jeudi 30 avril 2020

Alakamisy 30 Aprily 2020 - II Kor 4 : 16 - 18

16Izany no tsy mahaketraka anay, fa na dia mihalevona aza ny maha olona eto ivelany, dia mihavao isan’andro kosa ny maha olona ao anaty: 17satria ny fahoriana maivana sy mandalo mihatra aminay dia miasa manomana voninahitra lehibe mihoa-pampana sady maharitra mandrakizay, 18raha tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita. Ny hita manko dia miserana ihany, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.

mercredi 29 avril 2020

Alarobia 29 Aprily 2020 - Dan 4 : 31 - 34

31Rehefa tapitra ny fetr’andro, izaho Nebokadnetsara dia niandrandra ny lanitra; ka nody tamiko indray ny saiko. Nisaotra ny Avo Indrindra Izay velona mandrakizay aho, ary nidera sy nankalaza Azy fa ny fanapahany dia maharitra mandrakizay ary ny fanjakany dia mihatra amin’ny taranaka mifandimby. 32Ny mponina rehetra etỳ an-tany dia tsinontsinona ihany eo anoloany; araka izay sitrapony no ataony amin’ny anjely any an-danitra sy amin’ny mponina etỳ an-tany; tsy misy afaka manohitra ny fahefàny na manome tsiny azy amin’izay ataony.

33Tamin’izay fotoana izay dia nody tamiko tokoa ny saiko; ary mba ho voninahitry ny fanjakako, dia naverina tamiko ihany koa ny fiandrianako amam-pamirapiratako. Nitady ahy ireo mpanolotsaiko sy ireo olo-manan-kajako; ary naverina teo amin’ny fahefàm-panjakako aho, ka haja mihoa-pampana no natolotra ahy. 34Koa ankehitriny, izaho Nebokadnetsara dia midera sy mankalaza ary manome voninahitra ilay Mpanjakan’ny lanitra; fa marina izay ataony rehetra, mahitsy ny asany rehetra. Ary hainy aetry aza izay mitondra tena amim-piavonavonana.

mardi 28 avril 2020

Talata 28 Aprily 2020 - Jao 21 : 20 - 25

20Dia nitodika i Petera ka hitany manaraka azy ireo ilay mpianatra tian’i Jesoa, ilay mpianatra izay nirona teo amin’ny tratran’i Jesoa tamin’ny fisakafoana ka nanontany Azy hoe: «Tompo ô, iza moa ilay efa hanolotra Anao?» 21Rehefa nahita an’ilay mpianatra i Petera, dia niteny tamin’i Jesoa hoe:
–Ary izy io, ry Tompo, mba inona no ho anjarany?

22Dia hoy i Jesoa tamin’i Petera:
–Raha tiako haharitra mandra-piaviko izy, ahoanao izany? Fa ianao, avia hiaraka amiko!

23Noho izany teny izany, dia niely tamin’ireo havana mpino fa hoe tsy ho faty io mpianatra io; kanefa i Jesoa tsy niteny tamin’i Petera hoe: «Tsy ho faty izy», fa hoe «Raha tiako haharitra mandra-piaviko izy, ahoanao izany?»

24Io mpianatra io no vavolombelona manambara izany zavatra izany sy nanoratra azy; ary fantatray fa azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona.

25Misy zavatra maro hafa koa izay nataon’i Jesoa; ka raha izany no voasoratra tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza dia tsy ho omby ny boky voasoratra.

lundi 27 avril 2020

Alatsinainy 27 Aprily 2020 - Efe 2 : 1 - 10

1Fahiny ianareo dia maty ara-panahy noho ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo. 2Niaina araka ny fomban’izao tontolo izao ianareo; narahinareo ilay mpanapaka ny fahefana mifehy eny amin’ny rivotra, dia ilay fanahy izay miasa ankehitriny ao amin’ireo olona tsy manaiky an’Andriamanitra. 3Izahay rehetra koa dia anisan’ireo olona ireo, fa nanao fitondrantena araka ny filàndratsin’ny maha olona mpanota izahay fahiny ka nanao izay danin’ny kibo sy saim-pantatra. Noho izany toetranay izany, dia natao hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra tahaka ny hafa koa izahay.

4Kanefa lehibe tokoa ny famindrampon’Andriamanitra, satria fatratra ny fitiavana asehony amintsika; 5ka fony mbola maty ara-panahy isika noho ny fahadisoantsika, dia novelominy indray niaraka tamin’i Kristy. Fahasoavan’Andriamanitra no namonjena anareo! 6Fa noho isika efa tafaray amin’i Kristy Jesoa, dia niara-natsangan’Andriamanitra ho velona isika sy niara-napetrany any an-danitra. 7Nataony izany mba hanehoany amin’ny andro ho avy rehetra ny harem-pahasoavany mihoa-pampana, satria mora fo tamintsika Izy tao amin’i Kristy Jesoa. 8Eny, fahasoavan’Andriamanitra no namonjena anareo, tamin’ny alalan’ny finoana! Ary tsy avy aminareo izany famonjena izany, fa fanomezan’Andriamanitra; 9tsy vokatry ny ezaka vita, fandrao hisy hirehareha. 10Fa asan’Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin’i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman’Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin’ny fiainantsika.

