lundi 30 décembre 2019

Alatsinainy 30 Desambra 2019 - Fil 4 : 6 - 9

6Aza manahy na inona na inona fa ambarao amin’Andriamanitra isaka izay mivavaka ny zavatra ilainareo, ary angataho amin’ny fo feno fankasitrahana. 7Ary ilay fiadanana avy amin’Andriamanitra sady mihoatra noho ny zavatra rehetra takatry ny fieritreretan’olombelona, dia hiaro ny fonareo sy ny sainareo, satria efa tafaray amin’i Kristy Jesoa ianareo.

8Farany, ry havana, aoka hoheverinareo izay zavatra tsara sy maha te hidera: dia izay rehetra marina, manan-kaja, ara-drariny, madio, mahatehotia ary tsara laza. 9Ataovy izay efa nianaranareo sy noraisinareo tamiko ary izay renareo sy hitanareo nataoko. Dia homba anareo Andriamanitra loharanon’ny fiadanana.

dimanche 29 décembre 2019

Alahady 29 Desambra 2019 - Jao 14 : 27 - 31

27Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy mba fiadanana tahaka ny fanomezan’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka izay ny horohoro na ny tahotra ao am-ponareo. 28Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: «Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atỳ aminareo.» Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly amin’izao andehanako ho any amin’ny Ray izao, satria lehibe noho Izaho ny Ray. 29Niteny taminareo sahady Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo rehefa tonga izany. 30Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, satria tonga ilay filohan’izao tontolo izao: tsy manam-pahefana amiko velively izy, 31saingy tonga izy mba hahafantaran’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian’ny Ray Ahy no ataoko. Mitsangàna, ndeha isika hiala eto!

samedi 28 décembre 2019

Sabotsy 28 Desambra 2019 - Isa 55 : 6 - 13

6Tadiavo ny TOMPO, dieny mbola manaiky ho hita,
antsoy Izy, dieny mbola akaiky anareo.
7Aoka ny olon-dratsy handao ny fanaony,
ary ny mpanao ratsy hahafoy ny heviny.
Aoka hiverina amin’ny TOMPO ireny
fa hamindra fo aminy Izy.
Aoka hiverina amin’Andriamanitsika ireny
fa hihoa-pampana ny famelan-keloka homeny azy.

8Teny hentitry ny TOMPO izao:
«Ny hevitro tsy hevitrareo
ary ny lalanareo tsy mba lalako.
9Tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany
no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo
sy ny hevitro amin’ny hevitrareo.

10Ny ranonorana sy oram-panala
milatsaka avy any an-danitra
dia tsy miverina any raha tsy efa mahavonto ny tany
sy mahalonaka azy ary mampahavokatra azy
ka mampahazo masomboly hafafy sy hanin-kohanina;
11dia ho tahaka izany koa ny teny aloaky ny vavako:
tsy hiveri-maina foana atỳ amiko izy,
raha tsy efa nahatanteraka izay sitrako
sy nahatratra ny tanjona nanirahako azy.

12Fa amim-pifaliana no hialanareo eto Babilôna
ary amim-piadanana no hampodîna anareo.
Ny tendrombohitra sy ny havoana
dia hihorakora-pifaliana rehefa mandalo ianareo,
ary ny hazo rehetra any an-tsaha hiteha-tanana.
13Ny hazo kipreso no haniry ho solon’ny tsilo,
ary ny rotra no haniry ho solon’ny amiana.
Ho voninahitra ho an’ny TOMPO izany,
ka ho famantarana tsy hokosehina na oviana na oviana
ny amin’izay nataony ho anareo.»

