samedi 31 octobre 2020

Sabotsy 31 Oktobra 2020 - Neh 5 : 1 - 13

 1Indray andro dia nisy lehilahy sy vehivavy sarambabem-bahoaka nitaraina mafy noho ny ataon’ny Jiosy sasany mpiray firenena aminy. 2Fa nisy nanao hoe: «Maro izahay mbamin’ny zanakay lahy aman-janakay vavy; koa te hahazo vary izahay mba hohaninay sy hivelomanay». 3Nisy koa nanao hoe: «Ny sahanay sy ny tanimboalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka; koa te hahazo vary izahay mandritra ny mosary». 4Nisy indray nanao hoe: «Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran’ny amperôra; ary ny sahanay sy ny tanimboalobokay no nataonay antoka. 5Kanefa mba tahaka ireo mpiray firenena aminay ihany ny tenanay, ary tahaka ny zanak’ireo ihany ny zanakay; saingy na izany aza, dia voatery manolotra ny zanakay lahy sy vavy ho mpanompo izahay, ary ny sasany amin’ny zanakay vavy efa mpanompo rahateo. Tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan’ny hafa ny sahanay sy ny tanimboalobokay».

6Dia tezitra mafy aho rehefa nahare ny fitarainan’ny olona sy izany teny izany. 7Koa nanapa-kevitra anakampoko aho fa ny loholona sy mpanapaka no hanariko noho izy samy nampanàna zavatra tamin’ny mpiray firenena aminy. Dia nampanao fivoriam-be hitsarana azy aho 8sady niteny taminy hoe:

–Izahay, araka izay tratry ny fanananay, dia efa nanavotra ny mpiray firenena aminay, izany hoe ireo Jiosy namidy tamin’ny hafa firenena; fa ianareo kosa mivarotra ny mpiray firenena aminareo, ka amintsika samy isika ihany no ivarotanareo azy.

Dia sina ry zareo fa tsy nahita havaly. 9Ary hoy koa aho hoe:

–Tsy tsara izao ataonareo izao! Moa tsy tokony niaina tamim-pahatahorana an’Andriamanitra ve ianareo mba tsy hiharan’ny fanaratsian’ireo hafa firenena fahavalontsika? 10Izaho sy ny havako ary ny mpanompoko dia efa nampisambotra vola sy vary, koa aoka re isika mba samy hamoy izany trosa izany! 11Eny, avereno amin’ny mpitrosa, izao anio izao ihany, ny sahany sy ny tanimboalobony mbamin’ny tanin’ôlivany sy ny tranony; ary afoizo ny tombon-tsoa ateraky ny vola mbamin’ny vary sy divay ary menaka izay nampisamborinareo.

12Dia hoy ireo hoe:

–Eny, hanao araka izay lazainao izahay. Hamerina izay nalainay izahay ary tsy hitaky na inona na inona amin’ny mpitrosa.

Dia niantso ny mpisorona aho ka teo anatrehany no nampianianako an’ireo mpampisambotra fa hanao araka izany toky nomena izany. 13Avy eo aho dia nanakopaka ny lambako sady niteny hoe:

–Ho tahaka izany anie no hanakopahan’Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy hahatanteraka izany toky nomena izany! Eny, ho voakopaka hiala amin’ny tranony sy ny fananany anie izy, ka ho tavela tsy hanana na inona na inona!

Dia ny fivoriam-be no indray namaly hoe «Amen» sady nidera ny TOMPO; ary nanao araka izany toky nomena izany tokoa ny olona.

vendredi 30 octobre 2020

Zoma 30 Oktobra 2020 - Kol 2 : 4 - 7

 4Lazaiko aminareo izany mba tsy hahavoafitaka anareo amin’ny fandrebirebena tsara lahatra. 5Fa na dia lavitra anareo aza aho ara-batana, dia eo aminareo ihany am-panahy; ka faly aho mahita fa milamina tsara ianareo ary ijoroanareo mafy ny finoanareo an’i Kristy.

Hafenoan’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy

6Noho ianareo efa nandray an’i Kristy Jesoa ho Tompo, dia manaova fitondrantena toy ny olona tafaray aminy. 7Aoka hahazo vahatra sy hiorina ao amin’i Kristy ianareo; aoka hihamafy hatrany ny finoanareo araka izay efa nampianarina anareo, ary aoka ho feno fisaorana an’Andriamanitra ianareo.

jeudi 29 octobre 2020

Alakamisy 29 Oktobra 2020 - Mpits 3 : 7 - 11

 7Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO ny Israelita fa nanadino ny TOMPO Andriamaniny ka nanompo ireo Bahala sy ireo Aserà. 8Dia nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita ny TOMPO ka nanolotra azy teo an-tanan’i Kosàna-Risehataîma, mpanjakan’i Mezôpôtamia; ary nandritra ny valo taona no nanompoany azy. 9Koa niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny Israelita; ary IZY nanangana mpamonjy izay hanafaka ny Israelita, dia i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza izay zandrin’i Kaleba. 10Dia nitoetra tao aminy ny Fanahin’ny TOMPO, ka nitondra ny Israelita izy. Ary niainga hiady i Hôtniela; dia natolotry ny TOMPO teo an-tanany i Kosàna-Risehataîma mpanjakan’i Mezôpôtamia ka resiny. 11Dia nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona; avy eo dia maty i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza.

mercredi 28 octobre 2020

Alarobia 28 Oktobra 2020 - Jao 4 : 46 - 54

 46Tamin’izay i Jesoa dia nankany Kanà tanànan’i Galilea indray, tany amin’ilay nanovany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray nanan-janaka lahy narary tany Kafarnahòma. 47Rehefa reny fa hoe tonga ao Galilea avy tany Jodea i Jesoa, dia nanatona Azy ilay tandapa ary niangavy Azy mba hidina any Kafarnahòma hanasitrana ny zanany lahy efa ho faty. 48Ka hoy i Jesoa taminy:

–Raha tsy mahita famantarana sy zava-mahagaga ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy!

