mardi 30 avril 2019

Talata 30 Aprily 2019 - Ezr 8 : 28 - 31

28Ka hoy aho tamin’ireo mpisorona sy levita ireo:
–Tahaka ny maha voatokana anareo ho an’ny TOMPO no maha voatokana an’ireto fanaka ireto ho Azy koa; ny volafotsy sy volamena dia fanomezana an-tsitrapo ho an’ny TOMPO, Ilay Andriamanitry ny razanareo. 29Koa tandremo tsara ireo mandra-pahatonga any Jerosalema, ary lanjao eo anatrehan’ny lohandohany amin’ny mpisorona sy levita ary eo anatrehan’ny loham-pianakaviana, ao amin’ny efitrano fanaovana izany ao an-tranon’ny TOMPO.

30Dia noraisin’ireo mpisorona sy levita ireo izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba hoentiny any Jerosalema, ho ao an-tranon’Andriamanitray.

31Tamin’ny andro faha-13, volana voalohany, no nialanay teo amin’ny lakan-dranon’i Ahavà mba hankany Jerosalema; ary nombàn’ny fiarovan’Andriamanitra izahay teny an-dalana ka novonjeny tamin’ny famelezan’ny fahavalo sy mpanotrika.

lundi 29 avril 2019

Alatsinainy 29 Aprily 2019 - Mar 8 : 34 - 38

34Dia nantsoin’i Jesoa niaraka tamin’ny mpianatra ny vahoaka hankeo aminy ka nilazany hoe:

–Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany, ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko. 35Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy, noho ny fitiavany Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly, no hahavonjy azy. 36Fa inona no soa azon’ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny ainy mitondra faisana? 37Ary inona no azon’ny olona omena ho takalon’ny ainy? 38Mpivadika amin’Andriamanitra sy mpanota ny olona ankehitriny! Ka na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko eo afovoan’ireo, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona, rehefa ho avy otronin’ny anjely masina sady ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy.

dimanche 28 avril 2019

Alahady 28 Aprily 2019 - Rom 6 :1 - 7

1Inona àry no holazaintsika? Hitoetra ao amin’ny fahotana ve isika mba hitomboan’ny fahasoavana? 2Sanatria izany! Isika izay efa maty raha ny amin’ny fahotana, hataontsika ahoana no mbola ho velona ao amin’ny fahotana ihany? 3Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin’i Kristy Jesoa dia natao batisa mba hiombona amin’ny fahafatesany? 4Koa tamin’ny alalan’ny batisa dia niombona amin’ny fahafatesan’i Kristy Jesoa isika ary niara-nalevina taminy, mba ho tahaka ny nananganana an’i Jesoa ho velona avy tany amin’ny maty noho ny herin’Andriamanitra Ray be voninahitra no hizorantsika koa amin’ny fiainam-baovao.

5Koa raha fahafatesana mifanahaka amin’ny an’i Kristy no nampiraisana antsika aminy, dia fitsanganan-ko velona mifanahaka amin’ny Azy koa no hampiraisana antsika aminy. 6Fantatsika fa ny maha olona antsika taloha dia efa niara-novonoina tamin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, mba ho levona ny tenantsika gejain’ny fahotana ka tsy ho mpanompon’ny fahotana intsony isika; 7satria izay maty dia afaka amin’ny fangejàn’ny fahotana.

samedi 27 avril 2019

Sabotsy 27 Aprily 2019 - Lio 22 : 14 - 23

14Nony tonga ny fotoana, dia nipetraka nihinana i Jesoa mbamin’ny apôstôly. 15Ary hoy i Jesoa taminy:
–Niriko dia niriko tokoa hiara-mihinana ity sakafo Paska ity aminareo alohan’ny hijaliako. 16Lazaiko aminareo fa tsy hihinana ny Paska intsony Aho mandra-pahatanteraka azy any amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.

17Dia nandray kalisy natolotra Azy i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany ka nataony hoe:
–Raiso ity ka ifampizarao. 18Lazaiko aminareo fa tsy hisotro divay intsony Aho mandra-pahatongavan’ny Fanjakàn’Andriamanitra.

19Avy eo nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny apôstôly ka nataony hoe:
–Ny tenako ity [izay omena ho anareo. Izany atao ho fahatsiarovana Ahy.

20Ary noraisin’i Jesoa toy izany koa ny kalisy taorian’ny sakafo sady nataony hoe:
–Ity kalisy ity dia ilay fanekempihavanana vaovao aorin’Andriamanitra amin’ny rako izay alatsaka ho anareo.] 21Eny, indro miaraka amiko eto am-pisakafoana ilay hanolotra Ahy.

22Ny Zanak’olona moa dia efa ho faty araka izay voalahatran’Andriamanitra, nefa mampalahelo ilay olona hanolotra Azy!

