jeudi 28 février 2019

Alakamisy 28 Febroary 2019 - I Kor 15 : 1 - 11

1Tiako hampahatsiahivina anareo, ry havako, ilay Vaovao Mahafaly izay notorîko taminareo ka noraisinareo sady ifikiranareo. 2Izany Vaovao Mahafaly izany no amonjena anareo koa, raha tananareo araka ny nitoriako azy; raha tsy izany kosa dia ninonino foana ianareo.
3Izao no fampianarana isan'ny voalohany indrindra voaraiko ary nampitaiko taminareo: i Kristy dia maty ho fanalana ny fahotantsika araka ny voalazan'ny Soratra Masina, 4nalevina, nitsangana velona tamin'ny andro fahatelo araka ny voalazan'ny Soratra Masina, 5ary niseho tamin'i Petera, vao tamin'ny 12 lahy. 6Manaraka izany, dia mpianany mihoatra ny 500 no indray nisehoany: mbola velona mandraka androany ny ankamaroany amin'ireo, fa ny sasany ihany no efa nodimandry. 7Taorian'izay, dia nisehoany koa i Jakôba, vao ny apôstôly rehetra.

8Ary faran'izy rehetra, mba nisehoany koa aho, izay toy ny zaza tsy tonga volana. 9Raha izaho manko dia faraidiny amin'ny samy apôstôly, ka tsy mendrika hantsoina hoe apôstôly satria efa nanenjika ny Fiangonan'Andriamanitra. 10Saingy ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy, ary tsy very maina tao amiko ny fahasoavana nomena ahy; fa niasa mihoatra noho ny apôstôly rehetra aho, kanefa tsy izaho, fa ilay fahasoavan'Andriamanitra niaraka tamiko. 11koa izany àry no torînay, na izaho na ry zareo; ary izany no efa ninoanareo.

mercredi 27 février 2019

Alarobia 27 Febroary 2019 - Lio 20 : 1 - 8

1Indray andro, dia nampianatra ny vahoaka teo an-kianjan'ny tempoly i Jesoa sady nanambara ny Vaovao Mahafaly taminy. Tonga kosa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna mbamin'ny loholona 2ka nanao taminy hoe:
–Mba lazao kely hoe: fahefana ahoana moa no anaovanao an'izao zavatra izao? Iza no nanome Anao izao fahefana izao?

3Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Izaho koa mba hanontany anareo zavatra anankiray, ka lazao kely hoe: 4iza no naniraka an'i Jôhany hanao batisa, Andriamanitra sa olombelona?

5Dia niara-niady hevitra ry zareo ka nifampiresaka hoe:
–Raha lazaintsika hoe: «Andriamanitra no naniraka azy», dia hataony hoe: «Koa nahoana no tsy ninoanareo i Jôhany?» 6Raha lazaintsika hoe: «Olombelona no naniraka azy», dia indray hitora-bato hamono antsika ny vahoaka, satria nekeny ho mpaminanin'Andriamanitra i Jôhany.

7Ka hoy ny navaliny an'i Jesoa hoe:
–Tsy hitanay izay holazaina ny amin'izany!

8Dia hoy i Jesoa taminy:
–Izaho koa mba tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako an'izao zavatra izao.

mardi 26 février 2019

Talata 26 Febroary 2019 - Isa 61 : 1 - 2

1Ny Fanahin'ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko,
satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy
mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin'ny malahelo,
hanasitrana ny olona torotoro fo,
hanambara fanafahana ho an'ireo babo
sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,
2hanambara ny taona hanehoan'ny TOMPO fanambinana
sy ny andro hanafaizan'Andriamanitra ny fahavalony
ary hitondra fampaherezana ho an'ny misaona rehetra.

