lundi 30 novembre 2020

Alatsinainy 30 Oktobra 2020 - Rom 8 : 18 - 25

 18Heveriko fa tsy mendrika hohàrina amin’ny voninahitra izay haseho ao amintsika ny fijaliana amin’izao andro izao. 19Fa tsindrian-daona erỳ ny zavaboaary miandry ny hanehoan’Andriamanitra an’ireo zanany. 20Fa tonga nanaiky ho zavatra tsinontsinona ny zavaboaary, tsy araka ny nahiny anefa, fa noho ilay nampanaiky azy toy izany. Saingy eo ny fanantenana: 21Fa ny zavaboaary koa aza dia hoafahana tsy ho andevon’ny fahasimbana indray andro any ka handray anjara amin’ny fahafahana be voninahitra hananan’ireo zanak’Andriamanitra. 22Saingy fantatsika fa mandraka ankehitriny, ny zavaboaary manontolo dia miara-misento sy mijaly toy ny vehivavy mihetsi-jaza. 23Ary tsy ny zavaboaary ihany; fa isika koa, izay manana ny Fanahy Masina ho santatry ny fanomezan’Andriamanitra, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny hanaovan’Andriamanitra antsika ho zanany ka hanavotany tanteraka ny tenantsika. 24Eny, efa voavonjy isika saingy mbola amin’ny fanantenana; ny mahita izay nantenaina dia tsy manantena intsony; satria iza no mbola hanantena izay zavatra efa hitany? 25Fa raha manantena ny tsy hitantsika isika, dia miandry amim-paharetana.

samedi 28 novembre 2020

Sabotsy 28 Novambra 2020 - Mat 5 : 1 - 12

 1Nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nohatonin’ny mpianany. 2Dia niteny i Jesoa ka nampianatra azy rehetra hoe:

Ny hasambarana azo antoka

(Jereo Lk 6.20-23)

3–Sambatra izay miaiky ao am-po ho mahantra,

fa azy ny Fanjakàn’ny lanitra!

4Sambatra izay mitomany,

fa izy no hampiononin’Andriamanitra!

5Sambatra izay malemy fanahy,

fa izy no handova ny tany

nampanantenain’Andriamanitra!

6Sambatra izay maniry mafy hanao ny marina

nosoritan’Andriamanitra,

fa izy no homen’Andriamanitra fahafaham-po!

7Sambatra izay mamindra fo,

fa izy no hamindran’Andriamanitra fo!

8Sambatra izay mahitsy fo,

fa izy no hahita an’Andriamanitra!

9Sambatra izay mpampihavana,

fa izy no hantsoin’Andriamanitra hoe zanany!

10Sambatra izay enjehina noho izy manao ny marina

nosoritan’Andriamanitra,

fa azy ny Fanjakàn’ny lanitra!

11Sambatra ianareo raha tevatevain’ny olona sy enjehiny ary ampangaina lainga amin’ny ratsy isan-karazany noho ny maha mpianatro anareo. 12Mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoa miandry anareo any an-danitra, satria toy izany no nanenjehany ireo mpaminanin’Andriamanitra talohanareo!

vendredi 27 novembre 2020

Zoma 27 Novambra 2020 - Sal 121 : 1 - 8

 1 Hira fiakarana.

Manopy maso any amin’ireo tendrombohitra aho. Avy aiza moa ny famonjena ahy?

2–Ny famonjena ahy dia avy amin’ny TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany! 3–Tsy havelany ho solafaka anie ny tongotrao; tsy ho rendremana anie ny mpiambina anao!

4–Tsia, tsy rendremana na matory ny mpiambina an’i Israely. 5Ny TOMPO no mpiambina anao amin’ny alina;ny TOMPO eo anilanao no fialofanao; 6ka tsy hamely anao ny masoandro, raha antoandro; tsy hamely anao ny volana, raha alina. 7Ny TOMPO hiambina anao amin’ny ratsy rehetra; eny, hiambina ny ainao Izy, 8hiambina anao mandroso sy miverina manomboka izao ka ho mandrakizay!

jeudi 26 novembre 2020

Alakamisy 26 Novambra 2020 - Fit 3 : 25 - 27

 TETA

25Tsara ny TOMPO amin’izay miandry Azy,

dia amin’ny olona mitady Azy.

26Tsara ny manantena mangina

ny famonjen’ny TOMPO.

27Tsara ho an’ny lehilahy

ny mitondra zioga amin’ny fahatanorany.

mercredi 25 novembre 2020

Alarobia 25 Novambra 2020 - II Tan 14 : 10 - 14

 10Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO Andriamaniny i Asà ka nanao hoe:

–TOMPO ô, tsy misy afa-tsy Ianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ny matanjaka izy; ka vonjeo izahay, ry TOMPO Andriamanitray ô, fa Ianao no iankinanay ary ny anaranao no irosoanay hiady amin’ity tafika goavana ity. TOMPO ô, Ianao no Andriamanitray, ka aza avela hisy olombelona haharesy Anao.

