mardi 31 juillet 2018

Talata 31 Jolay 2018 - Mar 11 : 15 - 18

15Dia tonga tao Jerosalema ry zareo. Ary namantana tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo noroahiny, ny latabatr'ireo mpanakalo vola (Ireo mpanakalo vola dia ahafahan'ireo Jiosy avy any am-pielezana manakalo vola vahiny mba hividianana fanatitra na handoavana ny hetran'ny tempoly.) sy ny sezan'ireo mpivaro-boromahailala nazerany, 16ary tsy nisy olona navelany hitondra fitaovana hamakivaky ny kianjan'ny tempoly. 17Dia nampianatra ny olona i Jesoa ary nanao taminy hoe:
–Tsy izao ve no voalazan'ny Soratra Masina: «Ny tranoko dia hantsoina hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra»? Nefa he ity izy ataonareo zohy fieren'ny mpangalatra11.17 Ampit Is 56.7; Jer 7.11.!

18Ary nahare izany ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna, ka nitady izay fomba hamonoana an'i Jesoa; fa natahotra Azy manko ry zareo satria nahatalanjona ny vahoaka rehetra ny fampianarany.

« Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an 'ny firenena rehetra ? (Isa. 56, 7); fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy ? (Jer. 7, 11) » (and. 17).

Manamafy amintsika ny fahamasinan'ny tranon'Andriamanitra ny Tompo

1- Mitaona antsika hanao ny marina
Ny Soratra Masina ihany no mamerina ny olona rehetra amin'ny fahamarinana ary i Jesoa Kristy mihitsy no fahamarinantsika. Izy no nanaiky hanome ny fanahin'ny fahamarinana mba hitari-dàlana antsika amin'ny marina rehetra. Ny finoantsika no handraisantsika ny fahamarinan'ny tenin' Andriamanitra. Mamaky sy mandinika Soratra Masina isika mba hanana ny teny hitarihan'ny Tompo antsika amin'ny fahamarinana.

2- Mijoro vavolombelon'ny fahamarinana isika
Mahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra isika rehefa zatra mamaky Soratra Masina. Ny Tompo dia miteny sy manambara ny sitrapony ao anatin'ny Baiboly. Mampahery antsika ho vavolombelon'ny fahamarinana ny Tompo amin'ny alalan'ny Soratra Masina. Aoka ho sahy mijoro vavolombelona ny kristiana tsirairay izay velomin'ny tenin'Andriamanitra. Handrava ny tsy fahamarinana eo amin'ny fíaraha-monina tahaka ny nataon'ny Tompo.

Fanontaniana :
Inona no nataontsika ho fijoroana vavolombelon'ny fahamarinana ?

lundi 30 juillet 2018

Alatsinainy 30 Jolay 2018 - I Pet 3 : 14 - 17

14Raha tàhiny manao ny marina aza ianareo no ampahorîna, dia sambatra. Aza matahotra izay fandrahonan'ny olona, ary aza mangorohoro amin'izany; 15fa i Kristy no hajao ho Tompo ao am-ponareo(Raha tàhiny... sambatra: ampit Mt 5.10. –and 14-15: ampit Is 8.12-13.). Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay rehetra manontany anareo ny amin'ny fanantenana ao anatinareo, 16saingy ataovy amin-kalemem-panahy sy amim-panajana izany. Manàna fieritreretana mahitsy; ka rehefa misy zavatra anendrikendrehana anareo, dia ho menatra izay mpanaratsy ny fitondrantena tsara anentanan'i Kristy anareo. 17Eny, raha izany no sitrapon'Andriamanitra, dia aleo mitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa toy izay amin'ny fanaovan-dratsy.

Sambatra isika !
Nahoana tokoa moa no ambara sy lazaina fa sambatra isika ?

1 - Satria miaraka amin'i Jesoa Tompontsika
«Fa manamasina an 'i Kristv ho Tompo ao am- ponareo » (and.15), izay efa nananaran'ny mpaminany ny Isiraely fahizay (Isa.8, 13), dia hamafisin'ny Apostoly Petera eto mba tsy ho hadinoina ny Tompo. Izy tokoa no mandray ny fon'izay mino Azy ary manaiky hiditra ka hanome fiadanam-po, fitoniana amin'ny tebiteby sady hamonjy. Raha Izy tokoa no noraisintsika ary nekentsika hanapaka ny fíainantsika dia ahatsapa ny fomban'ny sandriny mahery isika. Koa avelao ny Fanahiny Masina hitarika antsika amin'ny marina rehetra.

2 - Satria manaraka ny sitrapon'ny Tompo
Efa tenin'i Jesoa ny fanomezan-toky antsika mpino kristiana momba ny fahoriana ka nilazany hoe «matokia, Izaho efa naharesy izao tontolo izao» (Jao.16, 33). Nandresy Izy ka entiny handresy miaraka Aminy isika mino sady hampianariny handeha amin'ny fahamarinany tokoa. Teny fahamarinana no ilazana ny sitrapon'Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina koa aoka hifikitra hankatoa ny teniny isika isan'andro. lzany no manao ny sitrapony.

Fanontaniana :
Tsapanao ve ny fahasambarana omen'ny Tompo eo amin'ny fiainantsika ?

dimanche 29 juillet 2018

Alahady 29 Jolay 2018 - Sal 71 : 14 - 24

14Izaho kosa hanantena Anao lalandava,
ary hampitombo ny fiderana Anao;
15isan'andro no hitanisan'ny vavako
ny fahamarinanao sy ny famonjenao,
na tsy voaisako avokoa aza ireny.
16Tompo ANDRIANANAHARY ô, hiditra ao an-tranonao aho,
satria Ianao nirotsaka an-tsehatra nomba ahy;
ary dia ny fahamarinanao irery no hotsahiviko.

17Hatry ny fony aho mbola tanora
no efa nampianarinao, Andriamanitra ô;
ary mandraka izao dia tsy mitsahatra
manambara ireo asanao mahagaga.
18Antitra sy fotsy volo aho ankehitriny,
nefa aza afoy, Andriamanitra ô;
enga anie aho ho afaka hanambara
ny asanao mahery vaika sy mahomby
amin'ireo tanora sy ny taranaka manaraka!
19Ambony dia ambony tokoa
ny fahamarinanao, Andriamanitra ô;
ary nahavita zava-baventy Ianao!
Tsy misy toa Anao, Andriamanitra ô.
20Fahoriana be sady mafy
no navelanao hihatra tamiko;
kanefa hovelombelominao indray aho,
ary hampiakarinao indray ho afaka
amin'ny fasana mampihitsoka.
21Dia mbola hampionona indray Ianao
ary hamerina amiko ny voninahitro.
22Izaho kosa hidera Anao amim-baliha
noho ny toetranao mahatoky, ry Andriamanitro ô,
sy hiredona salamo arahin-dokanga
ho Anao, ry ilay Masin'i Israely.
23Eny, hihorakoraka hihoby ho Anao aho
sady hankalaza Anao amin-java-maneno,
satria efa notsimbininao ny aiko.
24Isan'andro no hitanisako ny fahamarinanao,
satria efa menatra sy mangaihay
ireo olona nitady hanisy ratsy ahy.

Ny fizarana ho fitoriana ny fahamarinana

1- Ilazana ny asa lehibe nataon'ny Tompo
Nahatsapa ny famindrampon'Andriamanitra teo amin'ny fiainany ny mpanao salamo. Zava-dehibe loatra taminy ny famonjeny azy ka miloatra avy ao ampony ny filazana ny sandrin' Andriamanitra (and.18) ho an'ny taranaka mbola ho avy. Ny mpino kristiana raha midera ny Tompo dia sahy milaza ny asa lehibe nataony tahaka izany koa ao amin'ny tononkirany. Mampirisika antsika hanohy ny fitoriana ny filazantsaran'ny famonjena, dia filazana izay nataon'i Jesoa Kristy ho antsika hatramin'ny taranaka fara- mandimby.

2- Ilazana ny Tompo amin'ny fahamarinany
«Ary mihatra amin'izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ó... iza no tahaka Anao?» (and.19) Indro manao fanekem-pinoana ny mpanao salamo ary milaza an'Ilay Andriamanitra miasa ao amin'ny fiainany ka na misy zava-tsarotra nolalovany aza dia natoky Azy izy fa « hampiakatra » (and.20) azy indray. Miankina tanteraka amin'ny fahamarinan'Andriamanitra ny fiainany ka mijoro vavolombelon'izany izy. Isika koa aoka hanao tahaka ny mpanao salamo amin'ny fitoriana ny filazantsara fa Marina sy fahamarinana ny Tompontsika, Izay ekentsika harahina mandrakizay.

Fanontaniana :
Vonona hijoro vavolombelon'ny fahamarinana ve isika ?

samedi 28 juillet 2018

Sabotsy 28 Jolay 2018 - Isa 11 : 1 - 5

1Misy rantsana misandrahaka avy amin'ny fototr'i Jisay (Jisay: rain'i Davida (1 Sam 16.18-19); jereo Apôk 5.5; 22.16.;)
misy solofo mipoitra avy amin'ny fakany.
2Ny Fanahin'ny TOMPO no mitoetra eo aminy,
dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka
Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka,
Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;
3ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO.
Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy
na hanapaka araka izay ren'ny sofiny,
4fa hitsara ny malahelo ara-drariny
ary hamoaka didy araka ny hitsiny
ho an'ny mahantra eo amin'ny tany.
Ny teniny no toy ny tsorakazo
hikapohany ny tany
ary ny fofonain'ny vavany
no hamonoany ny olon-dratsy (Jereo 2Tes 2.8.).
5Ny rariny no ho fisikinany
ary ny toetra hentitra no ho fehikibony (Jereo Ef 6.4.).

Ny fítsarana marina

1- Mampiavaka llay Andriamanitra marina
« Ka tsy hitsara araka ny hilan 'ny masony Izy na hampiaiky araka izay ren'ny sofiny» (and 3). Ny fitsarana ataon'ny olona no mitsara ivelany fa ny mpitsara marina, dia Jesoa Kristy rehefa hiseho eny amin'ny rahona amin'ny heriny sy ny voninahiny Izy (Apo. 19, II). Hitsara ny olona araka ny asany, Izy mandinika ny fo sy ny voa ary mahafantatra ny alehan'ny olona tsirairay. Tsarainy amin'ny nataontsika isika. Marina Izy ary ny teny faharnarinana avy amin'ny vavany no hanehoany ny fitsarana marina hataony. Aoka ho entintsika eo amin'ny Tompo ny ady atrehantsika.

2- Maneho Ilay Andriamanitra fahamarinana
« Fahamarinana no ho fisikinany ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibonv » (and.5). Ny hery sy ny fahefana rehetra any andanitra sy ety antany dia nomen' Andriamanitra Ray an'i Jesoa Kristy Zanany Tompontsika. Izy dia nanambara ny Tenany hoe « Fahamarinana» (Jao.14, 6) satria tonga tamin'ny alalany ny fahamarinana (Jao.l, 17). Manota ny olona rehetra kanefa izay tonga miaiky ny fahotany eo anatrehan'ny Tompo Mpitsara marina dia mahazo famelan- keloka (lJao. 1, 9). Aoka hanetry tena sy handefitra isika.

Fanontaniana :
Efa nentinao hotsarain'ny Tompo Jesoa ve ny adinao sa nitady mpitsara hafa ianao?

vendredi 27 juillet 2018

Zoma 27 Jolay 2018 - Mat 5 : 31 - 37

31–Efa voalaza koa hoe: «Izay lehilahy manary ny vadiny dia aoka hanome taratasy fisarahana ( Deot 24.1.)!» 32Izaho kosa milaza aminareo hoe: izay lehilahy manary ny vadiny, afa-tsy noho ny fifandraisana mamoafady (fifandraisana mamoafady: izany no nandikana ny voambolana grika hoe porneia. Maro ny fomba azo ivoaboasana sy anazavana izany araka ny fiangonana isan-tokony, kanefa anisan'ny tafiditra ho fifandraisana mamoafady ny fanambadiana mifotitra sy ny fanambadian'olom-pady toy ny voatanisa ao amin'ny Lev 18.6-18. Jereo koa Mt 19.9; Asa 15.20,29; 1Kôr 5.1; ampit Mk 10.9.), dia mandrisika azy hanitsakitsa-bady; ary izay lehilahy hampakatra vehivavy nariana dia maka vadin'olona.

Hazavain'i Jesoa ny hoe: «Aza mianiana tsy to»
33–Efa renareo koa fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: «Aza mivadika amin'ny teny napetrakao tamin'ny Tompo fa tanteraho ny teny napetrakao (Jereo Lev 19.12; Nom 20.3; Deot 23.22-24.)!» 34Izaho kosa milaza aminareo hoe: aza mianiana mihitsy! Aza mianiana: na amin'ny lanitra, satria sezafiandrianan'Andriamanitra izany; 35na amin'ny tany, satria fitoeran-tongotr'Andriamanitra izany; na amin'i Jerosalema, satria tanànan'ny mpanjaka lehibe izany; 36na amin'ny lohanao, satria tsy hainao ny mahafotsy na mahamainty singam-bolo iray akory. 37Fa aoka ny teninareo, rehefa eny, dia ho eny; rehefa tsia, dia ho tsia; ny ankoatra izany kosa dia avy amin'ilay Ratsy.

