vendredi 31 mai 2019

Zoma 31 May 2019 - Sal 11 : 1 - 7

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida.

–Ny TOMPO no fialofako.
Ahoana àry no ilazanareo amiko hoe:
«Mandosira any an-tendrombohitra
toy ny fanaon’ny voronkely ianao?»
2–Jereo ny olon-dratsy fa manenjana tsipîka
sy manandrify zana-tsipîka amin’ny tady
mba hitifitra ao amin’ny maizina ny mahitsy fo.
3Rehefa potika ny fanorenan’ny fiaraha-monina,
inona indray moa no azon’ny olo-marina atao?

4–Ny TOMPO anefa dia ao amin’ny Tempoliny masina
sady eo an-tsezafiandrianany any an-danitra.
Arahiny maso ny olombelona
ka indray mijery dia voatombany.
5Voatomban’ny TOMPO tokoa
ny olo-marina sy ny olon-dratsy
ka hàlany ireto mpankamamy herisetra.
6Aoka ho vainafo sy solifara
no halatsany toa ranonorana
eo an-dohan’ireo olon-dratsy!
Dia tafio-drivotra mahamay
no anjara homeny azy ireo.
7Eny, marina ny TOMPO ka tia fahamarinana;
ary ny mahitsy fo no hifanatri-tava aminy.

jeudi 30 mai 2019

Alakamisy 30 May 2019 - Lio 24 : 50 - 53

50Dia nentin’i Jesoa ivelan’ny tanàna hatrany akaikin’i Betania ireo mpianany, ary nasandrany ny tanany hitso-drano azy rehetra. 51Raha mbola nitsodrano Izy, dia nisaraka taminy sy nakarina ho any an-danitra. 52Ireto mpianany kosa, rehefa nitsaoka Azy, dia niverina tany Jerosalema tamin-kafaliana lehibe, 53ary tsy tapaka nankalaza an’Andriamanitra tao an-kianjan’ny tempoly.

mercredi 29 mai 2019

Alarobia 29 May 2019 - Mat 5 : 17 - 20

17–Aza heverinareo fa hanafoana ny lalànan’i Mosesy mbamin’ny fampianaran’ny mpaminany no nahatongavako. Tsy hanafoana no nahatongavako fa handavorary. 18Eny, lazaiko marina aminareo fa mandra-pahalevon’ny tany amana habakabaka dia tsy hisy ho foana akory amin’ny lalàna, na dia ny zavatra antsipiriany sy zavatra faran’izay madinika indrindra aza, fa ho tanteraka avokoa. 19Koa na iza na iza handika ny anankiray amin’ny didy madinika indrindra sy hampianatra ny olona hanao toy izany, dia ho kely indrindra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; fa na iza na iza hanatanteraka ny didy sy hampianatra ny olona hanao toy izany, dia izy no ho lehibe ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra! 20Eny, lazaiko aminareo fa raha toa tsy tsara kokoa noho ny an’ny mpahay lalàna sy ny Farisianina no anaovanareo ny marina voasoritr’Andriamanitra, dia tsy hiditra any amin’ny Fanjakàn’ny lanitra ianareo.

mardi 28 mai 2019

Talata 28 May 2019 - Rom 6 : 8 - 14

8Raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa: 9ary fantatsika fa tsy maty intsony i Kristy rehefa nitsangana velona avy tany amin’ny maty: tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. 10Satria maty Izy, dia indray mandeha monja, noho ny amin’ny fahotana; ary izao Izy velona izao kosa, dia velona ho an’Andriamanitra. 11Toy izany koa, aoka ianareo hihevitra ny tenanareo ho efa maty raha ny amin’ny fahotana fa velona ho an’Andriamanitra kosa ao amin’i Kristy Jesoa.

12Noho izany àry, dia aoka tsy havela hanjaka ao amin’ny tenanareo mety maty ny fahotana, ka tsy hanaraka ny filàny ianareo. 13Aoka ny zavatra anisan’ny tenanareo tsy hatolotrareo ny fahotana mba ho fiasana hoentiny hanao ny ratsy. Fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo toy ny olona efa maty no velona indray, ary atolory an’Andriamanitra ireo zavatra anisan’ny tenanareo mba ho fiasana hoentiny hanao ny marina. 14Tsy hanan-kery aminareo intsony ny fahotana, noho ianareo tsy eo ambany fahefan’ny lalàna, fa eo ambany fahefan’ny fahasoavana.

lundi 27 mai 2019

Alatsinainy 27 May 2019 - Kol 3 : 1 - 11

1Natsangana ho velona niaraka tamin’i Kristy ianareo. Noho izany, katsaho ny zavatra any ambony, any amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra. 2Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany. 3Fa efa maty ianareo, ka ny fiainanareo dia miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra. 4I Kristy no tena fiainanareo ka rahatrizay hiseho Izy, dia hiara-miseho aminy koa ianareo sady hiray voninahitra aminy.