dimanche 26 avril 2020

Alahady 26 Aprily 2020 - Isa 26 : 11 - 19

11TOMPO ô, manandra-tanana handrahona Ianao
kanefa tsy ahoan’ireo olon-dratsy akory.
Aoka ho menatra izy raha mahita
ny zotomponao hiaro ny vahoakanao;
eny, aoka handevona azy ny afo
izay natokanao ho an’ny fahavalonao!
12TOMPO ô, Ianao no manome anay ny fiadanana
ary Ianao koa no mahatomombana ho anay
ny asa rehetra nataonay.
13Ry TOMPO Andriamanitray ô,
tompo maro no efa notompoinay talohanao;
nefa ny anaranao ihany no satrinay hotsaroana.
14Ny maty tsy ho velona intsony
ary ny matoatoa tsy hitsangana koa;
fa efa nirotsaka handringana azy Ianao
ka nolevoninao mbamin’ny fahatsiarovana azy.
15TOMPO ô, nampitomboinao ny firenenay,
ary izany no nahazoanao voninahitra;
eny, nampitomboinao ny firenenay
ka nitarinao halalaka avokoa ny sisin-taniny.

16TOMPO ô, fony azom-pahoriana izahay,
dia nitady Anao tokoa;
ary niantso vonjy taminao izahay,
rehefa voaterin’ny famaizanao.
17Toy ny vehivavy mihetsi-jaza hiteraka
ka miolanolana sy mitaraina mafy,
dia toy izany izahay
teo anatrehanao, TOMPO ô.
18Izahay koa dia mova tsy efa bevohòka
sy efa nihetsi-jaza hiteraka,
nefa tahaka ny zava-poana no naterakay.
Tsy nahay nitondra fanafahana
ho an’ny tany izahay,
tsy nahay nitondra mponina vaovao
ho an’izao tontolo izao.

19Ho velona indray ireo maty ao aminao, ry fireneko,
ary hitsangana ny fatiny.
Hifoha sy hanao hobim-pifaliana
ireo matory ao amin’ny vovo-tany,
fa handefasan’ny Tompo andom-pahazavana ianao
ka hateraky ny tany indray ireo nodimandry.

samedi 25 avril 2020

Sabotsy 25 Aprily 2020 - Gal 2 : 19 - 21

19Fa izaho, dia tamin’ny alalan’ny lalàna no nahafatesako raha ny amin’ny lalàna mba hahavelomako ho an’Andriamanitra. Niara-nohomboana tamin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana aho; 20ary tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko. Koa izao ahavelomako ankehitriny amin’ny fiaina-mandalo izao, dia ivelomako amin’ny finoana niainan’ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy sy nanolo-tena hamonjy ahy: 21tsy ataoko very maina ny fahasoavan’Andriamanitra! Eny, raha ny lalàna no mahatonga ho marina eo imason’Andriamanitra, dia maty tsy amin’antony i Kristy.

vendredi 24 avril 2020

Zoma 24 Aprily 2020 - Dan 12 : 1 - 3

1«Hoy koa ilay anjely tamiko: ‹Amin’izany fotoana izany dia hitsangana i Mikaela, ilay filoha lehibe, izay mijoro homba ny firenenao; ary hisy fotoana mampahory tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisiam-pirenena ka hatramin’io fotoana io. Ary amin’izany fotoana izany dia ho voavonjy ny olona rehetra anisan’ny firenenao, ka hita voasoratra ao amin’ny boky. 2Ary olona marobe izay matory ao amin’ny vovoka ao am-pasana no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny zava-mahatsiravina mandrakizay. 3Ary ireo hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay nampianatra ny maro ho marina dia hamirapiratra tahaka ny kintana mandrakizay mandrakizay.

jeudi 23 avril 2020

Alakamisy 23 Aprily 2020 - Sal 30 : 1 - 13

1 Salamo nataon’i Davida. Hira tamin’ny fitokanana ny lapany.

2TOMPO ô, hankalaza Anao tokoa aho
noho Ianao nanafaka ahy tsy ho faty
ka tsy namela ahy hoesoim-pahavalo.

3Ry TOMPO Andriamanitro ô,
niantso vonjy taminao aho
ka dia nositraninao tokoa.
4Toa efa lasa tany am-pasana aho
fa novelominao indray, TOMPO ô;
toa efa tany amin’ny fonenan’ny maty aho
no nakarinao avy any.

5Mihirà salamo ho an’ny TOMPO,
ianareo mpivavaka aminy;
manaova fiderana Azy
ka tsarovy fa masina Izy.
6Indray mipi-maso ny hatezerany,
fa mandritra ny fiainana tontolo
no itosahan’ny fanambinany.
Hariva sy mandraka alina mbola misy ny tomany;
fa maraina kosa dia hobim-pifaliana.