vendredi 27 décembre 2019

Zoma 27 Desambra 2019 - Efe 2 : 14 - 18

14Satria i Kristy mihitsy no nampihavana antsika roa tonta, ka nahatonga ny Jiosy sy ny hafa firenena ho iray; fa tamin’ny nanoloran’i Kristy ny tenany, dia narodany ny rindrina izay nampisaraka antsika sy nahatonga antsika hifankahala. 15Nofoanan’i Kristy ny lalàna jiosy mbamin’ny didy amam-pitsipiny mba hampiraisany antsika roa tonta amin’ny tenany ka hanaovany antsika ho olom-baovao tokana: toy izany no ahavitan’i Kristy fampihavanana. 16Ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana dia nanafoana ny fifankahalana, ka nanambatra antsika roa tonta ho tena iray ihany sady nampihavana antsika tamin’Andriamanitra. 17Izany no nahatongavan’i Kristy nitory Vaovao Mahafaly fampihavanana taminareo hafa firenena izay lavitra an’Andriamanitra sy taminay Jiosy izay akaiky Azy. 18Koa dia amin’ny alalan’i Kristy no ahazoantsika roa tonta manatona an’Andriamanitra Ray noho ny asan’ny Fanahy Masina iray ihany.

jeudi 26 décembre 2019

Alakamisy 26 Desambra 2019 - Lio 2 : 8 - 14

8Tany amin’izany faritany izany, dia nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina. 9Nisy anjelin’ny Tompo niseho tampoka taminy; ary nohodidinin’ny voninahitry ny Tompo ireo mpiandry ondry ka raiki-tahotra izaitsizy.

10Fa hoy ilay anjely taminy:
–Aoka izay ny tahotra, fa vaovao mahafaly no entiko ho anareo, dia fifaliana lehibe ho an’ny vahoaka rehetra: 11Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo. 12Izao no hahafantaranareo Azy: hahita zazakely anankiray voahodidina lamban-jaza sady mandry eo amina fihinanam-bilona ianareo.

13Ary nisy anjely alikisa avy any an-danitra niseho niaraka tamin’ilay anjely teo ka nidera an’Andriamanitra nanao hoe:

14«Voninahitra any amin’ny avo indrindra
ho an’Andriamanitra;
ary fiadanana etỳ an-tany ho an’ny olombelona
fa nanehoany fitia!»

mercredi 25 décembre 2019

Alarobia 25 Desambra 2019 - Isa 2 : 1 - 4

1Ny toe-javatra hitan’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, momba ny fanjakan’i Joda sy ny tanànan’i Jerosalema.

2Izao no hiseho amin’ny andro any aoriana:
Ny tendrombohitra misy ny tranon’ny TOMPO
dia hanerinerina ambonin’ny tendrombohitra sisa
ka hasandratra ho avo kokoa noho ireo havoana;
dia hitanjozotra hankany ny firenena rehetra.
3Handeha ho any ny firenena marobe ka hifampitaona hoe:
«Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny TOMPO,
ho any an-tranon’ilay Andriamanitr’i Jakôba;
dia hampianariny antsika ny sori-dàlany,
ary harahintsika ny lalana hatorony.»
Fa avy ao Tsiôna no ivoahan’ny fampianarana,
ary avy ao Jerosalema no iavian’ny tenin’ny TOMPO.
4Hitsara ny firenena maro Izy,
ary hampanaiky ny vahoaka rehetra
ka hanefy ny sabany ho angady ireny,
ary hanao ny lefony ho fanetezam-boaloboka
sady tsy hianatra hiady intsony.

mardi 24 décembre 2019

Talata 24 Desambra 2019 - Mal 2 : 5 - 8

5Ny fanekempihavanako taminy dia ahazoany fiainana sy fiadanana. Nomeko azy izany mba hanajany Ahy; ka dia nanaja Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Marina ny fampianarana nomeny ary tsy nisy fitaka teo amin’ny molony. Tamim-pahatoniana sy tamim-pahitsiana no niarahany tamiko ka nandreseny lahatra olona marobe hiala amin’ny faharatsiana. 7Fa andraikitry ny mpisorona ny mampianatra ny olona hahalala Ahy Andriamanitra TOMPOn’izao rehetra izao; ny mpisorona no anontaniana ny fitsipika tokony hampiharina, satria mpitondrateniko izy. 8Fa ankehitriny efa nivily lalana ianareo mpisorona, ka nahasolafaka olona maro tamin’ny fampianaranareo. Noravanareo noho izany koa ny fanekempihavanako taminareo, hoy Izaho Tompon’izao rehetra izao.