Ny fahamarinana asaina hiainana manomboka ao antokantrano.

1- Marin-toerana ny tokantrano
Tsy ankasitrahan'ny Tompo mihitsy ny fisaraham- panambadiana na inona na inona no antony, saingy nekeny ihany raha noho ny fijangajangana satria efa nisy lalàna (Deo. 24, 1). Izany anefa dia vokatry ny tsy fahamarinan-toeran'ny tokantrano. Tso-drano nomena ny hoe : « marena tokantrano » fa firy no mametraka tokoa ny tokantrano ho marin-toerana ka tsy mizotra amin'ny fisaraham-panambadiana ? Irina fatratra ho maro izany. Ny tsy fífampitokisan'ny mpivady no olana voalohany mampiditra izany ka manimba ny tokantrano. Aoka ary hiverina hifampatoky ny mpivady, tsy hifamitaka fa hifananipy sy hifankatia manaraka ny Tenin'Andriamanitra.

2- Mandeha amin'nv fahamarinana
Ny fianianana dia nataon'ny olona hampidirana an'Andriamanitra ho vavolombelon'ny zavatra lazainy ka na tsy marina aza dia aleony miandry ny vokany eo. Manome didy tsy hanaovana intsony fianianana ny Tompo satria ny fahamarinana tsy mba azo havadibadika. Tsotra ny fanapahan-kevitra nampianarin'ny Tompo : « Fa aoka ny teninareo ho Eny, ény; Tsia, tsia ; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy » (and.37).

Fanontaniana :
Manao ahoana ny tokantrano misy antsika ?

jeudi 26 juillet 2018

Alakamisy 26 Jolay 2018 - Jak 5 : 1 - 6

1Mihaino ahy izao ianareo mpanankarena! Mitomania sy mitolokoa noho ny loza midona aminareo. 2Ny harenareo efa lo ary ny fitafianareo efa lanin'ny kadradraka. 3Ny volamena sy volafotsinareo efa harafesina (and 2-3: ampit Mt 6.19.), ary ny harafesiny dia vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo toy ny afo. Izao efa andro farany izao no nanangonanareo harena. 4Tsy voaloanareo akory ny karaman'ireo mpiasa nijinja ny taninareo (Ampit Lev 19.13; Deot 24.14-15.), ka mitaraina ireo; ary ny fitarainan'ireo mpijinja dia efa mby ao an-tsofin'ny Tompon'izao rehetra izao. 5Niampoka ny soa sady niliba ianareo fahavelonareo tetỳ an-tany, ka dia efa nanatavy tena mba hajedaka amin'ny andro voatendry. 6Nohelohinareo ny olo-marina sady novonoinareo, nefa tsy manohitra anareo (ny olo-marina, nefa tsy manohitra anareo: dkt hafa ny olo-marina, ka tsy toherin'Andriamanitra ve ianareo?) .

« Efa nanameloka namono ny marina ianareo ; fa tsy manohitra anareo izy » (and.6)
Ny fijoroantsika manahaka ny Tompo

1- Anekena na fanamelohana sy famonoana aza
Tonga mpandresy tahaka an'i Jesoa Kristy isika raha mihazona mafy ny teny fahamarinana ao Aminy. Izy no hanamarina na iza na iza hiampanga ny olomboafidiny. Efa notanterahin'i Jesoa avokoa ny ady mampitondra fahoriana eto amin'izao tontolo izao ka nametrahany fampanantenana hoe «matokia» ! Manaiky ho maritiora na vavolombelona ny mpitory ny filazantsaran'ny famonjena satria hiatrehana zava- tsarotra izany. Aoka ialàna ireo toetra mifanohitra amin'izany fa tsy ahatanterahantsika ny sitrapon'ny Tompo. Toetra feno tsy fahamarinana hita amin'ny and. 1 -6

2- landrasana ny baikon'ny Tompo Jesoa
Manazatra ny zanany amin'ny fomba amam-panaony ny ray amandreny rehetra. Ny Tompontsika koa maneho fanazarana antsika hanao ny marina ao amin'ny Soratra Masina. Tsy nanohitra ireo mpampahory sy mpampijaly tokoa i Jesoa mba hahavitan'ny famonjena tamin'ny nanolorany ny tenany ho sorona. Ampianariny hiandry sy hatoky Azy isika ary manome baiko Izy toy ny hoe : « aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo» (Lio. 12,11). Finoana sy fahatokiana tanteraka Azy no tadiaviny koa aoka hanam-paharetana isika amin'ny fijoroana marina.

Fanontaniana :
Efa misy toetran'ny Tompo tahafinao ve ?

mercredi 25 juillet 2018

Alarobia 25 Jolay 2018 - Isa 56 : 1 - 2

1Izao no lazain'ny TOMPO:
«Tandremo ny rariny ka manaova ny marina,
satria akaiky ho tonga ny famonjeko
ary efa hiharihary ny fanafahako.
2Sambatra ny olona manatanteraka izay lazaiko
sy mifikitra mafy amin'izany,
ka mitandrina ny sabata fa tsy manimbazimba azy,
ary mitandrina ny tanany tsy hanao ratsy.»

Ny famonjena izao tontolo izao no entin'ny mpaminany Isaia ka hanehoany fiainam-baovao ho an'ny olona mitandrina ny rariny sy manao ny marina. Ny fahasambarán'izay manao izany no lazainy eto.

1- Mitàna ny marina mahavonjy
Manomana ireo avy any am-pahababoana ho amin'ny fanomezan-toky, dia ny fisehoan'ny famonjena ny Tompo nefa tsy tena famonjena ny olona rehetra no hambarany eto. Izay mitàna ny marina no handray ny famonjena notanterahin'i Jesoa Kristy tety antany. Ny fahamarinan' Andriamanitra dia mitondra fahasambarana ao amin'izay mankatoa ny didiny ary manao ny marina mandrakariva. Tsy ny andro natokana hivavahana no zava-dehibe fa ny toe-po hoetina manompo an'Andriamanitra. Ny finoana hanatanterahana ny asa fanompoana nomeny ho vitaina.

2- Miaro ny tànany tsy hanao ratsy
Tsy afaka manao fítan-droa isika, « tsy olona mahay manompo tompo roa » (Mat.6, 24); « aza mirehareha na mandainga hanohitra ny marina » (Jak.3, I4b). Koa aoka isika hiaro ny tenantsika manontolo tsy hanao ratsy fa hanao ny tsara sy ny marina ankasitrahan'ny Tompo. Fanolorantena hanompo ny Tompo amin'ny fo madio sy marina no hahazoana ny famonjena mampiditra ao amin'ny fiainam-baovao, dia fahasambarana izany. Fiainana hisantarana sahady ny fiainan-danitra na mbola eto antany ihany aza isíka.

Fanontaniana :
Notananao ve ny famonjena mitondra fiainambaovao sy fahasambarana? Hifampizarao.


mardi 24 juillet 2018

Talata 24 Jolay 2018 - Mat 19 : 30 - 20 : 16

30Maro amin'ireo voalohany no ho farany, ary maro amin'ireo farany no ho voalohany.

1Fa ny Fanjakàn'ny lanitra dia tahaka ny amin'ity lehilahy anankiray tompona tanimboaloboka. Niainga vao maraina be ralehilahy hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony. 2Ka rehefa nifanekeny denàry anankiray avy isan'andro ireo mpiasa, dia nirahiny hiasa any an-tanimboalobony. 3Niainga indray izy tamin'ny sivy maraina ka nahita mpiasa hafa nidonana-poana teo an-kianja 4ary niteny taminy hoe: «Ndeha koa ianareo miasa any an-tanimboaloboko fa homeko izay karama ara-drariny.» Dia nankany ireo. 5Niainga koa izy tamin'ny 12 antoandro sy tamin'ny telo tolakandro, ary dia nanao toy izany. 6Niainga farany izy tamin'ny dimy hariva ka mbola nahita mpiasa hafa nidonana-poana ary nanontany azy hoe: «Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro tontolo?» 7Fa hoy ireo taminy: «Satria tsy nisy nanakarama anay!» Dia hoy ralehilahy taminy: «Ndeha koa ianareo miasa any amin'ny tanimboaloboko.»

8–Nony hariva ny andro, dia hoy ny tompon'ilay tanimboaloboka tamin'ny mpitandrim-pananany hoe: «Antsoy ny mpiasa ary aloavy ny karamany, ka aseseo avy amin'ireo nilatsaka farany ka hatramin'ireo nilatsaka voalohany.» 9Dia tonga ireo nilatsaka tamin'ny dimy hariva ka nandray denàry anankiray avy. 10Tonga kosa ireo nilatsaka voalohany ary nanampo handray bebe kokoa, kanjo denàry anankiray avy ihany koa no voarainy. 11Teo am-pandraisana izany, dia nimonomonona tamin'ny tompon'ilay tanimboaloboka ireto mpiasa ireto 12nanao hoe: «Ireo nilatsaka farany ireo dia ora iray monja no niasany, kanefa nampitovînao karama aminay nisasatra nandritra ny andro sady niaritra ny hafanana.» 13Dia novalian'ilay tompon'ny tanimboaloboka ny anankiray tamin'ireo ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy an-drariny aminao aho. Moa tsy denàry anankiray ve no nifanekenao tamiko? 14Raiso ny anao, dia mandehana; fa ilay nilatsaka farany dia tiako homena toraka ny anao koa. 15Tsy azoko anaovana izay tiako ve ny fananako? Sa mialona ianao satria mazava fo aho?»

16Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Dia toy izany, ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany!

Marina Andriamanitra amin'ny fìtondrany

1- Mampanao fifanekena amintsika Izy (and.2)
Ny mpanompon'Andriamanitra maharitra sy mitoetra eo amin'ny fanompoana dia olona vita fifanekena tamin' Andriamanitra Tompo. Maliita fifaliana amin'ny fiarahana miasa amin'ny Tompo isika. Mahatoky sy marina ny Tompontsika ka mitandrina ny fanekena nataony sy mitahiry antsika hahita fahombiazana amin'ny fanompoana Azy. Tsy tokony hiala na hanatsoaka ny fanekentsika Azy isika fa tokony hanavao izany isan'andro. Mijery sy manampy antsika ny Tompo noho ny fitiavany antsika.

2- Mampandeha amin'ny marina Izy (and. 14)
Na ny mpanompo nalefa mialoha tany antanimboaloboka na ny mpanompo tsy niasa afatsy ora iray monja dia samy nampandehanin'ny Tompo hiasa avokoa, asa mitovy no nampanaoviny, asan'ny fahamarinany izany. Fitsipika hidirana ao amin'ny f'anjakan'ny lanitra no mivoitra eto. Mandeha amin'ny fahamarinana izay sitraky ny Tompo isika rehefa manompo Azy amin'ny fo. Ka ny fahasoavany no ampiharihariany ny fitiavany ny olona rehetra hovonjena. Manana fandaminana araka ny fombany ny Tompo, marihiny amin'ny hoe : « ny voalohany ho farany, ary ny farany ho voalohany » izany.

Fanonlaniana :
Mahatsapa fifaliana ve ianao rehefa tonga aloha ao ampiangonana ?

lundi 23 juillet 2018

Alatsinainy 23 Jolay 2018 - Rom 4 : 1 - 12

1Inona àry no holazaintsika ho efa notsapan'i Abrahama razambenay Jiosy? 2Raha ny asa vitan'i Abrahama no naneken'Andriamanitra azy ho marina, dia ho nahazo nirehareha i Abrahama. Tsy izany anefa no toe-javatra eo anatrehan'Andriamanitra. 3Fa inona tokoa moa no voalazan'ny Soratra Masina? «Nino an'Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina izany (Gen 15.6.)!» 4Tsy azo heverina ho fanomezana ny karaman'izay manao ny asa, fa heverina ho toy ny trosa. 5Izay tsy manao asa nefa mino an'ilay Andriamanitra mahatonga ireo ratsy fanahy ho marina, dia izany finoany izany no iheveran'Andriamanitra azy ho marina4.5 Andriamanitra... fanahy ho marina: dkt hafa Andriamanitra mandray tsara ireo ratsy fanahy. . 6Toy izany no ilazan'i Davida hoe sambatra ny olona, raha tsy ny asa vitany no iheveran'Andriamanitra azy ho marina:

7«Sambatra ireo navelan'Andriamanitra fahotana
sy nofoanany heloka.
8Sambatra ny olona tsy itanan'ny Tompo heloka (and 7-8: Sal 32.1-2.)!»