11Dia noresen’ny TOMPO teo anoloan’i Asà sy ny miaramila jodeanina ireo Etiôpianina ka nandositra 12ary nenjehin’i Asà sy ny tafiny hatrany Gerara. Ary nahafatesana be tokoa ny Etiôpianina sady tsy nisy afa-nitsoaka akory aza, satria montsana teo anoloan’ny TOMPO sy ny tafika nombany. Babo betsaka no azon’ny Jodeanina tamin’izay. 13Nasian’ny tafik’i Asà koa ny tanàna rehetra manodidina an’i Gerara, satria nataon’ny TOMPO voagejan’ny horohoro ireo; dia norobain’ny tafik’i Asà avokoa ny tanàna, ka nahazoany babo betsaka. 14Nasiany koa ny vala fitobian’ny biby fiompy, ka namaboany ondry aman’osy marobe sy rameva. Avy eo dia niverina ho any Jerosalema i Asà sy ny tafiny.

mardi 24 novembre 2020

Talata 24 Novambra 2020 - Mar 7 : 24 - 30

 24Dia niala teo i Jesoa ary lasa nankany amin’ny faritany akaikin’ny tanàna atao hoe Tiro; ary niditra tao an-trano anankiray Izy fa tsy te ho fantatry ny olona, kanefa tsy afa-niafina. 25Dia nisy vehivavy anankiray izay, nanan-janaka vavy azon’ny fanahy maloto; vao nandre momba an’i Jesoa ravehivavy, dia lasa nankao aminy ka niankohoka teo an-tongony. 26Miteny grika ravehivavy sady Sirôfenisianina firazanana; ary niangavy an’i Jesoa izy handroaka ny demony hiala tao amin-janany. 27Fa hoy i Jesoa taminy:

–Avelao aloha ho voky ny zanaka nateraka, fa tsy tsara raha ny mofon-janaka no alaina ka atsipy ho an’ny amboa kely.

28Dia namaly ravehivavy ka nanao hoe:

–Nefa, Tompoko, na ny amboakely ao ambany latabatra aza, dia mba mihinana ny sombintsombiny avy amin’ny mofon’ny ankizy ihany.

29Dia hoy i Jesoa taminy:

–Izany no teninao, ka dia modia fa efa niala tamin’ny zanakao ny demony.

30Ary rehefa niala teo ravehivavy ka tonga tany an-tranony, dia nahita ny zanany matory tsara eo am-pandriana, efa nialan’ny demony.

lundi 23 novembre 2020

Alatsinainy 23 Novambra 2020 - II Kor 4 : 7 - 11

 7Izahay mitondra izany raki-tsoa izany kosa dia toy ny vilany tany ihany, mba hahitana tsara fa izao hery tsy manan-tsahala izao dia an’Andriamanitra fa tsy anay. 8Ifandaharam-pahoriana izahay, nefa tsy voapotsitra; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; 9enjehin’olona, nefa tsy ilaozan’Andriamanitra; azera, nefa tsy maty. 10Entinay mandrakariva ao amin’ny tenanay koa fa velona i Jesoa; 11satria, eo amin’ny fiainanay, dia ny fahafatesana no mananontanona anay lalandava noho ny amin’i Jesoa mba haseho ao amin’ny tenanay mety maty koa fa velona i Jesoa, 12hany ka ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana no miasa ao aminareo.

dimanche 22 novembre 2020

Alahady 22 Novambra 2020 - Fil 3 : 17 - 21

 17Ry havana, aoka hanahaka ahy ianareo ary diniho hatrany ireo manao fitondrantena araka izay ohatra nomenay anareo. 18Efa voalazako imbetsaka taminareo, ary dia mbola lazaiko amin-dranomaso ankehitriny, fa maro no manao fitondrantena manohitra an’i Kristy maty teo amin’ny hazofijaliana. 19Fahaverezana no hiafaran’ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha. 20Fa isika kosa dia mizaka ny zo maha mponin’ny lanitra; ka Mpamonjy avy any an-danitra no andrasantsika, dia i Jesoa Kristy Tompo. 21Izy no hanova izao tenantsika tsinontsinona izao, ka hampitovîny amin’ny tenany be voninahitra, araka ny heriny miasa hahatonga ny zavatra rehetra hanaiky Azy.

samedi 21 novembre 2020

Sabotsy 21 Novambra 2020 - Asa 3 : 1 - 8

 1Tamin’ny telo tolakandro, fotoana fivavahana, dia niakatra ho any an-kianjan’ny tempoly i Petera sy i Jôhany. 2Teo anoloan’ny vavahadin’ny tempoly, ilay antsoina hoe Itsaraendrika, dia nisy lehilahy malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny. Nentin’ny olona isan’andro ka napetrany teo izy mba hangataka fiantrana amin’izay olona miditra ao an-kianjan’ny tempoly. 3Hitan-dralehilahy i Petera sy i Jôhany efa ndeha hiditra ka nangatahany fiantrana. 4Izy roa lahy kosa nibanjina ilay kilemaina ary hoy i Petera taminy:

–Jereo izahay.

5Dia nanao tsara jery azy roa lahy ity mpangataka satria nanantena handray zavatra avy aminy. 6Fa hoy i Petera taminy:

–Tsy ananako na ny volafotsy na ny volamena, fa izay ananako no omeko anao: amin’ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mitsangàna ka mandehana!