lundi 23 décembre 2019

Alatsinainy 23 Desambra 2019 - Rom 15 : 7 - 13

7Koa mifandraisa tsara ianareo, tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra. 8Fa izao no ambarako aminareo: Tonga mpanompon’ny Jiosy i Kristy mba hahatanteraka ny fampanantenana natao tamin’ny razan’izy ireo ka anehoana fa azo antoka Andriamanitra. 9Ary izany koa dia mba hahazoan’ny hafa firenena manome voninahitra an’Andriamanitra noho ny famindrampony, araka izay voalazan’ny Soratra Masina hoe:

«Izany no hiderako Anao any amin’ny hafa firenena
sy hihirako ho voninahitry ny anaranao.»
10Ary hoy indray ny Soratra Masina hoe:

«Miaraha miravo amin’ny vahoakan’ny Tompo,
ry hafa firenena!»
11Ary koa hoe: «Derao ny Tompo, ry firenena rehetra;
ankalazao Izy, ry vahoaka rehetra!»

12Ary hoy indray i Isaià hoe:
«Ho avy ilay solofon’i Jisay,
dia ilay hitsangana hifehy ny firenena:
Izy no hitokian’ireo firenena!»

13Ilay Andriamanitra loharanon’ny fanantenana anie hameno fifaliana sy fiadanana tanteraka anareo noho ny finoanareo, mba hampitomboina be dia be ao aminareo ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!

dimanche 22 décembre 2019

Alahady 22 Desambra 2019 - Lio 1 : 26 - 38

26Rehefa bevohòka enim-bolana i Elizabeta, dia nirahin’Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, 27hankao amin’ny tovovavy fofombadin’ny lehilahy atao hoe Jôsefa. Io Jôsefa io dia taranak’i Davida mpanjaka; ary i Maria no anaran’ilay tovovavy. 28Niditra tao an-tranon’i Maria ilay anjely ka nanao taminy hoe:
–Mifalia, ry nohasoavin’ny Tompo! Momba anao hatrany Izy!

29Taitra tokoa i Maria noho izany teny izany, ka nieritreritra izay mety ho hevitr’ilay fiarahabana. 30Ary hoy ny anjely taminy:
–Aoka izay ny tahotra, ry Maria, fa efa nahazo tombon-tsoa tamin’Andriamanitra ianao! 31Hitoe-jaza ianao, ho tera-dahy, ary i Jesoa no hataonao anarany. 32Ho lehibe Izy sady hantsoina hoe Zanaky ny Avo indrindra. Ny Tompo Andriamanitra hahatonga Azy ho mpanjaka handimby an’i Davida razambeny; 33dia hanjaka mandrakizay amin’ny vahoaka Israely Izy ary tsy hanam-pahataperana ny Fanjakàny.

34Fa hoy i Maria tamin’ny anjely:
–Hanao ahoana àry no hahatanterahan’izany, fa izaho manko virijiny?

35Dia novalian’ny anjely hoe:
–Ho tonga eo aminao ny Fanahy Masina, ka ny herin’ny Avo indrindra hanarona anao. Noho izany ilay Masina haterakao dia hantsoina hoe Zanak’Andriamanitra. 36Ary indro i Elizabeta havanao efa mitoe-jaza koa, na iny izy antitra iny aza, ary efa bevohòka enim-bolana izao ilay natao hoe momba. 37Fa tsy misy zavatra tsy ho vitan’Andriamanitra!

38Tamin’izay dia hoy i Maria:
–Intỳ aho mpanompovavin’ny Tompo, aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao!

Dia nandao azy ilay anjely.

samedi 21 décembre 2019

Sabotsy 21 Desambra 2019 - Jao 16 : 31 - 33

31I Jesoa kosa namaly azy hoe:
–Mino ve ianareo ankehitriny? 32Indro avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hielezanareo samy ho any amin’ny misy anareo avy, ary handaozanareo Ahy ho irery; kanefa tsy irery Aho, fa miaraka amiko ny Ray. 33Izany no voalazako taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amin’ny firaisana amiko. Eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa mahereza, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao!

vendredi 20 décembre 2019

Zoma 20 Desambra 2019 - Lio 10 : 1 - 7

1Taorian’izany, dia nifidy 72 lahy hafa indray ny Tompo, ka nirahiny tsiroaroa hialoha Azy any amin’ny tanàna sy ny toerana rehetra mbola halehany.