9Ho an'iza moa izany fahasambarana izany? Ho an'ny voafora ve sa ho an'ny tsy voafora koa? Voatsiahiko teo ny tenin'ny Soratra Masina hoe: «Ny finoana no nankatoavan'Andriamanitra an'i Abrahama ho marina.» 10Ary ahoana izany? Tamin'i Abrahama efa voafora sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora; 11fa ny famorana dia famantarana noraisin'i Abrahama tatỳ aoriana (Jereo Gen 17.9-14.), ho toy ny tombokase manamarika fa neken'Andriamanitra ho marina izy satria nino, dia fony izy tsy mbola voafora. Koa tonga rain'izay rehetra tsy voafora i Abrahama: dia ireo tsy voafora nefa nino ka neken'Andriamanitra ho marina; 12sady tonga rainay voafora ihany koa: dia izahay sady voafora no manara-dia an'i Abrahama razanay izay efa nino fony tsy mbola voafora.

Misy fahasoavan'Andriamanitra asehony amin'ny fahamarinana nomena an'i Abrahama. Nisain' Andriamanitra ho zava-manan-danja teo anatrehany ny finoana tao aminy ka nohamarinina izy satria natoky Azy. Misy ny fanamarinan'Andriamanitra antsika.

1- Amn'ny finoana irery ihany (and. 1-8)
Tena isain'Andriamanitra ho fahamarinana ny finoantsika ka manana fahasambarana araka ny tenin'i Davida isika (Sal. 32, 1-2). Ary tsy valin'ny soa nataontsika velively izany fa fahasoavan' Andriamanitra, dia ny famelana ny heloka sy ny fahotantsika. Ny finoantsika irery ihany no hanamarinana antsika ao amin'i Jesoa Kristy. Mety raha manaiky Azy amin'ny finoana isika ary mamela Azy hiasa ao anatintsika sy amin'ny alalantsika. Ny famonjena notanterahan'i Jesoa Kristy teto antany dia inoana fa hampanakaiky antsika Aminy hatrany andanitra.

2- Amin'ny finoana tsy fomba ivelany (and.9-12)
Nohamarinina tamin'ny finoany i Abrahama fa tsy tamin'ny famorana, izay tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana izay nananany. Ampy ny finoantska hanatonana an'i Jesoa Kristy ka hanolorana eo antànany ny momba antsika rehetra. Ao amin'ny Soratra Masina no anomezany ny teny fampanantenana anjarantsika tahaka ny nanomezany teny fikasana an'i Abrahama. Miorena mafy amin'ny finoana velona, miasa ary mijoroa.

Fanontaniana
lnona no efa noraisinao tamin'ny finoanao ?

dimanche 22 juillet 2018

Alahady 22 Jolay 2018 - Deo 24 : 10 - 22

10Rehefa ny namanareo no ampindraminareo zavatra na inona na inona, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy. 11Mijanòna ao alatrano, ary ny lehilahy izay nampindraminareo zavatra no hamoaka ny antoka ho aminareo ao alatrano. 12-13Raha ohatra lehilahy mahantra no manome ny lambany ho antoka, dia aza tananareo miloaka alina io antoka io fa tsy maintsy haverinareo aminy mihitsy rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ka hisaorany anareo. Dia ho asa soa vitanareo izany eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo (and 10-13: jereo Eks 22.25-26.).

14Aza ampahorînareo ny mpikarama izay mahantra sy ory, na anisan'ny mpiray firenena aminareo izy na anisan'ny vahiny eo amin'ny taninareo sy ao an-tanànanareo. 15Fa ny andro anaovany ihany no hanomezanareo ny karamany, ary aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany satria mahantra izy sady io karama io no andrandrain'ny fony. Aoka tsy hitaraina amin'ny TOMPO noho ny nafitsokareo izy, fa dia ho fahotana aminareo izany (and 14-15: jereo Lev 19.13.).

16Ny ray aman-dreny tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny ray aman-dreniny; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny isam-batan'olona24.16 Jereo
Fepetra itsimbinana ny mahantra
17Aza manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty ary aza maka ny fitafian'ny mpitondratena ho antoka. 18Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, ary ny TOMPO Andriamanitrareo no efa nanavotra anareo ho afaka tany (and 17-18: jereo 27.19; Eks 23.9; Lev 19.33-34).; koa izany no andidiako anareo hanatanteraka izany zavatra izany.

19Rehefa jinjainareo ny varinareo any an-tsaha, ka misy amboara iray hadinonareo any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. Dia hotahîn'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin'ny asa rehetra ataonareo. 20Rehefa ahintsanareo sy angoninareo ny ôlivanareo, dia aza miverina hioty izay ôliva sisa tavela; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. 21Rehefa otazanareo ny voalobokareo, dia aza miverina hitsimpona izay sampaho sisa tavela; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena (and 19-21: jereo Lev 19.9-10; 23.22) izany. 22Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo; koa izany no andidiako anareo hanatanteraka izany zavatra izany.

Ny Testamenta Taloha dia manazava fitsipika sy fanao maro mba hisian'ny fifampitsimbinanana sy ho fitondrana fíainana ho an'ny hafa. Isain'Andriamanitra ho fahamarinana ny fanajana ny zon'ny hafa sy ny fanampiana ireo mila vonjy ao amin'ny fiaraha- monina.

1- Mamonjy ny mahantra sy sahirana
Anjara andraikitra miandry ny tsirairay ny manampy ny mahantra sy ny sahirana ao anaty fiaraha-monina. Manao asa soa no fílazantsika izany ankehitriny. Nametraka fítsipika ho enti-manatanteraka izany anefa ny Tompo mba tsy hanaovana zavatra tsy ara-drariny amin'izy ireny. Na ady eny amin'ny fítsarana aza dia tokony hisy fítsinjovana azy ireo fa izany no fahamarinana napetraky ny Tompontsika. Mijery manokana ny mahantra sy ny sahirana Izy Tompo.

2- Mitsinjo ny vahiny sy ny kamboty
Ny nanajan'ny Isiraelita ny fítsipika (and. 19-21) no nahazoan'i Rota, vehivavy mpivahiny avy any Moaba, lasa razamben' I Jesoa, anjara sakafo nivelomany teo amin'ny tanàna nihavian'ny vadiny efa maty (Rota 2, 2). Fahamarinana mendrika hanomezana anjara ny valiny ny fanarahana ny fítsipika avy amin'ny Tompo eto. Mampianatra fàhamarinana hitsinjovana ny vahiny ny Soratra Masina. Aoka hampisakafo ny vahiny tonga ao antrano isika, tahaka izany koa no tokony hanampiana ny kamboty tsy manam-piahy.

Fanontaniana :
Efa nataontsika ve izany ?

samedi 21 juillet 2018

Sabotsy 21 Jolay 2018 - Jao 7 : 14 - 19

14Teo antenatenan'ny fankalazana, dia niakatra tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa ka nampianatra.

15Dia gaga ny manampahefana jiosy ka vaky vava hoe:
–Ahoana no ahaizan'ilay io Soratra Masina, nefa tsy mba nianatra Izy (Ampit Mt 13.54; Lk 2.47.?)

16Fa novalian'i Jesoa hoe:

–Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'Ilay naniraka Ahy. 17Raha misy olona te hanao ny sitrapon'Andriamanitra, dia hahalala ny amin'ny fampianarako izy, na zavatra avy amin'Andriamanitra izany na zavatra teneniko avy amiko fotsiny. 18Izay miteny zavatra avy amin'ny tenany fotsiny dia mitady ny voninahitra ho an'ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'ilay naniraka azy no azo antoka sady tsy misy fitaka ao aminy. 19Moa tsy nomen'i Mosesy anareo ve ny lalàna? Kanefa tsy misy aminareo manatanteraka ny lalàna! Nahoana Aho no tadiavinareo hovonoina?

« ... fa izay mitady ny voninahitr 'lzay naniraka Azy no marina... » (and. 18b). Ny fampianarana feno fahamarinana dia :

1- Mampianatra avy amin'ny Soratra Masina
Ny Soratra Masina manontolo dia nomena antsika mba handraisantsika ny fampianarana sy ny fananaran'ny Tompo, dia ny famonjena antsika ho afaka amin'ny ratsy rehetra. Ny fampianarana nentin'i Jesoa no manafaka sy mampandresy ny olony satria fampianarana feno izany. Voalaza ao na ny ara-batana na ara-tsaina na ny ara-panahy. Mendrika hampamirapiratra ny voninahitr'Andriamanitra ny fanarahantsika ny Teniny, ny fanaovantsika ny sitrapony sady mamindra hery sy aina vaovao ao anaty izany.

2- Mampijoro ho mpanompon'ny fahamarinana
Manao ezaka manokana ny fariseo tamin'ny fitandremana ny didin'Andriamanitra mba hanavaka azy ho masina. Jesoa Kristy kosa nampiharihary ny fahamasinan' Andriamanitra tamin'ny fampianarana ny Teniny. Ny fampiharana izay lazain'nv Soratra Masina sy ny hafatry ny Tompo no manova antsika hanam-pahamasinana. Manompo an'Andriamanitra sy ny Teny fahamarinany izay manaiky hiara-miasa Aminy hizara sy hampiely ny Filazantsaran'ny famonjena. Aoka handroso hatrany ny fampianarana Soratra Masina ao ampiangonana.

Fanontaniana :
Manao ahoana ny fitiavanao mianatra sy mampianatra Soratra Masina ?

vendredi 20 juillet 2018

Zoma 20 Jolay 2018 - Zef 2 : 1 - 3

1Mandiniha ka mieritrereta,
ry vahoaka lany henatra,
2dieny ianareo tsy mbola tonga toy ny akofa2.2 dieny tsy mbola tonga: araka ny dkt tranainy grika; ny rijan-teny hebreo kosa manao hoe dieny tsy mbola mihatra ny fanamelohana.
izay miely indray andro monja,
dieny tsy mbola mahazo anareo
ny afom-pahatezeran'ny TOMPO,
ary dieny tsy mbola tonga aminareo
ny andro hirehetan'izany.
3Mitadiava ny TOMPO ianareo rehetra,
ry mpanetry tena eto amin'ny tany
sady mpanatanteraka ny fitsipiny.
Manaova ny marina,
manetre tena eo anatrehan'ny TOMPO.
Angamba ho voatsimbina ihany ianareo
amin'ny androm-pahatezerany.

Fiantsoana hibebaka sy hikatsaka ny famonjen' Andriamanitra no hita manomboka eto amin'ny toko 2 hatramin'ny toko 3, 20.
1 - Marina nv Tompo ka manangona antsika
Ao anivon'ny fiangonana no ahitàna ny Tompo mamonjy ny olony. Hoy i Jesoa : « Na aiza na aiza no iangonan 'ny roa na telo amin 'ny Anarako, dia ao afovoany Aho » (Mat.18, 20). Ny antso nampitondraina an'i Zefania dia famerenana ny fivorian'ny fiangonana mba hanatona ny Tompo amin'ny fibebahana, hiverina hanompo Azy ka hiala amin'ny fanompoan-tsampy. Fivoriana masina no hatao mba hankasitrahan'ny Tompo ny mpanompony ary tsy hihatra ny fahatezeran'Andriamanitra ao amin'izay nanaiky handray ny famonjena ao amin'i Jesoa Kristy.

2 -  Marina ny Tompo ka maniraka mpaminanv
Ireo nampitondrain'Andriamanitra ny teniny sy ny hafany no antsoina hoe : « mpaminany ». Zefania dia nirahina hilaza ny fahamarinan'Andriamanitra ka tokony hanaraka Azy Tompo ny olony. Marina sy mandefitra i Jesoa ary mitady olo-marina sady tia fandeferana toa Azy ho vavolombelony eto amin'izao tontolo izao, tahaka ny fiangonana izay tenany izany, « izay efa nanaraka ny fìtsipiny». Aoka ho tia ny marina isika mpanompon'Andriamanitra rehetra mba hamirapiratra ny voninahiny eo amin'ny hataontsika.

Fanontaniana :
Inona no marina ijoroantsika fiangonana ?

jeudi 19 juillet 2018

Alakamisy 19 Jolay 2018 - Lio 6 : 41 - 42

41–Nahoana moa ianao no mahita tapak'ahitra eo amin'ny mason-kavana, nefa ny vatan-kazo eo amin'ny masonao tsy tandrinao akory? 42Ahoana no hahafahanao milaza amin-kavana hoe: «Etsy, rahavako, hoesoriko ny tapak'ahitra amin'ny masonao», nefa ny vatan-kazo amin'ny masonao tsy hitanao akory? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo amin'ny masonao, izay ianao vao hahiratra tsara ka hanaisotra ny tapak'ahitra amin'ny mason-kavana.

