samedi 30 novembre 2019

Sabotsy 30 Novambra 2019 - Eze 14 : 6 - 11

6Noho izany, ambarao amin’ny Israelita fa iza no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Ialao ny toe-dratsy, ilaozy ny sampinareo sy ny fomba rehetra maharikoriko fanaonareo.›

7«Raha misy Israelita na vahiny monina ao Israely miala amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony sady zavatra mitarika azy amin’ny heloka no apetrany eo anoloany, nefa avy eo izy tonga hila hevitra amin’ny mpaminany mba hahalala ny sitrapoko, dia Izaho TOMPO mihitsy no hamaly izany olona izany. 8Hifanandrina aminy Aho ka hataoko tonga oha-pitenenana izy ary hoesoriko tsy ho eo amin’ny vahoakako. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.

9«Raha misy mpaminany voataona hamaly araka ny tenany ihany, dia Izaho TOMPO no efa nampanao azy izany; ary hanamparako ny heriko izy ka hoesoriko tsy ho eo amin’i Israely vahoakako. 10Na ny mpaminany na ny olona izay manontany azy dia samy hivesatra heloka mitovy ka samy hilanja ny vokany. 11Amin’izay dia tsy hiala amiko intsony ny Israelita sady tsy handoto ny tenany amin’ny heloka rehetra fanaony intsony; dia ho vahoakako izy ary Izaho ho Andriamaniny. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.

vendredi 29 novembre 2019

Zoma 29 Novambra 2019 - Mal 3 : 19 - 24

19Fa hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao: Indro avy ilay andro ka mandoro tahaka ny fatana mivaivay. Amin’io andro io ny mpirehaka sy ny mpanao ratsy dia hodorana avokoa toy ny vodivary, ka tsy hisy miangana na ny fakany na ny sampany. 20Fa ho an’izay manaja ny anarako, dia izao no teniko: hiseho ny famonjeko toy ny masoandro miposaka manana fanasitranana ao amin’ny tànany. Ho afaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’omby mivoaka ny vala. 21Amin’io andro izay hotendreko io, dia hohitsakitsahinareo ny olon-dratsy ka ho toy ny vovoka eo ambany faladianareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.»

22«Tsarovy ny lalànan’i Mosesy mpanompoko, dia ny didy amam-pitsipika izay nomeko azy tao Hôreba ho an’ny Israelita rehetra.
23«Fa alohan’ny hiavian’ny andron’ny TOMPO, ilay andro lehibe sady mahatahotra, dia haniraka an’i Elià mpaminany ho aminareo Aho. 24Izy no hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanany ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy; amin’izay Aho dia tsy ho avy hamely ny tany amin’ny fandringanana.»

jeudi 28 novembre 2019

Alakamisy 28 Novambra 2019 - Isa 13 : 6 - 9

6Manaova kiakiakam-pisaonana,
satria akaiky ny andron’ny TOMPO;
toy ny loza tsy hay tohaina no firongany
avy amin’Andriamanitra Tsitoha.
7Noho izany dia hiraviravy tanana ny besinimaro
ary ho ketraka ny fon’ny olona rehetra.
8Ho very hevitra tokoa izy
noho ny fanaintainana sy ny fahoriana mahazo azy
ka hiolanolana toy ny vehivavy hiteraka.
Talanjona izy mifampijery
ka mivaloarika ny tarehiny.