2Ary hoy Izy taminy:
–Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Angataho àry ny Tompom-bokatra haniraka mpiasa hamory ny vokany. 3Mandehana! Indro irahiko ianareo, mova tsy zanak’ondry eo afovoan’amboadia. 4Aza mitondra kitapom-batsy na kapa, ary aza lany andro miarahaba olona eny an-dalana. 5Izay trano androsoanareo dia voalohany indrindra ilazao hoe: «Ho ato amin’ity trano ity anie ny fiadanana!» 6Raha misy olona tia fiadanana ao, dia hirotsaka aminy ny fiadanana rarînareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. 7Mitoera amin’izany trano izany, fa aza mifindrafindra trano; ary hano sy sotroy izay aroson’ny tompon-trano, fa ny mpiasa dia mendrika homena ny karamany.

jeudi 19 décembre 2019

Alakamisy 19 desambra 2019 - Zak 8 : 16 - 17

16Izao no tsy maintsy hataonareo:
samia milaza ny marina
amin’ny namany avy ianareo;
aoka ho didim-pitsarana ara-drariny
no havoaka eo amin’ny toeram-pitsaranareo
mba hahatonga fiadanana eo aminareo.
17Aza mieritreritra hanisy ratsy ny namana
ary aza mety hianiana lainga,
fa halako ny zavatra rehetra toy ireny.
Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.»

mercredi 18 décembre 2019

Alarobia 18 desambra 2019 - II Tan 14 : 1 - 6

1Nanao izay tsara sy mahitsy eo imason’ny TOMPO Andriamaniny i Asà, 2fa noravany ny alitara aman-toeram-panasinan’ireo firenena vahiny, notorotoroiny ny tsangambaton-tsampy ary nokapainy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà. 3Nomeny baiko ny Jodeanina hitady ny TOMPO Andriamanitry ny razany sy hankatò ny lalànany sy ny didiny. 4Noravan’i Asà ny toeram-panasinana sy ny alitara fandoroana vovo-javamanitra teny amin’ny tanàna rehetra manerana an’i Joda; ka nandry feizay ny fanjakana nandritra ny fitondrany. 5Eny, nandry feizay tokoa ny tany fa tsy nisy niady tamin’i Asà nandritra ireo taona ireo, satria ny TOMPO no nanome azy fiadanana ary nanamafy tanàna maro tao Joda ny mpanjaka nandritra izany fotoam-pilaminana izany 6sady niteny tamin’ny Jodeanina hoe:

–Ndeha hohamafisintsika ireto tanàna ireto ka hasiantsika manda manodidina ary koa tilikambo sy vavahady mafy hidy, satria mbola eo ambany fitondrantsika ny tany. Ny TOMPO Andriamanitsika manko no efa notadiavintsika; eny, nitady Azy isika ka nomeny fiadanana amin’ny sisin-tany manodidina.

mardi 17 décembre 2019

Talata 17 Desambra 2019 - Jao 20 : 26 - 31

26Nony afaka herinandro, dia vory tao an-trano indray ny mpianatr’i Jesoa; ary tafaraka tamin’ireo koa i Tômà. Voahidy avokoa ny varavarana, kanefa dia tonga i Jesoa nijoro teo afovoan’ny mpianatra ary nanao hoe:
–Ho ao aminareo anie ny fiadanana!

27Avy eo dia hoy Izy tamin’i Tômà:
–Arosoy eto ny rantsan-tananao ka jereo ny tanako roa; arosoy koa ny tananao ka atsofoy eto amin’ny foko; ary aza malain-kino, fa minoa!

28Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe:
–Tompoko sy Andriamanitro!

29Fa hoy i Jesoa taminy:
–Noho ianao nahita Ahy, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.