7Dia noraisin’i Petera ny tanan-kavanan’ilay kilemaina ary nasainy nitsangana izy. Natanjaka niaraka tamin’izay ny tongony sy ny kitrokeliny; 8niantsambotra izy dia nijoro ary nandeha. Niara-niditra tamin’i Petera sy i Jôhany tao an-kianjan’ny tempoly ralehilahy, sady nandeha no niantsambotsambotra ary nidera an’Andriamanitra.

vendredi 20 novembre 2020

Zoma 20 Novambra 2020 - Jod 24 - 25

 24Ho an’Andriamanitra tokana anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay miaro anareo tsy ho solafaka amin’ny fahotana, Izy no mahay mampijoro anareo tsy hanan-tsiny ka haheni-karavoana anareo eo anoloan’ny voninahiny; 25Izy no Mpamonjy antsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Eny, ho an’Andriamanitra tokana anie ny voninahitra sy ny laza ary ny fanjakana sy ny fahefana hatramy talohan’ny taona rehetra sy ankehitriny ary mandrakizay! Amen.

jeudi 19 novembre 2020

Alakamisy 19 Novambra 2020 - Rom 13 : 11 - 14

 11Fantatrareo rahateo indrindra koa ny andro diavintsika. Izao no fotoana tokony hifohazanareo amin’ny torimaso; satria ankehitriny antomotra antsika kokoa ny famonjena, fa tsy tahaka ny tamin’ny andro vao ninoantsika. 12Madiva ho lasa ny alina, ary mby akaiky ny andro. Ialao àry ny asa fanao amin’ny maizina, ka itafio ny fiadiana fampiasa amin’ny mazava. 13Aoka isika hahay hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro, ka hifady ny fanaranam-po sy ny fidorohana, ny fijangajangana sy ny fihetsika tsy maotina, ny adiady sy ny fifampialonana. 14Fa itafio ny fiadian’i Jesoa Kristy Tompo, ka aza mety hotarihin’ny maha olona mpanota ho amin’ny filàndratsy.

mercredi 18 novembre 2020

Alarobia 18 Novambra 2020 - Mat 20 : 29 - 34

 29Nony niala tao Jerikao i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an’i Jesoa. 30Ary indreo nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana. Reny fa hoe i Jesoa no nandalo, ka niantsoantso mafy izy roa lahy nanao hoe:

–Ry Tompo, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!

31Norahonan’ny vahoaka izy roa lahy hangina, kanefa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe:

–Ry Tompo, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!

32Dia nijanona i Jesoa sady niantso azy roa lahy ka nanao hoe:

–Inona no tianareo hataoko aminareo?

33Ary hoy ireo taminy:

–Tompo ô, ny mba hampahiratra ny masonay!

34Onena i Jesoa ary nikasika ny mason’ireto jamba. Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy roa lahy, ka lasa nanaraka an’i Jesoa.

mardi 17 novembre 2020

Talata 17 Novambra 2020 - Sal 108 : 1 - 13

 1 Tononkira. Salamo nataon’i Davida.

2Andriamanitra ô, mitombina dia mitombina ny foko;

ka hihira ho Anao aho sy hankalaza Anao amin-tsalamo.

3Mifohaza, ry fanahiko; mifohaza, ry valiha sy lokanga,

fa tiako hofohazina ny mazavatsinanana.

4TOMPO ô, vory vahoaka no hiderako Anao;

ary eo anivom-pirenena no hankalazako Anao amin-tsalamo,

5satria lehibe mihoatra noho ny lanitra ny fitiavanao

ary avo tafapaka amin’ny rahona ny toetranao mahatoky.

6Andriamanitra ô, misandrata Ianao

ho any an-tampon’ny lanitra;

aoka anie ny voninahitrao

hamiratra amin’ny tany tontolo!

7Vonjeo amin’ny herinao aho ary valio vavaka,

dia ho afaka ilay vahoaka malalanao.

8Tao an-Toeramasiny no niteny Andriamanitra hoe:

«Faly tokoa Aho fa hizara an’i Sekema

sy ny lohasahan’i Sokôta ho an’ny vahoakako;

9Ahy i Gilehada, Ahy koa i Manase;

i Efraîma no toy ny satro-by fiarolohako;

i Joda no toy ny tehim-piandrianako.

10I Môaba hampiasaiko toy ny tavy fisasàko;

i Edôma hanipazako kapa ho fananako;

i Filistia hanaovako horakora-pandresena.»

11Iza no hampiditra ahy ho eo anivon’i Edôma?

Zovy no hitondra ahy ho amin’ilay tanàna mafy?

12Moa tsy Ianao ihany ve, Andriamanitra ô?

Kanefa izahay efa narianao mihitsy

ary ny tafikay tsy iarahanao intsony.

13Ampio re izahay hiady amin’ilay mpandrafy,

fa tsy mankaiza ny famonjena ataon’ny olona.

lundi 16 novembre 2020

Alatsinainy 16 Novambra 2020 - Jak 2 : 14 - 26

 14Ry havako, inona moa no soa azon’ny olona milaza azy ho manam-pinoana, raha tsy miseho amin’ny asa izany? Mahavonjy azy ve izany finoana izany? 15Raha tàhiny misy havana iray finoana tsy manan-kitafy sady tsy ampy sakafo, 16dia inona moa no soa azonareo milaza aminy hoe: «Veloma finaritra, manaova mafana tsara, manaova voky tsara», raha tsy mba omenareo azy izay ilain’ny tenany? 17Toy izany kosa àry ny finoana: raha misy tsy miseho amin’ny asa, dia maty mihitsy.

18Nefa raha misy manao hoe: «Ny anao finoana, fa ny ahy asa», dia hovaliako hoe: «Asehoy ahy izay finoanao tsy ombàn’asa, fa hasehoko anao amin’ny asa kosa ny finoako.» 19Inoanao ve fa misy Andriamanitra tokana? Tsara ny ataonao. Mba mino izany koa anefa ireo demony ka mangovitra. 20Ry adala, tianao ve ny hahafantatra fa tsy vanona ny finoana tsy ombàn’asa? 21Ahoana moa no nahazoan’i Abrahama razantsika ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra? Noho ny asa nataon’i Abrahama, fony izy nanolotra an’i Itsehàka zanany lahy teo ambonin’ny alitara. 22Hitanao fa indray mientana ny azy ny finoana sy ny asa; ary tonga lavorary ny finoan’i Abrahama noho ny asa nombàny azy. 23Koa tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: ‹Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka nankatoavan’Andriamanitra azy ho marina izany; ary dia nantsoin’Andriamanitra hoe sakaizany izy». 24Hitanareo àry fa nahazo ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra ny olona, noho ny asa fa tsy noho ny finoana fotsiny ihany.

