dimanche 30 septembre 2018

Alahady 30 Septambra 2018 - Mar 10 : 17 - 22

17Ary nony niainga handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy nanatona Azy, ka nandohalika teo anoloany ary nanontany Azy hoe:
–Ry Mpampianatra tapitra ohatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay?

18Dia hoy i Jesoa taminy:
–Nahoana Aho no ataonao hoe tapitra ohatra? Tsy misy tapitra ohatra afa-tsy Andriamanitra irery ihany. 19Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza maka vadin'olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina», aza manambaka, «hajao ny rainao sy ny reninao.»

20Fa hoy ralehilahy taminy:
–Mpampianatra ô, izany rehetra izany dia efa voatandriko hatramin'ny fahatanorako!

21Dia nijery azy tsara i Jesoa ka velom-pitiavana azy ary niteny taminy hoe:
–Zavatra iray no tsy ampy aminao; ndeha amidio ny fanananao rehetra ka zarao amin'ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia hiaraka amiko.

22Dia nanjombona endrika ralehilahy noho izany teny izany; ka lasa nandeha tamin'alahelo, satria nanan-karembe.

Izay te hanana anjara amin'ny fanjakan'ny lanitra

1- Hajao, araho ary ankatoavy ny lalàna

Raha vao nanontany ny Tompo ity lehilahy ity ny aminizay handovàny ny fanjakan'ny lanitra dia ny nitanisa ireo didy sy lalàna maro samihafa no nataon'ny Tompo. Tian'i Jesoa haseho ny hoe : Efa narahinao sy nohajainao ary nankatoavinao ve ireny rehetra ireny? Zava-dehibe nv fanarahana ny lalàna na ny Soratra Masina ho an'izay te handova ny fanjakan'ny lanitra. Isika koa anefa mahalala fa raha mbola ety ambonin'ny tany aza dia tena ilaina tokoa ny fanarahana sy fankatoavana ny lalàna satria mampilamina ny fiaraha-monin'ny olona samy olona izany. Izany anefa tsy midika hoe izay rehetra manara-dalàna dia handova avy hatrany ny fanjakan'ny lanitra satria ao amin'ny filazantsara dia ireo fariseo sy mpanora-dalàna no tena fatra-panaraka sy feno fanajana amin'ny antsipirihiny ny lalàna nefa tsy nifanara-tsaina velively tamin'ny Tompo izy ireo ary eto amin'ity tranga ity dia mbola hafa koa, ankoatra izany, ny zavatra iainan'ity lehilahy ity, koa

2- Mahafoiza ny zava-tsoan'ny tany

Rehefa nobanjinin'ny Tompo ity lehilahy ity dia hitany fa misy zavatra iray tena mitazona mafy azy eto an-tany dia ny harena. Tia harena mihoatra an'Andriamanitra izy ka hoy ny Tompo hoe amidio ny harenanao izany hoe afoizo ny harenanao ka banjino Andriamanitra. Misy olona mieritreritra hoe mivavaka, tena resy lahatra, tena marina sy mpanara-dalàna; tsia, tsy ampy izany fa atolory ho an'Andriamanitra tanteraka ny tenanao sy izay anananao rehetra dia ataovy ny sitrapony.

Fanontaniana:
Manam-paniriana handova ny fanjakan'ny lanitra ve ianao? Ahoana no hahatanterana izany?

samedi 29 septembre 2018

Sabotsy 29 Septambra 2018 - Deo 16 : 18 - 20

18Mifidiana mpitsara sy mpifehy ao an-tanàna rehetra izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo araka ny fokonareo avy; ary dia ho ara-drariny no aoka hitsaran'ireo ny vahoaka. 19Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan'olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny hendry ka mampamadika ny raharahan'ny manan-drariny. 20Ny ara-drariny mihitsy no harahinareo mba ho velona ianareo ka hahazo ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.


Efa fandaminan'Andriamanitra hatramin'ny andron'i Mosesy ny fametrahana rafitra manampahefana eo amin'ny fiaraha-monina. Rehefa misy manampahefana anefa dia tonga ny fakam-panahy hannampatra fahefana. Mba hialana amin'izay dia misy fepetra omen'ny Tompo eto ny
miaina, mampanjaka, mampihatra ny filaminana:

1- Milamina ny fiaraha-monina
Rehefa ny fampanjakàna ny fahamarinana no mahazo laka eo amin'ny fiaraha-monina dia azo antoka fa hilamina io fíaraha-monina io. Ahoana anefa no ilazàna fa mampanjaka nv fahamarinana tokoa ny manam-pahefana misy satria azo antoka fa tsy hisy hiteny mihitsy eo hoe tsy mitandro izany fahamarinana izany? Misy tari-dàlana eto lazain'ny Soratra Masina: tsy manao fitsaràna miangatra, tsy mizaha tavan'olona, tsy mandray kolikoly. Azo heverina hoe tsy ampv hanatsaràna sy hampandrosoana ny fiaraha-monina ireo kanefa tena fototra kosa hisian'ny fanatsaràna izany koa zava-dehibe ny fanomezan-danja izany.

2- Ahazo valisoa avy amin'ny Tompo
Hita ato amin'ity mofon'aina androany ity fa tsy ho very maina akory izay fahefana mampanjaka ny fahamarinana satria Andriamanitra mihitsy no mamaly soa azy dia ny ho ela velona. andaniny arv handova ny tany ankilany. Na dia tsy ho an'ny malagasy mivantana àry ity teny ity dia heverina fa mahakasika ny malagasy indrindra koa satria tena zavatra irin'ny malagasy hananana izany ho lava andro iainana sy handova ny tany izany. Valisoa omen'nv Tompo izany ka tokony hampieritreritra antsika raha tsy afaka hanana izany isika.

Fanontaniana:
Manao kolikoly ve ny kristiana? Marina tokoa ve ilay fitenenana hoe i Madagasikara ho an'ny Malagasy?

vendredi 28 septembre 2018

Zoma 28 Septambra 2018 - I Tim 6 : 3 - 10

 3Raha misy manao fampianarana hafa, ka tsy manaiky ny teny tsy misy tomika nambaran'i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fampianarana mifanaraka amin'ny fivavahantsika, 4dia mieboebo foana ary tsy mahalala na inona na inona, fa adalan'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny; vokatr'izany: fialonana, fifandirana, fanevatevana, ahiahy ratsy, 5ary fifanoherana tsy misy farany eo amin'ny olona efa ratsy saina sady efa tsy mahalala ny hafatra marim-pototra intsony. Heveriny fa ny fivavahana dia atao ho filàn-karena.

6Eny, harem-be tokoa ny fivavahana ho an'ny olona mahay mianina amin'izay ananany; 7satria tsy nitondra na inona na inona isika nanketo amin'izao tontolo izao ary tsy hahatondra na inona na inona miala eto. 8Koa rehefa mba manan-kohanina sy hitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany. 9Fa izay te hanan-karena, dia voan'ny fakampanahy sy ny fandriky ny filàna maro tsy misy antony sady manimba, izay mandetika ny olona hihitsoka ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana. 10Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra; ny olona sasany, fatra-pitady izany, dia efa tafavily niala tamin'ny finoana, ka nandefon-tena tamin'ny fijaliana maro.

Tandremo ny fampianaram-pinoana tànana!

1- Fantaro izay manao fampianarana hafa
« Raha misy olona manao fampianarahna hafa ». hoy ny teny eto. Tsy manondro olona manokana i Paoly eto fa mampitandrina an'i Timoty sy ny fiangonana, satria misy zava-doza mety ahazo ny mpitoriteny ka tokony ho mailo hatrany amin'ny zavatra atao sy tenenina. Mora mantsy ny hampibolisatra ny atao na ny tenenina ka hialana amin'ny Soratra Masina, ka zary manao fampianaran-diso ary mitondra ny rehetra ho diso hanaraka ilay miteny koa. Aoka àry ho ao an-tsaina mandrakariva fa tsy izay havanana amin'ny fitenenana akory dia afaka hitory teny araka ny sitrapon' Andriamanitra daholo.

2- Manàna toe-panahy araka an'Andriamanitra
Ambaran'i Paoly fa zava-dehibe ny fananana ny toe-panahy araka an'Andriamanitra satria tena ahazoana tombony be eo amin'ny fanarahan-dia ny Tompo izany. Ny olona manana sy miaina ny toe-panahy araka an'Andriamanitra dia efa manana ny ampy ao amin'ny Tompo ka afaka mianina amin izay homen'ny Tompo azy. Ny olona manana sy miaina ny toe-panahy araka an'Andriamanitra dia tsy mitady tombon-tsoa manokana sy mihoapampana araka ny filàn'izao tontolo izao fa efa manana ny ampy avy amin'Andriamanitra. noho izany tsy tafarotsaka ao antin'ny filàn-karena izay mahadiso ny olona satria mitady izany amin'ny fomba tsy mendrika samihafa. Resena lahatra ary etoana ny kristiana hanana sy hiaina amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Atao ahoana ny fiatrehana ny fampianaran-diso samihafa manodidina ny kristiana.

jeudi 27 septembre 2018

Alakamisy 27 Septambra 2018 - II Pet 2 : 17 - 22

17Ireo mpampianatra sandoka ireo dia loharano ritra, zavona avoivoin'ny tafio-drivotra, ka ny haizim-pito no voatahiry ho azy ireo. 18Teny manodoka sy tsy misy heviny no ataony; ka ny filàndratsin'ny maha olona mpanota, dia ny fitondrantena maloto, no entiny mamitaka ny olona izay vao nandao ny fiainana diso lalana. 19Fahafahana no ampanantenain'ireo ny olona voasodokany; kanjo ny tenany aza andevozin'ny fahazaran-dratsy, fa izay resy dia andevozin'izay naharesy azy. 20Ary raha misy olona efa niala tamin'ny faharatsian'izao tontolo izao, noho ny fahalalana tsara an'i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika, kanefa voasingotry ny faharatsiana indray ka resy, dia ratsy noho ny voalohany ny toetrany farany. 21Aleo manko tsy nahafantatra ny lala-marina soritan'Andriamanitra izy, toy izay efa nahafantatra vao nihemotra mandao ny didy masina natolotra azy. 22Efa mihatra aminy tokoa ilay ohabolana marina hoe: «Ny alika no miverina amin'ny loany», ary ny hoe «Ny kisoavavy voasasa no mihosim-potaka indray».