23Ary nifanontany ireo apôstôly hoe: «Iza re amintsika no dia hahavita izany?»

vendredi 26 avril 2019

Zoma 26 Aprily 2019 - II Tan 35 : 2 - 9

2Dia nampirisihin’i Jôsià hijoro amin’ny anjara raharahany avy ny mpisorona ary nampahereziny hanao ny fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ny TOMPO. 3Ary ny levita izay natao hampianatra ny Israelita rehetra sady efa voatokana ho an’ny TOMPO dia nitenenany hoe:
–Ianareo natao hametraka ny Vatamasin’ny Tompo ao amin’ny tempoly, izay nataon’i Salômôna zanakalahin’i Davida sady mpanjakan’i Israely, dia efa tsy milanja azy intsony izao; koa ankehitriny manompoa ny TOMPO Andriamanitrareo sy manompoa an’ilay Israely vahoakany; 4ary samia mitsinjara araka ny tarikareo sy ny antokonareo avy ianareo, fa izany no fepetra voasoratr’i Davida mpanjakan’i Israely ary koa i Salômôna zanakalahiny. 5Ary makà toerana ao amin’ny tempoly, araka ny fitsinjaran’ny tarik’ireo vahoaka mpiray firenena aminareo ary araka ny fitsinjaran’ny tarikareo samy levita. 6Natao hamono ny biby ho an’ny sakafo Paska ianareo ka midiova tena ary mivonòna hiasa ho an’ny mpiray firenena aminareo mba hanatontosana ny fankalazàna araka ny teny izay nampitain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy.

7Ny vahoaka izay vory teo dia nomen’i Jôsià zanak’ondry sy zanak’osy hatao sakafo Paska: 30 000 no isan’ireo biby ireo, ary mbola niampy omby telo arivo, samy avy amin’ny fananan’ny mpanjaka. 8Ny mpandraharahan’i Jôsià koa dia nanome biby ho an’ny vahoaka sy ho an’ny mpisorona ary ho an’ny levita. I Hilkià sy i Zakarià ary i Jehiela izay samy mpiandraikitra ny tranon’Andriamanitra, dia nanome ondry aman’osy 2 600 ary omby roa arivo ho an’ny mpisorona mba hatao soron’ny Paska. 9Ireo filohan’ny levita, izany hoe ry i Kônanià sy i Semahià ary i Natanaela mirahalahy mbamin-dry i Hasabià sy i Jehiela ary i Jôzabada, dia nandroso ondry aman’osy dimy arivo ho an’ny levita mba hatao soron’ny Paska.

jeudi 25 avril 2019

Alakamisy 25 Aprily 2019 - Jao 19 : 38 - 42

38Taorian’izany, dia nangataka tamin’i Pilato i Jôsefa avy any Harimatia, mba hahazo manaisotra ny vatan’i Jesoa. Mpianatr’i Jesoa i Jôsefa, saingy an-tsokosoko noho izy natahotra ireo manampahefana jiosy. Neken’i Pilato ny fangatahany, ka dia lasa izy nanaisotra ny vatan’i Jesoa. 39Tonga koa i Nikôdema (ilay nanatona an’i Jesoa andro alina teo aloha) nitondra ny miora sy aloesy nampifangaroina, tokony ho telopolo kilao. 40Noraisin’izy roa lahy ny vatan’i Jesoa, ka nofonosina lamba nasiana zava-manitra, araka ny fanaon’ny Jiosy raha mamboatra faty halevina. 41Nisy saha anankiray kosa teo amin’ilay toerana nanomboana an’i Jesoa; ary nisy fasana vaovao tsy mbola nandevenana olona mihitsy tao anatin’ilay saha. 42Koa satria andro fiomanana ho an’ny Jiosy tamin’izay sady akaiky eo ny fasana, dia tao no nandevenan’izy roa lahy an’i Jesoa.

mercredi 24 avril 2019

Alarobia 24 Aprily 2019 - I Kor 5 : 6 - 8

6Tsy mety ve ny fireharehànareo! Tsy fantatrareo ve ilay ohabolana hoe: «Leviora kely foana dia mampibohaka ny koba manontolo»? 7Esory io leviora tranainy io, izany hoe ny fahotana, mba ho madio tokoa ianareo; dia ho tonga koba vaovao tsy misy leviora, satria izany rahateo ianareo. Eny, efa voavono i Kristy ilay Zanakondrin’ny Paska ho antsika: 8ka dia aoka isika hankalaza ny Paska tsy amin’ny mofo misy leviora tranainy, dia ny leviora manambara fitondrantena tsy valahara sy toe-dratsy; fa amin’ny mofo tsy misy leviora, dia ny mofo manambara fitondrantena madio sy toetra mahitsy.

mardi 23 avril 2019

Talata 23 Aprily 2019 - Mar 14 : 3 - 9

3Tany Betania i Jesoa tamin’izay ary tao an-tranon’i Simôna mpivarotra bakoly. Raha mbola teo am-pisakafoana i Jesoa, dia tonga ity vehivavy anankiray nitondra tavoahangy alabasitra feno ilomanitra sarobidy atao hoe narda. Dia novakîn-dravehivavy ny tavoahangy ka naidiny tamin’ny lohan’i Jesoa ny ilomanitra. 4Ary nisy sasany tezitra ka nifampilaza hoe:
–Nahoana no dia lanîna foana tahaka izao ity ilomanitra? 5Azo namidy denàry telonjato mahery iny ka omena ny mahantra ny vidiny!

