lundi 30 septembre 2019

Alatsinainy 30 Septambra 2019 - Eze 20 : 39 - 44

 39Ary ny aminareo Israelita kosa dia izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Samia miroso manompo ny sampiny avy ianareo! Nefa any aoriana any dia hankatò Ahy mihitsy ianareo, ary tsy hanimbazimba ny anarako masina intsony amin’ny fanolorana fanatitra ho an’ny sampinareo. 40Fa teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izao: ny Israelita rehetra eo amin’ny tany dia hanao fanompoam-pivavahana Amiko eo an-tendrombohitra voatokana ho Ahy, dia ilay tendrombohitra avo any Israely. Eo no handraisako tsara anareo sy hiangaviako hitondranareo izay rehetra voatokanareo ho Ahy, dia ny fanomezana sy fanatitra amin’izay tsara indrindra anananareo. 41Miaraka amin’ny sorona manetona hanitra ankasitrahiko no handraisako tsara anareo, rehefa havoakako avy eo anivon’ny firenen-kafa ianareo sy hovoriko avy any amin’ny tany izay nampielezako anareo. Ka ny hataoko aminareo no hanehoako ny maha Andriamanitra Masina Ahy eo imason’ny firenen-kafa. 42Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO, rehefa tafaveriko ao amin’ny tanin’i Israely izay nianianako homeko ny razanareo. 43Ao ianareo no hisaintsaina ny fitondrantenanareo tamin’ny lasa sy ireo asa nampahaloto anareo. Haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra efa nataonareo. 44Tsy araka ny toe-dratsinareo sy ny asa tsy mendrika nataonareo no havaliko anareo, ry Israelita, fa mba ho fitandroako ny lazako. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»

dimanche 29 septembre 2019

Alahady 29 Septambra 2019 - Heb 12 : 25 - 29

25Mitandrema àry! Aza manentsin-tadîny amin’izay miteny aminareo. Fa raha tsy afa-nandositra ireo nanentsin-tadîny tamin’ilay nilaza hafatr’Andriamanitra taminy teto an-tany, mainka fa isika raha miala amin’Ilay miteny amintsika avy any an-danitra. 26Ny feony dia nanozongozona ny tany fahizay; ankehitriny kosa dia mbola mampanantena antsika Izy manao he: «Hohozongozoniko indray mandeha koa, tsy ny tany ihany, fa ny habakabaka koa.» 27Ny hoe «indray mandeha koa» dia manambara fa hohozongozonina sady hovana ny zavaboaary, mba haharetan’izay zavatra tsy azo hozongozonina.

28Aoka àry isika hahay misaotra an’Andriamanitra noho isika mandray Fanjakana tsy azo hozongozonina. Izany fahaiza-misaotra Azy izany dia aoka hasehontsika amin’ny fanompoana sitrak’Andriamanitra, fanompoana ombàm-panajana sy fahatahorana; 29fa ilay Andriamanitsika dia afo mandevona

samedi 28 septembre 2019

Sabotsy 28 Septambra 2019 - Jao 15 : 1 - 8

1–Izaho no tena voaloboka; ary ny Raiko no mpamboly. 2Ny sampana rehetra izay tafaray amiko nefa tsy mamokatra dia esorin’ny Raiko; ary ny sampana rehetra izay mamokatra kosa, dioviny mba hamokatra bebe kokoa. 3Madio izao ianareo noho ny teny izay nolazaiko taminareo. 4Aoka hiray amiko hatrany ianareo toy ny iraisako aminareo. Ny sampana tsy afa-mamokatra ho azy raha tsy miray amin’ny voaloboka hatrany; dia toy izany koa ianareo: tsy afa-mamokatra, raha tsy miray amiko hatrany. 5Izaho no voaloboka; ianareo no sampana. Izay miray amiko hatrany, toy ny iraisako aminy, no mamokatra be; satria raha misaraka amiko ianareo, dia tsy afa-manao na inona na inona. 6Raha misy olona tsy miray amiko hatrany, dia ariana any ivelany tahaka ny sampana izy, ka mihamaina; ary angonina ireo sampana maina ka atsipy ao anaty afo, dia may. 7Raha miray amiko hatrany ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay zavatra tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. 8Ny ahazoan’ny Raiko voninahitra, dia ianareo mamokatra be sady tonga mpianatro.