9Indro avy ny andron’ny TOMPO,
andro ombàm-pahatezerana tsy azo ivalozana
sy isehoam-pahavinirana mirehitra,
ka hahatonga izany tany izany ho hay
sady handringanana ny mpanota tsy ho ao intsony.

mercredi 27 novembre 2019

Alarobia 27 Novambra 2019 - Mat 16 : 24 - 28

24Avy eo dia hoy i Jesoa tamin’ireo mpianany:
–Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko. 25Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy noho ny fitiavany Ahy kosa no hahavonjy azy. 26Fa inona no soa azon’ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny ainy mitondra faisana? Ary inona no azon’ny olona omena ho takalon’ny ainy? 27Eny, rahatrizay ny Zanak’olona ho avy ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy sady otronin’ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan’olona. 28Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak’olona tonga amin’ny maha mpanjaka Azy.

mardi 26 novembre 2019

Talata 26 Novambra 2019 - Jer 17 : 10 - 13

10–Izaho TOMPO kosa
dia mahita ny ao am-po
sy mamantatra ny ao an’eritreritra.
Koa araka ny fitondrantenany
sy ny vokatry ny asany avy
no hamaliako ny olona.
11Tahaka ny akoho mikotrika atodin-gana,
toy izany izay manangon-karena tsy ara-drariny:
eo antenatenan’androny izy
no hilaozan’izany hareny izany,
ka ho lasa adala no iafarany.

12Sezafiandrianana be voninahitra
sady miteronterona hatrany am-boalohany
no tempoly masina ho antsika.
13Ry TOMPO fanantenàn’i Israely ô,
ho menatra izay rehetra mandao Anao.
Voasoratra anarana eo am-bovoka
izay nihataka taminao,
noho izy efa nandao Anao,
ry TOMPO loharano velona ô.

lundi 25 novembre 2019

Alatsinainy 25 Novambra 2019 - Isa 31 : 1 - 3

1Lozan’izay midina any Ejipta
mba hitady famonjena!
Ny soavaly no ianteherany;
ny kalesy no itokiany
satria maro ireny;
ary ny mpitaingin-tsoavaly no antenainy,
satria mahery tokoa ireny;
fa tsy andrandrainy akory ilay Masin’i Israely
ary tsy anontaniany mihitsy ny TOMPO.
2Izy koa anefa mahay zavatra,
afaka mahatonga loza
ary tsy mitsoaka amin’izay nolazainy.
Eny, ny TOMPO efa nitsangan-kamely
ny antokon’ny olon-dratsy
ary koa ireo mpanao heloka
izay fitadiavam-pamonjena.
3Olombelona ihany ny Ejiptianina
fa tsy Andriamanitra akory;
nofo ihany ny soavaliny fa tsy fanahy;
koa vao maninji-tanana ny TOMPO,
dia ho solafaka izany mpamonjy izany,
hianjera koa ilay natao harovany
ary hiara-devona izy roa tonta.

dimanche 24 novembre 2019

Alahady 24 Novambra 2019 - Apo 22 : 12 - 14

12«Indro avy faingana Aho, hoy i Jesoa; ary miaraka amiko ny valin’asa, mba hamaliako ny olona rehetra araka izay nataony avy. 13Izaho no Alfa sy Ômega, ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana. 14Sambatra izay manasa ny akanjony, mba ho afa-mihinana amin’ny voan’ilay hazo manome fiainana sy ho afa-miditra amin’ny vavahady mankao amin’ilay tanàna.

samedi 23 novembre 2019

Sabotsy 23 Novambra 2019 - Sal 37 : 1 - 8

1 Nataon’i Davida.

ALEFA
Aza tezitra amin’ny mpanao ratsy
ary aza mialona ireo mpanao heloka;
2fa toy ny ahitra ireny ka malaky malazo,
toy ny vilo-maitso ka mbola hihamaina.

BETA
3Matokia ny TOMPO, manaova ny tsara,
dia honina amin’ny tany nomeny ianao
ka hiaina amim-pilaminana azo antoka.
4Aoka ny TOMPO no hiravoanao,
dia homeny anao izay irîn’ny fonao!

GIMELA
5Ankino amin’ny TOMPO ny fiainanao,
ka itokio Izy fa hanao izay mahasoa.
6Ny rariny anananao hasehony
ho toy ny mazavatsinanana;
ny zo tandrify anao haharihariny
ho tahaka ny mitataovovonana.