Dia nolevileven-dry zareo ravehivavy. 6Fa hoy i Jesoa:
–Avelao izy! Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo azy? Asa soa iny nataony tamiko iny. 7Ny mahantra moa misy eto aminareo mandrakariva, ka azonareo asiana soa amin’izay fotoana tianareo; fa Izaho kosa tsy mba eto aminareo mandrakariva. 8Nanao izay azony natao izy nanosotra ilomanitra ny tenako dieny mialoha mba hamboarany Ahy halevina. 9Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza eran’izao tontolo izao hanambarana ny Vaovao Mahafaly, dia holazaina koa izao nataon’ity vehivavy ity izao mba ho fahatsiarovana azy.

lundi 22 avril 2019

Alatsinainy 22 Aprily 2019 - Zak 3 : 1 - 5

1Ary nasehon’ny TOMPO tamiko i Josoa mpisorombe izay nitsangana teo anatrehan’ny anjelin’ny TOMPO. Ary nijoro teo ankavanan’i Josoa i Satàna mba hiampanga azy. 2Dia hoy ilay anjelin’ny TOMPO tamin’i Satàna:
–Hanery anao hangina anie ny TOMPO; eny, hanery anao hangina anie ny TOMPO Izay efa nifidy an’i Jerosalema! Fa tsy toy ny forohana nalaina tamin’ny afo va i Josoa?

3Ary nitafy akanjo maloto i Josoa no nitsangana teo anoloan’ilay anjely. 4Dia niteny io anjely io ka nandidy ireo olona teo akaikin’i Josoa hoe:
–Esory aminy ny fitafiana maloto.

Dia hoy kosa ilay anjely tamin’i Josoa:
–Indro efa nesoriko ny fahotanao ka hampiakanjoako fitafiana mihaja ianao.

5Ary nandidy ireo olona indray ilay anjely hanisy hamama madio eo an-dohan’i Josoa. Dia nasiany hamama madio ny lohany sady nampiakanjoiny fitafiana madio teo anatrehan’ilay anjelin’ny TOMPO izy.

dimanche 21 avril 2019

Alahady 21 Aprily 2019 - Lio 24 : 1 - 12

1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazany ilay vatobe fa voakodia lavitry ny vavafasana; 3nefa nony niditra izy ireo, dia tsy nahita ny vatan’i Jesoa Tompo. 4Raha mbola very hevitra ny amin’izany teo ireto vehivavy, dia indreo nisy roa lahy nanao fitafiana manelatrelatra niseho taminy. 5Natahotra mafy ireto vehivavy ka nitanondrika, fa hoy izy roa lahy taminy:
–Nahoana no atỳ amin’ny toeran’ny maty no itadiavanareo ny velona? 6Tsy eto Izy, fa efa nitsangana velona. Tsarovy ny voalazany taminareo, fony Izy mbola tany Galilea, hoe: 7«Ny Zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ka hohomboana amin’ny hazofijaliana; nefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.»

8Izay ireto vehivavy vao nahatsiaro ny tenin’i Jesoa, 9ka niverina avy tany amin’ny fasana ary nitantara izany rehetra izany tamin’ny 11 lahy sy ny namany rehetra: 10ireo vehivavy ireo dia i Maria avy any Magdalà sy i Jôhanina ary koa i Maria renin’i Jakôba; ireo vehivavy niaraka tamin’izy telo vavy dia samy nilaza izany koa tamin’ny apôstôly. 11Saingy noheverin’ny apôstôly ho arirarira foana ny tenin’izy rehetra ka tsy ninoany. 12Fa nitsangana kosa i Petera, nihazakazaka nankany amin’ny fasana, niondrika nijery ka tsy nahita afa-tsy ny tapa-damba namehezana ny vatan’i Jesoa, ary lasa nody sady sanganehana tokoa tamin’ny zava-nitranga.

samedi 20 avril 2019

Sabotsy 20 Aprily 2019 - Jod 3 - 7

3Ry hava-malala, teo am-piezahana mafy hanoratra ho anareo ny amin’ny famonjena iombonantsika aho no nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, mba hampirisika anareo hikely aina hiaro ny finoana izay efa natolotra tanteraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra. 4Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko eo aminareo: dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fampianarana fitondrantena maloto, ka mandà an’i Jesoa Kristy, ilay Andrian-tokana sady Tompontsika. Hatry ny ela no efa voalazan’ny Soratra Masina mialoha ny fanamelohana hihatra amin’ireny olona ireny.