5Vonoy ireo zavatra etỳ an-tany mangeja ny tenanareo: dia ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny filàndratsy, ny fitsiriritan-dratsy, ary ny fitiavan-karena (fa fanompoan-tsampy ny fitiavan-karena). 6Ireo zavatra ireo no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra hihatra amin’ny olona tsy manaiky an’Andriamanitra. 7Toy izany koa ny fitondrantenanareo fahiny, fony ianareo niaina tao anatin’ireo zavatra ireo.

8Fa ankehitriny kosa, esory avokoa ireto: fahatezerana, fisafoahana, faharatsiam-panahy, fanevatevana, teny maha menatra aloaky ny vavanareo. 9Aza mifandainga ianareo fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany, 10ary efa notafînareo ny toetra vaovao: dia ny toetry ny olona havaozin’Andriamanitra hatrany araka ny endrik’Izy Mpahary azy, mba ho tonga amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra. 11Koa amin’izany, tsy misy ny hoe hafa firenena sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, olona tsy mivoatra na tratra aoriana, mpanompo sy tsy mpanompo; fa i Kristy no zavatra rehetra sady ao aminareo rehetra.

dimanche 26 mai 2019

Alahady 26 May 2019 - Job 1 : 1 - 5

1Nisy lehilahy iray nonina tany amin’ny tany Hotsa, ka nantsoina hoe Jôba. Tsy misy hokianina sady mahitsy ary nanaja an’Andriamanitra izany lehilahy izany ka nifady ny ratsy. 2Nanan-janaka lahy fito sy zanaka vavy telo izy. 3Nanana ondry fito arivo sy rameva telo arivo ary omby arivo sy borikivavy dimanjato mbamin’ny mpanompo marobe koa izy. I Jôba no lehilahy nanan-kaja indrindra tany atsinanan’i Palestinina.

4Fanaon’ireo zanakalahin’i Jôba ny mifandimby mifanasa amin’ny sakafo tsara. Koa nasainy ireo anabaviny telo mba hiaraka mihinana sy misotro aminy. 5Ary rehefa tapi-nihodina ny fanasana, dia nampiantsoin’i Jôba ny zanany mba hodiovina. Dia nifoha maraina be izy ny ampitso ka nanolotra sorona dorana manontolo araka ny isan’izy rehetra; fa hoy Jôba hoe: «Fandrao nanota na nandà an’Andriamanitra tao am-pony ny zanako.» Izany no nataon’i Jôba mandrakariva.

samedi 25 mai 2019

Sabotsy 25 May 2019 - I Jao 4 : 4 - 6

4Rey anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy an’ireny mpaminany sandoka ireny; satria lehibe ny Fanahy Masina izay ao anatinareo noho ny fanahy izay ao amin’izao tontolo izao. 5Ireny mpaminany sandoka ireny dia anisan’izao tontolo izao, ka izany no itenenany zavatra avy amin’izao tontolo izao sy ihainoan’izao tontolo izao azy. 6Fa izahay kosa dia avy amin’Andriamanitra; ka izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino anay, fa izay tsy avy amin’Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny Fanahy fahamarinana sy ny fanahy fahadisoan-kevitra.

vendredi 24 mai 2019

Zoma 24 May 2019 - Lio 16 : 9 - 13

9Ka hoy Aho aminareo mpianatro: ampiasao ny haren’izao tontolo izao hananan-kavana handray anareo any amin’ny fonenana mandrakizay, rehefa tonga ilay andro hamoizana ireny harena ireny. 10Izay mahatoky amin’ny zava-madinika, dia mahatoky koa amin’ny zava-dehibe; ary izay tsy marina amin’ny zava-madinika, dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe. 11Raha tsy azo itokiana amin’ny haren’izao tontolo izao ianareo, iza no hametraka aminareo ny tena harena; 12ary raha tsy azo itokiana amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo ny fananana tena anareo?
13Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa: satria na ny anankiray ho hàlany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an’Andriamanitra no manompo ny harena.