Maika hitsara sy hanome tsiny ny hafa, na ny namany ny olona. Tsy fahamarinana eo anatrehan'ny Tompo izany. Ny fahamarinana eo Aminy dia :

1- Manaisotra ny faharatsiana ao anaty
Avy ao anaty no mampisy ny maso ratsy fijery sy ny lìtiavana te-hitsaratsara namana. Mijery ivelany ny hafa mandrakariva ny olona, mijery ny miseho izany ka maika hilaza ny ao amponv momba izay hitany. Hadino miaraka amin'i/a\ ny mamantatra ny tena na dia mitov> amin'i/.ay nojerena aza ny atao. Aoka hanaiky rantsanan'ny Tompo amin'izao teny izao isika « esory aloha ny andry eo amin 'ny masonao»: mitarika antsika amin'ny niarina rehetra Izy ary manoro ny làlana tokony haleha. Aoka Izy no hanapaka.

2- Mitarika namana amin'ny làlana tsara
Tsy ankasitrahan'ny Tompo velively ny fanaratsiana namana. Tsy ny olona efa nanaiky hanaraka Azy no mbola hivilivily saina sy fanahy indray. Koa mitarika antsika Izy hanetry tena sy ho tia namana mba hitaomantsika azy ho tia an'Andriamanitra ao amin'i Jesoa Kristy. Izy no làlana mankany amin'ny Ray. Isika mino Azy no ekeny hitantana namana amin'izany làlana tsara izany. Alavirintsika ny fihatsarambelatsihy fa atonintsika ny fitiavana namana tahaka ny tena.

Fanoníaniana :
Inona no manakana antsika tsy hanaraka izany fahamarinana izany ?

mercredi 18 juillet 2018

Alarobia 18 Jolay 2018 - Mat 20 : 8 - 16

8–Nony hariva ny andro, dia hoy ny tompon'ilay tanimboaloboka tamin'ny mpitandrim-pananany hoe: «Antsoy ny mpiasa ary aloavy ny karamany, ka aseseo avy amin'ireo nilatsaka farany ka hatramin'ireo nilatsaka voalohany.» 9Dia tonga ireo nilatsaka tamin'ny dimy hariva ka nandray denàry anankiray avy. 10Tonga kosa ireo nilatsaka voalohany ary nanampo handray bebe kokoa, kanjo denàry anankiray avy ihany koa no voarainy. 11Teo am-pandraisana izany, dia nimonomonona tamin'ny tompon'ilay tanimboaloboka ireto mpiasa ireto 12nanao hoe: «Ireo nilatsaka farany ireo dia ora iray monja no niasany, kanefa nampitovînao karama aminay nisasatra nandritra ny andro sady niaritra ny hafanana.» 13Dia novalian'ilay tompon'ny tanimboaloboka ny anankiray tamin'ireo ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy an-drariny aminao aho. Moa tsy denàry anankiray ve no nifanekenao tamiko? 14Raiso ny anao, dia mandehana; fa ilay nilatsaka farany dia tiako homena toraka ny anao koa. 15Tsy azoko anaovana izay tiako ve ny fananako? Sa mialona ianao satria mazava fo aho?»

16Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Dia toy izany, ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany!

Ampahany amin'ilay fanoharana mikasika ny fanjakan'ny lanitra nomen'i Jesoa no hita eto. Ny fizarana karama natomhoka tamin'ny farany mankany amin'ny voalohany no nanaovana hoe "ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany" (and. 16).

1- Ny fahamarinan'ny Tompon'ny fiantsoana
Hita eo amin'ny and.l fa nivoaka maraina hanakarama mpiasa ilay tompon'nv tanimboaloboka. Mbola nivoaka tamin'nv ora fahatelo. fahaenina. fahasivy ary faha iraika amin'ny folo ka nampandeha ireo mpiasa hitany hankany amin'ny tanimboaloboka. Midika izany fa miantso olona hanao ny asany amin'ny fotoana rehetra ny Tompo. Tsy nifidy fotoana hanirahana ny mpiasa hanao ny asanv Izy. Noraisiny ny olona vonona amin'ny asa tsara rehetra. Tsy nanavakavaka ireo nantsoiny ny Tompo.

2- Ny fahamarinan'ny fitondran'nv Tompo
Ny mpanompon'Andriamanitra dia misy efa vita fanekena taminy arv efa manao ny fanompoana nifanekeny tamin'ny Tompo. Misy kosa ireo vao nantsoiny tato aoriana ary nirahina avy hatrany sady nomeny toky ny amin'izay homeny azy. Mazava tsara ny tenin'ny tompon'ny tanim-boaloboka eto fa manao ny sitrapony Izy amin'ny hitondrany ny mpiasany. Aoka tsy hisy fialonana ny fahasoavana raisin'ny hafa ny mpanompon'Andriamanitra. Tokony hanaiky ny fitondran'ny Tompo ny mpiasa rehetra.

Fanontaniana :
Manao ahoana ny fahatsapanao ny fahamarinan' Andriamanitra isan'andro ?

mardi 17 juillet 2018

Talata 17 Jolay 2018 - Eze 34 : 1 - 10

1Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe: 2«Ry ilay taranak'olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezako ireo lehibe mpiandry ny vahoaka Israely, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ampitao aminy fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: Lozanareo mpiandry (Araka ny fomba fiteny amin'iny Atsinanana Akaiky iny taloha, ny mpanjaka dia nantsoina hoe mpiandry ny vahoakany (jereo 34.23). Io voambolana io koa anefa dia azo nampiharina tamin'ireo mpiandraikitra sy lehibe isan'ambaratongany avy (jereo Is 56.11; Zak 11.4-17)). ny vahoaka Israely! Fa ny tenanareo ihany no karakarainareo! Moa tsy ny andian'ondry va no tokony hokarakarainareo? 3Nefa tsy mpiandry nikarakara ny andian'ondry ianareo, fa naka ny ronono34.3 ronono: araka ny dkt tranainy grika sy latinina, fa ny RM kosa manao hoe jabora.  ho sakafonareo sy ny volon'ondry hotafinareo sady namono ireo biby matavy. 4Tsy nohatanjahinareo ny ondry osa, tsy nositraninareo ny narary na notsaboinareo ny naratra, tsy naverinareo ny niala tamin'ny andiany ary tsy notadiavinareo ny very, fa nanampatra ny fahefànareo tamin'ny herisetra sy ny fahasiahana ianareo. 5Koa niparitaka ireny ondry ireny satria tsy misy mpiandry, ka tonga rembin'ny bibidia. 6Ireo ondriko andiany dia nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny havoana; ary niparitaka teny amin'ny velaran-tany manontolo (nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny havoana: toa misy filazana an-kolaka ny amin'ireo fanompoan-tsampy nataon'ny vahoaka Israely ombieniombieny izany (jereo 6.2-3; sy nta 6.2; 20.20 sns)). –ary niparitaka: filazana an-kolaka ny fahababoana. izy satria tsy nisy niahy na nandeha nitady azy. 7Koa ianareo mpiandry ny vahoaka Israely, mihainoa ny teniko: 8Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy nisy mpiandry azy ny andian'ondriko ka lasan'ny mpangalatra sy zary rembin'ny bibidia rehetra. Ireo mpiandry ny ondriko manko tsy miraharaha ny ondry sady tsy mikarakara azy fa ny tenany no karakarainy. 9Noho izany, dia henoinareo ny teniko ry mpiandry ny vahoaka Israely. 10Izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: Mampitandrina anareo mpitondra Aho fa hisampotina hamely anareo; ka hampamoahiko ny amin'ny ondriko ianareo ary hoesoriko tsy hiandry azy intsony; tsy ianareo mpikarakara tena intsony no hikarakara azy. Hoesoriko eo am-bavanareo ny andianondriko ka tsy ho azonareo hatao sakafo intsony.

Mandray antanana ny ondry natao tsirambina ny Tompo. Toy ny ondry tsy nisy mpiandry no filazany azy.

1- Hatao hampamoaka ny mpiandry ondry
 "Indro avy hamely mpiandry ondry Aho dia hampamoahiko ny amin'ny ondriko izy..." (and. 10a). Sarin'ny mpitondra ny vahoaka Isiraely ny mpiandry ondry eto. Tsy mba nikarakara ny vahoaka ka hanadina azy ireo Andriamanitra noho izany. Naharihariny ny fahadisoany (and.l-6). Tsy niandry, tsy nikarakara ny ondry izy ireo. Mbola misy ankehitriny izany. Ny vahoaka no tokony harovana amin'ny fahavalo fa tsy ny mpitondra no manao ny vahoaka ho mpiaro azy. (vakio Jaona 10. 27-28)

2- Hesorina tsy hiandry ny ondry intsony
« ...ka hesoriko tsy hiandry ny ondriko intsony ;... fa hovonjeko eo amin'ny vavany ny ondriko... » (and. 10b). Mitsara ny mpiandry ondry ny Tompo (and.7-10). Manapa-kevitra tsy hametraka mpiandry ondry mamahan-tena toy izany intsony ny Tompo ka hesoriny ireny. Mamonjy ny ondriny tokoa Izy ka nanolotra ny ainy. Notanterahin'i Jesoa Kristy ho antsika ny famonjena ka voavonjy isika. Izy no Mpiandry Tsara nanolotra ny ainy ka saro-piaro amin'ny olona novonjeny. Tsy homeny anjara fiandrasana intsony ny mpiandry ondry manao antsirambina ny asany. Izay tia Azy dia manatanteraka ny teniny. (vakio Jaona 21. 15-19)

Fanontaniana :
Manana ondry andrasana ve ianao ?


lundi 16 juillet 2018

Alatsinainy 16 Jolay 2018 - II Kor 5 : 16 - 21

16Ka hatramin'ny naha kristianina anay, dia tsy mihevitra na iza na iza araka ny fisainan'olombelona intsony izahay. Na dia nihevitra an'i Kristy araka ny fisainan'olombelona aza izahay fahiny, dia tsy manao toy izany intsony ankehitriny. 17Raha misy olona tafaray amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra tranainy, ary efa mby eo ny zavatra vaovao. 18Izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika aminy indray tamin'ny alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana hitaona ny hafa hihavana aminy. 19Eny, Andriamanitra tsy nitana ny fahotan'ny olona fa nampihavana ny olona rehetra aminy indray tamin'ny alalan'i Kristy (Eny... tamin'ny alalan'i Kristy: dkt hafa Andriamanitra dia tao amin'i Kristy, ka nampihavana ny olona rehetra aminy indray ary tsy nitana ny fahotany.); ary efa napetrak'Andriamanitra taminay izany teny mitory fampihavanana izany.

20Koa dia iraka solotenan'i Kristy izahay, ka tahaka ny hoe Andriamanitra mihitsy no mananatra anareo amin'ny alalanay. Solotenan'i Kristy izahay no miangavy anareo hoe: meteza hampihavanina amin'Andriamanitra ianareo. 21Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain'Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen'Andriamanitra noho ny firaisana amin'i Kristy.

Ny kristiana dia mpanaradia an'i Jesoa Kristy. Izay làlana nosoritan'ny Tompo no alehany. Manaraka ny teniny sy ny atorony ireo. Manana anaram-baovao ireo eto.

1- Olombaovao noho ny fahamarinan'i Kristy
Jesoa Kristy no nampihavana antsika tamin' Andriamanitra sady nahatanteraka fampihavanana antsika samy olombelona tamin'ny nanolorany ny tenany teo amin'ny hazo fìjaliana. Miantso sy maniraka antsika Izy mba hitondrantsika ny teny fampihavanana ka hanaovantsika ny fanompoana fampihavanana. « Raha misy oìona ao amin'i Kristy dia olombaovao izy » (17). Tsy maintsy mitory ny fahamarinana isika, dia ny tenin' Andriamanitra izay mitondra fanovàna ny fiainantsika. Manavao sy miteraka antsika ho olombaovao ny teny fampihavanana.

2- Fahamarinan'Andriamanitra ao Aminy
Ny fitiavan'Andriamanitra no fototra namonjena antsika tamin'ny fangejan'ny fahotana sy ny faharatsiana. Ny tenan'i Jesoa Kristy tsy nanota no natolony hisolo ny tenantsika vesaran'ota. Nesoriny sy nentiny ny otantsika mba hovonoina teo amin'ny hazo fijaliana. Izy no maty mba ho velona isika. Afaka sy nohamarininy isika rehefa nanaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy ary miverina ao Aminy indray mba hankato ny teniny sy hitandrina ny didiny.

Fanontaniana :
Manaiky ho kristiana iraka hanohy ny fanompoana fampihavanana ve ianao ?

dimanche 15 juillet 2018

Alahady 15 jolay 2018 - Asa 5 : 1 - 11

1Nisy kosa lehilahy atao hoe Hananià nivarotra tany rehefa nifanaraka tamin'i Safira vadiny. 2Niray tsikombakomba tamin'ny vadiny ralehilahy ary nitazona ampahany ho azy roa tamin'ny vola vidin'ny tany; fa ny sisa no nentiny hatolotra teo anatrehan'ireo apôstôly. 3Dia hoy i Petera taminy:
–Ry Hananià, nahoana no dia nameno ny fonao i Satàna5.3 Ampit Jôh 13.2. ka nampandainga anao tamin'ny Fanahy Masina ary nampitazona ampahany ho anao tamin'ny vola vidin'ny tany? 4Anao ange ny tany fony mbola tsy namidy, sady rehefa namidy dia eo am-pelatananao ny vola vidiny! Ka ahoana no dia nampisy tao am-ponao izao zavatra vitanao izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.