5Na dia efa fantatrareo aza ny zavatra rehetra, dia tiako hampahatsiarovina anareo ireto: rehefa novonjen’ny Tompo tanteraka ho afaka tany Ejipta ny vahokany, dia naringany ihany tatỳ aoriana izay tsy nino, 6ary ny anjely izay tsy nitana ny fiamboniana nomena azy fa nandao ny fonenany, dia tazonin’ny Tompo am-patorana mandrakizay ao anaty haizina mandra-pahatongan’ny andro lehibe hanamelohana azy; 7toy izany koa ny mponina tao Sôdôma sy Gômôra mbamin’ireo tanàna manodidina: nanao fitondrantena maloto izy ireo ary lasa nivarilavo amin’ny zavatra tsy tokony hatao, ka raiso ho fananarana satria afo maharitra mandrakizay no sazy mihatra aminy.

vendredi 19 avril 2019

Zoma 19 Aprily 2019 - Jao 12 : 12 - 19

12Ny ampitson’iny, dia ren’ny vahoaka maro izay tonga hankalaza ny Paska fa ho avy ao Jerosalema i Jesoa. 13Dia naka sampan-drofia izy ireo, ka niainga hitsena Azy sady niantsoantso hoe:
–Dera anie ho an’Andriamanitra! Hombàm-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy, ilay Mpanjakan’i Israely!

14I Jesoa kosa nahita zana-boriky anankiray, ka nitaingina azy, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe:

15«Aza matahotra, ry mponina ao Tsiôna!
Indro fa tonga ny Mpanjakanareo
mitaingina zana-boriky!»

16Izany zavatra izany dia tsy azon’ny mpianany tamin’ny voalohany; fa rehefa nomen’Andriamanitra voninahitra i Jesoa, vao tsaroan’ny mpianany fa voalazan’ny Soratra Masina ny amin’i Jesoa izany sady nataon’ny olona taminy.

17Vavolombelona manambara an’i Jesoa ny vahoaka izay niaraka taminy fony Izy niantso an’i Lazara hiala tao am-pasana sy nanangana azy ho velona avy any amin’ny maty. 18Izany koa no nitsenan’ny vahoaka azy: efa ren’izy ireo manko ny nanaovan’i Jesoa izany famantarana izany. 19Tamin’izay ny Farisianina dia nifampilaza hoe:

–Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona ianareo! Jereo fa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.

jeudi 18 avril 2019

Alakamisy 18 Aprily 2019 - I Kor 10 : 14 - 18

14Noho izany, ry hava-malalako, andosiro ny fanompoan-tsampy. 15Olona manan-tsaina ianareo no itenenako, ka tsaraonareo izay lazaiko. 16Ny fisotro isaorantsika an’Andriamanitra, moa tsy mampiombona antsika amin’ny ran’i Kristy ve izany? Ary ny mofo izay ifanapahantsika, moa tsy mampiombona antsika amin’ny tenan’i Kristy ve izany? 17Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza, noho isika rehetra miombona anjara amin’ny mofo iray ihany.

18Jereo ny vahoaka Israely ara-tantara: Ireo mihinana amin’ny fanatitra atao sorona dia miombona amin’Andriamanitra Izay nanokanana ny alitara fisoronana.

mercredi 17 avril 2019

Alarobia 17 Aprily 2019 - Isa 49 : 22 - 26

22Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY:
«Indro hasandratro ny tanako hanatsika ny firenen-kafa;
ary hatsangako ny fanevako ho hitan’ny vahoaka.
Dia hotrotroiny no fitondra ny zanakao lahy;
ary hoentiny an-tsoroka ny zanakao vavy.
23Mpanjaka no ho mpanabe ny zanakao
ary andriambavy no ho reny mpampinono azy.
Hiankohoka eo anatrehanao ireo manankaja ireo
ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao,
dia hoekenao fa Izaho no TOMPO
ka izay miandry Ahy tsy ho diso fanantenana.

24Alaina amin’ny miaramila mahery ve ny rembiny?
Sarihina amin’ny olon-doza ve ny babony?
25Eny, hoy ny famalin’ny TOMPO,
na dia ny babon’ny miaramila mahery aza
dia halaiko aminy;
ary hosarihiko amin’ny olon-doza ny rembiny.
Fa Izaho mihitsy, ry Jerosalema,
no hiady amin’izay miady aminao
sady hanafaka ny zanakao.
26Ireo olona mpampahory anao kosa
hampihinaniko ny nofon’ny tenany ihany
ary hataoko mamon’ny ran’ny tenany ihany
toy ny mimamo amin’ny divay vaovao.
Amin’izay dia ho fantatry ny olona rehetra
fa Izaho TOMPO no mpamonjy anao,
ary Izaho ilay Maherin’i Jakôba no mpanavotra anao.»

mardi 16 avril 2019

Talata 16 Aprily 2019 - Asa 8 : 32 - 40

32Izao kosa no andalan’ny Soratra Masina vinakin’ilay tandapa:

«Toy ny ondry nentina hovonoina Izy,
ary toy ny zanak’ondry moana manoloana ny mpanety azy:
tsy niloa-bava akory!
33Natao tsinontsinona Izy ary tsy nahazo rariny.
Ary iza moa no hanan-kotantaraina ny amin’izay taranany?
Satria fongotra teto an-tany ny fiainany.»

34Ka hoy ilay tandapa tamin’i Filipo:
–Azafady, tompoko, iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany? Ny tenany sa olon-kafa?
35Dia niteny i Filipo ary niainga avy amin’ireo andalan-tSoratra Masina ireo no nanambara ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa.