1- Taomina hitandrina sy ho mailo ny mpino

Ao amin'ny tontolon'ny fivavahana dia tsy hilaozan'ny olona mpamitaka izay mandrebireby ny kristiana hiala amin'ny finoany. Mampitandrina ny olona amin'izany i Petera ka milaza fa ireny olona ireny dia toy nv lava-drano ritra sy maina, ka tsy afaka hanala hetaheta izay misintona rano ao aminy akory. Asakasak'izay minia manaraka sy manaiky ny fampianaran'ireny olona ireny noho izany satria efa fantatra ny fahadisoany izay ambaran'i Petera.

2- Taomina hisoroka ny fihemorana ny mpino

Voalaza fa nisy jiosy maromaro nitoriana ny filazantsara ka afaka nisitraka ny hatsaran'ny tenin'Andriamanitra, nefa nihemotra fa voasingotry ny ratsy indray tamin'ny alalan'ny fampianarana mahasodoka ataon'izao tontolo izao. Ireny olona ireny dia tsy nankato ny didin'ny Tompo hiaina amin'ny fahamasinana izany hoe nv fanokanan-tena ho an'ny Tompo tanteraka ka miverina ho amin'ny faharatsiana indray. Asongadina tsara eto fa oharin'ny mpanoratra amin'ny biby izy ireny. Hita ao amin'nv Baiboly fa i Saoly mpanjaka na dia efa nofidin'ny Tompo aza dia niala taminy indray ka nasorina taminy ny hosotra maha mpanjaka azy. Toy izanv koa ny zanak'i Isaraely izay nofidin'ny Tompo fa mandà Azy hatrany. Mihevitra ireny olona ireny fa mahafantatra an'Andriamanitra kanefa ny fahafantarana dia tsy ampy velively fa ilaina ni mino matahotra ary mankatoa Azy. Misy voambolana ampiasain'nv Teolojiana momba ireny olona ireny hoe "mihemotra". Ampahafantarina ny kristiana efa nadray ny Tompo mba tsy hihemotra fa ratsy indrindra ny fihemoran'ny mpino na inona na inona antony.

Fanontaniana:
Atao ahoana ny kristiana nihemotra?

mercredi 26 septembre 2018

Alarobia 26 Septambra 2018 - Jao 12 : 3 - 8

3Tamin'izay i Maria dia naka ilomanitra sarobidy, natao tamin'ny narda, lànjana ampahatelon-kilao. Nanosotra ny tongotr'i Jesoa izy, dia namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany ka heraka ny fofona mamerovero avy amin'ilay ilomanitra ny trano. 4Fa hoy i Jodasy Iskariôta, anankiray tamin'ny mpianatr'i Jesoa, ilay efa hanolotra Azy:
5–Nahoana iny ilomanitra iny no tsy namidy denàry telonjato homena ny mahantra?

Ireo sokajin'olona mpanara-dia an'i Jesoa

1- Ireo olona manetry tena ka mahafoy zava-tsoa ho Azy

I Maria moa dia voalaza fa nahafoy zava-tsarobidy mba entina hanomezam-boninahitra an'i Jesoa. Tsy vitan'izany fa nanao tsinontsinona ny tenany izy tamin'ny namaohany ny tongotr'i Jesoa tamin'ny volon-dohany. Tena toe-javatra miavaka indrindra izany eo amin'ny fifandraisana tamin'i Jesoa Kristy, satria vehivavy izy no mety hahavita izany? Nasolon'i Maria lamba famaohana ny volon-dohany mba ho entiny hanehoana ny fitiavany ny Tompo sy ny fanetre-tenany tanteraka. Tsy dia ny hanao tahaka izany loatra no ilaina amin'ny kristiana fa ny haneho fìtiavana ny Tompo sy ahafoy zava-tsarobidy ho Azy satria izany no ao ambadiky ny fihetsik' i Maria.

2- Ireo olona mody manaraka azy nefa mihevi-dratsy

Tsy dia mahagaga raha i Jodasy no niteny an'i Maria tamin'ny fihetsika nataony satria olona hanao ratsy Azy io, tsy mihevitra ny ahafoy zava-tsoa ho Azy velively ity Jodasy ity. Raha jerena dia toa mihevitra ny hafa izy nefa tena fitiavan-tena mihitsy ny azy satria tsy misy fiheverana ny mahantra izany ao aminy fa ny fiheveran-tena aza no tena masaka indrindra. Naseho eto ity tranga ity mba ho heverin'ny olona ny zavatra ataony ny Tompo, samy manao izay heveriny fa endrika hisehoan'ny fanompoany mantsy. Taomina anefa ny mpanara-dia ny Tompo mba ho tia Azy sy hahafoy zava-tsoa ho Azy ary tsy atao amin'ny fihatsaram-belatsihy izany fa amin'ny fo tokoa (jereo Heb 6. 10)

Fanontaniana:
Inona ny zava-tsoa tokony hatolotra ny Tompo ary iza no tokony hanao izany?

mardi 25 septembre 2018

Talata 25 Septambra 2018 - I Pet 1 : 13 - 21

13Noho izany, dia aoka ho vonombonona lalandava ny fanahinareo; mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin'ny andro hisehoan'i Jesoa Kristy. 14Aoka ho fatra-panaiky an'Andriamanitra ianareo, ka aza manaraka ny filàndratsinareo fahiny, fony ianareo mbola tao anatin'ny tsy fahalalana. 15Fa masina ilay Andriamanitra niantso anareo; noho izany, aoka ho masina tahaka Azy koa ianareo amin'ny lafim-pitondrantena rehetra, 16satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: «Aoka ho masina ianareo satria masina Aho.»

17Ilay Andriamanitra, tsy mizaha tavan'olona fa mitsara ny tsirairay araka ny asany avy, dia antsoinareo hoe Ray; koa manàna fitondrantena feno fanajana Azy ianareo mandritra ny andro ivahinianareo etỳ an-tany. 18Fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin'ny fitondrantena tsy mahasoa nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba tahaka ny volafotsy na ny volamena; 19ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin'i Kristy, toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina. 20I Kristy dia efa voatendrin'Andriamanitra rahateo talohan'ny nahariana izao tontolo izao, saingy tamin'izao andro farany izao vao naseho noho ny aminareo; 21Izy no mahatonga anareo hino an'Andriamanitra, Ilay nanangana Azy ho velona avy any amin'ny maty sy nanome voninahitra Azy, mba hifantohan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra.


1 - Atreho ny zava-misy
"Koa amin'izany dia sikino ny sainareo". Hafakely ny fampiasan'i Petera izany voambolana izany. Raha ny hoe sikino dia mazava amin'ny malagasy ihany fa ity manikina saina ity dia hafa mihitsy. Any amin'ny dikan-teny hafa dia izao no hanehoana izany: "atanjaho ny sainareo". Heverina hoe mazava kokoa izany ho an'ny mpamaky. Asaina manikina saina na manatanjaka saina ny mpanaradia ny Tompo satria misy ny fahoriana, ny fizahán-toetra, ny fitsapana maro samihafa mahamay tsy maintsy lalovana ka tsy tokony ho mora kivy ny olona fa hivonona mandrakariva hanohitra izany fahavalo izany. Tsy tokonv ho very fanantenana velively izy satria zava-dehibe no omanin'ny Tompo izay mino Azy.

2-Mitondrà tena mendrika ny maha mpino kristiana
Izavy rehetra manolo-tena hanara-dia ny Tompo, hino Azy sy hanompo Azy dia oharin'i Petera amin'ny zanaka manoa ray sy reny ka rehefa hita sy fantatra hoe tsy nety ny natao taloha dia tsy miverina amin'izany intsony izany hoe mivonona miala amin'ny ratsy natao taloha. Ny hanehoany izany eto dia ny fananana ny fahamasinana: "aoka mba ho masina koa ianareo". Asehon'i Petera izany fa ny masina dia tsy manana izay ifandraisany amin'ny tsy masina satria ny hoe masina dia voatokana hifandray sy hanompo an'Andriamanitra tanteraka koa tsy manana raharaha amin'ny tsy masina intsony. Ilaina mahafantatra, resy lahatra amin'izany ny kristiana ka ihazona tokoa ny fahamasinana.

Fanontaniana:
Mahay mandray fananarana ve ny kristiana amin'ny fanarahana ny Tompo?

lundi 24 septembre 2018

Alatsinainy 24 Septambra 2018 - Sal 3 : 16 - 26

TETA
16Aleo ny kely ananan'ny olo-marina
toy izay ny harem-ben'ny olon-dratsy,
17satria ho potika ny fahefàn'ny olon-dratsy
fa ny olo-marina kosa hotohanan'ny TOMPO.
JODA
18Ny TOMPO mitsimbina ny fiainan'ny manan-tsiny,
ka ny tany zara lovany dia ho azy mandrakizay.
19Amin'ny fotoana mahory dia tsy hiraika izy,
ary amin'ny andro mosarena dia hanana izay ilainy.
KAFA
20Eny, ho ringana ny ratsy fanahy
dia ireo fahavalon'ny TOMPO;
ho tahaka ny voninkazo eny an-tsaha izy
ka ho levona, eny, ho levona toy ny setroka.
LAMEDA
21Ny ratsy fanahy misambotra tsy mamerina,
fa ny olo-marina kosa miantra ka manome.
22Izay tahîn'ny Tompo no handova ny tany,
fa izay ozoniny kosa dia ho fongotra.
MEMA
23Rehefa mahafaly ny TOMPO
ny fitondrantenan'olona iray,
dia Izy no hampahery azy
eo amin'ny lalan-kalehany;
24raha solafaka ilay olona,
dia tsy mba hidaraboka
satria tantanan'ny TOMPO.
NONA
25Tanora aho fahiny, fa antitra izao;
kanefa na oviana na oviana aho tsy nahita
olo-marina nilaozan'ny Tompo
na ny zanany lasa mpangataka.
26Miantra isan'andro izy ka mampisambotra,
ary andraisan'ny zanany fitahiana izany.
 