7Tamin’ny fiadanako no nilazako hoe:
«Tsy hihontsona aho na oviana na oviana.
8Noho ny fanambinanao, TOMPO ô,
dia najoronao tamin-toerana avo aho.»
Kanjo tsy nanaiky hijery ahy Ianao
ka indro raiki-tahotra mafy aho.
9TOMPO ô, miantso vonjy aminao aho;
Ianao, ry Tompoko, no italahoako.
10Inona no soa azonao raha maty aho
na aidina halevina any am-pasana?
Izay lasa vovoka ve hidera Anao
na afaka hanambara fa mahatoky Ianao?
11TOMPO ô, henoy aho ka iantrao;
TOMPO ô, aoka hamonjy ahy Ianao!

12Dia navadikao ho dihy ny alaheloko.
Nesorinao tamiko ny fitafiam-pisaonako
ka nosoloanao akanjom-pifaliana.
13Izany no tsy hitsaharako
ny hisaotra Anao eram-po.
Ry TOMPO Andriamanitro ô,
hoderaiko mandrakizay Ianao.

mercredi 22 avril 2020

Alarobia 22 Aprily 2020 - Lio 24 : 44 - 49

44Avy eo i Jesoa dia nilaza taminy hoe:
–Izao no efa nambarako taminareo fony Izaho mbola teo aminareo: tsy maintsy tanteraka izay rehetra voalazan’ny Soratra Masina momba Ahy ao amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany ary ny salamo.

45Tamin’izay dia nosokafan’i Jesoa ny sain’ireo mpianatra mba hahafantatra ny Soratra Masina, 46sady hoy Izy taminy:
–Izao no voalazan’ny Soratra Masina: tsy maintsy hijaly ny Mesia, nefa tsy maintsy hitsangana velona avy any amin’ny maty, amin’ny andro fahatelo; 47ary ny anarany no tsy maintsy hotorîna hatao antso avo amin’ny firenen-drehetra miantomboka eto Jerosalema, mba hanainga ny olona hiala amin’ny toetra ratsiny sy handray famelan-keloka.

48Ianareo no vavolombelona hanambara izany! 49Indro hirahiko ho eo aminareo Ilay nampanantenain’ny Raiko; ianareo kosa mitoera eto an-tanàna mandra-pahahenika anareo ny hery avy any ambony.

mardi 21 avril 2020

Talata 21 Aprily 2020 - II Sam 22 : 47 - 51

47Velona ny TOMPO! Isaorana ilay Vatolampiko.
Hasandratra anie Andriamanitra
vatolampy mampandresy ahy.
48Izy no manao ny famaliana ho ahy
ary mampanaiky firenena hofeheziko.
49TOMPO ô, afahanao amin’ny fahavaloko aho;
eny, ataonao resiko ireo mpamely ahy
ary tsy mahazo ahy ny mpanao an-keriny.
50Koa eo anivom-pirenena no hiderako Anao
sady hankalazako Anao amin-kira.
51Ny TOMPO manome fandresena lehibe
ho an’ilay mpanjaka voafidiny;
ary maneho fitia an’ilay voahosony,
dia i Davida sy ireo taranany
hatrany amin’ny mandrakizay.

lundi 20 avril 2020

Alatsinainy 20 Aprily 2020 - Jao 20 : 24 - 29

24Fa i Tômà, ilay atao hoe Ikambana, anankiray tamin’ny 12 lahy, dia tsy mba tafaraka tamin’ireo mpianatra fony tonga i Jesoa. 25Ka hoy ny mpianatra sasany tamin’i Tômà:
–Efa nahita ny Tompo izahay!

Fa hoy i Tômà taminy:
–Raha tsy hitako eo amin’ny tanany roa ny loaky ny fantsika, ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atsofoko eo amin’ny fony ny tanako, dia tsy mba hino aho.
26Nony afaka herinandro, dia vory tao an-trano indray ny mpianatr’i Jesoa; ary tafaraka tamin’ireo koa i Tômà.

Voahidy avokoa ny varavarana, kanefa dia tonga i Jesoa nijoro teo afovoan’ny mpianatra ary nanao hoe:
–Ho ao aminareo anie ny fiadanana!

27Avy eo dia hoy Izy tamin’i Tômà:
–Arosoy eto ny rantsan-tananao ka jereo ny tanako roa; arosoy koa ny tananao ka atsofoy eto amin’ny foko; ary aza malain-kino, fa minoa!

28Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe:
–Tompoko sy Andriamanitro!

29Fa hoy i Jesoa taminy:
–Noho ianao nahita Ahy, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.

dimanche 19 avril 2020

Alahady 19 Aprily 2020 - Asa 2 : 29 - 36

29Ry havako, azoko lazaina mazava tsara ny amin’i Davida razambentsika: efa maty izy ary nalevina sady mbola eto amintsika mandraka androany ny fasany. 30Mpaminany izy ary nahalala fa Andriamanitra dia nianiana taminy nampanantena fa hisy anankiray amin’ny taranany hitsangana ho mpanjaka handimby azy.