vendredi 27 septembre 2019

Zoma 27 Septambra 2019 - II Kor 8 : 1 - 5

1Tianay hampahafantarina anareo, ry havana, ny fahasoavana nomen’Andriamanitra tao amin’ireo Fiangonana any Masedônia. 2Voasedra mafy tamin’ny fahoriana nahazo azy ny mpino, kanefa lehibe tokoa ny hafaliany ary nahafoy mihitsy izy ireo tamin’ny famoriam-bola, na dia tena mahantra aza. 3Vavolombelona nahita aho fa nanome araka izay zakany ry zareo, eny mihoatra noho izay zakany aza; nahim-pony 4no niangaviany mafy taminay mba hahazo tombon-tsoa handray anjara amin’ny fanasoavana ny vahoakan’Andriamanitra any Jodea. 5Nanao mihoatra noho izay nantenainay izy ireo, fa nanolo-tena ho an’ny Tompo aloha, ary ho anay koa noho ny sitrapon’Andriamanitra.

jeudi 26 septembre 2019

Alakamisy 26 Septambra 2019 - Jao 15 : 1 - 8

1–Izaho no tena voaloboka; ary ny Raiko no mpamboly. 2Ny sampana rehetra izay tafaray amiko nefa tsy mamokatra dia esorin’ny Raiko; ary ny sampana rehetra izay mamokatra kosa, dioviny mba hamokatra bebe kokoa. 3Madio izao ianareo noho ny teny izay nolazaiko taminareo. 4Aoka hiray amiko hatrany ianareo toy ny iraisako aminareo. Ny sampana tsy afa-mamokatra ho azy raha tsy miray amin’ny voaloboka hatrany; dia toy izany koa ianareo: tsy afa-mamokatra, raha tsy miray amiko hatrany. 5Izaho no voaloboka; ianareo no sampana. Izay miray amiko hatrany, toy ny iraisako aminy, no mamokatra be; satria raha misaraka amiko ianareo, dia tsy afa-manao na inona na inona. 6Raha misy olona tsy miray amiko hatrany, dia ariana any ivelany tahaka ny sampana izy, ka mihamaina; ary angonina ireo sampana maina ka atsipy ao anaty afo, dia may. 7Raha miray amiko hatrany ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay zavatra tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. 8Ny ahazoan’ny Raiko voninahitra, dia ianareo mamokatra be sady tonga mpianatro.

mercredi 25 septembre 2019

Alarobia 25 Septambra 2019 - I Kor 6 : 1 - 11

1Raha misy aminareo manana fifanolanana amin’ny havana kristianina, ahoana no dia ahasahiany mangataka fitsarana amin’ny olona tsy mpino fa tsy amin’ny vahoakan’Andriamanitra? 2Sa tsy fantatrareo ve fa ny vahoakan’Andriamanitra no hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia tsy mendrika anareo ve ny fitsarana izay raharaha madinika indrindra. 3Tsy fantatrareo ve fa hitsara anjely aza isika? Mainka fa izay raharaha momba izao fiainana izao! 4Koa raha zavatra momba izao fiainana izao no ilanareo fitsarana, dia olona ivelan’ny Fiangonana ve no tendrenareo ho mpitsara? 5Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay ve tsy misy olon-kendry na dia anankiray aza eo aminareo mba afaka handamina ny fifanolanan’ny samy kristianina? 6Sady kristianina ve dia hanana ady amina kristianina ary izay indray tsaraina eo anatrehan’ny tsy mpino?

7Efa tena mikorosy fahana ianareo matoa misy fifanolanana samy ianareo. Tsy aleonareo ve mizaka ny tsy rariny? Tsy aleonareo ve miaritra ny fanambakana? 8Kanefa dia ianareo indray no manao ny tsy rariny sy manambaka, ary dia ny havanareo iray finoana ihany no anaovanareo izany. 9Tsy fantatrareo ve fa tsy hanana anjara amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra ny mpanao ratsy. Aza mety hofitahina ianareo! Fa na ny mpijangajanga, na ny mpanompo sampy, na ny mpaka vadin’olona, na ny maloto fihetsika, na ny mpifampila samy lehilahy, 10na ny mpangalatra, na ny mpitia harena, na ny mpidoroka, na ny mpanendrikendrika, na ny mpanao an-keriny, dia samy tsy hanana anjara amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra. 11Tahaka izany taloha ny sasany taminareo; saingy efa voasasa ho afaka tamin’ny fahotana ianareo, efa voatokana ho an’Andriamanitra ary efa nekeny ho marina tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’ilay Andriamanitsika.