Tombontsoa isitrahan'ny mpino

1-    Tsy hafoin'Andriamanitra ny marina

Faharesen-dahatra lehibe no hitarihan'ny mpanao salamo ny mpamaky eto manao hoe efa ela niainana ihany aho fa mbola tsy hitan'ny masoko ny fisian'ny olo-marina nafoin' Andriamanitra izany. Mampirisika ny olona izany izy eto hoe miezaha manao ny marina sy mijoro amin'ny marina hatrany na dia mety ho sarotra aza izany. Lazaina hoe sarotra ny mitazona sy miaina amin'ny fahamarinana satria andaniny dia halan'ny olona amin'ny ankapobeny (jereo Amo 5, 10) ary hoy koa ny Soratra masina hoe "misy marina maty amin'ny hamarinany ary misy meloka velona amin'ny haratsiany" koa tsy mety amin'nv fìainan'ny olona loatra ny marina. Hamafìsin'ny mpanao salamo anefa fa tsy hafoin' Andriamanitra velively akory ny marina. Heverina fa manamafy izany kolotsain'ny malagasy hoe "ny marina tsy mba maty" koa na inona na inona mitranga dia tokony hijoro amin'ny fahamarinana ny mpanara-dia ny Tompo

2-    Hotahiana ny zanany
Ambaran'ny mpanao salamo ihany koa eto fa tsy ny olona mijoro amin'ny marina ihany eto no hisitraka zava-tsoa vokatr'izany fa ny taranany ihany koa. Raha mijoro sy manao ny marina izany ny olona dia tsy ho azy fa manomana soa ho an'ny manodidina azy indrindra izy. Amin'ny teny hafa, ny fanaovantsoa dia tena jery lavitra hanasoavanao ny taranakao mihitsy koa manaova soa tsy hanenenana fa amin'ny fotoana tsy ampoizinao no hisitrahan'ny taranaka izany.

Fanontaniana:
Fantatra amin'ny toetra sy ny fihetsika ataony ve ny olo- marina? Misy olo-marina ve ny ao amin'ny fiangonana, ao amin'ny fiaraha-monina, ao amin'ny firenena?
 
 

dimanche 23 septembre 2018

Alahady 23 Septambra 2018 - Amo 5 : 10 - 15

10Halanareo ny olona mananatra eo amin'ny fitsarana
ary maharikoriko anareo ny vavolombelona milaza ny marina.
11Nohosihosenareo ny malahelo
ka nangalanareo am-paham-bary ny vokatra avy aminy.
Noho izany, dia tsy hitoetra amin'ny trano vato
voapaika nataonareo ianareo,
ary tsy hisotro ny divay avy amin'ny voaloboka tsara nambolenareo.
12Hoy koa ny Tompo hoe:
«Fantatro fa marobe ireo helokareo
ary mahatsiravina ireo fahotanareo;
ianareo no mpandray tsolotra sy mpanenjika ny olo-marina,
ka manodinkodina ny zon'ny mahantra
eo amin'ny fitsarana,»
13Noho izany, dia mangina ny olon-kendry
amin'izao fotoana izao
satria fotoana ratsy izao.
14Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy,
mba ho velona ianareo;
amin'izay ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao
dia hiaraka aminareo araka ny lazainareo.
15Ankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara,
ary ampitoero ao amin'ny fitsarana indray ny rariny;
Angamba ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao
hamindra fo amin'izay sisa amin'ny taranak'i Jôsefa.

1-    Miaina amin'ny faharatsiana ny fiarahamonina

I Amosa dia mpaminany nirahin'ny Tompo hananatra ny zanak'i Israely, noho ny ratsy ataony. Tsy laitra anarina anefa ny vahoaka satria efa rakotry ny faharatsiana ny fiainany manontolo. Ny làlam-pivavahana dia natao tsinontsinona, ary ny làlam-pitondrantena koa dia nohitsakitsahiny tsotra izao. Voalaza eto amin'ny and. 5 hoe izay mananatra eo dia halany ary ireo miteny ny zava- marina toy ny faharatsiam-pitondrantenan'ny olona dia tsy hamavoina. Voalaza manokana ny fanaovana tsinontsinona ny mahantra sy fanaovana tsindry hazolena azy ireny izay tsy araka ny fanambaran'ny làlam- pivavahana amin'ny fitondrana azy ireny. Samy manao izay heveriny fa mahatsara azy sy ny fiainany avy ny olona. Tsy misy mihevitra ny hafa. Fitiavan-tena sy fanatsarana ny fiainany manokana no zava-dehibe tamin' ny rehetra.

2-    Hovaliana    anefa ny ratsy atao
Ampahafantarin'i Amosa eto fa an'Andriamanitra ny teny farany, Azy ny fahefana sy fanapahana ny fiainan'nv olona ka tsy ho araka izay fandaharam-potoanan'ny olona hanatsara ny fiainanyakory no zavatra hisy. Voalaza eto hoe nanao trano voapaika vato ianareo fa tsy hitoetra amin'izany, nisasatra tokoa hihinam-bokatra ny olona fa tsy hisitraka izany velively noho ny ratsy natao izay tsy nanekena nibebahana. na dia efa notaomina ho amin'izany aza. Koa taomina ny rehetra hiverina amin'nv Tompo, tsy amin'ny endrika ivelany fotsiny fa amin'ny faharesen-dahatra tanteraka, ao anatin'izany koa ny fiheverana ny hafa, fa tsy ny tena ihany.

Fanontaniana:
Araka ny hevitrao, mahakasika ny firenena sy ny fiaraha- monina malagasy ve zavatra ambaran'i Amosa eto?

vendredi 21 septembre 2018

Zoma 21 Septambra 2018 - Mat 26 : 14 - 15

14Tamin'izay ny anankiray tamin'ny mpianatra 12 lahy, ilay atao hoe Jodasy Iskariôta, dia nankany amin'ny lohandoha-mpisorona 15ka nanao taminy hoe:

–Homenareo hoatrinona aho hanolorako anareo an'i Jesoa?

Dia nanisa sekela volafotsy telopolo homena an'i Jodasy ry zareo. 16Ary nanomboka hatreo no nitadiavan'i Jodasy izay fotoana tsara hanolorany an'i Jesoa.

Moa azon-kolikoly va i Jodasy raha nanaiky namadika an'i Jesoa. Samy manana ny heviny moa ny rehetra amin'izany fa izao no hisarihana ny sainao

1 - Ny anankiray amin'ny roa ainbin ny folo lahy:
 Tondroina amin'ny hoe roa amhin ny lbl(> iah> iv- 'pian ilr I Jesoa eto. dia ireo olona notsonaainy > ikh 'iany tao anatin'in maro M> /ava-mis> anefa dia n> iai> imir n> roaambin'ny lolo lahv no nahavita namadika r /> Amhara amintsika àr> l'a mis\ ny mpamadika. misy n> (ilon-dntsy eo amin'nj liainana. aoka hitandrina. aza honaika he mahatokitok> olona na dia ny akaiky anao a/a ' sarovy fa ny irav amin n> roa ambin'in Iblo lahy mihitsy no namadika n> I oinpo izany hoe metv ho ao an-trano. mety ho ao anaty Hkamhanana. met> ho ok>na ao am-piangonana no mpamadika s> mpanao ratsy aoka ho mailo hatrany fa ny rats> ts\ mN> tandroka hoy ny lìteny malagasy

2 - Nitaky valiny tamin'ny asa nataonv
Ralia ny marina dia efa hevitenv nv filà/ana hoe "omenareo ohatrinona aho hanolorako Azy aminateo?". N> zavatra voalaza kosa anefa dia izao: "'inona no hatololrareo ah> hanolorako Az>' aminareo" izan> hoe ts> namaritra vola aw halran> izy fa nitad> valin-kasasarana amin'ny /avatra hataon> kosa. satria tsy mis> /avatra mandeha ho az> amin'izao intsony. Aoka àr\ isika tsy hanome tsiny an'i Jodas> fotsinv satria hevero fa izany mihits> n> fiainantsika ankehitriny: ts> misy na i/.a na i/a manao serivisy amin'izao fotsiny izan> ka vitan'ny hoe ' misaotra tompoko" fa tsy maintsy manome "/.avatra" (vola no fanolotra ankehilriny).

Fanontaniana;
Mhola maro an'isa ve ny olona (malagasy) mety manao zavatra amin'izao fotsiny tsy hitadiavam-bola?

jeudi 20 septembre 2018

Alakamisy 20 Septambra 2018 - Rom 13 : 1 - 10

1Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manampahefana ara-panjakana; fa tsy misy fahefana tsy avy amin'Andriamanitra, ary ny fahefana izay misy dia voatendrin'Andriamanitra avokoa. 2Koa izay manohitra ny fahefana dia mandà ny fandaharan'Andriamanitra; ary izay mandà dia mihantsy fanamelohana ho an'ny tenany. 3Fa ny mpitondra dia tsy natao hampitahorana izay manao ny tsara, fa izay manao ny ratsy. Satrinao ve ny tsy hatahotra ny manampahefana? Manaova ny tsara, fa dera no ho azonao avy amin'ny manampahefana. 4Satria mpanompon'Andriamanitra natao hahasoa anao izy. Raha ratsy kosa no ataonao, dia matahora azy; fa afaka mampihatra famaizana tokoa ny manampahefana, satria mpanompon'Andriamanitra natao haneho ny fahatezeran'Andriamanitra izy amin'ny fanasaziana ny mpanao ratsy. 5Noho izany, dia ilaina ny manaiky, tsy dia noho ny fahatezeran'Andriamanitra fotsiny fa noho ny baikon'ny fieritreretana koa.

6Izany ihany koa no antony andoavanareo hetra; fa ny mpiasam-panjakana miandraikitra izany dia mpandraharahan'Andriamanitra mitozo amin'io asa io. 7Aloavy amin'ny olona rehetra izay tokony haloha aminy avy: ny hetra amin'izay tokony handoavan-ketra, ny fadintseranana amin'izay tokony handoavam-padintseranana. Atahory izay tokony hatahorana; hajao izay tokony hohajaina.