jeudi 23 mai 2019

Alakamisy 23 May 2019 - Rom 4 : 1 - 6

1Inona àry no holazaintsika ho efa notsapan’i Abrahama razambenay Jiosy? 2Raha ny asa vitan’i Abrahama no naneken’Andriamanitra azy ho marina, dia ho nahazo nirehareha i Abrahama. Tsy izany anefa no toe-javatra eo anatrehan’Andriamanitra. 3Fa inona tokoa moa no voalazan’ny Soratra Masina? «Nino an’Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan’Andriamanitra azy ho marina izany!» 4Tsy azo heverina ho fanomezana ny karaman’izay manao ny asa, fa heverina ho toy ny trosa. 5Izay tsy manao asa nefa mino an’ilay Andriamanitra mahatonga ireo ratsy fanahy ho marina, dia izany finoany izany no iheveran’Andriamanitra azy ho marina. 6Toy izany no ilazan’i Davida hoe sambatra ny olona, raha tsy ny asa vitany no iheveran’Andriamanitra azy ho marina:

mercredi 22 mai 2019

Alarobia 22 May 2019 - I Mpa 2 : 1 - 4

1Rehefa hakarin’ny TOMPO any an-danitra ao anatin’ny tadio i Elià, dia niala tao Gilgala niaraka tamin’i Elisà. 2Ary hoy i Elià tamin’i Elisà:
–Mijanòna eto re ianao, fa irahin’ny TOMPO hankany Betela aho.

Fa novalian’i Elisà hoe:
–Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao!

Dia niaraka nankany Betela izy mianaka. 3Fa niainga nankany amin’i Elisà ny andia-mpaminany tao Betela ka nanontany azy hoe:
–Fantatrao va fa anio no hanesoran’ny TOMPO ity mpampianatrao ho lavitry ny tenanao?

Dia hoy ny navaliny azy:
–Eny, fantatro koa izany fa mangina ianareo!

4Ary hoy indray i Elià tamin’i Elisà:
–Mijanona eto re ianao, ry Elisà, fa irahin’ny TOMPO hankany Jerikao aho.

Fa novaliany hoe:
–Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao!

Dia niaraka nankany Jerikao izy mianaka.

mardi 21 mai 2019

Talata 21 May 2019 - Apo 19 : 6 - 8

6Ary nisy hoatra ny feon’olona maro, sy hoatra ny firohondrohon’ny ranobe, ary hoatra ny kotro-baratra mipoaka mafy, reko nanao hoe: «Haleloià! Fa ny Tompo Andriamanitsika, ilay Tsitoha, dia efa nandray ny Fanjakàny! 7Aoka isika hifaly sy hiravo ary hanome voninahitra Azy, satria tonga ny fampakaram-badin’ilay Zanakondry; ary efa niomana ny vadiny, 8ka akanjo madio mangatsakatsaka, natao tamin’ny kiran-drongony madinika, no natolotra hiakanjoany.» (Fa izany akanjo rongony madinika izany dia tandindon’ny asa ara-drariny vitan’ny vahoakan’Andriamanitra).

lundi 20 mai 2019

Alatsinainy 20 May 2019 - Neh 5 : 17 - 19

17Nisy mpanapaka jiosy 150 nisakafo teo amin’ny latabatro, afa-tsy izay vahiny tonga ao aminay avy tamin’ny firenena nanodidina; 18ka ny niantohako namboarina isan’andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, fa indray mandeha isaky ny folo andro no nanaterana divay betsaka aho. Nefa na izany aza dia tsy mba nitaky ny anjara fiveloman’ny governora aho, satria efa navesatra mafy tamin’ny vahoaka ny asa nataony. 19«Mba tsarovy hanasoavana ahy, ry Andriamanitra ô, izay rehetra nataoko ho an’ity firenena ity!»

dimanche 19 mai 2019

Alahady 19 May 2019 - Efe 4 : 17 - 24

17Koa dia izao no lazaiko sy ambarako noho izaho tafaray amin’ny Tompo: aza atao intsony ny fomba fiainan’ny mpanompo sampy, izay manaraka ny hevi-poanany 18sady maizin-tsaina. Olon-ko azy amin’ny fiainam-baovao omen’Andriamanitra ireny, satria tena tsy mahalala sady mafy fo tokoa; 19efa lany henatra mihitsy, ka mivarilavo amin’ny fihetsika tsy maotina sady revo manaram-po amin’ny fahalotoana isan-karazany.