mardi 24 septembre 2019

Talata 24 Septambra 2019 - I Tan 28 : 9 - 10

9«Ianao kosa, ry Salômôna zanako, fantaro ilay Andriamanitra notompoin’ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy mazoto; fa ny TOMPO dia mpandinika ny fon’ny olona rehetra ary mpahafantatra ny fieritreretana rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay. 10Indro efa nofidin’ny TOMPO ianao izao mba hanorina tempoly ho Toeramasiny; dia mahereza ka mahefà.»

lundi 23 septembre 2019

Alatsinainy 23 Septambra 2019 - Sal 99 : 1 - 9

1Ny TOMPO no mpanjaka,
hany ka mangovitra ireo vahoaka.
Ambony kerobima ny sezafiandrianany,
hany ka mihorohoro ny tany.
2Lehibe ao Tsiôna ny TOMPO,
avo ambonin’ny firenena rehetra Izy.
3Aoka ireo hidera ny anaranao
izay lehibe sy mampitolagaga,
satria masina tokoa Ianao!
4Ry mpanjaka mahery sy tia rariny ô,
Ianao no nampiorina ny hitsiny
sady niantoka ny rariny sy ny fitsarana
teo amin’ny taranak’i Jakôba.

5Asandrato ny TOMPO Andriamanitsika;
Izy no masina ka iankohofy
eo anoloan’ny fitoeran-tongony.

6I Mosesy sy i Aharôna tamin’ireo mpisorony
ary i Samoela tamin’ireo mpivavaka aminy
dia samy niantso vonjy taminy ka novaliany.
7Tao anaty andry rahona ny Tompo
no niteny tamin’ny vahoakany;
dia nankatoavin’ireo ny baikony
mbamin’ny fitsipika nomeny azy.

8TOMPO Andriamanitray ô,
Ianao mihitsy no mamaly azy;
fa Andriamanitra nahari-po taminy Ianao,
nefa kosa nanafay azy noho ny ratsy nataony.

9Asandrato ny TOMPO Andriamanitsika;
eny, masina ny TOMPO Andriamanitsika
ka iankohofy eo an-tendrombohiny masina.

dimanche 22 septembre 2019

Alahady 22 Septambra 2019 - Rom 12 : 1 - 2

1Ry havana, satria efa nanehoan’Andriamanitra ny hatsaram-pony isika, dia manainga anareo aho, mba samy hanolotra ny tenanareo ho sorona velona, voatokana ho an’Andriamanitra sady ankasitrahany. Izany no fanompoam-pivavahana tokony hataonareo. 2Aza miray lasitra amin’izao tontolo izao; fa meteza hovan’Andriamanitra ka hihavao saina tanteraka, mba hahaizanareo mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra: dia izay tsara sy ankasitrahiny ary lavorary.

samedi 21 septembre 2019

Sabotsy 21 Septambra 2019 - Eks 15 : 11 - 13

11TOMPO ô, iza moa no andriamanitra tahaka Anao?
Iza no malaza amin’ny fahamasinana tahaka Anao,
mahatahotra, mendri-piderana,
afaka manao zava-mahagaga?
12Nahinjitrao ny tananao ankavanana,
dia natelin’ny tany ireny.
13Tarihinao amin’ny fitiavanao
ny vahoaka izay navotanao.
Amin’ny herinao no itondranao azy
ho amin’ny fonenany masina.

vendredi 20 septembre 2019

Zoma 20 Septambra 2019 - Tit 1 : 5 - 9

5Navelako tany Kreta ianao mba handaminanao izay mbola tokony halamina ary mba hanendrenao loholom-piangonana isan-tanàna, araka ny fepetra nomeko anao: 6ny loholona dia tokony ho lehilahy tsy manan-tsiny, tsy mampirafy; ary ny zanany dia tokony ho mpino, tsy azo ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra. 7Eny, ny mpitondra Fiangonana dia mpandraharaha ny asan’Andriamanitra, ka tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpidoroka, tsy mahery vaika, tsy maloto fila harena; 8tokony hahay mandray vahiny, hankamamy ny toetra tsara, hahafehy tena, ho tia rariny, ho masina, hahonon-tena; 9ary tokony hitana mafy ny hafatra azo antoka mifanaraka amin’ny foto-pampianarana. Amin’izay, ny mpitondra Fiangonana dia ho afaka hampirisika momba ny fampianarana tsy misy tomika sady handresy lahatra ireo mpanohitra izany.