DALETA
7Aoka hitombina tsara eo anatrehan’ny TOMPO
ka hiandry Azy amim-paharetana ianao!
Aza tezitra amin’izay mahomby,
dia amin’ny olona manao fetsifetsy.

HE
8Ialao ny hatezerana, avelao ny havinirana;
aza misafoaka fa loza no hiafaran’izany.

vendredi 22 novembre 2019

Zoma 22 Novambra 2019 - Jod 14 - 15

14I Henôka, ilay taranaka fahafito nandimby an’i Adama, dia efa naminany koa ny amin’ireo olona ireo, ka nilaza hoe: «Indro tonga ny Tompo, otronin’ny anjely masiny tsy tambo isaina, 15mba hitsara ny olona rehetra; ka hampiaiky ny ratsy fanahy rehetra Izy noho ny asa ratsy rehetra mbamin’ny teny ratsy rehetra nataon’ireo mpanota ratsy fanahy ireo hanoherana ny Tompo.» 16Ireo mpampianatra sandoka ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy lava, sady miaina araka ny filàndratsiny no miavonavom-piteny, ka mandoka olona mba hahazoany tombon-tsoa.

jeudi 21 novembre 2019

Alakamisy 21 Novambra 2019 - Jos 1 : 1 - 9

1Taorian’ny nahafatesan’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO, dia nitenenan’ny TOMPO i Josoa zanakalahin’i Nona sady mpanampy an’i Mosesy nataony hoe:

2–Efa maty i Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna ankehitriny ianao sy ireto vahoaka rehetra ireto ka mità ity renirano Jôrdàna ity mba hiditra ao amin’ny tany izay omeko ny Israelita. 3Araka izay efa nampanantenaiko an’i Mosesy, dia omeko anareo ny toerana rehetra hodiavin’ny tongotrareo. 4Ny taninareo dia manomboka eo amin’ny taniefitra any atsimo ka mipaka hatrany amin’ny tendrombohitr’i Libano any avaratra; ary manomboka eo amin’ny ony Eofrata any atsinanana, dia mamakivaky ny tanin’ny Hetita, ka mipaka hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana. 5Ry Josoa, tsy misy olona hahatohitra anao mandritra ny androm-piainanao rehetra, fa homba anao Aho tahaka izay efa nombako an’i Mosesy. Tsy hanary anao Aho na handao anao na oviana na oviana. 6Aoka ho sahy sy hahery ianao, fa ianao no hitarika ireto vahoaka ireto handova ny tany izay nianianako tamin’ny razambeny fa homeko azy. 7Eny, aoka ho sahy sy hahery tokoa ianao mba himasoanao ny hanao araka ny lalàna manontolo izay nampitain’i Mosesy mpanompoko taminao. Aza misy anaovana tsirambina mihitsy izany na kely aza, dia hahomby ianao amin’izay rehetra ataonao. 8Aoka ianao hahavatra mamaky ity bokin’ny lalàna ity ary handinika azy andro aman’alina mba himasoanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra anatiny. Amin’izay dia ho tontosanao tsara ny fikasanao rehetra ary hahomby ianao. 9Moa tsy efa nandidy anao ve Aho mba ho sahy sy hahery? Koa aza matahotra na mivadi-po fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no homba anao amin’izay rehetra alehanao.

mercredi 20 novembre 2019

Alarobia 20 Novambra 2019 - Mar 13 : 24 - 27

24–Fa amin’ireo andro ireo, raha vao afaka izany fijaliana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana, 25hiraraka avy eny amin’ny habakabaka ny kintana ary ho voahozongozona ireo herin’ny habakabaka. 26Amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita voahodidin-drahona, sady tamy omban-kery lehibe sy ombam-boninahitra; 27ary dia haniraka ny anjeliny Izy ka hanangona ny olom-boafidiny avy any amin’ny vazantany efatra, manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny.