8Aoka tsy hananan'olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalàna. 9Satria ny hoe «aza maka vadin'olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra», mbamin'ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin'ilay teny manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.» 10Izay tia dia tsy manisy ratsy ny namana; koa izay tia no mahatanteraka ny lalàna.
Antomotra ny fahatongavan'ny Tompo

"Aoka ny olona rehatra samy hanaiky ny fahefana lehibe" (and 1)

Fahefana manao ahoana moa no asain'Antlriamanitra hajaina sy ekena araka izany toromarika izany ? Ireto no tsy maintsy hazavaina ho fantatsika :

1- Ny fiandohan'ny fahefana

Ara-tantara dia tamin'ny andron'i Noa no namoronan' Andriamanitra ny foto-kevitry ny fahefana mba hisakanana ny fihoaram-pefy tsy hanjaka ao amin'ny fiarahamonina (jereo Gen 9, 6). Nampiasain'ny olona tamin'izay tiany izany hevitra izany ka nivaona tamin'ny foto-kevitra fiandohana saingy ny resaka fahefana kosa dia nitoetra.

2- Ny fahatahorana sy fankatoavana fahefana
Araka ny voalaza teo, ataon'ny olona avokoa izay fomba rehetra ahazoana io fahefana io ankehitriny : na amin'ny endrika eken'ny lalàna. na tsia fa fahefana no tanjona. Toa lasa toe-tsaina ny hoe : rehefa mahazo fahefana dia manao izay tian-katao sy teniko fehy lehibe. Izany no zava-misy amin'ny ankapobeny eto ambonin'ny tany, hany ka mitady izay fomba rehetra hamotehina io fahefana io, aty aoriana, ny olona voadona. Manoloana izany dia tokony ho ao an-tsaina hatranv izao teny izao: "aoka ny olona samy hanaiky ny fahefana lehibe"; rehefa hita fa mifanohitra amin'ny planin'Andriamanitra nanorina ny fahefana izay ataon'ny manam-pahefana ety an-tany dia ny fahefan'Andriamanitra no tokony ho tanterahina, izany hoe: tokony hamantatra ny olona hoe inona no sitrapon'ny Tompo ka izany no hatao (jereo Asal4, 19)

Fanontaniana:
Inona no tokony hatao manoloana ny fahefana mamono sy manimba ny maha olona?

mercredi 19 septembre 2018

Alarobia 19 Septambra 2018 - II Tan 19 : 4 - 11

4Nitoetra tao Jerosalema i Jôsafata; ary nandeha hitety vahoaka indray izy hatrany Beera-Seba ka hatrany amin'ny tendrombohitr'i Efraîma, ary nampiverina azy ho amin'ny TOMPO Andriamanitry ny razany. 5Nanendreny mpitsara tamin'ny isan-tanànamimanda eran'ny tanin'i Joda 6sady nohafatrafarany hoe:
–Tandremo izay hataonareo, satria tsy araka ny olona fa araka ny TOMPO no hitsaranareo; sady ny Tompo mihitsy no hiaraka aminareo rehefa mitsara ianareo. 7Koa ho ao aminareo anie ny fanajana ny TOMPO! Tandremo sy ataovy izany, fa tsy tia heloka na fizahan-tavan'olona na fandraisan-kolikoly ny TOMPO Andriamanitsika.

8Tao Jerosalema koa dia nanendren'i Jôsafata ny sasany tamin'ny levita sy ny mpisorona ary ny filoham-pianakaviana israelita mba hitsara araka ny TOMPO sy handamina ny adin'ny mponina tao an-tanàna. 9Dia nomeny baiko ireo ka nilazany hoe:
–Izao no hataonareo noho ny fanajana ny TOMPO araka ny toetra mahatoky sy ny hitsimpo. 10Na inona na inona ady avy amin'ny mpiray firenena, any amin'ny tanàna fonenany any momba ny vonoan'olona na momba ny lalàna sy didy amam-pitsipika samy hafa, dia anaro izy; dia tsy ho meloka amin'ny TOMPO ireo, ary tsy hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra ianareo sy ny mpiray firenena aminareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo. 11Ary indro i Amarià mpisorombe no ho lehibenareo amin'ny raharaham-pivavahana rehetra; ary i Zebadià, zanakalahin'i Jismahela sady mpifehy ny taranak'i Joda, no ho lehibenareo amin'ny raharaham-panjakana rehetra. Ny levita no ho mpitantsoratra hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà, ary ny TOMPO anie hiaraka amin'izay manao ny tsara!

Mijoroa ho fiasana hanatsara ny fìarahamonina

1- Andeha hiverina amin'ny Tompo

Tsy mifandanja amin'ny fitomboan'isan'ny Fiangonana sy ny mpivavaka ny fahatsaran'ny fíarahamonina, na ny fìfankatiavana, na ny fandriam-pàhalemana. Manjaka sy mahazo vahana hatrany ny faharatsiana sy ny herisetra isan-karazany ary toa miorim-paka aza ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana. Izany rehetra izany no mitarika ny fahantrana amin'nv ankapobeny ho an'ny vahoaka. Lazaina eto fa tsv tokony hanome tsiny na iza na iza ny rehetra fa samy hahatsiaro tena ho tompon'andraikitra avokoa. Ny fiverenana marina amin'Andriamanitra no vahaolana amin'izany. Izany hoe mibebaka sy mivavaka tsy amin'ny fahazarana sy endrika ivelany fotsiny. Adidin'ny rehetra izany ka samy tokony handray andraikitra. Fa hoy ny mpanao Salamo hoe "sambatra ny firenena manana an'i Jehovah ho Andriamanitra (Sal 33, 12)

2- Aoka hatahotra an'Andriamanitra ny tompon'andraikitra
Rehefa ny tompon'andraikitra no milaza tena ho tsy rafesi- mandidy, manao teniko fe lehibe dia mandeha any amin'ny tsy izy ny fianan'ny firenena. Tsy tokony hoadinoina fa Andriamanitra no manome fahefana ny mpitondra (jereó Rom 13, I) ka tokony hanaja izany sy ho feno tahotra Azy na iza mpitondra na iza. Tsy izanv loatra no misy iainan'ny firenena, tsy tamin'ny andron'i Josafata ihany fa mandraka ankehitrinv koa, ka lasa mivaona ny Fiainan'ny firenena. Aoka ary ny rehetra hiverina amin'Andriamanitra ary ny mpitondra dia ho feno tahotra Azy tokoa.

Fanontaniana:
Mbola afaka manantena mpitondra hanao fanavaozana tahaka an'i Josafata ve isika malagasy


mardi 18 septembre 2018

Talata 18 Septambra 2018 - Efe 6 : 14 - 20

14Koa mamahara tsara hatrany ianareo: ny marina no ataovy toy ny etra fehikibonareo; ny rariny no tafio ho toy ny fiarovan-tratra; 15ny fahavononan-kitory ny Vaovao Mahafaly mampihavana no ataovy toy ny kiraro eny an-tongotrareo; 16tano lalandava ny finoana ho toy ny ampinga hahazoanareo mamono ny zanatsipîka mirehitra rehetra alefan'ilay Ratsy; 17raiso ny famonjena ho toy ny fiarovan-doha, ary raiso ny tenin'Andriamanitra ho toy ny sabatra omen'ny Fanahy Masina. 18Mivavaha hatrany ary mangataha ny fanampian'Andriamanitra amin'izany; eny, mivavaha mandrakariva araka izay anentanan'ny Fanahy Masina anareo. Miambena sy mazotoa hatrany mba hahatongavana amin'io tanjona io, ary dia mivavaha ho an'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra. 19Mivavaha ho ahy koa mba homen'Andriamanitra ny teny hotononiko rehefa hiloa-bava aho, ka dia ho sahy hampahafantatra ny tsiambaratelo raketin'ny Vaovao Mahafaly. 20Iraka mitondra izany Vaovao Mahafaly izany aho, na dia migadra aza ankehitriny; koa mivavaha ho ahy mba hilazako izany amim-pahasahiana, araka ny tokony hoteneniko.

Ny fiainam-baovao maha kristiana

1- Itondrana ny fiadiana omen'Andriamanitra

Toy ny mpiady rehetra hiatrika izany ady izany ny kristiana ka tsy handeha tanam-polo akory hiady nefa misy fiadiana manokana mendrika azy tokony hananana. Fampitahàna amin'ny zava-misy eo amin'ny fiaraha- monina ihany no lazain'i Paoly eo amin'ny resaka fiadiana fa ny zava-dehibe dia manana fahamarinana. mandala ny rariny, ny fahavononam-panahy hatrany na inona na inona mitranga. mitazona ny finoana, mahazo antoka ny famonjena ary manana sy miaina ny tenin'Andriamanitra. Tokony ananan' ny kristiana izany zavatra izany.

2- Ny vavaka

Zava-dehibe ny vavaka. Izao no voalaza eto hoe mivavaha mandrakariva (and 18). I Jesoa dia nitarika hatrany ireo mpanaradia azy mba hivavaka (jereo Mar 14, 38; Lio 18. 1). Mety manao izany tokoa isika, mivavaka amin'ny fotoana rehetra, mety ho feno vavaka mihitsy aza ny androm-piainana kanefa nahoana no misy olona milaza fa tsy mahazo valim-bavaka? Tadidio fa Andriamanitra no mpamaly vavaka ka manao sy manome izay tiany izany hoe tsy voatery ho miabo ny valin'ny vavaka atao fa ny miiba aza dia efa valim-bavaka izany. Ny adidinao dia ny mivavaka hatrany. Ny vavaka koa anefa dia tsy ho an'ny tena manokana akory izany hoe ianao sy ho anao irery fa ho an'ny hafa koa. Zava-dehibe noho izany ny fitondrana amini-bavaka ny hafa. ny fiaraha-monina, ny firenena, eny fa na dia ny fahavalo aza

Fanontaniana:
Mahatsapa fìfampiandaniana ve ianao eo amin'ny fiainan'ny fiangonana? Inona no nataonao?

lundi 17 septembre 2018

Alatsinainy 17 Septambra 2018 - Mat 13 : 36 - 43

36Tamin'izay dia nandao ny vahoaka i Jesoa ary nody tany an-trano; dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe:

–Hazavao aminay ny hevitry ny fanoharana momba ny tsimparifary nafafy an-tanimbary.

37Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona; 38ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny olona miaina araka ny Fanjakàn'ny lanitra; ny tsimparifary dia ny olona andevozin'ilay Ratsy; 39ny fahavalo namafy ny tsimparifary dia ny devoly; ny taom-pijinjana dia ny fiafaran'izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia ny anjely. 40Koa tahaka ny anesorana ny tsimparifary sy andorana azy amin'ny afo no hatao amin'ny fiafaran'izao tontolo izao. 41Hirahin'ny Zanak'olona ny anjeliny; ary ny anjely no hanaisotra tsy ho eo amin'ny Fanjakan'ny Zanak'olona izay rehetra mpitaona ny hafa hanota sy izay mpanao ratsy, 42ka hanipy azy any anatin'ny memy mirehitra; dia any ireo no hitomany sy hikotro-nify. 43Amin'izay kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro ao amin'ny Fanjakan'ny Rainy. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!

Misy farany ny zavatra atao rehetra

Ambarany amin'ity mofon'aina ity ary fa :

1- Miara-monina ny olona rehetra eto an-tany

Na iza na iza olona, na inona na inona mombamomba azy izany hoe ny toe-pony. ny toe-panahiny na mivavaka izy na tsia na ahoana mety ho toetrany dia hita mifanerasera eto ambon'ny tany eto avokoa. Nahoana no fanoharana momba ny tsiparifary no nanehoana ity fanoharana ity fa tsy natao hoe momba ny voa tsara na hafa? Satria tena zavatra misy ety ambonin' ny tany no zavatra voalaza ato. Tokony hiomanantsika, tsy tokony atao mahakivy sy mahavery fanantenana ny físian'ny zava-dratsy eto ambonin'ny tany fa izany no eto. I Jesoa izao raha nivavaka ho an'ny mpianany (ny mpanara-dia Azy ao amin'ny Jao 17, 15) dia nivavaka tsy ny hampiala azy eto amin'ny izao tontolo izao akory fa ny hiaro azy amin'ny ratsy kosa. Na izany aza

2- Hiavaka ny olon'Andriamanitra

Voalazan'ny and 41-43 fa na dia niara-niaina teto ambonin'ny tany ihany aza ny tsara sy ny ratsy dia tsy hitovy velively akory izay havalin'Andriamanitra ary rehefa tonga ny faranv. Ny ratsy, izay noharina tamin'ny tsiparifary, dia hangonina ho any amin'ny afobe fa ny marina kosa, oharina amin'ny voa tsara, dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Ray. (jereo Dan 12, 3) koa aza ketraka amin'ny fanarahan-dia ny Tompo fa hisy valiny lehibe ho anao izany any am-parany satria izao no voalaza hoe tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.

Fanontaniana:
Ahoana ny ataonao raha mahita ny fiadananan'ny ratsy fanahy ianao?

dimanche 16 septembre 2018

Alahady 16 Septambra 2018 - Heb 13 : 1 - 6

1Mifankatiava hatrany toy ny mpiray tampo ao amin'i Kristy. 2Tsarovy ny fampiantranoam-bahiny. Nisy tokoa izay mahavatra nanao izany ka hay anjely aza no nampandrosoiny nefa tsy fantany. 3Tsarovy ny voafonja, ka hevero ho toy ny miaraka voafonja aminy koa ny tenanareo; tsarovy ny ampahorîna, ka hevero ho toy ny ampahorîna tahaka azy ireo koa ny tenanareo.
4Aoka samy hanaja ny fanambadiana, ary aoka tsy hifanitsakitsaka ny mpivady; fa hohelohin'Andriamanitra ny mpijangajanga sy mpaka vadin'olona. 5Aza avela hahazo laka amin'ny fiainanareo ny fitiavam-bola; aoka ianareo hianina amin'izay anananareo, fa hoy Andriamanitra: «Tsy handao anao mihitsy Aho, ary tsy hahafoy anao velively.» 6Ka dia sahintsika ny manao hoe:

«Ny Tompo no mpanampy ahy,
ka tsy hatahotra aho.
Inona no ho azon'olona atao amiko?»

"Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy"(and-1)

Manao ahoana ary izany fitiavana ny rahalahy. na ny mpiara-mivavaka izany?

1- Ampiantranoy ny vahiny

Vahiny eto ny olona avy any amin'ny toerana nihaviany mandeha any amin'ny tsy azy, ka tsy manan-kialofana. Tsy maintsy ampiantranoina izy ireny. Ny vahinv ambaran'ny Soratra Masina tamin' izany dia ireo mpitory ny Filazantsara mandeha an-tany lavitra tsy mbola fantany.

2- Afaho ny voagadra

Migadra indrindra no tiana ambara amin'ny hoe mifatotra eto. Ny olona manam-pitiavana dia tsy manenji-dresy fotsiny fa manampy hatranv ireo voagadra amin'ny endrika sy fomba maro samihafa.

3- Hamafiso orina ny tokantrano

Maro ny antony mahapotika ny fanambadiana, na ny tokantrano. Ny fisian'ny fitiavana ampy hampifankatia ny mpivady no anton'izany. Voalaza eto hoe fijangajangana sy fakana vadin'olona no lasa fanaon'ny sasany, tsy mampateza ary manimba fanambadiana izany. Hamafìso nv fitiavana. Mety hiteny isika hoe tsy fitiavam-bady no resaka eto fa fitiava-namana nefa fantaro fa antsoina hoe namana ny vady any amin'ny faritra sasany eto amintsika.

4- Aza atakalo vola ny fitiavana

Mila vola sy mampiasa vola avokoa ny olona rehetra, na ny mpino sy ny Fiangonana aza. I Paoly dia miteny hoe fototry ny ratsy rehetra ny fitiavam-bola (I Tim 6, 10) koa aoka tsy ho ny fitiavam-bola no hibaiko ny olona fa ny fifankatiavana. Izay manam-pitiavana kosa dia afaka mandefìtra amin'ny zavatra rehetra izay ho an'ny tenany.

Fanontaniana:
Ahoana ny fanatanterahanao izany fitiava-namana izany?

samedi 15 septembre 2018

Sabotsy 15 Septambra 2018 - Lio 20 : 19 - 26

19Nitady hisambotra an'i Jesoa tamin'izay ireo mpahay lalàna sy lohandoha-mpisorona, satria nahatsiaro tena ho niantefan'iny fanoharana nataony iny. Saingy natahotra ny vahoaka ry zareo. 20Ary nataon'ireo mpanohitra Azy andrimaso i Jesoa. Olona mihatsaravelatsihy miseho ho olo-marina no nalefany hamandrika an'i Jesoa amin'ny teniny ka hanolorany Azy eo am-pelatanan'i Pilato governora, mba hotsaraina sy hohelohina. 21Dia nanontanian'ireo iraka i Jesoa nataony hoe:

–Mpampianatra ô, fantatray fa mahitsy fiteny sy fampianatra Ianao sady tsy mizaha tavan'olona fa mampianatra tsotra ny lalana soritan'Andriamanitra. 22Koa azonay atao ve ny mandoa hetra ho an'ny amperôra rômanina sa tsia?

23Takatr'i Jesoa anefa ny hafetsen-dratsin'ireo ka hoy Izy taminy:
24–Itondray vola denàry anankiray aho! Sarin'iza ary anaran'iza no mipetaka eo?

Dia novalian'ireo hoe:
–An'ny amperôra rômanina!

25Ka hoy i Jesoa taminy:
–Avereno amin'ny amperôra rômanina izay an'ny amperôra rômanina ary amin'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.

26Sady tsy afa-namandrika an'i Jesoa tamin'ny teny teo imason'ny vahoaka ireto iraka no gaga tamin'ny valin-teny nataony ka kepoka nangina.

Ny ratsy tsy kely lalana hoy ny fitenenana ka anjarantsika ny mitandrina tsy ho tafalatsaka ao anatin:ny velapandriny. Noho izany, andeha hianatra amin'i Jesoa:

1- Mailo eo anatrehan'ny fanasoasoana (and.19-22)

Tsy mba faharesen-dahatra no nitarika ireto mpitsikilo hilaza fa mpampianatra marina tsy mizaha tavan'olona i Jesoa. Fanasoasoana mba ahatafalatsaka an'i Jesoa ao anatin ny vela-pandriky ny mpanora-dalana sy ny mpisorona no nataon'izy ireo. Ny tanjona dia ny ahafahàna miampanga Azy. Misy tokoa ireo mody manasoaso kanefa manana tanjona hafa tiana hotratrarina. Fomba fiadin'ny fahavalo ny toy izany koa mila mailo isika.

2- Mailo amin'nv famandrihana (and.23-26)

Niala maina ny fahavalo satria mailo teo anatrehan'ny vela-pandrika i Jesoa. Tsy misy azo natao taminy satria marina ny porofo teny an-tanany sy ny fanamarihana nataony. Misy ny te handroboka antsika ao anatin'ny fahadisoana dia mody manasoaso sy mandambolambo. Misy koa ny mamelatra vela-pandrika. Mila mailo tahaka an'i Jesoa isika eo anatrehan'ny vela-pandrik'ilay ratsy. Mampianatra antsika koa ny Tompo mba hanao asa sy hanome araka izay manadrify ny tsirairay.

Fanontaniana:
Inona no lesona azo tsoahina avy amin'izay nataon'i Jesoa eto ho fanoherana ny kolikoly?

vendredi 14 septembre 2018

Zoma 14 Septambra 2018 - Sal 15 : 1 - 5

1 Salamo nataon'i Davida.

–TOMPO ô, iza moa no horaisina an-tempolinao
sy hahazo toerana eo an-tendrombohitrao masina?
2–Izay tsy manan-tsiny, izay mitandro rariny
ka milaza tokoa ny marina ao am-pony;
3tsy manao teny manendrikendrika olona
sady tsy manisy ratsy ny namany,
na manompa ny mpiara-monina aminy;
4tsy miraharaha izay lavin'Andriamanitra,
fa manaja an'ireo mpivavaka amin'ny TOMPO,
tsy mivadika amin'ny fianianana vita
na dia maningotra ny tenany aza izany;
5sady tsy mba manisy zana-bola
rehefa mampisambotra
no tsy mba mandray tsolotra
hamelezana ny tsy manan-tsiny.

Izay manao izany sy izany
dia tsy hihontsona na oviana na oviana.

Eo akaikin'Andriamanitra

1- Ireo izay masin-toetra.

Tsy misy tsiny sy mahitsy ary marina Andriamanitra. Isan'ny toetra mampiavaka Azy ireo ka ilazana fa masina Andriamanitra. Takiany koa ny hitafian'ireo izay mivavaka Aminy ireo toetra ireo(and. I). Ny fanekentsika ny ho tarihan'ny Fanahy Masina no ananantsika ireo toetra ireo. Afaka ny hanohitra ny kolikoly rahateo izay tsy mandeha tsy misy tsiny sy mahitsy ary mijoro amin'ny fahamarinana.