49Fa novalian’ilay tandapa hoe:

–Midîna re, Tompoko, dieny mbola tsy maty ny zanako!

50Ka hoy i Jesoa taminy:

–Ndeha mody, fa velona soa aman-tsara ny zanakao!

Nino ny teny voalazan’i Jesoa taminy ralehilahy, ka lasa nody. 51Efa teny an-dalana midina ho any Kafarnahòma izy no tamy nitsena azy ny mpanompony ka nilaza hoe:

–Velona soa aman-tsara ny zanakao!

52Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany ka hoy ireo taminy:

–Omaly tamin’ny iray tolakandro no nialan’ny tazo taminy.

53Koa fantatry ny rain-drazazalahy fa tamin’izany ora izany indrindra no nanaovan’i Jesoa taminy hoe: «Velona soa aman-tsara ny zanakao»; dia nino izy mbamin’ny ankohonany rehetra.

54Izany no famantarana faharoa nataon’i Jesoa, dia fony Izy tonga tao Galilea avy tany Jodea.

mardi 27 octobre 2020

Talata 27 Oktobra 2020 - II Tim 3 : 10 - 12

 10Fa ianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny foto-pisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, 11ny fanenjehana ahy ary ny fijaliana nanjo ahy. Fantatrao avokoa izay nihatra tamiko tany Antiôkia, tany Ikôniôma, tany Listra, mbamin’ireo fanenjehana nianjady tamiko; kanefa dia nafahan’ny Tompo tamin’izany rehetra izany aho. 12Eny, izay te hiaina araka ny maha mpivavaka tafaray amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina.

lundi 26 octobre 2020

Alatsinainy 26 Oktobra 2020 - Mar 7 : 31 - 37

 31Dia niala tao amin’ny faritanin’i Tiro i Jesoa ka nandalo tany Sidôna ary niverina teo amin’ny farihin’i Galilea, rehefa avy namakivaky ny faritany atao hoe Dekapôly. 32Dia nisy lehilahy sady marenina no raiki-dela, nentin’ny olona ho eo aminy ary niangaviany Azy hametrahany tanana. 33Dia nentin’i Jesoa nihataka irery lavitra ny vahoaka ralehilahy ka noharoniny tamin’ny rantsan-tanana ny sofiny, ary nokasihiny sady nasiany rora ny lelany. 34Dia niandrandra ny lanitra i Jesoa sady nisento ary niteny tamin-dralehilahy hoe:

–Efatà! (izany hoe: «misokafa!»).

35Ary niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofin-dralehilahy ary nivaha ny fatoran’ny lelany, ka afaka niteny tsara izy. 36Dia namepetra ny olona teo i Jesoa tsy hitantara na amin’iza na amin’iza; kanefa arakaraka ny nameperan’i Jesoa azy no vao mainka koa nampielezany izany. 37Ary dia talanjona izaitsizy ny olona ka vaky vava hoe:

–Tsara avokoa no nanaovany ny zavatra rehetra, fa sady nampalady ny marenina Izy no nampiteny ny moana.

dimanche 25 octobre 2020

Alahady 25 Oktobra 2020 - Isa 7 : 1 - 9

 1Tamin’ny andro nanjakàn’i Ahaza, zanakalahin’i Jôtama sady zafikelin’i Hozià mpanjakan’i Joda, dia niakatra i Retsîna mpanjakan’i Siria sy i Peka, zanakalahin’i Remalià sady mpanjakan’i Israely, mba hanafika an’i Jerosalema, kinanjo tsy nahafaka azy. 2Dia nampandrenesina i Ahaza, taranak’i Davida, sy ny tao an-dapany fa efa mitoby any Efraîma ny Sirianina. Koa taitra ny fon’ny mpanjaka sy ny an’ny vahoakany, tahaka ny hazo any an’ala rehefa tsofin’ny rivotra.

3Dia hoy ny TOMPO tamin’i Isaià:

–Mivoaha ny trano ianao mba hitsena an’i Ahaza, dia ianao sy i Seara-Jasoba zanakao lahy, fa efa mby amin’ny lakandrano ambony izy, eo amin’izay lalana mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba. 4Ary lazao aminy hoe: «Tandremo! Aza taitaitra foana, aza matahotra. Aoka tsy ho ketraka ny fonao noho ny fahatezeran’i Retsîna avy any Siria sy ny fahatezeran’ny zanakalahin’i Remalià, fa tapa-porohana midonaka ihany ireo. 5Ny Sirianina ary i Peka sy ny Efraîmita dia efa niray tetika tokoa hanisy ratsy anao ka nanao hoe: 6‹Andeha isika hiakatra hamely an’i Joda mba hampitahotra azy, ka hoterentsika hanaraka antsika izy; dia ilay zanakalahin’i Tabeela no hatsangantsika hanjaka ao aminy.› 7Izao kosa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY:

‹Tsy ho tanteraka sady tsy hisy izany

8-9I Damasy manko no renivohitr’i Siria,

ary ao ihany i Retsîna no filoha;

i Samaria no renivohitr’i Efraîma,

ary ao ihany i Peka no filoha.

I Efraîma, ao anatin’ny 65 taona,

dia tsy ho vanon-ko firenena intsony.›

Kanefa raha tsy ny TOMPO no itokianareo,

dia tsy ho azo itokiana haharitra koa ianareo.»

samedi 24 octobre 2020

Asabotsy 24 Oktobra 2020 - Ezr 10 : 1 - 8

 1Raha mbola nanao izany vavaka fieken-keloka izany i Hezrà sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra, dia nisy vahoaka israelita maro, lehilahy sy vehivavy mbamin’ny ankizy madinika, nivory nanodidina azy; ary nitomany mafy dia mafy izy rehetra. 2Tamin’izany no niteny i Sekanià, zanakalahin’i Jehiela sady anisan’ny taranak’i Helama, ka nanao tamin’i Hezrà hoe:

–Efa nanao izay mahadiso amin’Ilay Andriamanitsika izahay, satria naka vehivavy hafa firenena anisan’ireo mponin’ity tany ity ho vadinay; nefa na izany aza, dia mbola misy fanantenana ihany ho an’i Israely. 3Aoka hifanaiky amin’Ilay Andriamanitsika izahay fa handroaka mbamin-janany ireo vehivavy rehetra hafa firenena ireo. Harahinay ny anatra nataonao sy naroson’izay fatra-panaja ny didin’Andriamanitra; aoka hatao araka ny lalànany tokoa izany! 4Mitsangàna fa adidinao izao raharaha izao; ary izahay koa vonon-kiaraka aminao. Aoka ho sahinao atao izany!