5Nony nandre izany teny izany i Hananià, dia nidaboka ho azy ka niala aina. Ary raiki-tahotra mafy izay rehetra nandre izany. 6Tonga ny tovolahy, dia nofonosiny ny faty ary nentiny nalevina.

7Sahabo ho adiny telo taorian'izany, dia tamy koa ny vavy, saingy tsy fantany izay vao nitranga teo. 8Ka hoy i Petera taminy:
–Lazao ahy kely hoe: izany ihany ve no nivarotanareo ny taninareo?

Dia novalian'i Safira hoe:
–Eny, izany ihany no nivarotanay azy!

9Ary hoy i Petera taminy:
–Nahoana no dia niray tetika nizaha toetra ny Fanahin'ny Tompo ianareo? Mby eo an-tokonam-baravarana izao ireo zatovo avy nandevina ny vadinao, ka hoentiny halevina koa ianao.
10Niaraka tamin'izay i Safira dia nidaboka ho azy teo anoloan'ny tongotr'i Petera ka niala aina. Vao tafiditra ny tovolahy, dia hitany fa maty ravehivavy, ka nentiny nalevina teo anilan'i Hananià vadiny. 11Raiki-tahotra mafy ny Fiangonana manontolo mbamin'izay rehetra nandre izany.

Andriamanitra marina

Mìseho eto fa tsy ankasitrahan'Andriamanitra ny lainga. Iharan'ny famaizana avy amin' Andriamanitra izay rehetra mampiray ny fony hitoetra amin'ny lainga.

1- Mitaky fanolorantena marina
Na dia efa anisann'ireo resy lahatra niombona tamin'ireo mpianatra aza izy mivady ireto dia tena mbola nanana fo feno faharatsiana, feno fitiavan-tena. Mba te hiaina amin ny sitrapon'Andriamanitra saingy tamin'ny ampahanv ihany.Tsy nanana fanolorantena marina teo anatrehan'ny Tompo izy ireo ka niray saina nandainga. Fahotana ny mandainga, fikomiana amin'Andriamanitra ny firaisan-tsaina handainga. Ny Tompo dia efa niteny fa ny « devoly mpandainga sady rain 'ny lainga » (Jao 8, 44). Raha marina ny fanoloranao ho an'Andriamanitra dia tsy mahay mandainga ìntsony ianao.

2- Mitsara ny olona araka ny asany
« Fahafatesana no tambin 'ny ota » ( Rom 6, 23 ) tanteraka ara-bakitenv izany eto amin'ity tantara ity. Notsarain' Andriamanitra tamin'ny asa nataony izy mivady ireto. Rehefa nivarotra ny fananany dia ninia nandainga, nanafina ny ampahany tamin'ny vola vidin'ny taniny. Niseho ho nanao asa tsara teo anatrehan'ny rehetra izy mivady satria nahafoy fananana, niroso tamin'ny fiombonana kanefa tao ambadika nisy asa tsy marina. Fantatr'Andriamanitra ny toetry ny fo entina miasa. Miharihary amin'Andriamanitra nv toe-panahin'ny olona manao ny asanv. Manaova asa marina.

Fanontaniana :
Nahoana no tsy nankasitrahan'Andriamanitra ny fihetsika nataon'i Ananiasy sy safira ? Inona no hafatra


samedi 14 juillet 2018

Sabotsy 14 Jolay 2018 - Oha 6 : 12 - 19

12Misy toetra heverin'ny olona ho mahitsy,
kanjo mankany amin'ny fahafatesana no iafarany.
13Na mihomehy aza ny olona, dia mety ory fo;
ary ny iafaran'ny fifaliana dia alahelo.
14Ny mpaniasia ho tsiravin'ny vokatry ny toetrany;
fa ny tsara fanahy kosa ho ambony noho izy.
15Ny kely saina dia mino ny teny rehetra ambara aminy;
fa ny malina kosa mandinika, vao mandroso.
16Matahotra ny ratsy ny hendry ka mivily miala aminy,
fa misafoaka kosa ny adala satria matoky tena loatra.
17Izay mora tezitra manao hadalana,
ary ny olona miteti-dratsy dia ankahalaina.
18Ny anjaran'ny kely saina dia fahadalana,
fa ny voninahitry ny misaina kosa dia fahalalana.
19Miondrika eo anatrehan'ny tsara fanahy ny ratsy fanahy;
ary mitsatoka eo am-bavahadin'ny olo-marina ny olon-dratsy.

Ny olona manana ny Tenin'Andriamanitra

1- Nandray fampianarana manokana
Nampianatra no olon-drehetra nifanerasera taminy Jesoa Kristy. Nahazo fampianarana manokana mihoatra noho ny rehetra anefa ny mpianatra nantsoiny sy nofìdianv manokana. Tiany mba hiavaka amin'ny maro ny mpianatra ka nanatombo ny fampianara ho azy ireo. Tsarovy fa isika koa tian'nv Tompo ahalala marina ny lalam-pamonjeny ka mampianatra antsika mandrakariva Izy.

2- Arovan'Andriamanitra
Manda ny fanao ratsy rehetra ny mpanaradia an'i Jesoa Tompo miaina sy mivelona amin'ny Teniny. Mitazona ny fampianarany. Vokatr'izanv dia misy ny mpankahala sy mpanenjika. Mangataka amin'Andriamanitra Rainy anefa i Jesoa Kristy mba ho raisiny an-tanana ny fiarovana manoloana izany. Tsara antoka nv fiainan'ny olona miaina sy mivelona marina amin'ny tenin'Andriamanitra.

3- Manaikv hanao ny asan'Andriamanitra
Nampianatra sy namolavola ny mpianatra ho amin'ny fanohizana ny asa nanirahan'Andriamanitra Azy i Jesoa Kristy. Anjara fanompoana miandry izay rehetra manana ny Tenin'Andriamanitra. nampianarina ka nandray ny Teniny ny manaiky ho iraka mitory ny famonjena amin'ny mpiara-belona aminy. Meteza ary ianao ho iraky ny Tompo ho vavolombelony eo anivon'izao tontolo izao.

Fanontaniana :
Mianatra ny Tenin'Andriamanitra ianao. Inona no andrasan'Andriamanitra aminao amin'izany?

vendredi 13 juillet 2018

Zoma 13 Jolay 2018 - Sal 85 : 8 - 13

8TOMPO ô, asehoy anay ny fitiavanao
ka omeo anay ny famonjenao.

9Te hihaino izay lazain'Andriamanitra TOMPO aho.
Fiadanana tokoa no ampanantenainy
ho an'ny vahoakany, dia ireo mpivavaka aminy,
raha tsy miverina amin'ny hadalàny intsony ireo.
10Eny, akaiky an'izay manaja Azy ny famonjeny;
hitoetra eto amin'ity tanintsika ity ny voninahiny.

11Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana.
12Mitrebona avy amin'ny tany ny fahamarinana
ary midina avy any an-danitra ny rariny.
13Ny TOMPO mihitsy no hanome ny zava-tsoa
ka hahavokatra tokoa ny tanintsika;
14ary handeha eo alohany ny rariny
ka hanoritra ny lalan-kodiaviny.

Mpino miaina amin'ny famindrampon'Andriamanitra

Nahatsapa ny famindrampon'Andriamanilra ny mpanao Salamo koa indro feno fiderana an'Andriamanitra noho nv nanafahana ny taranak'i Joda tanv am-pahababoana.

1- Feno fahavonona amin'ny fankatoavana ny Tompo
Lazainy eto am-piandohana ny fahavononany ihaino ny Tompo (and.8). Mariky ny fankaloavana ny Tompo izanv ary koa fanehoana ny fioana ao anatiny fa hiteny aminy Andrìamanitra ka hanolotra fiainam-piadanana ho an'izay mankatoa Azy. Mitaona nv mpiara-belona aminy araka izany ity mpanompon'Andriamanitra ity fa mba aharetan'ny teny fampanantenana ataon'Andriamanitra eo amin'ny fìainany dia fa tsy tokony hiverina amin'ny fahadalana na tsy fankatoavana intsonv izy ireo. Mila manaovao ny fanolorantena ho an'Andriamanitra.

2- Vokatry ny fankatoavana nyTompo
Rehefa mirindra tsara ny fifandraisana eo amin' Andriamanitra sy ny olony. Miaina amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra ny olona dia hizotra tsara ny fiainany. Tafapaka eo amin'ny fiainan'ny olona ny famindrapon' Andriamanitra, miseho ny fahamarinana ny Tompo. Miaina amin'ny fiainam-pitahiana ny olona satria manome ny tsara ny tany. Tsarovy fa rehefa miaina amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra isika, miala amin'ny fanao ratsy rehetra dia tanterahiny amintsika ny fìainam- pitahiana. Miavaka tokoa ny fiainan'olona manana an'Andriamanitra sy ny tsy manana an'Andriamanitra.

Fanontaniana :
Milaza ny olona fa sarotra ny fiaina ankehitriny, maro ny zava-manahirana atrehina. Inona no fanalahidy atolotra azy ireny ? Nahoana ?

jeudi 12 juillet 2018

Alakamisy 12 Jolay 2018 - II Tim 2 : 14 - 21

14Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'Andriamanitra izy mba tsy hiady teny; satria tsy mahasoa izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza. 15Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason'Andriamanitra, ka ho mpiasa tsy mahazo henatra amin'ny asany, mamoaka tsara ny teny momba ny fampianarana marim-pototra. 16Halaviro ny taria poaka àty sady manazimba fivavahana; fa ny mpanao ireny dia vao mainka handroso amin'ny haratsiam-panahy. 17Ary ny fampianaran-dry zareo dia toy ny vay homamiadana mandany ny nofo. Isan'ireny ry i Himeneo sy i Fileto (Himeneo: jereo 1Tim 1.20.): 18efa nivaona niala tamin'ny fampianarana marim-pototra izy roa lahy sady manimba ny finoan'ny sasany, raha milaza fa zavatra efa tanteraka sahady ny fitsanganantsika ho velona. 19Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady voasokitra eo ny teny hoe: «Fantatry ny Tompo ireo Azy (Ampit Nom 16.).» sy ny hoe «Aoka hiala amin'ny ratsy avokoa ny olona rehetra mitonona ho mpanaja ny Tompo!»

20Tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao anaty lapa soa anankiray fa misy fanaka hazo sy tanimanga koa; iretsy voalohany dia fanaka mihaja fa ireto faharoa kosa dia fanaka tsotsotra. 21Izay olona miezaka hadio fo ka miala amin'ireo haratsiana ireo dia ho tahaka ny fanaka mihaja, satria voatokana ho an'ny Tompo izy sady misy ampiasany azy ary voavoatra hanao asa soa isan-karazany.

Mpino vavolombelona ny fahamarinana

1- Mahay mitondra tena tsara
Noho ny fisian'ny fampianaran-diso mitady hanakorontana ny fiainan'ny fiangonana dia nananatra an'i Timoty i Paoly Apostoly. Tarihina mba itondra tena tsara, miaina amin'ny fiainana kristiana, mizotra amin'ny làlana marina sy mahitsy. Manoloana ireo karazan'olona samihafa dia ilaozana ny ady hevitra tsy mampandroso. Mila mijoro tsara amin'ny asa fanompoana niantsoa azy i Timoty ka manao ho zava-dehibe ny fampianarana marina miorina amin'ny Tenin'Andriamanitra. Rehefa zaraina ny fampianarana marina araka ny tenin'ny fahamarinana. Miaina mifanaraka amin'izany ny mpino dia ho resy tosika ny fampianaran-diso

2- Ho toy ny fanaka volamena
Ireo karazana fanaka ao an-trano no nentin'i Paoly naneho ny anjara toerana misy ny sokajin'olona tsirairay. Ny mpino dia ny toy ny fanaka volamena. Izay mitondra fampianaran-diso dia toy ny fanaka vita tamin'nv tanimanga. Miavaka tsara ireo fanaka ireo araka ny anjara manandrify azy. Fanaka omem-boninahitra ireo vita tamin'ny volamena, miavaka satria efa voadion'ny ràn'i Jesoa Kristy, manana fitondrantena mihaja, manalavitra ny ota. Fiasàna tsara eo am-pelatanan'ny Tompo ka na ny fitenin'izy ireo aza dia fampiononana, fankaherezana. Halam-baraka kosa ireo vita tamin'ny tanimanga satria feno avonavom-panahy, tsy manana teny fahamarinana, manao fanontaniana adaladala mahatonga ady.