mardi 19 novembre 2019

Talata 19 Novambra 2019 - Rom 8 : 18 - 25

18Heveriko fa tsy mendrika hohàrina amin’ny voninahitra izay haseho ao amintsika ny fijaliana amin’izao andro izao. 19Fa tsindrian-daona erỳ ny zavaboaary miandry ny hanehoan’Andriamanitra an’ireo zanany. 20Fa tonga nanaiky ho zavatra tsinontsinona ny zavaboaary, tsy araka ny nahiny anefa, fa noho ilay nampanaiky azy toy izany. Saingy eo ny fanantenana: 21Fa ny zavaboaary koa aza dia hoafahana tsy ho andevon’ny fahasimbana indray andro any ka handray anjara amin’ny fahafahana be voninahitra hananan’ireo zanak’Andriamanitra. 22Saingy fantatsika fa mandraka ankehitriny, ny zavaboaary manontolo dia miara-misento sy mijaly toy ny vehivavy mihetsi-jaza. 23Ary tsy ny zavaboaary ihany; fa isika koa, izay manana ny Fanahy Masina ho santatry ny fanomezan’Andriamanitra, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny hanaovan’Andriamanitra antsika ho zanany ka hanavotany tanteraka ny tenantsika. 24Eny, efa voavonjy isika saingy mbola amin’ny fanantenana; ny mahita izay nantenaina dia tsy manantena intsony; satria iza no mbola hanantena izay zavatra efa hitany? 25Fa raha manantena ny tsy hitantsika isika, dia miandry amim-paharetana.

lundi 18 novembre 2019

Alatsinainy 18 Novambra 2019 - Sal 91 : 1 - 8

1Izay mipetraka ao amin’ny fialofan’ilay Avo Indrindra
dia mitoetra eo ambany fiarovan’Andriamanitra Tsitoha,
2ka tokony hiteny amin’ny TOMPO izy hoe:
«Ianao no manda fiarovana ho ahy;
Ianao no Andriamanitro ka itokiako.»

3–Ny Tompo mihitsy no hanafaka anao
amin’ny fandrika mivelatra sy areti-mandringana.
4Harovany amin’ny elany ianao;
eo ambany elany no hialofanao
tahaka ny zanak’akoho eo ambany ela-dreniny.
Ny fahamarinany no ampinga fiarovana,
5ka tsy misy zavatra atahoranao akory:
na ny loza mampihorohoro amin’ny alina,
na ny zana-tsipîka manidina amin’ny antoandro,
6na ny areti-mandringana misoko amin’ny haizina,
na ny voina mandripaka amin’ny mitataovovonana.
7Eny, na misy olona arivo aza maty eo akaikinao
ary na iray alina aza miampatra eo ankavananao,
dia tsy hisy loza hihatra aminao akory.
8Ahirato fotsiny ny masonao, dia ho hitanao
ny famalian’Andriamanitra ny olon-dratsy.

dimanche 17 novembre 2019

Alahady 17 Novambra 2019 - Isa 35 : 3 - 10

3Ampaherezo ny tanana miraviravy
ary hatanjaho ny lohalika malemy.
4Lazao amin’izay kivy hoe:
«Mahereza, aza matahotra;
indro ny Andriamanitrareo
tonga hitondra famaizana
ka hanasazy ny fahavalonareo;
Izy mihitsy no tonga hamonjy anareo.»

5Dia hahiratra ny mason’ny jamba
ary handre ny sofin’ny marenina.
6Hitsambikina toy ny diera ny mandringa,
hiteny an-kafaliana ny lelan’ny moana,
satria hiboiboika any an-taniefitra ny rano
ary hisy ranon-driaka any amin’ny tany ngazana.
7Ny tany karakaina hanjary farihy,
ny tany mangentana hiboiboika loharano.
Ary eo amin’ny toerana famitsahan’ny amboadia
dia hanirian’ny volotara sy ny zozoro.