36Nizotra ny dian’izy roa lahy, ary mby teo amin’ny toerana anankiray misy rano, ka hoy ilay tandapa:
–Inty eto misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa?

[ 37Dia novalian’i Filipo hoe:
–Raha amin’ny fonao manontolo no inoanao, dia azo atao batisa ianao.

Ary hoy ilay tandapa:
–Mino aho fa i Jesoa Kristy no ilay Zanak’Andriamanitra.]

38Nasain’ilay tandapa najanona ny kalesy, dia niara-nidina nankeo anaty rano izy mbamin’i Filipo, ary nataon’i Filipo batisa izy. 39Nony tafakatra avy tao anaty rano izy roa lahy, dia nentin’ny Fanahin’ny Tompo niala teo i Filipo. Tsy nahita azy intsony ilay tandapa, nefa nanohy ny diany tamin-kafaliana. 40Hay tody tao Azôta i Filipo ary nitory ny Vaovao Mahafaly tamin’ny tanàna rehetra nolalovany mandra-pahatongany tany Kesaria.

samedi 13 avril 2019

Sabotsy 13 Aprily 2019 - Sal 22 : 12 - 21

12Koa aza manalavitra ahy fa akaiky izao ny loza;
ary izay hamonjy ahy dia tsy misy mihitsy.

13Ireo fahavaloko no mitangorona amiko
toa ombilahy maro manemitra ahy,
toa ombilahy masiaka avy any Basàna.
14Misanasana vava hamely ahy ireny,
mova tsy liona mandrotika sy mierona.
15Very hery toy ny rano mihanaka aho,
ary mivahavaha ny taolako rehetra;
toa savoka ny foko ka miempo ato anatiko.
16Maina toy ny tavim-bilany ny tendako;
miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako.
Toa ao amin’ny vovoky ny fahafatesana
no efa ametrahan’ny fahavaloko ahy.

17Andian’olon-dratsy no mitangorona amiko
toa alika maromaro manodidina ahy;
nafatotr’ireo ny tongotra aman-tanako.
18Ny taolako rehetra no sisa hita, satria mahia aho
ka jeren’ireo fotsiny sady angarihany;
19ifampizaràny ny fitafiako
ary ataony antsapaka ny akanjoko.

20Ianao kosa, TOMPO ô, aza manalavitra ahy;
Ianao, ry heriko, faingàna re hamonjy.
21Afaho tsy ho ritra tankina ny aiko,
arovy aho tsy ho rembin’ireo alika,

vendredi 12 avril 2019

Zoma 12 Aprily 2019 - I Tim 4 : 6 - 10

6Raha izany torohevitra izany no arosonao ny havana iray finoana, dia ho mpanompo tsaran’i Kristy Jesoa ianao, ka hiharihary fa mivelona amin’ireo teny momba ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao ianao. 7Aoka ianao tsy hiraharaha izay angano manazimba fivavahana sady tsy misy fotony. Manazara tena amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. 8Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin’ny ho avy. 9Azo antoka izany teny izany, ka mendrika hankatoavina tanteraka. 10Eny, izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria ny fanantenanay dia efa napetrakay amin’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa ireo mino.

jeudi 11 avril 2019

Alakamisy 11 Aprily 2019 - Sal 80 : 14 - 19

14Manimba azy toa lambo avy any an’ala ireo
ary tonga miraoka azy toa bibidia.
15Ry Andriamanitr’izao rehetra izao ô, mba miverena;
tsinjovy avy any an-danitra ka jereo
ary karakarao ilay voalobokao:
16arovy ilay zana-kazo nambolenao,
ilay solofo nohatanjahinao ho Anao.

17Aoka ho levon’ny fandrahonanao
ireo fahavalo nanjera sy nandoro!
18Aoka homban’ny fiarovanao ilay vahoaka voafidinao,
dia ilay firenena nohatanjahinao ho Anao!
19Amin’izay dia tsy handao Anao intsony izahay;
Ianao no hamelona anay indray ary hivavahanay.
20Ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao ô,
mba avereno ho firenena matanjaka izahay;
aoka hijery anay amin-kamorampo Ianao,
dia ho voavonjy izahay!

mercredi 10 avril 2019

Alarobia 10 Aprily 2019 - Mat 9 : 14 - 17

14Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa ny mpianatr’i Jôhany Mpanao batisa ka nanontany Azy hoe:
–Ahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?

15Dia hoy i Jesoa taminy:
–Moa azon’ireo mpanotrona ny mpampaka-bady atao ve ny misaona raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra? Tsia. Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra eo aminy, ka amin’izay andro izay vao hifady hanina ireo mpanotrona.

16–Tsy misy olona manampina fitafiana tonta amin’ny tapa-damba vaovao; fa handrirotra ny fitafiana tonta ilay tapa-damba natampina, ary vao mainka hitatra ny rovitra.