Fanontaniana :
Ahoana no fomba entinao miala na manohitra ny fampianaran-diso ?

mercredi 11 juillet 2018

Alarobia 11 Jolay 2018 - Rom 14 : 13 - 18

13Aoka mba tsy hifampitsara intsony àry isika. Fa aoka ianareo ho tapa-kevitra hanao izay tsy hahasolafaka ny namana amin'ny ratsy na izay tsy hitaomana azy amin'ny fahotana. 14Tafaray amin'i Jesoa Tompo aho ka fantatro ary azoko antoka fa tsy misy zavatra maloto fotsiny amin'izao, fa izay heverin'ny olona ho maloto no maloto aminy. 15Raha miteraka alahelo ho an'ny namanao ny fihinananao zavatra, dia tsy mizotra araka ny fitiavana intsony ianao. Aza simbànao amin'ny fihinananao zavatra ilay namanao fa efa maty i Kristy ho famonjena azy. 16Aoka tsy hampiteny ratsy ny sasany izay heverinao ho soa ho anao (ho anao: betsaka ny stf ahitana ny hoe ho anareo na koa ny hoe ho antsika.) . 17Fa tsy izay mihinana na misotro no manana ny Fanjakàn'Andriamanitra, fa izay manao ny marina sy mikatsaka fiadanana ary mifaly ao amin'ny Fanahy Masina. 18Ka izay manompo an'i Kristy araka izany no sitrak'Andriamanitra sady ankatoavin'ny olombelona.

laino ny maha vahoakan'Andrianianitra anao

Manoro hevitra ny kristiana tao Roma i Paoly Apostoly mba hanaja ny fahafahan'ny hafa mahakasika ny hanina.

1- Hanao izay tsy hatafintohina ny hafa
Hafangaroan'ny karazan'olona maro samihafa ao anatin' ny fiangonana. Noho izany tsy maintsy mifampihevitra hatrany. Na dia misy aza ny hanina heverinao ho mety aminao nefa tsy mely amin'ny hafa noho ny finoany an'i Jesoa Kristy lasa toy ny sakana tsy ahafahany mandroso dia tokony handinika fatratra ianao sao mahatonga fahatafintohinana ka miteraka fihemorana ho azy izany. Tokony ahay hijery ny hafa ary indrindra mba hifampitsinjo ny samy kristiana mba ahafahana mitoetra hatrany amin'ny finoana sy ny fanompoana ny Tompo.

2- Hanompo an'i Kristy amin'ny fiadanana
Tokony hataon'ny kristiana ho laharam-pahamehana ny firaisan-kina ka amin'ny fifaliana sy fiadanana no hanatanterahan'ny tsirairay ny fanompoana eo amin'Andriamanitra. Eto dia ambara fa tsy ny hanina na ny fìsolroana no zava-dehibe ao amin'ny fanjakan' Andriamanitra fa ny fahamarinana, fifaliana, fìadanana. Mila mifanohana, mifampahery ny mpino eo amin'ny fanatanterahana ny asa fanompoana niantsoan' Andriamanitra azy, amin'ny fanarahana dia an'i Kristy mba ahita fifaliana sy fiadanana hatrany. Ny zava-dehibe indrindra araka izany dia tanteraho tsara amin'ny finoana sy ny fahatokiana ny asa fanompoana apetraky ny Tompo aminao mba ahazoana fankasitrahana avy Aminy.

Fanontaniana :
Inona no tokony ataonao manoloana ireo krisitiana milaza fa misy ny zavatra maloto ka tsy tokony hohaninana?

mardi 10 juillet 2018

Talata 10 Jolay 2018 - Jer 9 : 22 - 23

22Izao no lazain'ny TOMPO:
«Aoka ny hendry tsy hirehareha
amin'ny fahendreny,
aoka ny mahery tsy hirehareha
amin'ny heriny,
ary aoka ny mpanankarena tsy hirehareha
amin'ny hareny!
23Fa raha misy te hirehareha,
dia aoka izy hirehareha
ho afaka mahafantatra Ahy
sy mahalala fa Izaho TOMPO,
dia mampihatra ny hatsaram-po
ary ny rariny sy ny hitsiny eto an-tany.
Eny, ny olona toy ireny no sitrako (ny olona... sitrako: dkt hafa izany no mahafinaritra Ahy. –Ny fiandohan'ity and ity dia tsiahivina ao amin'ny 1Kôr 1.31; 2Kôr 10.17.;)
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»

Antson'ny fahamarinana

1- Aza matoky ny zava-misy eto an-tany
Manao antso avo eto ny Tompo. Antso mitaona ny olona tsy hiantehitra amin'ny herin'ny maha olona azy. Tsy azo itokisana ny zavatra ananana eo amin'ny fìainana : ny fahendren'olomhelona; ny hery; ny harena. Mora miova ny olombelona. Ny fahendrena tsy miorina amin' Andriamanitra dia mamitaka. Eny ny heriny sy fananany dia tsy maharitra. Miovaova ny zavatra rehetra ka tsy azo itokiasana. Antsom-pitiavana no ataon'ny Tompo aminao : aza mirehareha amin'ny zava-misy eo amin'ny fiainanao. Mazava ny voasoratra ao hoe : « voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin 'i Jehovah ny fony » (Jer 17. 5)

2- Matokia an'Andriamanitra
Andriamanitra no tsy miova. Izy irery ihany no azo antoka eo amin'ny fiainana. Ny fahalalantsika an'Andriamanitra sy ny fanekentsika ifamatotra fiainana Aminy irery ihany no mahalavorary ny fiainantsika. Raha Andriamanitra tokoa no itokiana eo amin'ny fiainana dia misitraka ny famindrampony ny mpino, ary na toa inona na toa inona toe-javatra atrehina eo amin'ny fiainana dia marina Izy ka tsy mamela ny olona mino Azy ho irery. Miantso antsika araka izanv ny Tompo. Raha te-haneho ianao fa manana izay ho reharehanao sy itokiana dia ambara ny manodidina anao fa Andriamanitra. Andriamanitra irery ihany manana ny famonjena azo antoka ho anao. miasa ho fiainanao.

Fanontaniana :
Inona no andraikitra raisinao raha mahita olona mbola mirehareha amin'ny hery sy nv fananany ianao ?

lundi 9 juillet 2018

Alatsinainy 09 Jolay 2018 - I Tim 6 : 11 - 16

11Fa ianao kosa, ry lehilahin'Andriamanitra, halaviro ireo zava-dratsy ireo. Katsaho ny rariny, ny firaiketam-po amin'Andriamanitra, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana ary ny fahalemem-panahy. 12Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiaina-maharitra mandrakizay, fa ho any amin'izany fiainana izany no niantsoan'Andriamanitra anao fony ianao nanambara ilay fiekem-pinoana fatratra teo anatrehan'ny vavolombelona maro. 13Izao no anafatrafarako anao eo anatrehan'ilay Andriamanitra fototr'ain'ny zavatra rehetra sy eo anatrehan'i Kristy Jesoa Izay nanambara fiekem-pinoana fatratra nanoloana an'i Pônty Pilato ( Jereo Jôh 18.36-37; 19.11.: )14tandremo tsy hanan-tsiny amam-pondro izany baiko izany mandra-piavin'ilay andro hisehoan'ilay Jesoa Kristy Tompontsika. 15Fa ny hisehoan'i Kristy, amin'ny fotoana voatendry, dia hotanterahin'Andriamanitra, ilay Andriana tokana sady loharanom-pahasambarana, ilay Mpanjakan'ny mpanjaka sady Tompon'ny Tompo (Ampit Fifan 10.17; Sal 136.3.: 16) Izy ihany no tsy mety maty, mitoetra ao amin'ny hazavana tsy hay akaikezina; tsy misy olombelona nahita maso Azy hatrizay hatrizay, ary tsy misy afaka hahita maso Azy (Ampit Sal 104.2; Eks 33.20.;) ho Azy anie ny haja sy ny fanjakana mandrakizay! Amen.

Mpino afaka hiaro ny finoana marina

Mamarana ny Epsilily nosoratany ho an'I Timoty i Paoly Aposloly ka mametraka hafatra mba tena hitoetra sy hivelona amin'ny fiainana Kristiana marina i Timoty.

1- Mitoetra amin'ny finoana an'i Jesoa Kristy
Miseho ireo karazana fampianaran-diso, maro ny toe- javatra mitady hanozongozona ny finoana kristiana, ary eo koa ireo toe-javatra manosika ny olona hanao fitondranten Tsy araka an' Andriamanitra. Mitaona, mamporisika an'i Timoty noho izany i Paoly fa tokony hijoro tsara amin'ny finoana sy ny fiainana kristiana izy manoloana izanv. Rehefa mikatsaka marina ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ny mpino, miaro ny finoana, mitazona hatrany ny fiainana mandrakizay ao amin'i Jesoa Kristy dia tsy ho voarebirebin'ilay ratsy.

2- Mibanjina ilay Jesoa Kristv Mpamonjy
Tsy maintsy mijoro vavolombelon'ny finoany an'i Jesoa Kristy ny mpino manoloana ny toe-javatra iainan'ny fiìaraha-monina.Tsy mora izany, iatrehana ady mafy tokoa. Raha tiana anefa ny handresy dia tokony hibanjina an'i Jesoa Kristy hatrany isika. Mila mahatsiaro fa i Jesoa Kristy teo anatrehan'i Pontio Pilato dia naneho ny maha Izy Azy (Matio 27,11). nanana ny hery avy amin' Andriamanitra. Eny na dia tsy maintsy nohombohona tamin'ny hazo fijaliana azy i Jesoa Kristy ka niharan'ny fahafatesana dia natsangan'Andriamanitra ho mpandresy. Mpandresv toa Azy ny mpino manatena sy mametraka ny fiainana aminy rehefa mandalo ny fitsapana samihafa.

Fanontaniana :
Nahoana no misy kristiana tsy mahajoro manoloana ny fampianaran-diso na ny fitsapana samihafa ?

dimanche 8 juillet 2018

Alahady 08 Jolay 2018 - Mat 21 : 23 - 32

23Nony tafiditra tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa, dia nampianatra. Ary nanatona Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny loholon'ny vahoaka jiosy ka nanontany Azy hoe:
–Fahefana ahoana moa no anaovanao an'izao? Ary iza no nanome anao izany fahefana izany?

24Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Izaho koa mba hanontany anareo zavatra anankiray monja; ka raha omenareo valiny Aho, dia holazaiko anareo koa ny fahefana anaovako an'izao zavatra izao. 25Iza no naniraka an'i Jôhany hanao batisa (Jereo 3.6., Andriamanitra sa olombelona?)

Dia velona ady hevitra ry zareo ka nifampiresaka hoe:
–Raha lazaintsika hoe: «Andriamanitra no naniraka azy», dia isika no hataony hoe: «Koa nahoana no tsy ninoanareo i Jôhany?» 26Raha lazaintsika hoe: «Olombelona no naniraka azy», dia ny vahoaka no atahorantsika satria nankatoavin'izy rehetra ho mpaminanin'Andriamanitra i Jôhany.

27Koa dia izao no navalin-dry zareo an'i Jesoa:
–Tsy hitanay izay holazaina!

Ary hoy i Jesoa taminy:
–Izaho koa tsy hilaza aminareo ny fahefana anaovako an'izao zavatra izao.


28Dia hoy indray i Jesoa tamin'ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholona hoe:
–Ahoana kosa ny hevitrareo ny amin'ity? Nisy lehilahy nanan-janaka roa lahy. Dia nankeo amin'ny voalohany izy ka niteny taminy hoe: «Ndeha, anaka, miasa any amin'ny tanimboaloboko anio!» 29Ary hoy ny navaliny: «Izao dia izao ihany aho dia handeha, tompoko»; kanjo tsy nandeha ilay io. 30Dia nankeo amin'ny faharoa izy ka niteny taminy toy izany koa. Ary hoy ny navaliny: «Tsy handeha aho»; kanjo nanenina izy taorian'izany ka nandeha ihany. 31Iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon-drainy?

Dia hoy ireo:
–Ilay faharoa!

Ary i Jesoa nanao tamin-dry zareo hoe:
–Lazaiko marina aminareo fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy mpivarotena dia efa nialoha anareo ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra. 32Eny, tonga teo aminareo i Jôhany Mpanao batisa, ary naneho taminareo ny lala-marina voasoritr'Andriamanitra, saingy tsy nino an'i Jôhany ianareo, fa ireo mpamory hetra sy vehivavy mpivarotena no nino azy; ary ianareo kosa, na dia efa nahita azy ireny aza, dia mbola tsy nanenina ihany taorian'izany mba hinoanareo an'i Jôhany.

Ny marina ao amin'Andriamanitra
Rehefa nanadio ny tempoly i Jesoa Kristy dia nifanandrina tamin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny loholona.