lundi 25 février 2019

Alatsinainy 25 Febroary 2019 - II Sam 18 : 19 - 21

19Hoy i Ahimahatsa zanakalahin'i Tsadôka:
–Aoka hihazakazahako any amin'ny mpanjaka ny fitondrana ity vaovao mahafaly ny amin'ny nanomezan'ny TOMPO azy rariny ity ka nanafahany azy tamin'ny fahavalony.
20Fa hoy i Jôaba taminy:
–Tsia, tsy ho mpitondra vaovao mahafaly ianao raha anio no mankany, satria maty ny zanakalahin'ny mpanjaka; fa amin'ny andro hafa ianao no hitondra vaovao.
21Ary hoy i Jôaba tamin'ny Kosita iray mpanompony:
–Mandehana ka lazao amin'ny mpanjaka izay efa hitanao!
Niankohoka teo anatrehan'i Jôaba ilay Kosita, dia lasa nihazakazaka.

dimanche 24 février 2019

Alahady 24 Febroary 2019 - Nah 2 : 1 -5

1Ry vahoakan'i Joda, indro tamy eny an-tendrombohitra
ny iraka mitondra vaovao mahafaly sy mitory fiadanana.
Ankalazao ny fetinareo, efao ny voadinareo!
Fa tsy handalo eo aminareo intsony ilay olom-poana,
satria efa fongotra tanteraka izy.
2Miakatra hamely anao, ry Ninive, ireo mpandrava;
koa ambeno ny manda, andraso ny lalana.
Mivonòna hiady ary angony ny tafikao rehetra.
3Fa efa ampodin'ny TOMPO indray
ny voninahitry ny taranak'i Jakôba
efa ampodiny indray ny voninahitr'i Israely,
ilay voaloboka rava sady simban'ny mpandroba.

4Ampinga miloko mena sy akanjo jaky midorehitra
no entin'ny tafika fahavalonao, ry Ninive.
Manjelatra toy ny afo ny kalesiny
ary mirangaranga ny lefony,
rehefa mivonon-kiady izy.
5Miriotra mamakivaky ny arabe ny kalesiny,
ary mifanaretsaka eny an-kianja malalaka;
toy ny harendrina no fijery azy
fa mitsoriaka tahaka ny tselatra.

samedi 23 février 2019

Sabotsy 23 Febroary 2019 - Jer 1 : 4 - 10

4Nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

5–Mbola tsy noforoniko
tao an-kibon-dreninao akory ianao
dia efa fantatro,
ary mbola tsy teraka akory ianao
dia efa natokako hanompo Ahy
sy notendreko ho mpaminany
ho an'ny firenena maro.

6Ary namaly aho hoe:

–Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô,
mbola tanora loatra aho
ka tsy mahay mandahateny.
7Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe:
–Aza manao hoe «mbola tanora loatra aho»
fa tsy maintsy handeha
amin'izay rehetra hanirahako anao ianao
ka hilaza aminy
izay rehetra nandidiako anao.

8Aza matahotra azy
fa miaraka anao Aho mba hanafaka anao.
Izany no teny hentitry ny TOMPO tamiko.

9Avy eo IZY dia nandroso ny tanany
ka nanendry ny vavako
ary nilaza tamiko hoe:
–Ianao no hanambara ny teniko.
10Jereo fa omeko fahefana ianao anio
amin'ireo firenena sy fanjakana
mba hanongotra sy hanjera,
hanapotika sy handrava,
ary hanorina sy hamboly.

vendredi 22 février 2019

Zoma 22 Febroary 2019 - Mar 5 : 18 - 20

18Raha ilay niondrana an-tsambokely iny i Jesoa, dia niangavy taminy kosa ilay azon'ny demony teo aloha nanao hoe:
–Avelao aho hiaraka aminao!

19Tsy nanaiky i Jesoa fa niteny taminy hoe:
–Andeha mody any an-tranonao, any amin'ireo havanao; ka lazao azy izay rehetra nataon'ny Tompo taminao noho ny famindrampony.