5Dia nitsangana i Hezrà ka nampianiana ny lohandohan’ireo mpisorona levita10.5 mpisorona levita: Jereo Deot 17.9 sy nta. sy ireo filohan’ny Israelita hanao araka izany tolokevitr’i Sekanià izany; ary dia nianiana ireo. 6Taorian’izay i Hezrà no niala teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra ka nankany amin’ny efitranon’i Jôhanàna zanakalahin’i Eliasiba ary nitoetra tao; saingy tsy nety nihinan-kanina sy nisotro rano izy satria nalahelo tokoa noho ny fahadisoan’ireo Jiosy tafaverina avy any an-tsesitany.

7Dia nisy teny nalefa eran’i Jerosalema sy i Joda ho an’ireo Israelita tafaverina avy any an-tsesitany mba hivory ao Jerosalema; 8ary na iza na iza tsy tonga anatin’ny telo andro, araka ny tenin’ireo lehibe sy loholona, dia horobaina ny fananany rehetra ary hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana israelita izy.

vendredi 23 octobre 2020

Zoma 23 Oktobra 2020 - Mat 21 : 18 - 22

 18Dia niverina maraina ho any an-tanàna i Jesoa ary nahatsiaro noana. 19Nahatazana aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia lasa nankeo; kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy afa-tsy raviny fotsiny. Dia hoy i Jesoa tamin’ilay aviavy:

–Tsy hamoa intsony ianao na oviana na oviana!

Ary vetivety foana dia maina ilay aviavy. 20Gaga ny mpianatra nahita izany ka vaky vava hoe:

–Ahoana re no nahamaina vetivety io aviavy io?

21Dia novalian’i Jesoa hoe:

–Izao no lazaiko marina aminareo; raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia tsy izao nataoko tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hitenenanareo hoe: «Mialà eo ary mianjerà any an-dranomasina», dia ho tonga izany. 22Raha mino ianareo, na inona na inona hangatahinareo amin’ny fivavahana dia ho azonareo avokoa.

jeudi 22 octobre 2020

Alakamisy 22 Oktobra 2020 - I Kor 4 : 14 - 21

 14Tsy ny hanome henatra anareo no anoratako izany, fa ny hananatra anareo, araka ny maha zanaka malalako anareo. 15Na dia miisa iray alina aza ny mpanabe anareo amin’izao maha kristianina anareo izao, dia tsy maro ray tsy akory ianareo: izaho no rainareo ka nahatonga anareo ho tafaray amin’i Kristy Jesoa tamin’ny alalan’ny Vaovao Mahafaly. 16Koa miangavy anareo aho: manahafa ahy. 17Noho izany, dia alefako atỳ aminareo i Timôty4.17 Timôty: jereo Asa 16.1., zanaka malalako sady mahatoky amin’ny fanompoana ny Tompo. Izy no hampahatsiaro anareo ireo lalana nodiaviko nahatafaray ahy amin’i Kristy Jesoa, araka izay ampianariko amin’ny Fiangonana rehetra hatraiza hatraiza.

18Nisy manko taminareo nirehareha hoatra ny tsy ho tonga hitsidika anareo iny aho. 19Kanefa ho avy faingana hitsidika anareo aho, raha sitrapon’ny Tompo; ary tsy izay tenin’ireo mpirehareha no hofantariko fa izay zavatra vitany. 20Ny Fanjakàn’Andriamanitra dia tsy teny foana fa hery mahavita zavatra. 21Ka asa izay tianareo: ho avy hitsidika anareo aho, ka tsorakazo ve no hoentiko sa fo feno fitiavana sy fahalemem-panahy?

mercredi 21 octobre 2020

Alarobia 21 Oktobra 2020 - II Tan 20 : 20 - 23

 20Nifoha maraina koa ireto Jodeanina sy mponin’i Jerosalema ny ampitso, dia niainga nankany amin’ny taniefitr’i Tekôa. Teo am-piaingàny, dia nitsangana i Jôsafata ka nanao hoe:

–Mihainoa ahy ianareo, ry Jodeanina sy ry mponin’i Jerosalema. Matokia ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo; matokia ny mpaminaniny, dia handresy ianareo!

21Rehefa niara-nidinika tamin’ny vahoaka i Jôsafata, dia nanendry mpihira hialoha ny tafika, ka hanao fanamiana masina sady hidera ny TOMPO hanao hoe: «Miderà ny TOMPO ianareo; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!»

22Raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo mpihira, dia nataon’ny Tompo nisy fifanjevoana teo amin’ny Hamônita sy Môabita ary Edômita izay tonga hanafika ny Jodeanina, ka dia nifamely ireo. 23Nitsangana ny Hamônita sy Môabita hamely ny Edômita, ka namono nahafaty sy nandringana azy; ary nony voaringan’izy roa tonta ny Edômita, dia izy samy izy kosa avy eo no nifandringana.

mardi 20 octobre 2020

Talata 19 Oktobra 2020 - Lio 7 : 1 - 10


1Rehefa avy nampandre ny vahoaka izany teniny rehetra izany i Jesoa, dia niverina tany Kafarnahòma. 2Nisy kosa kapitenin-tafika nanana mpiasa narary efa ho faty, mpiasa sarobidy aminy tokoa. 3Vao nahaheno ny amin’i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholona jiosy hankany aminy hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay mpiasa. 4Rehefa tonga teo amin’i Jesoa ireto iraka, dia niangavy Azy mafy hoe:

–Mendrika hanaovana izany io kapiteny io fa tia ny firenentsika, 5ary izy mihitsy aza no nanorina ny sinagôgantsika.