20Tsy mba toy izany kosa no nianaranareo an’i Kristy! 21Fa efa nandre ny aminy tokoa ianareo ary efa norosoana ny fampianarana marina ao amin’i Jesoa, araka ny maha kristianina anareo. 22Noho izany aoka hialanareo ny toetrareo taloha nifandraika tamin’ny fitondrantenanareo fahiny, dia ilay toetra mihasimba noho ny fitaky ny filàndratsy. 23Aoka hohavaozina tanteraka ny fanahinareo sy ny sainareo; 24ary aoka ianareo hitafy ny toetra vaovao, dia ilay toetra noarîna araka an’Andriamanitra, ka asehon’ny fiainana mandala rariny sy masina vokatry ny fampianarana marina.

samedi 18 mai 2019

Sabotsy 18 May 2019 - Deo 24 : 10 -13

8Mitandrema ny amin’ny aretin-koditra isan-karazany, ka imasoy fatratra ny hanatanteraka ny zavatra rehetra hatoron’ireo Levita mpisorona. 9Tsarovy izay nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo tamin’i Miriama teny an-dalana, fony ianareo niala tany Ejipta.

10Rehefa ny namanareo no ampindraminareo zavatra na inona na inona, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy. 11Mijanòna ao alatrano, ary ny lehilahy izay nampindraminareo zavatra no hamoaka ny antoka ho aminareo ao alatrano. 12-13Raha ohatra lehilahy mahantra no manome ny lambany ho antoka, dia aza tananareo miloaka alina io antoka io fa tsy maintsy haverinareo aminy mihitsy rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ka hisaorany anareo. Dia ho asa soa vitanareo izany eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo.

vendredi 17 mai 2019

Zoma 17 May 2019 - II Jao 1 : 1 - 8

1Avy amiko loholona ity taratasy ity. Mamangy anao aho, ry Gaio, hava-malala izay tiako marina tokoa.
2Mangataka amin’Andriamanitra aho, rahavako, mba hambinina amin’ny zavatra rehetra ianao ary mba ho salama tsara, tahaka izay anambinana anao ara-panahy. 3Faly tokoa aho, fony nisy havana iray finoana tonga ka nijoro ho vavolombelona nanambara tamiko fa mifikitra amin’ny hafatra marim-pototra ianao, araka ny efa iainanao an’izany. 4Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny andrenesako fa miaina ny hafatra marim-pototra ireo zanako.

5Asan’olona mahatoky, rahavako, no ataonao na inona na inona tontosainao amin’ny havana iray finoana, na dia vahiny mandalo aza izy. 6Ireo no nanambara teo anatrehan’ny Fiangonana izany fitiavanao izany. Dia ho soa no hataonao, raha manatitra sy mamatsy azy ireo amin’ny diany ianao, araka izay fomba mendrika an’Andriamanitra; 7fa ho voninahitr’i Kristy no niaingan’ireo sady tsy anekeny handray na inona na inona avy amin’ny tsy kristianina. 8Koa isika no tokony hanohana ny olona toy ireny mba ho mpiara-miasa aminy hampiely ny hafatra marim-pototra.

jeudi 16 mai 2019

Alakamisy 16 May 2019 - Oha 4 : 20 - 27

20Anaka, tandremonao ny teniko
ka henoy tsara izay lazaiko.
21Imasoy hatrany ireo
ary tehirizo ao am-ponao.
22Fa aina ho an’izay mandray azy tokoa ireo
ary fahasalamana ho an’ny tenany manontolo.
23Tandremo izay eritreretin’ny fonao
fa izany no iankinan’ny fiainanao.
24Ambeno tsy hiteny lainga ny vavanao
na hilaza fitaka ny molotrao.
25Aoka hifantoka amin’ny olona ny masonao
ka hibanjina tsara eo anoloanao.
26Savao lalana ny tongotrao;
aoka ho azo antoka avokoa ny famindranao.
27Aza mivily miankavanana na miankavia;
halaviro ny tongotrao ny ratsy.

mercredi 15 mai 2019

Alarobia 15 May 2019 - Gen 6 : 9 - 19

9Izao no tantaran’i Noà: i Noà dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny tamin’ireo mpiara-belona taminy, fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra. 10Telo lahy ny naterak’i Noà, dia i Sema sy i Hama ary i Jafeta.