20Dia lasa ralehilahy nanao antso avo, eran'ny faritany atao hoe Dekapôly, izay rehetra nataon'i Jesoa taminy; ka dia gaga avokoa ny olona.

jeudi 21 février 2019

Alakamisy 21 Febroary 2019 - Jer 31 : 7 - 9

7Manaova horakora-pifaliana ho an'i Israely;
mihobia an'Ilay filohan'ireo firenena,
ataovy antso avo ny dera ka lazao hoe:
«Ny TOMPO mamonjy ny vahoakany,
dia ny sisa velona amin'i Israely!»
Satria izao no lazain'ny TOMPO:
8«Haveriko avy any an-tany avaratra izy
ary hangoniko avy any am-bazan-tany.
Ao avokoa mbamin'ny jamba sy ny mandringa,
ary ny bevohòka sy ny tera-bao.
Eny, vahoaka be no hiverina.
9Tonga am-pitomaniana izy
ka narahiko sady nampiononiko.
Any amin'ny lemaka misy rano no hitarihako azy
ary lala-mahitsy no hizorany
ka tsy ho tafintohina izy.
Ho Ray Aho amin'i Israely,
ary ho lahimatoako i Efraîma.»

mercredi 20 février 2019

Alarobia 20 Febroary 2019 - I Tan 16 : 23 - 27

23Mihirà ho an'ny TOMPO, ry mponin'ny tany tontolo,
torio isan'andro isan'andro ny namonjeny antsika.
24Ambarao amin'ireo firenena ny voninahiny,
lazao amin'ny vahoaka rehetra ny zava-mahagaga nataony.
25Fa lehibe ny TOMPO ka mendrika hoderaina fatratra
sady mahatahotra mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.
26Tsinontsinona avokoa ireo andriamanitry ny firenen-kafa,
fa ny TOMPO kosa no nanao ny lanitra.
27Fahalehibeazana sy famirapiratana no manodidina Azy,
ary hery sy fifaliana no mameno ny fonenany.

mardi 19 février 2019

Talata 19 Febroary 2019 - Isa 41 : 25 - 29

25Avy any avaratra no napoitrako
ity lehilahy anankiray,
ka dia tonga tokoa izy;
avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro
no hanononana ny anarany.
Dia hanosihosy ny mpitondra
toy ny fanosy fotaka izy,
na toy ny fanaon'ny mpanefy
mihosihosy tanimanga.
26Iza àry no nanambara izany
hatrany am-piandohana
mba hoekenay fa mitombina?
Ary iza no nanambara izany mialoha
hilazanay hoe: «Marina ny azy»?
Tsy nisy nanambara izany ianareo,
tsy nisy nandrenesam-peo akory;
tsy nisy mihitsy nandre ny teninareo.
27Fa Izaho no voalohany
nilaza izany tamin'i Tsiôna
ka naniraka mpitondra vaovao mahafaly
ho an'i Jerosalema.

28Nijery foana Aho fa tsy nahita olona:
tamin'ireo andriamani-tsiizy ireo
dia tsy misy mpanolotsaina na iray aza;
tsy misy azoko nanontaniana mba hanome valin-teny Ahy.
29Tsinontsinona ny andriamani-tsiizy rehetra,
zava-poana ny zavatra ataony,
tsio-drivotra miserana ny sampiny
sady zavatra tsy misy fotony!

lundi 18 février 2019

Alatsinainy 18 Febroary 2019 - I Tes 3 : 6 - 10

6Efa tafaverina atỳ aminay izao i Timôty avy tatỳ aminareo, ka nilaza vaovao tsara taminay momba ny finoanareo sy ny fitiavanareo. Nilazany koa izahay fa mahatsiaro tsara anay mandrakariva ianareo sady maniry mafy ny hahita anay, toy ny anirianay mafy hahita anareo. 7Noho izany, na dia tery sy ory fatratra aza izahay, dia nahazo hery noho ny aminareo; ny finoanareo no nampahery anay, 8fa velona izahay ankehitriny satria mamahatra tsara sy mifikitra mafy amin'ny Tompo ianareo. 9Inona re no saotra azonay avaly an'Andriamanitra noho ny aminareo, noho ny hafaliana be dia be omenareo anay sy tsapanay eo anatrehan'Andriamanitsika? 10Mangataka mafy aminy, andro aman'alina, izahay mba hifanatri-tava aminareo sy hameno izay tsy ampy amin'ny finoanareo.

dimanche 17 février 2019

Alahady 17 Febroary 2019 - Asa 13 : 32 - 37

32Ary izahay koa dia mitory aminareo izao Vaovao Mahafaly izao: 33Ny zavatra efa nampanantenain'Andriamanitra tamin'ny razantsika dia notanterahin'Andriamanitra tamintsika ankehitriny, fony Izy nanangana an'i Jesoa ho velona, araka izay voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny Salamo faharoa hoe:
«Zanako Ianao,
Ray niteraka Anao Aho manomboka anio.»