2- Ireo izay marina amin'ny fifandraisany amin'ny hafa.

Mba ahatsara ny fifandraisana amin'ny hafa dia halavirina nv fanendrikendrehana, ny fikasana hanisy ratsy ny namana sy ny fanalam-baraka ary ny fisakaizana tsy mba marina (and.3-4a). I Jesoa rahateo dia nampianatra antsika ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika. Raha marina ny fifandraisantsika amin'ny hafa dia tsy ho sahintsika ny hanao kolikoly.

3- Ireo izay marina amin'ny ataony.
Sahia manao fianianana hanohitra ny kolikoly ka aza mivadika amin'ny teny nomena (and.4b). Fadio ny fitiavam-bola tafahoatra fa fototry ny ratsy rehetra izany ka mety ahatafalatsaka amin'ny fanaovana kolikoly (and.5). Izay manao ny marina sy marina amin'ny ataony no mahatohitra ny kolikoly.

Fanontaniana:
Nahoana no misy tsy mahatana ny teny nomeny ny olona?

jeudi 13 septembre 2018

Alakamisy 13 Septambra 2018 - II Tes 3 : 1 - 13

1Farany, ry havana, mivavaha ho anay mba hiely faingana ny tenin'ny Tompo, ka hankatoavina araka ny voninahitra tandrify azy, toy ny teo aminareo. 2Mivavaha koa mba hanafahan'Andriamanitra anay amin'ny olona tsy valahara sy ratsy fanahy; satria tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.

3Fa mitana ny toky nomeny ny Tompo, ka hampahery anareo sady hiaro anareo tsy ho azon'ilay Ratsy. 4Ary omen'ny Tompo fitokiana izahay ny momba anareo, ka azonay antoka fa ny zavatra ameperanay anareo dia efa ataonareo sady mbola hataonareo hatrany.

5Ny Tompo anie hitarika ny fonareo hahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra anareo sy hanam-paharetana miandry ny fiavian'i Kristy!

6Ry havana, mamarafara anareo amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika izahay: halaviro ny namana kamo, tsy manaraka ny fampianarana efa nampitainay taminy. 7Eny, fantatrareo izay tokony hataonareo hanahafanareo anay. Tsy olona kamo izahay, fony tatỳ aminareo. 8Tsy nihinana ny sakafon'olona maimaimpoana izahay, fa nikely aina sy nisasatra niasa andro aman'alina mba tsy hanahirana na dia iray aminareo aza. 9Izany no nataonay, dia tsy hoe tsy manan-jo handray fanampiana avy aminareo izahay, fa mba hanomezanay ohatra hotahafinareo. 10Eny, fony tany aminareo izahay, dia namepetra anareo hoe: «Raha misy tsy te hiasa, aoka izy tsy hihinana!»

11Izany no lazainay dia satria renay fa misy aminareo kamo tsy miasa fa manao zavatra tsisy antony etsy sy eroa. 12Ny olona toy izany dia feperanay sady ampirisihinay amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompo mba hiasa amim-pilaminana ka hihinana ny azy ihany.

13Fa ianareo kosa, ry havana, aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa.

Reseo ny kolikoly.

1- Mifampivavaha sy mifampahereza (and.1-5)

Ady ho fampanjakana ny fitiavana sy ny fahamarinana ny fanoherana ny kolikoly. Ny fampielezana faingana ny Tenin'Andriamanitra izay tena Fahamarinana no ahafahana mandresy izany koa mila mifampivavaka sy mifampahery isika Fiangonana manoloana ny ady mafy hatrehina ho fandresena ny kolikoly. Fery lalina efa mahazo ny fìrenentsika ny kolikoly ka ilàna vavaka sy fifampaherezana eo amin'ny samy mpino.

2- Iaino ny fampianaran'ny Fiangonana (and.6-7)

Ny tsy fanarahana ny fampianarana natolotry ny Apostoly no anisan'ny niteraka korontana teo amin'ny Fiangonana. Mazava ny fampianaran'ny Fiangonana mahakasika ny kolikoly. Lavin'ny Soratra Masina marindrano ny fanaovana kolikoly sy ny fandraisana izany koa iaino ny fampianaran'ny Fiangonana mba tsy ho tafalatsaka amin'izany isika sy ho fanoherana ny fanaovana izany.

3- Miasà fa aza malaina (and.8-13)

Ny fahalainana hiasa kanefa te-hanambe no anisan'ny mitarika ho amin'nv fanaovana kolikoly. Tsy mahamendrika antsika nv mikatsaka volabe, ohatra, kanefa malain-kisasatra: «Ny hatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina » (Gen 3.19), fa aza mivelona amin'ny hatsembohan'ny hafa. Fahamarinana ho an'ny mpino kosa ny mivelona sy mionona amin'izay nikelezany aina am- pahamarinana.

Fanontaniana:
Inona no fandraisan'anjaranao ho fanoherana ny kolikoly?

mercredi 12 septembre 2018

Alarobia 12 Septambra 2018 - I Kor 6 : 9 - 11

 9Tsy fantatrareo ve fa tsy hanana anjara amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra ny mpanao ratsy. Aza mety hofitahina ianareo! Fa na ny mpijangajanga, na ny mpanompo sampy, na ny mpaka vadin'olona, na ny maloto fihetsika, na ny mpifampila samy lehilahy, 10na ny mpangalatra, na ny mpitia harena, na ny mpidoroka, na ny mpanendrikendrika, na ny mpanao an-keriny, dia samy tsy hanana anjara amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra. 11Tahaka izany taloha ny sasany taminareo; saingy efa voasasa ho afaka tamin'ny fahotana ianareo, efa voatokana ho an'Andriamanitra ary efa nekeny ho marina tamin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'ilay Andriamanitsika.

Izay te-handova ny fanjakan'Andriamanitra.

Tanjon'ny mpino ny handova ny fanjakan'Andriamanitra. Manan-jo handova izany isika rehefa:

1- Manaiky handao ny fanao ratsy taloha (and.9-11a)

Tanisain'i Paoly eto ireo fanao ratsy mety hanakana ny fandovantsika ny fanjakan'Andriamanitra. Fanao ratsy izay mihanaka tokoa ankehitriny ny ankamaroan'izy ireo. Voalazanv eto ny fangalarana sy ny fitiavan-karena izay mifandray aniin'ny fanaovana kolikoly. Ny fialana amin'ireny fanao ratsy ireny no antoka handovàna ny fanjakan'Andriamanitra koa taomina isika hiala amin'ireny mba hananantsika anjara lova avy amin'ny Ray.

2- Manaiky ny asan'i Jesoa sy ny Fanahv Masina (and.11b)

Tsy efan'ny saintsika olombelona ny hiala amin'ny ratsy fa vokatry ny fitiavan'Andriamanitra te-hamonjy antsika izany. Notanterahany tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy izany ka ny ra latsaka teo amin'ny hazo fijaliana no nanadiovany sy nanamasinany ary nanamarinany antsika. Ny Fanahy Masina izay nampitoeriny ao anatintsika kosa no mitahiry antsika hananana izany fahadiovana sy fahamasinana ary fahamarinana izany. Izay manaiky ny hohavaozin' Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa sy ny asan'ny Fanahy Masina no afaka ny handova ny fanjakany.

Fanontaniana:
Inona no mety ho hevitry ny hoe: "fìeremana"?

mardi 11 septembre 2018

Talata 11 Septambra 2018 - Job 28 : 12 - 19

12Fa ny Fahendrena, aiza kosa no hahitana azy?
Aiza no toerana ipoiran'ny fahalalana?
13Tsy misy olona mahalala ny hasarobidiny,
satria tsy hita ao amin'ny tanin'ny velona izy.
14Fa hoy ny hantsana anaty ranobe: «Tsy aty izy.»
ary hoy ny Ranomasina: «Tsy ato amiko izy.»
15Tsy mahatakalo azy ny vongam-bolamena madio
ary tsy mahavidy azy ny antontam-bolafotsy.
16Tsy mifandanja aminy na ny volamena avy any Ôfira
na ny berila sarobidy mbamin'ny safira aza.
17Tsy mitaha aminy na ny volamena na ny fitaratra.
Ary ny vazy tena volamena tsy mahatakalo azy.
18Tsy misy antony aminy na ny voahangy na ny kristaly,
fa mihoatra noho ny perla ny fahazoam-pahendrena.
19Tsy azo ampitahaina akory
ny tôpaza avy any Etiopia;
ary tsy mifandanja aminy
na dia ny volamena madio aza.

Tovozy ao amin 'Andriamanitra ny fahendrena
« Tsy misy zanak 'olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin 'ny tanin 'ny velona izy » (and. I3b).
Ny fahendrena no ambara amin'izany. Ao amin'Andriamanitra irery ihany no ahitana fahendrena, fa tsy ety an-tany. Fahendrena hafa no ananan'ny oiona, na dia manana izany aza izy. Izay miombona sy tsara fifandraisana amin'ny Tompo ihany no manana ny tena fahendrena. Inona moa ny fahendrena ? Fahaiza-mikatsaka fiainana izany. Tsy fíainana ho an'ny tena ihany fa ho an'ny hafa. I Jesoa Kristy no nampiseho miharihary izany fìkatsaham-piainana ho an'ny hafa izany, ka Izy no hery sy fahendren' Andriamanitra (I Kor 1. 24).
lzay manam-pahendrena dia hifady ny kolikoly, satria mamotika ny hafa izany, fa manamarika ny fitiavan-tena ka fanetriben'ny fiarahamonina. Ny olona te hanam-be vetivety, tsy te hisasatra no resin-kolikoly; ny olona tsy te hanompo ny hafa amin'ny andraikitra omen'ny Tompo azy, fa mila tamby vao mihetsika. Olona te hotompoina izany. ary tsy nandray fianarana tao amin'i Kristy llay tonga mba hanompo, nefa tsy mitady tamby! Raiso ny fahendrena ary tano, fa tovozin-tsy ritra ao amin'ny Tenin'Andriamanitra izany, dia ho afaka hiady amin'ny kolikoly isika mpino kristiana. Aza adinoina fa ny harena azo amin'ny kolikoly, dia mahafatra-po fa tsy mahavita taona, ary toy ny manidina entin-drivotra sy toa harena tehirizina an-kitapo loaka (vakio Job 27, 17-19), fa izay rnanao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

Fanontaniana:
Nahoana indraindray no ireo olona mandà tsy handray kolikoly indray no lazain'ny olona ho adala ?

lundi 10 septembre 2018

Alatsinainy 10 Septambra 2018 - Sal 141 : 1 - 4

1 Salamo nataon'i Davida.

TOMPO ô, miantso Anao aho: faingàna ho eto amiko.
Mba henoy ny feoko amin'ny fiantsoako Anao.
2Ny fivavahako anie hisandratra eo anoloanao
toy ny eton'ny vovo-javamanitra!
Ny fanandratako tanana anie
ho toy ny fanatitra hariva!