17–Tsy mba siny hoditra tranainy no itahirizana divay vaovao; fa raha izany, dia ho rotika ny siny hoditra; ka ny divay ho raraka, ny siny hoditra hafoy. Fa siny hoditra vaovao no itahirizana divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.

mardi 9 avril 2019

Talata 09 Aprily 2019 - I Jao 3 : 1 - 6

1Endrey ity haben’ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika: fa nantsoina hoe zanak’Andriamanitra isika, sady zanany tokoa! Izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy nahalala an’Andriamanitra. 2Ry hava-malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, kanefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika rahatrizay. Saingy fantatsika fa rahatrizay hiseho i Kristy, dia ho tahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny maha Izy Azy. 3Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina amin’i Kristy izany dia mitandrin-tena hanana toetra madio mba hadio toetra tahaka Azy.

4Izay rehetra manota dia mandika ny lalànan’Andriamanitra, fa ny ota no fandikana ny lalànan’Andriamanitra. 5Fantatrareo kosa fa i Jesoa Kristy no niseho, dia mba hanala ny ota, ary tsy mba misy ota ao aminy. 6Izay rehetra miray amin’i Kristy dia tsy manota; izay rehetra manota, dia tsy nahita Azy na nahalala Azy.

lundi 8 avril 2019

Alatsinainy 08 Aprily 2019 - Apo 12 : 7 - 12

7Dia nisy ady nitranga tany an-danitra: i Mikaela sy ny anjeliny no niady tamin’ilay dràgona; ary niady ilay dràgona mbamin’ny anjeliny. 8Kanefa resy ilay dràgona, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony. 9Ary nazera ilay dràgona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly na hoe Satàna, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin’ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny. 10Dia reko nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Tonga izao ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakàn’ilay Andriamanitsika, tonga izao ny fahefàn’ilay Mesiany; satria nazera ilay mpiampanga an’ireo havantsika, dia ilay mpiampanga azy ireo andro aman’alina teo anatrehan’Andriamanitsika. 11Ireo havantsika kosa dia naharesy ilay mpiampanga, ka ny ra nafoin’ny Zanakondry sy ny tenin’Andriamanitra nijoroan’izy ireo ho vavolombelona no nandreseny azy; ary tsy nankamamy ny ainy intsony ireo na dia ho faty aza. 12Noho izany, mifalia, ry lanitra sy ianareo monina ao aminy. Mampalahelo ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa nidina any aminareo ny devoly sady misafoaka mafy, satria fantany fa kely sisa ny androny!»

dimanche 7 avril 2019

Alahady 07 Aprily 2019 - Sal 40 : 11 - 17

11Tsy mba afeniko ato am-poko ny fanafahanao,
ambarako fa Mpamonjy mahatoky Ianao;
ny vahoakanao tafangona amborahako
ilay fitiavanao tsy miova ho anay.
12TOMPO ô, tsy hitsahatra hamindrafo amiko Ianao;
ilay fitiavanao tsy miova no hiaro ahy lalandava.

13Manemitra ahy ny loza tsy hita isa;
mizaka ny vokatry ny heloko aho
sady tsy mahajery azy intsony
noho izy ireny maro noho ny volon-dohako;
ka ketraka dia ketraka ny foko.
14TOMPO ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy!
TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy!
15Ho menatra sy mangaihay avokoa anie
izay olona mitady hahafaty ahy!
Hihemotra sy ho afa-baràka anie
izay olona maniry loza ho ahy!
16Aoka ho ankona safotry ny henatra
ireo mpanakora ahy hoe: «Akorinao izay!»

17Izay rehetra mitady Anao kosa anie
hifaly sy hiravoravo amin’ny nataonao;
ary izay olona mpitia Anao Mpamonjy anie
hivolan-dava hoe: «Lehibe tokoa ny TOMPO!»

samedi 6 avril 2019

Sabotsy 06 Aprily 2019 - Lio 19 : 1 - 10

1Tafiditra tao Jerikao i Jesoa ary namakivaky ny tanàna. 2Ary indro nisy lehilahy atao hoe Zakeo, sady lehiben’ny mpamory hetra no mpanankarena. 3Mba nitady hahita izany Jesoa izany izy, saingy fohy ka tsy afa-nanoatra satria nifanety ny vahoaka. 4Dia nilomay nialoha izy ka nianika hazo amontana mba hitazana an’i Jesoa, fa akaikin’izany no efa handalovany. 5Nony tonga teo i Jesoa, dia nitraka ary niteny tamin’i Zakeo hoe:
–Ry Zakeo, midîna faingana fa any aminao Aho anio no tsy maintsy miantrano.

6Nidina faingana i Zakeo ary nandray an’i Jesoa tamin-kafaliana. 7Nimonomonona ny olona rehetra nanatrika teo ka nanao hoe:
–Any amin’ny mpanota indray re no amantanany!

8Niato kosa i Zakeo ka niteny tamin’ny Tompo hoe:
–Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako afoiko ho an’ny mahantra; ary izay zavatr’olona azoko am-pitaka, dia honerako inefatra heny!