34–Nambaran'Andriamanitra koa fa natsangany ho velona i Jesoa ka tsy hiverina amin'ny fahalòvana intsony, araka ny teny hoe:
«Homeko anareo ny fanambinana masina sy azo antoka
efa nampanantenaiko an'i Davida!»

35Izany koa no itenenan'Andriamanitra ao amin'ny Salamo hafa hoe:
«Tsy havelanao ho tratry ny fahalòvana Ilay voatokana ho Anao.»
36Eny, i Davida, rehefa nanatanteraka ny fikasan'Andriamanitra hahasoa ny mpiara-belona taminy, dia nodimandry ka nalevina mifanila amin'ireo razany ary tratry ny fahalòvana. 37Fa Ilay natsangan'Andriamanitra ho velona kosa dia tsy mba tratry ny fahalòvana.

samedi 16 février 2019

Sabotsy 16 Febroary 2019 - II Sam 19 : 6 - 8

6Dia nankao amin'ny mpanjaka i Jôaba ka nanao taminy hoe:
–Norakofanao henatra androany ny miaramilanao rehetra izay namonjy aina anao sy ny zanakao lahy aman-janakao vavy ary ny vadinao sy ny vaditsindranonao. 7Ny mankahala anao manko no tianao, fa ny mitia anao kosa halanao. Nasehonao androany ny mahatsinontsinona eo anatrehanao ny manamboninahitra sy ny miaramila. Eny, fantatro izao fa raha i Absalôma no velona teo ary izahay rehetra kosa no maty, dia ho faly tokoa ianao. 8Ry andriamanjaka ô, mitsangana re ianao ankehitriny, dia mandehana ampaherezo ny fon'ny miaramilanao; raha tsy mankany kosa ianao, dia ianianako amin'ny anaran'ny TOMPO ianao fa tsy hisy olona hitoetra eto aminao intsony anio alina; ary dia ho ratsy lavitra izany noho izay loza rehetra efa nanjo anao hatramin'ny fahatanoranao ka mandraka ankehitriny.

vendredi 15 février 2019

Zoma 15 Febroary 2019 - Mar 1 : 35 - 39

35Ny ampitso maraina mbola maizina, dia nifoha i Jesoa ka niala tao an-tanàna ary lasa nivavaka tany amin'ny toerana mangina. 36Dia nitotototo nizaha Azy ry i Simôna sy ireo namany telo lahy; 37ka nony nahita an'i Jesoa izy efa-dahy, dia nilaza taminy hoe:
–Mitady Anao ny olona rehetra.

38Fa hoy ny navaliny azy efa-dahy:
–Andeha isika ho any an-toeran-kafa, any amin'ny tanàna akaiky manodidina, mba hitoriako teny any koa; izany manko no nialako tao an-tanàna.

39Dia lasa i Jesoa nitety an'i Galilea manontolo, nitoriteny tany amin'ny sinagôgan-dry zareo Jiosy sady nandroaka ny demony.

jeudi 14 février 2019

Alakamisy 14 Febroary 2019 - Jer 33 : 14 - 18

14Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
«Indro avy ny andro izay hanatanterahako ny zava-tsoa nampanantenaiko ny vahoakan'i Israely sy ny vahoakan'i Joda. 15Amin'izany andro sy fotoana izany, dia solofo mpandala ny hitsiny no hapoitrako ho an'i Davida. Izy no hampihatra ny rariny sy ny hitsiny eo amin'ny tany. 16Amin'izay dia ho afaka ny fanjakan'i Joda ary hiaina am-pilaminana ny mponin'i Jerosalema. Ka ny hiantsoana an'i Jerosalema dia hoe ‹Ny TOMPO no fahamarinantsika.› »