 1 -  Aza lavina ny marina ao amin'Andriamanitra
Manontany an'i Jesoa ny fahefana nanosika nanao asa sy nanadio ny tempoly ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona. Tsy namaly izany fanontaniana izany i Jesoa fa indro Izy nametraka fanontaniana tamin'ireo mpanadina azy mahakasika fihavian'ny batisan'i Jaona (and.25). Tsy nanam-pahasahiana nilaza ny marina ireto sokajin'olona ireto ka indro namaly hoe : « tsy fantatray », kanefa dia mahafantatra tsara ny mahakasika nv batisan'i Jaona izv ireo. Fandavana ny marina avy amin'Andriamanitra izany mba ahafahan'izy ihany koa manda ny fahefana nananan'i Jesoa Kristy. Tsy azo afenina ny marina. Manana fahasahiana haneho ny fahamarinan'Andriamanitra.

2 - Ahazoana anjara lova ny fahamarinana
Rehefa nilaza ho tsy nahalala ny fihavian'i Batisan'i Jaona ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona dia tsy nambaran'i Jesoa azy ireo ihany koa ny fihavian'ny fahefana nentiny niasa. Azo ambara anefa ireto olona ireto dia mahalala tsara fa avy amin' Andriamanitra i Jesoa kanefa minia manda izany marina izy ireo. Manoloana izany dia nahariharin'i Jesoa fa nv olona mino sy mankatoa Azy, manaiky ny fahefana entiny miasa no manana anjara ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Izay efa mahalala nefa minia tsy mankatoa dia fahaverezana no anjarany. Mahay mankatoa ny Tompo mba hanana anjara ao Aminy ianao.

Fanontaniana :
lnona no tombotsoa azo amin'ny finoana sy fankatoavana an'Andriamanitra ? Hazavao ny valiteninao ?

samedi 7 juillet 2018

Sabotsy 07 Jolay 2018 - Isa 45 : 11 - 13

11Izao kosa no lazain'ny TOMPO,
dia ilay Masin'i Israely sady mpamorona azy:
«Izaho ve no anontanianareo
ny amin'ireo zanako
sy homenareo baiko
ny amin'izay tokony hataoko?
12Izaho no nanao ny tany
sy nahary ny olona monina eo amboniny.
Izaho no nanenjana ny lanitra tamin'ny tanako
sy mibaiko ny planeta aman-kintana rehetra ( Jereo 41.2 sy nta..)
13Izaho koa no nampipoitra io lehilahy io
mba hitondra fanafahana
ary Izaho no hanitsy ny lalany rehetra.
Izy no hanangana indray
an'i Jerosalema tanànako
sy handefa ny oloko izay babo,
nefa tsy hampandoa vola na tamby,
hoy aho TOMPOn'izao rehetra izao.»

Ilay Andriamanitra marina
« ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko »

1- Manana ny fahefany amin'ny zavatra rehetra
Mampiasa izay olona tiany ampiasaina sy anehoana ny heriny Andriamanitra. Nofìdiany manokana eto i Kyrosy tamin'ny fanafahana ny olony tany Babylona. Ahariharin' Andriamanitra fa asany manokana izany fanafahana izany, Tompon'ny Hery sy ny fahefana rehetra Izy. Izy no nahary namorona ny zavatra rehetra. Noho izany rehefa toe-javatra mahakasika ny fiainan'ny olona dia Azy izany. Izy no manapa-kevitra. Izy no maneho ny fahefany ka tsy misy mahasaka izany. Azo itokiana ilay Tompon'ny Hery sy ny fahefana rehetra koa matokia Azy fa zanany, asan'ny tanany ianao. Tsy mamela anao ho irery Izy. Miasa ho famonjena hatrany Izy.

2- Manomana-drafi-pamoniena ho an'ny olony
Manana-drafitra manokana entiny manatanteraka ny fanafahana ny olona any Babylona Andriamanitra. Nifidy manokana i Kyrosy Izy. Ahariharin'Andriamanitra eto fa lzy araka izany no nanomana, nandrindra, nandamina ny lalana rehetra nizoran'i Kyrosy tamin'ny fanatanterahana izany (and.13 ). Tsarovy fa Ilay Andriamanitra marina dia mihevitra mandrakariva ny mahasoa ny fiainanao. Efa nasehony tao amin'i Jesoa Kristy ny drafitra ho amin'ny famonjena, ny fanavotana anao tamin'ny fatoran'i satana. Azo antoka nv fanavotana anao tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy. Miorena ao amin'i Jesoa Kristy ianao fa Izy irery ihany no Mpamonjy Marina sy azo antoka ho anao.

Fanontaniana :
Zarao amin'ny hafa ny fahatsapanao teo amin'ny fiainanao fa : zanak'Andriamanitra ianao. asan'ny tanany.

vendredi 6 juillet 2018

Zoma 06 Jolay 2018 - Sal 11 : 4- 7

4–Ny TOMPO anefa dia ao amin'ny Tempoliny masina
sady eo an-tsezafiandrianany any an-danitra.
Arahiny maso ny olombelona
ka indray mijery dia voatombany.
5Voatomban'ny TOMPO tokoa
ny olo-marina sy ny olon-dratsy
ka hàlany ireto mpankamamy herisetra.
6Aoka ho vainafo sy solifara
no halatsany toa ranonorana
eo an-dohan'ireo olon-dratsy!
Dia tafio-drivotra mahamay
no anjara homeny azy ireo.
7Eny, marina ny TOMPO ka tia fahamarinana;
ary ny mahitsy fo no hifanatri-tava aminy.

Ny mpanompon'Andriamanitra marina

Asehon'ny mpanao Salamo eto fa na dia eo aza ny toe-javatra atrehiny eo amin'ny fiainana dia manana an'Andriamanitra azony ialofana izy.

1- Andriamanitra mahita ny fiainany
Manoloana ny toe-javatra sarotra atrehina eo amin'ny fìainana dia mino ny mpanompon'Andriamanitra fa misy llay Andriamanitra azony ialofana. anakinana ny fiainany noho izany tsy handositra izy fa vonona hiatrika na dia ny hetraketraka ataon'ny fahavalo aza. Mametraka ny fiainany amin'Andriamanitra izy. Andriamanitra no mijery, manaramaso akaiky ny momba azy. Ny olona tsy manam-pinoana no mitady lalan-kafa itadiavam- pamonjena rehefa sendra nv sarotra. Ny mino an'Andriamanitra kosa mivavaka Aminy.

2- Andriamanitra miaro ny mpanompony
Tsy ankasitrahan'Andriamanitra ny mandeha amin'ny lalan'nv faharatsiana. Ny ratsy fanahv izay mitady ny fomba rehetra hanakorontanana ny fiainan'ny olon'Andriamanitra. Noho izany Andriamanitra dia miasa, miaro ny olony ary ny ratsy fanahy dia haringany, holevonina toy ny nandevonana an'i sodoma sy gomora. Manana tombotsoa manokana noho izany olon' Andriamanitra mandeha amin'ny fahamarinana. Voaaro amin'ny asan'ny ratsy fanahy sy ny loza. Voatahiry ho amin'ny fiainana. Mijoroa hatrany ho mpanompon' Andriamanitra mahatoky miaina amin'ny fahamarinana dia ho azo antoka ny ho avinao.

Fanontaniana :
Inona no tombotsoa azonao raha manao ny marina mandrakariva eo anatrehan'Andriamanitra ianao ?

jeudi 5 juillet 2018

Alakamisy 05 Jolay 2018 - Asa 26 : 24 - 32

24Raha mbola mandahatra hiarovan-tena araka izany i Paoly, dia niantso tamin'ny feo mahery kosa i Festo26.24 Festo: jereo 24.27 sy nta. nanao hoe:
–Lasa adala ianao, ry Paoly! Ny fianarana be loatra vitanao no mahalasa adala anao!

25Dia novalian'i Paoly hoe:
–Tsy lasa adala akory aho, Andriamatoa governora hajaina, teny azo antoka sady voadinika izao lazaiko izao. 26Tsy vahiny amin'ny mpanjaka izany toe-javatra izany, ka dia miteny tsy mihambahamba eto anatrehany aho. Matoky aho fa tsy misy miafina aminy velively izany, satria tsy mba an-takontakona no nanaovana azy. 27Ry Agripà mpanjaka, inoanao ve izay voalazan'ny mpaminany? Fantatro fa inoanao.

28Ary hoy i Agripà tamin'i Paoly:
–Heverinao moa fa dia ho tonganao kristianina haingana toy izany aho (Heverinao... toy izany aho: dkt hafa kely sisa dia ho tonganao kristianina aho! )?

29Dia novalian'i Paoly hoe:
–Na ho haingana na mbola ho ela, dia mivavaka amin'Andriamanitra aho mba tsy ianao ihany fa izay rehetra mihaino ahy androany no ho tonga tahaka ahy afa-tsy amin'ny maha mpifatotra ahy.

30Dia nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary i Berenîka mbamin'izay rehetra niara-nipetraka taminy; 31ka nony niala teo, dia nifampiresaka hoe:
–Tsy misy fahadisoana vitan'io lehilahy io, tokony hahamendrika azy ho voaheloka ho faty na hatao am-ponja.

32Hoy kosa i Agripà tamin'i Festo:
–Azo nalefa ihany io lehilahy io raha tsy noho izy nampiakatra ny raharahany amin'ny amperôra rômanina.

Ny fahamarinan'ny Filazantsara

Nandahatra teo anatrehan'i Agripa mpanjaka i Paoly ka maneho ny fahamarinan'ny Filazantsara.

1- Mampijoro ny irak'Andriamanitra
Feno fahasahiana i Paoly nandahatra teo anatrehan'ireo manam-pahefana nanadina azy. Naharihariny tamin'ireo olona ireo fa tsy very saina izy. Maro no nahafantatra ny tantaran'i Jesoa Kristy, eny fa na dia i Agripa mpanjaka aza ka tokony hanaiky ny fahamarinan'izay lazainy. Feno fahasahiana hijoro ho vavolombelon'i Jesoa Kristy izay mino ny fahamarinan'ny Filazantsara.

2- Mandresy lahatra ny hafa
Tamin'ny fotoana nilazan'i Paoly ny tantaran'i Jesoa Kristy no nitaomany an'i Agripa mpanjaka ho amin'ny finoana. Nofohaziny ny finoan'ny mpanjaka ka na dia naneho aza ny mpanjaka fa tsy mora ny hitaona azy ho kristiana dia hita taratra fa resy lahatry ny fahamarinan'ny Filazantsara izy. Araraoty ny ftoana ahafahanao miteny ny marina ny amin'i Jesoa Kristy mba handresena lahatra izay rehetra mihaino anao.

3- Manova izay mpihaino
Rehefa nandray ny fanambaran'i Paolv ireo olona nanadina azy dia hita fa tafapaka tao am-pon'izy ireo ny antson'ny filazantsara. Resy lahatra ny mpanjaka, ny governora. ireo sokajin'olona nanatrika teo fa tsy hita izay antony tokony ahafaty an'i Paoly (and.3l). Miharihary eto fa rehefa ambara mazava ny fahamarinan'ny filazantsara dia tafapaka amin'izay mihaino.

Fanontaniana :
Ahoana no hampiharana ny hoe : «Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika » ?

mercredi 4 juillet 2018

Alarobia 04 Jolay 2018 - I Mpa 21 : 1 - 4

1Taorian'izany dia izao no nitranga: nisy lehilahy natao hoe Nabôta tao Jizrehela, izay nanana tanimboaloboka teo akaikin'ny lapan'i Ahaba mpanjakan'i Samaria. 2Dia niteny tamin'i Nabôta i Ahaba indray andro nanao hoe:
–Omeo ahy ny tanimboalobokao hataoko zaridaina fambolena anana, satria mba akaikin'ny lapako izy; homeko tanimboaloboka tsara kokoa noho io ianao ho takalony, na koa homeko izay vola tokom-bidiny raha izany no mety aminao.

3Fa hoy i Nabôta tamin'i Ahaba:
–Sanatria amiko eo anatrehan'ny TOMPO raha izay hanome anao ny lova avy amin'ny razako ( Tamin'ny andro faha-mpanjaka dia izay manana ny tanim-pianakaviany ihany no Israelita tsy misy fangarony. –Ampit Lev 25.23.)!

4Ary nalahelo sady tezitra i Ahaba no niverina tao an-tranony, satria nilazan'i Nabôta avy ao Jizrehela hoe: «Tsy homeko anao ny lova avy amin'ny razako.» Dia nandry teo am-parafarany izy ka nitodika tany amin'ny rindrina ary tsy nety nihinan-kanina.

Aza omena olon-kafa ny taninao
Nanam-paniriana haka ny tanin'i Nabota tao Jezirela teo akaikin'ny lapany i Ahaba mpanjaka.

1- Nabota nanda ny fangatahan'ny nipanjaka
Nihevitra i Ahaba mpanjaka fa ho mora aminy amin'ny maha-mpanjaka azy ny haka ny tanin'i Nabota izay teo akaikin'ny lapany. Nambaran'ny mpanjaka fa vonona izy ny hanakalo izany amin'ny tanim-boaloboka tsara kokoa, na hanome vola araka izay mety amin'i Nabota. Mazava anefa ny valiteny nataon'i Nabota tsy omeny ny mpanjaka ny taniny na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana. Nanana fahasahiana i Nabota nanda ny fangatahan'ny mpanjaka. Rehefa manana ny marina ianao dia tsy matahotra amin'ny valiteny omenao.