6Dia niara-nandeha tamin’ireo loholona i Jesoa. Ary rehefa mby akaikin’ny trano Izy, dia nanirahan’ilay kapiteny olona mahatoky indray hilaza aminy hoe:

–Aza misahirana toy izao re, Tompoko, fa tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; 7ary izany no anton’ny tsy nisehoako vatana taminao; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana anie ny mpiasako. 8Izaho manko, na ambany fahefàn’olona aza, mba mifehy miaramila ihany: ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.

9Gaga tamin’ilay kapiteny i Jesoa raha nandre izany, ary dia nitodika tamin’ny vahoaka nanaraka Azy ka nanao hoe:

–Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza!

10Nony tafaverina tany an-tranon’ilay kapiteny ireto iraka, dia nahita ilay mpiasa salama soa aman-tsara.

lundi 19 octobre 2020

Alatsinainy 19 Oktobra 2020 - Est 4 : 10 - 17

10fa mbola nirahin’ity mpanjakavavy indray izy hilaza amin’i Môrdôkay hoe: 11«Ny olona rehetra, hatramin’ny mpanompon’ny amperôra sy sarambabem-bahoaka any amin’ny faritany aza, dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ny amperôra ho eo an-kianja anatin’ny lapa, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia lalàna tokana manameloka ho faty no mihatra aminy; izay hotondroin’ny amperôra amin’ny tehim-bolamena ihany no ho velona. Izaho kosa efa telopolo andro izay no tsy nantsoina hankao amin’ny mpanjaka.» 12Rehefa nilazana ny tenin’i Estera i Môrdôkay, 13dia izao no nasainy navaly azy: «Aza mihevitra anakampo fa ho afaka irery amin’ny Jiosy rehetra ianao satria monina ao an-dapa. 14Raha hangina mihitsy ianao amin’ity toe-javatra ity, dia hisy fanampiana sy fanafahana hipoitra avy any an-kafa4.14 avy any an-kafa: firotsahan’Andriamanitra an-tsehatra no fonosin’izany fomba fiteny izany. ho an’ny Jiosy; fa ianao no haringana ary ho lany tamingana ny fianakavianao. Ary iza no mahalala fa angamba ho amin’ity toe-javatra ity mihitsy no nanandratana anao ho mpanjakavavy?» 15Izao kosa no nasain’i Estera navaly an’i Môrdôkay: 16«Ndeha vorio àry ny Jiosy rehetra eto Sosany; dia manaova fifadian-kanina noho ny amiko ianareo, ka aza mihinana na misotro mandritra ny telo andro sy telo alina. Hifady hanina toy izany koa ny tenako sy ireo mpanompovaviko; avy eo dia hankao amin’ny amperôra aho, na dia tsy ara-dalàna aza izany. Koa raha tsy maintsy ho faty aho, dia ho faty!» 17Dia lasa i Môrdôkay nanao araka izay rehetra nandidian’i Estera azy.

dimanche 18 octobre 2020

Alahady 17 Oktobra 2020 - II Tim 1 : 1 - 5

 1Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin’i Kristy Jesoa noho ny sitrapon’Andriamanitra mba hitory ny fiainana nampanantenaina izay ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa.

2Mamangy anao aho, ry Timôty1.2 Jereo Asa 16.1. zanako malala. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Tompontsika!

Fampirisihana mba ho mahatoky amin’ny finoana

3Velom-pisaorana an’Andriamanitra aho, dia Andriamanitra Izay tompoiko amin’ny fieritreretana mahitsy toy ny nataon’ireo razako1.3 Jiosy nanaraka tsara ny fivavahan-drazany ny fianakaviana nipoiran’i Paoly (jereo Fil 3.4-5).. Velom-pisaorana Azy aho rehefa mahatsiaro anao tsy tapaka amin’ny fivavahana ataoko andro aman’alina. 4Tsaroako ny ranomasonao1.4 Ao an-tsain’i Paoly ny alahelon’i Timôty fony nilaozany tany Efeso (jereo 1Tim 1.3)., ka tsy andriko mihitsy ny hahitako anao mba ho safononoka ny hafaliako. 5Tsahiviko ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, dia ilay finoana efa nananan’i Lôisa renibenao sy i Eonika reninao talohanao. Azoko antoka fa anananao koa izany.

samedi 17 octobre 2020

Asabotsy 17 Oktobra 2020 - I Jao 1 : 5 - 10

 5Izao no hafatra renay tamin’i Jesoa Kristy, ka mba ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy mba misy haizina akory ao aminy. 6Raha milaza ho manam-piombonana amin’Andriamanitra isika, nefa miaina ao amin’ny haizina, dia mandainga sady tsy manatanteraka ny hafatra marim-pototra. 7Andriamanitra dia ao amin’ny mazava: ka raha miaina ao amin’ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny karazam-pahotana rehetra.

8Raha milaza ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny hafatra marim-pototra. 9Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mitana ny toky nomeny Andriamanitra sady miantra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin’ny ratsy isan-karazany1.9 Ampit Sal 32.1-5.. 10Raha milaza ho tsy nanota isika, dia mampandainga an’Andriamanitra sady tsy ao anatintsika ny teniny.

vendredi 16 octobre 2020

Zoma 16 Oktobra 2020 - I Sam 17 : 42 - 51

 42Dia nandinika an’i Davida ilay Filistinina ka naneso azy, satria hitany fa mbola tanora izy no mazava endrika17.42 Jereo 16.12 sy nta. ary tsara tarehy. 43Ary hoy i Gôliata tamin’i Davida:

–Alika angaha aho no hatonin’ialahy amin’ny tehina? Ho voaozona anie ialahy amin’ny alalan’ireo andriamanitray! 44Avia atỳ, fa homeko ny voro-manidina sy ny bibidia ny nofon’ialahy.