17Izao koa no lazain'ny TOMPO:
«I Davida mpanjaka dia tsy ho tapaka mpandimby azy eo amin'ny sezafiandrianan'i Israely. 18Ary ny mpisorona taranak'i Levỳ tsy ho tapaka olona hijoro eo anatrehako hanolotra sorona dorana manontolo, ary hampakatra ny eton'ny fanatitra sy ny sorom-pihavanana fanao isan'andro.

mercredi 13 février 2019

Alarobia 13 Febroary 2019 - Rom 10 : 11 - 17

11Fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Izay (rehetra) mino Azy tsy mba hangaihay.» 12Koa mitovy na Jiosy na hafa firenena, fa ny Tompo iray ihany ny an'ny rehetra, Tompo malala-tanana amin'izay rehetra miantso Azy. 13Satria izao no tenin'ny Soratra Masina: «Izay rehetra hiantso ny Tompo, dia ho voavonjy.»

14Hataon'ny olona ahoana àry no fiantso ny anaran'ny Tompo, raha tsy efa ninoany? Hataony ahoana no fino Azy, raha tsy efa reny? Hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitoriteny? 15Ary hatao ahoana no fitoriteny, raha tsy nirahina? Araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: «Endrey, tsara izany mahita ireo mpitondra Vaovao Mahafaly tonga hanambara teny soa!» 16Tsy àry nanaiky ny Vaovao Mahafaly avokoa anefa ny olona rehetra, fa hoy i Isaià hoe: «Tompo ô, iza no nino ny hafatra nambaranay?» 17Koa ny finoana dia vokatry ny hafatra ambara; ary ny hafatra ambara dia ny teny momba an'i Kristy.

mardi 12 février 2019

Talata 12 Febroary 2019 - Rom 1 : 13 - 17

13Tiako ho fantatrareo, ry havana, fa matetika aho no manam-pikasana hankatỳ aminareo, saingy azon-tsampona ihany hatramin'izao. Te hahazo voka-tsoa eto aminareo koa manko aho toy ny tany amin'ny firenena sasany. 14Saingy ananako adidy avokoa na ny Grika na ny firenen-kafa, na ny manam-pahaizana na ny tsy nahita fianarana; 15hany ka maika erỳ aho hanambara ny Vaovao Mahafaly aminareo atỳ Rôma koa.

16Fa tsy menatra ny Vaovao Mahafaly aho, satria io no herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena. 17Eny, asehon'ny Vaovao Mahafaly fa ny aneken'Andriamanitra ny olona ho marina dia ny finoana, hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany, araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: «Ny olo-marina noho ny finoana dia ho velona.»

lundi 11 février 2019

Alatsinainy 11 Febroary 2019 - Apo 10 : 5 - 7

5Ary ny anjely, izay efa hitako nijoro teo amin'ny ranomasina sy teo amin'ny tany, dia nanangana ny tanany ankavanana ho amin'ny lanitra 6sady nianiana tamin'Ilay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny habakabaka mbamin'izay ao aminy, sy ny tany mbamin'izay ao aminy, ary ny ranomasina mbamin'izay ao aminy; ka hoy ilay anjely hoe:

–Tsy hisy hataka andro intsony! 7Fa amin'ny andro hitsòfan'ilay anjely fahafito ny trompetrany, dia ho tanteraka ny zava-miafina nalahatr'Andriamanitra, araka ny teny soa nambarany tamin'ireo mpaminany mpanompony.

dimanche 10 février 2019

Alahady 10 Febroary 2019 - Isa 52 : 7 - 12

7Endrey tsara tokoa erỳ an-tendrombohitra
ny famindran'ilay mpitondra hafatra,
izay manambara fiadanana
sy mampita hafatra mahasambatra
ary manambara famonjena
ka manao amin'i Tsiôna hoe:
«Mpanjaka ny Andriamanitrao.»
8Injany ny feon'ireo napetrakao ho mpitily!
Manandra-peo izy ka miara-mihorakoraka-pifaliana,
satria mahita maso ny fiverenan'ny TOMPO ao Tsiôna.
9Manaova horakora-pifaliana
ka redòny ny hiram-pihobiana,
ry toerana rava ao Jerosalema,
satria efa nampahery ny vahoakany ny TOMPO
sady efa nanavotra an'i Jerosalema!
10Nahariharin'ny TOMPO
teo imason'ny firenen-kafa rehetra
ny hery maneho ny fahamasinany
ka hahita ny famonjen'Andriamanitsika
ny vazan-tany rehetra.