25Toy izay koa i Rahaba vehivavy janga: nahazo ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy noho ny asa nataony, fony izy nampiantrano ireo iraka israelita ary nampandeha azy tamin’ny lalan-kafa. 26Eny, maty ny vatantena raha tsy misy fofonaina, ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy ombàn’asa.

dimanche 15 novembre 2020

Alahady 15 Novambra 2020 - II Mpa 19 : 14 - 19

 14Ary noraisin’i Hezekià ny taratasy nentin’ireo iraka asirianina ka novakiny; avy teo izy dia niakatra tao an-tranon’ny TOMPO ka namelatra izany taratasy izany teo anatrehan’ny TOMPO, 15ary nivavaka tamin’ny TOMPO nanao hoe: «Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, Ianao Izay mipetraka eo ambony kerôbima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra eto an-tany, satria Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany. 16TOMPO ô, mba atongilano ny sofinao ka mihainoa; TOMPO ô, mba ahirato ny masonao ka mijere; ary aoka ho renao ny teny izay nampitondrain’i Saneheriba hanevatevana Anao Andriamanitra velona. 17TOMPO ô, marina fa ireo mpanjakan’i Asiria dia nandringana ny hafa firenena sy nandrava ny taniny; 18ary nodorany tamin’ny afo sy nosimbany aza ny andriamaniny satria tsy Andriamanitra ireny fa asan’ny tanan’olombelona, vato aman-kazo ihany. 19Fa ankehitriny kosa ry TOMPO Andriamanitray ô, vonjeo tsy ho azon’ny tanan’i Saneheriba izahay mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra etỳ an-tany fa Ianao irery ihany, TOMPO ô, no Andriamanitra.»

samedi 14 novembre 2020

Sabotsy 14 Novambra 2020 - Lio 16 : 1 - 8

 1Hoy kosa i Jesoa tamin’ny mpianany:

–Nisy mpanankarena anankiray nanana mpitandrim-pananana, izay notorîn’ny olona taminy fa mandanilany foana ny fananany. 2Dia nampiantsoin’ilay tompony izy ka nanontaniany hoe: «Inona izany henoko momba anao izany? Avoahy hoe ny fitandremanao fa tsy hahazo hitandrina ny fananako intsony ianao!» 3Ka hoy ilay mpitandrim-pananana anakampony hoe: «Esorin’ny tompoko amin’ny asako aho ity, ka inona re no hataoko? Ny miasa tany, tsy vitako; ny mangataka, mahamenatra ahy. 4Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony, rehefa voaroaka amin’ny asako aho.» 5Dia nampiantsoin’ilay mpitandrim-pananana tsirairay ireo olona nitrosa tamin’ny tompony. Ka hoy izy tamin’ilay voalohany: «Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?» 6Dia hoy ilay mpitrosa hoe: «Menaka efatra arivo litatra.» Ary hoy ny mpitandrim-pananana taminy: «Intỳ ny taratasinao, mipetraha faingana ka soraty hoe roa arivo.» 7Nisy hafa koa nilazany hoe: «Ary ianao, ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?» Dia hoy ilay mpitrosa hoe: «Vary zato kitapo.» Ary hoy ny mpitandrim-pananana taminy: «Intỳ ny taratasinao, ka soraty hoe valopolo.» 8Noderain’ny tompony ilay mpitandrim-pananana tsy marina, satria niseho ho kinga; fa amin’ny raharaha ifanaovany avy, dia kinga kokoa ny olona miaina araka izao tontolo izao noho ny olona miaina araka ny fahazavan’Andriamanitra.

vendredi 13 novembre 2020

Zoma 13 Novambra 2020 - Sal 130 : 1 - 8

 1 Hira fiakarana.

Anaty hantsam-pahoriana aho

no miantso Anao, ry TOMPO.

2Mba henoy, Tompo ô, izany feoko!

Ho tandrin’ny sofinao anie ny feoko mitaraina!

3Raha mitsikilo heloka Ianao, ry TOMPO,

iza moa no hahatanty, Tompo ô?

4Kanefa ao aminao ny famelana

mba hanajan’ny olona Anao.

5Koa manantena mafy ny TOMPO aho

sady matoky ny teniny.

6Miandry ny Tompo aho,

manoatra ny mpiambina miandry ny maraina.

Eny, manoatra ny mpiambina miandry ny maraina,

7no aoka hitokian’ny vahoaka Israely ny TOMPO,

satria ny fitiavana no ao amin’ny TOMPO

ary koa ny fanavotana tsy hita lany!

8Eny, Izy no hanavotra ny vahoaka Israely

ho afaka amin’ny fahotana rehetra.

jeudi 12 novembre 2020

Alakamisy 12 Novambra 2020 - Isa 64 : 1 - 11

 1Ho toy ny afo mampirehitra kitay rantsan-kazo

na mampangotraka rano anie Ianao;

ka ho fantatry ny fahavalonao ny lazanao

ary hangovitra eo anatrehanao ny firenen-kafa,

2rehefa nanao zava-mahatahotra

izay tsy nampoizinay akory Ianao.