9Ary hoy i Jesoa taminy:
–Anio ny famonjena dia tafiditra amin’ity trano ity; noho izany ity lehilahy ity koa dia zanak’i Abrahama! 10Fa ny hitady sy hamonjy izay very no nahatongavan’ny Zanak’olona!

vendredi 5 avril 2019

Zoma 05 Aprily 2019 - Jao 12 : 23 - 33

23Dia hoy i Jesoa tamin’izy roa lahy:
–Tonga ny fotoanandro hanomezam-boninahitra ny Zanak’olona. 24Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary latsaka ao amin’ny tany, dia mitoetra irery; raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. 25Izay mandala ny ainy no hahavery azy; fa izay tsy mandala ny ainy eto amin’izao tontolo izao no hitahiry azy ho aina maharitra mandrakizay. 26Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy; ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran’ny mpanompoko. Raha misy olona manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.

27–Ankehitriny, mangorohoro ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Hoe: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’izao ora fijaliana izao? Kanefa ny handalo amin’izao ora fijaliana izao indrindra no nahatongavako. 28Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao!


Tamin’izay dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:
–Efa nomeko voninahitra ny anarako ary mbola homeko voninahitra indray.

29Ny vahoaka izay teo ka nahare, dia nanao hoe:
–Kotro-baratra izany!

Fa hoy ny sasany:
–Anjely no niteny taminy!

30I Jesoa kosa nilaza hoe:
–Tsy ho Ahy no nahatongavan’izany feo izany fa ho anareo. 31Ankehitriny no hanamelohana an’izao tontolo izao; ankehitriny no handroahana ny filohan’izao tontolo izao. 32Ary Izaho, rehefa voasandratra avy eo amin’ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.

33Ny nolazain’i Jesoa tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana efa hihatra aminy. 34Ka hoy ny vahoaka namaly Azy:
–Efa renay tamin’ny bokin’ny lalàna fa maharitra mandrakizay ny Mesia; ka ahoana no ilazanao hoe: tsy maintsy hasandratra ny Zanak’olona? Iza moa izany Zanak’olona izany?

jeudi 4 avril 2019

Alakamisy 04 Aprily 2019 - Asa 13 : 1 - 12

1Nisy mpaminany sy mpampianatra maro tao amin’ny Fiangonana tany Antiôkia: dia i Barnabà, i Simehôna (izay atao hoe Imainty), i Losio avy any Sirena, i Manahema (izay niolo-nono sy niara-nilalao tamin’i Herôda mpanjaka) ary i Saoly. 2Indray andro raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sady nifady hanina ny iray Fiangonana, dia hoy ny Fanahy Masina:
–Atokàny ho Ahy i Barnabà mbamin’i Saoly hanao ny asa izay niantsoako azy.

3Tamin’izay, rehefa nifady hanina sy nivavaka ny iray Fiangonana, dia nametra-tanana tamin’izy roa lahy ary nandefa azy.

4Nirahin’ny Fanahy Masina àry i Barnabà mbamin’i Saoly ka dia nankany Seleosia ary niondrana an-tsambo tao ho any amin’ny nosy Sipra. 5Tonga tao Salamîna izy roa lahy, dia nitory ny tenin’Andriamanitra eran’ny sinagôga fivavahan’ny Jiosy, ary nentiny koa i Jôhany Marka ho mpanampy.

6Namakivaky ny nosy manontolo izy roa lahy mandra-pahatongany tany Pafo. Tao no nahitany mpanao majika atao hoe Barjesoa, lehilahy nihambo ho mpaminany. 7Io Barjesoa io dia niara-nitoetra tamin’i Serzy Paoly, izay governoran’ny nosy Sipra sady lehilahy hendry. Nampiantso an’i Barnabà mbamin’i Saoly ilay governora satria naniry mafy handre ny tenin’Andriamanitra. 8Fa nanohitra azy roa lahy kosa i Barjesoa Elimà, ilay mpanao majîka (fa izany no dikan’ny anarana hoe Elimà), ka nitady hampiverina ilalana an’ilay governora tsy hirosoany amin’ny finoana. 9Tamin’izay i Saoly, atao koa hoe Paoly, dia tonga feno Fanahy Masina ka nibanjina an’i Elimà 10sady nanao hoe:

–Ry ilay andevozin’ny devoly ity! Feno fitaka sy faharatsiana isan-karazany ianao, ary mpanohitra ny marina rehetra nosoritan’Andriamanitra! Mbola te hisompatra foana ny lala-mahitsin’ny Tompo ve ianao? 11Ankehitriny, indro hasian’ny tanan’ny Tompo ianao ka ho jamba tsy hahita ny fahazavan’ny masoandro mandritra ny fotoana voafetra.