jeudi 19 septembre 2019

Alakamisy 19 Septambra 2019 - I Kor 5 : 1 - 5

1Re laza hatraiza hatraiza ankehitriny fa misy fanambadiana mifotitra ao aminareo, dia fanambadiana mifotitra mahatsiravina izay tsy fahita na dia any amin’ny hafa firenena akory aza: misy anankiray aminareo manambady renikely. 2Nefa ianareo mbola mirehareha ihany. Tsy tokony ho feno alahelo ve ianareo, ka ilay lehilahy namoafady nahavita izany dia ho nakifakareo tsy ho eo aminareo? 3-4Fa izaho, na dia lavitra anareo am-batana aza, dia akaikinareo am-panahy; ka tamin’ny anaran’i Jesoa Tompontsika no nitsarako sahady an’ilay namoa-tsampona. Raha hivory ianareo ka ho tafaraka aminareo am-panahy aho, dia homba antsika ny herin’i Jesoa Tompontsika: 5koa atolory an’i Satàna izany lehilahy izany, mba horavana ny maha olona mpanota azy ka hovonjena ny fanahiny amin’ilay andro hiavian’ny Tompo.

mercredi 18 septembre 2019

Alarobia 18 Septambra 2019 - Jao 4 : 19 - 24

19Dia hoy ravehivavy taminy:
–Hitako, Tompoko, fa mpaminany Ianao! 20Ireo razanay Samaritanina dia nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity; fa ianareo Jiosy kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy ivavahana.

21Fa izao no tenin’i Jesoa taminy:
–Minoa Ahy ianao, ramatoa! Avy ny andro izay tsy hivavahana amin’ny Ray eto amin’ity tendrombohitra ity na any Jerosalema intsony. 22Ianareo Samaritanina dia mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; fa izahay Jiosy kosa mivavaka amin’izay fantatray, satria mipoitra avy amin’ny Jiosy ny famonjena. 23Kanefa, ho an’ireo tena mpivavaka, dia avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hivavahany amin’ny Ray araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina; satria ny mpivavaka aminy araka izany no tadiavin’ny Ray. 24Andriamanitra dia Fanahy, ary ny mpivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina.

mardi 17 septembre 2019

Talata 17 Septambra 2019 - Mat 5 : 21 - 24

21–Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: «Aza mamono olona»; ary izay mamono olona dia mendrika hatolotra ny fitsarana! 22Izaho koa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin’ny namana iray finoana dia mendrika hatolotra ny fitsarana isan-tanàna; izay hanao ny namana iray finoana hoe: misy kely, dia mendrika hatolotra ny Fitsarana ambony; izay hanao azy hoe: foka, dia mendrika havarina any amin’ny lohasahan’afo. 23Koa raha manolotra ny fanatitrao amin’Andriamanitra eo amin’ny alitara ianao ary eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny namanao iray finoana, 24dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha mihavana amin’ilay namanao; izay vao miverina manolotra ny fanatitrao.

lundi 16 septembre 2019

Alatsinany 16 Septambra 2019 - Lio 1 : 67 - 80

67Feno ny Fanahy Masina i Zakarià, rain’ny zazakely, ka nilaza faminaniana toy izao:

68–Hisaorana anie ny Tompo, Andriamanitr’i Israely,
noho Izy namangy sy nanavotra ny vahoakany!
69Mpamonjy mahery ho antsika no najorony
avy amin’ny taranak’i Davida mpanompony,
70araka ny efa nambarany hatramin’ny fahagola
tamin’ny alalan’ireo mpaminany masina:
71dia Mpamonjy hanafaka antsika amin’ny fahavalontsika
sy amin’ny tanan’ireo mpankahala rehetra.
72Namindra fo tamin’ny razantsika Andriamanitra
sady nahatsiaro ilay fanekempihavanana masina
73mbamin’ilay fianianana izay nataony
tamin’i Abrahama razantsika:
74dia ny hanala antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika,
ary ny hamela antsika hanompo Azy tsy amin-tahotra,
75fa amin-toetra masina sy marina eo anatrehany
mandritra ny andro rehetra iainantsika.
76Ary ianao kosa, anaka,
dia hatao hoe mpaminanin’ny Avo indrindra,
fa hialoha ny Tompo ianao
mba hamboatra ny lalany;
77ny vahoakany hampahalalainao ny famonjena,
ka hahafantatra fa voavela ny helony.
78Mangoraka sy mamindra fo ilay Andriamanitsika,
koa masoandro miposaka avy any ambony no hamangy antsika
79mba hanazava an’ireo mihitsoka amin’ny maizina
sy amin’ny aloky ny fahafatesana,
ary mba hitarika ny diantsika
hizotra mankany amin’ny fiadanana.