8Any no hisy arabe voamboatra
hantsoina hoe «lalana voatokana».
Tsy hahazo handalo eo izay maloto
ary tsy hitonantonana eo ny mpanompo sampy;
fa ny Tompo dia hisava izany lalana izany,
ho an’ny vahoakany ihany.
9Tsy hahitana liona io lalana io
sady tsy hiakaran’ny biby masiaka;
tsy hisy ho hita eo ireny
fa izay nafahan’ny Tompo no handeha eo.
10Izany no lalana hiverenan’ireo navotan’ny TOMPO,
ka hahatongavany ao Tsiôna amin’ny fihobiana;
haravoana mandrakizay no ho eny amin’ny endriny,
hafaliana sy haravoana no hanenika azy
fa handositra kosa ny alahelo aman-tsento.

samedi 16 novembre 2019

Sabotsy 16 Novambra 2019 - Mik 4 : 11 - 14

11Ary ankehitriny efa nangoniko hamely anareo
ny firenena maro izay miteny hoe:
«Aoka ho afa-baràka i Tsiôna
ary aoka isika hijery ny faharavàny!»
12Kanjo tsy fantatr’ireny ny hevitry ny TOMPO,
tsy takany ny fikasany,
dia ny nanangonany azy tahaka ny amboara
ao am-pamoloana hivelezana azy.
13«Mitsangàna ka miveleza, ry mponina ao Tsiôna.
Fa hataoko mahery ianareo,
toy ny omby misy tandroka vy
sy manan-kitro varahina,
ka hanorotoro firenena maro.
Ary ny harena voaangony ankeriny
dia hatokanareo ho Ahy TOMPO,
Izay tompon’ny tany tontolo.»
14Ankehitriny aloha, asio tombokavatsa ny tenanareo
mba ho mariky ny fisaonana,
ry mponin’i Jerosalema
izay manangona ny andia-miaramilanareo;
fa ataon’ny fahavalo fahirano ianareo,
ary dia hokapohiny amin’ny tsorakazo

vendredi 15 novembre 2019

Zoma 15 Novambra 2019 - Sal 98 : 4 - 9

4Mihobia ny TOMPO, ry mponin’ny tany tontolo;
ataovy manakoako ny horakora-pifaliana
mbamin’ny feon’ireo zava-maneno.
5Mankalazà ny TOMPO
amim-baliha sy feon-kira;
6Mihobia ilay TOMPO Mpanjaka
amin’ny trompetra sy feon’anjomara.

7Aoka hirohondrohona ny ranomasina
mbamin’izay rehetra ao anatiny
ary aoka hiredona hira ny tany
sy ny mponina ao aminy!
8Aoka hiteha-tanana ny ony
ary aoka ny tendrombohitra hihoby
9mba hitsena ny TOMPO satria tamy Izy:
eny, tamy Izy mba hifehy ny tany;
dia hifehy ny tontolo araka ny rariny Izy
ary hifehy ny firenena araka ny hitsiny.

jeudi 14 novembre 2019

Alakamisy 14 Novambra 2019 - Eks 12 : 29 - 32

29Nony tamin’ny misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tany Ejipta ny TOMPO, nanomboka amin’ny lahimatoan’ny Farao izay nipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao an-tranomaizina mbamin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. 30Tamin’io alina io dia nifoha ny Farao sy ny tandapany ary ny Ejiptianina rehetra fa nisy fidradradradrana mafy nanerana an’i Ejipta, satria ny trano rehetra dia nisy maty avokoa. 31Koa tamin’io alina io ihany dia nampiantso an’i Mosesy sy i Aharôna ny Farao ka nanao taminy hoe:
–Mandehana, mialà eto amin’ny taniko ianareo sy ny Israelita. Mandehana manao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO araka izay efa nangatahinareo. 32Ento avokoa ny biby fiompinareo araka ny teninareo, ka mandehana any. Ary mba tsofy rano koa aho.