11Mialà ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO,
mialà, mivoaha avy ao Babilôna.
Aza mikasika izay maloto,
fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!
12Satria tsy hikoropaka ianareo
raha miainga hivoaka ny tanàna,
ary tsy hihorohoro raha miala teto;
fa ny TOMPO no hialoha lalana anareo
ary ny Andriamanitr'i Israely no ho vodilalanareo.

samedi 9 février 2019

Sabotsy 09 Febroary 2019 - Lio 4 : 42 - 44

42Raha vao naraina ny andro, dia niala tao an-tanàna i Jesoa ary nankany amin'ny toerana mangina. Nokarohin'ny vahoaka i Jesoa, ary dia hitany ka nokasainy hotazonina tsy hiala teo aminy. 43Fa hoy i Jesoa taminy:

–Tsy maintsy anambaràko ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn'Andriamanitra koa ny tanàna hafa, satria izany no nanirahan'Andriamanitra Ahy.

44Dia nitoriteny tao amin'ny sinagôga eran'i Jodea Izy.

vendredi 8 février 2019

Zoma 08 Febroary 2019 - Asa 8 : 9 - 13

9Nisy lehilahy atao hoe Simôna efa tao amin'izany tanàna izany rahateo. Mpanao majika izy ka nahatalanjona ny mponina eran'i Samaria sady nanao ny tenany ho zavatra.

10Babony daholo ny olona, hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe, ka vaky vava hoe:
–Ity lehilahy ity no herin'Andriamanitra, dia ilay antsoina hoe «hery lehibe».
11Babon'i Simôna tokoa ny olona satria hatramin'ny ela no talanjona tamin'ny majîkany. 12Saingy rehefa nino ny Vaovao Mahafaly notorîn'i Filipo momba ny Fanjakàn'Andriamanitra sy momba an'i Jesoa Kristy izy ireo, dia niroso hatao batisa avokoa na lahy na vavy. 13Ny tenan'i Simôna koa aza dia nino ka natao batisa; tsy nahasaraka an'i Filipo izy ary talanjona nahita ny famantarana sy ny asa lehibe mahagaga izay notontosaina.

jeudi 7 février 2019

Alakamisy 07 Febroary 2019 - I Mpa 8 : 55 - 61

55Nijoro izy no nitsodrano tamin'ny feo mahery ny Israelita tafangona teo nanao hoe: 56«Hisaorana anie ny TOMPO Izay nanome fiadanana ny Israelita vahoakany araka izay rehetra nolazainy; fa tanterany antsipiriany avokoa ny teny soa nampilazainy an'i Mosesy mpanompony. 57Koa enga anie ny TOMPO Andriamanitsika mba hiaraka amintsika tahaka izay efa niarahany tamin'ireo razantsika; tsy hahafoy na handao antsika anie Izy, 58fa hampirona ny fontsika aminy mba hizorantsika araka ny sori-dalany rehetra ary hitandremantsika ny didy aman-dalàna sy ny fitsipika izay nomeny an'ireo razantsika. 59Hotsaroan'ny TOMPO Andriamanitsika andro aman'alina anie izany teny fifonana nataoko teo anatrehany izany mba hanomezany rariny antsika vahoakany araka izay sahaza antsika isan'andro. 60Dia ho fantatry ny firenen-drehetra ambonin'ny tany fa ny TOMPO irery ihany no Andriamanitra fa tsy misy hafa; 61ary hiraiki-po amin'ny TOMPO Andriamanitsika ianareo mba hizoranareo araka ny lalànany sy hitandremanareo ny didiny tahaka izao ataonareo anio izao.»

mercredi 6 février 2019

Alarobia 06 Febroary 2019 - Hos 14 : 2 - 8

2Ry Israelita ô, mba miverena
amin'ny TOMPO Andriamanitrareo,
fa ny helokareo no nahalavo anareo.
3Miverena amin'ny TOMPO
ka milazà aminy hoe:
«Avelao avokoa ny helokay;
ary ho solon'ny vantotr'ombilahy fanolotray
dia raiso tsara ireto teninay ireto:
4Tsy i Asiria no hahavonjy anay,
tsy hitaingin-tsoavaly izahay;
ary tsy amin'ny sampy asan-tananay intsony
no hitenenanay hoe: ‹Ry Andriamanitray ô!›;
fa Ianao no mamindrafo amin'ny kamboty.»