80Nitombo sy nihanahery ilay zaza, ary nitoetra tany an-taniefitra mandra-pisehony tamin’ny vahoaka Israely.

dimanche 15 septembre 2019

Alahady 15 Septambra 2019 - Amo 5 : 21- 27

21«Hàlako, maharikoriko Ahy ny fety fivahiniananareo;
ary tsy sitrako ny fivoriam-pivavahanareo.
22Na dia anateranareo sorona dorana manontolo
sy fanatitra hohanina aza Aho,
dia tsy hankasitrahiko izany;
ary tsy hojereko akory ny zanak’omby matavy
aterinareo ho sorom-pihavanana.
23Halaviro Ahy ny finaonaonan’ny hiranareo;
tsy tiako hohenoina ny feon-dokanganareo.
24Aoka ny rariny hikoriana toy ny rano
ary ny fahamarinana ho tahaka ny renirano tsy mety ritra!
25Ry taranak’i Israely,
moa nanolotra sorona sy fanatitra ho Ahy ve ianareo
nandritra ny efapolo taona tany an-taniefitra?
26Ary nentinareo ve ny sarin’i Sikota, ilay sampy mpanjakanareo,
sy ny sarin’i Kiona, ilay kintana andriamanitrareo,
izay samy sary nataonareo ho anareo? Tsia!
27Koa halefako ho babo any ambadika lavitr’i Damasy ianareo.
Izaho TOMPO no miteny izany;
ilay Andriamanitr’izao rehetra izao no anarako.»

samedi 14 septembre 2019

Sabotsy 14 Septambra 2019 - Sal2 : 10 - 12

10Koa misehoa ho hendry, ianareo mpanjaka;
ary minoa anatra, ry mpitsara ny tany.
11-12Tompoy amin-tahotra ny TOMPO
ary ekeo amin-kovitra ny fahefàny,
fandrao hirehitra tampoka ny hatezerany
ka ho fatin’ny fikasanareo ianareo.
Sambatra izay rehetra mialoka aminy.

vendredi 13 septembre 2019

Zoma 13 Septambra 2019 - Lio 10 : 38 - 42

38Raha mbola nandeha ry i Jesoa sy ny mpianany, dia niditra tao amin’ny tanàna anankiray i Jesoa ka izay vehivavy atao hoe Marta izay no nampiantrano Azy. 39I Marta dia nanan-drahavavy antsoina hoe Maria. Naka toerana teo an-tongotry ny Tompo i Maria ka nihaino ny teniny. 40Fa i Marta kosa sahirana tamin’ny raharaha isan-karazany; dia niato izy ka nanao hoe:
–Moa tsy mampaninona Anao ve, ry Tompo, izao amelan’ny rahavaviko ahy hanao raharaha irery izao? Mba asaovy manampy ahy re izy!

41Fa novalian’ny Tompo hoe:
–Marta, Marta, maro ahina sy be herehina loatra ianao, 42nefa zavatra iray ihany no ilaina; ka i Maria no efa nifidy ny anjara soa indrindra, izay tsy halana aminy.

jeudi 12 septembre 2019

Alakamisy 12 Septambra 2019 - Fil 2 : 12 - 18

12Koa amin’izany, ry hava-malalako, efa nanaiky ahy mandrakariva ianareo fony aho teo aminareo, fa vao mainka tokony hanaiky ahy bebe kokoa ianareo ankehitriny amin’izao tsy maha eo ahy izao. Miasà amin-tahotra sy hovitra hahatomombana ny famonjena anareo; 13satria miasa ao anatinareo hatrany Andriamanitra hahatonga anareo hikasa sy hahatanteraka izay mifanaraka amin’ny safidim-pony.

14Amin’izay rehetra atao, dia aza asiana fimonomononana sy fisalasalana, 15mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia ho zanak’Andriamanitra tsy misy kilema eo afovoan’ny olo-meloka sady maditra. Eo afovoan’ireo olona ireo, dia tokony hamirapiratra toy ny kintana eny an’habakabaka ianareo, 16ka hanolotra azy ireo ny teny manome fiainana. Raha izany no ataonareo, dia hanan-kireharehana momba anareo aho amin’ny andro hiavian’i Kristy, satria hiharihary fa tsy foana tsy akory ny ezaka nataoko sy ny zavatra nisasarako.