11Teo anatrehan’Andriamanitra dia efa nihalò ny mponin’ny tany sady feno herisetra. 12Nijery Izy ka indro feno fahalovana ny tany, satria ny olombelona rehetra tambonin’ny tany no efa nanimba ny fitondrantenany avy. 13Dia hoy Andriamanitra tamin’i Noà: «Tapa-kevitra aho handringana ny olombelona. Fa noho ny aminy dia feno herisetra ny tany, koa hofongorako eto an-tany izy. 14Noho izany, manaova fiara ho anao, mitovy amin’ny sambo lehibe vita amin’ny hazo kipreso, dia asio efitrefitra ka hosory dity ao anatiny sy eo ivelany. 15Izao no hanaovanao azy: 150 metatra ny halavany, 25 metatra ny sakany ary 15 metatra ny haavony. 16Tafoy izy, ka asio elanelany antsasa-metatra eo amin’ny tafo sy ny rindrin-kazo; voleo varavarana amin’ny lafiny iray, ary asio rihana telo ny sambofiara. 17Indro Aho hahatonga safo-drano lehibe mba hamongorana izay rehetra manana aina atỳ ambany lanitra, ka ho levona avokoa izay rehetra eny ambonin’ny tany. 18Fa hajoroko kosa ny fanekempihavanako aminao, ka hiditra ao amin’ny sambofiara ianao sy ny vadinao mbamin’ireo zanakao lahy sy ny vinantovavinao. 19Itondray tsiroaroa avy ny zava-mananaina rehetra isan-karazany, dia lahy sy vavy; ka ampidiro ao an-tsambofiara mba hovelomina miaraka aminao. 20Ny vorona isan-karazany ary ny biby hafa rehetra isan-karazany eto an-tany, na lehibe na kely, no hankeo aminao tsiroaroa mba hovelomina. 21Ianao kosa, maka amin’ny karazan-tsakafo rehetra mety ho fihinana, ka angony eo aminao mba ho sakafonao sy ho sakafon’izy ireo koa.» 22Dia notanterahin’i Noà izany; ka araka izay rehetra efa nandidian’Andriamanitra azy no nataony.

mardi 14 mai 2019

Talata 14 May 2019 - Gal 5 : 1 -6

1Hahazo ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; koa mijoroa amin’izany, fa aza mety hogiazan’ny zioga maha mpanompo indray. 2Indro fa izaho Paoly no miteny aminareo: raha manaiky hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza i Kristy. 3Ary ambarako indray amin’ny olona rehetra manaiky hoforana fa manana adidy hahatanteraka ny lalàna manontolo izy. 4Tafasaraka amin’i Kristy ianareo miezaka ho marina eo imason’Andriamanitra amin’ny fanoavana ny lalàna; miendaka amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo. 5Isika kosa dia matoky fa Andriamanitra no mahatonga antsika ho marina eo imasony; izany no andrasantsika ho vokatry ny finoantsika noho ny asan’ny Fanahy Masina. 6Fa ho an’izay tafaray amin’i Kristy Jesoa, tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora no tena zavatra fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana.

lundi 13 mai 2019

Alatsinainy 13 May 2019 - Isa 56 : 1 - 5

1Izao no lazain’ny TOMPO:
«Tandremo ny rariny ka manaova ny marina,
satria akaiky ho tonga ny famonjeko
ary efa hiharihary ny fanafahako.
2Sambatra ny olona manatanteraka izay lazaiko
sy mifikitra mafy amin’izany,
ka mitandrina ny sabata fa tsy manimbazimba azy,
ary mitandrina ny tanany tsy hanao ratsy.»