30Maro koa ny famantarana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity. 31Fa voasoratra ireo famantarana ireo mba hinoanareo fa i Jesoa no ilay Mesia, ilay Zanak’Andriamanitra, ary mba hahavelona aina anareo amin’ny alalany, raha mino Azy ianareo.

lundi 16 décembre 2019

Alatsinainy 16 Desambra 2019 - Mpi 6 : 19 - 24

19Dia nandeha i Gidehôna ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy leviora tamin’ny koba ankevitry ny telopolo kilao. Nataony tao anaty harona ny hena ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena, dia nentiny teo ambanin’ny terebinta ka natolony ny Tompo. 20Ary hoy ilay anjelin’Andriamanitra taminy:
–Apetraho eo ambonin’ity harambato ity ny hena sy ny mofo tsy misy leviora ka tondrahy ron-kena.

Dia nataon’i Gidehôna izany. 21Ary naninji-tanana ilay anjelin’ny TOMPO, ka nokasihiny tamin’ny tendron’ilay tehina teny an-tanany ny hena sy ny mofo tsy nisy leviora; dia nivoaka afo ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo. Avy eo ilay anjelin’ny TOMPO dia nanjavona teo imasony. 22Takatr’i Gidehôna tamin’izay fa anjelin’ny TOMPO ilay teo ka hoy izy hoe:
–Lozako, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, fa nahita ny anjelinao nifanatrika tamiko aho.

23Hoy kosa ny TOMPO taminy;
–Fiadanana anie ho aminao; aza matahotra, fa tsy ho faty ianao.

24Ary nanorina alitara ho an’ny TOMPO teo i Gidehôna, ka io toerana io dia nantsoiny hoe «Ny TOMPO manome fiadanana»; ary mandraka androany izany alitara izany dia mbola ao Hôfrà, tanànan’ny tarik’i Abihezera.

dimanche 15 décembre 2019

Alahady 15 Desambra 2019 - Rom 14 : 19 - 23

19Izay mampitombo ny fiadanana àry no aoka hokatsahintsika, mbamin’izay ifanampiantsika hiorina amin’ny finoana; 20fa aza izay sakafo no handravanao ny asan’Andriamanitra. Eny, madio ka azo hanina avokoa ny zavatra rehetra, nefa kosa ratsy ny mihinan-javatra raha mahasolafaka namana amin’ny ratsy izany. 21Ny tsara dia ny tsy mihinan-kena na misotro divay na mikasika akory izay mahasolafaka ny namanao amin’ny ratsy. 22Tano ho anao eo anatrehan’Andriamanitra izay itokianao ho marina. Sambatra izay tsy melohin’ny eritreriny amin’ny zavatra ankatoaviny. 23Fa izay miahanahana dia melohin’Andriamanitra, raha mihinana, satria tsy vokatry ny finoana no ihinanany. Fa izay rehetra tsy vokatry ny finoana dia fahotana avokoa.

vendredi 13 décembre 2019

Zoma 13 Desambra 2019 - II Tes 3 : 6 - 16

6Ry havana, mamarafara anareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay: halaviro ny namana kamo, tsy manaraka ny fampianarana efa nampitainay taminy. 7Eny, fantatrareo izay tokony hataonareo hanahafanareo anay. Tsy olona kamo izahay, fony tatỳ aminareo. 8Tsy nihinana ny sakafon’olona maimaimpoana izahay, fa nikely aina sy nisasatra niasa andro aman’alina mba tsy hanahirana na dia iray aminareo aza. 9Izany no nataonay, dia tsy hoe tsy manan-jo handray fanampiana avy aminareo izahay, fa mba hanomezanay ohatra hotahafinareo. 10Eny, fony tany aminareo izahay, dia namepetra anareo hoe: «Raha misy tsy te hiasa, aoka izy tsy hihinana!»
11Izany no lazainay dia satria renay fa misy aminareo kamo tsy miasa fa manao zavatra tsisy antony etsy sy eroa. 12Ny olona toy izany dia feperanay sady ampirisihinay amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo mba hiasa amim-pilaminana ka hihinana ny azy ihany.

13Fa ianareo kosa, ry havana, aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa. 14Raha misy olona tsy manaiky ny teny ataonay amin’ny alalan’izao taratasy izao, dia mariho izy ka aza ifampiraharahana mihitsy mba hahamenatra azy; 15kanefa aza raisina ho fahavalo izy fa anaro toy ny mpiray tampo.