3TOMPO ô, asio mpiambina ny vavako;
arovy ny varavaran'ny molotro.
4Aza avela hirona amin'ny zava-dratsy ny foko.
Aoka aho tsy hiaraka amin'ny mpanao heloka
na hivarilavo amin'ny fanao tsy mety
na hihinana ny hanim-pin'ireo koa!

Fitarainana atao amin'Andriamanitra mba tsy hisy hanao ratsy izao Salamo izao

1 - Ny Tompo ihany no tsara itarainana (and 1-2)
Amin'izay zava-tsarotra mety ahazo, na fakam-panahy, na fizahan-toetra mahazo, dia ny Tompo ihany no tsara itarainana, ka vavaka maneho ny maha Andriamanitra azy no atao. Vavaka fanehoana ny maha Andriamanitra mpamindra fo, be fitiavana sady tsy mba manao tsinotsinona na maharikoriko ny fahoriana manjo antsika (Sal 142,143) no aseho eo anatrehan'ny Tompo ka hanantenana valimbavaka avy hatrany aminy. Azo antoka mantsy fa ny Tompo mihaino vavaka dia hamaly tokoa araka ny haben'ny indrafony amin'ny mpanompony (Lio 18:7). Aza misalasala mitondra eo amin'ny  Tompo ny fitarainanao ary asehoy aminy fa matoky azy ianao.

2 - Mangataha fiarovana amin'ny Tompo (and 3-4)
Tena vavaka faka tahaka ity eto anoloan'izay mety ho fakam-panahy mahamay, dia izay hataon'ny hafa hitarihana anao izay tsy mety, na izay tsy marina, na izay tsy rariny. Amin'izay indrindra ny fiaroavana azo antoka dia ny Tompo : izy no afaka hiambina ny vava; hiaro ny fo tsy hirona amin'ny ratsy; hiaro ny tena manontolo tsy hiray tsikombakomba hanao izay tsy mety eo anatrehan'ny Tompo. Eo amin'ny sehatra misy anao, sahia mivavaka sy mangataka toy izany, ka tsy ho tsianjery fotsiny intsony ny hoe : "aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy".

Fanontaniana:
Ahoana ny vavaka tokony hataontsika hiadiana amin'ny kolikoly?

dimanche 9 septembre 2018

Alahady 09 Septambra 2018 - Lio 16 : 1 - 8

1Hoy kosa i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Nisy mpanankarena anankiray nanana mpitandrim-pananana, izay notorîn'ny olona taminy fa mandanilany foana ny fananany. 2Dia nampiantsoin'ilay tompony izy ka nanontaniany hoe: «Inona izany henoko momba anao izany? Avoahy hoe ny fitandremanao fa tsy hahazo hitandrina ny fananako intsony ianao!» 3Ka hoy ilay mpitandrim-pananana anakampony hoe: «Esorin'ny tompoko amin'ny asako aho ity, ka inona re no hataoko? Ny miasa tany, tsy vitako; ny mangataka, mahamenatra ahy. 4Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan'ny olona ahy any an-tranony, rehefa voaroaka amin'ny asako aho.» 5Dia nampiantsoin'ilay mpitandrim-pananana tsirairay ireo olona nitrosa tamin'ny tompony. Ka hoy izy tamin'ilay voalohany: «Ananan'ny tompoko hoatrinona ianao?» 6Dia hoy ilay mpitrosa hoe: «Menaka efatra arivo litatra.» Ary hoy ny mpitandrim-pananana taminy: «Intỳ ny taratasinao, mipetraha faingana ka soraty hoe roa arivo.» 7Nisy hafa koa nilazany hoe: «Ary ianao, ananan'ny tompoko hoatrinona ianao?» Dia hoy ilay mpitrosa hoe: «Vary zato kitapo.» Ary hoy ny mpitandrim-pananana taminy: «Intỳ ny taratasinao, ka soraty hoe valopolo.» 8Noderain'ny tompony ilay mpitandrim-pananana tsy marina, satria niseho ho kinga; fa amin'ny raharaha ifanaovany avy, dia kinga kokoa ny olona miaina araka izao tontolo izao noho ny olona miaina araka ny fahazavan'Andriamanitra.

Mila fahendrena sy fananana saina mahiratra ny fitantanana ara-bola : na aoa an-tokantrano ,na eo amin’ny fiangonana na eo anivon’ny asa sy andraikitra samihafa.

1-Mazotoa manofana sy miofana
Nidera ilay  mpitandrina tsy marina i Jesoa , tsy sanatria niombona tamin’ny tsy fahamarinana nananany , fa  noho izy nanana-tsaina(and8). Ary raha izao tontolo izao no havanana sy maranitra amin’ny resaka fitantanam-bola , nahoana ny fiangonana no hanaiky ho faralahiny amin’izany , nefa Andriamanitra mpitantana mahay no momba azy? Izany no ilàna ireny karazam-piofanana samihafa ireny mba hanan-tsaina sy ho marina isika amin’ny fitantanam-bolam-piangonana . Isika kristiana no aoka  ho  modely amin’ny fitantanana marina, madio , tara ary mangarahara any  amin’ny sehatra  misy  antsika any .

2-Sahia manala izay tsy marina
Tsy  maintsy ho avy  ny fotoana farany hampamoahana . Sarin’ny fanjakan’ Andriamanitra rahatrizay izany . Koa  mialoha  izany  dia tsy  maintsy  manapa-kevitra  hanaisotra  ny faka mangidy , sao ho ratsy fiafara . Raha te-hahita  fahombiazana  eo amin’ny fitantanana isika dia mila manao dingana hanala sy handrantsana ireo hita fa tsy  marina sy tsy mahomby . Tsy ho matin-kenamaso na ho  sarotsaronana amin’ny maha-kristiana izany , fa sady tsy ho labvorary  ny asa no mampiditra ny hafa anaty fakampanahy isika raha tsy manala ireny . Aoka ny mpino kristiana tsy hanaiky  ho mpiray  tsikombakomba na ho  mpiray  petsapetsa amin’ny mpanao ratsy .

Fanontaniana:
Manao ahoana ny fangaraharan’ny fitanatanam-bola ao  amin’ny fiangonana misy anao?

vendredi 7 septembre 2018

Zoma 07 Septambra 2018 - II Tim 3 : 10 - 17

10Fa ianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny foto-pisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, 11ny fanenjehana ahy ary ny fijaliana nanjo ahy. Fantatrao avokoa izay nihatra tamiko tany Antiôkia, tany Ikôniôma, tany Listra, mbamin'ireo fanenjehana nianjady tamiko; kanefa dia nafahan'ny Tompo tamin'izany rehetra izany aho3.11 Antiôkia (any Pisidia), Ikôniôma, Listra: jereo Asa 13–14. –kanefa... izany aho: ampit Sal 34.20.. 12Eny, izay te hiaina araka ny maha mpivavaka tafaray amin'i Kristy Jesoa dia hoenjehina. 13Fa ny olona ratsy fanahy sy mpanoloky dia vao mainka hiharatsy hatrany, sady mamitaka no voafitaka. 14Ianao kosa, mahareta tsara amin'izay nianaranao sy nekenao tokoa; satria fantatrao ireo olona nampianatra anao izany3.14 Jereo 1.5; 2.2.. 15Hatramin'ny fahazazànao no efa nahalalanao ny Soratra Masina izay manome fahendrena anao hahazoanao famonjena, noho ny finoanao an'i Kristy Jesoa. 16Ny Soratra Masina rehetra dia nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra sady mahasoa9.16 Ny Soratra Masina rehetra... mahasoa: dkt hafa Ny Soratra Masina rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa. hampianarana ny marina, hendresen-dahatra, hanitsiana ny diso, hanabeazana ho tia rariny, 17mba hahatonga ny olon'Andriamanitra ho tsara ofana sy ary fitaovana hanao asa soa isan-karazany.

jeudi 6 septembre 2018

Alakamisy 06 Septambra 2018 - Isa 6 : 1 - 8

1Tamin'ny taona nahafatesan'i Hozià mpanjaka6.1 Ny taona nahafatesan'i Hozià-Hazarià mpanjaka (2 Mp 15.7; 2 Tan 26.23) dia tokony ho tamin'ny 740 tal J.K. no nahitako ny Tompo nipetraka teo amin'ny sezafiandrianana avo dia avo; ary nahafeno ny tempoly ny rebareban'akanjony. 2Nisy serafima6.2 ny hoe serafima: dia karaza-mpiambina miendrika afo mivaivay toy ny tselatra. nitsangana teo amboniny, izay samy manana elatra enina avy: ka ny roa nanakonany endrika, ny roa nanakonany vatana, ary ny roa nanidinany. 3Ary niantso mafy ireo ka nifamaly hoe:

«Masina, masina, masina
ny TOMPOn'izao rehetra izao!
Feno ny voninahiny ny tany manontolo (Na tena masina dia masina tokoa ny Tompon'izao rehetra izao! jereo Apôk 4.8.)!»

4Nipararetra ny fanambanin'ny tokonana noho ny hamafin'ny feon'ireo serafima ireo, sady feno setroka ny trano6.4 Jereo Apôk 15.8.. 5Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin'ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn'izao rehetra izao, no hitan'ny masoko!»