3Aoka ny hafa firenena efa miraiki-po amin’ny TOMPO
tsy hanao anakampo hoe:
«Hoesorin’ny TOMPO tokoa aho
tsy ho anisan’ny vahoakany.»
Ary aoka ny eonòka tsy hanao anakampo hoe:
«Indro efa hazo maina aho.»
4Satria izao no lazain’ny TOMPO:
«Ny eonòka mitandrina ny sabatako
ka mifidy ny hanao izay sitrako
sy mifikitra mafy amin’ny fanekempihavanako,
5dia hanokanako takela-bato misy ny anarany
eo amin’ny rindrin’ny tempoliko.
Izany no tsara kokoa ho azy
noho ny zanakalahy sy zanakavavy maro.
Hampitoeriko eo mandrakizay ny anarany
ka tsy hisy na inona na inona hahakosoka azy.»

jeudi 9 mai 2019

Alakamisy 09 May 2019 - Jer 7 : 1 - 7

1Nisy baiko avy amin’ny TOMPO tonga tamin’i Jeremià ka nandidy azy 2hitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’ny TOMPO sy hiantsoantso izao hafatra izao: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo olon’i Joda rehetra izay miditra amin’ity vavahady ity mba hivavaka amin’ny TOMPO. 3Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Ataovy tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo, dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo. 4Aza miantehitra amin’ny teny fitaka hoe: ‹Eto no tempolin’ny TOMPO, eto no tempolin’ny TOMPO, eto tokoa no tempolin’ny TOMPO!› 5Fa ahitsio tsara ny fitondrantena sy ny fanaonareo: anaovy fitsarana ara-drariny ny adin’ny olona eo amin’ny fitsarana, 6aza mitsentsitra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, atsaharo ny famonoana ny tsy manan-tsiny eto sy ny fifikirana amin’ny andriamani-kafa izay mahatonga loza ho anareo. 7Fa hamponeniko eto ianareo, dia eto amin’ity tany ity izay efa nomeko ny razanareo hatry ny ela ka ho mandrakizay.

mercredi 8 mai 2019

Alarobia 08 May 2019 - Jao 3 : 17 - 21

17Andriamanitra manko tsy naniraka ny Zanany ho eto amin’izao tontolo izao, mba hanameloka an’izao tontolo izao, fa mba hamonjy an’izao tontolo izao amin’ny alalany. 18Izay mino ny Zanaka dia tsy helohina; fa izay tsy mino koa dia efa voaheloka rahateo, noho izy tsy nino ny Zanaka lahitokan’Andriamanitra. 19Ary izao no anton’ny fanamelohana: efa tonga tamin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. 20Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny fahazavana sady tsy manatona ny fahazavana, fandrao hita miharihary ny asa ratsiny. 21Izay manao ny marina kosa dia manatona ny fahazavana, mba hiseho fa notontosaina araka an’Andriamanitra ny asany.

mardi 7 mai 2019

Talata 07 May 2019 - Sal 119 : 113 - 120

113Hàlako ny olona miroa saina,
fa ny lalànanao kosa no tiako.
114Ianao no fiereko sy ampingako;
ny teninao no antenaiko.
115Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy,
hanarahako ny didin’Andriamanitra.
116Tohàny araka ny fampanantenànao aho ho velona;
aoka tsy hataonao diso fanantenana!
117Tohàny hatrany aho mba ho voavonjy;
ny lalànanao no firavoako lalandava.
118Izay rehetra miala amin’ny lalànanao aetrinao,
satria ny lainga no teti-dratsy ao an-tsainy.
119Ny olon-dratsy eran-tany taim-by fanarinao:
izany no itiavako ny baikonao.
120Mihorohoro ny nofoko noho ny aminao,
fa atahorako tokoa ny fitsipikao.

lundi 6 mai 2019

Alatsinainy 96 May 2019 - II Pet 1 : 16 - 21

16Tsy angano tsara lahatra no narahinay, raha nampahafantatra anareo ny hery nampombana ny fiavian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa tena nahita maso ny fiandrianany izahay. 17Eny, nahazo haja amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray i Jesoa, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin’Andriamanitra be voninahitra indrindra nanao hoe: «Ity no Zanako Malalako; Izy no sitrako.» 18Renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka tamin’i Jesoa tany an-tendrombohitra masina izahay.

19Ary mafy orina kokoa ho antsika ny tenin’ireo mpaminanin’Andriamanitra; ka tsara raha ifantohanareo izany toy ny ifantohanareo amin’ny jiro mamiratra anaty toerana maizimaizina, mandra-pahazàvan’ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro ao am-ponareo. 20Izao anefa voalohany indrindra no tsara ho fantatrareo: ny fivoaboasana ny teny faminaniana rehetra raketin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany; 21satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona, fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona izay nentanin’ny Fanahy Masina.

dimanche 5 mai 2019

Alahady 05 May 2019 - II Sam 22 : 21 - 19

21Soa no ataon’ny TOMPO ahy satria marina aho;
izany no avaliny ahy satria madio ny toetrako,
22fa voatandriko ny sori-dalan’ny TOMPO
ary tsy ivadihako ilay Andriamanitro;
23ankatoaviko avokoa ny fitsipiny
ary tsy mba ialako ireo didiny.
24koa tsy manan-tsiny aho aminy
fa nitandrin-tena tsy ho diso.
25Eny, soa tokoa no navalin’ny TOMPO ahy
satria marina aho sy hitany madio toetra.