45Dia hoy ny navalin’i Davida azy:

–Manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy ianao, izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’ny TOMPOn’izao rehetra izao, Andriamanitry ny tafik’i Israely, Izay efa nohantsinao. 46Anio ihany no hanoloran’ny TOMPO anao ho eo am-pelatanako, hahafaty anao aho ka hanapaka ny lohanao. Anio koa dia homeko hohanin’ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatin’ny miaramila filistinina. Ary ho fantatry ny tany tontolo fa manana Andriamanitra tokoa i Israely. 47Dia ho fantatry ny Fiangonan’i Israely tsivakivolo koa fa tsy mba mila sabatra na lefona ny TOMPO hanomezam-pandresena. An’ny TOMPO ny ady, koa dia hatolony ho eo an-tananay ianareo.

48Raha vao nanomboka nihetsika hanatona an’i Davida ilay Filistinina, dia nihazakazaka mafy i Davida hitsena azy. 49Nandray vato tao anaty kitapony i Davida ary nandefa izany tamin’ny antsamotady ka nahavoa ilay Filistinina teo an-tampon-kandriny. Tafalentika teo ilay vato ka nidaraboka niankohoka tamin’ny tany izy.

50Toy izany no nandresen’i Davida an’i Gôliata ka namonoany azy tamin’ny antsamotady sy ny vato, fa tsy mba tamin’ny sabatra.

51Dia nihazakazaka nankeny amin’i Gôliata i Davida ka nanatsoaka ny sabatr’i ilay rapeto tamin’ny tranony ary nanapaka ny lohany. Koa rehefa hitan’ny Filistinina fa maty ilay maherifony, dia nitsoaka nandositra izy ireo.

jeudi 15 octobre 2020

Alakamisy 15 Oktobra 2020 - Mar 15 : 42 - 47

 42-43Efa hariva ny andro no tonga i Jôsefa avy any amin’ny tanàna atao hoe Harimatia15.42 Harimatia: jereo Mt 27.57 sy nta.. Lehilahy manan-kaja tao amin’ny Fitsarana ambony izy sady fatra-piandry ny Fanjakàn’Andriamanitra. Andro fiomanana tamin’io, izany hoe andro mialoha ny sabata; koa lasa i Jôsefa niditra tamim-pahasahiana tao an-tranon’i Pilato ary nangataka ny vatan’i Jesoa. 44Fa gaga i Pilato raha hoe maty sahady i Jesoa, ka dia nampiantso ny kapiteny ary nanontany azy raha efa ela no nahafatesany. 45Nony reny ny filàzan’ilay kapiteny, dia navelany homena an’i Jôsefa ny faty. 46Dia nividy lamba sarobidy i Jôsefa, ary nampidininy avy teo amin’ny hazofijaliana ny vatan’i Jesoa ka nofonosiny lamba sarobidy ary napetrany tao amin’ny fasana nolavahana tamin’ny vatolampy; dia nanakodiavany vato teo amin’ny vavafasana. 47Ary nataon’i Maria avy any Magdalà sy i Maria renin’i Jôsèta tsara jery ny toerana nametrahan’i Jôsefa an’i Jesoa.

mercredi 14 octobre 2020

Alarobia 14 Oktobra 2020 - I Kor 16 : 13 - 18

 13Miambena ianareo, mamahara tsara amin’ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. 14Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra.

15Fantatrareo ry i Stefanasy mianakavy16.15 Jereo 1.16.: ireo no kristianina voalohany tany Akaîa sady nanokan-tena hanampy ny vahoakan’Andriamanitra. Mangataka anareo aho, ry havako, 16mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny mbamin’izay rehetra miara-miasa sy miara-misasatra aminy.

17Mahafaly ahy ny fahatongavan’i Stefanasy sy i Fôrtnato ary i Akaîko, fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo. 18Sady namelombelona ahy izy telo lahy no namelombelona anareo. Koa mahaiza mankasitraka ny olona tahaka ireny.

mardi 13 octobre 2020

Talata 13 Oktobra 2020 - Gen 22 : 1 - 14

 1Taorian’izany toe-javatra izany, dia nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka niantso azy hoe:

–Ry Abrahama!

Dia namaly i Abrahama hoe:

–Inty aho.

2Dia hoy Andriamanitra hoe:

–Ento i Itsehàka zanakao lahitokana izay tianao; dia mandehana any amin’ny tany Môrià eo ambonin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko anao, ka atolory ho sorona dorana eo izy22.2 Môrià: jereo 2 Tan 3.1. –atolory ho sorona dorana eo izy: jereo Heb 11.17-19..

3Dia nifoha vao maraina be i Abrahama nony ampitso. Namaky kitay hanaovana sorona izy, dia nanisy lasely ny borikiny ary niainga ho any amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra. Nentiny niaraka taminy koa ny zatovony roa lahy sy i Itsehàka zanany lahy. 4Nony afaka ampitso maraina dia tazan’i Abrahama tery lavitra tery ny tendrombohitra izay halehany. 5Koa hoy izy tamin’ireo zatovony roa lahy:

–Mijanòna eto ianareo miaraka amin’ny boriky, fa izaho sy ny zazalahy handeha hatreny an-tendrombohitra mba hivavaka amin’Andriamanitra, dia hiverina aty aminareo indray.

6Dia nalain’i Abrahama ny kitay hanaovana sorona ka natataony an’i Itsehàka zanany; fa izy kosa nitondra ny vainafo sy ny antsy. Ary raha mbola niara-nandeha izy mianaka, 7dia hoy i Itsehàka tamin’i Abrahama rainy:

–Dada ô!

Ka novaliany hoe:

–Mihaino anao aho, anaka.

Ary hoy i Itsehàka hoe:

–Indreo ny vainafo sy ny kitay, fa aiza kosa ny zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo?

8Fa namaly azy i Abrahama hoe:

–Andriamanitra no hahita izay zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo, anaka!