6Kinanjo nanidina nanatona ahy ny iray tamin'ireo serafima, nitondra vainafo teny an-tanany, dia vainafo avy nalainy tamin'ny tandra teo amin'ny alitara. 7Natehiny tamin'ny vavako izany, ary hoy izy tamiko:

«Indro efa nitehika ny molotrao ity;
koa afaka ny helokao,
ary voavela ny fahotanao.»
8Dia reko ny feon'ny Tompo nanontany hoe:
–Iza no hirahiko, ary iza no ho mpitondrateninay?
Dia namaly aho hoe:
–Inty aho, iraho aho.

mercredi 5 septembre 2018

Alarobia 05 Septambra 2018 - Lio 6 : 27 - 38

27–Izao anefa no lazaiko aminareo mpihaino: Tiavo ny fahavalonareo, manasoava ny mpankahala anareo, 28miraria soa ho an'izay manozona anareo. 29Izay mamely anao amin'ny takolaka iray, tolory koa ny ilany; ary izay maka ny lambanao, avelao koa haka ny akanjonao. 30Omeo izay rehetra mangataka aminao ary aza itakiana izay maka ny anao. 31Izay tianareo hataon'ny olona aminareo no mba ataovy aminy koa (Ampit Rm 13.8-10.).

32Raha ny manam-pitiavana anareo ihany no tiavinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba tia izay manam-pitiavana azy! 33Ary raha ny manasoa anareo ihany no soavinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba manao toy izany. 34Ary raha ny antenain-kamerina ihany no ampisamborinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba mifampisambotra hahazoana takalony. 35Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manasoava azy ary mampisambora tsy manantena valiny, dia ho lehibe ny valisoa miandry anareo; ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay mora fo amin'ny tsy mahay mankasitraka sy ny ratsy fanahy. 36Tsara fo ilay Rainareo: noho izany, aoka ianareo ho tsara fo tahaka Azy koa (Ampit Eks 34.6; Sal 86.15.)!

37–Aza mitsara olona, dia tsy hotsarain'Andriamanitra ianareo; aza manameloka olona, dia tsy hohelohin'Andriamanitra ianareo; mamelà, dia havelan'Andriamanitra ianareo; 38manomeza, dia homen'Andriamanitra ianareo; fatra tsara, mihintsana, mifatratra sy avo loha no haidina amin'ny kitaponareo fa izay fomba hamaranareo ho an'ny olona ihany no mba hamaran'Andriamanitra ho anareo koa.

mardi 4 septembre 2018

Talata 04 septambra 2018 - Jer 7 : 1 - 7

1Nisy baiko avy amin'ny TOMPO tonga tamin'i Jeremià ka nandidy azy 2hitsangana eo am-bavahadin'ny tranon'ny TOMPO sy hiantsoantso izao hafatra izao: «Mihainoa ny tenin'ny TOMPO ianareo olon'i Joda rehetra izay miditra amin'ity vavahady ity mba hivavaka amin'ny TOMPO. 3Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Ataovy tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo, dia hamponeniko amin'ity tany ity ianareo7.3 Rijan-teny hafa tohanan'ny dkt tranainy roa dia hipetraka eo aminareo hatrany Aho. . 4Aza miantehitra amin'ny teny fitaka hoe: ‹Eto no tempolin'ny TOMPO, eto no tempolin'ny TOMPO, eto tokoa no tempolin'ny TOMPO!› 5Fa ahitsio tsara ny fitondrantena sy ny fanaonareo: anaovy fitsarana ara-drariny ny adin'ny olona eo amin'ny fitsarana, 6aza mitsentsitra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, atsaharo ny famonoana ny tsy manan-tsiny eto sy ny fifikirana amin'ny andriamani-kafa izay mahatonga loza ho anareo. 7Fa hamponeniko eto7.7 Jereo ny naoty momba ny and 3. ianareo, dia eto amin'ity tany ity izay efa nomeko ny razanareo hatry ny ela ka ho mandrakizay.

Sahia manohitra ny kolikoly mba haharetanareo eo amin’ny tany

Vanimpotoana sarotra dia sarotra teo amin’ny fiainampirenena no naminanian’i Jeremia mpaminany satria feno haratsiana sy kolikoly fiainan’ny Zanak’Israely, ka nanao ratsy avokoa manomboka any amin’ny vahoaka entina, ny mpitsara ny mpitondra fanjakana, ary indrisy hatramin’ireo mpaminany sy mpisorona ary mpitondra fivavahana koa aza dia mba tratran’izany kolikoly izany. Ka toherina ny kolikoly fa  :

1-Aza mitokitoky foana  (and 4-7)
 Nitokitoky foana tokoa ireto Zanak’Israely ireto satria ny tao an-tsainy dia ny hoe: raha mbola eo ny Tempolin’i Jehovah izay masina ka na dia  mijangajanga aza  izy ireo na mangalatra na manompo sampy na mandoto ny vadin’ny namany na manao kolikoly dia tsy misy olana, satria io ny Tempoly. Ary izany fisainana izany dia mpahazo na  dia ny Kristiana ankehitriny aza : manao kolikoly any am-piasana izy ,ka ny fitaovana sy ny vola azo any dia entina hanaovana asam-piangonana. Tsia! mitokitoky foana izany ka tsy mety, fa ny tokony hatao kosa dia :

2- Ataovy  tsara ny aleha (and 1-3 )
 Mazava sy tsotra ary mahitsy ny Tenin’i Jehovah eto: “ataovy tsara ny alehanareo dia hamponeniko amin’ny tany ianareo” . Saingy indrisy fa tsy nisy mpanaraka ny tenin’i Jeremia fa ny tenin’ireo mpaminany sandoka sy mpitondra fivavahana mpandray kolikoly no narahiny ka rava ny Tempoly, ary nodorana ny tanànan’I Jerosalema ny taona 586 talohan’I Jesoa Kristy, ka lasa Babo tany Babylona ny ankamaroan’ny olona.

Fampieritreretana:
Ny tenin’iza tokoa no narahina no tonga amin’izao toerana izao ny Firenena Malagasy?

lundi 3 septembre 2018

Alatsinainy 03 Septambra 2018 - Mat 28 : 11 - 15

11Raha mbola teny an-dalana ireto vehivavy, dia indreny tafaverina tao an-tanànan'i Jerosalema ny sasany tamin'ireo mpiambina ny fasana ka nitantara ny zava-nitranga rehetra tamin'ny lohandoha-mpisorona. 12Dia nivory niaraka tamin'ireo loholona ny lohandoha-mpisorona; ka rehefa nikaon-doha, dia nanome vola be ny miaramila ry zareo 13sady nanao taminy hoe:

–Lazao fa tonga alina ny mpianatr'i Jesoa nangalatra ny fatiny, raha sendra natory ianareo28.13 Ampit 27.64.. 14Ary raha ren'ny governora izany, dia izahay no handresy lahatra azy sady hanao izay tsy hampaninona anareo.

15Dia nandray ny vola ny miaramila ka nanao araka ny teny nomen-dry zareo azy. Ary izany tantara izany no niely tamin'ireo Jiosy mandraka androany.

dimanche 2 septembre 2018

Alahady 02 Septambra 2018 - Eks 23 : 1 - 9

1«Aza manely tsaho foana, na manao vavolombelona mandainga hiray tsikombakomba ny olon-dratsy (Jereo 20.16; Lev 19.11-12; Deot 5.20.). 2Aza manaiky hotarihin'ny maro hanao ratsy; aza mijoro ho vavolombelona noho ny hena-maso ny maro mitady hamadika ny rariny eo amin'ny fitsarana. 3Aza manasohaso olona eo amin'ny fitsarana, na dia ny mahantra aza(Jereo Lev 19.15; Deot 16.19.).

4«Raha mifanena aminao fa diso lalana ny ombin'ny fahavalonao na ny borikiny, dia avereno any aminy. 5Raha hitanao ny borikin'izay mankahala anao fa mihohaka eo ambanin'ny entana entiny, dia aza ilaozana fotsiny ilay olona fa ampio izy hanarina ny bibiny (And 4-5: jereo Deot 22.1-4). –fa ampio izy... bibiny: tsy mazava ny RM, koa ny dkt eto dia araka ny hevitra ankapoben'ny rijan-teny..

6«Aza mamilivily ny rariny ananan'ny mahantranareo23.6 ny rariny... mahantranareo: dkt hafa ny rariny mba hahavoa ny mahantranareo. rehefa miseho fitsarana izy. 7Aza mihaino ny lainga tsara lahatra. Aza manameloka ho faty ny tsy manan-tsiny sy ny olo-marina, satria Izaho Tompo dia tsy hihevitra ny olon-dratsy toy izany ho marina. 8Aza mandray tsolotra fa ny tsolotra no mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny olo-marina23.8 And 6-8: jereo Lev 19.15; Deot 16.19. –sy mamadika... olo-marina: dkt hafa mamilivily ny raharahan'ny tsy manan-tsiny..

9«Aza mampijaly ny vahiny izay mipetraka ao aminareo. Fantatrareo tsara ny fiainan'ny vahiny satria efa mba vahiny tany Ejipta koa ny tenanareo23.9 Jereo 22.20-21; Lev 19.33-34; Deot 24.17-18; 27.19..

samedi 1 septembre 2018

Sabotsy 01 Septambra 2018 - Heb 2 : 9 - 14

9«Lozanareo manangon-karena tsy an-drariny
hanasoavana ny taranakareo.
Mihevi-tena ho ambony toerana ianareo
ka tsy ho tratry ny loza.
10Henatra ho an'ny taranakareo
no hany vokatry ny fanapahan-kevitrareo:
tamin'ny nandringananareo firenena maro,
dia naman'ny mamono tena ianareo.
11Fa na dia ny vato amin'ny rindrina aza
hiantsoantso hiampanga anareo,
ary ny sakamandimby eo amin'ny trano
no hanako hamaly azy.

12«Lozanareo manorina sy manitatra tanàna
amin'ny vono olona sy fanaovan-keloka.
13Koa hiafara amin'ny afo ny asan'ireo vahoaka;
ary zava-poana no isasaran'ireo firenena (Tonon-tsiahy momba ny Jer 51.58.).
Tsy ilay TOMPOn'izao rehetra izao ve
no iavian'izany zavatra izany?
14Eny, ny fiekena ny TOMPO be voninahitra
dia hanenika ny mponin'ny tany tokoa
tahaka ny anaronan'ny ranobe
ny fanambanin'ny ranomasina (Tonon-tsiahy momba ny Is 11.9.).

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12