26TOMPO ô, mahatoky Ianao
amin’izay matoky Anao;
tsy manan-tsiny koa Ianao
amin’izay tsy manan-tsiny;
27madio Ianao amin’izay madio,
miolakolaka kosa amin’izay mpiolikolika.
28Ianao mihitsy no mamonjy ny vahoaka ory,
fa mampitanondrika an’ireo mpiavonavona.
29TOMPO ô, jiro mirehitra ho ahy Ianao;
eny, TOMPO ô, Ianao no manazava izany haiziko.

samedi 4 mai 2019

Sabotsy 04 May 2019 - Rom 14 : 13 - 18

13Aoka mba tsy hifampitsara intsony àry isika. Fa aoka ianareo ho tapa-kevitra hanao izay tsy hahasolafaka ny namana amin’ny ratsy na izay tsy hitaomana azy amin’ny fahotana. 14Tafaray amin’i Jesoa Tompo aho ka fantatro ary azoko antoka fa tsy misy zavatra maloto fotsiny amin’izao, fa izay heverin’ny olona ho maloto no maloto aminy. 15Raha miteraka alahelo ho an’ny namanao ny fihinananao zavatra, dia tsy mizotra araka ny fitiavana intsony ianao. Aza simbànao amin’ny fihinananao zavatra ilay namanao fa efa maty i Kristy ho famonjena azy. 16Aoka tsy hampiteny ratsy ny sasany izay heverinao ho soa ho anao. 17Fa tsy izay mihinana na misotro no manana ny Fanjakàn’Andriamanitra, fa izay manao ny marina sy mikatsaka fiadanana ary mifaly ao amin’ny Fanahy Masina. 18Ka izay manompo an’i Kristy araka izany no sitrak’Andriamanitra sady ankatoavin’ny olombelona.

vendredi 3 mai 2019

Zoma 03 May 2019 - Mal 3 : 16 - 18

16Toy izany no nifampiresahan’ireo manaja ny TOMPO. Dia nihaino tsara ny TOMPO ka nandre izany. Nisy firaketana an-tsoratra teo anatrehan’ny TOMPO an’ireo manaja Azy sy mankamamy ny anarany. 17Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe:

–Amin’ny andro izay hotendreko dia ho raki-tsoa fananako ireo olona ireo. Ary hitsimbina azy Aho toy ny fitsimbin-dray ny zanany izay manompo azy. 18Ka dia ho hitanareo indray ny fahasamihafan’ny olo-marina sy ny olon-dratsy, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.

jeudi 2 mai 2019

Alakamisy 02 May 2019 - Zef 2 : 1 - 3

1Mandiniha ka mieritrereta,
ry vahoaka lany henatra,
2dieny ianareo tsy mbola tonga toy ny akofa
izay miely indray andro monja,
dieny tsy mbola mahazo anareo
ny afom-pahatezeran’ny TOMPO,
ary dieny tsy mbola tonga aminareo
ny andro hirehetan’izany.
3Mitadiava ny TOMPO ianareo rehetra,
ry mpanetry tena eto amin’ny tany
sady mpanatanteraka ny fitsipiny.
Manaova ny marina,
manetre tena eo anatrehan’ny TOMPO.
Angamba ho voatsimbina ihany ianareo
amin’ny androm-pahatezerany.

mercredi 1 mai 2019

Alarobia 01 May 2019 - I Jao 1 : 5 - 7

5Izao no hafatra renay tamin’i Jesoa Kristy, ka mba ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy mba misy haizina akory ao aminy. 6Raha milaza ho manam-piombonana amin’Andriamanitra isika, nefa miaina ao amin’ny haizina, dia mandainga sady tsy manatanteraka ny hafatra marim-pototra. 7Andriamanitra dia ao amin’ny mazava: ka raha miaina ao amin’ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny karazam-pahotana rehetra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12