Eny, hidina tokoa Ianao, Tompo ô,

ka hihorohoro eo anatrehanao ny tendrombohitra.

3Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola henon’ny olona

na ren’ny sofiny na hitan’ny masony

izay Andriamanitra hafa noho Ianao

nahavita izany tamin’izay matoky Azy.

4Mitsena izay mifaly hanao ny marina Ianao,

dia izay mihevitra hanaraka ny lalanao;

koa raha tezitra Ianao, dia satria nanota izahay.

Nefa ho voavonjy ihany izahay,

rehefa ho voakosokao tanteraka ny otanay.

5Samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra,

ary tahaka ny lamba mihosin-dra

ny asa soa rehetra mba vitanay.

Paohin’ny helokay izahay rehetra

toy ny ravin-kazo maina paohin’ny tadio.

6Tsy nisy niantso ny anaranao intsony

na nahatsiaro hifikitra aminao,

satria nandà ny hijery anay Ianao

ary namela anay handevozin’ny helokay.

7Na dia izany aza anefa, TOMPO ô, Ianao no Rainay;

tanimanga izahay, fa Ianao no mpanefy

ary asan’ny tananao izahay rehetra.

8TOMPO ô, aza vinitra loatra aminay

ary aza tsarovana hatrany ny helokay;

mba tsinjovy re izahay vahoakanao rehetra.

9Tonga aolo ireo tanànanao masina,

tonga taniefitra i Tsiôna

ary tonga lao i Jerosalema.

10Ny tempoly masina sady mamirapiratra

izay nanaovan’ny razanay hira fiderana Anao

dia kilan’ny afo,

ary ny zava-drehetra maminay indrindra

dia rava avokoa.

11Eo anoloan’ireo fahavoazana rehetra ireo,

dia tsy hiraika aminay ve Ianao, TOMPO ô?

Mbola hangina ihany ve Ianao

ka hampahory anay mafy loatra?

mercredi 11 novembre 2020

Alarobia 11 Novambra 2020 - I Kor 12 : 9 - 21

 9Ny anankiray omen’izany Fanahy izany finoana; ary ny anankiray omen’izany Fanahy izany fanomezam-pahasoavana hanasitrana marary. 10Ny anankiray, hanao asa mahagaga; ny anankiray, hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra; ny anankiray, hahay manavaka ny Fanahy Masina sy ny fanahy manodoka; ny anankiray, hiteny amin’ny fiteny samy hafa tsy fantatra; ary ny anankiray, hanazava ny fiteny tsy fantatra. 11Izany Fanahy iray izany ihany no loharano ipoiran’ireo fanomezana rehetra ireo, ka mizarazara azy, araka izay sitrapony, amin’ny olona tsirairay.

12Eny, iray ny tena kanefa misy zavatra maro ao aminy: dia toy izany koa i Kristy. Fa ireo zavatra rehetra anisan’ny tena ireo, na maro aza, dia tena iray ihany. 13Isika rehetra manko, na Jiosy na hafa firenena, na mpanompo na tsy mpanompo, dia iray ny Fanahy Masina nanaovana batisa antsika mba ho tena iray ihany isika; ary iray ny Fanahy Masina nampisotroana antsika rehetra.

14Eny, ny tena dia tsy zavatra karazana iray monja no mamorona azy fa maro. 15Raha ny tongotra hanao hoe: «Tsy tanana aho ka tsy mba isan’ny tena», dia tsy izay akory no tsy haha isan’ny tena azy. 16Raha ny sofina hanao hoe: «Tsy maso aho, ka tsy mba isan’ny tena», dia tsy izay akory no tsy haha isan’ny tena azy. 17Raha maso ny tena manontolo, ahoana no handrenesany? Ary raha sofina ny tena manontolo, ahoana no hanamboloany? 18Eny, efa voalahatr’Andriamanitra araka izay nitiavany azy avy eo amin’ny tena ireo zavatra anisan’ny tena ireo. 19Tsy ho nisy ny tena, raha karazana iray monja ny zavatra rehetra anisan’ny tena. 20Eny, maro ny zavatra anisan’ny tena, kanefa ny tena dia iray ihany.

21Ny maso tsy afaka hilaza amin’ny tanana ila hoe: «Tsy ilaiko ianao!» Ary ny loha tsy afaka hilaza amin’ny tongotra roa hoe: «Tsy ilaiko ianareo!» 

mardi 10 novembre 2020

Talata 10 Novambra 2020 - Lio 12 : 35 - 40

 35–Aoka ho vonona lalandava ka ny lambanareo sikino ary ny jironareo areheto. 36Manaova toy ny mpanompo miandry izay hiverenan’ny tompony avy any amin’ny fanasana; raha vao tonga sy mandondòna izy, dia vohain’ny mpanompony miaraka amin’izay. 37Sambatra ireo mpanompo hitan’ny tompony miari-tory raha tonga izy. Lazaiko marina aminareo fa hisikina lamba ny tompony ka hampipetraka azy hihinana ary handroso sakafo ho azy. 38Na misasakalina na maneno akoho no ahatongavan’ny tompony ka mahita ireo mpanompo miari-tory toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo! 39Izao no ataovy an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny ora iavian’ny mpangalatra, dia tsy havelany hotamîna ny tranony! 40Ianareo koa, aoka ho vonona hatrany, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.

lundi 9 novembre 2020

Alatsinainy 09 Novambra 2020 - Mat 15 : 21 - 28

 21Dia niala teo i Jesoa ary nankany amin’ny faritanin’i Tiro sy i Sidôna. 22Ary indro nisy vehivavy kanahanita, avy amin’izany faritany izany, tonga teo amin’i Jesoa sady niantsoantso mafy hoe:

–Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida ô; fa ampahorîn’ny demony mafy loatra ny zanako vavy!