16Ny Tompo loharanom-piadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra! Homba anareo rehetra anie ny Tompo!

jeudi 12 décembre 2019

Alakamisy 12 Desambra 2019 - Jer 33 : 1 - 3

1Fa raha mbola voatana teo an-kianjan’ny trano fiambenana i Jeremià, dia nisy indray tenin’ny TOMPO fanindroany taminy nanao hoe:
2«Izao no lazain’ny TOMPO, Ilay manao ny zava-mitranga ka mamolavola azy mba hitantanany azy, dia Ilay antsoina hoe TOMPO: 3Antsoy Aho, dia hamaly anao sady hampianatra anao zava-dehibe izay tsy takatry ny saina sady tsy mbola fantatrao.

mercredi 11 décembre 2019

Alarobia 11 Desambra 2019 - Lio 11 : 27 - 28

27Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nisy vehivavy anankiray teo afovoan’ny vahoaka nanandra-peo nanao taminy hoe:
–Sambatra izay reny nitondra Anao tao an-kibony sy nampinono Anao!

28Fa hoy i Jesoa:
–Vao mainka sambatra aza ireo mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy!

mardi 10 décembre 2019

Talata 10 Desambra 2019 - Amo 9 : 11 - 15

11Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
«Ilay tanànan’i Davida izao
dia toy ny tranobongo efa nianjera.
Fa ho avy ny andro izay hananganako indray
izany tanàna izany,
ka hofefeko ireo banga amin’ny màndany
hatsangako ny rava tao aminy,
ary haoriko indray ny tanàna ho tahaka ny taloha.
12Amin’izay no hakan’i Israely
ny tany sisa amin’i Edôma
sy amin’ny firenena hafa rehetra
izay nomarihina ny anarako hananako azy.
Izaho Tompo no hahatanteraka izany.»
13Hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
«Indro avy ny andro
izay hahavokatra ny vary
ka efa hasaina ny tany vao vita ny fijinjana,
sy hahavokatra ny voaloboka
ka efa hafafy ny voambary
vao vita ny fihosemboaloboka.
Divay no hiboiboika eny an-tendrombohitra
sy hikoriana eny an-tampon-kavoana rehetra.
14Haveriko avy amin’ny fahababoana
ny Israely vahoakako,
ka ireo tanàna efa rava
hatsangany sy honenany indray.
Hamboly voaloboka izy
ka hisotro ny divay avy aminy,
ary hanao zaridaina
ka hihinana ny vokatra avy aminy.
15Hamboleko eo amin’ny tany izany nomeko azy izy,
ka tsy hongotana hiala eo intsony.
Izaho TOMPO Andriamanitrao no efa niteny.»

dimanche 8 décembre 2019

Alahady 08 Desambra 2019 - Job 36 : 5 -15

5Jereo fa mahery Andriamanitra
kanefa tsy mba manambany olona;
eny, mahery tokoa Izy
ka hentitra amin’ny fanapahan-keviny.
6Tsy mamela ny olon-dratsy ho ela velona Izy
fa manome rariny kosa ny mahantra.
7Miahy ny olo-marina mandrakariva Izy
ka manandratra voninahitra azy
sy mampaharitra azy eo amin’ny fitondrana
toy ny mpanjaka eo amin’ny sezafiandrianany.

8Fa raha olo-marina no voagadra rojo vy
sady voagejam-pahoriana,
9dia ny asany no ambaran’Andriamanitra azy:
manota ireo, satria niavonavona.
10Dia manokatra sofina azy Andriamanitra
mba hihaino ny fananarany
ka mandidy azy hiala amin’ny ratsy.
11Raha mety mihaino an’Andriamanitra izy,
dia amin’ny fahasambarana sy ny hamamiana
no handaniany ny androny sy ny taonany.
12Fa raha tsy mety mihaino kosa izy,
dia ho faty hiharan-tsabatra
noho izy tsy manam-pahalalana akory.
13Fa ny ratsy fanahy dia tezitra aminy
ka tsy mahataraina na dia gadrainy aza.
14Koa dia maty tanora sy ratsy fiafara ireo
toy ny olona iharan’ny fahafaham-baràka.