Dia niara-nanohy ny diany izy mianaka. 9Rehefa tonga teo amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra izy ireo, dia nanorina alitara teo i Abrahama sady nandahatra ny kitay. Dia namatotra an’i Itsehàka zanany izy, ka nametraka azy teo amin’ny alitara, teo ambony kitay. 10Ary naninji-tanana handray ny antsy i Abrahama mba hamonoana ny zanany. 11Fa niantso azy avy any an-danitra ny anjelin’ny TOMPO ka nanao hoe:

–Abrahama ô! Abrahama ô!

Hoy kosa ny navalin’i Abrahama azy:

–Inty aho.

12Dia hoy indray ilay anjely:

–Aza maninji-tanana amin’io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.

13Dia nanopy maso i Abrahama ka nahatazana ondrilahy iray voasarangotry ny kirihitr’ala ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondrilahy, ka nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho solon’ny zanany lahy. 14Dia nataon’i Abrahama hoe «Ny TOMPO no hahita» ny anaran’izany toerana izany ary mbola fiteny ankehitriny ny hoe: «Any an-tendrombohitra ny TOMPO no hahita22.14 Jereo and 8..»

lundi 12 octobre 2020

Alatsinainy 12 Oktobra 2020 - Asa 13 : 6 - 12

 6Namakivaky ny nosy manontolo izy roa lahy mandra-pahatongany tany Pafo. Tao no nahitany mpanao majika atao hoe Barjesoa, lehilahy nihambo ho mpaminany. 7Io Barjesoa io dia niara-nitoetra tamin’i Serzy Paoly, izay governoran’ny nosy Sipra sady lehilahy hendry. Nampiantso an’i Barnabà mbamin’i Saoly ilay governora satria naniry mafy handre ny tenin’Andriamanitra. 8Fa nanohitra azy roa lahy kosa i Barjesoa Elimà, ilay mpanao majîka (fa izany no dikan’ny anarana hoe Elimà), ka nitady hampiverina ilalana an’ilay governora tsy hirosoany amin’ny finoana. 9Tamin’izay i Saoly, atao koa hoe Paoly13.9 Saoly: anarana jiosy niantsoana an’i Paoly apôstôly fa ny hoe Paoly dia anarana rômanina (jereo 22.27-29)., dia tonga feno Fanahy Masina ka nibanjina an’i Elimà 10sady nanao hoe:

–Ry ilay andevozin’ny devoly ity! Feno fitaka sy faharatsiana isan-karazany ianao, ary mpanohitra ny marina rehetra nosoritan’Andriamanitra! Mbola te hisompatra foana ny lala-mahitsin’ny Tompo ve ianao? 11Ankehitriny, indro hasian’ny tanan’ny Tompo ianao ka ho jamba tsy hahita ny fahazavan’ny masoandro mandritra ny fotoana voafetra.

Niaraka tamin’izay dia sarona haizina ny mason’i Elimà, ka niraparapa izy nitady olona hitantana azy. 12Nony nahita ny zava-nitranga ilay governora, dia tonga mpino sady talanjona fatratra tamin’ny fampianarana momba ny Tompo.

samedi 10 octobre 2020

Asabotsy 10 Oktobra 2020 - I Tan 14 : 8 - 17

 8Nony ren’ny Filistinina fa efa voahosotra ho mpanjaka amin’i Israely manontolo i Davida, dia niakatra ny Filistinina rehetra mba hambabo an’i Davida. Nahare izany i Davida, ka nivoaka hifanehatra amin’ireo. 9Dia tonga ny Filistinina ka nandroba tao amin’ny lohasahan’ny Refaîta14.9 ny lohasahan’ny Refaîta: dia ao atsimo andrefan’i Jerosalema.. 10I Davida kosa nanontany an’Andriamanitra hoe:

–Handeha hamely ny Filistinina ve aho? Ary hatolotrao ho eo an-tanako ve ireo?

Ka hoy ny TOMPO taminy:

–Mandehana fa hatolotro ho eo an-tananao ireo.

11Dia niakatra nankao Bahala-Peratsima i Davida ka namely ny Filistinina tao. Ary hoy i Davida hoe:

–Ny tanako no namakian’Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky.

Izany no nanaovana ny anaran’io toerana io hoe Bahala-Peratsima. 12Dia nilaozan’ny Filistinina teo ireo andriamaniny ka nasain’i Davida nodorana tamin’ny afo.

13Avy indray ny Filistinina ka nandroba tao amin’ny lohasahan’ny Refaîta. 14Dia mbola nanontany an’Andriamanitra indray i Davida ka novaliany hoe:

–Aza miakatra hanenjika azy; fa mivilia lavidavitra azy, dia manatòna azy avy eo amin’ny tandrifin’ny foto-boaroihazo14.14 foto-boaroihazo: tsy azo antoka loatra ny karazan-kazo; ny dkt sasany manao hoe hazo balsama.. 15Ary rehefa mahare hoatra ny figodongodon’olona eny an-tendron-kazo ianao, dia miaingà amin’izay hiady, satria efa miainga mialoha anao Andriamanitra mba handresy ny tafiky ny Filistinina.

16Dia nanao araka izay nandidian’Andriamanitra azy i Davida, ka nandresy ny tafiky ny Filistinina hatreo Gibehôna ka hatrany Gezera14.16 Gibehôna: jereo 1 Mp 3.4 sy nta. –Gezera: jereo 2 Sam 5.25 sy nta.. 17Dia niely eran’ny tany rehetra ny lazan’i Davida, ary nataon’ny TOMPO matahotra an’i Davida ny firenena rehetra.

vendredi 9 octobre 2020

Zoma 09 Oktobra 2020 - Jod 17 - 23

 17Ianareo kosa, ry hava-malala, tsarovy ny teny efa nolazain’ireo apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompontsika; 18satria izao no voalazany taminareo: «Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, hiaina araka ny filàn’ny haratsiam-panahiny1.18 Ampit 2Pt 3.3..» 19Ireo mpampianatra sandoka ireo no mahatonga fisaratsarahana, satria entin’ny maha olombelona ihany fa tsy mba manana ny Fanahin’Andriamanitra. 20Ianareo kosa, ry hava-malala, ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoana masina indrindra efa anananareo, ka mivavaha ombàn’ny herin’ny Fanahy Masina; 21mitahiriza tena ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ka mahandrasa ny famindrampon’i Jesoa Kristy Tompontsika hahazoanareo fiaina-maharitra mandrakizay. 22Reseo lahatra1.22 Reseo lahatra: misy stf sasany ahitana hoe Amindrao fo. ny sasany izay miahanahana; 23ny sasany indray, sariho ho afaka amin’ny afo no famonjy azy; ary ny sasany kosa amindrao fo, saingy mitandrema tsara ka ankahalao na dia ny akanjo voaloton’ny maha olona mpanota azy aza.