17Mety halatsa-dra ho sorona araraka aho ka hampombaina ilay sorona atolotrareo an’Andriamanitra, dia ny finoanareo. Raha izany tokoa, dia faly aho ary mampiombona anareo rehetra amin’ny hafaliako; 18aoka hifaly amin’izany koa ianareo, ary hampiombona ahy amin’ny hafalianareo.

mardi 10 septembre 2019

Talata 10 Septambra 2019 - Zef 3 : 9 - 11

9«Amin’izany, dia hovako ny firenena isan-tokony
ka hodioviko ny molony;
dia hivavaka amiko TOMPO izy rehetra
ary hiray hina hanompo Ahy.
10Eny fa hatrany an-dafin’ny onin’i Etiôpia
ireo mpivavaka amiko izay naeliko
no ho avy hitondra fanatitra ho Ahy.»

11«Amin’izany andro izany, ry vahoakako,
dia tsy ho menatra intsony ianao
tamin’izay ratsy rehetra nataonao
ka nanotanao tamiko.
Hoesoriko tsy ho eo aminao
ny mpirehareha rehetra
ary tsy hiavonavona intsony ianao
eo an-tendrombohitro masina.

lundi 9 septembre 2019

Alatsinainy 09 Septambra 2019 - Sal 93 : 1 - 5

1Mpanjaka ny TOMPO, mitafy fiandrianana;
eny, mitafy fiandrianana IZY ary misikina hery
ka voaorina tsara tsy hihontsona izao tontolo izao.

2Efa niorina hatry ny ela ny sezafiandriananao;
hatrizay hatrizay dia Andriamanitra Ianao.
3Fahiny dia nisamboaravoara ny riaka, TOMPO ô,
eny, nisamboaravoaran’ny hatezerana
ary mbola mety misamboaravoara ihany.
4Fa mahery noho ny feon’ny ranobe
sy ny fidoboky ny onja vaventy, TOMPO ô,
ny fanapahanao any ambony any.

5Azo antoka tanteraka ny fepetra nataonao, TOMPO ô;
ho masina lalandava koa ny tranonao.

dimanche 8 septembre 2019

Alahady 08 Septambra 2019 - Jos 24 : 19 - 28

19Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka:
–Tsy hainareo ny hanompo ny TOMPO; fa Andriamanitra masina Izy, ka tsy hahazaka ny fahadisoanareo aman’otanareo. 20Raha mandao ny TOMPO ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hisapotina hampahory anareo Izy Tompo ka hahafongana anareo rehefa avy nasiany soa.

21Fa hoy ny vahoaka tamin’i Josoa:
–Tsia, fa ny TOMPO ihany no hotompoinay.

22Dia hoy indray i Josoa tamin’ny vahoaka:
–Ny tenanareo ihany no vavolombelona fa efa nifidy ny hanompo ny TOMPO ianareo.

Ka novalian’ny vahoaka hoe:
–Eny, vavolombelon’izany izahay!

23Dia nofaranan’i Josoa hoe:
–Ankehitriny àry, esory ny andriamani-kafa izay eo anivonareo ka atodiho amin’ny TOMPO
Andriamanitr’Israely ny fonareo.

24Ka niteny tamin’i Josoa ny vahoaka hoe:
–Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hankatoavinay.

25Tamin’izany andro izany dia nanao fanekempihavanana tamin’ny vahoaka tao Sekema i Josoa, ka nanome azy fepetra amam-pitsipika. 26Dia nosoratan’i Josoa tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra ireo teny ireo; ary naka vato lehibe iray izy ka nanangana azy teo am-pototry ny hazo oaka, izay toera-masin’ny TOMPO.

27Avy eo dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra:
–Jereonareo ity vato ity fa izy no ho vavolombelona amintsika satria efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny TOMPO tamintsika; ary ho vavolombelona aminareo koa izy mba tsy hivadihanareo amin’Andriamanitrareo!
28Dia noravan’i Josoa ny vahoaka, ka samy niverina tany amin’ny zarataniny avy.