mercredi 13 novembre 2019

Alarobia 13 Novambra 2019 - Jao 14 : 1 - 7

1Ary hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:
–Aoka tsy hangorohoro ny fonareo: minoa an’Andriamanitra ianareo, ary mino Ahy koa. 2Misy fonenana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia ho nilaza taminareo ve Aho fa handeha hamboatra toerana ho anareo? 3Ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny toerana ho anareo, dia hiverina Aho haka anareo ho eo anilako; ka izay misy Ahy no hisy anareo koa. 4Ary fantatrareo ny lalana ho any amin’izay alehako.

5Dia hoy i Tômà taminy:
–Tsy fantatray izay alehanao, ry Tompo! Ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?

6Fa novalian’i Jesoa hoe:
–Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalako. 7Raha mahafantatra Ahy ianareo, dia hahafantatra ny Raiko ihany koa; dieny izao no ahafantaranareo Azy sady efa nahitanareo Azy.

mardi 12 novembre 2019

Talata 12 Novambra 2019 - Jer 4 : 13 - 18

13Indro tamy ny fahavalo:
toy ny rahona no iakarany hanafika,
toy ny rambon-danitra no firimorimon’ny kalesiny
ary faingana noho ny voromahery ny soavaliny.
Very isika, fa ringana tanteraka!
(Ny Tompo)
14Diovy hiala amin’ny ratsy ny fonao,
raha te ho afaka ianao, ry Jerosalema.
Mandra-pahoviana ny hevi-dratsy
no hitoetra ao anatinao?
15Henoy ange fa misy siosio avy any Dana,
ary misy vaovao milaza fahoriana
avy amin’ny faritra havoan’i Efraîma.

16Lazaonareo amin’ny mponina rehetra,
ampandrenesonareo i Jerosalema
fa manakaiky azy ny mpanao fahirano,
tonga avy any an-tany lavitra any
ka mihorakoraka hamely ireo tanànan’i Joda.
17Manodidina an’i Jerosalema
tahaka ny olona miandry saha izy.
Vokatry ny fikomianao tamiko izao,
teny hentitry ny TOMPO izany.
18Ny fitondrantenanao sy ny ratsy nataonao
no nahatonga izao taminao, ry Jerosalema.
Hotsaroanao ny ngidin’izao loza izao,
satria mihatra hatrany amin’ny fonao.

lundi 11 novembre 2019

Alatsinainy 11 Novambra 2019 - II Mpa 22 : 15 - 20

15dia nasainy miteny amin’ny mpaniraka hoe: 16«Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: ‹Indro Aho hahatonga loza amin’ity tanàna ity sy ny mponiny, dia araka izay rehetra voalaza ao anatin’ilay boky novakin’ny mpanjakan’i Joda. 17Efa nandao Ahy manko ny mponin’i Jerosalema sady efa nampanetona srona ho an’ny andriamani-kafa, ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampy rehetra nataon’ny tanany. Izany no nirehetan’ny fahatezerako tamin’ity tanàna ity, ka tsy mbola itoniany. 18Fa ny mpanjakan’i Joda, izay naniraka anareo hanatona Ahy TOMPO, dia anambarao fa Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely dia milaza izao: Ny amin’ny teny izay efa renao, 19dia nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehako, rehefa nihaino izay voalazako momba ny hanjo ity tanàna ity sy ny mponiny, dia ny hanaovana azy ho lao sy ho oha-panozonana; eny, nandriatra fitafiana ianao sady nitomany teo anatrehako, ka dia efa nihaino anao koa Aho; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. 20Indro hangoniko any amin’ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombàm-piadanana, ka tsy hahita maso ny loza rehetra hamelezako an’i Jerosalema.› »

dimanche 10 novembre 2019

Alahady 10 Novambra 2019 - II Pet 3 : 8 - 13

8Kanefa izao zavatra izao, ry hava-malala, no aoka tsy hohadinoinareo: amin’ny Tompo, ny indray andro dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona dia toy ny indray andro. 9Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenàny: saingy mahari-po aminareo Izy, satria tsy tiany hisy ho very fa mba hiroso hiala amin’ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra. 10Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo; ary amin’izany dia hirimorimo mafy ka hanjavona ny habakabaka sady ho levon’ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy, ary hodorana avokoa ny tany sy izay taozavatra ao aminy.