5Izaho TOMPO dia hanasitrana
an'ilay Israely amin'ny fiodinany.
Ho tia azy amim-po malalaka Aho;
fa efa nialan'ny fahatezerako izy.
6Ho tahaka ny ando mahasoa azy Aho;
dia hamony tahaka ny lisy izy
ary hamàka tahaka ny hazon'i Libàno.
7Hisandrahaka rantsana izy,
ka ho tsara tarehy toy ny hazo ôliva
ary hamerovero toy ny alan'i Libàno.
8Ho avy indray i Israely,
ka hitoetra eo ambany fiarovako.
Hamboly vary indray izy,
ka hiroborobo tahaka ny voaloboka
sy halaza tahaka ny divay avy any Libàno.

mardi 5 février 2019

Talata 05 Febroary 2019 - Isa 40 : 1 - 8

1Ampaherezo, ampaherezo ny vahoakako,
hoy ilay Andriamanitrareo.
2Omeo toky i Jerosalema
ka antsoantsoy aminy
fa tapitra ny asa an-terivozona
sady vita ny sazy nahatra taminy;
ary efa nandray indroa heny
tamin'ny tanan'ny TOMPO izy
ho avotry ny fahotana rehetra nataony.»

3Misy feo miantso hoe:
«Misavà lalana any an-taniefitra
ho an'ny TOMPO,
mamakia arabe any an-tany karakaina
ho an'Andriamanitsika.
4Aoka hasondrotra ny lohasaha rehetra
ary aoka haetry ny tendrombohitra
sy ny havoana rehetra!
Aoka hovana ho lembalemba ny tany be havoana
ary ho saha midadasika ny tany mikitoantoana!
5Dia hiseho ny voninahitry ny TOMPO,
ka hiara-mahita izany ny olona rehetra.
Fa ny vavan'ny TOMPO mihitsy no efa niteny.»

6Misy feo manao hoe: «Miantsoa.»
fa hoy ny famaliko azy: «Inona no antso hataoko?»
Dia niteny indray izy hoe:
«Izao no antso hataonao:
Mihelina toy ny ahitra ny olona rehetra,
toy ny voninkazo eny an-tsaha ny faharetany:
7Mihamaina ny ahitra, mihamalazo ny voninkazo
rehefa seranan'ny fofonain'ny TOMPO.
–Mihelina toy ny ahitra tokoa ny olona–.
8Eny, mihamaina ny ahitra,
mihamalazo ny voninkazo,
fa ny herin'ny tenin'Andriamanitsika
no haharitra mandrakizay.»

lundi 4 février 2019

Alatsinainy 04 Febroary 2019 - II Sam 18 : 24 - 27

24Tamin'izay i Davida dia nipetraka teo anelanelan'ny varavaran-droa. Dia niakatra teo amin'ny marin-tampona ambony vavahadin'ny manda ny mpitily; raha niandrandra izy, dia nahatazana lehilahy iray mihazakazaka. 25Niantso mafy mba hampandre ny mpanjaka ilay mpitily. Dia hoy ny mpanjaka hoe:
–Raha irery izy, dia vaovao tsara no hambarany.

Rehefa nanatona hatrany ilay lehilahy teo, 26dia nahita olon-kafa nihazakazaka indray ny mpitily. Ka niantso mafy ny mpiandry vavahady izy nanao hoe:
–Iny koa mbola misy lehilahy iray tamy mihazakazaka.

Fa hoy ihany ny mpanjaka:
–Hitondra vaovao tsara koa izany.

27Ary hoy ny mpitily hoe:
–Raha ny fomba fihazakazahany, dia fantatro ilay voalohany fa i Ahimahatsa zanakalahin'i Tsadôka.