Niaraka tamin’izay dia sarona haizina ny mason’i Elimà, ka niraparapa izy nitady olona hitantana azy. 12Nony nahita ny zava-nitranga ilay governora, dia tonga mpino sady talanjona fatratra tamin’ny fampianarana momba ny Tompo.

mercredi 3 avril 2019

Alarobia 03 Aprily 2019 - Eks 12 : 1 - 14

1Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy sy Aharôna tany Ejipta hoe:

2«Ity volana ity aminareo no ho volana voalohany, ka izy no hataonareo fiandohan’ny taona. 3Ambarao amin’ny fiangonana israelita manontolo hoe: Amin’ny fahafolon’ity volana ity dia samia maka zanakondry iray avy isan-trano na isam-pianakaviana. 4Raha vitsy loatra ny iray trano tsy mahalany zanakondry iray, dia hiarahanareo maka amin’ny fianakaviana mifanakaiky aminareo izay araka ny isan’ny olona. Fidionareo ny biby araka izay mety ho lanin’ny tsirairay. 5Zanakondry lahy na zanakosy lahy tsy misy kilema, herintaona, no halainareo. 6Hotehiriziko hatramin’ny andro faha-14 amin’ity volana ity izany, ka ny harivan’io andro io dia samy hamono azy ny fiangonana israelita manontolo. 7Hanalanareo ny rany ka hanosoranareo ny tolam-baravarana roa sy ny tataom-baravarana isan-trano hihinanana azy. 8Atsatsiho amin’ny afo ny hena, ary hano amin’io alina io miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora sy ny anamafaitra. 9Aza haninareo manta na hahandroina ny hena, fa atsatsiho amin’ny afo manontolo miaraka amin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany. 10Aza asiana sisa ho tra-maraina; fa raha misy sisa tavela, dia dory amin’ny afo. 11Ary toy izao no hataonareo rehefa mihinana azy: asio sikina ny akanjonareo, anaovy ny kapanareo ary ataovy an-tanana ny tehinareo, dia hano faingana izany fa Paska ho an’ny TOMPO.

12«Hamakivaky ao amin’ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka hamono ny lahimatoa rehetra ao aminy manomboka amin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hotanterahiko ny didim-pitsarana hamelezana ny andriamanitry ny Ejiptianina rehetra. Izaho no TOMPO. 13Fa ho anareo kosa, ny ra dia ho famantarana ny trano izay itoeranareo; koa raha mahita ny ra Aho, dia handalo fotsiny, ka ny areti-mandringana dia tsy hahazo anareo rehefa mamely an’i Ejipta Aho.

14«Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin’ny alalan’ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalàna raikitra ho anareo izany.

mardi 2 avril 2019

Talata 02 Aprily 2019 - Mar 12 : 1 - 12

1Ary dia fanoharana indray no nitenenan’i Jesoa tamin’ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalàna ary loholona, ka hoy Izy:
–Nisy lehilahy nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana, dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa. 2Nony tonga ny taom-piotazana, dia nanirahany mpiasa ireo mpamboly handray ny ampaham-bokatry ny tanimboaloboka. 3Fa nosamborin’ireo ilay mpiasa dia nokapohiny ary nalefany nody maina. 4Dia nanirahany mpiasa iray hafa indray ireo mpamboly; fa io koa nokapohin’ireo ny lohany sady nalany baràka. 5Dia mbola nanirahany iray hafa indray; fa io kosa novonoiny ho faty. Ary nisy mpiasa maro hafa koa nirahiny, fa ny sasany nokapohin-dry zareo, ary ny sasany novonoiny ho faty. 6Olona iray sisa teo amin’ilay tompon’ny tanimboaloboka, dia ny zanany malalany; ka nirahiny tany koa io nony farany, fa hoy ilay tompon’ny tanimboaloboka hoe: «Hananan’ireo hena-maso ny zanako!» 7Saingy nifampiresaka ireo mpamboly nanao hoe: «Ny mpandova ity, ka ndeha hovonoina, dia ho antsika ny lova.» 8Dia nosamborin’ireo mpamboly izy ka novonoiny ho faty ary natsipiny tany ivelan’ny tanimboaloboka.

9Dia nofaranan’i Jesoa hoe:
–Inona àry no hataon’ilay tompon’ny tanimboaloboka? Ho avy izy ka ny mpamboly haringany ary ny tanimboaloboka homeny olon-kafa. 10Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe:

«Ny vato nolavin’ny mpanao trano
no nanjary vato fehizoro;
11Avy amin’ny Tompo izao,
ary dia zava-mahagaga eto ambany masontsika»?

12Ary nitady hisambotra an’i Jesoa ry zareo, satria nahatsapa ho niantefan’izany fanoharana nataony izany; saingy ny vahoaka no natahorany ka navelany teo i Jesoa fa lasa ry zareo nandeha.

lundi 1 avril 2019

Alatsinainy 01 Aprily 2019 - Heb 10 : 19 - 25

19Koa isika, ry havana, dia manana ny tena fahafahana hiditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra, noho ny ra nafoin’i Jesoa. 20Nanokafany lalana vaovao mitondra amin’ny fiainana isika: dia lalana mamaky eo amin’ny efitra lamba, izany hoe eo amin’ny tenan’i Jesoa. 21Manana Mpisorona lehibe izay mifehy ny tranon’Andriamanitra isika; 22koa aoka isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy amin’ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin’ny fieritreretana vesaran’ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin’ny rano madio ny tenantsika. 23Aoka hohazonintsika mafy tsy azo hozongozonina ny fiekena ny zavatra antenaintsika, satria mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 24Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. 25Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany zatra tsy miangona; mifampirisiha kosa isika, mainka fa hitanareo mihantomotra ilay andro hiavian’ny Tompo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12