15Fa ny fahorian’ny ory kosa
no entin’Andriamanitra mamonjy azy,
ary ny loza mianjady aminy no entiny mampianatra azy.

Sabotsy 07 Desambra 2019 - Isa 26 : 11 - 12

11TOMPO ô, manandra-tanana handrahona Ianao
kanefa tsy ahoan’ireo olon-dratsy akory.
Aoka ho menatra izy raha mahita
ny zotomponao hiaro ny vahoakanao;
eny, aoka handevona azy ny afo
izay natokanao ho an’ny fahavalonao!
12TOMPO ô, Ianao no manome anay ny fiadanana
ary Ianao koa no mahatomombana ho anay
ny asa rehetra nataonay.

vendredi 6 décembre 2019

Zoma 06 Desambra 2019 - Jak 02 : 14 - 20

14Ry havako, inona moa no soa azon’ny olona milaza azy ho manam-pinoana, raha tsy miseho amin’ny asa izany? Mahavonjy azy ve izany finoana izany? 15Raha tàhiny misy havana iray finoana tsy manan-kitafy sady tsy ampy sakafo, 16dia inona moa no soa azonareo milaza aminy hoe: «Veloma finaritra, manaova mafana tsara, manaova voky tsara», raha tsy mba omenareo azy izay ilain’ny tenany? 17Toy izany kosa àry ny finoana: raha misy tsy miseho amin’ny asa, dia maty mihitsy.

18Nefa raha misy manao hoe: «Ny anao finoana, fa ny ahy asa», dia hovaliako hoe: «Asehoy ahy izay finoanao tsy ombàn’asa, fa hasehoko anao amin’ny asa kosa ny finoako.» 19Inoanao ve fa misy Andriamanitra tokana? Tsara ny ataonao. Mba mino izany koa anefa ireo demony ka mangovitra. 20Ry adala, tianao ve ny hahafantatra fa tsy vanona ny finoana tsy ombàn’asa?

jeudi 5 décembre 2019

Alakamisy 05 Desambra 2019 - Sal 85 : 8 - 13

8TOMPO ô, asehoy anay ny fitiavanao
ka omeo anay ny famonjenao.

9Te hihaino izay lazain’Andriamanitra TOMPO aho.
Fiadanana tokoa no ampanantenainy
ho an’ny vahoakany, dia ireo mpivavaka aminy,
raha tsy miverina amin’ny hadalàny intsony ireo.
10Eny, akaiky an’izay manaja Azy ny famonjeny;
hitoetra eto amin’ity tanintsika ity ny voninahiny.

11Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana.
12Mitrebona avy amin’ny tany ny fahamarinana
ary midina avy any an-danitra ny rariny.
13Ny TOMPO mihitsy no hanome ny zava-tsoa
ka hahavokatra tokoa ny tanintsika;
14ary handeha eo alohany ny rariny
ka hanoritra ny lalan-kodiaviny.

mercredi 4 décembre 2019

Alarobia 04 Desambra 2019 - Isa 57 : 15 - 21


15Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina,
ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany,
dia manao izao teny izao:
«Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako,
nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena
mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena
sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.
16Fa tsy hanakiana lava Aho na ho tezitra hatrany;
raha tsy izany dia ho faty eo anatrehako
ny fofonaina mbamin’ny mananaina noariko.
17Ny fahadisoan’ny vahoakako no nahatezitra Ahy vetivety.
Noho Izaho tezitra no nikapohako azy
sady tsy netezako hijery azy.
Nefa nikomy hatrany izy
ka nanaraka ny ditran’ny fony,
18ary hitako ny fitondrantenany.
Saingy izao no lazaiko: Hanasitrana ny vahoakako Aho,
ka hitari-dalana sy hampahery azy.
Ary ho an’ireo olony misaona kosa,
19dia horakora-pifaliana no hataoko eo amin’ny molony.
Ka hoy AHO hoe: Fiadanana ho an’izay lavitra,
fiadanana ho an’izay akaiky!
Eny, hanasitrana ny vahoakako Aho.»
20Fa ny olon-dratsy kosa
dia toy ny ranomasina misamboaravoara
sady tsy afaka mitoetra milamina;
fa mamoaka loto sy fotaka ny ranony.
21«Tsy misy fiadanana ho an’ny olon-dratsy,
hoy ilay Andriamanitro.»