samedi 7 septembre 2019

Sabotsy 07 Septambra 2019 - Mat 23 : 16 - 22

16Mampalahelo ianareo, ry mpitari-dalana jamba! Fa hoy ianareo hoe: «Raha misy mianiana amin’ny Toeramasina, dia tsy voafehin’ny fianianany velively; fa raha misy mianiana amin’ny volamena raketin’ny Toeramasina, dia voafehin’ny fianianany.» 17Tsy misaina sady jamba ianareo! Inona no mendri-kaja kokoa, ny volamena sa ny Toeramasina izay mahamasina ny volamena? 18Ary hoy koa ianareo hoe: «Raha misy mianiana amin’ny alitara, dia tsy voafehin’ny fianianany velively; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo ambony alitara, dia voafehin’ny fianianany.» 19Tsy misaina sady jamba ianareo! Inona no mendri-kaja kokoa, ny fanatitra sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra? 20Koa amin’izany, izay mianiana amin’ny alitara dia mianiana amin’ny alitara sy amin’izay rehetra eo amboniny; 21ary izay mianiana amin’ny Toeramasina dia mianiana amin’ny Toeramasina sy amin’Andriamanitra Izay monina ao; 22ary izay mianiana amin’ny lanitra dia mianiana amin’ny sezafiandrianan’Andriamanitra sy amin’Andriamanitra Izay mipetraka eo.

vendredi 6 septembre 2019

Zoma 06 Septambra 2019 - Efe 4 : 11 - 16

11Izy mihitsy no nanolotra fanomezana manokana ho an’ny olona, ka nanao ny sasany ho apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho mpitory ny Vaovao Mahafaly, ny sasany ho mpiandry sy ho mpampianatra. 12Ho fampitaovana ny vahoakan’Andriamanitra ireny mba hahatontosana ny asa fanompoam-piangonana, ka hirafetan’ny tenan’i Kristy. 13Izany no hahatonga antsika rehetra hiray amin’ny finoana sy amin’ny fahalalana tsara ilay Zanak’Andriamanitra; ka ho olondehibe isika, mahatratra ny halehiben’i Kristy sy heniky ny hafenoana omeny. 14Dia tsy ho zaza intsony isika, tsy ho toy ny sambokely ahilangilan’ny onja etsy sy eroa na hatolatolan’ny rivotra samihafa, ka ho voafitaky ny fampianarana aroson’ny olona mpamitaka, izay mahay mamorona tetika hampivaona ny sasany. 15Ny fitiavana kosa no hanambaràntsika ny fampianarana marina ka amin’ny lafiny rehetra anie no hitomboantsika firaisana amin’i Kristy Izay loha. 16Izy no mahatonga ny tena manontolo hitambatra mafy sy ho voatanan’ny famavàny rehetra hiray; ka rehefa samy miasa araka ny tandrifiny avy ny zavatra anisan’ny tena, dia hitombo ny tena manontolo sady hoentanin’ny fitiavana.

jeudi 5 septembre 2019

Alakamisy 05 Septambra 2019 - Jos 24 : 14 - 18

14Dia hoy ihany i Josoa hoe:
–Koa ankehitriny manajà ny TOMPO ka manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana. Ario ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany ampitan’i Eofrata sy tany Ejipta, ka manompoa ny TOMPO. 15Nefa raha tàhiny tsy sitrakareo ny hanompo ny TOMPO, dia fidio anio izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany ampitan’i Eofrata na ny andriamanitry ny Amôrita izay mponina teto amin’ny tany onenanareo; fa izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny TOMPO izahay.

16Dia namaly ny vahoaka nanao hoe:
–Sanatria anay ny handao ny TOMPO mba hanompo andriamani-kafa! 17Satria ny TOMPO Andriamanitsika ihany no nampakatra ny razantsika niala tamin’ny toerana fanandevozana tany Ejipta; Izy no nanao ireny famantarana lehibe fantatsika tsara ireny; Izy no niaro ny razantsika teny amin’ny lalana rehetra nalehany sy teny amin’ny firenena rehetra noteteziny. 18IZY no nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, indrindra ny Amôrita izay nonina teto amin’ity tany ity. Koa hanompo ny TOMPO ihany koa izahay fa Izy no Andriamanitray.

mercredi 4 septembre 2019

Alarobia 4 Septambra 2019 - Eks 12 : 15 - 17

15«Mandritra ny fito andro no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora. Raha vao amin’ny andro voalohany dia efa esory tsy ho ao an-tranonareo ny leviora. Fa na iza na iza mihinana mofo misy leviora, manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahatelo, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy. 16Amin’ny andro voalohany sy ny andro fahafito dia manaova fivoriana masina ho anareo, ka aza manao raharaha mihitsy ianareo amin’izany afa tsy ny mamboatra izay hohanin’ny tsirairay ihany.