23Tsy namaly teny azy i Jesoa, ka nohatonin’ny mpianany ary nangatahany hoe:

–Omeo an-dramatoa io izay tadiaviny, satria miantsoantso mafy manjohy antsika izy.

24Fa novalian’i Jesoa hoe:

–Tsy nirahina Aho afa-tsy amin’ireo ondry very, dia ny vahoaka Israely!

25Tonga niankohoka teo anatrehan’i Jesoa anefa ravehivavy ka nanao hoe:

–Tompo ô, ampio re aho!

26Dia novalian’i Jesoa hoe:

–Tsy mety raha mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboakely.

27Fa hoy kosa ravehivavy:

–Marina izany, Tompoko, kanefa na ny amboakely aza dia mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.

28Tamin’izay dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe:

–Lehibe ny finoanao, ramatoa; aoka ho tonga aminao araka izay irînao.

Ary nanomboka tamin’io ora io dia sitrana ilay zanany vavy.

dimanche 8 novembre 2020

Alahady 08 Novambra 2020 - Tit 2 : 11 - 15

 11Fa Andriamanitra efa naneho ny fahasoavany, izay loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra. 12Izany fahasoavana izany dia mitaiza antsika handà ny toetra tsy miraharaha an’Andriamanitra sy handà ny filàn’izao tontolo izao, fa ho velona mahafehy tena sy mandala ny rariny ary tia vavaka mandritra izao fiainana ankehitriny izao. 13Toy izany no tokony hiandrasantsika ny hasambarana antenaintsika sy ny andro hisehoan’ny voninahitr’i Jesoa Kristy, ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika. 14I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.

15Izany lazaina sy ananarana ary andresena lahatra ombàn’ny fahefana rehetra anananao. Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao.

samedi 7 novembre 2020

Asabotsy 07 Novambra 2020 - Mik 6 : 6 - 8

 6«Inona àry no hoentiko,

rehefa manatona aho hiankohoka

eo anatrehan’ny TOMPO,

Andriamanitra avo indrindra?

Moa zanak’omby iray taona

hatao sorona dorana manontolo ve

no hoentiko rehefa manatona Azy aho?

7Ho sitraky ny TOMPO ve ny ondrilahy an’arivony

na ny menaka mikoriana toy ny renirano?

Hatolotro Azy ve ny zazalahy voalohan-terako

ho fanalana ny heloka amam-pahotàko?»

8Tsia, ry olombelona, fa efa nampianarina anao

ny fitondrantena tsara

sy izay tadiavin’ny TOMPO aminao:

dia ny hanao ny rariny

sy handala ny fitiavana

ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amim-panetrentena.

vendredi 6 novembre 2020

Zoma 06 Novambra 2020 - Asa 16 : 6 - 10

 6Noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory ny tenin’Andriamanitra tany Azia i Paoly sy ny namany ka nandeha namaky ny faritany Frijia sy Galatia. 7Nihazo ny faritany Mizia izy ireo ary nitady hankany Bitinia, kanjo tsy navelan’ny Fanahin’i Jesoa. 8Dia namaky an’i Mizia ry i Paoly ka nanitsy nankany Trôasy, tanàna seranana. 9Tamin’ny alina dia nisehoam-pahitana i Paoly: nisy lehilahy Masedônianina nijoro teo anatrehany, sady niangavy azy hoe: «Mità mankatỳ Masedônia, ka vonjeo izahay!» 10Tsy nangataka andro izahay taorian’izany fahitàn’i Paoly izany, fa nivonona hiainga ho any Masedônia, satria azonay antoka fa nantsoin’Andriamanitra hitondra ny Vaovao Mahafaly amin’ny olona any izahay.

jeudi 5 novembre 2020

Alakamisy 05 Novambra 2020 - Mat 24 : 35 - 44

 35Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona.

36–Ny amin’izay andro sy ora hahatongavan’izany dia tsy misy mahalala na ny anjely any an-danitra na ny Zanaka, fa izy Ray irery ihany. 37Eny, tahaka ny tamin’ny andron’i Noà, dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona. 38Fa tamin’ireo andro nialoha ny safodrano dia nihinana sy nisotro ary nampaka-bady na nampakarina ny olona, mandra-pigadon’ny andro nidiran’i Noà tao amin’ny sambofiara, 39ary tsy nanampo na inona na inona ny olona mandra-pahatongan’ny safodrano izay nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona. 40Amin’izany, hisy roa lahy tafaraka eny an-tsaha; ka ny iray halaina, ny iray havela; 41hisy roa vavy miara-mikoso-bary: ka ny iray halaina, ny iray havela. 42Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny Tomponareo. 43Izao no ataovy ao an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny vanim-potoana hiavian’ny mpangalatra amin’ny alina, dia ho niambina izy ary tsy ho namela ny tranony hotamîna. 44Noho izany, aoka ho vonona hatrany koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.

mercredi 4 novembre 2020

Alarobia 04 Novambra 2020 - Mat 9 : 27 - 31

 27Raha niala teo i Jesoa, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe:

–Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!

28Ary rehefa niditra tao an-trano i Jesoa, dia nohatonin’ireo jamba; ka hoy i Jesoa taminy:

–Mino ve ianareo fa haiko atao izany?