31Efa tsinjon’i Davida mialoha izay hitranga ka ilay Mesia hitsangana ho velona no voalazany amin’ny hoe:

«Tsy nafoy ho any amin’ny toeran’ny maty Izy
ary ny nofony tsy tratry ny fahalòvana!»
32Iny Jesoa iny no natsangan’Andriamanitra ho velona ary vavolombelona manambara izany izahay rehetra. 33Nasandratra ho eo ankavanan’Andriamanitra Izy ka nandray avy tamin’ny Ray ny Fanahy Masina Izay nampanantenaina ary narotsany taminay izany araka izao hitanareo sy renareo izao.

34Satria i Davida tsy niakatra tany an-danitra fa ny tenany no milaza hoe:
«Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra
tamin’ny Mpanjaka Tompoko hoe:
Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako;
35Izaho kosa hanao ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao!»

36Noho izany, dia aoka ho fantatry ny vahoaka Israely rehetra mazava tsara fa iny Jesoa nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana iny indrindra no efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Mesia.

samedi 18 avril 2020

Sabotsy 18 Aprily 2020 - I Kor 15 : 1 - 11

1Tiako hampahatsiahivina anareo, ry havako, ilay Vaovao Mahafaly izay notorîko taminareo ka noraisinareo sady ifikiranareo. 2Izany Vaovao Mahafaly izany no amonjena anareo koa, raha tananareo araka ny nitoriako azy; raha tsy izany kosa dia ninonino foana ianareo.

3Izao no fampianarana isan’ny voalohany indrindra voaraiko ary nampitaiko taminareo: i Kristy dia maty ho fanalana ny fahotantsika araka ny voalazan’ny Soratra Masina, 4nalevina, nitsangana velona tamin’ny andro fahatelo araka ny voalazan’ny Soratra Masina, 5ary niseho tamin’i Petera, vao tamin’ny 12 lahy. 6Manaraka izany, dia mpianany mihoatra ny 500 no indray nisehoany: mbola velona mandraka androany ny ankamaroany amin’ireo, fa ny sasany ihany no efa nodimandry. 7Taorian’izay, dia nisehoany koa i Jakôba, vao ny apôstôly rehetra.

8Ary faran’izy rehetra, mba nisehoany koa aho, izay toy ny zaza tsy tonga volana. 9Raha izaho manko dia faraidiny amin’ny samy apôstôly, ka tsy mendrika hantsoina hoe apôstôly satria efa nanenjika ny Fiangonan’Andriamanitra. 10Saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy, ary tsy very maina tao amiko ny fahasoavana nomena ahy; fa niasa mihoatra noho ny apôstôly rehetra aho, kanefa tsy izaho, fa ilay fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko. 11koa izany àry no torînay, na izaho na ry zareo; ary izany no efa ninoanareo.

vendredi 17 avril 2020

Zoma 17 Aprily 2020 - Job 19 : 25 - 29

25Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy;
ka hitsangana farany eo amin’ny tany Izy.
26Rehefa mihintsana izao hoditro izao
ka ho afaka amin’ny nofoko aho,
dia hahita an’Andriamanitra.
27Eny, izaho mihitsy no hijery Azy,
ka ny masoko no hahita fa tsy ny hafa.
Efa sasa-miandry izany ny foko ato anaty.
28Hoy ianareo hoe: «Ahoana no fanenjika azy,
hahitana izay anton-javatra hitsarana azy?»
29Koa matahora ny sabatra ianareo,
fa hovalian-tsabatra ny di-dohanareo;
ary ho fantatrareo fa misy fitsarana.

jeudi 16 avril 2020

Alakamisy 16 Aprily 2020 - Sal 118 : 24 - 29

24Ity no andro nataon’ny TOMPO
mba hifaliantsika sy hiravoantsika.
25Miangavy re, TOMPO ô, omeo fandresena izahay;
miangavy re, TOMPO ô, omeo fanambinana izahay.
26 Hotahîna amin’ny anaran’ny TOMPO anie ilay avy.
Ianareo koa rarînay fitahiana
avy ato an-tranon’ny TOMPO.
27Ny TOMPO no Andriamanitra,
ka hanazava antsika anie Izy!
Milahara mitana sampan-drofia,
ka manatòna ny zoron’ny alitara.

28Andriamanitro Ianao ka hoderaiko,
eny, Andriamanitro ka hasandratro.
29Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy:
–Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

mercredi 15 avril 2020

Alarobia 15 Aprily 2020 - I Kor 15 : 12 - 23

12Raha i Kristy no torînay fa nitsangana velona avy tany amin’ny maty, ahoana no ilazan’ny sasany aminareo fa tsy hitsangana velona ny maty? 13Fa raha tsy hitsangana velona ny maty, na dia i Kristy aza dia tsy ho nitsangana velona mihitsy; 14ary raha tsy nitsangana velona i Kristy, dia tsy misy fotony izay torînay, ary tsy misy fotony izay inoanareo? 15Ary dia hita fa vavolombelona mandainga ny amin’Andriamanitra izahay, satria lainga no nanambaranay fa Andriamanitra dia nanangana an’i Kristy ho velona: na dia Andriamanitra aza tsy ho nanangana an’i Kristy ho velona, raha marina fa tsy mitsangana velona ny maty. 16Eny, raha marina fa tsy mitsangana velona ny maty, na dia i Kristy aza dia tsy ho nitsangana velona. 17Ary raha tsy nitsangana velona i Kristy, dia foana ny finoanareo ary mbola tavela ao amin’ny fahotanareo ihany ianareo. 18Ary dia very koa izay efa nodimandry ka nino an’i Kristy. 19Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia faran’izay mahonena isika amin’ny olon-drehetra.

20Efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty tokoa anefa i Kristy, santatra ho an’ireo nodimandry. 21Ary satria olona iray no niavin’ny fahafatesana, dia olona iray ihany koa no iavian’ny fitsanganan’ny maty. 22Eny, toy ny ahafatesan’ny olona rehetra noho izy tafaray amin’i Adama, no ahaveloman’ny olona rehetra noho izy tafaray amin’i Kristy, 23saingy manaraka ny filaharany avy: i Kristy no santatra, vao ireo voatokana ho an’i Kristy amin’ny fotoana hiavian’i Kristy.

mardi 14 avril 2020

Talata 14 Aprily 2020 - Heb 5 : 7 - 10

7I Jesoa, fahavelony teto an-tany, dia nanolotra fivavahana sy fitalahoana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Andriamanitra, Izay afa-mamonjy Azy tsy hiharan’ny fahafatesana; ary dia nohenoin’Andriamanitra izy, ka afaka tamin’ny tahotra ny ho faty. 8Na dia Zanak’Andriamanitra aza Izy, dia nianatra nanoa tamin’ny fijaliana niaretany. 9Nony efa tonga amin’izay fanaperana Izy, dia zary loharanom-pamonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manoa Azy, 10ary dia nambaran’Andriamanitra ho Mpisorombe araka ny fomban’i Melkitsedeka.

lundi 13 avril 2020

Alatsinainy 13 Aprily 2020 - Mat 28 : 11 - 15

11Raha mbola teny an-dalana ireto vehivavy, dia indreny tafaverina tao an-tanànan’i Jerosalema ny sasany tamin’ireo mpiambina ny fasana ka nitantara ny zava-nitranga rehetra tamin’ny lohandoha-mpisorona. 12Dia nivory niaraka tamin’ireo loholona ny lohandoha-mpisorona; ka rehefa nikaon-doha, dia nanome vola be ny miaramila ry zareo 13sady nanao taminy hoe:
–Lazao fa tonga alina ny mpianatr’i Jesoa nangalatra ny fatiny, raha sendra natory ianareo. 14Ary raha ren’ny governora izany, dia izahay no handresy lahatra azy sady hanao izay tsy hampaninona anareo.

15Dia nandray ny vola ny miaramila ka nanao araka ny teny nomen-dry zareo azy. Ary izany tantara izany no niely tamin’ireo Jiosy mandraka androany.

dimanche 12 avril 2020

Alahady 12 Aprily 2020 - Mar 16 : 9 - 20

[ 9Rehefa nitsangana velona i Jesoa ny alahady vao maraina be, dia tamin’i Maria avy any Magdalà, ilay nandroahany demony fito, no nisehoany voalohany. 10Io indray lasa nitantara tamin’ireo mpomba an’i Jesoa, izay mbola nisaona sy nitomany. 11Ireo anefa, nony nandre ny voalazan-dravehivavy fa hoe velona i Jesoa ary hitany, dia tsy nino.

12Taorian’izany, dia roa lahy tamin’ireo mpianatra no nisehoan’i Jesoa tamin’ny fomba hafa indray, raha ilay nandeha nankany ambanivohitra iny izy roa lahy. 13Ireo koa niverin-dalana nitantara tamin’ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa.

14Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan’i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona. 15Dia hoy koa i Jesoa taminy:
–Mandehana eran’izao tontolo izao, torio amin’ny olombelona rehetra ny Vaovao Mahafaly. 16Izay hino ka hatao batisa, dia ho voavonjy; fa izay tsy hino, dia hohelohina. 17Ary ireto no famantarana homba izay mino: handroaka demony amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny vaovao; 18handray menarana sy hisotro poizina mahafaty, nefa tsy haninon-tsy haninona; ary hametra-tanana amin’ny marary, dia ho sitrana ireny.

19Ary i Jesoa Tompo, rehefa avy niteny tamin’ny 11 lahy toy izany, dia nakarina any an-danitra ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. 20Ireo mpianany kosa lasa nitory ny Vaovao Mahafaly hatraiza haraiza; ary ny Tompo dia niara-niasa taminy sy nanome hery ny teny notorîny tamin’ny alalan’ny famantarana nampombany azy.]

samedi 11 avril 2020

Sabotsy 11 Aprily 2020 - Eks 12 : 1 - 13

1Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy sy Aharôna tany Ejipta hoe:

2«Ity volana ity aminareo no ho volana voalohany, ka izy no hataonareo fiandohan’ny taona. 3Ambarao amin’ny fiangonana israelita manontolo hoe: Amin’ny fahafolon’ity volana ity dia samia maka zanakondry iray avy isan-trano na isam-pianakaviana. 4Raha vitsy loatra ny iray trano tsy mahalany zanakondry iray, dia hiarahanareo maka amin’ny fianakaviana mifanakaiky aminareo izay araka ny isan’ny olona. Fidionareo ny biby araka izay mety ho lanin’ny tsirairay. 5Zanakondry lahy na zanakosy lahy tsy misy kilema, herintaona, no halainareo. 6Hotehiriziko hatramin’ny andro faha-14 amin’ity volana ity izany, ka ny harivan’io andro io dia samy hamono azy ny fiangonana israelita manontolo. 7Hanalanareo ny rany ka hanosoranareo ny tolam-baravarana roa sy ny tataom-baravarana isan-trano hihinanana azy. 8Atsatsiho amin’ny afo ny hena, ary hano amin’io alina io miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora sy ny anamafaitra. 9Aza haninareo manta na hahandroina ny hena, fa atsatsiho amin’ny afo manontolo miaraka amin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany. 10Aza asiana sisa ho tra-maraina; fa raha misy sisa tavela, dia dory amin’ny afo. 11Ary toy izao no hataonareo rehefa mihinana azy: asio sikina ny akanjonareo, anaovy ny kapanareo ary ataovy an-tanana ny tehinareo, dia hano faingana izany fa Paska ho an’ny TOMPO.

12«Hamakivaky ao amin’ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka hamono ny lahimatoa rehetra ao aminy manomboka amin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hotanterahiko ny didim-pitsarana hamelezana ny andriamanitry ny Ejiptianina rehetra. Izaho no TOMPO. 13Fa ho anareo kosa, ny ra dia ho famantarana ny trano izay itoeranareo; koa raha mahita ny ra Aho, dia handalo fotsiny, ka ny areti-mandringana dia tsy hahazo anareo rehefa mamely an’i Ejipta Aho.

vendredi 10 avril 2020

Zoma 10 Aprily 2020 - Isa 53 : 7 - 12

7Nampahorîna ny Mpanompon’ny Tompo,
nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava akory,
tahaka ny zanakondry entina hovonoina
sy tahaka ny ondrivavy
eo anatrehan’ny manety azy.
Eny, tsy niloa-bava akory izy.
8Nosamborina izy, dia nohelohina mafy ary novonoina;
ka, tamin’ireo mpiara-belona taminy,
iza moa no mba nieritreritra ny nanjo azy.
Fa nofongorana teo amin’ny tanin’ny velona izy;
ary ny heloky ny mpiray firenena aminy
no nikapohana azy ho faty?
9Nokasaina hiray fasana amin’ny olon-dratsy
izany Mpanompon’ny Tompo izany;
kanefa teo anivon’ny mpanankarena no nandevenana azy,
satria tsy nanao ratsy akory izy
ary tsy nisy fitaka teo am-bavany.
10Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony
ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana.
Fa rehefa nanolo-tena ho sorom-panorenana izy,
dia hahita taranaka sy ho ela velona;
ary amin’ny alalan’io mpanompony io rahateo
no hahatanteraka ny sitrapon’ny TOMPO.

11«Niaritra fahoriana mafy ny Mpanompoko, hoy ny TOMPO,
ka dia hahita ny taranaka sy ho lava andro iainana.
Ho fantatry ny olona fa marina io Mpanompoko io;
ka dia Izy no hahatonga ny besinimaro ho marina,
satria ny tenany no mivesatra ny helok’ireo.
12Noho izany, dia homeko anjara lova
eo amin’ny sehatry ny besinimaro izy
ka olona alikisa no hataony babo,
satria ny Mpanompoko efa nanolo-tena ho faty
sy nanaiky hatao ho isan’ny mpanao ratsy;
eny, izy no nitondra ny fahotan’ny besinimaro
ary nanao fanelanelanana ho an’ny olo-meloka.»

jeudi 9 avril 2020

Alakamisy 09 Aprily 2020 - Mar 14 : 32 - 42

32Dia tonga tany amin’ny saha atao hoe Getsemane i Jesoa mbamin’ireo mpianany, ka hoy i Jesoa taminy:
–Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako!

33Fa nentin’i Jesoa niaraka taminy kosa ry i Petera sy i Jôhany ary i Jakôba. Dia nanomboka nihoron-koditra sy feno tebiteby fatratra i Jesoa 34ka niteny tamin’izy telo lahy hoe:
–Ory dia ory ny fanahiko, ka hila hahafaty Ahy. Mijanòna eto ianareo ary miareta tory.

35Dia nandroso kely i Jesoa ary niankohoka tamin’ny tany, ka nivavaka mba hialan’izany ora fijaliana izany aminy raha azo atao; 36ary hoy Izy:
–Raiko ô, vitanao ny zavatra rehetra; esory lavitra ahy izao fijaliana izao, kanefa tsy hoe izay sitrapoko, fa izay sitraponao!

37Dia niverina nankeo amin’izy telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin’i Petera:
–Matory ve ianao, ry Simôna? Tsy nahari-tory adiny iray akory ve ianao? 38Miareta tory ianareo ary mivavaha mba tsy ho azon’ny fakampanahy. Marisika ihany ny fanahin’ny olona fa ny nofo no malemy.