Dia hoy ny mpanjaka:
–Lehilahy tsara fanahy iny, ka vaovao tsara no ahatongavany.

dimanche 3 février 2019

Alahady 03 Febroary 2019 - Lio 9 : 1 - 6

1Novorîn'i Jesoa ny 12 lahy, ka nomeny hery amam-pahefana hampiaiky ny demony rehetra sy hahasitrana ny aretina, 2ary nirahiny hitory ny Fanjakàn'Andriamanitra sy hanasitrana ny marary, 3sady nohafatrafarany hoe:
–Aza mitondra na inona na inona ianareo rehefa mandeha, na tehina, na kitapo, na sakafo, na vola, na akanjo hisoloana. 4Izay trano hampandrosoana anareo dia itoero, ka avy ao no miaingà hanohy ny dianareo. 5Izay rehetra tsy mandray anareo dia ialao ny tanànany; ka ny vovoka avy amin'ny tongotrareo ahintsano ho fiampangana azy.

6Dia lasa ireo mpianatra nitety isan-tanàna ka nanambara ny Vaovao Mahafaly sy nanasitrana hatraiza hatraiza.

samedi 2 février 2019

Sabotsy 02 Fevrier 2019 - Asa 10 : 34 - 43

34Dia niteny i Petera ka nanao hoe:

–Azoko tsara ankehitriny, fa tsy mba mijery tavan'olona Andriamanitra. 35Eny, ankasitrahin'Andriamanitra avokoa izay olona manaja Azy sy manao ny rariny na aiza na aiza firenena misy azy. 36Fantatrareo ny teny nampitondrain'Andriamanitra ho an'ny vahoaka Israely, anambaràny ny Vaovao Mahafaly: dia ny fampihavanana amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, ilay Tompon'ny olona rehetra. 37Fantatrareo ny zava-nitranga tany Galilea aloha ary dia nanerana an'i Jodea, taorian'ny toriteny sy ny batisa nataon'i Jôhany: 38nandrotsahan'Andriamanitra ny herin'ny Fanahy Masina i Jesoa avy any Nazareta, ka nitety tany nanao soa sy nanasitrana izay rehetra teo ambany fahefàn'ny devoly, satria nombàn'Andriamanitra Izy. 39Izahay dia vavolombelona nahita ny zavatra rehetra nataony manerana ny tanin'ny Jiosy sy tao Jerosalema. Io Jesoa io dia nahanton'ny olona tamin'ny hazofijaliana no namonoany Azy, 40nefa natsangan'Andriamanitra ho velona tamin'ny andro fahatelo. Nasehon'Andriamanitra miharihary Izy, 41tsy tamin'ny vahoaka ankapobeny fa taminay vavolombelona efa notendren'Andriamanitra mialoha hanambara an'i Jesoa. Niara-nihinana sy nisotro taminy izahay taorian'ny nananganan'Andriamanitra Azy ho velona avy any amin'ny maty; 42ary nomeny baiko mba hitory amin'ny vahoaka sy ho vavolombelona manambara fa Izy no voatendrin'Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty. 43Samy mijoro ho vavolombelona momba azy ny mpaminany rehetra ka manambara fa izay rehetra mino Azy dia hahazo famelan-keloka amin'ny anarany.

vendredi 1 février 2019

Zoma 01 Febroary - Oha 12 : 22 - 28

22Mankahala ny mpandainga ny TOMPO,
fa mankasitraka kosa ny olona mahatoky.
23Ny olona malina tsy mampideradera ny fahalalàny;
fa ny fon'ireo adala kosa mamoaka hafokana.
24Ny olona mazoto miasa no homena fitondrana;
fa ny olona kamo kosa dia hampanaovina asa an-terivozona.

25Ny ahiahy mandreraka ny fon'ny olona;
fa ny teny soa kosa mahafaly azy.
26Ny olo-marina dia mpitari-dalana ny namany
fa ny toetran'ny olon-dratsy kosa mamery azy.
27Ny mpihaza kamo tsy mba manana haza hatono;
fa soa sarobidy kosa ny olona mazoto miasa.
28Ny lalan'ny fahamarinana no misy ny fiainana;
fa ny lalam-paharatsiana kosa mankany amin'ny fahafatesana.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12