2- Nabota naneho fa manandanja aminy ny lovany
Ny teny fandavana ny fangatahan'i Ahaba mpanjaka nataon'i Nabota dia mampiharihary fa zava-dehibe aminy ny taniny. Lovan'nv fianakaviana tamin'ny fízarana ny tany tamin'ny fotoana nahazoan'ny zanak'lsraely ny tany fampanantenana, azo ambara fa fanomezana avy amin' Andriamanitra ka tsy azony omena olon-kafa. Tian'i Nabota ho fantatry nv mpanjaka fa tsy mety, tsy marina eo anatrehan'Andriamanitra ny fanomezana olon-kafa ny taniny. Misy ihany koa ny fitsipika mahakasika izany fananan-tany izany araka ny Lev 25,25 - 28. Ny olona mahatsiaro an'Andriamanitra sy ny fanomezana nomeny dia manome lanja hatranv izay anjara lovany ka miaro izany na toa inona na toa inona fahefana manoloana azy.

Fanontaniana :
Manan-danja aminao ve ny tany nomen'Andriamanitra ho lovanao? Foinao hamidy ve ny taninao ?

mardi 3 juillet 2018

Talata 03 Jolay 2018 - Mar 6 : 14 - 20

14Nandre ny resadresaka maro i Herôda mpanjaka satria efa niely ny lazan'i Jesoa; fa hoy ny olona sasany:
–I Jôhany Mpanao batisa, ilay efa maty io, fa velona indray, ka izany no ananany hery ahavitany asa mahagaga.

15Hoy kosa ny sasany:
–I Elià io!

Ary hoy indray ny hafa:
–Mpaminany io, tahaka ny anankiray tamin'ireo mpaminany fahizay.

16Dia hoy i Herôda rehefa nandre izany:
–I Jôhany Mpanao batisa izay, ilay efa nasaiko notapahina iny ny lohany, kanefa dia izany izy velona izany indray!

17Ny tenan'i Herôda mihitsy manko no naniraka olona hisambotra an'i Jôhany, ary nampigadra azy tao am-ponja. Ny antony dia ny amin'i Herôdiada, vadin'i Filipo rahalahiny, nefa nalain'i Herôda ho vady. 18Fa hoy i Jôhany tamin'i Herôda:
–Tsy azonao atao ny maka ny vadin'ny rahalahinao (Jereo Lev 18.16; 20.21.).

19Dia nanao otri-po tamin'i Jôhany i Herôdiada ka nifofo ny ainy, saingy tsy afa-nanoatra. 20Natahotra an'i Jôhany i Herôda satria hitany fa lehilahy mandala ny rariny sady masim-pitondrantena i Jôhany ka narovany. Isaky ny nihaino azy i Herôda, dia sahiran-tsaina mafy, nefa dia nahafinaritra azy ny nihaino azy.

Ny olona marina

Tantaran'I Jaona Mpanao batisa no hitantsika. I Jaona ilay sahy nilaza sy nanambara hatrany ny fahamarinana.

1- Misy mpanenjika
Tsy nisalasala i Jaona mpanao Batisa nananatra an'i Heroda, fa diso izy raha manambady an'i Herodiasy vadin'ny rahalahiny. Tsy faly noho izany i Herodiasy ka nitady ny fomba rehetra hamonoana an'i Jaona mpanao Batisa. Tanteraka tokoa izany faniriany izany. Tsarovy fa tsy mora ny maneho ny fahamarinana. Misy hatrany ny sokajin'olona manohitra ny marina, manenjka, eny mikendry mihitsy aza ny hahafaty. Tsy mahazaka ny fahamarinana ny olona maro. Matokia anefa, aza matahotra fa raha mijoro hatrany hilaza ny marina sy hanao ny marina isika dia Andriamanitra no homba sy hiaro antsika. Tsarovy fa ny marina tsy ho resy.

2- Atahoran'ny olona
Na dia teo aza nv fikasan'i Herodiasy ahafaty an'i Jaona mpanao batisa dia feno tahotra ihany i Heroda ka nitady ny fomba rehetra hiarovana azv. Ny asa rehetra nataon'i Jaona no nahatsapan'i Heroda fa olona marina sy masina izy. Natahotra an'i Jaona noho izany i Heroda. Noho izany tahotra izany no nahatonga an'i Heroda nihevitra fa i Jaona no nitsangana tamin'ny maty ka manao asa lehibe indray, rehefa nandre ny amin'i Jesoa izy. Miseho amin'izany fa ny olona marina dia tsy maty ao am-pon'ny olona hatrany rehefa misy toe-javatra mitranga ao amin'ny fiaraha-monina. Mazotoa manao ny marina.

Fanontaniana :
Iza no olona manao ny marina mba tsarovanao ? Inona no fianarana raisinao avy aminy ?

lundi 2 juillet 2018

Alatsinainy 02 Jolay 2018 - Oha 14 : 31 - 35

31Izay mampahory ny mahantra dia manala baràka
an'ilay Andriamanitra Mpanao azy;
fa izay miantra ny ory kosa
no manome voninahitra Azy.
32Ny ratsy ataon'ny olon-dratsy no mahavery azy;
fa ny olo-marina kosa matoky satria tsy manan-tsiny.
33Mitoetra ao am-pon'ny manan-tsaina ny fahendrena,
fa moa mba fantatra ao amin'ny olona adala ve izany?
34Ny fahamarinana manandratra avo ny firenena;
fa ny fahotana kosa dia henatra ho an'ny vahoaka.
35Ankasitrahin'ny mpanjaka ny mpandraharaha kinga;
fa tezerany kosa izay manala baràka.

Ny fahasamihafan'ny olona
1- Ny olona miaina amin'ny fahamarinana
Mitoetra ho mahatoky eo anatrehan'Andriamanitra ny olona miaina amin'ny fahamarinana. Fahamarinana izay aseho amin'ny fifandraisana amin'ny mpiara-belona aminy. Mahatsapa izy fa endrik'Andrimanitra ny olona, noho izany manana adidy izy hanasoa ny mpiara-belona aminy izy. Tsy hampahory ny hafa ho fanomezany voninahitra ilay Andriamanitra inoany. Ny fahendrenv no entiny manatanteraka ny asany. Fankasitrahana feno no sitrahiny avy amin'Andriamanitra noho izany. Ho anao izay tia ny fahamarinana miorena tsara fa misy ny valim- pitia voaoman'Andriamanitra ho anao.

2- Ny olona tsy mandeha amin'ny fahamarinana
Ambara fa adala ny olona manao tsinontsinona ny mpiara- belona aminy. Olona ratsy fanahy, olona tsy mandeha amin'ny fahamarinana, olona tsy mahay manorne voninahitra an'Andriamanitra. Ny fifikirany amin'ny ota, fizorany hatrany amin'ny lalan'ny faharatsiana dia hitondra azy any amin'ny fiainam-pahaverezana. Mazava araka izany fa tena ratsy ny fiafaran'ny fiainan'izay mandeha mifanohitra amin'Ilay Andriamanitra marìna. Raha toa ka nisy tsy fahamarinana ny lalana nizoranao, miantso anao ny Tompo. Miverena ao Aminy.

Fanontaniana :
Mbola misy ve amin'izao fotoana izany kristiana mampahory nv mpiara-belona aminy ? Inona no andraikitra miandry anao amin'izany ?

dimanche 1 juillet 2018

Alahady 01 Jolay 2018 - II Sam 12 : 1 - 17

Tsy sitraky ny TOMPO anefa izany nataon'i Davida izany. 1Naniraka an'i Natàna mpaminany ho any amin'i Davida ny TOMPO. Rehefa tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe:
–Nisy lehilahy roa tao amin'ny tanàna iray, ny anankiray mpanankarena ary ny anankiray mahantra. 2Nanana ondry sy omby marobe ilay mpanankarena; 3fa ilay mahantra kosa tsy nanana afa-tsy ondrivavikely iray izay novidiny. Nofahanany tsara izy io, ka niara-nitombo tamin'ireo zanany tao aminy. Ny sakafo fihinan'ilay mahantra no nihinanany; ny ronono fisotrony no nisotroany; ary teo akaikiny no nampatoriany. 4Indray andro, nandray vahiny ilay manankarena. Tsy mba naka tamin'ireo omby aman'ondriny anefa izy hamahanany azy, fa ny ondrivavikelin'ilay mahantra no nalainy ka namboariny ho an'ilay vahiny.

5Tezitra mafy tamin'izany lehilahy izany i Davida ka nilaza tamin'i Natàna hoe:
–Velona ny TOMPO ka manizingizina aho fa mendrika ny ho faty izay olona nanao izany! 6Ary ny ondrivavikely dia hosoloiny avo efatra heny, satria nanao izany tsy nisy antra izy.

7Dia hoy i Natàna tamin'i Davida:
–Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: «Izaho no nanosotra anao ho mpanjakan'i Israely sady namonjy anao ho afaka tamin'ny famelezan'i Saoly. 8Natolotro hofehezinao ny fianakavian'i Saoly ary nataoko tonga andefimandrinao ny vadiny; natolotro ho eo ambany fahefànao ny vahoakan'i Israely sy i Joda. Ary raha mbola tsy ampy anao izany, dia ho nomeko toy izany ianao. 9Koa nahoana no tsy noraharahainao ny teniko tamin'ny nanaovanao izay ratsy eo imasoko? Nasianao tamin'ny sabatra i Orià ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny; eny, ianao no nahafaty azy tamin'ny sabatry ny Hamônita. 10Noho izany, dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria tsy noraharahainao Aho fa nalainao ny vadin'i Orià ilay Hetita mba ho vadinao. 11Izao no lazaiko aminao: Indro fa hahatonga loza amin'ny ankohonanao Aho. Halàko eo imasonao ireo vadinao ka homeko olon-kafa izay hiray aminy antoandrobenanahary12.11 Jereo 16.21-22.. 12Ary ianao nanao izany tao amin'ny miafina, fa Izaho kosa haneho izany antoandrobenanahary eo imason'i Israely manontolo.»

13Dia hoy i Davida tamin'i Natàna:
–Nanota tamin'ny TOMPO aho.

Ary hoy kosa i Natàna tamin'i Davida:
–Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao. 14Nefa noho ianao nampiteny ratsy ny fahavalon'ny TOMPO tamin'izany nataonao izany, dia ny zanaka izay naterakao no ho faty.
15Dia nody tany an-tranony i Natàna.

Namely aretina ny zaza izay nateraky ny vadin'i Orià tamin'i Davida ny TOMPO, ka dia narary mafy izy. 16Nitalaho tamin'Andriamanitra ho an'ilay zaza i Davida, ka nifady hanina; ary rehefa niditra tao an'efitranony izy nony alina, dia nandry tamin'ny tany. 17Niezaka nankao aminy mba hampiarina azy ireo loholona tao an-dapa, kanefa dia nolaviny; ary tsy nety niara-nisakafo tamin'ireo koa izy.

Ny olona manambara ny marina

1- Mitady ny fomba mahomby hampitana ny hafatra
Tantara an'ohatra milaza lehilahy nanan-karena, tia tena tsy nahafoy ny fananany, fa naka kosa ny zanak'ondry vavy kely tokana an'ilay malahelo no nentin'i Natana nanambara tamin'i Davida ny hafatra nampitondraina azy. Fomba nentin'i Natana namotsipotsitra ny toetra ratsin'i Davida tokony hibebahany izany. Mitady fomba hampitana ny hafatry ny Tompo hatrany ny iraka, na mpaminany natao hilaza ny marina.

2- Mananatra izay te-hitazona ny fahamarinana
Miharihary fa te-hitazona nv fahamarinana i Davida mpanjaka raha naneho ny fahatezerany momba ilay lehilahy manan- karena tia tena. Tsy nisalasala noho izany i Natana mpaminany nanambara taminy fa izy no lazaina amin'izany tantara izany. I Batseba izay vadin' i Oria, vady tokana teo aminy, nokarakarainy fatratra no nalain'i Davida rehefa tsy voafehiny ny filany. Nanao izay ratsy teo imason' Andriamanitra i Davida, izy ny iharan'ny sazy nolazainy.

3- Mampitodika ny olona amin'Andriamanitra
Tsapan'i Davida mpanjaka ny fahadisoany koa nifona tamin'Andriamanitra izy. Nanenina noho ny fahadalany sy ny fitiavan-tena tao aminy. Rehefa tsy manafina ny fahamarinana isika dia tsapan'ny olona tokoa ny fahotany ka mitarika azy hitodika sy hiverina amin'Andriamanitra. Noho izany tadiavo hatrany nv fomba mahomby ahafahanao milaza ny fahamarinan'Andriamanitra.

Fanontaniana :
Manana fahasahiana hambara ny tsy mety ataon'ny mpitondra fantatrao ve ianao ? amin'ny fomba ahoana ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12