11Koa raha ho levona toy izany àry izao rehetra izao, dia ho olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny firaiketam-po amin’Andriamanitra? 12Sady andrasanareo no hafainganinareo ny fiavian’ilay andron’Andriamanitra, izay andro hahamay ny habakabaka sy hahalevona azy ary hanempoan’ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy! 13Kanefa isika, araka ny fampanantenàn’Andriamanitra, dia miandry ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay honenan’ny fahamarinana soritan’Andriamanitra.

samedi 9 novembre 2019

Sabotsy 09 Novambra 2019 - Jer 31 : 31 - 34

ovao amin’ny vahoakan’i Israely sy ny vahoakan’i Joda. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. 32Kanefa tsy hitovy amin’ilay fanekempihavanana nataoko tamin’ireo razany fony Aho nandray an-tanana hamoaka azy avy tany Ejipta izany. Fa nivadihan’ireo iny, kanefa Izaho no tompony; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. 33Fa izao no fanekempihavanana hataoko amin’ny vahoakan’i Israely, aorian’izany andro izany: Hapetrako ao an’eritreriny ny lalànako ary hosoratako ao am-pony, ka ho Andriamaniny Aho ary izy ho vahoakako. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. 34Tsy mila hanatona ny namany na mpiray tampo aminy intsony izy mba hampianatra ireny hahalala Ahy TOMPO; fa hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra dia samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa havelako ny fahadisoany ary tsy hotsarovako intsony ny helony.»

vendredi 8 novembre 2019

Zoma 08 Novambra 2019 - Heb 10 : 35 - 39

35Koa aza manary ny fahatokianareo fa misy valisoa lehibe izany. 36Ilainareo tokoa ny faharetana mba hanaovanareo ny sitrapon’Andriamanitra ka hahazoanareo izay ampanantenainy. 37Fa hoy ny Soratra Masina:

«Kely foana sisa
dia ho tonga Ilay tsy maintsy ho avy,
fa tsy hitaredretra.
38Ary ny olo-marina eo imasoko noho ny finoana dia ho velona;
fa raha mihemotra izy, dia tsy sitrako.»

39Isika kosa dia tsy mba naman’izay mihemotra ka ho very fa naman’izay mino ka ho voavonjy.

jeudi 7 novembre 2019

Alakamisy 07 Novambra 2019 - Rom 13 : 8 - 14

8Aoka tsy hananan’olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalàna. 9Satria ny hoe «aza maka vadin’olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra», mbamin’ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin’ilay teny manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.» 10Izay tia dia tsy manisy ratsy ny namana; koa izay tia no mahatanteraka ny lalàna.

11Fantatrareo rahateo indrindra koa ny andro diavintsika. Izao no fotoana tokony hifohazanareo amin’ny torimaso; satria ankehitriny antomotra antsika kokoa ny famonjena, fa tsy tahaka ny tamin’ny andro vao ninoantsika. 12Madiva ho lasa ny alina, ary mby akaiky ny andro. Ialao àry ny asa fanao amin’ny maizina, ka itafio ny fiadiana fampiasa amin’ny mazava. 13Aoka isika hahay hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro, ka hifady ny fanaranam-po sy ny fidorohana, ny fijangajangana sy ny fihetsika tsy maotina, ny adiady sy ny fifampialonana. 14Fa itafio ny fiadian’i Jesoa Kristy Tompo, ka aza mety hotarihin’ny maha olona mpanota ho amin’ny filàndratsy.

mercredi 6 novembre 2019

Alarobia 06 Novambra 2019 - Mar 14 : 60 - 64

y nanontany an’i Jesoa hoe:
–Tsy mamaly akory ve Ianao? Inona no iampangan’ireo Anao?
61Fa nangina i Jesoa ary tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisorombe nanao hoe:
–Ianao ve no Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra ankalazaintsika lalandava?