mardi 3 décembre 2019

Talata 03 Desambra 2019 - Job 22 : 21 - 25

21Ifankazaro sy ihavano re Andriamanitra
dia hiverina aminao ny fahasambarana.
22Mbola raiso ny fampianarana omeny anao
ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
23Miverena am-panetren-tena amin’ilay Tsitoha,
ampanalaviro ny lainao ny tsy fahamarinana.
24Ario amin’ny tany ny vongam-bolamenanao
na avelao eny amin’ny vaton-driaka;
25fa ilay Tsitoha no ho volamenanao
sy ho volafotsy miavosa ho anao.

lundi 2 décembre 2019

Alatsinainy 02 Desambra 2019 -Isa 9 : 1 -6

1Ny vahoaka mandeha ao anatin’ny haizina
dia hahita hazavana lehibe;
ary ny olona mipetraka ao amin’ny tany
izay tandindomin’ny fahafatesana
dia hiposahan’ny hazavana.
2Nohamaroinao ny fifaliany
ary nampitomboinao ny firavoravoany.
Miravoravo eo anatrehanao izy
tahaka ny iravoravoana amin’ny fararano
sy anaovana antsoantsom-pifaliana
rehefa injay mizara babo ny olona.
3Fa ny ziogam-pamoretana nanindry ny vahoakanao
ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,
ny kibay namelezan’ny mpampiasa azy
dia samy hopotehinao avokoa
toy ny tamin’ny andro nampandosiranao ny Midianita.
4Fa ny kiraro rehetra entim-pahavalo
ka mikatrokatroka mampihozongozon-tany
ary ny fitafiana rehetra voahorona mihosin-dra
dia samy hodorana avokoa ho levon’ny afo.
5Satria misy zaza teraka ho antsika,
zazalahy no omena antsika;
eny an-tsorony ny mari-piandrianany,
ary ny anaram-boninahiny dia hatao hoe:
Mpitondra mahay, Andriamanitra mahery,
Ray mandrakizay, Andriana mitondra ny fiadanana.
6Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy
ary hampisy fiadanana tsy misy fetra.
Ny sezafiandrianan’i Davida no hipetrahany
ary ny fanjakany no hofeheziny
ka haoriny sy hohamafisiny
amin’ny rariny sy ny hitsiny,
hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Izany no hotanterahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao,
vokatry ny firedaredam-pitiavany.

dimanche 1 décembre 2019

Alahady 01 Desambra 2019 - Lio 19 : 37 - 44

37Rehefa nanakaiky an’i Jerosalema Izy ka handray ilay fidinana eo amin’ny tendrombohitra Analanôliva, dia nisy mpianatra marobe indray nientan-kafaliana sady nidera an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery, noho ny asa mahagaga rehetra efa hitany; 38hoy ny antsoantsony hoe:

«Hombàm-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie
ny Mpanjaka izay avy!
Fiadanana anie any an-danitra,
ary voninahitra anie ho an’Andriamanitra!»

39Nisy kosa Farisianina avy teo anivon’ny vahoaka niteny tamin’i Jesoa hoe:
–Mpampianatra ô, mba teneno ny mpianatrao hangina!

40Fa novalian’i Jesoa hoe:
–Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso!

41Ary nanakaiky an’i Jerosalema hatrany i Jesoa ka nony nahatazana ny tanàna, dia nitomany azy 42sady nanao hoe:
–Raha mba fantatrao amin’ity andro ity manko izay hanananao fiadanana! Nefa indrisy, takona ny masonao izany! 43Fa ho avy aminao ny andro hananganan’ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, ka hanaovany fahirano anao sy hanereny anao hatraiza hatraiza. 44Hofongorana tanteraka ianao sy ny mponina ao anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, noho ianao tsy nahalala ny andro notendren’Andriamanitra hamangiana anao!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12