Dia novalian’izy roa lahy hoe:

–Eny, Tompoko!

29Tamin’izay dia nokasihin’i Jesoa ny mason’ireto jamba sady nataony hoe:

–Aoka ho tonga aminareo araka ny finoanareo.

30Dia nahiratra ny mason’izy roa lahy, fa i Jesoa namepetra azy mafy hoe:

–Tandremo sao fantatr’olona izao!

31Kanjo nony lasa ireo, dia nampiely ny lazan’i Jesoa manerana io faritany io.

mardi 3 novembre 2020

Talata 03 Novambra 2020 - Sal 145 : 14 - 21

 SAMEKA

14Ny TOMPO no manohana izay rehetra ho lavo

sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.

HAINA

15Mifantoka aminao ny mason’izao rehetra izao

fa Ianao manome azy ny sakafony ara-potoana.

PE

16Manokatra ny tananao Ianao

ka mamoky zava-tsoa ny miaina rehetra.

TSADE

17Marina amin’ny lalany rehetra ny TOMPO

ary be fitiavana amin’ny asany rehetra.

KÔFA

18Ny TOMPO eo akaikin’izay rehetra miantso Azy,

dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.

RESA

19Manao izay irîn’ny manaja Azy ny Tompo,

ary mihaino ny tarainany ka mamonjy azy.

SINA

20Ny TOMPO miambina izay rehetra tia Azy;

ny olon-dratsy kosa aringany avokoa.

TAO

21Aoka ny vavako hiteny fiderana ny TOMPO;

ny voaary rehetra anie hankalaza ny anarany masina

mandrakizay mandrakizay!

lundi 2 novembre 2020

Alatsinainy 02 Novambra 2020 - II Kor 4 : 12 - 15

 12hany ka ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana no miasa ao aminareo.

13Hoy ny Soratra Masina: «Nino aho, ka izany no nitenenako.» Noho izahay manana io finoana omen’ny Fanahy Masina io, dia mino koa izahay ka izany no itenenanay. 14Fantatray fa Andriamanitra, Izay nanangana an’i Jesoa Tompo ho velona, dia hanangana anay koa ho velona miaraka amin’i Jesoa, ary hametraka anay mbaminareo ho eo akaikiny. 15Eny, noho ny aminareo avokoa izany rehetra izany, ka dia mihamaro ny olona tratran’ny fahasoavana mba hitomboan’ny vavaka fisaorana ho voninahitr’Andriamanitra.

dimanche 1 novembre 2020

Talata 01 Desambra 2020 - Jao 1 : 35 - 51

  35Ny ampitson’iny indray, dia mbola teo ihany i Jôhany sy ny mpianany roa lahy; 36ary nahatazana an’i Jesoa nandalo i Jôhany ka hoy izy hoe:

–Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra!

37Nandre an’i Jôhany niteny izany ireto mpianany roa lahy ka lasa nanaraka an’i Jesoa. 38Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy roa lahy nanaraka, dia nanao taminy hoe:

–Inona no tadiavinareo izay?

Ka novalian’izy roa lahy hoe:

–Rabỳ ô, (izany hoe Mpampianatra ô, raha adika), aiza ianao no mitoetra?

39Dia hoy i Jesoa taminy:

–Avia, fa ho hitanareo!

Koa dia nandeha izy roa lahy ka nahita izay nitoeran’i Jesoa ary nitoetra teo aminy tamin’io andro io. (Tokony ho tamin’ny efatra tolakandro tamin’izay).

40I Andrea, rahalahin’i Simôna Petera, no anankiray tamin’izy roa lahy nandre ny tenin’i Jôhany, ka nanaraka an’i Jesoa. 41Ny nihaonan’i Andrea voalohany dia i Simôna rahalahiny ka nilazany hoe:

–Efa hitanay ny Mesia (izany hoe i Kristy na hoe Voahosotra, raha adika)!

42Dia nentin’i Andrea nankany amin’i Jesoa i Simôna; ary nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe:

–Ianao no Simôna, zanakalahin’i Jônà! Hantsoina hoe Kefasy ianao (izany hoe Petera na hoe Vato, raha adika)!

43Ny ampitson’iny, dia niroso nankany amin’ny faritany Galilea i Jesoa; tafahaona tamin’i Filipo Izy ary nanao taminy hoe:

–Avia hiaraka amiko!

44I Filipo dia avy any Betsaidà, tanàna fiavian-dry i Andrea sy i Petera. 45Tafahaona tamin’i Natanaela kosa i Filipo ka niteny taminy hoe: «Efa hitanay Ilay voalazan’i Mosesy tao amin’ny bokin’ny Lalàna sy voalazan’ireo mpaminany, dia i Jesoa zanak’i Jôsefa, Ilay avy any Nazareta.»

46Ary hoy i Natanaela taminy:

–Moa mba mety hisy zava-tsoa ve avy any Nazareta?

Dia novalian’i Filipo hoe:

–Ndao ianao hizaha!

47Nahita an’i Natanaela tamy nanatona Azy i Jesoa ka izao no teniny momba an’i Natanaela:

–Izany ka tena Israelita tsy misy fitaka!

48Dia hoy i Natanaela taminy:

–Ahoana no ahafantaranao ahy?

Ka novalian’i Jesoa hoe:

–Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, dia hitako teo ambany aviavy ianao!

49Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe:

–Mpampianatra ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely!

50Ary novalian’i Jesoa hoe:

–Mino ve ianao satria nilazako fa hitako teo ambany aviavy? Zavatra lehibe noho izany no mbola ho hitanao!

51Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela:

–Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin’ny anjelin’Andriamanitra miaka-midina eo ambonin’ny Zanak’olona!

Talata 01 desambra 2020 - Jao 1 : 35 - 51

 35Ny ampitson’iny indray, dia mbola teo ihany i Jôhany sy ny mpianany roa lahy; 36ary nahatazana an’i Jesoa nandalo i Jôhany ka hoy izy hoe:

–Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra!

37Nandre an’i Jôhany niteny izany ireto mpianany roa lahy ka lasa nanaraka an’i Jesoa. 38Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy roa lahy nanaraka, dia nanao taminy hoe:

–Inona no tadiavinareo izay?

Ka novalian’izy roa lahy hoe:

–Rabỳ ô, (izany hoe Mpampianatra ô, raha adika), aiza ianao no mitoetra?

39Dia hoy i Jesoa taminy:

–Avia, fa ho hitanareo!

Koa dia nandeha izy roa lahy ka nahita izay nitoeran’i Jesoa ary nitoetra teo aminy tamin’io andro io. (Tokony ho tamin’ny efatra tolakandro tamin’izay).

40I Andrea, rahalahin’i Simôna Petera, no anankiray tamin’izy roa lahy nandre ny tenin’i Jôhany, ka nanaraka an’i Jesoa. 41Ny nihaonan’i Andrea voalohany dia i Simôna rahalahiny ka nilazany hoe:

–Efa hitanay ny Mesia (izany hoe i Kristy na hoe Voahosotra, raha adika)!

42Dia nentin’i Andrea nankany amin’i Jesoa i Simôna; ary nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe:

–Ianao no Simôna, zanakalahin’i Jônà! Hantsoina hoe Kefasy ianao (izany hoe Petera na hoe Vato, raha adika)!

43Ny ampitson’iny, dia niroso nankany amin’ny faritany Galilea i Jesoa; tafahaona tamin’i Filipo Izy ary nanao taminy hoe:

–Avia hiaraka amiko!

44I Filipo dia avy any Betsaidà, tanàna fiavian-dry i Andrea sy i Petera. 45Tafahaona tamin’i Natanaela kosa i Filipo ka niteny taminy hoe: «Efa hitanay Ilay voalazan’i Mosesy tao amin’ny bokin’ny Lalàna sy voalazan’ireo mpaminany, dia i Jesoa zanak’i Jôsefa, Ilay avy any Nazareta.»

46Ary hoy i Natanaela taminy:

–Moa mba mety hisy zava-tsoa ve avy any Nazareta?

Dia novalian’i Filipo hoe:

–Ndao ianao hizaha!

47Nahita an’i Natanaela tamy nanatona Azy i Jesoa ka izao no teniny momba an’i Natanaela:

–Izany ka tena Israelita tsy misy fitaka!

48Dia hoy i Natanaela taminy:

–Ahoana no ahafantaranao ahy?

Ka novalian’i Jesoa hoe:

–Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, dia hitako teo ambany aviavy ianao!

49Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe:

–Mpampianatra ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely!

50Ary novalian’i Jesoa hoe:

–Mino ve ianao satria nilazako fa hitako teo ambany aviavy? Zavatra lehibe noho izany no mbola ho hitanao!

51Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela:

–Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin’ny anjelin’Andriamanitra miaka-midina eo ambonin’ny Zanak’olona!

Alahady 01 Novambra 2020 - Gen 32 : 4 - 13

 4Ary i Jakôba nandefa iraka hialoha azy ho any amin’i Hesao rahalahiny, any ambanivohitr’i Edôma, any amin’ny tany Sehira. 5Nanafatra an’ireo iraka izy hoe:

–Izao no holazainareo amin’i Hesao: «I Jakôba mpanomponao, tompokolahy, dia nanafatra anay hilaza hoe: Nivahiny tany amin’i Labàna aho ary nijanona tany hatramin’izao. 6Manana omby sy boriky sy ondry aman’osy aho ary koa mpanompo lahy sy vavy maro. Nandefa ireto irako ireto aho hampilaza aminao tompokolahy mba handraisanao ahy tsara.»

7Niverina tany amin’i Jakôba ireo iraka ka nilaza hoe:

–Tonga tany amin’i Hesao rahalahinao izahay; ary ny tenany mihitsy no tamy hitsena anao miaraka amin’ny olona efajato lahy.

8Dia raiki-tahotra mafy i Jakôba ka nangitakitaka; ary nozarainy ho antoko roa ny olona niaraka taminy sy ireo ondry aman’osy ary omby sy rameva, 9fa hoy izy anakampony: «Raha tonga hamely ny antoko iray i Hesao, dia afa-mandositra kosa ny antoko hafa.» 10Ary nivavaka i Jakôba nanao hoe:

–Ry Andriamanitr’i Abrahama raibeko sy Andriamanitr’i Itsehàka raiko ô, Ianao Ilay TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Miverena any amin’ny taninao sy ny fianakavianao, dia hanisy soa anao Aho.» 11Tsy mendrika an’ireo mari-pitiavana sy zavatra azo antoka rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao akory aho, satria tsy nanana afa-tsy tehina ny tenako raha niampita an’ity Jôrdàna ity, ary ankehitriny kosa efa tonga antokony roa. 12Mba afaho amin’ny tanan’i Hesao rahalahiko aho, satria matahotra azy, fandrao tonga izy ka hamono ahy sy ny zaza amam-behivavy ho faty. 13Ianao manko efa nampanantena ahy hoe: «Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hahatonga ny taranakao ho marobe tsy hita isa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12