17«Hotandremanareo ny fetin’ny mofo tsy misy leviora ho fahatsiarovana fa tamin’io andro io mihitsy Aho no namoaka ny vahoakanareo hiala avy tany Ejipta. Hotandremanareo hatrany hatrany izany andro izany, ho lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo.

mardi 3 septembre 2019

Talata 03 Septambra 2019 - I Kor 1 : 26 - 31

26Mba mijere tena ange ianareo izay voaantson’Andriamanitra, ry havako: araka ny maha olombelona, dia tsy misy firy ianareo no olon-kendry, tsy misy firy no mahery, tsy misy firy no avo razana. 27Kanefa izay noheverin’izao tontolo izao ho adala no voafidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay noheverin’izao tontolo izao ho osa no voafidin’Andriamanitra hampahamenatra ny matanjaka; 28ary izay noheverin’izao tontolo izao ho ambany sy fanaratsy, dia izay ataony tsy ho zavatra, no voafidin’Andriamanitra hahatsinontsinona izay ataon’izao tontolo izao ho zavatra, 29mba tsy hisy mihitsy olombelona mahazo mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra. 30Fa nataon’Andriamanitra tafaray amin’i Kristy ianareo, ka dia i Kristy no fahendrena avy aminy ho antsika: i Kristy no andraisantsika ny fahamarinan’Andriamanitra ary anafahan’Andriamanitra antsika amin’ny fahotana. 31Noho izany, araka ny voalazan’ny Soratra Masina, «izay mirehareha, dia ny nataon’ny Tompo no aoka hireharehany.»

lundi 2 septembre 2019

Alatsinainy 02 Septmbra 2019 - Apo 2 : 18 - 29

18–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Tiatira:
«Izao no lazain’ilay Zanak’Andriamanitra, dia Ilay manana maso mivaivay tahaka ny lelafo sady manana tongotra mangirangirana tahaka ny varahina manganohano: 19Fantatro ny asanao, ny fitiavanao, ny finoanao, ny fanompoanao, ary ny faharetanao; ary ny asanao farany izao dia be noho ny tany am-boalohany. 20Saingy izao no anomezako tsiny anao: leferinao ilay vehivavy Jezebela izay milaza ny tenany ho mpaminany, ka dia mampianatra sy manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natao fanatitra tamin’ny sampy. 21Efa nomeko andro io vehivavy io hialany amin’ny toe-dratsiny, saingy tsy mety miala amin’ny fijangajangàny. 22Indro hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay nanitsakitsa-bady taminy dia hozoim-pahoriana lehibe, raha toa tsy miala amin’ny asa nampianarin-dravehivavy azy. 23Hovonoiko ho faty ny zanany, ka ho fantatry ny Fiangonana rehetra fa Izaho no mahalala ny ao am-po tsy miloatra; ary hovaliako araka ny asanareo avy ianareo.

24«Fa ianareo sisa rehetra amin’ny Fiangonana any Tiatira dia tsy nanaraka izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon’ireo hoe ‹hevi-dalin’i Satàna›; ka izao no lazaiko aminareo: tsy hovesarako entana hafa ianareo; 25fa izay anananareo no tano mafy mandra-piaviko.

26-28«Izay maharesy ka mitandrina ny hanao ny asako hatramin’ny farany, dia homeko fahefana toy izay efa noraisiko tamin’ny Raiko: homeko fahefana amin’ny firenena izy, ka hifehy azy amin’ny tehim-by ary hanorotoro azy toy ny vilany tany. Homeko an’izay maharesy koa ny kintana fitarikandro.

29«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana.»

dimanche 1 septembre 2019

Alahady 01 Septambra 2019 - Lio 2 : 21 - 24

21Tonga ny fotoana hamorana ilay zaza nony afaka herinandro; ary natao hoe Jesoa ny anarany, araka ilay nolazain’ny anjely talohan’ny nahatorontoronina Azy.

22Tonga ny fotoana tsy maintsy anatanterahana ny fombam-pivavahana fidiovana ho an’i Maria sy i Jesoa zazakely, araka ny lalànan’i Mosesy. Dia nentin’i Maria sy i Jôsefa tany Jerosalema ny zazakely mba hatolotra ny Tompo, 23satria voasoratra ao amin’ny lalànan’ny Tompo hoe: «Hatokana ho an’ny Tompo ny lahimatoa rehetra.» 24Nitondra fanatitra araka ny voalaza ao amin’ny lalànan’ny Tompo ihany koa i Maria sy i Jôsefa, izany hoe fanatitra «domohina roa na voromahailala roa».

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12