jeudi 8 octobre 2020

Alakamisy 08 Oktobra 2020 - II Tes 3 : 1 - 5

 1Farany, ry havana, mivavaha ho anay mba hiely faingana ny tenin’ny Tompo, ka hankatoavina araka ny voninahitra tandrify azy, toy ny teo aminareo. 2Mivavaha koa mba hanafahan’Andriamanitra anay amin’ny olona tsy valahara sy ratsy fanahy; satria tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.

3Fa mitana ny toky nomeny ny Tompo, ka hampahery anareo sady hiaro anareo tsy ho azon’ilay Ratsy3.3 Ampit Mt 6.13; Jôh 17.15.. 4Ary omen’ny Tompo fitokiana izahay ny momba anareo, ka azonay antoka fa ny zavatra ameperanay anareo dia efa ataonareo sady mbola hataonareo hatrany.

5Ny Tompo anie hitarika ny fonareo hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra anareo sy hanam-paharetana miandry ny fiavian’i Kristy3.5 hahatsapa... Kristy: dkt hafa ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny faharetana omen’i Kristy.!

mercredi 7 octobre 2020

Alarobia 08 Oktobra 2020 - Jao 9 : 39 - 41

 Sady niankohoka teo anatrehany izy.

39Dia hoy i Jesoa:

–Ho fitsarana no nahatongavako eto amin’izao tontolo izao, mba hahiratra izay tsy mahiratra ary ho tonga jamba izay mahiratra!

40Nandre izany ny Farisianina sasany teo ka nanao taminy hoe:

–Izahay koa ve jamba?

41Dia hoy i Jesoa taminy:

–Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; fa noho ianareo ankehitriny manao hoe: «Mahiratra izahay», dia tsy afaka ny helokareo.

mardi 6 octobre 2020

Talata 06 Oktobra 2020 - Asa 4 : 5 - 17

 5Nony ampitson’iny vao nifamory tao Jerosalema ny manampahefana jiosy: dia ny loholona sy ny mpahay lalàna 6ary koa i Hanà mpisorombe sy i Kaiàfa, i Jôhany sy i Aleksandra mbamin’izay rehetra havan’ny mpisorombe. 7Nampanatrehan-dry zareo i Petera sy i Jôhany sady nanontaniany hoe:

–Fahefana ahoana moa na amin’ny anaran’iza no nanaovanareo izany fanaratsiana izany?

8Feno Fanahy Masina i Petera tamin’izay ka nanao hoe:

–Ry mpifehy ny vahoaka sy ry loholona, 9raha adinina izahay anio satria nanasoa lehilahy kilemaina anankiray ary anontaniana ny fomba nahasitranany, 10dia izao no aoka ho fantatrareo rehetra mbamin’ny vahoaka Israely manontolo: salama tsara io lehilahy manoloana anareo io noho ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana kanefa natsangan’Andriamanitra ho velona avy any amin’ny maty. 11I Jesoa no Ilay voalazan’ny Soratra Masina hoe:

«Ny vato nolavinareo mpanao trano

no nanjary vato fehizoro4.11 Sal 118.22.!»

12Ao aminy no hany ahazoam-pamonjena; eny, tsy misy eto ambanin’ny lanitra anarana hafa nomen’Andriamanitra ny olona, izay hahazoantsika famonjena!

13Gaga dia gaga ireo anisan’ny Fitsarana ambony raha nahita ny fahasahiana nasehon’i Petera sy i Jôhany: satria tandriny tokoa fa olona tsotra tsy nahita fianarana izy roa lahy, sady fantany fa olona niaraka tamin’i Jesoa; 14hitany koa ralehilahy sitrana soa aman-tsara nitsangana teo anilan’izy roa lahy, hany ka tsy nanan-kolazaina ry zareo.

15Dia nasaina niala teo amin’ny efitranon’ny Fitsarana ambony ireto voampanga fa ry zareo kosa nifampidinika 16nanao hoe:

–Inona no hataontsika amin’ireo lehilahy ireo? Ny mponina rehetra eto Jerosalema dia mahalala miharihary ny famantarana vitany ka tsy haintsika lavina. 17Kanefa mba tsy hielezan’izany intsony amin’ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy roa lahy ka hosakanana tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesoa intsony na amin’iza na amin’iza.

lundi 5 octobre 2020

Alatsinainy 05 Oktobra 2020 - Mar 5 : 25 - 29

 25Ary nisy vehivavy marary mitsi-dra nandritra ny 12 taona; 26efa niaritra zavatra mafy maro tamin’ny dokotera maro izy io ka lany fananana tamin’izany rehetra izany, nefa tsy nihatsara velively fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza. 27Nandre ny amin’i Jesoa ravehivavy, dia lasa nifanjevo tamin’ny vahoaka avy tao ivoho, ka nikasika ny lamban’i Jesoa 28fa hoy mantsy izy: «Na dia ny lambany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho.» 29Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny, ka tsapany tao amin’ny tenany fa sitrana tsy nandeha ra intsony izy.

dimanche 4 octobre 2020

Alahady 04 Oktobra 2020 - Eks 14 : 15 - 22

 15Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:

–Nahoana no miantso vonjy amiko ianao? Ilazao ny Israelita mba handroso. 16Ingao ny tehinao, ka ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao. Ary saraho ny rano, dia hamaky eo afovoan’ny rano eo amin’ny tany maina ny Israelita. 17Fa Izaho hanamafy fo ny Ejiptianina ka hitsofoka hanenjika anareo izy. Dia hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny andian-tafiny rehetra, ny kalesiny sy ny mpitaingina azy. 18Ho fantatry ny Ejiptianina amin’izay fa Izaho no TOMPO rehefa asehoko azy araka izany ny voninahitro. 19Ny anjelin’Andriamanitra izay nialoha ny Israelita hatrizay dia nandeha nifindra teo aorian’ny toby. Toy izany koa, ny andry rahona14.19 andry rahona: jereo 13.21 sy nta. izay teo alohan’izy ireo dia lasa any aoriany. 20Nifindra teo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptianina sy ny tobin’ny Israelita teo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptianina sy ny tobin’ny Israelita ny andry rahona. Io andry rahona io dia maizina tany andaniny fa nanazava ny alina kosa taty ankilany. Koa tsy afaka nifanatona izy roa tonta nandritra ny alina.

21Nahinjitr’i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Ary ny TOMPO nampitsoka rivo-mahery avy any atsinanana nandritra ny alina manontolo ka nanosika ny ranomasina hanamaina azy. Nisaraka ny ranomasina, 22ary nita teo am-povoany nandia tany maina ny Israelita, fa nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany ny rano14.22 jereo 1Kôr 10.1-2; Heb 11.29..

samedi 3 octobre 2020

Asabotsy 03 Oktobra 2020 - Eks 17 : 1 - 7

 1Araka ny baikon’ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr’i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima17.1 Refidima: toerana tsy fantatra, saingy tokony ho any amin’ny manodidina an’i Sinay. izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka tao. 2Dia nila ady tamin’i Mosesy ny Israelita ka nanao taminy hoe:

–Omeo17.2 Omeo: araka ny stf tranainy sy ny dikanteny tranainy maro; fa ny RM dia manao hoe Omeonareo. rano hosotroina izahay!

Fa nanontany azy ireo i Mosesy hoe:

–Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy ny TOMPO ianareo?

3Fa rehefa main’ny hetaheta mafy ny vahoaka, dia nimonomonona tamin’i Mosesy ka nanao taminy hoe:

–Nahoana moa ianao no nampiakatra anay niala tany Ejipta? Moa ny hahatonga anay ho fatin-ketaheta eto miaraka amin’ny zanakay sy ny bibinay ve?

4Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy nanao hoe:

–Inona no hataoko amin’ity vahoaka ity? Fa mila hitora-bato ahy mihitsy izy!

5Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy hoe:

–Mandalova eo anoloan’ny vahoaka, makà vitsivitsy amin’ny loholon’i Israely hiaraka aminao. Ento eny an-tananao ilay tehinao izay nikapohanao ny ranon’i Neily ka mandehana. 6Izaho kosa dia hijoro eo anoloanao, eo ambonin’ny harambato eny an-tendrombohitra Hôreba; hokapohinao ny harambato, dia hamoaka rano hosotroin’ny vahoaka.

Dia notanterahin’i Mosesy teo imason’ny loholon’i Israely izany baiko izany.

7Nantsoina hoe Masà sy Meribà io toerana io, izany hoe «fakana fanahy» sy «filàna ady» satria nila ady tamin’i Mosesy ny Israelita, ary naka fanahy ny TOMPO tamin’ny nitenenany hoe: «Moa eto aminay tokoa ve ny TOMPO sa tsia?»

vendredi 2 octobre 2020

Zoma 02 Oktobra 2020 - Heb 10 : 32 - 39

 32Tsarovy ny nanjo anareo tamin’ny andro fahiny. Fa rehefa nohazavain’Andriamanitra ianareo, dia niharam-pijaliana sy niaritra ady mafy tokoa: 33novetavetaina sy nampahorîna teo imasom-bahoaka ianareo indraindray, na niara-nizaka izay nanjo an’ireo natao toy izany koa indraindray; 34niarahanareo niaritra ny fijalian’izay voafonja; ary nony norobaina ny fanananareo, dia nekenareo tamin-kafaliana izany satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sady maharitra ianareo. 35Koa aza manary ny fahatokianareo fa misy valisoa lehibe izany. 36Ilainareo tokoa ny faharetana mba hanaovanareo ny sitrapon’Andriamanitra ka hahazoanareo izay ampanantenainy. 37Fa hoy ny Soratra Masina:

«Kely foana sisa dia ho tonga Ilay tsy maintsy ho avy, fa tsy hitaredretra.

38Ary ny olo-marina eo imasoko noho ny finoana dia ho velona;

fa raha mihemotra izy, dia tsy sitrako10.38 And 37-38: Hab 2.3-4, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..»

39Isika kosa dia tsy mba naman’izay mihemotra ka ho very fa naman’izay mino ka ho voavonjy.

jeudi 1 octobre 2020

Alakamisy 01 Oktobra 2020 - Sal 37 : 1 - 8

 1 Nataon’i Davida.

ALEFA

Aza tezitra amin’ny mpanao ratsy

ary aza mialona ireo mpanao heloka;

2fa toy ny ahitra ireny ka malaky malazo,

toy ny vilo-maitso ka mbola hihamaina.

BETA

3Matokia ny TOMPO, manaova ny tsara,

dia honina amin’ny tany nomeny ianao

ka hiaina amim-pilaminana azo antoka.

4Aoka ny TOMPO no hiravoanao,

dia homeny anao izay irîn’ny fonao!

GIMELA

5Ankino amin’ny TOMPO ny fiainanao,

ka itokio Izy fa hanao izay mahasoa.

6Ny rariny anananao hasehony

ho toy ny mazavatsinanana;

ny zo tandrify anao haharihariny

ho tahaka ny mitataovovonana.

DALETA

7Aoka hitombina tsara eo anatrehan’ny TOMPO

ka hiandry Azy amim-paharetana ianao!

Aza tezitra amin’izay mahomby,

dia amin’ny olona manao fetsifetsy.

HE

8Ialao ny hatezerana, avelao ny havinirana;

aza misafoaka fa loza no hiafaran’izany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12