39Dia nihataka indray i Jesoa ary namerina ny vavaka nataony teo. 40Nony niverina nankeo amin’izy telo lahy Izy, dia mbola nahita azy natory, fa efa navesatra ny masony ka tsy hitany izay havaly an’i Jesoa.

41Ary niverina fanintelony teo amin’izy telo lahy Izy dia nanao taminy hoe:
–Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Ampy izay! Tonga ny fotoanandro: indro efa hatolotra eo am-pelatanan’ny mpanota ny Zanak’olona! 42Mitsangàna, andao isika handeha! Indro efa akaiky ilay hanolotra Ahy!

mercredi 8 avril 2020

Alarobia 08 Aprily 2020 - II Kor 5 : 12 - 15

12Tsy hoe midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay hahazoanareo mirehareha ny aminay; ka dia mba hisy havalinareo ny olona mirehareha amin’ny zavatra eto ivelany fa tsy amin’ny zavatra ao am-po. 13Raha marina fa very saina izahay, dia ho an’Andriamanitra izany; raha mitombin-tsaina izahay, dia ho anareo izany. 14Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray; noho izany, nandalo fahafatesana koa izy rehetra. 15Maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony ireo velona, fa ho an’Ilay efa maty sy nitsangana velona hamonjy azy.

mardi 7 avril 2020

Talata 07 Aprily 2020 - Lio 22 : 24 - 34

24Nisy fifandirana teo amin’ny apôstôly ny amin’izay tokony ho lehibe indrindra amin’izy samy izy. 25Dia hoy i Jesoa taminy:
–Eo amin’ny hafa firenena, ny mpanjaka dia manjakazaka; ary ny mpanampatra fahefana dia antsoina hoe mpanasoa. 26Aminareo kosa tsy mba toy izany: izay lehibe kokoa eo aminareo no aoka ho toy ny zandriny, ary izay mpifehy ho toy ny mpanompo. 27Satria iza moa no lehibe kokoa: ny mipetraka mihinana sa ny mpanompo mampihinana? Moa ve tsy izay mipetraka mihinana? Izaho anefa eto afovoanareo dia toy ny mpanompo mampihinana. 28Ianareo dia naharitra niaraka tamiko tamin’ny fitsapana nanjo Ahy; 29Izaho kosa manendry anareo ho mpanjaka tahaka ny nanendren’ny Ray Ahy ho mpanjaka. 30Ka hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro ianareo any amin’ny Fanjakàko ary hipetraka ambony sezafiandrianana hitsara ny foko 12 amin’i Israely.

31Hoy i Jesoa tamin’i Petera:
–Ry Simôna, ry Simôna, indro efa notakîn’i Satàna hokotranina toy ny vary sivanina ianareo. 32Izaho efa nangataka ho anao mba tsy ho lefy ny finoanao; ianao kosa, rehefa tafaverina amiko, herezo ny rahalahinao.

33Fa i Petera niteny taminy hoe:
–Tompo ô, vonon-kanaraka Anao aho na ho any am-ponja sy ho any amin’ny fahafatesana aza!

34Dia hoy i Jesoa:
–Lazaiko aminao, ry Petera, fa mbola tsy haneno akory ny akoho anio, dia efa intelo no handavanao ho tsy mahalala Ahy!

lundi 6 avril 2020

Alatsinainy 06 Aprily 2020 - Apo 15 : 1 - 4

1Ary hitako nisy famantarana anankiray hafa tany an-danitra, famantarana sady lehibe no mahagaga: dia anjely fito izay nanana ny loza fito farany, satria amin’ireo loza ireo no hiseho faran’izay mafy indrindra ny haviniran’Andriamanitra.
2Ary hitako nisy toa ranomasina fitaratra miharo afo; ka izay olona naharesy an’ilay biby sy ny sariny ary ny isa mifandraika amin’ny anarany dia nijoro teo amoron’io ranomasina fitaratra io sady nitana ny lokanga nomen’Andriamanitra azy. 3Ary miventy ny hiran’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanakondry izy ireo manao hoe:

«Lehibe sy mahagaga ny asanao,
ry Tompo Andriamanitra Tsitoha!
Ara-drariny sy mahitsy ny fandaharanao
ry Mpanjakan’ny firenena!
4Iza no tsy hanaja Anao, ry Tompo?
Iza no tsy hanome voninahitra Anao?
Satria Ianao irery no masina,
ka ho avy ny firenena rehetra
hiankohoka eo anatrehanao,
fa efa naharihary ny fitsaranao ara-drariny.»

dimanche 5 avril 2020

Alahady 05 Aprily 2020 - Mar 11 : 1 - 11

1Ary nanakaiky an’i Jerosalema i Jesoa mbamin’ny mpianany sy ny vahoaka tafaraka taminy, ka mby tao amin’ny faritr’i Betifage sy i Betania, teo akaikin’ny tendrombohitra atao hoe Analanôliva.

Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany i Jesoa 2ka nanao taminy hoe:
–Mankanesa amin’itsy tanàna manoloana anareo itsy. Raha vao tafiditra ao ianareo, dia hahita zana-boriky mifatotra mbola tsy nitaingenan’olona; vahao izy dia ento atỳ. 3Ary raha misy olona manontany anareo hoe: «Ahoana no anaovanareo izao?», dia valio hoe: «Misy ilàn’ny Tompo azy, fa vetivety foana dia haveriny eto.»

4Dia lasa izy roa lahy ka nahita zana-boriky mifatotra eo alatrano akaiky varavarana teo amoron-dalana, dia novahany. 5Fa ny sasany tamin’ny olona nijoro teo nanontany azy roa lahy hoe:
–Hataonareo inona no vahanareo ity zana-boriky?

6Dia novaliany araka ny nanafaran’i Jesoa azy, ka navelan’ny olona. 7Nentin’izy roa lahy nankeo amin’i Jesoa ilay zana-boriky, ka nametrahan’ny mpianatra rehetra ny lambany teo amboniny ary dia nitaingenan’i Jesoa.

8Maro ny olona namelatra ny lambany teny amin’ny lalana; ny an’ny sasany kosa rantsan-kazo tinapaka teny an-tsaha. 9Ary ireo olona nialoha an’i Jesoa na ireo nanaraka Azy dia samy niantsoantso hoe:
–Dera anie ho an’Andriamanitra! Hombam-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy! 10Hombam-pitahiana anie ity Fanjakana tonga, dia ny Fanjakan’i Davida raintsika! Dera anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra!

11Dia niditra tao Jerosalema i Jesoa ka namantana tao an-kianjan’ny tempoly; ary nony avy nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro, dia lasa nankany Betania niaraka tamin’ny 12 lahy.

vendredi 3 avril 2020

Zoma 03 Aprily 2020 - I Kor 15 : 50 - 58

50Izao kosa no lazaiko, ry havako: ny olombelona nofo aman-dra dia tsy afaka hanana anjara amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra; ary izay tratry ny fahalòvana dia tsy afaka hahazo anjara amin’ny tsy fahalòvana.

51Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovàna avokoa isika rehetra. Satria haneno ny trompetra farany, dia hitsangana velona ireo maty ka tsy ho tratry ny fahalòvana intsony; ary hovàna isika. 53Ka ity mety lo ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahalòvana, ary ity mety maty ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahafatesana. 54Fa rehefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ilay tenin’ny Soratra Masina hoe:

«Noresena ny fahafatesana ka levona!»
55«Aiza ny fandresenao, ry fahafatesana?
Aiza ny lefonao maranitra, ry fahafatesana?»
56Fa ny fahotana no lefona maranitra anindronan’ny fahafatesana, ary ny lalàna no hery ahombiazan’ny fahotana. 57Kanefa hisaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!

58Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy ho voahozongozona, hahefa bebe kokoa hatrany eo amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fisasaranareo amin’ny fanompoana ny Tompo.

jeudi 2 avril 2020

Alakamisy 02 Aprily 2020 - Deo 11 : 2 - 7

2Tsy ny zanakareo no itenenako izao fa ianareo. Tsy ny zanakareo manko fa ianareo no nahalala sy nahita ny fomba nitantanan’ny TOMPO Andriamanitrareo fahizany, dia ny fahalehibiazan’ny TOMPO sy ny fiarovany mahery ary ny fahefany tsy hay tohaina 3mbamin’ny famantarana sy asa nataony. Teo ny nataon’ny TOMPO tany Ejipta hamelezana ny Farao mpanjakan’ny Ejiptianina sy hamelezana ny taniny manontolo; 4teo ny nataon’ny TOMPO hamelezana ny tafika ejiptianina sy ny soavaliny aman-kalesiny, dia ny nanaronany azy tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara fony nanenjika anareo izy ka voaringana tsy hisy intsony; 5ary teo ny nataony hanasoavana anareo tatỳ an-taniefitra mandra-pahatonganareo amin’izao toerana izao. 6Teo koa ny namelezan’ny TOMPO an’i Datàna sy i Abirama izay samy zanakalahin’i Eliaba, taranak’i Reobena; teo afovoan’ny Israelita rehetra no nisokafan’ny tany sy nitelemany azy roa lahy mbamin’ny ankohonany sy ny lainy ary ny olona rehetra mpomba azy. 7Eny, efa nahita maso ireny asa lehibe rehetra nataon’ny TOMPO ireny ianareo.

mercredi 1 avril 2020

Alarobia 01 Aprily 2020 - Oha 14 : 24 - 27

24Ny hareny no satroboninahitry ny hendry;
fa hadalana kosa no ironan’ny adala.
25Ny vavolombelona marina mahavonjy ain’olona,
fa ny vavolombelona sandoka kosa dia fiasan’ny lainga.
26Izay manaja ny TOMPO dia manam-pialofana mahatoky;
ary misy fiarovana koa ho an’ny zanany.
27Ny fanajana ny TOMPO dia loharanom-piainana,
hahazoana miala amin’ny fandrika mahafaty.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12