62Ka novalian’i Jesoa hoe:
–Izaho no Izy, ary «ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra mahery» ary koa «tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka.»

63Tamin’izay ny mpisorombe dia nandriatra ny fitafiany sady niteny hoe:
–Inona indray no ilàntsika vavolombelona hiampanga? 64Renareo teo ny fanevatevàny an’Andriamanitra, ka ahoana ianareo amin’izany?
Dia samy nanameloka an’i Jesoa izy rehetra ka nilaza fa mendrika Azy ny ho faty.

mardi 5 novembre 2019

Talata 05 Novambra 2019 - Fil 1 : 27 - 30

27Izao ihany: manàna fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy. Ka amin’izany, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo: ka ho fantatro fa miorina tsara amin’ny firaisam-panahy ianareo, sady miray fo miara-miezaka hampandroso ny finoana vokatry ny Vaovao Mahafaly. 28Aoka tsy ho azon’ireo mpanohitra ampitahorina ianareo na amin’inona na amin’inona: mariky ny fahaverezana izany ho azy; fa ho anareo kosa mariky ny famonjena, dia famonjena avy amin’Andriamanitra. 29Eny, tombon-tsoa nomena anareo ny hanompoanareo an’i Kristy, ka tsy hoe ny hino Azy ihany fa ny hiaritra fijaliana koa noho ny aminy: 30dia ny miatrika ady mitovy amin’izay hitanareo natrehiko fahiny sady renareo fa mbola atrehiko ankehitriny.

lundi 4 novembre 2019

Alatsinainy 04 Novambra 2019 - Isa 40 : 27 - 31

27Ry vahoaka Israely, firenen’i Jakôba,
nahoana ianao no miteny sy manamafy hoe:
«Tsy hitan’ny Tompo akory izay mahazo ahy,
lalovan’Andriamanitra fotsiny ny zoko?»
28Tsy fantatrao sady tsy efa renao va
fa ny TOMPO dia Andriamanitra mandrakizay?
Izy no namorona ny tany manontolo.
Tsy mba reraka Izy na sasatra,
ary tsy misy fetra ny fahalalàny.
29Manome hery ny reraka Izy
ary manatanjaka ny malemy.
30Ny tanora aza dia mihareraka sy mety sasatra,
ny mahery tompon-daka aza dia mety ho solafaka.
31Fa izay matoky ny TOMPO kosa
dia hahazo hery vaovao hatrany,
ka hisidina ambony toy ny voromahery.
Hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra,
handeha izy nefa tsy ho reraka.

vendredi 1 novembre 2019

Zoma 01 Novambra 2019 - Sal 70 : 1 - 5

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida, hitaomana an’Andriamanitra hahatsiaro azy.

2Andriamanitra ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy;
TOMPO ô, faingàna re hamonjy ahy!
3Ho menatra sy hangaihay anie
izay olona mitady hahafaty ahy;
hihemotra sy ho afa-baràka anie
izay olona maniry loza ho ahy!
4Aoka hiverina ilalana ho safotry ny henatra
ireo mpanakora ahy hoe: «Akorinao izay!»
5Izay rehetra mitady Anao kosa anie
hifaly sy hiravo amin’ny nataonao;
ary izay olona mpitia Anao Mpamonjy anie
hivolan-dava hoe: «Lehibe tokoa Andriamanitra!»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12