. Nangalany ny fanahy tamin'i Mosesy ka nanomezany ho an'ny loholona fitopolo lahy. Ary raha vao nipetraka tamin'izy ireo ny fanahy, dia nanomboka naminany izy ireo, nefa tsy notohizany izany.

26Fa nisy olona anankiroa nijanona tao an-toby, i Eldada no anaran'ny iray ary i Medada kosa ny iray; anisan'ny loholona fitopolo lahy izy ireo, nefa tsy mba lasa nankany amin'ny Tranolay. Nahazo ny fanahy koa izy ireo ary dia naminany tao an-toby. 27Nihazakazaka nampandre an'i Mosesy ny tovolahy iray ka nanao hoe:
–Maminany ao an-toby i Eldada sy i Medada.

28Dia loa-bolana i Josoa, zanakalahin'i Nona sady mpanompon'i Mosesy hatramin'ny fahatanorany, ka nanao hoe:
–Ry Mosesy tompoko, mba rarao re izy roa lahy.

29Fa hoy i Mosesy taminy:
–Moa mialona azy noho ny amiko ve ianao? Enga anie homen'ny TOMPO ny Fanahiny avokoa ny vahoakany rehetra ka ho tonga mpaminany!

Miantefa amin'ny rehetra ny tenin'ny Tompo

1- Amin'ny Mpitarika
I Mosesy no mpitarika eto. Tsy mora ny andraikitra nankinina taminy, satria vahoaka zary fìrenena no nomen'nv Tompo hoentiny, tany karankaraina. hainandro. tsy fahampiana amin'ny lafiny maro no tsy maintsy itadiavana vahaolana. Ny toromarika nomen'ny Tompo azy voalohany dia ny fanendrena mpiara-miasa. Narahiny izany. Tsy maintsy manaraka nv tenin'ny Tompo ny mpitarika raha te ahita fahombiazana. Tsy mampiasa antsika irery ny Tompo na dia mpitarika aza isika, koa henoy ny toromarika omeny fa miantefa amintsika koa.

2- Amin'ny mpiara-manompo
Rehefa voatendry ireo fito-polo lahy dia ny Tompo no manamarina ny teniny fa momha ny mpanompony mandrakariva Izy. Ny fanomezanv ny fanahy no anaporofoany izany (And. 29). Andraikitra Masina ny fiaraha-miasa sy fifarimbonana amin'nv mpitarika. nefa tsy maintsy omena Fanahy iray ny mpiara-miasa. sy ny mpiombon'antoka, raha tsy izany dia samy handeha amin'ny lalany avy. Samy nomena Fanahy iray ny mpitarika sy ny mpiara-miasa aminy. Izay rehetra nantsoin'nv Tompo, na iza na iza ho mpiara-miasa sy miara-manompo dia tsy maintsy mandray ny fanahy.

Fanontaniana:
Ampitahao ny Nomery 11, 16 sy ny Nomery 11, 24 ka lazao ny endrika anehoan' i Mosesy ny fankatoavana ny Tenin'ny Tompo.

mercredi 2 mai 2018

Alarobia 02 May 2018 - Gal 4 : 1 - 7

1Izao anefa no teniko: raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny mpanompo izy na dia tompon'ny zavatra rehetra aza; 2fa fehezin'izay mpikarakara azy sy ny mpitandrim-pananany izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy4.2 Araka ny lalàna grika, dia ny rain-jaza no mametra ny taona maha lehibe ny zanany, ka ahazoan-janany miala amin'ny fifehezan'ireo mpikarakara azy sy mizaka tena tanteraka.. 3Dia tahaka izany koa isika; fony mbola zaza, dia nandevozin'ireo herin-javatr'izao tontolo izao4.3 ireo herin-javatr'izao tontolo izao: dia ireo zavaboaary isan-karazany hita maso heverin'ny olombelona ho manan-kasina sy manan-jina, ary dia mangeja azy fatratra raha mbola tsy nanafaka azy ny finoana an'i Jesoa Kristy. Jereo 4.9; Kôl 2.8, 20. isika; 4fa rehefa tonga tokoa ny fotoanandro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany: natera-behivavy io Zanany io ary niaina teo ambany fahefan'ny lalàna jiosy, 5mba hanavotra izay teo ambany fahefan'ny lalàna ary mba handraisantsika ny anjara maha zanak'Andriamanitra.

6Ry ny maha zanaka anareo, dia ny nanirahan'Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany miantso hoe: «Raiko ô4.6 Ary ny maha zanaka anareo, dia ny nanirahan'Andriamanitra: na hoe ary satria zanaka ianareo dia nirahin'Andriamanitra. –Raiko ô: ny teny aramianina Abbà no ampiasaina ao amin'ny rijan-teny grika fototra. Jereo Mk 14.36 sy nta; Rm 8.15.!» 7Hany ka tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka; ary raha zanaka ianao, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra4.7 and 5-7: ampit Rm 8.15-17..

mardi 1 mai 2018

Talata 01 May 2018 - Isa 44 : 1 - 5

1Fa ankehitriny kosa mihainoa,
ry firenen'i Jakôba mpanompoko,
ry vahoaka Israely izay nofidiko.
2Izaho TOMPO izay mpanao anao,
ka namorona anao hatrany am-bohòka
sy manampy anao no indro milaza aminao hoe:
Aza matahotra, ry firenen'i Jakôba mpanompoko
ilay Jesoròna44.2 Jesoròna; anaram-bositra iantsoana an'i Israely ao amin'ny Deot 32.15; 33.5,26. Angamba ny dikany dia hoe olo-mahitsy, ka mifanohitra amin'ny hoe Jakôba (fangoloka). izay nofidiko.
3Fa hanosaka rano amin'izay mangetaheta Aho
sy hampandriaka renirano amin'ny tany mangentana.
Hatosako amin'ny zanakao ny Fanahiko
ary amin'ny taranakao ny fitahiako.
4Handrobona toy ny solofom-bolotara
na toy ny hazomalahelo eny amoron-drano izy.
5Ny anankiray hanao hoe: ‹An'ny TOMPO aho›;
ny iray hafa te hitondra ny anaran'i Jakôba.
Ny anankiray kosa dia eo amin'ny sandriny
no hanoratany hoe: ‹Fananan'ny TOMPO›
sady ny anaran'i Israely no hireharehany.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12